{
    "1": {
        "1": "Taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Saoly, dia nankany Ziklaga i Davida ary nijanona roa andro tao. Avy nandresy an\u2019ireo Amalekita izy tamin\u2019izay.",
        "2": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray tonga avy any amin\u2019ny tobin\u2019ny tafik\u2019i Saoly. Rovidrovitra ny akanjony, ary nihosim-bovoka ny lohany. Rehefa nankeo amin\u2019i Davida izy, dia nandohalika tamin\u2019ny tany ary niankohoka.",
        "3": "Nanontany azy i Davida hoe: \u201cAvy aiza ianao?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cAvy any amin\u2019ny tobin\u2019ny Israely aho no nitsoaka nankat\u1ef3.\u201d",
        "4": "Ary hoy i Davida: \u201cNanao ahoana ny tany? Mba tantarao kely amiko!\u201d Dia hoy izy: \u201cNandositra ny olona rehefa raikitra ny ady, ary be dia be no lavo ka maty. Na i Saoly sy Jonatana zanany aza maty.\u201d",
        "5": "Ary nanontany an\u2019ilay tovolahy nilaza an\u2019ilay vaovao i Davida hoe: \u201cAhoana no nahafantaranao fa maty i Saoly sy Jonatana zanany?\u201d",
        "6": "Dia hoy ilay tovolahy: \u201cSendra teo amin\u2019ny Tendrombohitra Gilboa aho, no nahita an\u2019i Saoly nitehina tamin\u2019ny lefony. Ary nihananatona azy ny mpitondra kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly.",
        "7": "Rehefa niherika izy ka nahita ahy, dia nantsoiny aho. Ary niteny aho hoe: \u2018Ahoana izay, tompoko?\u2019",
        "8": "Nanontany ahy izy hoe: \u2018Fa iza ianao?\u2019 Dia hoy aho: \u2018Amalekita aho.\u2019",
        "9": "Ary hoy izy: \u2018Avia ange\u00a0e! Vonoy ho faty aho fa manaintaina be, nefa mbola tsy maty ihany.\u2019",
        "10": "Dia nanatona aho ka namono azy ho faty, satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy noho ny ratra nahazo azy. Dia nalaiko ny satroboninahitra teny amin\u2019ny lohany sy ny brasele teny amin\u2019ny sandriny, dia nentiko at\u1ef3 amin\u2019ny tompoko.\u201d",
        "11": "Nandrovitra ny akanjony i Davida rehefa naheno an\u2019izany, ary nanao toy izany koa ny lehilahy rehetra niaraka taminy.",
        "12": "Ary nidradradradra nitomany izy ireo sady nifady hanina mandra-paharivan\u2019ny andro, satria matin\u2019ny sabatra i Saoly sy Jonatana zanany, sy ny vahoakan\u2019i Jehovah, ary ny taranak\u2019Israely.",
        "13": "Nanontany an\u2019ilay tovolahy nilaza an\u2019ilay vaovao i Davida hoe: \u201cAvy aiza moa ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cZanaka Amalekita nifindra monina eto aho.\u201d",
        "14": "Ary hoy i Davida: \u201cNahoana ianao no tsy natahotra ny hikasi-tanana ny voahosotr\u2019i Jehovah ka namono azy?\u201d",
        "15": "Nantsoin\u2019i Davida \u00e0ry ny iray tamin\u2019ireo tovolahy, ary hoy izy taminy: \u201cAvia! Vonoy io.\u201d Dia novonoiny izy, ka maty.",
        "16": "Ary hoy i Davida taminy: \u201cIanao ihany no tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesanao, satria ny vavanao ihany no niampanga anao hoe: \u2018Izaho no namono ny voahosotr\u2019i Jehovah.\u2019\u201d",
        "17": "Ary nanao an\u2019ity hira fisaonana an\u2019i Saoly sy Jonatana zanany ity i Davida,",
        "18": "sady nilaza fa tokony hampianarina ny vahoakan\u2019ny Joda ity hira antsoina hoe \u201cIlay Tsip\u00ecka\u201d ity, izay voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019i Jasara:",
        "19": "\u201cVoavono teny an-tendrombohitrao ireo tsara tarehy, ry Israely\u00a0\u00f4! Indrisy fa lavo ireo matanjaka!",
        "20": "Aza lazaina any Gata izany; Aza ambara eny amin\u2019ny lalan\u2019i Askelona, Sao hifaly ny zanakavavin\u2019ny Filistinina, Sao hiravoravo ny zanakavavin\u2019ireo tsy mifora.",
        "21": "Ry tendrombohitr\u2019i Gilboa! Enga anie tsy hisy ando na orana hilatsaka eny aminareo, Na saha hanome vokatra hatao fanomezana masina, Fa teny aminareo no nandotoana ny ampingan\u2019ireo mahery, Ka tsy voahosotra menaka intsony ny ampingan\u2019i Saoly.",
        "22": "Tsy mba nihemotra ny tsip\u00eckan\u2019i Jonatana, Ary tsy niveri-maina ny sabatr\u2019i Saoly, Fa nandatsaka ny ran\u2019ny fahavalo sy nanatrobaka ny tavin\u2019ireo mahery.",
        "23": "Mahatehotia sy mamy hoditra i Saoly sy Jonatana fony fahavelony, Ary tsy nisaraka fa niara-maty. Haingam-pandeha noho ny voromahery izy ireo, Ary mahery noho ny liona.",
        "24": "Ry zanakavavin\u2019ny Israely\u00a0\u00f4, mitomania an\u2019i Saoly! Nampitafy anareo akanjo mena midorehitra izy, sady nampanao anareo haingo lafo vidy, Ary nanisy ravaka volamena teny amin\u2019ny akanjonareo.",
        "25": "Indrisy fa lavo tany an\u2019ady ireo mahery! Voavono teny an-tendrombohitrao i Jonatana!",
        "26": "Malahelo be anao aho, ry Jonatana rahalahiko; Tena tiako ianao. Tamiko, dia nihoatra noho ny fitiavan\u2019ny vehivavy ny fitiavanao.",
        "27": "Indrisy fa lavo ireo mahery, Ary potika ny fitaovam-piadiana!\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia nanontany an\u2019i Jehovah i Davida hoe: \u201cHiakatra ho any amin\u2019ny tan\u00e0na iray any Joda ve aho?\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cMiakara.\u201d Ary nanontany i Davida hoe: \u201cAiza aho no handeha?\u201d Dia hoy izy: \u201cAny Hebrona.\u201d",
        "2": "Niakatra nankany \u00e0ry i Davida sy ny vadiny roa, dia i Ahinoama Jezirelita sy Abigaila vady navelan\u2019i Nabala Karmelita.",
        "3": "Nentin\u2019i Davida koa ireo lehilahy niaraka taminy sy ny ankohonan\u2019izy ireo avy. Dia nanorim-ponenana tao amin\u2019ireo tan\u00e0na nanodidina an\u2019i Hebrona izy ireo.",
        "4": "Ary tonga ireo lehilahy anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda, ka tao izy ireo no nanosotra an\u2019i Davida ho mpanjakan\u2019ny taranak\u2019i Joda. Dia nisy niteny tamin\u2019i Davida hoe: \u201cIreo lehilahy any Jabesi-gileada no nandevina an\u2019i Saoly.\u201d",
        "5": "Naniraka olona nankany amin\u2019ireo lehilahy tany Jabesi-gileada \u00e0ry i Davida, hilaza hoe: \u201cHotahin\u2019i Jehovah anie ianareo, satria tianareo i Saoly tomponareo sady tsy nivadika taminy ianareo matoa nandevina azy!",
        "6": "Enga anie i Jehovah ho tia anareo sy tsy hivadika aminareo, ary hasehony aminareo anie hoe mendri-pitokisana izy! Izaho koa ho tsara fanahy aminareo, noho ny nanaovanareo an\u2019izany.",
        "7": "Koa mahereza ary man\u00e0na herim-po, fa maty i Saoly tomponareo, ary efa nohosoran\u2019ny taranak\u2019i Joda ho mpanjakan\u2019izy ireo aho.\u201d",
        "8": "Nalain\u2019i Abnera zanak\u2019i Nera lehiben\u2019ny tafik\u2019i Saoly anefa i Isboseta zanak\u2019i Saoly, dia nentiny niampita nankany Mahanaima.",
        "9": "Nataony mpanjakan\u2019i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy Efraima sy Benjamina ary ny Israely rehetra izy.",
        "10": "Ary 40\u00a0taona i Isboseta zanak\u2019i Saoly, tamin\u2019izy lasa mpanjakan\u2019ny Israely, ary nanjaka roa taona izy. Ny taranak\u2019i Joda kosa nanohana an\u2019i Davida.",
        "11": "Fito taona sy tapany ny fotoana nanjakan\u2019i Davida tamin\u2019ny taranak\u2019i Joda tao Hebrona.",
        "12": "Dia niainga tao Mahanaima i Abnera zanak\u2019i Nera sy ny mpanompon\u2019i Isboseta zanak\u2019i Saoly, ka nankany Gibeona.",
        "13": "Niainga koa i Joaba zanak\u2019i Zeroia sy ny mpanompon\u2019i Davida, ka nihaona teo amin\u2019ny dobon\u2019i Gibeona ny roa tonta. Samy naka toerana teo amoron\u2019ilay dobo izy ireo, ka ny iray tetsy ampita ary ny iray ter\u1ef3 ampita.",
        "14": "Nilaza tamin\u2019i Joaba i Abnera tamin\u2019ny farany hoe: \u201cAleo hitsangana ireo tovolahy, dia hiady eto anatrehantsika.\u201d Dia hoy i Joaba: \u201cEny \u00e0ry! Aleo izy ireo hitsangana.\u201d",
        "15": "Koa nitsangana izy ireo ka nifanatona. Nisy 12 lahy avy tamin\u2019i Benjamina sy avy tamin\u2019i Isboseta zanak\u2019i Saoly, ary nisy 12 lahy avy tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Davida.",
        "16": "Nifampitazona teo amin\u2019ny lohany izy ireo ary nifanindrona tamin\u2019ny sabatra, teo amin\u2019ny tehezany, ka niara-maty daholo. Nantsoina hoe Helkata-hazorima \u00e0ry io toerana any Gibeona\u00a0io.",
        "17": "Tena nafotaka ny ady, tamin\u2019iny andro iny, ka resin\u2019ny mpanompon\u2019i Davida i Abnera sy ny lehilahy israelita.",
        "18": "Teo koa izy telo mirahalahy zanak\u2019i Zeroia: I Joaba sy Abisay ary Asahela. Ary nahery nihazakazaka toy ny gazela any an-tsaha i Asahela.",
        "19": "Dia nanenjika an\u2019i Abnera i Asahela, ka tsy nivily niankavanana na niankavia fa nanaraka azy foana.",
        "20": "Dia niherika i Abnera ka nanontany hoe: \u201cIanao ve io, ry Asahela?\u201d Dia hoy izy: \u201cIe, izaho ity!\u201d",
        "21": "Ary hoy i Abnera: \u201cMivilia miankavanana na miankavia dia misambora tovolahy iray, ary alaivo ho anao izay eny aminy.\u201d Tsy nanaiky anefa i Asahela fa nanenjika azy foana.",
        "22": "Hoy indray \u00e0ry i Abnera tamin\u2019i Asahela: \u201cEfa hoe aza enjehina aho sao hasiako eo ianao! Dia hataoko ahoana ny hifanatri-tava amin\u2019i Joaba rahalahinao?\u201d",
        "23": "Tsy nety mihitsy anefa izy. Nasian\u2019i Abnera tamin\u2019ny vodilefona \u00e0ry ny kibony, ka niboroaka tao an-damosiny ilay lefona. Dia nianjera teo izy ka maty tsy tra-drano. Ary izay rehetra nandalo teo amin\u2019ilay toerana nianjeran\u2019i Asahela sy nahafatesany, dia nijanona kely teo.",
        "24": "Dia nanenjika an\u2019i Abnera i Joaba sy Abisay. Rehefa nilentika ny masoandro, dia tonga teo amin\u2019ny havoanan\u2019i Ama tandrifin\u2019i Gia, eo amin\u2019ny lalana mankany an-tany efitr\u2019i Gibeona, izy ireo.",
        "25": "Ary nivondrona ho antokony iray tao aorian\u2019i Abnera ny Benjaminita. Dia nijoro teo an-tampon\u2019ny havoana iray izy ireo.",
        "26": "Ary niantsoantso an\u2019i Joaba i Abnera hoe: \u201cHandripaka tsy misy farany ve ny sabatra? Tsy fantatrao angaha fa fahoriana no hiafaran\u2019izao? Koa rahoviana ianao vao hilaza amin\u2019ny olona mba tsy hanenjika ny rahalahiny intsony?\u201d",
        "27": "Dia hoy i Joaba: \u201cRaha mbola velona koa ilay tena Andriamanitra, dia ho nanenjika ny rahalahiny foana ny olona mandra-paharainan\u2019ny andro, raha tsy niteny an\u2019izany ianao.\u201d",
        "28": "Ary notsofin\u2019i Joaba ny anjombona, dia nijanona ny miaramilany ka tsy nanenjika ny Israely intsony, ary nitsahatra ilay ady.",
        "29": "Dia namakivaky an\u2019i Araba i Abnera sy ny olony nandritra an\u2019iny alina iny, ka niampita ny Reniranon\u2019i Jordana. Ary nandeha teo amin\u2019ilay lohasaha izy ireo, dia tonga tany Mahanaima tamin\u2019ny farany.",
        "30": "Novorin\u2019i Joaba ny olona rehetra rehefa nijanona tsy nanenjika an\u2019i Abnera izy. Ary 19, ankoatra an\u2019i Asahela, no tsy teo intsony tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Davida.",
        "31": "Resin\u2019ny mpanompon\u2019i Davida anefa ny Benjaminita sy ny olon\u2019i Abnera, ka 360 taminy no maty.",
        "32": "Dia nentin\u2019izy ireo i Asahela ka naleviny tao amin\u2019ny fasan-drainy tany Betlehema. Ary nandeha nandritra ny alina i Joaba sy ny miaramilany, ka tonga tany Hebrona rehefa nangiran-dratsy ny andro."
    },
    "3": {
        "1": "Naharitra ela ny ady teo amin\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly sy ny fianakavian\u2019i Davida. Nihanahery foana i Davida, fa nihena tsikelikely kosa ny herin\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly.",
        "2": "Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy i Davida tany Hebrona. I Amnona, zanany tamin\u2019i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany.",
        "3": "Ny faharoa dia i Kileaba, zanany tamin\u2019i Abigaila, ilay vady navelan\u2019i Nabala Karmelita. Ary ny fahatelo dia i Absaloma zanak\u2019i Maka, zanakavavin\u2019i Talmay mpanjakan\u2019i Gesora.",
        "4": "I Adonia zanak\u2019i Hagita no fahefatra, ary Sefatia zanak\u2019i Abitala no fahadimy.",
        "5": "I Jitreama, zanak\u2019i Davida tamin\u2019i Egla vadiny, no fahenina. Ireo no naterak\u2019i Davida tany Hebrona.",
        "6": "Raha mbola nitohy ny ady teo amin\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly sy ny fianakavian\u2019i Davida, dia nanamafy ny fahefany teo amin\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly i Abnera.",
        "7": "Nanana vadikely i Saoly. Rizpa no anarany, ary zanakavavin\u2019i Aia izy. Niteny tamin\u2019i Abnera i Isboseta tat\u1ef3 aoriana hoe: \u201cFa maninona ianao no nanao firaisana tamin\u2019ny vadikelin\u2019ny dadako?\u201d",
        "8": "Dia tezitra be i Abnera noho ny tenin\u2019i Isboseta, ka hoy izy: \u201cIzaho angaha alika avy amin\u2019ny Joda? Tiako ny fianakavian\u2019i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny namany hatramin\u2019izay ka hatramin\u2019izao, sady tsy nivadika tamin\u2019izy ireo aho. Ary tsy navelako ho azon\u2019ny tanan\u2019i Davida ianao. Koa izay fahadisoana momba ny vehivavy iray ve dia hanaovanao ampamoaka ahy androany?",
        "9": "Hofaizin\u2019Andriamanitra anie i Abnera, raha tsy hataoko amin\u2019i Davida izay nianianan\u2019i Jehovah taminy hoe:",
        "10": "Hesorina amin\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly ny fanjakana, ka hafindra amin\u2019i Davida. Ary ny seza fiandrianan\u2019i Davida, dia hatao mafy orina eo amin\u2019ny Israely sy Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.\u201d",
        "11": "Dia tsy nahavita namaly an\u2019i Abnera i Isboseta na indraim-bava aza, satria natahotra azy.",
        "12": "Naniraka olona nankany amin\u2019i Davida avy hatrany \u00e0ry i Abnera, mba hilaza hoe: \u201cAn\u2019iza moa ny tany?\u201d Hoy koa izy: \u201cManaova fifanekena amiko, dia hanao izay rehetra azoko atao aho mba hahatonga ny Israely rehetra hanohana anao.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Davida: \u201cMety izany! Hanao fifanekena aminao aho. Fa zavatra iray monja no angatahiko aminao: Aza manantena ny hahita ahy raha tsy entinao miaraka aminao i Mikala zanakavavin\u2019i Saoly, rehefa mankat\u1ef3 amiko ianao.\u201d",
        "14": "Dia naniraka olona nankany amin\u2019i Isboseta zanak\u2019i Saoly i Davida, mba hiteny hoe: \u201cOmeo ahy i Mikala vadiko. Efa lasa fofombadiko mantsy izy tamin\u2019izaho nanome tsitsy nesorina tamin\u2019ny lehilahy filistinina 100.\u201d",
        "15": "Naniraka olona \u00e0ry i Isboseta mba haka an\u2019i Mikala tany amin\u2019i Paltiela vadiny, izay zanakalahin\u2019i Laisy.",
        "16": "Niaraka tamin\u2019i Mikala teny foana anefa io vadiny io. Sady nitomany izy no nanaraka azy hatrany Bahorima. Dia hoy i Abnera taminy: \u201cMandehana miverina!\u201d Dia niverina izy.",
        "17": "Ary naniraka olona nankany amin\u2019ny anti-panahin\u2019ny Israely i Abnera mba hiteny hoe: \u201cEfa ela ianareo no te hanao an\u2019i Davida ho mpanjakanareo.",
        "18": "Manaova zavatra amin\u2019izay \u00e0ry, fa efa nilaza tamin\u2019i Davida i Jehovah hoe: \u2018Ny tanan\u2019i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Israely vahoakako amin\u2019ny Filistinina sy amin\u2019ny fahavalony rehetra.\u2019\u201d",
        "19": "Niresaka tamin\u2019ny Benjaminita i Abnera avy eo. Dia lasa koa izy niresaka mitokana tamin\u2019i Davida tany Hebrona, mba hilaza taminy ny zavatra nifanarahan\u2019ny Israely sy ny taranak\u2019i Benjamina manontolo.",
        "20": "Rehefa tonga tany amin\u2019i Davida tao Hebrona i Abnera sy ny 20 lahy niaraka taminy, dia nanaovan\u2019i Davida fety.",
        "21": "Ary hoy i Abnera tamin\u2019i Davida: \u201cAleo aho handeha hanangona ny Israely rehetra ho at\u1ef3 amin\u2019ny mpanjaka tompoko, mba hanaovan\u2019izy ireo fifanekena aminao. Dia ho mpanjaka eo amin\u2019izay rehetra irinao ianao.\u201d Koa nalefan\u2019i Davida i Abnera, ka lasa soa aman-tsara.",
        "22": "Tamin\u2019izay indrindra no tafaverina avy nanafika i Joaba sy ny mpanompon\u2019i Davida, ary nitondra zavatra be dia be azony babo izy ireo. Efa tsy tao amin\u2019i Davida tao Hebrona intsony i Abnera tamin\u2019izay, satria efa nalefany soa aman-tsara.",
        "23": "Rehefa tonga i Joaba sy ny tafika manontolo niaraka taminy, dia nisy nilaza tamin\u2019i Joaba hoe: \u201cTonga tao amin\u2019ny mpanjaka i Abnera zanak\u2019i Nera, nefa nalefany soa aman-tsara.\u201d",
        "24": "Nankao amin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Joaba, ka niteny hoe: \u201cFa inona izany nataonao izany? Hay tonga teto aminao i Abnera! Dia maninona izy no navelanao handeha? Izao izy lasa fotsiny.",
        "25": "Fantatrao tsara i Abnera zanak\u2019i Nera. Hamitaka anao no nahatongavany tat\u1ef3, dia hitsikilo an\u2019izay alehanao sy hamantatra an\u2019izay rehetra ataonao.\u201d",
        "26": "Dia niala teo amin\u2019i Davida i Joaba, ka naniraka olona hanenjika an\u2019i Abnera. Teo amin\u2019ny lavaka fanangonan-dranon\u2019i Siraha i Abnera no nentin\u2019izy ireo niverina. Tsy fantatr\u2019i Davida anefa izany.",
        "27": "Rehefa tafaverina tao Hebrona i Abnera, dia nentin\u2019i Joaba nihataka kely nankao am-bavahady mba hiresahany mitokana. Rehefa tao anefa izy ireo, dia notsatohan\u2019i Joaba tamin\u2019ny sabatra ny kibony ka maty izy. Nanao an\u2019izany izy satria novonoin\u2019i Abnera i Asahela rahalahiny.",
        "28": "Rehefa naheno an\u2019izany i Davida, dia hoy izy: \u201cIzaho sy ny fanjakako dia tsy ho meloka mandrakizay, eo anatrehan\u2019i Jehovah, hoe nandatsaka ny ran\u2019i Abnera zanak\u2019i Nera.",
        "29": "I Joaba sy ny ankohonan-drainy manontolo anie no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019izany! Hisy foana eo amin\u2019ny taranak\u2019 i Joaba anie ny lehilahy misy tsiranoka mivoaka amin\u2019ny filahiany, na olona boka, na lehilahy mampiasa hazo fangoronana kofehy, na olona matin\u2019ny sabatra, na olona tsy ampy sakafo!\u201d",
        "30": "Koa novonoin\u2019i Joaba sy Abisay rahalahiny i Abnera, noho izy namono an\u2019i Asahela rahalahin\u2019izy ireo tany an\u2019ady, tany Gibeona.",
        "31": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Joaba sy ny olona rehetra niaraka taminy: \u201cRovito ny akanjonareo ary misik\u00ecna lamba gony, ka midradradradr\u00e0 noho ny amin\u2019i Abnera.\u201d Ary nandeha tao aorian\u2019ilay filanjana faty i Davida Mpanjaka.",
        "32": "Dia nalevin\u2019izy ireo tao Hebrona i Abnera. Ary nigogogogo nitomany teo amin\u2019ny fasan\u2019i Abnera ny mpanjaka. Nitomany koa ny olona rehetra.",
        "33": "Dia nanao an\u2019izao hira fisaonana an\u2019i Abnera izao ny mpanjaka: \u201cToy ny fahafatesan\u2019ny olona tsy misaina ve no tokony ho nahafatesan\u2019i Abnera?",
        "34": "Tsy voafatotra ny tananao, Ary tsy natao tao anaty gadra varahina ny tongotrao. Lavo hoatran\u2019ireny olon-dratsy ireny ianao.\u201d Dia nitomany azy indray ny olona rehetra.",
        "35": "Ary nanatona an\u2019i Davida ny olona rehetra, raha mbola nazava ny andro, mba hanome azy mofo fampiononana. Nianiana anefa i Davida hoe: \u201cHofaizin\u2019Andriamanitra anie aho raha ohatra aho ka mihinana mofo na zavatra hafa, alohan\u2019ny hilentehan\u2019ny masoandro!\u201d",
        "36": "Dia hitan\u2019ny olona rehetra izany ka nankasitrahan\u2019izy ireo, toy ny nankasitrahany ny zava-drehetra nataon\u2019ny mpanjaka.",
        "37": "Fantatry ny olona rehetra sy ny Israely rehetra \u00e0ry tamin\u2019iny andro iny, fa tsy ny mpanjaka no nampamono ho faty an\u2019i Abnera zanak\u2019i Nera.",
        "38": "Hoy ny mpanjaka avy eo tamin\u2019ny mpanompony: \u201cTsy fantatrareo ve fa andriana sady lehilahy nahavita zavatra niavaka no lavo teo amin\u2019ny Israely androany?",
        "39": "Malemy aho androany na dia voahosotra ho mpanjaka aza. Fa amiko dia mahery setra loatra ireo zanakalahin\u2019i Zeroia ireo. I Jehovah anie hamaly ny mpanao ratsy araka ny ratsy nataony!\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Rehefa henon\u2019i Isboseta zanak\u2019i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera, dia tsy nanana herim-po intsony izy, ary ny Israelita rehetra koa natahotra be.",
        "2": "Nanana andiana mpandroba io zanak\u2019i Saoly io, ary nisy roa lahy niandraikitra azy ireo. Bana no anaran\u2019ny iray, ary Rekaba no anaran\u2019ny iray. Zanak\u2019i Rimona Berotita, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina, izy ireo. Nisaina ho anisan\u2019ny faritr\u2019i Benjamina koa mantsy i Berota.",
        "3": "Nandositra nankany Gitaima ny Berotita, ka mbola mipetraka any hatramin\u2019izao.",
        "4": "Nanan-janakalahy malemy tongotra i Jonatana zanak\u2019i Saoly. Dimy taona ilay zaza tamin\u2019ny fotoana nandrenesana an\u2019ilay vaovao avy tany Jezirela hoe maty i Saoly sy Jonatana. Dia nentin\u2019ny mpitaiza azy nandositra ilay zaza. Iny izy nikoropaka nandositra iny indrindra anefa no nianjera ilay zaza, ka lasa nalemy tongotra. Mefiboseta no anaran\u2019ilay zazalahy.",
        "5": "Nankany an-tranon\u2019i Isboseta i Rekaba sy Bana, zanak\u2019i Rimona Berotita. Nahamay be ny andro tamin\u2019izay, ary nakanaka aina toy ny fanaony rehefa antoandro i Isboseta.",
        "6": "Niditra tao amin\u2019ilay trano i Rekaba sy Bana rahalahiny, toy ny hoe haka varimbazaha. Dia nasian\u2019izy ireo teo amin\u2019ny kibony i Isboseta, ary lasa nandositra izy ireo.",
        "7": "Tamin\u2019izy ireo niditra tao an-trano mantsy, dia natory teo am-pandriana tao amin\u2019ny efitra fatoriany i Isboseta. Koa nasian\u2019izy ireo izy ka matiny, ary notapahin\u2019izy ireo ny lohany dia nentiny. Avy eo, dia nandeha tamin\u2019ny lalana mankany Araba izy ireo nandritra ny alina.",
        "8": "Ary nentin\u2019izy ireo tany amin\u2019i Davida tany Hebrona ny lohan\u2019i Isboseta. Dia hoy izy ireo tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cInt\u1ef3 ny lohan\u2019i Isboseta, zanak\u2019i Saoly fahavalonao, izay nitady hamono anao. Androany i Jehovah no namaly faty an\u2019i Saoly sy ny taranany, noho ny nataony tamin\u2019ny mpanjaka tompoko.\u201d",
        "9": "Hoy anefa i Davida tamin\u2019i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak\u2019i Rimona Berotita: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, izay namonjy ahy tamin\u2019ny fahoriana rehetra,",
        "10": "dia nosamboriko sy novonoiko ho faty tany Ziklaga ilay olona nieritreritra hoe nitondra vaovao tsara rehefa nilaza tamiko hoe \u2018Maty i Saoly.\u2019 Izany ny valisoa nomeko an\u2019ilay mpitondra hafatra!",
        "11": "Mainka moa fa hoe lehilahy ratsy fanahy no namono olo-marina teo am-pandriana tao an-tranony! Tsy tokony hataoko ampamoaka ve ianareo ka hesoriko eto an-tany, noho ianareo nandatsaka ny rany?\u201d",
        "12": "Nomen\u2019i Davida baiko \u00e0ry ireo tovolahy mba hamono azy roa lahy. Dia notapahin\u2019izy ireo ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin\u2019ilay dobo tao Hebrona ny fatiny. Nalain\u2019izy ireo kosa ny lohan\u2019i Isboseta, ka naleviny tao amin\u2019ny fasan\u2019i Abnera tao Hebrona."
