{
    "1": {
        "1": "Efa nandroso taona i Davida Mpanjaka sady efa antitra, ka tsy nahatsiaro nafana na dia norakofana lamba be dia be aza.",
        "2": "Dia hoy ny mpanompony taminy: \u201cAleo ianao hitadiavana tovovavy virjiny, ry mpanjaka tompoko, mba hikarakara sy hiahy anao. Ary hatory eo an-tsandrinao izy, ka hafana ny mpanjaka tompoko.\u201d",
        "3": "Koa nitady tovovavy tsara tarehy tany amin\u2019ny faritra rehetra tany Israely izy ireo, ka nahita an\u2019i Abisaga Sonemita. Dia nentina nankao amin\u2019ny mpanjaka izy.",
        "4": "Tsara tarehy be mihitsy ilay tovovavy, ary izy no lasa nikarakara sy niahy ny mpanjaka. Tsy nanao firaisana taminy anefa ny mpanjaka.",
        "5": "Nandritra izany fotoana izany, dia nanao izay hahazoana fahefana i Adonia zanakalahin\u2019i Hagita, ka niteny hoe: \u201cIzaho no ho mpanjaka!\u201d Nampanamboatra kalesy ho azy sy naka mpitaingin-tsoavaly izy, ary nanangona lehilahy 50 hihazakazaka eo alohany.",
        "6": "Tsy nanohitra azy mihitsy anefa ny rainy. Tsy mba niteny izy hoe: \u201cFa maninona ianao no manao an\u2019izao?\u201d I Adonia no nateraky ny reniny nanarakaraka an\u2019i Absaloma, ary tena tsara tarehy koa izy.",
        "7": "Ary niresaka tamin\u2019i Joaba zanak\u2019i Zeroia sy tamin\u2019i Abiatara mpisorona i Adonia, ka nanjary nanampy sy nanohana azy izy roa lahy.",
        "8": "Tsy nanohana an\u2019i Adonia kosa i Zadoka mpisorona, Benaia zanak\u2019i Joiada, Natana mpaminany, Simey, Rey, ary ny miaramila matanjaka teo ambany fahefan\u2019i Davida.",
        "9": "Ary nanao sorona ondry sy omby ary biby nohatavezina i Adonia, teo akaikin\u2019ny vaton\u2019i Zoheleta, tsy lavitra an\u2019i En-rogela. Dia nasainy ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka, sy ny lehilahy rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda sady mpanompon\u2019ny mpanjaka.",
        "10": "Tsy mba nasainy kosa i Natana mpaminany, Benaia, ireo miaramila matanjaka, ary Solomona rahalahiny.",
        "11": "Nilaza tamin\u2019i Batseba renin\u2019i Solomona \u00e0ry i Natana hoe: \u201cTsy henonao angaha fa efa lasa mpanjaka i Adonia zanak\u2019i Hagita, nefa i Davida tompontsika tsy mahafantatra na inona na inona momba an\u2019izany?",
        "12": "Koa mba misy torohevitra kely omeko anao ity, amin\u2019izay mba mety ho voavonjinao ny ainao sy ny ain\u2019i Solomona zanakao:",
        "13": "Mandehana mankao amin\u2019i Davida Mpanjaka, dia izao lazaina aminy: \u2018Tsy ianao moa, ry mpanjaka tompoko, no nianiana tamin\u2019ny mpanomponao hoe: \u201cI Solomona zanakao no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako\u201d? Koa nahoana no i Adonia indray no lasa mpanjaka?\u2019",
        "14": "Ary amin\u2019ilay ianao miresaka amin\u2019ny mpanjaka iny indrindra, dia hiditra koa aho ka hanamafy ny teninao.\u201d",
        "15": "Nankao amin\u2019ny mpanjaka tao amin\u2019ny efitranony \u00e0ry i Batseba. Efa antitra be ny mpanjaka, ary nikarakara azy i Abisaga Sonemita.",
        "16": "Dia niondrika i Batseba ka niankohoka teo anatrehan\u2019ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: \u201cMisy zavatra tianao hangatahina angaha?\u201d",
        "17": "Dia namaly izy hoe: \u201cIanao, tompoko, efa nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao ka niteny tamin\u2019ny mpanomponao hoe: \u2018I Solomona zanakao no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako.\u2019",
        "18": "I Adonia anefa izao no lasa mpanjaka, ary tsy mahafantatra na inona na inona momba an\u2019izany ny mpanjaka tompoko.",
        "19": "Nanao sorona omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be izy. Dia nasainy daholo ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka sy Abiatara mpisorona ary Joaba lehiben\u2019ny tafika, fa i Solomona mpanomponao tsy mba nasainy.",
        "20": "Ary miandrandra anao daholo izao ny mason\u2019ny Israely rehetra, ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4, mba hilaza amin\u2019izy ireo hoe iza no handimby ny mpanjaka tompoko ka hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany.",
        "21": "Raha tsy izany mantsy, dia hoheverina ho mpamadika izaho sy Solomona zanako raha vao hodimandry any amin\u2019ny razambeny ny mpanjaka tompoko.\u201d",
        "22": "Raha mbola teo am-piresahana tamin\u2019ny mpanjaka i Batseba, dia tonga i Natana mpaminany.",
        "23": "Avy hatrany dia nisy nilaza tamin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cAo i Natana mpaminany!\u201d Dia niditra teo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin\u2019ny tany.",
        "24": "Ary hoy i Natana: \u201cRy mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4! Fa angaha ianao efa niteny hoe: \u2018I Adonia no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako\u2019?",
        "25": "Nandeha nidina mba hanao sorona omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be mantsy i Adonia androany. Dia nasainy daholo ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka sy ny lehiben\u2019ny tafika ary Abiatara mpisorona. Mihinana sy misotro miaraka amin\u2019i Adonia ao ry zareo, ary izao foana no tenin-dry zareo: \u2018Ho ela velona anie i Adonia Mpanjaka!\u2019",
        "26": "Fa tsy mba nasainy kosa izaho mpanomponao, sy Zadoka mpisorona, sy Benaia zanak\u2019i Joiada, ary Solomona mpanomponao.",
        "27": "Ny mpanjaka tompoko ve no namela azy hanao an\u2019izany? Dia tsy nampahafantarinao ny mpanomponao ve hoe iza no handimby ny mpanjaka tompoko ka hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany?\u201d",
        "28": "Hoy ny navalin\u2019i Davida Mpanjaka: \u201cAsaivo mankat\u1ef3 i Batseba.\u201d Dia niditra i Batseba ka nijoro teo anatrehan\u2019ny mpanjaka.",
        "29": "Ary nianiana ny mpanjaka hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, izay namonjy ahy tamin\u2019ny fahoriako rehetra,",
        "30": "dia hotanterahiko androany ilay fianianako taminao tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoe: \u2018I Solomona zanakao no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako handimby ahy!\u2019\u201d",
        "31": "Dia niondrika i Batseba, ka niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019ny mpanjaka. Ary hoy izy: \u201cHo velona mandrakizay anie i Davida Mpanjaka tompoko!\u201d",
        "32": "Avy hatrany dia hoy i Davida Mpanjaka: \u201cAsaivo mankat\u1ef3 i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia zanak\u2019i Joiada.\u201d Dia niditra nankeo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy ireo.",
        "33": "Hoy ny mpanjaka tamin\u2019izy ireo: \u201cEnto miaraka aminareo ny mpanompoko. Ary ampitaingeno an\u2019ilay ramoleko i Solomona zanako, dia ento midina any Gihona.",
        "34": "Hanosotra azy ho mpanjakan\u2019ny Israely i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany rehefa any. Tsofy ny anjombona avy eo, ka milaz\u00e0 hoe: \u2018Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!\u2019",
        "35": "Dia manaraha azy. Ary hiditra izy ka hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako. Izy no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hotendreko ho mpitarika ny Israely sy Joda.\u201d",
        "36": "Tonga dia hoy i Benaia zanak\u2019i Joiada tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cAmena! Hankasitraka an\u2019izany anie i Jehovah Andriamanitry ny mpanjaka tompoko!",
        "37": "Enga anie i Jehovah hanampy an\u2019i Solomona hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019ny mpanjaka tompoko! Ary hataony be voninahitra noho ny seza fiandrianan\u2019i Davida Mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan\u2019i Solomona!\u201d",
        "38": "Dia nidina i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, Benaia zanak\u2019i Joiada, ny Keretita, ary ny Peletita, ka nampitaingenin\u2019izy ireo an\u2019ilay ramolen\u2019i Davida Mpanjaka i Solomona dia nentiny tany Gihona.",
        "39": "Nalain\u2019i Zadoka mpisorona avy tao amin\u2019ny tranolay ny tandroka nisy menaka, ka nohosorany ho mpanjaka i Solomona. Dia notsofina ny anjombona, ary niara-niredona ny olona rehetra hoe: \u201cHo ela velona anie i Solomona Mpanjaka!\u201d",
        "40": "Niakatra nanaraka azy ny olona rehetra avy eo sady nitsoka sodina ary faly be, ka hoatran\u2019ny hitresaka mihitsy ny tany noho ny kotaban\u2019izy ireo.",
        "41": "Nandre an\u2019izany i Adonia sy ny olona rehetra nasainy, rehefa avy nisakafo. Dia hoy i Joaba raha vao naheno an\u2019ilay feon\u2019anjombona: \u201cFa inona izany tabataba be ao an-tan\u00e0na izany?\u201d",
        "42": "Mbola tsy tapitra akory ny teniny, dia tonga i Jonatana zanak\u2019i Abiatara mpisorona. Dia hoy i Adonia: \u201cMandrosoa fa olona mahafinaritra ianao, ka azo antoka fa hitondra vaovao tsara.\u201d",
        "43": "Fa hoy i Jonatana tamin\u2019i Adonia: \u201cTsy izany mihitsy! Efa nanao an\u2019i Solomona ho mpanjaka i Davida Mpanjaka tompontsika.",
        "44": "Nirahin\u2019ny mpanjaka hiaraka amin\u2019i Solomona i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, Benaia zanak\u2019i Joiada, ny Keretita, ary ny Peletita. Dia nampitaingenin\u2019izy ireo an\u2019ilay ramolen\u2019ny mpanjaka i Solomona.",
        "45": "Rehefa tonga tany Gihona izy ireo, dia nanosotra azy ho mpanjaka i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany. Niakatra avy tany izy ireo avy eo sady faly, ka nihorakoraka ny iray tan\u00e0na. Izany ilay tabataba henonareo.",
        "46": "Ary tsy izany ihany fa efa mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana i Solomona.",
        "47": "Tonga niarahaba an\u2019i Davida Mpanjaka tompontsika koa ireo mpanompon\u2019ny mpanjaka. Niteny izy ireo hoe: \u2018Hataon\u2019ny Andriamanitrao malaza kokoa noho ny anaranao anie ny anaran\u2019i Solomona! Ary hataony be voninahitra kokoa noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianan\u2019i Solomona!\u2019 Dia niankohoka teo am-pandriana ny mpanjaka.",
        "48": "Ary izao no nolazain\u2019ny mpanjaka: \u2018Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, fa nanome olona hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianako izy androany, sady navelany hahita an\u2019izany ny masoko!\u2019\u201d",
        "49": "Dia natahotra be ireo rehetra nasain\u2019i Adonia ka nitsangana, ary samy lasa nandeha tany amin\u2019izay nalehany avy.",
        "50": "Natahotra an\u2019i Solomona koa i Adonia. Nitsangana \u00e0ry izy ka lasa nandeha namikitra tamin\u2019ny tandroky ny alitara.",
        "51": "Dia nisy nilaza tamin\u2019i Solomona hoe: \u201cMatahotra an\u2019i Solomona Mpanjaka i Adonia. Mamikitra amin\u2019ny tandroky ny alitara ao izy sady miteny hoe: \u2018Aleo aloha i Solomona Mpanjaka hianiana amiko hoe tsy hamono ny mpanompony amin\u2019ny sabatra.\u2019\u201d",
        "52": "Dia hoy i Solomona: \u201cRaha mendri-pitokisana izy, dia tsy hisy ho latsaka amin\u2019ny tany na dia ny singam-bolony iray aza. Fa raha hita kosa hoe nanao ratsy izy, dia tsy maintsy ho faty.\u201d",
        "53": "Dia naniraka olona hampidina an\u2019i Adonia avy teo amin\u2019ny alitara i Solomona Mpanjaka. Ary tonga niankohoka teo anatrehan\u2019i Solomona Mpanjaka izy. Dia hoy i Solomona taminy: \u201cMandehana mody any an-tranonao.\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Rehefa nihananakaiky ny fotoana hahafatesan\u2019i Davida, dia nanafatrafatra an\u2019i Solomona zanany izy hoe:",
        "2": "\u201cEfa ho faty aho, koa mahereza ary asehoy hoe tena lehilahy ianao.",
        "3": "Ankatoavy i Jehovah Andriamanitrao ka mandehana amin\u2019ny lalana atorony, ary tandremo ny lal\u00e0ny, sy ny didiny, sy ny didim-pitsarany, ary ny fampahatsiahivany, izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy. Dia hety tsara daholo izay hataonao ary hahomby ianao any amin\u2019izay rehetra halehanao.",
        "4": "Ary hotanterahin\u2019i Jehovah ny zavatra nampanantenainy ahy hoe: \u2018Raha mitandrina tsara an\u2019izay ataony ny taranakao, ka manaraka foana an\u2019izay atoroko sady manao an\u2019izany amin\u2019ny fony manontolo sy ny heriny manontolo, dia hisy lehilahy avy amin\u2019ny taranakao foana hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely.\u2019",
        "5": "\u201cFantatrao tsara koa ny nataon\u2019i Joaba zanak\u2019i Zeroia tamiko. Namono an\u2019izy roa lahy lehiben\u2019ny tafiky ny Israely izy, dia i\u00a0Abnera zanak\u2019i Nera sy Amasa zanak\u2019i Jatera. Nandatsa-dra izy nefa tsy nisy ady akory, ka voaloton\u2019ny ra ny fehikibo teo amin\u2019ny andilany sy ny kapa teny an-tongony.",
        "6": "Olon-kendry ianao ka mahalala izay tokony hatao, fa aza avela hidina amim-piadanana any amin\u2019ny Fasana fotsiny ny volofotsiny.",
        "7": "\u201cTokony ho tia an\u2019ireo zanakalahin\u2019i Barzilay Gileadita kosa ianao sady tsy hivadika aminy, ary tokony ho anisan\u2019ireo misakafo eo amin\u2019ny latabatrao izy ireo. Nanampy ahy mantsy izy ireo tamin\u2019izaho nandositra an\u2019i Absaloma rahalahinao.",
        "8": "\u201cEo koa i Simey zanak\u2019i Gera, ilay Benjaminita avy any Bahorima. Izy ilay nanozona ahy tamin\u2019ny andro nankanesako tany Mahanaima, sady nahay vava be mihitsy. Rehefa nidina nitsena ahy tany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana anefa izy, dia nianiana taminy tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah aho hoe: \u2018Tsy hovonoiko amin\u2019ny sabatra ianao.\u2019",
        "9": "Aza avela ho afa-maina anefa izy. Olon-kendry mantsy ianao, ka fantatrao izay tokony hataonao aminy. Alatsaho ny rany, fa aza avela ho faty noho ny fahanterana izy.\u201d",
        "10": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Davida ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "11": "Naharitra 40\u00a0taona ny fotoana nanjakany teo amin\u2019ny Israely, ka 7\u00a0taona tao Hebrona ary 33\u00a0taona tao Jerosalema.",
        "12": "Dia nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida rainy i Solomona. Ary nihamafy orina ny fanjakany.",
        "13": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nankany amin\u2019i Batseba renin\u2019i Solomona i Adonia zanak\u2019i Hagita. Ary hoy i Batseba: \u201cFihavanana ve no ahatongavanao?\u201d Dia hoy i Adonia: \u201cIe, fihavanana.\u201d",
        "14": "Hoy koa izy: \u201cMisy zavatra tiako holazaina aminao.\u201d Dia hoy i Batseba: \u201cLazao \u00e0ry.\u201d",
        "15": "Hoy i Adonia: \u201cFantatrao tsara fa tokony ho ahy ny fanjakana, ary efa nanantena ny Israely rehetra hoe izaho no ho lasa mpanjaka. Tsy izaho indray anefa no nahazo ny fanjakana fa ny rahalahiko, satria izay no sitrapon\u2019i Jehovah.",
        "16": "Fa zavatra iray ihany no mba angatahiko aminao, ka aza lavina.\u201d Dia hoy i Batseba taminy: \u201cLazao \u00e0ry.\u201d",
        "17": "Namaly i Adonia hoe: \u201cMba asaivo omen\u2019i Solomona Mpanjaka ho vadiko re, azafady, i Abisaga Sonemita\u00a0e! Tsy handa an\u2019izay angatahinao mantsy izy.\u201d",
        "18": "Dia hoy i Batseba: \u201cEny \u00e0ry! Hampitaiko amin\u2019ny mpanjaka ny teninao.\u201d",
        "19": "Nankao amin\u2019i Solomona Mpanjaka \u00e0ry i Batseba mba hampita ny tenin\u2019i Adonia. Dia nitsangana hitsena azy avy hatrany ny mpanjaka, ka niankohoka teo anatrehany. Nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany i Solomona avy eo. Ary nasainy nasiana seza fiandrianana iray ho an\u2019ny renin\u2019ny mpanjaka teo ankavanany, mba hipetrahany.",
        "20": "Dia hoy i Batseba: \u201cMisy zavatra kely mba angatahiko aminao, ka aza lavina.\u201d Koa namaly ny mpanjaka hoe: \u201cAngataho \u00e0ry, ry Neny, fa tsy handa an\u2019izay angatahinao aho.\u201d",
        "21": "Hoy i Batseba: \u201cMba omeo ho vadin\u2019i Adonia rahalahinao i Abisaga Sonemita.\u201d",
        "22": "Dia hoy i Solomona Mpanjaka tamin-dreniny: \u201cFa maninona ianao no mangataka an\u2019i Abisaga Sonemita ho an\u2019i Adonia? Maninona raha angatahina ho azy koa ny fanjakana? Zokiko izy tsinona sady manohana azy i Abiatara mpisorona sy Joaba zanak\u2019i Zeroia.\u201d",
        "23": "Dia nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah i Solomona Mpanjaka hoe: \u201cHofaizin\u2019Andriamanitra anie aho, raha tsy ny ain\u2019i Adonia no manefa noho izy nangataka an\u2019izany!",
        "24": "Raha mbola velona koa i Jehovah, izay nametraka ahy eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida raiko sady nanamafy orina ny fanjakako ary nanao trano ho ahy araka ny nampanantenainy, dia hovonoina ho faty androany ihany i Adonia.\u201d",
        "25": "Avy hatrany i Solomona Mpanjaka dia naniraka an\u2019i Benaia zanak\u2019i Joiada hankany amin\u2019i Adonia. Dia lasa izy ka namono an\u2019i Adonia ho faty.",
        "26": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Abiatara mpisorona: \u201cMandehana any Anatota, any amin\u2019ny taninao! Mendrika ny ho faty ianao, nefa tsy hamono anao aho androany. Nitondra ny Vata masin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony teo anatrehan\u2019i Davida raiko mantsy ianao, sady niara-niaritra ny fahoriana rehetra nanjo azy.\u201d",
        "27": "Nesorin\u2019i Solomona tsy ho mpisoron\u2019i Jehovah \u00e0ry i Abiatara, mba hahatanteraka an\u2019ilay tenin\u2019i Jehovah nanameloka ny ankohonan\u2019i Ely, tany Silo.",
        "28": "Henon\u2019i Joaba izany rehetra izany, ka nandositra nankao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah izy, ary notazoniny mafy ny tandroky ny alitara. Nanohana an\u2019i Adonia mantsy i Joaba, na dia tsy nanohana an\u2019i Absaloma aza.",
        "29": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Solomona Mpanjaka hoe: \u201cNandositra ao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah i Joaba, ary ao akaikin\u2019ny alitara ao izy.\u201d Naniraka an\u2019i Benaia zanak\u2019i Joiada \u00e0ry i Solomona hoe: \u201cMandehana vonoy izy!\u201d",
        "30": "Koa nankao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah i Benaia, ary hoy izy tamin\u2019i Joaba: \u201cNilaza ny mpanjaka hoe: \u2018Mivoaha ianao!\u2019\u201d Fa hoy i Joaba: \u201cIzaho tsy hivoaka! Eto aho no ho faty.\u201d Ary niverina tany amin\u2019ny mpanjaka i Benaia niteny hoe: \u201cIzany no nolazain\u2019i Joaba, ary izany no navaliny ahy.\u201d",
        "31": "Dia hoy ny mpanjaka taminy: \u201cIzany nolazainy izany mihitsy atao. Vonoy izy dia aleveno, mba tsy ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny ra nalatsak\u2019i Joaba tsy ara-drariny izaho sy ny ankohonan-draiko.",
        "32": "I Jehovah no hamaly azy noho ny ra nalatsany, satria lehilahy roa marina kokoa sy tsara kokoa noho izy no nasiany, nefa tsy fantatr\u2019i Davida raiko izany. Novonoiny tamin\u2019ny sabatra mantsy i Abnera zanak\u2019i Nera, lehiben\u2019ny tafiky ny Israely, sy Amasa zanak\u2019i Jatera, lehiben\u2019ny tafik\u2019i Joda.",
        "33": "Ho tompon\u2019andraikitra mandrakizay amin\u2019ny fahafatesan\u2019izy roa lahy i Joaba sy ny taranany. Fa i Davida sy ny taranany sy ny ankohonany ary ny seza fiandrianany kosa anie hahazo fiadanana mandrakizay avy amin\u2019i Jehovah!\u201d",
        "34": "Dia niakatra i Benaia zanak\u2019i Joiada ka namely an\u2019i Joaba, ary namono azy ho faty. Ary nalevina teny akaikin\u2019ny tranony tany an-tany efitra izy.",
        "35": "Dia notendren\u2019ny mpanjaka ho lehiben\u2019ny tafika hisolo an\u2019i Joaba i Benaia zanak\u2019i Joiada. Ary i Zadoka mpisorona no notendren\u2019ny mpanjaka hisolo an\u2019i Abiatara.",
        "36": "Dia nampanantsoin\u2019ny mpanjaka i Simey, ary hoy izy taminy: \u201cManaova trano eto Jerosalema, dia mipetraha ao. Aza miala eto an-tan\u00e0na mihitsy ary aza mankany an-toeran-kafa.",
        "37": "Fa amin\u2019ny andro hialanao eto sy hiampitanao ny Lohasahan\u2019i Kidrona, dia tsy maintsy ho faty ianao. Ary ianao ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesanao.\u201d",
        "38": "Niteny tamin\u2019ny mpanjaka i Simey hoe: \u201cTena mety izany! Izay nolazain\u2019ny mpanjaka tompoko no hataon\u2019ny mpanomponao.\u201d Nijanona andro maro tao Jerosalema \u00e0ry i Simey.",
        "39": "Rehefa afaka telo taona anefa, dia nandositra ny\u00a0mpanompon\u2019i Simey anankiroa, ka nankany amin\u2019i Akisy zanak\u2019i Maka, mpanjakan\u2019i Gata. Ary nisy nampandre an\u2019i Simey hoe: \u201cAny Gata ireo mpanomponao.\u201d",
        "40": "Dia nasiany lasely avy hatrany ny ampondrany, ka lasa izy nankany amin\u2019i Akisy any Gata, mba hitady ny mpanompony. Rehefa niverina avy tany Gata niaraka tamin\u2019ireo mpanompony i Simey,",
        "41": "dia nisy nilaza tamin\u2019i Solomona hoe: \u201cNiala tao Jerosalema i Simey ka nankany Gata, ary efa tafaverina.\u201d",
        "42": "Nampanantsoin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Simey, ary hoy izy taminy: \u201cTsy efa nampianiana anao tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah moa aho ka nampitandrina anao hoe: \u2018Amin\u2019ny andro hialanao eto sy handehananao any an-toeran-kafa, dia tsy maintsy ho faty ianao\u2019? Ary tsy efa niteny tamiko ve ianao hoe: \u2018Tena mety izany, fa izay no hataoko\u2019?",
        "43": "Koa maninona ianao no tsy nanaja ny fianianana natao teo anatrehan\u2019i Jehovah sy tsy nankat\u00f2 an\u2019ilay didy nomeko anao?\u201d",
        "44": "Hoy koa ny mpanjaka tamin\u2019i Simey: \u201cFantatrao tsara ny ratsy rehetra nataonao tamin\u2019i Davida raiko, ary mahalala an\u2019izany ianao ao am-ponao ao. Havalin\u2019i Jehovah aminao ihany izany zavatra ratsy nataonao izany.",
        "45": "Fa hotahina kosa i Solomona Mpanjaka, ary ny seza fiandrianan\u2019i Davida ho mafy orina mandrakizay eo anatrehan\u2019i Jehovah.\u201d",
        "46": "Dia nanome baiko an\u2019i Benaia zanak\u2019i Joiada ny mpanjaka, ka nivoaka i Benaia ary namely an\u2019i Simey, dia maty izy. Lasa mafy orina teo am-pelatanan\u2019i Solomona \u00e0ry ny fanjakana."
