{
    "1": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakan\u2019i Joiakima mpanjakan\u2019ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, ka nataony fahirano ilay tan\u00e0na.",
        "2": "Tat\u1ef3 aoriana, dia natolotr\u2019i Jehovah teo an-tanan\u2019i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan\u2019ny Joda, sy ny fitaovana sasany tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra. Dia nentin\u2019i Nebokadnezara tao an-tranon\u2019ny andriamaniny, tany Sinara, ireny ka nataony tao amin\u2019ny fitehirizan-karenan\u2019ny andriamaniny.",
        "3": "Ary nomen\u2019ny mpanjaka baiko i Aspenaza lehiben\u2019ny tandapany mba hitondra Israelita, anisan\u2019izany ny avy amin\u2019ny taranaky ny mpanjaka sy ny taranaky ny olona ambony.",
        "4": "Tokony ho tanora tsy misy tsiny no hoentiny, sady tsara tarehy sy tsara bika, manana fahendrena sy fahalalana ary lalin-tsaina, sady ho afaka hanompo ao an-dapan\u2019ny mpanjaka. Nasaina nampianariny azy ireo ny soratra sy ny fitenin\u2019ny Kaldeanina.",
        "5": "Nasain\u2019ny mpanjaka nomena anjara isan\u2019andro avy tamin\u2019ny sakafo matsiro fihinan\u2019ny mpanjaka sy ny divay fisotrony koa izy ireo. Tokony hampiofanina mandritra ny telo taona izy ireo, ary hanompo ny mpanjaka rehefa tapitra izay fotoana izay.",
        "6": "Avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda ny sasany tamin\u2019izy ireo, dia i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria.",
        "7": "Ary nomen\u2019ny lehiben\u2019ny tandapa anarana hafa izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesazara, i Hanania nantsoiny hoe Sadraka, i Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary i Azaria nantsoiny hoe Abednego.",
        "8": "Tapa-kevitra tao am-pony anefa i Daniela fa tsy handoto ny tenany amin\u2019ny sakafo matsiro fihinan\u2019ny mpanjaka na amin\u2019ny divay fisotrony. Koa nangataka alalana tamin\u2019ny lehiben\u2019ny tandapa izy mba tsy handoto ny tenany amin\u2019ireny.",
        "9": "Ary nataon\u2019ilay tena Andriamanitra niantra an\u2019i Daniela sy namindra\u00a0fo taminy ilay lehiben\u2019ny tandapa.",
        "10": "Hoy anefa ilay lehiben\u2019ny tandapa tamin\u2019i Daniela: \u201cMatahotra ny mpanjaka tompoko aho. Izy mantsy no niteny izay tokony hohaninareo sy hosotroinareo. Dia ahoana raha hitany hoe mihamahia ianareo, fa tsy hoatran\u2019ny tanora hafa mitovy taona aminareo? Hotapahin\u2019ny mpanjaka amin\u2019izany ny lohako.\u201d",
        "11": "Hoy anefa i Daniela tamin\u2019ny mpiambina, izay notendren\u2019ilay lehiben\u2019ny tandapa hiambina an\u2019i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:",
        "12": "\u201cMba tsapao folo andro aloha izahay mpanomponao\u00a0e! Dia aleo homena legioma izahay hohaninay, dia rano hosotroinay.",
        "13": "Avy eo dia ampitahao izahay sy ny tanora mihinana ny sakafo matsiro fihinan\u2019ny mpanjaka, dia arakaraka izay hitanao no ataovy amin\u2019ny mpanomponao.\u201d",
        "14": "Nanaiky an\u2019ilay soso-kevitra \u00e0ry ilay mpiambina, ka nitsapa azy ireo folo andro.",
        "15": "Rehefa tapitra ny folo andro, dia hita fa netinety tsara sy salama kokoa noho ny tanora rehetra nihinana ny sakafo matsiro fihinan\u2019ny mpanjaka izy ireo.",
        "16": "Koa nalain\u2019ilay mpiambina ny sakafo matsiro sy ny divay tokony ho azy ireo ka nosoloany legioma.",
        "17": "Ary nomen\u2019ilay tena Andriamanitra fahalalana sy fahaizana ary fahendrena ireo tanora efa-dahy ireo ka nahay soratra isan-karazany. Nahay namantatra ny dikan\u2019ny fahitana sy nofy isan-karazany koa i Daniela.",
        "18": "Rehefa tapitra ilay fotoana noferan\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka, ka tokony hampidirina eo anatrehany izy ireo, dia nentin\u2019ilay lehiben\u2019ny tandapa teo anatrehany izy ireo.",
        "19": "Rehefa niresaka tamin\u2019izy ireo ny mpanjaka, dia hitany fa tsy nisy tahaka an\u2019i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria izy rehetra. Koa nanompo teo anatrehan\u2019ny mpanjaka foana izy ireo.",
        "20": "Ary tamin\u2019izay rehetra nanontanian\u2019ny mpanjaka azy, dia hitany hoe nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina avo folo heny izy ireo, raha oharina amin\u2019ny mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, eran\u2019ny fanjakany.",
        "21": "Mbola tany foana i Daniela hatramin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Kyrosy Mpanjaka."
    },
    "2": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Nebokadnezara, dia nanonofy izy. Ary nitebiteby be izy ka tsy nahita tory.",
        "2": "Koa nampanantsoin\u2019ny mpanjaka ny mpisorona mpanao sikidy, ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, ny mpilalao ody, ary ny Kaldeanina, mba hilaza aminy an\u2019ilay nofiny. Dia tonga izy ireo, ka nijoro teo anatrehan\u2019ny mpanjaka.",
        "3": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019izy ireo: \u201cNanonofy aho, dia mitebiteby\u00a0be fa tiako ho fantatra hoe inona ilay nofiko.\u201d",
        "4": "Dia novalian\u2019ny Kaldeanina tamin\u2019ny teny aramianina ny mpanjaka hoe: \u201cHo velona mandrakizay anie ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4! Tantarao aminay mpanomponao ilay nofy, dia holazainay ny dikany.\u201d",
        "5": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019ny Kaldeanina: \u201cIzao no teniko farany: Hotetitetehina ianareo ary hatao kabinem-bahoaka ny tranonareo, raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy sy ny dikany.",
        "6": "Fa raha lazainareo kosa ilay nofy sy ny dikany, dia homeko fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe ianareo. Koa lazao amiko ilay nofy sy ny dikany.\u201d",
        "7": "Dia hoy indray izy ireo: \u201cAleo mba lazain\u2019ny mpanjaka aminay mpanomponao ilay nofy, dia holazainay ny dikany.\u201d",
        "8": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cFantatro tsara fa mitetika ny hahazo fotoana lavalava fotsiny ianareo, satria azonareo tsara ny dikan\u2019ilay teniko farany teo.",
        "9": "Koa raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy, dia hampiharana sazy mitovy daholo ianareo rehetra. Fa efa nifanaraka ianareo hoe lainga sy fitaka no holazainareo amiko, sao dia mba hiova hevitra ihany aho. Koa lazao amiko ilay nofy, dia ho fantatro raha mahay milaza ny dikany ianareo.\u201d",
        "10": "Ary hoy ny Kaldeanina tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cTsy misy olona eto ambonin\u2019ny tany mahavita an\u2019izany zavatra angatahin\u2019ny mpanjaka izany. Fa mbola tsy nisy mpanjaka lehibe na governora nangataka zavatra hoatr\u2019izany tamin\u2019ny mpisorona mpanao sikidy, na tamin\u2019ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, na tamin\u2019ny Kaldeanina.",
        "11": "Sarotra izany zavatra angatahin\u2019ny mpanjaka izany, ka tsy misy mahavita milaza an\u2019izany amin\u2019ny mpanjaka, afa-tsy ireo andriamanitra tsy miaraka amin\u2019ny olombelona mety maty.\u201d",
        "12": "Dia tezitra sy romotra be ny mpanjaka, ka nanome baiko hoe haringana daholo ny olon-kendry rehetra tao Babylona.",
        "13": "Rehefa navoaka ilay baiko, ary efa hovonoina ireo olon-kendry, dia notadiavina koa i Daniela sy ireo namany mba hovonoina ho faty.",
        "14": "Tamin\u2019izay dia niresaka tamin\u2019i Arioka i Daniela, sady malina sy nitandrina tsara ihany. Lehiben\u2019ny mpiambina ny mpanjaka io Arioka io, ary efa nivoaka mba hamono ny olon-kendrin\u2019i Babylona.",
        "15": "Hoy i Daniela tamin\u2019i Arioka, ilay tandapa mpiaro ny mpanjaka: \u201cFa maninona ny mpanjaka no mamoaka didy henjana be hoatr\u2019izany?\u201d Dia notantarain\u2019i Arioka tamin\u2019i Daniela ny zava-nitranga.",
        "16": "Koa nankao amin\u2019ny mpanjaka i Daniela ka nangataka mba homena fotoana fanampiny, fa holazainy amin\u2019ny mpanjaka ny dikan\u2019ilay nofy.",
        "17": "Nody tany an-tranony i Daniela avy eo, ary notantarainy tamin\u2019i Hanania sy Misaela ary Azaria namany ny zava-nitranga.",
        "18": "Nasainy nivavaka tamin\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo mba hangataka famindram-po taminy, dia hampahafantatra azy ireo an\u2019ilay zava-miafina. Amin\u2019izay dia tsy ho ringana miaraka amin\u2019ny sisa amin\u2019ny olon-kendrin\u2019i Babylona i Daniela sy ny namany.",
        "19": "Dia nampahafantarina an\u2019i Daniela tao amin\u2019ny fahitana tamin\u2019ny alina ilay zava-miafina. Koa nidera an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra izy.",
        "20": "Hoy i Daniela: \u201cHisaorana mandrakizay doria anie ny anaran\u2019Andriamanitra, Satria izy irery ihany no hendry sy mahery!",
        "21": "Manova fotoana sy vanim-potoana izy, Manongana mpanjaka sy mametraka mpanjaka eo amin\u2019ny toerany, Manome fahendrena ho an\u2019ny hendry, ary manome fahalalana ho an\u2019ny olona lalin-tsaina.",
        "22": "Mampahafantatra zava-dalina sy zava-miafina izy. Fantany ny ao amin\u2019ny maizina, Ary feno hazavana manodidina azy.",
        "23": "Ianao no isaorako sy deraiko, ry\u00a0Andriamanitry ny razambeko\u00a0\u00f4! Efa nomenao fahendrena sy hery mantsy aho. Dia nampahafantarinao ahy koa izao ny zavatra nangatahinay taminao. Nampahafantarinao anay ilay zavatra mampiasa saina ny mpanjaka.\u201d",
        "24": "Dia lasa i Daniela nankao amin\u2019i Arioka, ilay notendren\u2019ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin\u2019i Babylona, ka niteny taminy hoe: \u201cAza misy aringana ny olon-kendrin\u2019i Babylona. Ento any amin\u2019ny mpanjaka aho fa holazaiko aminy ny dikan\u2019ilay nofy.\u201d",
        "25": "Dia nentin\u2019i Arioka haingana teo anatrehan\u2019ny mpanjaka i Daniela, ka hoy izy taminy: \u201cNahita lehilahy afaka mampahafantatra amin\u2019ny mpanjaka ny dikan\u2019ilay nofy aho. Anisan\u2019ny olona natao sesitany avy any Joda izy.\u201d",
        "26": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Daniela, ilay nantsoina hoe Beltesazara: \u201cTena hainao tokoa ve ny milaza amiko hoe inona ilay hitako tao amin\u2019ny nofy dia inona ny dikany?\u201d",
        "27": "Dia hoy i Daniela tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cTsy misy mahavita milaza an\u2019ilay zava-miafina nanontanian\u2019ny mpanjaka, na ny olon-kendry, na ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, na ny mpisorona mpanao sikidy, na ny mpanandro.",
        "28": "Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, dia izy no Mpampiharihary zava-miafina. Izy no nampahafantatra tamin\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka ny zavatra hitranga any am-parany. Izao ilay nofinao sy ireo fahitana hitanao tamin\u2019ianao natory tao am-pandriana:",
        "29": "\u201cRy mpanjaka\u00a0\u00f4, lasa saina momba izay hitranga amin\u2019ny hoavy ianao tao am-pandriananao. Ary mampahafantatra anao an\u2019izay hitranga Ilay Mpampiharihary zava-miafina.",
        "30": "Raha ny amiko kosa, dia tsy hoe noho izaho manana fahendrena mihoatra noho ny olona rehetra no antony nampahafantarana ahy an\u2019ilay zava-miafina, fa mba hampahafantarana amin\u2019ny mpanjaka ny dikan\u2019ilay nofy, ka ho fantatrao izay tao an-tsainao.",
        "31": "\u201cNijery ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, ka nahita sarivongana ngezabe. Nijoro teo anoloanao ilay sarivongana. Ngezabe sady namirapiratra tsy nisy hoatr\u2019izany ilay izy, ary nampatahotra anao.",
        "32": "Volamena tena tsara ny lohany, volafotsy ny tratrany sy ny sandriny, varahina ny kibony sy ny feny,",
        "33": "vy ny ranjony, ary ny tongony kosa nisy ampahany vy sady nisy ampahany tanimanga.",
