{
    "1": {
        "1": "Ny zavatra nahariharin\u2019i Jesosy Kristy, sady nomen\u2019Andriamanitra azy, mba hampisehoana amin\u2019ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela. Nirahiny ny anjeliny ka nasainy nampiseho an\u2019ilay izy tamin\u2019i Jaona mpanompony, tamin\u2019ny alalan\u2019ny famantarana.",
        "2": "I Jaona kosa vavolombelona nampita ny tenin\u2019Andriamanitra sy ny porofo nomen\u2019i Jesosy Kristy, izany hoe ny zava-drehetra hitany.",
        "3": "Sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny teny ato amin\u2019ity faminaniana ity ka manaraka an\u2019izay voasoratra ato anatiny, fa efa akaiky ny fotoana voatondro.",
        "4": "Izaho Jaona dia manoratra ho an\u2019ny fiangonana fito any amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia hoe: Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy miavaka sy ny fiadanana avy amin\u2019Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, sy avy amin\u2019ny fanahy fito eo anatrehan\u2019ny seza fiandrianany,",
        "5": "ary avy amin\u2019i Jesosy Kristy, \u201cilay Vavolombelona Mendri-pitokisana\u201d, \u201cilay lahimatoa amin\u2019ny maty\u201d, ary \u201cilay Mpitondra ny mpanjakan\u2019ny tany!\u201d Ho an\u2019ilay tia antsika sy nanafaka antsika tamin\u2019ny fahotantsika, tamin\u2019ny alalan\u2019ny rany,",
        "6": "ary nanao antsika ho fanjakana sy mpisorona ho an\u2019ilay Andriamanitra Rainy, eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery! Amena.",
        "7": "Ho avy miaraka amin\u2019ny rahona izy. Ary hahita maso azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona azy aza. Noho izy, dia hikapo-tratra noho ny alahelo ny foko rehetra eto an-tany. Eny, Amena.",
        "8": "\u201cIzaho no Alfa sy Omega\u201d, hoy i Jehovah Andriamanitra, \u201cIlay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Mahery Indrindra.\u201d",
        "9": "Izaho Jaona rahalahinareo, dia miara-mizaka fahoriana aminareo sy miray fanjakana aminareo ary miara-miaritra aminareo, noho izaho mpanara-dia an\u2019i Jesosy. Dia teto amin\u2019ny nosy antsoina hoe Patmo aho, satria niresaka momba an\u2019Andriamanitra sady vavolombelona momba an\u2019i Jesosy.",
        "10": "Nentin\u2019ny fanahy masina ho any amin\u2019ny andron\u2019ny Tompo aho, ary naheno feo mafy hoatran\u2019ny an\u2019ny trompetra avy tao andamosiko,",
        "11": "nilaza hoe: \u201cIzay zavatra hitanao dia soraty eo amin\u2019ny horonam-boky, ka alefaso any amin\u2019ny fiangonana fito atsy Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia.\u201d",
        "12": "Dia nitodika hijery an\u2019ilay niteny tamiko aho, ka rehefa nitodika aho, dia nahita fitoeran-jiro volamena fito.",
        "13": "Teo afovoan\u2019ireo fitoeran-jiro ireo dia nisy toy ny zanak\u2019olona nanao akanjo lava hatreny amin\u2019ny tongony, sady nanao fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.",
        "14": "Fotsy mangatsakatsaka hoatran\u2019ny volonondry fotsy ny volon-dohany, hoatran\u2019ny lelafo ny masony,",
        "15": "toy ny varahina voadio mamirapiratra ao anaty lafaoro ny tongony, ary tahaka ny feon\u2019ny rano\u00a0be ny feony.",
        "16": "Nisy kintana fito teny an-tanany ankavanana, ary nisy sabatra lava\u00a0be roa\u00a0lela sady maranitra nivoaka avy tamin\u2019ny vavany. Ny tarehiny koa hoatran\u2019ny masoandro faran\u2019izay mamirapiratra.",
        "17": "Niankarapoka toy ny maty teo an-tongony aho, rehefa nahita azy. Dia nametraka ny tanany ankavanana tamiko izy sady niteny hoe: \u201cAza matahotra. Izaho ilay Voalohany sy Farany,",
        "18": "sy ilay velona. Efa maty aho, nefa velona mandrakizay mandrakizay izao, sady manana ny lakilen\u2019ny fahafatesana sy ny Fasana.",
        "19": "Soraty \u00e0ry ny zavatra efa hitanao sy ny zava-mitranga amin\u2019izao ary ny zavatra hitranga aorian\u2019izany.",
        "20": "Ary izao ilay zava-miafina masina momba ny kintana fito efa hitanao teo an-tanako ankavanana sy ny fitoeran-jiro volamena fito: Ny kintana fito dia ny anjelin\u2019ny fiangonana fito, ary ny fitoeran-jiro fito dia ny fiangonana fito."
    },
    "2": {
        "1": "\u201cSoraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Efesosy hoe: Izao no lazain\u2019ilay mitazona ny kintana fito eny an-tanany ankavanana sy mandeha eo afovoan\u2019ny fitoeran-jiro volamena fito:",
        "2": "\u2018Fantatro izay ataonao sy ny asa mafy ataonao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa tsy milefitra ianao rehefa misy olon-dratsy. Notsapainao koa izay mihambo ho apostoly nefa tsy izy akory, ka hitanao fa mpandainga.",
        "3": "Miaritra koa ianao, sady be\u00a0fikirizana foana noho ny anarako, nefa tsy kivy.",
        "4": "Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Navelanao hihena ilay fitiavanao voalohany.",
        "5": "\u201c\u2018Koa tadidio izay nisy anao tamin\u2019ianao mbola tsy lavo, dia mibebaha ka ataovy izay nataonao tamin\u2019ny voalohany. Fa raha tsy izany, dia ho avy any aminao aho ka hesoriko hiala amin\u2019ny toerany ny fitoeran-jironao, raha tsy hoe mibebaka angaha ianao.",
        "6": "Izao anefa no zavatra tsara ataonao: Ankahalainao izay ataon\u2019ny sektan\u2019i Nikoleo, ary halako koa izany.",
        "7": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana hoe: Izay mandresy dia havelako hihinana amin\u2019ny hazon\u2019aina ao amin\u2019ny paradisan\u2019Andriamanitra.\u2019",
        "8": "\u201cAry soraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Smyrna hoe: Izao no lazain\u2019ilay \u2018Voalohany sy Farany\u2019, izay efa maty nefa velona indray:",
        "9": "\u2018Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao. Na izany aza, dia manankarena ianao. Fantatro koa fa manevateva anao ny olona mihambo ho Jiosy nefa tsy izy akory, fa anisan\u2019ny synagogan\u2019i Satana.",
        "10": "Aza matahotra na dia efa hiaritra fijaliana aza ianao. Fa hataon\u2019ny Devoly foana izay hanagadrana ny sasany aminareo. Amin\u2019izay dia hotsapaina tanteraka ianareo, ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aza mivadika anefa mandra-pahafatinao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.",
        "11": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana hoe: Izay mandresy dia tsy ho azon\u2019ny fahafatesana faharoa mihitsy.\u2019",
        "12": "\u201cAry soraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Pergamosy hoe: Izao no lazain\u2019ilay manana sabatra lava\u00a0be roa\u00a0lela sady maranitra:",
        "13": "\u2018Fantatro hoe aiza no misy anao, dia ao amin\u2019izay misy ny seza fiandrianan\u2019i Satana. Na izany aza, dia mifikitra amin\u2019ny anarako foana ianao. Tsy nolavinao koa hoe mino ahy ianao, na dia tamin\u2019ny andron\u2019i Antipasy aza, dia ilay vavolombeloko tsy nivadika, izay novonoina tao an-tan\u00e0nanareo, any amin\u2019izay misy an\u2019i Satana.",
        "14": "\u201c\u2018Ireto anefa misy zavatra vitsivitsy anomezako tsiny anao: Misy olona mifikitra amin\u2019ny fampianaran\u2019i Balama ao aminao. Nampianatra an\u2019i Balaka hitaona ny zanak\u2019Israely hanota i Balama, izany hoe hihinana zavatra natao sorona ho an\u2019ny sampy sy hijangajanga.",
        "15": "Misy olona mifikitra amin\u2019ny fampianaran\u2019ny sektan\u2019i Nikoleo koa ao aminao.",
        "16": "Koa mibebaha, fa raha tsy izany, dia ho avy any aminao haingana aho ka hiady amin\u2019izy ireo, ary hamely azy amin\u2019ilay sabatra lava\u00a0be avy amin\u2019ny vavako.",
        "17": "\u201c\u2018Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana hoe: Izay mandresy dia homeko amin\u2019ny mana nafenina sady homeko vatokilonjy fotsy. Ary eo amin\u2019ilay vatokilonjy dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ilay mahazo azy ihany.\u2019",
        "18": "\u201cAry soraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Tyatira hoe: Izao no lazain\u2019ny Zanak\u2019Andriamanitra, izay hoatran\u2019ny lelafo ny masony, ary toy ny varahina voadio ny tongony:",
        "19": "\u2018Fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao. Fantatro koa fa betsaka kokoa noho ny nataonao tamin\u2019ny voalohany ny nataonao tat\u1ef3 aoriana.",
        "20": "\u201c\u2018Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Leferinao ilay vehivavy hoatran\u2019i Jezebela. Mihambo ho mpaminanivavy izy sady mampianatra sy mamitaka ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana zavatra atao sorona ho an\u2019ny sampy.",
        "21": "Nomeko fotoana hibebahana izy, saingy tsy te hibebaka fa mbola mijangajanga ihany.",
        "22": "Hataoko marary mafy eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hatsipiko ao amin\u2019ny fahoriana lehibe, raha tsy hoe mibebaka angaha ry\u00a0zareo ka tsy manao hoatran\u2019ny ataon\u2019ilay vehivavy intsony.",
        "23": "Ary hovonoiko amin\u2019ny aretina mahafaty ny zanak\u2019ilay vehivavy, dia ho fantatry ny fiangonana rehetra fa izaho no mandinika ny eritreritra lalina indrindra sy ny fo, sady hamaly anareo tsirairay araka izay ataonareo avy.",
        "24": "\u201c\u2018Izao anefa no lazaiko amin\u2019ny sisa aminareo any Tyatira, dia izay rehetra tsy manaraka an\u2019izany fampianarana izany, sady tsy mahafantatra an\u2019ilay antsoin\u2019ny olona hoe \u201czava-dalin\u2019i Satana\u201d: Tsy ampiako enta-mavesatra intsony ianareo.",
        "25": "Taz\u00f2ny mafy anefa izay efa anananareo, mandra-piaviko.",
        "26": "Ary izay mandresy sady manao ny asako hatramin\u2019ny farany, dia homeko fahefana hitondra firenena.",
        "27": "Dia hiandry an\u2019ireo firenena amin\u2019ny tehina vy izy, ka hopotipotehiny toy ny vilany tanimanga ireny. Homeko fahefana izy, hoatran\u2019ny nahazoako fahefana tamin\u2019ny Raiko.",
        "28": "Ary homeko azy ny kintan\u2019ny maraina.",
        "29": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana.\u2019"
    },
    "3": {
        "1": "\u201cAry soraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Sardisy hoe: Izao no lazain\u2019ilay manana ny fanahy fiton\u2019Andriamanitra sy ny kintana fito: \u2018Fantatro izay ataonao, fa malaza ho velona ianao, nefa maty.",
