{
    "1": {
        "1": "Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.",
        "2": "Tsy nisy endriny ny tany tamin\u2019izany sady tsy nisy na inona na inona, ary maizina be teny ambonin\u2019ny rano lalina. Ary nivezivezy teny ambonin\u2019ny rano ny hery ampiasain\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Ary niteny Andriamanitra hoe: \u201cAoka hisy ny mazava.\u201d Dia nisy ny mazava.",
        "4": "Taorian\u2019izany dia hitan\u2019Andriamanitra fa tsara ny mazava. Ary nataon\u2019Andriamanitra nisaraka tamin\u2019ny maizina ny mazava.",
        "5": "Nantsoin\u2019Andriamanitra hoe Andro ny mazava, fa Alina kosa ny maizina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro voalohany izany.",
        "6": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAoka hisy habakabaka eo anelanelan\u2019ny rano, dia aoka hisaraka ny rano ambony sy ny rano ambany.\u201d",
        "7": "Dia nanomboka nanao ny habakabaka Andriamanitra. Nosarahiny ny rano teo ambanin\u2019ilay habakabaka sy ny rano teo ambonin\u2019ilay habakabaka. Dia nisy izany.",
        "8": "Nantsoin\u2019Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro faharoa izany.",
        "9": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAoka hiangona eo amin\u2019ny toerana iray ny rano eny ambanin\u2019ny lanitra, ary aoka hipoitra ny faritra maina.\u201d Dia nisy izany.",
        "10": "Nantsoin\u2019Andriamanitra hoe Tany ilay faritra maina, fa Ranomasina kosa ny rano niangona. Dia hitan\u2019Andriamanitra fa tsara izany.",
        "11": "Hoy koa Andriamanitra: \u201cAoka ny tany hampitsiry ahitra, sy zavamaniry misy voa famboly, ary hazo fihinam-boa araka ny karazany avy, izany hoe hazo mamokatra voankazo misy voany.\u201d Dia nisy izany.",
        "12": "Dia nanomboka naniry teo amin\u2019ny tany ny ahitra, sy ny zavamaniry misy voa famboly, ary ny hazo mamokatra voankazo misy voany, araka ny karazany avy. Ary hitan\u2019Andriamanitra fa tsara izany.",
        "13": "Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahatelo izany.",
        "14": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAoka hisy zavatra manome hazavana eny amin\u2019ny habakabaka mba hampisaraka ny andro sy ny alina. Ho famantarana ny fizaran-taona sy ny andro ary ny taona ireny.",
        "15": "Hanome hazavana eny amin\u2019ny habakabaka ireny, mba hanazava ny tany.\u201d Dia nisy izany.",
        "16": "Dia nanomboka nanao an\u2019ireo zavatra roa lehibe manome hazavana Andriamanitra, ka ilay lehibe kokoa hanjaka amin\u2019ny andro, ary ilay kely kokoa hanjaka amin\u2019ny alina. Nanao ny kintana koa izy.",
        "17": "Nataon\u2019Andriamanitra eny amin\u2019ny habakabaka ireny mba hanazava ny tany,",
        "18": "sy hanjaka amin\u2019ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan\u2019Andriamanitra fa tsara izany.",
        "19": "Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahefatra izany.",
        "20": "Hoy koa Andriamanitra: \u201cAoka hisy zavamananaina be dia be ao anaty rano, ary aoka hisy biby manidina hanidintsidina eny ambonin\u2019ny tany, eny amin\u2019ny habakabaka.\u201d",
        "21": "Dia namorona ny biby ngezabe any an-dranomasina Andriamanitra. Namorona ny zavamananaina rehetra mifamezivezy sy mifanaretsaka ao anaty rano koa izy. Nataony samy araka ny karazany avy ireny. Namorona ny biby manidina manana elatra rehetra koa izy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan\u2019Andriamanitra fa tsara izany.",
        "22": "Dia nitso-drano an\u2019ireny Andriamanitra hoe: \u201cMan\u00e0na taranaka, dia mihabetsaha ka mamenoa ny ranomasina. Aoka ho feno biby manidina eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "23": "Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahadimy izany.",
        "24": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAoka ny tany hamoaka zavamananaina araka ny karazany avy, izany hoe biby fiompy sy biby mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.\u201d Dia nisy izany.",
        "25": "Dia nanomboka nanao ny bibidia eny ambonin\u2019ny tany Andriamanitra, ka nataony araka ny karazany avy ireny. Nanao ny biby fiompy araka ny karazany avy koa izy, sady nanao ny biby rehetra mandady amin\u2019ny tany araka ny karazany avy. Ary hitan\u2019Andriamanitra fa tsara izany.",
        "26": "Hoy koa Andriamanitra: \u201cAndao isika hanao olona mitovy endrika amintsika, misy itovizana amintsika. Ary aoka izy ireo hanjaka amin\u2019ny trondro any an-dranomasina, sy ny biby manidina eny amin\u2019ny lanitra, sy ny biby fiompy, sy ny tany manontolo, ary ny biby mandady rehetra mifamezivezy eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "27": "Dia namorona ny olona hitovy endrika aminy Andriamanitra. Nataony mitovy endrika aminy ny olona rehefa noforoniny. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.",
        "28": "Nitso-drano azy ireo koa Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: \u201cMiteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary anjakao koa ny trondro any an-dranomasina, sy ny biby manidina eny amin\u2019ny lanitra, ary ny zavamananaina rehetra mifamezivezy eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "29": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cEfa nomeko anareo ny zavamaniry misy voa famboly rehetra eny ambonin\u2019ny tany manontolo, sy ny hazo rehetra mamokatra voankazo misy voany. Ataovy sakafonareo ireny.",
        "30": "Ny zava-maitso rehetra indray efa nomeko ho sakafon\u2019ny bibidia rehetra eny ambonin\u2019ny tany, sy ny biby manidina rehetra eny amin\u2019ny lanitra, ary ny zavamananaina hafa rehetra mifamezivezy eny ambonin\u2019ny tany.\u201d Dia nitranga izany.",
        "31": "Taorian\u2019izany, dia nijery an\u2019izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahenina izany."
    },
    "2": {
        "1": "Dia vita ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy.",
        "2": "Ary tamin\u2019ny andro fahafito, dia efa vitan\u2019Andriamanitra ny asa nataony. Dia nitsahatra tamin\u2019ny asa rehetra nataony izy tamin\u2019ny andro fahafito.",
        "3": "Ary notahin\u2019Andriamanitra ny andro fahafito ka nolazainy hoe masina. Tamin\u2019io andro io mantsy izy no nitsahatra tamin\u2019ny asa famoronana rehetra nataony, dia izay rehetra nokasainy hatao.",
        "4": "Izao no tantaran\u2019ny lanitra sy ny tany tamin\u2019ny fotoana namoronana azy, tamin\u2019ny andro nanaovan\u2019i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.",
        "5": "Mbola tsy nisy kirihitra teto an-tany, ary mbola tsy nisy nitsiry ny zavamaniry eny an-tsaha, satria mbola tsy nampilatsaka orana tamin\u2019ny tany i Jehovah Andriamanitra. Tsy nisy olona hiasa tany koa tamin\u2019izay.",
        "6": "Nisy zavona anefa niakatra avy tamin\u2019ny tany, ka nandena ny tany rehetra.",
        "7": "Ary namorona olona avy tamin\u2019ny vovoky ny tany i Jehovah Andriamanitra, dia nitsoka fofonaina nankao amin\u2019ny vavorony, ka lasa zavamananaina ilay olona.",
        "8": "Nanamboatra zaridaina tao Edena, tany atsinanana, koa i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ilay olona noforoniny.",
        "9": "Dia nataon\u2019i Jehovah Andriamanitra naniry tamin\u2019ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady misy voany mampite hihinana. Nataony naniry teo afovoan\u2019ilay zaridaina koa ny hazon\u2019aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.",
        "10": "Nisy renirano nikoriana koa avy tao Edena tamin\u2019izany, mba hanondraka an\u2019ilay zaridaina. Dia avy teo indray ilay renirano no nisampana efatra.",
        "11": "Pisona no anaran\u2019ilay renirano voalohany. Izy io no manodidina ny faritr\u2019i Havila manontolo, izay misy volamena.",
        "12": "Tsara ny volamena ao amin\u2019izany tany izany. Misy ditin-kazo manitra koa ao, sady misy vato oniksa.",
        "13": "Gihona no anaran\u2019ilay renirano faharoa. Izy io no manodidina ny tanin\u2019i Kosy manontolo.",
        "14": "Hidekela no anaran\u2019ilay renirano fahatelo. Izy io no mankany atsinanan\u2019i Asyria. Ary i Eofrata ilay renirano fahefatra.",
        "15": "Dia nalain\u2019i Jehovah Andriamanitra ilay lehilahy, ka napetrany tao amin\u2019ny zaridainan\u2019i Edena mba hiasa sy hikarakara an\u2019ilay zaridaina.",
        "16": "Nandidy an\u2019ilay lehilahy koa i Jehovah Andriamanitra hoe: \u201cAfaka mihinana izay laninao amin\u2019ny voan\u2019ny hazo rehetra ato amin\u2019ny zaridaina ianao.",
        "17": "Aza mihinana amin\u2019ny voan\u2019ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy anefa, fa amin\u2019ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.\u201d",
        "18": "Hoy i Jehovah Andriamanitra avy eo: \u201cTsy tsara raha irery foana ralehilahy. Andeha hanaovako mpanampy mety tsara aminy izy.\u201d",
        "19": "Ary noforonin\u2019i Jehovah Andriamanitra avy tamin\u2019ny tany ny bibidia rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin\u2019ny lanitra. Dia nentiny tany amin\u2019ilay lehilahy ireny, mba hahitana an\u2019izay anarana hiantsoany azy tsirairay. Koa izay anarana niantsoany ny zavamananaina tsirairay, dia izany no lasa anarany.",
        "20": "Dia nomen\u2019ilay lehilahy anarana daholo ny biby fiompy rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin\u2019ny lanitra ary ny bibidia rehetra. Tsy mba nisy mpanampy nety tsara taminy anefa.",
        "21": "Nataon\u2019i Jehovah Andriamanitra renoky ny torimaso \u00e0ry ilay lehilahy. Tamin\u2019izy ilay mbola natory iny, dia nalain\u2019Andriamanitra ny taolan-tehezany iray, dia avy eo nakatony ny nofo teo amin\u2019ilay nakany azy.",
        "22": "Ary nanao vehivavy tamin\u2019ilay taolan-tehezana nalainy tamin\u2019ilay lehilahy i Jehovah Andriamanitra. Dia avy eo nentiny nankany amin\u2019ilay lehilahy ilay vehivavy.",
        "23": "Ary hoy ilay lehilahy: \u201cEla ny ela ka ity eto ny taolana avy amin\u2019ny taolako, Sy ny nofo avy amin\u2019ny nofoko! Hantsoina hoe Vehivavy izy, Satria avy tamin\u2019ny lehilahy no nakana azy.\u201d",
        "24": "Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin\u2019ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.",
        "25": "Samy mbola niboridana ilay lehilahy sy ny vadiny, kanefa tsy menatra."
    },
    "3": {
        "1": "Ny menarana no malina indrindra tamin\u2019ny bibidia rehetra nataon\u2019i Jehovah Andriamanitra. Dia hoy izy io tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cTena niteny taminareo tokoa ve Andriamanitra hoe tsy mahazo mihinana amin\u2019ny voan\u2019ny hazo rehetra ato amin\u2019ny zaridaina ianareo?\u201d",
        "2": "Dia hoy ilay vehivavy tamin\u2019ilay menarana: \u201cMahazo mihinana ny voan\u2019ireo hazo ato amin\u2019ny zaridaina izahay ka!",
        "3": "Efa niteny anefa Andriamanitra momba ny voan\u2019ilay hazo eo afovoan\u2019ny zaridaina hoe: \u2018Aza mihinana amin\u2019io ianareo, ary aza mikitika an\u2019io, fa raha tsy izany dia ho faty ianareo.\u2019\u201d",
        "4": "Dia hoy ilay menarana tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cTsy ho faty ianareo ka!",
        "5": "Fa fantatr\u2019Andriamanitra fa amin\u2019ny andro ihinananareo ny voan\u2019io hazo io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an\u2019Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.\u201d",
        "6": "Dia hitan\u2019ilay vehivavy fa mampite hihinana ny voan\u2019ilay hazo sady manintona ny maso, ary mahafinaritra ny mijery azy. Nakany \u00e0ry ny voan\u2019ilay izy ka nohaniny. Nomeny koa ny vadiny avy eo rehefa tafaraka taminy, dia nihinana.",
        "7": "Dia nahiratra ny mason\u2019izy mivady, ka lasa fantany fa niboridana izy ireo. Koa nanjaitra ravin\u2019aviavy izy ireo, dia nataony sikina.",
        "8": "Tat\u1ef3 aoriana, dia henon\u2019izy mivady ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitra, rehefa nandehandeha tao amin\u2019ilay zaridaina Andriamanitra, tokotokony ho tamin\u2019ny fotoana nisian\u2019ny tsio-drivotra malefaka. Dia niafina tany ambadiky ny hazo tao amin\u2019ny zaridaina izy ireo mba tsy ho hitan\u2019i Jehovah Andriamanitra.",
        "9": "Ary niantso an\u2019ilay lehilahy imbetsaka i Jehovah Andriamanitra, sady niteny hoe: \u201cFa aiza ianao?\u201d",
        "10": "Tamin\u2019ny farany dia hoy ilay lehilahy: \u201cHenoko mihitsy ny feonao tato amin\u2019ny zaridaina, saingy natahotra aho satria niboridana, dia naleoko niafina.\u201d",
        "11": "Dia hoy Andriamanitra: \u201cFa iza no nilaza taminao hoe niboridana ianao? Angaha ianao efa nihinana tamin\u2019ny voan\u2019ilay hazo nandidiako anao hoe aza hanina?\u201d",
        "12": "Ary hoy ilay lehilahy: \u201cIlay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy tamin\u2019ny voan\u2019ilay hazo, dia nihinana aho.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Jehovah Andriamanitra tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cFa inona izany nataonao izany?\u201d Ary hoy ilay vehivavy: \u201cNofitahin\u2019ilay menarana aho, dia nihinana.\u201d",
        "14": "Ary hoy i Jehovah Andriamanitra tamin\u2019ny menarana: \u201cSatria nanao an\u2019izany ianao, dia ianao no voaozona amin\u2019ny biby fiompy rehetra sy amin\u2019ny bibidia rehetra. Ny kibonao no handehananao, ary vovoka no hohaninao mandritra ny androm-piainanao.",
        "15": "Dia hataoko mifandrafy ianao sy ilay vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Izy hanorotoro ny lohanao, fa ianao kosa handratra ny voditongony.\u201d",
        "16": "Hoy kosa izy tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cVao mainka hataoko manaintaina be ianao rehefa bevohoka. Hanaintaina koa ianao rehefa miteraka. Haniry mafy ho akaikin\u2019ny fon\u2019ny vadinao foana ianao, ary izy indray hanjakazaka aminao.\u201d",
        "17": "Ary hoy indray izy tamin\u2019i Adama: \u201cSatria ianao nihaino ny vadinao ka nihinana tamin\u2019ny voan\u2019ilay hazo nandidiako anao hoe: \u2018Aza hanina io\u2019, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Hijaly ianao vao ho afaka hihinana ny vokatry ny tany, mandritra ny androm-piainanao.",
        "18": "Dia haniry tsilo sy ahidratsy ny tany, ary zavamaniry eny an-tsaha no hohaninao.",
        "19": "Ary ho tsemboka ianao vao hahazo sakafo, mandra-piverinao amin\u2019ny tany, fa avy tamin\u2019ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray.\u201d",
        "20": "Taorian\u2019izany, dia nataon\u2019i Adama hoe Eva ny anaran\u2019ny vadiny, satria izy no ho lasa renin\u2019ny olombelona rehetra.",
        "21": "Dia nanao akanjo lava vita tamin\u2019ny hoditra ho an\u2019i Adama sy ny vadiny i Jehovah Andriamanitra, mba hanaovan\u2019izy mivady.",
        "22": "Hoy i Jehovah Andriamanitra avy eo: \u201cEfa lasa tahaka ny anankiray amintsika izao ny olona, ka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Fa izao, sao dia hanatsotra ny tanany izy ka haka amin\u2019ny voan\u2019ny hazon\u2019aina, ary hihinana an\u2019ilay izy ka ho velona mandrakizay, ...\u201d",
        "23": "Dia noroahin\u2019i Jehovah Andriamanitra hiala tao amin\u2019ny zaridainan\u2019i Edena ny olona, mba hamboly eo amin\u2019ny tany nakana azy.",
        "24": "Noroahiny \u00e0ry ny olona, dia nasiany kerobima sy lelan-tsabatra mirehitra sady mihodinkodina tsy an-kijanona, teo amin\u2019ny ilany atsinanan\u2019ny zaridainan\u2019i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin\u2019ny hazon\u2019aina."
    },
    "4": {
        "1": "Nanao firaisana tamin\u2019i Eva vadiny i Adama, dia bevohoka i Eva. Rehefa niteraka an\u2019i Kaina izy, dia niteny hoe: \u201cNiteraka lahikely aho noho ny fanampian\u2019i Jehovah.\u201d",
        "2": "Niteraka an\u2019i Abela rahalahiny koa izy tat\u1ef3 aoriana. Lasa mpiandry ondry i Abela, fa i Kaina indray lasa mpamboly.",
        "3": "Rehefa afaka elaela, dia nitondra tamin\u2019ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah i Kaina.",
        "4": "I Abela kosa nitondra zanak\u2019ondry vitsivitsy tamin\u2019ny andian\u2019ondriny, ka izay teraka voalohany no nentiny. Nataony fanatitra niaraka tamin\u2019ny taviny ireny. Dia nankasitrahan\u2019i Jehovah i Abela sy ny fanatiny,",
        "5": "fa i Kaina sy ny fanatiny kosa tsy nankasitrahany. Dia tezitra be i Kaina sady kivy be.",
        "6": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Kaina: \u201cFa maninona ianao no tezitra be sady kivy be hoatr\u2019izao?",
        "7": "Raha mba miova anefa ianao ka manao ny tsara, dia hankasitrahako indray. Fa raha tsy miova mba hanao ny tsara ianao, dia efa miafina ao am-baravaranao ny ota. Mitsiriritra anao izy ary te hanjakazaka aminao. Ho vitanao anefa ve ny hifehy azy?\u201d",
        "8": "Taorian\u2019izay, dia hoy i Kaina tamin\u2019i Abela rahalahiny: \u201cAndao isika ho any an-tsaha.\u201d Rehefa tany an-tsaha izy roa lahy, dia novonoin\u2019i Kaina i Abela rahalahiny ka matiny.",
        "9": "Tat\u1ef3 aoriana, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Kaina: \u201cFa aiza i Abela rahalahinao?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy haiko. Fa angaha izaho mpiambina ny rahalahiko?\u201d",
        "10": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cFa inona no nataonao? Izany fa miantsoantso mitaraina amiko ny ran\u2019ny rahalahinao nalatsakao tamin\u2019ny tany.",
        "11": "Voaozona ianao izao, ka horoahina hiala ao amin\u2019ilay tany nitelina ny ran\u2019ny rahalahinao nalatsakao.",
        "12": "Rehefa mamboly ianao, dia tsy hamokatra ny tany. Hirenireny sy handositra foana koa ianao eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Kaina tamin\u2019i Jehovah: \u201cTena mafy loatra izany sazy noho ny fahadisoako izany, ka tsy ho zakako.",
        "14": "Roahinao hiala eto amin\u2019ity faritra ity aho androany, dia tsy ho eo anatrehanao intsony. Hirenireny sy handositra foana aho et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany, ary tena hamono ahy ho faty izay mahita ahy.\u201d",
        "15": "Dia hoy i Jehovah taminy: \u201cRaha izany \u00e0ry, dia hiharan\u2019ny valifaty avo fito heny izay mamono an\u2019i Kaina.\u201d Koa nanao famantarana ho an\u2019i Kaina i Jehovah, mba tsy hamely azy ho faty izay mahita azy.",
        "16": "Niala teo anatrehan\u2019i Jehovah i Kaina avy eo, ka lasa nipetraka tany amin\u2019ilay tany nanaovana azy sesitany, tany atsinanan\u2019i Edena.",
        "17": "Nanao firaisana tamin\u2019ny vadiny i Kaina taorian\u2019izany, dia bevohoka ilay vadiny ka niteraka an\u2019i Enoka. Dia nanorina tan\u00e0na i Kaina, ka nataony hoe Enoka hoatran\u2019ny anaran\u2019ny zanany ny anaran\u2019 ilay tan\u00e0na.",
        "18": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niteraka an\u2019i Irada i Enoka. I Irada indray niteraka an\u2019i Mehojaela, ary Mehojaela niteraka an\u2019i Metosaela, ary Metosaela niteraka an\u2019i Lameka.",
        "19": "Naka vady roa i Lameka. Ada no anaran\u2019ny voalohany ary Zila ny faharoa.",
        "20": "Niteraka an\u2019i Jabala i Ada. Io Jabala io no voalohany tamin\u2019ny olona mipetraka ao anaty tranolay sady miompy biby fiompy.",
        "21": "Jobala no anaran\u2019ny rahalahiny. Izy io no voalohany tamin\u2019ny olona rehetra mitendry harpa sy mitsoka sodina.",
        "22": "I Zila indray niteraka an\u2019i Tobala-kaina, ilay nanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin\u2019ny varahina sy vy. Ary i Nama no anabavin\u2019i Tobala-kaina.",
        "23": "Nanoratra an\u2019izao tononkalo izao ho an\u2019i Ada sy Zila vadiny i Lameka: \u201cHenoy ny feoko, ry vadin\u2019i Lameka, Henoy izao lazaiko izao: Nisy lehilahy novonoiko ho faty satria nandratra ahy, Eny, tovolahy iray, satria namely ahy izy.",
        "24": "Raha ampiharana valifaty avo 7 heny izay mamono an\u2019i Kaina, Dia ho avo 77 heny kosa ny an\u2019izay mamono an\u2019i Lameka.\u201d",
        "25": "Ary nanao firaisana tamin\u2019ny vadiny indray i Adama, dia tera-dahy ny vadiny. Dia nataony hoe Seta ny anarany, satria hoy izy: \u201cEfa nomen\u2019Andriamanitra zanaka hafa ho solon\u2019i Abela aho, satria novonoin\u2019i Kaina izy.\u201d",
        "26": "Niteraka zazalahy koa i Seta, ka nataony hoe Enosa ny anarany. Tamin\u2019izany fotoana izany ny olona no nanomboka niantso ny anaran\u2019i Jehovah."