    },
    "5": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia tonga tany amin\u2019i Davida tao Hebrona ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, ka niteny hoe: \u201cIray ra aminao ihany izahay.",
        "2": "Ianao foana taloha no nitarika ny Israely rehefa nisy ady, tamin\u2019i Saoly mbola mpanjakantsika. Ary nilaza taminao i Jehovah hoe: \u2018Ianao no ho mpiandry ny Israely vahoakako, ary ianao koa no ho mpitarika ny Israely.\u2019\u201d",
        "3": "Tonga tany amin\u2019ny mpanjaka tao Hebrona daholo \u00e0ry ny anti-panahin\u2019ny Israely. Ary nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo teo anatrehan\u2019i Jehovah tao Hebrona i Davida Mpanjaka. Dia nohosoran\u2019izy ireo ho mpanjakan\u2019ny Israely i Davida.",
        "4": "Lasa mpanjaka i Davida tamin\u2019izy 30\u00a0taona, ary nanjaka nandritra ny 40\u00a0taona izy.",
        "5": "Nanjaka teo amin\u2019ny Joda nandritra ny 7\u00a0taona sy tapany izy tao Hebrona, ary nanjaka teo amin\u2019ny Israely rehetra sy ny Joda nandritra ny 33\u00a0taona tao Jerosalema.",
        "6": "Dia nandeha nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ny olony mba hanafika an\u2019ireo Jebosita nipetraka tao amin\u2019ilay tany. Koa nanesoeso an\u2019i Davida izy ireo hoe: \u201cTsy ho tafiditra eto mihitsy ianao! Na ny jamba sy ny kilemaina aza hahatohitra anao.\u201d Nieritreritra mantsy ry zareo hoe: \u2018Tsy ho tafiditra eto mihitsy i Davida.\u2019",
        "7": "Azon\u2019i Davida ihany anefa i Ziona, ilay tan\u00e0na voaro mafy, ilay lasa nantsoina hoe Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "8": "Hoy \u00e0ry i Davida tamin\u2019izay andro izay: \u201cMidira avy eo amin\u2019ny tionelina fandehanan\u2019ny rano ianareo izay hanafika ny Jebosita, dia asio \u2018ny kilemaina sy ny jamba\u2019, izay samy halan\u2019i Davida!\u201d Izany no nahatonga an\u2019ilay fitenenana hoe: \u201cTsy hiditra ao an-trano mihitsy ny jamba sy ny kilemaina.\u201d",
        "9": "Dia nanorim-ponenana tao amin\u2019ilay tan\u00e0na voaro mafy i Davida. Ary nantsoina hoe Tan\u00e0nan\u2019i Davida izy io. Nanorina manda sy trano hafa teo amin\u2019ilay Havoana sy tao an-tan\u00e0na izy.",
        "10": "Dia vao mainka nihanahery i Davida, sady nampian\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika.",
        "11": "Naniraka olona ho any amin\u2019i Davida i Hirama mpanjakan\u2019i Tyro, sady nandefa hazo sedera sy mpandrafitra ary mpanao vato hanaovana rindrina. Dia nanorina trano ho an\u2019i Davida izy ireo.",
        "12": "Ary fantatr\u2019i Davida fa efa nataon\u2019i Jehovah mafy orina tsara teo amin\u2019ny Israely ny fanjakany. Efa nataony lasa matanjaka koa ny fanjakany, noho ny amin\u2019ny Israely vahoakany.",
        "13": "Naka vadikely sy vady hafa tao Jerosalema i Davida rehefa tonga avy tany Hebrona, ka mbola niteraka zazalahy sy zazavavy hafa.",
        "14": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zaza naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona,",
        "15": "Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia,",
        "16": "Elisama, Eliada, ary Elifeleta.",
        "17": "Rehefa henon\u2019ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan\u2019ny Israely i Davida, dia niakatra hitady an\u2019i Davida izy rehetra. Henon\u2019i Davida izany, ka nidina tany amin\u2019ny toerana fiafenany izy.",
        "18": "Ary tonga ny Filistinina, ka niparitaka teny amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima.",
        "19": "Dia nanontany an\u2019i Jehovah i Davida hoe: \u201cHiakatra hiady amin\u2019ny Filistinina ve aho? Hataonao resiko ve ireo?\u201d Ary hoy i Jehovah taminy: \u201cMiakara fa tena hataoko resinao ny Filistinina.\u201d",
        "20": "Nankany Bala-perazima \u00e0ry i Davida, ka tany izy no namely azy ireo. Ary hoy izy: \u201cEfa nialoha ahy i Jehovah, ka toy ny rano vaky nandravarava ny laharan\u2019ny fahavaloko izy.\u201d Izany no antony niantsoany an\u2019io toerana io hoe Bala-perazima.",
        "21": "Dia navelan\u2019ny Filistinina teo ny sampiny, ka nalain\u2019i Davida sy ny olony.",
        "22": "Niakatra indray ny Filistinina tat\u1ef3 aoriana, ka niparitaka teny amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima.",
        "23": "Dia nanontany an\u2019i Jehovah i Davida, nefa novaliany hoe: \u201cAza tonga dia miakatra, fa mandehana aloha mihodidina mankany aorianany. Dia asio izy rehefa tandrifin\u2019ireo hazo bak\u00e0.",
        "24": "Rehefa maheno olona mirodorodo ianao, dia manaova zavatra avy hatrany, satria ho efa nivoaka hialoha anao i Jehovah mba hamely ny tafiky ny Filistinina.\u201d",
        "25": "Nataon\u2019i Davida \u00e0ry izay nasain\u2019i Jehovah nataony. Dia nasiany ny Filistinina, hatrany Geba ka hatrany Gazera."
    },
    "6": {
        "1": "Novorin\u2019i Davida indray ny miaramila voafantina rehetra teo amin\u2019ny Israely, dia lehilahy 30\u00a0000.",
        "2": "Dia nankany Bala-joda i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, mba haka ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Teo anoloan\u2019io Vata io no niantsoan\u2019ny olona ny anaran\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana eo ambonin\u2019ny kerobima.",
        "3": "Nataon\u2019izy ireo teo ambony sarety vaovao anefa ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, ka iny no nitondrana azy avy tao an-tranon\u2019i Abinadaba, izay teny amin\u2019ny havoana. I Oza sy Ahio, zanakalahin\u2019i Abinadaba, no nandroaka an\u2019ilay sarety vaovao.",
        "4": "Koa nentin\u2019izy ireo niala tao amin\u2019ilay tranon\u2019i Abinadaba teny amin\u2019ny havoana ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Ary nandeha teo alohan\u2019ilay Vata i Ahio.",
        "5": "Dia nanao fety teo anatrehan\u2019i Jehovah i Davida sy ny taranak\u2019Israely rehetra, ka nampiasa ny karazan-javamaneno rehetra vita tamin\u2019ny hazo zenevrie, ary nampiasa harpa, zavamaneno fitendry, ampongatapaka, korintsana, ary kipantsona.",
        "6": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny famoloan\u2019i Nakona anefa izy ireo, dia saika nazeran\u2019ny omby ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Dia nanatsotra ny tanany i Oza ka notazoniny ilay izy.",
        "7": "Dia tezitra be tamin\u2019i Oza i Jehovah, ka novonoin\u2019ilay tena Andriamanitra teo izy satria tsy naneho fanajana. Dia maty teo akaikin\u2019ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra izy.",
        "8": "Sosotra anefa i Davida noho i Jehovah tezitra be tamin\u2019i Oza. Dia antsoina hoe Pereza-oza io toerana io hatramin\u2019izao.",
        "9": "Natahotra an\u2019i Jehovah \u00e0ry i Davida tamin\u2019iny andro iny, ka nilaza hoe: \u201cDia ahoana izany no hahatongavan\u2019ny Vata masin\u2019i Jehovah any amiko?\u201d",
        "10": "Lasa tsy te hamindra an\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah ho any aminy, any amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida, indray izy. Koa nasainy nentina nankany an-tranon\u2019i Obeda-edoma Gatita ilay izy.",
        "11": "Nijanona telo volana tao an-tranon\u2019i Obeda-edoma Gatita ny Vata masin\u2019i Jehovah. Dia notahin\u2019i Jehovah foana i Obeda-edoma sy ny ankohonany manontolo.",
        "12": "Nisy nilaza tamin\u2019i Davida Mpanjaka \u00e0ry hoe: \u201cTahin\u2019i Jehovah ny ankohonan\u2019i Obeda-edoma sy izay rehetra ananany, satria ao aminy ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra.\u201d Koa lasa naka an\u2019ilay Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra tao an-tranon\u2019i Obeda-edoma i Davida, ka nampiakatra an\u2019ilay izy ho any amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida sady falifaly be.",
        "13": "Rehefa avy namindra inenina ireo mpilanja ny Vata masin\u2019i Jehovah, dia nanao sorona omby iray sy biby nohatavezina iray izy.",
        "14": "Nandihy nihodinkodina teo anatrehan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny heriny manontolo i Davida. Nanao efoda vita tamin\u2019ny kofehy rongony izy tamin\u2019izay.",
        "15": "Dia nampiakatra ny Vata masin\u2019i Jehovah i Davida sy ny taranak\u2019Israely rehetra, ka faly sy nihorakoraka\u00a0be ary nitsoka anjombona.",
        "16": "Rehefa tonga tao amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida anefa ilay Vata masin\u2019i Jehovah, dia nitazana avy teo am-baravarankely i Mikala zanakavavin\u2019i Saoly. Dia nahita an\u2019i Davida Mpanjaka nitsinjaka sy nandihy nihodinkodina teo anatrehan\u2019i Jehovah izy, ka nanambany azy tao am-pony.",
        "17": "Koa nampidirina tao amin\u2019ny tranolay ilay Vata masin\u2019i Jehovah, ary napetraka teo amin\u2019ny toerany. Natsangan\u2019i Davida ho an\u2019ilay Vata io tranolay io. Dia nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan\u2019i Jehovah izy.",
        "18": "Rehefa avy nanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana i Davida, dia nitso-drano ny vahoaka tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "19": "Samy nizarany mofo boribory sy mofo antrendry ary mofo vita tamin\u2019ny voaloboka maina koa ny olona rehetra, dia ny vahoakan\u2019Israely manontolo, na lahy na vavy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.",
        "20": "Rehefa nody mba hitso-drano ny ankohonany i Davida, dia nivoaka hitsena azy i Mikala zanakavavin\u2019i Saoly. Hoy i Mikala: \u201cHay kosa dia efa nanao izay hahazoany voninahitra ny mpanjakan\u2019ny Israely\u00a0a! Nanary lamba teo imason\u2019ny mpanompovavin\u2019ny mpanompony izy androany, hoatran\u2019ireny lehilahy tsisy saina manary lamba ireny.\u201d",
        "21": "Dia hoy i Davida taminy: \u201cTeo anatrehan\u2019i Jehovah aho no nanao fety. Izy ilay nifidy ahy fa tsy nifidy an\u2019ny dadanao sy ny ankohonany manontolo. Ary izy no nanendry ahy ho mpitarika ny Israely vahoakan\u2019i Jehovah. Noho izany, dia eo anatrehan\u2019i Jehovah aho no hanao fety.",
        "22": "Ary vao mainka aza aho hanetry tena kokoa noho izao, ka hataoko tsinontsinona eo imasoko ny tenako. Fa ireo mpanompovavy nolazainao teo kosa hanome voninahitra ahy.\u201d",
        "23": "Tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny \u00e0ry i Mikala zanakavavin\u2019i Saoly."
