{
    "1": {
        "1": "Avy amin\u2019i Paoly, apostolin\u2019i Kristy Jesosy noho ny sitrapon\u2019Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika. Ho an\u2019ny fiangonan\u2019Andriamanitra any Korinto, anisan\u2019izany ny olona masina rehetra eran\u2019i Akaia,",
        "2": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!",
        "3": "Hoderaina anie Andriamanitra Rain\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain\u2019ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra!",
        "4": "Mampionona antsika amin\u2019ny fahoriana rehetra mahazo antsika izy. Ary noho isika ampiononin\u2019Andriamanitra, dia lasa haintsika koa ny mampionona an\u2019izay miatrika fahoriana isan-karazany.",
        "5": "Fa hoatran\u2019ny iaretantsika fijaliana be noho ny amin\u2019i Kristy, no ahazoantsika fampiononana be koa amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy.",
        "6": "Koa raha miatrika fahoriana izahay, dia ho fampiononana sy ho famonjena anareo izany. Ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka izany fampiononana izany no hanampy anareo hiaritra fijaliana mitovy amin\u2019izay mahazo anay koa.",
        "7": "Matoky tanteraka anareo izahay, satria fantatray fa hoatran\u2019ny ijalianay no ijalianareo koa, ary hoatran\u2019ny hampiononana anay no hampiononana anareo koa.",
        "8": "Tianay ho fantatrareo mantsy, ry\u00a0rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay tany amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia. Nizaka ny tsy eran\u2019ny aina izahay, ka tsy nanampo ny ho velona intsony.",
        "9": "Hoatran\u2019ny hoe voaheloka ho faty mihitsy izahay. Nitranga izany mba tsy hahatonga anay hatoky ny tenanay, fa hatoky an\u2019Andriamanitra izay manangana ny maty.",
        "10": "Nanafaka anay tamin\u2019ilay loza saika nahafaty anay mantsy izy, ary mbola hanafaka anay koa. Ary manantena izahay fa mbola hanafaka anay foana izy.",
        "11": "Afaka manampy anay koa ianareo rehefa mitalaho amim-bavaka ho anay. Amin\u2019izay dia betsaka no ho afaka hisaotra an\u2019Andriamanitra noho ny aminay, noho izahay nahazo fanampiana ho valin\u2019ny vavaka nataon\u2019ny maro.",
        "12": "Fa izao no reharehanay: Madio ny feon\u2019ny fieritreretanay milaza hoe masina sady feno fahatsorana avy amin\u2019Andriamanitra ny fitondran-tenanay teo amin\u2019izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo. Tsy niantehitra tamin\u2019ny fahendren\u2019izao tontolo izao izahay, fa tamin\u2019ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra.",
        "13": "Izay azonareo vakina sy takatrareo ihany mantsy no soratanay aminareo. Ary manantena aho fa ho takatrareo tsara foana izany,",
        "14": "hoatran\u2019ny nahatakaran\u2019ny sasany taminareo fa reharehanareo izahay. Ary ho reharehanay koa ianareo amin\u2019ny andron\u2019i Jesosy Tompontsika.",
        "15": "Matoky an\u2019izany aho ka nikasa ho any aminareo aloha, mba hifalianareo indray.",
        "16": "Fa saika hitsidika anareo aho tamin\u2019izaho ho at\u1ef3 Makedonia sy rehefa hiverina avy at\u1ef3 Makedonia, dia mba haterinareo lavidavitra aho rehefa ho any Jodia.",
        "17": "Angaha izaho nivazivazy fotsiny tamin\u2019izaho niteny hoe ho any aminareo? Sa ve manao izay tiako fotsiny aho rehefa misy zavatra eritreretiko hatao, dia miteny aho hoe: \u201cEny\u00a0e, eny\u00a0e\u201d, nefa avy eo hoe \u201cTsia\u201d indray?",
        "18": "Azo itokisana anefa Andriamanitra ary hoatr\u2019izany koa ny teninay taminareo, fa tsy hoe \u201ceny\u201d dia avy eo hoe \u201ctsia.\u201d",
        "19": "Tsy hoe \u201ceny\u201d mantsy dia avy eo \u201ctsia\u201d i Jesosy Kristy Zanak\u2019Andriamanitra, ilay notorinay sy Silvano ary Timoty taminareo. Amin\u2019i Kristy kosa, rehefa \u201ceny\u201d dia \u201ceny.\u201d",
        "20": "Fa na firy na firy ny fampanantenan\u2019 Andriamanitra, dia lasa \u201ceny\u201d ireny amin\u2019ny alalan\u2019ny Zanany. Noho izany, dia amin\u2019ny alalany koa no anaovanay \u201cAmena\u201d amin\u2019Andriamanitra, mba hanomezanay voninahitra Azy.",
        "21": "Andriamanitra anefa no manome antoka fa samy an\u2019i Kristy na izahay na ianareo, ary Izy no nanosotra antsika.",
        "22": "Nanisy tombo-kase antsika koa izy sady nanome antsika an\u2019ilay antoka ny amin\u2019izay ho avy, dia ny fanahy ao am-pontsika.",
        "23": "Ary miantso an\u2019Andriamanitra ho vavolombelona aho, fa te hitsimbina anareo aho matoa mbola tsy tonga any Korinto.",
        "24": "Tsy tompon\u2019ny finoanareo izahay fa mpiara-miasa kosa mba ho faly ianareo, satria ny finoanareo ihany no ijoroanareo."
    },
    "2": {
        "1": "Fa efa tapa-kevitra aho ny tsy hampalahelo anareo rehefa mitsidika anareo indray.",
        "2": "Fa raha manao izay hampalahelo anareo aho, dia iza indray no hampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?",
        "3": "Nanoratra an\u2019izany aho mba tsy hampalahelo ahy ireo olona tokony hampifaly ahy, rehefa tonga aho. Matoky mantsy aho fa izay mahafaly ahy dia mahafaly anareo rehetra koa.",
        "4": "Fa nijaly sy nitebiteby be aho tao am-poko tao rehefa nanoratra taminareo tamin-dranomaso be. Tsy hoe mba hampalahelo anareo anefa, fa mba hahafantaranareo hoe tena tia anareo aho.",
        "5": "Raha nisy nanao izay hampalahelo ny hafa, dia tsy izaho no nampalaheloviny, fa saika ianareo rehetra mihitsy. Tsy te hampiasa teny henjana loatra anefa aho matoa milaza an\u2019izany.",
        "6": "Ampy ho an\u2019ilay olona izany fananarana mafy nataon\u2019ny ankamaroanareo izany.",
        "7": "Tokony ho vonona hamela ny helony kosa ianareo izao sady ho tsara fanahy rehefa manao an\u2019izany, ka hampionona azy sao ho difotry ny alahelo be loatra izy.",
        "8": "Mampirisika anareo \u00e0ry aho mba hanome toky azy hoe tianareo izy.",
        "9": "Nanoratra ho anareo koa aho mba hahitako raha mankat\u00f2 amin\u2019ny zava-drehetra ianareo na tsia.",
        "10": "Izay heloka avelanareo, dia mba avelako koa. Raha ny marina, izay heloka navelako\u2014raha nisy navelako\u2014dia navelako teo imason\u2019i Kristy noho ny aminareo,",
        "11": "mba tsy ho voafitak\u2019i Satana ianareo, fa fantatsika ny teti-dratsiny.",
        "12": "Rehefa tonga tany Troasy hitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy aho, ka nisy varavarana nosokafana ho ahy nahafahako nanao ny asan\u2019ny Tompo,",
        "13": "dia tsy nilamina ny saiko satria tsy hitako tany i Titosy rahalahiko. Koa nataoko veloma ry\u00a0zareo, dia niainga ho at\u1ef3 Makedonia aho.",
        "14": "Fa isaorana Andriamanitra, izay mitarika antsika foana eo amin\u2019ny filaharan\u2019ny mpandresy, miaraka amin\u2019i Kristy! Isaorana koa Izy satria ataony mamerovero eny rehetra eny amin\u2019ny alalantsika ny hanitry ny fahalalana azy!",
        "15": "Amin\u2019Andriamanitra mantsy, dia toy ny hanitra mamerovero isika eo amin\u2019ireo hovonjena sy ireo ho ringana, rehefa mitory momba an\u2019i Kristy:",
        "16": "Amin\u2019ireo ho ringana, dia fofona fahafatesana mitarika ho amin\u2019ny fahafatesana, ary amin\u2019ireo hovonjena, dia hanitry ny fiainana mitarika ho amin\u2019ny fiainana. Ary iza no mahafeno fepetra hanao an\u2019izany?",
        "17": "Izahay, satria izahay tsy mivarotra ny tenin\u2019Andriamanitra hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olona maro. Miteny amim-pahatsorana kosa izahay eo anatrehan\u2019Andriamanitra sy miaraka amin\u2019i Kristy, toy ny olona nirahin\u2019Andriamanitra."
