{
    "1": {
        "1": "Avy amin\u2019i Paoly, apostoly tsy notendren\u2019olona, na notendrena tamin\u2019ny alalan\u2019olona, fa notendren\u2019i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, ilay nanangana azy tamin\u2019ny maty,",
        "2": "sy avy amin\u2019ny rahalahy rehetra miaraka amiko. Ho an\u2019ny fiangonana any Galatia,",
        "3": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!",
        "4": "Nahafoy ny ainy noho ny fahotantsika izy mba hamonjeny antsika amin\u2019izao tontolo ratsy izao, satria izany no sitrapon\u2019ilay Andriamanitra Raintsika.",
        "5": "Ho an\u2019Andriamanitra anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.",
        "6": "Gaga aho hoe izao sahady ianareo dia efa miala amin\u2019Ilay niantso anareo tamin\u2019ny alalan\u2019ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019i Kristy, ka lasa manaraka vaovao tsara hafa.",
        "7": "Tsy hoe misy vaovao tsara hafa anefa, fa misy olona manakorontana anareo sady te hamadika an\u2019ilay vaovao tsara momba an\u2019i Kristy.",
        "8": "Na izahay anefa na anjely avy any an-danitra no mitory vaovao tsara aminareo ankoatra an\u2019ilay vaovao tsara efa notorinay taminareo, dia enga anie ho voaozona!",
        "9": "Araka ny efa nolazainay teo, dia mbola averiko indray hoe: Izay mitory vaovao tsara aminareo ankoatra an\u2019ilay efa noraisinareo, dia enga anie izy ho voaozona!",
        "10": "Angaha moa amin\u2019olona aho no mitady sitraka fa tsy amin\u2019Andriamanitra? Sa izaho te hampifaly olona? Raha mbola ny hampifaly olona mantsy no tadiaviko, dia tsy mpanompon\u2019i Kristy aho.",
        "11": "Fa tiako ho fantatrareo, ry\u00a0rahalahy, fa tsy avy tamin\u2019olombelona ilay vaovao tsara notoriko taminareo.",
        "12": "Tsy azoko tamin\u2019olona mantsy ilay izy sady tsy nampianarina ahy, fa nampahafantarin\u2019i Jesosy Kristy ahy.",
        "13": "Mazava ho azy fa efa henonareo ny nataoko tamin\u2019izaho mbola nanaraka ny Fivavahan\u2019ny Jiosy. Fa tena nanenjika mafy ny fiangonan\u2019Andriamanitra aho sady nandravarava azy.",
        "14": "Tena mpanaraka ny Fivavahan\u2019ny Jiosy hiringiriny aho, mihoatra noho ny ankamaroan\u2019ny olona nitovy taona tamiko teo amin\u2019ny fireneko. Nafana fo\u00a0be nanaraka ny fampianarana nolovako avy tamin\u2019ny razambeko mantsy aho.",
        "15": "Fa ilay Andriamanitra nahatonga ahy ho teraka no niantso ahy noho ny hatsaram-panahiny miavaka. Ary rehefa hitany fa mety",
        "16": "ny hampiasana ahy mba hampahafantatra ny momba an\u2019ilay Zanany, izany hoe mba hitory ny vaovao tsara momba azy any amin\u2019ny hafa firenena, dia tsy tonga dia nanontany olona aho.",
        "17": "Tsy niakatra tany Jerosalema tany amin\u2019ireo apostoly talohako koa aho, fa nankany Arabia, dia avy eo niverina tany Damaskosy.",
        "18": "Telo taona tat\u1ef3 aoriana aho vao niakatra tany Jerosalema mba hitsidika an\u2019i Kefasy, ka nijanona 15\u00a0andro tany aminy.",
        "19": "Tsy nahita apostoly hafa mihitsy anefa aho, fa i Jakoba rahalahin\u2019ny Tompo ihany no hitako.",
        "20": "Manome toky anareo eto anatrehan\u2019Andriamanitra \u00e0ry aho fa tsy lainga izao zavatra soratako aminareo izao.",
        "21": "Nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Syria sy Kilikia aho taorian\u2019izay.",
        "22": "Mbola tsy nahita ahy mivantana anefa ny fiangonana tany Jodia, izay tafaray amin\u2019i Kristy.",
        "23": "Ny zavatra henon\u2019izy ireo matetika fotsiny dia hoe: \u201cIlay mpanenjika antsika taloha iny ange izao efa mitory ny vaovao tsara momba an\u2019ilay finoana notadiaviny horavana taloha\u00a0e!\u201d",
        "24": "Dia nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra izy ireo rehefa fantany izay nitranga tamiko."