    },
    "7": {
        "1": "Rehefa tafapetraka tsara tao amin\u2019ny tranony ny mpanjaka sady nataon\u2019i Jehovah nilamin-tsaina satria novonjeny tamin\u2019ny fahavalo rehetra nanodidina azy,",
        "2": "dia hoy izy tamin\u2019i Natana mpaminany: \u201cIzaho ity mipetraka ato amin\u2019ny trano sedera, nefa ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra mipetraka ao anaty tranolay!\u201d",
        "3": "Dia hoy i Natana taminy: \u201cMandehana ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa manohana anao i Jehovah.\u201d",
        "4": "Ny alin\u2019iny ihany, dia niteny tamin\u2019i Natana i Jehovah hoe:",
        "5": "\u201cMandehana lazao amin\u2019i Davida mpanompoko hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cIanao ve no tokony hanorina trano hipetrahako?",
        "6": "Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin\u2019ny andro nitondrako ny vahoakan\u2019Israely nivoaka avy tany Ejipta ka hatramin\u2019izao. Tao anaty tranolay foana no nisy ahy rehefa nifindrafindra toerana.",
        "7": "Nandritra ny fotoana nandehanako niaraka tamin\u2019ny Israelita rehetra, izaho ve mba efa niteny tamin\u2019ny lehiben\u2019ny foko teo amin\u2019ny Israely, izay notendreko hiandry ny Israely vahoakako, hoe: \u2018Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?\u2019\u201d\u2019",
        "8": "Izao tenenina amin\u2019i Davida mpanompoko: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cNaka anao avy teny amin\u2019ny kijana teny am-piandrasana ondry aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.",
        "9": "Ary hanampy anao aho na aiza na aiza alehanao, ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra. Dia hataoko malaza ny anaranao, toy ny anaran\u2019ny olo-malaza eny ambonin\u2019ny tany.",
        "10": "Ary hanokana toerana hametrahako ny Israely vahoakako aho. Dia hipetraka ao izy ireo, ka tsy hisy hanakorontana intsony. Tsy hampijaly azy ireo intsony koa ny olona ratsy fanahy, hoatran\u2019ny nataon\u2019izy ireny taloha,",
        "11": "tamin\u2019ny fotoana nanendreko mpitsara hitondra ny Israely vahoakako. Ary hovonjeko amin\u2019ny fahavalonao rehetra ianao ka hataoko milamin-tsaina. \u201c\u2018\u201cNilaza taminao koa i Jehovah hoe hanao trano ho anao i Jehovah.",
        "12": "Rehefa tapitra ny andronao ka hodimandry any amin\u2019ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny zanakao lahy. Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.",
        "13": "Izy no hanorina trano ho an\u2019ny anarako, ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan\u2019ny fanjakany.",
        "14": "Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Rehefa manao fahadisoana izy, dia hanariko ka hokapohiko hoatran\u2019ny fanaon\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "15": "Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho, fa tsy hanao hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019i Saoly, izay nesoriko teo anatrehanao.",
        "16": "Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.\u201d\u2019\u201d",
        "17": "Noresahin\u2019i Natana tamin\u2019i Davida \u00e0ry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo.",
        "18": "Dia nipetraka teo anatrehan\u2019i Jehovah i Davida Mpanjaka, ka niteny hoe: \u201cFa mba iza moa aho, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4? Ary mba inona ny ankohonako no nataonao lasa hoatr\u2019izao aho?",
        "19": "Ary toy ny hoe tsy ampy izany efa nataonao izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, fa mbola nilazanao koa aho hoe haharitra hatrany aoriana lavitra any ny taranaky ny mpanomponao. Toromarika ho an\u2019ny olombelona rehetra izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4!",
        "20": "Inona intsony moa no azon\u2019i Davida mpanomponao lazaina aminao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4? Ianao aza efa mahafantatra tsara ahy!",
        "21": "Fa noho ny teninao sady araka ny sitraponao no nanaovanao an\u2019izany zavatra miavaka rehetra izany, sy nampahafantaranao an\u2019izany tamin\u2019ny mpanomponao.",
        "22": "Izany no mahatonga anao ho tena miavaka, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Fa tsy misy hoatr\u2019anao, ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao. Manamarina an\u2019izany ny zava-drehetra henonay.",
        "23": "Ary iza amin\u2019ny firenena eto an-tany moa no hoatran\u2019ny Israely vahoakanao? Navotan\u2019Andriamanitra izy ireo mba ho lasa vahoakany, ka nataony nalaza ny anarany rehefa nanao zavatra miavaka sy mahagaga ho azy ireo izy. Noroahinao ireo firenena sy ny andriamanitr\u2019izy ireny, noho ny amin\u2019ny vahoakanao izay navotanao ho anao avy tany Ejipta.",
        "24": "Efa nataonao ho vahoakanao mandrakizay ny Israely olonao. Ary ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no lasa Andriamanitr\u2019izy ireo.",
        "25": "\u201cKoa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, hanan-kery mandrakizay anie izay nampanantenainao momba ny mpanomponao sy ny taranany. Ary enga anie ianao hanao an\u2019izay efa nampanantenainao!",
        "26": "Hankalazaina mandrakizay anie ny anaranao, mba ho afaka hilaza ny olona hoe: \u2018I Jehovah Tompon\u2019ny tafika no Andriamanitry ny Israely\u2019! Haharitra eo anatrehanao koa anie ny taranak\u2019i Davida mpanomponao!",
        "27": "Fa ianao, ry Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no niteny tamin\u2019ny mpanomponao hoe: \u2018Hanao trano ho anao aho.\u2019 Izany no mahatonga ny mpanomponao ho sahy hanao an\u2019izao vavaka izao aminao.",
        "28": "Koa ankehitriny, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, ianao no tena Andriamanitra, ary marina ny teninao. Nampanantena an\u2019izany zavatra tsara izany tamin\u2019ny mpanomponao ianao.",
        "29": "Dia enga anie hahafinaritra anao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao, ary enga anie haharitra mandrakizay eo anatrehanao izany taranany izany! Fa ianao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, no efa nampanantena. Enga anie ny taranaky ny mpanomponao hotahinao mandrakizay!\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia notafihin\u2019i Davida ny Filistinina, ka resiny. Ary nalainy teo an-tanan\u2019izy ireo i Metega-ama.",
        "2": "Resiny koa ny Moabita. Ary nasainy nitsotra tamin\u2019ny tany izy ireo, dia norefesiny tamin\u2019ny tady. Novonoiny ho faty izay tafiditra tao amin\u2019ny roa ampahatelon\u2019ilay tady, fa ny iray ampahatelony kosa navelany ho velona. Dia lasa mpanompon\u2019i Davida ny Moabita ka nandoa hetra taminy.",
        "3": "Resin\u2019i Davida koa i Hadadezera, zanak\u2019i Rehoba mpanjakan\u2019i Zoba, tamin\u2019izy io nankany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata mba hanamafy indray ny fahefany.",
        "4": "Ireto ny babo azon\u2019i Davida avy taminy: Mpitaingin-tsoavaly 1\u00a0700 sy miaramila 20\u00a0000 mpandeha an-tongotra. Dia notapahiny ny hoza-tongotry ny soavaly rehetra mpitarika kalesy, fa soavaly 100 sisa no tsy nataony an\u2019izany.",
        "5": "Dia tonga nanampy an\u2019i Hadadezera mpanjakan\u2019i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy, kanjo 22\u00a0000 tamin\u2019izy ireo no matin\u2019i Davida.",
        "6": "Nasian\u2019i Davida toby miaramila \u00e0ry tany Damaskosy, any Syria. Dia lasa mpanompony ny Syrianina, ka nandoa hetra taminy. Nataon\u2019i Jehovah nandresy i Davida, na taiza na taiza nalehany.",
        "7": "Ary nalain\u2019i Davida ny ampinga volamena boribory teny amin\u2019ireo mpanompon\u2019i Hadadezera, ka nentiny tany Jerosalema.",
        "8": "Ary naka varahina be dia be avy tany Beta sy Berotahy, tan\u00e0nan\u2019i Hadadezera, i Davida Mpanjaka.",
        "9": "Dia henon\u2019i Toy mpanjakan\u2019i Hamata fa resin\u2019i Davida ny tafik\u2019i Hadadezera manontolo.",
        "10": "Koa nirahin\u2019i Toy ho any amin\u2019i Davida Mpanjaka i Jorama zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany sy hiarahaba azy noho izy niady tamin\u2019i Hadadezera dia nandresy azy. Niady matetika tamin\u2019i Toy mantsy i Hadadezera. Ary nitondra zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy sy volamena ary varahina i Jorama.",
        "11": "Dia nohamasinin\u2019i Davida Mpanjaka ho an\u2019i Jehovah ireny, hoatran\u2019ny efa nataony tamin\u2019ny volafotsy sy ny volamena avy tany amin\u2019ny firenena rehetra resiny,",
        "12": "dia i Syria sy Moaba, ny Amonita, ny Filistinina, ny Amalekita, ary avy tamin\u2019ny zavatra azo babo tamin\u2019i Hadadezera zanak\u2019i Rehoba mpanjakan\u2019i Zoba.",
        "13": "Lasa nalaza koa i Davida rehefa tafaverina avy namono Edomita 18\u00a0000, teo amin\u2019ny Lohasahan-tsira.",
        "14": "Nasiany toby miaramila tany Edoma. Nanerana an\u2019i Edoma mihitsy no nasiany toby miaramila, ka lasa mpanompon\u2019i Davida ny Edomita rehetra. Dia nataon\u2019i Jehovah nandresy i Davida, na taiza na taiza nalehany.",
        "15": "Nanjaka teo amin\u2019ny Israely rehetra i Davida, ary nanao ny rariny sy ny hitsiny teo amin\u2019ny vahoakany manontolo.",
        "16": "I Joaba zanak\u2019i Zeroia no lehiben\u2019ny tafika, ary i Josafata zanak\u2019i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana.",
        "17": "I Zadoka zanak\u2019i Ahitoba sy Ahimeleka zanak\u2019i Abiatara no mpisorona, ary Seraia no mpitan-tsoratra.",
        "18": "I Benaia zanak\u2019i Joiada no lehiben\u2019ny Keretita sy ny Peletita. Ary lasa tompon\u2019andraiki-panjakana ny zanakalahin\u2019i Davida."
    },
    "9": {
        "1": "Ary hoy i Davida: \u201cMbola misy olona anisan\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly ve any? Tiako haseho aminy mantsy hoe tia azy aho sady tsy mivadika aminy, noho ny amin\u2019i Jonatana.\u201d",
        "2": "Ary nanana mpanompo atao hoe Ziba ny fianakavian\u2019i Saoly. Dia nantsoina ho any amin\u2019i Davida izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: \u201cIanao ve no Ziba?\u201d Dia hoy izy: \u201cIzaho mpanomponao no izy.\u201d",
        "3": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cMbola misy taranak\u2019i Saoly ve any? Tiako haseho aminy hoe tia azy aho sady tsy mivadika aminy, hoatran\u2019ny ataon\u2019Andriamanitra.\u201d Dia hoy i Ziba taminy: \u201cMbola misy zanakalahin\u2019i Jonatana anankiray any, ary malemy ny tongony roa.\u201d",
        "4": "Nanontany azy \u00e0ry ny mpanjaka hoe: \u201cAiza izy?\u201d Dia hoy i Ziba: \u201cAny an-tranon\u2019i Makira zanak\u2019i Amiela any Lo-debara izy.\u201d",
        "5": "Dia naniraka olona avy hatrany i Davida Mpanjaka, mba haka azy tany an-tranon\u2019i Makira zanak\u2019i Amiela tany Lo-debara.",
        "6": "Rehefa tonga tao amin\u2019i Davida i Mefiboseta zanak\u2019i Jonatana zanak\u2019i Saoly, dia nandohalika ary niankohoka. Hoy i Davida: \u201cMefiboseta!\u201d Dia hoy izy: \u201cInt\u1ef3 ny mpanomponao.\u201d",
        "7": "Hoy i Davida: \u201cAza matahotra, fa ho tia anao sy tsy hivadika aminao tokoa aho, noho ny amin\u2019i Jonatana rainao. Dia haveriko aminao daholo ny tanin\u2019i Saoly dadabenao, ary hisakafo eo amin\u2019ny latabatro foana ianao.\u201d",
        "8": "Dia niankohoka i Mefiboseta, sady niteny hoe: \u201cFa inona moa ny mpanomponao izay toy ny alika maty no mba voamarikao?\u201d",
        "9": "Ary nasain\u2019ny mpanjaka nantsoina i Ziba mpanompon\u2019i Saoly, ka nilazany hoe: \u201cOmeko ho an\u2019ilay zafikelin\u2019ny tomponao izay rehetra an\u2019i Saoly sy an\u2019ny ankohonany manontolo.",
        "10": "Dia ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hamboly eo amin\u2019ny taniny. Hanangona ny vokatra ianao, mba ho sakafon\u2019ny fianakavian\u2019ny zafikelin\u2019ny tomponao. Fa i Mefiboseta zafikelin\u2019ny tomponao kosa hisakafo eo amin\u2019ny latabatro foana.\u201d Ary nanan-janakalahy 15 sy mpanompo 20 i Ziba.",
        "11": "Dia hoy i Ziba tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cHataon\u2019ny mpanomponao izay rehetra asain\u2019ny mpanjaka tompoko ataony.\u201d Nisakafo teo amin\u2019ny latabatr\u2019i Davida hoatran\u2019ny zanaky ny mpanjaka \u00e0ry i Mefiboseta.",
        "12": "Nanan-janaka lahikely atao hoe Mika koa i Mefiboseta. Ary lasa mpanompon\u2019i Mefiboseta izay rehetra nipetraka tao an-tranon\u2019i Ziba.",
        "13": "Nipetraka tany Jerosalema i Mefiboseta, satria teo amin\u2019ny latabatry ny mpanjaka foana izy no nisakafo. Ary nalemy ny tongony roa."
    },
    "10": {
        "1": "Maty ny mpanjakan\u2019ny Amonita, tat\u1ef3 aoriana, ka i Hanona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.",
        "2": "Dia hoy i Davida: \u201cHo tsara fanahy amin\u2019i Hanona zanak\u2019i Nahasy aho, satria tsara fanahy tamiko ny rainy.\u201d Nirahin\u2019i Davida \u00e0ry ny mpanompony mba hampionona azy noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Amonita anefa ny mpanompon\u2019i Davida,",
        "3": "dia hoy ny andrianan\u2019ny Amonita tamin\u2019i Hanona tompony: \u201cIanao ve dia mieritreritra hoe ny hanome voninahitra ny dadanao no nanirahan\u2019i Davida ny mpanompony at\u1ef3 hampionona anao, fa tsy hoe hamantatra sy hitsikilo ny tan\u00e0na dia handrava azy?\u201d",
        "4": "Nosamborin\u2019i Hanona \u00e0ry ny mpanompon\u2019i Davida ka nesoriny ny antsasaky ny volombavan\u2019izy ireo, ary notapahiny hatreo amin\u2019ny fitombenany ny akanjony, dia nalefany izy ireo.",
        "5": "Vao henon\u2019i Davida izany, dia naniraka olona hitsena an\u2019ireo lehilahy ireo izy. Afa-baraka tanteraka mantsy izy ireo. Ary hoy ny mpanjaka: \u201cMijan\u00f2na aloha any Jeriko, dia rehefa maniry indray ny volombavanareo vao modia.\u201d",
        "6": "Dia hitan\u2019ny Amonita fa lasa halan\u2019i Davida izy ireo. Koa naniraka olona izy ireo mba hanakarama ny Syrianina tany Beti-rehoba sy tany Zoba, dia miaramila 20\u00a0000 mpandeha an-tongotra, sy ny mpanjakan\u2019i Maka niaraka tamin\u2019ny 1\u00a0000 lahy, ary lehilahy 12\u00a0000 avy any Istoba.",
        "7": "Rehefa henon\u2019i Davida izany, dia nirahiny i Joaba sy ny tafika manontolo, anisan\u2019izany ireo miaramilany matanjaka indrindra.",
        "8": "Ary nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ny Amonita ka nilahatra hiady teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019ilay tan\u00e0na. Nitokana teny an-tsaha kosa ny Syrianina avy any Zoba sy Rehoba, ary ny miaramila avy any Istoba sy Maka.",
        "9": "Hitan\u2019i Joaba fa avy any aloha sy avy any aoriana ireo fahavalo. Dia nifidy tamin\u2019ireo miaramila voafantina teo amin\u2019ny Israely izy, ka nasainy nilahatra hiady tamin\u2019ny Syrianina izy ireo.",
        "10": "Ny sisa kosa nasainy notarihin\u2019i Abisay rahalahiny, mba hilahatra hiady amin\u2019ny Amonita.",
        "11": "Dia hoy izy: \u201cRaha matanjaka loatra ny Syrianina ka tsy resiko, dia tongava mamonjy ahy. Fa raha matanjaka loatra kosa ny Amonita ka tsy resinao, dia ho avy aho hamonjy anao.",
        "12": "Tsy maintsy matanjaka sy be herim-po isika, satria hiady ho an\u2019ny vahoakantsika sy ho an\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ilay Andriamanitsika. I Jehovah koa hanao ny anjarany.\u201d",
        "13": "Ary nandroso i Joaba sy ny miaramilany, ka niady tamin\u2019ny Syrianina. Dia nandositra azy izy ireo.",
        "14": "Rehefa hitan\u2019ny Amonita fa nandositra ny Syrianina, dia nandositra an\u2019i Abisay koa izy ireo ka niditra tao an-tan\u00e0na. Dia niverina tany Jerosalema i Joaba, rehefa avy niady tamin\u2019ny Amonita.",
        "15": "Nifamory indray ny Syrianina rehefa hitany hoe resin\u2019ny Israely izy ireo.",
        "16": "Naniraka olona haka ny Syrianina tany amin\u2019ny faritry ny Renirano \u00e0ry i Hadadezera. Dia tonga tany Helama ny Syrianina, ary i Sobaka lehiben\u2019ny tafik\u2019i Hadadezera no nitarika azy ireo.",
        "17": "Raha vao henon\u2019i Davida izany, dia nangoniny ny Israely rehetra. Dia niampita ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo ka tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady tamin\u2019i Davida ny Syrianina, ka nifanandrina taminy.",
        "18": "Nandositra ny Israely anefa ny Syrianina. Ary mpitondra kalesy 700 sy mpitaingin-tsoavaly 40\u00a0000 no matin\u2019i Davida. Nasiany koa i Sobaka lehiben\u2019ny tafik\u2019izy ireo ka maty.",
        "19": "Rehefa hitan\u2019ny mpanjaka rehetra nofehezin\u2019i Hadadezera fa resin\u2019ny Israely izy ireo, dia nihavana haingana tamin\u2019ny Israely izy ireo ka nanompo azy. Ary tsy sahy nanampy an\u2019ireo Amonita intsony ny Syrianina."
    },
    "11": {
        "1": "Fiandohan\u2019ny taona tamin\u2019izay, sady fotoana fandehanan\u2019ny mpanjaka hiady. Dia nirahin\u2019i Davida i Joaba sy ny mpanompony ary ny tafiky ny Israely manontolo, mba handringana ny Amonita. Ary nanao fahirano an\u2019i Raba izy ireo, fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema.",
        "2": "Niarina avy teo am-pandrianany i Davida, indray hariva, ka nandehandeha teo an-tampon\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka. Avy teny izy no nahatazana vehivavy iray nandro, ary tsara tarehy be mihitsy ilay vehivavy.",
        "3": "Dia naniraka olona hanadihady momba an\u2019ilay vehivavy i Davida, ka izao no nolazain\u2019ilay olona: \u201cTsy i Batseba zanakavavin\u2019i Eliama ve iny\u00a0e? Ilay vadin\u2019i Oria Hetita!\u201d",
        "4": "Koa naniraka olona haka an\u2019ilay vehivavy i Davida, ka tonga tao aminy izy. Dia nanao firaisana taminy i Davida. Mbola tao anatin\u2019ny fotoana nidiovany tamin\u2019ny fahalotoany anefa ilay vehivavy tamin\u2019izay. Lasa nody tany an-tranony izy avy\u00a0eo.",
        "5": "Dia bevohoka ilay vehivavy, ary nampitondra hafatra ho an\u2019i Davida izy hoe: \u201cBevohoka aho.\u201d",
        "6": "Dia nampitondra an\u2019izao hafatra izao ho an\u2019i Joaba i Davida: \u201cAlefaso at\u1ef3 amiko i Oria Hetita.\u201d Nalefan\u2019i Joaba tany aminy \u00e0ry i Oria.",
        "7": "Rehefa tonga tao amin\u2019i Davida i Oria, dia nanontaniany hoe nanao ahoana i Joaba sy ny miaramila, ary nanao ahoana ny fizotran\u2019ny ady.",
        "8": "Hoy i Davida tamin\u2019i Oria avy eo: \u201cMandehana mody, ary mial\u00e0 sasatra kely.\u201d Rehefa niala tao an-tranon\u2019ny mpanjaka i Oria, dia nisy fanomezana avy amin\u2019ny mpanjaka nampanaterina tany aminy.",
        "9": "Tsy nody tany an-tranony anefa i Oria fa natory teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka, niaraka tamin\u2019ny mpanompo hafa rehetran\u2019ny tompony.",
        "10": "Nisy nilaza tamin\u2019i Davida \u00e0ry hoe: \u201cTsy nody tany an-tranony i Oria.\u201d Dia hoy i Davida tamin\u2019i Oria: \u201cTsy vao avy nanao dia lavitra moa ianao? Koa maninona ianao no tsy nody tany an-tranonao?\u201d",
        "11": "Dia namaly azy i Oria hoe: \u201cMipetraka ao anaty tranolay ny Vata sy ny Israely ary ny Joda, ary mitoby eny an-tsaha i Joaba tompoko sy ny mpanompon\u2019ny tompoko. Dia izaho ve dia hody any an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hanao firaisana amin\u2019ny vadiko? Raha mbola velon\u2019aina koa ianao, dia tsy hanao an\u2019izany aho!\u201d",
        "12": "Dia hoy i Davida: \u201cMijan\u00f2na ihany \u00e0ry at\u1ef3 androany, fa rahampitso ianao halefako.\u201d Koa nijanona tao Jerosalema i Oria tamin\u2019iny andro iny sy ny ampitson\u2019iny.",
        "13": "Dia nampanantsoin\u2019i Davida izy mba hiaraka hihinana sy hisotro aminy, ary nataony izay hahamamo azy. Tsy nody tany an-tranony anefa izy rehefa hariva, fa nandeha natory teo am-pandrianany niaraka tamin\u2019ny mpanompon\u2019ny tompony ihany.",
        "14": "Ny ampitso maraina, dia nanoratra taratasy ho an\u2019i Joaba i Davida, ary nampitondrainy an\u2019i Oria ilay izy.",
        "15": "Izao no nosoratany tao amin\u2019ilay taratasy: \u201cAlefaso any amin\u2019izay misy fifandonana mafy indrindra i Oria. Dia ialao izy, mba ho voa ka ho faty.\u201d",
        "16": "Efa nandinika tsara an\u2019ilay tan\u00e0na i Joaba, dia nataony teo amin\u2019izay toerana fantany fa nisy miaramila matanjaka i Oria.",
        "17": "Rehefa nivoaka hiady tamin\u2019i Joaba ny lehilahy tao an-tan\u00e0na, dia nisy maty ny mpanompon\u2019i Davida, anisan\u2019izany i Oria Hetita.",
        "18": "Dia naniraka olona tany amin\u2019i Davida i Joaba mba hilaza ny vaovao rehetra momba an\u2019ilay ady.",
        "19": "Izao no noteneniny tamin\u2019ilay olona nirahiny: \u201cRehefa voalazanao amin\u2019ny mpanjaka daholo ny vaovao momba ny fizotran\u2019ny ady,",
        "20": "dia mety ho tezitra ny mpanjaka ka hiteny hoe: \u2018Fa maninona ianareo no nanakaiky loatra ny tan\u00e0na rehefa niady? Tsy hainareo angaha fa hitifitra avy eny an-tampon\u2019ny manda ry zareo?",
        "21": "Fa iza moa no namono an\u2019i Abimeleka zanak\u2019i Jerobeseta? Tsy vehivavy ve no nanjera vato fikosoham-bary avy teny an-tampon\u2019ny manda, ka nahafaty azy tao Tebeza? Koa maninona ianareo no mbola nanakaiky loatra ny manda ihany?\u2019 Dia lazao hoe: \u2018Maty koa i Oria Hetita mpanomponao.\u2019\u201d",
        "22": "Lasa \u00e0ry ilay iraka, dia nolazainy tamin\u2019i Davida daholo izay nasain\u2019i Joaba nolazaina taminy.",
        "23": "Hoy izy tamin\u2019i Davida: \u201cNahery noho izahay ry zareo, ka nivoaka namely anay hatreny an-tsaha. Voatosikay niverina hatreny amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na anefa ry zareo.",
        "24": "Ary notifirin\u2019ny mpandefa zana-tsip\u00ecka avy teny an-tampon\u2019ny manda ny mpanomponao, ka nisy maty ny mpanompon\u2019ny mpanjaka. Maty koa i Oria Hetita mpanomponao.\u201d",
        "25": "Dia hoy i Davida: \u201cIzao lazaina amin\u2019i Joaba: \u2018Aza miady saina amin\u2019izany, fa tsy mifidy hasiana ny sabatra. Hamafiso fotsiny ny fanafihanao an\u2019ilay tan\u00e0na ka ataovy izay handresena azy.\u2019 Dia ampaherezo i Joaba.\u201d",
        "26": "Rehefa henon\u2019ny vadin\u2019i Oria fa maty i Oria vadiny, dia nisaona azy izy.",
        "27": "Vao tapitra ny fotoana fisaonana, dia nampanantsoin\u2019i Davida ho any an-tranony i Batseba. Lasa vadiny izy, ary nitera-dahy taminy. Tena tsy nahafaly an\u2019i Jehovah mihitsy anefa ny zavatra nataon\u2019i Davida."
