{
    "1": {
        "1": "Avy amin\u2019i Paoly sy Silvano ary Timoty. Ho an\u2019ny fiangonana any Tesalonika izay tafaray amin\u2019Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo,",
        "2": "Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sy hanome fiadanana anareo!",
        "3": "Tsy maintsy misaotra an\u2019Andriamanitra foana izahay noho ny aminareo, ry rahalahy. Mety izany satria mihamatanjaka\u00a0be ny finoanareo, ary vao mainka mifankatia be daholo ianareo.",
        "4": "Ianareo \u00e0ry no reharehanay eo amin\u2019ireo fiangonan\u2019Andriamanitra, noho ianareo miaritra sy manam-pinoana na dia miatrika fanenjehana sy zava-tsarotra aza.",
        "5": "Izany no porofo fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, ka ho azony ekena hoe mendrika ny Fanjakan\u2019Andriamanitra ianareo. Io Fanjakana io no antony iaretanareo fijaliana be.",
        "6": "Fa tena rariny ny an\u2019Andriamanitra raha hanasazy an\u2019izay mampahory anareo izy.",
        "7": "Ianareo izay miaritra fahoriana kosa dia hafahana miaraka aminay, rehefa aharihary avy any an-danitra i Jesosy Tompo miaraka amin\u2019ny anjeliny mahery,",
        "8": "ao amin\u2019ny afo midedadeda. Hamaly an\u2019izay tsy mahalala an\u2019Andriamanitra izy amin\u2019izay, ary hamaly an\u2019izay tsy mankat\u00f2 ny vaovao tsara momba an\u2019i Jesosy Tompontsika.",
        "9": "Hotsaraina izy ireny ka hosazina, izany hoe horinganina mandrakizay, dia tsy ho eo anatrehan\u2019ny Tompo intsony sady tsy hahita ny heriny be voninahitra intsony.",
        "10": "Rehefa tonga izy amin\u2019izany andro izany, dia homem-boninahitra miaraka amin\u2019ny olony masina, ka ho gaga\u00a0be daholo izay maneho finoana rehefa mahita azy. Ho anisan\u2019izy ireny koa ianareo satria nino an\u2019izay notorinay.",
        "11": "Izany mihitsy no mahatonga anay hivavaka ho anareo foana, mba ho hitan\u2019ilay Andriamanitsika fa mendrika an\u2019ilay fiantsoany anareo ianareo. Dia mivavaka koa izahay mba hampiasa ny heriny izy ka hotanterahiny daholo izay tiany, ary hataony mahomby izay ataonareo noho ny finoanareo.",
        "12": "Amin\u2019izay dia homem-boninahitra amin\u2019ny alalanareo ny anaran\u2019i Jesosy Tompontsika, ary ho tafaray aminy ianareo, noho ilay hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019ilay Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo."
    },
    "2": {
        "1": "Momba ny fanatrehan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fanangonana antsika ho any aminy anefa, dia izao no angatahinay aminareo, ry\u00a0rahalahy:",
        "2": "Aza mora mikorontan-tsaina na taitaitra raha misy teny hoatran\u2019ny hoe avy amin\u2019Andriamanitra, na tenin\u2019olona, na taratasy hoatran\u2019ny hoe avy aminay, milaza fa efa tonga ny andron\u2019i Jehovah.",
        "3": "Aza avela hisy hamitaka anareo mihitsy, satria tsy ho tonga izany andro izany raha tsy efa misy aloha ny fivadiham-pinoana, ary efa aharihary ilay lehilahy mpandika lal\u00e0na, izany hoe ilay zanaky ny fandringanana.",
        "4": "Mpanohitra izy ary manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe andriamanitra na izay rehetra ivavahana. Mipetraka ao amin\u2019ny tempolin\u2019Andriamanitra \u00e0ry izy, sady miseho ho andriamanitra eo imason\u2019ny olona.",
        "5": "Matetika aho no niteny an\u2019izany taminareo, tamin\u2019izaho mbola teo aminareo. Tsy tadidinareo ve?",
        "6": "Fantatrareo izao hoe inona no mbola misakana an\u2019io lehilahy io ka mahatonga azy tsy haharihary alohan\u2019ny fotoana.",
        "7": "Marina fa efa miasa io fandikan-dal\u00e0na io, izay zava-miafina. Mandra-panala an\u2019ilay misakana azy amin\u2019izao fotoana izao fotsiny anefa izy io no zava-miafina.",
        "8": "Dia haharihary tokoa ilay mpandika lal\u00e0na, izay haringan\u2019i Jesosy Tompo amin\u2019ny fofonain\u2019ny vavany sady hofoanany rehefa hita mazava hoe manatrika izy.",
        "9": "Noho ny herin\u2019i Satana no mahatonga an\u2019io lehilahy mpandika lal\u00e0na io ho eo, sy hanao zavatra miavaka be dia be, sady hanao famantarana mamitaka sy fahagagana,",
        "10": "ary hanao zavatra tsy marina isan-karazany mba hamitahana an\u2019izay haringana. Izany no sazin\u2019izy ireny satria tsy nanaiky sady tsy tia ny fahamarinana izy ireny ka tsy hovonjena.",