    },
    "2": {
        "1": "Rehefa afaka 14 taona, dia niara-niakatra tamin\u2019i Barnabasy tany Jerosalema indray aho, ary nentiko koa i Titosy.",
        "2": "Niakatra tany aho satria nisy zavatra naharihary tamiko. Dia novelabelariko tamin\u2019izy ireo ny vaovao tsara toriko amin\u2019ny hafa firenena. Teo anatrehan\u2019ireo rahalahy nohajaina\u00a0be ihany anefa no nanaovako an\u2019izany, mba ho azo antoka hoe tsy very maina ilay hazakazaka nataoko tamin\u2019izany, na ilay efa nataoko taloha.",
        "3": "Na i Titosy ilay niaraka tamiko aza, tsy noterena hoforana nefa Grika.",
        "4": "Nampisy olana anefa izany, satria nisy rahalahy sandoka nampidirina mangingina teo amintsika. Nitsofoka mangingina izy ireny mba hitsikilo antsika satria te hanakantsakana an\u2019ilay fahafahana ananantsika noho isika mpianatr\u2019i Kristy Jesosy. Tian\u2019izy ireny handevozina tanteraka mantsy isika.",
        "5": "Tsy nilefitra tamin\u2019izy ireny na nanaiky azy izahay, na dia vetivety fotsiny aza, mba ho eo aminareo foana ny fahamarinana, izany hoe ny vaovao tsara.",
        "6": "Fa raha ny amin\u2019ireo rahalahy hoatran\u2019ny hoe ambony ireo kosa,\u2014tsy zava-dehibe amiko ny hoe hoatran\u2019ny ahoana izy ireo taloha, satria tsy mijery tavan\u2019olona Andriamanitra\u2014dia tsy nampianatra ahy zava-baovao ireo rahalahy nohajaina\u00a0be ireo.",
        "7": "Rehefa hitan\u2019izy ireo kosa fa efa nankinina tamiko ny fitoriana ny vaovao tsara tamin\u2019ny tsy voafora, toy ny nanankinana tamin\u2019i Petera ny fitoriana tamin\u2019ny voafora,",
        "8": "\u2014ilay nanome fahefana an\u2019i Petera ho lasa apostolin\u2019ny voafora mantsy no nanome fahefana ahy ho lasa apostolin\u2019ny hafa firenena koa\u2014",
        "9": "ary rehefa fantatr\u2019izy ireo fa nanehoana hatsaram-panahy miavaka aho, dia nanolotra ny tanany ankavanana taminay sy Barnabasy i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay hoatran\u2019ny hoe andrin\u2019ny fiangonana. Nanao an\u2019izany izy ireo mba ho marika fa mpiara-miasa daholo izahay. Amin\u2019izay dia handeha any amin\u2019ny hafa firenena izahay, fa izy ireo kosa any amin\u2019ny voafora.",
        "10": "Fa notenenin\u2019izy ireo fotsiny izahay hoe tsarovy foana ny mahantra. Ary izany mihitsy no efa iezahako mafy atao izao.",
        "11": "Rehefa tonga tany Antiokia anefa i Kefasy, dia noteneniko mivantana izy, satria tena hita fa diso.",
        "12": "Niara-nisakafo tamin\u2019ny hafa firenena mantsy izy tamin\u2019ny mbola tsy tonga ny olona nirahin\u2019i Jakoba. Rehefa tonga anefa izy ireny, dia tsy nanao an\u2019izany intsony izy fa niala teo amin\u2019izy ireo, noho izy natahotra ny voafora.",
        "13": "Dia lasa nihatsaravelatsihy niaraka taminy koa ny Jiosy hafa rehetra, ka na i Barnabasy aza mba voataonan\u2019izy ireo hihatsaravelatsihy koa.",