    },
    "3": {
        "1": "Mila mampahafantatra ny tenanay aminareo indray ve izahay? Sa ve izahay, hoatran\u2019ny sasany, ka hoe mila manome anareo taratasy fampahafantarana ny momba anay, na mila an\u2019izany avy aminareo?",
        "2": "Ianareo no taratasinay, voasoratra ato am-ponay ary fantatra sy vakin\u2019ny olona rehetra.",
        "3": "Miharihary mantsy fa ianareo no taratasin\u2019i Kristy nosoratanay mpanompon\u2019Andriamanitra. Tsy nosoratana tamin\u2019ny ranomainty anefa, fa tamin\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra velona, ary tsy teo amin\u2019ny takela-bato, fa teo amin\u2019ny takelaka nofo, dia ny fo.",
        "4": "Matoky an\u2019izany izahay eo anatrehan\u2019Andriamanitra, noho ny amin\u2019i Kristy.",
        "5": "Izahay akory tsy mihambo hoe noho ny ezaka ataonay no mahatonga anay hahay an\u2019ilay asa, fa Andriamanitra kosa no mahatonga anay hahay an\u2019ilay izy.",
        "6": "Izy no tena mahatonga anay hahay an\u2019ilay asa ka ho lasa mpanompon\u2019ny fifanekena vaovao, izany hoe tsy mpanompon\u2019ny lal\u00e0na voasoratra, fa mpanompon\u2019ny fanahy. Manameloka ho faty mantsy ilay lal\u00e0na voasoratra, fa mahavelona kosa ny fanahy.",
        "7": "Nomena tamim-boninahitra lehibe ilay lal\u00e0na mitondra fahafatesana sy nosoratana teo amin\u2019ny vato, ka tsy vitan\u2019ny zanak\u2019Israely ny nibanjina ny tarehin\u2019i Mosesy noho ilay voninahitra nampamirapiratra ny tarehiny, dia ilay voninahitra tsy maintsy hofoanana.",
        "8": "Koa raha izany, tsy vao mainka ve tokony homena amim-boninahitra lehibe kokoa ny fanahy?",
        "9": "Raha be\u00a0voninahitra ilay lal\u00e0na nitondra fanamelohana, dia vao mainka tokony ho be\u00a0voninahitra kokoa ilay fanompoana manampy ny olona ho lasa olo-marina!",
        "10": "Na ilay natao be\u00a0voninahitra taloha aza lasa tsy manana voninahitra intsony, noho ilay voninahitra tsara kokoa.",
        "11": "Fa raha ilay tsy maintsy hofoanana aza nomena tamim-boninahitra, dia vao mainka tokony ho be\u00a0voninahitra kokoa ilay maharitra!",
        "12": "Koa satria manana an\u2019izany fanantenana izany isika, dia tena sahy miteny,",
        "13": "ary tsy manao hoatran\u2019ny nataon\u2019i Mosesy tamin\u2019izy nanarona lamba ny tarehiny, mba tsy hahafahan\u2019ny zanak\u2019Israely hibanjina an\u2019izay hiafaran\u2019ilay tsy maintsy hofoanana.",
        "14": "Donto anefa ny sain\u2019izy ireo. Mbola tsy nesorina foana mantsy hatramin\u2019izao ilay lamba manarona rehefa vakina ilay fifanekena taloha, satria amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy ihany no anesorana azy io.",
        "15": "Raha ny marina, dia misy lamba manarona ny fon\u2019izy ireo hatramin\u2019izao, isaky ny vakina izay nosoratan\u2019i Mosesy.",
        "16": "Rehefa misy olona miverina amin\u2019i Jehovah anefa, dia esorina ilay lamba manarona.",
        "17": "I Jehovah no ilay Fanahy, ary any amin\u2019izay misy ny fanahin\u2019i Jehovah dia misy fahafahana.",
        "18": "Ary nesorintsika ny lamba manarona ny tarehintsika, ka toy ny fitaratra manome taratry ny voninahitr\u2019i Jehovah isika. Ovana hitovy endrika aminy \u00e0ry isika rehetra, ka manome taratra tsikelikely ny voninahiny, mifanaraka tanteraka amin\u2019ilay fanovana ataon\u2019i Jehovah, izay Fanahy."