    },
    "3": {
        "1": "Nanao fifanarahana tamin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta i Solomona, ka nalainy ho vady ny zanakavavin\u2019i Farao. Dia nentiny tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida ilay vehivavy, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon\u2019i Jehovah ary ny manda manodidina an\u2019i Jerosalema.",
        "2": "Mbola nanao sorona teny amin\u2019ny toerana avo ihany anefa ny olona, satria mbola tsy nisy trano naorina ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "3": "Tia an\u2019i Jehovah i Solomona, ka nanaraka ny lal\u00e0na nampitain\u2019i Davida rainy. Mbola nanao sorona teny amin\u2019ny toerana avo anefa izy, sady nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny.",
        "4": "Nankany Gibeona ny mpanjaka mba hanao sorona, satria io no toerana avo nalaza indrindra. Nanolotra sorona dorana 1\u00a0000 teo ambonin\u2019ilay alitara tany i Solomona.",
        "5": "Tamin\u2019i Solomona tao Gibeona, dia niseho taminy tao amin\u2019ny nofy i Jehovah indray alina. Hoy Andriamanitra taminy: \u201cAngataho izay tianao homeko anao.\u201d",
        "6": "Dia hoy i Solomona: \u201cNasehonao tamin\u2019i Davida raiko mpanomponao hoe tena tia azy sy tsy nivadika taminy ianao, noho izy tsy nivadika sy nanao ny marina ary nanompo anao tamin\u2019ny fo madio. Ary mbola nasehonao taminy hatramin\u2019izao izany fitiavana lehibe sy tsy fivadihanao izany, ka nomenao zanakalahy hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany izy.",
        "7": "Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, efa nataonao mpanjaka handimby an\u2019i Davida raiko izaho mpanomponao, nefa izaho mbola kely sady mbola tsy dia nahita fiainana.",
        "8": "Ary ny mpanomponao no mitondra ny vahoaka nofidinao, dia olona maro be tsy voaisa sady tsy tambo isaina.",
        "9": "Mba omeo fo mankat\u00f2 \u00e0ry izaho mpanomponao mba hitsarako ny vahoakanao, sy hahaizako hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Fa iza moa no mahay mitsara an\u2019ireo vahoakanao be dia be ireo?\u201d",
        "10": "Faly i Jehovah hoe izany no nangatahin\u2019i Solomona.",
        "11": "Hoy \u00e0ry Andriamanitra taminy: \u201cSatria izany no nangatahinao, ary tsy nangataka ny ho ela velona ianao na ny hahazo harena na ny hahafatesan\u2019ny fahavalonao, fa nangataka fahendrena hoenti-mitsara,",
        "12": "dia hotanterahiko izany fangatahanao izany. Homeko fo hendry sy fahaiza-misaina ianao, ka tsy nisy hoatr\u2019anao mihitsy tany alohanao ary tsy hisy hoatr\u2019anao intsony koa.",
        "13": "Homeko anao koa izay tsy nangatahinao, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka hitovy aminao mandritra ny androm-piainanao.",
        "14": "Ary raha mandeha amin\u2019ny lalako ianao ka mitandrina ny fitsipiko sy ny didiko toy ny nataon\u2019i Davida rainao, dia hataoko ela velona.\u201d",
        "15": "Rehefa nifoha i Solomona, dia fantany fa nofy ilay izy. Dia nankany Jerosalema izy, ka nijoro teo anoloan\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah. Nanolotra sorona dorana sy fanatitra iombonana izy, ary nanao fanasambe ho an\u2019ny mpanompony rehetra.",
        "16": "Taorian\u2019izay, dia nisy mpivaro-tena anankiroa nankao amin\u2019ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.",
        "17": "Hoy ilay vehivavy voalohany: \u201cAzafady kely, tompoko: Iray trano izaho sy ity vehivavy ity, ary tao an-trano izy tamin\u2019izaho niteraka.",
        "18": "Telo andro taorian\u2019ny niterahako, dia teraka koa ity vehivavy ity. Ary izahay roa vavy ihany no tao an-trano, fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay tao.",
        "19": "Ary maty tamin\u2019ny alina ny zanakalahin\u2019ity vehivavy ity, satria voatsindriny.",
        "20": "Dia niarina izy rehefa nisasaka ny alina, dia nalainy ny zanako lahy teo akaikiko raha mbola natory ny mpanompovavinao. Ary nampatoriny teo an-tratrany ilay zaza, fa ny zanany maty kosa nataony teo an-tratrako.",
        "21": "Rehefa nifoha hampinono an\u2019ilay zanako aho ny maraina, dia hitako fa efa maty izy. Dia nodinihiko tsara ilay zaza, hay tsy ilay zanako naterako ilay izy.\u201d",
        "22": "Fa hoy ilay vehivavy anankiray: \u201cTsy marina izany! Ilay velona no zanako, fa ilay maty no zanakao!\u201d Fa hoy kosa ilay voalohany: \u201cTsy izany mihitsy! Ilay maty no zanakao, fa ilay velona no zanako.\u201d Ary nifamaly toy izany teo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy ireo.",
        "23": "Farany, dia hoy ny mpanjaka: \u201cNy iray milaza hoe: \u2018Ilay velona no zanako, fa ilay maty no zanakao!\u2019 Ny iray indray miteny hoe: \u2018Tsy marina izany! Ilay maty no zanakao, fa ilay velona no zanako!\u2019\u201d",
        "24": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cItondray sabatra aho!\u201d Dia nitondrana sabatra ny mpanjaka.",
        "25": "Hoy ny mpanjaka avy eo: \u201cZarao roa ilay zaza velona, dia ny antsasany omeo an\u2019ilay vehivavy iray, ary ny antsasany ho an\u2019ilay iray!\u201d",
        "26": "Nangoraka an-janany anefa ny renin\u2019ilay zaza velona, ka avy hatrany dia niangavy an\u2019ilay mpanjaka hoe: \u201cAzafady, tompoko! Omeo azy ny zaza velona, fa aza vonoina!\u201d Fa hoy kosa ilay vehivavy iray: \u201cSady tsy ho ahy izy no tsy ho anao! Avelao izy hozarainy roa!\u201d",
        "27": "Dia niteny ny mpanjaka hoe: \u201cOmeo an\u2019ilay vehivavy voalohany ny zaza velona! Aza vonoina izy fa io no reniny.\u201d",
        "28": "Henon\u2019ny Israely rehetra \u00e0ry ilay didim-pitsarana navoakan\u2019ny mpanjaka, ka natahotra azy izy ireo. Hitan\u2019izy ireo mantsy fa nomen\u2019Andriamanitra fahendrena izy mba hahay hampihatra ny rariny."
    },
    "4": {
        "1": "Nanjaka teo amin\u2019ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka.",
        "2": "Ireto avy ny manam-pahefana ambony nampiasainy: I Azaria zanak\u2019i Zadoka no mpisorona;",
        "3": "Elihorefa sy Ahia, izay samy zanak\u2019i Sisa, no mpitan-tsoratra; Josafata zanak\u2019i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana;",
        "4": "Benaia zanak\u2019i Joiada no lehiben\u2019ny tafika; Zadoka sy Abiatara no mpisorona;",
        "5": "Azaria zanak\u2019i Natana no filohan\u2019ireo lehibem-paritra; Zaboda zanak\u2019i Natana no mpisorona sady naman\u2019ny mpanjaka;",
        "6": "Ahisara no niandraikitra ny tao an-dapa; ary Adonirama zanak\u2019i Abda no niandraikitra an\u2019ireo voantso hanao fanompoana ho an\u2019ny mpanjaka.",
        "7": "Nanana lehibem-paritra 12 i Solomona, teo amin\u2019ny Israely rehetra. Andraikitr\u2019izy ireo ny namatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapany. Ary nifandimby nanao an\u2019izany iray volana isan-taona ny tsirairay tamin\u2019izy ireo.",
        "8": "Ireto avy ny anaran\u2019izy ireo: Ny zanak\u2019i Hora no niandraikitra ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima;",
        "9": "ny zanak\u2019i Dakera no niandraikitra ny faritr\u2019i Makaza, sy Salbima, sy Beti-semesy, ary Elona-beti-hanana;",
        "10": "ny zanak\u2019i Haseda no niandraikitra ny faritr\u2019i Arobota sy Soko ary Hefera manontolo;",
        "11": "ny zanak\u2019i Abinadaba no niandraikitra ny tehezan-kavoanan\u2019i Dora manontolo\u2014lasa vadiny i Tafata zanakavavin\u2019i Solomona\u2014;",
        "12": "Bana zanak\u2019i Ahiloda no niandraikitra ny faritr\u2019i Tan\u00e0ka sy Megido ary Beti-sana manontolo, izay eo akaikin\u2019i Zaretana, eo ambanin\u2019i Jezirela, manomboka any Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, ary hatrany amin\u2019ny faritr\u2019i Jokmeama;",
        "13": "ny zanak\u2019i Gebera no niandraikitra ny faritr\u2019i Ramota-gileada, ary azy ny tan\u00e0na tranolain\u2019i Jaira zanak\u2019i Manase any Gileada, ary azy koa ny faritr\u2019i Argoba any Basana, dia tan\u00e0na lehibe 60 nisy manda sy bara hidiny varahina;",
        "14": "Ahinadaba zanak\u2019i Ido no niandraikitra ny faritr\u2019i Mahanaima;",
        "15": "Ahimaza no niandraikitra ny faritr\u2019i Naftaly\u2014nanambady an\u2019i Basemata zanakavavin\u2019i Solomona izy\u2014;",
        "16": "Bana zanak\u2019i Hosay no niandraikitra ny faritr\u2019i Asera sy Bealota;",
        "17": "Josafata zanak\u2019i Paroa no niandraikitra ny faritr\u2019i Isakara;",
        "18": "Simey zanak\u2019i Ela no niandraikitra ny faritr\u2019i Benjamina;",
        "19": "ary i Gebera zanak\u2019i Ory no niandraikitra ny faritr\u2019i Gileada, tanin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita sy Oga mpanjakan\u2019i Basana. Nisy lehilahy iray koa notendrena ho filohan\u2019ireo lehibem-paritra rehetra tao amin\u2019ilay tany ireo.",
        "20": "Maro be hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina ny Joda sy ny Israely. Dia nihinana sy nisotro ary nifaly izy ireo.",
        "21": "Teo ambany fahefan\u2019i Solomona ny fanjakana rehetra, nanomboka tany amin\u2019ny Renirano ka hatrany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina sy ny sisin-tanin\u2019i Ejipta. Nandoa hetra tamin\u2019i Solomona izy ireny sady nanompo azy nandritra ny androm-piainany.",
        "22": "Izao no sakafo nilain\u2019i Solomona isan\u2019andro: Lafarinina tsara toto 30 kora sy lafarinina tsotra 60 kora,",
        "23": "omby mifahy 10, omby 20 mpankeny an-kijana, ary ondry 100, ankoatra ny serfa, gazela, serfa kely, ary taontaonkafa nohatavezina.",
        "24": "Teo ambany fifehezany mantsy ny faritra rehetra at\u1ef3 ampitan\u2019ny Renirano, nanomboka tany Tifsa ka hatrany Gaza, anisan\u2019izany ny mpanjaka rehetra at\u1ef3 ampitan\u2019ny Renirano. Ary niadana ny faritra rehetra nanjakany, sy ny manodidina rehetra.",
        "25": "Niaina nilamina tsara ny Joda sy ny Israely tamin\u2019ny andro rehetra nanjakan\u2019i Solomona. Samy teny ambanin\u2019ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.",
        "26": "Ary nanana tranon-tsoavaly 4\u00a0000 i Solomona, ho an\u2019ireo soavaly mpitarika ny kalesiny. Nanana soavaly 12\u00a0000 koa izy.",
        "27": "Ireo lehibem-paritra ireo no namatsy sakafo an\u2019i Solomona Mpanjaka sy izay rehetra nisakafo teo amin\u2019ny latabany. Samy namita ny anjarany avy ny tsirairay isaky ny volana nanendrena azy, ka nataony ampy tsara daholo ny zava-drehetra.",
        "28": "Nentin\u2019izy ireo tany amin\u2019izay nilana azy koa ny vary orza sy ny mololo ho an\u2019ny soavaly, anisan\u2019izany ireo soavaly mpitarika kalesy. Samy nitondra an\u2019izay nasaina nentiny avy ny tsirairay.",
        "29": "Nomen\u2019Andriamanitra fahendrena sy fahiratan-tsaina tsy nisy hoatr\u2019izany i Solomona. Nomeny fo tena mahay manavaka koa izy, dia fahaiza-manavaka be dia be hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina.",
        "30": "Nihoatra noho ny fahendren\u2019ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendrena rehetra nananan\u2019ny Ejipsianina ny fahendren\u2019i Solomona.",
        "31": "Hendry noho ny olona rehetra izy. Hendry kokoa izy raha noharina tamin\u2019i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola, ary Darda, izay samy zanak\u2019i Mahola. Ary niely tany amin\u2019ny firenena rehetra nanodidina ny lazany.",
        "32": "Namorona ohabolana 3\u00a0000 sy hira 1\u00a0005 izy.",
        "33": "Niresaka momba ny hazo izy, hatramin\u2019ny sedera any Lib\u00e0na ka hatramin\u2019ny hysopa maniry eny amin\u2019ny rindrina. Niresaka momba ny biby, ny vorona, ny biby mandady, ary ny trondro koa izy.",
        "34": "Tonga mba hihaino ny fahendren\u2019i Solomona ny olona avy any amin\u2019ny firenena rehetra, anisan\u2019izany ireo mpanjaka avy any amin\u2019ny faritra rehetra eran-tany izay nandre momba ny fahendreny."
    },
    "5": {
        "1": "Rehefa henon\u2019i Hirama, mpanjakan\u2019i Tyro, fa i Solomona no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy, dia naniraka ny mpanompony ho any amin\u2019i Solomona izy. Efa naman\u2019i Davida hatramin\u2019izay mantsy i Hirama.",
        "2": "Dia nampitondra hafatra ho an\u2019i Hirama i Solomona hoe:",
        "3": "\u201cFantatrao tsara fa tsy afaka nanao trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamaniny i Davida raiko, satria niady taminy foana ny fahavalony manodidina azy, mandra-panaon\u2019i Jehovah azy ireny ho eo ambany faladiany.",
        "4": "Nataon\u2019i Jehovah Andriamanitro milamina anefa izao ny sisin-taniko rehetra. Tsy misy manohitra ahy sady tsy misy loza mitranga.",
        "5": "Mieritreritra ny hanorina trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitro \u00e0ry aho. Efa nampanantena an\u2019i Davida raiko mantsy i Jehovah hoe: \u2018Ny zanakao, izay hotendreko handimby anao eo amin\u2019ny seza fiandriananao, no hanorina an\u2019ilay trano ho an\u2019ny anarako.\u2019",
        "6": "Koa asaivo mikapa hazo sederan\u2019i Lib\u00e0na ny olonao mba homena ahy. Dia hiara-miasa amin\u2019ny mpanomponao ny mpanompoko, ary haloako izay karama lazainao hoe tokony homena ny mpanomponao. Fantatrao tsara mantsy fa tsy misy aminay mahay mikapa hazo hoatran\u2019ny Sidonianina.\u201d",
        "7": "Faly be i Hirama naheno ny tenin\u2019i Solomona, ka nilaza hoe: \u201cHoderaina anie i Jehovah ankehitriny, satria nanome zanaka hendry an\u2019i Davida izy mba hitondra an\u2019izany vahoaka be izany!\u201d",
        "8": "Naniraka olona nankany amin\u2019i Solomona \u00e0ry i Hirama mba hiteny hoe: \u201cEfa henoko ny hafatra nampitondrainao ho ahy. Hataoko izay rehetra tianao ka homeko anao izay hazo sedera sy zenevrie hilainao.",
        "9": "Ny mpanompoko no hampidina an\u2019izany avy any Lib\u00e0na ho any an-dranomasina. Ary hatambatro ho zahatra ny hazo ka halefako eny an-dranomasina hatrany amin\u2019izay toerana holazainao amiko. Any no hasaiko borahina izany, amin\u2019izay mba azonao taterina. Ary ianao kosa hanome an\u2019izay sakafo hangatahiko ho an\u2019ny ankohonako.\u201d",
        "10": "Nomen\u2019i Hirama daholo \u00e0ry izay hazo sedera sy zenevrie nilain\u2019i Solomona.",
        "11": "I Solomona kosa nanome an\u2019i Hirama varimbazaha 20\u00a0000 kora ho sakafon\u2019ny ankohonany, ary menak\u2019oliva tena tsara 20 kora. Izany no nomen\u2019i Solomona an\u2019i Hirama isan-taona.",
        "12": "Nomen\u2019i Jehovah fahendrena i Solomona, araka ny nampanantenainy azy. Ary tsara fihavanana i Hirama sy Solomona, ka nanao fifanarahana izy roa lahy.",
        "13": "Nampiantso olona avy tamin\u2019ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka mba hanao fanompoana, ka lehilahy 30\u00a0000 no voantso.",
        "14": "Nalefany nifandimby nankany Lib\u00e0na izy ireo, ka 10\u00a0000 isam-bolana no niara-nalefany. Nijanona iray volana tany Lib\u00e0na izy ireo, ary roa volana tany an-tranony. I Adonirama no niandraikitra an\u2019ireo voantso hanao fanompoana ireo.",
        "15": "Nanana mpitondra entana 70\u00a0000 sy mpipai-bato 80\u00a0000 i Solomona teny an-tendrombohitra,",
        "16": "ankoatra an\u2019ireo andriana lehibem-paritra 3\u00a0300 notendreny hanara-maso an\u2019ireo mpiasa.",
        "17": "Nasain\u2019ny mpanjaka namaky vato izy ireo mba hahazoana vato lehibe sy lafo vidy. Amin\u2019izay dia vato voapaika no hatao fototr\u2019ilay trano.",
        "18": "Nipai-bato \u00e0ry ny mpanao tranon\u2019i Solomona sy ny mpanao tranon\u2019i Hirama ary ny Gebalita, sady nanomana ny hazo sy ny vato hanaovana an\u2019ilay trano."
    },
    "6": {
        "1": "Nanomboka nanorina trano ho an\u2019i Jehovah i Solomona tamin\u2019ny taona faha-480 taorian\u2019ny nivoahan\u2019ny Israelita avy tany Ejipta, izany hoe tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakany teo amin\u2019ny Israely, tamin\u2019ny volana Ziva, volana faharoa.",
        "2": "Toy izao ny refin\u2019ilay trano naorin\u2019i Solomona Mpanjaka ho an\u2019i Jehovah: 60\u00a0hakiho ny lavany, 20\u00a0hakiho ny sakany, ary 30\u00a0hakiho ny haavony.",
        "3": "Nisy tilikambo fidirana teo anoloan\u2019ny tempoly. Nirefy 20\u00a0hakiho mitovy amin\u2019ny sakan\u2019ilay trano ny lavany. Folo hakiho ny sakany avy eo anoloan\u2019ilay trano.",
        "4": "Nasiany varavarankely maromaro mihatery ilay trano.",
        "5": "Ary nanorina trano hafa manodidina an\u2019ilay trano izy, ka nataony niankina tamin\u2019ny rindrina manodidina ny tempoly sy ny efitra anatiny indrindra izany. Ary nasiany efitrefitra ilay trano manodidina.",
        "6": "Dimy hakiho ny sakan\u2019ilay efitrefitra farany ambany, enina hakiho ny sakan\u2019ilay teo antenatenany, ary fito hakiho ny sakan\u2019ilay fahatelo. Nanesorana kely mantsy ny rindrina manodidina an\u2019ilay trano, mba tsy hisy zavatra hatsofoka ao anaty rindrina.",
        "7": "Vato efa voapaika no nanaovana an\u2019ilay trano ka tsy nandrenesana feona marotoa, na famaky, na fitaovana vy, tao amin\u2019ilay trano nandritra ny fanorenana.",
        "8": "Teo amin\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay trano ny fidirana mankao amin\u2019ny efitrefitra farany ambany. Ary tohatohatra miolakolaka no iakarana mankao amin\u2019ny rihana eo antenatenany, sy avy eo antenatenany mankao amin\u2019ny rihana faharoa.",
        "9": "Notohiziny ny fananganana an\u2019ilay trano ka vita ilay izy. Notafoany vatan-kazo sedera sy hazo fisaka sedera milahadahatra ilay trano.",
        "10": "Nataony manodidina an\u2019ilay trano ireo efitrefitra, ary dimy hakiho avy ny haavony. Hazo sedera no nanakambanana azy ireo tamin\u2019ilay trano.",
        "11": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia niteny tamin\u2019i Solomona i Jehovah hoe:",
        "12": "\u201cRaha manaraka ny lal\u00e0ko sy manatanteraka ny didim-pitsarako ianao, ary mitandrina ny didiko rehetra ka manaraka an\u2019izany, dia hotanterahiko aminao koa izay nampanantenaiko an\u2019i Davida rainao momba an\u2019io trano ataonao io.",
        "13": "Ary honina eo anivon\u2019ny Israelita aho, ka tsy hahafoy ny Israely vahoakako.\u201d",
        "14": "Notohizin\u2019i Solomona ny fanorenana an\u2019ilay trano mandra-pahavitany azy.",
        "15": "Hazo fisaka sedera no nandrakofany ny rindrina anatiny tamin\u2019ilay trano, nanomboka teo amin\u2019ny gorodon\u2019ilay trano ka hatreny amin\u2019ireo hazo mitondra ny tafo. Ary hazo fisaka zenevrie no nataony gorodon\u2019ilay trano.",
        "16": "Ary nanamboatra efitra mirefy 20\u00a0hakiho teny amin\u2019ny faran\u2019ilay trano izy. Hazo fisaka sedera no nanaovany azy, nanomboka teo amin\u2019ny gorodona ka hatreny amin\u2019ny hazo mitondra ny tafo. Ary tao anatin\u2019izy io no nataony ny efitra anatiny indrindra, izany hoe ny Masina Indrindra.",
        "17": "Nirefy 40\u00a0hakiho ilay tempoly, izany hoe ny ampahany amin\u2019ilay trano teo anoloany.",
        "18": "Noravahana sary sokitra voatango sy voninkazo mamelana ireo hazo sedera tao anatin\u2019ilay trano. Hazo sedera daholo izy manontolo, ary tsy nisy vato tazana.",
        "19": "Nanomana an\u2019ilay efitra anatiny indrindra tao amin\u2019ilay trano izy, mba hametrahany an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah.",
        "20": "Nirefy 20\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay efitra anatiny indrindra, 20\u00a0hakiho ny sakany, ary 20\u00a0hakiho ny haavony. Dia nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay izy, ary nopetahany hazo sedera ny alitara.",
        "21": "Nopetahan\u2019i Solomona takela-bolamena tsy misy fangarony ny aty trano. Dia nasiany rojo volamena teo anoloan\u2019ilay efitra anatiny indrindra, izay nopetahany takela-bolamena.",
        "22": "Nopetahany takela-bolamena ilay trano manontolo, mandra-pahavitan\u2019ilay trano. Nopetahany takela-bolamena koa ilay alitara manontolo teo akaikin\u2019ny efitra anatiny indrindra.",
        "23": "Nanamboatra kerobima roa hatao ao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra izy. Hazo kesika no nanaovany azy ireo, ary folo hakiho ny haavon\u2019ny kerobima tsirairay.",
        "24": "Dimy hakiho ny elatra iray amin\u2019ilay kerobima, ary dimy hakiho koa ny elatra ilany. Folo hakiho ny avy eo amin\u2019ny tendron\u2019ny elany iray ka hatreo amin\u2019ny tendron\u2019ny elany iray.",
        "25": "Folo hakiho koa ilay kerobima faharoa. Nitovy ny haben\u2019ireo kerobima roa sy ny bikany.",
        "26": "Folo hakiho ny haavon\u2019ny kerobima iray, ary hoatr\u2019izany koa ilay kerobima iray.",
        "27": "Dia nataony tao amin\u2019ilay trano anatiny ireo kerobima. Nivelatra ny elatr\u2019izy ireo, ka tonga hatrany amin\u2019ny rindrina iray ny elatry ny kerobima iray, ary hatrany amin\u2019ilay rindrina anankiray ny elatry ny kerobima iray. Nivelatra koa ireo elatra roa hafa ka nifampikasika teo afovoan-trano.",
        "28": "Ary nopetahany takela-bolamena ireo kerobima.",
        "29": "Nasiana sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana ny rindrin\u2019ilay trano manontolo, dia ilay efitra anatiny sy ilay efitra ivelany.",
        "30": "Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodon\u2019ireo efitra roa ireo.",
        "31": "Ary teo amin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra, dia nasiany varavarana roa vita tamin\u2019ny hazo kesika, sy andry teo amin\u2019ny andaniny roa, ary tol\u00e0na. Io no ampahadiminy.",
        "32": "Hazo kesika no nanaovana an\u2019ireo varavarana roa, ary nasiany sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana teo amin\u2019izy ireo. Ary nopetahany takela-bolamena ireo varavarana, ka nokapokapohiny teo ambonin\u2019ireo sarina kerobima sy sarina hazo palmie ilay takela-bolamena mba hametahana an\u2019ilay izy.",
        "33": "Toy izany koa no nanaovany ny fidirana mankao amin\u2019ny tempoly. Nasiany tol\u00e0na vita tamin\u2019ny hazo kesika ilay izy, ka ireo ny ampahefany.",
        "34": "Ary nanamboatra varavarana roa vita tamin\u2019ny hazo zenevrie izy. Misy lelavaravarana roa ny varavarana tsirairay, ary samy mihodina amin\u2019ny savily ireo lelavaravarana ireo.",
        "35": "Nasiany sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana izany. Dia nopetahany takela-bolamena ireo sary ireo.",
        "36": "Nanao ny tambohon\u2019ny tokotany anatiny izy, ka vato voapaika telo andalana sy vatan-kazo sedera iray andalana no nanamboarany azy.",
        "37": "Tamin\u2019ny taona fahefatra, tamin\u2019ny volana Ziva, no napetraka ny fototry ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "38": "Ary vita ilay trano tamin\u2019ny taona faha-11, tamin\u2019ny volana Bola, volana fahavalo. Vita tsara an-tsakany sy an-davany sy nifanaraka tamin\u2019ny planina ilay izy. Fito taona no nanorenany an\u2019ilay trano."