        "14": "Rehefa hitako anefa hoe tsy nanao zavatra mifanaraka amin\u2019ny fahamarinan\u2019ny vaovao tsara izy ireo, dia hoy aho tamin\u2019i Kefasy teo anatrehan\u2019ny rehetra: \u201cRaha ianao izay Jiosy aza manao hoatran\u2019ny hafa firenena, fa tsy hoatran\u2019ny Jiosy, dia maninona no terenao hanaraka ny fanaon\u2019ny Jiosy ny hafa firenena?\u201d",
        "15": "Jiosy tena Jiosy isika, fa tsy mpanota avy amin\u2019ny hafa firenena,",
        "16": "ary fantatsika fa izay olona mino an\u2019i Jesosy Kristy ihany no ambara hoe marina, fa tsy izay mankat\u00f2 lal\u00e0na. Dia nino an\u2019i Kristy Jesosy isika, mba hambara hoe marina satria mino an\u2019i Kristy fa tsy hoe mankat\u00f2 lal\u00e0na. Fa tsy hisy olona hambara hoe marina satria fotsiny hoe mankat\u00f2 lal\u00e0na.",
        "17": "Fa raha hita hoe mpanota koa isika, nefa isika efa miezaka mba ho azo ambara hoe olo-marina amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy, dia midika ve izany hoe mpanompon\u2019ny ota i Kristy? Sanatria izany!",
        "18": "Fa raha ny zavatra efa narodako no atsangako indray, dia asehoko amin\u2019izany fa mpandika lal\u00e0na aho.",
        "19": "Fa nankat\u00f2 lal\u00e0na aho, ka efa maty raha ny amin\u2019ny lal\u00e0na, dia amin\u2019izay aho velona ho an\u2019Andriamanitra.",
        "20": "Voafantsika eo amin\u2019ny tsato-kazo miaraka amin\u2019i Kristy aho. Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona sy tafaray amiko. Fa amin\u2019izao izaho mbola nofo aman-dra izao, dia miaina mifanaraka amin\u2019ny finoako an\u2019ilay Zanak\u2019Andriamanitra aho, dia ilay tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.",
        "21": "Ary tsy mand\u00e0 ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019 Andriamanitra aho, fa raha ny lal\u00e0na no anambarana olona hoe marina, dia matimaty foana i Kristy."
    },
    "3": {
        "1": "Ry Galatianina tsy misaina! Iza no namitaka anareo, nefa efa mba nohazavaina tsara taminareo ihany hoe nofantsihana teo amin\u2019ny tsato-kazo i Jesosy Kristy?",
        "2": "Izao ihany no tiako hanontaniana anareo: Noho ianareo nankat\u00f2 lal\u00e0na ve no nahazoanareo ny fanahy masina, sa noho ianareo nino an\u2019izay henonareo?",
        "3": "Tena tsy misaina mihitsy ve ianareo\u00a0e? Efa mba nanaiky hotarihin\u2019ny fanahy ihany ve ianareo tamin\u2019ny voalohany, nefa dia izao manaraka fisainan\u2019olombelona izao no iafaranareo?",
        "4": "Dia ho very maina fotsiny ve ny niaretanareo fahoriana be dia be hoatr\u2019ireny? Tsy ho very maina kosa angamba izany!",
        "5": "Izao \u00e0ry: Ilay manome fanahy masina anareo sady manao fahagagana eo aminareo ve manao an\u2019izany noho ianareo mankat\u00f2 lal\u00e0na, sa noho ianareo mino an\u2019izay henonareo?",
        "6": "Eritrereto koa i Abrahama: \u201cNaneho finoana an\u2019i Jehovah izy, ka nekena hoe olo-marina.\u201d",
        "7": "Efa fantatrareo tokoa fa izay manam-pinoana no zanak\u2019i Abrahama.",
        "8": "Efa hitan\u2019ny Soratra Masina mialoha fa hambaran\u2019Andriamanitra hoe marina ny hafa firenena satria mino. Dia nolazain\u2019ny Soratra Masina mialoha tamin\u2019i Abrahama ilay vaovao tsara hoe: \u201cAmin\u2019ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra.\u201d",
