{
    "1": {
        "1": "Ary ireto avy ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin\u2019i Jakoba, dia ny lehilahy sy ny ankohonany avy:",
        "2": "Robena, Simeona, Levy, Joda,",
        "3": "Isakara, Zebolona, Benjamina,",
        "4": "Dana, Naftaly, Gada, ary Asera.",
        "5": "Nisy 70 ny olona rehetra naterak\u2019i Jakoba, fa i Josefa kosa efa tany Ejipta.",
        "6": "Tat\u1ef3 aoriana, dia maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra ary izany taranaka rehetra izany.",
        "7": "Ary nihamaro ny Israelita ka lasa be dia be. Nitombo ny isany ary nihanahery tsy nisy hoatr\u2019izany izy ireo, ka lasa feno azy ilay tany.",
        "8": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nisy mpanjaka vaovao tany Ejipta, ary tsy nahalala an\u2019i Josefa izy io.",
        "9": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ny vahoakany: \u201cJereo fa be dia be sy mahery noho isika ny vahoakan\u2019Israely.",
        "10": "Andao hanaovantsika tetika ireo. Raha tsy izany mantsy, dia hihabetsaka ry zareo ary hanampy an\u2019ireo fahavalontsika raha sendra misy ady, ka hiady amintsika ary hiala eto amin\u2019ny tanintsika.\u201d",
        "11": "Koa nanendry lehiben\u2019ny mpanao asa an-terivozona izy ireo, satria tiany hoterena hiasa mafy ny vahoakan\u2019Israely, amin\u2019izay mijaly. Ary nanorina tan\u00e0na fitehirizana entana sy vokatra ho an\u2019i Farao ny vahoakan\u2019Israely, dia ny tan\u00e0nan\u2019i Pitoma sy Ramesesa.",
        "12": "Vao mainka nihamaro sy niely hatraiza hatraiza anefa ny Israelita, arakaraka ny nampijalian\u2019ny Ejipsianina azy. Koa natahoran\u2019ny Ejipsianina izy ireo sady nankahalainy.",
        "13": "Nandevozin\u2019ny Ejipsianina \u00e0ry ny Israelita, ka nataony nitondra faisana.",
        "14": "Nataony izay hampangidy ny fiainan\u2019izy ireo, ka notereny hiasa mafy hanao rihitra tanimanga sy biriky izy ireo, sady notereny hanao ny karazana asa an-terivozona rehetra tany an-tsaha. Nampanaoviny asa mafy izy ireo sady nampijaliny, ka notereny hanao an\u2019izao karazana asa an-terivozona rehetra izao.",
        "15": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niresaka tamin\u2019ireo vehivavy hebreo mpampiteraka nantsoina hoe Sifra sy Poha ny mpanjakan\u2019i Ejipta.",
        "16": "Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cRehefa mampiteraka vehivavy hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin\u2019ny akalana fiterahana hoe lahy ny zanany, dia vonoy ilay zaza. Fa raha vavy kosa ilay izy, dia avelao ho velona.\u201d",
        "17": "Natahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra anefa ny mpampiteraka, ka tsy narahin\u2019izy ireo ny tenin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta fa navelany ho velona ny zazalahy.",
        "18": "Rehefa nandeha ny fotoana, dia nantsoin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta ireo mpampiteraka, ka noteneniny hoe: \u201cFa maninona no navelanareo ho velona ny zazalahy?\u201d",
        "19": "Dia namaly an\u2019i Farao ny mpampiteraka hoe: \u201cTsy hoatran\u2019ny vehivavy ejipsianina ange ny vehivavy hebreo\u00a0e! Matanjaka ry zareo, ka mbola tsy tonga akory ny mpampiteraka dia efa latsaka ny zanany.\u201d",
        "20": "Koa notahin\u2019Andriamanitra ireo mpampiteraka, ary ny vahoaka nihabetsaka sy tena nihanahery.",
        "21": "Natahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra ireo mpampiteraka ireo, ka nomeny zanaka, tat\u1ef3 aoriana.",
        "22": "Tamin\u2019ny farany, dia nomen\u2019i Farao baiko ny vahoakany manontolo hoe: \u201cAtsipazo ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily daholo ny zazakely hebreo vao teraka raha lahikely, fa avelao ho velona kosa ny vavikely rehetra.\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia nisy lehilahy iray avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Levy nanambady ny zanakavavin\u2019i Levy.",
        "2": "Dia bevohoka ilay vehivavy ka niteraka lahikely. Ary hitany fa tsara tarehy ilay zaza, ka nafeniny nandritra ny telo volana.",
        "3": "Rehefa tsy azony nafenina intsony ilay zaza, dia naka harona zozoro izy ary nopetahany godorao mivaingana sy godorao ranony ilay izy. Nataony tao anatin\u2019iny ilay zaza, dia napetrany teny amin\u2019ny bararata naniry teny amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily.",
        "4": "Nijanona teny lavidavitra teny anefa ny anabavin\u2019ilay zaza, mba hahitana an\u2019izay hitranga aminy.",
        "5": "Nidina handro tao Neily ny zanakavavin\u2019i Farao, ary nandehandeha teny amoron-drano ireo vehivavy mpikarakara azy. Dia tazan\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao ilay harona teny anelanelan\u2019ny bararata. Koa tonga dia nirahiny haka an\u2019ilay izy ny mpanompovaviny.",
        "6": "Nosokafany ilay harona, dia hitany ilay zazalahikely mitomany. Nangoraka azy izy, nefa koa niteny hoe: \u201cZanaka Hebreo ity.\u201d",
        "7": "Dia hoy ny anabavin\u2019ilay zaza tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao: \u201cHandeha hiantso vehivavy hebreo ve aho hampinono sy hitaiza azy ho anao?\u201d",
        "8": "Namaly ny zanakavavin\u2019i Farao hoe: \u201cMandehana \u00e0ry!\u201d Tonga dia lasa ilay ankizivavy niantso ny renin\u2019ilay zaza.",
        "9": "Ary hoy ny zanakavavin\u2019i Farao taminy: \u201cEnto any aminao ity zaza ity dia ampinonoy, fa homeko karama ianao.\u201d Nalain\u2019ilay vehivavy \u00e0ry ilay zaza ka nampinonoiny.",
        "10": "Rehefa lehibe ilay zaza, dia nentiny tany amin\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao ka lasa zanak\u2019izy io. Nataon\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao hoe Mosesy ny anarany, fa hoy izy: \u201cSatria teny amin\u2019ny rano izy no nalaiko.\u201d",
        "11": "Rehefa lasa olon-dehibe i Mosesy, dia nivoaka ho any amin\u2019ireo rahalahiny mba hijery ny asa mafy nasaina nataon\u2019izy ireo. Dia nahita Ejipsianina nikapoka Hebreo anankiray anisan\u2019ny rahalahiny izy.",
        "12": "Koa nitoditodika izy, ka rehefa hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ho faty ilay Ejipsianina ary nasitriny tao anaty fasika.",
        "13": "Nivoaka indray izy ny ampitso, ary nahita Hebreo roa lahy niady. Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ilay diso: \u201cFa maninona no asianao ny namanao?\u201d",
        "14": "Dia namaly izy hoe: \u201cIza no nanendry an\u2019ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Tadiavin\u2019ialahy hovonoina hoatran\u2019ilay Ejipsianina koa angaha aho?\u201d Dia natahotra i Mosesy ka nanao anakampo hoe: \u201cTena nisy nahafantatra ilay izy!\u201d",
        "15": "Tonga tany am-poto-tsofin\u2019i Farao izany, ka nitady hamono an\u2019i Mosesy izy. Nandositra azy anefa i Mosesy ka nandeha nipetraka tany Midianina. Rehefa tonga tany izy, dia nipetrapetraka teo akaikin\u2019ny lavadrano iray.",
        "16": "Ary nanan-janaka fito vavy ilay mpisorona tany Midianina. Tonga hantsaka izy ireo, ary hameno ny tavin-drano mba hisotroan\u2019ny andian\u2019ondrin\u2019ny rainy.",
        "17": "Tonga teo toy ny mahazatra anefa ny mpiandry ondry ka noroahiny izy ireo. Dia nitsangana i Mosesy, ka nanampy an\u2019ireo ankizivavy sy nampisotro rano ny andian\u2019ondriny.",
        "18": "Rehefa tonga tany an-trano tany amin\u2019i Regoela rainy izy ireo, dia hoy ny rainy: \u201cAry toa vetivety kely ianareo dia tafaverina androany?\u201d",
        "19": "Dia namaly izy ireo hoe: \u201cNisy Ejipsianina niaro anay tamin\u2019ny mpiandry ondry. Nanovo rano ho anay mihitsy aza izy sady nampisotro ny andian\u2019ondry.\u201d",
        "20": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo zanany vavy: \u201cKa aiza izy? Fa maninona no navelanareo any izany olona izany? Antsoy izy hiara-misakafo amintsika.\u201d",
        "21": "Nanaiky hipetraka tao amin\u2019i Regoela i Mosesy, taorian\u2019izay. Ary nomeny ho vadiny i Zipora zanany vavy.",
        "22": "Dia niteraka zazalahy i Zipora tat\u1ef3 aoriana. Ary nataon\u2019i Mosesy hoe Gersoma ny anaran\u2019ilay zaza satria hoy izy: \u201cLasa mpivahiny at\u1ef3 an-tanin\u2019olona aho.\u201d",
        "23": "Taona maro tat\u1ef3 aoriana, dia maty ilay mpanjakan\u2019i Ejipta. Mbola nisento sy nitaraina ihany anefa ny Israelita satria nandevozina. Dia niantso vonjy foana tamin\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo noho izany.",
        "24": "Henon\u2019Andriamanitra ny fitarainan\u2019izy ireo, ka tadidiny ny fifanekena nataony tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.",
        "25": "Koa nijery an\u2019ireo Israelita Andriamanitra ka nahita ny fijalian\u2019izy ireo."
    },
    "3": {
        "1": "Lasa mpiandry ny andian\u2019ondrin\u2019i Jetro rafozany, izay mpisorona tany Midianina, i Mosesy. Nitondra an\u2019ilay andian\u2019ondry ho any amin\u2019ny ilany andrefan\u2019ny tany efitra izy, ka tonga tany Horeba, tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra, tamin\u2019ny farany.",
        "2": "Ary nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho taminy tao anaty lelafo, teo afovoan\u2019ny voarointsilo iray naniry. Raha mbola nijery an\u2019ilay voarointsilo i Mosesy, dia hitany fa nirehitra ilay izy nefa tsy nety levona.",
        "3": "Dia hoy izy: \u201cFa maninona \u00e0ry no tsy mety kilan\u2019ny afo io voarointsilo io? Mahagaga koa izany! Andeha hanatona eny aho handinika an\u2019io!\u201d",
        "4": "Rehefa hitan\u2019i Jehovah fa nanatona hijery an\u2019ilay voarointsilo i Mosesy, dia niantso azy avy teo amin\u2019ilay izy Andriamanitra ka niteny hoe: \u201cMosesy! Mosesy!\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko!\u201d",
        "5": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAza manatona intsony! Esory ny kapanao, fa tany masina io ijoroanao io.\u201d",
        "6": "Hoy koa izy: \u201cIzaho no Andriamanitry ny razambenao, dia ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba.\u201d Dia notakonan\u2019i Mosesy ny tarehiny, satria natahotra hijery an\u2019ilay tena Andriamanitra izy.",
        "7": "Niteny koa i Jehovah hoe: \u201cEfa hitako tokoa ny fahorian\u2019ny vahoakako any Ejipta, ary efa henoko ny fitarainany noho ny ataon\u2019ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.",
        "8": "Hidina aho hamonjy azy ireo eo an-tanan\u2019ny Ejipsianina. Dia hoentiko hiala amin\u2019izany tany izany izy ireo, mba hiakatra ho any amin\u2019ny tany tsara sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely, any amin\u2019ny faritra misy ny Kananita, sy ny Hetita, sy ny Amorita, sy ny Perizita, sy ny Hivita, ary ny Jebosita.",
        "9": "Efa tonga at\u1ef3 amiko ny fitarainan\u2019ny vahoakan\u2019Israely, ary hitako koa hoe tena mampijaly mafy azy ireo ny Ejipsianina.",
        "10": "Koa izao \u00e0ry: Hirahiko ho any amin\u2019i Farao ianao, dia hoentinao hiala any Ejipta ny Israelita vahoakako.\u201d",
        "11": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cFa izaho moa no iza no handeha hankany amin\u2019i Farao, ka hitondra ny Israelita hivoaka avy any Ejipta?\u201d",
        "12": "Dia hoy Andriamanitra: \u201cHanampy anao aho! Ary izao no famantarana hahalalanao fa izaho no naniraka anao: Hanompo an\u2019ilay tena Andriamanitra eto amin\u2019ity tendrombohitra ity ianareo, rehefa tafavoakanao avy any Ejipta ny vahoaka.\u201d",
        "13": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cAndeha hatao hoe mankany amin\u2019ny Israelita aho dia miteny hoe: \u2018Ilay Andriamanitry ny razambenareo no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.\u2019 Dia raha miteny amiko ry zareo hoe: \u2018Iza no anarany?\u2019, dia inona no holazaiko?\u201d",
        "14": "Hoy \u00e0ry Andriamanitra tamin\u2019i Mosesy: \u201cHataoko Izay Hahatonga Ahy ho Araka Izay Tiako.\u201d Hoy koa izy: \u201cIzao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Ilay antsoina hoe \u201cHataoko Izay Hahatonga Ahy\u201d no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.\u2019\u201d",
        "15": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy indray Andriamanitra hoe: \u201cIzao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba, no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.\u2019 Izany no anarako mandrakizay ary izany no hahatsiarovana ahy hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "16": "Koa mandehana vorio ny anti-panahin\u2019ny Israely, dia ilazao hoe: \u2018Niseho tamiko i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia niteny hoe: \u201cTena mijery anareo aho ary mahita an\u2019izay manjo anareo at\u1ef3 Ejipta.",
        "17": "Koa izany no ilazako hoe hanafaka anareo amin\u2019ny fampahorian\u2019ny Ejipsianina aho, ka hitondra anareo any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kananita, sy ny Hetita, sy ny Amorita, sy ny Perizita, sy ny Hivita, ary ny Jebosita, dia any amin\u2019ny tany tondra-dronono sy tantely.\u201d\u2019",
        "18": "\u201cHihaino ny teninao tokoa izy ireo. Ary hankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta ianao sy ny anti-panahin\u2019ny Israely, dia hiteny aminy hoe: \u2018Niresaka taminay i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo. Koa avelao izahay, azafady, handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray.\u2019",
        "19": "Fantatro tsara anefa fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan\u2019i Ejipta, raha tsy hoe misy tanana matanjaka manery azy hanao an\u2019izany angaha.",
        "20": "Koa tsy maintsy hanatsotra ny tanako aho, ka hamely an\u2019i Ejipta. Ny zava-mahagaga rehetra hataoko ao aminy no hamelezako azy, dia handefa anareo izy aorian\u2019izay.",
        "21": "Ary hataoko mahazo sitraka amin\u2019ny Ejipsianina ny vahoakako, ka tsy handeha tanam-polo mihitsy ianareo rehefa miala any.",
        "22": "Hangataka zavatra vita amin\u2019ny volafotsy sy volamena ny vehivavy tsirairay, sady hangataka akanjo. Hangataka izany amin\u2019ny mpiray tan\u00e0na aminy sy amin\u2019ny vehivavy mipetraka ao an-tranony izy. Dia ampanaovy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany, ary hataonareo fongana ny fananan\u2019ny Ejipsianina.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Fa hoy i Mosesy: \u201cAndeha anefa hatao hoe tsy mino ahy ry zareo sady tsy mihaino ny teniko, fa hilaza hoe: \u2018Tsy niseho taminao i Jehovah.\u2019\u201d",
        "2": "Dia hoy i Jehovah: \u201cInona iny eny an-tananao iny?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cTehina.\u201d",
        "3": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAtsipazo amin\u2019ny tany iny.\u201d Koa natsipin\u2019i Mosesy tamin\u2019ny tany ilay izy ka lasa bibilava. Dia nandositra an\u2019ilay bibilava izy.",
        "4": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory ny tananao ka raiso amin\u2019ny rambony io.\u201d Dia natsotrany ny tanany ary noraisiny ilay izy, ka lasa tehina teny an-tanany.",
        "5": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAtaovy izany mba hinoan\u2019izy ireo fa niseho taminao i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba.\u201d",
        "6": "Hoy indray i Jehovah taminy: \u201cMba atsofohy ao amin\u2019ilay miforitra eo amin\u2019ny tratran\u2019akanjonao hoe ny tananao, azafady!\u201d Dia natsofony tao ny tanany. Rehefa navoakany avy tao ny tanany, dia lasa boka ka fotsy be hoatran\u2019ny lanezy!",
        "7": "Hoy Andriamanitra avy eo: \u201cAtsofohy ao amin\u2019ilay miforitra eo amin\u2019ny tratran\u2019akanjonao indray ny tananao.\u201d Dia natsofony tao indray ny tanany, ary rehefa navoakany avy tao, dia lasa nitovy tamin\u2019ny vatany manontolo indray!",
        "8": "Ary hoy izy: \u201cRaha tsy mino anao ry zareo na tsy miraharaha an\u2019ilay famantarana voalohany, dia azo antoka hoe hampiaiky an-dry zareo ilay famantarana manaraka.",
        "9": "Fa raha mbola tsy hinoan-dry zareo ihany ireo famantarana roa ireo, ary tsy mety mihaino ny teninao ry zareo, dia mak\u00e0 rano ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily ka araraho eo amin\u2019ny tany maina. Ho lasa ra ilay rano nalainao tao Neily rehefa araraka eo amin\u2019ny tany maina.\u201d",
        "10": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cTena miala tsiny aminao aho Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsy mahay mandaha-teny aho, efa hatramin\u2019izay ka hatramin\u2019izao iresahanao amin\u2019ny mpanomponao izao. Miadam-piteny mantsy aho sady tsy mahay miresaka.\u201d",
        "11": "Dia niteny taminy i Jehovah hoe: \u201cIza moa no nanao ny vavan\u2019ny olombelona? Ary iza no mahatonga ny olona ho moana na ho marenina na hahita tsara na ho jamba? Tsy izaho Jehovah ve?",
        "12": "Koa mandehana amin\u2019izay fa hanampy anao aho rehefa miteny ianao, ary hatoroko anao izay tokony holazainao.\u201d",
        "13": "Hoy anefa i Mosesy: \u201cTena miala tsiny aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba izay olon-kafa tianao hirahina re irahina\u00a0e!\u201d",
        "14": "Dia tezitra be tamin\u2019i Mosesy i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cIanao angaha moa tsy manana an\u2019i Arona Levita rahalahinao? Fantatro fa tena mahay miteny izy. Efa eny an-dalana hitsena anao izy izao, ary ho faly ny fony rehefa mahita anao.",
        "15": "Koa miresaha aminy ary lazao aminy ny teny rehetra tokony holazaina. Dia hampiako ianao sy izy rehefa miteny, ary hatoroko anareo izay tokony hataonareo.",
        "16": "Izy no hiteny amin\u2019ny vahoaka hisolo vava anao. Ho mpitondra teninao izy, ary ianao kosa ho toy ny hoe Andriamanitra eo anatrehany.",
        "17": "Ary ento iny tehina iny, dia iny anaovana an\u2019ireo famantarana.\u201d",
        "18": "Niverina tany amin\u2019i Jetro rafozandahiny \u00e0ry i Mosesy ka niteny hoe: \u201cMba te hiverina any amin\u2019ireo rahalahiko any Ejipta aho, hahitako raha mbola velona ihany izy ireo na tsia.\u201d Dia hoy i Jetro taminy: \u201cMandehana \u00e0ry, dia mirary soa ho anao aho!\u201d",
        "19": "Taorian\u2019izay, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany Midianina: \u201cMandehana miverina any Ejipta, fa efa maty daholo ireo olona nitady hamono anao.\u201d",
        "20": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny ampondra, ary niverina tany Ejipta izy. Nentin\u2019i Mosesy teny an-tanany koa ny tehin\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "21": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cNomeko hery hanaovana fahagagana ianao. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia tena ataovy eo anatrehan\u2019i Farao ireny fahagagana rehetra ireny. Fa izaho kosa hamela azy hiziriziry amin\u2019ny heviny, ka tsy halefany ny vahoaka.",
        "22": "Ary lazao amin\u2019i Farao hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cZanako ny Israely, zanako lahimatoa.",
        "23": "Koa izao no teniko aminao: Alefaso ny zanako hanompo ahy. Fa raha mand\u00e0 tsy handefa azy ianao, dia hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa.\u201d\u2019\u201d",
        "24": "Rehefa teny an-dalana izy ireo, ka nijanona teo amin\u2019ny toeram-pilasiana, dia nitsena azy i Jehovah ka nitady hamono azy ho faty.",
        "25": "Koa naka vatoafo i Zipora, dia noforany ilay zanany. Ary nataony nikasika tamin\u2019ny tongotr\u2019izy io ilay hoditra nesoriny, sady hoy izy: \u201cVady azoko tamin\u2019ny ra ianao.\u201d",
        "26": "Koa navelan\u2019Andriamanitra handeha izy. Niteny i Zipora tamin\u2019izay hoe \u2018vady azo tamin\u2019ny ra\u2019, noho ny famorana.",
        "27": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Arona: \u201cMandehana any an-tany efitra ka tsenao i Mosesy.\u201d Nandeha \u00e0ry izy dia nihaona tamin\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra, ka niarahaba sady nanoroka azy.",
        "28": "Dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019i Arona ny teny rehetra nolazain\u2019i Jehovah, izay naniraka azy. Noteneniny taminy koa ny famantarana rehetra nasainy nataony.",
        "29": "Taorian\u2019izay, dia nandeha nampivory ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israelita i Mosesy sy Arona.",
        "30": "Dia nolazain\u2019i Arona tamin\u2019izy ireo ny teny rehetra notenenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, ary nataony teo imason\u2019ny vahoaka ireo famantarana.",
        "31": "Dia nino ny vahoaka. Ary rehefa henon\u2019izy ireo fa efa nitsinjo ny Israelita i Jehovah sady nahita ny fahoriany, dia niondrika sy niankohoka izy ireo."
    },
    "5": {
        "1": "Nankao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona taorian\u2019izay, ka niteny taminy hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Alefaso ny vahoakako mba hankalaza fety ho ahy any an-tany efitra.\u2019\u201d",
        "2": "Hoy anefa i Farao: \u201cFa izany Jehovah izany moa no iza no tokony hankat\u00f2 ny teniny aho, dia handefa ny Israely? Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany, sady tsy halefako koa ny Israely.\u201d",
        "3": "Fa hoy izy roa lahy: \u201cNiresaka taminay ny Andriamanitry ny Hebreo. Koa mba te handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra re izahay\u00a0e, mba hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray! Raha tsy izany mantsy, dia hamely anay amin\u2019ny aretina izy na amin\u2019ny sabatra.\u201d",
        "4": "Dia namaly azy ireo ny mpanjakan\u2019i Ejipta hoe: \u201cFa maninona ianareo, ry Mosesy sy Arona, no mandrebireby ny vahoaka? Izao ry zareo lasa tsy mahavita ny asany! Mandehana miverina miasa!\u201d",
        "5": "Hoy koa i Farao: \u201cJereo fa be dia be mihitsy ny olona miasa eto amin\u2019ity tany ity. Dia tadiavinareo hijanona tsy hiasa daholo ve izany ry zareo?\u201d",
        "6": "Ny androtr\u2019iny ihany, dia nomen\u2019i Farao baiko ireo mpanery olona hiasa sy ny mpanara-maso ny mpiasa hoe:",
        "7": "\u201cAza omena mololo hanaovana biriky intsony ny vahoaka, fa avelao ry zareo ihany no handeha hanangona ny mololony.",
        "8": "Izay isan\u2019ny biriky nasaina nenjehiny hatramin\u2019izay ihany anefa no asaivo ataony. Aza ahena ny isany, fa mitady hipetrapetraka fotsiny ry zareo. Izany no mahatonga an-dry zareo hitabataba hoe: \u2018Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an\u2019ny Andriamanitray izahay!\u2019",
        "9": "Tereo hiasa mafy kokoa ry zareo, dia omeo asa hatao foana, amin\u2019izay ry zareo tsy hihaino an\u2019izao lainga rehetra izao.\u201d",
        "10": "Koa nivoaka ireo mpanery olona hiasa sy ny mpanara-maso ny mpiasa, dia niteny tamin\u2019ny vahoaka hoe: \u201cIzao no nolazain\u2019i Farao: \u2018Tsy omeko mololo intsony ianareo.",
        "11": "Mandehana maka mololo ho anareo any amin\u2019izay hahitanareo. Fa ny asanareo anefa tsy hahena mihitsy.\u2019\u201d",
        "12": "Dia niparitaka nanerana an\u2019i Ejipta ny vahoaka, mba hanangona vodivary hatao mololo.",
        "13": "Ary niteniteny azy ireo foana ny mpanery azy ireo hiasa hoe: \u201cTsy maintsy mamita ny asanareo daholo ianareo isan\u2019andro, hoatran\u2019ny tamin\u2019ianareo mbola nomena mololo ihany.\u201d",
        "14": "Nokapohina koa ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa, izay teo ambany fiandraiketan\u2019ireo mpanery olona hiasa notendren\u2019i Farao. Nanontaniana izy ireo hoe: \u201cFa maninona no tsy tratranareo ny isan\u2019ny biriky fanaonareo? Efa tsy tratra ilay izy omaly, dia mbola hoatr\u2019izany koa androany.\u201d",
        "15": "Dia nankao amin\u2019i Farao ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa, ka nitaraina hoe: \u201cFa maninona no dia ataonao hoatr\u2019izao ny mpanomponao?",
        "16": "Tsy omena mololo ny mpanomponao, nefa tenenina hoe: \u2018Manaova biriky!\u2019 Kapohina ny mpanomponao, nefa ny vahoakanao no diso.\u201d",
        "17": "Fa hoy i Farao: \u201cMipetrapetraka fotsiny ianareo! Mipetrapetraka fotsiny! Izany no mahatonga anareo hiteny hoe: \u2018Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an\u2019i Jehovah izahay!\u2019",
        "18": "Mandehana amin\u2019izay miverina miasa! Tsy hisy mololo homena anareo eo, nefa tsy maintsy tratrarinareo ny isan\u2019ny biriky mila enjehinareo.\u201d",
        "19": "Ary hitan\u2019ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa fa nidiran-doza izy ireo noho ilay didy hoe: \u201cTsy azonareo ahena mihitsy ny isan\u2019ny biriky enjehinareo isan\u2019andro.\u201d",
        "20": "Rehefa nivoaka avy tao amin\u2019i Farao izy ireo, dia nihaona tamin\u2019i Mosesy sy Arona. Efa nijoro teo mantsy izy roa lahy mba hihaona tamin\u2019izy ireo.",
        "21": "Tonga dia nilaza tamin\u2019izy roa lahy izy ireo hoe: \u201cEnga anie i Jehovah hijery an\u2019izay nataonareo sy hitsara anareo! Fa efa nataonareo izay hankahalan\u2019i Farao sy ny mpanompony anay, ary nasianareo sabatra teny an-tanany hamonoany anay.\u201d",
        "22": "Dia nitodika tany amin\u2019i Jehovah i Mosesy ka niteny hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4! Nahoana ianao no mampijaly an\u2019ity firenena ity? Fa maninona re ianao no naniraka ahy\u00a0e?",
        "23": "Nanomboka tamin\u2019ny fotoana nidirako teo anatrehan\u2019i Farao mba hiteny tamin\u2019ny anaranao, dia vao mainka nampitondra faisana an\u2019ity vahoaka ity izy. Tsy novonjenao akory anefa ny vahoakanao.\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cAnkehitriny dia ho hitanao izay hataoko amin\u2019i Farao. Tanana matanjaka no hanery azy handefa azy ireo, ary tanana matanjaka koa no hanery azy handroaka azy ireo hiala ao amin\u2019ny taniny.\u201d",
        "2": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019i Mosesy: \u201cIzaho no Jehovah.",
        "3": "Tamin\u2019izaho niseho tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia nasehoko azy ireo hoe Andriamanitra Mahery Indrindra aho. Fa ilay anarako hoe Jehovah kosa mbola tsy nampahafantariko azy.",
        "4": "Nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo koa aho hoe homeko azy ireo i Kanana, ilay tany nipetrahany tamin\u2019izy ireo nivahiny tany.",
        "5": "Izaho mihitsy izao no maheno ny fitarainan\u2019ny vahoakan\u2019Israely, izay andevozin\u2019ny Ejipsianina, ka tsaroako ilay fifanekena nataoko.",
        "6": "\u201cKoa lazao amin\u2019ny Israelita hoe: \u2018Izaho no Jehovah, ary hanafaka anareo amin\u2019ny enta-mavesatra ampitondrain\u2019ny Ejipsianina anareo aho. Hanafaka anareo amin\u2019ny fanandevozany aho. Hanavotra anareo amin\u2019ny sandriko mahery aho, ary hosaziko mafy ry zareo.",
        "7": "Ary halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo aho. Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay hanafaka anareo amin\u2019ny enta-mavesatra ampitondrain\u2019ny Ejipsianina anareo.",
        "8": "Ary izaho hitondra anareo any amin\u2019ilay tany efa nanaovako fianianana hoe homena an\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no Jehovah.\u2019\u201d",
        "9": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israelita izany teny izany. Tsy nihaino azy anefa izy ireo, satria kivy sady nijaly be noho ny fanandevozana.",
        "10": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe:",
        "11": "\u201cMankanesa ao amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, dia lazao aminy hoe tokony halefany hiala ao amin\u2019ny taniny ny Israelita.\u201d",
        "12": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cNy Israelita aza ange tsy nihaino ahy\u00a0e! Koa ahoana moa no hihainoan\u2019i Farao ahy? Izaho aza sahirana rehefa miteny!\u201d",
        "13": "Mbola notenenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona indray anefa hoe inona ireo didy tokony homena ny Israelita sy homena an\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, mba hamoahana ny Israelita avy ao Ejipta.",
        "14": "Ireto avy ny loham-pianakavian\u2019izy ireo: Ny zanakalahin\u2019i Robena, lahimatoan\u2019i Israely, dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy. Ireo no fianakavian\u2019i Robena.",
        "15": "Ny zanakalahin\u2019i Simeona dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly zanakalahin\u2019ny vehivavy kananita. Ireo no fianakavian\u2019i Simeona.",
        "16": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Levy, araka ny taranany avy: Gersona sy Kehata ary Merary. Ary 137\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Levy.",
        "17": "Ny zanakalahin\u2019i Gersona dia i Libny sy Simey, araka ny fianakaviany avy.",
        "18": "Ny zanakalahin\u2019i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. Ary 133\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Kehata.",
        "19": "Ny zanakalahin\u2019i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo no fianakavian\u2019ny Levita, araka ny taranany avy.",
        "20": "Ary nalain\u2019i Amrama ho vadiny i Jokebeda anabavin-drainy. Dia niteraka an\u2019i Arona sy Mosesy tamin\u2019i Amrama izy. Ary 137\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Amrama.",
        "21": "Ny zanakalahin\u2019i Jizara dia i Kora sy Nafega ary Zikry.",
        "22": "Ny zanakalahin\u2019i Oziela dia i Misaela sy Elizafana ary Sitry.",
        "23": "Ary nalain\u2019i Arona ho vadiny i Eliseba, zanakavavin\u2019i Aminadaba sady anabavin\u2019i Nasona. Dia niteraka an\u2019i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara tamin\u2019i Arona izy.",
        "24": "Ny zanakalahin\u2019i Kora dia i Asira sy Elkana ary Abiasafa. Ireo no fianakavian\u2019ny Korahita.",
        "25": "I Eleazara, zanakalahin\u2019i Arona, dia naka ny iray tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Potiela ho vadiny. Dia niteraka an\u2019i Finehasa tamin\u2019i Eleazara izy. Ireo no lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Levita, araka ny fianakaviany avy.",
        "26": "Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan\u2019i Jehovah hoe: \u201cEnto mivoaka avy ao Ejipta ny vahoakan\u2019Israely, araka ny antokony avy.\u201d",
        "27": "Ireo Mosesy sy Arona ireo no niresaka tamin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, mba hamoahana ny vahoakan\u2019Israely avy tao Ejipta.",
        "28": "Tamin\u2019ny andro niresahan\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany Ejipta,",
        "29": "dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cIzaho no Jehovah. Lazao amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta izay rehetra lazaiko aminao.\u201d",
        "30": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cIzaho aza ange sahirana rehefa miteny e, koa ahoana moa no hihainoan\u2019i Farao ahy?\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cEfa nataoko hoatran\u2019ny hoe Andriamanitra ianao eo anatrehan\u2019i Farao, ary i Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.",
        "2": "Ianao no hilaza amin\u2019i Arona rahalahinao ny didy rehetra homeko anao, ary i Arona no hiresaka amin\u2019i Farao, dia halefany hiala ao amin\u2019ny taniny ny Israelita.",
        "3": "Izaho kosa hamela an\u2019i Farao hiziriziry amin\u2019ny heviny, ka hampitomboiko ny isan\u2019ny famantarana sy fahagagana hataoko eto Ejipta.",
        "4": "Tsy hihaino anareo anefa i Farao, ka hamely an\u2019i Ejipta ny tanako. Hoentiko hivoaka avy eto Ejipta ny vahoakako maro be, dia ny Israelita, ka hosaziko mafy ny Ejipsianina.",
        "5": "Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah, rehefa hanatsotra ny tanako hamely an\u2019i Ejipta aho ary hitondra an\u2019ireo Israelita hiala eo amin\u2019izy ireo.\u201d",
        "6": "Dia nataon\u2019i Mosesy sy Arona izay nandidian\u2019i Jehovah azy ireo. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo.",
        "7": "Ary 80\u00a0taona i Mosesy, fa i Arona kosa 83\u00a0taona, tamin\u2019izy ireo niresaka tamin\u2019i Farao.",
        "8": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "9": "\u201cRaha milaza aminareo i Farao hoe: \u2018Manaova fahagagana!\u2019, dia teneno i Arona hoe: \u2018Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anoloan\u2019i Farao.\u2019 Dia ho lasa bibilava ngezabe ilay tehina.\u201d",
        "10": "Koa nankao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona, ary narahin\u2019izy ireo an-tsakany sy an-davany izay nasain\u2019i Jehovah nataony. Natsipin\u2019i Arona teo anatrehan\u2019i Farao sy ny mpanompony ny tehiny, dia lasa bibilava ngezabe.",
        "11": "Nantsoin\u2019i Farao anefa ny olon-kendry sy ny mpilalao ody. Dia nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Arona koa ny mpisorona mpanao sikidy tao Ejipta, izay nampiasa herin\u2019ny maizina.",
        "12": "Samy nanipy ny tehiny izy ireo, ary lasa bibilava ngezabe daholo ireny. Natelin\u2019ny tehin\u2019i Arona anefa ny tehin\u2019izy ireo.",
        "13": "Na izany aza, dia niziriziry tamin\u2019ny heviny i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
        "14": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMafy loha i Farao. Tsy mety mandefa ny vahoaka izy.",
        "15": "Koa mankanesa any amin\u2019i Farao rahampitso maraina, fa hivoaka hankeny amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily izy. Dia mijan\u00f2na eny amoron\u2019ilay renirano mba hihaona aminy. Ary ento eny an-tananao ilay tehina lasa bibilava.",
        "16": "Ary lazao aminy hoe: \u2018Efa naniraka ahy tat\u1ef3 aminao i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo, ka niteny hoe: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy any an-tany efitra.\u201d Tsy nankat\u00f2 anefa ianao hatramin\u2019izao.",
        "17": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cIzao no hahafantaranao fa izaho no Jehovah: Hokapohiko amin\u2019ity tehina et\u1ef3 an-tanako ity ny rano ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily, ka ho lasa ra.",
        "18": "Dia ho faty ny trondro ao Neily, ka ho maimbo ilay renirano, ary tsy ho vitan\u2019ny Ejipsianina intsony ny hisotro amin\u2019ny rano ao.\u201d\u2019\u201d",
        "19": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Raiso ny tehinao ka atsory eo ambonin\u2019ny ranon\u2019i Ejipta, dia ny reniranony, sy ny lakandranony, sy ny honahona ao aminy, ary ny fitoeran-drano rehetra ao aminy, mba ho lasa ra ireny.\u2019 Dia ho feno ra eran\u2019i Ejipta, na dia any anaty fitoeran-drano vita amin\u2019ny hazo sy vato aza.\u201d",
        "20": "Tonga dia nataon\u2019i Mosesy sy Arona izay nandidian\u2019i Jehovah azy ireo. Ningainy ilay tehina, dia nokapohiny teo imason\u2019i Farao sy ny mpanompony ny rano tao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily. Koa lasa ra ny rano rehetra tao amin\u2019ilay renirano.",
        "21": "Dia maty ny trondro tao amin\u2019ilay renirano ary maimbo ilay renirano, ka tsy afaka nisotro ny ranon\u2019i Neily ny Ejipsianina. Ary feno ra eran\u2019i Ejipta.",
        "22": "Nanao toy izany koa anefa ireo mpisorona mpanao sikidy tao Ejipta, izay nampiasa hery miafina. Koa mbola niziriziry tamin\u2019ny heviny ihany i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
        "23": "Dia lasa nody tany an-tranony i Farao, ary tsy nampihontsina azy akory izany.",
        "24": "Koa nandavaka teny amin\u2019ny manodidina an\u2019i Neily ny Ejipsianina rehetra mba hahazoana rano hosotroina. Tsy afaka nisotro ny ranon\u2019i Neily mantsy izy ireo.",
        "25": "Ary fito andro katroka ny ranon\u2019i Neily no novan\u2019i Jehovah ho\u00a0ra."