    },
    "4": {
        "1": "Koa tsy kivy izahay satria manana an\u2019izany fanompoana izany, noho izahay nanehoana famindram-po.",
        "2": "Fa nolavinay ny zavatra mahamenatra sy afenimpenina, ka tsy mamitaka izahay na manatsatso ny tenin\u2019Andriamanitra. Mampiseho miharihary ny fahamarinana kosa izahay, ka ohatra tsara ho an\u2019ny olona rehetra, eo imason\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Raha tsy mazava ny vaovao tsara torinay, toy ny hoe misy lamba manarona, dia amin\u2019izay ho ringana izany no tsy mazava.",
        "4": "Nohajambain\u2019ny andriamanitr\u2019izao tontolo izao ny sain\u2019ireny tsy mpino ireny, mba tsy hamirapiratra amin\u2019izy ireny ny fahazavan\u2019ny vaovao tsara be\u00a0voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an\u2019i Kristy, izay endrik\u2019Andriamanitra.",
        "5": "Tsy mitory momba anay mantsy izahay, fa mitory momba an\u2019i Jesosy Kristy hoe izy no Tompo. Lazainay koa hoe mpanomponareo izahay, noho ny amin\u2019i Jesosy.",
        "6": "Fa Andriamanitra no niteny hoe: \u201cAoka ny hazavana hamirapiratra avy ao amin\u2019ny haizina.\u201d Ary nataony mamirapiratra ao am-ponay amin\u2019ny alalan\u2019ny tarehin\u2019i Kristy ny hazavany, ka lasa mahalala an\u2019Andriamanitra izahay, ary be\u00a0voninahitra izany fahalalana izany.",
        "7": "Manana an\u2019izany harena izany ao anaty vilany tany anefa izahay, mba ho hita hoe nahazo hery mihoatra noho ny an\u2019ny olombelona izahay, dia hery avy amin\u2019Andriamanitra, fa tsy avy aminay.",
        "8": "Voageja amin\u2019ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.",
        "9": "Enjehina izahay, nefa tsy afoy. Azera izahay, nefa tsy maty.",
        "10": "Miaritra ny mafy foana izahay ka atahorana hatramin\u2019ny ainay, hoatran\u2019ny nanjo an\u2019i Jesosy. Amin\u2019izay dia ho hita hoe hoatran\u2019izay niainan\u2019i Jesosy koa ny zavatra iainanay.",
        "11": "Fa velona izahay nefa tandindomin-doza foana ny ainay noho izahay manara-dia an\u2019i Jesosy. Amin\u2019izay dia ho hita hoe hoatran\u2019izay niainan\u2019i Jesosy koa ny zavatra iainanay.",
        "12": "Miasa ao aminay \u00e0ry ny fahafatesana, fa miasa ao aminareo kosa ny fiainana.",
        "13": "Koa satria izahay manana an\u2019ilay finoana mitovy amin\u2019ilay voasoratra hoe: \u201cNino aho, ka niteny\u201d, dia mino koa izahay ka miteny.",
        "14": "Fantatray mantsy fa Ilay nanangana an\u2019i Jesosy dia hanangana anay koa mba hiaraka amin\u2019i Jesosy, ary hampiseho anay eo anatrehany miaraka aminareo.",
        "15": "Fa noho ianareo no anaovana an\u2019izany zavatra rehetra izany. Amin\u2019izay dia vao mainka hitombo ny hatsaram-panahy miavaka izay efa be dia be, satria mihabetsaka ny olona manolotra fisaorana mba hanomezana voninahitra an\u2019Andriamanitra.",
        "16": "Tsy kivy \u00e0ry isika, fa na mihaosa aza isika et\u1ef3 ivelany, dia azo antoka fa havaozina isan\u2019andro kosa ny ao anatintsika ao.",
        "17": "Fa na vetivety sy maivana aza ny fahoriana iaretantsika, dia mitondra voninahitra ho antsika izany, dia voninahitra lehibe lavitra sy mandrakizay.",
        "18": "Koa mampifantoka ny masontsika amin\u2019ny zavatra tsy hita isika, fa tsy amin\u2019ny hita. Mihelina mantsy ny zavatra hita, fa ny tsy hita kosa maharitra mandrakizay."
    },
    "5": {
        "1": "Fa fantatsika fa raha horavana ny tranontsika eto an-tany, izany hoe ity vatana toy ny tranolay ity, dia homen\u2019Andriamanitra trano tsy nataon-tanana sady maharitra mandrakizay any an-danitra isika.",
        "2": "Mitaraindraina tokoa mantsy isika ato amin\u2019ity trano ity, ary maniry mafy hahazo an\u2019ilay trano avy any an-danitra, izay hanaovantsika hoatran\u2019ny akanjo,",
        "3": "mba tsy ho hita hoe mitanjaka isika rehefa tena manao an\u2019ilay izy.",
        "4": "Mitaraindraina tokoa isika ato amin\u2019ity tranolay ity sady vesaran\u2019ny tebiteby. Tsy hoe te hanala azy ity anefa isika, fa te hitafy an\u2019ilay iray kosa. Amin\u2019izay dia hatelin\u2019ny fiainana ilay mety maty.",
        "5": "Ary ilay nanomana antsika ho amin\u2019izany dia Andriamanitra, izay nanome antsika ny fanahiny ho antoka ny amin\u2019izay ho avy.",
        "6": "Be herim-po foana \u00e0ry isika ary fantatsika fa raha mbola monina ato amin\u2019ity vatana ity isika, dia mbola tsy any amin\u2019ny Tompo.",
        "7": "Fa finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan\u2019ny maso.",
        "8": "Be herim-po anefa isika, ary aleontsika tsy ao amin\u2019ity vatana ity fa hiara-mipetraka amin\u2019ny Tompo.",
        "9": "Ataontsika tanjona \u00e0ry ny hahazo sitraka aminy, na miara-mipetraka aminy isika na tsy any aminy.",
        "10": "Tsy maintsy hiseho eo anatrehan\u2019ny toeram-pitsaran\u2019i Kristy mantsy isika rehetra, mba hovaliana arakaraka izay nataony ny tsirairay, na tsara na ratsy ny nataony tamin\u2019izy mbola tao amin\u2019ilay vatana.",
        "11": "Koa satria fantatray hoe tokony hatahotra ny Tompo izahay, dia resenay lahatra foana ny olona mba hino an\u2019izay ampianarinay. Mahafantatra tsara anay anefa Andriamanitra, ary antenaiko fa nanampy anareo hahafantatra tsara anay koa ny feon\u2019ny fieritreretanareo.",
        "12": "Tsy hoe midera tena aminareo indray izahay, fa mampirisika anareo kosa hirehareha ny aminay. Amin\u2019izay ianareo dia ho afaka hamaly an\u2019ireo mirehareha ny amin\u2019izay miseho et\u1ef3 ivelany fa tsy ny amin\u2019izay ao am-po.",
        "13": "Raha adala mantsy izahay dia ho an\u2019Andriamanitra, ary raha misaina tsara izahay dia ho anareo.",
        "14": "Fa ny fitiavan\u2019i Kristy no manery anay, satria lasa fantatray hoe olona iray no maty ho an\u2019ny rehetra. Efa maty mantsy izy rehetra, raha ny marina.",
        "15": "Ary maty ho an\u2019ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an\u2019ny tenany intsony izay velona, fa ho an\u2019ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.",
        "16": "Koa tsy mijery olona araka ny fomba fijerin\u2019olombelona intsony izahay manomboka izao. Na dia nijery an\u2019i Kristy araka ny fomba fijerin\u2019olombelona aza izahay taloha, dia tsy hoatr\u2019izany intsony ny fahitanay azy amin\u2019izao.",
        "17": "Raha misy olona tafaray amin\u2019i Kristy \u00e0ry, dia zavaboary vaovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, ary ireo misy zava-baovao.",
        "18": "Ny zava-drehetra anefa dia avy amin\u2019Andriamanitra, izay nampihavana anay taminy tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy. Ary nomeny fanompoana fampihavanana izahay,",
        "19": "dia ny hanambara fa nampiasain\u2019Andriamanitra i Kristy mba hahatonga an\u2019izao tontolo izao hihavana aminy, ka nodiany tsy hita ny fahadisoan\u2019izy ireo. Ary nankininy taminay ny fitoriana ny hafatra momba ny fampihavanana.",
        "20": "Ambasadaoro solon\u2019i Kristy \u00e0ry izahay, ka toy ny hoe miangavy amin\u2019ny alalanay Andriamanitra. Solon\u2019i Kristy izahay ka miangavy hoe: \u201cMba mihav\u00e0na amin\u2019Andriamanitra re ianareo\u00a0e!\u201d",
        "21": "Ilay tsy mba nanota no nataony fanatitra noho ny ota hamonjena anay, mba ho lasa olo-marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra izahay, amin\u2019ny alalany."