    },
    "7": {
        "1": "Ary 13\u00a0taona no nanaovan\u2019i Solomona ny tranony, dia vitany tanteraka ilay izy.",
        "2": "Dia nanorina ny Trano Alan\u2019i Lib\u00e0na izy, ka 100\u00a0hakiho ny lavany, 50\u00a0hakiho ny sakany, ary 30\u00a0hakiho ny haavony. Nataony teo ambony andry sedera ilay trano, ary nisy laharany efatra ireo andry. Ary nisy vatan-kazo sedera teo ambonin\u2019ireo andry.",
        "3": "Nopetahana takela-kazo sedera ilay trano teo ambonin\u2019ireo tsivalan-kazo teo ambonin\u2019ny andry. Nisy 45 izy ireo, ka 15 ny teo amin\u2019ny laharana iray.",
        "4": "Nisy varavarankely telo andalana ilay trano, ary nisy sisiny ipetrahany ireo varavarankely ireo. Nisy varavarankely nifanandrify taminy ny varavarankely tsirairay teo amin\u2019ireo ambaratonga telo ireo.",
        "5": "Efajoro ny sisin\u2019ny fidirana sy ny tol\u00e0m-baravarana rehetra, hoatran\u2019ireo varavarankely nifanandrify, izay nifanao ambaratonga telo.",
        "6": "Ary nanorina ny Trano Maro Andry izy, ka nataony 50\u00a0hakiho ny lavany ary 30\u00a0hakiho ny sakany. Nisy lala-mitafo nisy andry sy tafokely teo anoloan\u2019izy\u00a0io.",
        "7": "Nanorina ny Tranon\u2019ny Seza Fiandrianana na ny Trano Fitsarana koa izy, ka tao izy no nitsara. Norakofana hazo sedera ilay izy, nanomboka teo amin\u2019ny gorodona ka hatreny amin\u2019ireo hazo mitondra ny tafo.",
        "8": "Lavidavitra an\u2019ilay Trano Fitsarana ny trano nipetrahan\u2019i Solomona, izay nataony teo amin\u2019ny tokotany iray hafa. Nitovy tamin\u2019io Trano Fitsarana io ihany ny nanaovana azy. Nanorina trano nitovy tamin\u2019io koa i Solomona mba ho an\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao, izay nalainy ho vady.",
        "9": "Vato lafo vidy no nanaovana an\u2019ireo rehetra ireo. Voapaika araka ny refy nilaina ireo vato, sady notsofana tamin\u2019ny tsofam-bato na ny anatiny na ny ivelany. Vato toy izany no nampiasaina, nanomboka teo amin\u2019ny fototra ka hatreny amin\u2019ny tampony. Toy izany koa ny tany ivelany, hatrany amin\u2019ilay tokotany lehibe.",
        "10": "Vato ngezabe sy lafo vidy no natao fototra. Ny sasany nirefy folo\u00a0hakiho, ary nisy nirefy valo\u00a0hakiho.",
        "11": "Ary vato lafo vidy, voapaika araka ny refy nilaina, sy hazo sedera no teo amboniny.",
        "12": "Nasiana tamboho manodidina an\u2019ilay tokotany lehibe. Vato voapaika telo\u00a0andalana sy vatan-kazo sedera iray\u00a0andalana no nanaovana azy io. Nisy tamboho hoatr\u2019izany koa ilay tokotany anatiny, izay misy ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tilikambo fidirana mankao amin\u2019io trano\u00a0io.",
        "13": "Naniraka olona haka an\u2019i Hirama avy any Tyro i Solomona Mpanjaka.",
        "14": "Zanaka mpitondratena avy amin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly i Hirama, ary mpanefy varahina avy any Tyro ny rainy. Tena havanana sy nahira-tsaina ary za-draharaha izy, amin\u2019ny fanamboarana zavatra isan-karazany vita amin\u2019ny varahina. Dia tonga tany amin\u2019i Solomona Mpanjaka izy, ka nanao ny asa rehetra nampanaoviny.",
        "15": "Nandrendrika varahina izy hanaovana ny andry roa: 18\u00a0hakiho avy ny haavony, ary tady 12\u00a0hakiho vao nahodidina ny andry tsirairay.",
        "16": "Ary nanao loha andry roa tamin\u2019ny varahina narendrika izy, mba hatao teo an-tampon\u2019ireo andry. Dimy\u00a0hakiho ny haavon\u2019ny loha andry iray, ary dimy\u00a0hakiho koa ny haavon\u2019ny iray.",
        "17": "Nisy haingony hoatran\u2019ny harato teo amin\u2019ny loha andry tsirairay teo an-tampon\u2019ireo andry. Rojo norarina no nanaovana an\u2019ilay haingony. Fito no teo amin\u2019ny loha andry iray, ary fito koa no teo amin\u2019ny iray.",
        "18": "Ary nanao ampongabendanitra roa andalana manodidina ny harato izy mba handrakofana ny loha andry, izay teo an-tampon\u2019ireo andry. Nataony toy izany ireo loha andry roa.",
        "19": "Nitovy tamin\u2019ny voninkazo lisy ireo loha andry teo an-tampon\u2019ireo andry, teo akaikin\u2019ny tilikambo fidirana. Efatra hakiho ny haavon\u2019ireo voninkazo.",
        "20": "Teo an-tampon\u2019ny andry roa no nisy an\u2019ireo ampahany tamin\u2019ny loha andry ireo, izany hoe teo ambonin\u2019ilay faritra mivohitra voahodidin\u2019ireo harato. Nisy andalana ampongabendanitra nanodidina ny loha andry tsirairay, ary 200 ny isan\u2019ireo ampongabendanitra ireo.",
        "21": "Natsangany ireo andrin\u2019ny tilikambo fidirana mankao amin\u2019ny tempoly. Natsangany ny andry ankavanana ary nantsoiny hoe Jakina. Natsangany koa ny andry ankavia ary nantsoiny hoe Boaza.",
        "22": "Nitovy tamin\u2019ny voninkazo lisy ny tampon\u2019ireo andry. Dia vita ny fanamboarana an\u2019ireo andry.",
        "23": "Ary nanao fitoeran-drano varahina lehibe nantsoina hoe Ranomasina izy. Boribory ilay izy: 10\u00a0hakiho ny savaivony, 5\u00a0hakiho ny haavony, ary tady 30\u00a0hakiho vao nahodidina azy.",
        "24": "Nisy haingony nitovy tamin\u2019ny voatango teo ambanin\u2019ny molony manodidina azy. Voatango folo isaky ny iray\u00a0hakiho no nanodidina an\u2019ilay Ranomasina. Roa andalana ireo voatango ireo ary lasitra iray ihany no nandrendrehana azy ireo sy ilay Ranomasina.",
        "25": "Nipetraka teo ambonin\u2019ny omby varahina 12 ilay Ranomasina, ka ny omby 3 nitodika nianavaratra, ny 3 niankandrefana, ny 3 nianatsimo, ary ny 3 niantsinanana. Nifampiamboho ireo omby rehetra ireo, ary teo ambonin\u2019ireo ilay Ranomasina.",
        "26": "Toy ny sakan\u2019ny felatanana ny hatevin\u2019ilay Ranomasina, ary natao hoatran\u2019ny molotra kaopy ny molony, mitovy amin\u2019ny felana lisy. Antonona rano 2\u00a0000\u00a0bata ilay izy.",
        "27": "Dia nanao kalesy varahina folo izy. Efatra\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny kalesy tsirairay, efatra\u00a0hakiho ny sakany, ary telo\u00a0hakiho ny haavony.",
        "28": "Toy izao no nanaovana an\u2019ireo kalesy: Nisy takelaka maromaro teo amin\u2019izy ireo, ary nisy sisiny manodidina daholo ireo takelaka.",
        "29": "Nisy sarina liona sy omby ary kerobima teo amin\u2019ireo takelaka nisy sisiny manodidina. Nisy sary toy izany koa teo amin\u2019ireo sisiny ireo. Nisy haingonkaingony nivohitra sady nitohitohy teo ambonin\u2019ireo liona sy omby, sy teo ambaniny.",
        "30": "Nisy kodiarana varahina efatra ny kalesy tsirairay, ary nisy varahina lavalava nihodinan\u2019ireo kodiarana. Ny zorony efatra tamin\u2019ny kalesy no tohana nihazona an\u2019ireo. Nisy haingonkaingony nivohitra sady nitohitohy ny sisin\u2019ny tohana tsirairay teo ambany kovetabe.",
        "31": "Nisy hoatran\u2019ny satroboninahitra teo amin\u2019ny vavan\u2019ilay kovetabe, ary iray\u00a0hakiho ny avy eo amin\u2019ny vodin\u2019ilay kovetabe hatreo amin\u2019ny sisiny ambany amin\u2019ilay satroboninahitra. Boribory ny vavany, ary iray\u00a0hakiho sy sasany ny fitambaran\u2019ny haavon\u2019ilay izy sy ny tohany. Ary nisy sary sokitra teo amin\u2019ilay satroboninahitra. Efajoro ireo takelaka teo amin\u2019izy io, fa tsy boribory.",
        "32": "Teo ambanin\u2019ireo takelaka no nisy ny kodiarana efatra. Ary niraikitra tamin\u2019ilay kalesy ireo tohana nihazona an\u2019ireo kodiarana. Iray\u00a0hakiho sy sasany ny haavon\u2019ny kodiarana tsirairay.",
        "33": "Toy ny kodiaran-tsarety no nanaovana ny kodiarany. Natao tamin\u2019ny metaly narendrika daholo, na ireo tohana nihazona azy, na ny tena kodiarana, na ny rantsany, na ny ivon-kodiarana.",
        "34": "Nisy tohany efatra ny zorony efatra tamin\u2019ny kalesy tsirairay. Niara-narendrika tamin\u2019ny kalesy ireo tohany ireo.",
        "35": "Nisy fehiny boribory teo an-tampon\u2019ilay kalesy, ary antsasaky ny hakiho ny haavony. Ary niara-narendrika tamin\u2019ilay kalesy ireo takelaka sy ny sisiny manodidina azy, izay teo an-tampon\u2019ilay kalesy.",
        "36": "Nasiany sary sokitra kerobima sy liona ary hazo palmie teny amin\u2019izay nisy malalaka, teo amin\u2019ireo takelaka sy ny sisiny manodidina an\u2019ireo takelaka. Nasiany haingonkaingony nivohitra sady nitohitohy koa manodidina.",
        "37": "Toy izany no nanaovany ny kalesy folo. Nitovy daholo ny fomba nandrendrehana azy sy ny refiny ary ny bikany.",
        "38": "Nanao kovetabe varahina folo izy. Antonona rano 40 bata ny kovetabe tsirairay, ary samy nirefy efatra hakiho. Samy nisy kovetabe iray avy teo amin\u2019ireo kalesy folo.",
        "39": "Napetrany teo ankavanan\u2019ny trano ny kalesy dimy ary teo ankavia ny dimy. Ary nataony teo ankavanan\u2019ny trano, teo atsimoatsinanana, ilay Ranomasina.",
        "40": "Nanamboatra kovetabe sy lapelina ary vilia baolina koa i Hirama. Vitan\u2019i Hirama \u00e0ry ny asa rehetra nataony ho an\u2019i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon\u2019i Jehovah:",
        "41": "Ny andry roa sy ny loha andry nitovy tamin\u2019ny vilia baolina, izay teo an-tampon\u2019ny andry roa; ny harato roa nandrakotra ny loha andry roa nitovy tamin\u2019ny vilia baolina, izay teo an-tampon\u2019ireo andry;",
        "42": "ny ampongabendanitra 400 ho an\u2019ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an\u2019ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa teo ambonin\u2019ny andry roa;",
        "43": "ny kalesy folo sy ny kovetabe folo teo amboniny;",
        "44": "ny Ranomasina sy ny omby 12 teo ambaniny;",
        "45": "ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny vilia baolina, ary ny fitaovana rehetra, izay nataon\u2019i Hirama tamin\u2019ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an\u2019i Solomona Mpanjaka izany, ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "46": "Tao amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, teo anelanelan\u2019i Sokota sy Zaretana, no nandrendrehan\u2019ny mpanjaka an\u2019ireo, tao anaty lasitra tanimanga.",
        "47": "Tsy nolanjain\u2019i Solomona ny fitaovana rehetra, satria be dia be loatra. Tsy fantatra intsony izay lanjan\u2019ny varahina.",
        "48": "Nataon\u2019i Solomona ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah: Ny alitara volamena; ny latabatra volamena fametrahana ny mofo aseho;",
        "49": "ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony, dimy teo ankavanana ary dimy teo ankavia, teo anoloan\u2019ny efitra anatiny indrindra; ny felam-boninkazo tamin\u2019ny fitoeran-jiro, ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro, izay samy volamena;",
        "50": "ny kovetabe, ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ny fitondrana afo, izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny savily ho an\u2019ny varavaran\u2019ny trano anatiny, izany hoe ny Masina Indrindra, sy ho an\u2019ny varavaran\u2019ny tempoly, izay samy volamena.",
        "51": "Vitan\u2019i Solomona Mpanjaka \u00e0ry ny asa rehetra tsy maintsy nataony ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Dia nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin\u2019i Davida rainy. Ary nataony tao amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana hafa."
    },
    "8": {
        "1": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia novorin\u2019i Solomona ny anti-panahin\u2019ny Israely, sy ny lehibem-poko rehetra, ary ny mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Israely. Tonga tany amin\u2019i Solomona Mpanjaka tany Jerosalema izy ireo, mba hampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, avy tany amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida, izany hoe Ziona.",
        "2": "Dia nivory teo anatrehan\u2019i Solomona Mpanjaka ny lehilahy rehetra teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny fety, tamin\u2019ny volana Etanima, izany hoe ny volana fahafito.",
        "3": "Koa tonga daholo ny anti-panahin\u2019ny Israely, ary nobatain\u2019ny mpisorona ilay Vata.",
        "4": "Dia nentin\u2019izy ireo niakatra ilay Vata masin\u2019i Jehovah, sy ny tranolay fihaonana, ary ny fitaovana masina rehetra tao amin\u2019ilay tranolay. Ny mpisorona sy ny Levita no nitondra an\u2019izany niakatra.",
        "5": "Teo anoloan\u2019ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan\u2019Israely manontolo, izay nampanantsoiny mba hihaona aminy. Be dia be mihitsy ny ondry sy omby natao sorona tamin\u2019izay, ka tsy voaisa intsony.",
        "6": "Dia nentin\u2019ny mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, ka nataony teo amin\u2019ny toerany, tao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra amin\u2019ilay trano, tao amin\u2019ny Masina Indrindra, teo ambany elatr\u2019ireo kerobima.",
        "7": "Nivelatra teo ambonin\u2019ny toerana nisy an\u2019ilay Vata \u00e0ry ny elatr\u2019ireo kerobima, ka nanaloka an\u2019ilay Vata sy ireo bao filanjana azy ny kerobima.",
        "8": "Lava be ireo bao ka tazana ny tendrony raha avy eo amin\u2019ny Masina, eo anoloan\u2019ny efitra anatiny indrindra. Tsy tazana avy any ivelany kosa ireo bao ireo. Ary mbola ao ireo hatramin\u2019izao.",
        "9": "Tsy nisy na inona na inona tao anatin\u2019ilay Vata, afa-tsy ireo takela-bato roa napetrak\u2019i Mosesy tao, tany Horeba, rehefa nanao fifanekena tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely i Jehovah, tamin\u2019izy ireo nivoaka avy tany Ejipta.",
        "10": "Nameno ny tranon\u2019i Jehovah ny rahona, rehefa nivoaka avy tao amin\u2019ny toerana masina ireo mpisorona.",
        "11": "Tsy nahavita nanohy ny fanompoany izy ireo noho ilay rahona, satria feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "12": "Dia hoy i Solomona tamin\u2019izay: \u201cNilaza i Jehovah fa honina ao amin\u2019ny haizim-pito izy.",
        "13": "Koa efa nahavita trano be\u00a0voninahitra ho anao aho, dia toerana honenanao mandrakizay.\u201d",
        "14": "Dia nitodika ny mpanjaka, ka notsofiny rano ny fiangonan\u2019Israely manontolo, raha mbola nitsangana izy ireo.",
        "15": "Ary niteny izy hoe: \u201cHoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany mihitsy no efa nampanantena an\u2019i Davida raiko, ary ny tanany mihitsy no efa nanatanteraka an\u2019izany! Hoy mantsy Izy:",
        "16": "\u2018Hatramin\u2019ny andro nitondrako ny Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta, dia mbola tsy nisy tan\u00e0na nofidiko teo amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, mba hanaovana trano hitoeran\u2019ny anarako. Nifidy an\u2019i Davida ho mpitarika ny Israely vahoakako anefa aho.\u2019",
        "17": "Ary nirin\u2019ny fon\u2019i Davida raiko ny hanorina trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "18": "Hoy anefa i Jehovah tamin\u2019i Davida raiko: \u2018Nirinao tamin\u2019ny fonao manontolo ny hanorina trano ho an\u2019ny anarako, ary tsara izany fanirian\u2019ny fonao izany.",
        "19": "Tsy ianao anefa no hanorina an\u2019ilay trano, fa ny zanakao izay haterakao no hanorina an\u2019ilay trano ho an\u2019ny anarako.\u2019",
        "20": "Notanterahin\u2019i Jehovah ny fampanantenana nataony, satria nandimby an\u2019i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely, araka ny nampanantenain\u2019i Jehovah. Nanao trano ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely koa aho.",
        "21": "Ary nasiako toerana tao mba hametrahana an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambentsika, tamin\u2019izy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.\u201d",
        "22": "Dia nitsangana teo anoloan\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah, teo anatrehan\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo, i Solomona, ary namelatra ny tanany nanandrify ny lanitra mba hivavaka.",
        "23": "Dia hoy izy: \u201cRy Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, tsy misy Andriamanitra hoatr\u2019anao na any amin\u2019ny lanitra ambony na et\u1ef3 amin\u2019ny tany ambany. Manaja fifanekena ianao, ary tia an\u2019izay manompo anao amin\u2019ny fony manontolo sady tsy mivadika aminy.",
        "24": "Notanterahinao ny fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida raiko mpanomponao. Ny vavanao mihitsy no nampanantena ary ny tananao mihitsy no nanatanteraka an\u2019izany androany.",
        "25": "Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, tanteraho \u00e0ry ilay fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida raiko mpanomponao hoe: \u2018Hisy lehilahy avy amin\u2019ny taranakao foana hipetraka eo anatrehako eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely, raha mitandrina tsara an\u2019izay ataony ny taranakao, ka manaraka an\u2019izay atoroko, tahaka ny nanarahanao an\u2019izay natoroko anao.\u2019",
        "26": "Koa ankehitriny, ry Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, mba tanteraho re ny fampanantenana nataonao tamin\u2019i Davida raiko mpanomponao\u00a0e!",
        "27": "\u201cAndriamanitra anefa ve dia tena honina et\u1ef3 an-tany? Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!",
        "28": "Koa mba henoy ny vavak\u2019ity mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po, ry Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Henoy ny antso vonjy sy ny vavaka ataon\u2019ny mpanomponao eto anatrehanao androany.",
        "29": "Enga anie ianao hijery andro aman\u2019alina an\u2019ity trano ity, dia ilay toerana nolazainao hoe: \u2018Ho ao ny anarako\u2019, ka hohenoinao ny vavaka ataon\u2019ny mpanomponao manandrify an\u2019ity toerana ity!",
        "30": "Henoy ny fitalahoan\u2019ny mpanomponao famindram-po, sy ny fitalahoan\u2019ny Israely vahoakanao rehefa mivavaka manandrify an\u2019ity toerana ity. Ary enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any! Enga anie ianao hihaino ka hamela heloka!",
        "31": "\u201cRaha misy olona manota amin\u2019ny namany ka asaina mianiana sy miaiky hoe ho voaozona izy raha tsy manaja an\u2019ilay fianianana, ary tonga eo anoloan\u2019ny alitaranao ato amin\u2019ity trano ity izy,",
        "32": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hanao zavatra ary hitsara ny mpanomponao! Melohy ny ratsy fanahy, ary valio araka izay nataony izy. Lazao hoe tsy manan-tsiny kosa ny olo-marina, ary omeo valisoa izy satria nanao ny marina.",
        "33": "\u201cRaha resin\u2019ny fahavalo ny Israely vahoakanao satria nanota taminao foana, nefa miverina aminao izy ka manome voninahitra ny anaranao, ary mivavaka sy mitalaho famindram-po aminao ato amin\u2019ity trano ity,",
        "34": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hamela ny fahotan\u2019ny Israely vahoakanao, ary hampody azy any amin\u2019ny tany nomenao ny razambeny!",
        "35": "\u201cRaha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao foana izy ireo, nefa mivavaka manandrify an\u2019ity toerana ity izy ary manome voninahitra ny anaranao sady miala amin\u2019ny fahotany, satria nataonao izay hahatonga azy hanetry tena,",
        "36": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka hamela ny fahotan\u2019ny mpanomponao, dia ny an\u2019ny Israely vahoakanao, ary hanoro azy ny lalana tsara tokony halehany! Ary andatsaho orana ny taninao izay nomenao ho lovan\u2019ny vahoakanao.",
        "37": "\u201cRaha misy mosary eto amin\u2019ity tany ity na areti-mandringana, na mainan\u2019ny rivotra mahamay sy tratran\u2019ny aretin-javamaniry ny voly, na misy andiam-balala na valala mirangorango, na misy fahavalo manao fahirano ny vahoakanao ao amin\u2019ireo tan\u00e0na ao amin\u2019ity tany ity, na misy loza na aretina hafa,",
        "38": "ka mivavaka na mitalaho famindram-po ny olona iray na ny Israely vahoakanao rehetra\u2014satria samy mahalala an\u2019izay mampahory azy ao am-pony ao ny tsirairay\u2014ka mamelatra ny tanany manandrify an\u2019ity trano ity izy,",
        "39": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any, ary hamela heloka sy hanao zavatra! Mba valio araka izay nataony ny tsirairay, satria ianao no mahalala ny ao am-pony\u2014ianao irery ihany no mahalala tsara ny ao am-pon\u2019ny tsirairay\u2014",
        "40": "mba hatahorany anao amin\u2019ny andro rehetra iainany eto amin\u2019ity tany nomenao ny razambenay ity!",
        "41": "\u201cRaha misy koa vahiny tsy anisan\u2019ny Israely vahoakanao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin\u2019ny anaranao,",
        "42": "\u2014satria handre momba ny anaranao be voninahitra sy ny tananao matanjaka ary ny sandrinao mahery izy ireo\u2014ka tonga mivavaka manandrify an\u2019ity trano ity izy,",
        "43": "dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any, ka hanao an\u2019izay rehetra angatahin\u2019ilay vahiny aminao! Amin\u2019izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao, ka hatahotra anao hoatran\u2019ny Israely vahoakanao izy ireo, ary ho fantany fa efa nantsoina teto amin\u2019ity trano naoriko ity ny anaranao.",
        "44": "\u201cRaha mandeha miady amin\u2019ny fahavalony any amin\u2019ny lalana andefasanao azy ny vahoakanao, ka mivavaka amin\u2019i Jehovah manandrify ny tan\u00e0na nofidinao sy ny trano naoriko ho an\u2019ny anaranao,",
        "45": "dia henoy any an-danitra any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy ireo.",
        "46": "\u201cRaha manota aminao izy\u2014fa tsy misy olombelona tsy manota\u2014ka tezitra be aminy ianao dia avelanao ho azon\u2019ny fahavalo izy, ka entin\u2019izy ireo ho babo any amin\u2019ny taniny, na lavitra na akaiky,",
        "47": "ary tonga saina izy any amin\u2019ny tany nitondrana azy ho babo, dia miverina aminao sy mitalaho famindram-po aminao any amin\u2019ny tanin\u2019ny mpamabo azy ary miteny hoe: \u2018Nanota izahay sady efa diso ary nanao ratsy\u2019,",
        "48": "ary miverina aminao amin\u2019ny fony manontolo sy ny heriny manontolo izy, any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razambeny, sy ny tan\u00e0na nofidinao ary ny trano naoriko ho an\u2019ny anaranao,",
        "49": "dia henoy any an-danitra fonenanao any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy,",
        "50": "ary mamel\u00e0 ny heloky ny vahoakanao izay nanota taminao sy ny fahadisoana rehetra nataony taminao. Hataonao miantra azy ny mpamabo azy ka hangoraka azy izy ireo",
        "51": "\u2014fa vahoakanao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta, avy tao amin\u2019ny fatana fandrendrehana vy.\u2014",
        "52": "Enga anie ny masonao hijery ny mpanomponao sy ny Israely vahoakanao rehefa mitalaho famindram-po izy ireo, ka hihaino azy ianao na rahoviana na rahoviana izy ireo no miantso anao!",
        "53": "Fa navahanao tamin\u2019ny firenena rehetra teto an-tany izy ireo mba ho lovanao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, araka ny nolazainao tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy mpanomponao rehefa nitondra ny razambenay nivoaka avy tany Ejipta ianao.\u201d",
        "54": "Vao avy nanao an\u2019izany vavaka izany sy nitalaho famindram-po tamin\u2019i Jehovah i Solomona, dia nitsangana niala teo anoloan\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah, teo amin\u2019ilay toerana nandohalehany sy namelarany ny tanany nanandrify ny lanitra.",
        "55": "Nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan\u2019Israely manontolo, ka niteny mafy hoe:",
        "56": "\u201cHoderaina anie i Jehovah, izay nanome fiadanana ho an\u2019ny Israely vahoakany, araka ny nampanantenainy! Tsy nisy teny tsy tanteraka na iray aza ny zavatra rehetra nolazainy tamin\u2019izy nampanantena zava-tsoa tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy mpanompony.",
        "57": "Enga anie i Jehovah Andriamanitsika hanampy antsika, hoatran\u2019ny nanampiany ny razambentsika! Tsy handao antsika anie izy na hahafoy antsika!",
        "58": "Enga anie izy handrisika ny fontsika hanatona azy, mba handehanantsika amin\u2019ny lalany rehetra sy hankatoavantsika ny didiny sy ny fitsipiny ary ny didim-pitsarany, izay nasainy notandreman\u2019ny razambentsika!",
        "59": "Hotsaroan\u2019i Jehovah Andriamanitsika andro aman\u2019alina anie ny teniko tamin\u2019izaho nitalaho famindram-po tamin\u2019i Jehovah, ka hanao izay hitany fa rariny izy mba hanampiana ny mpanompony sy ny Israely vahoakany, arakaraka izay ilaina isan\u2019andro!",
        "60": "Amin\u2019izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa i Jehovah no tena Andriamanitra, ary tsy misy hafa.",
        "61": "Koa tompoy amin\u2019ny fo manontolo i Jehovah Andriamanitsika, dia araho ny fitsipiny ary ankatoavy ny didiny, hoatran\u2019ny amin\u2019izao androany izao.\u201d",
        "62": "Dia nanao sorona be dia be teo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpanjaka sy ny Israely rehetra niaraka taminy.",
        "63": "Nanolotra omby 22\u00a0000 sy ondry 120\u00a0000 i Solomona mba hatao sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah. Toy izany no nataon\u2019ny mpanjaka sy ny Israelita rehetra rehefa notokanana ny tranon\u2019i Jehovah.",
        "64": "Tamin\u2019izay andro izay, dia voatery nohamasinin\u2019ny mpanjaka ny teo afovoan\u2019ny tokotany, teo anoloan\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Teo no tsy maintsy nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin\u2019ny sorona iombonana. Kely loatra mantsy ilay alitara varahina, izay teo anatrehan\u2019i Jehovah, ka tsy antonona teo ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin\u2019ireo sorona iombonana.",
        "65": "Nanao fety i Solomona tamin\u2019izay, niaraka tamin\u2019ny Israely rehetra, izay fiangonana lehibe avy any Lebo-hamata ka hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta. Nanao fety teo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitsika izy nandritra ny 7 andro, niampy 7 andro, izany hoe 14 andro.",
        "66": "Nalefany nody ny vahoaka ny ampitson\u2019iny. Dia nitso-drano ny mpanjaka ny vahoaka, ary samy nandeha nody. Faly sy ravoravo er\u1ef3 ny fon\u2019izy ireo, noho ny soa rehetra nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019i Davida mpanompony sy ny Israely vahoakany."