    },
    "8": {
        "1": "Niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah avy eo hoe: \u201cMandehana mankao amin\u2019i Farao, dia lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.",
        "2": "Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ihany ianao, dia hofenoiko sahona ny taninao rehetra.",
        "3": "Koa ho feno sahona be dia be ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily. Dia hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao sy ao amin\u2019ny efitra fatorianao, hankeny am-pandriananao, hiditra any an-tranon\u2019ny mpanomponao, hankeny amin\u2019ny vahoakanao, ary ho ao anatin\u2019ny lafaoronao sy ny vilia famolavolanao koba.",
        "4": "Ho eny aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra ny sahona.\u201d\u2019\u201d",
        "5": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, tat\u1ef3 aoriana: \u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Atsory ilay tananao mitazona tehina, ka ataovy eo ambonin\u2019ny renirano sy ny lakandranon\u2019i Neily ary ny honahona. Dia ampiakaro ho eny amin\u2019ny tany Ejipta ny sahona.\u2019\u201d",
        "6": "Koa natsotran\u2019i Arona teo ambonin\u2019ny ranon\u2019i Ejipta ny tanany, ka nanomboka niakatra ny sahona ary nandrakotra an\u2019ilay tany.",
        "7": "Nanao hoatr\u2019izany koa anefa ny mpisorona mpanao sikidy, izay nampiasa hery miafina. Nampiakatra sahona hankeny amin\u2019ny tany Ejipta koa izy ireo.",
        "8": "Nantsoin\u2019i Farao \u00e0ry i Mosesy sy Arona ka noteneniny hoe: \u201cIangavio i Jehovah hanala ny sahona et\u1ef3 amiko sy eny amin\u2019ny vahoakako, fa vonona aho handefa ny vahoaka. Amin\u2019izay ry zareo afaka manao sorona ho an\u2019i Jehovah.\u201d",
        "9": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Farao: \u201cOmeko anao ny voninahitra hiteny amiko hoe rahoviana aho no hiangavy amin\u2019Andriamanitra mba hanesorana an\u2019ireny sahona ireny eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ao an-tranonao. Dia ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily ihany sisa no hisy sahona.\u201d",
        "10": "Dia hoy i Farao: \u201cRahampitso.\u201d Ary hoy i Mosesy: \u201cHo tanteraka tokoa ny teninao, amin\u2019izay dia ho fantatrao hoe tsy misy mitovy amin\u2019i Jehovah Andriamanitray.",
        "11": "Hiala eny aminao sy ao an-tranonao ireny sahona ireny, ary hiala eny amin\u2019ny mpanomponao sy ny vahoakanao. Dia ao Neily ihany sisa no hisy.\u201d",
        "12": "Koa nivoaka avy tao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona. Dia niangavy an\u2019i Jehovah i Mosesy mba hanala ny sahona nalefany tany amin\u2019i Farao.",
        "13": "Koa nataon\u2019i Jehovah izay nangatahin\u2019i Mosesy, ka maty tsikelikely ny sahona tany an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha.",
        "14": "Ary nangonina ireny dia nivangongo teny rehetra teny, ka maimbo ilay tany.",
        "15": "Rehefa hitan\u2019i Farao fa efa afaka ilay loza, dia niziriziry tamin\u2019ny heviny izy. Tsy nety nihaino azy roa lahy izy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
        "16": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Atsory ny tehinao ary kapohy ny vovoky ny tany, dia ho lasa moka eran\u2019i Ejipta.\u2019\u201d",
        "17": "Ary nataon\u2019izy ireo izany. Natsotran\u2019i Arona ilay tanany nitazona tehina ary nokapohiny ny vovoky ny tany. Dia lasa moka nanerana an\u2019i Ejipta ny vovoka rehetra tamin\u2019ny tany, ka nankeny amin\u2019ny olona sy ny biby.",
        "18": "Ary nampiasa hery miafina ny mpisorona mpanao sikidy ka nanandrana nampisy moka koa, saingy tsy nahavita. Dia nankeny amin\u2019ny olona sy ny biby ny moka.",
        "19": "Koa niteny tamin\u2019i Farao ireo mpisorona mpanao sikidy hoe: \u201cTena rantsantanan\u2019Andriamanitra ity!\u201d Mbola niziriziry tamin\u2019ny heviny foana anefa i Farao ka tsy nihaino azy roa lahy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
        "20": "Hoy i Jehovah avy eo tamin\u2019i Mosesy: \u201cMifohaza maraina, dia mankanesa eo anatrehan\u2019i Farao. Hivoaka hankeny amin\u2019ny rano izy, ka ilazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.",
        "21": "Fa raha tsy alefanao ny vahoakako, dia handefasako fihitra ianao, sy ny mpanomponao, sy ny vahoakanao, ary ny ao an-tranonao. Ho feno fihitra ny trano eto Ejipta, ary na ny tany hijoroan\u2019izy ireo aza ho rakotra fihitra.",
        "22": "Ny any Gosena, ilay tany misy ny vahoakako, kosa tsy maintsy harovako amin\u2019io andro io. Tsy hisy fihitra any, ka izany no hahafantaranao fa izaho Jehovah dia eto amin\u2019ity tany ity.",
        "23": "Ary hataoko miavaka amin\u2019ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso izany famantarana izany no hitranga.\u201d\u2019\u201d",
        "24": "Dia nataon\u2019i Jehovah izany, ka nisy andiana fihitra be dia be nirohotra nankao an-tranon\u2019i Farao sy tao an-tranon\u2019ny mpanompony ary eran\u2019i Ejipta. Koa nandravarava tao amin\u2019ilay tany ny fihitra.",
        "25": "Nantsoin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona tamin\u2019ny farany, dia noteneniny hoe: \u201cMandehana manao sorona ho an\u2019ny Andriamanitrareo, saingy eto Ejipta ihany.\u201d",
        "26": "Hoy anefa i Mosesy: \u201cTsy mety izany, satria zavatra maharikoriko amin\u2019ny Ejipsianina no hataonay sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray. Tsy hotorahan\u2019ny Ejipsianina vato ve izahay raha zavatra maharikoriko azy no hataonay sorona, sady amin\u2019izay eo imasony mihitsy?",
        "27": "Handeha lalana telo andro hankany an-tany efitra izahay, ka any izahay no hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray, araka izay nolazainy taminay.\u201d",
        "28": "Dia hoy i Farao: \u201cHalefako hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo any an-tany efitra ianareo. Fa aza mandeha lavitra loatra fotsiny. Dia mba mivavaha ho ahy.\u201d",
        "29": "Dia hoy i Mosesy: \u201cHiala eto aminao aho izao, ary hitalaho amin\u2019i Jehovah. Koa hiala amin\u2019i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra rahampitso. Tandremo anefa sao mamitaka anay indray i Farao, ka tsy hanaiky handefa ny vahoaka hanao sorona ho an\u2019i Jehovah akory.\u201d",
        "30": "Dia nivoaka avy tao amin\u2019i Farao i Mosesy, ary nitalaho tamin\u2019i Jehovah.",
        "31": "Koa nataon\u2019i Jehovah izay nolazain\u2019i Mosesy, ka niala tamin\u2019i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra. Tsy nisy tavela na iray aza.",
        "32": "Mbola niziriziry tamin\u2019ny heviny indray anefa i Farao, ka tsy nalefany ny vahoaka."
    },
    "9": {
        "1": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMankanesa ao amin\u2019i Farao dia teneno izy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.",
        "2": "Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ireo ihany ianao, ka mbola mitazona azy,",
        "3": "dia hamely ny biby fiompinao any an-tsaha ny tanan\u2019i Jehovah. Ho voan\u2019ny areti-mandringana ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva ary ny omby aman\u2019ondry.",
        "4": "Ary tena hataon\u2019i Jehovah miavaka amin\u2019ny biby fiompin\u2019i Ejipta ny biby fiompin\u2019ny Israely, ka tsy hisy ho faty izay an\u2019ny Israelita.\u201d\u2019\u201d",
        "5": "Nanondro fotoana koa i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cRahampitso i Jehovah no hanao an\u2019izany eto Ejipta.\u201d",
        "6": "Ny ampitson\u2019iny ihany \u00e0ry dia nataon\u2019i Jehovah izany, ka maty daholo ny karazana biby fiompy tao Ejipta. Ny biby fiompin\u2019ny Israely kosa tsy nisy maty na iray aza.",
        "7": "Ary naniraka olona hanadihady an\u2019izany i Farao, ka fantany fa tsy nisy maty ny biby fiompin\u2019ny Israely na iray aza. Mbola mafy loha ihany anefa i Farao, ka tsy nandefa ny vahoaka.",
        "8": "Ary niteny tamin\u2019i Mosesy sy Arona i Jehovah hoe: \u201cFenoy molaly avy ao amin\u2019ny lafaoro fandoroana biriky daholo ny tananareo anankiroa, dia hatsipin\u2019i Mosesy eny amin\u2019ny rivotra, eo anatrehan\u2019i Farao, izany.",
        "9": "Dia ho lasa vovoka manify eran\u2019i Ejipta izany, ka ho lasa vay mamoro-nana eny amin\u2019ny olona sy ny biby eran\u2019i Ejipta.\u201d",
        "10": "Naka molaly tao amin\u2019ny lafaoro fandoroana biriky \u00e0ry izy roa lahy, ary nitsangana teo anatrehan\u2019i Farao. Dia natsipin\u2019i Mosesy teny amin\u2019ny rivotra ilay molaly, ka lasa vay mamoro-nana nipoipoitra teny amin\u2019ny olona sy ny biby.",
        "11": "Koa tsy nahajanona teo anatrehan\u2019i Mosesy ny mpisorona mpanao sikidy satria feno vay. Lasa nisy vay nipoipoitra mantsy tamin\u2019ireo mpisorona ireo sy tamin\u2019ny Ejipsianina rehetra.",
        "12": "Navelan\u2019i Jehovah hiziriziry tamin\u2019ny heviny anefa i Farao. Tsy nihaino azy roa lahy izy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy.",
        "13": "Nilaza tamin\u2019i Mosesy i Jehovah avy eo hoe: \u201cMifohaza maraina, dia mankanesa eo anatrehan\u2019i Farao. Teneno izy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.",
        "14": "Fa alefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra. Amin\u2019izay fantatrao fa tsy misy mitovy amiko eran-tany.",
        "15": "Fa azoko natao ny nanatsotra ny tanako dia nasiako tamin\u2019ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao, ka efa ripaka tsy nisy teto an-tany intsony ianao hoatr\u2019izay.",
        "16": "Izao anefa no tena antony mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.",
        "17": "Mbola manambony tena ihany ve ianao, ka tsy mamela ny vahoakako handeha?",
        "18": "Hampilatsaka havandra be dia be aho rahampitso hoatrahoatr\u2019izao, dia havandra mbola tsy nisy hoatr\u2019izany hatramin\u2019ny andro nanorenana an\u2019i Ejipta ka hatramin\u2019izao.",
        "19": "Koa ilazao ny olona hoe ampidiro any an-trano ny biby fiompinareo rehetra sy ny fanananareo rehetra any an-tsaha. Fa izay olona na biby tavela any an-tsaha, fa tsy nampodiana any an-trano, dia ho faty rehefa hilatsahan\u2019ny havandra.\u201d\u2019\u201d",
        "20": "Koa izay mpanompon\u2019i Farao natahotra ny tenin\u2019i Jehovah, dia nampiditra haingana ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-trano.",
        "21": "Fa izay tsy niraharaha ny tenin\u2019i Jehovah kosa, dia namela ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-tsaha ihany.",
        "22": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory manondro ny lanitra ny tananao mba hisy havandra hilatsaka eran\u2019i Ejipta, dia amin\u2019ny olona sy ny biby ary ny zavamaniry rehetra any an-tsaha manerana an\u2019i Ejipta.\u201d",
        "23": "Koa natsotran\u2019i Mosesy hanondro ny lanitra ny tehiny. Dia nandefa kotroka sy havandra i Jehovah, ary nisy afo nilatsaka tamin\u2019ny tany. Ary nampilatsaka havandra be dia be tany Ejipta i Jehovah.",
        "24": "Dia nilatsaka ny havandra, ary nisy afo nitselatselatra teny anelanelany. Tena be dia be mihitsy ilay havandra, ary mbola tsy nisy hoatr\u2019izany eran\u2019i Ejipta hatrizay naha firenena azy.",
        "25": "Nilatsahan\u2019ny havandra daholo ny zava-drehetra tany an-tsaha nanerana an\u2019i Ejipta, na ny olona na ny biby. Nosimban\u2019ilay izy koa ny zavamaniry rehetra, ary potika ny hazo rehetra tany an-tsaha.",
        "26": "Tany Gosena ihany, tany amin\u2019izay nisy ny Israelita, no tsy nisy havandra.",
        "27": "Nampanantsoin\u2019i Farao \u00e0ry i Mosesy sy Arona, ka hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNanota aho tamin\u2019ity indray mandeha ity. I Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no diso.",
        "28": "Mba iangavio i Jehovah hampitsahatra ny kotroka sy ny havandra avy amin\u2019Andriamanitra. Dia halefako ianareo, ka tsy hijanona eto intsony.\u201d",
        "29": "Hoy \u00e0ry i Mosesy taminy: \u201cVao tafavoaka ny tan\u00e0na aho, dia hivavaka amin\u2019i Jehovah. Dia hitsahatra ny kotroka ary tsy hilatsaka intsony ny havandra. Amin\u2019izay dia ho fantatrao fa an\u2019i Jehovah ny tany.",
        "30": "Efa fantatro anefa fa na amin\u2019izay aza, dia mbola tsy hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao.\u201d",
        "31": "Dia potika ny rongony sy ny vary orza, satria efa teraka ny vary orza tamin\u2019izay ary efa namony ny rongony.",
        "32": "Fa tsy ripaka kosa ny varimbazaha sy ny vary spelta, satria tat\u1ef3 aoriana kokoa ireny vao vokatra.",
        "33": "Ary niala teo amin\u2019i Farao i Mosesy, dia nankany ivelan\u2019ny tan\u00e0na ka nivavaka tamin\u2019i Jehovah. Koa nijanona ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nisy orana nilatsaka intsony tamin\u2019ny tany.",
        "34": "Rehefa hitan\u2019i Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia nanota indray izy ka niziriziry tamin\u2019ny heviny, dia izy sy ny mpanompony.",
        "35": "Ary mbola mafy loha ihany i Farao ka tsy nandefa ny Israelita, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy."
    },
    "10": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMankanesa ao amin\u2019i Farao. Navelako ho mafy loha mantsy izy sy ny mpanompony, mba hahafahako manao an\u2019ireo famantarana ireo eo anatrehany.",
        "2": "Ho afaka hitantara amin\u2019ny zanaka aman-jafinao koa ianao amin\u2019izay hoe tena nasiako mafy i Ejipta ary nanao famantarana teo aminy aho. Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah.\u201d",
        "3": "Koa nankao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona, ary niteny taminy hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: \u2018Mandra-pahoviana ianao no tsy hety hanaiky ahy? Avelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.",
        "4": "Fa raha mbola tsy mety mandefa ny vahoakako ihany ianao, dia handefa valala ao amin\u2019ny faritry ny taninao aho rahampitso.",
        "5": "Ary ho rakotra valala ny tany, ka tsy ho tazana intsony. Dia ho lanin\u2019ireny izay sisa tsy potiky ny havandra. Hohanin\u2019ireny koa ny hazo rehetra maniry any an-tsaha.",
        "6": "Ho feno valala ny tranonareo sy ny tranon\u2019ny mpanomponareo rehetra ary ny trano eran\u2019i Ejipta. Mbola tsy nahita valala be dia be hoatr\u2019izany mihitsy ny rainareo sy ny dadabenareo, hatramin\u2019izay niainany teto amin\u2019ity tany ity ka mandraka androany.\u2019\u201d Dia nihodina izy ka niala teo amin\u2019i Farao.",
        "7": "Ary niteny tamin\u2019i Farao ny mpanompony hoe: \u201cMandra-pahoviana iny lehilahy iny no handrahona antsika? Avelao handeha any ireo olona ireo, mba ho afaka hanompo an\u2019i Jehovah Andriamaniny. Tsy hitanao angaha fa efa potika i Ejipta?\u201d",
        "8": "Koa nasaina niverina tany amin\u2019i Farao indray i Mosesy sy Arona, dia hoy i Farao tamin\u2019izy roa lahy: \u201cMandehana manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo. Fa iza sy iza avy tokoa moa no handeha?\u201d",
        "9": "Dia hoy i Mosesy: \u201cHandeha daholo izahay, na ny tanora na ny antitra, na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy, na ny ondrinay na ny ombinay. Fa hanao fety ho an\u2019i Jehovah izahay.\u201d",
        "10": "Dia hoy izy tamin\u2019izy roa lahy: \u201cIanareo ve dia mihevitra hoe hamela anareo sy ny zanakareo handeha aho? Raha sanatria mitranga izany, dia manampy anareo tokoa i Jehovah! Mikononkonona zava-dratsy mihitsy ianareo.",
        "11": "Tsy manaiky an\u2019izany aho! Izay lehilahy eo aminareo ihany no afaka mandeha manompo an\u2019i Jehovah, satria izany no nangatahinareo.\u201d Dia noroahina niala teo anatrehan\u2019i Farao izy roa lahy.",
        "12": "Hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory eo ambonin\u2019i Ejipta ny tananao mba ho avy ny valala. Dia hiakatra ireny ka hihinana ny zavamaniry rehetra eto Ejipta, dia izay sisa tsy potiky ny havandra.\u201d",
        "13": "Tonga dia natsotran\u2019i Mosesy teo ambonin\u2019i Ejipta ny tehiny. Ary nataon\u2019i Jehovah nisy rivotra avy any atsinanana nitsoka teo amin\u2019ilay tany, nandritra an\u2019iny andro iny sy nandritra ny alina manontolo. Rehefa maraina ny andro, dia nentin\u2019ny rivotra avy any atsinanana ny valala.",
        "14": "Ary niakatra nanerana an\u2019i Ejipta ny valala, dia nipetraka teny amin\u2019ny faritra rehetra tao, ka tena nanelingelina be mihitsy. Mbola tsy nisy valala be dia be hoatr\u2019izany mihitsy talohan\u2019izay, sady tsy hisy hoatr\u2019izany intsony koa.",
        "15": "Rakotra valala ny faritra rehetra ka lasa maizina ilay tany. Dia nohaniny daholo ny zavamaniry rehetra teo amin\u2019ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin\u2019ny hazo, dia izay sisa tsy potiky ny havandra. Tsy nisy zava-maitso tavela intsony eran\u2019i Ejipta, na teny amin\u2019ny hazo, na teny amin\u2019ny zavamaniry tany an-tsaha.",
        "16": "Nantsoin\u2019i Farao haingana \u00e0ry i Mosesy sy Arona, ka noteneniny hoe: \u201cEfa nanota tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.",
        "17": "Mba avelao re ny heloko amin\u2019ity indray mandeha ity fotsiny\u00a0e! Iangavio i Jehovah Andriamanitrareo mba hesoriny amiko izao loza mahafaty izao.\u201d",
        "18": "Koa nivoaka avy tao amin\u2019i Farao izy ary nitalaho tamin\u2019i Jehovah.",
        "19": "Dia novan\u2019i Jehovah ny fitsokan\u2019ny rivotra ka lasa avy any andrefana sady nahery be. Ary nentin\u2019ilay rivotra ny valala ka navariny tao amin\u2019ny Ranomasina Mena. Koa tsy nisy valala tavela intsony, na iray aza, tany amin\u2019ny faritra rehetra tany Ejipta.",
        "20": "Navelan\u2019i Jehovah hiziriziry tamin\u2019ny heviny anefa i Farao, ka tsy nalefany ny Israelita.",
        "21": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory manondro ny lanitra ny tananao mba hisy haizina manerana an\u2019i Ejipta, dia haizina mikitroka tsy ifankahitana.\u201d",
        "22": "Tonga dia natsotran\u2019i Mosesy nanondro ny lanitra ny tanany, ka nisy haizim-pito eran\u2019i Ejipta nandritra ny telo andro.",
        "23": "Koa tsy nifankahita izy ireo, ary tsy nisy niala teo amin\u2019izay nisy azy nandritra ny telo andro. Nisy hazavana kosa tany amin\u2019izay nonenan\u2019ny Israelita rehetra.",
        "24": "Dia nantsoin\u2019i Farao i Mosesy, ka hoy izy taminy: \u201cMandehana manompo an\u2019i Jehovah. Na ny zanakareo aza mahazo miaraka aminareo, fa ny ondrinareo sy ny ombinareo ihany ajanona.\u201d",
        "25": "Fa hoy i Mosesy: \u201cIanao mihitsy no hanome anay biby hatao sorona sy fanatitra dorana, ary hanolotra an\u2019izany ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray izahay.",
        "26": "Hiaraka aminay koa ny biby fiompinay. Tsy misy azo ajanona na biby iray aza, satria avy amin\u2019ireny no hakanay hatao fanatitra hanompoana an\u2019i Jehovah Andriamanitray. Mbola tsy fantatray koa izay hatolotray ho an\u2019i Jehovah raha tsy efa tonga any izahay.\u201d",
        "27": "Koa navelan\u2019i Jehovah hiziriziry tamin\u2019ny heviny i Farao, ka tsy nanaiky handefa an\u2019 ireo Israelita.",
        "28": "Hoy i Farao tamin\u2019i Mosesy: \u201c\u2019Ndeha mandeha any! Dia tandremo sao mitaditady hihaona amiko at\u1ef3 indray, fa ho faty ianao amin\u2019ny andro hihaonanao amiko.\u201d",
        "29": "Dia hoy i Mosesy: \u201cEny \u00e0ry! Tsy hitady hihaona aminao intsony aho.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMbola hahatonga loza iray amin\u2019i Farao sy Ejipta aho, ka aorian\u2019izay izy vao handefa anareo hiala eto. Rehefa handefa anareo izy, dia tena horoahiny tanteraka hiala eto ianareo.",
        "2": "Koa ilazao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra eo amin\u2019ny vahoaka mba hangataka zavatra vita amin\u2019ny volafotsy sy volamena amin\u2019ny mpiray tan\u00e0na aminy.\u201d",
        "3": "Dia nataon\u2019i Jehovah nahazo sitraka teo imason\u2019ny Ejipsianina ny vahoakan\u2019Israely. Na i Mosesy koa aza lasa nohajaina be tao Ejipta, na teo amin\u2019ny mpanompon\u2019i Farao izany, na teo amin\u2019ny vahoaka.",
        "4": "Dia hoy i Mosesy: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Handeha hitety an\u2019i Ejipta aho, rehefa tokotokony ho misasakalina.",
        "5": "Dia ho faty ny lahimatoa rehetra ao Ejipta, hatramin\u2019ny lahimatoan\u2019i Farao, dia i Farao izay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana, ka hatramin\u2019ny lahimatoan\u2019ny mpanompovavy izay manodina ny vato fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraka rehetra amin\u2019ny biby fiompy.",
        "6": "Hidradradradra mafy ny olona eran\u2019i Ejipta, ka mbola tsy nisy hoatr\u2019izany mihitsy hatramin\u2019izay sady tsy hisy hoatr\u2019izany intsony koa.",
        "7": "Na alika iray aza anefa tsy hivov\u00f2 amin\u2019ny Israelita, na amin\u2019ny olona izany na amin\u2019ny biby fiompy. Amin\u2019izay dia ho fantatrareo fa vitan\u2019i Jehovah ny mampiavaka ny Israelita amin\u2019ny Ejipsianina.\u2019",
        "8": "Ary tsy maintsy hidina ho any amiko ireo mpanomponao rehetra ireo, ka hiankohoka eo anatrehako sady hiteny hoe: \u2018\u2019Ndeha mandeha any ianao sy ny olona rehetra manaraka anao!\u2019 Ary handeha tokoa aho aorian\u2019izay.\u201d Dia nivoaka avy tao amin\u2019i Farao i Mosesy sady tezitra\u00a0be.",
        "9": "Ary niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cTsy hihaino anareo i Farao, mba ho betsaka kokoa ny fahagagana hataoko eto Ejipta.\u201d",
        "10": "Nanao an\u2019izany fahagagana rehetra izany teo anatrehan\u2019i Farao i Mosesy sy Arona. Navelan\u2019i Jehovah hiziriziry tamin\u2019ny heviny anefa i Farao, ka tsy nalefany hiala tao amin\u2019ny taniny ny Israelita."