        "2": "Miambena ka ampaherezo izay sisa tavela efa ho faty, satria hitako fa tsy novitainao izay tian\u2019Andriamanitra hataonao.",
        "3": "Koa tadidio tsara izay efa noraisinao sy efa henonao, ary ataovy foana izany ka mibebaha. Fa raha tsy mifoha ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra aho, ary tsy ho fantatrao mihitsy izay ora hahatongavako eo aminao.",
        "4": "\u201c\u2018Misy olona vitsivitsy tsy nandoto ny akanjony anefa ao aminao, ao Sardisy. Hiara-mandeha amiko manao akanjo fotsy izy ireo, satria mendrika an\u2019izany.",
        "5": "Hampanaovina akanjo fotsy \u00e0ry izay mandresy. Dia tsy hovonoiko ao amin\u2019ny bokin\u2019ny fiainana mihitsy ny anarany, fa hekeko eo anatrehan\u2019ny Raiko sy eo anatrehan\u2019ny anjeliny hoe fantatro ny anarany.",
        "6": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana.\u2019",
        "7": "\u201cAry soraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Filadelfia hoe: Izao no lazain\u2019ilay masina, ilay marina, ilay manana ny lakilen\u2019i Davida, ilay manokatra varavarana izay tsy misy afaka manidy ary manidy varavarana izay tsy misy afaka manokatra:",
        "8": "\u2018Fantatro izay ataonao, ary efa nasiako varavarana misokatra eo alohanao, izay tsy azon\u2019iza na iza hidiana. Fantatro fa mba manana hery kely ihany ianao, sady efa nanaraka ny teniko ka tsy nivadika tamin\u2019ny anarako.",
        "9": "Izao no hataoko amin\u2019ny olona avy amin\u2019ny synagogan\u2019i Satana, izay mihambo ho Jiosy nefa tsy izy akory fa mandainga: Hataoko tonga miankohoka eo anoloan\u2019ny tongotrao izy ireo, ary hampahafantariko azy fa efa tia anao aho.",
        "10": "Ary satria ianao nanaraka an\u2019izay voalaza momba ny fiaretako, dia hiaro anao koa aho amin\u2019ilay ora fitsapana. Ho tonga amin\u2019ny tany manontolo izany ora izany, mba hitsapana an\u2019izay mipetraka eny ambonin\u2019ny tany.",
        "11": "Ho avy haingana aho. Taz\u00f2ny mafy foana \u00e0ry izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.",
        "12": "\u201c\u2018Izay mandresy, dia hataoko andry ao amin\u2019ny tempolin\u2019ny Andriamanitro, ary tsy hiala ao intsony mihitsy izy. Dia hosoratako eo aminy ny anaran\u2019ny Andriamanitro sy ny anaran\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny Andriamanitro, dia i Jerosalema Vaovao izay midina avy any an-danitra avy any amin\u2019ny Andriamanitro, ary hosoratako eo koa ilay anarako vaovao.",
        "13": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana.\u2019",
        "14": "\u201cAry soraty ho an\u2019ny anjelin\u2019ny fiangonana atsy Laodikia hoe: Izao no lazain\u2019ny Amena, ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina, ilay noforonin\u2019Andriamanitra voalohany indrindra:",
        "15": "\u2018Fantatro izay ataonao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Aleoko aza ianao mangatsiaka na mafana!",
        "16": "Satria matimaty ianao, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka, dia haloan\u2019ny vavako.",
        "17": "Fa hoy ianao: \u201cManankarena aho ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.\u201d Tsy fantatrao anefa fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao.",
        "18": "Koa manoro hevitra anao aho mba hividy an\u2019ireto at\u1ef3 amiko: Volamena voadio tamin\u2019ny afo, amin\u2019izay ianao manan-karena; sy akanjo ivelany fotsy, amin\u2019izay ianao mitafy dia tsy hiseho ny fitanjahanao ka tsy ho menatra ianao; ary fanafody maso hikosehana ny masonao, amin\u2019izay ianao mahita.",
        "19": "\u201c\u2018Izay rehetra iraiketan\u2019ny foko no anariko sy faiziko. Miezaha \u00e0ry hafana fo, dia mibebaha.",
        "20": "Efa mijoro eto am-baravarana aho izao, ary mandond\u00f2na. Raha misy olona maheno ny feoko ka manokatra ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony aho ka hiara-misakafo hariva aminy, dia izy koa hiara-mihinana amiko.",
        "21": "Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin\u2019ny seza fiandrianako, fa izaho koa efa nandresy ka miara-mipetraka amin\u2019ny Raiko eo amin\u2019ny seza fiandrianany.",
        "22": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain\u2019ny fanahy amin\u2019ny fiangonana.\u2019\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia nahita varavarana nisokatra tany an-danitra aho. Ary hoatran\u2019ny feona trompetra ny feo voalohany henoko niresaka tamiko. Dia hoy izy: \u201cMiakara at\u1ef3, dia hasehoko anao izay zavatra hitranga.\u201d",
        "2": "Tonga\u00a0dia niasa tamiko ny fanahin\u2019Andriamanitra, taorian\u2019izay. Dia io fa nisy seza fiandrianana tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo amboniny.",
        "3": "Hoatran\u2019ny vato jaspa sy vatosoa sardoanina no fahitana an\u2019Ilay nipetraka. Ary nanodidina an\u2019ilay seza fiandrianana dia nisy avana hoatran\u2019ny emeraoda.",
        "4": "Nisy seza fiandrianana 24 koa nanodidina an\u2019ilay seza fiandrianana. Ary teo ambonin\u2019ireo seza fiandrianana ireo dia hitako nisy anti-panahy 24 nipetraka, nanao akanjo fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.",
        "5": "Nisy tselatra sy feo ary kotroka nivoaka avy teo amin\u2019ilay seza fiandrianana, ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan\u2019ilay seza fiandrianana. Ireo jiro ireo dia ny fanahy fiton\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Ary nisy ranomasina mitovy amin\u2019ny fitaratra sady hoatran\u2019ny kristaly, teo anoloan\u2019ilay seza fiandrianana. Teo afovoan\u2019ilay seza fiandrianana sy nanodidina azy indray dia nisy zavamananaina efatra. Feno maso ny vatan\u2019ireo zavamananaina ireo, na ny aloha na ny aoriana.",
        "7": "Hoatran\u2019ny liona ilay zavamananaina voalohany, ary hoatran\u2019ny vantotr\u2019ombilahy ilay zavamananaina faharoa. Mitovy amin\u2019ny tarehin\u2019olona ny tarehin\u2019ilay zavamananaina fahatelo, ary hoatran\u2019ny voromahery manidina ilay zavamananaina fahefatra.",
        "8": "Samy nanana elatra enina avy ireo zavamananaina efatra ireo, ary feno maso ny teo ambony elany sy ny tao ambany elany. Niteny foana izy ireo, na andro na alina, hoe: \u201cMasina, masina, masina i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.\u201d",
        "9": "Ireo zavamananaina ireo dia nanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an\u2019Ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny seza fiandrianana, Ilay velona mandrakizay mandrakizay. Isaky ny nanao an\u2019izany izy ireo,",
        "10": "dia niankohoka teo anatrehan\u2019Ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny seza fiandrianana ny anti-panahy 24, ka nivavaka tamin\u2019Ilay velona mandrakizay mandrakizay, sady nanipy ny satroboninahiny teo anoloan\u2019ny seza fiandrianana ary niteny hoe:",
        "11": "\u201cMendrika ny homena voninahitra sy haja ary hery ianao, Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana an\u2019ireny.\u201d"
    },
    "5": {
        "1": "Ary nahita horonam-boky teny an-tanana ankavanan\u2019Ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny seza fiandrianana aho. Nisy soratra ambadika sy ambadika ilay horonam-boky sady voahidy mafy tamin\u2019ny tombo-kase fito.",
        "2": "Dia nahita anjely mahery aho niantsoantso mafy hoe: \u201cIza no mendrika hanokatra an\u2019ilay horonam-boky ka hanala ny tombo-kaseny?\u201d",
        "3": "Tsy nisy afaka nanokatra an\u2019ilay horonam-boky na nijery ny tao anatiny anefa ny tany an-danitra, na ny teto an-tany, na ny tany ambanin\u2019ny tany.",
        "4": "Dia nitomany be aho satria tsy mba nisy mendrika hanokatra an\u2019ilay horonam-boky na hijery ny tao anatiny.",
        "5": "Hoy anefa ny iray tamin\u2019ny anti-panahy tamiko: \u201cAza mitomany intsony. Efa nandresy mantsy ilay Liona avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda, ilay fakan\u2019i Davida, ka ho afaka hanokatra an\u2019ilay horonam-boky sy ny tombo-kaseny fito.\u201d",
        "6": "Ary nahita zanak\u2019ondry nijoro teo akaikin\u2019ny seza fiandrianana aho, teo afovoan\u2019ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy. Hoatran\u2019ny efa novonoina ho faty ilay zanak\u2019ondry. Nanana tandroka fito sy maso fito izy, ka ireo maso ireo dia ny fanahy fito nirahin\u2019Andriamanitra maneran-tany.",
        "7": "Tonga\u00a0dia nandroso ilay zanak\u2019ondry, ka nalainy ilay horonam-boky teny an-tanana ankavanan\u2019Ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny seza fiandrianana.",
        "8": "Rehefa noraisin\u2019ny Zanak\u2019ondry ilay horonam-boky, dia niankohoka teo anatrehany ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy 24. Samy nanana harpa sy vilia volamena feno emboka manitra ireo anti-panahy ireo.\u2014Ilay emboka manitra dia ny vavaky ny olona masina.\u2014",
        "9": "Dia nihira hira vaovao izy ireo hoe: \u201cMendrika handray an\u2019ilay horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao. Efa novonoina ho faty mantsy ianao, ary ny ranao no nividiananao olona avy tamin\u2019ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra, mba ho an\u2019Andriamanitra.",
        "10": "Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an\u2019ny Andriamanitsika koa ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.\u201d",
        "11": "Ary nijery aho dia nahita anjely be dia be nanodidina an\u2019ilay seza fiandrianana sy ny zavamananaina ary ny anti-panahy, sady naheno ny feon\u2019izy ireo. Alinalina sy arivoarivo ny isan\u2019izy ireo.",
        "12": "Niteny mafy izy ireo hoe: \u201cMendrika handray fahefana sy harena sy fahendrena sy hery sy haja sy voninahitra ary fisaorana ny Zanak\u2019ondry, izay efa novonoina ho faty.\u201d",
        "13": "Ary ny zavaboary rehetra tany an-danitra sy teto an-tany sy tany ambanin\u2019ny tany ary tany an-dranomasina, sy ny zava-drehetra tao amin\u2019ireo, dia henoko niteny hoe: \u201cHo an\u2019Ilay mipetraka eo ambonin\u2019ny seza fiandrianana sy ho an\u2019ny Zanak\u2019ondry anie ny fisaorana sy ny haja sy ny voninahitra ary ny hery mandrakizay mandrakizay!\u201d",
        "14": "Dia niteny ireo zavamananaina efatra ireo hoe: \u201cAmena!\u201d Dia niankohoka sy nivavaka ny anti-panahy."