        "9": "Ny olona manam-pinoana \u00e0ry dia tahina hoatran\u2019i Abrahama, izay nino.",
        "10": "Voaozona izay rehetra miantehitra amin\u2019ny lal\u00e0na fotsiny, satria voasoratra hoe: \u201cVoaozona izay lasa tsy mankat\u00f2 an\u2019izay rehetra voasoratra ao amin\u2019ny horonam-boky misy ny Lal\u00e0na.\u201d",
        "11": "Hita mazava koa fa tsy misy olona ambara hoe marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra noho izy mankat\u00f2 lal\u00e0na, fa \u201cny olo-marina ho velona satria manam-pinoana.\u201d",
        "12": "Ary tsy mitaky finoana ny Lal\u00e0na. Fa \u201cizay olona mankat\u00f2 an\u2019ireny no ho velona amin\u2019ny alalan\u2019ireny.\u201d",
        "13": "Nividy antsika i Kristy, ka nanafaka antsika tamin\u2019ny ozon\u2019ny Lal\u00e0na rehefa nanaiky ho voaozona hisolo antsika. Fa voasoratra hoe: \u201cVoaozona izay mihantona eo amin\u2019ny tsato-kazo.\u201d",
        "14": "Amin\u2019izay mantsy ny fitahiana azon\u2019i Abrahama dia ho azon\u2019ny firenena hafa koa, amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy, mba hahazoantsika an\u2019ilay fanahy nampanantenaina, noho isika mino.",
        "15": "Fanoharana fahita isan\u2019andro no ampiasaiko, ry\u00a0rahalahy: Raha vao manan-kery ny fifanekena, na dia olona iray ihany aza no nampanan-kery azy, dia tsy misy manafoana na manampy an\u2019ilay izy.",
        "16": "I Abrahama sy ny taranany no nilazana ny fampanantenana. Tsy nolazaina anefa hoe \u201cary ho an\u2019ireo taranakao\u201d, izany hoe ho an\u2019olona be dia be, fa hoe \u201cary ho an\u2019ny taranakao\u201d, izany hoe ho an\u2019olona tokana, dia i Kristy.",
        "17": "Izao koa no teniko: Tsy hoe nanafoana an\u2019ilay fifanekena nataon\u2019Andriamanitra taloha ilay Lal\u00e0na nomeny 430\u00a0taona tat\u1ef3 aoriana, ka hoe foana koa ilay fampanantenana.",
        "18": "Raha noho ny fankatoavana lal\u00e0na no ahazoana ny lova, dia tsy noho ny fampanantenana intsony no ahazoana an\u2019ilay izy. Tsara fanahy anefa Andriamanitra ka nomeny an\u2019i Abrahama tamin\u2019ny alalan\u2019ny fampanantenana ilay lova.",
        "19": "Inona \u00e0ry no nilana ny Lal\u00e0na? Natao fanampiny izy io mba hampibaribary ny fandikan-dal\u00e0na, mandra-pahatongan\u2019ilay taranaka nanaovana an\u2019ilay fampanantenana. Ary nampitaina tamin\u2019ny alalan\u2019ny anjely ny Lal\u00e0na, ka natolotra teo an-tanan\u2019ny mpanelanelana iray.",
        "20": "Fa tsy ilaina ny mpanelanelana raha olona iray ihany no voakasika. Andriamanitra irery anefa no nanao an\u2019ilay fampanantenana.",
        "21": "Mifanohitra amin\u2019ny fampanantenan\u2019Andriamanitra \u00e0ry ve ny Lal\u00e0na? Sanatria izany! Fa raha nisy lal\u00e0na nahavita nanome fiainana, dia ho efa lasa olo-marina ny olona noho ny lal\u00e0na.",
        "22": "Nasehon\u2019ny Soratra Masina anefa hoe fehezin\u2019ny ota daholo ny zava-drehetra. Amin\u2019izay ilay fampanantenana avy amin\u2019ny finoana an\u2019i Jesosy Kristy dia homena an\u2019izay maneho finoana.",