    },
    "12": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona, tany Ejipta:",
        "2": "\u201cIty volana ity no ho volana voalohany ho anareo, ka izy io no hataonareo volana voalohany amin\u2019ny taona.",
        "3": "Mitenena amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo hoe: \u2018Samy tokony haka ondry iray\u00a0avy ho an\u2019ny ankohonan-drainy izy ireo amin\u2019ny andro fahafolo amin\u2019ity volana ity, izany hoe ondry iray isam-pianakaviana.",
        "4": "Raha vitsy loatra anefa ny iray trano ka tsy mahalany ondry iray, dia tokony hifampizara an\u2019ilay izy ao an-tranony izy ireo sy ny mpifanila trano aminy, arakaraka ny isan\u2019ny olona. Koa fantaro ny isan\u2019ny olona sy izay mety ho lanin\u2019ny tsirairay.",
        "5": "Tokony ho ondrilahy herintaona ilay izy sady tsy misy kilema. Afaka mifidy ondrilahy na osilahy kely ianareo.",
        "6": "Karakarao tsara ilay izy mandra-pahatongan\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ity volana ity. Dia hamono an\u2019ilay izy amin\u2019ny takariva ny fiangonan\u2019Israely manontolo.",
        "7": "Hakan\u2019izy ireo ny ra ka hafafiny eo amin\u2019ny tol\u00e0m-baravarana roa sy eo amin\u2019ny tataom-baravaran\u2019ny trano hihinanany an\u2019ilay izy.",
        "8": "\u201c\u2018Tsy maintsy hohanin\u2019izy ireo amin\u2019io alina io ny henany. Tokony hatsatsika eo ambony afo ilay izy, ary hohanina miaraka amin\u2019ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.",
        "9": "Aza misy hohanina manta ny henany na handrahoina amin\u2019ny rano, fa tokony hatsatsika daholo hatramin\u2019ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.",
        "10": "Aza misy tehirizina mandra-paharainan\u2019ny andro ilay izy, fa dory izay sisa tsy lany ka tratran\u2019ny maraina.",
        "11": "Hoatr\u2019izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Efa mifatotra ny fehikibonareo, ho eny an-tongotrareo ny kapanareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo. Dia hohaninareo haingana ilay izy. Paskan\u2019i Jehovah izany.",
        "12": "Fa hitety an\u2019i Ejipta aho amin\u2019io alina io, ka hovonoiko ny lahimatoa rehetra ao, hatramin\u2019ny olona ka hatramin\u2019ny biby. Ary hampihatra didim-pitsarana amin\u2019ny andriamanitr\u2019i Ejipta rehetra aho. Izaho no Jehovah.",
        "13": "Ny ra no ho famantarana ny trano misy anareo. Ho hitako ny ra ka holalovako fotsiny ianareo, dia tsy handringana anareo ny loza rehefa mamely an\u2019i Ejipta aho.",
        "14": "\u201c\u2018Ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hataonareo fety ho an\u2019i Jehovah hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby. Tokony hankalaza azy io ianareo. Fitsipika tokony harahina foana izany.",
        "15": "Mandritra ny fito andro ianareo no hihinana mofo tsy misy lalivay. Hesorinareo tsy ho ao an-tranonareo ny lalivay, amin\u2019ny andro voalohany, satria haringana tsy ho anisan\u2019ny Israely izay olona mihinana zavatra misy lalivay, hatramin\u2019ny andro voalohany ka hatramin\u2019ny andro fahafito.",
        "16": "Hanao fivoriambe masina ianareo amin\u2019ny andro voalohany, ary hanao fivoriambe masina koa amin\u2019ny andro fahafito. Tsy tokony hiasa mihitsy ianareo amin\u2019ireo andro ireo. Izay sakafo hohanin\u2019ny olona tsirairay ihany no azonareo karakaraina.",
        "17": "\u201c\u2018Tsy maintsy mankalaza ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay ianareo, satria amin\u2019io andro io no hitondrako ny vahoakanareo rehetra hivoaka avy eto Ejipta. Ary tsy maintsy mankalaza an\u2019io andro io ianareo, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby. Fitsipika tokony harahinareo foana izany.",
        "18": "Koa hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo amin\u2019ny takarivan\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana voalohany, ka hatramin\u2019ny takarivan\u2019ny andro faha-21 amin\u2019io volana io.",
        "19": "Tsy tokony hahitana lalivay ao an-tranonareo mandritra ny fito andro, satria haringana tsy ho anisan\u2019ny vahoakan\u2019Israely izay olona mihinana zavatra misy lalivay, na vahiny izy na teratany.",
        "20": "Tsy tokony hihinana zavatra misy lalivay mihitsy ianareo. Mofo tsy misy lalivay no hohaninareo any amin\u2019ny trano rehetra misy anareo.\u2019\u201d",
        "21": "Tonga dia nantsoin\u2019i Mosesy ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israely, ka nilazany hoe: \u201cMandehana mifantina biby mbola vantombantony ho an\u2019ny fianakavianareo tsirairay, dia vonoy ilay izy mba hatao sorona hankalazana ny Paska.",
        "22": "Dia mak\u00e0 hysopa iray fehezana, ary atsobohy ao amin\u2019ilay ra ao anaty koveta izany. Dia afafazo eo amin\u2019ny tataom-baravarana sy eo amin\u2019ny tol\u00e0na roa ilay ra. Ary aza misy mivoaka ny tranonareo ianareo mandra-paharainan\u2019ny andro.",
        "23": "Amin\u2019izay rehefa mandalo hamely an\u2019ireo Ejipsianina i Jehovah ka mahita ny ra eo amin\u2019ny tataom-baravarana sy ny tol\u00e0na roa, dia holalovan\u2019i Jehovah fotsiny ilay varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo ny loza mahafaty.",
        "24": "\u201cTsy maintsy mankalaza an\u2019izany ianareo. Fitsipika tokony harahinareo sy ny zanakareo foana izany.",
        "25": "Ary rehefa tafiditra any amin\u2019ny tany homen\u2019i Jehovah anareo ianareo, araka izay efa nolazainy, dia tohizo foana izany fankalazana izany.",
        "26": "Ary rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: \u2018Fa maninona ianareo no manao an\u2019izao fankalazana izao?\u2019,",
        "27": "dia lazao hoe: \u2018Manao an\u2019izao sorona izao isika mba hankalazana ny Paska ho an\u2019i Jehovah. Nolalovany fotsiny mantsy ny tranon\u2019ny Israelita tany Ejipta, tamin\u2019izy namely ny Ejipsianina, fa notsimbininy kosa ny tao an-tranontsika.\u2019\u201d Dia niondrika sy niankohoka ny vahoaka.",
        "28": "Koa lasa ny Israelita, ary nataony izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy sy Arona. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo.",
        "29": "Ary tamin\u2019ny misasakalina, dia naripak\u2019i Jehovah ny lahimatoa rehetra tao Ejipta, hatramin\u2019ny lahimatoan\u2019i Farao, dia i Farao izay nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianana, ka hatramin\u2019ny lahimatoan\u2019ny babo tao am-ponja, ary ny voalohan-teraka rehetra tamin\u2019ny biby.",
        "30": "Dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejipsianina hafa rehetra tamin\u2019iny alina iny. Ary nidradradradra mafy ny Ejipsianina, satria tsy nisy trano tsy nisy maty.",
        "31": "Tonga dia nantsoin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona tamin\u2019iny alina iny, dia noteneniny hoe: \u201cMandehana miala eto amin\u2019ny vahoakako ianareo sy ny Israelita. Mandehana manompo an\u2019i Jehovah, araka ny efa nolazainareo.",
        "32": "Ento koa ny ondrinareo sy ny ombinareo, araka ny efa nolazainareo, dia \u2019ndeha mandeha any. Tsy maintsy mitso-drano ahy koa anefa ianareo.\u201d",
        "33": "Ary nandodona an\u2019ilay vahoaka hiala haingana tao amin\u2019ilay tany ny Ejipsianina, satria hoy izy ireo: \u201cSao ho faty eto daholo izahay.\u201d",
        "34": "Koa nentin\u2019ny olona ny kobany mbola tsy nisy lalivay, sy ny vilia famolavolany koba izay nofonosiny tamin\u2019ny akanjony ka nataony teny an-tsorony.",
        "35": "Ary nataon\u2019ny Israelita izay nasain\u2019i Mosesy nataon\u2019izy ireo, ka nangataka zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy sy volamena tamin\u2019ny Ejipsianina izy ireo sady nangataka akanjo.",
        "36": "Dia nataon\u2019i Jehovah nahazo sitraka tamin\u2019ny Ejipsianina ny vahoaka, ka nomen\u2019izy ireo azy izay nangatahiny. Koa nataon\u2019ny Israelita fongana ny fananan\u2019ny Ejipsianina.",
        "37": "Dia niala tao Ramesesa ny Israelita ka nankany Sokota. Nisy 600\u00a0000 teo ho eo ny lehilahy nandeha an-tongotra, ankoatra ny ankizy.",
        "38": "Nisy olona maro avy amin\u2019ny firenen-kafa koa niaraka tamin\u2019izy ireo. Ary nentin\u2019izy ireo ny ondry sy ny omby, dia biby fiompy be dia be.",
        "39": "Nanaovan\u2019izy ireo mofo boribory tsy misy lalivay ny koba nentiny avy tany Ejipta, dia nataony tao anaty lafaoro. Tsy nisy lalivay ilay koba, satria tampoka be ny nandroahana azy ireo niala tao Ejipta, ka tsy nahavita nanomana vatsy izy ireo.",
        "40": "Nivahiny tany an-tanin\u2019olona nandritra ny 430\u00a0taona ny Israelita, izay nipetraka tany Ejipta.",
        "41": "Tamin\u2019ilay andro nifaranan\u2019ny 430\u00a0taona mihitsy no nivoaka avy tany Ejipta ny vahoakan\u2019i Jehovah rehetra.",
        "42": "Alina hankalazana ny nitondran\u2019i Jehovah azy ireo nivoaka avy tany Ejipta io alina io. Tokony hankalaza an\u2019io alina io ho an\u2019i Jehovah ny vahoakan\u2019Israely rehetra, hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby.",
        "43": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona: \u201cIzao no fitsipika momba ny Paska: Tsy misy olona avy amin\u2019ny firenen-kafa mahazo mihinana azy io.",
        "44": "Raha misy manana mpanompo novidina vola anefa, dia tokony hoforana aloha ilay mpanompo vao mahazo mihinana amin\u2019izy io.",
        "45": "Tsy mahazo mihinana azy io ny mpiavy sy ny mpikarama.",
        "46": "Ao amin\u2019ny trano iray ihany no hihinanana azy. Aza misy entina any ivelan\u2019ny trano ny henan\u2019ilay biby, ary aza misy tapahina ny taolany.",
        "47": "Hankalaza ny Paska ny vahoakan\u2019Israely manontolo.",
        "48": "Raha misy hafa firenena monina eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an\u2019i Jehovah, dia tsy maintsy forana ny lehilahy rehetra ao amin\u2019ny ankohonany. Afaka mankalaza azy io izy aorian\u2019izay, ary hanjary ho toy ny teratany. Fa tsy misy mahazo mihinana azy io ny lehilahy tsy voafora.",
        "49": "Lal\u00e0na iray ihany no hihatra amin\u2019ny teratany sy ny vahiny monina eo aminareo.\u201d",
        "50": "Koa nataon\u2019ny Israelita rehetra izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy sy Arona. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo.",
        "51": "Tamin\u2019iny andro iny mihitsy i Jehovah no nitondra ny Israelita rehetra nivoaka avy tany Ejipta."
    },
    "13": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cHamasino ho ahy ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019ny Israelita. Ahy ny lahy teraka voalohany, na olona izany na biby.\u201d",
        "3": "Dia niteny tamin\u2019ny vahoaka i Mosesy hoe: \u201cTsarovy ity andro ity, izay nivoahanareo avy teto Ejipta, toerana nanandevozana anareo. Nampiasa herin-tsandry mantsy i Jehovah mba hamoahana anareo teto. Koa tsy azo atao ny mihinana zavatra misy lalivay.",
        "4": "Amin\u2019ity andro amin\u2019ny volana Abiba ity ianareo no hiala eto.",
        "5": "Tohizo foana izao fankalazana izao isaky ny volana Abiba, rehefa hampidirin\u2019i Jehovah any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kananita, sy ny Hetita, sy ny Amorita, sy ny Hivita, ary ny Jebosita ianao. Fa efa nianiana tamin\u2019ny razambenao izy hoe hanome anao an\u2019io tany tondra-dronono sy tantely io.",
        "6": "Mandritra ny fito andro ianao no hihinana mofo tsy misy lalivay, ary hisy fety ho an\u2019i Jehovah amin\u2019ny andro fahafito.",
        "7": "Mofo tsy misy lalivay no hohanina mandritra ny fito andro, ary tsy tokony hahitana zavatra misy lalivay ao aminao. Tsy tokony hahitana lalivay koa ao aminao, ao amin\u2019ny taninao manontolo.",
        "8": "Ary teneno amin\u2019ny zanakao amin\u2019izay andro izay hoe: \u2018Noho izay nataon\u2019i Jehovah tamiko tamin\u2019izaho nivoaka avy tany Ejipta no anaovako an\u2019izao.\u2019",
        "9": "Ary ho famantarana eo amin\u2019ny tananao izany sady ho fahatsiarovana eo amin\u2019ny handrinao, mba tsy ho afaka am-bavanao ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah. Nampiasa herin-tsandry mantsy i Jehovah rehefa nitondra anao nivoaka avy teto Ejipta.",
        "10": "Tsy maintsy harahinao io fitsipika io isan-taona, amin\u2019ny fotoana voatondro.",
        "11": "\u201cRehefa entin\u2019i Jehovah ianao ka tonga any amin\u2019ny tanin\u2019 ny Kananita, izay efa nanaovany fianianana taminao sy ny razambenao hoe homena anao,",
        "12": "dia atok\u00e0ny ho an\u2019i Jehovah ny lahimatoa rehetra sy ny lahy voalohan-teraka rehetra amin\u2019ireo biby fiompy hanananao. An\u2019i Jehovah ny lahy rehetra.",
        "13": "Tokony havotanao daholo ny voalohan-teraka amin\u2019ny ampondra, ka ondry no ataovy solony. Raha tsy avotanao anefa ilay izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy. Tokony havotanao koa ny lahimatoa rehetra amin\u2019ny zanakao.",
        "14": "\u201cRaha manontany anao ny zanakao any aoriana any hoe: \u2018Fa maninona isika no manao an\u2019izao?\u2019, dia lazao aminy hoe: \u2018Nampiasa herin-tsandry i Jehovah mba hamoahana antsika avy tany Ejipta, toerana nanandevozana antsika.",
        "15": "Rehefa tsy nety nandefa antsika i Farao fa mafy loha, dia novonoin\u2019i Jehovah ny lahy teraka voalohany rehetra tany Ejipta, hatramin\u2019ny lahimatoan\u2019ny olona ka hatramin\u2019ny voalohan-teraky ny biby. Izany no mahatonga ahy hanao sorona ho an\u2019i Jehovah an\u2019izay lahy voalohan-teraka rehetra amin\u2019ny biby. Ary avotako izay lahimatoa amin\u2019ny zanako.\u2019",
        "16": "Ho famantarana eo amin\u2019ny tananao sy ho fehiloha eo amin\u2019ny handrinao izany, satria nampiasa herin-tsandry i Jehovah mba hamoahana antsika avy teto Ejipta.\u201d",
        "17": "Rehefa nalefan\u2019i Farao ny vahoaka, dia tsy nentin\u2019Andriamanitra tany amin\u2019ilay lalana mankany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina izy ireo, na dia tany aza no akaiky. Fa hoy Andriamanitra: \u201cSao miova hevitra ny vahoaka raha sendra ady, ka hiverina any Ejipta.\u201d",
        "18": "Koa nasain\u2019Andriamanitra nanodidina nanaraka ny lalana mankany amin\u2019ny tany efitry ny Ranomasina Mena ny vahoaka. Hoatran\u2019ny tafika milahatra hiady ny Israelita rehefa niakatra avy tany Ejipta.",
        "19": "Nentin\u2019i Mosesy niaraka taminy koa ny taolambalon\u2019i Josefa, satria efa nasain\u2019i Josefa nianiana ny zanak\u2019Israely ka nilazany hoe: \u201cTsy maintsy hahatsiaro anareo Andriamanitra, ka ento miakatra miaraka aminareo hiala at\u1ef3 ny taolambaloko.\u201d",
        "20": "Dia niala tao Sokota izy ireo ka nitoby tany Etama, teo amin\u2019ny sisin\u2019ny tany efitra.",
        "21": "Nandeha teo alohan\u2019ny vahoaka i Jehovah, ka andry rahona no nitarihany azy ireo nandritra ny andro, ary andry afo no nanazavany azy nandritra ny alina, mba ho afaka handeha izy ireo, na andro na alina.",
        "22": "Tsy niala teo alohan\u2019ny vahoaka ny andry rahona nandritra ny andro, ary ny andry afo nandritra ny alina."
    },
    "14": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita mba hiverina, ka hitoby eo akaikin\u2019i Pihahirota, eo anelanelan\u2019i Migdola sy ny ranomasina, tandrifin\u2019i Bala-zefona. Tandrifin\u2019io, eo akaikin\u2019ny ranomasina, ianareo no hitoby.",
        "3": "Dia izao no holazain\u2019i Farao momba ny Israelita: \u2018Mirenireny tsy mahita lalana ry zareo, ary voahidy any an-tany efitra.\u2019",
        "4": "Dia havelako hiziriziry amin\u2019ny heviny i Farao ka hanenjika an\u2019ireo Israelita. Ary hahazo voninahitra aho rehefa resy i Farao sy ny tafiny rehetra. Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.\u201d Koa izany no nataon\u2019ny Israelita.",
        "5": "Nisy nilaza tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta, tat\u1ef3 aoriana, hoe lasa nandositra ny vahoaka. Niova hevitra avy hatrany i Farao sy ny mpanompony, ka niteny hoe: \u201cFa inona ity nataontsika no dia nalefantsika ny Israely, ka lasa tsy manompo antsika intsony?\u201d",
        "6": "Koa nasain\u2019i Farao nomanina ny kalesy fitondrany miady, ary nentiny niaraka taminy ny olony.",
        "7": "Nitondra kalesy voafantina 600 izy, niaraka tamin\u2019ny kalesy hafa rehetra tao Ejipta. Ary nisy miaramila ny kalesy tsirairay.",
        "8": "Koa navelan\u2019i Jehovah hiziriziry tamin\u2019ny heviny i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, ka nanenjika an\u2019ireo Israelita. Ny Israelita kosa tsy natahotra rehefa niala tany.",
        "9": "Nanenjika an\u2019ireo Israelita ny Ejipsianina, ka tratrany izy ireo rehefa nitoby teo akaikin\u2019ny ranomasina, teo akaikin\u2019i Pihahirota, tandrifin\u2019i Bala-zefona. Nahatratra an-dry zareo teo ny soavaly rehetra mpitarika kalesin\u2019i Farao sy ny mpitaingin-tsoavaliny ary ny tafiny.",
        "10": "Rehefa nihananakaiky ry Farao, dia nitazana azy ireo ny Israelita ka nahita an\u2019ireo Ejipsianina nanenjika azy. Koa natahotra be ny Israelita, ka nitaraina mafy tamin\u2019i Jehovah.",
        "11": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy izy ireo hoe: \u201cTsy misy toeram-pandevenana angaha any Ejipta no nentinao ho faty at\u1ef3 an-tany efitra at\u1ef3 izahay? Fa inona ity nataonao taminay? Fa maninona no nentinao nivoaka avy tany Ejipta izahay?",
        "12": "Tsy izao mihitsy ve ilay efa nolazainay taminao tany Ejipta hoe: \u2018Aza mandrebireby anay, fa avelao izahay hanompo ny Ejipsianina\u2019? Fa aleonay manompo ny Ejipsianina toy izay ho faty at\u1ef3 an-tany efitra at\u1ef3.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cAza matahotra. Mijoroa, ka jereo ny famonjen\u2019i Jehovah izay hataony ho anareo anio. Fa ireo Ejipsianina hitanareo androany ireo, dia tsy ho hitanareo intsony mihitsy.",
        "14": "I Jehovah mihitsy no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.\u201d",
        "15": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cNahoana ianao no mitaraina amiko? Teneno ny Israelita mba hifindra lasy.",
        "16": "Ary ingao ny tehinao ka atsory eo ambonin\u2019ny ranomasina ny tananao, dia saraho ny rano. Amin\u2019izay dia ho afaka hamakivaky eo afovoan\u2019ny ranomasina ny Israelita, ka handeha eo amin\u2019ny tany maina.",
        "17": "Izaho kosa hamela ny Ejipsianina hiziriziry amin\u2019ny heviny, ka hiditra hanenjika ny Israelita izy ireo. Dia hahazo voninahitra aho rehefa resy i Farao sy ny tafiny rehetra, sy ny kalesy fitondrany miady, ary ny mpitaingin-tsoavaliny.",
        "18": "Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah, rehefa mahazo voninahitra aho ka resy i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny.\u201d",
        "19": "Dia lasa nankany aorianan\u2019ny Israelita ny anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra, izany hoe ilay anjely nandeha teo alohany. Nifindra nankany aoriana koa ilay andry rahona izay teo alohan\u2019izy ireo, dia nijanona tao aorianany.",
        "20": "Koa nanjary teo anelanelan\u2019ny Ejipsianina sy ny Israelita ny andry rahona. Maizina ny ilany tamin\u2019ilay rahona, fa nanazava ny alina kosa ny ilany. Tsy nifanatona \u00e0ry ny Ejipsianina sy ny Israelita nandritra ny alina manontolo.",
        "21": "Dia natsotran\u2019i Mosesy teo ambonin\u2019ny ranomasina ny tanany. Ary nasian\u2019i Jehovah rivo-mahery nitsoka avy any atsinanana, nandritra ny alina manontolo, ka nisintona ny ranomasina. Dia lasa tany maina ny fanambanin\u2019ny ranomasina, ary nisaraka ny rano.",
        "22": "Koa nandeha tamin\u2019ny tany maina namakivaky teo afovoan\u2019ny ranomasina ny Israelita, ary toy ny manda teo ankavanany sy teo ankaviany ny rano.",
        "23": "Dia nanenjika azy ireo ny Ejipsianina. Nanaraka azy ireo nankao afovoan\u2019ny ranomasina daholo ny soavalin\u2019i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny.",
        "24": "Nojeren\u2019i Jehovah avy tao amin\u2019ilay andry afo sady andry rahona ny Ejipsianina, tamin\u2019ny fiambenana maraina, ka nataony nifanaritaka.",
        "25": "Nesoriny ny kodiaran\u2019ny kalesin\u2019izy ireo mba ho sarotra entina. Dia hoy ny Ejipsianina: \u201cAndao handositra fa aza manakaiky an\u2019ireo Israelita ireo, fa i Jehovah no miady ho an-dry zareo mba handresena antsika Ejipsianina.\u201d",
        "26": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory eo ambonin\u2019ny ranomasina ny tananao, mba hiverina ny rano ka hanarona ny Ejipsianina sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny.\u201d",
        "27": "Dia natsotran\u2019i Mosesy avy hatrany teo ambonin\u2019ny ranomasina ny tanany, ka nanomboka niverina tamin\u2019ny laoniny ny ranomasina rehefa akaiky ho maraina ny andro. Ny Ejipsianina kosa nandositra an\u2019ilay rano, kanjo nakifik\u2019i Jehovah nankao afovoan\u2019ny ranomasina izy ireo.",
        "28": "Ary niverina ny rano, ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly ary ny tafik\u2019i Farao rehetra, izay nankao an-dranomasina nanaraka ny Israely. Tsy nisy tafavoaka velona izy ireo na iray aza.",
        "29": "Fa ny Israelita kosa nandeha teo amin\u2019ny tany maina teo afovoan\u2019ny ranomasina, ary toy ny manda teo ankavanany sy teo ankaviany ny rano.",
        "30": "Koa novonjen\u2019i Jehovah tsy ho azon\u2019ny tanan\u2019ny Ejipsianina ny Israely, tamin\u2019iny andro iny. Ary hitan\u2019ny Israely niampatrampatra teny amoron-dranomasina ny fatin\u2019ny Ejipsianina.",
        "31": "Hitan\u2019ny Israely koa ny nampiasan\u2019i Jehovah hery lehibe hamelezana ny Ejipsianina. Dia natahotra an\u2019i Jehovah ny vahoaka, sady nino an\u2019i Jehovah sy Mosesy mpanompony."
    },
    "15": {
        "1": "Nanao an\u2019izao hira izao ho an\u2019i Jehovah i Mosesy sy ny Israelita, tamin\u2019izay: \u201cHihira ho an\u2019i Jehovah aho, fa lasa misandratra avo dia avo izy. Natsipiny mafy tao an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.",
        "2": "I Jah no tanjako sy heriko, satria izy no lasa mpamonjy ahy. Izy no Andriamanitro ka hidera azy aho. Andriamanitry ny razambeko izy ka hasandratro.",
        "3": "Mpiady tena mahery i Jehovah. Ary Jehovah no anarany.",
        "4": "Natsipiny tao an-dranomasina ny kalesin\u2019i Farao sy ny tafiny, Ary nilentika tao amin\u2019ny Ranomasina Mena ny miaramilany mahery indrindra.",
        "5": "Nanarona azy ireo ny rano manonja be. Nilentika tany amin\u2019ny lalina toy ny vato izy ireo.",
        "6": "Matanjaka be ny tananao ankavanana, Jehovah\u00a0\u00f4! Afaka manorotoro fahavalo ny tananao ankavanana, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "7": "Tena mahery ianao ka afaka mandavo an\u2019izay mitsangana hanohitra anao. Manampatra ny hatezeranao ianao, ka mandoro azy ireny toy ny fandoro vodivary izany.",
        "8": "Ny fofonain\u2019ny vavoronao no nanangonanao ny rano. Dia tsy nihetsika ny rano, ka lasa hoatran\u2019ny tohodrano. Nivaingana teo afovoan\u2019ny ranomasina ny rano manonja\u00a0be.",
        "9": "Nilaza ny fahavalo hoe: \u2018Henjehiko ry zareo, dia hotratrariko! Hizara an\u2019izay azo babo aho ka tsy hijanona raha tsy afa-po! Hanatsoaka ny sabatro aho! Handringana azy ireo ny tanako!\u2019",
        "10": "Notsofinao tamin\u2019ny fofonainao ny ranomasina ka nanarona azy ireo. Nilentika toy ny firaka nalatsaka tao amin\u2019ny rano\u00a0be izy ireo.",
        "11": "Iza amin\u2019ireo andriamanitra no mitovy aminao, Jehovah\u00a0\u00f4? Iza no faran\u2019izay masina hoatr\u2019anao? Ianao ilay tokony hatahorana ka hanaovana hira fiderana. Ianao ilay manao zava-mahagaga maro.",
        "12": "Natsotranao ny tananao ankavanana, dia nitelina azy ireo ny tany.",
        "13": "Be fitiavana sy tsy mivadika ianao rehefa nitarika ny vahoaka navotanao; Ny herinao no hitarihanao azy ireo ho any amin\u2019ny fonenanao masina.",
        "14": "Haheno an\u2019izany ireo firenena ka hipararetra. Hitebiteby ny mponin\u2019i Filistia.",
        "15": "Amin\u2019izay fotoana izay, dia hihorohoro ny lehibem-pokon\u2019i Edoma, Ary hangovitra ny mpitondra mahery any Moaba. Ho kivy ny mponina rehetra any Kanana.",
        "16": "Hatahotra sy hihorohoro izy ireo. Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo noho ny herin\u2019ny sandrinao, Mandra-pandalon\u2019ny vahoakanao, Jehovah\u00a0\u00f4, Mandra-pandalon\u2019ny vahoaka noforoninao.",
        "17": "Hitondra azy ireo ianao ka hametraka azy eo amin\u2019ny tendrombohitra lovanao, Izay toerana efa nomaninao hoe hipetrahanao, Jehovah\u00a0\u00f4, Dia ny toerana masina naorin\u2019ny tananao, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "18": "Hanjaka mandrakizay mandrakizay i Jehovah.",
        "19": "Rehefa niditra tao an-dranomasina ny soavalin\u2019i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny, Dia naverin\u2019i Jehovah ny rano mba hanafotra azy ireo. Ny vahoakan\u2019Israely kosa nandeha teo amin\u2019ny tany maina teo afovoan\u2019ny ranomasina.\u201d",
        "20": "Dia naka ampongatapaka i Miriama mpaminanivavy, anabavin\u2019i Arona. Ary nitondra ampongatapaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra sady nandihy.",
        "21": "Namaly ny hiran\u2019ireo lehilahy i Miriama, ka nihira hoe: \u201cMihir\u00e0 ho an\u2019i Jehovah, fa lasa misandratra avo dia avo izy. Natsipiny mafy tao an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.\u201d",
        "22": "Nentin\u2019i Mosesy niala teo amin\u2019ny Ranomasina Mena ny Israely tat\u1ef3 aoriana, dia nankany an-tany efitr\u2019i Sora izy ireo. Ary nandeha telo andro tany an-tany efitra izy ireo, nefa tsy nahita rano.",
        "23": "Tonga tany Mara izy ireo, saingy tsy afaka nisotro ny rano tao satria nangidy ilay izy. Izany no nahatonga an\u2019i Mosesy hiantso an\u2019ilay toerana hoe Mara.",
        "24": "Koa nanomboka nimenomenona tamin\u2019i Mosesy ny vahoaka, ka niteny hoe: \u201cDia inona no hosotroinay?\u201d",
        "25": "Ary nitaraina tamin\u2019i Jehovah i Mosesy, ka natoron\u2019i Jehovah azy ny hazo iray naniry teo. Dia natsipin\u2019i Mosesy tao anatin\u2019ilay rano ilay izy, ka lasa mamy ilay rano. Teo Andriamanitra no nametraka fitsipika sy didim-pitsarana ho azy ireo. Teo koa Izy no nitsapa\u00a0toetra azy ireo.",
        "26": "Ary hoy Izy: \u201cRaha mihaino tsara ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka manao izay tsara eo imasony, ary mankat\u00f2 ny didiny sy manaraka ny fitsipiny rehetra, dia tsy hataoko mahavoa anareo ny aretina namelezako an\u2019ireo Ejipsianina, fa izaho Jehovah no manasitrana anareo.\u201d",
        "27": "Tonga tany Elima izy ireo, taorian\u2019izay. Nisy loharano 12 sy hazo palmie 70 tany. Koa nitoby teo amoron-drano izy ireo."