    },
    "12": {
        "1": "Nirahin\u2019i Jehovah ho any amin\u2019i Davida \u00e0ry i Natana. Dia tonga tany aminy izy, ka niteny hoe: \u201cNisy lehilahy roa tao amin\u2019ny tan\u00e0na iray, ka ny iray nanan-karena, ary ny iray nahantra.",
        "2": "Nanana ondry sy omby maro be ilay mpanankarena.",
        "3": "Fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavy kely iray, izay novidiny. Nokarakarainy izy io, ka nihalehibe tao an-tranony niaraka tamin\u2019ny zanany lahy. Nihinana tamin\u2019izay mba sakafo kelin\u2019ilay mahantra ilay ondrivavy, nisotro tamin\u2019ny kaopiny, ary natory teo an-tratrany. Lasa hoatran\u2019ny zanany vavy mihitsy ilay izy.",
        "4": "Indray andro izay, dia nisy vahiny avy lavitra tonga tao amin\u2019ilay mpanankarena. Tsy ny ondriny na ny ombiny anefa no nangalany mba hokarakaraina ho an\u2019ilay olona tonga tao aminy, fa ny ondrikelin\u2019ilay mahantra no nalainy dia nokarakarainy ho an\u2019ilay vahininy.\u201d",
        "5": "Dia tezitra be tamin\u2019izany lehilahy izany i Davida, ka hoy izy tamin\u2019i Natana: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia mendrika ny ho faty ilay lehilahy nanao an\u2019izany!",
        "6": "Ary tokony honerany avo efatra heny ilay ondrikely, noho izy nanao an\u2019izany zavatra izany sady tsy nangoraka.\u201d",
        "7": "Dia hoy i Natana tamin\u2019i Davida: \u201cIanao izany lehilahy izany! Izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan\u2019ny Israely, sady namonjy anao teo an-tanan\u2019i Saoly.",
        "8": "Efa nomeko anao izay nananan\u2019ny tomponao, ary nomeko anao ny vadin\u2019ny tomponao. Nomeko anao koa ny taranak\u2019Israely sy Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko betsaka kokoa noho izany aza ianao.",
        "9": "Koa naninona ianao no nanao tsinontsinona ny tenin\u2019i Jehovah, ka nanao izay ratsy teo imasony? Nasianao tamin\u2019ny sabatra i Oria Hetita! Dia nalainao ho vadinao ny vadiny, rehefa avy novonoinao tamin\u2019ny sabatry ny Amonita izy.",
        "10": "Noho izany, dia hisy ho fatin\u2019ny sabatra foana ao amin\u2019ny ankohonanao, satria nanao tsinontsinona ahy ianao rehefa naka ny vadin\u2019i Oria Hetita ho vadinao.\u2019",
        "11": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hahatonga loza ho anao avy ao amin\u2019ny ankohonanao ihany aho. Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an\u2019ny lehilahy hafa. Dia hanao firaisana amin\u2019izy ireo amin\u2019ny antoandrobenanahary izy.",
        "12": "Ianao nanao zavatra niafinafina, fa izaho kosa hanao an\u2019izany eo anatrehan\u2019ny Israely rehetra sy amin\u2019ny antoandrobenanahary.\u2019\u201d",
        "13": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Natana: \u201cNanota tamin\u2019i Jehovah aho.\u201d Ary hoy i Natana taminy: \u201cMamela ny fahotanao i Jehovah, ka tsy ho faty ianao.",
        "14": "Na izany aza, dia tsy maintsy ho faty ilay zanakao lahy vao teraka, satria tena tsy nanaja an\u2019i Jehovah mihitsy ianao tamin\u2019izany zavatra nataonao izany.\u201d",
        "15": "Dia nody tany an-tranony i Natana. Ary nataon\u2019i Jehovah narary mafy ilay zaza nateraky ny vadin\u2019i Oria tamin\u2019i Davida.",
        "16": "Dia nitalaho tamin\u2019ilay tena Andriamanitra i Davida noho ny amin\u2019ilay zaza. Ary nifady hanina izy. Dia niditra tao amin\u2019ny efitranony izy isan-kariva, ka natory teo amin\u2019ny tany nandritra ny alina.",
        "17": "Nanatona azy \u00e0ry ny anti-panahy tao an-tranony ary niezaka nandresy lahatra azy mba hiarina avy teo amin\u2019ny tany, nefa tsy nanaiky izy sady tsy nety niara-nisakafo tamin\u2019izy ireo.",
        "18": "Maty ilay zaza, tamin\u2019ny andro fahafito. Natahotra ny hilaza tamin\u2019i Davida anefa ny mpanompony hoe maty ilay zaza. Fa hoy izy ireo: \u201cTamin\u2019ilay zaza mbola velona aza izy tsy nihaino antsika rehefa niresaka taminy isika, ka ahoana no hilazantsika aminy hoe maty ilay zaza? Sao dia hanaonao foana eo izy!\u201d",
        "19": "Rehefa hitan\u2019i Davida fa nifampibitsibitsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ilay zaza. Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMaty angaha ilay zaza?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cIe, maty izy.\u201d",
        "20": "Niarina avy teo amin\u2019ny tany \u00e0ry i Davida. Nisasa sy nihoso-menaka ary nisolo akanjo izy, dia nankao an-tranon\u2019i Jehovah ka niankohoka. Nody tany an-tranony izy avy eo, ary nangataka horosoana sakafo, dia nihinana.",
        "21": "Ary hoy ny mpanompony taminy: \u201cFa ahoana koa izao ataonao izao? Nifady hanina sy nitomany foana ianao tamin\u2019ny mbola velona ilay zaza. Raha vao maty anefa izy, dia niarina ianao ka nihinan-kanina.\u201d",
        "22": "Dia hoy izy: \u201cNifady hanina sy nitomany foana aho tamin\u2019ny mbola velona ilay zaza, satria nieritreritra aho hoe: \u2018Iza moa no mahalala sao dia mba hangoraka ahy ihany i Jehovah, ka hamela an\u2019ilay zaza ho velona?\u2019",
        "23": "Efa maty anefa izy izao, koa nahoana aho no mbola hifady hanina? Izaho angaha mahavita mampiverina azy indray? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina at\u1ef3 amiko.\u201d",
        "24": "Dia nampionona an\u2019i Batseba vadiny i Davida. Ary nankao aminy izy ka nanao firaisana taminy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tera-dahy i Batseba, ary natao hoe Solomona ny anarany. Ary tia an\u2019ilay zaza i Jehovah,",
        "25": "ka nandefa hafatra tamin\u2019ny alalan\u2019i Natana mpaminany mba hataony hoe Jedidia ny anaran\u2019ilay zaza, noho ny amin\u2019i Jehovah.",
        "26": "Mbola niady tamin\u2019i Raba tan\u00e0nan\u2019ny Amonita i Joaba, ka azony ny tan\u00e0nan\u2019ny mpanjaka.",
        "27": "Koa naniraka olona nankany amin\u2019i Davida i Joaba hilaza hoe: \u201cNiady tamin\u2019i Raba aho, ary azoko ny tan\u00e0na misy rano.",
        "28": "Angony \u00e0ry ny sisa amin\u2019ny miaramila ary mitobia hamely an\u2019ilay tan\u00e0na, dia aleo ianao no haka azy. Raha tsy izany dia izaho no haka an\u2019ilay tan\u00e0na, ka izaho no hahazo voninahitra.\u201d",
        "29": "Nangonin\u2019i Davida \u00e0ry ny miaramila rehetra, dia nankany Raba izy ka niady taminy ary naka azy.",
        "30": "Ary nesoriny ny satroboninahitra volamena teny an-dohan\u2019i Malkama. Iray talenta no lanjan\u2019izy io, ary nisy vatosoa ilay izy. Dia natao teo amin\u2019ny lohan\u2019i Davida ilay izy. Ary naka zavatra be dia be avy tao amin\u2019ilay tan\u00e0na izy.",
        "31": "Nentiny koa ny olona tao ka nampiasainy mba hanatsofa vato, sy hiasa amin\u2019ny fitaovana vy maranitra sy famaky vy, ary hanao biriky. Nataony hoatr\u2019izany daholo ny tan\u00e0nan\u2019ny Amonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny miaramila rehetra."
    },
    "13": {
        "1": "Nanana anabavy tsara tarehy atao hoe Tamara i Absaloma zanak\u2019i Davida. Ary raiki-pitia tamin\u2019i Tamara i Amnona, izay zanak\u2019i Davida ihany koa.",
        "2": "Niasa saina be i Amnona ka nandraiki-narary mihitsy, noho ny amin\u2019i Tamara anabaviny. Virjiny mantsy ilay tovovavy, ka hoatran\u2019ny hoe tsy nisy na inona na inona azon\u2019i Amnona natao taminy.",
        "3": "Nana-namana atao hoe Jonadaba i Amnona. Zanak\u2019i Simea rahalahin\u2019i Davida i Jonadaba, ary lehilahy tena marani-tsaina.",
        "4": "Dia hoy izy tamin\u2019i Amnona: \u201cFa maninona ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no malahelohelo hoatr\u2019izao isa-maraina? Maninona raha tenenina amiko?\u201d Ary hoy i Amnona taminy: \u201cRaiki-pitia amin\u2019i Tamara anabavin\u2019i Absaloma rahalahiko aho.\u201d",
        "5": "Dia hoy i Jonadaba: \u201cMatoria eo am-pandriananao, ary mody manaova marary. Ka rehefa tonga hijery anao ny rainao, dia teneno izy hoe: \u2018Mba avelao hankat\u1ef3 amiko i Tamara anabaviko handroso sakafo ho ahy. Raha mikarakara ny sakafon\u2019ny marary eto imasoko izy, dia hihinana an\u2019izay arosony aho.\u2019\u201d",
        "6": "Natory \u00e0ry i Amnona sady mody nanao narary, ary tonga namangy azy ny mpanjaka. Dia hoy i Amnona taminy: \u201cMba avelao hankat\u1ef3 amiko i Tamara anabaviko hanao mofo roa miendrika fo eto imasoko. Dia hihinana an\u2019ilay izy avy eny an-tanany aho.\u201d",
        "7": "Koa naniraka olona nankany amin\u2019i Tamara tany an-trano i Davida, hilaza hoe: \u201cMba mankanesa any an-tranon\u2019i Amnona anadahinao, dia ikarakarao sakafo izy.\u201d",
        "8": "Dia nankany an-tranon\u2019i Amnona anadahiny i Tamara. Natoritory teo am-pandriana i Amnona tamin\u2019izay. Ary nalain\u2019i Tamara ny koba ka novolavolainy, ary nanamboarany mofo teo imason\u2019i Amnona, dia nendasiny.",
        "9": "Dia nalainy ilay lapoaly, ka narosony azy ny mofo tao anatiny. Tsy nety nihinana anefa i Amnona fa niteny hoe: \u201cMandehana daholo ianareo mivoaka!\u201d Dia lasa nivoaka ny olona rehetra.",
        "10": "Ary hoy i Amnona tamin\u2019i Tamara: \u201cEnto at\u1ef3 amin\u2019ny efitra\u00a0fatoriana ilay sakafo, mba hihinanako an\u2019ilay izy avy eny an-tananao.\u201d Dia nalain\u2019i Tamara ireo mofo miendrika fo nataony, ka nentiny tao amin\u2019i Amnona anadahiny, tao amin\u2019ny efitra fatoriana.",
        "11": "Rehefa nitondra an\u2019ireo mofo tany aminy anefa i Tamara, dia nosintoniny mafy be izy ka nilazany hoe: \u201cAvia hanao firaisana amiko, ranabavy.\u201d",
        "12": "Hoy anefa izy taminy: \u201cTsia, ranadahy! Aza manao izay hahafa-baraka ahy, fa tsy fanao eto amin\u2019ny Israely izany. Aza manao an\u2019izany zavatra mamoafady izany.",
        "13": "Ho afa-baraka amin\u2019ny tany ama-monina aho, ka ahoana no hahazakako an\u2019izany? Dia ianao koa hitovy amin\u2019ireny lehilahy tsisy ilana azy eto amin\u2019ny Israely ireny. Miresaha re amin\u2019ny mpanjaka\u00a0e! Fa hanaiky hanome ahy ho anao izy.\u201d",
        "14": "Tsy nety nihaino azy anefa i Amnona, fa nampiasa hery taminy ka nanala baraka azy satria nanolana azy.",
        "15": "Avy eo dia lasa tsy tia maizina azy i Amnona, ka be lavitra noho ny fitiavany azy taloha ny fankahalany azy. Hoy i Amnona taminy: \u201cMitsang\u00e0na teo! \u2019Ndeha mandeha any!\u201d",
        "16": "Dia hoy i Tamara: \u201cTsia, ranadahy! Aza roahinao aho, fa mbola ratsy kokoa noho ny zavatra nataonao tamiko teo izany.\u201d Tsy nety nihaino azy anefa izy.",
        "17": "Dia niantso tovolahy iray mpanompony i Amnona, ka nanao taminy hoe: \u201cAvoahy hiala eto anatrehako io olona io, azafady, ary hidio ny varavarana.\u201d",
        "18": "Nanao akanjo manokana fanaon\u2019ny tovovavy virjiny zanaky ny mpanjaka i Tamara tamin\u2019izay. Navoakan\u2019ilay mpanompon\u2019i Amnona tany ivelany \u00e0ry izy, ary nohidiany ny varavarana.",
        "19": "Dia nasian\u2019i Tamara lavenona ny lohany, ary norovitiny ilay akanjo tsara be nanaovany. Ary niloloha tanana izy ka lasa nandeha sady nitomany.",
        "20": "Dia nanontany azy i Absaloma anadahiny hoe: \u201cI Amnona anadahinao ve no nanao an\u2019izao taminao? Aleo mangina, ranabavy, fa anadahinao izy. Hadinoy any izany.\u201d Dia nipetraka tao an-tranon\u2019i Absaloma anadahiny i Tamara, ka tsy nifandray tamin\u2019olona mihitsy.",
        "21": "Tezitra be i Davida Mpanjaka rehefa naheno an\u2019izany rehetra izany. Tsy te hampalahelo an\u2019i Amnona zanany anefa izy. Tiany mantsy i Amnona satria zanany lahimatoa.",
        "22": "Ary tsy niresaka tamin\u2019i Amnona intsony i Absaloma, na zavatra ratsy izany na zavatra tsara. Halan\u2019i Absaloma mantsy izy satria nanala baraka an\u2019i Tamara anabaviny.",
        "23": "Rehefa afaka roa taona katroka, dia tany Bala-hazora any akaikin\u2019i Efraima ny mpanety ondrin\u2019i Absaloma. Ary nasain\u2019i Absaloma daholo ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka.",
        "24": "Nankao amin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Absaloma, dia nilaza hoe: \u201cMampanety ny ondriny ny mpanomponao, ka andao mba hiaraka amiko ny mpanjaka sy ny mpanompony.\u201d",
        "25": "Hoy anefa ny mpanjaka tamin\u2019i Absaloma: \u201cTsia, anaka! Raha mandeha izahay rehetra, dia ho enta-mavesatra ho anao.\u201d Na dia niangavingavy azy aza i Absaloma, dia tsy nety nandeha izy fa nitso-drano azy.",
        "26": "Dia hoy i Absaloma: \u201cRaha tsy handeha \u00e0ry ianao, dia mba avelao hiaraka aminay i Amnona rahalahiko!\u201d Namaly azy ny mpanjaka hoe: \u201cNahoana izy no handeha hiaraka aminao?\u201d",
        "27": "Mbola niangavy azy ihany anefa i Absaloma, ka nalefan\u2019ny mpanjaka niaraka taminy i Amnona sy ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka rehetra.",
        "28": "Ary nomen\u2019i Absaloma baiko ny mpanompony hoe: \u201cMiom\u00e0na, fa rehefa falifaly ny fon\u2019i Amnona noho izy nisotro divay, dia hiteny aminareo aho hoe: \u2018Asio i Amnona!\u2019 Dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra. Tsy izaho ve no manome baiko anareo? Mahereza ary man\u00e0na herim-po.\u201d",
        "29": "Izay nasain\u2019i Absaloma natao tamin\u2019i Amnona \u00e0ry no nataon\u2019ny mpanompony. Ary nitsangana daholo ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka, ka samy nitaingina ny ramoleny dia nandositra.",
        "30": "Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy nilaza tamin\u2019i Davida hoe: \u201cNovonoin\u2019i Absaloma daholo ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka, ka tsy nisy niangana na iray aza.\u201d",
        "31": "Dia nitsangana ny mpanjaka, ka nandrovitra ny akanjony ary nidaboka tamin\u2019ny tany. Nijoro teo akaikiny koa ny mpanompony rehetra, izay samy efa nandrovitra ny akanjony.",
        "32": "Hoy anefa i Jonadaba zanak\u2019i Simea rahalahin\u2019i Davida: \u201cAoka ny tompoko tsy hieritreritra hoe nisy namono daholo ny tovolahy zanaky ny mpanjaka, fa i Amnona ihany no maty. I Absaloma no nanome baiko hamonoana azy, noho i Amnona nanala baraka an\u2019i Tamara anabaviny. Efa hatramin\u2019iny andro iny izy no nikendry hamono azy.",
        "33": "Ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4, aza mino ny tenin\u2019izay milaza aminao hoe: \u2018Maty daholo ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka\u2019, fa i Amnona ihany no maty.\u201d",
        "34": "I Absaloma kosa efa lasa nandositra. Ary nitazana ilay mpiambina ka nahita olona be dia be, avy any amin\u2019ilay lalana tany andamosiny, teny akaikin\u2019ny tendrombohitra.",
        "35": "Dia hoy i Jonadaba tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cIreny fa niverina ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka, araka ny efa nolazain\u2019ny mpanomponao.\u201d",
        "36": "Rehefa tapitra ny teniny, dia tonga ny zanakalahin\u2019ny mpanjaka. Ary nigogogogo nitomany izy ireo. Nitomany be koa ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra.",
        "37": "Fa i Absaloma kosa nandositra nankany amin\u2019i Talmay zanak\u2019i Amihoda, mpanjakan\u2019i Gesora. Ary nisaona an-janany nandritra ny andro maro i Davida.",
        "38": "Nandositra tany Gesora i Absaloma, ka nijanona tany telo taona.",
        "39": "Te hahita mafy an\u2019i Absaloma i Davida Mpanjaka, tamin\u2019ny farany. Efa nionona tamin\u2019ny nahafatesan\u2019i Amnona mantsy izy."