    },
    "6": {
        "1": "Miara-miasa aminy izahay, ka mampirisika anareo koa mba tsy hoe hanaiky ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra nefa hanadino ny zava-kendren\u2019izany.",
        "2": "Fa hoy izy: \u201cTamin\u2019ny fotoana fanehoana fankasitrahana aho no nihaino anao, ary tamin\u2019ny andro famonjena aho no nanampy anao.\u201d Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!",
        "3": "Tsy manao izay hahatafintohina olona mihitsy izahay, mba tsy hisy hanakiana ny fanompoanay.",
        "4": "Amin\u2019ny zava-drehetra anefa dia asehonay hoe mpanompon\u2019Andriamanitra izahay, satria niaritra fitsapana be dia be, niaritra fahoriana sy tsy fisiana ary zava-tsarotra,",
        "5": "imbetsaka nokapohina sy natao am-ponja ary norotahan\u2019ny olona, niasa mafy, tsy natory imbetsaka, ary nisy fotoana tsy nihinan-kanina.",
        "6": "Madio koa izahay, mampihatra an\u2019izay fahalalana azonay, manam-paharetana, tsara fanahy, manaiky hotarihin\u2019ny fanahy masina, maneho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy,",
        "7": "milaza ny marina, miantehitra amin\u2019ny herin\u2019Andriamanitra, mitazona an\u2019ireo fitaovam-piadian\u2019ny fahamarinana amin\u2019ny tanana havia sy havanana,",
        "8": "omem-boninahitra sy alam-baraka, ary haratsina sy deraina. Heverina ho toy ny mpamitaka izahay nefa milaza ny marina,",
        "9": "toy ny tsy fantatra nefa fantatra tsara, toy ny hoe ho faty nefa hay velona ihany, toy ny voasazy nefa tsy vonoina ho faty,",
        "10": "toy ny malahelo nefa faly foana, toy ny mahantra nefa mampanan-karena olona maro, ary toy ny tsy manana na inona na inona nefa manana ny zava-drehetra.",
        "11": "Miresaka amim-pahatsorana aminareo izahay, ry\u00a0Korintianina, ary sokafanay midanadana ny fonay.",
        "12": "Tsy asianay fetra ny fitiavanay anareo, fa ianareo kosa manisy fetra ny fitiavanareo anay.",
        "13": "Ho valin\u2019izany \u00e0ry, dia mba sokafy midanadana koa ny fonareo. Toy ny hoe miresaka amin\u2019ny zanako aho miresaka aminareo.",
        "14": "Aza manaiky hiray zioga amin\u2019ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan\u2019ny fahamarinana sy ny fandikan-dal\u00e0na? Ary inona no iombonan\u2019ny mazava sy ny maizina?",
        "15": "Inona no ifanarahan\u2019i Kristy sy Beliala? Inona no zavatra iombonan\u2019ny mino amin\u2019ny tsy mpino?",
        "16": "Ary inona no ifandraisan\u2019ny tempolin\u2019Andriamanitra sy ny sampy? Tempolin\u2019ilay Andriamanitra velona mantsy isika, araka ny voalazan\u2019Andriamanitra hoe: \u201cHonina eo amin\u2019izy ireo aho sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.\u201d",
        "17": "\u201c\u2018Koa mivoaha avy ao aminy ianareo, ary misaraha aminy\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ary aza mikasika intsony an\u2019izay maloto\u2019\u201d, \u201c\u2018dia handray anareo aho.\u2019\u201d",
        "18": "\u201c\u2018Ary izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy\u2019, hoy i Jehovah, ilay Mahery Indrindra.\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Koa satria nahazo an\u2019izany fampanantenana izany isika, ry\u00a0malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin\u2019izay rehetra mandoto ny vatana sy ny saina, ka hiezaka mafy ho masina tanteraka sady hatahotra an\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Asio toerana ho anay ao am-ponareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nahatonga olona ho ratsy toetra, na nanararaotra olona.",
        "3": "Tsy ny hanamelohana anareo no ilazako an\u2019izany. Efa nilaza aho mantsy teo aloha hoe ato am-ponay foana ianareo, na maty izahay na velona.",
        "4": "Tena miresaka aminareo amim-pahatsorana aho. Ary tena reharehako ianareo. Nahazo fampiononana lehibe aho, ary faly\u00a0be na dia eo aza ny fahoriana rehetra manjo anay.",
        "5": "Tsy mba nilamindamina mihitsy izahay, raha ny marina, rehefa tonga teto Makedonia, fa mbola nampahorina tamin\u2019ny lafiny rehetra foana: Nisy ady teny ivelany ary tahotra tao anatiny.",
        "6": "Nampionona anay anefa Andriamanitra, izay mampionona an\u2019ireo kivy, rehefa nitsidika anay i Titosy.",
        "7": "Nahazo fampiononana izahay, tsy hoe tamin\u2019izy teo ihany, fa rehefa nahazo fampiononana koa izy noho ianareo. Notantarainy taminay hoe te hahita mafy ahy ianareo, sady malahelo be, ary tena mitady izay hahasoa ahy, ka vao mainka faly aho.",
        "8": "Fa tsy manenina aho na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako. Na dia nanenina aza aho tamin\u2019ny voalohany,\u2014rehefa hitako fa nampalahelo anareo ilay taratasy, na dia vetivety ihany aza\u2014",
        "9": "dia faly aho izao, satria tsy hoe nahatonga anareo halahelo fotsiny ilay izy, fa izany alahelo izany koa no nahatonga anareo hibebaka. Fa lasa nalahelo araka ny sitrapon\u2019Andriamanitra ianareo, ka tsy nisy vokany ratsy taminareo ny zavatra nolazainay.",
        "10": "Ny alahelo araka ny sitrapon\u2019Andriamanitra mantsy mahatonga ny olona hibebaka sy ho voavonjy, ary tsy anenenana izany. Ny alahelon\u2019izao tontolo izao kosa mahatonga fahafatesana.",
        "11": "Tena niezaka be ianareo rehefa lasa nalahelo araka ny sitrapon\u2019Andriamanitra, ka nasehonareo hoe afa-tsiny ianareo, sady tezitra noho ilay tsy nety natao, natahotra, te hiova mafy, nafana\u00a0fo, ary nanitsy an\u2019ilay zavatra tsy nety. Nasehonareo tamin\u2019ny lafiny rehetra fa madio tamin\u2019iny raharaha iny ianareo.",
        "12": "Na dia nanoratra ho anareo aza aho, dia tsy ho an\u2019ilay nanao ratsy na ho an\u2019ilay nasian-dratsy no nanoratako, fa mba hiharihary kosa eo aminareo sy eo imason\u2019Andriamanitra hoe mazoto mihaino anay ianareo.",
        "13": "Izany no nampionona anay. Ankoatra ny fampiononana azonay anefa, dia vao mainka faly\u00a0be izahay satria faly i Titosy. Namelombelona azy mantsy ianareo rehetra.",
        "14": "Fa tsy nisy nahamenatra ahy raha nirehareha momba anareo taminy aho. Marina ny zava-drehetra nolazainay taminareo, ary marina hoatr\u2019izany koa ny zavatra nireharehanay tamin\u2019i Titosy.",
        "15": "Vao mainka koa izy miraiki-po aminareo rehefa mahatsiaro hoe mankat\u00f2 daholo ianareo, ary nandray tsara sy tena nanaja azy.",
        "16": "Ary faly aho fa afaka matoky anareo amin\u2019ny lafiny rehetra."