    },
    "6": {
        "1": "Ary hitako ny Zanak\u2019ondry nanokatra ny iray tamin\u2019ny tombo-kase fito. Dia henoko ny iray tamin\u2019ny zavamananaina efatra niteny hoe: \u201cAvia!\u201d Ary hoatran\u2019ny kotroka ny feony.",
        "2": "Dia nahita soavaly fotsy aho. Nanana tsip\u00ecka ilay nitaingina azy, ary nomena satroboninahitra. Dia nivoaka mba handresy sy hamita ny fandreseny izy.",
        "3": "Rehefa nosokafany ny tombo-kase faharoa, dia henoko ny zavamananaina faharoa niteny hoe: \u201cAvia!\u201d",
        "4": "Nisy soavaly hafa koa nivoaka, dia soavaly mena hoatran\u2019ny afo. Nomena sabatra lehibe ilay nitaingina azy, ka navela hanala ny fandriampahalemana eto an-tany, amin\u2019izay hifandripaka ny olona.",
        "5": "Rehefa nosokafany ny tombo-kase fahatelo, dia henoko ny zavamananaina fahatelo niteny hoe: \u201cAvia!\u201d Dia hitako fa iny nisy soavaly mainty, ary nisy mizana teny an-tanan\u2019ilay nitaingina azy.",
        "6": "Naheno hoatran\u2019ny feo teo afovoan\u2019ny zavamananaina efatra aho, niteny hoe: \u201cIray denaria no vidin\u2019ny varimbazaha iray kilao, ary iray denaria ny vary orza telo kilao. Ary aza simbana ny menak\u2019oliva sy ny divay.\u201d",
        "7": "Rehefa nosokafany ny tombo-kase fahefatra, dia henoko ny feon\u2019ny zavamananaina fahefatra niteny hoe: \u201cAvia!\u201d",
        "8": "Dia hitako fa iny nisy soavaly hatsatra. Nantsoina hoe Fahafatesana ilay nitaingina azy, ary nanaraka azy akaiky ny Fasana. Dia nomena fahefana tamin\u2019ny ampahefatry ny tany ireny mba hamono olona amin\u2019ny sabatra lava\u00a0be sy ny mosary sy ny aretina mahafaty ary ny bibidia eto an-tany.",
        "9": "Rehefa nosokafany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambany alitara ny ran\u2019ny olona novonoina noho izy ireo nanaraka ny tenin\u2019Andriamanitra sady nitory.",
        "10": "Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: \u201cRy\u00a0Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, ilay masina sy marina, rahoviana ihany ianao vao hitsara ny olona mipetraka eny ambonin\u2019ny tany ka hamaly ny ranay nalatsak\u2019izy ireny?\u201d",
        "11": "Samy nomena akanjo fotsy lava izy ireo, ka nasaina niandry kely aloha, mandra-pahafenon\u2019ny isan\u2019ny mpiara-manompo aminy sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina hoatr\u2019azy ireo koa.",
        "12": "Ary hitako ny nanokafany ny tombo-kase fahenina. Dia nisy horohoron-tany lehibe ka lasa mainty hoatran\u2019ny lamba gony vita amin\u2019ny volom-biby ny masoandro, ary lasa mena hoatran\u2019ny ra ny volana manontolo.",
        "13": "Dia niraraka tamin\u2019ny tany ny kintana teny amin\u2019ny lanitra, toy ny aviavy manta mihintsana avy eny ambony hazo rehefa hozongozonin\u2019ny rivotra mifofofofo.",
        "14": "Ary tsy teo intsony ny lanitra fa nahorona hoatran\u2019ny horonam-boky. Nesorina tamin\u2019ny toerany koa ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra.",
        "15": "Dia niafina tany anaty lava-bato sy tany amin\u2019ny vatolampy teny an-tendrombohitra ny mpanjakan\u2019ny tany, ny manam-pahefana ambony, ny mpitari-tafika, ny mpanankarena, ny olona matanjaka, ny mpanompo rehetra, ary ny olona afaka rehetra.",
        "16": "Ary niteny tsy an-kijanona tamin\u2019ny tendrombohitra sy ny vatolampy izy ireo hoe: \u201cMianjer\u00e0 aminay, dia afeno izahay mba tsy ho hitan\u2019Ilay mipetraka eo ambonin\u2019ny seza fiandrianana, ary mba tsy hiharan\u2019ny fahatezeran\u2019ny Zanak\u2019ondry.",
        "17": "Fa tonga ilay andro lehibe ampisehoan\u2019izy ireo ny hatezerany, ka iza no mahavita miatrika an\u2019izany?\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia nahita anjely efatra nijoro teo amin\u2019ny vazan-tany efatra aho. Nitazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo, mba tsy hisy rivotra hitsoka eny amin\u2019ny tany na eny amin\u2019ny ranomasina na eny amin\u2019ny hazo.",
        "2": "Nahita anjely anankiray niakatra avy any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro koa aho. Nitazona ny tombo-kasen\u2019ilay Andriamanitra velona izy, sady niantsoantso mafy ka niteny tamin\u2019ireo anjely efatra nomena alalana hanimba ny tany sy ny ranomasina,",
        "3": "hoe: \u201cAza simbana ny tany na ny ranomasina na ny hazo, raha tsy efa avy nasianay tombo-kase ny handrin\u2019ny mpanompon\u2019Andriamanitsika.\u201d",
        "4": "Ary reko ny isan\u2019ny olona voaisy tombo-kase, dia 144\u00a0000. Voaisy tombo-kase avy tamin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny zanak\u2019Israely izy ireo. Ireto avy izany:",
        "5": "Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda dia 12\u00a0000 no voaisy tombo-kase; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena, 12\u00a0000; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Gada, 12\u00a0000;",
        "6": "ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Asera, 12\u00a0000; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly, 12\u00a0000; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Manase, 12\u00a0000;",
        "7": "ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Simeona, 12\u00a0000; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Levy, 12\u00a0000; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Isakara, 12\u00a0000;",
        "8": "ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona, 12\u00a0000; ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Josefa, 12\u00a0000; ary ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina dia 12\u00a0000 no voaisy tombo-kase.",
        "9": "Taorian\u2019izany, dia hitako fa ireo nisy vahoaka be tsy hita isa, avy tamin\u2019ny firenena sy foko sy firazanana ary fiteny rehetra. Nitsangana teo anoloan\u2019ny seza fiandrianana sy teo anatrehan\u2019ny Zanak\u2019ondry izy ireo sady nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany.",
        "10": "Dia niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo hoe: \u201cAvy amin\u2019ilay Andriamanitsika mipetraka eo ambonin\u2019ny seza fiandrianana, sy avy amin\u2019ny Zanak\u2019ondry, no ahazoanay famonjena!\u201d",
        "11": "Nijoro nanodidina ny seza fiandrianana sy ny anti-panahy ary ny zavamananaina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan\u2019ny seza fiandrianana sady nivavaka tamin\u2019Andriamanitra,",
        "12": "hoe: \u201cAmena! Ho an\u2019Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay anie ny dera, ny voninahitra, ny fahendrena, ny fisaorana, ny haja, ny hery, ary ny tanjaka! Amena.\u201d",
        "13": "Dia hoy ny anti-panahy iray tamiko: \u201cFa iza ireo manao akanjo fotsy lava ireo, ary avy aiza izy ireo?\u201d",
        "14": "Tonga\u00a0dia namaly azy aho hoe: \u201cIanao, tompoko, no mahalala.\u201d Dia hoy izy tamiko: \u201cIreo no avy tamin\u2019ny fahoriana lehibe, ary nosasany sy nofotsiany tamin\u2019ny ran\u2019ny Zanak\u2019ondry ny akanjony.",
        "15": "Izany no mahatonga azy ireo hijoro eo anoloan\u2019ny seza fiandrianan\u2019Andriamanitra. Manao fanompoana masina ho an\u2019Andriamanitra andro aman\u2019alina ao amin\u2019ny tempoliny izy ireo. Ary hamelatra ny tranolainy eo ambonin\u2019izy ireo Ilay mipetraka eo ambonin\u2019ny seza fiandrianana.",
        "16": "Tsy mba ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hamely azy ny masoandro na ny hafanana mandoro.",
        "17": "Hiandry azy ireo hoatran\u2019ny ataon\u2019ny mpiandry ondry mantsy ilay Zanak\u2019ondry eo akaikin\u2019ny seza fiandrianana, dia hitarika azy ireo ho any amin\u2019ny loharanon\u2019ny ranon\u2019aina. Ary hofafan\u2019Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin\u2019ny mason\u2019izy ireo.\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Rehefa nosokafany ny tombo-kase fahafito, dia nangina antsasak\u2019adiny teo ho eo ny tany an-danitra.",
        "2": "Dia hitako ny anjely fito izay nijoro teo anatrehan\u2019Andriamanitra, ary nomena trompetra fito izy ireo.",
        "3": "Ary nisy anjely anankiray koa tonga nijoro teo akaikin\u2019ny alitara. Nanana fitaovana volamena fandoroana emboka manitra izy. Nomena emboka manitra be dia be izy mba hatolony teo ambonin\u2019ilay alitara volamena teo anoloan\u2019ny seza fiandrianana, niaraka tamin\u2019ny vavaky ny olona masina rehetra.",
        "4": "Dia niakatra avy teo an-tanan\u2019ilay anjely ho eo anatrehan\u2019Andriamanitra ny setroky ny emboka manitra, niaraka tamin\u2019ny vavaky ny olona masina.",
        "5": "Tonga\u00a0dia noraisin\u2019ilay anjely anefa ilay fitaovana fandoroana emboka manitra, ka nofenoiny afo avy teo amin\u2019ny alitara. Dia natsipiny mafy tet\u1ef3 an-tany ilay afo, ka nisy kotroka sy feo sy tselatra ary horohoron-tany.",
        "6": "Dia niomana hitsoka trompetra ny anjely fito nomena trompetra fito.",
        "7": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely voalohany. Dia nisy havandra sy afo nifangaro ra, ary natsipy mafy tet\u1ef3 an-tany izany. Dia may ny ampahatelon\u2019ny tany, may ny ampahatelon\u2019ny hazo, ary may daholo koa ny ahi-maitso.",
        "8": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely faharoa. Dia nisy zavatra hoatran\u2019ny tendrombohitra lehibe nirehitra afo, natsipy mafy tany an-dranomasina. Dia lasa ra ny ampahatelon\u2019ny ranomasina,",
        "9": "maty ny ampahatelon\u2019ny zavamananaina tao an-dranomasina, ary rendrika ny ampahatelon\u2019ny sambo.",
        "10": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahatelo. Dia nisy kintana lehibe nirehitra hoatran\u2019ny jiro nilatsaka avy any an-danitra. Ary latsaka tamin\u2019ny ampahatelon\u2019ny renirano sy tamin\u2019ny loharano ilay izy.",
        "11": "Ny anaran\u2019ilay kintana dia Zavamaniry Mangidy\u00a0Be. Dia lasa nangidy\u00a0be ny ampahatelon\u2019ny rano, ka betsaka ny olona matin\u2019ilay rano, satria efa natao nangidy ilay izy.",
        "12": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahefatra. Dia nokapohina ny ampahatelon\u2019ny masoandro sy ny ampahatelon\u2019ny volana ary ny ampahatelon\u2019ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelon\u2019ireny ka tsy hazava ny ampahatelon\u2019ny andro, ary ho toy izany koa ny alina.",
        "13": "Ary nahita voromahery nanidina teny afovoan\u2019ny lanitra aho, dia henoko izy niantsoantso mafy hoe: \u201cLoza, loza, loza ho an\u2019izay mipetraka eny ambonin\u2019ny tany, satria efa hitsoka trompetra ny anjely telo ambiny!\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahadimy. Dia nahita kintana avy any an-danitra nilatsaka tet\u1ef3 an-tany aho, ary nomena azy io ny lakilen\u2019ny lavaka mangitsokitsoka.",
        "2": "Nosokafany ilay lavaka mangitsokitsoka, dia nisy setroka hoatran\u2019ny setroky ny lafaoro lehibe nivoaka avy tao. Dia lasa maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setrok\u2019ilay lavaka.",
        "3": "Ary nisy valala nivoaka avy tao amin\u2019ilay setroka, dia nanket\u1ef3 an-tany. Nomena fahefana toy ny fahefan\u2019ny maingoky ny tany ireo valala ireo.",
        "4": "Nilazana izy ireo hoe: \u201cAza simbana ny zavamaniry amin\u2019ny tany na ny ahi-maitso na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny tombo-kasen\u2019Andriamanitra eo amin\u2019ny handriny ihany asiana.\u201d",
        "5": "Ary tsy navela hamono an\u2019ireny olona ireny ho faty ireo valala ireo, fa mba hampijaly azy dimy volana kosa. Nijalijaly hoatran\u2019ny olona voatsindron\u2019ny maingoka ny olona nampijalin\u2019ireo valala ireo.",
        "6": "Dia hitady fahafatesana ny olona amin\u2019izany andro izany fa tsy hahita mihitsy, ary tena te ho faty izy nefa mbola tsy maty ihany.",
        "7": "Ary nitovy tamin\u2019ny soavaly voaomana ho any an\u2019ady ireo valala ireo. Nisy hoatran\u2019ny satroboninahitra volamena teo amin\u2019ny lohany. Nitovy tamin\u2019ny tarehin\u2019olona ny tarehiny,",
        "8": "fa hoatran\u2019ny volom-behivavy ny volony. Hoatran\u2019ny nifin\u2019ny liona ny nifiny,",
        "9": "ary nanana fiarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy ireo. Ary ny feon\u2019ny elany dia hoatran\u2019ny feon\u2019ny kalesy tarihin\u2019ny soavaly maika ho any an\u2019ady.",
        "10": "Nanana rambo misy fanindronana hoatran\u2019ny maingoka koa izy ireo. Ary tao amin\u2019ny rambony no nisy ny hery nahafahany nampijaly olona nandritra ny dimy volana.",
        "11": "Nanana mpanjaka izy ireo, dia ny anjelin\u2019ny lavaka mangitsokitsoka: Abadona no anarany amin\u2019ny teny hebreo, fa Apolyona kosa amin\u2019ny teny grika.",
        "12": "Lasa ny loza iray. Misy loza roa hafa koa anefa ho avy aorian\u2019izany.",
        "13": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahenina. Dia naheno feo avy teo amin\u2019ny tandrok\u2019ilay alitara volamena teo anatrehan\u2019Andriamanitra aho.",
        "14": "Hoy ilay feo tamin\u2019ilay anjely fahenina nanana trompetra: \u201cMba vahao ny anjely efatra mifatotra eo amin\u2019i Eofrata, ilay renirano lehibe.\u201d",
        "15": "Dia novahana ny anjely efatra efa voaomana ho amin\u2019izany ora sy andro sy volana ary taona izany. Novahana izy ireo mba hamono ho faty ny ampahatelon\u2019ny olona.",
        "16": "Ary 20\u00a0000 ampitomboina 10\u00a0000 ny isan\u2019ny miaramila mpitaingin-tsoavaly. Henoko ny isany.",
        "17": "Ary toy izao no fahitako an\u2019ireo soavaly tao amin\u2019ilay fahitana sy ny mpitaingina azy: Nanana fiarovan-tratra mena hoatran\u2019ny afo, sy manga, ary mavo hoatran\u2019ny solifara ny mpitaingina azy. Ary ny lohan\u2019ny soavaly dia tahaka ny lohan\u2019ny liona, ary nisy afo sy setroka sy solifara nivoaka avy tamin\u2019ny vavany.",
        "18": "Dia matin\u2019ireto loza telo ireto ny ampahatelon\u2019ny olona: Ny afo sy ny setroka ary ny solifara nivoaka avy tamin\u2019ny vavan\u2019ny soavaly.",
        "19": "Fa teo amin\u2019ny vavany sy ny rambony no nisy ny heriny. Hoatran\u2019ny bibilava mantsy ny rambony sady misy lohany, ary ny rambony no nampijaliany olona.",
        "20": "Tsy nibebaka tamin\u2019izay nataony anefa ny olona sisa tsy matin\u2019ireo loza ireo, fa mbola nivavaka foana tamin\u2019ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo. Tsy afaka mahita na mandre na mandeha anefa ireny sampy ireny.",
        "21": "Ary tsy nibebaka izy ireo fa mbola namono olona, sy nilalao ody, sy nijangajanga, ary nangalatra ihany."