    },
    "14": {
        "1": "Ary fantatr\u2019i Joaba zanak\u2019i Zeroia fa nalahelohelo an\u2019i Absaloma ny fon\u2019ny mpanjaka.",
        "2": "Koa naniraka olona haka vehivavy marani-tsaina tany Tekoa i Joaba, ka nilaza taminy hoe: \u201cMba mody ataovy hoe misaona ianao, ka manaova akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka. Ataovy hoatran\u2019ireny vehivavy nisaona efa ela ireny ianao.",
        "3": "Mankanesa ao amin\u2019ny mpanjaka avy eo, ary izao lazaina aminy.\u201d Dia nolazain\u2019i Joaba taminy izay teny tokony holazainy.",
        "4": "Nankao amin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry ilay vehivavy tekoita, dia nandohalika ka niankohoka tamin\u2019ny tany, ary niteny hoe: \u201cMba ampio re aho, ry mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d",
        "5": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: \u201cFa misy inona?\u201d Dia hoy izy: \u201cMpitondratena aho, fa efa maty ny vadiko.",
        "6": "Nanan-janaka roa lahy izaho mpanomponao, ary niady tany an-tsaha izy mirahalahy. Tsy nisy nanasaraka anefa ry zareo, dia namely ny iray ny iray ka nahafaty azy.",
        "7": "Lasa manohitra ny mpanomponao izao ny fianakaviana manontolo. Nilaza ry zareo hoe: \u2018Atolory anay ilay namely ny rahalahiny mba hovonoinay ho faty, noho izy nandatsaka ny ain\u2019ny rahalahiny. Tsy maninona na tsy misy mpandova intsony aza!\u2019 Tadiavin-dry zareo hovonoina ilay vainafo sisa mba ananako! Dia ho very anarana ny vadiko sady tsy hanan-taranaka intsony et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "8": "Koa niteny taminy ny mpanjaka hoe: \u201cModia any an-tranonao, fa hanome baiko aho hanampiana anao.\u201d",
        "9": "Dia hoy ilay vehivavy tekoita: \u201cRy mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4, izaho sy ny ankohonan-draiko no aoka ho meloka, fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany kosa tsy hanan-tsiny.\u201d",
        "10": "Ary nilaza ny mpanjaka hoe: \u201cRaha mbola misy miteniteny anao, dia ento at\u1ef3 amiko izy. Tsy hila vaniny aminao intsony izy amin\u2019izay.\u201d",
        "11": "Hoy anefa ilay vehivavy: \u201cMba tsarovy re i Jehovah Andriamanitrao ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, amin\u2019izay dia tsy hahatonga loza amin\u2019ny zanako lahy ny mpamaly ra ka tsy hamono azy.\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy hisy ho latsaka amin\u2019ny tany ny singam-bolon\u2019ny zanakao na iray aza.\u201d",
        "12": "Ary hoy ilay vehivavy: \u201cMba avelao ny mpanomponao hiteny kely amin\u2019ny mpanjaka tompoko.\u201d Dia hoy izy: \u201cMitenena \u00e0ry!\u201d",
        "13": "Niteny ilay vehivavy hoe: \u201cNahoana \u00e0ry ianao, ry mpanjaka, no nanao zavatra tsy mahasoa ny vahoakan\u2019Andriamanitra hoatr\u2019izany? Manameloka anao ny teninao, satria tsy mampody an\u2019ilay zanakao noroahinao ianao.",
        "14": "Tsy maintsy ho faty isika, ka ho toy ny rano araraka amin\u2019ny tany, izay tsy azo raofina intsony. Andriamanitra anefa tsy hamono olona. Izy aza mitady antony hamerenana an\u2019izay efa noroahina lavitra azy.",
        "15": "Tonga hilaza an\u2019izany amin\u2019ny mpanjaka tompoko aho, satria nampitahorin\u2019ny olona. Koa niteny ny mpanomponao hoe: \u2018Aleo aho hiresaka amin\u2019ny mpanjaka. Angamba izy hanao an\u2019izay angatahin\u2019ny mpanompony.",
        "16": "Mety mba hihaino ny mpanompony ny mpanjaka, ka hamonjy ahy sy ilay zanako lahy mba tsy ho azon\u2019izay mitady handringana anay tsy ho eo amin\u2019ilay lova nomen\u2019Andriamanitra anay.\u2019",
        "17": "Dia hoy ny mpanomponao: \u2018Enga anie hampionona ahy ny tenin\u2019ny mpanjaka tompoko!\u2019 Hoatran\u2019ny anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra mantsy ny mpanjaka tompoko, ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Homba anao anie i Jehovah Andriamanitrao!\u201d",
        "18": "Dia niteny tamin\u2019ilay vehivavy ny mpanjaka hoe: \u201cAza misy afenina ahy, azafady, izay hanontaniako anao.\u201d Ary hoy ilay vehivavy: \u201cMitenena \u00e0ry, ry mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4!\u201d",
        "19": "Koa nanontany azy ny mpanjaka hoe: \u201cI Joaba ve no nampirisika anao hanao an\u2019izany rehetra izany?\u201d Dia hoy ilay vehivavy: \u201cRaha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tena marina mihitsy izany voalazanao izany. I Joaba mpanomponao no nanoro ahy an\u2019izay tokony hatao sy nilaza tamin\u2019ny mpanomponao an\u2019izay teny rehetra tokony holazaina.",
        "20": "Nanao an\u2019izany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny fahitanao an\u2019ilay toe-javatra. Hendry hoatran\u2019ny anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra anefa ny tompoko, ka fantany daholo izay mitranga eto amin\u2019ity tany ity.\u201d",
        "21": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Joaba: \u201cEny \u00e0ry\u00a0e, harahiko ny teninao. Mandehana alaivo i Absaloma, dia ento miverina at\u1ef3.\u201d",
        "22": "Dia nandohalika i Joaba ka niankohoka tamin\u2019ny tany. Ary nisaorany ny mpanjaka. Hoy izy: \u201cFantatro izao fa mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka tompoko, satria nanao an\u2019izay nangatahin\u2019ny mpanompony ny mpanjaka.\u201d",
        "23": "Dia nitsangana i Joaba ka nankany Gesora, ary nentiny ho any Jerosalema i Absaloma.",
        "24": "Hoy anefa ny mpanjaka: \u201cAleo izy hody any an-tranony, fa tsy mahazo mifanatri-tava amiko izy.\u201d Nody tany an-tranony \u00e0ry i Absaloma, ka tsy nahita ny mpanjaka izy.",
        "25": "Tsara tarehy be mihitsy i Absaloma, ka tsy nisy lehilahy nodokadokafana hoatr\u2019azy teo amin\u2019ny Israely rehetra. Tsy nisy hokianina izy hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.",
        "26": "Nilanja 200 sekely ny volon-dohany rehefa notapahiny, araka ny vatomizanan\u2019ny mpanjaka. Tsy maintsy notapahiny ny volony isaky ny faran\u2019ny taona, satria navesatra loatra taminy.",
        "27": "Nanan-janaka telo lahy sy vavy iray atao hoe Tamara i Absaloma. Tsara tarehy be ilay tovovavy.",
        "28": "Ary nipetraka roa taona katroka tao Jerosalema i Absaloma. Tsy mbola nahita ny mpanjaka anefa izy.",
        "29": "Nampiantso an\u2019i Joaba \u00e0ry i Absaloma mba hirahiny ho any amin\u2019ny mpanjaka, nefa tsy nety nankany amin\u2019i Absaloma izy. Dia nampiantso azy fanindroany i Absaloma, fa mbola tsy nety ihany izy.",
        "30": "Farany, dia hoy i Absaloma tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMisy tanin\u2019i Joaba eo akaikin\u2019ny taniko, ary manana vary orza eo izy. Mandehana dory ilay izy!\u201d Dia nodoran\u2019ny mpanompon\u2019i Absaloma ilay tany.",
        "31": "Nankany an-tranon\u2019i Absaloma \u00e0ry i Joaba, ka niteny taminy hoe: \u201cFa maninona ny taniko no nodoran\u2019ny mpanomponao?\u201d",
        "32": "Dia hoy i Absaloma tamin\u2019i Joaba: \u201cKoa izaho efa naniraka olona tany aminao hilaza hoe: \u2018Tongava at\u1ef3 mba hirahiko ho any amin\u2019ny mpanjaka, sy hanontany azy hoe: \u201cInona fotsiny no nahatongavako avy any Gesora? Naleoko ihany nijanona tany. Avelao amin\u2019izay aho hahita anao, ry mpanjaka\u00a0\u00f4! Ary raha meloka aho, dia vonoy ho faty.\u201d\u2019\u201d",
        "33": "Nankao amin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Joaba ka niresaka taminy. Nantsoin\u2019ny mpanjaka i Absaloma avy eo, dia nankao amin\u2019ny mpanjaka izy, ka nandohalika teo anatrehany sady niankohoka tamin\u2019ny tany. Dia nanoroka an\u2019i Absaloma ny mpanjaka."
    },
    "15": {
        "1": "Taorian\u2019izany rehetra izany, dia nampanao kalesy iray i Absaloma. Nanana soavaly koa izy, ary nisy lehilahy 50 nihazakazaka teo alohany.",
        "2": "Nifoha maraina i Absaloma, ka nitsangana teo amoron\u2019ny lalana mankeo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na. Isaky ny nisy olona nanana raharaha hoentina hotsaraina eo anatrehan\u2019ny mpanjaka, dia nantsoin\u2019i Absaloma izy ka nilazany hoe: \u201cAvy any aninona ianao?\u201d Dia hoy ilay olona: \u201cAvy amin\u2019ny iray amin\u2019ireo fokon\u2019ny Israely ny mpanomponao.\u201d",
        "3": "Ary izao no nolazain\u2019i Absaloma taminy: \u201cAra-drariny sady ara-dal\u00e0na ny fangatahanao, saingy tsy misy olona notendren\u2019ny mpanjaka hihaino anao.\u201d",
        "4": "Hoy koa i Absaloma: \u201cRaha mba izaho mantsy no voatendry ho mpitsara eto amin\u2019ity tany ity, dia ho afaka hankat\u1ef3 amiko izay olona manana ady sy raharaha hotsaraina. Ary hataoko izay hahazoany rariny.\u201d",
        "5": "Rehefa nisy nanatona mba hiankohoka teo anatrehany, dia natsotran\u2019i Absaloma ny tanany ka noraisiny ilay olona sady norohany.",
        "6": "Hoatr\u2019izany no nataon\u2019i Absaloma isaky ny nisy Israelita nankany amin\u2019ny mpanjaka mba hotsaraina. Nahay naka ny fon\u2019ny Israelita \u00e0ry i Absaloma.",
        "7": "Rehefa tapitra ny efa-taona, dia niteny tamin\u2019ny mpanjaka i Absaloma hoe: \u201cMba avelao aho hankany Hebrona hanefa ny voady nataoko tamin\u2019i Jehovah.",
        "8": "Fa nivoady ny mpanomponao, tamin\u2019izaho nipetraka tany Gesora any Syria, hoe: \u2018Raha ampodin\u2019i Jehovah any Jerosalema aho, dia hanao fanatitra ho an\u2019i Jehovah.\u2019\u201d",
        "9": "Dia hoy ny mpanjaka taminy: \u201cMandehana \u00e0ry, dia mirary soa ho anao aho!\u201d Koa niainga i Absaloma ka nankany Hebrona.",
        "10": "Dia nandefa mpitsikilo nanerana ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely i Absaloma, ka nilaza tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cRaha vao mandre feon\u2019anjombona ianareo, dia milaz\u00e0 hoe: \u2018Lasa mpanjaka ao Hebrona i Absaloma!\u2019\u201d",
        "11": "Ary nisy 200 lahy avy ao Jerosalema nandeha tany, niaraka tamin\u2019i Absaloma. Nasaina ho any izy ireo dia nandeha, nefa tsy nanampo na inona na inona sady tsy nahalala an\u2019izay nitranga.",
        "12": "Rehefa nanao sorona i Absaloma, dia nampanantsoiny avy tany an-tan\u00e0nany, tany Gilo, i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsain\u2019i Davida. Dia nihanitatra ilay fikomiana, ary nihabetsaka ny olona nanohana an\u2019i Absaloma.",
        "13": "Ary nisy tonga nilaza tamin\u2019i Davida hoe: \u201cEfa babon\u2019i Absaloma ny fon\u2019ny Israelita, ka lasa nanaraka azy izy ireo.\u201d",
        "14": "Tonga dia hoy i Davida tamin\u2019ny mpanompony rehetra niaraka taminy tao Jerosalema: \u201cAndao handositra, fa tsy hisy ho afa-miala amin\u2019i Absaloma isika! Andao haingana sao dia ho tratrany eto isika dia hataony mahita faisana, ary hasiany amin\u2019ny sabatra ny tan\u00e0na!\u201d",
        "15": "Dia hoy ny mpanompon\u2019ny mpanjaka taminy: \u201cNa inona na inona tapaky ny mpanjaka tompoko, dia vonona hanatanteraka an\u2019izany izahay mpanomponao.\u201d",
        "16": "Lasa \u00e0ry ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny ankohonany manontolo. Nisy vadikeliny folo anefa nasainy nijanona mba hikarakara ny trano.",
        "17": "Dia nanohy ny diany ny mpanjaka sy ny olona rehetra nanaraka azy. Ary nijanona kely tao Beti-meraka izy ireo.",
        "18": "Nandalo teo anatrehan\u2019ny mpanjaka ny mpanompony rehetra izay niara-nitsoaka taminy, mba hahitany raha tao daholo izy ireo. Nanao hoatr\u2019izany koa ny Keretita sy ny Peletita rehetra, ary ny Gatita 600 lahy izay efa nanaraka azy avy tany Gata.",
        "19": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Itahy Gatita: \u201cManinona ianao no hiaraka aminay? Mandehana miverina, ary mijan\u00f2na any amin\u2019ilay mpanjaka vaovao. Ianao ange hafa firenena\u00a0e, sady voatery niala tany amin\u2019izay nisy anao.",
        "20": "Vao omaly ve ianao no tonga dia efa hoentiko mirenireny miaraka aminay sahady androany, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany halehako akory? Mandehana miverina, ary ento miaraka aminao ireo rahalahinao. Enga anie i Jehovah ho tia anao sy tsy hivadika aminao ary hasehony aminao anie hoe mendri-pitokisana izy!\u201d",
        "21": "Hoy anefa i Itahy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, dia any amin\u2019izay hisy ny mpanjaka tompoko no hisy ny mpanomponao, na ho faty na ho velona!\u201d",
        "22": "Ary hoy i Davida taminy: \u201cMandehana \u00e0ry miampita.\u201d Dia niampita i Itahy Gatita sy ny olony ary ny ankizy rehetra niaraka taminy.",
        "23": "Nigogogogo nitomany daholo ny mponina tao amin\u2019ilay tany rehefa niampita ireo olona rehetra ireo. Ny mpanjaka kosa nitsangana teo amoron\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona. Ary niampita nankany amin\u2019ny lalana mankany an-tany efitra ny olona rehetra.",
        "24": "Teo koa i Zadoka, ary niaraka taminy ny Levita rehetra nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019ilay tena Andriamanitra. Dia napetrak\u2019izy ireo ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Ary tonga teo koa i Abiatara, raha mbola niampita ny olona rehetra avy ao an-tan\u00e0na.",
        "25": "Hoy anefa ny mpanjaka tamin\u2019i Zadoka: \u201cEnto miverina ao an-tan\u00e0na ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra. Fa raha mahazo sitraka amin\u2019i Jehovah aho, dia hoentiny miverina koa ka havelany hahita an\u2019ilay Vata sy ny toerana misy azy.",
        "26": "Raha milaza kosa izy hoe: \u2018Tsy mankasitraka anao aho\u2019, dia avelao hataony amiko izay fantany fa mety.\u201d",
        "27": "Dia hoy koa ny mpanjaka tamin\u2019i Zadoka mpisorona: \u201cTsy mpahita moa ianao? Miverena ao an-tan\u00e0na, ary enga anie ianareo ho tonga soa aman-tsara any! Ento miaraka aminareo izy roa lahy zanakareo, dia i Ahimaza zanakao sy Jonatana zanak\u2019i Abiatara.",
        "28": "Fa izaho hijanonjanona eo amoron\u2019ny toerana fiampitana any an-tany efitra, mandra-pahenoko vaovao avy any aminareo.\u201d",
        "29": "Nentin\u2019i Zadoka sy Abiatara niverina tany Jerosalema \u00e0ry ny Vata masin\u2019ilay tena Andriamanitra, ary nijanona tany izy ireo.",
        "30": "Dia niakatra ny Tendrombohitra Oliva i Davida sady nitomany. Nisaron-doha izy ary tsy nanao kapa. Nisaron-doha koa ny olona rehetra niara-niakatra taminy sady nitomany.",
        "31": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Davida hoe: \u201cMiray tsikombakomba amin\u2019i Absaloma koa i Ahitofela.\u201d Dia hoy i Davida: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, mba ovao ho hadalana re ny torohevitr\u2019i Ahitofela\u00a0e!\u201d",
        "32": "Rehefa tonga teny an-tampon\u2019ilay tendrombohitra i Davida, teo amin\u2019ny toerana fiankohofan\u2019ny olona tamin\u2019Andriamanitra, dia efa tonga nitsena azy teo i Hosay Arkita. Rovidrovitra ny akanjo lava nanaovany, ary nihosim-bovoka ny lohany.",
        "33": "Hoy anefa i Davida taminy: \u201cHo enta-mavesatra ho ahy ianao raha miampita miaraka amiko.",
        "34": "Fa miverena ao an-tan\u00e0na, dia teneno i Absaloma hoe: \u2018Mpanomponao aho, ry Mpanjaka\u00a0\u00f4! Mpanompon\u2019ny rainao aho taloha, fa mpanomponao kosa aho izao.\u2019 Raha izay no ataonao, dia ho afaka hanao izay tsy hanarahana ny torohevitr\u2019i Ahitofela ianao, ka hanampy ahy.",
        "35": "Tsy miaraka aminao any moa i Zadoka sy Abiatara mpisorona? Lazao amin\u2019i Zadoka sy Abiatara mpisorona izay zavatra rehetra henonao avy ao an-tranon\u2019ny mpanjaka.",
        "36": "Miaraka amin\u2019izy ireo ny zanany roa lahy, dia i Ahimaza zanak\u2019i Zadoka sy Jonatana zanak\u2019i Abiatara. Dia asaivo ampitain\u2019izy roa lahy at\u1ef3 amiko izay rehetra henonareo.\u201d",
        "37": "Nankao an-tan\u00e0na \u00e0ry i Hosay naman\u2019i Davida. Tamin\u2019izay indrindra no niditra tao Jerosalema i Absaloma."
    },
    "16": {
        "1": "Rehefa tafahoatra kely an\u2019ilay tampon-tendrombohitra i Davida, dia efa nitsena azy teo i Ziba mpanompon\u2019i Mefiboseta. Nitondra ampondra roa voaisy lasely izy, ary ireto no teo ambonin\u2019ireo ampondra: Mofo 200, sy mofo 100 vita tamin\u2019ny voaloboka maina, sy mofo 100 vita tamin\u2019ny voankazo masaka fahavaratra, ary divay eran\u2019ny siny lehibe.",
        "2": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Ziba: \u201cFa maninona ianao no nitondra an\u2019ireo zavatra ireo?\u201d Dia namaly i Ziba hoe: \u201cHitaingenan\u2019ny ankohonan\u2019ny mpanjaka ny ampondra. Hohanin\u2019ny tovolahy ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra, ary hosotroin\u2019izay reraka any an-tany efitra ny divay.\u201d",
        "3": "Dia hoy ny mpanjaka: \u201cAry aiza ilay zanakalahin\u2019ny tomponao?\u201d Dia hoy i Ziba: \u201cNijanona any Jerosalema izy, fa hoy izy: \u2018Haverin\u2019ny taranak\u2019Israely amiko izao ny fanjakan\u2019ny raiko.\u2019\u201d",
        "4": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cAlaivo ho anao izay rehetra an\u2019i Mefiboseta.\u201d Dia namaly i Ziba hoe: \u201cMiankohoka eto anatrehanao aho. Enga anie hahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka tompoko!\u201d",
        "5": "Rehefa tonga tao Bahorima i Davida Mpanjaka, dia nisy lehilahy atao hoe Simey nivoaka avy tao. Havan\u2019i Saoly izy io, ary zanak\u2019i Gera. Sady nanatona an\u2019i Davida izy no nivazavaza nanozona azy.",
        "6": "Notorahany vato i Davida Mpanjaka sy ny mpanompony rehetra, ary ny olona rehetra sy ny lehilahy matanjaka teo ankavanan\u2019ny mpanjaka sy teo ankaviany.",
        "7": "Izao no nolazain\u2019i Simey rehefa nanozona azy: \u201c\u00a0\u2019Ndeha mandeha any! \u2019Ndeha mandeha any, ry lehilahy mpandatsa-dra. Ilay tsisy ilana azy ity!",
        "8": "Novalian\u2019i Jehovah taminao ny helokao rehetra, noho ianao nandatsaka ny ran\u2019ny ankohonan\u2019i Saoly sy naka ny fanjakany. Nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Absaloma zanakao anefa ny fanjakana. Idiran-doza ianao izao, satria lehilahy mpandatsa-dra!\u201d",
        "9": "Dia hoy i Abisay zanak\u2019i Zeroia tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cFa maninona ilay alika maty io no avela hanozona ny mpanjaka tompoko? Mba avelao aho hankeny hanapaka ny lohany.\u201d",
        "10": "Hoy anefa ny mpanjaka: \u201cInona no idiranareo amin\u2019izany, ry zanak\u2019i Zeroia? Avelao izy hanozona ahy, satria i Jehovah no niteny taminy hoe: \u2018Oz\u00f2ny i Davida!\u2019 Koa iza moa no manan-jo hiteny hoe: \u2018Fa maninona ianao no manao an\u2019izao?\u2019\u201d",
        "11": "Hoy koa i Davida tamin\u2019i Abisay sy ny mpanompony rehetra: \u201cNy zanako naterako aza mitady hamono ahy, koa mainka fa izay Benjaminita! Avelao izy hanozona ahy, satria i Jehovah no niteny taminy mba hanao an\u2019izany.",
        "12": "Angamba i Jehovah hahita ny fahoriako. Dia hanao soa amiko indray i Jehovah, fa tsy havelany hanan-kery ny ozona natao tamiko androany.\u201d",
        "13": "Dia nanohy ny lalany i Davida sy ny olony. I Simey kosa nandeha tandrifiny, teo amin\u2019ny ilan\u2019ilay tendrombohitra. Sady nivazavaza nanozona azy izy no nitora-bato sy nanipy vovoka be dia\u00a0be.",
        "14": "Tonga tany amin\u2019ny toerana nalehany ny mpanjaka sy ny olona rehetra niaraka taminy, tamin\u2019ny farany. Reraka be izy ireo ka nijanona naka aina.",
        "15": "I Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra kosa tonga tao Jerosalema. Ary niaraka taminy i Ahitofela.",
        "16": "Rehefa tonga tao amin\u2019i Absaloma i Hosay Arkita, naman\u2019i Davida, dia hoy izy tamin\u2019i Absaloma: \u201cHo ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!\u201d",
        "17": "Dia hoy i Absaloma taminy: \u201cIzao ve ianao no hoe tia an\u2019ilay namanao sy tsy mivadika aminy? Fa maninona ianao no tsy nandeha niaraka tamin\u2019ny namanao?\u201d",
        "18": "Hoy \u00e0ry i Hosay: \u201cTsy afaka manao an\u2019izany aho. Izay nofidin\u2019i Jehovah sy ireo olona ireo ary ny lehilahy israelita rehetra no tohanako. Hiaraka amin\u2019izany olona izany aho.",
        "19": "Sady iza moa no hotompoiko? Tsy ny zanany ve? Hoatran\u2019ny nanompoako an\u2019ny dadanao ihany no hanompoako anao.\u201d",
        "20": "Dia hoy i Absaloma tamin\u2019i Ahitofela: \u201cInona ny soso-kevitrao? Inona no hataontsika?\u201d",
        "21": "Hoy \u00e0ry i Ahitofela: \u201cManaova firaisana amin\u2019ireo vadikelin-drainao, izay nasainy nijanona mba hikarakara ny trano. Dia ho ren\u2019ny Israely rehetra fa nataonao izay hankahalan\u2019ny dadanao anao, ka vao mainka hahazo hery ny mpanohana anao.\u201d",
        "22": "Nananganana tranolay teo an-tampon-trano \u00e0ry i Absaloma, ka nanao firaisana tamin\u2019ireo vadikelin-drainy teo imason\u2019ny Israely rehetra.",
        "23": "Noheverina ho toy ny torohevitra avy tamin\u2019ilay tena Andriamanitra mihitsy ny torohevitra nomen\u2019i Ahitofela, tamin\u2019izany andro izany. Na i Davida na i Absaloma, dia samy nieritreritra hoatr\u2019izany momba ny torohevitra rehetra nomen\u2019i Ahitofela."