        "11": "Avelan\u2019Andriamanitra ho voafitaky ny fampianaran-diso \u00e0ry izy ireny, mba hinoany lainga.",
        "12": "Amin\u2019izay izy rehetra ho voaheloka satria tsy nino ny fahamarinana, fa faly tamin\u2019ny tsy fahamarinana.",
        "13": "Tsy maintsy misaotra an\u2019Andriamanitra foana izahay noho ny aminareo, ry\u00a0rahalahy tian\u2019i Jehovah. Efa hatramin\u2019ny voalohany mantsy izy no nifidy anareo mba hovonjena, ka nohamasininy tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahiny ianareo satria nino ny fahamarinana.",
        "14": "Izany no niantsoany anareo tamin\u2019ny alalan\u2019ny vaovao tsara torinay, mba hahazoanareo voninahitra hoatran\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "15": "Miezaha \u00e0ry ho mafy orina, ry\u00a0rahalahy, ary aza miala amin\u2019izay nampianarina anareo, na tamin\u2019ny teny izany, na tamin\u2019ny taratasy avy aminay.",
        "16": "Tia antsika Andriamanitra Raintsika sady mampionona antsika mandrakizay ary manome fanantenana tsara, noho ilay hatsaram-panahiny miavaka. Enga anie Izy sy Jesosy Kristy Tompontsika",
        "17": "mba hampionona ny fonareo sy hampahery anareo, amin\u2019izay ianareo hanao ny tsara sy hiteny zavatra tsara foana!"
    },
    "3": {
        "1": "Farany, ry rahalahy, mivavaha foana ho anay, mba hiely haingana foana ny tenin\u2019i Jehovah ary homem-boninahitra toy izao eo aminareo izao.",
        "2": "Mivavaha foana koa mba harovana amin\u2019ny mpihetraketraka sy ny ratsy fanahy izahay, satria tsy hoe manam-pinoana daholo ny olona rehetra.",
        "3": "Tsy mivadika amin\u2019ny teniny kosa ny Tompo, ka hanatanjaka anareo sy hiaro anareo tsy ho azon\u2019ilay ratsy.",
        "4": "Ary noho izahay mpanara-dia ny Tompo, dia matoky anareo izahay. Matoky izahay fa efa manao an\u2019izay nasainay nataonareo ianareo, sady mbola hanao an\u2019izany foana.",
        "5": "Enga anie ny Tompo hitarika ny fonareo foana, mba ho tia an\u2019Andriamanitra ianareo sady hiaritra noho ny amin\u2019i Kristy!",
        "6": "Mandidy anareo amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika izahay, ry\u00a0rahalahy, hoe ialao ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina, izay tsy mankat\u00f2 ny fampianarana noraisinareo avy taminay.",
        "7": "Fa fantatrareo tsara izay tokony hataonareo raha te hanahaka anay ianareo, satria tsy mba olona tsy laitra fehezina izahay teo aminareo,",
        "8": "sady tsy nihinam-potsiny ny sakafon\u2019olona koa. Niasa mafy sy nikely aina andro aman\u2019alina kosa izahay, mba tsy ho lasa enta-mavesatra ho an\u2019iza na iza aminareo teo amin\u2019ny lafiny ara-bola.",
        "9": "Tsy hoe tsy manana fahefana hanao an\u2019izany izahay, fa tianay ny mba ho modely hotahafinareo.",
        "10": "Tamin\u2019izahay teo aminareo aza, dia matetika izahay no nandidy anareo hoe: \u201cIzay tsy mety miasa dia tsy tokony hihinana.\u201d",
        "11": "Henonay mantsy fa misy tsy laitra fehezina eo aminareo, ka tsy miasa mihitsy fa midikiditra amin\u2019ny zavatra tsy mahakasika azy.",
        "12": "Ny olona hoatr\u2019ireny no teneninay mafy sy anarinay amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana dia hihinana an\u2019izay nisasarany.",
        "13": "Ianareo kosa, ry rahalahy, aza mba reraka manao ny tsara mihitsy.",
        "14": "Fa raha misy tsy mankat\u00f2 an\u2019izay lazainay ato amin\u2019ity taratasy ity, dia mariho izany olona izany, ka aza mifanerasera aminy intsony mba ho menatra izy.",
        "15": "Aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro foana toy ny rahalahy.",
        "16": "Enga anie ilay Tompon\u2019ny fiadanana mba hanome fiadanana anareo foana, amin\u2019ny zava-drehetra! Ary enga anie ny Tompo hanohana anareo rehetra!",
        "17": "Ity no veloma nosoratan\u2019ny tanako, izaho Paoly, sady amantarana ny taratasiko rehetra. Io no sora-tanako.",
        "18": "Enga anie ianareo rehetra hanehoan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika hatsaram-panahy miavaka!"
    },
    "meta": {
        "name": "2 Tesalonianina",
        "order": 52,
        "chapter_number": 3
    }
}