    },
    "10": {
        "1": "Ary nahita anjely mahery hafa iray nidina avy any an-danitra aho. Nitafy rahona izy, sady nisy avana teo amin\u2019ny lohany. Hoatran\u2019ny masoandro ny tarehiny, tahaka ny andry afo ny tongony,",
        "2": "ary teny an-tanany nisy horonam-boky kely efa novelarina. Najorony teo ambonin\u2019ny ranomasina ny tongony ankavanana, fa teo amin\u2019ny tany kosa ny ankavia,",
        "3": "ary niantsoantso mafy hoatran\u2019ny liona mierona izy. Rehefa niantsoantso izy, dia henoko ny feon\u2019ny kotroka fito.",
        "4": "Ary rehefa niteny ny kotroka fito, dia saika hanoratra aho, kanjo nisy feo avy any an-danitra henoko niteny hoe: \u201cAsio tombo-kase ny zavatra nolazain\u2019ny kotroka fito, fa aza soratana.\u201d",
        "5": "Ary nanangana ny tanany ankavanana nanondro ny lanitra ilay anjely hitako nijoro teo ambonin\u2019ny ranomasina sy teo amin\u2019ny tany.",
        "6": "Dia nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019Ilay velona mandrakizay mandrakizay izy, izany hoe tamin\u2019Ilay namorona ny lanitra sy ny zavatra eo aminy, sy ny tany sy ny zavatra eo aminy, ary ny ranomasina sy ny zavatra ao aminy, ka niteny hoe: \u201cTsy hiandry intsony Andriamanitra,",
        "7": "fa rehefa hitsoka trompetra iny ilay anjely fahafito, dia ho efa tanteraka hatramin\u2019ny farany ilay zava-miafina masina. Ary io zava-miafina io dia ilay vaovao tsara nolazain\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny mpaminany mpanompony.\u201d",
        "8": "Niteny tamiko indray ilay feo henoko avy any an-danitra hoe: \u201cMandehana raiso ilay horonam-boky mivelatra eny an-tanan\u2019ilay anjely mijoro eo ambonin\u2019ny ranomasina sy eo amin\u2019ny tany.\u201d",
        "9": "Dia nankeny amin\u2019ilay anjely aho ka nasaiko nomeny ahy ilay horonam-boky kely. Ary hoy izy tamiko: \u201cRaiso ity, dia hano ka lanio. Hampangidy ny kibonao izy ity, fa ho mamy hoatran\u2019ny tantely kosa ao am-bavanao.\u201d",
        "10": "Dia noraisiko teny an-tanan\u2019ilay anjely ilay horonam-boky kely ka nohaniko. Dia mamy hoatran\u2019ny tantely ilay izy tao am-bavako, fa rehefa laniko kosa, dia lasa nangidy ny kiboko.",
        "11": "Ary nisy nilaza tamiko hoe: \u201cTsy maintsy mbola maminany momba ny vahoaka sy firenena sy olona samy hafa fiteny ary mpanjaka maro ianao.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Ary nomena bararata hoatran\u2019ny tehina aho, tamin\u2019izy niteny hoe: \u201cMitsang\u00e0na ka refeso ny toerana masin\u2019ny tempolin\u2019Andriamanitra sy ny alitara ary izay mivavaka ao.",
        "2": "Fa ny tokotany eo ivelan\u2019ny toerana masin\u2019ny tempoly kosa avelao eo fa aza refesina, satria nomena ny hafa firenena izany. Dia hohitsakitsahin\u2019ny hafa firenena mandritra ny 42\u00a0volana ny tan\u00e0na masina.",
        "3": "Ary hasaiko maminany 1\u00a0260\u00a0andro ny vavolombeloko roa, sady mitafy gony.\u201d",
        "4": "Izy ireo no hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa, ary mijoro eo anatrehan\u2019ny Tompon\u2019ny tany izy ireo.",
        "5": "Raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia misy afo mivoaka avy amin\u2019ny vavany ka mandevona ny fahavalony. Raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia hoatr\u2019izany no hamonoana azy.",
        "6": "Manana fahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hisy orana hilatsaka mandritra ny andro aminaniany. Manana fahefana hanova ny rano ho ra koa izy ireo, ary hamely ny tany amin\u2019izao karazana loza rehetra izao isaky ny te hanao an\u2019izany.",
        "7": "Rehefa vitan\u2019izy ireo ny fitoriany, dia hiady aminy ilay bibidia niakatra avy tao amin\u2019ny lavaka mangitsokitsoka, ka handresy sy hamono azy ho faty.",
        "8": "Ary hiampatrampatra eny an-dalamben\u2019ilay tan\u00e0na lehibe ny fatin\u2019izy ireo. Antsoina amin\u2019ny heviny an\u2019ohatra hoe Sodoma sy Ejipta io tan\u00e0na io, sady tao koa ny Tompon\u2019izy ireo no novonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo.",
        "9": "Ary hijery ny fatin\u2019izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany ny olona avy amin\u2019ny vahoaka sy foko sy olona samy hafa fiteny ary firenena. Tsy havelany hatao ao am-pasana koa ny fatin\u2019izy ireo.",
        "10": "Dia hifalifaly noho izay nanjo azy ireo ny mponina eto an-tany, ka hanao fety sy hifanolotra fanomezana, satria nampijaly ny mponina eto an-tany ireo mpaminany roa ireo.",
        "11": "Rehefa tapitra ny telo andro sy tapany, dia nisy aina avy tamin\u2019Andriamanitra niditra tao anatin\u2019izy ireo. Dia nijoro tamin\u2019ny tongony izy ireo, ka natahotra be izay nahita azy.",
        "12": "Ary naheno feo mafy avy any an-danitra izy ireo, niteny taminy hoe: \u201cMiakara at\u1ef3.\u201d Dia niakatra tany an-danitra tao anaty rahona izy ireo, ka hitan\u2019ny fahavalony.",
        "13": "Ary nisy horohoron-tany lehibe tamin\u2019izay ora izay, ka rava ny ampahafolon\u2019ny tan\u00e0na. Ary 7\u00a0000 ny olona matin\u2019ilay horohoron-tany. Dia natahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra.",
        "14": "Lasa ny loza faharoa. Izay fa tonga haingana ny loza fahatelo!",
        "15": "Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito, dia nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: \u201cNy fanjakan\u2019izao tontolo izao dia efa lasa Fanjakan\u2019ny Tompontsika sy ilay Kristy voatendriny. Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.\u201d",
        "16": "Ary niankohoka nivavaka tamin\u2019Andriamanitra ny anti-panahy 24, izay nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany teo anatrehan\u2019Andriamanitra,",
        "17": "sady niteny hoe: \u201cMisaotra anao izahay, Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, ilay Mahery Indrindra, Ilay ankehitriny sy taloha, satria nandray fahefana lehibe ianao ka efa nanomboka nanjaka.",
        "18": "Tezitra anefa ireo firenena. Nampiseho ny hatezeranao koa ianao, ary tonga ny fotoana voatondro hitsarana ny maty sy hanomezana valisoa ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na ny kely na ny lehibe. Tonga koa ny fotoana handringanana an\u2019izay manimba ny tany.\u201d",
        "19": "Ary nosokafana ny toerana masin\u2019ny tempolin\u2019Andriamanitra tany an-danitra, ka tazana tao ilay Vata misy ny fifanekena. Dia nisy tselatra sy feo sy kotroka sy horohoron-tany ary havandra vaventy."
    },
    "12": {
        "1": "Nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra avy eo, dia vehivavy nitafy masoandro. Teo ambanin\u2019ny tongony ny volana, ary nisy satroboninahitra kintana 12 teo amin\u2019ny lohany,",
        "2": "sady bevohoka izy. Ary nitaraindraina izy fa narary nihetsi-jaza efa ho teraka.",
        "3": "Nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra. Io fa nisy dragona lehibe mena hoatran\u2019ny afo. Nanana loha fito sy tandroka folo izy, ary nisy diadema fito teo amin\u2019ireo lohany ireo.",
        "4": "Ary nisarika ny ampahatelon\u2019ny kintana teny amin\u2019ny lanitra ny rambony, ka nanipy mafy an\u2019izany tamin\u2019ny tany. Tsy niala teo anatrehan\u2019ilay vehivavy efa hiteraka ilay dragona, fa tiany harapaka ny zanany, raha vao teraka ilay vehivavy.",
        "5": "Ary tera-dahy ilay vehivavy, dia zazalahy hiandry ny firenena rehetra amin\u2019ny tehina vy. Dia nosintonina haingana ilay zanany ka nentina nankany amin\u2019Andriamanitra sy ny seza fiandrianany.",
        "6": "Ary nandositra nankany an-tany efitra ilay vehivavy. Nisy toerana efa nomanin\u2019Andriamanitra ho azy tany, ka tany izy no nomena sakafo nandritra ny 1\u00a0260 andro.",
        "7": "Ary nisy ady tany an-danitra: Niady tamin\u2019ilay dragona i Mikaela sy ny anjeliny. Niady tamin\u2019izy ireo koa ilay dragona sy ny anjeliny",
        "8": "nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra.",
        "9": "Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany manontolo. Natsipy mafy tet\u1ef3 an-tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.",
        "10": "Ary naheno feo mafy tany an-danitra aho, nilaza hoe: \u201cAnkehitriny dia tonga ny famonjen\u2019Andriamanitsika, sady efa nampiseho ny heriny izy. Efa niorina koa ny Fanjakany, ary efa nanomboka nampihatra ny fahefany ilay Kristy voatendriny. Efa natsipy mafy mantsy ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman\u2019alina eo anatrehan\u2019Andriamanitsika.",
        "11": "Ary naharesy azy izy ireo noho ny ran\u2019ny Zanak\u2019ondry sy noho ny hafatra torin\u2019izy ireo. Tsy natahotra ny hamoy ny ainy izy ireo na tsy maintsy ho faty aza.",
        "12": "Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay mipetraka any! Loza ho an\u2019ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.\u201d",
        "13": "Rehefa hitan\u2019ilay dragona fa efa natsipy mafy tet\u1ef3 an-tany izy, dia nenjehiny ilay vehivavy niteraka an\u2019ilay zazalahy.",
        "14": "Nomena elatra roa anefa ilay vehivavy, dia elatry ny voromahery lehibe, mba hanidinany mankany an-tany efitra ho any amin\u2019ny toerany. Tany izy no nomena sakafo nandritra ny fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana, mba tsy ho hitan\u2019ilay menarana.",
        "15": "Ary nandoa rano tao aorianan\u2019ilay vehivavy ilay menarana, dia rano hoatran\u2019ny renirano, amin\u2019izay ho faty an-drano ilay vehivavy.",
        "16": "Namonjy an\u2019ilay vehivavy anefa ny tany, ka nisokatra ary nitelina an\u2019ilay renirano naloan\u2019ilay dragona.",
        "17": "Dia tezitra be tamin\u2019ilay vehivavy ilay dragona, ka lasa nandeha niady tamin\u2019ny sisa amin\u2019ny taranany, izay nanaraka ny didin\u2019Andriamanitra sy nasaina nitory momba an\u2019i Jesosy."