    },
    "9": {
        "1": "Raha vao vitan\u2019i Solomona ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranon\u2019ny mpanjaka ary ny zavatra rehetra niriny hatao,",
        "2": "dia niseho fanindroany taminy i Jehovah, hoatran\u2019ny nisehoany taminy tao Gibeona.",
        "3": "Hoy i Jehovah: \u201cEfa henoko ny vavaka nataonao sy ny fitalahoanao famindram-po teo anatrehako. Efa nohamasiniko ity trano naorinao ity ka apetrako ao foana ny anarako. Hifantoka ao foana koa ny masoko ary ho ao foana ny foko.",
        "4": "Ary raha manompo ahy amin\u2019ny fo manontolo sy manao izay mahitsy ianao, toy ny nataon\u2019i Davida rainao, ka manao an\u2019izay rehetra nandidiako anao ary mankat\u00f2 ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako,",
        "5": "dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan\u2019ny fanjakanao eo amin\u2019ny Israely, araka ny nampanantenaiko an\u2019i Davida rainao hoe: \u2018Hisy lehilahy avy amin\u2019ny taranakao foana hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely.\u2019",
        "6": "Raha miala amiko anefa ianareo sy ny zanakareo, ka tsy mankat\u00f2 ny didy sy ny lal\u00e0na nomeko anareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehan\u2019ireny,",
        "7": "dia horoahiko tsy ho eo amin\u2019ny tany nomeko azy ny Israely. Ilay trano nohamasiniko ho an\u2019ny anarako kosa hariako tsy ho hitan\u2019ny masoko intsony, ary ny Israely hesoesoin\u2019ny firenena rehetra sy hataony fihomehezana.",
        "8": "Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity, ka ho gaga izay rehetra mandalo eo. Hisioka izy ireo dia hiteny hoe: \u2018Fa naninona \u00e0ry no dia nataon\u2019i Jehovah hoatr\u2019izao ity tany ity sy ity trano ity?\u2019",
        "9": "Dia hisy hilaza hoe: \u2018Satria ry zareo niala tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra ny razambeny nivoaka avy tany Ejipta, ary maimay er\u1ef3 nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan\u2019ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga an\u2019i Jehovah hamely azy ireo tamin\u2019izao loza rehetra izao.\u2019\u201d",
        "10": "Rehefa tapitra ny 20\u00a0taona nanorenan\u2019i Solomona ny trano roa, izany hoe ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranon\u2019ny mpanjaka,",
        "11": "dia nomen\u2019i Solomona Mpanjaka tan\u00e0na 20 tany Galilia i Hirama mpanjakan\u2019i Tyro. Nanome an\u2019i Solomona hazo sedera sy hazo zenevrie ary volamena betsaka araka izay tiany mantsy izy.",
        "12": "Niainga avy any Tyro \u00e0ry i Hirama mba hijery an\u2019ireo tan\u00e0na nomen\u2019i Solomona azy, kanjo tsy tiany ireny.",
        "13": "Hoy izy: \u201cF\u2019inona koa ireto tan\u00e0na nomenao ahy ireto, ry rahalahiko?\u201d Lasa nantsoina hoe Tany Kabola \u00e0ry izy ireo hatramin\u2019izao.",
        "14": "Efa nampanatitra volamena 120 talenta tany amin\u2019ny mpanjaka i Hirama, tamin\u2019izay.",
        "15": "Ireto avy no nasain\u2019i Solomona Mpanjaka namboarin\u2019ireo voantso hanao fanompoana ho an\u2019ny mpanjaka: Ny tranon\u2019i Jehovah, ny tranony, ny Havoana, ny mandan\u2019i Jerosalema, i Hazora, Megido, ary Gazera.",
        "16": "Niakatra namabo ny tan\u00e0nan\u2019i Gazera i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta ary nandoro azy. Novonoiny koa ny Kananita nonina tao. Nomeny an-janany vavy, vadin\u2019i Solomona, \u00e0ry ilay tan\u00e0na, ho fanomezana fanaovam-beloma azy.",
        "17": "Naorin\u2019i Solomona i Gazera, Beti-horona Ambany,",
        "18": "Baleta, Tamara izay tany an-tany efitra tao amin\u2019ilay tany,",
        "19": "ny tan\u00e0na rehetra fitehirizan\u2019i Solomona entana sy vokatra, ny tan\u00e0na fanatobiana kalesy, ny tan\u00e0nan\u2019ny mpitaingin-tsoavaly, ary izay rehetra tian\u2019i Solomona haorina tao Jerosalema sy tany Lib\u00e0na ary nanerana ny tany nanjakany.",
        "20": "Ary mbola nisy sisa tavela ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, izay samy tsy anisan\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
        "21": "Mbola tavela teo amin\u2019ilay tany ny taranak\u2019izy ireny fa tsy vitan\u2019ny Israelita ny nandringana azy, ka nampanaovin\u2019i Solomona asa an-terivozona hatramin\u2019izao.",
        "22": "Ny Israelita kosa tsy nisy nataon\u2019i Solomona andevo, fa izy ireo no miaramilany, mpanompony, andrianany, manamboninahitra lefitra, lehiben\u2019ny mpitondra kalesiny, ary lehiben\u2019ny mpitaingin-tsoavaliny.",
        "23": "Nisy 550 lahy ny mpiadidy an\u2019ireo lehibem-paritra, izay niandraikitra ny asan\u2019i Solomona. Mpanara-maso an\u2019ireo olona nanao an\u2019ilay asa izy ireo.",
        "24": "Fa niakatra avy tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida kosa ny zanakavavin\u2019i Farao, ka nankany amin\u2019ilay trano naorin\u2019i Solomona ho azy. Nanorina ny Havoana i Solomona taorian\u2019izay.",
        "25": "Intelo isan-taona i Solomona no nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana, teo amin\u2019ilay alitara naoriny ho an\u2019i Jehovah. Nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amin\u2019ilay alitara teo anatrehan\u2019i Jehovah koa izy. Dia vitan\u2019i Solomona ilay trano.",
        "26": "Nanao sambo maromaro koa i Solomona Mpanjaka tao Eziona-gebera, izay teo akaikin\u2019i Elota, teo amoron\u2019ny Ranomasina Mena, tany Edoma.",
        "27": "Nalefan\u2019i Hirama tamin\u2019ireo sambo ireo ny mpanompony, izay tantsambo za-draharaha, mba hiaraka tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Solomona.",
        "28": "Nankany Ofira izy ireo, ka naka volamena nilanja 420 talenta, ary nitondra an\u2019izany tany amin\u2019i Solomona Mpanjaka."
    },
    "10": {
        "1": "Lasa nalaza i Solomona noho ny anaran\u2019i Jehovah. Ary henon\u2019ny mpanjakavavin\u2019i Sheba ny lazany, ka tonga hitsapa azy tamin\u2019ny fanontaniana saro-baliana izy.",
        "2": "Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanompony maro be, niaraka tamin\u2019ny rameva nitondra menaka balsama sy volamena be dia be ary vatosoa. Ary nankao amin\u2019i Solomona izy, ka nilaza taminy an\u2019izay rehetra tao am-pony.",
        "3": "Dia voavalin\u2019i Solomona daholo ny fanontaniany. Tsy nisy zavatra sarotra loatra tamin\u2019ny mpanjaka ka hoe tsy hainy ny nanazava azy.",
        "4": "Rehefa hitan\u2019ilay mpanjakavavin\u2019i Sheba ny fahendrena rehetra nananan\u2019i Solomona, ny trano naoriny,",
        "5": "ny sakafo teo an-databany, ny fomba nametrahana an\u2019ireo mpanompony, ny fomba fiasan\u2019ireo mpandroso sakafo sy ny fitafian\u2019izy ireo, ny mpandroso zava-pisotron\u2019ny mpanjaka, ary ny sorona dorana izay natolony tsy tapaka tao an-tranon\u2019i Jehovah, dia tena gaga be mihitsy izy.",
        "6": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cTena marina ny zavatra henoko tany amin\u2019ny taniko momba ny zava-bitanao sy ny fahendrenao.",
        "7": "Tsy nino ny tenin\u2019ny olona anefa aho raha tsy tonga tat\u1ef3, ka ny masoko mihitsy no nahita. Hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra henoko ny fahendrenao sy ny harenanao.",
        "8": "Sambatra ny olonao, ary sambatra ny mpanomponao izay eto anatrehanao eto foana, ka mandre ny fahendrenao!",
        "9": "Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitrao izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny Israely! Tian\u2019i Jehovah mandrakizay mantsy ny Israely, ka notendreny ho mpanjaka ianao mba hanao ny rariny sy ny hitsiny.\u201d",
        "10": "Dia nomen\u2019ilay mpanjakavavin\u2019i Sheba volamena 120 talenta i Solomona Mpanjaka, sady nomeny menaka balsama be\u00a0dia be sy vatosoa. Tsy nisy nitondra menaka balsama be dia be hoatran\u2019ilay nomeny an\u2019i Solomona intsony tany taorian\u2019izay.",
        "11": "Nitondra hazo algoma maro be sy vatosoa avy any Ofira koa ny andian-tsambon\u2019i Hirama, izay nitondra volamena avy any Ofira.",
        "12": "Ny hazo algoma dia nanaovan\u2019ny mpanjaka tohana ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah sy ho an\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka, ary harpa sy zavamaneno fitendry ho an\u2019ny mpihira. Tsy nisy hazo algoma hoatr\u2019izany intsony tonga tany, na hita tany, hatramin\u2019izao.",
        "13": "Nomen\u2019i Solomona Mpanjaka ho an\u2019ny mpanjakavavin\u2019i Sheba koa izay rehetra niriny sy nangatahiny, ankoatra an\u2019izay efa nomeny azy noho i Solomona nalala-tanana taminy. Lasa nody tany amin\u2019ny taniny ilay mpanjakavavy sy ny mpanompony avy eo.",
        "14": "Nilanja 666 talenta ny volamena tonga tany amin\u2019i Solomona tao anatin\u2019ny herintaona,",
        "15": "ankoatra an\u2019izay avy tamin\u2019ny mpivaro-mandeha, sy izay tombony avy tamin\u2019ny mpivarotra, ary izay avy tamin\u2019ny mpanjaka rehetran\u2019ny Arabo sy ireo governoran\u2019ilay tany.",
        "16": "Nanao ampinga lehibe 200 tamin\u2019ny volamena misy fangarony i Solomona Mpanjaka, ka volamena milanja 600 sekely no nandrakofany ny ampinga tsirairay.",
        "17": "Nanamboatra ampinga kely 300 tamin\u2019ny volamena misy fangarony koa izy, ka volamena milanja telo mina no nandrakofany ny ampinga kely tsirairay. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin\u2019ny Trano Alan\u2019i Lib\u00e0na ireo.",
        "18": "Nanao seza fiandrianana lehibe koa ny mpanjaka. Vita tamin\u2019ny ivoara izy io, ary nopetahany takela-bolamena voadio.",
        "19": "Nisy zanatohatra enina nankeo amin\u2019ilay seza fiandrianana, ary nisy tafokely boribory teo ambonin\u2019izy io, tao aorianany. Nasiany fitoeran-tanana teo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ilay seza, ary nasiany liona iray avy nitsangana teo akaikin\u2019ireo fitoeran-tanana.",
        "20": "Nisy liona 12 koa teo amin\u2019ireo zanatohatra enina, ka iray avy no teo amin\u2019ny sisiny roa tamin\u2019ny zanatohatra tsirairay. Tsy nisy fanjakana nanao seza fiandrianana hoatr\u2019izany mihitsy.",
        "21": "Volamena daholo ny kaopin\u2019i Solomona Mpanjaka. Ary volamena tsy misy fangarony ny fitaovana rehetra tao amin\u2019ny Trano Alan\u2019i Lib\u00e0na. Tsy nisy zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy mihitsy, satria noheverina ho tsinontsinona ny volafotsy tamin\u2019ny andron\u2019i Solomona.",
        "22": "Nanana andiana sambon\u2019i Tarsisy ny mpanjaka, ary niaraka tamin\u2019ny andian-tsambon\u2019i Hirama teny an-dranomasina izy ireny. Tonga isaky ny telo taona ny andian-tsambon\u2019i Tarsisy, izay nitondra volamena sy volafotsy, ivoara, rajako, ary vorombola.",
        "23": "Nanan-karena sy hendry noho ny mpanjaka rehetra teto an-tany \u00e0ry i Solomona Mpanjaka.",
        "24": "Ary nangataka hihaona taminy ny olona eran-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon\u2019Andriamanitra tao am-pony.",
        "25": "Samy nitondra an\u2019ireto fanomezana ireto izy ireo isan-taona: Zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy sy volamena, fitafiana, fitaovam-piadiana, menaka balsama, soavaly, ary ramole.",
        "26": "Ary nanangona kalesy sy soavaly foana i Solomona. Nanana kalesy 1\u00a0400 sy soavaly 12\u00a0000 izy. Nataony tao amin\u2019ny tan\u00e0na fanatobiana kalesy, sy tany Jerosalema tany akaikin\u2019ny mpanjaka ireo.",
        "27": "Nataon\u2019ny mpanjaka be dia be toy ny vato ny volafotsy tany Jerosalema, ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.",
        "28": "Nohafarana avy tany Ejipta ny soavalin\u2019i Solomona, ka ny mpandraharahan\u2019ny mpanjaka no nasaina nividy andian-tsoavaly araka izay vidiny.",
        "29": "Ary volafotsy 600 sekely ny vidin\u2019ny kalesy tsirairay nohafarana avy tany Ejipta, ary 150 ny vidin\u2019ny soavaly iray. Dia avy eo naondran\u2019ny mpandraharahan\u2019ny mpanjaka nankany amin\u2019ny mpanjaka rehetran\u2019ny Hetita sy ireo mpanjakan\u2019i Syria ireny."
    },
    "11": {
        "1": "Tia vehivavy maro avy tamin\u2019ny firenen-kafa anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an\u2019ilay zanakavavin\u2019i Farao: Vehivavy moabita, amonita, edomita, sidonianina, ary hetita.",
        "2": "Izy ireny dia avy tamin\u2019ireo firenena nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny Israelita hoe: \u201cAza mankany amin\u2019ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankat\u1ef3 aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.\u201d Niraiki-po tamin\u2019izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny.",
        "3": "Ary nanana vady andriambavy 700 sy vadikely 300 izy, ka voatarik\u2019ireo vadiny tsikelikely ny fony.",
        "4": "Rehefa antitra i Solomona, dia voatarik\u2019ireo vadiny hanaraka andriamani-kafa ny fony. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran\u2019ny fon\u2019i Davida rainy.",
        "5": "Nanaraka an\u2019i Astarta, andriamanibavin\u2019ny Sidonianina, i Solomona sady nanaraka an\u2019i Milkoma, andriamanitra maharikoriko notompoin\u2019ny Amonita.",
        "6": "Ary nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah i Solomona, ka tsy nankat\u00f2 an\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fony manontolo, tsy mba hoatran\u2019ny nataon\u2019i Davida rainy.",
        "7": "Tamin\u2019izay i Solomona no nanorina toerana avo teo amin\u2019ilay tendrombohitra manandrify an\u2019i Jerosalema. Ho an\u2019i Kemosy, andriamanitra maharikoriko notompoin\u2019ny Moabita, ilay izy ary ho an\u2019i Moleka, andriamanitra maharikoriko notompoin\u2019ny Amonita.",
        "8": "Toy izany no nataony ho an\u2019ny vadiny rehetra avy tamin\u2019ny firenen-kafa, izay nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka sady nanao sorona ho an\u2019ireo andriamaniny.",
        "9": "Tezitra be tamin\u2019i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, izay niseho taminy indroa,",
        "10": "sady efa nampitandrina azy mba tsy hanaraka andriamani-kafa. Tsy nankat\u00f2 an\u2019izany didin\u2019i Jehovah izany anefa izy.",
        "11": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019i Solomona: \u201cSatria izany no nataonao, ka tsy nohajainao ny fifanekena nataoko sady tsy nankatoavinao ny lal\u00e0ko izay nandidiako anao, dia hendahako aminao tokoa ny fanjakana ary homeko ho an\u2019ny iray amin\u2019ny mpanomponao.",
        "12": "Tsy hataoko amin\u2019ny androm-piainanao anefa izany noho ny amin\u2019i Davida rainao. Rehefa eo an-tanan\u2019ny zanakao ny fanjakana vao hendahako aminy,",
        "13": "saingy tsy ny fanjakana manontolo no hendahako. Homeko foko iray izy noho ny amin\u2019i Davida mpanompoko sy noho ny amin\u2019i Jerosalema izay nofidiko.\u201d",
        "14": "Ary nataon\u2019i Jehovah izay hisian\u2019ny mpanohitra an\u2019i Solomona, dia i Hadada Edomita izay fianakavian\u2019ny mpanjaka tany Edoma.",
        "15": "Tamin\u2019i Davida nandresy an\u2019i Edoma, dia niakatra handevina an\u2019izay maty i Joaba lehiben\u2019ny tafika. Niezaka namono ny lehilahy rehetra tany Edoma koa izy.",
        "16": "\u2014Fa nijanona enim-bolana tany i Joaba sy ny Israely rehetra, mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany Edoma.\u2014",
        "17": "Nandositra niaraka tamin\u2019ny Edomita sasany mpanompon-drainy anefa i Hadada, ary nankany Ejipta izy ireo. Mbola ankizilahikely i Hadada tamin\u2019izay.",
        "18": "Dia niainga avy tany Midianina izy ireo ary nankany Parana. Naka olona avy tao izy ireo mba hiaraka taminy ho any Ejipta, tany amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta. Dia nomen\u2019i Farao trano sy sakafo ary tany i Hadada.",
        "19": "Tena tian\u2019i Farao izy ka nomeny ho vadiny ny rahavavim-badiny, izany hoe ny rahavavin\u2019i Tapanesa mpanjakavavy.",
        "20": "Niteraka an\u2019i Genobata zanany lahy tamin\u2019i Hadada ny rahavavin\u2019i Tapanesa, tat\u1ef3 aoriana. Ary tao an-tranon\u2019i Farao i Tapanesa no nitaiza an\u2019i Genobata. Dia nipetraka tao niaraka tamin\u2019ny zanakalahin\u2019i Farao i Genobata.",
        "21": "Henon\u2019i Hadada tany Ejipta fa nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Davida, ary maty koa i Joaba lehiben\u2019ny tafika. Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019i Farao: \u201cAlefaso hody any amin\u2019ny taniko aho.\u201d",
        "22": "Fa hoy i Farao taminy: \u201cFa inona no mahory anao eto amiko no te hody any amin\u2019ny taninao ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsisy! Fa mba alefaso hody fotsiny aho.\u201d",
        "23": "Nataon\u2019Andriamanitra lasa mpanohitra an\u2019i Solomona koa i Rezona zanak\u2019i Eliada, ilay nandositra an\u2019i Hadadezera tompony, mpanjakan\u2019i Zoba.",
        "24": "Nanangona olona hanohana azy izy, ka lasa lehiben\u2019ny mpandroba, tamin\u2019i Davida nandresy ny olona tao Zoba. Koa nankany Damaskosy izy ireo ary nanorim-ponenana sy nanjaka tany.",
        "25": "Ary lasa mpanohitra ny Israely i Rezona tamin\u2019ny andro rehetra nanjakan\u2019i Solomona, ka nanampy trotraka ny ratsy efa nataon\u2019i Hadada. Nankahala ny Israely izy tamin\u2019izy nanjaka tany Syria.",
        "26": "Teo koa i Jeroboama zanak\u2019i Nebata. Efraimita avy any Zareda izy, ary mpanompon\u2019i Solomona. Zeroa no anaran\u2019ny reniny, ary efa maty vady izy io. Nikomy tamin\u2019ny mpanjaka koa i Jeroboama.",
        "27": "Izao no nahatonga azy hikomy tamin\u2019ny mpanjaka: Nanorina ny Havoana i Solomona, ary notampenany ny banga teo amin\u2019ny mandan\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida rainy.",
        "28": "Lehilahy mahay sy matanjaka i Jeroboama. Notendren\u2019i Solomona ho mpiandraikitra ny fanompoana rehetra tsy maintsy nataon\u2019ny taranak\u2019i Josefa io tovolahy io, rehefa hitany fa tia niasa mafy.",
        "29": "Nivoaka an\u2019i Jerosalema i Jeroboama tamin\u2019izay fotoana izay, ka hitan\u2019i Ahia mpaminany teny an-dalana. Nanao akanjo vaovao i Ahia Silonita, ary izy roa lahy irery no tany an-tsaha.",
        "30": "Dia nesorin\u2019i Ahia ilay akanjo vaovao nanaovany, ka norovidrovitiny ho 12.",
        "31": "Ary hoy izy tamin\u2019i Jeroboama: \u201cMak\u00e0 folo ho anao, fa izao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Hendahako tsy ho eo an-tanan\u2019i Solomona ny fanjakana, ka homeko foko folo ianao.",
        "32": "Mbola ho azy ihany anefa ny foko iray, noho ny amin\u2019i Davida mpanompoko sy noho ny amin\u2019i Jerosalema, ilay tan\u00e0na nofidiko teo amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely.",
        "33": "Hanao an\u2019izany aho satria nahafoy ahy izy ireo ka niankohoka teo anatrehan\u2019i Astarta andriamanibavin\u2019ny Sidonianina, sy Kemosy andriamanitr\u2019i Moaba, ary Milkoma andriamanitry ny Amonita. Ary tsy nandeha tamin\u2019ny lalana natoroko izy ireo, ka tsy nanao izay tsara teo imasoko sady tsy nankat\u00f2 ny didiko sy ny didim-pitsarako, tsy mba hoatran\u2019i Davida rainy.",
        "34": "Tsy ny fanjakana manontolo anefa no hesoriko eo an-tanany, fa hataoko mpiadidy foana izy mandritra ny androm-piainany. Noho ny amin\u2019i Davida mpanompoko izay nofidiko no hanaovako an\u2019izany, satria nankat\u00f2 ny didiko sy ny lal\u00e0ko izy.",
        "35": "Fa hesoriko eo an-tanan\u2019ny zanany ny fanjakana, ka homeko anao. Foko folo no ho lasanao.",
        "36": "Fa homeko foko iray ny zanany, mba hisy jiro ho an\u2019i Davida mpanompoko foana eo anatrehako, any Jerosalema, ilay tan\u00e0na nofidiko ho ahy mba hametrahana ny anarako.",
        "37": "Ianao no hofidiko, ka hanjaka eo amin\u2019izay rehetra irinao ianao ary ho lasa mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "38": "Koa raha mankat\u00f2 an\u2019izay rehetra handidiako anao ianao, sady mandeha amin\u2019ny lalako ary manao izay tsara eo imasoko, ka mankat\u00f2 ny lal\u00e0ko sy ny didiko hoatran\u2019ny nataon\u2019i Davida mpanompoko, dia hitahy anao aho. Hataoko izay hampaharitra ny taranakao, hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019i Davida, ary homeko anao ny Israely.",
        "39": "Ary hataoko afa-baraka ny taranak\u2019i Davida noho izany ratsy nataony izany, nefa tsy havelako ho afa-baraka foana izy.\u2019\u201d",
        "40": "Nitady hamono an\u2019i Jeroboama \u00e0ry i Solomona. Nandositra tany Ejipta ho any amin\u2019i Sisaka mpanjakan\u2019i Ejipta anefa i Jeroboama, ary nijanona tany mandra-pahafatin\u2019i Solomona.",
        "41": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantaran\u2019i Solomona ve ny sisa amin\u2019ny tantarany, izany hoe izay rehetra nataony sy ny fahendreny?",
        "42": "Naharitra 40\u00a0taona ny fotoana nanjakan\u2019i Solomona tany Jerosalema, teo amin\u2019ny Israely rehetra.",
        "43": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny izy, ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida rainy. Ary i Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy."