    },
    "5": {
        "1": "Izao no tantaran\u2019i Adama: Rehefa namorona an\u2019i Adama Andriamanitra, dia nataony nisy itovizana taminy izy.",
        "2": "Lahy sy vavy no namoronany azy ireo. Nitso-drano azy ireo izy, ary nataony hoe Olombelona ny anaran\u2019izy ireo, tamin\u2019ny andro namoronana azy.",
        "3": "Rehefa 130\u00a0taona i Adama, dia niteraka zazalahy nisy itovizana taminy, nitovy endrika taminy. Dia nataony hoe Seta ny anarany.",
        "4": "Mbola velona 800\u00a0taona i Adama, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Seta. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "5": "Ary nahatratra 930\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Adama, dia maty izy.",
        "6": "Rehefa 105\u00a0taona i Seta, dia niteraka an\u2019i Enosa.",
        "7": "Mbola velona 807\u00a0taona i Seta, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Enosa. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "8": "Ary nahatratra 912\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Seta, dia maty izy.",
        "9": "Rehefa 90\u00a0taona i Enosa, dia niteraka an\u2019i Kenana.",
        "10": "Mbola velona 815\u00a0taona i Enosa, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Kenana. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "11": "Ary nahatratra 905\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Enosa, dia maty izy.",
        "12": "Rehefa 70\u00a0taona i Kenana, dia niteraka an\u2019i Mahalalila.",
        "13": "Mbola velona 840\u00a0taona i Kenana, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Mahalalila. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "14": "Ary nahatratra 910\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Kenana, dia maty izy.",
        "15": "Rehefa 65\u00a0taona i Mahalalila, dia niteraka an\u2019i Jareda.",
        "16": "Mbola velona 830\u00a0taona i Mahalalila, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Jareda. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "17": "Ary nahatratra 895\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Mahalalila, dia maty izy.",
        "18": "Rehefa 162\u00a0taona i Jareda, dia niteraka an\u2019i Enoka.",
        "19": "Mbola velona 800\u00a0taona i Jareda, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Enoka. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "20": "Ary nahatratra 962\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Jareda, dia maty izy.",
        "21": "Rehefa 65\u00a0taona i Enoka, dia niteraka an\u2019i Metosela.",
        "22": "Rehefa avy niteraka an\u2019i Metosela i Enoka, dia mbola niara-nandeha tamin\u2019ilay tena Andriamanitra foana, nandritra ny 300\u00a0taona. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "23": "Ary nahatratra 365\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Enoka.",
        "24": "Niara-nandeha tamin\u2019ilay tena Andriamanitra foana i Enoka. Tsy hita intsony izy tat\u1ef3 aoriana, satria nalain\u2019Andriamanitra.",
        "25": "Rehefa 187\u00a0taona i Metosela, dia niteraka an\u2019i Lameka.",
        "26": "Mbola velona 782\u00a0taona i Metosela, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Lameka. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "27": "Ary nahatratra 969\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Metosela, dia maty izy.",
        "28": "Rehefa 182\u00a0taona i Lameka, dia niteraka zazalahy.",
        "29": "Dia nataony hoe Noa ny anarany, satria hoy izy: \u201cIzy no hanamaivana antsika. Miasa mafy mantsy isika ka reraka be ny tanantsika satria nozonin\u2019i Jehovah ny tany.\u201d",
        "30": "Mbola velona 595\u00a0taona i Lameka, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Noa. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "31": "Ary nahatratra 777\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Lameka, dia maty izy.",
        "32": "Ary feno 500\u00a0taona i Noa. Dia niteraka an\u2019i Sema sy Hama ary Jafeta izy taorian\u2019izay."
    },
    "6": {
        "1": "Rehefa nanomboka nihamaro ny olombelona teto ambonin\u2019ny tany ka niteraka zazavavy,",
        "2": "dia voamarik\u2019ireo zanak\u2019Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin\u2019ny olombelona. Nalain\u2019izy ireo ho vady \u00e0ry izay rehetra nofidiny.",
        "3": "Ary hoy i Jehovah: \u201cTsy handefitra tsy misy farany amin\u2019ny olona aho, satria nofo ihany izy. Dia mbola ho velona 120\u00a0taona izy.\u201d",
        "4": "Nisy Nefilima teto an-tany tamin\u2019izany andro izany sy taorian\u2019izany. Nandritra an\u2019izany fotoana izany, dia nanao firaisana tamin\u2019ny zanakavavin\u2019ny olombelona ireo zanak\u2019Andriamanitra. Dia niteraka zazalahy tamin\u2019izy ireo ny zanakavavin\u2019ny olombelona. Ireny zanany ireny no olona natanjaka sy nalaza tamin\u2019ny andro fahiny.",
        "5": "Ary hitan\u2019i Jehovah fa be dia be ny zava-dratsy nataon\u2019ny olona teto an-tany, sady ratsy foana ny zavatra noeritreretiny sy nirin\u2019ny fony.",
        "6": "Dia nanenina i Jehovah nanao ny olona teto ambonin\u2019ny tany, ka nalahelo ny fony.",
        "7": "Hoy \u00e0ry i Jehovah: \u201cHaringako tsy hisy eny ambonin\u2019ny tany ny olona noforoniko. Haringako miaraka amin\u2019ny biby fiompy sy ny biby mandady ary ny biby manidina eny amin\u2019ny lanitra ny olona. Fa manenina aho nanao an\u2019ireo.\u201d",
        "8": "I Noa anefa nankasitrahan\u2019i Jehovah.",
        "9": "Ary izao no tantaran\u2019i Noa: Olo-marina i Noa. Tsy nisy tsiny izy, tsy mba hoatran\u2019ny mpiara-belona taminy. Niara-nandeha tamin\u2019Andriamanitra izy.",
        "10": "Niteraka telo mirahalahy i Noa tat\u1ef3 aoriana, dia i Sema sy Hama ary Jafeta.",
        "11": "Lasa simba anefa ny tany teo imason\u2019Andriamanitra, sady feno herisetra.",
        "12": "Rehefa nojeren\u2019Andriamanitra ny tany, dia hitany fa simba. Nanao ratsy mantsy ny olona rehetra teto an-tany.",
        "13": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Noa: \u201cTapa-kevitra aho fa handringana ny nofo rehetra, satria feno herisetra ny tany. Dia haringako izy ireo, ary hosimbako koa ny tany.",
        "14": "Manaova \u00e0ry sambofiara amin\u2019ny hazo misy ditiny, ka asio efitrefitra ao anatiny. Ary hosory godorao ny anatiny sy ivelany.",
        "15": "Hoatr\u2019izao no hanaovanao an\u2019ilay sambofiara: Tokony ho 300\u00a0hakiho ny lavany, 50\u00a0hakiho ny sakany, ary 30\u00a0hakiho ny haavony.",
        "16": "Asio varavarankely hidiran\u2019ny hazavana ilay sambofiara, eo amin\u2019ny iray\u00a0hakiho eo ambanin\u2019ny tampony, dia ataovy eo amin\u2019ny ilany iray ny fidirana. Asio rihana ilay sambofiara, izany hoe misy farany ambany sy rihana voalohany ary rihana faharoa.",
        "17": "\u201cAry hampisy safodrano eny ambonin\u2019ny tany aho, ka handringana ny nofo rehetra manam-pofonaina eny ambanin\u2019ny lanitra. Dia ho faty ny zava-drehetra eny ambonin\u2019ny tany.",
        "18": "Ary manao fifanekena aminao aho, ka midira ao anatin\u2019ny sambofiara ianao sy ireo zanakao lahy sy ny vadinao ary ireo vadin\u2019ny zanakao.",
        "19": "Akao roa avy ny karazan-javamananaina rehetra, dia ampidiro ao anatin\u2019ny sambofiara, mba ho voaro miaraka aminao. Lahy sy vavy no halainao.",
        "20": "Amin\u2019ny biby manidina araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby mandady rehetra amin\u2019ny tany araka ny karazany avy, dia roa avy no hiditra ao mba ho voaro miaraka aminao.",
        "21": "Ary angony ny karazan-tsakafo rehetra, mba hataonao sakafo sy sakafon\u2019ireo biby ireo.\u201d",
        "22": "Dia nanaraka ny didy rehetra nomen\u2019Andriamanitra azy i Noa. Izany mihitsy no nataony."
    },
    "7": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Noa: \u201cMidira ao anatin\u2019ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao manontolo. Amin\u2019izao taranaka misy anao izao mantsy, dia ianao no hitako hoe olo-marina.",
        "2": "Akao fito avy ny karazam-biby madio rehetra, dia lahy sy vavy, ary ento miditra miaraka aminao. Fa amin\u2019ny biby tsy madio rehetra kosa, dia roa avy fotsiny no halainao, izany hoe lahy sy vavy.",
        "3": "Akao fito avy koa ny biby manidina eny amin\u2019ny lanitra, dia lahy sy vavy, mba tsy ho lany taranaka eny ambonin\u2019ny tany manontolo ireny.",
        "4": "Fa fito andro sisa dia hampilatsaka orana eny ambonin\u2019ny tany aho, mandritra ny 40\u00a0andro sy 40 alina. Ary haringako tsy hisy eny ambonin\u2019ny tany ny zavamananaina rehetra nataoko.\u201d",
        "5": "Dia nataon\u2019i Noa izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah azy.",
        "6": "Ary 600\u00a0taona i Noa rehefa nisy safodrano teto ambonin\u2019ny tany.",
        "7": "Dia niditra tao anatin\u2019ilay sambofiara i Noa sy ny vady aman-janany ary ireo vadin\u2019ny zanany lahy, talohan\u2019ny safodrano.",
        "8": "Nisy tamin\u2019ny biby madio sy ny biby tsy madio sy ny biby manidina ary izay rehetra mifamezivezy eny ambonin\u2019ny tany koa niditra tao anatin\u2019ilay sambofiara.",
        "9": "Niditra tsiroaroa, izany hoe lahy sy vavy, tao anatin\u2019ny sambofiara niaraka tamin\u2019i Noa ireny, araka ny didy nomen\u2019Andriamanitra azy.",
        "10": "Fito andro taorian\u2019izay, dia tonga teto ambonin\u2019ny tany ny safodrano.",
        "11": "Tamin\u2019ny andro faha-17 amin\u2019ny volana faharoa, rehefa 600\u00a0taona i Noa, dia vaky ny loharano rehetra teny ambony, tamin\u2019io andro io, ary nisokatra ny vavahadin-dranon\u2019ny lanitra.",
        "12": "Dia avy be ny orana teto ambonin\u2019ny tany nandritra ny 40\u00a0andro sy 40 alina.",
        "13": "Ary niditra tao anatin\u2019ny sambofiara i Noa tamin\u2019io andro io, niaraka tamin\u2019i Sema sy Hama ary Jafeta zanany lahy. Niaraka taminy koa ny vadiny sy izy telo vavy vadin\u2019ny zanany.",
        "14": "Niditra tao anatin\u2019ny sambofiara izy ireo sy ny bibidia rehetra araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra araka ny karazany avy, ny biby mandady rehetra et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany araka ny karazany avy, ary ny biby manidina rehetra araka ny karazany avy, izany hoe ny vorona rehetra sy izay rehetra manana elatra.",
        "15": "Niditra tsiroaroa nankao amin\u2019i Noa tao anatin\u2019ny sambofiara ny karazana biby manam-pofonaina rehetra.",
        "16": "Dia niditra ny karazana biby rehetra, dia lahy sy vavy, araka ny didy nomen\u2019Andriamanitra an\u2019i Noa. Avy eo dia nohidian\u2019i Jehovah ny varavarana.",
        "17": "Ary avy be nandritra ny 40\u00a0andro teto ambonin\u2019ny tany ny orana. Dia niakatra foana ny rano ka nanainga an\u2019ilay sambofiara. Ary nitsinkafona ambony be niala tamin\u2019ny tany ilay sambofiara.",
        "18": "Nahery be ny rano sady nisondrotra be foana teto ambonin\u2019ny tany, fa ilay sambofiara kosa nitsinkafona teny ambonin\u2019ny rano.",
        "19": "Ary difotry ny rano ny tany, ka sarona tao koa ny tendrombohitra avo rehetra teny ambanin\u2019ny lanitra manontolo.",
        "20": "Dia niakatra 15\u00a0hakiho nihoatra ny tendrombohitra ny rano.",
        "21": "Koa maty ny zavamananaina rehetra nihetsiketsika teto ambonin\u2019ny tany: Ny biby manidina, ny biby fiompy, ny bibidia, ny zavamananaina hafa mifanaretsaka, ary ny olombelona rehetra.",
        "22": "Maty daholo izay nanam-pofonaina, dia izay rehetra teo amin\u2019ny tany maina.",
        "23": "Naringan\u2019Andriamanitra tsy hisy tet\u1ef3 ambonin\u2019ny tany ny zavamananaina rehetra, anisan\u2019izany ny olona, ny biby, ny biby mandady, ary ny biby manidina teny amin\u2019ny lanitra. Ringana tsy nisy teto ambonin\u2019ny tany daholo ireny, fa i Noa sy izay niaraka taminy tao anatin\u2019ny sambofiara ihany sisa no velona.",
        "24": "Ary mbola nahery be ny rano teto ambonin\u2019ny tany, nandritra ny 150 andro."
    },
    "8": {
        "1": "Tsy hadinon\u2019Andriamanitra anefa i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra niaraka taminy tao anatin\u2019ny sambofiara. Dia nasian\u2019Andriamanitra rivotra nitsoka teto ambonin\u2019ny tany, ka nanomboka nihena ny rano.",
        "2": "Dia tampina ny loharano rehetra teny ambony sy ny vavahadin-dranon\u2019ny lanitra, ka nitsahatra ilay orana avy any an-danitra.",
        "3": "Ary nihanidina ny rano teto ambonin\u2019ny tany. Efa nihena ny rano rehefa afaka 150 andro.",
        "4": "Tamin\u2019ny andro faha-17 amin\u2019ny volana fahafito, dia tafapetraka teo ambonin\u2019ny tendrombohitra Ararata ilay sambofiara.",
        "5": "Ary mbola nihena tsikelikely ihany ny rano hatramin\u2019ny volana fahafolo. Dia niseho ny tampon\u2019ny tendrombohitra, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahafolo.",
        "6": "Rehefa afaka 40 andro \u00e0ry, dia nosokafan\u2019i Noa ny varavarankelin\u2019ny sambofiara,",
        "7": "dia namoaka goaika izy. Nanidina teny ivelany ilay goaika dia niverina, ary toy izany foana mandra-pahamainan\u2019ny rano teto ambonin\u2019ny tany.",
        "8": "Tat\u1ef3 aoriana dia namoaka voromailala izy, mba hahitana raha efa nihena ny rano teto ambonin\u2019ny tany na tsia.",
        "9": "Tsy nahita toerana hipetrahana anefa ilay voromailala, ka niverina nankao amin\u2019i Noa tao anatin\u2019ny sambofiara, satria mbola difotry ny rano ny tany manontolo. Dia navoakan\u2019i Noa ny tanany, dia nalainy ilay voromailala ka nampidiriny tao anatin\u2019ny sambofiara.",
        "10": "Mbola niandry fito andro indray izy vao namoaka an\u2019ilay voromailala avy tao amin\u2019ny sambofiara.",
        "11": "Ary tonga teo aminy ilay voromailala rehefa harivariva. Hitan\u2019i Noa hoe io fa nisy ravin\u2019oliva mbola maitso teny am-bavany! Dia fantatr\u2019i Noa fa efa nihena ny rano teto ambonin\u2019ny tany.",
        "12": "Ary mbola niandry fito andro indray izy, dia navoakany ilay voromailala, nefa tsy niverina teo aminy intsony.",
        "13": "Tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany, tamin\u2019ny taona faha-601, dia ritra ny rano teto ambonin\u2019ny tany. Dia nesorin\u2019i Noa ny saron\u2019ny sambofiara, ka hitany fa efa nihamaina ny tany.",
        "14": "Ary efa maina tanteraka ny tany tamin\u2019ny andro faha-27 amin\u2019ny volana faharoa.",
        "15": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Noa:",
        "16": "\u201cMivoaha avy ao anatin\u2019ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao ary ny vadin\u2019ny zanakao.",
        "17": "Ento mivoaka miaraka aminao ny zavamananaina rehetra, araka ny karazany avy: Ny biby manidina sy ny biby fiompy ary ny biby mandady rehetra eny ambonin\u2019ny tany. Amin\u2019izay izy ireny ho lasa be dia be eny ambonin\u2019ny tany, dia hanan-taranaka sy hihabetsaka eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "18": "Dia nivoaka i Noa sy ny vadiny, ary ny zanany lahy sy ny vadin\u2019izy ireo.",
        "19": "Nivoaka avy tao amin\u2019ny sambofiara koa ny bibidia rehetra, ny biby mandady rehetra, ny biby manidina rehetra, ary izay rehetra mifamezivezy eny ambonin\u2019ny tany, araka ny sokajiny avy.",
        "20": "Dia nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah i Noa. Naka tamin\u2019ny biby madio sy ny biby manidina madio izy, ka nanolotra fanatitra dorana teo ambonin\u2019ilay alitara.",
        "21": "Ary nahafinaritra an\u2019i Jehovah ny hanitr\u2019ilay izy, ka hoy i Jehovah anakampo: \u201cTsy hanozona ny tany noho ny ataon\u2019ny olona intsony aho, satria mitarika azy hanao ratsy foana ny fony, efa hatramin\u2019ny fahazazany. Dia tsy horinganiko hoatran\u2019iny nataoko iny intsony ny zavamananaina rehetra.",
        "22": "Manomboka izao, dia tsy hitsahatra eny ambonin\u2019ny tany mihitsy ny famafazam-boa sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Nitso-drano an\u2019i Noa sy ny zanany Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: \u201cMiteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany.",
        "2": "Mbola hatahotra anareo foana ny bibidia rehetra eny ambonin\u2019ny tany, sy ny biby manidina rehetra eny amin\u2019ny lanitra, sy izay rehetra mifamezivezy eny ambonin\u2019ny tany, ary ny trondro rehetra any an-dranomasina. Dia hanjaka amin\u2019ireny ianareo.",
        "3": "Azonareo atao sakafo ny biby velona mihetsiketsika rehetra. Omeko anareo daholo izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso.",
        "4": "Fa izao ihany no tsy azonareo hanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.",
        "5": "Ankoatra izany, dia hataoko ampamoaka izay mandatsaka ny ranareo na ny ainareo. Hataoko ampamoaka ny zavamananaina rehetra mandatsaka ny ranareo. Ary hataoko ampamoaka izay olona mandatsaka ny ain\u2019ny rahalahiny.",
        "6": "Izay mandatsaka ran\u2019olona, dia mba halatsak\u2019olona koa ny rany, satria nataon\u2019Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olona.",
        "7": "Fa ianareo indray, miteraha maro dia mihabetsaha, ary aoka ho maro be eny ambonin\u2019ny tany ianareo sady ho lasa be dia be.\u201d",
        "8": "Hoy Andriamanitra avy eo tamin\u2019i Noa sy ny zanany lahy:",
        "9": "\u201cHanao fifanekena aminareo sy ny taranakareo handimby anareo aho,",
        "10": "sy amin\u2019ny zavamananaina rehetra eo aminareo, ny vorona sy ny biby ary ny bibidia rehetra eny ambonin\u2019ny tany, izany hoe izay rehetra nivoaka avy tao anatin\u2019ny sambofiara\u2014ny zavamananaina rehetra eny ambonin\u2019ny tany.",
        "11": "Izao \u00e0ry no fifanekena ataoko aminareo: Tsy ho ripaky ny safodrano intsony ny zavamananaina rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.\u201d",
        "12": "Hoy koa Andriamanitra: \u201cIzao no famantarana an\u2019ilay fifanekena ataoko aminareo sy ny zavamananaina rehetra eo aminareo, ho an\u2019ny taranaka rehetra mbola ho avy:",
        "13": "Asiako avana eny amin\u2019ny rahona, ka izy io no ho famantarana an\u2019ilay fifanekena ataoko amin\u2019izay rehetra velona eny ambonin\u2019ny tany.",
        "14": "Koa isaky ny manisy rahona eny ambonin\u2019ny tany aho, dia tsy maintsy hiseho eny amin\u2019ny rahona ny avana.",
        "15": "Dia hotsaroako ilay fifanekena nataoko taminareo sy tamin\u2019ny zavamananaina rehetra isan-karazany. Ary tsy ho lasa safodrano handringana ny zavamananaina rehetra intsony ny rano.",
        "16": "Hiseho eny amin\u2019ny rahona ny avana. Rehefa hitako ilay izy, dia hotsaroako ilay fifanekena mandrakizay nataon\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny zavamananaina rehetra isan-karazany eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "17": "Ary hoy indray Andriamanitra tamin\u2019i Noa: \u201cIzany no famantarana an\u2019ilay fifanekena ataoko amin\u2019ny zavamananaina rehetra eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "18": "Ireto avy ny zanakalahin\u2019i Noa nivoaka avy tao anatin\u2019ny sambofiara: Sema sy Hama ary Jafeta. Ary i Hama no lasa rain\u2019i Kanana.",
        "19": "Izy telo ireo no zanakalahin\u2019i Noa, ary ireo no niavian\u2019ny mponina rehetra niparitaka eran-tany.",
        "20": "Ary lasa mpamboly i Noa ka namboly voaloboka.",
        "21": "Rehefa nisotro divay izy dia mamo ka nanary lamba, tamin\u2019izy tao anatin\u2019ny tranolainy.",
        "22": "Dia nahita ny fitanjahan\u2019ny rainy i Hama, rain\u2019i Kanana, ka notantarainy tamin\u2019izy roa lahy rahalahiny teo ivelany izany.",
        "23": "Naka lamba \u00e0ry i Sema sy Jafeta. Nataony teo an-tsoroka ilay izy, ka nanao dia nihemotra izy roa lahy dia nandrakotra ny fitanjahan\u2019ny rainy. Nitodi-damosina izy ireo tamin\u2019izay, ka tsy nahita ny fitanjahan\u2019ny rainy.",
        "24": "Ary nifoha i Noa rehefa nisava ny hamamoany, ka lasa fantany ny zavatra efa nataon\u2019ny faralahiny taminy.",
        "25": "Dia hoy izy: \u201cHo voaozona anie i Kanana! Ho lasa ambany indrindra amin\u2019ny andevon\u2019ny rahalahiny anie izy!\u201d",
        "26": "Hoy koa izy: \u201cHoderaina anie i Jehovah, Andriamanitr\u2019i Sema! Ary ho lasa andevon\u2019i Sema anie i Kanana!",
        "27": "Enga anie homen\u2019Andriamanitra toerana midadasika i Jafeta! Dia hipetraka ao an-tranolain\u2019i Sema anie izy! Fa i Kanana kosa anie ho andevon\u2019i Jafeta!\u201d",
        "28": "Mbola velona 350\u00a0taona i Noa, taorian\u2019ny Safodrano.",
        "29": "Ary nahatratra 950\u00a0taona ny andro rehetra niainan\u2019i Noa, dia maty izy."