    },
    "13": {
        "1": "Ary nijanona teo amin\u2019ny fasika any an-dranomasina izy. Dia nahita bibidia niakatra avy tao amin\u2019ny ranomasina aho. Nanana tandroka folo sy loha fito io bibidia io, ary nisy diadema folo teo amin\u2019ireo tandrony ireo. Teo amin\u2019ireo lohany kosa nisy anarana manevateva an\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Hoatran\u2019ny leopara ilay bibidia hitako, saingy hoatran\u2019ny tongotry ny orsa ny tongony, ary tahaka ny vavan\u2019ny liona ny vavany. Ary nomen\u2019ilay dragona hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe ilay bibidia.",
        "3": "Hitako hoatran\u2019ny hoe naratra mafy ny lohany iray. Na dia ratra mahafaty aza anefa ilay izy, dia sitrana ihany. Dia gaga be tamin\u2019ilay bibidia ny tany manontolo ka nanaraka azy.",
        "4": "Ary nivavaka tamin\u2019ilay dragona izy ireo, satria izy no nanome fahefana an\u2019ilay bibidia. Nivavaka tamin\u2019ilay bibidia koa izy ireo sady niteny hoe: \u201cIza no hoatran\u2019ilay bibidia, ary iza no mahavita miady aminy?\u201d",
        "5": "Nomena fahefana hirehareha sy hanevateva an\u2019Andriamanitra ilay bibidia, sady nomena fahefana hanao izay tiany nandritra ny 42\u00a0volana.",
        "6": "Nanomboka niteny \u00e0ry izy, ka nanevateva an\u2019Andriamanitra. Dia notevatevainy ny anaran\u2019Andriamanitra sy ny fonenany, ary na izay mipetraka any an-danitra aza.",
        "7": "Ary navela hiady tamin\u2019ny olona masina sy handresy azy ireo izy, sady nomena fahefana tamin\u2019ny foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.",
        "8": "Dia hivavaka aminy daholo ny mponina eto an-tany. Efa hatramin\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao ny anaran\u2019izy ireo no tsy nisy voasoratra tao amin\u2019ny horonam-bokin\u2019ny fiainana. An\u2019ilay Zanak\u2019ondry efa novonoina ho faty io horonam-boky io.",
        "9": "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.",
        "10": "Raha misy tsy maintsy hoentina ho babo, dia tsy maintsy hoentina ho babo izy. Raha misy mamono olona amin\u2019ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin\u2019ny sabatra izy. Eo ny olona masina no mila miaritra sy manana finoana.",
        "11": "Nahita bibidia hafa iray niakatra avy tamin\u2019ny tany aho avy eo. Nanana tandroka roa hoatran\u2019ny an\u2019ny zanak\u2019ondry izy, saingy niteny toy ny dragona.",
        "12": "Ary nampiasainy daholo ny fahefana nananan\u2019ilay bibidia voalohany, sady teo imason\u2019izy io ihany. Dia notereny ny tany sy ny mponina eto an-tany mba hivavaka tamin\u2019ilay bibidia voalohany, izay sitrana tamin\u2019ilay ratra saika nahafaty azy.",
        "13": "Nanao famantarana lehibe teo imason\u2019ny olona koa izy, ka nandatsaka afo avy any an-danitra ho et\u1ef3 an-tany mihitsy aza.",
        "14": "Ary nofitahiny ny mponina teto an-tany, ka ny famantarana navela hataony teo imason\u2019ilay bibidia no namitahany azy ireo. Nilaza tamin\u2019ny mponina teto an-tany koa izy mba hanao ny sarin\u2019ilay bibidia, izay voan\u2019ny sabatra nefa velona indray.",
        "15": "Ary navela hanome fofonaina ny sarin\u2019ilay bibidia izy, mba hiteny ilay sary sady hanome baiko hoe hovonoina ho faty izay rehetra tsy mety mivavaka aminy.",
        "16": "Ary notereny ny olona rehetra, na kely na lehibe, na manankarena na mahantra, na olona afaka na andevo, mba hasiana marika teo amin\u2019ny tanany havanana na teo amin\u2019ny handriny.",
        "17": "Dia amin\u2019izay tsy hisy ho afaka hividy na hivarotra, afa-tsy izay nanana an\u2019ilay marika ihany, dia ny anaran\u2019ilay bibidia na ny isa manondro ny anarany.",
        "18": "Eto no ilana fahendrena: Tokony hanao kajy an\u2019ilay isa manondro ny bibidia ny olona lalin-tsaina, fa isa nataon\u2019olona izy io. Ary 666 ilay isa."
    },
    "14": {
        "1": "Avy eo dia hitako ny Zanak\u2019ondry nitsangana teo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona. Nisy 144\u00a0000 niaraka taminy, ary nisoratra teo amin\u2019ny handrin\u2019izy ireo ny anaran\u2019ny Zanak\u2019ondry sy ny anaran\u2019ny Rainy.",
        "2": "Naheno feo avy any an-danitra aho, hoatran\u2019ny feona rano be sy feona kotroka mafy. Ilay feo henoko dia mitovy amin\u2019ny feon\u2019ny mpihira izay mampiaraka ny hirany amin\u2019ny harpa tendreny.",
        "3": "Ary nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan\u2019ny seza fiandrianana sy teo anatrehan\u2019ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy. Tsy nisy nahay an\u2019ilay hira, afa-tsy ny 144\u00a0000, izay novidina avy teto an-tany.",
        "4": "Izy ireo no tsy nandoto ny tenany tamin\u2019ny vehivavy, fa virjiny izy ireo raha ny marina. Izy ireo no nanaraka foana ny Zanak\u2019ondry na taiza na taiza nalehany. Novidina avy teo amin\u2019ny olombelona ireo mba hatao voaloham-bokatra ho an\u2019Andriamanitra sy ny Zanak\u2019ondry.",
        "5": "Tsy mba namitaka izy ireo, sady tsy nisy tsiny.",
        "6": "Nahita anjely anankiray nanidina teny afovoan\u2019ny lanitra aho. Nitondra vaovao tsara izy, dia vaovao tsara mandrakizay hotorina amin\u2019ny mponina eto an-tany, amin\u2019ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.",
        "7": "Niteny mafy izy hoe: \u201cMatahora an\u2019Andriamanitra dia omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Dia mivavaha amin\u2019Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.\u201d",
        "8": "Dia tonga ny anjely faharoa avy eo, niteny hoe: \u201cNianjera, nianjera i Babylona Lehibe, ilay nampisotro divay ny firenena rehetra. Izany divay izany dia ny faniriany mafy hijangajanga!\u201d",
        "9": "Tonga ny anjely fahatelo avy eo, niantsoantso mafy hoe: \u201cRaha misy mivavaka amin\u2019ny bibidia sy ny sariny ka mandray marika eo amin\u2019ny handriny na eo amin\u2019ny tanany,",
        "10": "dia hisotro amin\u2019ny divain\u2019Andriamanitra koa izy, izany hoe ny fahatezeran\u2019Andriamanitra. Araraka tsy mitampoka ao anatin\u2019ny kaopin\u2019ny fahatezeran\u2019 Andriamanitra izany divay izany. Dia hampijalina amin\u2019ny afo sy solifara eo imason\u2019ny anjely masina sy ny Zanak\u2019ondry izy.",
        "11": "Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny afo ampijaliana an\u2019ireo. Tsy hitsahatra mihitsy na andro na alina ny fijalian\u2019ireo mivavaka amin\u2019ny bibidia sy ny sariny ary izay mandray an\u2019ilay mariky ny anarany.",
        "12": "Eto no mila miaritra ny olona masina, dia izay mankat\u00f2 ny didin\u2019Andriamanitra sy mino an\u2019i Jesosy foana.\u201d",
        "13": "Ary naheno feo avy any an-danitra aho hoe: \u201cSoraty izao: Sambatra izay maty ao amin\u2019ny Tompo manomboka izao. Eny, hoy ny fanahy, aleo izy hitsahatra amin\u2019ny asa mafy nataony, fa manaraka azy eny foana ny zavatra tsara nataony.\u201d",
        "14": "Avy eo aho dia nahita rahona fotsy, ary nisy hoatran\u2019ny zanak\u2019olona nipetraka teo ambonin\u2019ilay izy. Nanao satroboninahitra volamena izy teo amin\u2019ny lohany, ary nisy antsy fijinjana maranitra teny an-tanany.",
        "15": "Nisy anjely hafa koa nivoaka avy tao amin\u2019ny toerana masin\u2019ny tempoly, niantsoantso mafy sady niteny tamin\u2019ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny rahona hoe: \u201cJinjao amin\u2019ny antsy fijinjanao ny vokatra, satria efa tonga ny ora fijinjana, fa efa masaka tsara ny vokatry ny tany.\u201d",
        "16": "Dia nijinja ny tany tamin\u2019ny antsy fijinjany ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny rahona, ka voajinja ny tany.",
        "17": "Nisy anjely hafa koa nivoaka avy tao amin\u2019ny toerana masin\u2019ny tempoly any an-danitra, ary nanana antsy fijinjana maranitra koa izy.",
        "18": "Mbola nisy anjely hafa koa nivoaka avy teo amin\u2019ny alitara, ary nanana fahefana tamin\u2019ny afo izy. Niantsoantso mafy izy sady niteny tamin\u2019ilay nanana antsy fijinjana maranitra hoe: \u201cAmpiasao ny antsy fijinjanao dia angony ny voaloboky ny tany, satria efa masaka ny voalobony.\u201d",
        "19": "Dia nijinja ny tany tamin\u2019ny antsy fijinjany ilay anjely sady nanangona ny voaloboky ny tany, ka nanipy an\u2019ireny tao anaty famiazam-boaloboka lehibe, izany hoe ny fahatezeran\u2019Andriamanitra.",
        "20": "Nohitsakitsahina tany ivelan\u2019ny tan\u00e0na ny voaloboka tao anatin\u2019ilay famiazana, ka nisy ra nivoaka avy tao. Ary tafakatra hatreo amin\u2019ny lamboridin-tsoavaly ny ra sady tonga hatrany amin\u2019ny 1\u00a0600\u00a0stadio."
    },
    "15": {
        "1": "Ary nahita famantarana hafa lehibe sady mahagaga tany an-danitra aho: Anjely fito nanana loza fito. Ireo no loza farany, satria hampiharina hatramin\u2019ny farany amin\u2019ny alalan\u2019ireo loza ireo ny fahatezeran\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Dia nahita zavatra hoatran\u2019ny ranomasina fitaratra mifangaro afo aho. Izay naharesy an\u2019ilay bibidia sy ny sariny ary ny isa manondro ny anarany, dia nijoro teo akaikin\u2019ilay ranomasina fitaratra, sady nitazona ny harpan\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Nihira ny hiran\u2019i Mosesy mpanompon\u2019Andriamanitra sy ny hiran\u2019ny Zanak\u2019ondry izy ireo, hoe: \u201cLehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, ilay Mahery Indrindra. Ara-drariny sy azo atokisana ny zavatra ataonao, ry\u00a0Mpanjakan\u2019ny mandrakizay.",
        "4": "Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah \u00f4, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao? Ianao irery ihany mantsy no tsy mivadika! Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.\u201d",
        "5": "Taorian\u2019izany, dia hitako fa nosokafana tany an-danitra ny toerana masin\u2019ny tranolain\u2019ny vavolombelona.",
        "6": "Ary nivoaka avy tao amin\u2019ilay toerana masina ireo anjely fito nanana ny loza fito. Nanao akanjo rongony madio sy mamirapiratra izy ireo, sady nanao fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.",
        "7": "Nanome vilia an\u2019ireo anjely fito ny iray tamin\u2019ny zavamananaina efatra, dia vilia volamena fito feno ny fahatezeran\u2019ilay Andriamanitra velona mandrakizay mandrakizay.",
        "8": "Dia lasa feno setroka ilay toerana masina noho ny voninahitr\u2019Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy afaka niditra tao amin\u2019ilay toerana masina, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin\u2019ireo anjely fito ireo."