        "23": "Tamin\u2019ny mbola tsy tonga anefa ny finoana, dia niambina antsika ny Lal\u00e0na ka lasa nofeheziny isika. Ary niandry an\u2019ilay finoana izay efa haharihary isika.",
        "24": "Lasa mpitaiza antsika \u00e0ry ny Lal\u00e0na ka nitarika antsika ho amin\u2019i Kristy, mba ho azo ambara hoe marina isika satria mino.",
        "25": "Efa tonga anefa izao ny finoana, ka tsy fehezin\u2019ny mpitaiza intsony isika.",
        "26": "Raha ny tena izy, dia zanak\u2019Andriamanitra daholo ianareo satria mino an\u2019i Kristy Jesosy.",
        "27": "Nanahaka an\u2019i Kristy daholo mantsy ianareo natao batisa tao amin\u2019i Kristy.",
        "28": "Tsy misy intsony ny hoe Jiosy na Grika, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany ianareo rehetra sady tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy.",
        "29": "Raha an\u2019i Kristy koa ianareo, dia tena taranak\u2019i Abrahama, sady handova an\u2019izay nampanantenaina azy."
    },
    "4": {
        "1": "Izao no lazaiko: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy misy maha samy hafa azy amin\u2019ny mpanompo, na dia izy aza no tompon\u2019ny zava-drehetra.",
        "2": "Fa fehezin\u2019ny mpikarakara azy sy ny mpanompo miandraikitra ny ao an-trano izy, mandra-pahatongan\u2019ilay andro nofidin\u2019ny rainy mialoha.",
        "3": "Dia hoatr\u2019izany koa isika: Tamin\u2019isika mbola kely, dia nandevozin\u2019ny fanaon\u2019izao tontolo izao sy ny fisainany.",
        "4": "Fa rehefa tapitra ilay fotoana, dia nirahin\u2019Andriamanitra ny Zanany, izay natera-behivavy sady teo ambanin\u2019ny lal\u00e0na,",
        "5": "mba hividy an\u2019izay eo ambanin\u2019ny lal\u00e0na ka hanafaka azy ireo. Dia amin\u2019izay isika ho azo atsangana ho zanaka.",
        "6": "Ary satria zanaka ianareo, dia nataon\u2019Andriamanitra ao am-pontsika ny fanahin\u2019ny Zanany, ary io fanahy io no miantsoantso hoe: \u201cAba, Ray\u00a0\u00f4!\u201d",
        "7": "Tsy mpanompo intsony \u00e0ry ianao fa zanaka, ary raha zanaka dia nataon\u2019Andriamanitra ho mpandova koa.",
        "8": "Tamin\u2019ianareo tsy nahalala an\u2019Andriamanitra anefa, dia nandevozin\u2019izay tsy tena andriamanitra ianareo.",
        "9": "Efa mahalala an\u2019Andriamanitra kosa ianareo izao, na ny marina kokoa dia hoe efa fantany ianareo. Dia maninona ianareo no miverina indray any amin\u2019ireo zavatra fototra tsy manan-kery sy tsy misy ilana azy, sady te handevozin\u2019izany indray?",
        "10": "Aminareo dia misy andro sy volana sy vanim-potoana ary taona tena miavaka, dia ireny no ankalazainareo.",
        "11": "Matahotra aho sao very maina fotsiny ny nanampiako anareo.",
        "12": "Miangavy anareo aho, ry\u00a0rahalahy, mba miov\u00e0 hoatr\u2019ahy, satria efa hoatr\u2019anareo ihany aho taloha. Tsy nanisy ratsy ahy ianareo.",
        "13": "Fantatrareo anefa fa noho izaho narary no nahafahako nitory ny vaovao tsara taminareo tamin\u2019ny voalohany.",