    },
    "12": {
        "1": "Nankany Sekema i Rehoboama, satria tonga tany ny Israely rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.",
        "2": "Ary henon\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata izany\u2014mbola tany Ejipta izy tamin\u2019izay satria nandositra an\u2019i Solomona Mpanjaka ka nipetraka tany.\u2014",
        "3": "Dia nampiantso azy ny olona. Nankany amin\u2019i Rehoboama i Jeroboama sy ny fiangonan\u2019Israely manontolo avy eo, ka niteny hoe:",
        "4": "\u201cNampitondra zioga mavesatra anay ny rainao. Hanompo anao anefa izahay, raha hamaivaninao ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra nampitondrainy anay.\u201d",
        "5": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMandehana aloha, dia miverena at\u1ef3 amiko rehefa afaka telo andro.\u201d Koa lasa ny olona.",
        "6": "Ary nanontanian\u2019i Rehoboama Mpanjaka ireo zokiolona nanompo an\u2019i Solomona rainy fony fahavelony hoe: \u201cAhoana no havaly ny vahoaka, araka ny hevitrareo?\u201d",
        "7": "Dia hoy ireo zokiolona taminy: \u201cRaha manompo ny vahoaka ianao ka manaiky an\u2019izay angatahiny ary manome valin-teny mahafa-po azy, dia hanompo anao foana izy ireo.\u201d",
        "8": "Tsy nanaraka ny soso-kevitr\u2019ireo zokiolona anefa izy, fa nanontany an\u2019ireo tovolahy niara-lehibe taminy sady mpanompony.",
        "9": "Hoy izy: \u201cAhoana no havalintsika ny vahoaka, araka ny hevitrareo? Niteny tamiko mantsy ry zareo hoe: \u2018Mba hamaivano ny zioga nampitondrain\u2019ny rainao anay.\u2019\u201d",
        "10": "Dia hoy ireo tovolahy niara-lehibe taminy: \u201cNiteny taminao ny vahoaka hoe: \u2018Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao, fa mba hamaivano kosa izany.\u2019 Dia izao lazaina aminy: \u2018Ho lehibe noho ny andilan\u2019ny raiko ny ankikeliko.",
        "11": "Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy ny zioganareo. Ny raiko nanafay anareo tamin\u2019ny karavasy tsotra, fa izaho kosa hanafay anareo amin\u2019ny karavasy misy zava-maranitra.\u2019\u201d",
        "12": "Nankany amin\u2019i Rehoboama i Jeroboama sy ny olona rehetra, tamin\u2019ny andro fahatelo, araka ny tenin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cMiverena at\u1ef3 amiko amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d",
        "13": "Teny henjana anefa no navalin\u2019ny mpanjaka ny vahoaka, ary tsy narahiny ny soso-kevitr\u2019ireo zokiolona.",
        "14": "Nanaraka ny soso-kevitr\u2019ireo tovolahy izy, ka nilaza hoe: \u201cNampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy ny zioganareo. Nanafay anareo tamin\u2019ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin\u2019ny karavasy misy zava-maranitra.\u201d",
        "15": "Tsy nohenoin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry ny vahoaka, satria i Jehovah no nahatonga an\u2019izany, mba ho tanteraka ny teny nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Ahia Silonita tamin\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata.",
        "16": "Rehefa hitan\u2019ny Israely rehetra fa tsy nety nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia hoy ny navalin\u2019izy ireo: \u201cInona moa no mba anjaranay any amin\u2019i Davida? Tsy misy lovanay ange any amin\u2019ny zanak\u2019i Jese\u00a0e! Samia mankany amin\u2019ny andriamaniny avy, ry Israely\u00a0\u00f4! Karakarao amin\u2019izay ny taranakao, ry Davida\u00a0\u00f4!\u201d Dia nody tany an-tranony avy ny Israely.",
        "17": "Na izany aza, dia mbola nanjaka tamin\u2019ny Israelita nipetraka tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda ihany i Rehoboama.",
        "18": "Dia nirahin\u2019i Rehoboama Mpanjaka ho any amin\u2019ny Israely rehetra i Adorama, izay niandraikitra an\u2019ireo voantso hanao fanompoana ho an\u2019ny mpanjaka. Nitora-bato azy anefa ny Israely rehetra, ka maty izy. I Rehoboama Mpanjaka kosa tafakatra tao anaty kalesiny, ka nandositra tany Jerosalema.",
        "19": "Ary mbola mikomy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida ny Israelita hatramin\u2019izao.",
        "20": "Raha vao henon\u2019ny Israely rehetra fa tafaverina i Jeroboama, dia nantsoin\u2019izy ireo hankeo amin\u2019ny vahoaka izy, ka nataony mpanjaka teo amin\u2019ny Israely rehetra. Tsy nisy vahoaka nanaraka ny taranak\u2019i Davida, afa-tsy ny fokon\u2019i Joda.",
        "21": "Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia namory ny taranak\u2019i Joda rehetra sy ny fokon\u2019i Benjamina, izany hoe miaramila 180\u00a0000 efa zatra ady. Novoriny izy ireo mba hiady tamin\u2019ny taranak\u2019Israely, amin\u2019izay dia ho azon\u2019i Rehoboama zanak\u2019i Solomona indray ny fanjakana.",
        "22": "Dia hoy ilay tena Andriamanitra tamin\u2019i Semaia lehilahin\u2019Andriamanitra:",
        "23": "\u201cLazao amin\u2019i Rehoboama zanak\u2019i Solomona mpanjakan\u2019ny Joda, sy amin\u2019ny taranak\u2019i Joda rehetra, sy amin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina, ary amin\u2019ny vahoaka sisa hoe:",
        "24": "\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAza miakatra hiady amin\u2019ny Israelita rahalahinareo. Samia mody any an-tranony avy, fa izaho no nahatonga an\u2019izao.\u201d\u2019\u201d Dia nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah izy ireo, ka nody tany an-tranony araka ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "25": "Nanorina an\u2019i Sekema, tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, i Jeroboama ka nipetraka tany. Ary niala tany izy, ka naoriny i Penoela.",
        "26": "Dia niteny anakampo i Jeroboama hoe: \u201cHo tafaverina amin\u2019ny taranak\u2019i Davida izao ny fanjakana.",
        "27": "Raha mbola miakatra any Jerosalema foana ireo vahoaka ireo mba hanao sorona ao an-tranon\u2019i Jehovah, dia hiverina amin\u2019ny tompon\u2019izy ireo indray ny fony, dia amin\u2019i Rehoboama mpanjakan\u2019ny Joda. Tena hovonoin-dry zareo aho, ka hiverina amin\u2019i Rehoboama mpanjakan\u2019ny Joda izy ireo.\u201d",
        "28": "Rehefa avy nanontany an\u2019ireo mpanolo-tsainy ny mpanjaka, dia nanamboatra zanak\u2019omby volamena roa ary niteny tamin\u2019ny vahoaka hoe: \u201cSahirana be loatra ianareo miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely\u00a0\u00f4!\u201d",
        "29": "Dia napetrany tao Betela ny iray, ary tany Dana ny iray.",
        "30": "Ary nahatonga ny vahoaka hanota izany, ka tonga hatrany Dana izy ireo mba hivavaka tamin\u2019ilay zanak\u2019omby.",
        "31": "Nanorina trano fivavahana teny amin\u2019ireo toerana avo i Jeroboama, sady nanendry mpisorona avy tamin\u2019ny sarambabem-bahoaka, izay tsy anisan\u2019ny Levita.",
        "32": "Nataon\u2019i Jeroboama andro fety koa ny andro faha-15 amin\u2019ny volana fahavalo, sahala amin\u2019ny fety tany Joda. Ary nanolotra fanatitra ho an\u2019ireo zanak\u2019omby nataony izy, teo amin\u2019ilay alitara nataony tao Betela. Tao koa izy no nanendry mpisorona ho an\u2019ireo toerana avo namboariny.",
        "33": "Dia nanomboka nanolotra fanatitra teo amin\u2019ilay alitara nataony tao Betela izy, tamin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana fahavalo. Izy ihany no nifidy an\u2019io volana io. Ary nifidy andro hatao fety ho an\u2019ny vahoakan\u2019Israely izy, sady nankeo amin\u2019ilay alitara mba hanao fanatitra sy handoro fanatitra mba hidona-tsetroka."
    },
    "13": {
        "1": "Nisy lehilahin\u2019Andriamanitra nasain\u2019i Jehovah niainga avy any Joda mba ho any Betela. Tamin\u2019izy tonga tany, dia mbola nitsangana teo akaikin\u2019ny alitara i Jeroboama, handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.",
        "2": "Dia nanameloka an\u2019ilay alitara ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, araka ny tenin\u2019i Jehovah, ka niantsoantso hoe: \u201cRy alitara\u00a0\u00f4, ry alitara\u00a0\u00f4! Izao no nolazain\u2019i Jehovah: \u2018Hisy zazalahy ho teraka avy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida. Josia no anarany. Hataony sorona eo amboninao ireo mpisoron\u2019ny toerana avo, izay nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amboninao. Ary handoro taolan\u2019olona eo amboninao izy.\u2019\u201d",
        "3": "Nanome famantarana izy tamin\u2019izay andro izay hoe: \u201cIzao no famantarana nolazain\u2019i Jehovah: Jereo fa hitresaka ny alitara ka hiraraka ny lavenona eo amboniny.\u201d",
        "4": "Raha vao henon\u2019i Jeroboama Mpanjaka ny tenin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, izay niantsoantso nanameloka an\u2019ilay alitara tao Betela, dia nesoriny teo amin\u2019ny alitara ny tanany ka natsotrany nanondro an\u2019ilay lehilahy. Dia hoy izy: \u201cSambory io!\u201d Tonga dia maty ilay tanany natsotrany nanondro azy, ka tsy azony naforitra intsony.",
        "5": "Dia nitresaka ny alitara ka niraraka ny lavenona teo aminy, araka ilay famantarana nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra: \u201cMba iangavio re i Jehovah Andriamanitrao, azafady\u00a0e, ka mivavaha ho ahy mba ho lasa hoatran\u2019ny teo aloha ny tanako!\u201d Dia niangavy an\u2019i Jehovah ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ka lasa hoatran\u2019ny teo aloha indray ny tanan\u2019ny mpanjaka.",
        "7": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: \u201cAndao hiaraka amiko ho any an-trano mba hihinan-javatra kely, ary homeko fanomezana ianao.\u201d",
        "8": "Hoy anefa ilay lehilahin\u2019Andriamanitra: \u201cNa homenao ahy aza ny antsasaky ny tranonao, dia tsy hiaraka aminao aho, na hihinan-kanina, na hisotro rano at\u1ef3 amin\u2019ity toerana ity.",
        "9": "Izao mantsy no baiko nomen\u2019i Jehovah ahy: \u2018Aza mihinan-kanina na misotro rano, ary aza miverina amin\u2019izay lalana efa nalehanao.\u2019\u201d",
        "10": "Lalan-kafa \u00e0ry no nalehany, fa tsy niverina tamin\u2019ilay lalana nahatongavany tany Betela izy.",
        "11": "Nisy mpaminany zokiolona iray nipetraka tany Betela. Ary tonga tao an-tranony ireo zanany lahy, ka nitantara taminy ny zava-drehetra nataon\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra tao Betela tamin\u2019iny andro iny, sy ny teny nolazainy tamin\u2019ny mpanjaka. Rehefa avy nitantara an\u2019izany tamin\u2019ny rainy izy ireo,",
        "12": "dia nanontany azy ireo ny rainy hoe: \u201cNankaiza ny lalany?\u201d Koa natoron\u2019ny zanany azy ny lalana nalehan\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, izay avy any Joda.",
        "13": "Hoy izy tamin\u2019ny zanany: \u201cAsio lasely ny ampondra mba hitaingenako.\u201d Dia nasian\u2019izy ireo lasely ny ampondra ka nitaingenany.",
        "14": "Narahiny ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ka hitany nipetrapetraka teo ambanin\u2019ny hazobe iray. Dia hoy izy: \u201cIanao ve ilay lehilahin\u2019Andriamanitra avy any Joda?\u201d Ary namaly izy hoe: \u201cIe, izaho!\u201d",
        "15": "Dia hoy izy: \u201cAndao hiaraka amiko hihinan-kanina any an-trano.\u201d",
        "16": "Fa hoy izy: \u201cTsy mahazo miverina miaraka aminao aho na manaiky ny fanasanao, ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano miaraka aminao at\u1ef3 amin\u2019ity toerana ity.",
        "17": "Izao mantsy no baiko nomen\u2019i Jehovah ahy: \u2018Aza mihinan-kanina na misotro rano any ianao, ary aza miverina amin\u2019izay lalana efa nalehanao.\u2019\u201d",
        "18": "Dia hoy izy taminy: \u201cIzaho koa mba mpaminany hoatr\u2019anao. Ary nisy anjely nilaza tamiko an\u2019izao baikon\u2019i Jehovah izao: \u2018Asaivo miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.\u2019\u201d Laingany anefa izany.",
        "19": "Niara-niverina taminy \u00e0ry izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano tao an-tranony.",
        "20": "Raha mbola nipetraka teo anoloan\u2019ny latabatra izy roa lahy, dia nisy hafatra nampitain\u2019i Jehovah tamin\u2019ilay mpaminany nitondra azy niverina.",
        "21": "Koa niteny mafy tamin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra avy any Joda izy hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Nikomy tsy nanaraka ny baikon\u2019i Jehovah ianao, ary tsy nankat\u00f2 ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao,",
        "22": "fa niverina mba hihinan-kanina sy hisotro rano tany amin\u2019ilay toerana efa nolazaina taminao hoe: \u201cAza mihinan-kanina na misotro rano any.\u201d Noho izany, dia tsy ho tonga any amin\u2019ny fasan-drazanao ny fatinao.\u2019\u201d",
        "23": "Rehefa avy nihinana sy nisotro ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, dia nasian\u2019ilay mpaminany zokiolona lasely ny ampondra mba hitaingenan\u2019ilay mpaminany nentiny niverina.",
        "24": "Dia lasa nandeha ilay mpaminany. Nisy liona nifanena taminy anefa teny an-dalana ka namono azy. Dia nivalampatra teo amin\u2019ny lalana ny fatiny, ary nijoro teo akaikiny ilay ampondra. Nijanona teo anilan\u2019ilay faty koa ilay liona.",
        "25": "Ary nisy olona nandalo ka nahita an\u2019ilay faty teo an-dalana, sy ilay liona nijanona teo akaikiny. Dia niditra tao an-tan\u00e0na izy ireo, ka nitantara an\u2019izany tao amin\u2019ilay tan\u00e0na nonenan\u2019ilay mpaminany zokiolona.",
        "26": "Raha vao nandre an\u2019izany ilay mpaminany nitondra azy niverin-dalana, dia niteny hoe: \u201cIlay lehilahin\u2019Andriamanitra nikomy tsy nanaraka ny baikon\u2019i Jehovah izay! Koa natolotr\u2019i Jehovah hoviravirain\u2019ny liona sy hovonoiny izy, araka ny tenin\u2019i Jehovah taminy.\u201d",
        "27": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo zanany: \u201cAsio lasely ny ampondra mba hitaingenako.\u201d Dia nasian\u2019izy ireo lasely ilay ampondra.",
        "28": "Lasa nandeha izy ka nahita an\u2019ilay faty teo an-dalana, ary nijoro teo akaikin\u2019ilay izy ilay ampondra sy ilay liona. Tsy nohanin\u2019ilay liona ilay faty, ary tsy noviravirainy ilay ampondra.",
        "29": "Dia nobatain\u2019ilay mpaminany ny fatin\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ka nataony teo ambony ampondra. Ary nitondra azy niverina tao an-tan\u00e0nany izy mba hisaona sy handevina azy.",
        "30": "Nataony tao amin\u2019ny fasany \u00e0ry ny fatin\u2019ilay lehilahy. Ary nitomany azy ny olona, sady nilaza hoe: \u201cIndrisy, ry rahalahiko!\u201d",
        "31": "Rehefa voaleviny ilay lehilahy, dia hoy izy tamin\u2019ireo zanany: \u201cRehefa maty aho, dia aleveno ao amin\u2019ny fasana misy an\u2019ilay lehilahin\u2019Andriamanitra. Apetraho eo akaikin\u2019ny taolany ny taolako.",
        "32": "Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay tenin\u2019i Jehovah nanamelohany an\u2019ilay alitara eto Betela sy ireo trano fivavahana rehetra eny amin\u2019ny toerana avo ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Samaria.\u201d",
        "33": "Na teo aza izany, dia tsy niala tamin\u2019ny lalan-dratsiny i Jeroboama, fa mbola nanendry olona avy tamin\u2019ny sarambabem-bahoaka ihany mba ho mpisoron\u2019ny toerana avo. Nataony mpisorona izay te hanao an\u2019izany, ka hoy izy: \u201cAvelao izy ho anisan\u2019ireo mpisoron\u2019ny toerana avo.\u201d",
        "34": "Izany fahotan\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama izany no nahatonga azy ireo haringana sy hofoanana tsy ho et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany."