    },
    "16": {
        "1": "Ary naheno feo mafy avy tao amin\u2019ny toerana masina aho, niteny tamin\u2019ireo anjely fito hoe: \u201cMandehana araraho eny ambonin\u2019ny tany ny ao anatin\u2019ny vilia fito feno ny fahatezeran\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "2": "Nandeha \u00e0ry ny voalohany, dia nandraraka ny tao am-biliany teny ambonin\u2019ny tany. Dia nisy fery nampanaintaina sady nanonitra be nampijalijaly an\u2019izay olona nanana ny mariky ny bibidia sy nivavaka tamin\u2019ny sariny.",
        "3": "Dia iny koa ny faharoa fa nandraraka ny tao am-biliany teny amin\u2019ny ranomasina. Dia lasa ra hoatran\u2019ny ran\u2019olona maty ny ranomasina, ka maty daholo ny zavamananaina rehetra, dia izay zavatra tao amin\u2019ny ranomasina.",
        "4": "Ny fahatelo indray nandraraka ny tao am-biliany teny amin\u2019ny renirano sy ny loharano, dia lasa ra ireo.",
        "5": "Dia henoko ilay anjelin\u2019ny rano niteny hoe: \u201cManao ny rariny ianao, ry\u00a0Ilay ankehitriny sy taloha, Ilay tsy mivadika, satria namoaka an\u2019ireny didim-pitsarana ireny.",
        "6": "Nandatsaka ny ran\u2019ny olona masina sy ny mpaminany mantsy izy ireo, ka nomenao ra hosotroiny. Mendrika an\u2019izany izy ireo.\u201d",
        "7": "Ary henoko ny alitara niteny hoe: \u201cEny, Jehovah Andriamanitra\u00a0\u00f4, ilay Mahery Indrindra, azo atokisana sy ara-drariny ny didim-pitsaranao.\u201d",
        "8": "Nandraraka ny tao am-biliany teny amin\u2019ny masoandro avy eo ny fahefatra, dia navela handoro ny olona tamin\u2019ny afo ny masoandro.",
        "9": "Dia main\u2019ny hafanam-be ny olona. Nanevateva ny anaran\u2019ilay Andriamanitra manana fahefana amin\u2019ireny loza ireny anefa izy ireo, fa tsy nibebaka na nanome voninahitra azy.",
        "10": "Ny fahadimy indray nandraraka ny tao am-biliany teo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ilay bibidia, ka lasa maizina ny fanjakan\u2019ilay bibidia. Dia nanomboka nanaiki-dela ny olona satria nanaintaina.",
        "11": "Nanevateva an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra anefa izy ireo satria nanaintaina sy nisy fery. Ary tsy mba nibebaka tamin\u2019izay nataony izy ireo.",
        "12": "Ary ny fahenina kosa nandraraka ny tao am-biliany teo amin\u2019i Eofrata, ilay renirano lehibe, dia ritra ny ranony. Nanao an\u2019izany izy mba hanomanana ny lalan\u2019ny mpanjaka avy any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro.",
        "13": "Ary hitako fa nisy fanambarana maloto telo hoatran\u2019ny sahona, nivoaka avy tamin\u2019ny vavan\u2019ilay dragona sy ny vavan\u2019ilay bibidia ary ny vavan\u2019ilay mpaminany sandoka.",
        "14": "Raha ny marina, dia avy amin\u2019ny demonia ireo fanambarana ireo, izay manao famantarana sady mivoaka ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny tany manontolo, mba hanangonana an\u2019ireny ho amin\u2019ilay adin\u2019ny andro lehiben\u2019ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.",
        "15": "\u201cHo avy toy ny mpangalatra aho. Sambatra izay miambina foana ka mbola eny aminy ihany ny akanjony ivelany. Amin\u2019izay izy tsy handeha mitanjaka ka ho hitan\u2019ny olona ny fitanjahany.\u201d",
        "16": "Ary nangonin\u2019izany fanambarana izany ho any amin\u2019ilay toerana antsoina amin\u2019ny teny hebreo hoe Aramagedona ireny mpanjaka ireny.",
        "17": "Ny fahafito indray nandraraka ny tao am-biliany teny amin\u2019ny rivotra, dia nisy feo mafy nivoaka avy tao amin\u2019ilay toerana masina, avy teo amin\u2019ny seza fiandrianana, nanao hoe: \u201cVita!\u201d",
        "18": "Avy eo dia nisy tselatra sy feo ary kotroka. Ary nisy horohoron-tany mafy\u00a0be mbola tsy nisy hoatr\u2019izany hatramin\u2019izay nisian\u2019ny olona teto an-tany. Tena faran\u2019izay mahery sady mafy be ilay horohoron-tany.",
        "19": "Dia nizara telo ilay tan\u00e0na lehibe, ary rava ny tan\u00e0nan\u2019ny firenena rehetra. Ary notsarovan\u2019Andriamanitra i Babylona Lehibe, mba homeny an\u2019ilay kaopy misy ny divainy, izany hoe ny fahatezerany mafy.",
        "20": "Nandositra koa ny nosy rehetra, ary nanjavona ny tendrombohitra.",
        "21": "Avy eo dia nisy havandra vaventy avy any an-danitra nilatsaka tamin\u2019ny olona, ka iray talenta teo ho eo ny lanjan\u2019ny havandra tsirairay. Dia nanevateva an\u2019Andriamanitra ny olona noho ny loza nentin\u2019ny havandra, satria lehibe loatra ilay loza."
    },
    "17": {
        "1": "Tonga ny iray tamin\u2019ireo anjely fito nanana vilia fito, ka hoy izy tamiko: \u201cAvia fa hasehoko anao ny fitsarana an\u2019ilay mpivaro-tena lehibe mipetraka eo ambonin\u2019ny rano maro.",
        "2": "Nijangajanga taminy ny mpanjakan\u2019ny tany, ary natao mamon\u2019ny divain\u2019ny fijangajangany ny mponina eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "3": "Ary nentin\u2019ilay anjely tamin\u2019ny herin\u2019ny fanahy nankany an-tany efitra aho, dia nahita vehivavy iray nitaingina bibidia mena midorehitra. Feno anarana manevateva an\u2019Andriamanitra ilay bibidia, sady nanana loha fito sy tandroka folo.",
        "4": "Ary nanao akanjo volomparasy sy mena midorehitra ilay vehivavy sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla. Teny an-tanany dia nisy kaopy volamena feno zava-maharikoriko, sady feno ny zava-maloton\u2019ny fijangajangany.",
        "5": "Ary nisy anarana mifono zava-miafina nisoratra teo amin\u2019ny handriny: \u201cBabylona Lehibe, ilay renin\u2019ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko eto an-tany.\u201d",
        "6": "Ary nahita aho fa mamon\u2019ny ran\u2019ny olona\u00a0masina sy ny ran\u2019ny vavolombelon\u2019i Jesosy ilay vehivavy. Dia gaga be aho rehefa nahita azy.",
        "7": "Ary hoy ilay anjely tamiko: \u201cFa maninona ianao no gaga? Holazaiko anao ny zava-miafina momba an\u2019ilay vehivavy sy ilay bibidia itaingenany, izay manana loha fito sy tandroka folo:",
        "8": "Efa teo ilay bibidia hitanao, fa tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy ao amin\u2019ny lavaka mangitsokitsoka, dia haringana avy eo. Dia ho gaga ny mponina eto an-tany rehefa mahita hoe efa teo ilay bibidia, fa tsy eo izy izao, nefa mbola ho eo. Efa hatramin\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao ny anaran\u2019ireo olona ireo no tsy voasoratra tao amin\u2019ny horonam-bokin\u2019ny fiainana.",
        "9": "\u201cEto no ilana fahiratan-tsaina sy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, ka eo an-tampony ilay vehivavy no mipetraka.",
        "10": "Ary misy mpanjaka fito: Efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo, ary ny iray mbola tsy tonga. Rehefa tonga anefa izy, dia hijanona kelikely eo.",
        "11": "Ilay bibidia izay efa teo nefa tsy eo izao, dia mpanjaka ihany koa. Mpanjaka laharana fahavalo izy nefa avy tamin\u2019ireo fito ihany, ary haringana avy eo.",
        "12": "\u201cNy tandroka folo efa hitanao, dia mpanjaka folo mbola tsy nahazo fanjakana. Mahazo fahefana hanjaka adiny iray miaraka amin\u2019ilay bibidia anefa izy ireo.",
        "13": "Miray saina izy ireo, ka samy manome ny heriny sy ny fahefany ho an\u2019ilay bibidia.",
        "14": "Ary hiady amin\u2019ny Zanak\u2019ondry ireo. Handresy an\u2019ireo anefa ny Zanak\u2019ondry satria Tompon\u2019ny tompo sy Mpanjakan\u2019ny mpanjaka. Handresy an\u2019ireo koa izay miaraka aminy, dia izay voantso sy voafidy ary tsy mivadika.\u201d",
        "15": "Dia hoy izy tamiko: \u201cNy rano izay efa hitanao ipetrahan\u2019ilay mpivaro-tena, dia olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny.",
        "16": "Ary ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an\u2019ilay mpivaro-tena ka handroba an\u2019izay ananany rehetra sy hampiboridana azy. Dia hohanin\u2019izy ireo ny nofony, ary hodorany tanteraka amin\u2019ny afo izy.",
        "17": "Efa nataon\u2019Andriamanitra tao am-pon\u2019izy ireo mantsy ny hanatanteraka ny heviny, izany hoe ny hanatanteraka an\u2019ilay hevitra tokana iombonan\u2019izy ireo, dia ny hanome ny fanjakany ho an\u2019ilay bibidia, mandra-pahatanteraky ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "18": "Ary ilay vehivavy efa hitanao, dia ilay tan\u00e0na lehibe mifehy an\u2019ireo mpanjakan\u2019ny tany.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Nahita anjely hafa iray nidina avy any an-danitra aho, taorian\u2019izay. Nanana fahefana lehibe izy, ary nanazava ny tany ny voninahiny.",
        "2": "Ary niantsoantso mafy izy hoe: \u201cNianjera, nianjera i Babylona Lehibe, ka lasa fonenan\u2019ny demonia! Lasa miafina ao koa ny fanahy maloto rehetra sy ny vorona maloto sady ankahalaina rehetra!",
        "3": "Fa ny divainy, izany hoe ny faniriany mafy hijangajanga, no nahamamo ny firenena rehetra sady nahatonga ny mpanjakan\u2019ny tany hijangajanga taminy. Dia lasa nanan-karena ny mpivarotra teto an-tany noho ny zavatra lafo vidy maro\u00a0be nangoniny, ary efa tsy nahamenatra azy intsony ny nanangona an\u2019izany.\u201d",
        "4": "Ary naheno feo hafa avy any an-danitra aho hoe: \u201cMivoaha avy ao aminy, ianareo vahoakako, raha tsy tianareo ny hiray tsikombakomba aminy amin\u2019izay fahotana nataony, ary raha tsy tianareo hahazo anareo ny loza hanjo azy.",
        "5": "Fa efa nivangongo hatrany an-danitra ny fahotany, ary efa tadidin\u2019Andriamanitra ny tsy rariny nataony.",
        "6": "Valio araka izay nataony tamin\u2019olona izy, ary ataovy avo\u00a0roa\u00a0heny noho izay nataony izany. Ao amin\u2019ilay kaopy nanaovany zava-pisotro, dia anaovy zava-pisotro avo\u00a0roa\u00a0heny ka omeo azy.",