        "34": "Dia mbola nijery ianao, ka nisy vato nendahana nefa tsy nendahana tamin\u2019ny tanana. Ary nandona mafy an\u2019ilay sarivongana teo amin\u2019ny tongony vy sy tanimanga ilay vato, ka namotipotika azy.",
        "35": "Tamin\u2019izay fotoana izay, dia potipotika daholo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy, ary ny volamena ka lasa hoatran\u2019ny akofa eny am-pamoloana amin\u2019ny fahavaratra. Dia notsofin\u2019ny rivotra ireny, ka nanjavona tsy hita intsony. Fa lasa tendrombohitra lehibe kosa ilay vato nandona mafy an\u2019ilay sarivongana, ka feno azy ny tany manontolo.",
        "36": "\u201cIzany ilay nofy, fa holazainay amin\u2019ny mpanjaka izao ny dikany:",
        "37": "Ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, ianao no mpanjakan\u2019ny mpanjaka, ary nomen\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra anao ny fanjakana sy ny hery sy ny tanjaka ary ny voninahitra.",
        "38": "Nomeny anao koa ny fahefana amin\u2019ny olona, na aiza na aiza misy azy ireo, sy ny fahefana amin\u2019ny bibidia sy ny voro-manidina, ka nataony mpanjakan\u2019izy rehetra ianao. Ianao \u00e0ry ilay loha volamena.",
        "39": "\u201cHisy fanjakana ambany kokoa noho ny fanjakanao anefa hitsangana handimby ny anao. Hisy fanjakana hafa koa avy eo hitsangana, dia fanjakana fahatelo, izay varahina. Hitondra ny tany manontolo izy io.",
        "40": "\u201cNy fanjakana fahefatra kosa hatanjaka toy ny vy. Fa manorotoro sy mamotipotika ary manamontsana ny zava-drehetra ny vy. Dia hoatr\u2019izany koa fa hanorotoro sy hamotipotika an\u2019ireo fanjakana rehetra ireo io fanjakana io.",
        "41": "\u201cAraka ilay hitanao, dia tanimanga novolavolain\u2019ny mpanefy ny ampahany tamin\u2019ny tongotr\u2019ilay sarivongana sy ny rantsantongony, fa vy kosa ny ampahany. Dia ho voazarazara toy izany koa ilay fanjakana, nefa ho mafy toy ny vy ny ampahany aminy satria vy nifangaro tanimanga mbola lena no hitanao.",
        "42": "Nisy ampahany vy ny rantsantongony, sady nisy ampahany tanimanga. Hisy ampahany amin\u2019ilay fanjakana \u00e0ry hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.",
        "43": "Araka ilay hitanao, dia tanimanga mbola lena no nifangaro tamin\u2019ny vy. Mitovy amin\u2019izany koa fa hisy ampahany amin\u2019ilay fanjakana hifangaro amin\u2019ny vahoaka. Tsy hitambatra amin\u2019ny iray mihitsy anefa ny iray, sahala amin\u2019ny vy tsy mety mitambatra amin\u2019ny tanimanga.",
        "44": "\u201cAmin\u2019ny andron\u2019ireo mpanjaka ireo, dia hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra. Tsy ho rava mihitsy izy io sady tsy homena olon-kafa. Dia hotorotoroin\u2019io fanjakana io sy hofoanany ny fanjakana hafa rehetra, fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.",
        "45": "Araka ilay hitanao mantsy, dia nisy vato nendahana avy tamin\u2019ny tendrombohitra, nefa tsy nendahana tamin\u2019ny tanana. Dia notorotoroin\u2019ilay vato ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy, ary ny volamena. Koa nampahafantarin\u2019ilay Andriamanitra Be\u00a0Voninahitra tamin\u2019ny mpanjaka ny zavatra hitranga any aoriana any. Tsy maintsy ho tanteraka ilay nofy, ary azo itokisana ny dikany.\u201d",
        "46": "Dia niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019i Daniela i Nebokadnezara Mpanjaka, sady nanome voninahitra azy. Ary nanome baiko izy hoe homena fanomezana i Daniela sady handoroana emboka manitra.",
        "47": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Daniela: \u201cTena Andriamanitry ny andriamanitra tokoa ilay Andriamanitrareo, sady Tompon\u2019ireo mpanjaka ary Mpampiharihary zava-miafina, satria vitanao ny nampahafantatra an\u2019ilay zava-miafina.\u201d",
        "48": "Nomen\u2019ny mpanjaka toerana ambony i Daniela avy eo, sady nomeny fanomezana tena tsara be dia be. Notendreny ho filohan\u2019ny faritanin\u2019i Babylona koa izy, sady ho mpiadidy hifehy ny olon-kendry rehetra tao Babylona.",
        "49": "Ary notendren\u2019ny mpanjaka hitantana ny raharaham-panjakana tao amin\u2019ny faritanin\u2019i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, noho ny fangatahan\u2019i Daniela. I Daniela kosa nanompo tao an-dapan\u2019ny mpanjaka."
    },
    "3": {
        "1": "Nanao sarivongana volamena i Nebokadnezara Mpanjaka, ka 60\u00a0hakiho ny haavony, ary 6\u00a0hakiho ny sakany. Ary natsangany teo amin\u2019ny lemak\u2019i Dora tao amin\u2019ny faritanin\u2019i Babylona ilay izy.",
        "2": "Dia naniraka olona i Nebokadnezara Mpanjaka mba hamory ny lehibem-paritany, ny mpiadidy, ny governora, ny mpanolo-tsaina, ny mpitahiry ny harenam-panjakana, ny mpitsara, ny mpahay lal\u00e0na, ary izay rehetra nitantana ny raharaham-panjakana tany amin\u2019ny faritany. Nasaina ho tonga amin\u2019ny fitokanana an\u2019ilay sarivongana natsangan\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka izy rehetra ireo.",
        "3": "Koa nivory mba hitokana an\u2019ilay sarivongana natsangan\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka ny lehibem-paritany, ny mpiadidy, ny governora, ny mpanolo-tsaina, ny mpitahiry ny harenam-panjakana, ny mpitsara, ny mpahay lal\u00e0na, ary izay rehetra nitantana ny raharaham-panjakana tany amin\u2019ny faritany. Ary nijoro teo anoloan\u2019ilay sarivongana natsangan\u2019i Nebokadnezara izy ireo.",
        "4": "Dia niantsoantso mafy ny mpitondra hafatra hoe: \u201cIzao no baiko omena anareo, ry\u00a0vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny:",
        "5": "Rehefa henonareo ny feon\u2019ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka sy mivavaka amin\u2019ilay sarivongana volamena natsangan\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka ianareo.",
        "6": "Ary izay tsy miankohoka na mivavaka amin\u2019ilay sarivongana, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.\u201d",
        "7": "Koa niankohoka sy nivavaka tamin\u2019ilay sarivongana volamena natsangan\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny, rehefa naheno ny feon\u2019ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany.",
        "8": "Tamin\u2019izay dia nisy Kaldeanina nankeo amin\u2019ny mpanjaka ka niampanga an\u2019ireo Jiosy.",
        "9": "Dia hoy izy ireo tamin\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka: \u201cHo ela velona anie ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "10": "Efa namoaka didy ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, fa izay maheno ny feon\u2019ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tokony hiankohoka sy hivavaka amin\u2019ilay sarivongana volamena.",
        "11": "Ary izay tsy miankohoka na mivavaka amin\u2019ilay sarivongana dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.",
        "12": "Misy Jiosy tsy niraharaha ny teninao anefa, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4! Tsy iza izany fa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, izay notendrenao hitantana ny raharaham-panjakana eto amin\u2019ny faritanin\u2019i Babylona. Tsy manompo an\u2019ireo andriamanitrao mantsy ry\u00a0zareo, sady tsy mety mivavaka amin\u2019ilay sarivongana volamena natsanganao.\u201d",
        "13": "Dia romotra be i Nebokadnezara ka nanome baiko mba hoentina eo aminy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Koa nentina teo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy ireo.",
        "14": "Ary hoy i Nebokadnezara taminy: \u201cTena marina tokoa ve, ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa tsy manompo an\u2019ireo andriamanitro, hono, ianareo, sady tsy mety mivavaka amin\u2019ilay sarivongana volamena natsangako?",
        "15": "Raha vonona hiankohoka sy hivavaka amin\u2019ilay sarivongana nataoko anefa ianareo izao, rehefa maheno ny feon\u2019ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsara izany. Fa raha tsy mety mivavaka amin\u2019ilay sarivongana kosa ianareo, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mivaivay. Fa iza koa no andriamanitra mahavita mamonjy anareo eo am-pelatanako?\u201d",
        "16": "Dia hoy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cTsy mila mamaly anao momba an\u2019izany akory izahay, ry\u00a0Nebokadnezara\u00a0\u00f4!",
        "17": "Raha tsy maintsy atsipy ao anatin\u2019ny lafaoro misy afo mivaivay izahay, dia mahavita mamonjy anay avy ao sy mamonjy anay eo am-pelatananao ilay Andriamanitra tompoinay, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "18": "Fa na tsy hamonjy anay aza anefa izy, dia tianay ho fantatrao fa tsy hanompo an\u2019ireo andriamanitrao izahay, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, sady tsy hivavaka amin\u2019ilay sarivongana volamena natsanganao.\u201d",
        "19": "Dia tezitra be tamin\u2019i Sadraka sy Mesaka ary Abednego i Nebokadnezara, ka niova be mihitsy ny tarehiny. Ary nanome baiko izy hoe tokony hohafanaina avo fito heny noho ny mahazatra ilay lafaoro.",
        "20": "Nomeny baiko koa ny miaramila matanjaka sasany tao amin\u2019ny tafiny mba hamatotra an\u2019i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ka hanipy azy ireo ao anatin\u2019ilay lafaoro misy afo mivaivay.",
        "21": "Dia nafatotra izy telo lahy. Mbola teny aminy ny fitafiany ivelany, ny akanjony, ny satrony, ary ny fitafiany hafa, tamin\u2019izy ireo natsipy tao anatin\u2019ilay lafaoro misy afo mivaivay.",
        "22": "Koa satria hentitra\u00a0be ny baikon\u2019ny mpanjaka sady faran\u2019izay nahamay be ilay lafaoro, dia ireo lehilahy nibata an\u2019i Sadraka sy Mesaka ary Abednego indray no matin\u2019ny lelafo.",
        "23": "Fa izy telo lahy kosa, izany hoe i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nilatsaka tao anatin\u2019ilay lafaoro misy afo mivaivay, sady mbola nifatotra.",
        "24": "Dia raiki-tahotra i Nebokadnezara Mpanjaka ka nitsangana haingana. Ary hoy izy tamin\u2019ny manam-pahefana ambony: \u201cAngaha moa tsy telo lahy no nafatotsika sy natsipintsika tao anaty afo?\u201d Dia hoy ireo tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cMarina izany, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d",
        "25": "Ary hoy izy: \u201cJereo anefa fa efa-dahy no hitako mandehandeha ao anaty afo! Tsy mifatotra ry\u00a0zareo sady tsy misy maninona. Ary hoatran\u2019ny zanak\u2019ireo andriamanitra ilay fahefatra.\u201d",
        "26": "Nankeo am-baravaran\u2019ilay lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnezara, ka niteny hoe: \u201cRy\u00a0Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpanompon\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra! Mivoaha dia avia at\u1ef3!\u201d Dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.",
        "27": "Ary hitan\u2019ny lehibem-paritany sy ny mpiadidy sy ny governora ary ny manam-pahefana ambony tafavory teo fa tsy nampaninona azy ireo ny afo. Tsy nisy nikainkona koa ny volon-dohany, tsy niova ny fitafiany ivelany, ary tsy nisy fofon\u2019afo akory aza taminy.",
        "28": "Hoy i Nebokadnezara avy eo: \u201cHoderaina anie ilay Andriamanitr\u2019i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa naniraka ny anjeliny izy hamonjy ny mpanompony! Natoky azy mantsy ry\u00a0zareo ka tsy nety nanaraka ny baikon\u2019ny mpanjaka, fa naleony aza maty toy izay hanompo na hivavaka amin\u2019andriamani-kafa afa-tsy ny Andriamaniny ihany.",
        "29": "Koa mamoaka didy aho fa hotetitetehina izay vahoaka na firenena na olona avy amin\u2019ny fiteny samy hafa ka miteny zavatra hanoherana an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Hatao kabinem-bahoaka koa ny tranony. Fa tsy misy andriamani-kafa mahavita mamonjy hoatr\u2019azy.\u201d",
        "30": "Dia nomen\u2019ny mpanjaka toerana ambony tao amin\u2019ny faritanin\u2019i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego."