    },
    "10": {
        "1": "Izao no tantaran\u2019i Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin\u2019i Noa: Niteraka zazalahy izy ireo taorian\u2019ny Safodrano.",
        "2": "Ny zanakalahin\u2019i Jafeta dia i Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Meseka, ary Tirasa.",
        "3": "Ny zanakalahin\u2019i Gomera dia i Askenaza sy Rifata ary Togarma.",
        "4": "Ny zanakalahin\u2019i Javana dia i Elisaha, Tarsisy, Kitima, ary Dodanima.",
        "5": "Ireo no niavian\u2019ny mponina niparitaka tany amin\u2019ireo nosy sy tany amin\u2019ny taniny avy, araka ny fiteniny avy, sy araka ny fianakaviany avy, ary araka ny fireneny avy.",
        "6": "Ny zanakalahin\u2019i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota, ary Kanana.",
        "7": "Ny zanakalahin\u2019i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Rama, ary Sabteka. Ny zanakalahin\u2019i Rama dia i Sheba sy Dedana.",
        "8": "I Kosy niteraka an\u2019i Nimroda. Io Nimroda io no lasa mpiady mahery voalohany teto an-tany.",
        "9": "Lasa mpihaza mahery nanohitra an\u2019i Jehovah izy, ka izany no nahatonga an\u2019ilay fitenenana hoe: \u201cTahaka an\u2019i Nimroda, ilay mpihaza mahery nanohitra an\u2019i Jehovah.\u201d",
        "10": "Ny niandohan\u2019ny fanjakany dia i Babela, Ereka, Akada, ary Kalne, tany amin\u2019ny tany Sinara.",
        "11": "Niainga tao amin\u2019izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an\u2019i Ninive, Rehobota-ira, Kala,",
        "12": "ary Resena izay teo anelanelan\u2019i Ninive sy Kala: Izany no tan\u00e0na lehibe.",
        "13": "I Mizraima niteraka an\u2019i Lodima, Anamima, Lehabima, Naftohima,",
        "14": "Patrosima, Kaslohima izay niavian\u2019ny Filistinina, ary Kaftorima.",
        "15": "I Kanana niteraka an\u2019i Sidona lahimatoany, sy Heta,",
        "16": "ary ny Jebosita, ny Amorita, ny Girgasita,",
        "17": "ny Hivita, ny Arkita, ny Sinita,",
        "18": "ny Arvadita, ny Zemarita, ary ny Hamatita. Niparitaka ireo fianakavian\u2019ny Kananita, tat\u1ef3 aoriana.",
        "19": "Ny sisin-tanin\u2019ny Kananita \u00e0ry dia nanomboka tany Sidona ka hatrany Gerara, tany akaikin\u2019i Gaza, ary hatrany Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, tany akaikin\u2019i Lesa.",
        "20": "Ireo no zanakalahin\u2019i Hama araka ny fianakaviany sy ny fiteniny, tany amin\u2019ny taniny sy ny fireneny avy.",
        "21": "Nanan-janaka koa i Sema, ilay razamben\u2019ny zanakalahin\u2019i Ebera rehetra, sady rahalahin\u2019i Jafeta izay zokiny indrindra.",
        "22": "Ny zanakalahin\u2019i Sema dia i Elama, Asyra, Arpaksada, Loda, ary Arama.",
        "23": "Ny zanakalahin\u2019i Arama dia i Oza, Hola, Gatera, ary Masy.",
        "24": "I Arpaksada niteraka an\u2019i Sela, ary Sela niteraka an\u2019i Ebera.",
        "25": "Niteraka roa lahy i Ebera: Palega no anaran\u2019ny iray, satria tamin\u2019ny androny no voazarazara ny tany. Ary Joktana no anaran\u2019ny rahalahiny.",
        "26": "I Joktana niteraka an\u2019i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera,",
        "27": "Hadorama, Ozala, Dikla,",
        "28": "Obala, Abimaela, Sheba,",
        "29": "Ofira, Havila, ary Jobaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin\u2019i Joktana.",
        "30": "Ny faritra nipetrahan\u2019izy ireo dia nitatra hatrany Mesa ka hatrany Sefara, ilay faritra be tendrombohitra tany Atsinanana.",
        "31": "Ireo no zanakalahin\u2019i Sema araka ny fianakaviany sy ny fiteniny, tany amin\u2019ny taniny sy ny fireneny avy.",
        "32": "Ireo no fianakavian\u2019ny zanakalahin\u2019i Noa, araka ny taranany sy ny fireneny. Avy tamin\u2019ireo ny firenena teto ambonin\u2019ny tany no niparitaka, taorian\u2019ny Safodrano."
    },
    "11": {
        "1": "Mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo, sady nitovy ny teny nampiasainy.",
        "2": "Ary rehefa niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin\u2019ny faritr\u2019i Sinara, dia nipetraka tao.",
        "3": "Ary nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cAndao isika hanao biriky dia hodorantsika ilay izy.\u201d Biriky \u00e0ry no nampiasainy fa tsy vato, ary godorao no nataony rihitra.",
        "4": "Dia hoy izy ireo: \u201cAndao isika hanorina tan\u00e0na sy hanangana tilikambo, dia hataontsika manakatra ny lanitra ny tampony. Dia andao hataontsika izay hampahalaza ny anarantsika, amin\u2019izay isika tsy hiparitaka manerana ny tany.\u201d",
        "5": "Dia nidina i Jehovah mba hijery an\u2019ilay tan\u00e0na sy ilay tilikambo naorin\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "6": "Ary hoy i Jehovah: \u201cJereo ange\u00a0e! Vahoaka iray ihany izy ireo ary fiteny iray ihany no ampiasainy, dia efa izao no ataony! Dia ho vitany daholo izay eritreretiny hatao.",
        "7": "Andao isika hidina eny, dia hataontsika misafotofoto ny fitenin\u2019izy ireo, amin\u2019izay ry zareo tsy mifankahazo resaka.\u201d",
        "8": "Koa naparitak\u2019i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany. Dia najanon\u2019izy ireo tsikelikely ny fanorenana an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "9": "Izany no antony nanaovana ny anaran\u2019ilay tan\u00e0na hoe Babela, satria tao no nataon\u2019i Jehovah nisafotofoto ny fitenin\u2019ny tany rehetra. Ary naparitak\u2019i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.",
        "10": "Izao no tantaran\u2019i Sema: Roa taona taorian\u2019ny Safodrano, rehefa 100\u00a0taona i Sema, dia niteraka an\u2019i Arpaksada izy.",
        "11": "Mbola velona 500\u00a0taona i Sema, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Arpaksada. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "12": "Rehefa 35\u00a0taona i Arpaksada, dia niteraka an\u2019i Sela.",
        "13": "Ary mbola velona 403\u00a0taona i Arpaksada, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Sela. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "14": "Rehefa 30\u00a0taona i Sela, dia niteraka an\u2019i Ebera.",
        "15": "Ary mbola velona 403\u00a0taona i Sela, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Ebera. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "16": "Rehefa 34\u00a0taona i Ebera, dia niteraka an\u2019i Palega.",
        "17": "Ary mbola velona 430\u00a0taona i Ebera, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Palega. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "18": "Rehefa 30\u00a0taona i Palega, dia niteraka an\u2019i Reo.",
        "19": "Ary mbola velona 209\u00a0taona i Palega, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Reo. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "20": "Rehefa 32\u00a0taona i Reo, dia niteraka an\u2019i Seroga.",
        "21": "Ary mbola velona 207\u00a0taona i Reo, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Seroga. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "22": "Rehefa 30\u00a0taona i Seroga, dia niteraka an\u2019i Nahora.",
        "23": "Ary mbola velona 200\u00a0taona i Seroga, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Nahora. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "24": "Rehefa 29\u00a0taona i Nahora, dia niteraka an\u2019i Tera.",
        "25": "Ary mbola velona 119\u00a0taona i Nahora, taorian\u2019ny niterahany an\u2019i Tera. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.",
        "26": "Ary feno 70\u00a0taona i Tera. Dia niteraka an\u2019i Abrama sy Nahora ary Harana izy taorian\u2019izay.",
        "27": "Izao no tantaran\u2019i Tera: I Tera niteraka an\u2019i Abrama sy Nahora ary Harana, ary Harana niteraka an\u2019i Lota.",
        "28": "Maty tany Oran\u2019ny Kaldeanina, tany amin\u2019ny tany nahaterahany, i Harana tamin\u2019i Tera rainy mbola velona.",
        "29": "Samy naka vady i Abrama sy Nahora: Saray no anaran\u2019ny vadin\u2019i Abrama, ary Milka, zanakavavin\u2019i Harana, no anaran\u2019ny vadin\u2019i Nahora. Rain\u2019i Milka sy Iska io Harana io.",
        "30": "Ary tsy nanan-janaka i Saray fa momba.",
        "31": "Taorian\u2019izay dia nentin\u2019i Tera i Abrama zanany lahy sy Lota zafikeliny, zanakalahin\u2019i Harana, ary Saray vinantovaviny, vadin\u2019i Abrama zanany, ka niara-niala tao Oran\u2019ny Kaldeanina izy ireo mba ho any Kanana. Dia tonga tao Harana izy ireo tamin\u2019ny farany, ka nipetraka tao.",
        "32": "Rehefa 205\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Tera, dia maty tao Harana izy."
    },
    "12": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Abrama: \u201cMial\u00e0 amin\u2019ny taninao sy ny havanao ary ny ankohonan-drainao, ka mankanesa any amin\u2019ny tany hasehoko anao.",
        "2": "Hataoko lasa firenena lehibe ianao. Hitahy anao aho, dia hataoko malaza ny anaranao. Ho lasa fitahiana ho an\u2019ny olona koa ianao.",
        "3": "Hitahy an\u2019izay mitso-drano anao aho, fa hanozona an\u2019izay manozona anao. Ary amin\u2019ny alalanao no tena hitahiana ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "4": "Nandeha \u00e0ry i Abrama, araka izay efa nolazain\u2019i Jehovah taminy, ary niaraka taminy koa i Lota. Ary 75\u00a0taona i Abrama tamin\u2019izy niala tao Harana.",
        "5": "Dia nentin\u2019i Abrama i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny ary ny fananana rehetra efa nangonin\u2019izy ireo. Nentiny koa ny mpanompo rehetra azony tao Harana. Ary niainga izy ireo ka nankany Kanana. Rehefa tonga tany Kanana izy ireo,",
        "6": "dia namakivaky an\u2019ilay tany i Abrama, ka tonga hatrany amin\u2019ilay toerana atao hoe Sekema, teny akaikin\u2019ireo hazobe tao More. Ny Kananita no nipetraka tao amin\u2019ilay tany, tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "7": "Ary niseho tamin\u2019i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cNy taranakao no homeko an\u2019ity tany ity.\u201d Dia nanorina alitara teo i Abrama, ho an\u2019i Jehovah, ilay niseho taminy.",
        "8": "Niala teo izy, tat\u1ef3 aoriana, ka nifindra nankany amin\u2019ny faritra be tendrombohitra any atsinanan\u2019i Betela. Dia nanangana ny tranolainy teo izy, ka i Betela no teo andrefany, ary Ay no teo atsinanany. Ary nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah teo izy, ka niantso ny anaran\u2019i Jehovah.",
        "9": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nifindra lasy i Abrama ka nankany Negeba. Nifindrafindra toby foana izy tamin\u2019izany.",
        "10": "Ary nisy mosary tao amin\u2019ilay tany, ka nidina nankany Ejipta i Abrama mba hipetraka elaela tany. Mafy be mantsy ny mosary tao amin\u2019ilay tany nisy azy.",
        "11": "Rehefa iny hiditra an\u2019i Ejipta iny izy, dia hoy izy tamin\u2019i Saray vadiny: \u201cMba henoy ange aho azafady\u00a0e! Fantatro fa vehivavy tsara tarehy be ianao.",
        "12": "Rehefa mahita anao izao ny Ejipsianina, dia tsy maintsy hiteny hoe: \u2018Io ny vadiny.\u2019 Dia hovonoin-dry zareo aho, fa ianao kosa tsy hovonoiny.",
        "13": "Mba teneno ange azafady hoe anabaviko ianao\u00a0e! Amin\u2019izay aho tsy hataon-dry zareo na inona na inona noho ny aminao, dia tsy hovonoiny.\u201d",
        "14": "Raha vao niditra tao Ejipta i Abrama, dia hitan\u2019ny Ejipsianina fa tena tsara tarehy i Saray.",
        "15": "Nahita azy koa ireo olona ambony tao an-dapan\u2019i Farao, ka niteny tamin\u2019i Farao hoe tsara tarehy be ilay vehivavy. Nentina nankao an-tranon\u2019i Farao \u00e0ry izy.",
        "16": "Tsara fanahy tamin\u2019i Abrama i Farao satria tiany i Saray. Koa nahazo ondry, omby, ampondralahy sy ampondravavy, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva i Abrama.",
        "17": "Namely an\u2019i Farao sy ny ankohonany tamin\u2019ny loza lehibe anefa i Jehovah, noho i Saray, vadin\u2019i Abrama.",
        "18": "Nantsoin\u2019i Farao \u00e0ry i Abrama, ka hoy izy: \u201cFa inona ity nataonao tamiko? Maninona no tsy nolazainao tamiko hoe vadinao izy?",
        "19": "Fa maninona ianao no niteny hoe: \u2018Anabaviko izy\u2019? Izaho anefa efa saika haka azy ho vady. Io ny vadinao! Ento izy dia mandehana mandeha!\u201d",
        "20": "Koa nomen\u2019i Farao baiko ny mpanompony, dia nalefan\u2019izy ireo i Abrama sy ny vadiny ary izay rehetra nananany."
    },
    "13": {
        "1": "Niala tany Ejipta avy eo i Abrama sy ny vadiny, dia nentiny izay rehetra nananany. Niakatra nankany Negeba izy ireo, niaraka tamin\u2019i Lota.",
        "2": "Nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena be dia be i Abrama tamin\u2019izay.",
        "3": "Nifindrafindra toby izy teny an-dalana avy any Negeba nankany Betela, mandra-pahatongany teo amin\u2019ilay toerana nasiany ny tranolainy taloha, teo anelanelan\u2019i Betela sy Ay,",
        "4": "teo amin\u2019ilay toerana nanorenany alitara. Ary niantso ny anaran\u2019i Jehovah teo i Abrama.",
        "5": "Nanana ondry sy omby ary tranolay koa i Lota, ilay niaraka tamin\u2019i Abrama.",
        "6": "Lasa tsy antonona azy rehetra \u00e0ry ilay tany, satria lasa be dia be ny fananan\u2019izy ireo, ka tsy afaka niara-nipetraka intsony izy ireo.",
        "7": "Dia nifamaly be ny mpiandry ny biby fiompin\u2019i Abrama sy ny an\u2019i Lota.\u2014Ny Kananita sy ny Perizita no nipetraka tao amin\u2019ilay tany, tamin\u2019izany fotoana izany.\u2014",
        "8": "Dia hoy i Abrama tamin\u2019i Lota: \u201cAzafady re\u00a0e! Tsy tokony hifamaly izaho sy ianao, na ny mpiandry ny biby fiompiko sy ny anao, fa mpirahalahy isika.",
        "9": "Afaka mifidy an\u2019izay tianao hipetrahana eto amin\u2019ity tany ity ianao. Fa aleo isika misaraka\u00a0e! Raha miankavia ianao, dia izaho hiankavanana. Fa raha miankavanana kosa ianao, dia izaho hiankavia.\u201d",
        "10": "Dia nitazana i Lota, ka hitany fa azon-drano tsara ny faritr\u2019i Jordana manontolo hatrany Zoara, toy ilay zaridainan\u2019i Jehovah, hoatran\u2019i Ejipta. Azon-drano tsara ilay faritra talohan\u2019ny nandravan\u2019i Jehovah an\u2019i Sodoma sy Gomora.",
        "11": "Nifidy ny faritr\u2019i Jordana manontolo \u00e0ry i Lota, ka nafindrany niantsinanana ny tobiny. Dia nisaraka izy mianaka.",
        "12": "Ary nijanona tany Kanana i Abrama, fa i Lota kosa nipetraka teny amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny faritr\u2019i Jordana. Tamin\u2019ny farany, dia nanangana ny tranolainy teo akaikin\u2019i Sodoma i Lota.",
        "13": "Ratsy fanahy anefa ny olona tao Sodoma sady mpanota be teo imason\u2019i Jehovah.",
        "14": "Hoy i Jehovah tamin\u2019i\u00a0Abrama, rehefa nisaraka izy sy Lota: \u201cAzafady ange\u00a0e! Jereo avy eo amin\u2019ny toerana misy anao\u00a0eo ny manodidina, dia mijere\u00a0mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana.",
        "15": "Fa homeko ho fanananao sy ny taranakao mandrakizay ireo tany rehetra tazanao ireo.",
        "16": "Ary hataoko be dia be tahaka ny vovoka amin\u2019ny tany ny taranakao. Raha misy mahavita manisa ny vovoka amin\u2019ny tany, dia ho voaisa koa ny taranakao.",
        "17": "Mandehana \u00e0ry mitety an\u2019ilay tany amin\u2019ny lavany sy ny sakany, satria ianao no homeko azy io.\u201d",
        "18": "Ary nipetraka tao anaty tranolay foana i Abrama. Tat\u1ef3 aoriana, dia tonga teo amin\u2019ireo hazobe tao Mamre tany Hebrona izy, ka nonina teo. Ary nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah teo izy."