    },
    "17": {
        "1": "Ary hoy i Ahitofela tamin\u2019i Absaloma: \u201cMba avelao aho hifidy lehilahy 12\u00a0000, dia handeha hanenjika an\u2019i Davida izahay rahalina.",
        "2": "Hotafihiko izy rehefa reraka sy tsy misy hery intsony, ka hampihorohoroiko. Dia hitsoaka ny olona rehetra miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako.",
        "3": "Dia hoentiko miverina at\u1ef3 aminao daholo ny olona. Miankina amin\u2019izay manjo an\u2019ilay lehilahy tadiavinao mantsy no hiverenan\u2019izy rehetra. Dia hiadana ny olona rehetra.\u201d",
        "4": "Ary nety tamin\u2019i Absaloma sy ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israely ilay soso-kevitra.",
        "5": "Hoy anefa i Absaloma: \u201cAntsoy koa i Hosay Arkita, azafady, mba hohenointsika izay lazainy.\u201d",
        "6": "Nankao amin\u2019i Absaloma \u00e0ry i Hosay. Ary hoy i Absaloma taminy: \u201cIzany no torohevitr\u2019i Ahitofela, ka hanaraka ny teniny ve isika? Raha tsia, dia teneno ny hevitrao.\u201d",
        "7": "Dia hoy i Hosay taminy: \u201cTsy tsara ny torohevitra nomen\u2019i Ahitofela tamin\u2019ity indray mitoraka ity!\u201d",
        "8": "Hoy koa i Hosay: \u201cFantatrao tsara ny rainao sy ny olony fa mahery, ary tezitra hoatran\u2019ny orsa very anaka any an-tsaha izao ry zareo. Miaramila mpiady koa ny rainao, ka tsy hiaraka amin\u2019ny vahoaka izy mandritra ny alina.",
        "9": "Miafina any anaty lava-bato na any an-toeran-kafa izy, amin\u2019izao isika miteny izao. Ary raha izy no manafika voalohany, dia hilaza ny olona maheno an\u2019izany hoe: \u2018Resy ny mpanaraka an\u2019i Absaloma!\u2019",
        "10": "Ho raiki-tahotra na dia ny olona be herim-po izay manana fo toy ny an\u2019ny liona aza. Fantatry ny Israely rehetra mantsy fa lehilahy matanjaka ny rainao, ary be herim-po ireo lehilahy miaraka aminy.",
        "11": "Izao \u00e0ry ny soso-kevitro: Vorio at\u1ef3 aminao ny Israely rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. Dia ho maro be hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary ianao no hitarika azy ireo any an\u2019ady.",
        "12": "Hotafihintsika ny rainao na aiza na aiza misy azy, ka hirotsaka aminy hoatran\u2019ny ando mirotsaka amin\u2019ny tany isika. Hataontsika tsy misy miangana ry zareo, na izy na ny olona miaraka aminy.",
        "13": "Raha mitsoaka mankany amin\u2019ny tan\u00e0na iray izy, dia hitondran\u2019ny Israely rehetra tady izany tan\u00e0na izany. Dia hotaritaritintsika midina any amin\u2019ny lohasaha ilay tan\u00e0na, ka tsy hataontsika misy tavela na dia vatokilonjy iray aza.\u201d",
        "14": "Dia hoy i Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra: \u201cTsara noho ny torohevitr\u2019i Ahitofela ny an\u2019i Hosay Arkita!\u201d Efa nanapa-kevitra mantsy i Jehovah hoe hataony izay tsy hanarahana ny torohevitr\u2019i Ahitofela, na dia tsara aza ilay izy. Amin\u2019izay i Jehovah ho afaka hanisy loza an\u2019i Absaloma.",
        "15": "Niteny tamin\u2019i Zadoka sy Abiatara mpisorona i Hosay taorian\u2019izay hoe: \u201cIzany sy izany no torohevitra nomen\u2019i Ahitofela an\u2019i Absaloma sy ny anti-panahin\u2019ny Israely. Ary izao sy izao kosa no nomeko.",
        "16": "Maniraha olona haingana \u00e0ry hiresaka amin\u2019i Davida sy hampitandrina azy hoe: \u2018Aza mijanona eny amin\u2019 ny toerana fiampitana any an-tany efitra rahalina, fa miampit\u00e0 sao ho ripaka ny mpanjaka sy ny olona rehetra miaraka aminy.\u2019\u201d",
        "17": "Nijanona teo En-rogela i Jonatana sy Ahimaza, satria tsy sahy nankao an-tan\u00e0na sao dia misy mahita. Nisy mpanompovavy \u00e0ry nandeha niresaka tamin\u2019izy roa lahy. Izy roa lahy indray avy eo no lasa nampandre an\u2019i Davida Mpanjaka.",
        "18": "Nisy tovolahy iray anefa nahita azy ireo ka nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Absaloma. Lasa haingana \u00e0ry izy roa lahy dia tonga tany Bahorima, tao an-tranon\u2019ny lehilahy iray nanana lavadrano teo an-tokotaniny. Nidina tao anatin\u2019izy io izy roa lahy,",
        "19": "ary namelatra zavatra teo ambonin\u2019ilay lavadrano ny vadin\u2019ilay lehilahy mba hanaronana azy io. Avy eo dia nasiany voam-bary mbola tsy voatoto tsara teo ambonin\u2019ilay izy. Tsy nisy nahafantatra mihitsy ny momba an\u2019izany.",
        "20": "Dia tonga tany an-tranon\u2019ilay vehivavy ny mpanompon\u2019i Absaloma, ka nanontany hoe: \u201cAiza i Ahimaza sy Jonatana?\u201d Dia hoy ilay vehivavy: \u201cNandalo teto ry zareo, dia lasa any amin\u2019ny renirano any.\u201d Ary nitady azy roa lahy izy ireo fa tsy nahita, ka lasa niverina tany Jerosalema.",
        "21": "Nivoaka avy tao amin\u2019ilay lavadrano izy roa lahy rehefa lasa izy ireo, ka lasa nampandre an\u2019i Davida Mpanjaka. Hoy izy ireo taminy: \u201cMandehana haingana miampita ny renirano, fa izao sy izao ny torohevitr\u2019i Ahitofela hamelezana anareo.\u201d",
        "22": "Tonga dia niainga i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka niampita an\u2019i Jordana. Tafampita an\u2019i Jordana daholo ny olona, rehefa nangiran-dratsy ny andro.",
        "23": "Rehefa hitan\u2019i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny, dia nasiany lasely ny ampondra ary nankany an-tranony tany an-tan\u00e0nany izy. Namela hafatra tamin\u2019ny ankohonany izy, ary avy eo nananton-tena ka maty. Dia nalevina tao amin\u2019ny fasan-drazany izy.",
        "24": "Tonga tany Mahanaima i Davida nandritra an\u2019izany fotoana izany. I Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra niaraka taminy kosa niampita an\u2019i Jordana.",
        "25": "I Amasa no notendren\u2019i Absaloma ho lehiben\u2019ny tafika hisolo an\u2019i Joaba. I Amasa dia zanak\u2019ilay lehilahy israelita atao hoe Jitra, izay nanao firaisana tamin\u2019i Abigaila, zanakavavin\u2019i Nahasy sady rahavavin\u2019i Zeroia renin\u2019i Joaba.",
        "26": "Ary nitoby tany Gileada ny Israely sy Absaloma.",
        "27": "Raha vao tonga tao Mahanaima i Davida, dia ireny koa fa tonga ry Soby zanak\u2019i Nahasy avy any Raba tan\u00e0nan\u2019ny Amonita, sy Makira zanak\u2019i Amiela avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita avy any Rogelima.",
        "28": "Nitondra fandriana sy koveta ary vilany\u00a0tanimanga izy ireo, sady nitondra varimbazaha, vary orza, lafarinina, voam-bary natono, tsaramaso be, lantihy, voam-bary nohamainina,",
        "29": "tantely, dibera, ondry, ary fromazy. Naroson\u2019izy ireo hohanin\u2019i Davida sy ny olona niaraka taminy ireo rehetra ireo. Hoy mantsy izy ireo: \u201cNoana sy reraka ary mangetaheta ny olona any an-tany efitra.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Ary nisain\u2019i Davida ny lehilahy niaraka taminy. Dia nanendry lehiben\u2019ny arivo sy lehiben\u2019ny zato izy mba hifehy azy ireo.",
        "2": "Ary nasain\u2019i Davida niainga ny tafiny, ka ny ampahatelony notarihin\u2019i Joaba, ny ampahatelony notarihin\u2019i Abisay zanak\u2019i Zeroia sady rahalahin\u2019 i Joaba, ary ny ampahatelony notarihin\u2019i Itahy Gatita. Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019ireo miaramila: \u201cHiaraka aminareo koa aho.\u201d",
        "3": "Hoy anefa izy ireo: \u201cAza mandeha ianao, fa raha izahay no mandositra, dia tsy hiraharaha anay ry zareo. Ary na ny antsasany aminay aza no maty, dia tsy hiraharaha anay ry zareo, satria ny 10\u00a0000 aminay no mitovy aminao. Tsara kokoa raha avy eto an-tan\u00e0na ianao no mandefa fanampiana ho anay.\u201d",
        "4": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019izy ireo: \u201cIzay hitanareo hoe mety no hataoko.\u201d Nijoro teo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na \u00e0ry ny mpanjaka, fa ny lehilahy rehetra kosa nivoaka nanao andiany. Nisy 100 na 1\u00a0000 ny andiany tsirairay.",
        "5": "Dia nanome baiko an\u2019i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: \u201cAza dia misetrasetra amin\u2019i Absaloma, fa mba jereo ihany aho!\u201d Naheno an\u2019izany baiko momba an\u2019i Absaloma izany daholo ny olona rehetra, rehefa niresaka an\u2019izany tamin\u2019ny mpifehy rehetra ny mpanjaka.",
        "6": "Ary nankany an-tsaha ny olona mba hifanandrina tamin\u2019ny Israely. Dia niady tao amin\u2019ny alan\u2019i Efraima izy ireo.",
        "7": "Tao no resin\u2019ny mpanompon\u2019i Davida ny vahoakan\u2019Israely, ary be dia be no maty tamin\u2019iny andro iny. Nahatratra 20\u00a0000 ny olona maty.",
        "8": "Niely nanerana an\u2019ilay faritra ny ady. Ary betsaka kokoa ny olona matin\u2019ny ala noho ny olona matin\u2019ny sabatra, tamin\u2019iny andro iny.",
        "9": "Nifanena tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Davida i Absaloma, tamin\u2019ny farany. Nitaingina ramole i Absaloma tamin\u2019izay. Ary nandeha teo ambany hazobe nisy sampantsampany nifanetinety ilay ramole, ka nisaringotra tamin\u2019ilay hazobe ny lohan\u2019i Absaloma. Dia nikiraviravy teo izy, fa ilay ramole nitaingenany kosa mbola lasa ihany.",
        "10": "Nisy olona nahita an\u2019izany ka nilaza tamin\u2019i Joaba hoe: \u201cHitako mihantona ar\u1ef3 amin\u2019ny hazobe ar\u1ef3 i Absaloma.\u201d",
        "11": "Hoy i Joaba tamin\u2019ilay lehilahy nilaza an\u2019izany: \u201cHitanao izy, koa maninona no tsy tonga dia novonoinao ho faty? Dia ho faly er\u1ef3 aho nanome anao volafotsy folo sekely sy fehikibo iray.\u201d",
        "12": "Hoy anefa ilay lehilahy: \u201cTsy afaka ny hikasi-tanana ny zanaky ny mpanjaka mihitsy aho, na volafotsy 1\u00a0000 sekely aza no homena ahy. Fa efa henonay ilay baiko nomen\u2019ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: \u2018Mitandrema daholo, na iza na iza, mba tsy hisy zavatra hanjo an\u2019i Absaloma.\u2019",
        "13": "Raha tsy nanaraka an\u2019izany aho fa namono azy, dia tsy ho azo afenina amin\u2019ny mpanjaka izany. Sady ianao koa tsy hiaro ahy akory.\u201d",
        "14": "Ary hoy i Joaba: \u201cTsy handany andro aminao eto aho!\u201d Naka lefona kely telo \u00e0ry i Joaba, ka natsatony tamin\u2019ny fon\u2019i Absaloma izany, raha iny izy mbola velona nihantona teo amin\u2019ilay hazobe iny.",
        "15": "Taorian\u2019izay, dia tonga teo ny mpanompo folo mpitondra ny fitaovam-piadian\u2019i Joaba, ary namely an\u2019i Absaloma izy ireo mandra-pahafatiny.",
        "16": "Dia notsofin\u2019i Joaba ny anjombona mba hampitsaharana ny ady. Koa niverina ny olona fa tsy nanenjika ny Israely intsony.",
        "17": "Nalain\u2019izy ireo i Absaloma ka natsipiny tao anaty lavaka lehibe iray tany an\u2019ala. Ary nasian\u2019izy ireo vato be dia be nifanaingina teo amboniny. Ny Israely rehetra kosa samy nandositra tany an-tranony.",
        "18": "Nanangana tsangambato iray ho an\u2019ny tenany tao amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Mpanjaka i Absaloma, tamin\u2019izy mbola velona. Fa hoy izy: \u201cTsy manan-janakalahy hitondra ny anarako aho.\u201d Nampitondrainy ny anarany \u00e0ry ilay tsangambato, ary mbola antsoina hoe Tsangambaton\u2019i Absaloma ilay izy hatramin\u2019izao.",
        "19": "Ary hoy i Ahimaza zanak\u2019i Zadoka: \u201cMba avelao aho hihazakazaka hilaza ny vaovao amin\u2019ny mpanjaka, fa efa nanome rariny azy i Jehovah. Nanafaka azy tamin\u2019ny fahavalony mantsy izy.\u201d",
        "20": "Hoy anefa i Joaba: \u201cTsy ho mpitondra vaovao ianao androany. Amin\u2019ny andro hafa ianao no hitondra vaovao, fa tsy androany, satria maty ny zanaky ny mpanjaka.\u201d",
        "21": "Ary hoy i Joaba tamin\u2019ny Kosita iray: \u201cMandehana lazao amin\u2019ny mpanjaka izay efa hitanao.\u201d Ary niankohoka teo anatrehan\u2019i Joaba ilay Kosita dia lasa nihazakazaka.",
        "22": "Hoy indray i Ahimaza zanak\u2019i Zadoka tamin\u2019i Joaba: \u201cTsy maninona izay hitranga, fa mba avelao koa re aho hihazakazaka hanaraka an\u2019ilay Kosita\u00a0e!\u201d Hoy anefa i Joaba: \u201cFa nahoana ianao, anaka, no hihazakazaka nefa tsisy vaovao holazainao akory?\u201d",
        "23": "Mbola hoy ihany anefa izy: \u201cTsy maninona izay hitranga, fa avelao aho hihazakazaka.\u201d Dia hoy i Joaba: \u201cMandehana \u00e0ry!\u201d Koa nihazakazaka nanaraka ny lalana mamakivaky ny faritr\u2019i Jordana i Ahimaza, ka voasongony ilay Kosita.",
        "24": "Nipetraka teo anelanelan\u2019ireo vavahady roa amin\u2019ilay tan\u00e0na i Davida tamin\u2019izay. Ary nankeny an-tampon\u2019ilay vavahady teo amin\u2019ny manda ny mpitily. Dia nitazana izy ka nahita lehilahy nihazakazaka.",
        "25": "Niantsoantso \u00e0ry ilay mpitily mba hampandre ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: \u201cRaha mandeha irery izy, dia manam-baovao holazaina.\u201d Rehefa nihananatona ilay lehilahy,",
        "26": "dia nahatazana lehilahy hafa nihazakazaka koa ilay mpitily. Nantsoiny \u00e0ry ny mpiandry vavahady, ka nilazany hoe: \u201cIny koa misy lehilahy hafa mihazakazaka!\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cMpitondra vaovao koa izany.\u201d",
        "27": "Hoy ilay mpitily: \u201cHoatran\u2019ny fihazakazak\u2019i Ahimaza zanak\u2019i Zadoka no fahitako ny fihazakazak\u2019ilay voalohany.\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cOlona mahafinaritra izy, ka vaovao tsara no hoentiny.\u201d",
        "28": "Ary niantsoantso i Ahimaza ka niteny tamin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cNizotra tsara ny zava-drehetra!\u201d Dia niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy. Hoy izy avy eo: \u201cHoderaina anie i Jehovah Andriamanitrao fa natolony anao, ry mpanjaka tompoko, ireo olona nikomy taminao!\u201d",
        "29": "Hoy anefa ny mpanjaka: \u201cTsy maninona ve i Absaloma zanako?\u201d Dia hoy i Ahimaza: \u201cHitako nisahotaka be ny olona tamin\u2019i Joaba naniraka ny mpanompon\u2019ny mpanjaka sy tamin\u2019izy naniraka ahy, fa tsy fantatro hoe nisy inona.\u201d",
        "30": "Dia hoy ny mpanjaka: \u201cMikisaha kely etsy, dia mitsang\u00e0na eo.\u201d Dia nikisaka izy ary nitsangana teo.",
        "31": "Tonga ilay Kosita avy eo, ka niteny hoe: \u201cMba henoy ity vaovao ity, ry mpanjaka tompoko: Nanome rariny anao i Jehovah androany. Nanafaka anao teo an-tanan\u2019izay rehetra nikomy taminao mantsy izy.\u201d",
        "32": "Hoy anefa ny mpanjaka tamin\u2019ilay Kosita: \u201cTsy maninona ve i Absaloma zanako?\u201d Dia hoy ilay Kosita: \u201cHo lasa hoatran\u2019iny tovolahy iny anie ny fahavalon\u2019ny mpanjaka tompoko rehetra sy izay rehetra mikomy aminao mba hanisy ratsy anao!\u201d",
        "33": "Dia nivadi-po ny mpanjaka ka niakatra tao amin\u2019ilay efitra teo ambony vavahady, ary nitomany. Sady nandeha izy no niteny hoe: \u201cRy Absaloma zanako, ry zanako, ry Absaloma zanako\u00a0\u00f4! Tahaka izay mba izaho no maty fa tsy ianao, ry Absaloma zanako, ry zanako\u00a0\u00f4!\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Nisy nilaza tamin\u2019i Joaba hoe: \u201cMitomany ny mpanjaka sady misaona an\u2019i Absaloma.\u201d",
        "2": "Nanjary nisaona \u00e0ry ny olona rehetra na dia nahazo fandresena aza tamin\u2019iny andro iny. Henon\u2019izy ireo mantsy fa nalahelo an-janany ny mpanjaka.",
        "3": "Dia niverina mangingina nankao an-tan\u00e0na ny olona tamin\u2019iny andro iny, toy ny olona menatra fa nandositra avy tany an\u2019ady.",
        "4": "Nanarona ny tarehiny ny mpanjaka sady nidradradradra nitomany hoe: \u201cRy Absaloma zanako! Ry Absaloma zanako, ry zanako\u00a0\u00f4!\u201d",
        "5": "Dia nankao amin\u2019ny mpanjaka tao an-trano i Joaba ka niteny hoe: \u201cEfa nataonao izay hampahamenatra ny mpanomponao rehetra androany, dia ireo namonjy ny ainao sy ny ain\u2019ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy sy ny vadinao ary ny vadikelinao.",
        "6": "Izay mankahala anao indray no tianao ary izay tia anao no halanao. Fa efa nasehonao androany fa tsy misy dikany aminao ireo mpifehy sy ireo mpanomponao. Fantatro tsara mantsy hoe tsy ho nampaninona anao raha velona teo i Absaloma fa izahay rehetra kosa maty.",
        "7": "Koa mitsang\u00e0na dia mivoaha, ary omeo toky ny mpanomponao. Mianiana amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy olona hijanona hiaraka aminao androany alina. Ary izany dia ho ratsy lavitra noho izay nanjo anao hatramin\u2019ny fahatanoranao ka hatramin\u2019izao.\u201d",
        "8": "Nitsangana \u00e0ry ny mpanjaka ka nandeha nipetraka teo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na. Dia nilazana ny olona rehetra hoe: \u201cMipetraka ao am-bavahady ao ny mpanjaka!\u201d Nankeo anatrehan\u2019ny mpanjaka \u00e0ry izy rehetra. Ny Israely kosa samy nandositra nankany an-tranony avy.",
        "9": "Ary niady hevitra ny olona rehetra tany amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, ka nilaza hoe: \u201cNamonjy antsika tamin\u2019ny fahavalontsika ny mpanjaka, sady namonjy antsika tamin\u2019ny Filistinina. Nandositra niala teto amin\u2019ny tanintsika anefa izy noho i Absaloma.",
        "10": "I Absaloma izay nohosorantsika ho mpanjakantsika anefa ity maty tany an\u2019ady. Koa nahoana ianareo no tsy manao na inona na inona mba hampodiana ny mpanjaka?\u201d",
        "11": "Naniraka olona nankany amin\u2019i Zadoka sy Abiatara mpisorona i Davida Mpanjaka, hilaza hoe: \u201cTeneno ny anti-panahy ao Joda hoe: \u2018Nahoana no ianareo indray no ho farany hampody ny mpanjaka any an-tranony, nefa ny tenin\u2019ny Israely rehetra aza efa nisy nampahafantatra tamin\u2019ny mpanjaka tao an-tranony?",
        "12": "Ianareo no rahalahiko, ary ianareo no iray ra amiko. Koa nahoana ianareo no ho farany hampody ny mpanjaka?\u2019",
        "13": "Teneno koa i Amasa hoe: \u2018Tsy iray ra amiko moa ianao? Hofaizin\u2019Andriamanitra anie aho, raha tsy ianao no hataoko lehiben\u2019ny tafiko manomboka izao, ho solon\u2019i Joaba!\u2019\u201d",
        "14": "Dia azony daholo ny fon\u2019ny lehilahy rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda. Naniraka olona hilaza tamin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry izy ireo hoe: \u201cModia ianao sy ny mpanomponao rehetra!\u201d",
        "15": "Dia nandeha nody ny mpanjaka, ka tonga teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana. Ary nankany Gilgala ny vahoakan\u2019i Joda mba hitsena ny mpanjaka sy hiaraka aminy hiampita an\u2019i Jordana.",
        "16": "Ary nidina haingana niaraka tamin\u2019ireo lehilahy anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda i Simey, zanak\u2019i Gera, Benjaminita avy any Bahorima, mba hitsena an\u2019i Davida Mpanjaka.",