    },
    "4": {
        "1": "\u201cIzao no tenin\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka ho an\u2019ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra eran-tany: Hitombo be anie ny fiadananareo!",
        "2": "Faly aho milaza aminareo ny famantarana sy ny zava-mahagaga nataon\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.",
        "3": "Lehibe tokoa ny famantarana nataony, ary tena miavaka ny zava-mahagaga nataony! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fitondrany haharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "4": "\u201cIzaho Nebokadnezara dia niadana be er\u1ef3 tato an-tranoko, sady nandeha tsara ny fiainako tato an-dapako.",
        "5": "Nanonofy aho, ary nampatahotra ahy ilay izy. Nampatahotra be ahy ny sary sy fahitana hitako tao an-tsaiko tao, tamin\u2019izaho natory teo am-pandrianako.",
        "6": "Koa namoaka didy aho hoe hoentina eo anatrehako ny olon-kendry rehetra eto Babylona, mba hilaza amiko ny dikan\u2019ilay nofy.",
        "7": "\u201cDia nankao amiko ny mpisorona mpanao sikidy, ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, ny Kaldeanina, ary ny mpanandro. Tsy nahavita nilaza tamiko ny dikan\u2019ilay nofy anefa izy ireo, rehefa nolazaiko taminy ilay nofy.",
        "8": "Farany, dia nankao amiko i Daniela, ilay atao hoe Beltesazara araka ny anaran\u2019ny andriamanitro. Ary miasa aminy ny fanahin\u2019ireo andriamanitra masina. Dia nolazaiko taminy ilay nofy hoe:",
        "9": "\u201c\u2018Ry Beltesazara lehiben\u2019ny mpisorona mpanao sikidy\u00a0\u00f4! Fantatro tsara fa miasa aminao ny fanahin\u2019ireo andriamanitra masina, ka tsy misy zava-miafina tsy hainao hazavaina. Hazavao amiko \u00e0ry ny fahitana hitako tao amin\u2019ny nofy, dia lazao amiko ny dikany.",
        "10": "\u201c\u2018Tao amin\u2019ny fahitana hitako tamin\u2019izaho tao am-pandrianako, dia nahita hazo anankiray teo afovoan\u2019ny tany aho. Avo\u00a0be mihitsy ilay izy.",
        "11": "Nitombo ilay hazo, ary lasa matanjaka be. Nanakatra ny lanitra ny tendrony, ka tazana hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ilay izy.",
        "12": "Tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany, ary nisy sakafo ho an\u2019ny rehetra teo aminy. Nialokaloka teo ambaniny koa ny bibidia, dia nipetraka teny amin\u2019ny sampany ny voro-manidina, ary nahazo sakafo avy taminy ny zavaboary rehetra.",
        "13": "\u201c\u2018Ary raha mbola nijery an\u2019ireo fahitana ireo aho tamin\u2019izaho tao am-pandrianako, dia nahita mpiambina anankiray, iraka masina nidina avy any an-danitra.",
        "14": "Niantsoantso mafy izy hoe: \u201cKapao io hazo io, tapaho ny sampany, ahintsano ny raviny, ary aparitaho ny voany! Dia handositra hiala eo ambaniny ny bibidia, ary hiala eny amin\u2019ny sampany ny vorona.",
        "15": "Avelao eo amin\u2019ny tany, eo amin\u2019ny ahitra any an-tsaha, anefa ny fotony sy ny fakany, ka gejao amin\u2019ny vy sy varahina. Dia avelao ho lenan\u2019ny andon\u2019ny lanitra ny fotony, ka hiaraka amin\u2019ny bibidia eny amin\u2019ny ahitra amin\u2019ny tany.",
        "16": "Aleo hovana ho fom-biby ny fony mba tsy ho fon\u2019olombelona intsony. Ary aleo holanina aminy ny fe-potoana fito.",
        "17": "Izany no didy nolazain\u2019ny mpiambina, sy didim-pitsarana nolazain\u2019ireo masina, mba ho fantatry ny velona fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin\u2019ny fanjakan\u2019ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an\u2019izany, na dia ny ambany indrindra amin\u2019ny olombelona aza.\u201d",
        "18": "\u201c\u2018Izany no hitako tao amin\u2019ny nofiko, izaho Nebokadnezara Mpanjaka. Koa hazavao ny dikan\u2019ilay nofy, ry\u00a0Beltesazara\u00a0\u00f4, satria tsy misy mahavita milaza an\u2019izany amiko ny olon-kendry hafa rehetra eto amin\u2019ny fanjakako. Fa ianao kosa no mahavita an\u2019izany, satria miasa aminao ny fanahin\u2019ireo andriamanitra masina.\u2019",
        "19": "\u201cTamin\u2019izay dia ankona tsy nahateny vetivety i Daniela, ilay atao hoe Beltesazara, ary lasa nampatahotra azy ny eritreriny. \u201cDia hoy ny mpanjaka: \u2018Aza atao mampatahotra anao ilay nofy sy ny dikany, ry\u00a0Beltesazara\u00a0\u00f4!\u2019 \u201cAry hoy i Beltesazara: \u2018Enga anie hihatra amin\u2019izay mankahala anao ilay nofy, tompoko\u00a0\u00f4, ary enga anie ho tanteraka amin\u2019ny fahavalonao ny dikan\u2019ilay nofy!",
        "20": "\u201c\u2018Ilay hazo hitanao nitombo be sy lasa matanjaka ary nanakatra ny lanitra ny tendrony ka tazana nanerana ny tany,",
        "21": "sady nisy raviny tsara tarehy sy voany be\u00a0dia\u00a0be ary nisy sakafo ho an\u2019ny rehetra, sady nipetrahan\u2019ny bibidia teo ambaniny, ary nipetrahan\u2019ny voro-manidina teny amin\u2019ny sampany,",
        "22": "dia ianao izany, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4. Lasa lehibe sy natanjaka mantsy ianao, ary nitombo be nanakatra ny lanitra ny voninahitrao. Tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany koa ny fanjakanao.",
        "23": "\u201c\u2018Nahita mpiambina ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, dia iraka masina iray nidina avy any an-danitra, nilaza hoe: \u201cKapao io hazo io dia poteho, nefa avelao eo amin\u2019ny tany, eo amin\u2019ny ahitra any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany ka gejao amin\u2019ny vy sy varahina. Dia avelao ho lenan\u2019ny andon\u2019ny lanitra ny fotony ka hiaraka amin\u2019ny bibidia, mandra-pahatapitry ny fe-potoana fito.\u201d",
        "24": "Izao no dikany, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, ary izany no didin\u2019ilay Avo Indrindra tsy maintsy hihatra amin\u2019ny mpanjaka tompoko:",
        "25": "Horoahina hiala amin\u2019ny olona ianao, ka hiara-mipetraka amin\u2019ny bibidia. Homena ahitra ianao dia hihinana ahitra hoatran\u2019ny omby, ary ho lenan\u2019ny andon\u2019ny lanitra. Ary havela holanina aminao ny fe-potoana fito, mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin\u2019ny fanjakan\u2019ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an\u2019izany.",
        "26": "\u201c\u2018Nasaina navela anefa ny fototr\u2019ilay hazo sy ny fakany, ka midika izany fa haverina aminao indray ny fanjakanao rehefa fantatrao fa ny lanitra no mitondra.",
        "27": "Koa mba ekeo re ny torohevitro, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4! Aza manota intsony fa manaova ny tsara. Dia aza manao ratsy intsony fa iantrao ny mahantra, amin\u2019izay angamba mba haharitra kokoa ny fiadananao.\u2019\u201d",
        "28": "Nihatra tamin\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka daholo izany rehetra izany.",
        "29": "Roa ambin\u2019ny folo volana taorian\u2019izay, dia nandehandeha teny amin\u2019ny tafon\u2019ny lapam-panjakan\u2019i Babylona ny mpanjaka.",
        "30": "Ary hoy izy: \u201cTsy ity ve no Babylona Lehibe, ilay naoriko tamin\u2019ny tanjaky ny heriko mba ho lasa lapam-panjakana sy hahazoako voninahitra lehibe?\u201d",
        "31": "Raha mbola niteny an\u2019izany ny mpanjaka, dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: \u201cIzao no lazaina aminao, ry\u00a0Nebokadnezara Mpanjaka\u00a0\u00f4: \u2018Nesorina taminao ny fanjakana,",
        "32": "ary horoahina hiala amin\u2019ny olombelona ianao. Hiara-mipetraka amin\u2019ny bibidia ianao, ary homena ahitra dia hihinana ahitra hoatran\u2019ny omby. Havela holanina aminao ny fe-potoana fito mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin\u2019ny fanjakan\u2019ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an\u2019izany.\u2019\u201d",
        "33": "Tamin\u2019izay indrindra no tanteraka tamin\u2019i Nebokadnezara izany teny izany. Dia noroahina niala tamin\u2019ny olombelona izy, ary nanomboka nihinana ahitra hoatran\u2019ny omby. Lenan\u2019ny andon\u2019ny lanitra ny vatany, ka lasa naniry lava be toy ny volon\u2019ny voromahery ny volony, ary lava be toy ny hohon\u2019ny vorona ny hohony.",
        "34": "\u201cRehefa tapitra izany fotoana izany, dia nijery ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary niverina indray ny saiko. Dia nidera an\u2019ilay Avo Indrindra aho, sady nidera sy nanome voninahitra an\u2019Ilay velona mandrakizay. Fitondrana mandrakizay mantsy ny fitondrany, ary haharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby ny fanjakany.",
        "35": "Tsinontsinona ny mponina rehetra eto an-tany, raha ampitahaina aminy. Manao izay sitrapony rehetra izy, eo amin\u2019ny tafiky ny lanitra sy ny mponina eto an-tany. Tsy misy mahasakana azy, na afaka miteny aminy hoe: \u2018Fa inona ity ataonao?\u2019",
        "36": "\u201cTamin\u2019izay indrindra no nody indray ny saiko, dia lasa mpanjaka ambony sady be\u00a0voninahitra indray aho. Nitady ahy mafy ny manam-pahefana sy ny olona ambony, ka naverina teo amin\u2019ny fanjakako indray aho, ary vao mainka nahazo voninahitra.",
        "37": "\u201cKoa midera sy manandratra ary mankalaza an\u2019ilay Mpanjakan\u2019ny lanitra izaho Nebokadnezara, satria tsara sy ara-drariny daholo ny zavatra ataony, ary vitany ny mampietry an\u2019izay manambony tena.\u201d"
    },
    "5": {
        "1": "Nanao fanasambe ho an\u2019ny olona ambony 1\u00a0000 lahy i Belsazara Mpanjaka, ka nisotro divay teo anatrehan\u2019ireo.",
        "2": "Rehefa mamomamo iny i Belsazara, dia nanome baiko izy hoe hoentina eo aminy ny kaopy volamena sy volafotsy, izay nalain\u2019i Nebokadnezara rainy avy tao amin\u2019ny tempoly tany Jerosalema. Nasainy nentina teo izany mba hisotroan\u2019ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.",
        "3": "Dia nentina ny kaopy volamena nalaina tao amin\u2019ny tempolin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitra tany Jerosalema, ka nisotroan\u2019ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.",
        "4": "Nisotro divay izy ireo, sady nidera an\u2019ireo andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.",
        "5": "Tamin\u2019izay indrindra no nisy rantsantanan\u2019olona nipoitra ka nanoratra teo amin\u2019ilay rindrina voalalotra tsara, teo ampitan\u2019ny fitoeran-jiro, tao an-dapan\u2019ny mpanjaka. Ary hitan\u2019ny mpanjaka ilay tanana nanoratra.",
        "6": "Dia lasa hatsatra ny tarehin\u2019ny mpanjaka, sady nampatahotra\u00a0be azy ny eritreriny, ary nangovitra ny andilany. Nangovitra be koa ny lohaliny ka nifandona.",
        "7": "Dia niantsoantso mafy ny mpanjaka mba hasaina hankeo aminy ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, sy ny Kaldeanina, ary ny mpanandro. Dia hoy izy tamin\u2019ireo olon-kendrin\u2019i Babylona ireo: \u201cIzay mahavaky an\u2019io soratra io ka milaza amiko ny dikany, dia hampanaovina akanjo volomparasy, sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary izy no ho mpitondra fahatelo eto amin\u2019ny fanjakana.\u201d",
        "8": "Dia tonga daholo ny olon-kendrin\u2019ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavita namaky an\u2019ilay soratra na nahay nilaza ny dikany tamin\u2019ny mpanjaka.",
        "9": "Koa natahotra be i Belsazara Mpanjaka, ka vao mainka lasa hatsatra ny tarehiny. Ary tsy hitan\u2019ny olona ambony intsony izay hatao.",
        "10": "Ary naheno ny tenin\u2019ny mpanjaka sy ny olona ambony ny renin\u2019ny mpanjaka, ka niditra tao amin\u2019ny efitrano nanaovana an\u2019ilay fanasana. Dia hoy izy: \u201cHo ela velona anie ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4! Aza atao mampatahotra anao ny eritreritrao, ary aza avela ho hatsatra ny tarehinao.",