    },
    "14": {
        "1": "Izao no nitranga tamin\u2019ny andron\u2019i Amrafela mpanjakan\u2019i Sinara, sy Arioka mpanjakan\u2019i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan\u2019i Elama, ary Tidala mpanjakan\u2019i Goima:",
        "2": "Niaraka ireo mpanjaka ireo ka niady tamin\u2019i Bera mpanjakan\u2019i Sodoma, Birsa mpanjakan\u2019i Gomora, Sinaba mpanjakan\u2019i Adma, Semebera mpanjakan\u2019i Zeboima, ary ny mpanjakan\u2019i Bela, izany hoe Zoara.",
        "3": "Nivondrona ny miaramilan\u2019izy rehetra ireo teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Sidima, izany hoe teo amin\u2019ny Ranomasin-tsira.",
        "4": "Nanompo an\u2019i Kedorlaomera nandritra ny 12\u00a0taona mantsy ireo mpanjaka dimy ireo, saingy nikomy tamin\u2019ny taona faha-13.",
        "5": "Tamin\u2019ny taona faha-14 \u00e0ry, dia tonga i Kedorlaomera sy ny mpanjaka niaraka taminy, ka resin\u2019izy ireo tao Asterota-karnaima ny Refaima, tao Hama ny Zozima, tao Save-kiriataima ny Emima,",
        "6": "ary teny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Seira hatrany Ela-parana, any an-tany efitra, ny Horita.",
        "7": "Dia niverina izy ireo ka tonga tao Ena-mispata, izany hoe Kadesy. Lasan\u2019izy ireo ny faritra rehetra nisy ny Amalekita, ary resiny koa ny Amorita nipetraka tao Hazazona-tamara.",
        "8": "Tamin\u2019izay dia niainga ny mpanjakan\u2019i Sodoma, ny mpanjakan\u2019i Gomora, ny mpanjakan\u2019i Adma, ny mpanjakan\u2019i Zeboima, ary ny mpanjakan\u2019i Bela na Zoara, ka nilahatra hiady tamin\u2019ireo teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Sidima,",
        "9": "izany hoe hiady tamin\u2019i Kedorlaomera mpanjakan\u2019i Elama, sy Tidala mpanjakan\u2019i Goima, sy Amrafela mpanjakan\u2019i Sinara, ary Arioka mpanjakan\u2019i Elasara. Mpanjaka efatra no niady tamin\u2019ny mpanjaka dimy.",
        "10": "Ary feno lavaka godorao ny Lohasahan\u2019i Sidima. Niezaka nandositra ny mpanjakan\u2019i Sodoma sy ny mpanjakan\u2019i Gomora, nefa latsaka tao anatin\u2019ireny lavaka ireny. Ny mpanjaka sasany koa nandositra nankeny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra.",
        "11": "Dia nalain\u2019ireo mpanjaka nandresy ireo daholo ny fananan\u2019i Sodoma sy Gomora sy ny sakafo rehetra tao, ka lasa izy ireo.",
        "12": "Nentiny koa i Lota, ilay zana-drahalahin\u2019i Abrama nipetraka tao Sodoma, niaraka tamin\u2019ny fananany, ka nanohy ny diany izy ireo.",
        "13": "Tafatsoaka anefa ny lehilahy iray, ka tonga nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Abrama Hebreo. Nitoby tao amin\u2019ilay faritra nisy an\u2019ireo hazoben\u2019i Mamre Amorita i Abrama tamin\u2019izay. Rahalahin\u2019i Eskola sy Anera io Mamre io, ary efa nifanaraka ireo lehilahy ireo sy Abrama hoe hifanampy.",
        "14": "Dia henon\u2019i Abrama hoe lasa babo ilay havany. Nangoniny \u00e0ry ireo lehilahy voaofana hiady, dia ny mpanompony 318 izay teraka tao aminy. Dia nenjehin\u2019izy ireo hatrany Dana ireny mpanjaka ireny.",
        "15": "Nozarazarainy ny mpanompony nandritra ny alina, dia nanafika izy ireo ka nandresy. Dia nenjehiny hatrany Hoba, tany avaratr\u2019i Damaskosy, ny fahavalony.",
        "16": "Dia azony indray i Lota havany, ny fananan\u2019i Lota, ny vehivavy, ary ny olon-kafa.",
        "17": "Dia niverina i Abrama rehefa avy nandresy an\u2019i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy. Tamin\u2019izay ny mpanjakan\u2019i Sodoma dia nivoaka hitsena an\u2019i Abrama teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Save, izany hoe ny Lohasahan\u2019ny Mpanjaka.",
        "18": "Nitsena azy koa i Melkizedeka, mpanjakan\u2019i Salema, sady nitondra mofo sy divay. Mpisoron\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra io Melkizedeka io.",
        "19": "Dia nitso-drano azy izy hoe: \u201cEnga anie i Abrama hotahin\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Dia ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany!",
        "20": "Ary hoderaina anie ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Ilay nanolotra ny mpampijaly anao teo am-pelatananao!\u201d Dia nomen\u2019i Abrama azy ny ampahafolon\u2019ny zava-drehetra azony.",
        "21": "Hoy ny mpanjakan\u2019i Sodoma tamin\u2019i Abrama, taorian\u2019izay: \u201cOmeo ahy ny olona, fa ny fananana alaivo ho anao.\u201d",
        "22": "Hoy anefa i Abrama tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Sodoma: \u201cManangan-tanana aho sady mianiana amin\u2019i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany,",
        "23": "fa tsy haka na inona na inona amin\u2019ny fanananao aho na dia kofehy iray na tadin-kapa iray aza. Sao mantsy ianao hilaza hoe: \u2018Izaho no nampanan-karena an\u2019i Abrama.\u2019",
        "24": "Tsy mila na inona na inona aho, afa-tsy izay efa nohanin\u2019ireo tovolahy niaraka tamiko ireo ihany. Fa ny anjaran\u2019izay niaraka tamiko,\u2014i Anera sy Eskola ary Mamre\u2014dia aleo izy ireo ihany no haka azy.\u201d"
    },
    "15": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia niteny tamin\u2019i Abrama tao amin\u2019ny fahitana i Jehovah hoe: \u201cAza matahotra, ry Abrama. Izaho no ampinganao, ary hahazo valisoa lehibe ianao.\u201d",
        "2": "Dia hoy i Abrama: \u201cRy Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, inona no homenao ahy? Izaho ity mbola tsy manan-janaka ihany, ka i Eliezera avy any Damaskosy no handova ny fananako.\u201d",
        "3": "Hoy koa i Abrama: \u201cTsy nomenao taranaka aho, ka ny iray amin\u2019ny mpanompoko no handova sy handimby ahy.\u201d",
        "4": "Hoy anefa i Jehovah taminy: \u201cTsy handova na handimby anao izany lehilahy izany, fa ny zanakao lahy mihitsy no handova sy handimby anao.\u201d",
        "5": "Dia nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: \u201cMba jereo ange ny lanitra, azafady\u00a0e! Dia isao ny kintana raha mahavita manisa azy ianao.\u201d Hoy koa izy taminy: \u201cHo tahaka an\u2019ireo ny taranakao.\u201d",
        "6": "Ary naneho finoana an\u2019i Jehovah izy, ka nekeny hoe olo-marina.",
        "7": "Hoy ihany izy taminy: \u201cIzaho no Jehovah, ilay nitondra anao nivoaka avy tany Oran\u2019ny Kaldeanina, mba hanome anao an\u2019ity tany ity. Dia ho lasanao izy ity.\u201d",
        "8": "Dia hoy i Abrama: \u201cRy Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, ahoana no hahafantarako fa ho lasako ity tany ity?\u201d",
        "9": "Dia hoy izy taminy: \u201cItondray vantotr\u2019ombivavy telo taona aho, dia osivavy telo taona, sy ondrilahy telo taona, sy domohina, ary zana-boromailala.\u201d",
        "10": "Ary nalain\u2019i Abrama daholo izany, dia nozarainy roa avy, ka ny ilany nataony teo amin\u2019ny andaniny, ary ny ilany teo amin\u2019ny ankilany. Ny vorona kosa tsy notetehiny.",
        "11": "Ary nidina nankeo amin\u2019ny fatin\u2019ireo biby ireo ny vorona mpihaza, nefa noroahin\u2019i Abrama foana.",
        "12": "Rehefa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso i Abrama. Dia nisy haizina nampahatahotra be nanarona azy.",
        "13": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019i Abrama: \u201cFantaro tsara fa ho vahiny any an-tanin\u2019olona ny taranakao. Ary hataon\u2019ny mponina any andevo ry zareo, ka hampijaliny 400\u00a0taona.",
        "14": "Hotsaraiko anefa ilay firenena hotompoin\u2019izy ireo. Aorian\u2019izay izy ireo dia hivoaka hitondra zava-tsoa be dia be.",
        "15": "Ianao kosa handeha amim-piadanana any amin\u2019ny razambenao, ary ho tratrantitra ianao vao halevina.",
        "16": "Hiverina eto anefa ny taranakao amin\u2019ny andron\u2019ny zafiafiny, satria mbola tsy tafahoatra ny fahadisoan\u2019ny Amorita.\u201d",
        "17": "Rehefa nilentika ny masoandro ka lasa maizina be ny andro, dia nisy lafaoro midona-tsetroka nipoitra. Nisy fanilo mirehitra koa nandalo teo anelanelan\u2019ireo biby nozaraina roa.",
        "18": "Dia nanao fifanekena tamin\u2019i Abrama i Jehovah tamin\u2019io andro io, hoe: \u201cNy taranakao no homeko an\u2019ity tany ity, hatrany amin\u2019ny reniranon\u2019i Ejipta ka hatrany amin\u2019ny reniranon\u2019i Eofrata, ilay renirano lehibe.",
        "19": "Ny tany homeko azy ireo dia ny tanin\u2019ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita",
        "20": "sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaima",
        "21": "sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.\u201d"
    },
    "16": {
        "1": "Ary tsy nanan-janaka i Saray vadin\u2019i Abrama. Nanana mpanompovavy ejipsianina atao hoe Hagara anefa izy.",
        "2": "Dia hoy i Saray tamin\u2019i Abrama: \u201cAzafady ange ianao\u00a0e! Tsy navelan\u2019i Jehovah hanan-janaka aho. Koa mba manaova firaisana amin\u2019ny mpanompovaviko, fa angamba hahazo zanaka avy aminy aho.\u201d Dia nihaino an\u2019i Saray i Abrama.",
        "3": "Efa nipetraka folo taona tany Kanana i Abrama tamin\u2019izay. Ary nalain\u2019i Saray vadin\u2019i Abrama i Hagara mpanompovaviny ejipsianina, ka nomeny ho vadin\u2019i Abrama.",
        "4": "Dia nanao firaisana tamin\u2019i Hagara i Abrama, ka bevohoka i Hagara. Rehefa fantatr\u2019i Hagara anefa hoe bevohoka izy, dia nambanimbaniny ny tompovaviny.",
        "5": "Dia hoy i Saray tamin\u2019i Abrama: \u201cIanao ihany no nahatonga an\u2019izao fijaliako izao! Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho eo an-tratranao, nefa rehefa fantany fa bevohoka izy, dia nambanimbaniny aho. Aleo i Jehovah no hitsara hoe iza no diso, izaho sa ianao!\u201d",
        "6": "Dia hoy i Abrama tamin\u2019i Saray: \u201cIanao ange manam-pahefana amin\u2019ny mpanompovavinao\u00a0e! Ataovy aminy izay hitanao fa mety.\u201d Dia nataon\u2019i Saray afa-baraka i Hagara, ka lasa nandositra.",
        "7": "Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitan\u2019ny anjelin\u2019i Jehovah teo akaikin\u2019ny loharano iray tany an-tany efitra i Hagara. Teo amin\u2019ny lalana mankany Sora io loharano io.",
        "8": "Dia hoy ilay anjely: \u201cRy\u00a0Hagara mpanompovavin\u2019i Saray, avy taiza ianao, dia ho aiza?\u201d Dia hoy izy: \u201cMitsoaka an\u2019i Saray tompovaviko aho.\u201d",
        "9": "Ary hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah taminy: \u201cMiverena any amin\u2019ny tompovavinao, dia manetre tena eo anatrehany.\u201d",
        "10": "Hoy koa ilay anjelin\u2019i Jehovah: \u201cHataoko lasa be dia be ny taranakao, ka tsy ho voaisa satria be loatra.\u201d",
        "11": "Hoy ihany ilay anjelin\u2019i Jehovah: \u201cBevohoka ianao izao, dia ho tera-dahy. Ataovy hoe Ismaela ny anarany, fa efa henon\u2019i Jehovah ny fahorianao.",
        "12": "Ho lasa hoatran\u2019ny ampondradia izy. Hanohitra ny olona rehetra izy, ary ny olona rehetra kosa hanohitra azy. Hipetraka eny ampitan\u2019ny rahalahiny rehetra izy.\u201d",
        "13": "Ary nantsoin\u2019i Hagara ny anaran\u2019i Jehovah, ilay niresaka taminy, dia hoy izy: \u201cAndriamanitra mahita tokoa ianao!\u201d Fa hoy izy: \u201cIzaho ve dia tena nahita an\u2019ilay mahita ahy tokoa, teto amin\u2019ity toerana ity?\u201d",
        "14": "Izany no nahatonga an\u2019ilay lavadrano hantsoina hoe Bera-lahai-roy. Eo anelanelan\u2019i Kadesy sy Bareda izy io.",
        "15": "Dia nitera-dahy tamin\u2019i Abrama i Hagara, ka nataon\u2019i Abrama hoe Ismaela ny anaran\u2019ilay zanany naterak\u2019i Hagara.",
        "16": "Ary 86\u00a0taona i Abrama, tamin\u2019i Hagara niteraka an\u2019i Ismaela."
    },
    "17": {
        "1": "Rehefa feno 99\u00a0taona i Abrama, dia niseho taminy i Jehovah ka niteny hoe: \u201cIzaho no Andriamanitra Mahery Indrindra. Araho foana izay lazaiko aminao, dia asehoy hoe tsy misy tsiny ianao.",
        "2": "Hanao fifanekena aminao aho, ka hataoko lasa be dia be mihitsy ny taranakao.\u201d",
        "3": "Dia niankohoka i Abrama, ary mbola niteny taminy Andriamanitra hoe:",
        "4": "\u201cManao fifanekena aminao aho izao, dia tena ho lasa rain\u2019ny firenena maro ianao.",
        "5": "Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao, fa hovana hoe Abrahama, satria hataoko rain\u2019ny firenena maro ianao.",
        "6": "Hataoko be dia be mihitsy ny taranakao ka hataoko lasa firenena maro. Dia hisy mpanjaka maro hipoitra avy aminao.",
        "7": "\u201cHotanterahiko ny fifanekena ataoko aminao sy ny taranakao, izany hoe ny taranakao sy ny taranany rehetra mifandimby. Fifanekena mandrakizay izany, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao handimby anao aho.",
        "8": "Homeko anao sy ny taranakao handimby anao koa ilay tany ivahinianao, i Kanana manontolo, mba ho fanananareo mandrakizay. Dia ho Andriamanitr\u2019izy ireo aho.\u201d",
        "9": "Hoy koa Andriamanitra tamin\u2019i Abrahama: \u201cFa ianao indray, tokony hanaja ny fifanekena ataoko aminao ianao sy ny taranakao ary ny taranany rehetra mifandimby.",
        "10": "Izao no fifanekena ataoko aminao, ka tokony hohajainao sy ny taranakao handimby anao: Tsy maintsy forana ny lahy rehetra eo aminareo.",
        "11": "Tsy maintsy forana ianareo. Izany no ho famantarana an\u2019ilay fifanekena ataoko aminareo.",
        "12": "Ary tsy maintsy forana ny zazalahy rehetra feno valo andro eo aminareo, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby, na teraka tao an-tranonao izy, na novidim-bola tany amin\u2019ny firenen-kafa fa tsy anisan\u2019ny taranakao.",
        "13": "Tsy maintsy forana ny lehilahy rehetra teraka ao an-tranonao sy ny lehilahy rehetra novidinao tamin\u2019ny volanao. Ho fifanekena maharitra ela be izany fifanekena ataoko momba ny famorana izany.",
        "14": "Raha misy lehilahy tsy noforana, dia tsy maintsy haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izy. Efa nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataoko mantsy izy.\u201d",
        "15": "Avy eo dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Abrahama: \u201cAza atao hoe Saray intsony ny anaran\u2019 i Saray vadinao, satria hatao hoe Saraha ny anarany.",
        "16": "Hotahiko izy dia hiteraka zazalahy ho anao. Hotahiko izy ka hisy firenena be dia be sy mpanjakan\u2019ny firenena maro hipoitra avy aminy.\u201d",
        "17": "Dia niankohoka i Abrahama, dia nihomehy sady niteny anakampo hoe: \u201cLehilahy efa 100\u00a0taona ve dia mbola hiteraka ihany? I Saraha koa izao vehivavy efa 90\u00a0taona, dia mbola hiteraka ihany ve?\u201d",
        "18": "Hoy \u00e0ry i Abrahama tamin\u2019Andriamanitra: \u201cEnga anie ka hotahinao i Ismaela!\u201d",
        "19": "Dia hoy Andriamanitra: \u201cTena hitera-dahy ho anao tokoa i Saraha vadinao. Dia ataovy hoe Isaka ny anarany. Amin\u2019i Isaka aho no hanao an\u2019ilay fifanekena, dia ilay fifanekena mandrakizay hahasoa azy sy ny taranany handimby azy.",
        "20": "Efa henoko anefa izany teninao momba an\u2019i Ismaela izany. Hotahiko koa izy, ka hataoko manan-taranaka sady hataoko lasa be dia be mihitsy ny taranany. Hiteraka mpiadidy 12 izy, ka hataoko lasa firenena lehibe.",
        "21": "Amin\u2019i Isaka anefa aho no hanao an\u2019ilay fifanekena, dia amin\u2019ilay haterak\u2019i Saraha aminao amin\u2019ny herintaona hoatr\u2019izao.\u201d",
        "22": "Rehefa avy niresaka tamin\u2019i Abrahama Andriamanitra, dia niala teo amin\u2019i Abrahama.",
        "23": "Ary nalain\u2019i Abrahama i Ismaela zanany lahy sy ny lehilahy rehetra teraka tao an-tranony ary izay rehetra novidiny tamin\u2019ny volany, izany hoe ny lehilahy rehetra tao amin\u2019ny ankohonany, ka noforany tamin\u2019iny andro iny ihany, araka izay nolazain\u2019Andriamanitra taminy.",
        "24": "Ary 99\u00a0taona i Abrahama tamin\u2019izy noforana.",
        "25": "I Ismaela zanany kosa 13\u00a0taona tamin\u2019izy noforana.",
        "26": "Tamin\u2019iny andro iny ihany i Abrahama sy Ismaela zanany dia noforana.",
        "27": "Noforana niaraka taminy koa ny lehilahy rehetra tao amin\u2019ny ankohonany, dia izay teraka tao an-tranony sy izay novidim-bola tany amin\u2019ny firenen-kafa."