    },
    "16": {
        "1": "Niala tao Elima ny vahoakan\u2019Israely manontolo. Tonga tany an-tany efitr\u2019i Sina eo anelanelan\u2019i Elima sy Sinay izy ireo, tamin\u2019ny farany, tamin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana faharoa, taorian\u2019ny nialany tany Ejipta.",
        "2": "Dia nimenomenona tamin\u2019i Mosesy sy Arona ny vahoakan\u2019Israely manontolo, tany an-tany efitra.",
        "3": "Niteny tamin\u2019izy mirahalahy foana ny Israelita hoe: \u201cNaleonay ihany matin\u2019ny tanan\u2019i Jehovah tany Ejipta, tamin\u2019izahay nipetraka teo akaikin\u2019ny vilany fandrahoan-kena, sady nihinana an\u2019izay mofo laninay. Fa nentinareo at\u1ef3 an-tany efitra at\u1ef3 izahay izao, mba ho faty mosary ity fiangonana manontolo ity.\u201d",
        "4": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cHandatsaka mofo ho anareo avy any an-danitra aho. Tokony hivoaka hanangona an\u2019izay laniny isan\u2019andro ny tsirairay, mba hitsapako azy raha hankat\u00f2 ny lal\u00e0ko izy na tsia.",
        "5": "Amin\u2019ny andro fahenina anefa, dia tokony ho avo roa heny noho izay alainy isan\u2019andro no hangoniny, ary izany no hokarakarain\u2019izy ireo.\u201d",
        "6": "Koa niteny tamin\u2019ny Israelita rehetra i Mosesy sy Arona hoe: \u201cHo fantatrareo tokoa rehefa hariva fa i Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta.",
        "7": "Ary ho hitanareo ny voninahitr\u2019i Jehovah rehefa maraina, satria henony ny fimenomenonanareo tamin\u2019i Jehovah. Fa izahay moa no iza no imenomenonanareo?\u201d",
        "8": "Hoy koa i Mosesy: \u201cHo hitanareo fa henon\u2019i Jehovah ny fimenomenonanareo aminy, rehefa omen\u2019i Jehovah hena ianareo amin\u2019ny hariva ary mofo izay laninareo amin\u2019ny maraina. Fa izahay moa no iza? Tsy izahay ange no imenomenonanareo fa i Jehovah\u00a0e!\u201d",
        "9": "Dia nilaza tamin\u2019i Arona i Mosesy hoe: \u201cIzao tenenina amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo: \u2018Manat\u00f2na eo anatrehan\u2019i Jehovah, fa efa henony ny fimenomenonanareo.\u2019\u201d",
        "10": "Vao niteny tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo i Arona, dia nitodika nanatrika ny tany efitra izy ireo, ary io fa niseho teo amin\u2019ny rahona ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "11": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "12": "\u201cEfa henoko ny fimenomenonan\u2019ny Israelita, ka teneno izy ireo hoe: \u2018Hihinan-kena ianareo amin\u2019ny takariva, ary ho voky mofo amin\u2019ny maraina. Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d",
        "13": "Koa ny harivan\u2019iny, dia tonga ny papelika ka feno ny toby. Ary nisy ando teny amin\u2019ny manodidina ny toby rehefa maraina.",
        "14": "Rehefa lasa etona ilay ando tany an-tany efitra, dia nisy zavatra mivaingambaingana kely toy ny lanezy manify teny amin\u2019ny tany.",
        "15": "Rehefa nahita an\u2019ilay izy ny Israelita, dia nifanontany hoe: \u201cFa inona ireny?\u201d Tsy fantany mantsy hoe inona ilay izy. Dia hoy i Mosesy: \u201cMofo nomen\u2019i Jehovah ho sakafonareo ireny.",
        "16": "Izao no didy nomen\u2019i Jehovah: \u2018Samy tokony hanangona an\u2019izay laniny ny olona tsirairay. Eran\u2019ny omera isan\u2019olona no alaivo, araka ny isan\u2019ny olona ao amin\u2019ny tranolainareo avy.\u2019\u201d",
        "17": "Dia nataon\u2019ny Israelita izany. Samy nanangona izy ireo: Ny an\u2019ny sasany betsaka ary ny an\u2019ny sasany kely.",
        "18": "Rehefa nafatran\u2019izy ireo tamin\u2019ny omera izany, dia tsy nanana ambiny izay nanangona betsaka, ary tsy hoe tsy ampy ny an\u2019izay nanangona kely. Nanangona an\u2019izay laniny ny tsirairay.",
        "19": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019izy ireo: \u201cTsy tokony hisy hamela ambiny ho tratran\u2019ny maraina.\u201d",
        "20": "Tsy nihaino an\u2019i Mosesy anefa izy ireo. Koa rehefa nisy namela ambiny ho tratran\u2019ny maraina, dia namoaka olitra ilay izy ary maimbo, ka tezitra tamin\u2019izy ireo i Mosesy.",
        "21": "Dia naka an\u2019izay laniny avy ny olona isa-maraina. Ary nitsonika ilay izy rehefa nafana ny andro.",
        "22": "Tamin\u2019ny andro fahenina dia naka mofo avo roa heny izy ireo, izany hoe indroan\u2019ny omera isan\u2019olona. Koa tonga nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Mosesy ny mpiadidy rehetra teo amin\u2019ny vahoaka.",
        "23": "Dia hoy i Mosesy: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: Hisy fitsaharana tanteraka rahampitso, dia sabata masina ho an\u2019i Jehovah. Koa andrahoy ao anaty lafaoro izay tokony handrahoinareo, ary ampangotraho izay tokony hampangotrahinareo. Dia ampirimo ny ambiny ary tehirizo mandra-paharainan\u2019ny andro.\u201d",
        "24": "Koa notehirizin\u2019izy ireo mandra-paharainan\u2019ny andro ilay izy, araka ny didy nomen\u2019i Mosesy. Ary tsy maimbo ilay izy sady tsy namoaka olitra.",
        "25": "Dia hoy i Mosesy: \u201cAndroany no tokony hohaninareo io, satria sabata ho an\u2019i Jehovah androany, ka tsy hahita azy io eny amin\u2019ny tany ianareo.",
        "26": "Enina andro ianareo no haka azy io, fa tsy hisy kosa amin\u2019ny andro fahafito, amin\u2019ny Sabata.\u201d",
        "27": "Mbola nisy olona nivoaka haka an\u2019ilay izy ihany anefa tamin\u2019ny andro fahafito, fa tsy nahita.",
        "28": "Nilaza tamin\u2019i Mosesy \u00e0ry i Jehovah hoe: \u201cMandra-pahoviana ianareo no tsy hety hankat\u00f2 ny didiko sy ny lal\u00e0ko?",
        "29": "Tadidio fa nanome anareo ny Sabata i Jehovah! Izany no antony anomezany anareo mofo ampy roa andro, amin\u2019ny andro fahenina. Tokony hijanona any amin\u2019izay misy azy avy ny rehetra. Tsy tokony hisy hiala ao amin\u2019ny toerana misy azy, amin\u2019ny andro fahafito.\u201d",
        "30": "Koa nitandrina ny Sabata ny vahoaka tamin\u2019ny andro fahafito.",
        "31": "Nantsoin\u2019ny taranak\u2019Israely hoe \u201cmana\u201d ilay mofo. Fotsy toy ny voan-kotimila ilay izy, ary hoatran\u2019ny tsiron\u2019ny mofo fisaka misy tantely ny tsirony.",
        "32": "Dia hoy i Mosesy: \u201cIzao no didy nomen\u2019i Jehovah: \u2018Mak\u00e0 mana eran\u2019ny omera mba hotehirizina hatrany amin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby. Amin\u2019izay dia ho hitan\u2019izy ireo ilay mofo nomeko hohaninareo tat\u1ef3 an-tany efitra, tamin\u2019izaho nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta.\u2019\u201d",
        "33": "Koa niteny tamin\u2019i Arona i Mosesy hoe: \u201cMak\u00e0 siny dia asio mana eran\u2019ny omera. Ary apetraho eo anatrehan\u2019i Jehovah izany mba hotehirizina hatrany amin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby.\u201d",
        "34": "Dia napetrak\u2019i Arona teo anoloan\u2019ny Tenin\u2019ny Vavolombelona izany mba ho azo tehirizina, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "35": "Nihinana mana nandritra ny 40\u00a0taona ny Israelita, mandra-pahatongany tany amin\u2019izay tany nisy mponina. Mana no nohanin\u2019izy ireo mandra-pahatongany tany amin\u2019ny sisin\u2019ny tany Kanana.",
        "36": "Ampahafolon\u2019ny efaha ny eran\u2019ny omera."
    },
    "17": {
        "1": "Niala tao an-tany efitr\u2019i Sina ny vahoakan\u2019Israely manontolo, ka nifindrafindra toerana araka ny baikon\u2019i Jehovah. Dia nitoby tany Refidima izy ireo. Tsy nisy rano hosotroin\u2019ny vahoaka anefa tao.",
        "2": "Koa nila ady tamin\u2019i Mosesy ny vahoaka, ka niteny hoe: \u201cOmeo rano izahay hosotroinay.\u201d Fa hoy i Mosesy: \u201cManinona ianareo no mila ady amiko? Nahoana ianareo no mitsapa an\u2019i Jehovah foana?\u201d",
        "3": "Main\u2019ny hetaheta anefa ny vahoaka rehefa tany, ka nimenomenona tamin\u2019i Mosesy foana hoe: \u201cFa maninona izahay no nentinao niakatra avy tany Ejipta? Tianao ho fatin\u2019ny hetaheta at\u1ef3 angaha izahay sy ny zanakay ary ny biby fiompinay?\u201d",
        "4": "Nitaraina tamin\u2019i Jehovah i Mosesy tamin\u2019ny farany hoe: \u201cHataoko ahoana ity vahoaka ity? Raha izao no mitohy, dia hitora-bato ahy ry zareo!\u201d",
        "5": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMandehana eo anoloan\u2019ny vahoaka, ary ento miaraka aminao ny anti-panahy vitsivitsy eo amin\u2019ny Israely. Ary ento eny an-tananao ilay tehina nikapohanao ny Reniranon\u2019i Neily, dia mandehana.",
        "6": "Fa hitsangana eo anatrehanao, eo ambony vatolampy ao Horeba, aho. Kapohy ilay vatolampy, dia hisy rano hivoaka avy ao ka hisotro amin\u2019izany ny vahoaka.\u201d Dia nataon\u2019i Mosesy teo imason\u2019ny anti-panahin\u2019ny Israely izany.",
        "7": "Koa nantsoiny hoe Masa sy Meriba ilay toerana, satria nila ady tamin\u2019i Mosesy ny Israelita, sady nitsapa an\u2019i Jehovah ka niteny hoe: \u201cFa eto amintsika ve i Jehovah sa tsy eto\u00a0e?\u201d",
        "8": "Dia tonga ny Amalekita ka niady tamin\u2019ny Israely tao Refidima.",
        "9": "Niteny tamin\u2019i Josoa \u00e0ry i Mosesy hoe: \u201cMifidiana lehilahy eto amintsika, dia mandehana miady amin\u2019ny Amalekita. Hitsangana eny an-tampon-kavoana aho rahampitso, sady hotazoniko eny an-tanako ny tehin\u2019ilay tena Andriamanitra.\u201d",
        "10": "Dia nataon\u2019i Josoa izay nolazain\u2019i Mosesy, ka niady tamin\u2019ny Amalekita izy. Ary niakatra teny an-tampon-kavoana i Mosesy sy Arona ary Hora.",
        "11": "Rehefa nataon\u2019i Mosesy ambony ny tanany, dia nahery ny Israelita. Raha vao nampidininy kosa ny tanany, dia ny Amalekita no nahery.",
        "12": "Rehefa vizana ny tanan\u2019i Mosesy, dia naka vato i Arona sy Hora ka nataony teo ambanin\u2019i Mosesy, dia nipetraka teo izy. Avy eo, dia notohanan\u2019izy roa lahy ny tanany roa, ka i Arona teo amin\u2019ny andaniny ary i Hora teo amin\u2019ny ankilany. Amin\u2019izay dia tsy mihetsika ny tanan\u2019i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro.",
        "13": "Koa resin\u2019i Josoa i Amaleka sy ny vahoakany ka nasiany tamin\u2019ny sabatra.",
        "14": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cSoraty ao amin\u2019ny boky izao mba ho tadidy, sady lazao amin\u2019i Josoa hoe: \u2018Hofafako tanteraka tsy ho eny ambanin\u2019ny lanitra ny Amalekita, ka tsy hotsarovana intsony.\u2019\u201d",
        "15": "Dia nanorina alitara i Mosesy, ary nataony hoe Jehovah-nis\u1ef3 ny anaran\u2019ilay izy.",
        "16": "Fa hoy izy: \u201cSatria manohitra ny seza fiandrianan\u2019i Jah ny tanan\u2019i Amaleka, dia hiady aminy hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby i Jehovah.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Ary henon\u2019i Jetro, mpisorona tany Midianina sady rafozandahin\u2019i Mosesy, ny zava-drehetra nataon\u2019Andriamanitra ho an\u2019i Mosesy sy ny Israely vahoakany, dia ny nitondran\u2019i Jehovah ny Israely nivoaka avy tany Ejipta.",
        "2": "Dia nentin\u2019i Jetro rafozan\u2019i Mosesy i Zipora vadin\u2019i Mosesy. Nalefa nody tany amin\u2019i Jetro mantsy i Zipora",
        "3": "sy ny zanany roa lahy. Gersoma no natao anaran\u2019ny iray, satria hoy i Mosesy: \u201cLasa mpivahiny at\u1ef3 an-tanin\u2019olona aho.\u201d",
        "4": "Ny anaran\u2019ny iray kosa natao hoe Eliezera, fa hoy izy: \u201cNy Andriamanitry ny raiko no mpanampy ahy, ka namonjy ahy tsy ho fatin\u2019ny sabatr\u2019i Farao.\u201d",
        "5": "Koa lasa nankany amin\u2019i Mosesy i Jetro rafozany sy ny vady aman-janak\u2019i Mosesy. Tany amin\u2019ilay tany efitra nilasiany i Mosesy tamin\u2019izay, teo amin\u2019ny tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "6": "Dia naniraka olona hilaza tamin\u2019i Mosesy i Jetro hoe: \u201cTonga at\u1ef3 aminao izaho Jetro rafozanao, miaraka amin\u2019ny vadinao sy ny zanany roa lahy.\u201d",
        "7": "Tonga dia nivoaka hitsena ny rafozany i Mosesy, ka niankohoka sy nanoroka azy. Dia nifanontany fahasalamana izy mianaka, ary nankao anaty tranolay avy\u00a0eo.",
        "8": "Notantarain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny rafozany izay rehetra nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019i Farao sy Ejipta mba hanampiana ny Israely. Notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra hitan\u2019izy ireo teny an-dalana sy ny namonjen\u2019i Jehovah azy ireo.",
        "9": "Dia faly i Jetro noho ny soa rehetra nataon\u2019i Jehovah ho an\u2019ny Israely, tamin\u2019ny namonjeny azy ireo teo an-tanan\u2019ny Ejipsianina.",
        "10": "Hoy izy avy eo: \u201cHoderaina anie i Jehovah, izay namonjy anareo tamin\u2019ny Ejipsianina sy tamin\u2019i Farao, sady namonjy ny vahoaka teo ambany fifehezan\u2019ny Ejipsianina!",
        "11": "Fantatro izao fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah, rehefa jerena izay nataony tamin\u2019ireo nanao tsinontsinona ny vahoakany.\u201d",
        "12": "Dia nitondra fanatitra dorana sy sorona ho an\u2019Andriamanitra i Jetro, rafozan\u2019i Mosesy. Ary tonga niara-nisakafo taminy teo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra i Arona sy ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israely.",
        "13": "Ny ampitson\u2019iny, dia nipetraka mba hitsara ny vahoaka i Mosesy, toy ny mahazatra. Ary nijajirika teo anoloany ny vahoaka, nanomboka maraina mandra-paharivan\u2019ny andro.",
        "14": "Rehefa nahita an\u2019izay rehetra nataon\u2019i Mosesy ho an\u2019ny vahoaka ny rafozany, dia niteny hoe: \u201cFa inona ity ataonao ho an\u2019ny vahoaka ity\u00a0e? Fa maninona no ianao irery no mipetraka eto, dia ny olona rehetra mitsangana eo anatrehanao, maraina mandra-paharivan\u2019ny andro?\u201d",
        "15": "Dia namaly i Mosesy hoe: \u201cSatria tonga eto amiko foana ny vahoaka mba hanontany an\u2019Andriamanitra.",
        "16": "Rehefa misy raharaha tsy mampifanaraka azy ireo, dia entiny eto amiko ilay izy. Dia tsy maintsy mitsara ny andaniny sy ny ankilany aho, ary ampahafantariko azy ireo ny didin\u2019ilay tena Andriamanitra sy ny lal\u00e0ny.\u201d",
        "17": "Dia niteny ny rafozany hoe: \u201cTsy mety izao ataonao izao.",
        "18": "Tena ho reraka ianao sy ity vahoaka miaraka aminao ity. Mavesatra loatra aminao mantsy izao zavatra izao ka tsy ho vitanao irery.",
        "19": "Koa henoy aho fa misy torohevitra homeko anao, ary hotahin\u2019Andriamanitra anie ianao: Ianao no misolo tena ny vahoaka eo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra, sy mitondra ny raharaha eo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "20": "Ampianaro azy ireo ny fitsipika sy ny lal\u00e0na, ary ampahafantaro azy ny lalana tokony halehany sy izay tokony hataony.",
        "21": "Mila mifidy lehilahy avy amin\u2019ny vahoaka anefa ianao, dia lehilahy mahay, matahotra an\u2019Andriamanitra, azo itokisana, ary tsy tia tombony azo amin\u2019ny tsy marina. Dia tendreo ho lehiben\u2019ny arivo, lehiben\u2019ny zato, lehiben\u2019ny dimampolo, ary lehiben\u2019ny folo izy ireo.",
        "22": "Izy ireo no hitsara ny vahoaka rehefa misy raharaha tsy mampifanaraka azy ireo. Dia hoentiny eo aminao izay raharaha sarotra rehetra, fa ny raharaha tsotsotra rehetra kosa hotsarainy. Ataovy izay hahamaivana kokoa ny andraikitrao, ka asaivo miara-miasa aminao izy ireo.",
        "23": "Raha izany no ataonao, ary raha Andriamanitra no mandidy anao hanao an\u2019izany, dia ho vitanao ny andraikitrao ary ho afa-po ny rehetra rehefa mody any aminy.\u201d",
        "24": "Narahin\u2019i Mosesy avy hatrany ny tenin\u2019ny rafozany, ka nataony daholo izay nolazainy.",
        "25": "Nifidy lehilahy mahay teo amin\u2019ny Israely rehetra i Mosesy, ka nanendry azy ireo ho lohandohany teo amin\u2019ny vahoaka, dia lehiben\u2019ny arivo, lehiben\u2019ny zato, lehiben\u2019ny dimampolo, ary lehiben\u2019ny folo.",
        "26": "Koa izy ireo no nitsara ny vahoaka, rehefa nisy raharaha tsy nampifanaraka azy ireo. Nentiny tany amin\u2019i Mosesy ny raharaha sarotra, fa ny raharaha tsotsotra rehetra kosa notsarainy ihany.",
        "27": "Ary naterin\u2019i Mosesy ny rafozany taorian\u2019izay, dia lasa nody tany amin\u2019ny taniny."
    },
    "19": {
        "1": "Tonga tany an-tany efitr\u2019i Sinay ny Israelita ny androtr\u2019iny, tamin\u2019ny volana fahatelo, taorian\u2019ny nialany tany Ejipta.",
        "2": "Niala tao Refidima izy ireo, dia tonga tany an-tany efitr\u2019i Sinay ka nilasy tany. Nitoby tany, teo anoloan\u2019ny tendrombohitra, ny Israely.",
        "3": "Dia niakatra nankany amin\u2019ilay tena Andriamanitra i Mosesy. Ary niantso azy avy teo amin\u2019ilay tendrombohitra i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cIzao no holazainao amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba sy hoteneninao amin\u2019ny Israelita:",
        "4": "\u2018Efa hitanareo ny nataoko tamin\u2019ny Ejipsianina, mba hitondrana anareo tamin\u2019ny elatry ny voromahery sy hitarihana anareo ho at\u1ef3 amiko.",
        "5": "Raha mankat\u00f2 an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ankehitriny ka manaja ny fifanekena hataoko aminareo, dia ho fananako manokana hofidiko avy amin\u2019ny firenena rehetra tokoa ianareo, satria ahy ny tany manontolo.",
        "6": "Ho lasa mpanjaka sy mpisorona ary firenena masina ho ahy ianareo.\u2019 Ireo no teny holazainao amin\u2019ny Israelita.\u201d",
        "7": "Koa lasa i Mosesy ary nampanantsoiny ny anti-panahy teo amin\u2019ny vahoaka, dia nolazainy tamin\u2019izy ireo izany teny rehetra nandidian\u2019i Jehovah azy izany.",
        "8": "Dia niara-namaly ny vahoaka manontolo hoe: \u201cVonona hanao an\u2019izay rehetra nolazain\u2019i Jehovah izahay.\u201d Ary noresahin\u2019i Mosesy avy hatrany tamin\u2019i Jehovah ny valin-tenin\u2019ny vahoaka.",
        "9": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cHankeo aminao ao anaty rahona mainty aho, mba ho henon\u2019ny vahoaka rehefa miteny aminao, ary mba hino anao foana koa izy ireo.\u201d Dia noresahin\u2019i Mosesy tamin\u2019i Jehovah ny tenin\u2019ny vahoaka.",
        "10": "Ary niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cMandehana mankany amin\u2019ny vahoaka, ary hamasino izy ireo androany sy rahampitso. Dia asaivo sasan-dry zareo ny akanjony.",
        "11": "Ary tokony ho vonona izy ireo amin\u2019ny andro fahatelo, satria amin\u2019ny andro fahatelo i Jehovah no hidina eo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, eo imason\u2019ny vahoaka manontolo.",
        "12": "Asio fetra tsy azon\u2019ny vahoaka ihoarana manodidina ny tendrombohitra, ka teneno izy ireo hoe: \u2018Tandremo sao miakatra any an-tendrombohitra na mikasika ny sisiny, fa tena hovonoina ho faty izay mikasika ny tendrombohitra.",
        "13": "Aza mikasika an\u2019izay manao an\u2019izany anefa, fa torahy vato izy na tifiro amin\u2019ny zana-tsip\u00ecka. Hovonoina ho faty izy, na olona na biby.\u2019 Rehefa tsofina anefa ny anjombona vita amin\u2019ny tandrok\u2019ondry, dia mahazo manatona ny tendrombohitra ny vahoaka.\u201d",
        "14": "Dia nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy ka nankany amin\u2019ny vahoaka, dia nanamasina azy ireo. Ary samy nanasa ny akanjony izy ireo.",
        "15": "Dia niteny tamin\u2019ny vahoaka i Mosesy hoe: \u201cMiom\u00e0na mba ho vonona ianareo amin\u2019ny andro fahatelo. Ary aza manao firaisana.\u201d",
        "16": "Ny marainan\u2019ny andro fahatelo, dia nisy kotroka sy tselatra ary rahona matevina teo ambonin\u2019ilay tendrombohitra. Nisy feon\u2019anjombona naneno mafy be koa. Ary nangovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.",
        "17": "Dia nentin\u2019i Mosesy nivoaka avy tao an-toby ny vahoaka mba hihaona amin\u2019ilay tena Andriamanitra. Nankeo am-pototr\u2019ilay tendrombohitra izy ireo.",
        "18": "Dia nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay iray manontolo, satria nidina teo amboniny tao anaty afo i Jehovah. Niakatra hoatran\u2019ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky ny setrok\u2019ilay izy. Ary nihovotrovotra be ilay tendrombohitra manontolo.",
        "19": "Rehefa nihamafy ny feon\u2019ilay anjombona, dia niteny i Mosesy ary namaly azy ny feon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "20": "Koa nidina nankeo an-tampon\u2019ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah. Ary nantsoin\u2019i Jehovah hankeo an-tampon-tendrombohitra i Mosesy, ka niakatra nankeny.",
        "21": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMid\u00ecna, ary ampitandremo ny vahoaka sao hisisika hihoatra ny fetra mba hijery an\u2019i Jehovah, ka ho betsaka no ho faty.",
        "22": "Ary aoka hanamasina ny tenany ireo mpisorona mpankeo amin\u2019i Jehovah, sao hamely azy i Jehovah.\u201d",
        "23": "Dia niteny tamin\u2019i Jehovah i Mosesy hoe: \u201cTsy afaka miakatra et\u1ef3 amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay ny vahoaka, satria efa nampitandrina anay ianao hoe: \u2018Asio fetra manodidina ny tendrombohitra ary hamasino izy io.\u2019\u201d",
        "24": "Hoy anefa i Jehovah taminy: \u201cMandehana aloha midina, ary miakara indray avy eo dia ento miaraka aminao i Arona. Aza avela hisisika hihoatra ny fetra mba hankat\u1ef3 amin\u2019i Jehovah anefa ny mpisorona sy ny vahoaka, sao hamely azy ireo izy.\u201d",
        "25": "Nidina nankany amin\u2019ny vahoaka \u00e0ry i Mosesy ka niteny an\u2019izany tamin\u2019izy ireo."
    },
    "20": {
        "1": "Dia nilaza an\u2019ireto teny rehetra ireto Andriamanitra:",
        "2": "\u201cIzaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anao.",
        "3": "Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy.",
        "4": "\u201cAza manao sary sokitra ho anao, na manamboatra zavatra mitovy bika amin\u2019izay eny amin\u2019ny lanitra ambony, na izay et\u1ef3 amin\u2019ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin\u2019ny tany.",
        "5": "Aza miankohoka eo anatrehan\u2019ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany. Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.",
        "6": "Fa raha misy kosa tia ahy sy mankat\u00f2 ny didiko, dia ho tiako foana ny taranany, hatramin\u2019ny taranany faharivo.",
        "7": "\u201cAza manao tsinontsinona ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao, fa tsy havelan\u2019i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.",
        "8": "\u201cTsarovy ny andro sabata mba ho masina foana io andro io.",
        "9": "Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.",
        "10": "Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin\u2019ny tan\u00e0na kelinao.",
        "11": "Fa enina andro no nanaovan\u2019i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary izay rehetra ao amin\u2019ireo. Ary nanomboka nitsahatra izy tamin\u2019ny andro fahafito. Izany no antony nitahian\u2019i Jehovah ny andro sabata sy nanamasinany azy.",
        "12": "\u201cHajao ny rainao sy ny reninao mba ho ela velona ianao, eo amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
        "13": "\u201cAza mamono olona.",
        "14": "\u201cAza manitsakitsa-bady.",
        "15": "\u201cAza mangalatra.",
        "16": "\u201cAza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namanao.",
        "17": "\u201cAza mitsiriritra ny tranon\u2019ny namanao. Aza mitsiriritra ny vadin\u2019ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona fananany.\u201d",
        "18": "Ary henon\u2019ny vahoaka manontolo ny kotroka sy ny feon\u2019anjombona, sady hitany ny tselatra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka. Dia nangovitra izy ireo rehefa naheno sy nahita an\u2019izany, ka nijanona teny lavidavitra teny.",
        "19": "Koa nilaza tamin\u2019i Mosesy izy ireo hoe: \u201cAleo ianao no miteny aminay, dia izahay hihaino. Fa aleo tsy Andriamanitra no miteny aminay sao ho faty izahay.\u201d",
        "20": "Hoy \u00e0ry i Mosesy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cAza matahotra fa tonga hitsapa anareo ilay tena Andriamanitra, amin\u2019izay ianareo hatahotra azy foana dia tsy hanota.\u201d",
        "21": "Koa nijanona teny lavidavitra teny foana ny vahoaka, fa i Mosesy kosa nanatona an\u2019ilay rahona mainty nisy an\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "22": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cIzao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Efa hitanareo fa avy tany an-danitra aho no niresaka taminareo.",
        "23": "Koa aza manao andriamanitra volafotsy ho fanampiko, ary aza manamboatra andriamanitra volamena ho anareo.",
        "24": "Alitara tany no ataovy ho ahy, ary ataovy sorona eo amboniny ny fanatitra dorana, ny sorona iombonana, ny ondrinao, ary ny ombinao. Ary ho any aminao aho ka hitahy anao, any amin\u2019izay toerana rehetra hofidiko hahatsiarovana ny anarako.",
        "25": "Raha manorina alitara vato ho ahy ianao, dia aza atao amin\u2019ny vato voapaika izany. Hanazimbazimba azy mantsy ianao raha mampiasa fandraka hanaovana azy.",
        "26": "Ary aza asiana tohatra hiakarana mankeo amin\u2019ny alitarako, sao ho hita ny faritra mahamenatra amin\u2019ny vatanao rehefa eo amin\u2019ny alitara ianao.\u2019"
    },
    "21": {
        "1": "\u201cIreto avy ny lal\u00e0na tokony hampahafantarinao ny vahoaka:",
        "2": "\u201cRaha mividy mpanompolahy hebreo ianao, dia ho mpanompo mandritra ny enin-taona izy. Fa amin\u2019ny taona fahafito kosa, dia hafahana izy ary tsy handoa na inona na inona.",
        "3": "Raha tsy nanambady izy tamin\u2019izy lasa mpanomponao, dia izy irery no hiala. Raha efa nanambady kosa izy, dia hiala miaraka aminy ny vadiny.",
        "4": "Raha omen\u2019ny tompony vady izy ka miteraka lahy na vavy aminy ilay vehivavy, dia ho fananan\u2019ny tompony ilay vehivavy sy ny zanany, fa ilay mpanompolahy irery no hiala.",
        "5": "Raha manizingizina anefa izy hoe: \u2018Tiako ny tompoko sy ny vady aman-janako, ka tsy te ho olona afaka aho\u2019,",
        "6": "dia hoentin\u2019ny tompony eo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra izy. Dia hankinin\u2019ilay tompony eo amin\u2019ny varavarana na eo amin\u2019ny tol\u00e0na izy, ary hotevehiny amin\u2019ny haolo ny sofiny. Ary ho mpanompony mandra-pahafatiny izy.",
        "7": "\u201cRaha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo, dia tsy hitovy amin\u2019ny fomba hanafahana mpanompolahy ny fomba hanafahana an\u2019ilay vehivavy.",
        "8": "Raha tsy tian\u2019ny tompony ilay mpanompovavy ka tsy alainy ho vadikely fa itadiavany olona hividy azy, dia tsy mahazo mivarotra azy amin\u2019ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa izy satria namadika azy.",
        "9": "Raha ho an\u2019ny zanany lahy no nakany an\u2019ilay mpanompovavy, dia tsy maintsy omeny zo toy ny an\u2019ny zanakavavy izy.",
        "10": "Raha maka vady hafa koa izy, dia tsy tokony hahenany ny sakafon\u2019ilay vadiny voalohany sy ny akanjony ary ny adidy amim-bady tokony hataony aminy.",
        "11": "Fa raha tsy omeny an\u2019ilay mpanompovavy ireo zavatra telo ireo, dia hafahany ilay mpanompovavy ary tsy hampandoaviny vola.",
        "12": "\u201cIzay mamely olona ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hovonoina ho faty.",
        "13": "Raha tsy nanao fanahy iniana anefa izy ary navelan\u2019ilay tena Andriamanitra hitranga izany, dia hanondro toerana ho anao aho mba ho azony andosirana.",
        "14": "Raha tezitra be amin\u2019ny namany ny olona iray ka manao fanahy iniana mamono azy ho faty, dia tsy maintsy hovonoina ho faty izy, na dia tsy maintsy haka azy eo amin\u2019ny alitarako aza ianao.",
        "15": "Izay mikasi-tanana ny rainy na ny reniny, dia tsy maintsy hovonoina ho faty.",
        "16": "\u201cIzay maka olona an-keriny dia tsy maintsy hovonoina ho faty, na efa namidiny ilay olona na mbola tratra any aminy.",
        "17": "\u201cIzay manozona ny rainy na ny reniny, dia tsy maintsy hovonoina ho faty.",
        "18": "\u201cIzao no hatao raha misy olona mifamaly be ka mamely an\u2019ilay namany amin\u2019ny vato ny iray na manisy totohondry azy, nefa tsy maty izy saingy tsy maintsy mijanona eo am-pandriana:",
        "19": "Tsy hosazina ilay namely raha afaka mitsangana ilay naratra ka afaka mandehandeha mitondra tehina eny ivelany. Hanome onitra fotsiny izy, noho ny fotoana very tsy niasan\u2019ilay naratra mandra-pahasitrany tanteraka.",
        "20": "\u201cRaha misy lehilahy mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin\u2019ny hazo ka mahafaty azy eo no ho eo, dia tsy maintsy hovaliana ny nataony.",
        "21": "Raha mbola velona iray na roa andro anefa ilay mpanompo, dia tsy hovaliana araka ny nataony ilay tompony satria volany ihany no nividianany azy.",
        "22": "\u201cRaha misy olona miady ka mahavoa vehivavy bevohoka, ary teraka tsy tonga volana ny zanany nefa tsy misy maty vokatr\u2019izany, dia tsy maintsy mandoa onitra ilay olona, araka izay takin\u2019ny vadin\u2019ilay vehivavy. Haloany izay onitra faritan\u2019ny mpitsara.",
        "23": "Fa raha misy maty kosa, dia tsy maintsy manome aina ho solon\u2019ny aina ianao,",
        "24": "maso ho solon\u2019ny maso, nify ho solon\u2019ny nify, tanana ho solon\u2019ny tanana, tongotra ho solon\u2019ny tongotra,",
        "25": "dorana ho solon\u2019izay nodorana, ratra ho solon\u2019ny ratra, kapoka ho solon\u2019ny kapoka.",
        "26": "\u201cRaha misy lehilahy mamely ny mason\u2019ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka manimba ny masony, dia tsy maintsy hafahany ilay mpanompo ka halefany mba hanonerana ny masony.",
        "27": "Ary raha niala ny nifin\u2019ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny noho ny nataony, dia tsy maintsy hafahany ilay mpanompo ka halefany mba hanonerana ny nifiny.",
        "28": "\u201cRaha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka maty ilay olona, dia tsy maintsy hotoraham-bato ho faty ilay omby ary tsy hohanina ny henany. Tsy hosazina kosa ny tompon\u2019omby.",
        "29": "Raha misy omby efa zatra manoto anefa ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy niambina azy, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia hotoraham-bato ilay omby ary hovonoina ho faty ny tompony.",
        "30": "Raha itakiana vidim-panavotana ny tompon\u2019omby, dia tsy maintsy manome an\u2019izay rehetra takina aminy izy mba hanavotana ny ainy.",
        "31": "Io didim-pitsarana io no hampiharina amin\u2019ny tompon\u2019omby, na nanoto ankizilahy ilay omby na nanoto ankizivavy.",
        "32": "Raha nanoto mpanompolahy na mpanompovavy ilay omby, dia handoa 30 sekely amin\u2019ny tompon\u2019ilay mpanompo ny tompon\u2019omby. Ary hotoraham-bato ho faty ilay omby.",
        "33": "\u201cRaha misy olona manala ny saron\u2019ny lavaka iray na mihady lavaka ary tsy manarona an\u2019ilay izy, ka misy omby na ampondra latsaka ao,",
        "34": "dia handoa onitra ny tompon\u2019ilay lavaka. Haloany amin\u2019ny tompom-biby ny vidin\u2019ilay biby, ary ho lasany ilay biby maty.",
        "35": "Raha misy omby mandratra ombin\u2019olona ka maty ilay omby, dia hamidy ilay omby velona ka hozarain\u2019ireo tompon\u2019omby ny vidiny. Ary hozarainy koa ilay omby maty.",
        "36": "Na raha misy omby fantatra fa efa zatra manoto nefa tsy nambenan\u2019ny tompony, dia tsy maintsy manome onitra ilay tompony, ka omby ho solon\u2019ny omby. Ary ho lasany ilay omby maty."