        "11": "Misy lehilahy iray manana ny fanahin\u2019ireo andriamanitra masina, eto amin\u2019ny fanjakanao. Tamin\u2019ny andron\u2019i Nebokadnezara Mpanjaka rainao, dia hita fa nanam-pahalalana sady lalin-tsaina izy, ary nanana fahendrena toy ny an\u2019ireo andriamanitra. Ary izy no notendren\u2019ny rainao ho lehiben\u2019ny mpisorona mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin\u2019ny maty sy ny Kaldeanina ary ny mpanandro. Izany no nataon\u2019ny rainao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "12": "Fa marani-tsaina tsy misy hoatr\u2019izany i Daniela, izay nantsoin\u2019ny mpanjaka hoe Beltesazara, ary manam-pahalalana sy lalin-tsaina, ka mahay milaza ny dikan\u2019ny nofy, sady mahavita manazava ny dikan\u2019ny teny saro-pantarina sy mahavaha olana saro-bahana. Dia aleo izy hampanantsoina fa holazainy aminao ny dikan\u2019io soratra io.\u201d",
        "13": "Dia nentina teo anatrehan\u2019ny mpanjaka i Daniela. Ary hoy ny mpanjaka taminy: \u201cIanao ve izany Daniela anisan\u2019ny natao sesitany avy any Joda izany, ilay nentin\u2019ny mpanjaka raiko niala tany Joda?",
        "14": "Henoko fa ao aminao ny fanahin\u2019ireo andriamanitra. Manam-pahalalana sy lalin-tsaina ary hendry tsy misy hoatr\u2019izany koa, hono, ianao.",
        "15": "Ary nentina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpila hevitra amin\u2019ny maty, mba hamaky an\u2019io soratra io sy hilaza amiko ny dikany. Tsy mahavita milaza ny dikan\u2019ilay soratra anefa izy ireo.",
        "16": "Efa henoko kosa ny momba anao, fa mahay milaza ny dikan\u2019ny zava-miafina sy mahavaha olana saro-bahana, hono, ianao. Dia raha hainao ny mamaky an\u2019io soratra io ka lazainao amiko ny dikany, dia hampanaovina akanjo volomparasy ianao sady hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ianao no ho mpitondra fahatelo eto amin\u2019ny fanjakana.\u201d",
        "17": "Ary hoy i Daniela tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cAoka ihany ho anao ny fanomezanao, dia omeo olon-kafa ny valisoa tianao homena. Hovakiko aminao ihany anefa, ry\u00a0mpanjaka, io soratra io, ary holazaiko aminao ny dikany.",
        "18": "Ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4! Nomen\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra an\u2019i Nebokadnezara rainao ny fanjakana sy ny fahalehibeazana sy ny voninahitra ary ny fahefana.",
        "19": "Ary nangovitra sy natahotra azy ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra, noho ny fahalehibeazana nomen\u2019Andriamanitra azy. Izay tiany hovonoina mantsy dia novonoiny, ary izay tiany ho velona dia navelany ho velona. Izay tiany hasandratra koa dia nasandrany, ary izay tiany haetry dia naetriny.",
        "20": "Nirehareha anefa ny fony ary lasa mafy loha izy, ka lasa sahisahy ratsy nanao ny tsy tokony hatao. Koa naongana tsy ho eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny fanjakany izy, ary nesorina taminy ny voninahiny.",
        "21": "Noroahina niala tamin\u2019ny olombelona izy, sady novana ho lasa hoatran\u2019ny fom-biby ny fony, ary niara-nipetraka tamin\u2019ny ampondradia izy. Nomena ahitra izy dia nihinana ahitra hoatran\u2019ny omby, ary lenan\u2019ny andon\u2019ny lanitra ny vatany, mandra-pahafantany fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no Mpitondra eo amin\u2019ny fanjakan\u2019ny olombelona, ka izy no manendry an\u2019izay tiany hitondra eo.",
        "22": "\u201cTsy mba nanetry tena anefa ianao tao am-ponao, ry\u00a0Belsazara zanany lahy, na dia fantatrao aza izany rehetra izany.",
        "23": "Nanandra-tena hanohitra ny Tompon\u2019ny lanitra kosa ianao, ary nasainao nentina teto anatrehanao ireo kaopy tao an-tranony. Dia nisotro divay tamin\u2019ireny ianao sy ny olona ambony, ary ny vadikelinao sy ny vadinao hafa, sady nidera an\u2019ireo andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato. Tsy mahita na maheno na mahalala na inona na inona anefa ireny. Tsy mba nomenao voninahitra kosa ilay Andriamanitra tompon\u2019ny ainao sy manana fahefana amin\u2019izay rehetra ataonao.",
        "24": "Izany no nahatonga azy handefa an\u2019io tanana io, ka nampisy an\u2019io soratra io.",
        "25": "Izao ilay soratra: MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA.",
        "26": "\u201cDia izao avy no dikan\u2019ireo teny ireo: MENE: Nisain\u2019Andriamanitra ny andro naharetan\u2019ny fanjakanao ka nofaranany.",
        "27": "\u201cTEKELA: Nolanjaina tamin\u2019ny mizana ianao ka hita hoe tsy ampy lanja.",
        "28": "\u201cPERESA: Nozaraina ny fanjakanao, ka homena ho an\u2019ny Medianina sy ny Persianina.\u201d",
        "29": "Dia namoaka didy i Belsazara ka nampanaovina akanjo volomparasy i Daniela, ary nasiana rojo volamena ny vozony. Dia nasaina nambara fa izy no ho mpitondra fahatelo eo amin\u2019ny fanjakana.",
        "30": "Tamin\u2019iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara mpanjakan\u2019ny Kaldeanina.",
        "31": "Ary i Dariosy Medianina no nandray ny fanjakana, tamin\u2019izy 62\u00a0taona teo ho\u00a0eo."
    },
    "6": {
        "1": "Ary hitan\u2019i Dariosy hoe tsara raha manendry lehibem-paritany 120 izy hitantana an\u2019ilay fanjakana manontolo.",
        "2": "Nisy manam-pahefana ambony telo niandraikitra azy ireo, ka anisan\u2019izany i Daniela. Nandefa tatitra tsy tapaka tany amin\u2019ireo manam-pahefana ambony ireo ny lehibem-paritany, mba tsy hisy fatiantoka ho an\u2019ny mpanjaka.",
        "3": "Ary niavaka foana i Daniela raha oharina amin\u2019ireo manam-pahefana ambony sy lehibem-paritany, satria narani-tsaina tsy nisy hoatr\u2019izany izy. Dia nieritreritra ny hanandratra azy hitantana ny fanjakana manontolo ny mpanjaka.",
        "4": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia nitady antony hiampangana an\u2019i Daniela momba ny raharaham-panjakana ny manam-pahefana ambony sy ny lehibem-paritany. Tsy nahita zavatra azo iampangana azy anefa izy ireo, sady tsy afaka niampanga azy ho nanao ny tsy marina, satria mendri-pitokisana izy. Tsy mba nanao kitoatoa mihitsy koa izy sady nanao ny marina foana.",
        "5": "Dia hoy ireo lehilahy ireo: \u201cTsy hahita zavatra hiampangana an\u2019io Daniela io mihitsy isika, raha tsy hoe zavatra mifandray amin\u2019ny lal\u00e0n\u2019ny Andriamaniny angaha.\u201d",
        "6": "Dia nirohotra nankao amin\u2019ny mpanjaka ireo manam-pahefana ambony sy lehibem-paritany ireo, ka niteny hoe: \u201cHo velona mandrakizay anie ianao, ry\u00a0Dariosy Mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "7": "Nikaon-doha daholo ny manam-pahefana eto amin\u2019ny fanjakana, ny mpiadidy, ny lehibem-paritany, ny lehiben\u2019ny tandapa, ary ny governora ka nifanaraka hoe aleo hasiana lal\u00e0m-panjakana mampanan-kery an\u2019izao fandrarana izao: Izay manao fangatahana ato anatin\u2019ny 30\u00a0andro, na amin\u2019andriamanitra izany na amin\u2019olona, afa-tsy aminao ihany, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, dia hatsipy ao an-davaky ny liona.",
        "8": "Dia mba avoahy izany lal\u00e0na izany, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, ka ataovy sonia mba tsy ho azo ovana, araka ny lal\u00e0n\u2019ny Medianina sy ny Persianina, izay tsy azo foanana.\u201d",
        "9": "Koa nosoniavin\u2019i Dariosy Mpanjaka ilay lal\u00e0na sy ilay fandrarana.",
        "10": "Vao henon\u2019i Daniela anefa hoe efa vita sonia ilay lal\u00e0na, dia nankao an-tranony izy. Nisokatra tandrifin\u2019i Jerosalema ny varavarankelin\u2019ny efitranony tany an-tampon-trano. Dia nandohalika sy nivavaka ary nidera ny Andriamaniny intelo isan\u2019andro izy, araka ny efa fanaony talohan\u2019izay.",
        "11": "Tamin\u2019izay no nirohotra niditra ireo lehilahy ireo, ka nahita an\u2019i Daniela nangataka sy nitalaho famindram-po tamin\u2019ny Andriamaniny.",
        "12": "Koa nankao amin\u2019ny mpanjaka izy ireo, ka nampahatsiahy azy an\u2019ilay fandrarana navoakan\u2019ny mpanjaka. Dia hoy izy ireo: \u201cRy\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, angaha moa ianao tsy efa nanao sonia an\u2019ilay fandrarana hoe izay manao fangatahana ato anatin\u2019ny 30\u00a0andro, na amin\u2019andriamanitra izany na amin\u2019olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cIe, didy efa manan-kery izany, araka ny lal\u00e0n\u2019ny Medianina sy ny Persianina, izay tsy azo foanana.\u201d",
        "13": "Tonga dia niteny tamin\u2019ny mpanjaka izy ireo hoe: \u201cRy\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, i Daniela, ilay anisan\u2019ny babo avy any Joda, ange tsy niraharaha ny didinao sy ny fandrarana nosoniavinao\u00a0e! Fa izy mbola mivavaka intelo isan\u2019andro ihany.\u201d",
        "14": "Vao henon\u2019ny mpanjaka izany, dia tena nalahelo be izy. Ary nitady hevitra hamonjena an\u2019i Daniela izy, ka niezaka mafy hanavotra azy alohan\u2019ny hilentehan\u2019ny masoandro.",
        "15": "Farany, dia nirohotra nankao amin\u2019ny mpanjaka ireo lehilahy ireo, ka niteny hoe: \u201cRy\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4, tadidio fa araka ny lal\u00e0n\u2019ny Medianina sy ny Persianina, dia tsy azo ovana izay fandrarana na lal\u00e0na efa navoakan\u2019ny mpanjaka.\u201d",
        "16": "Koa nanome baiko ny mpanjaka, dia nentina i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Daniela: \u201cHamonjy anao ilay Andriamanitra tompoinao andro aman\u2019alina.\u201d",
        "17": "Avy eo dia nisy vato nalaina nanampenana an\u2019ilay lavaka. Ary nasian\u2019ny mpanjaka tombo-kase tamin\u2019ny peratra fanombohan-kaseny sy ny peratra fanombohan-kasen\u2019ny olona ambony ilay vato, mba tsy ho azo ovana ny lal\u00e0na nampiharina tamin\u2019i Daniela.",
        "18": "Dia nody tao an-dapany ny mpanjaka. Nifady hanina izy ny alin\u2019iny, sady tsy navelany hisy olona hampiala voly azy. Tsy nety nahita tory mihitsy koa izy.",
        "19": "Rehefa maraina ny andro, tamin\u2019ilay nangiran-dratsy iny, dia niarina ny mpanjaka ka nihazakazaka nankany amin\u2019ilay lavaky ny liona.",
        "20": "Rehefa teo akaikin\u2019ilay lavaka izy, dia niantsoantso an\u2019i Daniela sady nalahelohelo er\u1ef3 niteny hoe: \u201cRy\u00a0Daniela mpanompon\u2019ilay Andriamanitra velona\u00a0\u00f4! Nahavita namonjy anao tamin\u2019ny liona ihany ve ilay Andriamanitra tompoinao andro aman\u2019alina?\u201d",
        "21": "Tonga dia namaly i Daniela hoe: \u201cHo velona mandrakizay anie ianao, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "22": "Naniraka ny anjeliny ilay Andriamanitro ka nanakombona ny vavan\u2019ny liona, dia tsy naninona ahy mihitsy ny liona. Hita mantsy hoe tsy nanan-tsiny teo anatrehany aho. Sady tsy nanao ratsy taminao koa aho, ry\u00a0mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d",
        "23": "Dia faly be ny mpanjaka, ka nasainy nampiakarina avy tao amin\u2019ilay lavaka i Daniela. Rehefa tafakatra avy tao i Daniela, dia hita fa tsy naninona mihitsy izy, satria natoky an\u2019ilay Andriamaniny.",
        "24": "Nanome baiko ny mpanjaka avy eo, dia nalaina ireo lehilahy niampanga an\u2019i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona, niaraka tamin\u2019ny vady aman-janany. Mbola tsy tonga tany amin\u2019ny faran\u2019ilay lavaka akory izy ireo dia efa norambasan\u2019ny liona, ka nopotipotehiny daholo ny taolany.",
        "25": "Dia nanoratra ho an\u2019ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra eran-tany i Dariosy Mpanjaka hoe: \u201cHitombo be anie ny fiadananareo!",
        "26": "Mamoaka didy aho hoe tokony hangovitra sy hatahotra an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Daniela ny olona any amin\u2019ny faritra rehetra eran\u2019ny fanjakako. Fa izy no Andriamanitra velona sy maharitra mandrakizay. Tsy ho rava mihitsy ny fanjakany, ary maharitra mandrakizay ny fitondrany.",
        "27": "Mamonjy sy manafaka izy, ary manao famantarana sy zava-mahagaga eny amin\u2019ny lanitra sy et\u1ef3 an-tany, satria namonjy an\u2019i Daniela teny am-bavan\u2019ny liona.\u201d",
        "28": "Koa nilamina ny fiainan\u2019i Daniela nandritra ny fanjakan\u2019i Dariosy sy ny fanjakan\u2019i Kyrosy Persianina."