    },
    "8": {
        "1": "Ary tianay hampahafantarina anareo, ry\u00a0rahalahy, ny momba ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra tamin\u2019ireo fiangonana at\u1ef3 Makedonia.",
        "2": "Niaritra fitsapana faran\u2019izay mafy tao anatin\u2019ny fahoriana izy ireo. Vao mainka nalala-tanana be anefa izy ireo satria falifaly foana na dia nahantra be aza.",
        "3": "Fa araka izay zakany no nataony, ary mihoatra noho izay zakany mihitsy aza. Vavolombelona aho fa tena marina izany.",
        "4": "Izy ireo mihitsy no niangavy mafy anay foana mba havela hanao fanomezana amim-pitiavana, ka handray anjara amin\u2019ny fanompoana ho fanampiana an\u2019ireo olona masina.",
        "5": "Ary tsy izay nantenainay fotsiny no nataony, fa izy ireo mihitsy aloha no nahafoy tena ho an\u2019ny Tompo sy ho anay, noho ny sitrapon\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Koa nampirisika an\u2019i Titosy izahay mba hamita ny fanangonana an\u2019izany fanomezana nomenareo tamim-pitiavana izany, satria izy no efa nanomboka an\u2019izany teo aminareo.",
        "7": "Toy ny anananareo be dia be amin\u2019ny zava-drehetra anefa, na amin\u2019ny finoana izany, na amin\u2019ny teny, na amin\u2019ny fahalalana, na amin\u2019ny zotom-po rehetra asehonareo, na amin\u2019ny fitiavanay anareo, dia enga anie ianareo hahavita be koa amin\u2019izany fanomezana omenareo amim-pitiavana izany!",
        "8": "Tsy ny hibaikobaiko anareo anefa no itenenako an\u2019izany, fa ny mba hahitanareo ny fahazotoan\u2019ny hafa sy mba hahitana raha tena avy amin\u2019ny fo ny fitiavanareo.",
        "9": "Fantatrareo mantsy ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza izy, dia lasa nahantra ho tombontsoanareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.",
        "10": "Ary izao ny hevitro momba an\u2019izany: Mahasoa anareo izany, satria efa herintaona lasa izay ianareo no nanomboka nanangona an\u2019ilay fanomezana, sady tena naniry mafy hanao an\u2019izany.",
        "11": "Vitao \u00e0ry izay natombokareo, mba ho hoatran\u2019ny fahavononanareo hanao an\u2019ilay izy koa no hamitanareo azy tsara, araka izay anananareo.",
        "12": "Fa raha vonona hanome ny olona iray, dia tena ankasitrahana izany raha araka izay ananany, fa tsy araka izay tsy ananany.",
        "13": "Tsy tiako mantsy raha hoe lasa maivamaivana ny hafa, nefa ianareo lasa mitondra enta-mavesatra.",
        "14": "Tiako kosa raha mba misy fitoviana eo aminareo ka hameno izay tsy ampy eo amin\u2019izy ireo ny ambim-bavanareo. Amin\u2019izay dia mba hameno ny tsy ampy eo aminareo koa ny ambim-bavan\u2019izy ireo ka hisy fitoviana,",
        "15": "araka ny voasoratra hoe: \u201cIzay nanana be dia tsy nanana be loatra, ary izay nanana kely dia tsy nanana kely loatra.\u201d",
        "16": "Isaorana \u00e0ry Andriamanitra fa fa nataony izay hahatonga an\u2019i Titosy hazoto hikarakara anareo hoatran\u2019ny ataonay ihany,",
        "17": "satria nanaiky hanao an\u2019izay nangatahinay izy. Efa mazoto be hanampy rahateo anefa izy, ka an-tsitrapo no andehanany any aminareo.",
        "18": "Fa irahinay miaraka aminy koa ilay rahalahy izay deraina eran\u2019ny fiangonana rehetra noho ny zavatra ataony ho an\u2019ny vaovao tsara.",
        "19": "Ary tsy izany ihany, fa efa notendren\u2019ireo fiangonana koa io rahalahy io mba hiaraka aminay hizara an\u2019ilay fanomezana nomenareo tamim-pitiavana, ho voninahitry ny Tompo sy ho porofo hoe vonona hanampy izahay.",
        "20": "Amin\u2019izay dia tsy hisy olona hanome tsiny anay ny amin\u2019ny fomba hizaranay an\u2019io fanomezana be dia be io.",
        "21": "Fa \u2018manao ny marina amin\u2019ny zava-drehetra izahay, tsy eo imason\u2019i Jehovah ihany, fa eo imason\u2019ny olona koa.\u2019",
        "22": "Irahinay miaraka amin\u2019izy ireo koa ilay rahalahinay izay efa nozahanay toetra matetika ka hita fa mazoto amin\u2019ny zavatra maro, ary vao mainka mazoto izy izao satria matoky be anareo.",
        "23": "Raha misy mampisalasala anefa momba an\u2019i Titosy, dia fantaro fa namako izy sady mpiara-miasa amiko mba hahasoa anareo. Ary raha misy mampisalasala momba an\u2019ireo rahalahinay, dia fantaro fa apostolin\u2019ny fiangonana izy ireo sady mitondra voninahitra ho an\u2019i Kristy.",
        "24": "Koa porofoy amin\u2019izy ireo hoe tianareo izy ireo, ary asehoy an\u2019ireo fiangonana hoe nahoana ianareo no reharehanay."