        "7": "Nidera tena loatra izy sady nanaram-po tamin\u2019ny zavatra lafo vidy maro\u00a0be nangoniny, ary efa tsy nahamenatra azy intsony ny nanangona an\u2019izany. Mba ataovy mijalijaly sy mitomany koa \u00e0ry izy. Miteny anakampo foana mantsy izy hoe: \u2018Mipetraka hoatran\u2019ny mpanjakavavy aho sady tsy mpitondratena, dia tsy mba hitomany mihitsy.\u2019",
        "8": "Noho izany, dia ho tonga ao anatin\u2019ny iray andro ihany ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy alahelo ary mosary. Dia hodorana tanteraka amin\u2019ny afo izy, satria mahery i Jehovah Andriamanitra, ilay nitsara azy.",
        "9": "\u201cAry hitomany sy hikapo-tratra ny mpanjakan\u2019ny tany fa malahelo azy. Efa nijangajanga taminy sy nanaram-po tamin\u2019ny zavatra lafo vidy maro\u00a0be nangonin\u2019ilay vehivavy izy ireo, izany hoe ny zavatra lafo vidy izay tsy nahamenatra an\u2019ilay vehivavy intsony ny nanangona azy. Hitomany tokoa izy ireo rehefa mahita an\u2019ilay setroky ny afo andoroana azy.",
        "10": "Ary hijoro lavidavitra izy ireo satria matahotra sao hiara-mijaly aminy, ka hiteny hoe: \u2018Indrisy! Indrisy, ry\u00a0Babylona, ilay tan\u00e0na lehibe sy matanjaka! Fa tao anatin\u2019ny adiny iray fotsiny dia efa voasazy ianao!\u2019",
        "11": "\u201cHitomany sy halahelo azy koa ny mpivarotra eto an-tany, satria tsy hisy hividy intsony ny tahirin\u2019entany rehetra,",
        "12": "izany hoe tahirim-bolamena, volafotsy, vatosoa, perla, lamba rongony tena tsara, lamba volomparasy, lamba landy, lamba mena midorehitra, zavatra rehetra vita amin\u2019ny hazo mani-pofona, zavatra isan-karazany vita amin\u2019ny ivoara sy hazo sarobidy sy varahina sy vy ary marbra,",
        "13": "kanelina, zava-manitra indianina, emboka manitra, menaka manitra, ditin-kazo manitra, divay, menak\u2019oliva, lafarinina tsara toto, varimbazaha, omby aman\u2019ondry, soavaly, kalesy, andevo, ary olon-kafa.",
        "14": "Efa nesorina taminao ny zava-tsoa nirinao, ary efa tsy misy eo aminao intsony ny sakafo matsiro sy ny zavatra tena tsara, ka tsy ho hita intsony mihitsy.",
        "15": "\u201cHijoro lavidavitra ny mpivarotra izay nivarotra an\u2019ireny, dia izay nahazo harena avy taminy. Matahotra mantsy izy ireo sao hiara-mijaly aminy. Hitomany sy halahelo izy ireo,",
        "16": "sady hiteny hoe: \u2018Indrisy! Indrisy, ry ilay tan\u00e0na lehibe nanao akanjo vita amin\u2019ny lamba rongony tena tsara sy lamba volomparasy ary lamba mena midorehitra, sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla be dia be!",
        "17": "Tao anatin\u2019ny adiny iray fotsiny mantsy dia nanjavona izany harem-be izany.\u2019 \u201cAry nijoro lavidavitra ny kapitenin-tsambo rehetra, sy izay mpandeha sambo rehetra, sy ny tantsambo, ary izay rehetra mivelona amin\u2019ny ranomasina.",
        "18": "Niantsoantso mafy izy ireo rehefa nijery ny setroky ny afo nandoroana azy, sady niteny hoe: \u2018Iza no tan\u00e0na hoatran\u2019ilay tan\u00e0na lehibe?\u2019",
        "19": "Dia nanipy vovoka teo amin\u2019ny lohany izy ireo sady niantsoantso mafy no nitomany sy nalahelo, ka niteny hoe: \u2018Indrisy! Indrisy, fa tao anatin\u2019ny adiny iray fotsiny dia nanjavona ilay tan\u00e0na lehibe! Ny harenany anefa no nahatonga an\u2019izay nanan-tsambo teny an-dranomasina ho lasa mpanankarena.\u2019",
        "20": "\u201cMifalia noho izay manjo azy, ry\u00a0lanitra! Mifalia koa ianareo olona masina sy apostoly ary mpaminany, satria efa namoaka ny didim-pitsarana momba azy Andriamanitra noho izay nataony taminareo!\u201d",
        "21": "Ary nanainga vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary ny anjely anankiray, ka nanipy mafy an\u2019izany tany an-dranomasina, sady niteny hoe: \u201cHatsipy haingana hoatr\u2019izao i Babylona, ilay tan\u00e0na lehibe, dia tsy ho hita intsony.",
        "22": "Ary tsy ho heno ao aminao intsony, ry\u00a0Babylona, ny feon\u2019ny mpihira mampiaraka ny hirany amin\u2019ny harpa, sy ny feon\u2019ny mpitendry zavamaneno sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra. Tsy hisy mpanao asa tanana ho hita intsony koa ao aminao, sady tsy ho heno ao aminao intsony ny feon\u2019ny vato fikosoham-bary.",
        "23": "Tsy hisy hamirapiratra ao aminao intsony ny hazavan\u2019ny jiro, ary tsy hisy feon\u2019ny mpampakatra na ny ampakarina ho heno intsony ao aminao. Ny mpivarotra teo aminao mantsy no manam-pahefana ambony teny ambonin\u2019ny tany, ary voafitaky ny ody lalaovinao ny firenena rehetra.",
        "24": "Eny, tao amin\u2019io tan\u00e0na io no nahitana ny ran\u2019ny mpaminany sy ny olona masina ary izay rehetra naripaka teny ambonin\u2019ny tany.\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia naheno feo hoatran\u2019ny feon\u2019ny vahoaka be tany an-danitra aho, niantsoantso hoe: \u201cDerao i Jah! An\u2019ilay Andriamanitsika ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,",
        "2": "satria azo atokisana sy ara-drariny ny fitsarany. Fa nampihatra didim-pitsarana tamin\u2019ilay mpivaro-tena lehibe izy, dia tamin\u2019ilay nanimba ny tany tamin\u2019ny fijangajangany. Novaliany koa ny ran\u2019ny mpanompony nalatsaky ny tanan\u2019ilay vehivavy.\u201d",
        "3": "Tonga\u00a0dia niteny fanindroany ilay feo hoe: \u201cDerao i Jah! Miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin\u2019i Babylona.\u201d",
        "4": "Ary ny anti-panahy 24 sy ny zavamananaina efatra dia niankohoka sy nivavaka tamin\u2019Andriamanitra, izay nipetraka teo ambonin\u2019ny seza fiandrianana. Dia niteny izy ireo hoe: \u201cAmena! Derao i Jah!\u201d",
        "5": "Nisy feo koa nivoaka avy teo amin\u2019ny seza fiandrianana, niteny hoe: \u201cDerao foana ilay Andriamanitsika, ry\u00a0mpanompony rehetra matahotra azy, na kely na lehibe.\u201d",
        "6": "Ary naheno feo aho, dia feo hoatran\u2019ny feon\u2019ny vahoaka\u00a0be sy feon\u2019ny rano\u00a0be ary feon\u2019ny kotroka mafy, niteny hoe: \u201cDerao i Jah, satria efa nanomboka nanjaka i Jehovah Andriamanitsika, ilay Mahery Indrindra!",
        "7": "Andao isika hifaly be mihitsy, dia hanome voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin\u2019ny Zanak\u2019ondry sady efa niomana ny vadiny.",
        "8": "Navela hanao akanjo rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ilay vehivavy, satria ilay lamba rongony tena tsara dia ny zavatra ara-drariny nataon\u2019ny olona masina.\u201d",
        "9": "Ary hoy ilay anjely tamiko: \u201cSoraty izao: Sambatra izay asaina amin\u2019ilay sakafo hariva amin\u2019ny fampakaram-badin\u2019ny Zanak\u2019ondry.\u201d Hoy koa izy tamiko: \u201cTena teny nolazain\u2019Andriamanitra izany.\u201d",
        "10": "Tamin\u2019izay dia niankohoka teo an-tongotr\u2019ilay anjely aho mba hivavaka taminy. Hoy anefa izy tamiko: \u201cTandremo! Aza manao an\u2019izao! Andriamanitra no ivavaho! Fa mpanompo ihany aho, hoatr\u2019anao sy ny rahalahinao izay manao ny asa fitoriana momba an\u2019i Jesosy. Ny fitoriana momba an\u2019i Jesosy mantsy no antony nanoratana ny faminaniana.\u201d",
        "11": "Ary nahita ny lanitra nisokatra aho, dia iny nisy soavaly fotsy. Antsoina hoe Mendri-pitokisana sy Marina ilay nitaingina azy, ary nitsara sy niady araka ny rariny foana izy.",
        "12": "Lelafo ny masony, ary nisy diadema be dia be teo amin\u2019ny lohany. Nanana anarana voasoratra izy, ary izy irery no mahalala an\u2019ilay anarana.",
        "13": "Nanao akanjo ivelany tasin\u2019ny ra izy, ary Ny Tenin\u2019Andriamanitra no anarana niantsoana azy.",
        "14": "Nanaraka azy koa ny tafika tany an-danitra, nitaingina soavaly fotsy sady nanao akanjo rongony fotsy sy madio ary tena tsara.",
        "15": "Ary nisy sabatra maranitra lava\u00a0be nivoaka avy tamin\u2019ny vavany mba hamelezany ny firenena. Dia hiandry azy ireo amin\u2019ny tehina vy izy. Nohitsakitsahiny koa ny voaloboka tao anaty famiazana, dia ny fahatezerana lehiben\u2019Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.",
        "16": "Ary nisy anarana voasoratra teo amin\u2019ny akanjony ivelany, teo amin\u2019ny feny, hoe Mpanjakan\u2019ny mpanjaka sy Tompon\u2019ny tompo.",
        "17": "Nahita anjely iray nijoro teo amin\u2019ny masoandro koa aho. Niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin\u2019ny vorona rehetra nanidina teny afovoan\u2019ny lanitra hoe: \u201cAvia! Mitangor\u00f2na mba hihinana amin\u2019ilay sakafo hariva lehibe nataon\u2019Andriamanitra.",
        "18": "Amin\u2019izay ianareo dia hihinana ny nofon\u2019ny mpanjaka sy ny nofon\u2019ny mpitari-tafika sy ny nofon\u2019ny lehilahy matanjaka sy ny nofon\u2019ny soavaly sy izay mitaingina azy ary ny nofon\u2019ny olona rehetra, na olona\u00a0afaka na andevo, na kely na lehibe.\u201d",
        "19": "Ary hitako ilay bibidia sy ireo mpanjakan\u2019ny tany sy ny tafiny, nivondrona hiady tamin\u2019ilay mitaingin-tsoavaly sy ny tafiny.",
        "20": "Dia nosamborina ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao famantarana teo anatrehan\u2019ilay bibidia, dia famantarana namitahany an\u2019izay nandray ny marik\u2019ilay bibidia sy izay nivavaka tamin\u2019ny sariny. Samy natsipy velona tao amin\u2019ny farihy afo arehitry ny solifara izy ireo avy eo.",
        "21": "Fa ny sisa kosa novonoina tamin\u2019ilay sabatra lava\u00a0be nivoaka avy tamin\u2019ny vavan\u2019ilay mitaingin-tsoavaly. Dia voky ny nofon\u2019izy ireny ny vorona rehetra."