    },
    "22": {
        "1": "\u201cRaha misy olona mangalatra omby iray na ondry iray ary mamono na mivarotra azy, dia hanome onitra omby dimy izy ho solon\u2019ilay omby, na ondry efatra ho solon\u2019ilay ondry.",
        "2": "\u2014\u201cRaha misy mpangalatra tratra mamaky trano ary voavely ka maty, dia tsy ho meloka ho nandatsa-dra ilay namely azy.",
        "3": "Fa raha efa niposaka ny masoandro vao nitranga izany, dia ho meloka ho nandatsa-dra ilay namely azy.\u2014 \u201cTsy maintsy manome onitra ilay nangalatra. Raha tsy manana na inona na inona anefa izy,\u00a0dia izy mihitsy no hamidy hanonerana an\u2019izay nangalariny.",
        "4": "Raha tratra any aminy izay nangalariny sady mbola velona, na omby izany na ampondra na ondry, dia hanome onitra avo roa heny izy.",
        "5": "\u201cRaha misy olona mandefa ny bibiny any an-tsaha na eny amin\u2019ny tanimboaloboka, ka mamela an\u2019ilay biby hihinana ny voly eny amin\u2019ny sahan\u2019olona, dia hanome an\u2019izay tsara indrindra avy amin\u2019ny sahany na tanimboalobony izy mba ho onitra.",
        "6": "\u201cRaha misy afo mirehitra ary mitatra mankany amin\u2019ny tsilo ilay izy ka lasa kilan\u2019ny afo ny vokatra efa vita amboara, na ny vokatra eny an-tsaha, na ny saha, dia tsy maintsy manonitra an\u2019izay may ilay nandrehitra ny afo.",
        "7": "\u201cRaha mametraka vola na zavatra any amin\u2019ny namany ny olona iray, ka misy mangalatra ao an-tranon\u2019ilay namany izany, dia tokony hanome onitra avo roa heny ilay mpangalatra raha tratra.",
        "8": "Raha tsy tratra kosa ilay mpangalatra, dia hoentina eo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra ilay tompon-trano mba hahafantarana raha izy ihany no naka ny zavatr\u2019ilay namany.",
        "9": "Rehefa misy olona miampanga olona iray hoe naka ny fananany, na omby izany, na ampondra, na ondry, na akanjo, na inona na inona very, ka miteny hoe: \u2018Izaho no tompon\u2019ity!\u2019, dia samy hankeo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra izy roa tonta mba hahafantarana ny tena tompony. Izay lazain\u2019Andriamanitra hoe meloka no hanome onitra avo roa heny ho an\u2019ilay namany.",
        "10": "\u201cRaha mametraka ampondra na omby na ondry na biby fiompy hafa any amin\u2019ny namany ny olona iray, ka maty ilay biby na lasa kilemaina na nisy naka nefa tsy nisy nahita,",
        "11": "dia hianiana eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay nametrahana ny biby hoe tsy nataony na inona na inona ny fananan\u2019ny namany. Dia hanaiky an\u2019izany ilay tompom-biby, ary tsy hanome onitra ilay namany.",
        "12": "Raha nisy nangalatra tao aminy kosa ilay biby, dia tokony hanome onitra ho an\u2019ny tompom-biby izy.",
        "13": "Raha noviravirain\u2019ny bibidia ilay biby, dia hoentiny ny sisa tavela amin\u2019ilay biby ho porofo. Tsy hanonitra an\u2019izay noviravirain\u2019ny bibidia izy.",
        "14": "\u201cRaha misy anefa olona mindrana biby amin\u2019ny namany, ka lasa kilemaina ilay izy na maty nefa tsy teo ilay tompony, dia tsy maintsy manome onitra ilay nindrana.",
        "15": "Raha teo kosa ny tompony, dia tsy hanome onitra izy. Raha nohofana ilay biby, dia ilay hofany iny no onitra.",
        "16": "\u201cRaha misy lehilahy manadala tovovavy virjiny mbola tsy manana fofombady ary manao firaisana aminy, dia tsy maintsy mandoa vodiondry izy mba hakana azy ho vady.",
        "17": "Raha tsy manaiky hanome an\u2019ilay tovovavy ho an\u2019ilay lehilahy mihitsy anefa ny rainy, dia tokony haloany ihany ny vola mifanitsy amin\u2019ny vodiondry.",
        "18": "\u201cVonoy ho faty ny vehivavy mpilalao ody.",
        "19": "\u201cTsy maintsy hovonoina ho faty izay manao firaisana amin\u2019ny biby.",
        "20": "\u201cIzay manao sorona ho an\u2019andriamani-kafa afa-tsy ho an\u2019i Jehovah irery ihany, dia haringana.",
        "21": "\u201cAza mampijaly na mampahory ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa, fa mba efa nivahiny tany Ejipta ihany ianareo.",
        "22": "\u201cAza mampijaly ny vehivavy maty vady na ny kamboty ray.",
        "23": "Raha mampijaly azy ianao ka mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko ny fitarainany.",
        "24": "Ary ho tezitra be aho ka hovonoiko amin\u2019ny sabatra ianareo, dia ho lasa mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ray ny zanakareo.",
        "25": "\u201cRaha toa ianao mampindrana vola amin\u2019olona mahantra eo amin\u2019ny vahoakako, ary miara-monina aminao ilay olona, dia aza manao toy ny mpampisambo-bola. Aza mangataka zanabola aminy.",
        "26": "\u201cRaha alainao ho antoka ny akanjon\u2019ny namanao, dia tokony haverinao aminy izany rehefa hilentika ny masoandro.",
        "27": "Fa iny ihany no mba firakofany, ary iny no mba fitafiana anaronany ny tenany. Koa inona no hoentiny matory? Rehefa mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko satria mangoraka aho.",
        "28": "\u201cAza manozona an\u2019Andriamanitra na ny mpiadidy eo amin\u2019ny firenenao.",
        "29": "\u201cAza misalasala manao fanatitra avy amin\u2019ny vokatra be dia be azonao sy izay mihoatra avy amin\u2019ny famiazanao. Tokony homenao ho ahy ny zanakao lahimatoa.",
        "30": "Izao no tokony hataonao amin\u2019ny omby aman\u2019ondrinao: Tsy hosarahina amin\u2019ny reniny izy mandritra ny fito andro, fa homenao ho ahy kosa izy amin\u2019ny andro fahavalo.",
        "31": "\u201cTokony ho vahoaka masina ho ahy ianareo. Ary aza mihinana hena efa noviravirain\u2019ny bibidia tany an-tsaha, fa atsipazo ho an\u2019ny alika izany."
    },
    "23": {
        "1": "\u201cAza manely tsaho. Ary aza miray tsikombakomba amin\u2019ny ratsy fanahy ka mijoro ho vavolombelona mitetika ny hanao ratsy.",
        "2": "Aza manaraka ny maro hanao ratsy. Ary aza mamadika ny rariny ka mijoro ho vavolombelona mandainga hiandany amin\u2019ny maro.",
        "3": "Aza iangarana ny mahantra rehefa mitsara ny adiny satria hoe mahantra izy.",
        "4": "\u201cRaha hitanao mirenireny ny ombin\u2019ny fahavalonao na ny ampondrany, dia tsy maintsy aterinao any aminy.",
        "5": "Raha hitanao voatsindrin\u2019ny entana entiny ny ampondran\u2019ny olona mankahala anao, dia aza odiana tsy hita sy ilaozana fotsiny ilay izy. Tsy maintsy manampy an\u2019ilay olona hanarina an\u2019ilay biby ianao.",
        "6": "\u201cAza mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny rehefa mitsara ny mahantra eo aminareo.",
        "7": "\u201cAza manaiky ho voarohirohy amin\u2019ny resaka fanendrikendrehana, ary aza vonoina ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina. Tsy hilaza ny ratsy fanahy ho marina mantsy aho.",
        "8": "\u201cAza mandray kolikoly, satria sady manajamba ny mason\u2019ny mahiratra ny kolikoly no mety hamadika ny tenin\u2019ny olo-marina.",
        "9": "\u201cAza ampijalina ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa. Fa fantatrareo tsara izay tsapan\u2019ny hafa firenena, satria mba efa nivahiny tany Ejipta ihany ianareo.",
        "10": "\u201cHamafy voa eo amin\u2019ny taninao sy hanangona ny vokatra avy aminy ianao mandritra ny enin-taona.",
        "11": "Fa amin\u2019ny taona fahafito kosa, dia tsy hovolenao ilay tany fa havelanao amin\u2019izao fotsiny, ka ny mahantra eo aminao no hihinana an\u2019izay maniry eo. Ary hohanin\u2019ny bibidia izay tsy alain\u2019izy ireo. Izany no hataonao amin\u2019ny tanimboalobokao sy ny sahan\u2019olivanao.",
        "12": "\u201cEnina andro no hanaovanao ny asanao, fa amin\u2019ny andro fahafito kosa dia hitsahatra tsy hiasa ianao. Amin\u2019izay dia hiala sasatra ny ombinao sy ny ampondranao, ary haka aina ny zanaky ny mpanompovavinao sy ny hafa firenena monina eo aminao.",
        "13": "\u201cTanteraho tsara izay rehetra nolazaiko taminareo. Ary aza manonona anaran\u2019andriamani-kafa. Tsy tokony ho heno tononin\u2019ny vavanao izany.",
        "14": "\u201cIntelo isan-taona ianao no tokony hanao fety ho ahy.",
        "15": "Hankalaza ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay ianao. Hihinana mofo tsy misy lalivay mandritra ny fito andro ianao, amin\u2019ny fotoana voatondro amin\u2019ny volana Abiba, araka ny didy nomeko anao. Tamin\u2019io fotoana io mantsy ianao no nivoaka avy tany Ejipta. Tsy tokony hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako.",
        "16": "Ankalazao koa ny Fetin\u2019ny Fijinjana ny voaloham-bokatra tamin\u2019izay nisasaranao sy nafafinao tany an-tsaha. Ary ankalazao ny Fetin\u2019ny Fanangonam-bokatra amin\u2019ny faramparan\u2019ny taona, rehefa angoninao avy any an-tsaha ny vokatry ny fisasaranao.",
        "17": "Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminareo no hiseho eo anatrehan\u2019i Jehovah, ilay tena Tompo.",
        "18": "\u201cAza ampiarahina amin-javatra misy lalivay ny ran\u2019ny sorona atolotra ho ahy. Ary aza tehirizina mandra-paharainan\u2019ny andro ny tavin\u2019ny fanatitra atolotrao, rehefa manao fety ho ahy.",
        "19": "\u201cEnto mankao an-tranon\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin\u2019ny voaloham-bokatry ny taninao. \u201cAza mahandro zanak\u2019osy amin\u2019ny rononon-dreniny.",
        "20": "\u201cHaniraka anjely eo alohanao aho, mba hiaro anao eny an-dalana sy hitondra anao ho any amin\u2019ny toerana efa nomaniko.",
        "21": "Henoy tsara izy ary ankatoavy ny teniny. Aza mikomy aminy, fa tsy hamela ny helokao izy, satria manao zavatra amin\u2019ny anarako izy.",
        "22": "Raha mankat\u00f2 ny teniny an-tsakany sy an-davany anefa ianao ka manao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon\u2019izay fahavalonao aho ary hanohitra an\u2019izay manohitra anao.",
        "23": "Fa handeha eo alohanao ilay anjeliko ka hitondra anao ho any amin\u2019ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hivita, ary ny Jebosita, dia haringako ireny.",
        "24": "Aza miankohoka eo anatrehan\u2019ny andriamaniny na manaiky ho voatarika hanompo azy ireny, ary aza manahaka ny fanaony. Tsy maintsy hopotehinao kosa ny sampiny ary hotorotoroinao ny tsangambatony masina.",
        "25": "Manompoa an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, dia hotahiny ny sakafonao sy ny ranonao. Ary hesoriko eo aminao ny aretina.",
        "26": "Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na tsy hiteraka, ao amin\u2019ny taninao. Ary hataoko ela velona ianao.",
        "27": "\u201cMbola tsy tonga any akory ianao, dia efa hataoko matahotra ahy daholo ny fahavalonao, ka hataoko mifanaritaka ny firenena rehetra miady aminao. Ary hataoko resinao ny fahavalonao rehetra ka handositra anao.",
        "28": "Mbola tsy tonga any koa ianao, dia efa hataoko izay hahakivy ny fahavalonao, ka hitsoaka tsy ho eo anatrehanao ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita.",
        "29": "Tsy horoahiko ao anatin\u2019ny taona iray anefa izy ireo, sao tsy hisy mponina intsony ilay tany ka hihabetsaka ny bibidia ary hamely anao.",
        "30": "Horoahiko tsikelikely tsy ho eo anatrehanao kosa izy ireo, mandra-pahatonganao ho be dia be ka ho lasanao ilay tany.",
        "31": "\u201cHataoko manomboka eo amin\u2019ny Ranomasina Mena ka hatrany amin\u2019ny ranomasin\u2019ny Filistinina ny sisin-taninao, ary manomboka eo amin\u2019ny tany efitra ka hatrany amin\u2019ny Renirano. Hataoko resinareo mantsy ny mponina ao amin\u2019ilay tany, ary horoahinareo hiala eo anatrehanareo izy ireo.",
        "32": "Aza manao fifanekena amin\u2019izy ireo na amin\u2019ny andriamaniny.",
        "33": "Tsy tokony hipetraka ao amin\u2019ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an\u2019ireo andriamaniny ianao, dia tena ho voafandrika.\u201d"
    },
    "24": {
        "1": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Mosesy: \u201cMiakara at\u1ef3 amin\u2019i Jehovah ianao sy Arona, Nadaba sy Abiho, ary 70 lahy anisan\u2019ny anti-panahin\u2019ny Israely, ka miankohofa eny lavidavitra.",
        "2": "I Mosesy irery no tokony hanatona an\u2019i Jehovah, fa ny hafa kosa tsy tokony hanatona. Ary tsy tokony hiakatra miaraka amin\u2019i Mosesy ny vahoaka.\u201d",
        "3": "Dia nankany amin\u2019ny vahoaka i Mosesy mba hilaza ny tenin\u2019i Jehovah rehetra sy ny didim-pitsarana rehetra. Ary niara-niteny ny vahoaka hoe: \u201cVonona hanao an\u2019izay rehetra nolazain\u2019i Jehovah izahay.\u201d",
        "4": "Koa nosoratan\u2019i Mosesy ny teny rehetra nolazain\u2019i Jehovah. Dia nifoha maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototr\u2019ilay tendrombohitra, sady nanangana tsangambato 12 mitovy amin\u2019ny isan\u2019ireo foko 12 teo amin\u2019ny Israely.",
        "5": "Taorian\u2019izay, dia nisy tovolahy israelita maromaro nirahiny hanolotra fanatitra dorana sady hamono omby hatao sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah.",
        "6": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty vilia baolina, ary ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.",
        "7": "Ary noraisiny ny bokin\u2019ny fifanekena ka novakiny mafy tamin\u2019ny vahoaka. Dia hoy izy ireo: \u201cVonona hanao an\u2019izay rehetra nolazain\u2019i Jehovah izahay, ary hankat\u00f2 azy.\u201d",
        "8": "Koa noraisin\u2019i Mosesy ny ra ary nafafiny teny amin\u2019ny vahoaka sady hoy izy: \u201cIty no ran\u2019ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah taminareo, mifanaraka amin\u2019izany teny rehetra izany.\u201d",
        "9": "Niakatra nankany an-tendrombohitra i Mosesy sy Arona, Nadaba sy Abiho, ary ireo 70 lahy anisan\u2019ny anti-panahin\u2019ny Israely.",
        "10": "Dia hitan\u2019izy ireo ny Andriamanitry ny Israely. Teo ambany tongony dia nisy toy ny rarivato vita tamin\u2019ny safira, ary toy ny lanitra manga tena madio no fahitana an\u2019ilay izy.",
        "11": "Tsy nataony na inona na inona ireo lehilahy nanan-kaja teo amin\u2019ny Israely ireo. Nahita an\u2019ilay tena Andriamanitra tao amin\u2019ny fahitana izy ireo sady nihinana sy nisotro.",
        "12": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMiakara at\u1ef3 amiko at\u1ef3 an-tendrombohitra ary mijan\u00f2na at\u1ef3. Dia homeko anao ireo takela-bato, ary hosoratako eo ny lal\u00e0na sy ny didy hampianarina ny vahoaka.\u201d",
        "13": "Koa nitsangana i Mosesy sy Josoa mpanompony, ary i Mosesy no niakatra nankany amin\u2019ny tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "14": "Hoy anefa izy tamin\u2019ireo anti-panahy: \u201cAndraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Ireo i Arona sy Hora miaraka aminareo, ka afaka manatona an-dry zareo izay manana raharaha hotsaraina.\u201d",
        "15": "Dia niakatra nankany an-tendrombohitra i Mosesy, raha mbola nanarona an\u2019ilay tendrombohitra ny rahona.",
        "16": "Nijanona teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay ny voninahitr\u2019i Jehovah. Ary nanarona an\u2019ilay tendrombohitra ilay rahona nandritra ny enina andro. Dia niantso an\u2019i Mosesy avy tao afovoan\u2019ilay rahona izy, tamin\u2019ny andro fahafito.",
        "17": "Rehefa nitazana ny Israelita, dia toy ny afo miredareda teo an-tampon\u2019ilay tendrombohitra no fahitan\u2019izy ireo ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "18": "Dia niditra tao anaty rahona i Mosesy ary nanohy niakatra an\u2019ilay tendrombohitra. Ary nijanona 40\u00a0andro sy 40 alina teny amin\u2019ilay tendrombohitra i Mosesy."
    },
    "25": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny vahoakan\u2019Israely mba hitondra fanomezana ho ahy. Avy amin\u2019ny olona rehetra atosiky ny fony no handraisanareo an\u2019izany fanomezana izany.",
        "3": "Izao no fanomezana horaisinareo avy amin\u2019izy ireo: Volamena, volafotsy, varahina,",
        "4": "kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, kofehy rongony tena tsara, volon\u2019osy,",
        "5": "hoditr\u2019ondrilahy nolokoana mena, hoditra faoky, hazo akasia,",
        "6": "menaka ho an\u2019ny jiro, balsama hatao amin\u2019ny menaka masina fanosorana sy amin\u2019ny emboka manitra,",
        "7": "vato oniksa, ary vato hafa hapetaka amin\u2019ny efoda sy ny saron-tratra.",
        "8": "Tokony hanao toerana masina ho ahy izy ireo, dia honina eo amin\u2019izy ireo aho.",
        "9": "Tokony harahinareo tsara ilay modely hasehoko anao, rehefa manamboatra ny tranolay masina sy ny kojakojany rehetra ianareo.",
        "10": "\u201cManamboara vata amin\u2019ny hazo akasia, ka roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.",
        "11": "Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ny anatiny sy ny ivelany, ary asio sisiny volamena manodidina azy.",
        "12": "Handrendrika volamena ianao mba hanaovana tahony boribory efatra hatao aminy. Apetaho eo ambony kelin\u2019ny tongony efatra ireo tahony ireo, ka ny roa eo amin\u2019ny lafiny iray ary ny roa eo amin\u2019ny lafiny ilany.",
        "13": "Ary hanao bao filanjana amin\u2019ny hazo akasia ianao, ary hopetahanao takela-bolamena izany.",
        "14": "Dia atsofohy ao amin\u2019ireo tahony boribory eo amin\u2019ny lafiny roa ireo bao ireo, mba hilanjana an\u2019ilay Vata.",
        "15": "Havela eo amin\u2019ireo tahony eo amin\u2019ilay Vata ny bao, fa tsy tokony hotsoahana eo.",
        "16": "Ary ataovy ao anatin\u2019ilay Vata ny Tenin\u2019ny Vavolombelona homeko anao.",
        "17": "\u201cManaova sarony amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony, ka roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.",
        "18": "Manamboara koa kerobima volamena roa. Tefeo amin\u2019ny marotoa ireo, ary ataovy eo amin\u2019ny sisiny roa amin\u2019ny sakan\u2019ilay sarony.",
        "19": "Ataovy eo amin\u2019ny sisiny roa amin\u2019ilay sarony ireo kerobima, ka ny iray eo amin\u2019ny sisiny iray ary ny iray eo amin\u2019ny sisiny iray.",
        "20": "Samy tokony hivelatra miakatra ny elatra roan\u2019ireo kerobima, ka hanaloka an\u2019ilay sarony. Ataovy mifanatrika ireo kerobima sady miondrika mijery an\u2019ilay sarony.",
        "21": "Dia apetraho eo ambonin\u2019ilay Vata ny sarony, ary ataovy ao anatin\u2019ilay Vata ny Tenin\u2019ny Vavolombelona homeko anao.",
        "22": "Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin\u2019ny saron\u2019ilay Vata aho. Eo anelanelan\u2019ireo kerobima roa, eo ambonin\u2019ilay Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, no hampahafantariko anao ny didy rehetra hampitainao amin\u2019ny Israelita.",
        "23": "\u201cManamboara koa latabatra amin\u2019ny hazo akasia, ka roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.",
        "24": "Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay latabatra, ary asio molony volamena manodidina ny tampony.",
        "25": "Asio sisiny mitovy refy amin\u2019ny sakan\u2019ny felatanana manodidina an\u2019ilay izy, ary asio molony volamena manodidina ny morony amin\u2019ilay sisiny.",
        "26": "Manaova tahony boribory volamena efatra ho an\u2019ilay latabatra, ka apetaho eo amin\u2019ny zorony efatra, izay misy ny tongony efatra.",
        "27": "Tokony hifanakaiky tsara amin\u2019ilay sisiny ireo tahony hitsofohan\u2019ireo bao hitondrana ny latabatra.",
        "28": "Hazo akasia no hanaovanao an\u2019ireo bao, ary hopetahanao takela-bolamena izany. Ireo no hitondrana an\u2019ilay latabatra.",
        "29": "\u201cAmboary koa ny fitaovana ho an\u2019ny latabatra, izany hoe ny vilia, ny kaopy, ary ny zinga sy ny vilia baolina handrarahana ny fanatitra zava-pisotro. Volamena tsy misy fangarony no hanaovanao an\u2019ireo.",
        "30": "Dia ataovy eo ambonin\u2019ilay latabatra eo anatrehako foana ny mofo aseho.",
        "31": "\u201cManaova fitoeran-jiro amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony. Tefeo amin\u2019ny marotoa ilay izy. Tokony ho vaingam-bolamena iray tsy saratsarahina no hotefena hanaovana ny tongony, ny vatany, ny sampany, ny voninkazony, ny bokony, ary ny felany.",
        "32": "Ary hisy sampany enina ilay fitoeran-jiro, ka ny telo eo amin\u2019ny andaniny ary ny telo eo amin\u2019ny ankilany.",
        "33": "Hisy voninkazo telo miendrika vonin\u2019amandie eo amin\u2019ireo sampany amin\u2019ny andaniny iray. Elanelanin\u2019ny bokony sy ny felany ireo voninkazo ireo. Hisy voninkazo telo miendrika vonin\u2019amandie koa eo amin\u2019ireo sampany eo amin\u2019ny ankilany. Elanelanin\u2019ny bokony sy ny felany koa ireo voninkazo ireo. Ho toy izany ny endrik\u2019ireo sampany enina amin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro.",
        "34": "Misy voninkazo efatra miendrika vonin\u2019amandie koa eo amin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro. Elanelanin\u2019ny bokony sy ny felany ireo voninkazo ireo.",
        "35": "Hisy bokony iray eo ambanin\u2019ny sampany roa voalohany amin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro. Hisy bokony iray koa eo ambanin\u2019ny sampany roa manarakaraka. Ary hisy bokony iray koa eo ambanin\u2019ny sampany roa farany. Hisy toy izany daholo eo ambanin\u2019ny sampany enina amin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro.",
        "36": "Tokony ho vaingam-bolamena iray tsy misy fangarony sady notefena tamin\u2019ny marotoa no hanaovana an\u2019ilay fitoeran-jiro manontolo, anisan\u2019izany ny bokony sy ny sampany.",
        "37": "Manaova jiro fito ho an\u2019ilay fitoeran-jiro. Hanazava ny faritra eo anoloany ireo jiro ireo rehefa arehitra.",
        "38": "Tokony ho volamena tsy misy fangarony no hanaovana ny fitazonana lahin-jiro sy ny fitondrana afo.",
        "39": "Volamena tsy misy fangarony milanja iray talenta no hanaovana an\u2019ilay fitoeran-jiro sy ireo fitaovana miaraka aminy ireo.",
        "40": "Ary mitandrema tsara mba hifanaraka amin\u2019ilay modely naseho anao tat\u1ef3 an-tendrombohitra no hanaovanao an\u2019ireo."
    },
    "26": {
        "1": "\u201cLamba folo no hanaovanao ny tranolay masina. Tokony ho vita amin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra ireo lamba ireo, dia horavahanao sarina kerobima atao peta-kofehy.",
        "2": "Ho 28\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny lamba tsirairay, ary 4\u00a0hakiho ny sakany. Tokony hitovy ny refin\u2019ny lamba rehetra.",
        "3": "Atambaro ny lamba dimy mba hahazoana lamba be iray, ary ataovy toy izany koa ny lamba dimy ambiny.",
        "4": "Dia asio vona amin\u2019ny kofehy manga ny sisin\u2019ny lamba iray amin\u2019ilay lamba be voalohany. Asio vona koa ny sisin\u2019ny lamba farany indrindra amin\u2019ilay lamba be faharoa, eo amin\u2019izay hihaonan\u2019ireo lamba be roa.",
        "5": "Vona 50 no ataovy eo amin\u2019ny lamba iray, ary vona 50 koa eo amin\u2019ny sisin\u2019ilay lamba iray hafa, amin\u2019izay dia mifanitsy ireo vona eo amin\u2019ny fihaonan\u2019ireo lamba be roa.",
        "6": "Ary manaova faraingo kely volamena 50. Dia akambano amin\u2019ireny ireo lamba be roa, mba ho lamba iray ihany ilay tranolay masina.",
        "7": "\u201cManamboara koa lamba 11 vita amin\u2019ny volon\u2019osy mba handrakofana ny tranolay masina.",
        "8": "Ho 30\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny lamba tsirairay ary 4\u00a0hakiho ny sakany. Ataovy mitovy daholo ny refin\u2019ny lamba 11.",
        "9": "Atambaro ny lamba dimy, ary ataovy toy izany koa ny lamba enina ambiny, ka aval\u00f2ny roa ny lamba fahenina izay eo anoloan\u2019ny tranolay.",
        "10": "Ary asio vona 50 ny sisin\u2019ny lamba farany indrindra amin\u2019ilay lamba be voalohany, ary vona 50 koa eo amin\u2019ny sisin\u2019ilay lamba be faharoa, eo amin\u2019izay ihaonan\u2019izy ireo.",
        "11": "Manaova faraingo kely varahina 50, ka ampidiro eo amin\u2019ireo vona izany, dia akambano amin\u2019ireny ireo fitambaran-damba mba ho lamba iray ihany izy rehetra.",
        "12": "Hikiraviravy ny ambiny amin\u2019ireo lamba, ka ny antsasaky ny lamba ambiny no hikiraviravy eo andamosin\u2019ny tranolay masina.",
        "13": "Hihoatra iray hakiho avy ny halavan\u2019ireo lamba eo amin\u2019ny andaniny sy ny ankilany amin\u2019ilay tranolay. Havela hikiraviravy izany mba hanaronana azy.",
        "14": "\u201cManaova koa rakotra amin\u2019ny hoditr\u2019ondrilahy nolokoana mena ho an\u2019ilay tranolay. Ary manaova rakotra iray hafa amin\u2019ny hoditra faoky, dia ataovy eo ambonin\u2019io.",
        "15": "\u201cHazo akasia no hanaovanao an\u2019ireo rafitry ny tranolay masina, ka ataovy mitsangana ireo rafitra.",
        "16": "Folo hakiho ny haavon\u2019ny rafitra tsirairay, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.",
        "17": "Misy lahiny roa milahatra ny rafitra tsirairay. Tokony ho hoatr\u2019izany daholo no hanaovana ny rafitr\u2019ilay tranolay.",
        "18": "Rafitra 20 no hamboarina ho an\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay tranolay, izany hoe hatao mitodika mianatsimo izy ireo.",
        "19": "\u201cManamboara faladiany volafotsy 40 hitsatohan\u2019ny rafitra 20: Faladiany roa no hitsatohan\u2019ny rafitra iray misy lahiny roa, ary faladiany roa hoatr\u2019izany daholo no hitsatohan\u2019ny rafitra tsirairay.",
        "20": "Manaova rafitra 20 ho an\u2019ny lafiny ilany amin\u2019ny tranolay, dia ny lafiny avaratra.",
        "21": "Manamboara koa faladiany volafotsy 40, ka faladiany roa no hitsatohan\u2019ny rafitra iray, ary faladiany roa hoatr\u2019izany daholo no hitsatohan\u2019ny rafitra tsirairay.",
        "22": "Manaova rafitra enina hatao lamosin\u2019ilay tranolay, eo amin\u2019ny lafiny andrefana.",
        "23": "Dia manaova rafitra roa mba hatao tohana eo amin\u2019ny zorony roa aoriana amin\u2019ny tranolay.",
        "24": "Hazo roa no tokony hanaovana ny rafitra iray, miainga avy eny ambany ka hatreny amin\u2019ny tampony. Ary tokony hihaona eo amin\u2019ny tahony boribory voalohany izy ireo. Hoatr\u2019izany no tokony hanaovana an\u2019ireo rafitra roa, ka izy roa ireo no ho lasa tohana eo amin\u2019ny zorony roa.",
        "25": "Dia valo no ho isan\u2019ireo rafitra, ary 16 ny faladiany volafotsy, ka faladiany roa no hitsatohan\u2019ny rafitra iray. Ary faladiany roa hoatr\u2019izany daholo no hitsatohan\u2019ny rafitra tsirairay.",
        "26": "\u201cManaova barany amin\u2019ny hazo akasia, ka dimy ho an\u2019ny rafitra amin\u2019ny lafiny iray amin\u2019ny tranolay masina,",
        "27": "dimy ho an\u2019ny rafitra amin\u2019ny lafiny ilany, ary dimy ho an\u2019ny rafitra amin\u2019ny lafiny andrefana amin\u2019ilay tranolay, izany hoe ny lafiny hatao lamosiny.",
        "28": "Ary ny barany afovoany, izay mandalo eo afovoan\u2019ireo rafitra, dia tokony hitsofoka avy eo amin\u2019ny sisiny iray ka hatrany amin\u2019ny sisiny iray hafa amin\u2019ilay tranolay.",
        "29": "\u201cPetaho takela-bolamena ireo rafitra, ary manamboara tahony boribory volamena hitsofohan\u2019ireo barany. Petaho takela-bolamena koa ireo barany.",
        "30": "Dia atsangano ilay tranolay masina, araka ilay planina naseho anao tat\u1ef3 an-tendrombohitra.",
        "31": "\u201cManaova ridao amin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. Dia horavahana sarina kerobima atao peta-kofehy ilay ridao.",
        "32": "Ahant\u00f2ny amin\u2019ny andry efatra vita amin\u2019ny hazo akasia ilay izy. Hopetahana takela-bolamena ireo andry, ary volamena no hanaovana an\u2019ireo faraingo eo aminy. Ary hatsatoka amin\u2019ny faladiany volafotsy efatra ireo andry.",
        "33": "Ahant\u00f2ny eo ambanin\u2019ireo faraingo kely ny ridao, ary ento mankao ambadik\u2019ilay ridao ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona. Ilay ridao no hanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra.",
        "34": "Ary sar\u00f2ny amin\u2019ilay sarony ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, ao amin\u2019ny Masina Indrindra.",
        "35": "\u201cApetraho eo anoloan\u2019ilay ridao ny latabatra, ary ataovy tandrifin\u2019ilay latabatra, eo amin\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay tranolay masina, ny fitoeran-jiro. Ilay latabatra no ho eo amin\u2019ny lafiny avaratra.",
        "36": "Manaova koa lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay, ary mpanenona no hanao izany amin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.",
        "37": "Dia manaova andry dimy amin\u2019ny hazo akasia hihantonan\u2019ilay lamba fanakonana, ary petaho takela-bolamena ireo andry. Volamena no hanaovana an\u2019ireo faraingo eo aminy. Ary handrendrika varahina ianao mba hanaovana faladiany dimy hitsatohan\u2019ireo andry."