    },
    "9": {
        "1": "Tsy tena mila manoratra aminareo momba an\u2019ilay fanompoana ny olona masina aho.",
        "2": "Fantatro mantsy fa vonona hanampy ianareo, ary izany no ireharehako amin\u2019ny Makedonianina, dia ny hoe efa hatramin\u2019ny herintaona i Akaia no vonona. Ary nandrisika ny ankamaroan\u2019izy ireo ny hafanam-ponareo.",
        "3": "Irahiko ihany anefa ireo rahalahy, mba tsy ho very maina ny nireharehanay momba anareo, ary mba ho vonona tokoa ianareo, araka ny efa nolazaiko.",
        "4": "Sao mantsy hisy Makedonianina hiaraka amiko ka hahita fa hay ianareo tsy vonona akory, dia ho menatra izahay\u2014mba tsy hilazana hoe ianareo\u2014noho izahay natoky anareo.",
        "5": "Koa nieritreritra aho hoe nilaina ny nampirisika an\u2019ireo rahalahy handeha mialoha any aminareo, ka hanomana an\u2019ilay fanomezana be dia be nampanantenainareo. Amin\u2019izay dia ho vonona ilay fanomezana ka ho hita hoe nalala-tanana ianareo nanome an\u2019ilay izy, fa tsy noterena.",
        "6": "Tadidio anefa izao: Izay kahihitra ka mamafy kely dia hijinja kely, fa izay malala-tanana ka mamafy be kosa dia hijinja be.",
        "7": "Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin\u2019alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian\u2019Andriamanitra.",
        "8": "Hain\u2019Andriamanitra koa ny maneho hatsaram-panahy miavaka be dia be aminareo, mba hanana ny ampy foana ianareo amin\u2019ny zava-drehetra. Amin\u2019izay dia hanananareo be dia be izay ilaina mba hanaovana ny asa tsara rehetra,",
        "9": "\u2014araka ny voasoratra hoe: \u201cMizara fanomezana be dia be izy; manome ho an\u2019ny mahantra izy. Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.\u201d",
        "10": "Ary Ilay manome voa betsaka ho an\u2019ny mpamafy sy manome mofo be dia be hohanina, no hanome sy hampitombo ny voa hafafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.\u2014",
        "11": "Atao manan-karena amin\u2019ny zava-drehetra ianareo, mba halala-tanana amin\u2019ny fomba isan-karazany, ka hisaotra an\u2019Andriamanitra ny olona noho ny fanomezanareo izay hoentinay ho azy ireo.",
        "12": "Tsy natao hanomezana an\u2019izay ilain\u2019ireo olona masina fotsiny mantsy izao fanompoana ho an\u2019ny besinimaro izao, fa natao koa mba ho be dia be ny olona hisaotra an\u2019Andriamanitra.",
        "13": "Izany fanompoana izany no manaporofo hoe olona hoatran\u2019ny ahoana ianareo. Koa hanome voninahitra an\u2019Andriamanitra izy ireo, satria manaiky ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy ianareo, araka ny ambaranareo ampahibemaso, sady malala-tanana amin\u2019izy ireo sy amin\u2019ny rehetra.",
        "14": "Hitalaho ho anareo izy ireo, ary hasehony hoe tiany ianareo satria nanehoan\u2019Andriamanitra hatsaram-panahy faran\u2019izay miavaka.",
        "15": "Isaorana Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana, izay tsara loatra ka tsy hita ny hilazana azy!"
    },
    "10": {
        "1": "Izaho, Paoly, dia miangavy anareo noho ny fahalemem-panahy sy ny hatsaram-panahin\u2019i Kristy, na dia misy milaza aza hoe malemy aho rehefa mifanatrika aminareo, fa sahy miteny anareo kosa rehefa tsy eo.",
        "2": "Manantena aho fa rehefa tonga any aminareo, dia tsy voatery ho sahy handray fepetra henjana amin\u2019ireo mieritreritra anay hoe manaraka fomba fisainan\u2019olombelona fotsiny.",
        "3": "Fa na dia hoatran\u2019ny olon-kafa rehetra ihany aza izahay, dia tsy mba miady toy ny fanaon\u2019ny olona.",
        "4": "Tsy araka ny nofo mantsy ny fitaovam-piadianay, fa fitaovam-piadiana mahery kosa no nomen\u2019Andriamanitra anay mba handravana zavatra efa mafy orina.",
        "5": "Ravanay ny fomba fisainana sy ny zavatra avo rehetra misakana ny olona tsy hahalala an\u2019Andriamanitra, ary baboinay hankat\u00f2 an\u2019i Kristy ny hevitra rehetra.",
        "6": "Vonona koa izahay hanasazy an\u2019izay tsy mankat\u00f2, raha vao hita hoe mankat\u00f2 tanteraka ianareo.",
        "7": "Mijery ivelany fotsiny ianareo. Raha misy matoky tena hoe an\u2019i Kristy izy, dia aoka izy hisaintsaina an\u2019izao indray: An\u2019i Kristy koa izahay, hoatr\u2019azy hoe an\u2019i Kristy.",
        "8": "Fa na hirehareha be aza aho, noho ny fahefana nomen\u2019ny Tompo anay hoe hampahery anareo fa tsy hanakivy anareo, dia tsy tokony hisy hampahamenatra ahy.",
        "9": "Tsy tiako mantsy raha hoatran\u2019ny hoe mampihorohoro anareo aho amin\u2019ny taratasiko.",
        "10": "Fa misy milaza hoe: \u201cMavesa-danja sady mafonja ny taratasy soratany, fa olona tsy dia manao ahoana kosa izy rehefa manatrika eo ary tsy misy dikany ny teniny.\u201d",
        "11": "Tsara ho fantatr\u2019izany olona izany fa izay voalazanay ao amin\u2019ny taratasinay rehefa tsy eo izahay, no hataonay koa rehefa eo izahay.",
        "12": "Fa tsy mba sahinay ny hampitovy na hampitaha ny tenanay amin\u2019ny olona midera tena. Tsy misaina mantsy izy ireny satria izay heveriny fa mety ihany no itsarany ny tenany, ary izy samy izy ihany no mifampitaha.",
        "13": "Tsy hirehareha any ivelan\u2019ny faritra nanendrena anay anefa izahay, fa ao anatin\u2019ny faritry ny faritany nomen\u2019Andriamanitra anay ihany, izay nataony tonga hatrany aminareo.",
        "14": "Tsy mila mandeha any ivelan\u2019ny faritany nanendrena anay izahay, raha ny marina. Raha izany mantsy, dia hoatran\u2019ny hoe tsy anisan\u2019ny faritaninay ianareo. Izahay anefa no voalohany tonga hatrany aminareo mba hitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy.",
        "15": "Tsy mirehareha any ivelan\u2019ny faritra nanendrena anay izahay, izany hoe tsy mirehareha amin\u2019ny asa mafy nataon\u2019ny hafa. Manantena kosa izahay fa arakaraka ny itomboan\u2019 ny finoanareo, dia hitombo ny asa ataonay ao amin\u2019ny faritaninay. Amin\u2019izay dia ho afaka hanao bebe kokoa izahay,",
        "16": "ka hitory ny vaovao tsara any amin\u2019ny tany hafa ankoatra ny anareo, mba tsy hireharehanay ny amin\u2019izay efa nataon\u2019ny hafa tany amin\u2019ny faritaniny.",
        "17": "\u201cIzay mirehareha kosa, dia i Jehovah no tokony hataony rehareha.\u201d",
        "18": "Tsy izay midera tena mantsy no ankasitrahana, fa izay derain\u2019i Jehovah."