        "17": "Ary nisy 1\u00a0000\u00a0lahy avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina niaraka taminy. Nidina haingana nankany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana koa i Ziba, mpanompon\u2019ny fianakavian\u2019i Saoly, sy ny zanany lahy 15 ary ny mpanompony 20, mba ho tonga alohan\u2019ny mpanjaka.",
        "18": "Dia niampita teo amin\u2019ny toerana fiampitana izy mba hitondra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka hiampita, sy hanao izay tian\u2019ny mpanjaka. Niankohoka teo anatrehan\u2019ny mpanjaka anefa i Simey zanak\u2019i Gera, rehefa hiampita an\u2019i Jordana ny mpanjaka.",
        "19": "Ary hoy izy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cAza melohina re aho tompoko\u00a0\u00f4, ary aza tsaroana ny ratsy nataon\u2019ny mpanomponao, tamin\u2019ilay andro nialan\u2019ny mpanjaka tompoko tany Jerosalema. Enga anie tsy handray am-po an\u2019izany ny mpanjaka,",
        "20": "fa fantatry ny mpanomponao tsara fa nanota aho! Amin\u2019ny ankohonan\u2019i Josefa rehetra \u00e0ry, dia izaho no nidina voalohany androany mba hitsena ny mpanjaka tompoko.\u201d",
        "21": "Tonga dia niteny i Abisay zanak\u2019i Zeroia hoe: \u201cTsy tokony hovonoina ho faty ve i Simey noho izy nanao an\u2019izany? Nanozona ny voahosotr\u2019i Jehovah mantsy izy.\u201d",
        "22": "Hoy anefa i Davida: \u201cMisy idiranareo angaha moa izany, ry zanak\u2019i Zeroia, no manohitra ahy ianareo androany? Misy olona tokony hovonoina ho faty ve eto amin\u2019ny Israely androany? Fa angaha moa tsy efa fantatro hoe mpanjakan\u2019ny Israely indray aho izao?\u201d",
        "23": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Simey: \u201cTsy ho faty ianao.\u201d Ary nianiana taminy ny mpanjaka.",
        "24": "Nidina hitsena ny mpanjaka koa i Mefiboseta zafikelin\u2019i Saoly. Tsy nanasa tongotra izy, na nanala volombava, na nanasa akanjo, nanomboka tamin\u2019ilay andro nandehanan\u2019ny mpanjaka ka hatramin\u2019ilay andro niverenany soa aman-tsara.",
        "25": "Rehefa tonga tao Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy: \u201cNaninona ianao no tsy nandeha niaraka tamiko, ry Mefiboseta?\u201d",
        "26": "Dia hoy izy: \u201cNofitahin\u2019ny mpanompoko aho, ry mpanjaka tompoko. Malemy tongotra izaho mpanomponao, ka niteny hoe: \u2018Aleo hasiana lasely ny ampondrako, mba hotaingenako ka handehanako hiaraka amin\u2019ny mpanjaka.\u2019",
        "27": "Kanjo nendrikendrehiny tany amin\u2019ny mpanjaka tompoko ny mpanomponao. Hoatran\u2019ny anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra anefa ny mpanjaka tompoko, ka ataovy izay hitanao fa mety.",
        "28": "Azon\u2019ny mpanjaka tompoko natao ny nandripaka ny ankohonan-draiko manontolo, nefa dia navelanao ho anisan\u2019ireo misakafo eo amin\u2019ny latabatrao ny mpanomponao. Koa izaho ve dia mbola manan-jo hitaraina amin\u2019ny mpanjaka ihany?\u201d",
        "29": "Hoy anefa ny mpanjaka: \u201cAoka izay! Nanapa-kevitra aho hoe hifampizaranao sy Ziba ny tany.\u201d",
        "30": "Dia hoy i Mefiboseta tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cAleo alainy any daholo, satria ny mpanjaka tompoko aza izao efa tonga soa aman-tsara at\u1ef3 an-tranony.\u201d",
        "31": "Ary nidina avy any Rogelima i Barzilay Gileadita ka nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, mba hiaraka amin\u2019ny mpanjaka hatreo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "32": "Efa antitra be i Barzilay. Efa 80\u00a0taona izy. Namatsy sakafo ho an\u2019ny mpanjaka izy, tamin\u2019ny mpanjaka nijanona tany Mahanaima. Mpanankarem-be mantsy izy.",
        "33": "Hoy \u00e0ry ny mpanjaka taminy: \u201cAndao hiampita miaraka amiko, dia hiara-misakafo amiko eo amin\u2019ny latabatro any Jerosalema ianao.\u201d",
        "34": "Hoy anefa i Barzilay: \u201cMbola ho velona firy taona moa aho no hiara-miakatra amin\u2019ny mpanjaka ho any Jerosalema?",
        "35": "Efa 80\u00a0taona aho izao. Tsy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy intsony aho. Tsy mahafantatra ny tsiron\u2019izay haniko sy sotroiko intsony izaho mpanomponao, sady tsy afaka mandre ny feon\u2019ny mpihira lahy sy vavy. Koa nahoana ny mpanomponao no ho enta-mavesatra ho an\u2019ny mpanjaka tompoko?",
        "36": "Rehefa afaka nanatitra ny mpanjaka hatreto Jordana ny mpanomponao, dia efa ampy izay. Nahoana ny mpanjaka no hanome ahy an\u2019izany valisoa izany?",
        "37": "Mba avelao ny mpanomponao hody, dia aleo aho ho faty any an-tan\u00e0nako, any akaikin\u2019ny fasan\u2019ny raiko sy ny reniko. Fa io kosa i Kimama mpanomponao. Aleo izy no hiampita miaraka amin\u2019ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay hitanao fa mety.\u201d",
        "38": "Hoy \u00e0ry ny mpanjaka: \u201cHiampita miaraka amiko i Kimama, ary hataoko aminy izay hitanao fa mety. Izay rehetra asainao ataoko, dia hataoko ho anao.\u201d",
        "39": "Dia niampita an\u2019i Jordana ny olona rehetra. Nanoroka sy nitso-drano an\u2019i Barzilay ny mpanjaka rehefa hiampita, dia lasa nody i Barzilay.",
        "40": "Rehefa niampita ho any Gilgala ny mpanjaka, dia niara-niampita taminy i Kimama. Ary nitondra ny mpanjaka hiampita ny vahoakan\u2019i Joda rehetra sy ny antsasaky ny vahoakan\u2019Israely.",
        "41": "Dia nankeo amin\u2019ny mpanjaka ny lehilahy israelita rehetra, ka niteny taminy hoe: \u201cNahoana ny fokon\u2019i Joda rahalahinay no nitondra anao an-tsokosoko, ry Davida Mpanjaka, ka nentiny niampita an\u2019i Jordana ianao sy ny ankohonanao ary ny olonao rehetra?\u201d",
        "42": "Dia namaly an\u2019ireo Israelita ny lehilahy rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda hoe: \u201cSatria havanay ny mpanjaka. Ary inona moa no mahatezitra anareo amin\u2019izany? Angaha ny sakafonay nisy niantohan\u2019ny mpanjaka, sa nisy fanomezana nomena anay?\u201d",
        "43": "Hoy anefa ny navalin\u2019ny Israelita an\u2019ireo anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda: \u201cManana anjara folo amin\u2019ny fanjakana izahay, ka manan-jo kokoa hanao an\u2019izany amin\u2019i Davida noho ianareo. Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay? Tsy izahay ve no tokony ho voalohany nampody ny mpanjakantsika?\u201d Naharesy lahatra kokoa anefa ny tenin\u2019ireo anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda noho ny tenin\u2019ny Israelita."
    },
    "20": {
        "1": "Nisy lehilahy mpanakorontana atao hoe Sheba teo. Zanak\u2019i Bikry Benjaminita izy io. Nitsoka anjombona izy ka niteny hoe: \u201cTsy manana anjara amin\u2019i Davida isika sady tsy manana lova eo amin\u2019ny zanak\u2019i Jese. Samia \u00e0ry mankany amin\u2019ny andriamaniny avy, ry Israely\u00a0\u00f4!\u201d",
        "2": "Dia nandao an\u2019i Davida ny lehilahy israelita rehetra, ka nanaraka an\u2019i Sheba zanak\u2019i Bikry. Ireo lehilahy anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda kosa niaraka tamin\u2019ny mpanjakany foana, hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana ka hatrany Jerosalema.",
        "3": "Ary tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida Mpanjaka. Dia nalainy ireo vadikeliny folo, izay najanony hikarakara ny trano, ka napetrany tao amin\u2019ny trano iray nisy mpiambina. Nomeny sakafo izy ireo, saingy tsy nanao firaisana tamin\u2019izy ireo intsony izy. Tsy nahazo nivoaka tao amin\u2019ilay trano izy ireo mandra-pahafatiny, ka lasa toy ny mpitondratena na dia tsy maty vady aza.",
        "4": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Amasa: \u201cAngony ao anatin\u2019ny telo andro ny lehilahy anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda, dia asaivo mankat\u1ef3 amiko. Tokony ho eto koa ianao amin\u2019izay.\u201d",
        "5": "Lasa \u00e0ry i Amasa nanangona ny Joda. Tara tamin\u2019ilay fotoana nomen\u2019i Davida anefa izy.",
        "6": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Abisay: \u201cMety hampidi-doza antsika mihoatra noho i Absaloma i Sheba zanak\u2019i Bikry. Ento \u00e0ry ny mpanompon\u2019ny tomponao ka enjeho izy, sao hiditra any amin\u2019ny tan\u00e0na voaro mafy izy ka tsy ho azontsika intsony.\u201d",
        "7": "Dia nivoaka nanaraka azy ny olon\u2019i Joaba sy ny Keretita sy ny Peletita ary ny lehilahy matanjaka rehetra. Niala tao Jerosalema izy ireo mba hanenjika an\u2019i Sheba zanak\u2019i Bikry.",
        "8": "Rehefa teo akaikin\u2019ilay vatobe ao Gibeona izy ireo, dia tonga nitsena azy ireo i Amasa. Nanao ny akanjo fitondrany miady i Joaba tamin\u2019izay, ary nisy sabatra tao anaty tranony teo amin\u2019ny fehikibony. Latsaka ilay sabatra rehefa nanatona i Joaba.",
        "9": "Hoy i Joaba tamin\u2019i Amasa: \u201cSalama ve ianao, ry rahalahiko?\u201d Dia noraisin\u2019i Joaba tamin\u2019ny tanany havanana ny volombavan\u2019i Amasa, ka hoatran\u2019ny hoe hanoroka an\u2019i Amasa izy.",
        "10": "Tsy mba mailomailo i Amasa, nefa nisy sabatra teny an-tanan\u2019i Joaba. Dia nasian\u2019i Joaba tamin\u2019iny ny kibony, ka nivoaka ny tsinainy dia niparitaka tamin\u2019ny tany. Tsy nila namely azy fanindroany i Joaba, fa indray mandeha ihany dia maty izy. Ary lasa i Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an\u2019i Sheba zanak\u2019i Bikry.",
        "11": "Ary nisy tovolahy miaramilan\u2019i Joaba nijoro teo anilan\u2019i Amasa ka niteny hoe: \u201cManaraha an\u2019i Joaba izay manohana an\u2019i Joaba sy izay olon\u2019i Davida!\u201d",
        "12": "Nihosin-dra teo ampovoan-dalana i Amasa tamin\u2019izay. Rehefa hitan\u2019ilay tovolahy fa nijanona teo ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin\u2019ny lalana i Amasa ka nafindrany teny an-tsaha. Ary nanipy akanjo teo amboniny izy mba hanaronana azy, satria hitany fa nijanona daholo izay nandalo teo aminy.",
        "13": "Rehefa avy nesoriny teo amin\u2019ny lalana izy, dia lasa nanaraka an\u2019i Joaba daholo ny lehilahy rehetra, mba hanenjika an\u2019i Sheba zanak\u2019i Bikry.",
        "14": "Nandalo tany amin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely i Sheba, ka tonga tany Abela any Beti-maka. Dia nivory ny Bikrita rehetra, ka nanaraka azy nankao an-tan\u00e0na.",
        "15": "Ary tonga i Joaba sy ny miaramilany, ka nanao fahirano an\u2019i Sheba tao Abela any Beti-maka. Dia nanangana dongon-tany fanaovana fahirano izy ireo hanafihana an\u2019ilay tan\u00e0na, satria voahodidina dongon-tany fiarovana izy io. Ary noloahin\u2019izy ireo ny fototry ny manda mba handrodanana an\u2019ilay izy.",
        "16": "Ary nisy vehivavy hendry iray niantsoantso avy teo amin\u2019ny mandan\u2019ny tan\u00e0na, dia niteny hoe: \u201cMba henoy aho, rey olona\u00a0a! Henoy aho! Mba teneno kely i Joaba hoe mankanesa et\u1ef3 fa hiresaka aminy aho.\u201d",
        "17": "Nanatona an\u2019ilay vehivavy \u00e0ry izy, dia hoy ilay vehivavy: \u201cIanao ve no Joaba?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cIe, izaho no izy!\u201d Ary hoy ilay vehivavy: \u201cMba henoy ny tenin\u2019ny mpanomponao.\u201d Dia hoy izy: \u201cMihaino aho.\u201d",
        "18": "Ary hoy ihany ilay vehivavy: \u201cFitenin\u2019ny olona fahiny ny hoe: \u2018Andao haka hevitra ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Abela, dia ho voalamina ilay olana.\u2019",
        "19": "Solontenan\u2019ny olona tia fihavanana sy mendri-pitokisana eto amin\u2019ny Israely aho. Ianao kosa mitady handrava tan\u00e0na iray, izay toy ny reny eto amin\u2019ny Israely. Fa nahoana no haripakao ny lovan\u2019i Jehovah?\u201d",
        "20": "Dia hoy i Joaba: \u201cSanatria ahy ny handripaka sy handrava an\u2019ity tan\u00e0na ity.",
        "21": "Tsy izany mihitsy no anton-diako. Fa misy lehilahy iray avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, nikomy tamin\u2019i Davida Mpanjaka. Sheba no anarany, ary zanak\u2019i Bikry izy. Raha hatolotrareo ahy io lehilahy iray io, dia tsy hanao fahirano an\u2019ity tan\u00e0na ity intsony aho.\u201d Ary hoy ilay vehivavy: \u201cAo \u00e0ry fa hatsipinay eny aminao avy et\u1ef3 amin\u2019ny manda ny lohany!\u201d",
        "22": "Tonga dia lasa niresaka tamin\u2019ny olona rehetra ilay vehivavy hendry. Dia notapahin\u2019izy ireo ny lohan\u2019i Sheba zanak\u2019i Bikry ary natsipiny teny amin\u2019i Joaba. Notsofin\u2019i Joaba \u00e0ry ny anjombona, ka samy niparitaka niala tao amin\u2019ilay tan\u00e0na ny olona ary nankany an-tranony avy. I Joaba kosa niverina nankany Jerosalema, ho any amin\u2019ny mpanjaka.",
        "23": "I Joaba no lehiben\u2019ny tafiky ny Israely manontolo; Benaia zanak\u2019i Joiada no lehiben\u2019ny Keretita sy ny Peletita;",
        "24": "Adorama no niandraikitra an\u2019ireo voantso hanao fanompoana ho an\u2019ny mpanjaka; Josafata zanak\u2019i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana;",
        "25": "Seva no mpitan-tsoratra, ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona.",
        "26": "Lasa tompon\u2019andraiki-panjakana niasa ho an\u2019i Davida koa i Ira Jairita."
    },
    "21": {
        "1": "Ary nisy mosary naharitra telo taona nisesy tamin\u2019ny andron\u2019i Davida. Dia nanontany an\u2019i Jehovah i Davida, ka hoy i Jehovah: \u201cMeloka ho nandatsa-dra i Saoly sy ny ankohonany, satria novonoiny ho faty ny Gibeonita.\u201d",
        "2": "Nantsoin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry ny Gibeonita dia niresahany.\u2014Tsy Israelita ny Gibeonita, fa anisan\u2019ny sisa tavela tamin\u2019ny Amorita. Efa nianiana tamin\u2019izy ireo ny Israelita hoe tsy hamono azy ireo. Nitady handripaka azy ireo anefa i Saoly, noho izy nafana fo loatra nanampy ny vahoakan\u2019Israely sy Joda.\u2014",
        "3": "Dia hoy i Davida tamin\u2019ny Gibeonita: \u201cInona no hataoko ho anareo? Ahoana no handrakofako an\u2019izany fahotana izany, mba hitsofanareo rano ny lovan\u2019i Jehovah?\u201d",
        "4": "Hoy ny Gibeonita: \u201cTsy volafotsy na volamena no takinay mba hanonerana ny zavatra nataon\u2019i Saoly sy ny ankohonany. Tsy manan-jo hamono olona eto amin\u2019ny Israely koa izahay.\u201d Dia hoy i Davida: \u201cHataoko ho anareo daholo izay lazainareo.\u201d",
        "5": "Nilaza tamin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry izy ireo hoe: \u201cNandringana anay sy nitetika ny handripaka anay tsy ho eto amin\u2019ny faritry ny Israely iny lehilahy iny.",
        "6": "Koa atolory anay ny fito lahy amin\u2019ny taranany. Dia hahantonay ny fatin\u2019izy ireo mba ho eo anatrehan\u2019i Jehovah. Ao Gibea tan\u00e0nan\u2019i Saoly, ilay voafidin\u2019i Jehovah, no hanaovanay an\u2019izany.\u201d Ary hoy ny mpanjaka: \u201cHatolotro anareo izy ireo.\u201d",
        "7": "Nangoraka an\u2019i Mefiboseta zanak\u2019i Jonatana zanak\u2019i Saoly anefa ny mpanjaka, noho ny fianianana nataon\u2019i Davida sy Jonatana zanak\u2019i Saoly, teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "8": "Nalain\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Armony sy Mefiboseta, zanak\u2019i Rizpa zanakavavin\u2019i Aia, dia izy roa lahy naterany tamin\u2019i Saoly. Nalainy koa ny zanak\u2019i Mikala zanakavavin\u2019 i Saoly, dia izy dimy lahy naterany tamin\u2019i Adriela zanak\u2019i Barzilay Meholatita.",
        "9": "Ary natolony an\u2019ireo Gibeonita izy ireo, ka nahanton\u2019ny Gibeonita teo an-tendrombohitra, teo anatrehan\u2019i Jehovah, ny fatin\u2019izy ireo. Niara-maty daholo izy fito. Teo am-piandohan\u2019ny fijinjana izy ireo no novonoina ho faty, izany hoe rehefa nanomboka ny fijinjana vary orza.",
        "10": "Ary naka lamba gony i Rizpa zanakavavin\u2019i Aia, ka novelariny teo ambony vatolampy. Dia nijanona teo izy nanomboka tamin\u2019ny fiandohan\u2019ny fotoam-pijinjana, ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra teo amin\u2019ireo faty. Tsy navelany hisy vorona hipetraka teo amin\u2019izy ireo nandritra ny andro, ary nosakanany tsy hanatona teo koa ny bibidia tany an-tsaha nandritra ny alina.",
        "11": "Nisy nitantara tamin\u2019i Davida ny zavatra nataon\u2019i Rizpa zanakavavin\u2019i Aia sady vadikelin\u2019i Saoly.",
        "12": "Lasa \u00e0ry i Davida naka ny taolambalon\u2019i Saoly sy Jonatana zanany tany amin\u2019ireo mpitarika tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy ireo teo amin\u2019ny tany malalak\u2019i Beti-sana. Teo no nanantonan\u2019ny Filistinina azy ireo, tamin\u2019ilay andro namonoan\u2019ny Filistinina an\u2019i Saoly tany Gilboa.",
        "13": "Ary nentiny niakatra avy tany ny taolambalon\u2019i Saoly sy Jonatana zanany. Nangonina koa ny taolambalon\u2019ireo lehilahy novonoina.",
        "14": "Dia nalevina tao amin\u2019ny fasan\u2019i Kisy rain\u2019i Saoly tao Zela, any amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina, ny taolambalon\u2019i Saoly sy Jonatana zanany. Rehefa vita izay rehetra nasain\u2019ny mpanjaka natao, dia nohenoin\u2019Andriamanitra ny fitalahoana ho an\u2019ilay tany.",
        "15": "Niady indray ny Filistinina sy ny Israely. Nidina niady tamin\u2019ny Filistinina \u00e0ry i Davida sy ny mpanompony, kanjo reraka be i Davida.",
        "16": "Saika hamely azy i Jisbi-benoba, taranaky ny Refaima. Nitondra lefona varahina nilanja 300 sekely sy sabatra vaovao izy.",
        "17": "Tonga nanampy an\u2019i Davida avy hatrany anefa i Abisay zanak\u2019i Zeroia. Dia nasiany ilay Filistinina, ka novonoiny ho faty. Nianiana tamin\u2019i Davida ny olony tamin\u2019izay hoe: \u201cTsy mahazo mivoaka hiady miaraka aminay intsony ianao! Tsy mahazo mamono ny jiron\u2019ny Israely ianao!\u201d",
        "18": "Taorian\u2019izay, dia raikitra indray ny ady tamin\u2019ny Filistinina, tany Goba. Tamin\u2019izay i Sibekay Hosatita no nahafaty an\u2019i Safa, taranaky ny Refaima.",
        "19": "Ary raikitra indray ny ady tamin\u2019ny Filistinina, tany Goba. Dia novonoin\u2019i Elanana zanak\u2019i Jare-oregima Betlehemita i Goliata Gatita, ilay nanana tahon-defona hoatran\u2019ny voditenon\u2019ny mpanenona.",
        "20": "Raikitra indray ny ady tany Gata, ary nisy lehilahy iray goavam-be tao. Enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka 24 ny fitambarany. Taranaky ny Refaima koa izy.",
        "21": "Nila ady tamin\u2019ny Israely foana izy, ka novonoin\u2019i Jonatana zanak\u2019i Simey rahalahin\u2019i Davida.",
        "22": "Taranaky ny Refaima tany Gata izy efatra ireo, ary ny tanan\u2019i Davida sy ny mpanompony no namono azy ireo."