        "14": "Na dia fitsapana ho anareo aza ilay tsy fahasalamako, dia tsy nataonareo tsinontsinona aho na naharikoriko anareo. Noraisinareo hoatran\u2019ny anjelin\u2019Andriamanitra sy hoatran\u2019i Kristy Jesosy kosa aho.",
        "15": "Dia aiza anefa izao izany fifalianareo izany? Fa mijoro ho vavolombelona aho fa raha azonareo natao, na ny masonareo aza ho nesorinareo dia ho nomenareo ahy.",
        "16": "Dia lasa fahavalonareo ve aho izao, satria milaza ny marina aminareo?",
        "17": "Miezaka mafy mitaona anareo ry\u00a0zareo, saingy tsy hoe mba hahasoa anareo akory. Fa tiany hosarahina amiko ianareo, dia amin\u2019izay manaraka an-dry\u00a0zareo.",
        "18": "Tsara foana anefa raha misy miezaka mafy mitaona anareo, raha ny hahasoa anareo no antony anaovany an\u2019izany, ary tsy hoe rehefa eo aminareo ihany aho no manao an\u2019izany izy.",
        "19": "Toy ny hoe marary mihetsi-jaza hiteraka anareo indray aho, ry\u00a0zanako malalako, ary ho toy izany foana mandra-panananareo ny toetran\u2019i Kristy.",
        "20": "Tiako raha mba miaraka aminareo aho izao, sady mba malemy fanahy kokoa rehefa miresaka aminareo. Manahiran-tsaina ahy ianareo.",
        "21": "Hono ho\u2019aho, ianareo izay te ho eo ambanin\u2019ny lal\u00e0na ireo, tsy fantatrareo angaha izay lazain\u2019ny Lal\u00e0na?",
        "22": "Voasoratra ao, ohatra, hoe nanan-janaka roa lahy i Abrahama: Ny anankiray tamin\u2019ny mpanompovavy, fa ny anankiray tamin\u2019ny vehivavy afaka.",
        "23": "Teraka hoatran\u2019ireny zaza rehetra ireny anefa ilay nateraky ny mpanompovavy, fa teraka noho ny fampanantenana kosa ilay nateraky ny vehivavy afaka.",
        "24": "Misy heviny an\u2019ohatra izany, satria izy roa vavy dia fifanekena roa. Natao teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay ny anankiray, ary miteraka zanaka hatao andevo. I Hagara io fifanekena io.",
        "25": "Ary i Hagara dia i Sinay, tendrombohitra any Arabia. Ilay Jerosalema ankehitriny no i Hagara, satria andevo izy sy ny zanany.",
        "26": "Vehivavy afaka kosa ilay Jerosalema any ambony, ary izy no renintsika.",
        "27": "Fa voasoratra hoe: \u201cMifalia, ry\u00a0vehivavy momba izay tsy niteraka! Mihobia, ry\u00a0vehivavy tsy mba narary nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny vehivavy nilaozam-bady dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady.\u201d",
        "28": "Zanaky ny fampanantenana hoatran\u2019i Isaka ianareo, ry\u00a0rahalahy.",
        "29": "Nanenjika an\u2019ilay nateraky ny fanahy anefa ilay nateraka hoatran\u2019ny zaza rehetra, tamin\u2019izany fotoana izany, ary hoatr\u2019izany koa amin\u2019izao.",
        "30": "Inona anefa no lazain\u2019ny Soratra Masina? \u201cRoahy any ilay mpanompovavy sy ny zanany! Fa tsy hiray lova amin\u2019ny zanak\u2019ilay vehivavy afaka mihitsy ny zanak\u2019ilay mpanompovavy.\u201d",
        "31": "Tsy zanaky ny mpanompovavy \u00e0ry isika, ry\u00a0rahalahy, fa zanaky ny vehivavy afaka."