    },
    "11": {
        "1": "Enga anie mba handefitra amiko ianareo amin\u2019ny hadalana kely ataoko! Efa mandefitra amiko ihany ange ianareo, raha ny marina\u00a0e!",
        "2": "Fa saro-piaro aminareo aho, hoatran\u2019Andriamanitra saro-piaro aminareo. Izaho mihitsy mantsy no nanolotra anareo ho fofombadin\u2019ny lehilahy iray. Te hanolotra anareo ho virjiny madio ho an\u2019i Kristy aho.",
        "3": "Matahotra anefa aho sao ianareo ho voafitaka toa an\u2019i Eva izay nofitahin\u2019ny menarana tamin-kafetsena, ka ho simba ny sainareo, dia tsy ho ao aminareo intsony ilay fahatsorana sy fahadiovana mendrika an\u2019i Kristy.",
        "4": "Raha misy mantsy olona tonga mitory Jesosy hafa noho ilay efa notorinay, na misy mampirisika anareo hanana toe-tsaina hafa noho izay efa nanananareo, na misy mitory vaovao tsara hafa noho izay efa nekenareo, dia tsy mampaninona anareo ny mandefitra amin\u2019izany olona izany.",
        "5": "Fa amiko dia tsy misy na inona na inona mampiseho hoe ambany aho, raha oharina amin\u2019ireo apostolinareo tsara loatra ireo.",
        "6": "Na tsy mahay mandaha-teny aza anefa aho, dia tena manana fahalalana. Efa nasehonay anareo tsara izany tamin\u2019ny lafiny rehetra sy tamin\u2019ny zava-drehetra.",
        "7": "Faly aho nitory maimaim-poana ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra taminareo. Dia nanota ve aho raha nanetry tena hoatr\u2019izany mba hisandratanareo?",
        "8": "Hoatran\u2019ny hoe nandroba ny fiangonana hafa aho rehefa nandray fanampiana mba hanompoako anareo.",
        "9": "Rehefa teo aminareo anefa aho ary tao anatin\u2019ny tsy fisiana, dia tsy lasa enta-mavesatra na ho an\u2019iza na ho an\u2019iza, satria nanome izay nilaiko ireo rahalahy avy eto Makedonia sady nanome ahy be dia be. Tena niezaka aho mba tsy ho enta-mavesatra ho anareo tamin\u2019ny lafiny rehetra, ary mbola hiezaka hanao an\u2019izany foana aho.",
        "10": "Raha mbola ato amiko ny fahamarinan\u2019i Kristy, dia mbola hirehareha momba an\u2019izany foana aho any amin\u2019ireo faritr\u2019i Akaia.",
        "11": "Fa nahoana? Satria ve tsy tiako ianareo? Fantatr\u2019Andriamanitra fa tia anareo aho.",
        "12": "Izay ataoko izao anefa dia mbola hataoko ihany. Amin\u2019izay dia ho tampina ny vavan\u2019ireo mitady antony hanaporofoana hoe mitovy aminay izy ireo ka mirehareha amin\u2019ny zava-bitany.",
        "13": "Fa apostoly sandoka ireny, mpiasa mamitaka, ka mody miseho ho apostolin\u2019i Kristy.",
        "14": "Ary tsy mahagaga izany fa i Satana aza mody miseho foana ho anjelin\u2019ny mazava.",
        "15": "Tsy mahagaga \u00e0ry raha mody miseho foana ho mpanompon\u2019ny fahamarinana koa ny mpanompony. Arakaraka izay ataon\u2019izy ireo anefa no hiafarany.",
        "16": "Averiko indray hoe: Aoka tsy hisy hihevitra ahy ho adala. Raha mihevitra ahy ho toy izany anefa ianareo, dia raiso ihany aho na adala aza, mba ho afaka hirehareha kely koa.",
        "17": "Tsy manaraka ny modelin\u2019ny Tompo aho raha milaza an\u2019izao zavatra izao, fa miteny hoatran\u2019ny olona adala matoky tena loatra sy mirehareha.",
        "18": "Koa satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.",
        "19": "Faly er\u1ef3 ianareo mandefitra amin\u2019ny olona adala, satria ianareo tena \u201cmisaina.\u201d",
        "20": "Mandefitra tokoa ianareo amin\u2019izay manandevo anareo, na mandany ny fanananareo, na maka an-keriny an\u2019izay anananareo, na manandra-tena ho ambony noho ianareo, na mamely ny tarehinareo.",
        "21": "Manala baraka anay izany teniko izany satria toy ny hoe malemy izahay aminareo. Izay sahin\u2019ny olona atao anefa\u2014miteny toy ny adala aho\u2014dia mba sahiko koa.",
        "22": "Hebreo ve izy ireo? Izaho koa. Israelita ve izy ireo? Izaho koa. Taranak\u2019i Abrahama ve izy ireo? Izaho koa.",
        "23": "Mpanompon\u2019i Kristy ve izy ireo? Mamaly hoatran\u2019ny adala aho. Mpanompon\u2019i Kristy aho ary miavaka kokoa noho izy ireo aza: Betsaka kokoa ny asa nataoko, natao am-ponja matetika kokoa aho, tsy voaisa intsony ny kapoka nahazo ahy, ary efa saika maty imbetsaka aho.",
        "24": "Indimy aho no nokapohin\u2019ny Jiosy in-40 latsaka iray avy,",
        "25": "intelo aho no nokapohina tamin\u2019ny hazo, indray mandeha notoraham-bato, intelo vaky sambo, ary indray andro sy indray alina aho no tavela teny an-dranomasina.",
        "26": "Nandeha lavitra matetika aho, saika nahita loza tamin\u2019ny renirano, saika nahita loza tamin\u2019ny jiolahy, saika nahita loza tamin\u2019ny mpiray firenena amiko, saika nahita loza tamin\u2019ny hafa firenena, saika nahita loza tao an-tan\u00e0na, saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany an-dranomasina, ary saika nahita loza teo anivon\u2019ny rahalahy sandoka.",
        "27": "Niasa mafy sy nikely aina aho, tsy nahita tory matetika, noana sy nangetaheta, tsy nihinan-kanina matetika, nangatsiaka ary tsy nanana akanjo.",
        "28": "Ankoatra an\u2019ireo zavatra ivelany ireo, dia misy manavesatra ahy koa isan\u2019andro: Manahy momba ny fiangonana rehetra aho.",
        "29": "Iza no malemy ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina ka tsy tezitra aho?",
        "30": "Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia amin\u2019izay zavatra ahitana ahy hoe malemy no hireharehako.",
        "31": "Tsy mandainga aho, ary mahafantatra an\u2019izany ilay Andriamanitra Rain\u2019i Jesosy Tompo, Ilay tokony hoderaina mandrakizay.",
        "32": "Tany Damaskosy, dia nanome baiko hiambenana an\u2019ilay tan\u00e0na ny governora notendren\u2019i Areta Mpanjaka mba hisamborana ahy.",
        "33": "Nampidinina tamin\u2019ny sobika avy teo am-baravarankelin\u2019ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na anefa aho, ka afa-nandositra."