    },
    "18": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia niseho tamin\u2019i Abrahama teo amin\u2019ireo hazobe tao Mamre i Jehovah. Nipetraka teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolainy i Abrahama tamin\u2019izay, rehefa tena nahamay be iny ny andro.",
        "2": "Dia nitraka izy ka nahita lehilahy telo nijoro ter\u1ef3 lavidavitra ter\u1ef3. Rehefa nahita azy ireo izy, dia nihazakazaka avy teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolainy mba hitsena azy, ka niankohoka tamin\u2019ny tany.",
        "3": "Dia hoy izy: \u201cRaha ankasitrahanao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, dia aza andalovana fotsiny re ny mpanomponao\u00a0e!",
        "4": "Ao re mba hitondrana rano kely ianareo, dia hosasana ny tongotrareo\u00a0e! Dia eo ambanin\u2019ny hazo eo ianareo mitsotsotra rehefa avy eo.",
        "5": "Ianareo efa mba mankat\u1ef3 amin\u2019ny mpanomponareo ihany, ka aleo aho mba haka mofo hohaninareo, mba hampody aina anareo. Dia mahazo mandeha ianareo avy eo.\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cHay! Ataovy \u00e0ry\u00a0e!\u201d",
        "6": "Dia lasa haingana i Abrahama nankao an-tranolay tao amin\u2019i Saraha, ka niteny hoe: \u201cMak\u00e0 haingana lafarinina tsara toto intelon\u2019ny famarana, dia volavolao ho koba, dia ataovy mofo.\u201d",
        "7": "Avy eo dia nihazakazaka\u00a0nankany amin\u2019ny andian\u2019omby i Abrahama, ka nifidy omby mbola vantony sady tsara. Dia nomeny ny mpanompo ilay izy, ka lasa haingana ilay mpanompo nikarakara an\u2019ilay izy.",
        "8": "Naka dibera sy ronono i Abrahama avy eo, ary nalainy koa ilay vantotr\u2019omby efa nokarakarainy, ka narosony teo amin\u2019izy telo lahy. Dia nijoro teo akaikin\u2019izy ireo teo ambanin\u2019ilay hazo izy, tamin\u2019izy ireo nihinana.",
        "9": "Hoy izy ireo taminy: \u201cFa aiza i Saraha vadinao?\u201d Dia hoy izy: \u201cAo an-tranolay ao.\u201d",
        "10": "Ary niteny koa ny iray tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cHiverina at\u1ef3 aminao tokoa aho amin\u2019ny herintaona hoatr\u2019izao, ka hanan-janakalahy i Saraha vadinao.\u201d I Saraha kosa tamin\u2019izay nihaino teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay, izay tao andamosin\u2019ilay lehilahy.",
        "11": "Ary efa antitra sady be taona i Abrahama sy Saraha. Efa antitra i Saraha ka tsy afaka niteraka intsony.",
        "12": "Koa nihomehy anakampo i Saraha nanao hoe: \u201cIzaho efa antitra ity ve dia mbola ho faly ihany fa hiteraka? Sady ny tompoko koa aza efa antitra!\u201d",
        "13": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Abrahama: \u201cFa maninona i Saraha no nihomehy sady niteny hoe: \u2018Tena hiteraka tokoa ve aho, nefa izaho efa antitra?\u2019",
        "14": "Angaha misy zava-mahagaga tsy vitan\u2019i Jehovah? Hiverina at\u1ef3 aminao aho amin\u2019ny herintaona hoatr\u2019izao, ka hanan-janakalahy i Saraha.\u201d",
        "15": "Nanda anefa i Saraha hoe: \u201cTsy nihomehy izany aho!\u201d Natahotra mantsy izy. Dia hoy ilay anjely: \u201cTena nihomehy ianao ka!\u201d",
        "16": "Dia nitsangana ireo lehilahy ireo avy eo ka niala teo, dia nitazana an\u2019i Sodoma. Niaraka taminy koa i Abrahama mba hanatitra azy.",
        "17": "Ary hoy i Jehovah: \u201cDia hafeniko amin\u2019i Abrahama ve ny zavatra hataoko?",
        "18": "Ho lasa firenena lehibe sy mahery mantsy i Abrahama, ary amin\u2019ny alalany no hitahiana ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany.",
        "19": "Efa fantatro tsara izy izao. Koa azoko antoka hoe hasainy manaraka ny lalan\u2019i Jehovah ny ankohonany sy ny zanany handimby azy, ka hanao ny tsara sy hanao ny rariny. Amin\u2019izay dia hotanterahin\u2019i Jehovah amin\u2019i Abrahama izay efa nampanantenainy momba azy.\u201d",
        "20": "Hoy ihany i Jehovah: \u201cTena be loatra ny fitarainana henoko momba an\u2019i Sodoma sy Gomora, ary tafahoatra loatra ny fahotan\u2019izy ireo.",
        "21": "Hidina mihitsy aho hijery raha tena hoatr\u2019izany tokoa ny ataon\u2019izy ireo, hoe marina na tsia ny fitarainana tonga at\u1ef3 amiko. Tiako ho fantatra mantsy izany.\u201d",
        "22": "Dia niala teo ireo lehilahy ireo ka lasa nankany Sodoma. Fa i Jehovah kosa mbola nijanona niaraka tamin\u2019i Abrahama.",
        "23": "Ary nanatona i Abrahama ka niteny hoe: \u201cDia haringanao miaraka amin\u2019ny ratsy fanahy tokoa ve ny olo-marina?",
        "24": "Ahoana raha misy olo-marina 50 ao amin\u2019io tan\u00e0na io? Dia haringanao daholo ve izy ireo ka tsy havelanao ny helok\u2019ilay tan\u00e0na, nefa misy an\u2019ireo olo-marina 50 ireo ao?",
        "25": "Sanatria anao ny hamono ny olo-marina miaraka amin\u2019ny ratsy fanahy, ka hoe hitovy ihany ny hiafaran\u2019ny olo-marina sy ny ratsy fanahy! Sanatria anao ny hanao an\u2019izany! Dia tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?\u201d",
        "26": "Dia hoy i Jehovah: \u201cRaha mahita olo-marina 50 ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Sodoma aho, dia havelako daholo ny helok\u2019ilay tan\u00e0na manontolo, noho ireo olo-marina ireo.\u201d",
        "27": "Hoy indray anefa i Abrahama: \u201cAzafady re\u00a0e! Efa sahy niresaka tamin\u2019i Jehovah ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.",
        "28": "Ary ahoana raha tsy ampy 50 ny olo-marina ao, fa latsaka dimy? Horavanao ve ilay tan\u00e0na manontolo, noho ireo olona dimy ireo?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy horavako ilay izy, raha mahita 45 ao aho.\u201d",
        "29": "Hoy indray anefa i Abrahama: \u201cAry raha 40 no hita ao?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy hanao an\u2019izany aho raha mahita 40 ao.\u201d",
        "30": "Mbola niteny ihany i Abrahama hoe: \u201cAza tezitra re, Jehovah\u00a0\u00f4, fa mba avelao aho hiteny ihany. Ahoana raha 30 fotsiny no hita ao?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy hanao an\u2019izany aho raha mahita 30 ao.\u201d",
        "31": "Fa mbola hoy ihany i Abrahama: \u201cEfa sahy niresaka tamin\u2019i Jehovah ihany aho. Ary raha 20 fotsiny no hita ao?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy handrava an\u2019ilay tan\u00e0na aho raha mahita 20 ao.\u201d",
        "32": "Farany, dia hoy i Abrahama: \u201cAza tezitra re, Jehovah\u00a0\u00f4, fa mba avelao aho hiteny farany. Ahoana raha folo fotsiny no hita ao?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy handrava an\u2019ilay tan\u00e0na aho raha mahita folo ao.\u201d",
        "33": "Rehefa avy niresaka tamin\u2019i Abrahama i Jehovah dia lasa, fa i Abrahama kosa nandeha nody."
    },
    "19": {
        "1": "Tonga tao Sodoma ireo anjely roa rehefa harivariva. Nipetraka teo am-bavahadin\u2019i Sodoma i Lota tamin\u2019izay. Rehefa nahita azy roa lahy i Lota, dia nitsangana hitsena azy ka niankohoka tamin\u2019ny tany.",
        "2": "Hoy izy: \u201cAzafady, tompoko! Mba mivilia re any an-tranon\u2019ny mpanomponareo\u00a0e! Mijan\u00f2na any androany alina, dia hosasana koa ny tongotrareo. Afaka mifoha maraina ianareo rahampitso dia manohy ny dianareo.\u201d Hoy anefa izy ireo: \u201cAoka izao fa hatory eo amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na izahay.\u201d",
        "3": "Nisisika ihany anefa i Lota, ka niaraka taminy nankany an-tranony izy ireo. Ary nanao sakafo be ho azy ireo izy, sady nanao mofo tsy misy lalivay. Dia nihinana izy ireo.",
        "4": "Raha mbola tsy natory anefa izy ireo, dia nitangorona nanodidina an\u2019ilay trano ny lehilahy rehetra tao an-tan\u00e0nan\u2019i Sodoma, hatramin\u2019ny ankizilahikely ka hatramin\u2019ny lahiantitra, ka nila ady tamin\u2019izy ireo.",
        "5": "Ary nitabataba tamin\u2019i Lota foana izy ireo hoe: \u201cAiza ireny lehilahy tonga tato aminao androany alina ireny? Avoahy at\u1ef3 aminay ireny hanaovanay firaisana.\u201d",
        "6": "Dia nivoaka nankeo amin\u2019izy ireo teo am-baravarana i Lota sady nohidiany ny varavarana.",
        "7": "Ary hoy izy: \u201cMiangavy anareo re aho, ry rahalahiko, mba aza manao ratsy re\u00a0e!",
        "8": "Manan-janaka roa vavy aho ato. Mbola tsy nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy mihitsy izy roa vavy. Aleo re izy mirahavavy no havoakako eto aminareo\u00a0e! Dia ataovy aminy izay hitanareo fa mety. Fa aza atao na inona na inona ireo lehilahy ireo, satria vahiny ato an-tranoko.\u201d",
        "9": "Dia hoy ireo: \u201cMial\u00e0 teo ialahy\u00a0e!\u201d Hoy koa ireo: \u201cVahiny manirery at\u1ef3 an-tanin\u2019olona at\u1ef3 ilay rangahy io, nefa miseho mitsaratsara antsika! Mbola ho ratsy kokoa noho ny hataonay amin-dry zareo no hataonay amin\u2019ialahy!\u201d Dia nanosika mafy an\u2019i Lota izy ireo ka nisesika hamaky ny varavarana.",
        "10": "Navoakan\u2019izy roa lahy \u00e0ry ny tanany ka nosintoniny hankao aminy tao an-trano i Lota, dia nohidiany ny varavarana.",
        "11": "Ireo lehilahy teo am-baravarana kosa nataony jamba, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra, ka reraka fotsiny izy ireo nitady fa tsy hitany mihitsy ny varavarana.",
        "12": "Dia hoy izy roa lahy tamin\u2019i Lota: \u201cMbola misy havanao ve eto? Ento miala eto amin\u2019ity tan\u00e0na ity izay havanao eto, na ny vinantolahinao izany na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy!",
        "13": "Fa handeha handrava an\u2019ity toerana ity izahay, satria efa be loatra ny fitarainana momba azy tonga eo anatrehan\u2019i Jehovah. Dia nirahin\u2019i Jehovah handrava an\u2019ity tan\u00e0na ity izahay.\u201d",
        "14": "Dia lasa i Lota niresaka tamin\u2019ireo vinantolahiny izay efa hanambady ny zanany vavy. Dia hoy foana izy hoe: \u201cAndao haingana hiala eto amin\u2019ity toerana ity, fa horavan\u2019i Jehovah ity tan\u00e0na ity!\u201d Noheverin\u2019ny vinantolahiny fa nivazivazy anefa izy.",
        "15": "Rehefa nazava ratsy ny andro, dia nododosin\u2019ireo anjely i Lota, ka hoy izy ireo: \u201cEnto haingana ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy ireo, sao ho faty ianao rehefa ravana ity tan\u00e0na ity noho ny fahadisoany!\u201d",
        "16": "Mbola nitaraikiraiky teo anefa i Lota, ka nosintonin\u2019izy roa lahy tamin\u2019ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy. Nangoraka azy mantsy i Jehovah. Dia naterin\u2019izy roa lahy teo ivelan\u2019ny tan\u00e0na izy.",
        "17": "Vao tongan\u2019izy roa lahy teo an-tsisin\u2019ny tan\u00e0na izy ireo, dia hoy ny iray tamin\u2019izy roa lahy: \u201cMandosira, dia amin\u2019izay ho voavonjy ny ainao! Aza mitodika any aoriana, ary aza mijanona na aiza na aiza et\u1ef3 amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana! Mandosira any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, sao ho faty ianao!\u201d",
        "18": "Dia hoy i Lota tamin\u2019izy ireo: \u201cAleo re izaho tsy ho any, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "19": "Azafady re\u00a0e! Efa mba nankasitrahanao ihany ny mpanomponao, sady tena tsara fanahy amiko ianao ka namonjy ny aiko. Tsy vitako anefa ny mandositra mankeny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, satria matahotra aho sao ho tratran\u2019ny loza dia ho faty.",
        "20": "Azafady re\u00a0e! Mba akaikikaiky ir\u1ef3 tan\u00e0na ir\u1ef3, ka vitako ny mandositra mankeny. Toerana kely koa io. Mahazo mandositra eny ve aho, azafady? Tan\u00e0na kely ange io\u00a0e! Dia amin\u2019izay aho tsy ho faty.\u201d",
        "21": "Dia hoy izy taminy: \u201cEny \u00e0ry! Noho ianao dia tsy horavako io tan\u00e0na resahinao io.",
        "22": "Mandehana haingana mandositra ao, fa tsy afaka manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao!\u201d Izany no nahatonga azy hiantso an\u2019ilay tan\u00e0na hoe Zoara.",
        "23": "Efa niposaka teo amin\u2019ilay faritra ny masoandro, rehefa tonga tao Zoara i Lota.",
        "24": "Avy eo dia nandefa solifara sy afo i Jehovah, ka nalatsany toy ny orana teo amin\u2019i Sodoma sy Gomora ilay izy. Avy tamin\u2019i Jehovah avy any an-danitra izany.",
        "25": "Dia noravany ireo tan\u00e0na ireo, izany hoe ny faritr\u2019i Jordana manontolo. Naripany koa ny mponina rehetra tao amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo sy ny zavamaniry tao.",
        "26": "Niherika anefa ny vadin\u2019i Lota tao aorianany, ka lasa vongan-tsira mitsangana.",
        "27": "Ary nifoha maraina i Abrahama, ka nankeny amin\u2019ilay toerana nijoroany teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "28": "Dia nitazana an\u2019i Sodoma sy Gomora ary ilay faritr\u2019i Jordana manontolo izy, ka nahita setroka be niakatra avy teo amin\u2019ilay tany, toy ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky.",
        "29": "Rehefa nandrava an\u2019ireo tan\u00e0na teo amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana ireo \u00e0ry Andriamanitra, dia tsy hadinony i Abrahama, ka nentiny nivoaka avy tao amin\u2019ireo tan\u00e0na noravany i Lota, tao amin\u2019ny tan\u00e0na nipetrahany.",
        "30": "Taorian\u2019izany dia niakatra avy tao Zoara i Lota, niaraka tamin\u2019ny zanany roa vavy, dia nipetraka teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra. Natahotra ny hipetraka tao Zoara mantsy izy. Koa nipetraka tao anaty lava-bato izy sy ny zanany roa vavy.",
        "31": "Ary hoy ny vavimatoa tamin\u2019ny zandriny: \u201cEfa antitra ity i Dada, nefa tsy misy lehilahy hanao firaisana amintsika hoatran\u2019ny fanaon\u2019ny olona, eto amin\u2019ity faritra ity.",
        "32": "Andao hampisotrointsika divay ny raintsika, dia andao isika hanao firaisana aminy, mba tsy ho lany taranaka izy.\u201d",
        "33": "Koa nampisotroin\u2019izy mirahavavy divay ny rainy, tamin\u2019iny alina iny. Dia niditra ny vavimatoa ka nanao firaisana tamin\u2019ny rainy, nefa tsy fantatry ny rainy akory hoe natory teo aminy ilay zanany dia avy eo lasa.",
        "34": "Ny ampitson\u2019iny indray, dia hoy ny vavimatoa tamin\u2019ny zandriny: \u201cEfa nanao firaisana tamin\u2019i Dada aho halina. Andao hampisotrointsika divay indray izy androany alina. Dia midira ianao ka manaova firaisana aminy, mba tsy ho lany taranaka ny raintsika.\u201d",
        "35": "Koa nampisotroin\u2019izy mirahavavy divay imbetsaka indray ny rainy, tamin\u2019iny alina iny. Dia lasa ilay zandriny nanao firaisana tamin\u2019ny rainy, nefa tsy fantatry ny rainy akory hoe natory teo aminy ilay zanany dia niala teo rehefa nifoha.",
        "36": "Dia samy bevohokan\u2019i Lota ny zanany roa vavy.",
        "37": "Tera-dahy ilay vavimatoa, ka nataony hoe Moaba ny anarany. Izy io no rain\u2019ireo Moabita amin\u2019izao andro izao ireo.",
        "38": "Tera-dahy koa ilay zandriny, ka nataony hoe Ben-amy ny anarany. Izy io no rain\u2019ireo Amonita amin\u2019izao andro izao ireo."
    },
    "20": {
        "1": "Ary niala teo i Abrahama ka nifindra toby nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Negeba. Dia nipetraka teo anelanelan\u2019i Kadesy sy Sora izy. Tamin\u2019izy nipetraka tao Gerara,",
        "2": "dia niteny foana i Abrahama hoe anabaviny i Saraha vadiny. Naniraka olona haka an\u2019i Saraha \u00e0ry i Abimeleka mpanjakan\u2019i Gerara.",
        "3": "Indray alina dia niteny tamin\u2019i Abimeleka tao amin\u2019ny nofy Andriamanitra hoe: \u201cHo faty ianao fa naka an\u2019io vehivavy io. Vadin\u2019olona mantsy izy.\u201d",
        "4": "Mbola tsy nanao firaisana tamin\u2019i Saraha anefa i Abimeleka. Dia hoy izy: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, firenena tsy manan-tsiny ve dia hovonoinao?",
        "5": "Angaha moa tsy ilay lehilahy ihany no niteny tamiko hoe: \u2018Anabaviko izy\u2019? Ary angaha tsy ilay vehivavy koa no niteny hoe: \u2018Anadahiko izy\u2019? Tamin\u2019ny fo madio no nanaovako an\u2019izao, sady tsy fantatro hoe tsy nety ny nataoko.\u201d",
        "6": "Dia niteny taminy tao amin\u2019ny nofy Andriamanitra hoe: \u201cFantatro fa tamin\u2019ny fo madio no nanaovanao an\u2019izao, ka nosakanako tsy hanota amiko ianao. Izany no antony tsy namelako anao hikasika azy.",
        "7": "Avereno \u00e0ry ny vadin\u2019io lehilahy io, satria mpaminany izy. Dia hitalaho ho anao izy mba tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao ilay vehivavy, dia fantaro fa tena ho faty ianao sy ny ankohonanao manontolo.\u201d",
        "8": "Ary nifoha maraina i Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra, dia nitantara an\u2019izany rehetra izany tamin\u2019izy ireo. Dia natahotra be izy ireo.",
        "9": "Niantso an\u2019i Abrahama i Abimeleka avy eo, ka niteny taminy hoe: \u201cFa inona ity nataonao taminay? Ary inona no fahotana nataoko taminao no dia nahatonga an\u2019izao loza lehibe izao tamiko sy ny fanjakako ianao? Tsy mety mihitsy izao nataonao tamiko izao.\u201d",
        "10": "Hoy koa i Abimeleka tamin\u2019i Abrahama: \u201cFa inona no antony nanaovanao an\u2019izao zavatra izao?\u201d",
        "11": "Dia hoy i Abrahama: \u201cNieritreritra aho hoe: \u2018Tena tsy matahotra an\u2019Andriamanitra ny olona eto amin\u2019ity toerana ity, ka hovonoiny ho faty aho dia halainy ny vadiko.\u2019",
        "12": "Fa izy aloha tena anabaviko\u00a0e! Zanaky ny raiko mantsy izy fa tsy zanaky ny reniko, ary lasa vadiko.",
        "13": "Dia rehefa nasain\u2019Andriamanitra niala tao amin\u2019ny ankohonan-draiko aho ka nifindrafindra teny, dia hoy aho tamin\u2019ny vadiko: \u2018Mba ataovy izao raha tena tia ahy ianao: Any amin\u2019izay toerana rehetra halehantsika, dia lazao hoe anadahinao aho.\u2019\u201d",
        "14": "Dia naka ondry sy omby sy mpanompolahy ary mpanompovavy i Abimeleka, ka nomeny an\u2019i Abrahama. Naveriny taminy koa i Saraha vadiny.",
        "15": "Hoy koa i Abimeleka: \u201cTaniko daholo ireo hitanao ireo. Afaka mipetraka any amin\u2019izay tianao hipetrahana ianao.\u201d",
        "16": "Hoy koa izy tamin\u2019i Saraha: \u201cOmeko volafotsy 1\u00a0000 sekely ny anadahinao. Iny no porofo hoe tsy manan-tsiny ianao eo anatrehan\u2019ireo olona rehetra miaraka aminao ireo sy eo imason\u2019ny olona rehetra. Dia tsy hisy ho afaka hanome tsiny anao.\u201d",
        "17": "Dia nitalaho tamin\u2019Andriamanitra i Abrahama, ka nositranin\u2019Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny, dia afaka niteraka indray izy ireo.",
        "18": "Efa nataon\u2019i Jehovah tsy niteraka mantsy ny vehivavy rehetra tao an-tranon\u2019i Abimeleka, satria nalain\u2019i Abimeleka i Saraha vadin\u2019i Abrahama."