    },
    "27": {
        "1": "\u201cManaova alitara amin\u2019ny hazo akasia, ka ho dimy hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Tokony ho efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.",
        "2": "Asio tandroka ny zorony efatra, ka tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovanao an\u2019ilay alitara sy ireo tandrony. Dia petaho takela-barahina ilay alitara.",
        "3": "Ary manamboara fitaovana ho an\u2019ny alitara: Siny fasiana lavenona, lapelina, vilia\u00a0baolina, fitrebika, ary fitondrana afo. Varahina no hanaovana an\u2019ireo rehetra ireo.",
        "4": "Manaova makarakara varahina miendrika harato ho an\u2019ilay alitara, sy tahony boribory varahina efatra hatao eo amin\u2019ny zorony efatra.",
        "5": "Ataovy eo ambany molotry ny alitara ilay makarakara, izany hoe eo amin\u2019ny fisasahan\u2019ilay alitara.",
        "6": "Manaova koa bao filanjana amin\u2019ny hazo akasia ka petaho takela-barahina.",
        "7": "Ary atsofohy eo amin\u2019ny tahony boribory ireo bao, mba ho eo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ny alitara izy ireo rehefa lanjaina izy io.",
        "8": "Ataovy toy ny vata poakaty ilay alitara, ka hazo fisaka no hanaovanao azy. Hoatran\u2019ilay nasehony anao tat\u1ef3 an-tendrombohitra mihitsy no hanaovanao an\u2019ilay izy.",
        "9": "\u201cAsio tokotany ilay tranolay. Lamba vita amin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara no hatao fefy eo amin\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay tokotany, izany hoe ilay mitodika mianatsimo. Ho 100\u00a0hakiho ny halavan\u2019ilay fefy.",
        "10": "Hisy andry 20 ilay fefy ary hitsatoka amin\u2019ny faladiany varahina 20 izy ireo. Ho volafotsy kosa ny faraingon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana azy ireo.",
        "11": "Ho 100\u00a0hakiho koa ny halavan\u2019ilay lamba hatao fefy eo amin\u2019ny lafiny avaratra. Hisy andry 20 ilay fefy ary hitsatoka amin\u2019ny faladiany varahina 20 izy ireo. Ho volafotsy ny faraingo sy ny fampitohizana an\u2019ireo andry.",
        "12": "Hisy fefy lamba 50\u00a0hakiho sy andry folo ary faladiany folo hitsatohan\u2019ireo andry eo amin\u2019ny sakan\u2019ilay tokotany, eo amin\u2019ny lafiny andrefana.",
        "13": "Ary 50\u00a0hakiho ny sakan\u2019ilay tokotany eo amin\u2019ny lafiny atsinanana, tandrifin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro.",
        "14": "Hisy fefy lamba 15\u00a0hakiho sy andry telo ary faladiany telo hitsatohan\u2019ireo andry, eo amin\u2019ny ilany iray amin\u2019izy io.",
        "15": "Ary hisy fefy lamba 15\u00a0hakiho sy andry telo ary faladiany telo hitsatohan\u2019ireo andry koa eo amin\u2019ny ilany iray hafa.",
        "16": "\u201cHisy lamba fanakonana mirefy 20\u00a0hakiho ny fidirana mankao amin\u2019ilay tokotany, ka mpanenona no hanao izany amin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. Ary hisy andry efatra sy faladiany efatra hitsatohan\u2019ny andry eo amin\u2019ilay fidirana.",
        "17": "Hisy fampitohizana vita amin\u2019ny volafotsy, sy faraingo volafotsy, ary faladiany varahina ny andry rehetra manodidina an\u2019ilay tokotany.",
        "18": "Ho 100\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny fefin\u2019ny tokotany, 50\u00a0hakiho ny sakany, ary 5\u00a0hakiho ny haavony. Lamba vita amin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara no hanaovana an\u2019ilay fefy, ary varahina ireo faladiany hitsatohan\u2019ny andry.",
        "19": "Varahina daholo no hanaovana an\u2019ireo fitaovana hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay masina, sy ny fantsika be fanenjanan-day ary ny fantsika be rehetra ho an\u2019ny tokotany.",
        "20": "\u201cOmeo baiko ny Israelita hitondra menaka tsy misy fangarony avy amin\u2019ny oliva voatoto, mba hatao amin\u2019ny jiro. Amin\u2019izay dia hirehitra foana ny jiro.",
        "21": "Eo anoloan\u2019ilay ridao eo akaikin\u2019ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, no hikarakaran\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay izy, manomboka amin\u2019ny hariva ka mandra-paharainan\u2019ny andro. Fitsipika tokony harahin\u2019ny Israelita foana izany, ary harahin\u2019ny taranak\u2019izy ireo koa."
    },
    "28": {
        "1": "\u201cAlaivo avy amin\u2019ny Israelita i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy, izany hoe i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara, mba hanao ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako.",
        "2": "Dia manamboara akanjo masina tsara tarehy ho an\u2019i Arona rahalahinao, mba hanomezana voninahitra azy.",
        "3": "Mitenena amin\u2019izay rehetra manan-talenta, izay efa nofenoiko fanahin\u2019ny fahendrena. Izy ireo no hanamboatra ny akanjon\u2019i Arona mba hanamasinana azy, ka ho afaka hanao ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako izy.",
        "4": "\u201cIreto avy ny akanjo hamboarin\u2019izy ireo: Saron-tratra, efoda, akanjo tsy misy tanany, akanjo lava kar\u00f4kar\u00f4, satroka lamba, ary fehikibo lamba. Hanamboatra an\u2019ireo akanjo masina ireo ho an\u2019i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy izy ireo, mba ho afaka hanao ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako i Arona.",
        "5": "Hampiasa kofehy volamena ireo mpiasa manan-talenta, ary hampiasa kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony tena tsara.",
        "6": "\u201cHanao efoda izy ireo, ka kofehy volamena, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara no hanaovany azy. Ary hasiana peta-kofehy ilay izy.",
        "7": "Tokony hisy lamban-tsoroka roa manambatra an\u2019ilay efoda eo amin\u2019ny sisiny roa.",
        "8": "Tokony hitovy amin\u2019ny zavatra hanamboarana an\u2019ilay efoda ny hanamboarana ny fehikibo vita tenona, izay hakambana aminy mba hamatorana tsara azy. Ireto avy izany: Kofehy volamena, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.",
        "9": "\u201cMak\u00e0 vato oniksa roa, dia ataovy sokitra eo amin\u2019ireo ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Israely,",
        "10": "ka ho eo amin\u2019ny vato iray ny anaran\u2019ny enina, ary ho eo amin\u2019ilay vato iray kosa ny enina ambiny. Ary alaharo arakara-jokiny izany.",
        "11": "Mpanao asa sokitra amin\u2019ny vato no hanoratra ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Israely eo amin\u2019ireo vato roa ireo, ka hataony sokitra toy ny fanao amin\u2019ny tombo-kase izany. Dia ataovy ao anaty tranotranony volamena ireo vato ireo.",
        "12": "Apetraho eo amin\u2019ny soroky ny efoda ireo vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an\u2019ny zanak\u2019i Israely. Dia hoentin\u2019i Arona eo an-tsorony eo anatrehan\u2019i Jehovah ny anaran\u2019izy ireo, ho fahatsiarovana.",
        "13": "Manaova tranotranony volamena,",
        "14": "sy rojo roa amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony. Dia ataovy mirandrana toy ny tady ireo rojo, ka apetaho amin\u2019ireo tranotranony.",
        "15": "\u201cAsaivo manamboatra saron-tratra fitsarana ny mpanao peta-kofehy. Tokony hitovy amin\u2019ilay efoda ilay izy, izany hoe hatao amin\u2019ny kofehy volamena, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.",
        "16": "Tokony ho efamira izy io rehefa avalona roa, ka irain-jehy ny lavany ary irain-jehy ny sakany.",
        "17": "Asio vatosoa misy laharany efatra ilay izy. Robia sy topaza ary emeraoda no ho eo amin\u2019ny laharana voalohany.",
        "18": "Torkoazy sy safira ary jaspa no ho eo amin\u2019ny laharana faharoa.",
        "19": "Vato lesema sy agata ary ametista no ho eo amin\u2019ny laharana fahatelo.",
        "20": "Krizolita sy oniksa ary jady no ho eo amin\u2019ny laharana fahefatra. Ataovy ao anaty tranotranony volamena ireo vato ireo.",
        "21": "Tokony hisy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Israely 12 ireo vato. Hatao sokitra hoatran\u2019ny fanao amin\u2019ny tombo-kase ny tsirairay amin\u2019ny anaran\u2019ireo foko 12.",
        "22": "\u201cAsio rojo mirandrana toy ny tady, vita amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony, eo amin\u2019ilay saron-tratra.",
        "23": "Ary manaova mason-drojo volamena roa, ka asio iray avy ny zorony roa amin\u2019ilay saron-tratra.",
        "24": "Dia atsofohy eo amin\u2019ireo mason-drojo roa eo amin\u2019ny zoron\u2019ilay saron-tratra ny tady volamena roa.",
        "25": "Atsofohy eo amin\u2019ireo tranotranony roa ny lohan\u2019ireo tady roa, ka atambaro amin\u2019ny lamban-tsoroky ny efoda, avy eo anoloana.",
        "26": "Manaova mason-drojo volamena roa, ka asio iray avy ny zorony roa ambany amin\u2019ilay saron-tratra, eo amin\u2019ny sisiny anatiny mifampikasika amin\u2019ny efoda.",
        "27": "Manaova ihany koa mason-drojo volamena roa, ary apetaho eo anoloana amin\u2019ilay efoda, eo ambanin\u2019ireo lamban-tsoroka roa, eo akaikin\u2019ny fitambaran\u2019ny efoda, eo ambonin\u2019ilay fehikibo vita tenona.",
        "28": "Asio kofehy manga eo amin\u2019ny mason-drojon\u2019ny saron-tratra mankeo amin\u2019ny mason-drojon\u2019ny efoda, mba hamatorana an\u2019ilay saron-tratra. Amin\u2019izay dia hipetraka tsara eo amin\u2019ny efoda, eo ambonin\u2019ilay fehikibo vita tenona, ilay izy.",
        "29": "\u201cTsy maintsy entin\u2019i Arona eo amin\u2019ilay saron-tratra fitsarana eo amin\u2019ny fony ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Israely, rehefa miditra ao amin\u2019ny Masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakizay eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "30": "Ary ataovy ao anatin\u2019ilay saron-tratra fitsarana ny Orima sy ny Tomima. Tsy maintsy hataon\u2019i Arona eo amin\u2019ny fony ireo rehefa mankeo anatrehan\u2019i Jehovah izy. Hataony eo amin\u2019ny fony foana ireo rehefa mankeo anatrehan\u2019i Jehovah izy mba hitsara ny Israelita.",
        "31": "\u201cAtaovy amin\u2019ny kofehy manga daholo ny akanjo tsy misy tanany hatao ambanin\u2019ny efoda.",
        "32": "Dia asio lavaka eo afovoany hitsofohan\u2019ny loha. Ary tokony hasiana sisiny vita tenona ny manodidina an\u2019ilay fitsofohan\u2019ny loha. Tokony ho hoatran\u2019ny amin\u2019ny akanjo mifono vy ilay izy, mba tsy ho mora rovitra.",
        "33": "Ny morontongony kosa asio ampongabendanitra vita amin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra. Ary asio lakolosy kely volamena eny anelanelan\u2019ireo ampongabendanitra.",
        "34": "Tokony hoelanelanina lakolosy volamena ny ampongabendanitra, ary hatao hoatr\u2019izany daholo ny morontongotr\u2019ilay akanjo tsy misy tanany.",
        "35": "Tsy maintsy hanaovan\u2019i Arona ilay akanjo mba hahafahany hanompo. Ary tokony ho heno ny feon\u2019ireo lakolosy rehefa miditra ao amin\u2019ny toerana masina eo anatrehan\u2019i Jehovah izy na mivoaka avy ao, mba tsy ho faty izy.",
        "36": "\u201cManaova takelaka mamirapiratra amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony, ka asio soratra hoe: \u2018An\u2019i Jehovah ny fahamasinana.\u2019 Ataovy sokitra toy ny fanao amin\u2019ny tombo-kase izany.",
        "37": "Afatory eo anoloana amin\u2019ilay satroka lamba ilay takela-bolamena, ka kofehy manga amatorana azy. Tsy tokony halana eo mihitsy ilay izy.",
        "38": "Hatao eo amin\u2019ny handrin\u2019i Arona ilay izy. Ary i Arona no ho tompon\u2019andraikitra rehefa misy olona manao fahadisoana amin\u2019ireo zava-masina, izay hamasinin\u2019ny Israelita ho fanomezana masina. Tokony havela eo amin\u2019ny handrin\u2019i Arona foana ilay takela-bolamena, mba hankasitrahan\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "39": "\u201cAtaovy kar\u00f4kar\u00f4 ny tenon\u2019ilay akanjo lava, ary kofehy rongony tena tsara anaovana azy. Manaova koa satroka amin\u2019ny lamba rongony tena tsara, sy fehikibo lamba vita tenona.",
        "40": "\u201cAnamboary akanjo lava sy fehikibo lamba ary fehiloha tsara tarehy koa ireo zanakalahin\u2019i Arona, mba hanomezana voninahitra azy.",
        "41": "Ampiakanjoy an\u2019ireo i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy. Dia hanosotra azy ireo ho mpisorona ianao, ka hanendry sy hanamasina azy ireo. Dia hanao ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako izy ireo.",
        "42": "Manamboara koa kilaoty lava amin\u2019ny lamba rongony mba hanaronan\u2019izy ireo ny fitanjahany. Tokony ho avy eo amin\u2019ny andilana ka hatreo amin\u2019ny fe izany.",
        "43": "Tsy maintsy manao an\u2019ireo i Arona sy ny zanany lahy rehefa miditra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ao amin\u2019ny toerana masina. Amin\u2019izay izy ireo tsy ho meloka ka tsy ho faty. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahiny sy harahin\u2019ny taranany mandimby azy."
    },
    "29": {
        "1": "\u201cIzao no hataonao hanamasinana azy ireo mba hanaovany ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako: Mak\u00e0 vantotr\u2019ombilahy iray, sy ondrilahy roa samy tsy misy tsininy,",
        "2": "sy mofo tsy misy lalivay, sy mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, ary mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka. Lafarinina varimbazaha tsara toto no hanaovanao an\u2019ireo mofo ireo.",
        "3": "Dia ataovy ao anaty harona ireo, ka ao anatin\u2019iny no hanolorana azy. Atolory koa ilay ombilahy sy ireo ondrilahy roa.",
        "4": "\u201cEnto eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana i Arona sy ireo zanany lahy, ka sasao amin\u2019ny rano.",
        "5": "Dia alaivo ireo akanjo, ka ampanaovy an\u2019i Arona ilay akanjo lava, sy ilay akanjo tsy misy tanany hatao ambanin\u2019ny efoda, sy ny efoda, ary ny saron-tratra. Ary ataovy migeja tsara amin\u2019ny andilan\u2019i Arona ilay fehikibo vita tenona, izany hoe ny fehikibon\u2019ilay efoda.",
        "6": "Apetraho eo amin\u2019ny lohany ny satroka lamba, ary ataovy eo amin\u2019ilay satroka ny famantarana masina hoe voatokana izy.",
        "7": "Ary alaivo ny menaka masina fanosorana, ka araraho eo amin\u2019ny lohany, dia hosory ho mpisorona izy.",
        "8": "\u201cDia asaivo manatona ireo zanany lahy ka ampanaovy azy ireo ny akanjo lava.",
        "9": "Ampanaovy an\u2019i Arona sy ny zanany koa ireo fehikibo lamba, ary ataovy amin\u2019ny lohan\u2019izy ireo ny fehiloha. Dia ho anjaran\u2019izy ireo ny asa fisoronana, ary ho fitsipika manan-kery foana izany. Izany no tokony hataonao rehefa manendry an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona ianao.",
        "10": "\u201cAry ento eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana ilay ombilahy. Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby i Arona sy ny zanany lahy.",
        "11": "Ary vonoy eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ilay omby.",
        "12": "Akao amin\u2019ny rantsantananao ny ran\u2019ilay omby, ka ataovy eo amin\u2019ny tandroky ny alitara. Ary araraho eo am-pototry ny alitara ny ra ambiny rehetra.",
        "13": "Dia alaivo ny taviny rehetra manarona ny tsinainy, sy ny jabora eo amin\u2019ny atiny, ary ny voany roa sy ny taviny eo amboniny, ka dory mba hidona-tsetroka eo ambony alitara.",
        "14": "Fa ny henan\u2019ilay omby sy ny hodiny ary ny tainy kosa dia hodoranao any ivelan\u2019ny toby. Fanatitra noho ny ota ilay ombilahy.",
        "15": "\u201cAvy eo dia alaivo ny ondrilahy iray. Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay ondry i\u00a0Arona sy ny zanany lahy.",
        "16": "Dia vonoy ilay ondry, ka alaivo ny rany ary afafazo eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ilay alitara.",
        "17": "Teteho ilay ondry ary sasao ny tsinainy sy ny tongony. Dia alaharo tsara miaraka amin\u2019ny lohany ireo tapany efa voatetika.",
        "18": "Dory ilay ondry manontolo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara. Fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra azy. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "19": "\u201cAorian\u2019izay, dia alaivo ilay ondrilahy anankiray. Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.",
        "20": "Dia vonoy ilay ondry, ary akao ny rany ka ataovy eo amin\u2019ny ravintsofina ankavanan\u2019i Arona sy ny zanany, sy eo amin\u2019ny ankiben-tanany ankavanana, ary ny ankiben-tongony ankavanana. Ary afafazo eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ilay alitara ny ra.",
        "21": "Dia akao ny ra eo ambony alitara sy ny menaka masina fanosorana, ka afafazo amin\u2019i Arona sy ny akanjony, ary amin\u2019ireo zanany sy ny akanjon\u2019izy ireo. Amin\u2019izay dia ho masina i Arona sy ny akanjony, ary koa ny zanany sy ny akanjon\u2019izy ireo.",
        "22": "\u201cDia alaivo ny tavin\u2019ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy, ny taviny manarona ny tsinainy, ny jabora eo amin\u2019ny atiny, ny voany roa sy ny taviny eo amboniny, ary ny feny ankavanana. Io mantsy ny ondrilahy atao sorona mba hanendrena mpisorona.",
        "23": "Mak\u00e0 koa mofo boribory sy mofo misy menaka ary mofo fisaka avy ao anatin\u2019ilay harona fasiana mofo tsy misy lalivay, izay eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "24": "Ataovy eo amin\u2019ny tanan\u2019i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo, ary ahetsiketseho ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "25": "Dia alaivo eny an-tanan\u2019izy ireo izany ka dory eo ambony alitara, eo ambonin\u2019ilay fanatitra dorana, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "26": "\u201cAlaivo avy eo ny tratran\u2019ilay ondrilahy, izay atao sorona rehefa hanendry an\u2019i Arona ho mpisorona. Dia ahetsiketseho ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay izy, ary iny no ho anjaranao.",
        "27": "Hamasino ny tratrany atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao anjara masina, izay nahetsiketsika sy nalaina avy tamin\u2019ilay ondrilahy natao sorona rehefa notendrena ho mpisorona i Arona sy ny zanany lahy.",
        "28": "Ho an\u2019i Arona sy ny zanany ireo satria anjara masina, dia anjara masina tsy maintsy homen\u2019ny Israelita. Ho fitsipika mandrakizay ho an\u2019ny Israelita izany. Ireo no anjara masina hatolotr\u2019izy ireo ho an\u2019i Jehovah avy amin\u2019ny sorona iombonana ateriny.",
        "29": "\u201cIreo akanjo masin\u2019i Arona dia hanaovan\u2019izay taranany mandimby azy, rehefa hosorana sy tendrena ho mpisorona izy ireo.",
        "30": "Koa hanao an\u2019ireo akanjo ireo, mandritra ny fito andro, izay taranany lasa mpisorona mandimby azy sy miditra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana mba hanompo ao amin\u2019ny toerana masina.",
        "31": "\u201cAlaivo ilay ondrilahy izay atao sorona mba hanendrena mpisorona, ka andrahoy ao amin\u2019izay toerana masina ny henany.",
        "32": "Dia hohanin\u2019i Arona sy ny zanany eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny henan\u2019ilay ondry sy ny mofo ao anatin\u2019ilay harona.",
        "33": "Hohanin\u2019izy ireo ny zavatra nampiasaina tamin\u2019ny fandrakofam-pahotana, mba hanendrena azy ireo ho mpisorona sy hanamasinana azy ireo. Tsy mahazo mihinana an\u2019izany kosa ny olona tsy nahazo alalana, satria zava-masina izany.",
        "34": "Raha misy ambiny tavela mandra-maraina ny mofo sy ny henan\u2019ilay ondry natao sorona tamin\u2019izy ireo notendrena ho mpisorona, dia dory. Tsy azo hanina izany satria zava-masina.",
        "35": "\u201cIzany no hataonao amin\u2019i Arona sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Haharitra fito andro ny fanendrenao azy ireo ho mpisorona.",
        "36": "Hanolotra ombilahy atao fanatitra noho ny ota ianao isan\u2019andro ho fandrakofam-pahotana. Ary diovy ho afaka amin\u2019ny ota ny alitara ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io, ary hosory menaka izy io mba ho masina.",
        "37": "Hataonao mandritra ny fito andro ny fandrakofam-pahotana ho an\u2019ny alitara, ary hamasino izy io mba ho tena masina. Tokony ho masina izay olona mikasika ny alitara.",
        "38": "\u201cIzao no hatolotrao isan\u2019andro eo ambony alitara: Ondrilahy kely roa izay herintaona avy.",
        "39": "Atolory amin\u2019ny maraina ny ondrilahy iray, ary amin\u2019ny takariva ny iray.",
        "40": "Ary izao no hampiarahina amin\u2019ilay ondrilahy kely voalohany: Lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha afangaro menaka ampahefatry ny hina avy amin\u2019ny oliva voatoto, sy divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro.",
        "41": "Ary izao no hampiarahinao amin\u2019ilay ondrilahy kely faharoa hatolotrao amin\u2019ny takariva: Fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro hoatran\u2019ilay amin\u2019ny maraina. Ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra azy.",
        "42": "Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby, ka atao eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana eo anatrehan\u2019i Jehovah, dia eo amin\u2019izay hisehoako aminareo sy hitenenako aminao.",
        "43": "\u201cEo aho no hiseho amin\u2019ny Israelita, ka ny voninahitro no hanamasina an\u2019io toerana io.",
        "44": "Dia hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara. Ary hohamasiniko i Arona sy ireo zanany lahy mba hanaovany ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako.",
        "45": "Honina eo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely aho ka ho Andriamaniny.",
        "46": "Dia ho fantatr\u2019izy ireo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta mba hahafahako honina eo aminy. Izaho no Jehovah Andriamaniny."
    },
    "30": {
        "1": "\u201cManamboara alitara handoroana emboka manitra, ka hazo akasia no hanaovanao azy.",
        "2": "Ho efamira ilay izy, ka iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary roa hakiho ny haavony. Ary tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovana an\u2019ilay alitara sy ireo tandrony.",
        "3": "Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra manodidina ary ny tandrony. Ary asio sisiny volamena manodidina ny tampony.",
        "4": "Manamboara koa tahony boribory volamena roa, dia asio roa avy, eo ambanin\u2019ny sisin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ny alitara. Ireo no hitsofohan\u2019ny bao hilanjana azy.",
        "5": "Hazo akasia no hanaovanao an\u2019ireo bao, ary hopetahanao takela-bolamena izany.",
        "6": "Apetraho eo anoloan\u2019ilay ridao eo akaikin\u2019ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona ilay alitara, izany hoe tandrifin\u2019ny sarony, eo amin\u2019izay hisehoako aminao.",
        "7": "\u201cHandoro emboka manitra eo ambonin\u2019ilay alitara i Arona, ka hidona-tsetroka eo ambonin\u2019ilay alitara izany rehefa mikarakara ny jiro izy isa-maraina.",
        "8": "Handoro emboka manitra koa i Arona rehefa mandrehitra ny jiro, amin\u2019ny takariva. Ho emboka manitra hatolotra tsy tapaka eo anatrehan\u2019i Jehovah izany, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby.",
        "9": "Aza anolorana emboka manitra tsy nahazoana alalana, na fanatitra dorana, na fanatitra varimbazaha, eo ambonin\u2019ilay alitara, ary aza andrarahana fanatitra zava-pisotro koa.",
        "10": "Ary hanao fandrakofam-pahotana eo amin\u2019ny tandroky ny alitara i Arona, indray mandeha isan-taona. Hakany ny ra avy amin\u2019ny fanatitra noho ny ota, ka hanao fandrakofam-pahotana ho an\u2019ny alitara izy indray mandeha isan-taona, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby. Tena masina amin\u2019i Jehovah ilay alitara.\u201d",
        "11": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "12": "\u201cRehefa manao fanisam-bahoaka ianao ka manisa ny zanak\u2019Israely, dia tsy maintsy manome ho an\u2019i Jehovah ny vidin\u2019ny fanavotana ny ainy ny tsirairay amin\u2019ny fotoana hanaovana an\u2019ilay fanisana. Amin\u2019izay dia tsy hisy loza hanjo azy ireo, rehefa soratana ny anaran\u2019izy ireo.",
        "13": "Izao no homen\u2019izay rehetra voasoratra anarana: Antsasaka sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina. Ary 20 gera ny iray sekely, ka antsasaka sekely no hatao fanomezana ho an\u2019i Jehovah.",
        "14": "Hanome fanomezana ho an\u2019i Jehovah izay rehetra voasoratra anarana, dia izay 20\u00a0taona no ho miakatra.",
        "15": "Tsy hanome mihoatra ny antsasaka sekely ny mpanankarena, ary tsy hanome latsaka izany ny mahantra, rehefa manao fanomezana ho an\u2019i Jehovah mba handrakofana ny fahotany ka hanavotana ny ainy.",
        "16": "Avy amin\u2019ny Israelita no hakanao an\u2019ilay vola fandrakofam-pahotana. Dia omeo hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana izany, ho fahatsiarovana an\u2019ireo Israelita eo anatrehan\u2019i Jehovah mba handrakofana ny fahotany ka hanavotana ny ainy.\u201d",
        "17": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "18": "\u201cManaova kovetabe varahina mba hampiasaina rehefa misasa, ary asio tongony varahina izany. Dia apetraho eo anelanelan\u2019ny tranolay fihaonana sy ny alitara izany, ka asio rano ao anatiny.",
        "19": "Ary hanasa ny tanany sy ny tongony eo i Arona sy ny zanany lahy.",
        "20": "Koa hisasa amin\u2019ny rano izy ireo mba tsy ho faty rehefa miditra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ka handoro fanatitra atao anaty afo mba hidona-tsetroka ho an\u2019i Jehovah.",
        "21": "Tsy maintsy manasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty. Izany no ho fitsipika mandrakizay ho azy ireo, izany hoe ho azy sy ny zanany, hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby.\u201d",
        "22": "Nilaza tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "23": "\u201cAorian\u2019izay, dia mak\u00e0 an\u2019ireto zava-manitra tsara indrindra ireto: Miora efa mivaingana milanja 500 sekely, sy kanelina antsasak\u2019izany, izany hoe 250 sekely, sy harefo mani-pofona milanja 250 sekely,",
        "24": "sy kasia milanja 500 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary menak\u2019oliva iray hina.",
        "25": "Dia manamboara menaka masina fanosorana avy amin\u2019ireo. Tokony hafangaro tsara ireo rehetra ireo. Ho menaka masina fanosorana izany.",
        "26": "\u201cHosory amin\u2019izany ny tranolay fihaonana, ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona,",
        "27": "ny latabatra sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana miaraka aminy, ny alitara fandoroana emboka manitra,",
        "28": "ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony.",
        "29": "Dia hamasino ireo mba ho tena masina. Tokony ho masina izay olona mikasika an\u2019ireo.",
        "30": "Dia hanosotra an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ianao ka hanamasina azy ireo, mba hanaovany ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako.",
        "31": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Ho menaka masina fanosorana izy io, ary hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ahy foana hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby.",
        "32": "Tsy azo ahosotra amin\u2019ny vatana io menaka io. Ary aza manamboatra menaka mitovy amin\u2019izy io. Zava-masina izy io, ary ho masina foana aminareo.",
        "33": "Haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izay olona manamboatra menaka fanosorana mitovy amin\u2019io, na maka amin\u2019izy io mba hatao amin\u2019olona tsy nahazo alalana.\u2019\u201d",
        "34": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMak\u00e0 an\u2019ireto zava-manitra ireto, ary ataovy mitovy daholo ny fatrany: Ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony.",
        "35": "Dia amboary ho emboka manitra izany. Tokony hafangaro tsara ireo zava-manitra ireo, ary hasiana sira mba hadio sy ho masina.",
        "36": "Ary mak\u00e0 amin\u2019ilay emboka manitra ka totoy ho lasa vovony izany. Dia mak\u00e0 amin\u2019ilay vovony, ka ataovy eo anoloan\u2019ny Tenin\u2019ny Vavolombelona izay ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, eo amin\u2019izay hisehoako aminao. Tokony ho zavatra tena masina aminareo izy io.",
        "37": "Aza manao emboka manitra amin\u2019ireo zava-manitra ireo mba hampiasainareo ho anareo. Tokony hihevitra azy io ho zava-masina amin\u2019i Jehovah ianareo.",
        "38": "Izay manamboatra emboka manitra mitovy amin\u2019izany mba hankafizana ny fofony, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.\u201d"
    },
    "31": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cNifidy an\u2019i Bezalila zanak\u2019i Ory, zanak\u2019i Hora, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda, aho.",
        "3": "Dia hofenoiko ny fanahiko i Bezalila, ka homeko fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana asa tanana isan-karazany.",
        "4": "Amin\u2019izay izy dia ho afaka hanao zava-kanto, hanefy volamena sy volafotsy ary varahina,",
        "5": "hanefy vatosoa hatao ao anaty tranotranony, ary hanao taozavatra isan-karazany vita amin\u2019ny hazo.",
        "6": "Ary hanendry an\u2019i Oholiaba zanak\u2019i Ahisamaka, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Dana, aho mba hanampy azy. Omeko fahendrena izay rehetra manan-talenta, mba ho afaka hanao an\u2019izay rehetra nandidiako anao,",
        "7": "dia ny tranolay fihaonana, ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona sy ny saron\u2019ilay Vata, ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny tranolay,",
        "8": "ny latabatra sy ny fitaovana miaraka aminy, ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana emboka manitra,",
        "9": "ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny kovetabe sy ny tongony,",
        "10": "ny akanjo tsara tenona, ny akanjo masina ho an\u2019i Arona mpisorona, ny akanjon\u2019ireo zanany lahy mba hanaovan\u2019izy ireo ny asan\u2019ny mpisorona,",
        "11": "ny menaka masina fanosorana, ary ny emboka manitra ho an\u2019ny toerana masina. Hanao an\u2019izay rehetra nandidiako anao izy ireo.\u201d",
        "12": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "13": "\u201cMitenena amin\u2019ny Israelita hoe: \u2018Tandremo tsara ny sabatako satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo.",
        "14": "Tandremo ny Sabata, satria masina aminareo izany. Na iza na iza manazimbazimba azy io dia hovonoina ho faty. Ary raha misy olona miasa amin\u2019io andro io, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izy.",
        "15": "Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito. Masina amin\u2019i Jehovah ny Sabata, ka tsy maintsy hovonoina ho faty izay miasa amin\u2019io andro io.",
        "16": "Tsy maintsy tandreman\u2019ny Israelita ny Sabata. Tsy maintsy mitandrina ny Sabata izy ireo hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby. Fifanekena maharitra ela be izany.",
        "17": "Famantarana maharitra eo amiko sy amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely izany. Enina andro mantsy no nanaovan\u2019i Jehovah ny lanitra sy ny tany, dia nitsahatra izy tamin\u2019ny andro fahafito ary afa-po.\u2019\u201d",
        "18": "Vao vita ny resak\u2019izy sy Mosesy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, izany hoe ny takela-bato nosoratan\u2019ny rantsantanan\u2019Andriamanitra."