    },
    "5": {
        "1": "Fa nafahan\u2019i Kristy isika mba hanana an\u2019izany fahafahana izany. Koa miorena tsara, ary aza manaiky hasiana zioga fanandevozana indray.",
        "2": "Izaho Paoly no milaza aminareo fa raha forana ianareo, dia tsy hahasoa anareo i Kristy na kely akory aza.",
        "3": "Izao indray no hamafisiko amin\u2019izay hoforana: Tsy maintsy mankat\u00f2 ny Lal\u00e0na manontolo izy.",
        "4": "Tafasaraka amin\u2019i Kristy ianareo fa mankat\u00f2 lal\u00e0na mba hambara hoe olo-marina. Tsy anehoan\u2019 Andriamanitra hatsaram-panahy miavaka intsony ianareo noho ny ataonareo.",
        "5": "Fa izahay kosa, dia ny fanahiny no mahatonga anay hiandry mafy sy hanantena ny hambara hoe olo-marina noho ny finoana.",
        "6": "Fa ho an\u2019izay tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy, dia tsy ny hoe forana na tsy forana no zava-dehibe, fa ny hoe mino sady maneho fitiavana.",
        "7": "Efa nihazakazaka tsara ange ianareo\u00a0e! Dia iza no nisakana anareo tsy hankat\u00f2 ny fahamarinana intsony?",
        "8": "Tsy Ilay miantso anareo no nandresy lahatra anareo hanao hoatr\u2019izany.",
        "9": "Fa lalivay kely fotsiny dia mampitombo ny koba manontolo.",
        "10": "Matoky aho fa hitovy hevitra amiko amin\u2019izany ianareo izay tafaray amin\u2019ny Tompo. Ilay manakorontana anareo anefa, na iza izy na iza, no hahazo ny fanamelohana mendrika azy.",
        "11": "Raha ny amiko kosa, ry\u00a0rahalahy, raha mbola mitory momba ny famorana aho, dia nahoana aho no mbola enjehina ihany? Raha izany mantsy no toriko, dia efa tsy tokony hanafintohina olona intsony ny hazo fijaliana.",
        "12": "Enga anie ka ireo mitady hampivadika anareo ireo mihitsy no hovosirina!",
        "13": "Efa nantsoina ho lasa olona afaka ianareo, ry\u00a0rahalahy. Aza ampiasaina hanomezana fahafaham-po ny fanirian\u2019ny nofo anefa izany fahafahana izany, fa aleo ny fitiavana no hahatonga anareo hifanompo.",
        "14": "Fa ny Lal\u00e0na manontolo dia tanteraka ao amin\u2019ilay didy anankiray hoe: \u201cTiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u201d",
        "15": "Raha mbola mifandramatra sy miady foana anefa ianareo, dia mitandrema fa mety hifandringana.",
        "16": "Izao no lazaiko: Miezaha foana hanaiky hotarihin\u2019ny fanahy, dia tsy hanatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo mihitsy ianareo.",
        "17": "Ny nofo sy ny faniriany mantsy manohitra ny fanahy, ary ny fanahy kosa manohitra ny nofo. Ary mifanohitra izy roa ireo, amin\u2019izay ianareo tsy ho afaka hanao an\u2019izay tianareo hatao.",
        "18": "Raha tarihin\u2019ny fanahy koa ianareo, dia tsy eo ambanin\u2019ny lal\u00e0na.",
        "19": "Miharihary ny asan\u2019ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena tsy misy henatra,",
        "20": "fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fankahalana, ady, fialonana, fipoahan\u2019ny fahatezerana, fifamaliana, fisaratsarahana, fananganana antokom-pinoana,",
        "21": "fitsiriritana, fimamoana, fety tsy voafehy, ary zavatra hafa hoatran\u2019ireo. Mampitandrina anareo mialoha aho, hoatran\u2019ny efa nampitandremako anareo, fa tsy handova ny Fanjakan\u2019Andriamanitra izay mpanao an\u2019ireo zavatra ireo.",
        "22": "Fa ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana,",
        "23": "fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. Tsy misy lal\u00e0na manohitra an\u2019ireo.",
        "24": "Ary izao no nataon\u2019izay mpianatr\u2019i Kristy Jesosy: Nofantsihan\u2019izy ireo teo amin\u2019ny hazo fijaliana ny nofo, niaraka tamin\u2019ny filan-dratsiny sy ny faniriany.",
        "25": "Raha avelantsika hiasa amintsika ny fanahy masina, dia tokony hitondra tena tsara foana mifanaraka amin\u2019ny fitarihan\u2019ny fanahy isika.",
        "26": "Tsy tokony hirehareha isika fa mahatonga antsika hifaninana sy hifampialona izany."