    },
    "21": {
        "1": "Ary nahatsiaro an\u2019i Saraha i Jehovah, araka izay efa nolazainy, ka notanterahin\u2019i Jehovah taminy izay nampanantenainy.",
        "2": "Dia bevohoka i Saraha ka nitera-dahy tamin\u2019i Abrahama, tamin\u2019ilay fotoana nampanantenain\u2019Andriamanitra azy mihitsy. Efa antitra i Abrahama tamin\u2019izay.",
        "3": "Dia nataon\u2019i Abrahama hoe Isaka ny anaran\u2019ilay zanany naterak\u2019i Saraha taminy.",
        "4": "Ary noforan\u2019i Abrahama i Isaka zanany rehefa feno valo andro, araka izay efa nandidian\u2019Andriamanitra azy.",
        "5": "Efa 100\u00a0taona i Abrahama rehefa teraka i Isaka zanany.",
        "6": "Dia hoy i Saraha: \u201cNataon\u2019Andriamanitra nihomehy aho, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra maheno an\u2019izany.\u201d",
        "7": "Hoy koa izy: \u201cIza moa no nanampo fa hisy hiteny amin\u2019i Abrahama hoe: \u2018Hitaiza zaza i Saraha\u2019? Nitera-dahy taminy ihany anefa aho, amin\u2019izao izy efa antitra izao.\u201d",
        "8": "Ary nihalehibe ilay zaza ka nosarahi-nono. Dia nanomana fety be i Abrahama tamin\u2019ny andro nampisaraha-nono an\u2019i Isaka.",
        "9": "Tsikaritr\u2019i Saraha anefa fa naneso an\u2019i Isaka foana ny zanakalahin\u2019i Hagara Ejipsianina, ilay naterany tamin\u2019i Abrahama.",
        "10": "Hoy \u00e0ry i Saraha tamin\u2019i Abrahama: \u201cRoahy any io mpanompovavy io sy ny zanany! Fa tsy hiray lova amin\u2019i Isaka zanako ny zanak\u2019io mpanompovavy io!\u201d",
        "11": "Tena nahasosotra an\u2019i Abrahama anefa izany teniny momba an\u2019i Ismaela zanany izany.",
        "12": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Abrahama: \u201cAza atao mahasosotra anao ny tenin\u2019i Saraha taminao momba an\u2019ilay zanakao sy ny mpanompovavinao. Henoy izy, satria ho avy amin\u2019i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.",
        "13": "Fa ilay zanaky ny mpanompovavinao indray hataoko lasa firenena. Zanakao mantsy izy.\u201d",
        "14": "Nifoha maraina \u00e0ry i Abrahama, ka naka mofo sy siny hoditra feno rano. Dia nomeny an\u2019i Hagara izany, ka napetrany teo an-tsorony. Ary nalefany nandeha izy sy ilay zanany. Dia lasa i Hagara, ka nirenireny tany an-tany efitr\u2019i Beri-sheba.",
        "15": "Tamin\u2019ny farany, dia lany ny rano tao amin\u2019ilay siny hoditra. Dia navelany teo ambanin\u2019ny hazo ivaiva iray ilay zanany.",
        "16": "Ary lasa izy nipetraka irery ter\u1ef3 lavidavitra ter\u1ef3, teny amin\u2019ny toerana tokony ho tratran\u2019ny zana-tsip\u00ecka. Hoy mantsy izy: \u201cTsy te hahita ny hahafatesan\u2019ny zanako aho.\u201d Koa nipetraka teny lavidavitra izy, dia nigogogogo nitomany.",
        "17": "Ary henon\u2019Andriamanitra ny feon\u2019ilay ankizilahy. Dia niantso an\u2019i Hagara avy any an-danitra ny anjelin\u2019Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: \u201cFa maninona ianao, ry Hagara? Aza matahotra fa efa henon\u2019Andriamanitra ny feon\u2019ny zanakao.",
        "18": "Mitsang\u00e0na dia areno ny zanakao ka taz\u00f2ny, fa hataoko lasa firenena lehibe izy.\u201d",
        "19": "Dia nataon\u2019Andriamanitra nahita lavadrano i Hagara. Ary lasa nankeny izy ka nofenoiny rano ilay siny hoditra. Dia nampisotroiny rano ilay zanany.",
        "20": "Ary nokarakarain\u2019Andriamanitra ilay ankizilahy mandra-pahalehibeny. Dia nipetraka tany an-tany efitra izy, ary lasa mpandefa zana-tsip\u00ecka.",
        "21": "Nipetraka tany an-tany efitr\u2019i Parana izy, ary nakan\u2019ny reniny vady avy any Ejipta.",
        "22": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia hoy i Abimeleka sy Pikola lehiben\u2019ny tafiny tamin\u2019i Abrahama: \u201cHitanay fa tahin\u2019 Andriamanitra ianao amin\u2019izay rehetra ataonao.",
        "23": "Koa manaova fianianana amiko eto anatrehan\u2019Andriamanitra hoe tsy hanisy ratsy ahy sy ny zanako ary ny taranako ianao. Manaova koa fianianana hoe ho tsara fanahy amiko sy amin\u2019ny mponin\u2019ity tany ipetrahanao ity ianao, hoatran\u2019ny nataoko taminao.\u201d",
        "24": "Dia hoy i Abrahama: \u201cMianiana aho fa hanao an\u2019izany.\u201d",
        "25": "Nitaraina tamin\u2019i Abimeleka anefa i Abrahama, satria nisy lavadrano nalain\u2019ny mpanompon\u2019i Abimeleka an-keriny.",
        "26": "Dia hoy i Abimeleka: \u201cTsy fantatro izay nanao an\u2019izany, sady ianao koa mbola tsy niteny an\u2019izany tamiko. Androany mihitsy aho vao naheno an\u2019izany.\u201d",
        "27": "Ary naka ondry sy omby i Abrahama ka nomeny an\u2019i Abimeleka. Dia nanao fifanekena izy roa lahy.",
        "28": "Ary nanokana ondrivavy kely fito avy tamin\u2019ny andian\u2019ondry i Abrahama.",
        "29": "Dia hoy i Abimeleka taminy: \u201cFa maninona no natokanao eto ireo ondrivavy kely fito ireo?\u201d",
        "30": "Dia hoy izy: \u201cAvy amiko ireo ondrivavy kely fito ireo, ka mba raiso ho vavolombelona fa izaho no nandavaka an\u2019ity lavadrano ity.\u201d",
        "31": "Izany no nahatonga azy hiantso an\u2019ilay toerana hoe Beri-sheba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.",
        "32": "Nanao fifanekena tao Beri-sheba \u00e0ry izy ireo. Dia niainga i Abimeleka sy Pikola lehiben\u2019ny tafiny, ka niverina tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina.",
        "33": "Taorian\u2019izay dia namboly hazo tamariska tao Beri-sheba i Abrahama, ary tao izy no niantso ny anaran\u2019i Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay.",
        "34": "Ary mbola nijanona ela be tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Filistinina i Abrahama."
    },
    "22": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia nizaha toetra an\u2019i Abrahama Andriamanitra, ka niteny hoe: \u201cAbrahama!\u201d Dia hoy izy: \u201cInt\u1ef3\u00a0aho, tompoko!\u201d",
        "2": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cEnto, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao tena tianao, ka mankanesa any amin\u2019ny tany Moria. Dia atolory ho fanatitra dorana izy rehefa any, eo amin\u2019ny tendrombohitra iray holazaiko anao.\u201d",
        "3": "Dia nifoha maraina i Abrahama ka nasiany lasely ny ampondrany. Dia nentiny niaraka taminy ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany. Namaky kitay ho an\u2019ny fanatitra dorana izy, dia lasa nankany amin\u2019ilay toerana natoron\u2019Andriamanitra azy.",
        "4": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia nitazana i Abrahama ka nahita an\u2019ilay toerana avy lavitra.",
        "5": "Dia hoy i Abrahama tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMijan\u00f2na eto ianareo sy ny ampondra, fa izahay mianaka handeha ho er\u1ef3, mba hiankohoka eo anatrehan\u2019 Andriamanitra. Hiverina eto aminareo ihany izahay avy eo.\u201d",
        "6": "Dia nalain\u2019i Abrahama ny kitay ho an\u2019ny fanatitra dorana, ka nataony teo amin\u2019ny sorok\u2019i Isaka zanany. Ary nentin\u2019i Abrahama ny afo sy ny antsibe, ka\u00a0niara-nandeha izy mianaka.",
        "7": "Ary hoy i Isaka tamin\u2019i Abrahama rainy: \u201cDada\u00a0\u00f4!\u201d Dia hoy izy: \u201cAhoana, anaka?\u201d Ary hoy i Isaka: \u201cEfa ireto ny afo sy ny kitay, fa aiza izay ondry hatao fanatitra dorana?\u201d",
        "8": "Dia hoy i Abrahama: \u201cAndriamanitra ihany, anaka, no hanome ny ondry hatao fanatitra dorana.\u201d Ary nanohy ny diany izy mianaka.",
        "9": "Farany dia tonga teo amin\u2019ilay toerana natoron\u2019Andriamanitra an\u2019i Abrahama izy mianaka. Dia nanorina alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay teo ambonin\u2019ilay izy. Avy eo dia nofatorany ny tongotra aman-tanan\u2019i Isaka zanany. Dia nataony teo ambonin\u2019ilay alitara izy, teo ambonin\u2019ny kitay.",
        "10": "Ary nalain\u2019i Abrahama ilay antsibe, ka handeha hovonoiny ilay zanany.",
        "11": "Nisy anjelin\u2019i Jehovah anefa niantso azy avy any an-danitra, hoe: \u201cAbrahama! Abrahama!\u201d Dia hoy izy: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko!\u201d",
        "12": "Ary hoy ilay anjely: \u201cAza vonoina ny zanakao, ary aza atao na inona na inona mihitsy. Fa fantatro amin\u2019izay izao fa matahotra an\u2019Andriamanitra ianao, satria nafoinao ho ahy ny zanakao, ilay lahitokanao.\u201d",
        "13": "Tamin\u2019izay dia nijery i Abrahama ka nahita ondrilahy tsy dia lavitra teo. Voasaringotry ny kirihitrala ny tandrok\u2019ilay ondry. Dia nalain\u2019i Abrahama ilay ondry, ka natolony ho fanatitra dorana ho solon\u2019ilay zanany.",
        "14": "Koa nataon\u2019i Abrahama hoe Jehovah-jire ny anaran\u2019ilay toerana. Izany no nahatonga an\u2019ilay fitenin\u2019ny olona hatramin\u2019izao hoe: \u201cAny an-tendrombohitr\u2019i Jehovah no hanomezana an\u2019izany.\u201d",
        "15": "Ary niantso an\u2019i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ilay anjelin\u2019i Jehovah,",
        "16": "hoe: \u201c\u2018Mianiana amin\u2019ny tenako aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018fa noho ianao nanao an\u2019izao ka nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao,",
        "17": "dia tena hotahiko ianao ka tena hataoko lasa be dia be ny taranakao, hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina. Ho lasan\u2019ny taranakao koa ny vavahadin\u2019ny fahavalony.",
        "18": "Ary hahazo fitahiana amin\u2019ny alalan\u2019ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany, satria nihaino ny teniko ianao.\u2019\u201d",
        "19": "Taorian\u2019izay dia niverina nankeny amin\u2019ny mpanompony i Abrahama. Dia lasa izy ireo niara-niverina tany Beri-sheba. Ary tsy niala tao Beri-sheba i Abrahama fa mbola nipetraka tao.",
        "20": "Taorian\u2019izany, dia nisy nilaza tamin\u2019i Abrahama hoe: \u201cI Milka koa efa nitera-dahy tamin\u2019i Nahora rahalahinao,",
        "21": "dia i Oza lahimatoa, Boza rahalahiny, Kemoela rain\u2019i Arama,",
        "22": "Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidlafa, ary Betoela.\u201d",
        "23": "I Betoela niteraka an\u2019i Rebeka. Naterak\u2019i Milka tamin\u2019i Nahora, rahalahin\u2019i Abrahama, izy valo ireo.",
        "24": "Ary nanana vadikely i Nahora: Reoma no anarany. Nitera-dahy koa i Reoma, dia i Teba, Gahama, Tahasy, ary Maka."
    },
    "23": {
        "1": "Ary 127\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Saraha. Izany no taona niainany.",
        "2": "Dia maty tao Kiriata-arba i Saraha, izany hoe tao Hebrona, any Kanana. Ary nanomboka nisaona sy nitomany an\u2019i Saraha i Abrahama.",
        "3": "Niala teo amin\u2019ilay vadiny efa maty izy avy eo, ka niteny tamin\u2019ny taranak\u2019i Heta hoe:",
        "4": "\u201cVahiny sy mpiavy eto aminareo aho, ka mba omeo tany eto aminareo hataoko toeram-pandevenana. Dia ao no handevenako ny vadiko.\u201d",
        "5": "Dia namaly an\u2019i Abrahama ny taranak\u2019i Heta hoe:",
        "6": "\u201cHenoy izahay, tompoko. Voatendrin\u2019Andriamanitra ho mpiadidy eto aminay ianao, ka azonao alevina ao amin\u2019izay toeram-pandevenana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Samy vonona hanome anao ny toeram-pandevenanay daholo izahay, mba handevenanao ny vadinao.\u201d",
        "7": "Dia niankohoka teo anatrehan\u2019ny tompon-tany i Abrahama, izany hoe teo anatrehan\u2019ny taranak\u2019i Heta,",
        "8": "ka niteny hoe: \u201cRaha manaiky ianareo ka avelanareo handevina ny vadiko aho, dia mba henoy aho. Reseo lahatra i Efrona zanak\u2019i Zohara",
        "9": "mba hivarotra amiko an\u2019ilay lava-batony ao Makpela, eo amin\u2019ny sisin\u2019ny sahany. Asaivo amidiny amiko eto anatrehanareo araka izay tena vidiny ilay izy, amin\u2019izay aho mba manana tany hataoko toeram-pandevenana.\u201d",
        "10": "Ary nipetraka teo niaraka tamin\u2019ny taranak\u2019i Heta i Efrona tamin\u2019izay. Dia hoy i Efrona Hetita tamin\u2019i Abrahama, teo imason\u2019ny taranak\u2019i Heta sy izay rehetra niditra teo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na:",
        "11": "\u201cSao dia mba tsy mety izany, tompoko! Mba henoy aho. Omeko anao daholo na ilay saha na ilay lava-bato ao. Eto imason\u2019ny zanaky ny fireneko no anomezako an\u2019izany anao. Aleveno ao ny vadinao.\u201d",
        "12": "Dia niankohoka teo anatrehan\u2019ny tompon-tany i Abrahama,",
        "13": "ka niteny tamin\u2019i Efrona teo anatrehan\u2019ny olona hoe: \u201cMba henoy aho azafady! Homeko anao daholo ny volafotsy vidin\u2019ilay saha. Dia raiso ilay vola omeko mba hahafahako handevina ny vadiko ao.\u201d",
        "14": "Dia namaly an\u2019i Abrahama i Efrona hoe:",
        "15": "\u201cMba henoy aho, tompoko. Volafotsy 400\u00a0sekely no vidin\u2019io tany io, nefa tsy misy dikany izany fa aleveno ao fotsiny ny vadinao.\u201d",
        "16": "Dia neken\u2019i Abrahama ihany ny tenin\u2019i Efrona, ka nolanjainy ho an\u2019i Efrona ilay volafotsy efa nolazainy teo anatrehan\u2019ny taranak\u2019i Heta, dia volafotsy 400 sekely, araka ny lanja fampiasan\u2019ny mpivarotra.",
        "17": "Koa ny sahan\u2019i Efrona tao Makpela tandrifin\u2019i Mamre, izany hoe ilay saha sy ilay lava-bato tao ary ny hazo rehetra tao anatin\u2019ny faritr\u2019ilay saha, dia nekena ara-dal\u00e0na",
        "18": "ho fananan\u2019i Abrahama, dia fananana novidiny teo imason\u2019ny taranak\u2019i Heta, teo imason\u2019izay rehetra niditra teo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na.",
        "19": "Avy eo dia nandevina an\u2019i Saraha vadiny tao amin\u2019ilay lava-bato i Abrahama, teo amin\u2019ilay saha tao Makpela tandrifin\u2019i Mamre, izany hoe tao Hebrona, any Kanana.",
        "20": "Nafindran\u2019ny taranak\u2019i Heta tamin\u2019i Abrahama \u00e0ry ilay saha sy ilay lava-bato tao, ka lasa fananany mba hataony toeram-pandevenana."