    },
    "32": {
        "1": "Ary rehefa hitan\u2019ny vahoaka fa naharitra ela tany an-tendrombohitra i Mosesy sady mbola tsy nidina ihany, dia nitangorona teo amin\u2019i Arona izy ireo, ka niteny hoe: \u201cAnamboary andriamanitra izahay hitarika anay, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an\u2019ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny!\u201d",
        "2": "Dia hoy i Arona: \u201cEsory \u00e0ry ny kavina volamena eny an-tsofin\u2019ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy, ka ento et\u1ef3 amiko.\u201d",
        "3": "Koa nesorin\u2019ny olona rehetra ny kavina volamena teny an-tsofiny, dia nentiny tany amin\u2019i Arona.",
        "4": "Dia noraisin\u2019i Arona avy teny amin\u2019izy ireo ny volamena, ary namboariny tamin\u2019ny fandraka ka nanaovany sarivongana zanak\u2019omby. Ary hoy ny vahoaka: \u201cRy Israely\u00a0\u00f4! Io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.\u201d",
        "5": "Nanorina alitara teo anoloan\u2019ilay zanak\u2019omby i Arona rehefa nahita an\u2019izany. Dia niantsoantso izy hoe: \u201cHisy fety ho an\u2019i Jehovah rahampitso!\u201d",
        "6": "Koa nifoha maraina izy ireo ny ampitson\u2019iny, ary nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka avy eo. Taorian\u2019izay dia nitsangana izy ireo mba hanao fety.",
        "7": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMandehana midina, fa manao ratsy ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tany Ejipta.",
        "8": "Nalaky niala tamin\u2019ny lalana nasaiko nalehany izy ireo. Nanao sarivongana zanak\u2019omby izy, ary miankohoka eo anatrehany sy manao sorona ho azy, sady miteny hoe: \u2018Ry Israely\u00a0\u00f4! Io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.\u2019\u201d",
        "9": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cHitako fa vahoaka mafy loha io vahoaka io.",
        "10": "Koa aleo aho hanampatra ny hatezerako aminy dia handringana azy ireo. Fa ianao kosa hataoko lasa firenena lehibe.\u201d",
        "11": "Dia niangavy an\u2019i Jehovah Andriamaniny i Mosesy, ka niteny hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, nahoana ianao no hanampatra ny hatezeranao amin\u2019ny vahoakanao, rehefa avy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamin\u2019ny sandry mahery?",
        "12": "Nahoana ny Ejipsianina no dia avela hiteny hoe: \u2018Te hanisy ratsy azy ireo izy, dia nitondra azy ireo niala teto amintsika. Tiany hovonoina any an-tendrombohitra sy haringana tsy ho et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany izy ireo\u2019? Aza manampatra ny hatezeranao intsony re\u00a0e, ary mba ovao, azafady, ny fanapahan-kevitrao hoe handringana ny vahoakanao.",
        "13": "Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nanaovanao fianianana hoe: \u2018Hataoko lasa be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra ny taranakareo. Ary homeko ny taranakareo io tany manontolo io, izay efa nofidiko ho azy ireo. Dia ho azon\u2019izy ireo alaina ho fananany mandrakizay izy io.\u2019\u201d",
        "14": "Koa niova hevitra i Jehovah ka tsy naringany indray ny vahoakany, na dia efa nilaza aza izy hoe hanao an\u2019izany.",
        "15": "Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, ary teny an-tanany ny takela-bato roa nisy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona. Nisy soratra ny lafiny roa tamin\u2019ireo takela-bato ireo, izany hoe ny ambadika sy ambadika.",
        "16": "Asa tanan\u2019Andriamanitra ireo takela-bato ireo, ary soratr\u2019Andriamanitra ny soratra voasokitra teo aminy.",
        "17": "Dia henon\u2019i Josoa ny tabataban\u2019ny olona satria nihorakoraka izy ireo. Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019i Mosesy: \u201cMisy tabataban\u2019ady ao an-toby ao izany!\u201d",
        "18": "Hoy anefa i Mosesy: \u201cTsy hiran\u2019olona nahazo fandresena izany, Na hiran\u2019olona mitaraindraina fa resy. Karazan-kira hafa mihitsy izany henoko izany.\u201d",
        "19": "Raha vao tonga teo akaikin\u2019ny toby i Mosesy, ka nahita an\u2019ilay zanak\u2019omby sy ny olona nandihy, dia tezitra be. Natontany \u00e0ry ireo takela-bato teny an-tanany, ka nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.",
        "20": "Nalainy koa ilay zanak\u2019omby nataon\u2019izy ireo, ka nodorany sy notorotoroiny ho lasa vovoka. Dia nafafiny teny amin\u2019ny rano izany, ka nampisotroiny an\u2019ireo Israelita.",
        "21": "Ary niteny tamin\u2019i Arona i Mosesy hoe: \u201cF\u2019inona no nataon\u2019ity vahoaka ity taminao no dia nahatonga azy ireo hanao an\u2019izao fahotana lehibe izao ianao?\u201d",
        "22": "Dia namaly i Arona hoe: \u201cAza tezitra be amiko ianao, tompoko. Fantatrao tsara fa mora manao ratsy ity vahoaka ity.",
        "23": "Koa nilaza tamiko ry zareo hoe: \u2018Manamboara andriamanitra ho antsika hitarika antsika, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an\u2019ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.\u2019",
        "24": "Dia niteny tamin-dry zareo aho hoe: \u2018Esory \u00e0ry izay volamena eny aminareo dia omeo ahy.\u2019 Koa natsipiko tao anaty afo izany, dia io zanak\u2019omby io no nivoaka avy tao.\u201d",
        "25": "Hitan\u2019i Mosesy fa nanaram-po tanteraka ny vahoaka, satria efa navelan\u2019i Arona hanaram-po tanteraka, ka nanala baraka tena teo imason\u2019ny fahavalony.",
        "26": "Nankeo am-bavahadin\u2019ny toby \u00e0ry i Mosesy ka niteny hoe: \u201cIza no momba an\u2019i Jehovah? Avia et\u1ef3 amiko!\u201d Dia nitangorona teny aminy daholo ny Levita.",
        "27": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Raiso ny sabatrareo, dia tetezo ny toby manontolo ka idiro ny vavahady rehetra. Dia samia mamono ny rahalahiny sy ny mpiara-monina aminy ary ny namany akaiky.\u2019\u201d",
        "28": "Dia nataon\u2019ny Levita izay nolazain\u2019i Mosesy. Koa lehilahy 3\u00a0000 teo ho eo no maty tamin\u2019iny andro iny.",
        "29": "Dia hoy i Mosesy: \u201cAtokano ho an\u2019i Jehovah ny tenanareo anio, satria samy nanohitra ny zanakareo sy ny rahalahinareo avy ianareo. Koa hanome fitahiana ho anareo Andriamanitra anio.\u201d",
        "30": "Hoy i Mosesy tamin\u2019ny vahoaka ny ampitson\u2019iny: \u201cEfa nanao fahotana lehibe ianareo. Koa hiakatra ho any amin\u2019i Jehovah aho izao mba hahitako raha afaka mangataka famelan-keloka ho anareo aho.\u201d",
        "31": "Dia niverina nankany amin\u2019i Jehovah i Mosesy, ka niteny hoe: \u201cTena nanao fahotana lehibe ny vahoaka! Nanamboatra andriamanitra volamena ho azy ry zareo!",
        "32": "Koa mba avelao re ny helok\u2019izy ireo, raha sitrakao\u00a0e! Fa raha tsy izay ny sitrakao, dia mba fafao tsy ho ao amin\u2019ny boky nosoratanao ny anarako!\u201d",
        "33": "Hoy anefa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cNy anaran\u2019izay nanota tamiko ihany no hofafako tsy ho ao amin\u2019ny bokiko.",
        "34": "Koa mandehana, ento ho any amin\u2019ny toerana efa nolazaiko taminao ny vahoaka. Handeha eo alohanao ilay anjeliko, ary amin\u2019ny andro hanaovako ampamoaka azy ireo, dia hosaziko noho ny fahotany izy ireo.\u201d",
        "35": "Koa namely ny vahoaka i Jehovah noho izy ireo nanao zanak\u2019omby, dia ilay nasain\u2019izy ireo nataon\u2019i Arona."
    },
    "33": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMandehana miala eto ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy tany Ejipta. Ary mankanesa any amin\u2019ilay tany izay nianianako tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: \u2018Ny taranakao no homeko azy io.\u2019",
        "2": "Haniraka anjely eo alohanao aho, sady handroaka ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.",
        "3": "Miakara any amin\u2019ny tany tondra-dronono sy tantely. Tsy handeha hiaraka aminareo anefa aho satria vahoaka mafy loha ianareo, ka sao dia handringana anareo eny an-dalana aho.\u201d",
        "4": "Hoatran\u2019ny nivoaham-paty ny vahoaka rehefa naheno an\u2019izany teny henjana izany, ka tsy nisy nihaingo.",
        "5": "Hoy i Jehovah tamin\u2019 i Mosesy: \u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Vahoaka mafy loha ianareo! Azoko atao ny mankeny amin\u2019izay misy anareo ka mandringana anareo, ao anatin\u2019ny indray mipy maso monja. Koa aza mihaingo aloha ianareo, fa mbola mandinika an\u2019izay hataoko aminareo aho.\u2019\u201d",
        "6": "Koa tsy nihaingo ny Israelita nanomboka teo amin\u2019ny Tendrombohitra Horeba.",
        "7": "Ary nalain\u2019i Mosesy ny tranolainy ka natsangany teny ivelan\u2019ny toby, somary lavidavitra. Dia nantsoiny hoe tranolay fihaonana izy io. Ary izay olona nanontany an\u2019i Jehovah, dia nankeny amin\u2019ilay tranolay fihaonana teny ivelan\u2019ny toby.",
        "8": "Raha vao nankeny amin\u2019ilay tranolay i Mosesy, dia nitsangana daholo ny olona ary nankeo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolainy avy. Ary tany aminy foana ny mason\u2019izy ireo, mandra-piditr\u2019i Mosesy tao amin\u2019ilay tranolay.",
        "9": "Vao tafiditra tao amin\u2019ilay tranolay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay tranolay raha mbola niresaka tamin\u2019i Mosesy Andriamanitra.",
        "10": "Rehefa hitan\u2019ny rehetra hoe nijanona teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay tranolay ny andry rahona, dia samy niankohoka teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolainy avy izy ireo.",
        "11": "Niresaka nifanatrika tamin\u2019i Mosesy i Jehovah, hoatran\u2019ny olona roa mifampiresaka. Rehefa niverina nankany an-toby i Mosesy, dia tsy niala tao amin\u2019ilay tranolay i Josoa zanak\u2019i Nona. Mpanompon\u2019i Mosesy izy io sady mpanampy azy.",
        "12": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cIanao miteny amiko hoe: \u2018Ento miakatra ity vahoaka ity\u2019, nefa tsy nampahafantarinao ahy hoe iza no hirahinao hiaraka amiko. Niteny koa ianao hoe: \u2018Fantatro tsara ianao sady ankasitrahako.\u2019",
        "13": "Koa raha mahazo sitraka aminao \u00e0ry aho, dia ampahafantaro ahy re ny lalanao\u00a0e, mba hahafantarako anao sy hahazoako sitraka aminao foana! Tsarovy koa fa vahoakanao ity firenena ity.\u201d",
        "14": "Koa niteny izy hoe: \u201cIzaho mihitsy no hiaraka aminao, ary hataoko milamin-tsaina ianao.\u201d",
        "15": "Dia hoy i Mosesy taminy: \u201cAza entina miakatra hiala eto izahay, raha tsy ianao mihitsy no miaraka aminay.",
        "16": "Ahoana moa no hahafantarana fa mahazo sitraka aminao izaho sy ny vahoakanao? Tsy rehefa mandeha miaraka aminay ve ianao? Amin\u2019izay dia hiavaka amin\u2019ny firenena hafa rehetra et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany izaho sy ny vahoakanao.\u201d",
        "17": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cHataoko koa izany zavatra angatahinao izany, satria mankasitraka anao aho sady mahalala tsara anao.\u201d",
        "18": "Dia niteny i Mosesy hoe: \u201cMba asehoy ahy re ny voninahitrao\u00a0e!\u201d",
        "19": "Fa hoy ny navaliny: \u201cHampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaran-toetrako rehetra, ary holazaiko aminao ilay anarako hoe Jehovah. Dia hankasitraka an\u2019izay tiako hankasitrahana aho, ary hamindra fo amin\u2019izay tiako hamindrana fo.\u201d",
        "20": "Hoy koa anefa izy: \u201cTsy afaka mahita ny tarehiko ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona.\u201d",
        "21": "Niteny koa i Jehovah hoe: \u201cMisy toerana eto akaikiko, dia mijan\u00f2na eo ambony vatolampy.",
        "22": "Hataoko eo an-tsefatsefaky ny vatolampy ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hotakonako amin\u2019ny tanako ianao mandra-pandaloko.",
        "23": "Hesoriko ny tanako avy eo, ka ny lamosiko no ho hitanao. Fa ny tarehiko kosa tsy azo jerena.\u201d"
    },
    "34": {
        "1": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cManamboara takela-bato roa mitovy amin\u2019ireo voalohany, fa hosoratako eo amin\u2019ireo ny teny nosoratana teo amin\u2019ireo takela-bato voalohany efa nopotipotehinao.",
        "2": "Miom\u00e0na ho amin\u2019ny rahampitso maraina. Hiakatra ho any amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay mantsy ianao amin\u2019ny maraina, dia hijanona eo anatrehako eo an-tampon\u2019ilay tendrombohitra.",
        "3": "Tsy misy mahazo miara-miakatra aminao anefa. Tsy tokony hisy olon-kafa ho hita mihitsy na aiza na aiza eo amin\u2019ilay tendrombohitra. Na ny andian\u2019ondry sy ny andian\u2019omby aza tsy tokony hiraoka ahitra eo anoloan\u2019io tendrombohitra io.\u201d",
        "4": "Koa nanamboatra takela-bato roa nitovy tamin\u2019ireo voalohany i Mosesy. Ary nifoha maraina izy, ka niakatra tany amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah azy. Ary nentiny teny an-tanany ny takela-bato roa.",
        "5": "Dia nidina tao anaty rahona i Jehovah, ka niaraka tamin\u2019i Mosesy teo. Ary nolazainy ny anarany hoe Jehovah.",
        "6": "Nandalo teo anatrehan\u2019i Mosesy i Jehovah ka niteny hoe: \u201cJehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana,",
        "7": "be fitiavana sy tsy mivadika amin\u2019olona an\u2019arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an\u2019izay meloka, fa hosaziny noho ny fahadisoan\u2019ny rainy ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.\u201d",
        "8": "Niondrika haingana tamin\u2019ny tany i Mosesy ka niankohoka.",
        "9": "Avy eo dia hoy izy: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, raha mahazo sitraka aminao aho, dia andao mba hiaraka aminay Jehovah\u00a0\u00f4, na dia vahoaka mafy loha aza izahay! Ary mamel\u00e0 ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka raiso ho fanananao izahay.\u201d",
        "10": "Dia namaly izy hoe: \u201cManao fifanekena aminareo aho fa eo anatrehan\u2019ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga, izay mbola tsy natao tany amin\u2019ny tany rehetra na teo amin\u2019ny firenena rehetra. Ary hahita ny asan\u2019i Jehovah ny firenena rehetra manodidina anareo, satria zavatra mahatalanjona no hataoko ho anareo.",
        "11": "\u201cHenoy tsara izay didy omeko anareo anio. Horoahiko tsy ho eo anatrehanareo ny Amorita, ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.",
        "12": "Tandremo sao manao fifanekena amin\u2019ny mponina ao amin\u2019ilay tany halehanareo, fa ho voafandrika ianareo raha manao an\u2019izany.",
        "13": "Arodano kosa ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina, ary kapao ny tsato-kazony masina.",
        "14": "Aza miankohoka eo anatrehan\u2019ny andriamani-kafa, satria i Jehovah efa fantatra hoe mitaky ny hanompoana azy irery ihany. Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany tokoa izy.",
        "15": "Tandremo sao manao fifanekena amin\u2019ny mponina ao amin\u2019ilay tany. Rehefa manompo an\u2019ireo andriamaniny sy manao sorona ho an\u2019ny andriamaniny mantsy izy ireo, dia hisy hanasa anao, ka hihinana amin\u2019ny sorona ataony ianao.",
        "16": "Dia azo antoka fa haka amin\u2019ny zanany vavy ho vadin\u2019ny zanakao lahy ianao. Ary hanompo an\u2019ireo andriamaniny ny zanany vavy, ka hitarika ny zanakao lahy hanompo an\u2019ireny andriamaniny ireny koa.",
        "17": "\u201cAza manao andriamanitra vita amin\u2019ny metaly narendrika.",
        "18": "\u201cAnkalazao ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Hihinana mofo tsy misy lalivay ianao, araka ny didy nomeko anao. Hihinana an\u2019izany ianao mandritra ny fito andro, amin\u2019ny fotoana voatondro amin\u2019ny volana Abiba. Tamin\u2019ny volana Abiba mantsy ianao no nivoaka avy tany Ejipta.",
        "19": "\u201cAhy ny lahy rehetra teraka voalohany, anisan\u2019izany ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompinao, na omby izany na ondry.",
        "20": "Tokony havotanao ny voalohan-teraka amin\u2019ny ampondra, ka ondry no ataovy solony. Raha tsy avotanao anefa ilay izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy. Tokony havotanao koa ny lahimatoa rehetra amin\u2019ny zanakao. Tsy misy mahazo mitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako.",
        "21": "\u201cEnina andro no hiasanao, fa hitsahatra kosa ianao amin\u2019ny andro fahafito. Hitsahatra amin\u2019ny asanao ianao, na amin\u2019ny fotoana iasana ny tany na amin\u2019ny fotoam-pijinjana.",
        "22": "\u201cAnkalazao ny Fetin\u2019ireo Herinandro, ka atero ny voaloham-bokatra amin\u2019ny varimbazaha. Ankalazao koa ny Fetin\u2019ny Fanangonam-bokatra amin\u2019ny faramparan\u2019ny taona.",
        "23": "\u201cIntelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay tena Tompo, dia ny Andriamanitry ny Israely.",
        "24": "Fa horoahiko tsy ho eo anatrehanao ireo firenena, ary hohalehibeaziko ny faritry ny taninao. Ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao, rehefa miakatra mba hahita ny tarehin\u2019i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.",
        "25": "\u201cAza ampiarahina amin-javatra misy lalivay ny ran\u2019ny sorona atolotra ho ahy. Ary aza tehirizina mandra-paharainan\u2019ny andro ny sorona atolotra amin\u2019ny fetin\u2019ny Paska.",
        "26": "\u201cEnto mankao an-tranon\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin\u2019ny voaloham-bokatry ny taninao. \u201cAza mahandro zanak\u2019osy amin\u2019ny rononon-dreniny.\u201d",
        "27": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cSoraty ireo teny ireo, satria araka ireo teny ireo no anaovako fifanekena aminao sy amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "28": "Dia nijanona tany niaraka tamin\u2019i Jehovah 40 andro sy 40 alina izy, ary tsy nisakafo na nisotro rano. Ary nosoratany teo amin\u2019ireo takela-bato ny teny tao amin\u2019ilay fifanekena, izany hoe ny Didy Folo.",
        "29": "Dia nidina avy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, ary teny an-tanany ny takela-bato roa misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona. Ary tsy fantatr\u2019i Mosesy hoe nanjelanjelatra ny tarehiny noho izy niresaka tamin\u2019Andriamanitra.",
        "30": "Rehefa nahita an\u2019i Mosesy i Arona sy ny Israelita rehetra, dia voamarik\u2019izy ireo fa nanjelanjelatra ny tarehiny. Koa natahotra ny hanatona azy izy ireo.",
        "31": "Niantso azy ireo anefa i Mosesy. Koa nankeo aminy i Arona sy ny mpiadidy rehetra teo amin\u2019ny vahoaka. Dia niresaka tamin\u2019izy ireo i Mosesy.",
        "32": "Avy eo dia nanatona azy ny Israelita rehetra. Ary nomeny azy ireo ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah azy tany amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay.",
        "33": "Dia nosaronan\u2019i Mosesy lamba ny tarehiny, rehefa avy niresaka tamin\u2019izy ireo izy.",
        "34": "Rehefa niditra nankeo anatrehan\u2019i Jehovah anefa i Mosesy mba hiresaka taminy, dia nesoriny ilay lamba mandra-pivoakany avy tao. Ary nivoaka avy tao izy ka nampahafantariny an\u2019ireo Israelita ny didy azony.",
        "35": "Ary hitan\u2019ny Israelita fa nanjelanjelatra ny tarehin\u2019i Mosesy. Dia nosaronan\u2019i Mosesy lamba indray ny tarehiny, mandra-pandehany niditra hiresaka tamin\u2019Andriamanitra."
    },
    "35": {
        "1": "Novorin\u2019i Mosesy ny vahoakan\u2019Israely manontolo taorian\u2019izay, ka nilazany hoe: \u201cIreto avy ny zavatra nandidian\u2019i Jehovah hoe tokony hatao:",
        "2": "Enina andro no azo iasana, fa ny andro fahafito kosa ho masina aminareo. Sabata fitsaharana tanteraka natokana ho an\u2019i Jehovah izy io, ka hovonoina ho faty izay miasa amin\u2019io andro io.",
        "3": "Aza mandrehitra afo amin\u2019ny andro sabata, any amin\u2019ny toerana rehetra ipetrahanareo.\u201d",
        "4": "Dia niteny tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo i Mosesy hoe: \u201cIzao no didy nomen\u2019i Jehovah:",
        "5": "\u2018Mitondr\u00e0 fanomezana ho an\u2019i Jehovah avy amin\u2019izay anananareo. Aoka hitondra fanomezana ho an\u2019i Jehovah ny olona rehetra atosiky ny fony, ka hanome volamena, volafotsy, varahina,",
        "6": "kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, kofehy rongony tena tsara, volon\u2019osy,",
        "7": "hoditr\u2019ondrilahy nolokoana mena, hoditra faoky, hazo akasia,",
        "8": "menaka ho an\u2019ny jiro, balsama hatao amin\u2019ny menaka masina fanosorana sy amin\u2019ny emboka manitra,",
        "9": "vato oniksa, ary vato hafa hapetaka amin\u2019ny efoda sy ny saron-tratra.",
        "10": "\u201c\u2018Afaka manatona izay rehetra manan-talenta eo aminareo, mba hanao ny zava-drehetra nandidian\u2019i Jehovah,",
        "11": "izany hoe ny tranolay sy ny lambany ary ny rakony, ny faraingo kely sy ny rafitra tsirairay, ny barany sy ny andry ary ny faladiany hitsatohany;",
        "12": "ny Vata sy ny bao filanjana azy sy ny sarony ary ny ridao fanakonana;",
        "13": "ny latabatra sy ny bao filanjana azy sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy ary ny mofo aseho;",
        "14": "ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana miaraka aminy sy ny jirony ary ny menaka ho an\u2019ny jiro;",
        "15": "ny alitara fandoroana emboka manitra sy ny bao filanjana azy; ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra; ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay;",
        "16": "ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny makarakara varahina miaraka aminy sy ny bao filanjana azy ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy; ny kovetabe sy ny tongony;",
        "17": "ny fefy lamban\u2019ny tokotany sy ny andry ary ny faladiany hitsatohany; ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao an-tokotany;",
        "18": "ireo fantsika be fanenjanan-day ho an\u2019ny tranolay sy ho an\u2019ny tokotany, ary ireo tadiny;",
        "19": "ny akanjo tsara tenona hoentina manompo ao amin\u2019ny toerana masina, sy ny akanjo masina ho an\u2019i Arona mpisorona, ary ny akanjon\u2019ireo zanany lahy mba hanaovan\u2019izy ireo ny asan\u2019ny mpisorona.\u2019\u201d",
        "20": "Koa niala teo anatrehan\u2019i Mosesy ny vahoakan\u2019Israely manontolo.",
        "21": "Avy eo dia tonga izay rehetra natosiky ny fony sy izay rehetra noterem-panahy, ka nitondra ny fanomezany ho an\u2019i Jehovah mba hanaovana ny tranolay fihaonana, sy ny fanompoana rehetra ao, ary ny akanjo masina.",
        "22": "Ary tonga foana ny olona, na lahy na vavy, dia izay rehetra natosiky ny fony, ka nitondra firavaka misy paingotra, kavina, peratra, firavaka hafa, ary zavatra isan-karazany vita amin\u2019ny volamena. Nanome volamena ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah izy rehetra.",
        "23": "Ary izay nanana kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, kofehy rongony tena tsara, volon\u2019osy, hoditr\u2019ondrilahy nolokoana mena, ary hoditra faoky, dia nitondra izany.",
        "24": "Izay rehetra te hanome volafotsy sy varahina, dia nitondra an\u2019izany ho fanomezana ho an\u2019i Jehovah. Ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana an\u2019ilay asa, dia nitondra an\u2019izany koa.",
        "25": "Nanamboatra kofehy ny vehivavy rehetra nanan-talenta ka nentin\u2019izy ireo izay vitany: Kofehy manga, kofehy volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony tena tsara.",
        "26": "Ary nanao kofehy tamin\u2019ny volon\u2019osy ny vehivavy rehetra izay nanan-talenta sy natosiky ny fony.",
        "27": "Ary ny mpiadidy dia nitondra vato oniksa sy vato hafa hapetaka amin\u2019ny efoda sy ny saron-tratra,",
        "28": "sy balsama, ary menaka ho an\u2019ny jiro sy hatao amin\u2019ny menaka masina fanosorana ary hatao amin\u2019ny emboka manitra.",
        "29": "Koa izay lehilahy sy vehivavy natosiky ny fony, dia nitondra zavatra hanaovana ny asa nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy hoe tokony hatao. Nitondra an\u2019izany ho fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019i Jehovah ny Israelita.",
        "30": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019ny Israelita: \u201cEfa nofidin\u2019i Jehovah i Bezalila zanak\u2019i Ory, zanak\u2019i Hora, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
        "31": "Nofenoin\u2019Andriamanitra ny fanahiny izy, ka nomeny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana asa tanana isan-karazany.",
        "32": "Amin\u2019izay izy afaka manao zava-kanto, manefy volamena sy volafotsy ary varahina,",
        "33": "manefy vatosoa hatao ao anaty tranotranony, ary manao taozavatra kanto isan-karazany vita amin\u2019ny hazo.",
        "34": "Ary efa nataony tao am-pon\u2019i Bezalila ny fahaiza-mampianatra. Dia hampianatra izy sy Oholiaba zanak\u2019i Ahisamaka, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Dana.",
        "35": "Efa nomeny talenta izy ireo mba hahavita ny asa rehetra fanaon\u2019ny mpanao asa tanana, ny mpanao peta-kofehy, ny mpanenona lamba misoratsoratra amin\u2019ny kofehy manga sy volonondry volomparasy sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony tena tsara, ary ny asa rehetra fanaon\u2019ny mpanenona. Hanao ny karazan\u2019asa rehetra sy ny sarin\u2019izay zavatra rehetra mila atao ireo lehilahy ireo."