    },
    "7": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Belsazara mpanjakan\u2019i Babylona, dia nanonofy sy nahita fahitana i Daniela tamin\u2019izy natory teo am-pandrianany. Dia nosoratany ilay nofy, ka nataony an-tsoratra izay rehetra hitany sy henony.",
        "2": "Ary hoy izy: \u201cNijery tao amin\u2019ilay fahitana hitako tamin\u2019ny alina aho, ka izao no hitako: Nifofofofo be ny rivotra efatry ny lanitra, ka nisamboaravoara ny ranomasimbe.",
        "3": "Dia nisy biby ngezabe efatra nivoaka avy tao anaty ranomasina, ary samy hafa daholo izy ireo.",
        "4": "\u201cNitovy tamin\u2019ny liona ilay biby voalohany, saingy nanana elatry ny voromahery. Dia nijery ihany aho mandra-panongotra ny elany. Ningaina niala tamin\u2019ny tany izy, ka najoro tamin\u2019ny tongony roa hoatran\u2019ny olona mijoro, sady nomena fon\u2019olombelona.",
        "5": "\u201cDia iny koa nisy biby hafa. Io no biby faharoa, ary nitovy tamin\u2019ny orsa ilay izy. Ningaina ny ila tenany, ary nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany, teo anelanelan\u2019ny nifiny. Ary izao no nolazaina taminy: \u2018Mitsang\u00e0na dia mihin\u00e0na nofo be dia be.\u2019",
        "6": "\u201cMbola nijery aho taorian\u2019izay, dia iny nisy biby hafa nitovy tamin\u2019ny leopara. Nisy elatra efatra hoatran\u2019ny ela-borona teo an-damosiny, ary efatra ny lohany. Nomena fahefana hitondra io biby\u00a0io.",
        "7": "\u201cMbola nijery ihany aho taorian\u2019izay, tao amin\u2019ilay fahitana hitako tamin\u2019ny alina, dia nahita biby fahefatra. Nampahatahotra sy nampihoron-koditra ilay izy, sady natanjaka tsy nisy hoatr\u2019izany. Nanana nify vy ngezabe izy io, ary nandrapaka sy nanorotoro, ka izay sisa tsy laniny dia nohitsakitsahiny. Hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy, ary nanana tandroka folo.",
        "8": "Tamin\u2019izaho mbola nijery an\u2019ireo tandroka ireo, dia hitako fa nisy tandroka kely iray hafa nipoitra teo amin\u2019izy ireo. Dia niongotra teo anoloany ny telo tamin\u2019ireo tandroka voalohany. Nisy maso toy ny mason\u2019olona teo amin\u2019ilay tandroka kely, ary nisy vava nirehareha\u00a0be.",
        "9": "\u201cMbola nijery ihany aho dia nahita seza fiandrianana napetraka, ary nipetraka hitsara Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela\u00a0Be. Fotsy mangatsakatsaka ny akanjony, ary toy ny volonondry madio ny volon-dohany. Afo miredareda ny seza fiandrianany, ary afo mandoro ny kodiaran\u2019ilay izy.",
        "10": "Nisy renirano afo nikoriana sy nivoaka avy teo anatrehany. Arivoarivo no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany. Dia natomboka ny Fitsarana, ka nisy boky nosokafana.",
        "11": "\u201cMbola nijery ihany aho tamin\u2019izay fotoana izay satria henoko ny fireharehan\u2019ilay tandroka. Mbola nijery aho mandra-pamono an\u2019ilay biby, ary natsipy tao anaty afo ny fatiny mba ho may sy ho levona.",
        "12": "Ny fahefan\u2019ireo biby hafa kosa nesorina taminy. Nampitomboina fe-potoana iray sy vanim-potoana iray anefa ny androm-piainan\u2019izy ireo.",
        "13": "\u201cMbola nijery ihany aho, tao amin\u2019ilay fahitana hitako tamin\u2019ny alina. Dia iny nisy hoatran\u2019ny zanak\u2019olona nanatona, niaraka tamin\u2019ny rahon\u2019ny lanitra. Nahazo alalana hankeo amin\u2019Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela\u00a0Be izy, ka nentina teo anatrehany.",
        "14": "Ary nomena fitondrana sy voninahitra ary fanjakana izy, ka tokony hanompo azy daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandrakizay fa tsy handalo fotsiny, ary ny fanjakany tsy ho rava.",
        "15": "\u201cDia kivy be izaho Daniela tao anatiko tao, satria nampatahotra ahy ny fahitana hitako.",
        "16": "Ary nankeo amin\u2019ny iray tamin\u2019ireo nijoro teo aho, ka nanontaniako azy ny tena dikan\u2019ilay izy. Dia namaly ahy izy, ary nampahafantatra ahy ny dikan\u2019izany rehetra izany.",
        "17": "\u201c\u2018Ireo biby ngezabe efatra ireo dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin\u2019ny tany.",
        "18": "Ny olona masin\u2019ilay Andriamanitra Fara Tampony anefa no hahazo ny fanjakana. Ary homena azy ireo mandrakizay ny fanjakana, eny, mandrakizay mandrakizay.\u2019",
        "19": "\u201cAry tiako ho fantatra kokoa ny momba an\u2019ilay biby fahefatra, izay tsy nitovy tamin\u2019ny biby hafa rehetra. Tena faran\u2019izay nampahatahotra izy io, ary nanana nify vy sy hoho varahina ka nandrapaka sy nanorotoro. Ary izay sisa tsy laniny dia nohitsakitsahin\u2019ny tongony.",
        "20": "Tiako ho fantatra koa ny momba an\u2019ireo tandroka folo teo amin\u2019ny lohany, sy ilay tandroka hafa nipoitra ka nampianjera tandroka telo. Nanana maso io tandroka nipoitra io, dia nanana vava nirehareha\u00a0be. Ary ngeza noho ireo tandroka hafa ny fahitana azy.",
        "21": "\u201cMbola nijery ihany aho, ary hitako fa niady tamin\u2019ny olona masina ilay tandroka ka naharesy azy,",
        "22": "mandra-pahatongan\u2019Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela\u00a0Be. Dia nomena rariny ireo olona masin\u2019ilay Andriamanitra Fara Tampony. Ary tonga ny fotoana voatondro handraisan\u2019izy ireo ny fanjakana.",
        "23": "\u201cDia hoy izy: \u2018Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eny ambonin\u2019ny tany. Ho hafa noho ny fanjakana rehetra izy io, ary handrapaka ny tany manontolo, ka hanitsakitsaka sy hanorotoro azy.",
        "24": "Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo hipoitra avy amin\u2019io fanjakana io. Mbola hisy mpanjaka iray hafa koa hipoitra aorian\u2019izy ireo. Ho hafa noho ny teo alohany izy, ary handresy mpanjaka telo.",
        "25": "Ary hiteny zavatra hanoherana an\u2019ilay Avo Indrindra izy, ka hanenjika foana an\u2019ireo olona masin\u2019 ilay Andriamanitra Fara Tampony. Hikasa hanova fotoana sy lal\u00e0na koa izy, ary hatolotra eo am-pelatanany ireo olona masina, mandritra ny fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana.",
        "26": "Natomboka anefa ny Fitsarana, ka nesorina tamin\u2019io mpanjaka io ny fahefany, mba hofoanana sy horinganina tanteraka izy.",
        "27": "\u201c\u2018Ary nomena an\u2019ireo olona masin\u2019ilay Andriamanitra Fara Tampony ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibeazan\u2019ny fanjakana eny ambanin\u2019ny lanitra rehetra eny. Ny fanjakan\u2019izy ireo dia fanjakana haharitra mandrakizay. Ary hanompo sy hankat\u00f2 azy ireo ny fitondrana rehetra.\u2019",
        "28": "\u201cDia tapitra ilay fitantarana. Fa izaho Daniela kosa nitebiteby be noho ny eritreritro, ka lasa hatsatra ny tarehiko. Nataoko tao am-poko anefa ny zavatra hitako sy henoko.\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakan\u2019i Belsazara Mpanjaka, dia nahita fahitana izaho Daniela, taorian\u2019ilay hitako teo aloha.",
        "2": "Tao an-dapan\u2019i Sosana, any amin\u2019ny faritanin\u2019i Elama aho, tamin\u2019izaho nahita an\u2019ilay fahitana. Dia nijery an\u2019ilay fahitana aho, ary teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Olay aho tamin\u2019izay.",
        "3": "Dia nijery aho, ka nahita ondrilahy iray nijoro teo akaikin\u2019ilay renirano. Nanana tandroka roa izy io ary samy lava ireo tandroka ireo, saingy lava noho ny anankiray ny iray. Ilay lava kokoa anefa no nipoitra farany.",
        "4": "Ary hitako nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo ilay ondrilahy, ka tsy nisy bibidia nahavita nijanona teo anatrehany. Tsy nisy nahavonjy an\u2019izay resiny koa. Nanao izay tiany izy, sady nanambony tena.",
        "5": "Ary mbola nijery aho, dia hitako fa nisy osilahy iray avy any andrefana. Dia nitety ny tany manontolo izy io nefa tsy nitehi-tany. Ary nisy tandroka iray nisongadina\u00a0be teo anelanelan\u2019ny masony.",
        "6": "Dia iny ilay osilahy fa nanatona an\u2019ilay ondrilahy manana tandroka roa, izay hitako nijoro teo amoron\u2019ilay renirano. Nihazakazaka nanatona an\u2019ilay ondrilahy izy, sady romotry ny hatezerana.",
        "7": "Hitako nanakaiky an\u2019ilay ondrilahy ilay osilahy, sady tezitra be taminy. Dia nanoto an\u2019ilay ondrilahy izy, ka tapaka ny tandrok\u2019ilay ondrilahy, dia izy anankiroa. Tsy nanana hery hanoherana azy ilay ondrilahy, ka nazerany tamin\u2019ny tany sady nohitsakitsahiny. Ary tsy nisy nahavonjy an\u2019ilay ondrilahy avy teny an-tanany.",
        "8": "Ary nanambony tena loatra ilay osilahy, kanjo raha vao natanjaka izy, dia tapaka ilay tandroka ngezabe. Dia nisy tandroka efatra nipoitra nisolo azy io. Nisongadina\u00a0be ireo tandroka ireo, ary nitodika tany amin\u2019ny rivotra efatry ny lanitra.",
        "9": "Ary nisy tandroka kely iray nipoitra avy tamin\u2019ny iray tamin\u2019ireo tandroka ireo. Dia lasa ngezabe izy io, ka nitodika nianatsimo sy niantsinanana ary tany amin\u2019ilay Tany Kanto.",
        "10": "Lasa ngezabe mihitsy ilay izy, ka nipaka hatrany amin\u2019ny tafiky ny lanitra. Dia nazerany tamin\u2019ny tany ny sasany tao amin\u2019izany tafika izany, sy ny kintana sasany, ka nohitsakitsahiny.",
        "11": "Nanambony tena ilay izy, ka na ny Andrianan\u2019ny tafika aza nianjonanjonany. Nesorina tamin\u2019io Andriana io koa ny fanatitra atolotra tsy tapaka, ary narodana ilay toerana masina efa nataony mafy orina.",
        "12": "Ary noho ny fandikan-dal\u00e0na, dia navela hanjakazakan\u2019ilay tandroka ny tafika iray, ary natsahatra ny fanatitra atolotra tsy tapaka. Natsipin\u2019ilay tandroka tamin\u2019ny tany koa ny fahamarinana, ary nanao araka izay sitrapony izy sady nahomby.",