    },
    "24": {
        "1": "Efa antitra sady efa be taona i Abrahama. Ary efa nitahy azy tamin\u2019ny zava-drehetra i Jehovah.",
        "2": "Dia hoy i Abrahama tamin\u2019ny mpanompony, ilay zokiny indrindra tao amin\u2019ny ankohonany sady niandraikitra ny fananany rehetra: \u201cMba ataovy ato ambany feko ny tananao, azafady!",
        "3": "Dia hasaiko hianiana amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao hoe tsy haka vady ho an\u2019ny zanako avy amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny Kananita eto amin\u2019ity tany ipetrahako ity.",
        "4": "Fa mandehana any amin\u2019ny taniko sy ny havako, dia any ianao no haka vady ho an\u2019i Isaka zanako.\u201d",
        "5": "Hoy anefa ilay mpanompo taminy: \u201cAhoana raha tsy te hiaraka amiko ho at\u1ef3 amin\u2019ity tany ity ilay vehivavy? Tokony hoentiko miverina any amin\u2019ilay tany niavianao ve ny zanakao?\u201d",
        "6": "Dia hoy i Abrahama taminy: \u201cTandremo sao dia entinao miverina any ny zanako.",
        "7": "Efa nalain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny lanitra avy tany amin\u2019ny ankohonan-draiko sy ny tanin\u2019ny havako mantsy aho. Izy koa efa nianiana tamiko hoe: \u2018Ny taranakao no homeko an\u2019ity tany ity.\u2019 Koa haniraka ny anjeliny eo alohanao izy, ka any ianao no haka vady ho an\u2019ny zanako.",
        "8": "Raha tsy te hiaraka aminao kosa ilay vehivavy, dia ho afaka amin\u2019izao fianianana izao ianao. Fa aza entina miverina any ny zanako.\u201d",
        "9": "Dia nataon\u2019ilay mpanompo tao ambany fen\u2019i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana an\u2019izany taminy izy.",
        "10": "Koa naka rameva folo tamin\u2019ny ramevan\u2019ny tompony ilay mpanompo, dia niainga. Ary nitondra fanomezana isan-karazany avy amin\u2019ny tompony izy. Dia lasa izy nankany Mezopotamia, ho any amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Nahora.",
        "11": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny lavadrano iray teo ivelan\u2019ny tan\u00e0na izy, dia najanony ny rameva ka nampandohalehiny teo. Efa harivariva tamin\u2019izay, tamin\u2019ny fotoana fandehanan\u2019ny vehivavy hantsaka rano.",
        "12": "Dia hoy izy: \u201cRy Jehovah, Andriamanitr\u2019i Abrahama tompoko\u00a0\u00f4! Mba tahio re ny zavatra ataoko amin\u2019ity andro anio ity\u00a0e! Dia mba asehoy hoe tia an\u2019i Abrahama tompoko ianao sady tsy mivadika aminy.",
        "13": "Eto akaikin\u2019ity loharano ity aho izao, ary mivoaka hantsaka ny zanakavavin\u2019ny olona ao an-tan\u00e0na.",
        "14": "Koa aleo re mba izao no hitranga e: Izay tovovavy teneniko hoe: \u2018Mba ampidino kely ny sininao hisotroako rano\u2019, ka mamaly hoe: \u2018Misotroa \u00e0ry! Ao fa homeko rano koa ny ramevanao\u2019, dia enga anie mba ho izy ilay fidinao ho an\u2019i Isaka mpanomponao. Dia izany no hahafantarako fa tianao ny tompoko sady tsy mivadika aminy ianao.\u201d",
        "15": "Mbola tsy tapitra akory anefa ny tenin\u2019ilay mpanompo, dia iny fa nivoaka ny tan\u00e0na i Rebeka, zanakavavin\u2019i Betoela zanakalahin\u2019i Milka, vadin\u2019i Nahora rahalahin\u2019i Abrahama. Nitondra ny sininy teny an-tsorony i Rebeka.",
        "16": "Tena tsara tarehy ilay tovovavy sady virjiny, ary mbola tsy nisy lehilahy nanao firaisana taminy. Nidina nankeo amin\u2019ilay loharano izy dia nofenoiny rano ny sininy, ary niverina niakatra izy.",
        "17": "Tonga dia nihazakazaka nitsena azy ilay mpanompo, ka niteny hoe: \u201cMba omeo rano kely avy ao anatin\u2019iny sininao iny ange aho hosotroiko\u00a0e!\u201d",
        "18": "Dia hoy ilay tovovavy: \u201cMisotroa \u00e0ry, tompoko.\u201d Dia nampidininy haingana nankeo an-tanany ny sininy, ka nomeny rano hosotroina ilay lehilahy.",
        "19": "Dia hoy ilay tovovavy rehefa avy nanome rano azy: \u201cAo fa hantsaka ho an\u2019ny ramevanao koa aho, mandra-pisotron\u2019izy rehetra.\u201d",
        "20": "Koa nararany haingana tao anaty tavin-drano fisotroan\u2019ny biby ny rano rehetra tao anaty sininy. Dia niverimberina nihazakazaka nankeo amin\u2019ilay lavadrano izy, ka nantsaka tsy an-kijanona ho an\u2019ny rameva rehetra.",
        "21": "Dia variana nandinika azy teo foana ilay lehilahy sady tsy nahateny. Gaga be izy sady lasa saina raha notahin\u2019i Jehovah ny diany na tsia.",
        "22": "Rehefa avy nisotro rano ny rameva, dia namoaka kavin\u2019orona volamena iray nilanja antsasaka sekely ilay lehilahy, sady namoaka brasele volamena roa nilanja folo sekely. Dia nomeny an\u2019ilay tovovavy ireo.",
        "23": "Ary hoy izy: \u201cFa hono ho\u2019aho, zanak\u2019iza moa ianao? Ary misy azonay atoriana ve ao an-tranon\u2019ny rainao?\u201d",
        "24": "Dia hoy ilay tovovavy: \u201cZanak\u2019i Betoela aho, dia i Betoela zanakalahin\u2019i Milka sy Nahora.\u201d",
        "25": "Hoy koa izy: \u201cManana mololo izahay, dia misy sakafom-biby betsaka sy toerana hatoriana koa ao aminay.\u201d",
        "26": "Dia niondrika sy niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah ilay lehilahy,",
        "27": "ka niteny hoe: \u201cHoderaina anie i Jehovah, Andriamanitr\u2019i Abrahama tompoko! Fa tsy nivadika tamin\u2019ny tompoko mihitsy izy sady tia azy foana. Nitana ny teniny tamin\u2019ny tompoko foana koa i Jehovah, dia nitarika ahy ho at\u1ef3 an-tranon\u2019ny rahalahin\u2019ny tompoko.\u201d",
        "28": "Dia nihazakazaka nilaza an\u2019izany tamin\u2019ny ankohonan-dreniny ilay tovovavy.",
        "29": "Ary nanana anadahy atao hoe Labana i Rebeka. Dia nihazakazaka nankeny amin\u2019ilay lehilahy teny ivelany, teo an-doharano, i Labana.",
        "30": "Hitany mantsy ny kavina teny amin\u2019ny oron\u2019ny anabaviny sy ny brasele teny an-tanany, sady efa henony ilay notantarain\u2019i Rebeka anabaviny hoe: \u201cIzany no nolazain\u2019ilay lehilahy tamiko.\u201d Dia nandeha nitsena an\u2019ilay lehilahy izy, ka io fa mbola nijoro teo akaikin\u2019ny rameva, teo an-doharano, ilay lehilahy.",
        "31": "Tonga dia niteny i Labana hoe: \u201cTena notahin\u2019i Jehovah ianao. Andao hiaraka amiko, fa maninona ianao no mijanona et\u1ef3 ivelany et\u1ef3? Izaho efa nanomana ny trano sady efa nanomana toerana hatorian\u2019ny rameva.\u201d",
        "32": "Koa niditra tao an-trano ilay lehilahy. Dia novahany ny entana teo amin\u2019ny rameva, ka nomeny mololo sy sakafo ny rameva. Nomeny rano koa ilay lehilahy sy ny olona niaraka taminy mba hanasany tongotra.",
        "33": "Dia naroso teo amin\u2019ilay lehilahy ny sakafo, nefa hoy izy: \u201cTsy hihinana aho aloha raha tsy efa voalazako ny anton-diako.\u201d Dia hoy i Labana: \u201cLazao \u00e0ry!\u201d",
        "34": "Ary hoy ilay lehilahy:\u00a0\u201cMpanompon\u2019i Abrahama aho.",
        "35": "Efa nomen\u2019i Jehovah fitahiana be dia be ny tompoko, ary efa nataony nanan-karena be, ka nomeny ondry sy omby, volafotsy sy volamena, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva sy ampondra.",
        "36": "I Saraha vadiny koa efa nitera-dahy tamin\u2019ny tompoko, na efa antitra aza. Dia homen\u2019ny tompoko an\u2019io zanany io izay rehetra ananany.",
        "37": "Nasain\u2019ny tompoko nianiana \u00e0ry aho. Dia hoy izy: \u2018Aza maka vady ho an\u2019ny zanako avy amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny Kananita tompon\u2019ity tany ipetrahako ity.",
        "38": "Fa mandehana any amin\u2019ny ankohonan-draiko sy ny fianakaviako, dia any ianao no haka vady ho an\u2019ny zanako.\u2019",
        "39": "Hoy anefa aho tamin\u2019ny tompoko: \u2018Dia ahoana raha tsy te hiaraka amiko ilay vehivavy?\u2019",
        "40": "Dia hoy izy tamiko: \u2018I Jehovah ilay tompoiko no haniraka ny anjeliny hanampy anao, ka hitahy ny dianao. Dia any amin\u2019ny fianakaviako sy ny ankohonan-draiko ianao no haka vady ho an\u2019ny zanako.",
        "41": "Rehefa tonga any amin\u2019ny fianakaviako anefa ianao ka tsy homeny anao ilay vehivavy, dia tsy ho voafatotr\u2019ilay fianianana nataonao tamiko ianao. Tsy ho voafatotr\u2019ilay fianianana nataonao intsony ianao amin\u2019izay.\u2019",
        "42": "\u201cRehefa tonga teo an-doharano aho androany, dia hoy aho: \u2018Ry Jehovah, Andriamanitr\u2019i Abrahama tompoko\u00a0\u00f4, raha tahinao ny diako,",
        "43": "dia enga anie ka izao no hitranga: Mijoro eto an-doharano aho izao, ka rehefa misy tovovavy mivoaka hantsaka, dia hilazako hoe: \u201cMba avelao re aho hisotro rano kely avy amin\u2019iny sininao iny\u00a0e!\u201d",
        "44": "Dia hiteny amiko izy hoe: \u201cMisotroa \u00e0ry! Ao koa fa hantsaka ho an\u2019ny ramevanao aho.\u201d Dia enga anie ka izay vehivavy izay ilay nofidin\u2019i Jehovah ho an\u2019ny zanaky ny tompoko!\u2019",
        "45": "\u201cRaha mbola niteny an\u2019izany anakampo aho, dia iny fa nivoaka ny tan\u00e0na i Rebeka nitondra ny sininy teny an-tsorony. Nidina nankeo an-doharano izy ka nantsaka. Dia hoy aho taminy: \u2018Mba omeo rano kely re aho hosotroiko\u00a0e!\u2019",
        "46": "Dia nampidininy haingana avy teny an-tsorony ny sininy, ka hoy izy: \u2018Misotroa \u00e0ry! Dia ao koa homeko rano ny ramevanao.\u2019 Koa nisotro aho, dia nomeny rano koa ny rameva.",
        "47": "Nanontaniako izy avy eo hoe: \u2018Fa zanak\u2019iza moa ianao?\u2019 Dia hoy izy: \u2018Zanak\u2019i Betoela aho, dia i Betoela zanakalahin\u2019i Nahora sy Milka.\u2019 Dia nataoko teo amin\u2019ny orony ilay kavin\u2019orona, ary teo amin\u2019ny tanany ireo brasele.",
        "48": "Dia niondrika sy niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah aho, ka nidera an\u2019i Jehovah, Andriamanitr\u2019i Abrahama tompoko. Fa notarihiny tamin\u2019ny lalana tokony halehako aho, mba hahita ny zanakavavin\u2019ny rahalahin\u2019ny tompoko ka haka azy ho an\u2019ilay zanany.",
        "49": "Koa mba lazao ahy raha tianareo haseho amin\u2019ny tompoko hoe tsy mivadika aminy ianareo sady tia azy foana, ary mitana ny teninareo aminy. Fa raha tsy izany kosa dia lazao ahy, mba hahafantarako an\u2019izay tokony hataoko.\u201d",
        "50": "Dia hoy i Labana sy Betoela: \u201cAvy amin\u2019i Jehovah izao zavatra izao. Tsy afaka milaza aminao izahay hoe eny na tsia.",
        "51": "Io eo anatrehanao io i Rebeka. Ento izy ka mandehana, dia ho lasa vadin\u2019ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain\u2019i Jehovah.\u201d",
        "52": "Raha vao henon\u2019ilay mpanompon\u2019i Abrahama izany tenin\u2019izy ireo izany, dia niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019i Jehovah izy.",
        "53": "Dia namoaka zavatra vita tamin\u2019ny volafotsy sy volamena ilay mpanompo sady namoaka akanjo, ka nomeny an\u2019i Rebeka izany. Nomeny zava-tsarobidy koa ny anadahiny sy ny reniny.",
        "54": "Taorian\u2019izay dia nihinana sy nisotro izy sy ny olona niaraka taminy. Dia natory tao izy ireo. Rehefa nifoha ilay lehilahy ny ampitson\u2019iny, dia niteny hoe: \u201cAvelao aho hiverina any amin\u2019ny tompoko.\u201d",
        "55": "Dia hoy ny anadahin\u2019i Rebeka sy ny reniny: \u201cAleo i Rebeka mba hijanona eto aminay folo andro, fara fahakeliny, dia afaka mandeha izy avy eo.\u201d",
        "56": "Hoy anefa ilay lehilahy: \u201cAza sakananareo tsy handeha aho, fa efa notahin\u2019i Jehovah ny diako. Alefaso ho any amin\u2019ny tompoko aho.\u201d",
        "57": "Hoy \u00e0ry izy ireo: \u201cAndao hantsoina i Rebeka dia hanontaniantsika ny heviny.\u201d",
        "58": "Dia nantsoin\u2019izy ireo i Rebeka ka nanontaniany hoe: \u201cHandeha hiaraka amin\u2019io lehilahy io ve ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cIe, vonona handeha aho!\u201d",
        "59": "Koa nalefan\u2019izy ireo i Rebeka anabaviny, sy ilay vehivavy nampinono azy taloha, ary ilay mpanompon\u2019i Abrahama sy ny olona niaraka taminy.",
        "60": "Ary nitso-drano an\u2019i Rebeka izy ireo hoe: \u201cRy anabavinay\u00a0\u00f4, enga anie ianao hanan-janaka be dia be, ary enga anie ho azon\u2019ny taranakao ny vavahadin\u2019izay mankahala azy!\u201d",
        "61": "Dia niainga i Rebeka sy ireo mpanompovaviny, ka nitaingina rameva ary nanaraka an\u2019ilay lehilahy. Nitondra an\u2019i Rebeka \u00e0ry ilay mpanompo dia lasa.",
        "62": "Ary avy tany amin\u2019ny lalana mankany Bera-lahai-roy i Isaka, satria nipetraka tao amin\u2019ny faritr\u2019i Negeba izy.",
        "63": "Dia nivoaka nandehandeha tany an-tsaha izy mba hisaintsaina, rehefa ho alina ny andro. Rehefa nitazana izy, dia hitany hoe ireny nisy rameva nanatona!",
        "64": "Nitazana koa i Rebeka ka nahita an\u2019i Isaka, dia nidina haingana avy teo amin\u2019ny rameva.",
        "65": "Ary hoy izy tamin\u2019ilay mpanompo: \u201cFa iza iny lehilahy mandeha eny an-tsaha mitsena antsika iny?\u201d Dia hoy ilay mpanompo: \u201cNy tompoko iny.\u201d Koa nalain\u2019i Rebeka ny saron-dohany ka nosaronany ny lohany.",
        "66": "Ary notantarain\u2019ilay mpanompo tamin\u2019i Isaka daholo ny zava-drehetra nataony.",
        "67": "Dia nentin\u2019i Isaka nankao an-tranolain\u2019i Saraha reniny i Rebeka, ka nalainy ho vady. Koa lasa tia an\u2019i Rebeka i Isaka, ka nionona tamin\u2019ny nahafatesan-dreniny."
    },
    "25": {
        "1": "Ary nanambady indray i Abrahama. Ketora no anaran\u2019ilay vadiny.",
        "2": "Ireto avy no naterany tamin\u2019i Abrahama, rehefa nandeha ny fotoana: Zimrana, Joksana, Medana, Midianina, Jisbaka, ary Soaha.",
        "3": "Ary niteraka an\u2019i Sheba sy Dedana i Joksana. Ny zanakalahin\u2019i Dedana dia i Asorima sy Letosima ary Leomima.",
        "4": "Ny zanakalahin\u2019i Midianina dia i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak\u2019i Ketora.",
        "5": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nomen\u2019i Abrahama an\u2019i Isaka ny fananany rehetra.",
        "6": "Fanomezana kosa no nomeny an\u2019ireo zanany lahy hafa naterak\u2019ireo vadikeliny. Mbola velona koa izy, dia efa nasainy nankany Atsinanana ireo, mba hipetraka lavitra an\u2019i Isaka zanany.",
        "7": "Ary 175\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Abrahama.",
        "8": "Dia niala aina izy ka maty, rehefa ela velona sady efa antitra sy afa-po tamin\u2019ny fiainana. Ary nangonina any amin\u2019ny razambeny izy.",
        "9": "Dia nandevina azy tao amin\u2019ny lava-bato tao Makpela ireo zanany roa lahy, Isaka sy Ismaela, tao amin\u2019ny sahan\u2019i Efrona zanak\u2019i Zohara Hetita. Io ilay saha tandrifin\u2019i Mamre,",
        "10": "izay novidin\u2019i Abrahama tamin\u2019ny taranak\u2019i Heta. Tao no nandevenana an\u2019i Abrahama sy Saraha vadiny.",
        "11": "Taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Abrahama, dia mbola nitahy foana an\u2019i Isaka zanany Andriamanitra. Ary nipetraka teny akaikin\u2019i Bera-lahai-roy i Isaka.",
        "12": "Izao no tantaran\u2019i Ismaela zanakalahin\u2019i Abrahama, izay naterak\u2019i Hagara Ejipsianina, mpanompovavin\u2019i Saraha:",
        "13": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Ismaela, araka ny anarany avy sy araka ny fianakaviana nipoirany: I Nebaiota no lahimatoan\u2019i Ismaela, ary nanarakaraka azy i Kedara, Adbela, Mibsama,",
        "14": "Misma, Doma, Masa,",
        "15": "Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedema.",
        "16": "Ireo no zanakalahin\u2019i Ismaela, ary ireo no anarany araka ny tan\u00e0nany avy sy ny tobiny, izany hoe mpiadidy 12, araka ny fokony avy.",
        "17": "Ary velona 137\u00a0taona i Ismaela, dia niala aina ka maty. Ary nangonina any amin\u2019ny razambeny izy.",
        "18": "Nipetraka hatrany Havila teny akaikin\u2019i Sora, tany akaikin\u2019i Ejipta, ka hatrany Asyria ny taranany. Nipetraka teny akaikin\u2019ny rahalahiny rehetra izy ireo.",
        "19": "Ary izao no tantaran\u2019i Isaka zanakalahin\u2019i Abrahama: I Abrahama niteraka an\u2019i Isaka.",
        "20": "Ary 40\u00a0taona i Isaka tamin\u2019izy nanambady an\u2019i Rebeka, zanakavavin\u2019i Betoela Aramianina avy any Padana-arama, sady anabavin\u2019i Labana Aramianina.",
        "21": "Nitalaho foana tamin\u2019i Jehovah ho an\u2019ny vadiny i Isaka, satria momba ilay vadiny. Dia nohenoin\u2019i Jehovah ny fitalahoany, ka bevohoka i Rebeka.",
        "22": "Ary niady ireo zaza tao an-kibony. Dia hoy i Rebeka: \u201cRaha hijaly hoatr\u2019izao aho, dia maninona \u00e0ry aho no mbola velona ihany?\u201d Koa nanontany an\u2019i Jehovah izy.",
        "23": "Dia hoy i Jehovah taminy: \u201cFirenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no hisaraka avy ao anatinao. Ny vahoaka iray dia hatanjaka noho ny iray, ary ny zokiny hanompo ny zandriny.\u201d",
        "24": "Rehefa tonga ny fotoana tokony hiterahany, dia kambana tokoa no tao an-kibony!",
        "25": "Dia nivoaka ny voalohany, ka mena ny vatany manontolo sady voloina be. Koa natao hoe Esao ny anarany.",
        "26": "Avy eo dia nivoaka koa ny rahalahiny, ary nitazona ny voditongotr\u2019i Esao ny tanany. Koa natao hoe Jakoba ny anarany. Ary 60\u00a0taona i Isaka tamin\u2019i Rebeka niteraka azy mirahalahy.",
        "27": "Rehefa nihalehibe ireo zazalahy ireo, dia lasa mpihaza mahay i Esao, ka tia nandehandeha tany an-tsaha. I Jakoba indray lehilahy tsy nisy tsiny, sady nipetraka an-tranolay.",
        "28": "Ary tia an\u2019i Esao i Isaka, satria izy nitondra haza hohaniny. Fa i Rebeka kosa tia an\u2019i Jakoba.",
        "29": "Nahandro lantihy i Jakoba, indray mandeha, dia iny fa tonga avy tany an-tsaha i Esao. Reraka be izy tamin\u2019izay.",
        "30": "Dia hoy i Esao tamin\u2019i Jakoba: \u201cMba omeo amin\u2019io lantihy mena io aho! Haingana fa reraka be aho!\u201d Izany no nahatonga ny anarany hatao hoe Edoma.",
        "31": "Dia hoy i Jakoba: \u201cAmidio amiko \u00e0ry aloha ny zonao amin\u2019ny maha lahimatoa anao!\u201d",
        "32": "Ary hoy i Esao: \u201cEfa ho faty ihany aho, ka hataoko inona koa izay zon\u2019ny lahimatoa?\u201d",
        "33": "Dia hoy i Jakoba: \u201cMila mianiana amiko aloha ianao\u00a0e!\u201d Dia nianiana tamin\u2019i Jakoba i Esao, ka namidiny taminy ny zony amin\u2019ny maha lahimatoa azy.",
        "34": "Koa nomen\u2019i Jakoba mofo sy lantihy izy, ka nihinana sy nisotro. Ary nitsangana izy dia lasa. Toy izany no nanaovan\u2019i Esao tsinontsinona ny zon\u2019ny lahimatoa."