    },
    "22": {
        "1": "Nanao an\u2019izao tononkira izao ho an\u2019i Jehovah i Davida, tamin\u2019ny andro namonjen\u2019i Jehovah azy tamin\u2019ny fahavalony rehetra sy tamin\u2019i Saoly.",
        "2": "Hoy izy: \u201cI Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy.",
        "3": "Ilay Andriamanitro no vatolampiko. Ao aminy aho no mialoka, Izy no ampingako sy tandroka famonjena ahy, fialofana azoko antoka Sy toerana fandosirako, ary mpamonjy ahy. Ianao no mamonjy ahy tsy hiharan\u2019ny herisetra.",
        "4": "I Jehovah, ilay mendrika hoderaina, no antsoiko, Ka ho voavonjy amin\u2019ny fahavaloko aho.",
        "5": "Niantonta nanodidina ahy ny onjan\u2019ny fahafatesana; Nampihorohoro ahy ireo olona tsy misy ilana azy, izay toy ny ranotrambo nanafotra ahy.",
        "6": "Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana; Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.",
        "7": "Tao anatin\u2019ny sarotra aho no niantso an\u2019i Jehovah, Ilay Andriamanitro foana no nantsoiko. Dia henony tao amin\u2019ny tempoliny ny feoko, Ary ren\u2019ny sofiny ny antso vonjy nataoko.",
        "8": "Nihozongozona sy nihetsiketsika ny tany; Nihovotrovotra ny fototry ny lanitra Sady nihozongozona satria nisy nampahatezitra azy.",
        "9": "Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, Ary nisy afo nandevona avy tamin\u2019ny vavany; Nisy vainafo niredareda avy taminy.",
        "10": "Natongilany ny lanitra rehefa nidina izy, Ary haizim-pito no teo ambany tongony.",
        "11": "Nitaingina kerobima izy dia nanidina. Hita teny ambony elatry ny anjely izy.",
        "12": "Dia nataony nanodidina azy toy ny tranolay ny haizina, Dia rahona mainty sy matevina.",
        "13": "Ny hazavana namirapiratra teo anatrehany no nampiredareda vainafo.",
        "14": "Dia nandefa kotroka avy tany an-danitra i Jehovah; Nataon\u2019ilay Avo Indrindra izay handrenesana ny feony.",
        "15": "Nandefa ny zana-tsip\u00eckany izy ka niparitaka ny fahavalony; Nandefa tselatra izy ka nataony nisahotaka ireny.",
        "16": "Lasa hita ny fanambanin\u2019ny ranomasina; Niharihary ny fototry ny tany satria niteny mafy azy i Jehovah, Sady nitsoka azy tamin\u2019ny fofonain\u2019ny vavorony.",
        "17": "Avy any amin\u2019ny avo izy no nanatsotra ny tanany; Nitazona ahy izy ary nisintona ahy avy tao anaty rano lalina.",
        "18": "Namonjy ahy tamin\u2019ny fahavalo mahery izy, Dia tamin\u2019ireo nankahala ahy, izay nahery kokoa noho izaho.",
        "19": "Nanohitra ahy izy ireny tamin\u2019ny andro nahitako loza, Nefa nanampy ahy i Jehovah.",
        "20": "Nitondra ahy nankeo amin\u2019ny toerana tsy mampidi-doza izy; Namonjy ahy izy satria nankasitraka ahy.",
        "21": "Mamaly soa ahy i Jehovah satria manao ny marina aho; Mamaly soa ahy izy satria tsy manan-tsiny aho.",
        "22": "Fa narahiko foana ny lalan\u2019i Jehovah, Ary tsy nanao ratsy aho ka hoe niala tamin\u2019ny Andriamanitro.",
        "23": "Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra; Tsy hiala amin\u2019ny fitsipiny aho.",
        "24": "Tsy hisy tsiny eo anatrehany aho, Sady hitandrina mba tsy hanao fahadisoana.",
        "25": "Enga anie i Jehovah hamaly soa ahy satria manao ny marina aho, Sady tsy manan-tsiny eo anatrehany!",
        "26": "Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihanao, Ary tsy misy tsiny ianao rehefa mifandray amin\u2019ny olona tsy misy tsiny;",
        "27": "Ny olona madio no isehoanao hoe madio, Fa ny olona fetsifetsy kosa no isehoanao hoe kinga saina.",
        "28": "Mamonjy an\u2019ireo manetry tena mantsy ianao, Fa ny masonao kosa manohitra ny mpirehareha ka aetrinao ireny.",
        "29": "Fa ianao no jiroko, Jehovah\u00a0\u00f4! I Jehovah no manazava ny haizina misy ahy.",
        "30": "Manampy ahy ianao, dia vitako ny miady amin\u2019ny mpandroba; Noho ny herin\u2019Andriamanitra, dia vitako ny mianika manda.",
        "31": "Tonga lafatra ny lalan\u2019ilay tena Andriamanitra; Madio ny tenin\u2019i Jehovah. Ampingan\u2019izay rehetra mialoka aminy izy.",
        "32": "Fa iza no Andriamanitra ankoatra an\u2019i Jehovah? Ary iza no vatolampy ankoatra an\u2019ilay Andriamanitsika?",
        "33": "Ilay tena Andriamanitra no fiarovana mafy ho ahy, Ary hataony izay hahalavorary ny lalako.",
        "34": "Ataony toy ny an\u2019ny serfa ny tongotro; Ampijoroany eo amin\u2019ny toerana avo aho.",
        "35": "Mampiofana ahy hiady izy; Mahavita mamoritra tsip\u00ecka varahina ny sandriko.",
        "36": "Omenao ahy ny ampinga famonjenao, Ary lasa misandratra aho noho ianao manetry tena.",
        "37": "Ataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko; Tsy hibolisatra ny tongotro.",
        "38": "Henjehiko ny fahavaloko ary haripako; Tsy hiverina aho raha tsy efa ringana tanteraka izy ireny.",
        "39": "Haringako sy hotorotoroiko izy ireny, ka tsy ho tafatsangana intsony; Ho lavo eo ambany tongotro izy ireny.",
        "40": "Homenao hery hoenti-miady aho; Hataonao lavo eo ambaniko ny fahavaloko.",
        "41": "Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko; Haringako izay mankahala ahy.",
        "42": "Miantso vonjy izy ireny, nefa tsy misy mamonjy; Miantso an\u2019i Jehovah mihitsy aza izy ireny, nefa tsy valiany.",
        "43": "Hataoko torotoro toy ny vovoka izy ireny, Ary hopotipotehiko sy hohitsakitsahiko hoatran\u2019ny fotaka eny an-dalana.",
        "44": "Hamonjy ahy amin\u2019ny fanakianana ataon\u2019ny vahoakako ianao. Hiaro ahy ianao mba hahatonga ahy ho filohan\u2019ireo firenena; Vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.",
        "45": "Hanatona ahy ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa sady hatahotra, Hankat\u00f2 ahy izy ireo noho ny zavatra henony momba ahy.",
        "46": "Tsy hanana herim-po intsony ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa; Hangovitra izy ireo mivoaka avy ao amin\u2019ny toerany voaro mafy.",
        "47": "Velona i Jehovah! Hoderaina anie ilay Vatolampiko! Hasandratra anie Andriamanitra, ilay Vatolampy mpamonjy ahy!",
        "48": "Mamaly ny ratsy atao amiko ilay tena Andriamanitra; Ataony lasa manaiky ahy ireo firenena;",
        "49": "Mamonjy ahy amin\u2019ny fahavaloko izy. Manainga ahy ho lasa ambonin\u2019ireo manafika ahy ianao, Ary mamonjy ahy amin\u2019ny olona mahery setra.",
        "50": "Izany no mahatonga ahy hisaotra anao eo amin\u2019ireo firenena, Jehovah\u00a0\u00f4, Sy hanao hira fiderana ho an\u2019ny anaranao:",
        "51": "Manao asa famonjena lehibe ho an\u2019ny mpanjaka voatendriny izy; Tiany ny voahosotra notendreny sady tsy mivadika aminy izy, Dia amin\u2019i Davida sy ny taranany mandrakizay.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Izao no teny farany nataon\u2019i Davida: \u201cNy tenin\u2019i Davida zanak\u2019i Jese, Dia ny tenin\u2019ilay lehilahy nasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr\u2019i Jakoba, Ilay mpihira mahafinaritra voalazan\u2019ny hiran\u2019ny Israely.",
        "2": "Ny fanahin\u2019i Jehovah no niteny tamin\u2019ny alalako; Ny teniny no teo amin\u2019ny lelako.",
        "3": "Niteny ny Andriamanitry ny Israely; Nilaza tamiko ilay Vatolampin\u2019ny Israely hoe: \u2018Raha olo-marina no mitondra ny olombelona, Ka matahotra an\u2019Andriamanitra izy,",
        "4": "Dia toy ny hazavana vao maraina izany, rehefa miposaka ny masoandro, Amin\u2019ny maraina tsy semban-drahona. Toy ny hazavana mamiratra izany, rehefa mitsahatra ny orana, Ka mampitsiry ny ahitra avy amin\u2019ny tany.\u2019",
        "5": "Tsy toy izany ve ny ankohonako, eo anatrehan\u2019Andriamanitra? Nanao fifanekena mandrakizay tamiko mantsy izy, Dia fifanekena efa voaomana tsara sady azo antoka. Tena mamonjy ahy mantsy io fifanekena io sady tena mahafinaritra ahy, Koa tsy izany ve no mahatonga azy hampiroborobo ny ankohonako?",
        "6": "Ny olona tsy misy ilana azy rehetra kosa ariana toy ny tsilo, Satria tsy azo raisina amin\u2019ny tanana.",
        "7": "Izay olona mikasika an\u2019ireny, Dia tokony hitondra fitaovana vy sy tahon-defona, Ary tokony hatao kilan\u2019ny afo eo amin\u2019ny toerana misy azy izy ireny.\u201d",
        "8": "Ireto ny anaran\u2019ireo miaramila matanjaka tao amin\u2019ny tafik\u2019i Davida: Joseba-basebeta Takemonita, lehiben\u2019izy telo lahy. Nampiasa ny lefony izy, indray mandeha, dia nahafaty 800\u00a0lahy.",
        "9": "Ary manarakaraka azy i Eleazara zanak\u2019i Dodo zanak\u2019i Ahohy. Anisan\u2019ireo miaramila matanjaka telo niaraka tamin\u2019i Davida izy, tamin\u2019izy ireo nila ady tamin\u2019ny Filistinina. Tonga teo ny Filistinina tamin\u2019izay, mba hiady. Dia nitsoaka ny lehilahy israelita,",
        "10": "fa izy kosa tsy niala teo. Namely an\u2019ireo Filistinina foana izy, ka tsy nijanona mihitsy raha tsy efa reraka be ny sandriny ary lasa nihenjana be ilay tanany nitazona sabatra. Nahatonga fandresena miezinezina \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019izay andro izay. Ary niverina ny miaramila, ka nanaraka an\u2019i Eleazara mba haka an\u2019izay zavatra teny amin\u2019ireo olona novonoiny.",
        "11": "Manarakaraka azy i Sama zanak\u2019i Age Hararita. Tonga tao Lehy, teo amin\u2019ny saha feno lantihy naniry, ny Filistinina. Dia lasa nitsoaka ny olona satria natahotra an\u2019ireo Filistinina ireo.",
        "12": "Fa izy kosa nijoro teo afovoan\u2019ilay saha, ka niaro an\u2019ilay izy ary namono an\u2019ireo Filistinina. Nanome fandresena miezinezina \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019izay.",
        "13": "Nidina nankany amin\u2019i Davida tany amin\u2019ilay lava-bato tao Adolama ny 3 tamin\u2019ireo 30 lahy lehiben\u2019ny tafika, nandritra ny fotoam-pijinjana. Efa nisy andiana Filistinina nitoby teny amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima tamin\u2019izay.",
        "14": "I Davida kosa tao amin\u2019ilay toerana niafenany. Ary nisy tobin\u2019ny Filistinina tao Betlehema.",
        "15": "Nangetaheta be i Davida ka hoy izy: \u201cRaha izao aho izao no mba afaka misotro rano avy ao amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano eo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019i Betlehema\u00a0a!\u201d",
        "16": "Dia niditra an-keriny tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Filistinina ireo miaramila matanjaka telo. Nanovo rano tao amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano teo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019i Betlehema izy ireo, ary nitondra an\u2019ilay izy tany amin\u2019i Davida. Tsy nety nisotro anefa izy, fa nararany ho an\u2019i Jehovah ilay rano.",
        "17": "Hoy izy: \u201cSanatria ahy ny hanao an\u2019izany, Jehovah\u00a0\u00f4! Izaho ve dia hisotro ny ran\u2019ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo?\u201d Tsy nety nisotro an\u2019ilay rano \u00e0ry izy. Izany no nataon\u2019ireo miaramila matanjaka telo ireo.",
        "18": "I Abisay rahalahin\u2019i Joaba, zanak\u2019i Zeroia, no lehiben\u2019ny miaramila telo hafa. Nampiasa ny lefony izy, ka nahafaty 300 lahy. Ary nalaza hoatran\u2019ireo telo lahy ihany izy.",
        "19": "I Abisay no niavaka indrindra tamin\u2019izy telo sady lehiben\u2019izy ireo. Tsy nitovy tamin\u2019ireo telo lahy voalohany anefa izy.",
        "20": "Lehilahy be herim-po i Benaia zanak\u2019i Joiada, ary nahavita zavatra niavaka maro tao Kabzela izy. Nahafaty an\u2019ireo roa lahy zanak\u2019i Ariela avy any Moaba izy, ary nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano tamin\u2019ny andro nisy lanezy, dia namono liona iray.",
        "21": "Namono lehilahy ejipsianina iray goavam-be koa izy. Na dia nitana lefona aza ilay Ejipsianina, dia niady taminy i Benaia nefa kibay no teny aminy. Nosintoniny teny an-tanan\u2019ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy.",
        "22": "Izany no nataon\u2019i Benaia zanak\u2019i Joiada, ary nalaza hoatran\u2019ireo miaramila matanjaka telo ihany izy.",
        "23": "Niavaka kokoa izy raha oharina amin\u2019ireo 30 lahy, saingy tsy nahavita ny vitan\u2019ireo telo lahy. Notendren\u2019i Davida ho lehiben\u2019ny mpiambina azy anefa izy.",
        "24": "Anisan\u2019ireo 30 lahy koa i Asahela rahalahin\u2019i Joaba, Elanana zanak\u2019i Dodo avy any Betlehema,",
        "25": "Sama Harodita, Elika Harodita,",
        "26": "Heleza Paltita, Ira zanak\u2019i Ikesy Tekoita,",
        "27": "Abi-ezera Anatotita, Mebonay Hosatita,",
        "28": "Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,",
        "29": "Haleba zanak\u2019i Bana Netofatita, Itahy zanak\u2019i Ribay avy any Gibea tan\u00e0nan\u2019ny Benjaminita,",
        "30": "Benaia Piratonita, Hiday avy any amin\u2019ny lohasahan\u2019i Gasa,",
        "31": "Abi-albona Arbatita, Azmaveta Baromita,",
        "32": "Eliaba Salbonita, ny zanak\u2019i Jasena, Jonatana,",
        "33": "Sama Hararita, Ahiama zanak\u2019i Sarara Hararita,",
        "34": "Elifeleta zanak\u2019i Ahasbay zanak\u2019ilay Makatita, Eliama zanak\u2019i Ahitofela Gilonita,",
        "35": "Hezro Karmelita, Paray Arbita,",
        "36": "Jigala zanak\u2019i Natana avy any Zoba, Bany Gadita,",
        "37": "Zaleka Amonita, Naharay Berotita mpitondra ny fiadian\u2019i Joaba zanak\u2019i Zeroia,",
        "38": "Ira Jitrita, Gareba Jitrita,",
        "39": "ary Oria Hetita. Nisy 37 ny fitambaran\u2019izy ireo."
    },
    "24": {
        "1": "Tezitra be tamin\u2019ny Israely indray i Jehovah, rehefa nisy nampirisika an\u2019i Davida hahatonga loza tamin\u2019ny Israely ka nilaza taminy hoe: \u201cMandehana isao ny Israely sy ny Joda.\u201d",
        "2": "Hoy \u00e0ry ny mpanjaka tamin\u2019i Joaba, lehiben\u2019ny tafika, izay niaraka taminy: \u201cTetezo, azafady, ny foko rehetra eo amin\u2019ny Israely, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary isao ny vahoaka mba hahafantarako ny isany.\u201d",
        "3": "Hoy anefa i Joaba tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cHampitomboin\u2019i Jehovah Andriamanitrao avo 100\u00a0heny anie ny isan\u2019ny olona, ary ho hitan\u2019ny mason\u2019ny mpanjaka tompoko anie izany! Fa maninona ny mpanjaka tompoko no te hanao an\u2019izany zavatra izany?\u201d",
        "4": "Tsy naharesy lahatra ny mpanjaka anefa i Joaba sy ireo lehiben\u2019ny tafika. Niala teo anatrehan\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Joaba sy ireo lehiben\u2019ny tafika mba hanisa ny vahoakan\u2019Israely.",
        "5": "Niampita an\u2019i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera, teo ankavanan\u2019ilay tan\u00e0na izay eo afovoan\u2019ilay lohasaha. Dia nankany amin\u2019ny Gadita izy ireo, ary avy eo nankany Jazera.",
        "6": "Nandeha tany Gileada sy tany Tatima-hodsy izy ireo taorian\u2019izay, dia nanohy ny diany nankany Dana-jana, ary nivily nankany Sidona.",
        "7": "Nankany Tyro, tan\u00e0na voaro mafy, izy ireo avy eo, dia nankany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetran\u2019ny Hivita sy ny Kananita. Dia tonga tany Beri-sheba any Negeba, any Joda, izy ireo tamin\u2019ny farany.",
        "8": "Nitety an\u2019ilay tany manontolo \u00e0ry izy ireo, ka tafaverina tany Jerosalema rehefa afaka sivy volana sy 20 andro.",
        "9": "Dia nomen\u2019i Joaba ny mpanjaka ny isan\u2019ny olona voasoratra anarana. Nisy 800\u00a0000 ny miaramila mpitan-tsabatra, teo amin\u2019ny Israely, ary 500\u00a0000 kosa ireo anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
        "10": "Nanenina anefa i Davida rehefa voaisany ny vahoaka, ka nanameloka azy ny fony. Niteny tamin\u2019i Jehovah \u00e0ry i Davida hoe: \u201cTena nanao fahotana lehibe aho tamin\u2019iny zavatra nataoko iny. Mba avelao re ny fahadisoan\u2019ny mpanomponao, Jehovah\u00a0\u00f4! Fa nanao hadalana be mihitsy aho.\u201d",
        "11": "Rehefa nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Gada, mpaminany sady mpahita fahitana ho an\u2019i Davida:",
        "12": "\u201cMandehana lazao amin\u2019i Davida hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cOmeko safidy telo ianao, dia fidio izay iray tianao hataoko aminao.\u201d\u2019\u201d",
        "13": "Nankao amin\u2019i Davida \u00e0ry i Gada, ka nilaza taminy hoe: \u201cInona, hono, no tianao? Hisy mosary mandritra ny fito taona ve eto amin\u2019ny taninao, sa handositra mandritra ny telo volana ianao satria henjehin\u2019ny fahavalonao, sa hisy areti-mandringana mandritra ny telo andro eto amin\u2019ny taninao? Eritrereto tsara hoe inona no havaliko an\u2019Ilay naniraka ahy.\u201d",
        "14": "Dia hoy i Davida tamin\u2019i Gada: \u201cSahiran-tsaina be aho. Aleontsika anefa azon\u2019ny tanan\u2019i Jehovah toy izay azon\u2019ny tanan\u2019olona. Be famindram-po mantsy izy.\u201d",
        "15": "Nandefa areti-mandringana teo amin\u2019ny Israely \u00e0ry i Jehovah nanomboka ny maraina ka hatramin\u2019ny fotoana voatondro. Dia 70\u00a0000 no maty hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.",
        "16": "Rehefa nanatsotra ny tanany handringana ny tao Jerosalema ilay anjely, dia nanenina i Jehovah noho ilay loza. Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ilay anjely nandringana ny olona: \u201cAmpy izay! Ampidino amin\u2019izay ny tananao.\u201d Teo akaikin\u2019ny famoloan\u2019i Araona Jebosita ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019izay.",
        "17": "Rehefa nahita an\u2019ilay anjely namono ny vahoaka i Davida, dia hoy izy tamin\u2019i Jehovah: \u201cIzaho no nanota ary izaho no nanao ratsy. Fa inona moa no nataon\u2019ireo ondry ireo? Izaho sy ny ankohonan-draiko re asiana\u00a0e!\u201d",
        "18": "Koa nankao amin\u2019i Davida i Gada tamin\u2019iny andro iny ihany, ka niteny taminy hoe: \u201cMiakara ka manorena alitara ho an\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny famoloan\u2019i Araona Jebosita.\u201d",
        "19": "Dia nataon\u2019i Davida izay nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Gada ka niakatra izy.",
        "20": "Rehefa nitazana i Araona, dia hitany fa ho eny aminy ny mpanjaka sy ny mpanompony. Tonga\u00a0dia nivoaka \u00e0ry izy ka niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019ny mpanjaka.",
        "21": "Dia hoy i Araona: \u201cNahoana ny mpanjaka tompoko no tonga at\u1ef3 amin\u2019ny mpanompony?\u201d Namaly i Davida hoe: \u201cTiako hovidina aminao ny famoloana, mba hanorenana alitara ho an\u2019i Jehovah. Amin\u2019izay mba mitsahatra ilay loza mahazo ny vahoaka.\u201d",
        "22": "Hoy anefa i Araona tamin\u2019i Davida: \u201cOmeko maimaim-poana ho an\u2019ny mpanjaka tompoko ny famoloana, ka ataovy fanatitra izay hitanao fa mety. Ireo ny omby, hatao fanatitra dorana. Dia ireo koa ny fitaovana fanosihosena varimbazaha sy ny zioga, hatao kitay.",
        "23": "Omen\u2019i Araona ny mpanjaka daholo ireo rehetra ireo, ry mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d Hoy koa izy: \u201cHankasitraka anao anie i Jehovah Andriamanitrao!\u201d",
        "24": "Hoy anefa ny mpanjaka taminy: \u201cTsy mety izany, fa tsy maintsy hovidiko aminao ireo. Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hatolotro ho sorona dorana ho an\u2019i Jehovah Andriamanitro.\u201d Novidin\u2019i Davida volafotsy 50 sekely \u00e0ry ilay famoloana sy ny omby.",
        "25": "Ary nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah teo i Davida, ka nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Dia nihaino ny fitalahoana ho an\u2019ilay tany i Jehovah, ka nitsahatra ilay loza nahazo ny Israely."
    },
    "meta": {
        "name": "2 Samoela",
        "order": 9,
        "chapter_number": 24
    }
}