        "13": "Dia naheno anjely iray niteny aho, ary nisy anjely anankiray koa niteny tamin\u2019io anjely io hoe: \u201cFa hitohy mandra-pahoviana ny zava-mitranga voalazan\u2019ilay fahitana momba ny fanatitra atolotra tsy tapaka, sy momba ny fandikan-dal\u00e0na mahatonga faharavana? Mandra-pahoviana koa no hohitsakitsahina ny toerana masina sy ny tafika?\u201d",
        "14": "Dia hoy izy tamiko: \u201cMandra-pahatapitry ny 2\u00a0300 andro. Avy eo dia haverina amin\u2019ny laoniny tokoa ilay toerana masina.\u201d",
        "15": "Tamin\u2019izaho Daniela mbola nijery an\u2019ilay fahitana ka niezaka hahazo ny dikany, dia tampoka teo dia nahita hoatran\u2019ny lehilahy nijoro teo anatrehako aho.",
        "16": "Avy eo dia naheno feon\u2019olona teo afovoan\u2019ny reniranon\u2019i Olay aho, niantsoantso hoe: \u201cRy\u00a0Gabriela\u00a0\u00f4, mba ampahafantaro azy ny dikan\u2019ilay zavatra hitany.\u201d",
        "17": "Nankeo akaikin\u2019ilay nijoroako \u00e0ry i Gabriela. Rehefa tonga teo anefa izy, dia natahotra mafy aho ka niankohoka. Dia hoy izy: \u201cTsara ho fantatrao, ry\u00a0zanak\u2019olona, fa ho tanteraka amin\u2019ny fotoanan\u2019ny farany ilay fahitana.\u201d",
        "18": "Raha mbola niresaka tamiko anefa izy, dia renoky ny torimaso aho, ka nihohoka tamin\u2019ny tany. Nokasihiny \u00e0ry aho, ka natsangany teo amin\u2019ilay nijoroako.",
        "19": "Hoy izy avy eo: \u201cHampahafantariko anao izay hitranga any amin\u2019ny faran\u2019ny fotoana anamparan\u2019Andriamanitra ny hatezerany, satria ho tanteraka amin\u2019ny fotoana voatondro, amin\u2019ny fotoanan\u2019ny farany, ilay fahitana.",
        "20": "\u201cIlay ondrilahy manana tandroka roa hitanao, dia ny mpanjakan\u2019i Media sy Persa.",
        "21": "Ilay osilahy lava volo indray dia ny mpanjakan\u2019i Gresy, ary ilay tandroka ngezabe teo anelanelan\u2019ny masony dia ny mpanjaka voalohany.",
        "22": "Ary ilay tandroka tapaka ka nisy efatra nipoitra nisolo azy, dia midika hoe hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin\u2019ny fireneny, saingy tsy hitovy hery aminy.",
        "23": "\u201cAry rehefa hifarana ny fanjakan\u2019izy ireo, fa efa tafahoatra loatra ny ataon\u2019ny mpandika lal\u00e0na, dia hisy mpanjaka iray masiaka endrika hitsangana. Tena mahay mamorona tetika io mpanjaka io.",
        "24": "Ho lasa matanjaka be izy io, nefa tsy noho ny herin\u2019ny tenany. Handravarava tsy misy hoatr\u2019izany izy. Hahomby izy sady ho vitany tsara izay ataony. Dia hataony mitondra faisana ny matanjaka sy ny olona masina.",
        "25": "Fetsifetsy izy ka hampiasa fitaka, satria tiany hahomby izay ataony. Hirehareha be koa izy ao am-pony ao. Ary amin\u2019ilay fotoana mampilamina ny tany iny izy no handravarava ny maro. Na ilay Andrianan\u2019ny andriana aza ho sahiny hotoherina, ka ho torotoro izy nefa tsy hisy tanan\u2019olona hamely azy akory.",
        "26": "\u201cMarina ilay fahitana momba ny fanatitra takariva sy maraina. Taz\u00f2ny ho tsiambaratelo anefa ilay fahitana, satria mbola afaka andro maro vao ho tanteraka izany.\u201d",
        "27": "Dia reraka be izaho Daniela ka narary andro vitsivitsy. Niarina aho avy eo, ka niasa ho an\u2019ny mpanjaka, nefa hoatran\u2019ny mbola tsy tonga saina aho noho ilay zavatra hitako. Ary tsy nisy nahazo ny dikan\u2019ilay fahitana."
    },
    "9": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Dariosy, zanak\u2019i Ahasoerosy, taranaky ny Medianina, izay notendrena ho mpanjaka teo amin\u2019ny fanjakan\u2019ny Kaldeanina,",
        "2": "tamin\u2019ny taona voalohany nanjakany, dia nandinika an\u2019izay voalaza ao amin\u2019ny boky izaho Daniela. Lasa fantatro ny isan\u2019ny taona haharava an\u2019i Jerosalema, izay efa nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia mpaminany. Fantatro \u00e0ry fa 70\u00a0taona izany.",
        "3": "Koa nitodika tany amin\u2019i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, aho ka nivavaka sy nitalaho taminy. Nifady hanina sy niakanjo gony aho tamin\u2019izay, dia nihosin-davenona.",
        "4": "Nivavaka tamin\u2019i Jehovah Andriamanitro aho, ka nibaboka hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, Andriamanitra tena miavaka sady mendrika hatahorana ianao! Manaja ny fifanekena nataonao ianao, ka izay tia anao sy mankat\u00f2 ny didinao no tianao sady tsy ivadihanao.",
        "5": "Efa nanota izahay, ka nanao fahadisoana sy nanao ratsy ary nikomy. Tsy nanaraka ny didinao sy ny didim-pitsaranao intsony izahay.",
        "6": "Tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, nefa tamin\u2019ny anaranao no nitenenany tamin\u2019ny mpanjakanay, ny andriananay, ny razambenay, ary ny vahoaka manontolo.",
        "7": "Ianao no manao ny rariny, Jehovah\u00a0\u00f4, fa izahay kosa menatra. Menatra izahay mponin\u2019i Joda sy Jerosalema ary ny Israely rehetra izao, na ny lavitra na ny akaiky, dia izay any amin\u2019ny tany rehetra nanaparitahanao an-dry zareo noho izy nivadika taminao.",
        "8": "\u201cJehovah\u00a0\u00f4, menatra izahay! Menatra izahay sy ny mpanjakanay sy ny andriananay ary ny razambenay, satria efa nanota taminao.",
        "9": "Mamindra fo sy mamela heloka ianao, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4, nefa nikomy taminao izahay.",
        "10": "Tsy nankat\u00f2 ny teninao izahay, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray, ka tsy nanaraka ny lal\u00e0na nomenao anay tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany mpanomponao.",
        "11": "Nandika ny Lal\u00e0nao daholo ny Israely rehetra, sady tsy nankat\u00f2 ny teninao. Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.",
        "12": "Notanterahinao ny teny nanamelohanao anay sy ny mpitondra nitondra anay. Koa nandefasanao loza lehibe izahay, ary mbola tsy nisy loza hoatran\u2019ny nanjo an\u2019i Jerosalema mihitsy na taiza na taiza tet\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra.",
        "13": "Nihatra taminay izany loza rehetra izany, araka ny voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy. Mbola tsy nitalaho famindram-po taminao ihany anefa izahay, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray, ka tsy nibebaka tamin\u2019ny fahadisoanay, sady tsy niezaka hahalala ny fahamarinanao.",
        "14": "\u201cKoa niandry foana ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, dia farany nandefa loza taminay. Manao ny rariny amin\u2019izay rehetra ataonao mantsy ianao, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray, saingy tsy nankat\u00f2 ny teninao izahay.",
        "15": "\u201cRy Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4, efa nitondra ny vahoakanao nivoaka avy tany Ejipta tamin\u2019ny tanana matanjaka ianao, ary nataonao nalaza ny anaranao hatramin\u2019izao androany izao. Efa nanota sy nanao ratsy izahay.",
        "16": "Jehovah\u00a0\u00f4, nanao ny rariny foana ianao. Koa enga anie ianao mba tsy ho tezitra na hisafoaka intsony amin\u2019i Jerosalema tan\u00e0nanao sy tendrombohitrao masina! Fa noho ny fahotanay sy ny fahadisoan\u2019ny razambenay no nahatonga an\u2019i Jerosalema sy ny vahoakanao holatsain\u2019izay rehetra manodidina anay.",
        "17": "Mba henoy izao vavaka sy fitalahoan\u2019ny mpanomponao izao, ry\u00a0Andriamanitray\u00a0\u00f4! Ary noho ny anaranao, Jehovah\u00a0\u00f4, dia mba manaova soa amin\u2019ny toeranao masina efa rava.",
        "18": "Enga anie ianao mba hanongilan-tsofina ka hihaino, ry\u00a0Andriamanitro\u00a0\u00f4! Mba sokafy ny masonao ka jereo tsara fa rava ilay tan\u00e0na nantsoina tamin\u2019ny anaranao. Fa tsy noho izahay nanao ny tsara no italahoanay aminao, fa noho ianao be famindram-po.",
        "19": "Mba mihainoa, Jehovah\u00a0\u00f4! Mamel\u00e0 heloka\u00a0re, Jehovah\u00a0\u00f4! Mihainoa ka manaova zavatra, Jehovah\u00a0\u00f4! Aza ela, ry\u00a0Andriamanitro\u00a0\u00f4, noho ny anaranao, fa nantsoina tamin\u2019ny anaranao ny tan\u00e0nanao sy ny vahoakanao.\u201d",
        "20": "Raha mbola niteny sy nivavaka ary niaiky ny fahotako sy ny fahotan\u2019ny Israely fireneko aho, sady nitalaho famindram-po teo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitro momba ny tendrombohitra masin\u2019ilay Andriamanitro,",
        "21": "ary raha mbola nivavaka aho, dia nankeo amiko ilay lehilahy atao hoe Gabriela, izay efa hitako tao amin\u2019ilay fahitana teo aloha. Tokotokony ho tamin\u2019ny fotoana fanaovana ny fanatitra takariva tamin\u2019izay, ary tena reraka be aho.",
        "22": "Dia nanampy ahy hahazo ny dikan\u2019ny zava-drehetra izy, ka niteny hoe: \u201cRy Daniela\u00a0\u00f4, tonga aho mba hanampy anao hahafantatra sy hahazo tsara kokoa ny dikan\u2019ny zava-drehetra.",
        "23": "Vao nanomboka nitalaho ianao, dia nirahina aho ka tonga hilaza aminao izao hafatra izao, satria tena sarobidy ianao. Koa diniho izay holazaiko aminao, dia fantaro ny dikan\u2019ilay fahitana.",
        "24": "\u201cFitopolo herinandro no atokana ho an\u2019ny firenenao sy ny tan\u00e0nanao masina, mba hofaranana ny fandikan-dal\u00e0na, hatsahatra ny ota, havela ny fahadisoana, hatao maharitra mandrakizay ny fahamarinana, hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana, ary hotokanana ny Masina Indrindra.",