    },
    "36": {
        "1": "\u201cHiara-miasa amin\u2019i Bezalila i Oholiaba sy ny olona rehetra manan-talenta, izay nomen\u2019i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, mba hahaizany hanao ny zava-drehetra ilaina amin\u2019ny fanompoana masina, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah.\u201d",
        "2": "Dia nantsoin\u2019i Mosesy i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona rehetra nanan-talenta, izay efa nomen\u2019i Jehovah fahendrena, dia izay rehetra natosiky ny fony mba hirotsaka an-tsitrapo hanao an\u2019ilay asa.",
        "3": "Ary nalain\u2019izy ireo tany amin\u2019i Mosesy ny fanomezana rehetra nentin\u2019ny Israelita hanaovana ny asa mifandray amin\u2019ny fanompoana masina. Mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo teo aminy ihany anefa ny Israelita isa-maraina.",
        "4": "Tonga tsirairay ny mpiasa rehetra nanan-talenta rehefa natomboka ilay asa masina,",
        "5": "ka niteny tamin\u2019i Mosesy hoe: \u201cBe lavitra noho izay ilaina amin\u2019ny asa nasain\u2019i Jehovah natao no entin\u2019ny vahoaka.\u201d",
        "6": "Koa izao no nasain\u2019i Mosesy nampandrenesina eran\u2019ny toby: \u201c\u00d4 rey olona\u00a0a! Aza misy mitondra zavatra hatao fanomezana masina intsony ianareo!\u201d Dia notohanam-potsiny ny vahoaka mba tsy hanatitra na inona na inona intsony.",
        "7": "Efa ampy tsara hanaovana ny asa rehetra ny zavatra voangona, ary efa nihoatra aza.",
        "8": "Koa nanao ny tranolay masina ny mpiasa rehetra nanan-talenta. Ireto avy no nanaovany an\u2019ilay izy: Lamba folo vita tamin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra. Dia noravahany sarina kerobima natao peta-kofehy ireo lamba.",
        "9": "Ary 28\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny lamba tsirairay, ary 4\u00a0hakiho ny sakany. Nitovy ny refin\u2019ny lamba rehetra.",
        "10": "Dia natambany ny lamba dimy, ary nataony toy izany koa ny lamba dimy ambiny.",
        "11": "Avy eo dia nasiany vona tamin\u2019ny kofehy manga ny sisin\u2019ny lamba iray, teo amin\u2019izay nihaonan\u2019ireo lamba be roa. Nasiany vona koa ny sisin\u2019ny lamba farany indrindra tamin\u2019ilay lamba be iray, teo amin\u2019izay nihaonan\u2019ireo lamba be roa.",
        "12": "Vona 50 no nataony teo amin\u2019ny lamba iray, ary vona 50 koa teo amin\u2019ny sisin\u2019ilay lamba iray hafa, teo amin\u2019izay nihaonan\u2019ireo lamba be roa. Koa nifanitsy ireo vona.",
        "13": "Nanao faraingo kely volamena 50 izy tamin\u2019ny farany. Ary nakambany tamin\u2019ireny ireo lamba be roa, mba ho lamba iray ihany ilay tranolay masina.",
        "14": "Dia nanamboatra lamba 11 tamin\u2019ny volon\u2019osy izy nandrakofana ny tranolay masina.",
        "15": "Ary 30\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny lamba tsirairay ary 4\u00a0hakiho ny sakany. Nitovy daholo ny refin\u2019ny lamba 11.",
        "16": "Dia natambany ny lamba dimy, ary nataony toy izany koa ny lamba enina.",
        "17": "Avy eo dia nasiany vona 50 ny sisin\u2019ny lamba farany indrindra amin\u2019ilay lamba be voalohany, teo amin\u2019izay nihaonan\u2019ireo lamba be roa. Nasiany vona 50 koa ny sisin\u2019ny lamba be faharoa izay nakambana tamin\u2019ilay lamba be voalohany.",
        "18": "Ary nanao faraingo kely varahina 50 izy mba hanakambanana an\u2019ireo lamba be ireo ho lamba iray ihany.",
        "19": "Nanao rakotra tamin\u2019ny hoditr\u2019ondrilahy nolokoana mena izy mba hatao eo ambonin\u2019ilay lamba, ary rakotra iray hafa tamin\u2019ny hoditra faoky hatao eo ambonin\u2019io.",
        "20": "Dia nanao an\u2019ireo rafitry ny tranolay masina tamin\u2019ny hazo akasia izy, ka nataony nitsangana ireo rafitra.",
        "21": "Folo hakiho ny haavon\u2019ny rafitra tsirairay, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.",
        "22": "Nisy lahiny roa nilahatra ny rafitra tsirairay. Hoatr\u2019izany daholo no nanaovany ny rafitr\u2019ilay tranolay.",
        "23": "Koa nanamboatra rafitra 20 ho an\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay tranolay izy, izany hoe natao nitodika nianatsimo izy ireo.",
        "24": "Ary nanao faladiany volafotsy 40 izy nitsatohan\u2019ny rafitra 20, ka faladiany roa no nitsatohan\u2019ny rafitra iray misy lahiny roa, ary faladiany roa hoatr\u2019izany daholo no nitsatohan\u2019ny rafitra tsirairay.",
        "25": "Nanao rafitra 20 koa izy ho an\u2019ny lafiny ilany amin\u2019ny tranolay, dia ny lafiny avaratra.",
        "26": "Ary nanamboatra faladiany volafotsy 40 izy, ka faladiany roa no nitsatohan\u2019ny rafitra iray, ary faladiany roa hoatr\u2019izany daholo no nitsatohan\u2019ny rafitra tsirairay.",
        "27": "Nanao rafitra enina natao lamosin\u2019ilay tranolay izy, teo amin\u2019ny lafiny andrefana.",
        "28": "Ary nanao rafitra roa izy natao tohan\u2019ilay tranolay teo amin\u2019ny zorony roa aoriana.",
        "29": "Hazo roa no nanaovany an\u2019ireo rafitra, niainga avy teny ambany ka hatreny amin\u2019ny tampony. Nihaona teo amin\u2019ny tahony boribory voalohany izy ireo. Hoatr\u2019izany no nanaovany an\u2019ireo rafitra roa, izay lasa tohana teo amin\u2019ny zorony roa.",
        "30": "Koa valo ny isan\u2019ireo rafitra ary 16 ny faladiany volafotsy, ka faladiany roa no nitsatohan\u2019ny rafitra tsirairay.",
        "31": "Dia nanao barany tamin\u2019ny hazo akasia izy, ka barany dimy ho an\u2019ny rafitra amin\u2019ny lafiny iray amin\u2019ny tranolay masina,",
        "32": "dimy ho an\u2019ny rafitra amin\u2019ny lafiny ilany, ary dimy ho an\u2019ny rafitra amin\u2019ny lafiny natao lamosin\u2019ilay tranolay, izany hoe ny lafiny andrefana.",
        "33": "Natsofony avy teo amin\u2019ny sisiny iray ka hatrany amin\u2019ny sisiny iray hafa amin\u2019ilay tranolay ny barany afovoany, ary nitsivalana teo afovoan\u2019ireo rafitra izy io.",
        "34": "Ary nopetahany takela-bolamena ireo rafitra, ary nanamboatra tahony boribory volamena nitsofohan\u2019ireo barany izy. Nopetahany takela-bolamena koa ireo barany.",
        "35": "Dia nanao ridao izy, ka kofehy manga sy volonondry volomparasy sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara no nanaovany azy. Ary noravahany sarina kerobima natao peta-kofehy ilay ridao.",
        "36": "Dia nanao andry efatra vita tamin\u2019ny hazo akasia izy hihantonan\u2019ilay ridao, ka nopetahany takela-bolamena ireo andry. Ary volamena ireo faraingo teo aminy. Dia nandrendrika volafotsy izy mba hatao faladiany efatra hitsatohan\u2019ireo andry.",
        "37": "Avy eo dia nanao lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay izy, ary mpanenona no nanao izany tamin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.",
        "38": "Nataony koa ireo andry dimy sy ny faraingo hihantonan\u2019ilay lamba. Ary nopetahany takela-bolamena ny tampon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana teo aminy, fa varahina kosa ny faladiany dimy hitsatohany."
    },
    "37": {
        "1": "Dia nanao an\u2019ilay Vata tamin\u2019ny hazo akasia i Bezalila. Roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.",
        "2": "Nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ny anatiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena nanodidina azy.",
        "3": "Avy eo dia nandrendrika volamena izy mba hanaovana tahony boribory efatra. Napetany teo ambony kelin\u2019ny tongotra efatr\u2019ilay Vata ireo, ka ny roa teo amin\u2019ny lafiny iray ary ny roa teo amin\u2019ny lafiny ilany.",
        "4": "Ary nanao bao filanjana tamin\u2019ny hazo akasia izy, ary nopetahany takela-bolamena izany.",
        "5": "Dia natsofony tao amin\u2019ireo tahony boribory teo amin\u2019ny lafiny roa ireo bao ireo, mba hilanjana an\u2019ilay Vata.",
        "6": "Nanao ny sarony tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony izy. Roa hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany ny sakany.",
        "7": "Dia nanamboatra kerobima volamena roa izy. Notefeny tamin\u2019ny marotoa ireo, ary nataony teo amin\u2019ny sisiny roa amin\u2019ny sakan\u2019ilay sarony.",
        "8": "Teo amin\u2019ny sisiny iray ny kerobima iray, ary teo amin\u2019ny sisiny ilany ny iray. Napetrany teo amin\u2019ny sisiny roa amin\u2019ny sakan\u2019ilay sarony ireo kerobima.",
        "9": "Samy nivelatra niakatra ny elatra roan\u2019ireo kerobima, ka nanaloka an\u2019ilay sarony. Ary nifanatrika izy ireo sady niondrika nijery an\u2019ilay sarony.",
        "10": "Nanao ilay latabatra tamin\u2019ny hazo akasia izy avy eo. Roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.",
        "11": "Nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay latabatra, ary nasiany molony volamena manodidina azy.",
        "12": "Dia nasiany sisiny nitovy refy tamin\u2019ny sakan\u2019ny felatanana nanodidina an\u2019ilay izy. Ary nasiany molony volamena nanodidina ny morony tamin\u2019ilay sisiny.",
        "13": "Ary nandrendrika volamena izy mba hanaovana tahony boribory efatra hatao aminy. Dia napetany teo amin\u2019ny zorony efatra izay nisy ny tongony efatra ireo.",
        "14": "Nifanakaiky tamin\u2019ilay sisiny ireo tahony nitsofohan\u2019ireo bao fitondrana an\u2019ilay latabatra.",
        "15": "Dia nanao an\u2019ireo bao tamin\u2019ny hazo akasia izy, ary nopetahany takela-bolamena izany. Ireo no nitondrana an\u2019ilay latabatra.",
        "16": "Avy eo dia nataony tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony ny fitaovana napetraka teo ambonin\u2019ilay latabatra, izany hoe ny vilia, ny kaopy, ary ny vilia baolina sy ny zinga handrarahana ny fanatitra zava-pisotro.",
        "17": "Dia nanao ny fitoeran-jiro tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony izy. Notefeny tamin\u2019ny marotoa ilay izy. Vaingam-bolamena iray tsy nosaratsarahina no notefeny hanaovana ny tongony, ny vatany, ny voninkazony, ny bokony, ary ny felany.",
        "18": "Nisy sampany enina ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro, ka ny telo teo amin\u2019ny andaniny ary ny telo teo amin\u2019ny ankilany.",
        "19": "Nisy voninkazo telo miendrika vonin\u2019amandie teo amin\u2019ireo sampany tamin\u2019ny andaniny iray. Noelanelanin\u2019ny bokony sy ny felany ireo voninkazo ireo. Nisy voninkazo telo miendrika vonin\u2019amandie koa teo amin\u2019ireo sampany teo amin\u2019ny ankilany. Noelanelanin\u2019ny bokony sy ny felany koa ireo voninkazo ireo. Toy izany ny endrik\u2019ireo sampany enina tamin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro.",
        "20": "Nisy voninkazo efatra miendrika vonin\u2019amandie koa teo amin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro. Noelanelanin\u2019ny bokony sy ny felany ireo voninkazo ireo.",
        "21": "Nisy bokony iray teo ambanin\u2019ny sampany roa voalohany tamin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro. Nisy bokony iray koa teo ambanin\u2019ny sampany roa manarakaraka. Ary nisy bokony iray koa teo ambanin\u2019ny sampany roa farany. Nisy toy izany daholo teo ambanin\u2019ny sampany enina tamin\u2019ny vatan\u2019ilay fitoeran-jiro.",
        "22": "Vaingam-bolamena iray tsy misy fangarony sady notefena tamin\u2019ny marotoa no nanaovana an\u2019ilay fitoeran-jiro manontolo, anisan\u2019izany ny bokony sy ny sampany.",
        "23": "Dia nataony tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony ny jiro fito ho an\u2019ilay fitoeran-jiro sy ny fitazonana lahin-jiro ary ny fitondrana afo.",
        "24": "Volamena tsy misy fangarony milanja iray talenta no nanaovany an\u2019ilay fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.",
        "25": "Dia nanao ny alitara fandoroana emboka manitra tamin\u2019ny hazo akasia izy. Efamira ilay izy, ka iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary roa hakiho ny haavony. Ary hazo iray tsy notapatapahina no nanaovany an\u2019ilay alitara sy ireo tandrony.",
        "26": "Nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra manodidina ary ny tandrony. Ary nasiany sisiny volamena nanodidina ny tampony.",
        "27": "Nanamboatra tahony boribory volamena izy, dia nasiany roa avy teo ambanin\u2019ny sisin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019ilay alitara. Ireo no nitsofohan\u2019ny bao filanjana an\u2019ilay alitara.",
        "28": "Dia nanao an\u2019ireo bao tamin\u2019ny hazo akasia izy, ary nopetahany takela-bolamena izany.",
        "29": "Namboariny koa ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra tsy misy fangarony, dia samy nafangarony tsara ireo."
    },
    "38": {
        "1": "Nanao ny alitara fanaovana fanatitra dorana tamin\u2019ny hazo akasia izy. Efamira ilay izy, ka dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony.",
        "2": "Ary nasiany tandroka ny zorony efatra. Hazo iray tsy notapatapahina no nanaovany an\u2019ilay alitara sy ireo tandrony. Dia nopetahany takela-barahina ilay alitara.",
        "3": "Avy eo dia nataony ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny alitara: Ny siny, ny lapelina, ny vilia baolina, ny fitrebika, ary ny fitondrana afo. Nataony varahina daholo ireo.",
        "4": "Nanao makarakara varahina miendrika harato ho an\u2019ilay alitara koa izy. Ary nataony teo ambanin\u2019ny molotry ny alitara, teny ambany teo amin\u2019ny fisasahany, ilay izy.",
        "5": "Nanao tahony boribory efatra izy, ka napetany teo amin\u2019ny zorony efatra teo akaikin\u2019ilay makarakara varahina izany, mba hitsofohan\u2019ireo bao hitondrana an\u2019ilay alitara.",
        "6": "Nanao an\u2019ireo bao tamin\u2019ny hazo akasia izy avy eo, ary nopetahany takela-barahina izany.",
        "7": "Natsofony tao amin\u2019ireo tahony boribory teo amin\u2019ny lafiny roa tamin\u2019ny alitara ireo bao, mba hitondrana an\u2019ilay alitara. Nataony toy ny vata poakaty ilay alitara, ka hazo fisaka no nanaovany azy.",
        "8": "Dia nanao an\u2019ilay kovetabe varahina sy ny tongony varahina izy. Ny fitaratr\u2019ireo vehivavy, izay efa voalamina mba hanompo teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, no nanaovany an\u2019ireo.",
        "9": "Nanao ny tokotany izy avy eo. Nataony tamin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara ilay fefy lamba teo amin\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay tokotany, izany hoe ilay nitodika nianatsimo. Ary 100\u00a0hakiho ilay fefy.",
        "10": "Nisy andry 20 ilay fefy, ary nisy faladiany varahina 20 nitsatohany ireo andry. Volafotsy kosa ny faraingon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana azy ireo.",
        "11": "Nisy fefy lamba 100\u00a0hakiho koa teo amin\u2019ny lafiny avaratra. Varahina ny andry 20 sy ny faladiany 20 nitsatohan\u2019ireo andry. Ary volafotsy ny faraingon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana azy ireo.",
        "12": "Nirefy 50\u00a0hakiho kosa ny fefy lamba teo amin\u2019ny lafiny andrefana. Nisy andry folo ilay fefy, ary nisy faladiany folo nitsatohany ireo andry. Ary volafotsy ny faraingon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana azy ireo.",
        "13": "Nirefy 50\u00a0hakiho koa ny lafiny atsinanana, tandrifin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro.",
        "14": "Nisy fefy lamba 15\u00a0hakiho sy andry telo ary faladiany telo nitsatohan\u2019ireo andry, teo amin\u2019ny andaniny iray tamin\u2019izy io.",
        "15": "Ary nisy fefy lamba 15\u00a0hakiho sy andry telo ary faladiany telo nitsatohan\u2019ireo andry teo amin\u2019ny ankilany, teo amin\u2019ny ilany iray tamin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ilay tokotany.",
        "16": "Vita tamin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara daholo ny fefy lamba manodidina an\u2019ilay tokotany.",
        "17": "Varahina ny faladiany nitsatohan\u2019ireo andry. Volafotsy kosa ny faraingon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana azy ireo, ary nopetahana takela-bolafotsy ny tampon\u2019ireo andry. Ary nisy fampitohizana vita tamin\u2019ny volafotsy ny andry rehetran\u2019ilay tokotany.",
        "18": "Notenomina tamin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ilay tokotany. Nirefy 20\u00a0hakiho ny lavany ary 5\u00a0hakiho ny haavony, nitovy tamin\u2019ny haavon\u2019ny fefy lamban\u2019ilay tokotany.",
        "19": "Ary varahina ny andry efatra teo amin\u2019ilay lamba fanakonana sy ny faladiany efatra nitsatohan\u2019ireo andry. Volafotsy kosa ireo faraingo teo aminy, ary nopetahana takela-bolafotsy ny tampon\u2019ireo andry sy ny fampitohizana azy ireo.",
        "20": "Varahina daholo ny fantsika be fanenjanan-day ho an\u2019ny tranolay sy ho an\u2019ny tokotany manodidina.",
        "21": "Ireto ny lisitry ny zavatra momba ny tranolay masina, dia ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona. Namoaka didy i Mosesy hoe hatao lisitra ireo, ka ny Levita teo ambany fiandraiketan\u2019i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no niandraikitra an\u2019izany.",
        "22": "Nanao an\u2019izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy i Bezalila zanak\u2019i Ory, zanak\u2019i Hora, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
        "23": "Ary niaraka taminy i Oholiaba zanak\u2019i Ahisamaka avy amin\u2019ny fokon\u2019i Dana. Mpanao asa tanana i Oholiaba sady mpanao peta-kofehy ary mpanao tenona tamin\u2019ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony tena tsara.",
        "24": "Ny volamena rehetra izay nampiasaina tamin\u2019ny asa rehetra natao ho an\u2019ny toerana masina, dia nitovy lanja tamin\u2019ny volamena natao fanatitra ahetsiketsika, izany hoe 29 talenta sy 730\u00a0sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina.",
        "25": "Ary ny volafotsy avy tamin\u2019ireo olona voasoratra anarana teo anivon\u2019ny fiangonana, dia nilanja 100 talenta sy 1\u00a0775\u00a0sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina.",
        "26": "Araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina no namaritana ny antsasaky ny sekely nomen\u2019ny tsirairay, dia ny lehilahy rehetra anisan\u2019ireo voasoratra anarana, izay 20\u00a0taona no ho miakatra. Nisy 603\u00a0550 ireo lehilahy ireo.",
        "27": "Ary 100 talenta ny volafotsy narendrika nanaovana an\u2019ireo faladiany ho an\u2019ny toerana masina sy ho an\u2019ny ridao; 100 talenta no nanaovana faladiany 100, izany hoe iray talenta ho an\u2019ny faladiany iray.",
        "28": "Nanamboarany faraingo ho an\u2019ireo andry ny 1\u00a0775\u00a0sekely. Dia nopetahany takela-bolafotsy ny tampon\u2019ireo andry, ary nampifampitohiziny ireo andry.",
        "29": "Ary 70 talenta sy 2\u00a0400 sekely ny varahina natao fanatitra.",
        "30": "Ireo no nanaovany ny faladiany ho an\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ny alitara varahina sy ny makarakara varahina atao aminy, ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny alitara,",
        "31": "ny faladiany ho an\u2019ny tokotany manodidina, ny faladiany ho an\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ilay tokotany, ary ny fantsika be fanenjanan-day rehetra ho an\u2019ny tranolay sy ho an\u2019ny tokotany manodidina."
    },
    "39": {
        "1": "Kofehy manga sy volonondry volomparasy ary kofehy mena midorehitra no nanaovan\u2019izy ireo ny akanjo tsara tenona hoentina manompo ao amin\u2019ny toerana masina. Dia nanamboatra ny akanjo masina ho an\u2019i Arona izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "2": "Nanamboatra efoda i Bezalila, ka kofehy volamena, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara no nanaovany azy.",
        "3": "Naka takela-bolamena izy ireo, ka notefeny tamin\u2019ny marotoa izany mba hanify. Dia nodidididiany ho lasa kofehy izany, mba hatao mifampidipiditra amin\u2019ny kofehy manga, sy ny volonondry volomparasy, sy ny kofehy mena midorehitra, ary ny kofehy rongony tena tsara. Ireo no natao peta-kofehy tamin\u2019ilay efoda.",
        "4": "Ary nanamboatra lamban-tsoroka izy ireo ka nakambany tamin\u2019ilay efoda izany, teo amin\u2019ny sisiny roa.",
        "5": "Ary nitovy tamin\u2019ny zavatra nanamboarana an\u2019ilay efoda ny nanamboarana ny fehikibo vita tenona, izay nakambana taminy mba hamatorana tsara azy. Ireto avy izany: Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "6": "Ary nataon\u2019izy ireo tao anaty tranotranony volamena ireo vato oniksa. Dia nosoratany teo amin\u2019izy ireo ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Israely, ka nataony sokitra toy ny fanao amin\u2019ny tombo-kase izany.",
        "7": "Ary napetrany teo amin\u2019ny soroky ny efoda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an\u2019ny zanak\u2019i Israely, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "8": "Nanamboatra ny saron-tratra izy avy eo. Nasiana peta-kofehy hoatran\u2019ilay efoda izy io. Ireto avy no nanaovana azy: Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.",
        "9": "Efamira ilay saron-tratra rehefa navalona roa. Dia nataon\u2019izy ireo ilay saron-tratra, ka irain-jehy ny lavany sy ny sakany rehefa navalona roa ilay izy.",
        "10": "Nasian\u2019izy ireo vatosoa misy laharana efatra ilay izy. Robia sy topaza ary emeraoda no teo amin\u2019ny laharana voalohany.",
        "11": "Torkoazy sy safira ary jaspa no teo amin\u2019ny laharana faharoa.",
        "12": "Vato lesema sy agata ary ametista no teo amin\u2019ny laharana fahatelo.",
        "13": "Ary krizolita sy oniksa ary jady no teo amin\u2019ny laharana fahefatra. Natao tao anaty tranotranony volamena ireo vato ireo.",
        "14": "Nisy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Israely 12 ireo vato, ary natao sokitra hoatran\u2019ny fanao amin\u2019ny tombo-kase ny tsirairay tamin\u2019ny anaran\u2019ireo foko 12.",
        "15": "Dia nasian\u2019izy ireo rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony, teo amin\u2019ilay saron-tratra.",
        "16": "Ary nanao tranotranony volamena roa sy mason-drojo volamena roa izy ireo, ary nasiany mason-drojo iray avy ny zorony roa tamin\u2019ilay saron-tratra.",
        "17": "Avy eo, dia natsofony teo amin\u2019ireo mason-drojo roa teo amin\u2019ny zoron\u2019ilay saron-tratra ireo tady volamena roa.",
        "18": "Dia natsofony teo amin\u2019ireo tranotranony roa ny lohan\u2019ireo tady roa, ka natambany tamin\u2019ny lamban-tsoroky ny efoda teo anoloana.",
        "19": "Nanao mason-drojo volamena roa izy ireo avy\u00a0eo, ka nasiany iray avy ny zorony roa ambany tamin\u2019ilay saron-tratra, teo amin\u2019ny sisiny anatiny mifampikasika amin\u2019ny efoda.",
        "20": "Nanao mason-drojo volamena roa hafa koa izy ireo, dia nataony teo anoloana amin\u2019ilay efoda izany, teo ambanin\u2019ireo lamban-tsoroka roa, teo akaikin\u2019ny fitambaran\u2019ny efoda, teo ambonin\u2019ilay fehikibo vita tenona.",
        "21": "Ary nafatotr\u2019izy ireo tamin\u2019ny kofehy manga ny saron-tratra, ka nafatony avy teo amin\u2019ny mason-drojon\u2019ny saron-tratra nankeo amin\u2019ny mason-drojon\u2019ny efoda. Amin\u2019izay ilay saron-tratra dia hipetraka tsara eo amin\u2019ny efoda, eo ambonin\u2019ilay fehikibo vita tenona, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "22": "Nanamboatra an\u2019ilay akanjo tsy misy tanany hatao ambanin\u2019ny efoda izy avy eo. Notenomina ilay izy, ary kofehy manga no nanaovana azy manontolo.",
        "23": "Teo afovoan\u2019ilay akanjo tsy misy tanany no nisy lavaka hitsofohan\u2019ny loha, hoatran\u2019ny amin\u2019ny akanjo mifono vy. Nasiana sisiny manodidina ilay fitsofohan\u2019ny loha mba tsy ho mora rovitra.",
        "24": "Avy eo dia nasian\u2019izy ireo ampongabendanitra ny morontongotr\u2019ilay akanjo tsy misy tanany. Kofehy manga sy volonondry volomparasy ary kofehy mena midorehitra niara-naolanolana no nanaovana an\u2019ireo ampongabendanitra.",
        "25": "Ary nanao lakolosy kely tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony izy ireo, ka nataony teny anelanelan\u2019ireo ampongabendanitra. Nasiany daholo ny morontongotr\u2019ilay akanjo tsy misy tanany, teny anelanelan\u2019ireo ampongabendanitra.",
        "26": "Noelanelaniny lakolosy ny ampongabendanitra. Ary nataony hoatr\u2019izany daholo ny morontongotr\u2019ilay akanjo tsy misy tanany, izay nampiasaina tamin\u2019ny fanompoana, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "27": "Ary ireto avy no namboarin\u2019izy ireo ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy: Akanjo lava nataon\u2019ny mpanenona tamin\u2019ny rongony tena tsara;",
        "28": "satroka lamba sy fehiloha misy haingonkaingony, izay samy vita tamin\u2019ny rongony tena tsara; kilaoty lava vita tamin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara;",
        "29": "fehikibo lamba, izay notenomina tamin\u2019ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga, sy volonondry volomparasy, ary kofehy mena midorehitra, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "30": "Farany, dia nataon\u2019izy ireo tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony ilay takelaka mamirapiratra, dia ilay famantarana masina hoe voatokana izy. Nasiany soratra teo amin\u2019ilay izy hoe: \u201cAn\u2019i Jehovah ny fahamasinana.\u201d Nataony sokitra toy ny fanao amin\u2019ny tombo-kase izany.",
        "31": "Nasian\u2019izy ireo kofehy manga tamin\u2019ilay izy mba hametahana azy teo amin\u2019ilay satroka lamba, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "32": "Koa vita daholo ny asa momba ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana. Nataon\u2019ny Israelita izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo.",
        "33": "Dia nentin\u2019izy ireo tany amin\u2019i Mosesy ny tranolay masina niaraka tamin\u2019ny lamban\u2019ilay izy sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy: Ny faraingo kely, ny rafitra, ny barany, ny andry sy ny faladiany hitsatohany;",
        "34": "ny rakotra vita tamin\u2019ny hoditr\u2019ondrilahy nolokoana mena, ny rakotra vita tamin\u2019ny hoditra faoky, ny ridao fanakonana;",
        "35": "ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona sy ny bao filanjana azy ary ny sarony;",
        "36": "ny latabatra, ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny mofo aseho;",
        "37": "ny fitoeran-jiro vita tamin\u2019ny volamena tsy misy fangarony, ireo jiro halahatra eo aminy, ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny menaka ho an\u2019ny jiro;",
        "38": "ny alitara volamena, ny menaka masina fanosorana, ny emboka manitra, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay;",
        "39": "ny alitara varahina sy ny makarakarany varahina, ny bao filanjana azy, ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny koveta sy ny tongony;",
        "40": "ny fefy lamban\u2019ny tokotany, ny andry sy ny faladiany hitsatohany, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ny tokotany, ny tady fanenjanan-day sy ny fantsika be fanenjanan-day ary ny fitaovana rehetra hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana;",
        "41": "ny akanjo tsara tenona hoentina manompo ao amin\u2019ny toerana masina, sy ny akanjo masina ho an\u2019i Arona mpisorona, ary ny akanjon\u2019ireo zanany lahy mba hanaovan\u2019izy ireo ny asan\u2019ny mpisorona.",
        "42": "Araka izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy no nanaovan\u2019ny Israelita ny asa rehetra.",
        "43": "Rehefa nijery ny asa rehetra nataon\u2019izy ireo i Mosesy, dia hitany fa nataon\u2019izy ireo araka izay nandidian\u2019i Jehovah izany. Koa nitso-drano azy ireo i Mosesy."
    },
    "40": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cAmin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany no hanangananao ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana.",
        "3": "Apetraho ao ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, ary tak\u00f2ny amin\u2019ny ridao ilay Vata.",
        "4": "Ento ao amin\u2019ny tranolay ny latabatra, ka alaharo izay tokony hatao eo amboniny. Ento ao koa ny fitoeran-jiro, ary ampireheto ny jirony.",
        "5": "Dia ataovy eo anoloan\u2019ilay Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona ny alitara volamena ho an\u2019ny emboka manitra, ary apetaho eo amin\u2019ny toerany ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay.",
        "6": "\u201cApetraho eo anoloan\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana, ny alitara fanaovana fanatitra dorana.",
        "7": "Ary apetraho eo anelanelan\u2019ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ka asio rano ao anatiny.",
        "8": "Dia ataovy manodidina an\u2019ilay tranolay ny tokotaniny, ary apetaho ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ilay tokotany.",
        "9": "Alaivo avy eo ny menaka masina fanosorana, ka hosory ny tranolay sy ny zava-drehetra ao anatiny. Dia hamasino ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, mba ho masina ilay tranolay.",
        "10": "Hosory koa ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hamasino ny alitara mba ho tena masina.",
        "11": "Ary hosory ny kovetabe sy ny tongony, ka hamasino.",
        "12": "\u201cDia ento eo akaikin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana avy\u00a0eo i Arona sy ny zanany lahy, ka sasao amin\u2019ny rano.",
        "13": "Ary ampanaovy an\u2019i Arona ny akanjo masina, ka hosory izy ary hamasino. Dia hanao ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako izy.",
        "14": "Ampanatony ny zanany lahy avy eo, ka ampanaovy akanjo lava.",
        "15": "Hosory toy ny nanosoranao ny rainy izy ireo, mba hanaovany ny asan\u2019ny mpisorona eo anatrehako. Noho izany fanosorana izany, dia ho afaka hanao ny asa fisoronana foana izy ireo, hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby.\u201d",
        "16": "Nanao araka izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah azy i Mosesy. Izany mihitsy no nataony.",
        "17": "Tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany, tamin\u2019ny taona faharoa, dia voatsangana ny tranolay masina.",
        "18": "Rehefa nanangana ny tranolay i Mosesy, dia napetrany ireo faladiany, natsangany ireo rafitra, natsofony ireo barany, ary natsangany ireo andry.",
        "19": "Novelariny teo ambonin\u2019ny tranolay ny rakotra, ary napetrany teo ambonin\u2019iny ny rakotra ivelany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "20": "Nalainy avy\u00a0eo ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, ka nataony tao anatin\u2019ilay Vata. Dia natsofony ny bao filanjana an\u2019ilay Vata, ary nataony teo ambonin\u2019ilay izy ny sarony.",
        "21": "Nentiny nankao amin\u2019ny tranolay ilay Vata, ary napetany teo amin\u2019ny toerany ny ridao fanakonana. Dia takona ilay Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "22": "Avy eo dia napetrany tao amin\u2019ny tranolay fihaonana ny latabatra, izany hoe teo amin\u2019ny lafiny avaratra amin\u2019ny tranolay masina, teo anoloan\u2019ny ridao.",
        "23": "Dia nataony nilahatra tsara teo ambonin\u2019izy io, teo anatrehan\u2019i Jehovah, ireo mofo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "24": "Ny fitoeran-jiro dia napetrany tao amin\u2019ny tranolay fihaonana, tandrifin\u2019ny latabatra, teo amin\u2019ny lafiny atsimo amin\u2019ilay tranolay masina.",
        "25": "Dia nampirehetiny teo anatrehan\u2019i Jehovah ireo jiro, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "26": "Avy eo dia napetrany tao amin\u2019ny tranolay fihaonana teo anoloan\u2019ilay ridao ny alitara volamena,",
        "27": "mba hidona-tsetroka ny emboka manitra rehefa dorana eo amboniny, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "28": "Dia napetany teo amin\u2019ny toerany ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay.",
        "29": "Napetrany teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay masina, izany hoe ny tranolay fihaonana, ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Amin\u2019izay dia afaka manolotra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha eo ambonin\u2019ilay alitara izy, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "30": "Dia napetrany teo anelanelan\u2019ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ary nasiany rano tao anatiny mba hisasana.",
        "31": "Dia nanasa ny tanany sy ny tongony tamin\u2019ilay rano i Mosesy, ary Arona sy ny zanany lahy.",
        "32": "Nisasa izy ireo isaky ny nankao amin\u2019ny tranolay fihaonana na nanatona ny alitara, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "33": "Farany, dia nataony manodidina ny tranolay masina sy ny alitara ny tokotany, ary napetany ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ilay tokotany. Koa vitan\u2019i Mosesy ny asa.",
        "34": "Dia nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ka feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ilay tranolay.",
        "35": "Koa tsy afaka niditra tao amin\u2019ny tranolay fihaonana i Mosesy, satria nijanona teo ambonin\u2019izy io ilay rahona, ary feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ilay tranolay.",
        "36": "Rehefa niakatra ilay rahona ka niala teo amin\u2019ny tranolay masina, dia nifindra lasy ny Israelita. Dia hoatr\u2019izay foana no nataon\u2019izy ireo nandritra ny diany rehetra.",
        "37": "Raha tsy niakatra kosa ilay rahona, dia tsy nifindra lasy izy ireo fa niandry ny andro niakaran\u2019izy io indray.",
        "38": "Teo ambonin\u2019ny tranolay mantsy ny rahon\u2019i Jehovah nandritra ny andro, ary nisy afo foana teo ambonin\u2019ilay tranolay nandritra ny alina. Ary nahita an\u2019izany daholo ny taranak\u2019Israely rehefa nifindrafindra toerana, nandritra ny diany rehetra."
    },
    "meta": {
        "name": "Eksodosy",
        "order": 1,
        "chapter_number": 40
    }
}