    },
    "14": {
        "1": "Narary i Abia zanakalahin\u2019i Jeroboama, tamin\u2019izay fotoana izay.",
        "2": "Hoy \u00e0ry i Jeroboama tamin\u2019ny vadiny: \u201cMba mitsang\u00e0na, azafady, ary mody manaova olon-kafa mba tsy ho fantatry ny olona hoe vadiko ianao, dia mandehana any Silo. Any mantsy i Ahia mpaminany. Izy ilay nilaza tamiko hoe ho mpanjakan\u2019ity firenena ity aho.",
        "3": "Mitondr\u00e0 mofo folo sy mofomamy ary tantely eran\u2019ny jaogy kely, dia mankanesa ao amin\u2019i Ahia. Izy no hilaza aminao izay hanjo an\u2019ilay zaza.\u201d",
        "4": "Nataon\u2019ny vadin\u2019i Jeroboama izay nolazainy, ka niainga ho any Silo izy ary nankao an-tranon\u2019i Ahia. Nidiridiry fotsiny ny mason\u2019i Ahia, ary tsy nahita izy satria efa antitra.",
        "5": "Efa niteny tamin\u2019i Ahia anefa i Jehovah hoe: \u201cIny tamy iny ny vadin\u2019i Jeroboama mba hanontany anao momba an-janany, fa marary ilay zaza. Dia holazaiko anao izay tokony hoteneninao aminy. Mody hanao olon-kafa izy rehefa tonga eo.\u201d",
        "6": "Vao henon\u2019i Ahia ny famindran\u2019ilay vehivavy tamin\u2019izy niditra, dia hoy i Ahia: \u201cMandrosoa, ry vadin\u2019i Jeroboama! Fa maninona ianao no mody manao olon-kafa? Nasaina hilaza hafatra henjana aminao aho.",
        "7": "Mandehana teneno i Jeroboama hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u201cNasandratro avy teo amin\u2019ny vahoaka ianao mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.",
        "8": "Ary nendahako tamin\u2019ny taranak\u2019i Davida ny fanjakana ka nomeko anao. Tsy mba nanao hoatran\u2019i Davida mpanompoko anefa ianao. Nankat\u00f2 ny didiko sy nanaraka ahy tamin\u2019ny fony manontolo izy, ka tsy nanao afa-tsy izay tsara teo imasoko.",
        "9": "Ianao kosa nanao zavatra ratsy lavitra noho izay rehetra talohanao. Nanamboatra andriamani-kafa sy sarivongana metaly ho anao ianao mba hampahatezitra ahy. Izaho mihitsy no nomenao lamosina.",
        "10": "Noho izany, dia hahatonga loza amin\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama aho. Hofongorako ny lehilahy rehetra amin\u2019ny ankohonany, anisan\u2019izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin\u2019ny Israely. Ary hofafako tanteraka hoatran\u2019ny famafa taim-biby ny ankohonan\u2019i Jeroboama, mandra-paha-tsy hisy tavela azy ireo intsony!",
        "11": "Izay fianakavian\u2019i Jeroboama maty ao an-tan\u00e0na dia hohanin\u2019ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin\u2019ny voro-manidina, fa i Jehovah no efa niteny.\u201d\u2019",
        "12": "\u201cMitsang\u00e0na ka modia any an-tranonao. Raha vao migadona ao an-tan\u00e0na ny tongotrao, dia ho faty ilay zaza.",
        "13": "Hisaona sy handevina azy ny Israely rehetra satria izy ihany, amin\u2019ny fianakavian\u2019i Jeroboama, no hiditra am-pasana. Izy irery mantsy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama no nahitan\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely zavatra tsara.",
        "14": "Hanendry mpanjaka hitondra ny Israely i Jehovah, ka io no handringana ny ankohonan\u2019i Jeroboama manomboka amin\u2019izay andro izay, eny, manomboka izao mihitsy!",
        "15": "Dia hasian\u2019i Jehovah ny Israely, ka ho toy ny bararata mihozongozona ao anaty rano. Ary hongotany tsy ho eto amin\u2019ity tany tsara nomeny ny razambeny ity ny Israely, ka haparitany any ampitan\u2019ny Renirano. Nanao tsato-kazo masina mantsy izy ireo, ka nampahatezitra an\u2019i Jehovah.",
        "16": "Ary hafoiny ny Israely noho ny fahotana nataon\u2019i Jeroboama sy ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama.\u201d",
        "17": "Dia nitsangana ny vadin\u2019i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza. Raha vao tonga teo an-tokonan\u2019ny tranony izy, dia maty ilay zanany.",
        "18": "Koa nalevina ilay zaza, ary nisaona azy ny Israely rehetra, araka ny tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpanompony, dia i Ahia mpaminany.",
        "19": "Efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Jeroboama, izany hoe ny ady nataony sy ny nanjakany.",
        "20": "Naharitra 22\u00a0taona ny fotoana nanjakan\u2019i Jeroboama, dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny izy. Ary i Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "21": "Nandritra izany fotoana izany, dia efa lasa mpanjaka tany Joda i Rehoboama zanak\u2019i Solomona. Tamin\u2019izy 41\u00a0taona no lasa mpanjaka, ary 17\u00a0taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tan\u00e0na nofidin\u2019i Jehovah teo amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely mba hametrahana ny anarany. Nama no anaran-dreniny, ary Amonita izy io.",
        "22": "Ary nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana ny Joda, ka nampahatezitra azy mihoatra noho ny razambeny izy ireo noho ny fahotana vitany.",
        "23": "Nanao toerana avo ho an\u2019ny tenany koa izy ireo, ary nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina, teny amin\u2019ny havoana rehetra sy teny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra.",
        "24": "Nisy lehilahy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly koa tao amin\u2019ilay tany. Dia nataon\u2019ny vahoaka daholo ny zava-maharikoriko fanaon\u2019ireo firenena noroahin\u2019i Jehovah hiala teo anatrehan\u2019ny Israelita.",
        "25": "Tamin\u2019ny taona fahadimy nanjakan\u2019i Rehoboama Mpanjaka, dia niakatra hanafika an\u2019i Jerosalema i Sisaka mpanjakan\u2019i Ejipta.",
        "26": "Dia nalainy ireo zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka. Lasany daholo ny zava-drehetra, anisan\u2019izany ny ampinga volamena rehetra nataon\u2019i Solomona.",
        "27": "Nanao ampinga varahina \u00e0ry i Rehoboama Mpanjaka ho solon\u2019ireny. Nasainy niandraikitra an\u2019ireny ny lehiben\u2019ny mpiambina, izay niambina ny fidirana mankao an-tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "28": "Isaky ny nankao an-tranon\u2019i Jehovah ny mpanjaka, dia nentin\u2019ny mpiambina ireo ampinga ireo, ary avy eo naveriny tao amin\u2019ny efitra fiambenana.",
        "29": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Rehoboama, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "30": "Ary niady foana i Rehoboama sy Jeroboama.",
        "31": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Rehoboama, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Nama no anaran-dreniny, ary Amonita izy io. I Abiama zanak\u2019i Rehoboama no nanjaka nandimby azy."
    },
    "15": {
        "1": "Lasa mpanjakan\u2019ny Joda i Abiama tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Jeroboama Mpanjaka zanak\u2019i Nebata.",
        "2": "Nanjaka telo taona tany Jerosalema izy. Maka no anaran-dreniny, ary zafikelin\u2019i Abisaloma izy io.",
        "3": "Nataon\u2019i Abiama daholo ny fahotana efa nataon\u2019ny rainy. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran\u2019ny fon\u2019i Davida razambeny.",
        "4": "Noho ny amin\u2019i Davida anefa, dia nomen\u2019i Jehovah Andriamaniny jiro tany Jerosalema izy, ka notendreny handimby azy ny zanany ary navelany hisy foana i Jerosalema.",
        "5": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah mantsy i Davida, ary tsy niala tamin\u2019izay nandidiany azy izy nandritra ny androm-piainany, afa-tsy tamin\u2019ilay raharaha momba an\u2019i Oria Hetita.",
        "6": "Ary niady foana i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainany.",
        "7": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Abiama, izany hoe izay rehetra nataony? Niady koa i Abiama sy Jeroboama.",
        "8": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Abiama, ka nalevina tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "9": "Tamin\u2019ny taona faha-20 nanjakan\u2019i Jeroboama mpanjakan\u2019ny Israely no nanomboka nanjaka teo amin\u2019ny Joda i Asa.",
        "10": "Nanjaka 41\u00a0taona tany Jerosalema izy. Maka no anaran\u2019ny renibeny, ary zafikelin\u2019i Abisaloma izy io.",
        "11": "Nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah i Asa, hoatran\u2019i Davida razambeny.",
        "12": "Noroahiny hiala tao amin\u2019ilay tany ireo lehilahy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly, ary nesoriny daholo ny sampy maharikoriko nataon\u2019ny razambeny.",
        "13": "Nesoriny tsy ho mpanjakavavy mihitsy koa aza i Maka renibeny, satria nanao sampy mahatsiravina hivavahana tamin\u2019ny tsato-kazo masina. Dia nokapain\u2019i Asa ilay sampy mahatsiravina nataon\u2019ny renibeny, ka nodorany tao amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona.",
        "14": "Fa tsy mba nesorina kosa ireo toerana avo. Na izany aza, dia nanompo an\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fony manontolo i Asa, nandritra ny androm-piainany.",
        "15": "Ary nentiny tao an-tranon\u2019i Jehovah izay zavatra nohamasininy sy nohamasinin-drainy, dia volafotsy sy volamena ary fitaovana isan-karazany.",
        "16": "Niady foana i Asa sy Basa mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "17": "Niakatra hanafika an\u2019i Joda \u00e0ry i Basa mpanjakan\u2019ny Israely. Dia nanorina an\u2019i Rama i Basa, mba hisakanana ny olona tsy hivezivezy hankany amin\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "18": "Koa nalain\u2019i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin\u2019ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon\u2019i Jehovah sy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka, ka nampitondrainy an\u2019ireo mpanompony. Avy eo, dia nirahin\u2019i Asa Mpanjaka izy ireo ho any amin\u2019i Beni-hadada, zanak\u2019i Tabrimona zanak\u2019i Heziona, mpanjakan\u2019i Syria, izay nipetraka tao Damaskosy, mba hilaza hoe:",
        "19": "\u201cNanao fifanarahana izaho sy ianao, ary ny raiko sy ny rainao. Dia nampitondra volafotsy sy volamena hatao fanomezana ho anao aho. Koa foany ny fifanarahana nifanaovanao tamin\u2019i Basa mpanjakan\u2019ny Israely, mba hialany eto amin\u2019ny taniko.\u201d",
        "20": "Dia narahin\u2019i Beni-hadada ny tenin\u2019i Asa Mpanjaka, ka nirahiny ireo lehiben\u2019ny tafiny mba hanafika ny tan\u00e0nan\u2019ny Israely. Koa resiny i Iona, Dana, Abela-beti-maka, Kinereta manontolo, ary ny tanin\u2019i Naftaly manontolo.",
        "21": "Raha vao henon\u2019i Basa izany, dia tsy nanorina an\u2019i Rama intsony izy. Ary mbola nipetraka tao Tirza izy.",
        "22": "Nampanantsoin\u2019i Asa Mpanjaka avy eo ny Joda rehetra tsy an-kanavaka. Dia nalain\u2019izy ireo ny vato sy ny hazo nanorenan\u2019i Basa an\u2019i Rama, ka ireny no nampiasain\u2019i Asa Mpanjaka hanorenana an\u2019i Geban\u2019i Benjamina sy Mizpa.",
        "23": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Asa rehetra, izany hoe ny heriny rehetra sy izay rehetra nataony ary ireo tan\u00e0na naoriny? Narary tongotra anefa izy rehefa antitra.",
        "24": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Asa, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida razambeny. Ary i Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "25": "Lasa mpanjakan\u2019ny Israely i Nadaba zanak\u2019i Jeroboama tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin\u2019ny Israely izy.",
        "26": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, ary nanao hoatran\u2019izay nataon-drainy sady nanao an\u2019izay fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019ny rainy.",
        "27": "Nanao tetika hamelezana an\u2019i Nadaba i Basa zanak\u2019i Ahia anisan\u2019ny taranak\u2019Isakara, ka namely azy tao Gibetona, izay an\u2019ny Filistinina. Nanao fahirano an\u2019i Gibetona i Nadaba sy ny Israely rehetra tamin\u2019izay.",
        "28": "Novonoin\u2019i Basa \u00e0ry izy tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda, ka i Basa no nanjaka nandimby azy.",
        "29": "Raha vao lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny daholo ny ankohonan\u2019i Jeroboama. Tsy nasiany niangana izay rehetra nanam-pofonaina tamin\u2019ny fianakavian\u2019i Jeroboama. Nasainy naripaka izy ireo, araka ny tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Ahia Silonita mpanompony.",
        "30": "Nitranga izany noho ny fahotana nataon\u2019i Jeroboama sy ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama, ary noho izy nampahatezitra be an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "31": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Nadaba, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "32": "Ary niady foana i Asa sy Basa mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "33": "Tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely rehetra tao Tirza i Basa zanak\u2019i Ahia. Ary nanjaka 24\u00a0taona izy.",
        "34": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana anefa izy, ary nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Jeroboama sady nanao an\u2019izay fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama."
    },
    "16": {
        "1": "Ary niteny tamin\u2019i Jeho zanak\u2019i Hanany i Jehovah, ka nanameloka an\u2019i Basa hoe:",
        "2": "\u201cNasandratro avy tamin\u2019ny vovoka ianao ary nataoko mpitarika ny Israely vahoakako. Mbola nanao hoatran\u2019ny nataon\u2019i Jeroboama ihany anefa ianao ary nahatonga ny Israely vahoakako hanota, ka nampahatezitra ahy izy ireo noho ny fahotany.",
        "3": "Koa hofongorako tanteraka i Basa sy ny ankohonany, ka hataoko hoatran\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata ny ankohonany.",
        "4": "Izay rehetra an\u2019i Basa ka maty ao an-tan\u00e0na dia hohanin\u2019ny alika, ary izay rehetra azy ka maty any an-tsaha dia hohanin\u2019ny voro-manidina.\u201d",
        "5": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Basa, izany hoe izay nataony sy ny heriny?",
        "6": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Basa, ka nalevina tao Tirza. Ary i Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "7": "Tamin\u2019ny alalan\u2019i Jeho mpaminany zanak\u2019i Hanany koa i Jehovah no nilaza ny fanamelohany an\u2019i Basa sy ny ankohonany. Nomelohina izy ireo noho ny ratsy rehetra nataony teo imason\u2019i Jehovah, dia ny nanaovany izay hampahatezitra Azy toy ny nataon\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama. Nomelohina koa izy ireo noho ny namonoany an\u2019i Nadaba.",
        "8": "Tamin\u2019ny taona faha-26 nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely tao Tirza i Elaha zanak\u2019i Basa. Ary nanjaka roa taona izy.",
        "9": "Nanao tetika hamelezana azy i Zimry mpanompony, izay lehiben\u2019ny antsasak\u2019ireo miaramila mpitondra kalesiny. Tao Tirza i Elaha tamin\u2019izay ary nisotro be ka mamo tao an-tranon\u2019i Arza, izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka tao Tirza.",
        "10": "Dia niditra i Zimry ka namono an\u2019i Elaha ho faty tamin\u2019ny taona faha-27 nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda. Ary i Zimry no nanjaka nandimby an\u2019i Elaha.",
        "11": "Raha vao nanjaka i Zimry ka nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany, dia novonoiny daholo ny ankohonan\u2019i Basa. Tsy nasiany niangana na iray aza ny lehilahy, na havany io na namany.",
        "12": "Naripak\u2019i Zimry daholo \u00e0ry ny ankohonan\u2019i Basa, araka ny teny nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Jeho mpaminany tamin\u2019Izy nanameloka an\u2019i Basa.",
        "13": "Nitranga izany noho ny fahotana rehetra nataon\u2019i Basa sy Elaha zanany, ary noho ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019izy mianaka. Nampahatezitra an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely mantsy izy ireo noho ny sampy tsy misy dikany notompoiny.",
        "14": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Elaha, izany hoe izay rehetra nataony?",
        "15": "Tamin\u2019ny taona faha-27 nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjaka tao Tirza i Zimry. Ary nanjaka fito andro izy. Nitoby mba hiady tamin\u2019i Gibetona, izay an\u2019ny Filistinina, ny tafika tamin\u2019izay.",
        "16": "Tat\u1ef3 aoriana, dia henon\u2019ny miaramila tao amin\u2019ny toby hoe: \u201cNanao tetika hamelezana ny mpanjaka i Zimry, dia namono azy.\u201d Nifidy an\u2019i Omry lehiben\u2019ny tafika \u00e0ry ny Israely rehetra tao an-toby tamin\u2019iny andro iny, mba hatao mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "17": "Dia niakatra avy tany Gibetona i Omry sy ny Israely rehetra, ka nanao fahirano an\u2019i Tirza.",
        "18": "Rehefa hitan\u2019i Zimry fa azon\u2019izy ireo ilay tan\u00e0na, dia niditra tao amin\u2019ny tilikambo voaro mafy, izay anisan\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka, izy. Ary nodorany ilay trano ka maty kilan\u2019ny afo tao izy.",
        "19": "Nitranga izany noho ny fahotana nataony, tamin\u2019izy nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah ka nanahaka an\u2019i Jeroboama, sy noho ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaomany.",
        "20": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Zimry sy ny teti-dratsy nataony?",
        "21": "Tamin\u2019izay no nizara roa ny vahoakan\u2019Israely. Ny iray nanohana an\u2019i Tibny zanak\u2019i Ginata satria te hanao azy ho mpanjaka, ary ny iray nanohana an\u2019i Omry.",
        "22": "Resin\u2019ny mpomba an\u2019i Omry anefa ny mpomba an\u2019i Tibny zanak\u2019i Ginata. Dia maty i Tibny, ary lasa mpanjaka i Omry.",
        "23": "Tamin\u2019ny taona faha-31 nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda, no lasa mpanjakan\u2019ny Israely i Omry. Ary nanjaka 12\u00a0taona izy, ka tao Tirza ny 6\u00a0taona.",
        "24": "Novidiny tamin\u2019i Samera ny tendrombohitr\u2019i Samaria, ary volafotsy roa talenta no nahazoany azy. Dia nanorina tan\u00e0na teo amin\u2019ilay tendrombohitra izy. Nataony hoe Samaria ny anaran\u2019ilay tan\u00e0na, araka ny anaran\u2019i Samera tompon\u2019ilay tendrombohitra.",
        "25": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Omry, ary nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra talohany.",
        "26": "Nanao hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata izy. Nataony koa ny fahotana nataon\u2019ny Israely noho ny fitaoman\u2019i Jeroboama, tamin\u2019izy ireo nampahatezitra an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely noho ny sampy tsy misy dikany notompoiny.",
        "27": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Omry, izany hoe izay nataony sy ny heriny?",
        "28": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Omry, ka nalevina tao Samaria. Ary i Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "29": "Lasa mpanjakan\u2019ny Israely i Ahaba zanak\u2019i Omry tamin\u2019ny taona faha-38 nanjakan\u2019i Asa mpanjakan\u2019ny Joda. Ary nanjaka 22\u00a0taona teo amin\u2019ny Israely, tao Samaria, i Ahaba zanak\u2019i Omry.",
        "30": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany, i Ahaba zanak\u2019i Omry.",
        "31": "Hoatran\u2019ny hoe tsy ampy azy ny nanao ny fahotana nataon\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, fa mbola nanambady an\u2019i Jezebela zanakavavin\u2019i Etibala mpanjakan\u2019ny Sidonianina koa izy. Ary lasa nanompo an\u2019i Bala izy ka niankohoka teo anatrehany.",
        "32": "Dia nanorina alitara ho an\u2019i Bala izy, tao amin\u2019ny tranon\u2019i Bala izay naoriny tao Samaria.",
        "33": "Nanamboatra tsato-kazo masina koa izy. Nanao zavatra maro nampahatezitra an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely i Ahaba, mihoatra noho ny mpanjaka rehetran\u2019ny Israely talohany.",
        "34": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Ahaba i Hiela Betelita no nanorina indray an\u2019i Jeriko. Maty \u00e0ry i Abirama lahimatoany rehefa nanao ny fototra izy, ary maty i Segoba faralahiny rehefa nanangana ny vavahadiny izy, araka ny tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Josoa zanak\u2019i Nona."