        "25": "Tokony ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin\u2019ny fotoana hivoahan\u2019ny didy hoe haverina amin\u2019ny laoniny sy haorina indray i Jerosalema, ka mandra-pahatongan\u2019ny Mesia Mpitarika, dia hisy 7 herinandro sy 62 herinandro. Haverina amin\u2019ny laoniny sy haorina indray i Jerosalema, sady hasiana tany malalaka sy hady. Amin\u2019ny fotoan-tsarotra anefa no hanaovana an\u2019izany.",
        "26": "\u201cAorian\u2019ireo 62 herinandro ireo, dia hovonoina ny Mesia, ka tsy hanana na inona na inona intsony. \u201cHandrava an\u2019ilay tan\u00e0na sy ny toerana masina ny tafiky ny mpitarika iray ho avy. Ary ho vita hatreo ny amin\u2019izy io, fa hisy tondra-drano. Hisy ady mandra-pahatongan\u2019ny farany, ary hisy fandravana, araka ny didy navoaka.",
        "27": "\u201cAry hataony manan-kery ho an\u2019ny olona maro mandritra ny herinandro ilay fifanekena. Rehefa misasaka io herinandro io, dia hofaranany ny sorona sy fanatitra atao fanomezana. \u201cAry hoentin\u2019ny elatry ny zava-maharikoriko ilay mpandrava. Hampiharina amin\u2019ilay efa rava koa ny didim-pitsarana, mandra-pahatongan\u2019ny fandringanana tanteraka.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakan\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa, dia nisy hafatra nampahafantarina an\u2019i Daniela, ilay antsoina hoe Beltesazara. Marina ilay hafatra, ary momba ny ady goavana iray ilay izy. Azon\u2019i Daniela ny dikan\u2019ilay hafatra, ary nampahafantarina azy ny dikan\u2019ilay zavatra hitany.",
        "2": "Nisaona nandritra ny telo herinandro katroka izaho Daniela, tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "3": "Tsy nihinana sakafo matsiro aho, na nihinan-kena na nisotro divay, sady tsy nihosotra menaka mihitsy nandritra ny telo herinandro katroka.",
        "4": "Tamin\u2019ny andro faha-24 amin\u2019ny volana voalohany, dia mbola teo amoron\u2019ilay renirano lehibe atao hoe Tigra aho.",
        "5": "Dia nijery aho, ka nahita lehilahy iray nanao akanjo rongony. Nanao fehikibo vita tamin\u2019ny volamena avy any Ofaza koa izy teo amin\u2019ny andilany.",
        "6": "Namirapiratra hoatran\u2019ny krizolita ny vatany, toy ny tselatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony. Hoatran\u2019ny varahina nokosehina hangirana ny sandriny sy ny tongony, ary toy ny feon\u2019ny vahoaka be ny feony.",
        "7": "Izaho Daniela ihany no nahita an\u2019ilay fahitana, fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita. Nangovitra be anefa izy ireo, ka lasa nitsoaka dia niafina.",
        "8": "Dia tavela irery teo aho. Rehefa nahita an\u2019izany fahitana mahagaga izany aho, dia tsy nisy hery intsony tato anatiko. Lasa hatsatra be koa ny tarehiko, sady tsy nanan-kery intsony aho.",
        "9": "Henoko niteny ilay lehilahy avy eo. Dia renoky ny torimaso aho rehefa naheno azy niteny, ka nihohoka tamin\u2019ny tany.",
        "10": "Nisy tanana nikasika ahy anefa, ka nanarina ahy mba handohalika sady hitehina amin\u2019ny tanako roa.",
        "11": "Ary hoy izy tamiko: \u201cRy Daniela\u00a0\u00f4, tena sarobidy ianao. Henoy tsara ny teny holazaiko aminao. Dia mitsang\u00e0na amin\u2019izay, fa nirahina ho at\u1ef3 aminao aho.\u201d Rehefa nilaza an\u2019izany tamiko izy, dia nitsangana aho sady nangovitra.",
        "12": "Hoy koa izy tamiko: \u201cAza matahotra, ry\u00a0Daniela\u00a0\u00f4! Nanomboka tamin\u2019ilay andro voalohany niezahanao mafy hahazo ny dikan\u2019ny zava-drehetra sy hanetry tena teo anatrehan\u2019Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao. Tonga \u00e0ry aho noho izany teninao izany.",
        "13": "Nanohitra ahy 21\u00a0andro anefa ny andrianan\u2019ny fanjakan\u2019i Persa. Fa tonga nanampy ahy i Mikaela, iray amin\u2019ireo andriana lehibe indrindra. Tafajanona teo amin\u2019ireo mpanjakan\u2019i Persa aho nandritra an\u2019izany fotoana izany.",
        "14": "Dia tonga aho mba hampahafantatra anao an\u2019izay hanjo ny firenenao any am-parany, satria mbola afaka andro maro vao ho tanteraka ilay fahitana.\u201d",
        "15": "Rehefa nilaza an\u2019izany tamiko izy, dia nanondrika ny lohako aho, sady tsy nahateny.",
        "16": "Nisy hoatran\u2019ny lehilahy nikasika ny molotro avy eo. Ary nosokafako ny vavako, dia hoy aho tamin\u2019ilay nijoro teo anoloako: \u201cMangovitra aho, tompoko, noho ilay fahitana hitako, ka tsy manana hery intsony.",
        "17": "Tsy manana hery intsony aho izao, sady sempotra. Dia ahoana moa no ahavitan\u2019ny mpanomponao miresaka aminao, tompoko?\u201d",
        "18": "Nikasika ahy indray ilay hoatran\u2019ny lehilahy, ka nankahery ahy.",
        "19": "Dia hoy izy: \u201cAza matahotra, ry\u00a0ilay tena sarobidy \u00f4! Ho aminao anie ny fiadanana! Mahereza ianao! Mahereza!\u201d Nahazo hery aho rehefa niresaka tamiko izy, dia hoy aho: \u201cEnto \u00e0ry ny teninao, tompoko, fa efa nankahery ahy ianao.\u201d",
        "20": "Dia hoy izy: \u201cMba fantatrao moa hoe nahoana aho no tonga at\u1ef3 aminao? Handeha hiverina hiady amin\u2019ilay andrianan\u2019i Persa aho izao. Ary rehefa lasa aho, dia ho avy koa ny andrianan\u2019i Gresy.",
        "21": "Holazaiko aminao anefa izay voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019ny fahamarinana. Ary tsy mba misy manohana ahy amin\u2019izany, afa-tsy i Mikaela, ilay andriananareo."
    },
    "11": {
        "1": "\u201cTamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Dariosy Medianina, dia nitsangana aho mba hanohana an\u2019i Mikaela sy hampahery azy.",
        "2": "Marina izao zavatra holazaiko aminao izao: \u201cMbola hisy mpanjaka telo hitsangana any Persa, ary ny fahefatra hanangona harena betsaka noho ny an\u2019ny hafa rehetra. Rehefa lasa mahery izy noho ny harenany, dia hoentaniny ny rehetra mba hanafika ny fanjakan\u2019i Gresy.",
        "3": "\u201cAry hisy mpanjaka mahery hitsangana ka hanjaka amin\u2019ny faritra midadasika, sady hanao izay tiany.",
        "4": "Rehefa tena mahery anefa izy, dia ho rava ny fanjakany ka ho voazarazara any amin\u2019ny vazan-tany efatra. Tsy ho an\u2019ny taranany anefa ilay izy sady tsy hitovy amin\u2019ilay fanjakana nentiny. Hongotana mantsy ny fanjakany, ka homena olon-kafa ankoatra an\u2019ireo.",
        "5": "\u201cAry hatanjaka ny mpanjakan\u2019ny atsimo, izany hoe ny iray amin\u2019ireo andrianany. Hisy olon-kafa hatanjaka kokoa noho izy anefa, ka hanana fahefana lehibe, dia fahefana lehibe noho ny azy.",
        "6": "\u201cAry hiray dina izy roa tonta rehefa afaka taona maromaro. Dia ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny avaratra ny zanakavavin\u2019ny mpanjakan\u2019ny atsimo mba hanao fifanarahana ara-drariny aminy. Hihena anefa ny herin-tsandrin\u2019ilay zazavavy, ary tsy hanana fahefana intsony ilay mpanjaka. Dia homena olon-kafa ilay zazavavy sy izay nitondra azy tany, sy ilay niteraka azy, ary ilay mahatonga azy hahery amin\u2019izany fotoana izany.",
        "7": "Ary hitsangana handimby azy ny tsimoka iray avy amin\u2019ny faka nipoiran\u2019ilay zazavavy. Ho any amin\u2019ny tafika izy io, dia hotafihiny ny tan\u00e0na voaro mafy misy ny mpanjakan\u2019ny avaratra. Hamely azy ireo izy ka handresy azy.",
        "8": "Ho any Ejipta koa izy, ka hoentiny any ny andriamanitr\u2019izy ireo sy ny sarivongana metaliny sy ny zava-tsarobidiny vita amin\u2019ny volafotsy sy volamena, ary ny zavatra nobaboiny. Dia hanalavitra an\u2019ilay mpanjakan\u2019ny avaratra mandritra ny taona maromaro izy.",
        "9": "Ary hanafika any amin\u2019ny faritra anjakan\u2019ny mpanjakan\u2019ny atsimo ilay mpanjakan\u2019ny avaratra. Hiverina any amin\u2019ny taniny ihany anefa izy avy\u00a0eo.",
        "10": "\u201cAry hiomana hiady ny zanany lahy, ka hanangona miaramila be dia be, dia tafika tena lehibe. Tena handroso izy ka handravarava hoatran\u2019ny tondra-drano. Hiverina anefa izy, ary hiady foana mandra-pahatongany any amin\u2019ny tan\u00e0nany voaro mafy.",
        "11": "\u201cAry ho tezitra ny mpanjakan\u2019ny atsimo ka hivoaka hiady amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny avaratra. Hanangona vahoaka be izy, saingy hatolotra eo am-pelatanan\u2019ilay anankiray izany vahoaka izany.",
        "12": "Dia hoentina ilay vahoaka. Ary hiavonavona ny fon\u2019ilay mpanjaka, ka handripaka olona an\u2019alinaliny izy. Tsy hahay hanararaotra ny heriny rehetra anefa izy.",
        "13": "\u201cDia hiverina ny mpanjakan\u2019ny avaratra ka hanangona vahoaka betsaka noho ilay teo aloha. Ary amin\u2019ny fotoana farany, izany hoe rehefa afaka taona maromaro, dia ho avy tokoa izy ka hitondra tafika lehibe ampy fitaovana tsara.",
        "14": "Ho betsaka no hitsangana hanohitra ny mpanjakan\u2019ny atsimo, amin\u2019izany fotoana izany. \u201cAry ny olona mahery setra eo amin\u2019ny vahoakanao dia ho voataonan\u2019olon-kafa mba hanandrana hanatanteraka fahitana, saingy tsy hahavita hanatanteraka an\u2019izany izy ireo.",
        "15": "\u201cDia ho avy ny mpanjakan\u2019ny avaratra, ka hanangana dongon-tany fanaovana fahirano sy hamabo tan\u00e0na voaro mafy. Ary samy tsy hahatohitra na ny sandrin\u2019ny atsimo na ny miaramilany voafantina. Tsy hanana hery hanoherana koa izy ireo.",
        "16": "Ary hanao izay tiany ilay ho avy hamely ny mpanjakan\u2019ny atsimo, ka tsy hisy hahatohitra azy. Hitsangana ao amin\u2019ilay Tany Kanto izy, ary hanana hery handripahana.",
        "17": "Ho tapa-kevitra ny ho avy izy, ka hiaraka amin\u2019ny tafika manontolo ao amin\u2019ny fanjakany. Dia hanao fifanarahana ara-drariny amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny atsimo izy, ary hahomby. Ary havela hahatonga loza amin\u2019ilay zanakavavin\u2019ny olombelona izy. Dia tsy hahavita hijoro ilay zazavavy, sady tsy ho fananany intsony.",