    },
    "12": {
        "1": "Tsy maintsy mirehareha aho. Hiresaka an\u2019ireo fahitana mahagaga avy amin\u2019ny Tompo sy ireo zavatra naharihariny tamiko indray aho izao, na dia tsy misy tombony azo amin\u2019izany aza.",
        "2": "Mahafantatra olona iray tafaray amin\u2019i Kristy aho. Nentina ho any amin\u2019ny lanitra fahatelo io olona io, 14\u00a0taona lasa izay.\u2014Tsy fantatro na tao amin\u2019ny vatana na tsy tao amin\u2019ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.\u2014",
        "3": "Fantatro izany olona nentina tany amin\u2019ny paradisa izany.\u2014Tsy fantatro na tao amin\u2019ny vatana na tsy tao amin\u2019ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.\u2014",
        "4": "Nentina tany amin\u2019ny paradisa izy, ka nandre teny tsy tokony holazaina amin\u2019olona sady tsy azon\u2019olona tenenina.",
        "5": "Hirehareha ny amin\u2019izany olona izany aho, fa tsy hirehareha ny amin\u2019ny tenako, afa-tsy ny amin\u2019ny fahalemeko ihany angaha.",
        "6": "Fa na dia te hirehareha aza aho, dia tsy ho adala fa hilaza ny marina. Tsy hanao an\u2019izany anefa aho, mba tsy hisy hieritreritra hoe nahavita mihoatra noho izay efa hitany nataoko aho na nahavita mihoatra noho izay henony hoe nolazaiko,",
        "7": "satria fotsiny hoe miavaka be ny zavatra naharihary tamiko. Mba tsy hahatonga ahy hanandra-tena be loatra, dia nasiana tsilo ao amin\u2019ny nofo aho, izany hoe anjelin\u2019i Satana, mba hamely ahy tsy an-kijanona, sao hanandra-tena be loatra aho.",
        "8": "Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hanesorany an\u2019izany amiko.",
        "9": "Nilaza tamiko anefa izy hoe: \u201cAmpy ho anao ny hatsaram-panahy miavaka asehoko aminao, satria tonga lafatra ny fiasan\u2019ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.\u201d Vao mainka \u00e0ry aho faly hirehareha amin\u2019ny fahalemeko, mba hanarona ahy foana toy ny tranolay ny herin\u2019i Kristy.",
        "10": "Koa mahafaly ahy ny hoe malemy, misy manambanimbany, ao anatin\u2019ny tsy fisiana, misy manenjika sy miatrika zava-tsarotra, noho ny amin\u2019i Kristy. Rehefa malemy mantsy aho, dia amin\u2019izay aho no mahery.",
        "11": "Nanjary nanao adaladala aho, noho ianareo nanery ahy, satria tokony ho nilaza zavatra tsara momba ahy ianareo. Fa tsy nisy na inona na inona nampiseho hoe ambany aho raha oharina amin\u2019ireo apostolinareo tsara loatra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.",
        "12": "Efa naseho anareo tokoa ny porofo hoe apostoly aho: Niaritra be aho, ary nanao famantarana sy fahagagana ary zavatra miavaka.",
        "13": "Fa mieritreritra ve ianareo hoe maty antoka raha oharina amin\u2019ny fiangonana hafa, satria fotsiny hoe tsy lasa enta-mavesatra ho anareo aho? Mba mamel\u00e0 ahy amin\u2019izany fahadisoana izany.",
        "14": "Fanintelony aho izao no vonona hankany aminareo, ary tsy ho lasa enta-mavesatra aho. Fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo. Tsy ny zanaka mantsy no tokony hihary ho an\u2019ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an\u2019ny zanany.",
        "15": "Raha ny amiko, dia tena ho faly aho hanome izay rehetra ananako sy hanao sorona tanteraka ny fiainako ho anareo. Raha tena tia anareo hoatr\u2019izany aho, dia tokony ho kely kokoa noho izany ve ny fitiavanareo ahy?",
        "16": "Na izany aza anefa, dia tsy nampitondra enta-mavesatra anareo aho. Milaza anefa ianareo fa \u201cfetsy\u201d aho sady \u201ctamin\u2019ny fitaka\u201d no nahazoako anareo.",
        "17": "Izaho ve dia nanararaotra anareo tamin\u2019izaho naniraka olona tany aminareo?",
        "18": "Nampirisika an\u2019i Titosy hankany aminareo aho ary nirahiko hiaraka taminy ilay rahalahy iny. Nanararaotra anareo ve i Titosy? Tsy nanao an\u2019izany mihitsy izy. Tsy hitanareo ve fa nitovy saina izahay? Tsy nitovy koa ve ny fomba fiasanay?",
        "19": "Nieritreritra ve ianareo hatramin\u2019izay hoe miaro tena eo anatrehanareo izahay? Eo anatrehan\u2019Andriamanitra no miteny izahay tafaray amin\u2019i Kristy. Natao hampaherezana anareo anefa ny zava-drehetra ataonay, ry\u00a0malala.",
        "20": "Fa matahotra aho sao rehefa tonga any aho dia tsy ho araka izay iriko ny zavatra ataonareo, ary tsy ho araka izay irinareo ny zavatra ataoko. Matahotra aho sao misy ady eo aminareo, na fialonana, fahatezerana tsy voafehy, fifamaliana, fanaratsiana, fifosana, fireharehana, na korontana.",
        "21": "Angamba rehefa tonga indray aho, dia havelan\u2019ilay Andriamanitro ho afa-baraka eo anatrehanareo. Dia tsy maintsy halahelo aho, noho ireo olona maro nanota teo aloha nefa tsy nibebaka tamin\u2019ny fanaony, izany hoe ny fahalotoany sy ny fijangajangany ary ny fitondran-tenany tsy misy henatra."
    },
    "13": {
        "1": "Fanintelony aho izao no ho any aminareo. \u201cTenin\u2019ny vavolombelona roa na telo no ilaina vao azo antoka hoe mitombina ny zava-drehetra.\u201d",
        "2": "Na dia tsy any aminareo aza aho izao, dia ataovy toy ny hoe tonga any aminareo fanindroany. Ary efa ampitandremako mialoha ireo nanota teo aloha sy ny olon-kafa rehetra fa tsy hitsitsitsitsy an-dry\u00a0zareo aho, raha tonga any indray.",
        "3": "Mitady porofo mantsy ianareo hoe miteny amin\u2019ny alalako tokoa ve i Kristy, izay tsy malemy rehefa manao zavatra eo aminareo fa mampiseho ny heriny eo aminareo kosa.",
        "4": "Fa novonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo tokoa izy tamin\u2019izy nalemy, nefa velona kosa izy izao noho ny herin\u2019Andriamanitra. Marina koa fa malemy hoatr\u2019azy izahay, nefa ho velona hiaraka aminy izahay noho ny herin\u2019Andriamanitra miasa aminareo.",
        "5": "Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin\u2019ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara foana hoe manao ahoana ny tenanareo. Sa ianareo tsy manaiky hoe tafaray aminareo i Jesosy Kristy? Tokony hekenareo izany, raha tsy hoe tsy ankasitrahana angaha ianareo.",
        "6": "Tena manantena aho fa hekenareo hoe olona ankasitrahana izahay.",
        "7": "Mivavaka amin\u2019Andriamanitra izahay mba tsy hanao ratsy ianareo. Tsy hoe te hahazo sitraka amin\u2019olona akory izahay amin\u2019izany, fa tianay hanao ny tsara kosa ianareo, na dia hoatran\u2019ny hoe tsy ankasitrahana aza izahay.",
        "8": "Fa tsy mahavita na inona na inona hanoherana ny fahamarinana izahay, fa ny hampandrosoana ny fahamarinana ihany.",
        "9": "Tena faly izahay raha malemy, fa ianareo kosa mahery. Ary mivavaka izahay mba hanitsy an\u2019izay tokony hahitsy ianareo.",
        "10": "Izany no antony anoratako an\u2019ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola tsy any aminareo aho. Amin\u2019izay rehefa eo aho, dia tsy voatery ho hentitra be rehefa mampihatra ny fahefana nomen\u2019ny Tompo ahy, ka hampahery fa tsy hanasazy.",
        "11": "Farany, ry rahalahy, miezaha foana hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy, handray fampiononana, hifanara-tsaina, ary hihavana tsara. Hitahy anareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!",
        "12": "Mifampiarahab\u00e0 amin\u2019ny oroka masina.",
        "13": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra.",
        "14": "Enga anie ianareo hanehoan\u2019i Jesosy Kristy Tompo hatsaram-panahy miavaka sy hanehoan\u2019Andriamanitra ny fitiavany, ary enga anie ianareo samy handray soa amin\u2019ny fanahy masina!"
    },
    "meta": {
        "name": "2 Korintianina",
        "order": 46,
        "chapter_number": 13
    }
}