    },
    "17": {
        "1": "Niteny tamin\u2019i Ahaba i Elia Tisbita, avy any Gileada, hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely izay tompoiko, dia tsy hisy ando na orana mandritra ny taona vitsivitsy raha tsy izaho no miteny!\u201d",
        "2": "Niteny tamin\u2019i Elia i Jehovah hoe:",
        "3": "\u201cMial\u00e0 eto dia mandehana miantsinanana ary miafena any amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kerita, any atsinanan\u2019i Jordana.",
        "4": "Rano avy amin\u2019ilay renirano no hosotroinao, ary homeko baiko ny goaika mba hitondra sakafo ho anao any.\u201d",
        "5": "Dia lasa avy hatrany i Elia, ka nanao an\u2019izay notenenin\u2019i Jehovah taminy. Nandeha izy ary nijanona tany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kerita, any atsinanan\u2019i Jordana.",
        "6": "Nitondra mofo sy hena ho an\u2019i Elia ny goaika rehefa maraina sy hariva, ary nisotro rano avy amin\u2019ilay renirano izy.",
        "7": "Ritra anefa ilay renirano rehefa afaka elaela, satria tsy nisy orana nilatsaka tao amin\u2019ilay tany.",
        "8": "Dia niteny taminy i Jehovah hoe:",
        "9": "\u201cMitsang\u00e0na dia mandehana any Zarefata any Sidona, ary mijan\u00f2na any. Fa misy vehivavy mpitondratena hasaiko manome sakafo anao any.\u201d",
        "10": "Nitsangana \u00e0ry izy ka nankany Zarefata. Rehefa tonga teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay tan\u00e0na izy, dia nahita vehivavy mpitondratena naka kitay. Niantso azy i Elia, dia niteny hoe: \u201cMba itondray rano kely amin\u2019ny kaopy re aho hosotroiko\u00a0e!\u201d",
        "11": "Ary raha iny izy lasa naka an\u2019ilay rano iny, dia niantso azy indray i Elia ary niteny hoe: \u201cDia mba itondray mofo kely koa aho, azafady.\u201d",
        "12": "Fa hoy ilay vehivavy: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitrao, dia tsy manana mofo aho. Tsy manana afa-tsy lafarinina eran\u2019ny tanan\u2019ila ao anaty siny lehibe aho, sy menaka kely ao anaty siny kely. Maka kitay vitsivitsy aho izao, dia hody hikarakara sakafo ho anay mianaka. Dia hihinana izahay ary ho faty avy eo.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Elia taminy: \u201cAza matahotra! Midira, dia ataovy izany zavatra lazainao izany. Fa anaovy mofo kely boribory anankiray amin\u2019izay misy ao aloha aho, dia ento et\u1ef3 amiko. Afaka mikarakara sakafo ho anareo mianaka ianao avy eo.",
        "14": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Tsy ho lany ny lafarinina ao anatin\u2019ilay siny lehibe, ary tsy ho ritra ny menaka ao anatin\u2019ilay siny kely, mandra-pahatongan\u2019ny andro handatsahan\u2019i Jehovah orana amin\u2019ny tany.\u2019\u201d",
        "15": "Dia lasa ilay vehivavy, ka nanao izay nolazain\u2019i Elia. Ary nanan-kohanina nandritra ny andro maro izy sy ny ankohonany ary Elia.",
        "16": "Tsy lany ny lafarinina tao anatin\u2019ilay siny lehibe, ary tsy ritra ny menaka tao anatin\u2019ilay siny kely, araka ny tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Elia.",
        "17": "Narary ny zanakalahin\u2019ilay vehivavy tompon-trano tat\u1ef3 aoriana, ary nihombo ny aretiny ka maty izy.",
        "18": "Dia hoy ilay vehivavy tamin\u2019i Elia: \u201cFa naninona anao aho, ry lehilahin\u2019Andriamanitra\u00a0\u00f4? Tonga at\u1ef3 amiko ve ianao mba hampahatsiahy ny fahadisoako sy hamono ny zanako?\u201d",
        "19": "Fa hoy i Elia taminy: \u201cOmeo ahy ny zanakao.\u201d Dia noraisiny avy teny an-tanan\u2019ilay vehivavy ilay ankizy, ary nentiny niakatra tao amin\u2019ilay efitra nipetrahany tany an-tampon-trano, ka nataony teo ambony fandrianany.",
        "20": "Dia niantso mafy an\u2019i Jehovah izy hoe: \u201cRy Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, nahatonga loza tamin\u2019ity mpitondratena nampiantrano ahy ity koa ve ianao ka nahafaty ny zanany?\u201d",
        "21": "Dia nitsotra intelo teo ambonin\u2019ilay ankizy izy, sady niantso mafy an\u2019i Jehovah hoe: \u201cRy Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Mba ataovy re izay hampiverina ny ain\u2019ity ankizy ity\u00a0e!\u201d",
        "22": "Dia nohenoin\u2019i Jehovah ny fangatahan\u2019i Elia ka niverina ny ain\u2019ilay ankizy, ary velona indray izy.",
        "23": "Dia noraisin\u2019i Elia ilay ankizy, ka nentiny nidina avy tao amin\u2019ilay efitra tany an-tampon-trano, ary nomeny an-dreniny tao an-trano. Dia hoy i Elia: \u201cIo fa velona ny zanakao.\u201d",
        "24": "Ary hoy ilay vehivavy tamin\u2019i Elia: \u201cFantatro izao fa tena lehilahin\u2019Andriamanitra ianao, ary marina ny tenin\u2019i Jehovah lazain\u2019ny vavanao.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Rehefa afaka elaela, izany hoe tamin\u2019ny taona fahatelo, dia niteny tamin\u2019i Elia i Jehovah hoe: \u201cMandehana miseho eo anatrehan\u2019i Ahaba, fa handatsaka orana amin\u2019ny tany aho.\u201d",
        "2": "Dia lasa i Elia mba hiseho teo anatrehan\u2019i Ahaba. Mbola mafy be ny mosary tany Samaria tamin\u2019izay.",
        "3": "Nandritra izany fotoana izany, dia nantsoin\u2019i Ahaba i Obadia, izay niandraikitra ny ankohonany.\u2014Olona tena natahotra an\u2019i Jehovah i Obadia.",
        "4": "Tamin\u2019i Jezebela nandripaka an\u2019ireo mpaminanin\u2019i Jehovah, dia naka mpaminany 100 i Obadia ka nanafina azy ireo. Nataony 50 avy ny tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano izy ireo.\u2014",
        "5": "Hoy i Ahaba tamin\u2019i Obadia: \u201cMandehana tetezo ny tany, any amin\u2019ny loharano rehetra sy ny lohasaha rehetra. Angamba hahita ahi-maitso ampy tsara ho an\u2019ny soavaly sy ramole isika, ka ho voatsimbina ny ain\u2019izy ireo ary tsy ho ripaka ny biby fiompintsika.\u201d",
        "6": "Dia nozarain\u2019izy roa lahy ny tany hoteteziny, ka i Ahaba nandeha irery tamin\u2019ny lalana iray, ary i Obadia nandeha irery tamin\u2019ny lalana iray.",
        "7": "Rehefa teny an-dalana i Obadia, dia tonga hihaona taminy i Elia. Tonga dia fantany i Elia, ka niankohoka izy sady niteny hoe: \u201cIanao ve io, ry Elia tompoko?\u201d",
        "8": "Namaly i Elia hoe: \u201cIzaho ity! Mandehana lazao amin\u2019ny tomponao hoe: \u2018Any i Elia!\u2019\u201d",
        "9": "Hoy anefa i Obadia: \u201cFa dia inona loatra no fahotana nataoko no atolotrao eo an-tanan\u2019i Ahaba izaho mpanomponao? Tsy hovonoiny ho faty ve aho?",
        "10": "Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitrao, dia tsy nisy firenena na fanjakana tsy nandefasan\u2019ny tompoko olona hitady anao. Ary rehefa niteny ilay fanjakana na ilay firenena hoe: \u2018Tsy at\u1ef3 izy\u2019, dia nasainy nianiana hoe tena tsy nahita anao tokoa.",
        "11": "Izao anefa ianao milaza hoe: \u2018Mandehana teneno ny tomponao hoe: \u201cAny i Elia!\u201d\u2019",
        "12": "Rehefa miala eto aminao anefa aho izao, dia hoentin\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah any amin\u2019izay toerana tsy fantatro any ianao. Koa raha mampandre an\u2019i Ahaba aho nefa tsy ho hitany ianao, dia azo antoka fa hovonoiny ho faty aho. Efa hatramin\u2019ny mbola kely anefa izaho mpanomponao no natahotra an\u2019i Jehovah.",
        "13": "Tsy nisy nilaza tamin\u2019ny tompoko an\u2019izay nataoko angaha rehefa novonoin\u2019i Jezebela ny mpaminanin\u2019i Jehovah? Nanafina mpaminanin\u2019i Jehovah 100 aho, ka 50 avy no nataoko tao anaty lava-bato, ary nitondrako mofo sy rano ry zareo.",
        "14": "Izao anefa ianao milaza hoe: \u2018Mandehana lazao amin\u2019ny tomponao hoe: \u201cAny i Elia!\u201d\u2019 Tena tsy maintsy hovonoiny ho faty aho!\u201d",
        "15": "Hoy anefa i Elia: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika izay tompoiko, dia hiseho eo anatrehan\u2019i Ahaba aho anio.\u201d",
        "16": "Lasa nankany amin\u2019i Ahaba \u00e0ry i Obadia ka nilaza izany taminy. Dia nankany amin\u2019i Elia i Ahaba.",
        "17": "Raha vao nahita an\u2019i Elia i Ahaba, dia nilaza taminy hoe: \u201cIanao ve io, ry ilay nahatonga loza lehibe tamin\u2019ny Israely?\u201d",
        "18": "Ary hoy i Elia: \u201cTsy izaho no nahatonga loza tamin\u2019ny Israely, fa ianao sy ny ankohonan-drainao, satria niala tamin\u2019ny didin\u2019i Jehovah ianareo, ka nanaraka an\u2019ireo Bala.",
        "19": "Koa vorio hankany amiko any amin\u2019ny Tendrombohitra Karmela ny Israely rehetra. Vorio koa ny mpaminanin\u2019i Bala 450 sy ny mpaminany 400 mivavaka amin\u2019ny tsato-kazo masina, izay samy misakafo eo amin\u2019ny latabatr\u2019i Jezebela.\u201d",
        "20": "Naniraka olona tany amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely rehetra \u00e0ry i Ahaba, sady namory ny mpaminany ho any amin\u2019ny Tendrombohitra Karmela.",
        "21": "Ary nankeo amin\u2019ny olona rehetra i Elia, dia niteny hoe: \u201cMandra-pahoviana ianareo no hiroaroa saina? Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.\u201d Tsy namaly azy anefa ny vahoaka na indraim-bava aza.",
        "22": "Dia hoy i Elia tamin\u2019ny vahoaka: \u201cIzaho irery sisa no tavela amin\u2019ny mpaminanin\u2019i Jehovah, fa ny mpaminanin\u2019i Bala kosa 450 lahy.",
        "23": "Omeo vantotr\u2019ombilahy roa izahay, dia avelao ry zareo hifidy vantotr\u2019ombilahy iray, dia horasarasainy ilay izy ary hapetrany eo ambony kitay. Tsy tokony hasiana afo anefa ilay izy. Izaho kosa hikarakara an\u2019ilay vantotr\u2019ombilahy iray, ka hametraka azy eo ambony kitay. Tsy hasiako afo koa anefa ilay izy.",
        "24": "Antsoy ny anaran\u2019ny andriamanitrareo avy eo, fa izaho hiantso ny anaran\u2019i Jehovah. Izay Andriamanitra mamaly ka mandatsaka afo no hampiseho hoe izy no tena Andriamanitra.\u201d Dia namaly ny olona rehetra hoe: \u201cMety izany.\u201d",
        "25": "Ary hoy i Elia tamin\u2019ireo mpaminanin\u2019i Bala: \u201cMifidiana aloha ianareo vantotr\u2019ombilahy iray dia karakarao ilay izy, fa ianareo no maro an\u2019isa. Aza asiana afo anefa ilay izy. Antsoy avy eo ny anaran\u2019ny andriamanitrareo.\u201d",
        "26": "Nalain\u2019izy ireo \u00e0ry ilay vantotr\u2019ombilahy nomena azy, ka nokarakarainy. Dia niantso ny anaran\u2019i Bala izy ireo hatramin\u2019ny maraina ka mandra-pitataovovonan\u2019ny andro. Niantsoantso izy ireo hoe: \u201cRy Bala\u00a0\u00f4, valio izahay!\u201d, kanjo tsy nisy feo re sady tsy nisy namaly. Ary tsy nitsahatra nihinjakinjaka nanodidina an\u2019ilay alitara nataony izy ireo.",
        "27": "Rehefa nitataovovonana, dia nanesoeso azy ireo i Elia hoe: \u201cMiantsoa faran\u2019izay mafy fa andriamanitra ange izy\u00a0e! Misy zavatra mahalasa saina azy angamba, na lasa any an-kabine izy. Na sao dia matory izy dia mila fohazina.\u201d",
        "28": "Dia niantsoantso faran\u2019izay mafy izy ireo. Ary nandidididy ny vatany tamin\u2019ny sabatra kely sy lefona izy ireo, toy ny fanaony, mandra-pihosin-dra ny vatany.",
        "29": "Efa dila ny mitataovovonana, nefa mbola nihinjakinjaka teo foana izy ireo, mandra-pahatongan\u2019ny fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha amin\u2019ny takariva. Mbola tsy nisy feo re ihany anefa, sady tsy nisy namaly na nihaino.",
        "30": "Farany, dia hoy i Elia tamin\u2019ny olona rehetra: \u201cAvia daholo!\u201d Nanatona azy \u00e0ry ny olona rehetra. Dia namboarin\u2019i Elia ilay alitaran\u2019i Jehovah efa rava.",
        "31": "Avy eo izy dia naka vato 12, araka ny isan\u2019ny fokon\u2019ny zanak\u2019i Jakoba, izay nilazan\u2019i Jehovah hoe: \u201cHatao hoe Israely ny anaranao.\u201d",
        "32": "Koa nanamboatra alitara ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah tamin\u2019ireo vato ireo izy. Nasiany tatatra manodidina an\u2019ilay alitara, ary nasiany elanelana mitovitovy velarana amin\u2019ny tany ampy hamafazana voa indroan\u2019ny seh\u00e0.",
        "33": "Nalahany ny kitay avy eo, ary norasarasainy ilay vantotr\u2019ombilahy ka napetrany teo ambony kitay. Dia hoy izy: \u201cFenoy rano ny siny lehibe efatra, ka araraho eo amin\u2019ny fanatitra dorana sy ny kitay.\u201d",
        "34": "Ary hoy izy: \u201cAsio indray.\u201d Dia nasian\u2019izy ireo indray. Hoy ihany izy: \u201cAsio fanintelony.\u201d Dia nasian\u2019izy ireo fanintelony.",
        "35": "Koa nikoriana nanodidina an\u2019ilay alitara ny rano. Ary nofenoin\u2019i Elia rano koa ny tatatra.",
        "36": "Tamin\u2019ny fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha amin\u2019ny takariva, dia nankeo amin\u2019ilay alitara i Elia mpaminany ka niteny hoe: \u201cRy Jehovah Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Israely\u00a0\u00f4! Ataovy fantatry ny rehetra androany fa ianao no Andriamanitra eo amin\u2019ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ka noho ny teninao no nanaovako an\u2019izao zavatra rehetra izao.",
        "37": "Valio aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Valio aho mba ho fantatr\u2019ireto vahoaka ireto fa ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no tena Andriamanitra, ary tianao hiverina aminao indray ny fon\u2019izy ireo.\u201d",
        "38": "Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon\u2019i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana, ny kitay, ny vato, ary ny vovoka. Ritran\u2019ny afo koa ny rano tao amin\u2019ilay tatatra.",
        "39": "Nahita an\u2019izany ny olona rehetra, ka niankohoka avy hatrany sady niteny hoe: \u201cI Jehovah no tena Andriamanitra! I Jehovah no tena Andriamanitra!\u201d",
        "40": "Dia hoy i Elia tamin\u2019izy ireo: \u201cSambory ireo mpaminanin\u2019i Bala ireo! Aza avela hisy ho afa-mandositra na iray aza!\u201d Koa nosamborin\u2019ny olona avy hatrany izy ireo, ka nentin\u2019i Elia nidina nankany amin\u2019ny reniranon\u2019i Kisona, dia novonoiny tany.",
        "41": "Ary hoy i Elia tamin\u2019i Ahaba: \u201cMiakara ka mihin\u00e0na sy misotroa, fa izany henoko izany ny feon\u2019ny oram-be mivatravatra.\u201d",
        "42": "Dia niakatra i Ahaba mba hihinana sy hisotro. Fa i Elia kosa niakatra teo an-tampon\u2019i Karmela, dia niankohoka tamin\u2019ny tany, ka nataony teo anelanelan\u2019ny lohaliny ny tarehiny.",
        "43": "Ary hoy izy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMiakara, azafady, ka mitaz\u00e0na any an-dranomasina.\u201d Dia niakatra izy ka nitazana, ary nilaza hoe: \u201cTsisy na inona na inona mihitsy any.\u201d Impito i Elia no niteny taminy hoe: \u201cMandehana jereo indray.\u201d",
        "44": "Ary tamin\u2019ny fanimpitony, dia hoy ilay mpanompo: \u201cIny misy rahona kely hoatran\u2019ny felatanana miakatra avy eny an-dranomasina.\u201d Dia hoy i Elia: \u201cMandehana ilazao i Ahaba hoe: \u2018Omano ny kalesinao, ary mid\u00ecna sao ho voasakan\u2019ny oram-be ianao!\u2019\u201d",
        "45": "Nandritra izany fotoana izany, dia lasa feno rahona mainty ny lanitra ary nifofofofo ny rivotra, ka nirotsaka ny oram-be nivatravatra. Dia nitaingina ny kalesiny i Ahaba, ary nankany Jezirela.",
        "46": "Fa ny tanan\u2019i Jehovah kosa nanome hery an\u2019i Elia. Ary nisikinany ny akanjony, dia nihazakazaka teo alohan\u2019i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela."
    },
    "19": {
        "1": "Ary notantarain\u2019i Ahaba tamin\u2019i Jezebela daholo ny nataon\u2019i Elia, sy ny namonoan\u2019i Elia ny mpaminany rehetra tamin\u2019ny sabatra.",
        "2": "Dia naniraka olona ho any amin\u2019i Elia i Jezebela mba hilaza hoe: \u201cHofaizin\u2019ireo andriamanitra anie aho, raha tsy hataoko hoatran\u2019ny tsirairay amin\u2019ireny ianao rahampitso hoatr\u2019izao!\u201d",
        "3": "Natahotra \u00e0ry i Elia ka nandositra mba hamonjy ny ainy. Tonga tany Beri-sheba any Joda izy, ary navelany tao ny mpanompony.",
        "4": "Izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra. Dia nipetraka teo ambany anjavidy iray izy, ary nangataka ny ho faty. Hoy izy: \u201cAoka izay! Esory amin\u2019izay ny aiko, Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsy tsara noho ny razambeko aho.\u201d",
        "5": "Ary nidaboka teo ambanin\u2019ilay anjavidy izy ka resin-tory teo. Nisy anjely nikasika azy tampoka anefa sady niteny hoe: \u201cMiarena, dia mihin\u00e0na.\u201d",
        "6": "Rehefa nihiratra i Elia, dia nahita mofo boribory teo ambony vato mahamay, teo akaikin\u2019ny lohany. Nisy jaogy nisy rano koa teo. Ary nihinana sy nisotro izy, dia nidaboka natory indray.",
        "7": "Tonga fanindroany indray ilay anjelin\u2019i Jehovah taorian\u2019izay, ka nikasika azy sady niteny hoe: \u201cMiarena dia mihin\u00e0na, raha tsy izany tsy ho vitanao ny dia lavitra mbola halehanao.\u201d",
        "8": "Koa niarina i Elia dia nihinana sy nisotro. Ary nahazo hery izy, ka nandeha nandritra ny 40 andro sy 40 alina mandra-pahatongany tany Horeba, tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "9": "Niditra tao anaty lava-bato izy rehefa tonga tany, ary natory tao nandritra ny alina. Dia niteny taminy i Jehovah hoe: \u201cInona no ataonao at\u1ef3, ry Elia?\u201d",
        "10": "Dia hoy i Elia: \u201cTena nafana fo tamin\u2019ny fanompoana an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho. Fa efa nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataonao taminy ny vahoakan\u2019Israely. Noravany ny alitaranao, ary novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny mpaminaninao, dia izaho irery sisa no tavela. Dia mbola mitady hamono ahy koa ry zareo izao.\u201d",
        "11": "Fa hoy Andriamanitra: \u201cMivoaha, dia mitsang\u00e0na eo an-tendrombohitra, eo anatrehan\u2019i Jehovah.\u201d Ary nandalo i Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery nampitresaka tendrombohitra sy namaky harambato, teo alohan\u2019i Jehovah. Tsy tao amin\u2019ilay rivotra anefa i Jehovah. Ary nisy horohoron-tany taorian\u2019ilay rivotra, nefa tsy tao amin\u2019ilay horohoron-tany i Jehovah.",
        "12": "Ary nisy afo taorian\u2019ilay horohoron-tany, nefa tsy tao amin\u2019ilay afo i Jehovah. Dia nisy feo malefaka sy iva taorian\u2019ilay afo.",
        "13": "Raha vao naheno an\u2019ilay feo i Elia, dia nosaronany tamin\u2019ilay akanjona mpaminany teny aminy ny tarehiny. Ary nivoaka izy ka nitsangana teo amin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ilay lava-bato. Dia nisy feo nanontany azy hoe: \u201cInona no ataonao at\u1ef3, ry Elia?\u201d",
        "14": "Hoy i Elia: \u201cTena nafana fo tamin\u2019ny fanompoana an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho. Fa efa nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataonao taminy ny vahoakan\u2019Israely. Noravany ny alitaranao, ary novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny mpaminaninao, dia izaho irery sisa no tavela. Dia mbola mitady hamono ahy koa ry zareo izao.\u201d",
        "15": "Hoy i Jehovah taminy: \u201cMandehana miverina, dia mankanesa any an-tany efitr\u2019i Damaskosy. Rehefa tonga any ianao, dia hosory ho mpanjakan\u2019i Syria i Hazaela.",
        "16": "Ary hosory ho mpanjakan\u2019ny Israely i Jeho zafikelin\u2019i Nimsy. Dia hosory ho mpaminany handimby anao i Elisa zanak\u2019i Safata, avy any Abela-mehola.",
        "17": "Izay afa-mandositra ny sabatr\u2019i Hazaela dia hovonoin\u2019i Jeho. Ary izay afa-mandositra ny sabatr\u2019i Jeho kosa hovonoin\u2019i Elisa.",
        "18": "Mbola misy olona 7\u00a0000 navelako any Israely, dia ireo rehetra tsy nandohalika tamin\u2019i Bala sy tsy nanoroka azy.\u201d",
        "19": "Koa niala teo i Elia ary nahita an\u2019i Elisa zanak\u2019i Safata niasa tany. Nisy omby 24 nampiarahina tsiroaroa teo alohany, ary teo amin\u2019ireo omby roa faha-12 farany izy. Dia nankeny aminy i Elia, ary natsipiny teny amin\u2019i Elisa ilay akanjona mpaminany nanaovany.",
        "20": "Nilaozan\u2019i Elisa teo \u00e0ry ny omby ka nihazakazaka nanaraka an\u2019i Elia izy, ary niteny hoe: \u201cAvelao aho aloha, azafady, mba hanoroka ny ray aman-dreniko, ary hanaraka anao aho avy eo.\u201d Dia hoy i Elia: \u201cMandehana miverina, fa izaho angaha moa manakana anao\u00a0e!\u201d",
        "21": "Niverina \u00e0ry i Elisa. Naka omby roa hatao sorona izy, ka hazo tamin\u2019ny angadinomby no nataony kitay handrahoana ny hena. Dia nomeny ny olona izany, ka nihinana izy ireo. Nitsangana izy taorian\u2019izay ka nanaraka an\u2019i Elia, ary nanompo azy."
    },
    "20": {
        "1": "Ary novorin\u2019i Beni-hadada mpanjakan\u2019i Syria ny tafiny rehetra, sy ny mpanjaka 32 hafa niaraka tamin\u2019ny soavalin\u2019izy ireo sy ny kalesiny. Dia niakatra izy ka nanao fahirano an\u2019i Samaria mba hiady taminy.",
        "2": "Naniraka olona nankao an-tan\u00e0na izy, ho any amin\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely, mba hilaza hoe: \u201cIzao no nolazain\u2019i Beni-hadada:",
        "3": "\u2018Ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny tsara tarehy indrindra amin\u2019ny vady aman-janakao.\u2019\u201d",
        "4": "Dia namaly ny mpanjakan\u2019ny Israely hoe: \u201cMarina ny teninao ry mpanjaka tompoko. Anao tokoa aho sy izay rehetra ananako.\u201d",
        "5": "Dia niverina indray ireo iraka taorian\u2019izay, ka nilaza hoe: \u201cIzao no notenenin\u2019i Beni-hadada: \u2018Naniraka olona tat\u1ef3 aminao aho hilaza hoe: \u201cOmeo ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ireo vady aman-janakao.\u201d",
        "6": "Hirahiko ho at\u1ef3 aminao anefa ny mpanompoko rahampitso tokotokony ho hoatr\u2019izao, ka hataon\u2019izy ireo savahao ny tranonao sy ny tranon\u2019ny mpanomponao. Dia halain\u2019izy ireo izay rehetra sarobidy aminao ka hoentiny.\u2019\u201d",
        "7": "Dia nantsoin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely daholo ny anti-panahy teo amin\u2019ny taniny, ka hoy izy: \u201cMba diniho kely ary jereo fa te hanisy ratsy antsika mihitsy ilay rangahy iny. Efa notereny aho hanome ny vady aman-janako sy ny volafotsiko ary ny volamenako, ary tsy nanda aho.\u201d",
        "8": "Dia hoy ny anti-panahy rehetra sy ny vahoaka manontolo: \u201cAza mankat\u00f2 azy, ary aza manaiky.\u201d",
        "9": "Hoy \u00e0ry i Ahaba tamin\u2019ny irak\u2019i Beni-hadada: \u201cLazao amin\u2019ny mpanjaka tompoko hoe: \u2018Izaho mpanomponao dia hanao an\u2019izay rehetra notakinao tamiko tamin\u2019ny voalohany. Fa izany zavatra izany kosa tsy azoko ekena.\u2019\u201d Dia lasa nitatitra an\u2019izany tany amin\u2019i Beni-hadada ireo iraka.",
        "10": "Ary naniraka olona ho any aminy indray i Beni-hadada mba hilaza hoe: \u201cHofaizin\u2019ireo andriamanitra anie aho, raha havelako hisy tavela ny vovoka ao Samaria ka hoe mbola hahazo vovoka eran\u2019ny tanan\u2019ila ny olona tsirairay manaraka ahy!\u201d",
        "11": "Dia hoy ny navalin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cLazao aminy hoe: \u2018Olona vao mametaka ny fiadiany handeha hiady ve, dia efa mirehareha hoatran\u2019ny olona efa manala ny fiadiany?\u2019\u201d",
        "12": "Teo am-pisotroana niaraka tamin\u2019ireo mpanjaka tao amin\u2019ny tranolainy i Beni-hadada tamin\u2019izy naheno an\u2019izany, ka tonga dia hoy izy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMiom\u00e0na hanafika!\u201d Dia niomana hanafika an\u2019ilay tan\u00e0na izy ireo.",
        "13": "Nisy mpaminany iray anefa nanatona an\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely, dia niteny hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hitanao ve ireo vahoaka be ireo? Hataoko resinao izy ireo androany, dia ho fantatrao fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d",
        "14": "Ary nanontany i Ahaba hoe: \u201cAmin\u2019ny fomba ahoana?\u201d Dia hoy izy: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Amin\u2019ny alalan\u2019ireo mpanampy ny andrianan\u2019ny faritany.\u2019\u201d Hoy \u00e0ry i Ahaba: \u201cIza no hamely voalohany?\u201d Dia hoy izy: \u201cIanao!\u201d",
        "15": "Ary nisain\u2019i Ahaba ireo mpanampy ny andrianan\u2019ny faritany, ka nisy 232. Nisainy koa ny lehilahy israelita rehetra avy eo, ka 7\u00a0000 ny isany.",
        "16": "Dia nivoaka hanafika izy ireo tamin\u2019ny mitataovovonana, raha mbola nisotro be ka mamo tao amin\u2019ny tranolay i Beni-hadada sy ireo mpanjaka 32 nanampy azy.",
        "17": "Ireo mpanampy ny andrianan\u2019ny faritany no nivoaka voalohany. Dia naniraka olona avy hatrany i Beni-hadada, ka ireo no nitatitra taminy hoe: \u201cMisy lehilahy mivoaka avy ao Samaria.\u201d",
        "18": "Dia hoy i Beni-hadada: \u201cRaha ny hihavana no ivoahan\u2019izy ireo, dia ataovy sambo-belona izy, fa raha ny hiady kosa dia mbola ataovy sambo-belona ihany izy.\u201d",
        "19": "Rehefa nivoaka avy ao an-tan\u00e0na anefa ireo mpanampy ny andrianan\u2019ny faritany sy ny tafika nanaraka azy ireo,",
        "20": "dia samy namono ny fahavalony izy ireo. Nitsoaka \u00e0ry ny Syrianina ka nenjehin\u2019ny Israely. I Beni-hadada mpanjakan\u2019i Syria kosa nandositra nitaingin-tsoavaly, niaraka tamin\u2019ireo mpitaingin-tsoavaly sasany.",
        "21": "Nivoaka anefa ny mpanjakan\u2019ny Israely, ka nasiany ny soavaly sy ny kalesy fitondra miady. Dia resiny tanteraka ny Syrianina.",
        "22": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ilay mpaminany, ka nilaza hoe: \u201cMandehana hamafiso ny fiarovanao. Ary eritrereto izay hataonao, fa hiakatra hiady aminao ny mpanjakan\u2019i Syria, eo am-piandohan\u2019ny taona.\u201d",
        "23": "Ary hoy ny mpanompon\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria taminy: \u201cAndriamanitry ny tendrombohitra ny Andriamanitr\u2019izy ireo, ka izany no nandreseny antsika. Fa raha eny amin\u2019ny tany lemaka isika no miady aminy, dia ho resintsika ry zareo.",
        "24": "Izao koa atao: Esory amin\u2019ny toerany ny mpanjaka rehetra, ka soloy governora.",
        "25": "Mak\u00e0 miaramila mitovy isa amin\u2019ireo efa maty, ary mak\u00e0 soavaly ho solon\u2019ny soavaly, sy kalesy ho solon\u2019ny kalesy. Dia andao hiady aminy eny amin\u2019ny tany lemaka, fa tena ho resintsika ry zareo!\u201d Nanaraka ny torohevitr\u2019izy ireo \u00e0ry i Beni-hadada, ka izany tokoa no nataony.",
        "26": "Teo am-piandohan\u2019ny taona, dia nangonin\u2019i Beni-hadada ny Syrianina, ary niakatra nankany Afeka izy mba hiady tamin\u2019ny Israely.",
        "27": "Novorina koa ny vahoakan\u2019Israely ary nomena vatsy, dia nivoaka mba hifanandrina tamin\u2019izy ireo. Toy ny andian\u2019osy anankiroa kely ny vahoakan\u2019Israely rehefa nitoby tandrifin\u2019izy ireo, fa ny Syrianina kosa nanenika ny tany.",
        "28": "Dia nankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ilay lehilahin\u2019Andriamanitra, ka hoy izy taminy: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Satria hoy ny Syrianina hoe: \u201cAndriamanitry ny tendrombohitra i Jehovah, fa tsy Andriamanitry ny tany lemaka\u201d, dia hataoko resinao ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d",
        "29": "Nitoby nifanatrika teo nandritra ny fito andro izy ireo. Ary raikitra ny ady tamin\u2019ny andro fahafito. Dia namely miaramila syrianina 100\u00a0000 mpandeha an-tongotra ny vahoakan\u2019Israely tao anatin\u2019ny iray andro.",
        "30": "Ny sisa kosa nandositra tao Afeka, tao an-tan\u00e0na, kanjo nianjeran\u2019ny manda ny 27\u00a0000 tamin\u2019izy ireo. Nandositra koa i Beni-hadada ka tonga tao an-tan\u00e0na, ary niafina tao amin\u2019ny efitra iray anatiny indrindra.",
        "31": "Dia hoy ny mpanompony taminy: \u201cHenonay fa mpanjaka be famindram-po ny mpanjakan\u2019ny taranak\u2019Israely. Koa mba avelao re izahay hisikina lamba gony\u00a0e, ary hanisy tady eo ambony lohanay, dia hivoaka ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely. Sao dia mba hotsimbininy ny ainao.\u201d",
        "32": "Nisikina lamba gony \u00e0ry izy ireo, ary nanisy tady teo ambony lohany, dia nankao amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely. Hoy izy ireo: \u201cIzao no nolazain\u2019i Beni-hadada mpanomponao: \u2018Mba tsimbino re ny aiko\u00a0e!\u2019\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cMbola velona angaha izy? Rahalahiko izy.\u201d",
        "33": "Fambara tsara izany tamin\u2019izy ireo, sady tonga dia fantany hoe efa izay mihitsy no tao an-tsain\u2019ny mpanjaka. Koa niteny izy ireo hoe: \u201cRahalahinao tokoa i Beni-hadada.\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cMandehana alaivo izy.\u201d Nivoaka nankany amin\u2019i Ahaba \u00e0ry i Beni-hadada, ka nasainy niakatra nankao amin\u2019ny kalesy fitondra miady.",
        "34": "Ary hoy i Beni-hadada taminy: \u201cHaveriko aminao ny tan\u00e0na nalain-draiko tamin-drainao. Ary afaka manao tsena ho anao any Damaskosy ianao, toy ny nataon\u2019ny raiko tany Samaria.\u201d Dia namaly i Ahaba hoe: \u201cHavelako handeha ianao noho izany fifanarahana izany.\u201d Nanao fifanarahana taminy \u00e0ry izy, ka namela azy handeha.",
        "35": "Nisy lehilahy iray anisan\u2019ny zanaky ny mpaminany nasain\u2019i Jehovah niteny tamin\u2019ny namany hoe: \u201cAsio aho, azafady!\u201d Tsy nety namely azy anefa ilay namany.",
        "36": "Hoy \u00e0ry izy taminy: \u201cSatria tsy nihaino ny feon\u2019i Jehovah ianao, dia hisy liona hamono anao raha vao miala eto amiko ianao.\u201d Nifanena tamin\u2019ny liona tokoa ilay namany rehefa niala teo, ka novonoin\u2019ilay liona.",
        "37": "Nahita lehilahy hafa indray izy, ka nilaza hoe: \u201cAsio aho, azafady.\u201d Namely azy \u00e0ry ilay lehilahy ka nandratra azy.",
        "38": "Dia lasa ilay mpaminany ary nandrasany teo amoron-dalana ny mpanjaka. Nasiany fehy lamba ny masony mba tsy hahafantarana azy.",
        "39": "Rehefa nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina mafy taminy izy hoe: \u201cTany an\u2019ady izaho mpanomponao ary tena nafotaka ilay ady. Tamin\u2019izay no nisy miaramila nitondra lehilahy iray teo amiko sady niteny hoe: \u2018Ambeno ity lehilahy ity. Fa raha sanatria tafatsoaka izy, dia ny ainao no hasolo ny ainy, na ianao handoa volafotsy iray talenta.\u2019",
        "40": "Rehefa variana nanao zavatra tetsy sy teroa anefa ny mpanomponao, dia lasa nitsoaka ilay lehilahy.\u201d Hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cIzay izany ny didim-pitsarana hampiharina aminao. Ianao ihany no nitsara ny tenanao.\u201d",
        "41": "Dia nesorin\u2019ilay mpaminany haingana ilay fehy lamba teo amin\u2019ny masony, ka fantatry ny mpanjakan\u2019ny Israely fa anisan\u2019ny mpaminany izy.",
        "42": "Hoy izy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Satria navelanao handeha ilay lehilahy efa nolazaiko hoe tokony haringana, na dia efa teo an-tananao aza izy, dia ny ainao no hasolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hasolo ny vahoakany.\u2019\u201d",
        "43": "Ary lasa nody tany Samaria ny mpanjakan\u2019ny Israely, sady sosotra no kivy."