        "18": "Hanafika any amoron-tsiraka izy ka haka babo be dia be. Ary hatsahatry ny mpitari-tafika iray ny latsa hataon\u2019io mpanjaka io aminy, ka tsy handatsa intsony io. Dia hataon\u2019ilay mpitari-tafika hifotitra aminy ihany izany.",
        "19": "Hiverina any amin\u2019ireo tan\u00e0na voaro mafy any amin\u2019ny taniny izy avy eo, nefa ho tafintohina sy hianjera ka tsy ho hita intsony.",
        "20": "\u201cAry hisy olona hitsangana handimby azy, ka handefa mpitaky hetra eran\u2019ilay fanjakana be\u00a0voninahitra. Ho faty anefa izy rehefa afaka andro vitsivitsy, nefa tsy noho ny hatezerana na noho ny ady.",
        "21": "\u201cAry hitsangana handimby azy ny lehilahy iray halan\u2019ny olona, saingy tsy homen\u2019izy ireo azy ny voninahitry ny fanjakana. Amin\u2019ilay fotoana mampilamina ny tany iny izy no ho tonga, dia hilaza teny mamitaka mba hahazoana ny fanjakana.",
        "22": "Ho resiny ny sandry izay mandravarava toy ny tondra-drano, ka ho torotoro. Hovonoina koa ilay Mpitarika ny fifanekena.",
        "23": "Dia hisy olona hanao fifanarahana aminy, ka hamitaka foana izy. Ary hitsangana izy ka ho lasa matanjaka, satria hisy firenena kely hanampy azy.",
        "24": "Amin\u2019ilay fotoana milamina iny izy no ho tonga ao amin\u2019ny toerana tsara indrindra amin\u2019ilay faritany. Dia hanao zavatra mbola tsy nataon\u2019 ny razambeny izy. Zavatra norobaina sy nobaboina ary zava-tsarobidy hafa no hozarazarainy amin\u2019ny vahoakany. Ary hanao tetika hamelezana an\u2019ireo toerana voaro mafy izy, nefa mandritra ny fotoana fohy ihany.",
        "25": "\u201cAry hanangona ny heriny sy ny herim-pony izy, ka hitondra tafika lehibe mba hanafika ny mpanjakan\u2019ny atsimo. Hiomana hiady koa ny mpanjakan\u2019ny atsimo, ka hitondra tafika faran\u2019izay lehibe sy mahery. Tsy hahatohitra anefa izy, satria hamorona teti-dratsy hamelezana azy izy ireo.",
        "26": "Ary izay mihinana ny sakafo matsirony ihany no hampianjera azy. \u201cNy tafiny kosa ho rava, ary be dia be no ho ripaka.",
        "27": "\u201cAry samy haniry hanao ratsy ny fon\u2019ireo mpanjaka roa ireo. Dia hiaraka hipetraka eo amin\u2019ny latabatra iray ihany izy ireo, ka handainga amin\u2019izy samy izy. Tsy hisy hahomby anefa izay hataony, satria amin\u2019ny fotoana voatondro vao ho tonga ny farany.",
        "28": "\u201cAry hody any amin\u2019ny taniny izy, sady hitondra harena be dia be. Dia hanohitra ny fifanekena masina izy ao am-pony ao. Hahomby izy ka hody any amin\u2019ny taniny.",
        "29": "\u201cAry hiverina izy amin\u2019ny fotoana voatondro, ka hiady amin\u2019ny atsimo. Tsy hitovy amin\u2019ilay teo aloha anefa ny amin\u2019ity indray mandeha ity.",
        "30": "Hiady aminy mantsy ny sambon\u2019i Kitima, dia haetry izy. \u201cHiverina izy ka ho tezitra amin\u2019ny fifanekena masina, ary hahomby izy. Dia hiverina izy ka hifantoka amin\u2019ireo nahafoy ny fifanekena masina.",
        "31": "Ary hisy tafika hitsangana avy aminy. Hozimbazimbain\u2019izy ireo ny toerana masina, izany hoe ny tan\u00e0na voaro mafy, ary hesoriny ny fanatitra atolotra tsy tapaka. \u201cDia hatsangan\u2019izy ireo ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana.",
        "32": "\u201cAry hofitahiny ny olona manao ratsy sy tsy miraharaha an\u2019ilay fifanekena, ka ho voataonany hikomy. Handresy anefa ny olona mahalala an\u2019Andriamanitra ka hahomby.",
        "33": "Ary hampita fahalalana amin\u2019ny olona maro ireo lalin-tsaina amin\u2019ny vahoaka. Ho lavo mandritra ny andro vitsivitsy izy ireo, satria ho voan\u2019ny sabatra, ho main\u2019ny lelafo, ho babo, ary hisy handroba.",
        "34": "Hahazo famonjena kely anefa izy ireo rehefa lavo. Ho betsaka no hanohana azy ireo, saingy hamitaka fotsiny.",
        "35": "Ary ho lavo ny sasany amin\u2019ireo lalin-tsaina, ary noho izy ireo dia hodiovina ny vahoaka ka tsy hisy loto ary tsy hisy pentina, mandra-pahatongan\u2019ny fotoanan\u2019ny farany. Amin\u2019ny fotoana voatondro mantsy vao ho tonga izany.",
        "36": "\u201cHanao izay tiany ilay mpanjaka, ka hanambony tena sy hanandra-tena ho ambonin\u2019ny andriamanitra rehetra. Ary hiteny zavatra tsy mampino mihitsy izy mba hanoherana an\u2019ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Hahomby izy mandra-pahatanteraky ny fanamelohana, satria tsy maintsy ho tanteraka ny hevitra efa tapaka.",
        "37": "Tsy hiraharaha an\u2019ilay Andriamanitry ny razambeny izy na izay irin\u2019ny vehivavy na izay andriamanitra hafa rehetra, fa hanandra-tena ho ambonin\u2019ny olona rehetra.",
        "38": "Izy kosa hanome voninahitra an\u2019ilay andriamanitry ny manda fiarovana. Ary andriamanitra tsy fantatry ny razambeny no homeny voninahitra, amin\u2019 ny alalan\u2019ny volamena sy volafotsy sy vatosoa ary zava-tsarobidy.",
        "39": "Hotafihiny ny tan\u00e0na faran\u2019izay voaro mafy, ka hahomby izy satria natoky andriamani-kafa. Homeny voninahitra be izay manohana azy, ka hataony mpitondra eo amin\u2019ny olona maro. Dia hozarainy amin\u2019izay mandoa ny vidiny ilay tany.",
        "40": "\u201cAmin\u2019ny fotoanan\u2019ny farany, dia ho avy ny mpanjakan\u2019ny atsimo ka hifanosika aminy. Ny mpanjakan\u2019ny avaratra kosa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra, ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo be dia be. Dia hitsofoka any amin\u2019ny tany maro izy ka handravarava hoatran\u2019ny tondra-drano.",
        "41": "Hitsofoka ao amin\u2019ilay Tany Kanto koa izy, ary hisy tany maro ho lasany. Ireto anefa no ho afa-mandositra ka tsy ho azon\u2019ny tanany: Ny mponin\u2019i Edoma sy Moaba ary ireo lohandohany amin\u2019ny Amonita.",
        "42": "Mbola hampiasa ny heriny hamelezana tany be dia be izy, ary tsy ho afa-mandositra i Ejipta.",
        "43": "Hanjaka amin\u2019ny harena miafina izy, dia ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy rehetra any Ejipta. Dia hanao an\u2019izay hasainy atao ny Libyanina sy ny Etiopianina.",
        "44": "\u201cHisy tatitra hampikorontan-tsaina azy anefa avy any atsinanana sy avy any avaratra. Dia ho tezitra be izy ka hivoaka handripaka sy handringana olona maro.",
        "45": "Ary ny tranolainy, izay toy ny lapa, dia haoriny eo anelanelan\u2019ny ranomasina lehibe sy ny tendrombohitra masin\u2019ilay Tany Kanto. Dia hiroso ho any amin\u2019izay hiafarany izy, ka tsy hisy hamonjy."
    },
    "12": {
        "1": "\u201cMandritra an\u2019izany fotoana izany, dia hitsangana i Mikaela, ilay andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny firenenao. Dia hisy fotoam-pahoriana mbola tsy nisy hoatr\u2019izany, hatrizay nisian\u2019ny firenena ka hatramin\u2019izany fotoana izany. Mandritra an\u2019izany fotoana izany, dia ho afaka handositra ny firenenao, izany hoe izay rehetra hita voasoratra ao amin\u2019ny boky.",
        "2": "Ary maro amin\u2019izay matory ao amin\u2019ny vovoky ny tany no hifoha, ka ny sasany hahazo fiainana mandrakizay, fa ny sasany kosa ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay.",
        "3": "\u201cHamirapiratra be hoatran\u2019ny lanitra ny olona lalin-tsaina. Ary izay manampy olona maro mba hanaraka ny fahamarinana dia hamirapiratra hoatran\u2019ny kintana, mandrakizay mandrakizay.",
        "4": "\u201cRy Daniela\u00a0\u00f4, asio tombo-kase ilay boky ka taz\u00f2ny ho tsiambaratelo ny teny ao anatiny, mandra-pahatongan\u2019ny fotoanan\u2019ny farany. Be dia be no hivezivezy etsy sy eroa, ka hitombo be ny tena fahalalana.\u201d",
        "5": "Nijery izaho Daniela avy eo, ka nahita lehilahy roa hafa nijoro teo amoron\u2019ny renirano: Ny iray tet\u1ef3 amin\u2019ny morony ilany, fa ny iray kosa ter\u1ef3 amin\u2019ny ilany.",
        "6": "Dia nanontanian\u2019ny anankiray ilay lehilahy nanao akanjo rongony, teo ambonin\u2019ilay renirano, hoe: \u201cMbola hisy hafiriana vao ho tanteraka ireo zava-mahagaga ireo?\u201d",
        "7": "Dia nanangana ny tanany havia sy havanana nanondro ny lanitra ilay lehilahy nanao akanjo rongony, teo ambonin\u2019ilay renirano. Henoko izy nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019Ilay velona mandrakizay, hoe: \u201cHisy fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana. Raha vao vita ny famotipotehina ny herin\u2019ny olona masina, dia ho tanteraka izany rehetra izany.\u201d",
        "8": "Henoko izany nefa tsy azoko ny dikany, ka hoy aho: \u201cHanao ahoana no hiafaran\u2019izany, tompoko?\u201d",
        "9": "Dia hoy izy: \u201cMandehana, ry Daniela\u00a0\u00f4, satria tokony hotazonina ho tsiambaratelo izany teny izany sady hasiana tombo-kase, mandra-pahatongan\u2019ny fotoanan\u2019ny farany.",
        "10": "Be dia be ny olona ho voadio, satria hodioviny sy hofotsiny ny tenany. Fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany. Ary tsy hisy ratsy fanahy hahazo ny dikan\u2019izany teny izany, fa izay lalin-tsaina ihany no hahazo.",
        "11": "\u201cAry hisy 1\u00a0290 andro, manomboka amin\u2019ny fotoana hanesorana an\u2019ilay fanatitra atolotra tsy tapaka, sy hananganana an\u2019ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana.",
        "12": "\u201cSambatra izay miandry foana ka mahatratra ny faran\u2019ny 1\u00a0335 andro!",
        "13": "\u201cFa ianao kosa, mahareta hatramin\u2019ny farany. Dia hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.\u201d"
    },
    "meta": {
        "name": "Daniela",
        "order": 26,
        "chapter_number": 12
    }
}