    },
    "20": {
        "1": "Ary nahita anjely nidina avy any an-danitra aho. Nitazona ny lakilen\u2019ny lavaka mangitsokitsoka izy, sady nisy rojo vy lehibe teny an-tanany.",
        "2": "Dia nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany mba higadra 1\u00a0000\u00a0taona,",
        "3": "ary natsipiny mafy tao amin\u2019ilay lavaka mangitsokitsoka. Nohidian\u2019ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka avy eo, amin\u2019izay dia tsy hamitaka ny firenena intsony ilay dragona mandra-pahatapitry ny 1\u00a0000\u00a0taona. Aorian\u2019izany dia hovahana vetivety izy.",
        "4": "Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nomena fahefana hitsara ireo nipetraka teo amboniny. Hitako izay novonoina satria nitory momba an\u2019i Jesosy sy niresaka momba an\u2019Andriamanitra. Tsy nivavaka tamin\u2019ilay bibidia na tamin\u2019ny sariny izy ireo, sady tsy nandray an\u2019ilay marika teo amin\u2019ny handriny sy teo amin\u2019ny tanany. Ary velona izy ireo ka niara-nanjaka tamin\u2019i Kristy 1\u00a0000\u00a0taona.",
        "5": "\u2014Mbola tsy velona ny sisa tamin\u2019ny maty mandra-pahatapitry ny 1\u00a0000\u00a0taona.\u2014Izany no fitsanganana voalohany.",
        "6": "Sambatra sy masina izay manana anjara amin\u2019ny fitsanganana voalohany. Tsy hanam-pahefana amin\u2019izy ireo ny fahafatesana faharoa. Ho mpisoron\u2019Andriamanitra sy Kristy kosa izy ireo, ka hiara-manjaka aminy 1 000\u00a0taona.",
        "7": "Raha vao tapitra ny 1\u00a0000\u00a0taona, dia hovahana avy ao amin\u2019ilay fonja nisy azy i Satana,",
        "8": "ka hivoaka hamitaka an\u2019ireo firenena any amin\u2019ny vazan-tany efatra, dia i Goga sy Magoga, mba hanangona azy ireo ho amin\u2019ny ady. Hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina ny isan\u2019izy ireo.",
        "9": "Dia niparitaka manerana ny tany manontolo izy ireo, ka nanodidina ny tobin\u2019ny olona masina sy ilay tan\u00e0na malala. Nisy afo nilatsaka avy any an-danitra anefa nandevona azy ireo.",
        "10": "Ary ny Devoly izay namitaka azy ireo dia natsipy mafy tao amin\u2019ny farihy afo sy solifara, dia tao amin\u2019ilay efa nisy an\u2019ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka. Dia hampijalijalina andro aman\u2019alina mandrakizay mandrakizay ireo.",
        "11": "Nahita seza fiandrianana fotsy lehibe aho, ary hitako koa Ilay nipetraka teo amboniny. Nandositra niala teo anatrehany ny tany sy ny lanitra, ka tsy hita intsony.",
        "12": "Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan\u2019ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Nisy horonam-boky iray koa anefa novelarina, dia ny horonam-bokin\u2019ny fiainana. Dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin\u2019ireo horonam-boky ireo ny maty, arakaraka izay nataon\u2019izy ireo.",
        "13": "Ary namoaka ny maty tao aminy ny ranomasina. Namoaka ny maty tao aminy koa ny fahafatesana sy ny Fasana. Dia samy notsaraina arakaraka izay nataony izy ireny.",
        "14": "Ary natsipy mafy tany amin\u2019ny farihy afo ny fahafatesana sy ny Fasana. Ny farihy afo dia ny fahafatesana faharoa.",
        "15": "Natsipy mafy tao amin\u2019ny farihy afo koa izay tsy voasoratra anarana tao amin\u2019ny bokin\u2019ny fiainana."
    },
    "21": {
        "1": "Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho, fa efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha, sady tsy nisy ranomasina intsony.",
        "2": "Hitako nidina avy any an-danitra avy any amin\u2019Andriamanitra koa ilay tan\u00e0na masina, dia i Jerosalema Vaovao, ary efa voaomana hoatran\u2019ny ampakarina mihaingo hihaona amin\u2019ny vadiny.",
        "3": "Tamin\u2019izay dia naheno feo mafy avy teo amin\u2019ny seza fiandrianana aho, nanao hoe: \u201cEo amin\u2019ny olombelona ny tranolain\u2019Andriamanitra, ka ho eo amin\u2019izy ireo izy, dia ho vahoakany ireo. Ary Andriamanitra mihitsy no hiaraka aminy.",
        "4": "Dia hofafany ny ranomaso rehetra amin\u2019ny mason\u2019izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.\u201d",
        "5": "Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin\u2019ny seza fiandrianana: \u201cAtaoko vaovao ny zava-drehetra.\u201d Hoy koa izy: \u201cSoraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.\u201d",
        "6": "Hoy ihany izy tamiko: \u201cEfa tanteraka izany! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izay mangetaheta dia homeko rano maimaim-poana avy amin\u2019ny loharanon\u2019ny ranon\u2019aina.",
        "7": "Izay mandresy dia handova an\u2019ireo zavatra ireo, ka ho Andriamaniny aho ary izy ho zanako.",
        "8": "Fa ny kanosa, ny tsy manam-pinoana, ny olona maloto sady maharikoriko, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpilalao ody, ny mpanompo sampy, ary ny mpandainga rehetra kosa, dia hatsipy ao amin\u2019ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany dia ny fahafatesana faharoa.\u201d",
        "9": "Ary tonga ny iray tamin\u2019ireo anjely fito nanana vilia fito feno ny loza fito farany, ka niteny tamiko hoe: \u201cAvia fa hasehoko anao ny ampakarina, ilay vadin\u2019ny Zanak\u2019ondry.\u201d",
        "10": "Dia nentiny tamin\u2019ny herin\u2019ny fanahy nankeo amin\u2019ny tendrombohitra ngezabe sady avo aho, dia nasehony ahy i Jerosalema, ilay tan\u00e0na masina, izay nidina avy any an-danitra avy tany amin\u2019Andriamanitra.",
        "11": "Feno ny voninahitr\u2019Andriamanitra izy io, ary hoatran\u2019ny vatosoa faran\u2019izay tsara ny famirapiratany, hoatran\u2019ny vato jaspa mamirapiratra tahaka ny kristaly.",
        "12": "Nisy manda lehibe sady avo sy vavahady 12 izy io. Nisy anjely 12 teo amin\u2019ireo vavahady ireo, ary nosoratana teo ny anaran\u2019ny foko 12 teo amin\u2019ny zanak\u2019Israely.",
        "13": "Nisy vavahady telo teo atsinanana, telo teo avaratra, telo teo atsimo, ary telo teo andrefana.",
        "14": "Nisy vato fototra 12 koa ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na, ary teo amin\u2019ireo vato ireo ny anarana roa ambin\u2019ny folon\u2019ny apostoly 12, dia ny apostolin\u2019ny Zanak\u2019ondry.",
        "15": "Nitazona bararata volamena fandrefesana ilay niresaka tamiko tamin\u2019izay, mba handrefesany an\u2019ilay tan\u00e0na sy\u00a0ny vavahadiny ary ny mandany.",
        "16": "Efamira ilay tan\u00e0na, ka mitovy ny lavany sy ny sakany. Dia norefesiny tamin\u2019ilay bararata ilay tan\u00e0na, ka 12\u00a0000\u00a0stadio, ary mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony.",
        "17": "Norefesiny koa ny mandany, ka 144 hakiho, araka ny fandrefesana fampiasan\u2019ny olona sady fampiasan\u2019ny anjely.",
        "18": "Jaspa no nanaovana an\u2019ilay manda, ary volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra madio ilay tan\u00e0na.",
        "19": "Voaravaka vatosoa isan-karazany ny fototry ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na. Ny fototra voalohany dia jaspa, ny faharoa safira, ny fahatelo kalsedoanina, ny fahefatra emeraoda,",
        "20": "ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina sardoanina, ny fahafito krizolita, ny fahavalo berila, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krizoprazy, ny faha-11 hiasinta, ary ny faha-12 ametista.",
        "21": "Perla 12 koa ny vavahadiny 12, ka perla iray no nanaovana ny vavahady tsirairay. Ary volamena tsy misy fangarony tahaka ny fitaratra tantera-pahazavana ny lalamben\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "22": "Tsy nahita tempoly tao aho, fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, sy ny Zanak\u2019ondry, no tempolin\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "23": "Ary tsy nila ny masoandro na ny volana hanazava azy ilay tan\u00e0na, fa ny voninahitr\u2019Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak\u2019ondry no jirony.",
        "24": "Hanazava ny lalana halehan\u2019ireo firenena ny hazavan\u2019ilay tan\u00e0na, ary hoentin\u2019ny mpanjakan\u2019ny tany ao ny voninahiny.",
        "25": "Tsy hohidiana mihitsy ny vavahadiny mandritra ny andro, ary tsy hisy alina ao.",
        "26": "Ary hoentin\u2019izy ireo ao ny voninahitry ny firenena sy ny hajany.",
        "27": "Tsy hiditra ao mihitsy kosa izay zavatra maloto sy izay olona manao zava-maharikoriko sy mamitaka. Fa izay voasoratra ao amin\u2019ny horonam-bokin\u2019ny fiainana, dia ny horonam-bokin\u2019ny Zanak\u2019ondry, ihany no hiditra ao."
    },
    "22": {
        "1": "Ary nampiseho ahy ny reniranon\u2019ny ranon\u2019aina izy. Madio mangalahala hoatran\u2019ny vato kristaly izy io, sady nikoriana avy teo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019Andriamanitra sy ny Zanak\u2019ondry,",
        "2": "teo afovoan\u2019ny lalamben\u2019ilay tan\u00e0na. Nisy hazon\u2019aina teo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ilay renirano, ary namoa in-12 izy ireo, izany hoe namoa isam-bolana. Ary natao hanasitranana ny firenena ny ravin\u2019ireo hazo ireo.",
        "3": "Ary tsy hisy ozona intsony. Fa ho ao amin\u2019ilay tan\u00e0na kosa ny seza fiandrianan\u2019Andriamanitra sy ny an\u2019ny Zanak\u2019ondry. Ary hanao fanompoana masina ho an\u2019Andriamanitra ny mpanompony,",
        "4": "ka hahita ny tarehiny. Hosoratana eo amin\u2019ny handrin\u2019izy ireo koa ny anaran\u2019Andriamanitra.",
        "5": "Tsy hisy alina intsony koa, ka tsy hila ny hazavan\u2019ny jiro na ny hazavan\u2019ny masoandro izy ireo, satria hanazava azy i Jehovah Andriamanitra. Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo.",
        "6": "Hoy izy tamiko: \u201cAzo antoka sady marina ireo teny ireo. Ary naniraka ny anjeliny i Jehovah, ilay Andriamanitra miteny amin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany, mba hampiseho amin\u2019ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela.",
        "7": "Ho avy haingana aho. Sambatra izay manaraka ny tenin\u2019ny faminaniana ato amin\u2019ity horonam-boky ity.\u201d",
        "8": "Izaho Jaona no naheno sy nahita an\u2019ireo zavatra ireo. Rehefa naheno sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo an-tongotr\u2019ilay anjely nampiseho an\u2019ireo tamiko.",
        "9": "Hoy anefa izy tamiko: \u201cTandremo! Aza manao an\u2019izao! Fa mpanompo ihany aho, hoatr\u2019anao sy ny mpaminany rahalahinao, ary hoatran\u2019ireo manaraka ny teny ato amin\u2019ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.\u201d",
        "10": "Hoy koa izy tamiko: \u201cAza asiana tombo-kase ny tenin\u2019ny faminaniana ato amin\u2019ity horonam-boky ity, fa efa akaiky ny fotoana voatondro.",
        "11": "Izay manao ny tsy marina, dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany. Izay maloto, aoka mbola haloto ihany. Izay olo-marina kosa, aoka hanao ny marina ihany, ary izay masina, aoka mbola ho masina ihany.",
        "12": "\u201c\u2018Ho avy haingana aho, ary efa vonona aho hamaly ny tsirairay arakaraka izay ataony.",
        "13": "Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.",
        "14": "Sambatra izay manasa ny akanjony, mba ho afaka hankeo amin\u2019ny hazon\u2019aina sy ho afaka hiditra ao amin\u2019ilay tan\u00e0na, avy eo amin\u2019ny vavahadiny.",
        "15": "Any ivelany kosa ny alika, ny mpilalao ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, ary izay tia lainga sy mpandainga.\u2019",
        "16": "\u201c\u2018Izaho Jesosy dia naniraka ny anjeliko hitory momba an\u2019izany aminareo mba hahasoa ny fiangonana. Izaho no faka sy taranak\u2019i Davida, ary izaho koa ilay kintan\u2019ny maraina mamirapiratra.\u2019\u201d",
        "17": "Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: \u201cAvia!\u201d Ary izay maheno, aoka hilaza hoe: \u201cAvia!\u201d Dia aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka hisotro maimaim-poana amin\u2019ny ranon\u2019aina.",
        "18": "\u201cIzao no lazaiko amin\u2019izay rehetra maheno ny tenin\u2019ny faminaniana ato amin\u2019ity horonam-boky ity: Raha misy manampy zavatra amin\u2019ireo, dia hampian\u2019Andriamanitra ny loza hanjo azy, izany hoe ny loza voasoratra ato amin\u2019ity horonam-boky ity.",
        "19": "Ary raha misy manala teny ato amin\u2019ity horonam-bokin\u2019ny faminaniana ity, dia hesorin\u2019Andriamanitra ny anjarany amin\u2019ny hazon\u2019aina sy ny tan\u00e0na masina, izany hoe izay voasoratra ato amin\u2019ity horonam-boky ity.",
        "20": "\u201cHoy ilay mijoro ho vavolombelon\u2019ireo zavatra ireo: \u2018Eny, ho avy haingana aho.\u2019\u201d \u201cAmena! Avia, Jesosy Tompo\u00a0\u00f4!\u201d",
        "21": "Enga anie ny olona masina hanehoan\u2019i Jesosy Tompo hatsaram-panahy miavaka!"
    },
    "meta": {
        "name": "Apokalypsy",
        "order": 65,
        "chapter_number": 22
    }
}