    },
    "21": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia nisy zava-nitranga momba ny tanimboalobok\u2019i Nabota Jezirelita. Tao Jezirela, teo akaikin\u2019ny lapan\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019i Samaria, ilay tanimboaloboka.",
        "2": "Hoy i Ahaba tamin\u2019i Nabota: \u201cOmeo ahy ny tanimboalobokao mba hataoko zaridaina fambolena legioma, fa akaikin\u2019ny tranoko ilay izy. Dia homeko tanimboaloboka tsara kokoa ianao ho takalony. Na homeko vola ianao ho vidiny, raha tianao.\u201d",
        "3": "Fa hoy i Nabota tamin\u2019i Ahaba: \u201cSanatria ahy ny hanome anao ny lova avy amin\u2019ny razambeko, satria tsy izany ny fihevitr\u2019i Jehovah!\u201d",
        "4": "Nody tany an-tranony \u00e0ry i Ahaba sady sosotra no kivy, noho ilay valin-tenin\u2019i Nabota Jezirelita hoe: \u201cTsy homeko anao ny lova avy amin\u2019ny razambeko.\u201d Dia natory teo am-pandrianany izy, ary nitodika tany amin\u2019ny rindrina sady tsy nety nihinan-kanina.",
        "5": "Nankao aminy i Jezebela vadiny, ary nanontany azy hoe: \u201cFa maninona ianao no malahelo be, dia tsy mety mihinan-kanina?\u201d",
        "6": "Dia namaly i Ahaba hoe: \u201cNilaza tamin\u2019i Nabota Jezirelita aho hoe: \u2018Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko. Na raha tianao, dia homeko tanimboaloboka hafa ianao ho takalony.\u2019 Nilaza anefa izy hoe: \u2018Tsy homeko anao ny tanimboaloboko.\u2019\u201d",
        "7": "Hoy i Jezebela vadiny: \u201cFa tsy ianao angaha no mpanjakan\u2019ny Israely? Mitsang\u00e0na, mihin\u00e0na hanina, dia mifalia! Izaho no hanome anao ny tanimboalobok\u2019i Nabota Jezirelita.\u201d",
        "8": "Nanoratra taratasy tamin\u2019ny anaran\u2019i Ahaba \u00e0ry i Jezebela, ary nasiany tombo-kasen\u2019ny mpanjaka izany. Dia nalefany tany amin\u2019ny anti-panahy sy ny olona ambony nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Nabota ireo taratasy ireo.",
        "9": "Izao no nosoratany tao: \u201cManaova fanambarana hoe hisy fifadian-kanina, ary asaivo mipetraka eo alohan\u2019ny vahoaka i Nabota.",
        "10": "Dia asio lehilahy roa tsy misy ilana azy mipetraka eo anoloany, ary asaivo miampanga azy izy ireo hoe: \u2018Nanozona an\u2019Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao!\u2019 Dia ento any ivelan\u2019ny tan\u00e0na izy, ka torahy vato ho faty.\u201d",
        "11": "Izay voasoratra tao amin\u2019ny taratasy nalefan\u2019i Jezebela tany amin\u2019izy ireo \u00e0ry no nataon\u2019ireo lehilahy tao an-tan\u00e0nan\u2019i Nabota, dia ny anti-panahy sy ny olona ambony nipetraka tao an-tan\u00e0nany.",
        "12": "Nanao fanambarana izy ireo hoe hisy fifadian-kanina, ary nasainy nipetraka teo anoloan\u2019ny vahoaka i Nabota.",
        "13": "Dia nisy roa lahy tsy misy ilana azy niditra ka nipetraka teo anoloan\u2019i Nabota. Ary niampanga azy teo anatrehan\u2019ny vahoaka izy roa lahy hoe: \u201cNanozona an\u2019Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota!\u201d Nentin\u2019ny olona tany ivelan\u2019ny tan\u00e0na izy taorian\u2019izay, ary notorahany vato ka maty.",
        "14": "Dia naniraka olona nankany amin\u2019i Jezebela izy ireo mba hilaza hoe: \u201cEfa notoraham-bato i Nabota ka maty.\u201d",
        "15": "Raha vao henon\u2019i Jezebela fa notoraham-bato i Nabota ka maty, dia niteny tamin\u2019i Ahaba izy hoe: \u201cMitsang\u00e0na ka alaivo ho anao ny tanimboalobok\u2019i Nabota Jezirelita, izay tsy nekeny hamidy taminao. Efa tsy velona intsony izy, fa efa maty.\u201d",
        "16": "Nitsangana i Ahaba raha vao henony hoe maty i Nabota, ka nidina tany amin\u2019ny tanimboalobok\u2019i Nabota Jezirelita izy mba haka an\u2019izany ho azy.",
        "17": "Niteny tamin\u2019i Elia Tisbita anefa i Jehovah hoe:",
        "18": "\u201cMitsang\u00e0na ka mid\u00ecna hihaona amin\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely, izay ao Samaria. Any amin\u2019ny tanimboalobok\u2019i Nabota izy izao. Nandeha nankany izy mba haka an\u2019ilay izy.",
        "19": "Teneno izy hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cSady namono olona ve ianao no naka ny fananany?\u201d\u2019 Lazao aminy koa hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cEo amin\u2019izay nilelafan\u2019ny alika ny ran\u2019i Nabota no hilelafan\u2019ny alika ny ranao.\u201d\u2019\u201d",
        "20": "Hoy i Ahaba tamin\u2019i Elia: \u201cHay hitanao ihany aho, ry ilay fahavaloko!\u201d Dia namaly i Elia hoe: \u201cIe, hitako ianao. \u2018Noho ianao tapa-kevitra hanao izay ratsy eo imason\u2019i Jehovah,",
        "21": "dia hahatonga loza aminao aho. Hofongorako tanteraka ny taranakao, ary haringako ny lehilahy rehetra amin\u2019ny ankohonanao, anisan\u2019izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin\u2019ny Israely.",
        "22": "Ary hataoko hoatran\u2019ny ankohonan\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata sy hoatran\u2019ny ankohonan\u2019i Basa zanak\u2019i Ahia ny ankohonanao, noho ianao nampahatezitra ahy sady nahatonga ny Israely hanota.\u2019",
        "23": "Izao koa no nolazain\u2019i Jehovah momba an\u2019i Jezebela: \u2018Hohanin\u2019ny alika ao amin\u2019ilay tany eto Jezirela i Jezebela.",
        "24": "Izay rehetra an\u2019i Ahaba ka maty ao an-tan\u00e0na dia hohanin\u2019ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin\u2019ny voro-manidina.",
        "25": "Mbola tsy nisy olona hoatran\u2019i Ahaba mihitsy, satria tapa-kevitra hanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah izy noho ny fampirisihan\u2019i Jezebela vadiny.",
        "26": "Nanao zavatra faran\u2019izay nahatsiravina i Ahaba. Nanompo an\u2019ireo sampy maharikoriko izy, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny Amorita izay noroahin\u2019i Jehovah hiala teo anatrehan\u2019ny Israelita.\u2019\u201d",
        "27": "Raha vao henon\u2019i Ahaba izany, dia nandrovitra ny akanjony izy ary nitafy lamba gony nataony nanolo-koditra. Dia nifady hanina izy sady natory nitafy gony. Ary hita tamin\u2019ny famindrany fa kivy tanteraka izy.",
        "28": "Niteny tamin\u2019i Elia Tisbita \u00e0ry i Jehovah hoe:",
        "29": "\u201cHitanao ve fa nanetry tena i Ahaba noho ny fanamelohako azy? Nanetry tena teo anatrehako izy, ka tsy hataoko tonga mandritra ny androm-piainany ilay loza. Amin\u2019ny andron\u2019ny zanany kosa vao hataoko tonga amin\u2019ny ankohonany izany.\u201d"
    },
    "22": {
        "1": "Tsy niady ny Syrianina sy ny Israely nandritra ny telo taona.",
        "2": "Tamin\u2019ny taona fahatelo, dia nidina tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "3": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMba fantatrareo moa fa antsika i Ramota-gileada? Isika anefa misalasala ny haka azy amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Syria.\u201d",
        "4": "Ary hoy izy tamin\u2019i Josafata: \u201cHiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?\u201d Dia namaly i Josafata hoe: \u201cHoatr\u2019anao ihany aho! Ny vahoakako dia vahoakanao ihany, ary ny soavaliko dia soavalinao ihany.\u201d",
        "5": "Hoy koa anefa i Josafata tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cMba anontanio ihany\u00a0aloha, azafady, izay lazain\u2019i Jehovah.\u201d",
        "6": "Novorin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely \u00e0ry ny mpaminany 400\u00a0lahy teo ho eo. Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cHandeha hanafika an\u2019i Ramota-gileada ve aho, sa tsy handeha?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cMandehana fa hataon\u2019i Jehovah resinao ilay tan\u00e0na, ry mpanjaka!\u201d",
        "7": "Ary hoy i Josafata: \u201cTsy misy mpaminanin\u2019i Jehovah moa eto? Aleo koa izy asaintsika manontany.\u201d",
        "8": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata: \u201cMbola misy lehilahy iray any azontsika asaina manontany an\u2019i Jehovah. I Mikaia zanak\u2019i Jimla! Halako anefa izy satria tsy mba maminany zavatra tsara momba ahy mihitsy fa zava-dratsy foana.\u201d Hoy anefa i Josafata: \u201cAza dia miteny hoatr\u2019izany, ry mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d",
        "9": "Niantso tandapa iray \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely, dia niteny taminy hoe: \u201cAsaivo mankat\u1ef3 haingana i Mikaia zanak\u2019i Jimla.\u201d",
        "10": "Samy nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany, teo amin\u2019ilay famoloana teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019i Samaria, ny mpanjakan\u2019ny Israely sy Josafata mpanjakan\u2019ny Joda. Samy nanao akanjom-boninahitra izy ireo. Ary naminany teo anatrehan\u2019izy roa lahy ny mpaminany rehetra.",
        "11": "Dia nanamboatra tandroka vy i Zedekia zanak\u2019i Kenana, ka niteny hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Amin\u2019ireto no hanotoanao ny Syrianina mandra-pandringanao azy tanteraka.\u2019\u201d",
        "12": "Naminany hoatr\u2019izany koa ny mpaminany hafa rehetra, ka nilaza hoe: \u201cMiakara any Ramota-gileada fa handresy ianao. Hataon\u2019i Jehovah resinao ilay tan\u00e0na, ry mpanjaka!\u201d",
        "13": "Niteny tamin\u2019i Mikaia \u00e0ry ilay olona nirahina hiantso azy hoe: \u201cSamy nilaza zavatra tsara tamin\u2019ny mpanjaka daholo ny mpaminany. Koa mba zavatra tsara hoatran\u2019ny nolazain-dry zareo koa resahina, azafady.\u201d",
        "14": "Fa hoy i Mikaia: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia izay lazain\u2019i Jehovah amiko ihany no holazaiko.\u201d",
        "15": "Dia nankao amin\u2019ny mpanjaka izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: \u201cHandeha hiady amin\u2019i Ramota-gileada ve izahay, ry Mikaia, sa tsy handeha?\u201d Tonga dia namaly i Mikaia hoe: \u201cMandehana fa handresy ianao. Hataon\u2019i Jehovah resinao ilay tan\u00e0na, ry mpanjaka!\u201d",
        "16": "Dia hoy ny mpanjaka: \u201cImpiry izay ianao no efa nasaiko nianiana hoe izay marina ihany lazaina rehefa miresaka amiko amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah?\u201d",
        "17": "Hoy \u00e0ry i Mikaia: \u201cIreny fa hitako miparitaka eny an-tendrombohitra ny Israelita rehetra, hoatran\u2019ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy i Jehovah: \u2018Tsy manan-tompo ireo, ka aleo ry zareo samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.\u2019\u201d",
        "18": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata: \u201cTsy efa niteny taminao moa aho hoe: \u2018Tsy haminany zavatra tsara momba ahy izy, fa zava-dratsy ihany\u2019?\u201d",
        "19": "Ary hoy i Mikaia: \u201cHenoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah: Nahita an\u2019i Jehovah nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany aho. Ary ny tafiky ny lanitra manontolo nitsangana teo akaikiny, teo ankavanany sy teo ankaviany.",
        "20": "Dia hoy i Jehovah: \u2018Iza no hamitaka an\u2019i Ahaba mba hiakarany any Ramota-gileada ka ho faty any izy?\u2019 Ary niteny zavatra iray ny anankiray, fa ny anankiray kosa niteny zavatra hafa.",
        "21": "Dia nanatona ny anjely iray ka nitsangana teo anatrehan\u2019i Jehovah, ary nilaza hoe: \u2018Izaho no hamitaka azy.\u2019 Nanontany azy i Jehovah hoe: \u2018Ahoana no hataonao?\u2019",
        "22": "Namaly izy hoe: \u2018Handeha aho ka hataoko maminany lainga daholo ny mpaminaniny rehetra.\u2019 Hoy \u00e0ry Andriamanitra: \u2018Hamitaka azy ianao, ary ho vitanao tokoa izany. Mandehana \u00e0ry, dia izany atao.\u2019",
        "23": "Koa nasian\u2019i Jehovah fanahy mamitaka tao am-bavan\u2019ireo mpaminaninao rehetra ireo. Nilaza anefa i Jehovah fa hisy loza hanjo anao.\u201d",
        "24": "Ary nanatona i Zedekia zanak\u2019i Kenana, ka namely tehamaina an\u2019i Mikaia sady niteny hoe: \u201cFa ahoana koa no nialan\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah tamiko, dia lasa ialahy indray no nitenenany?\u201d",
        "25": "Dia namaly i Mikaia hoe: \u201cHo hitanao ny hialany amin\u2019ny andro hiafenanao ao amin\u2019ny efitra anatiny indrindra.\u201d",
        "26": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely: \u201cEnto i Mikaia, dia atero any amin\u2019i Amona lehiben\u2019ny tan\u00e0na sy Joasy zanaky ny mpanjaka.",
        "27": "Teneno ry zareo hoe: \u2018Izao no nolazain\u2019ny mpanjaka: \u201cAmpidiro am-ponja ilehity, ka ahenao ny anjara mofo sy rano omena azy mandra-piveriko soa aman-tsara.\u201d\u2019\u201d",
        "28": "Hoy anefa i Mikaia: \u201cRaha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy i Jehovah no niteny tamiko.\u201d Hoy koa izy: \u201cTadidio izany, rey olona\u00a0a!\u201d",
        "29": "Niakatra nankany Ramota-gileada \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely sy Josafata mpanjakan\u2019ny Joda.",
        "30": "Ary hoy ny mpanjakan\u2019ny Israely tamin\u2019i Josafata: \u201cMody hanao olon-kafa aho ka hirotsaka ao amin\u2019ny ady, fa ianao kosa anaovy ny akanjom-boninahitrao.\u201d Mody nanao olon-kafa \u00e0ry ny mpanjakan\u2019ny Israely, ka nirotsaka tao amin\u2019ny ady.",
        "31": "Ny mpanjakan\u2019i Syria anefa efa nanome baiko azy 32 lahy, lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy, hoe: \u201cAza miady na amin\u2019iza na amin\u2019iza, na amin\u2019ny kely na amin\u2019ny lehibe, fa amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely ihany.\u201d",
        "32": "Vao hitan\u2019ireo lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy i Josafata, dia hoy izy ireo tany an-tsainy: \u201cIo mihitsy no mpanjakan\u2019ny Israely.\u201d Nivily \u00e0ry izy ireo mba hiady taminy. Dia niantso vonjy i Josafata.",
        "33": "Raha vao hitan\u2019ireo lehiben\u2019ny miaramila mpitondra kalesy fa tsy ny mpanjakan\u2019ny Israely ilay izy, dia tsy nanaraka azy intsony izy ireo.",
        "34": "Nisy lehilahy nandefalefa zana-tsip\u00ecka amin\u2019izao fotsiny anefa, ka voa teo amin\u2019ny elanelan\u2019ilay akanjo mifono\u00a0vy ny mpanjakan\u2019ny Israely. Hoy \u00e0ry ny mpanjaka tamin\u2019ny mpitondra kalesiny: \u201cAndao hiverina, dia ento miala eto amin\u2019ity toeram-piadiana ity aho fa maratra be.\u201d",
        "35": "Tena nafotaka ny ady tamin\u2019iny andro iny. Ary voatery notohanana tao amin\u2019ny kalesiny ny mpanjaka, mba ho afaka hitsangana hiatrika ny Syrianina. Nandriaka tao anatin\u2019ilay kalesy fitondra miady ny ra tamin\u2019ny ratrany. Dia maty izy rehefa harivariva ny andro.",
        "36": "Rehefa hilentika ny masoandro, dia nalefa eran\u2019ny toby izao antsoantso mafy izao: \u201cSamia mody any an-tan\u00e0nany avy! Samia mody any amin\u2019ny taniny!\u201d",
        "37": "Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria ary nalevina tany.",
        "38": "Rehefa nosasana teo akaikin\u2019ny dobon\u2019i Samaria ilay kalesy fitondra miady, dia nolelafin\u2019ny alika ny rany, ary nisy mpivaro-tena nandro teo. Nitranga izany, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
        "39": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Ahaba, izany hoe izay rehetra nataony sy ny trano ivoara natsangany ary ny tan\u00e0na rehetra naoriny?",
        "40": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Ahaba, ary i Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "41": "Lasa mpanjakan\u2019ny Joda i Josafata zanak\u2019i Asa tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Ahaba mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "42": "Ary 35\u00a0taona i Josafata tamin\u2019izy lasa mpanjaka. Nanjaka 25\u00a0taona tany Jerosalema izy. Azoba no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Sily izy io.",
        "43": "Nanao hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Asa rainy foana izy. Tsy niala tamin\u2019izany izy, ary nanao izay tsara teo imason\u2019i Jehovah. Tsy nesorina anefa ny toerana avo, ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka.",
        "44": "Tsara fihavanana tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Israely foana i Josafata.",
        "45": "Ary tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda ve ny sisa amin\u2019ny tantaran\u2019i Josafata, izany hoe ny heriny sy ny ady nataony?",
        "46": "Nesoriny tsy ho eo amin\u2019ilay tany koa ny sisa tamin\u2019ireo lehilahy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly, izay mbola tavela tamin\u2019ny andron\u2019i Asa rainy.",
        "47": "Tsy nisy mpanjaka tany Edoma tamin\u2019izany, fa lehibem-paritra no nanao ny asan\u2019ny mpanjaka.",
        "48": "Nanao sambon\u2019i Tarsisy koa i Josafata, mba handehanana haka volamena tany Ofira. Tsy lasa tany anefa ireo sambo ireo, satria simba tao Eziona-gebera.",
        "49": "Tamin\u2019izay i Ahazia zanak\u2019i Ahaba no niteny tamin\u2019i Josafata hoe: \u201cAvelao ny mpanompoko mba hiara-mandeha sambo amin\u2019ireo mpanomponao.\u201d Tsy nety anefa i Josafata.",
        "50": "Dia nodimandry any amin\u2019ny razambeny i Josafata, ka nalevina tao amin\u2019izay nandevenana azy ireo tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida razambeny. Ary i Jorama zanany no nanjaka nandimby azy.",
        "51": "Lasa mpanjakan\u2019ny Israely tao Samaria i Ahazia zanak\u2019i Ahaba, tamin\u2019ny taona faha-17 nanjakan\u2019i Josafata mpanjakan\u2019ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin\u2019ny Israely izy.",
        "52": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana izy, sady nanao hoatran\u2019ny rainy sy ny reniny, ary nanao hoatran\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Nebata, izay nahatonga ny Israely hanota.",
        "53": "Mbola nanompo an\u2019i Bala ihany izy sady niankohoka teo anatrehany. Nampahatezitra foana an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely koa izy, toy ny nataon-drainy."
    },
    "meta": {
        "name": "1 Mpanjaka",
        "order": 10,
        "chapter_number": 22
    }
}