    },
    "6": {
        "1": "Ry rahalahy, raha misy olona manao zavatra tsy mety nefa tsy fantany akory, dia ianareo izay matotra no tokony hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy. Mitandrema tsara anefa sao halaim-panahy koa ianao.",
        "2": "Miezaha foana hifanampy rehefa misy zava-tsarotra manavesatra, fa manatanteraka ny lal\u00e0n\u2019i Kristy ianareo rehefa manao an\u2019izany.",
        "3": "Fa raha misy mihevi-tena hoe ambony nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy.",
        "4": "Aleo anefa ny tsirairay samy handinika an\u2019izay ataony, amin\u2019izay dia ny zavatra ataony no hahafaly azy. Fa tsy tokony hampitaha ny tenany amin\u2019olon-kafa izy.",
        "5": "Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay.",
        "6": "Izay ampianarina ny tenin\u2019Andriamanitra koa, dia tokony mba hifampizara ny zavatra tsara rehetra amin\u2019ilay mampianatra azy.",
        "7": "Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin\u2019ny olona ihany no hojinjainy.",
        "8": "Izay mamafy ho an\u2019ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin\u2019ny fanirian-dratsin\u2019ny nofony. Fa izay mamafy ho an\u2019ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin\u2019ny fanahy.",
        "9": "Aza mba reraka manao ny tsara mihitsy \u00e0ry isika, satria hijinja ny vokatr\u2019izany isika amin\u2019ny fotoana mety, raha tsy kivy.",
        "10": "Koa raha mbola afaka manao soa ihany isika, dia tokony hanao soa amin\u2019ny olona rehetra, indrindra fa amin\u2019ny mpiray finoana amintsika.",
        "11": "Jereo ange ny hangezan\u2019ny soratra nosoratan\u2019ny tanako ho anareo\u00a0e!",
        "12": "Izay rehetra te hiseho hoe tsara et\u1ef3 ivelany no miezaka manery anareo hoforana. Ny antony anaovany an\u2019izany anefa dia satria fotsiny izy tsy te henjehina noho ny hazo fijalian\u2019i Kristy.",
        "13": "Na ny olona voafora aza tsy mitandrina ny Lal\u00e0na akory, fa tiany hoforana fotsiny ianareo dia amin\u2019izay izy ireo afaka mirehareha momba anareo.",
        "14": "Enga anie aho tsy hirehareha mihitsy, raha tsy hoe momba ny hazo fijalian\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika ihany angaha! Amiko, dia tamin\u2019ny alalany no namonoana an\u2019izao tontolo izao ho faty, fa amin\u2019izao tontolo izao kosa, dia tamin\u2019ny alalany no namonoana ahy ho faty.",
        "15": "Fa tsy ny hoe voafora na tsy voafora no zava-dehibe, fa ny hoe zavaboary vaovao.",
        "16": "Enga anie hahazo fiadanana sy famindram-po izay rehetra manaraka tsara an\u2019izany fitsipika izany, izany hoe ny Israelin\u2019Andriamanitra!",
        "17": "Aza misy manahirana ahy intsony manomboka izao, satria efa mitondra marika eo amin\u2019ny vatako aho manamarina hoe mpanompon\u2019i Jesosy aho.",
        "18": "Enga anie ianareo, ry\u00a0rahalahy, hanehoan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika hatsaram-panahy miavaka noho ianareo manana toe-tsaina tsara! Amena."
    },
    "meta": {
        "name": "Galatianina",
        "order": 47,
        "chapter_number": 6
    }
}