    },
    "26": {
        "1": "Ary nisy mosary tao amin\u2019ilay tany, ankoatra an\u2019ilay mosary voalohany tamin\u2019ny andron\u2019i Abrahama. Dia lasa nankany amin\u2019i Abimeleka mpanjakan\u2019ny Filistinina, tany Gerara, i Isaka.",
        "2": "Ary niseho taminy i Jehovah ka niteny hoe: \u201cAza midina any Ejipta, fa mipetraha any amin\u2019izay tany hasehoko anao.",
        "3": "Ary aoka ianao hivahiny eto amin\u2019ity tany ity, dia hanampy anao foana aho sady hitahy anao. Ianao sy ny taranakao mantsy no homeko an\u2019ireo tany rehetra ireo. Dia hotanterahiko ilay fianianana nataoko tamin\u2019i Abrahama rainao hoe:",
        "4": "\u2018Hataoko lasa be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra ny taranakao, ary homeko ny taranakao ireo tany rehetra ireo. Dia hahazo fitahiana amin\u2019ny alalan\u2019ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany.\u2019",
        "5": "Nihaino ny teniko mantsy i Abrahama ka nataony foana izay nampanaoviko azy, sady nankat\u00f2 foana ny didiko sy ny fitsipiko ary ny lal\u00e0ko izy.\u201d",
        "6": "Dia mbola nipetraka tao Gerara i Isaka.",
        "7": "Ary nanontany momba ny vadiny foana ireo lehilahy teo an-toerana, nefa hoy izy: \u201cAnabaviko izy.\u201d Fa natahotra izy hilaza hoe: \u201cVadiko izy\u201d, satria nieritreritra izy hoe hovonoin\u2019ireo lehilahy ireo noho ny amin\u2019i Rebeka. Tsara tarehy mantsy i Rebeka.",
        "8": "Rehefa afaka elaela, dia nitazantazana teo am-baravarankely i Abimeleka mpanjakan\u2019ny Filistinina, ka nahita an\u2019i Isaka naneho fitiavana tamin\u2019i Rebeka vadiny.",
        "9": "Tonga dia niantso an\u2019i Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: \u201cHay vadinao izy! Koa naninona ianao no niteny hoe: \u2018Anabaviko izy\u2019?\u201d Dia hoy i Isaka taminy: \u201cNilaza an\u2019izany aho, sao hisy hamono noho izy.\u201d",
        "10": "Hoy indray i Abimeleka: \u201cFa inona ity nataonao taminay? Raha sanatria nisy olona nanao firaisana tamin\u2019ny vadinao mantsy, dia ho nanota izahay noho ianao!\u201d",
        "11": "Dia namoaka didy ho an\u2019ny olona rehetra i Abimeleka hoe: \u201cHovonoina ho faty izay mikasika an\u2019io lehilahy io sy ny vadiny!\u201d",
        "12": "Dia nanomboka namafy voa tao amin\u2019izany tany izany i Isaka. Ary nahatratra avo 100\u00a0heny ny vokatra azony tamin\u2019io taona io, satria notahin\u2019i Jehovah izy.",
        "13": "Dia lasa nanan-karena i Isaka, ary nitombo be ny fananany, ka vao mainka lasa mpanankarena be izy.",
        "14": "Nahazo andian\u2019ondry sy andian\u2019omby ary mpanompo maro be izy, ka lasa nialona azy ny Filistinina.",
        "15": "Dia naka tany ny Filistinina ka nototofany ny lavadrano rehetra efa nolavahan\u2019ny mpanompon\u2019i Abrahama rain\u2019i Isaka fony fahavelony.",
        "16": "Ary hoy i Abimeleka tamin\u2019i Isaka: \u201cMial\u00e0 eto aminay, fa lasa mahery lavitra noho izahay ianao.\u201d",
        "17": "Niala tao \u00e0ry i Isaka, dia nitoby teo amin\u2019ny lohasahan\u2019i Gerara, ka nipetraka tao.",
        "18": "Dia nolavahan\u2019i Isaka indray ireo lavadrano efa nolavahana tamin\u2019ny andron\u2019i Abrahama rainy, izay efa nototofan\u2019ny Filistinina taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Abrahama. Efa nomen\u2019ny rainy anarana avy izy ireny, dia izay ihany no niantsoany azy.",
        "19": "Ary nahita lavadrano nisy rano madio tsara ny mpanompon\u2019i Isaka, rehefa nandavaka teo amin\u2019ilay lohasaha.",
        "20": "Nifamaly tamin\u2019ny mpiandry ondrin\u2019i Isaka anefa ny mpiandry ondry tao Gerara, ka nilaza hoe: \u201cAnay io rano io!\u201d Dia nataon\u2019i Isaka hoe Eseka ny anaran\u2019ilay lavadrano, satria nifamaly taminy izy ireo.",
        "21": "Nandavaka lavadrano hafa indray ny mpanompon\u2019i Isaka, nefa nampifamaly azy ireo koa ilay izy. Dia nataon\u2019i Isaka hoe Sitna ny anaran\u2019ilay izy.",
        "22": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niala teo izy ka nandavaka lavadrano hafa indray. Tsy nampifamaly azy ireo intsony anefa ilay izy. Dia nataony hoe Rehobota ny anaran\u2019ilay izy, fa hoy izy: \u201cSatria i Jehovah efa nanome antsika toerana malalaka, ka nataony lasa be dia be eto amin\u2019ity tany ity isika.\u201d",
        "23": "Ary niala teo izy ka niakatra nankany Beri-sheba.",
        "24": "Niseho taminy i Jehovah tamin\u2019iny alina iny, ka niteny hoe: \u201cIzaho no Andriamanitr\u2019i Abrahama rainao. Aza matahotra fa hanampy anao aho. Noho i Abrahama mpanompoko, dia hitahy anao aho ka hataoko lasa be dia be ny taranakao.\u201d",
        "25": "Koa nanorina alitara teo i Isaka ka niantso ny anaran\u2019i Jehovah, sady nanangana tranolay teo. Ary nandavaka lavadrano teo ny mpanompony.",
        "26": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niainga avy any Gerara i Abimeleka, niaraka tamin\u2019i Ahozata mpanolo-tsainy sy Pikola lehiben\u2019ny tafiny, ka tonga teo amin\u2019i Isaka.",
        "27": "Ary hoy i Isaka tamin\u2019izy ireo: \u201cFa maninona ianareo no mankat\u1ef3 amiko, nefa ianareo aza efa nankahala ahy sady nandroaka ahy niala tany aminareo?\u201d",
        "28": "Dia hoy ireo: \u201cSatria tena hitanay fa manampy anao i Jehovah. Dia tapa-kevitra izahay fa hiteny aminao hoe: \u2018Andao hanao fianianana isika, ary andao hanao fifanekena",
        "29": "hoe tsy hanisy ratsy anay ianao, satria izahay mbola tsy nanao ratsy taminao, fa navelanay handeha soa aman-tsara ianao. Ianao mantsy izao no tahin\u2019i Jehovah.\u2019\u201d",
        "30": "Dia nanao fanasambe ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo.",
        "31": "Ary nifoha maraina izy ireo ny ampitso, ka nianiana tamin\u2019ny andaniny ny ankilany. Taorian\u2019izay, dia navelan\u2019i Isaka handeha izy ireo ka lasa soa aman-tsara.",
        "32": "Tamin\u2019io andro io, dia tonga ny mpanompon\u2019i Isaka ka nitantara taminy momba an\u2019ilay lavadrano nolavahan\u2019izy ireo. Hoy izy ireo: \u201cNahita rano izahay!\u201d",
        "33": "Dia nataon\u2019i Isaka hoe Shiba ny anaran\u2019izy io. Izany no nahatonga ny anaran\u2019ilay tan\u00e0na hoe Beri-sheba hatramin\u2019izao.",
        "34": "Rehefa 40\u00a0taona i Esao, dia nalainy ho vady i Jodita zanakavavin\u2019i Bery Hetita. Nalainy ho vady koa i Basemata zanakavavin\u2019i Elona Hetita.",
        "35": "Nahatonga an\u2019i Isaka sy Rebeka halahelo be izy ireo."
    },
    "27": {
        "1": "Rehefa antitra i Isaka ka efa tsy nahita intsony ny masony, dia niantso an\u2019i Esao lahimatoany hankany aminy izy hoe: \u201cRy Esao zanako\u00a0\u00f4!\u201d Dia hoy i Esao: \u201cAhoana izay?\u201d",
        "2": "Dia hoy i Isaka: \u201cEfa antitra aho izao, nefa tsy fantatro hoe rahoviana aho no ho faty.",
        "3": "Koa mba alaivo ny fitaovana fitondranao mihaza, dia ny tranon-jana-tsip\u00eckanao sy ny tsip\u00eckanao. Mandehana mihaza any an-tsaha dia ento at\u1ef3 amiko izay azonao.",
        "4": "Ary anaovy an\u2019ilay sakafo matsiro tena tiako iny aho, dia ento at\u1ef3 amiko ilay izy hohaniko. Dia hitso-drano anao aho, alohan\u2019ny hahafatesako.\u201d",
        "5": "Nihaino ny resak\u2019i Isaka tamin\u2019i Esao zanany anefa i Rebeka tamin\u2019izay. Ary lasa nankany an-tsaha i Esao mba hitady haza ka hitondra an\u2019izany mody.",
        "6": "Dia hoy i Rebeka tamin\u2019i Jakoba zanany: \u201cVao henoko teo ny dadanao niteny tamin\u2019i Esao rahalahinao hoe:",
        "7": "\u2018Itondray haza aho, dia anaovy sakafo matsiro. Dia hohaniko ilay izy ka hitso-drano anao eo anatrehan\u2019i Jehovah aho, alohan\u2019ny hahafatesako.\u2019",
        "8": "Henoy tsara aho, anaka, dia ataovy izao asaiko ataonao izao:",
        "9": "Mandehana any amin\u2019ny ondry aman\u2019osy, azafady, dia ento at\u1ef3 izay zanak\u2019osy roa tsara indrindra mba hanaovako sakafo matsiro ho an\u2019ny dadanao, araka ilay itiavany azy.",
        "10": "Dia ento any amin\u2019ny dadanao izany hohaniny, amin\u2019izay izy hitso-drano anao alohan\u2019ny hahafatesany.\u201d",
        "11": "Dia hoy i Jakoba tamin\u2019i Rebeka reniny: \u201cI Esao rahalahiko ange voloina\u00a0e, fa izaho malamalama hoditra.",
        "12": "Dia ahoana raha mitsapa ahy i Dada? Tena hoatran\u2019ny hoe mananihany azy aho amin\u2019izay, ka ozona no ho azoko, fa tsy tsodrano.\u201d",
        "13": "Dia hoy ny reniny: \u201cAleo hihatra amiko izany ozona izany, anaka. Fa araho fotsiny ny teniko, dia mandehana ka itondray zanak\u2019osy aho.\u201d",
        "14": "Lasa naka zanak\u2019osy \u00e0ry izy ka nitondra an\u2019izany tany amin\u2019ny reniny. Dia nanao sakafo matsiro araka ilay itiavan\u2019ny rainy azy ny reniny.",
        "15": "Ary nalain\u2019i Rebeka ny akanjon\u2019i Esao lahimatoany, dia ny akanjony tsara indrindra tao an-trano, ka nampanaoviny an\u2019i Jakoba faralahiny.",
        "16": "Nataony teo amin\u2019ny tanan\u2019i Jakoba sy teo amin\u2019ny faritra tsy misy volo amin\u2019ny vozony koa ny hoditr\u2019ireo zanak\u2019osy ireo.",
        "17": "Dia nomeny an\u2019i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo namboariny.",
        "18": "Ary nankao amin\u2019ny rainy i Jakoba, ka niteny hoe: \u201cDada\u00a0\u00f4!\u201d Dia hoy i Isaka: \u201cAhoana izay, anaka? Iza moa ianao?\u201d",
        "19": "Dia hoy i Jakoba tamin\u2019ny rainy: \u201cEsao lahimatoanao ihany. Efa vitako ilay nasainao nataoko. Mba miarena kely, dia mihin\u00e0na amin\u2019ny haza nentiko, ka tsofy rano aho.\u201d",
        "20": "Dia hoy i Isaka tamin\u2019ny zanany: \u201cFa ahoana no vetivety kely ianao, anaka, dia nahita haza?\u201d Dia hoy i Jakoba: \u201cSatria nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao nanatona ahy ilay izy.\u201d",
        "21": "Ary hoy i Isaka taminy: \u201cMba manat\u00f2na kely, anaka, hitsapako anao, mba hahafantarako raha tena i Esao zanako ianao na tsia.\u201d",
        "22": "Dia nanatona an\u2019i Isaka rainy i Jakoba. Ary nitsapa azy i Isaka, dia niteny hoe: \u201cNy feonao aloha dia feon\u2019i Jakoba, fa ny tananao indray tanan\u2019i Esao.\u201d",
        "23": "Ary tsy fantany i Jakoba, satria voloina be hoatran\u2019ny tanan\u2019i Esao rahalahiny ny tanany. Dia nitso-drano azy izy.",
        "24": "Hoy indray izy: \u201cTena i Esao zanako tokoa ve ianao?\u201d Dia hoy i Jakoba: \u201cIzaho mihitsy ity!\u201d",
        "25": "Ary hoy i Isaka: \u201cMba omeo amin\u2019ilay haza \u00e0ry aho, anaka, hohaniko, dia hitso-drano anao aho.\u201d Dia narosony teo aminy ilay izy ka nihinana izy. Nitondrany divay koa izy ka nisotro.",
        "26": "Ary hoy i Isaka rainy: \u201cMba manat\u00f2na kely, anaka, dia orohy aho.\u201d",
        "27": "Nanatona \u00e0ry izy dia nanoroka azy, ka henon\u2019i Isaka ny hanitry ny akanjony. Dia nitso-drano azy izy hoe: \u201cNy hanitry ny zanako dia toy ny hanitry ny saha notahin\u2019i Jehovah.",
        "28": "Enga anie Andriamanitra hanome anao ny andon\u2019ny lanitra, sy ny tany lonaka, ary varimbazaha sy divay vaovao be dia be!",
        "29": "Enga anie hanompo anao ireo firenena, ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa! Ary enga anie hanana fahefana amin\u2019ny rahalahinao ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao, fa hotahina kosa izay mitso-drano anao!\u201d",
        "30": "Raha vao avy nitso-drano an\u2019i Jakoba i Isaka rainy, ary vao niala kely teo aminy i Jakoba, dia iny fa tonga avy nihaza i Esao rahalahiny.",
        "31": "Nanao sakafo matsiro koa izy, dia nitondra an\u2019ilay izy teo amin\u2019ny rainy, sady niteny hoe: \u201cMiarena Dada\u00a0a! Mihin\u00e0na amin\u2019ity haza nentiko ity, mba hahazoako tsodrano aminao.\u201d",
        "32": "Dia hoy i Isaka rainy taminy: \u201cFa iza moa ianao?\u201d Ary hoy izy: \u201cEsao lahimatoanao ihany!\u201d",
        "33": "Tonga dia nangovitra be mihitsy i Isaka, ka niteny hoe: \u201cKoa iza \u00e0ry ilay nandeha nihaza dia nitondra an\u2019ilay haza teto amiko teto? Efa nohaniko ilay izy talohan\u2019ny nahatongavanao, dia nitso-drano azy aho. Ary hotahina tokoa izy!\u201d",
        "34": "Dia niantsoantso faran\u2019izay mafy sady nalahelo be i Esao rehefa naheno an\u2019izany tenin\u2019ny rainy izany, ka niteny hoe: \u201cMba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada\u00a0\u00f4!\u201d",
        "35": "Hoy anefa ny rainy: \u201cTonga teto ny rahalahinao, dia nofitahiny aho mba hahazoany ny tsodrano tokony ho anao.\u201d",
        "36": "Dia hoy i Esao: \u201cAiza moa no tsy natao hoe Jakoba ny anaran\u2019iny? Efa fanindroany izao izy no naka ny toerako! Ny zoko amin\u2019ny maha lahimatoa ahy efa nalainy, dia izao indray koa nalainy ny tsodrano tokony ho ahy!\u201d Hoy koa izy: \u201cTsy mba nitahiry tsodrano ho ahy mihitsy ve ianao?\u201d",
        "37": "Hoy anefa i Isaka tamin\u2019i Esao: \u201cEfa notendreko hanana fahefana aminao izy, dia efa nomeko azy daholo ny rahalahiny rehetra mba ho mpanompony. Nomeko varimbazaha sy divay vaovao koa izy hivelomany. Koa inona intsony no azoko atao ho anao, anaka?\u201d",
        "38": "Ary hoy i Esao tamin\u2019ny rainy: \u201cDia tsodrano iray fotsiny ve no mba anananao, ry Dada? Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada\u00a0\u00f4!\u201d Dia nigogogogo nitomany i Esao.",
        "39": "Hoy \u00e0ry i Isaka rainy: \u201cTsy hipetraka eny akaikin\u2019ny tany lonaka ianao, sady tsy hahazo ny andon\u2019ny lanitra ambony.",
        "40": "Ny sabatrao no hivelomanao, ary hanompo ny rahalahinao ianao. Rehefa tsy zakanao intsony anefa izany, dia hotapahinao hiala amin\u2019ny vozonao ny ziogany.\u201d",
        "41": "Taorian\u2019izay, dia nitana lolompo tamin\u2019i Jakoba i Esao noho ilay tsodrano nomen\u2019ny rainy azy. Hoy foana izy anakampo: \u201cEfa kely sisa izao dia ho tonga ny andro hisaonana an\u2019i Dada. Dia hovonoiko i Jakoba rahalahiko aorian\u2019izay.\u201d",
        "42": "Rehefa notantarain\u2019ny olona tamin\u2019i Rebeka ny tenin\u2019i Esao lahimatoany, dia tonga dia nampanantsoiny i Jakoba faralahiny, ka hoy izy taminy: \u201cIzao anaka! Mitetika ny hamaly faty i Esao rahalahinao, dia tiany hovonoina ianao.",
        "43": "Koa araho ny teniko, anaka, ka mandehana mandositra any amin\u2019i Labana anadahiko, any Harana.",
        "44": "Mijan\u00f2na kely aloha any aminy, mandra-pitonin\u2019ny fahatezeran\u2019ny rahalahinao.",
        "45": "Rehefa afaka ny hatezeran\u2019ny rahalahinao aminao, ka hadinony ny zavatra nataonao taminy, dia haniraka olona aho haka anao any. Fa ataoko ahoana ny hamoy anareo mirahalahy ao anatin\u2019ny iray andro?\u201d",
        "46": "Taorian\u2019izany, dia hoy foana i Rebeka tamin\u2019i Isaka: \u201cTena mankaleo ahy ny fiainako noho ireto zanakavavin\u2019ny Hetita ireto! Raha sanatria i Jakoba ka manambady zanakavavin\u2019ny Hetita hoatr\u2019ireo zazavavy tompon-tany ireo, dia aleoko maty.\u201d"
    },
    "28": {
        "1": "Dia niantso an\u2019i Jakoba i Isaka ka nitso-drano azy sady nanafatrafatra hoe: \u201cAza maka vady eto Kanana.",
        "2": "Fa mandehana any Padana-arama, any an-tranon\u2019i Betoela rain\u2019ny reninao, dia mak\u00e0 vady amin\u2019ny zanakavavin\u2019i Labana anadahin-dreninao.",
        "3": "Hitahy anao ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ka hataony manan-taranaka ianao, sady hataony lasa be dia be ny taranakao. Dia ho lasa firenena lehibe ianao.",
        "4": "Hitahy anao sy ny taranakao koa izy, hoatran\u2019ny nitahiany an\u2019i Abrahama. Amin\u2019izay ho lasanao ity tany ivahinianao ity, izay efa nomen\u2019Andriamanitra an\u2019i Abrahama.\u201d",
        "5": "Koa nalefan\u2019i Isaka nandeha i Jakoba, ka lasa nankany Padana-arama, ho any amin\u2019i Labana, zanak\u2019i Betoela Aramianina sady anadahin\u2019i Rebeka renin\u2019i Jakoba sy Esao.",
        "6": "Ary fantatr\u2019i Esao fa efa nitso-drano an\u2019i Jakoba i Isaka, sady efa nandefa azy ho any Padana-arama mba haka vady any. Fantany koa fa tamin\u2019i Isaka nitso-drano azy, dia nanafatrafatra izy hoe: \u201cAza maka vady eto Kanana.\u201d",
        "7": "Dia hitany hoe nankat\u00f2 ny rainy sy ny reniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-arama.",
        "8": "Fantatr\u2019i Esao \u00e0ry hoe tsy nahafaly an\u2019i Isaka rainy ny vehivavy tao Kanana.",
        "9": "Koa nankany amin\u2019i Ismaela i Esao ka nanambady an\u2019i Mahalota, ankoatra an\u2019izay vady efa nalainy. Zanakavavin\u2019i Ismaela zanak\u2019i Abrahama i Mahalota, sady anabavin\u2019i Nebaiota.",
        "10": "Ary niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nankany Harana.",
        "11": "Tonga teo amin\u2019ny toerana iray izy rehefa elaela, ka nanapa-kevitra hoe hatory eo, satria efa nilentika ny masoandro. Naka vato iray teo \u00e0ry izy hataony ondana, dia natory teo.",
        "12": "Dia nanonofy izy hoe nisy tohatra teo amin\u2019ny tany ary tonga hatreny amin\u2019ny lanitra ny tampony. Dia nisy anjelin\u2019Andriamanitra niakatra sy nidina teo amin\u2019ilay izy.",
        "13": "Hitany koa fa io i Jehovah teo an-tampon\u2019ilay tohatra, niteny hoe: \u201cIzaho no Jehovah, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama raibenao sy Andriamanitr\u2019i Isaka. Homeko anao sy ny taranakao ity tany ity sy io toerana atorianao io.",
        "14": "Dia ho lasa be dia be hoatran\u2019ny vovoka amin\u2019ny tany ny taranakao, ka hiparitaka any andrefana sy any atsinanana sy any avaratra ary any atsimo. Ary azo antoka fa amin\u2019ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany.",
        "15": "Hanampy anao aho ka hiaro anao any amin\u2019izay rehetra alehanao, dia haveriko eto amin\u2019ity tany ity indray ianao. Tsy handao anao mihitsy aho raha tsy efa vitako izay nampanantenaiko anao.\u201d",
        "16": "Dia taitra tamin\u2019ny torimasony i Jakoba, ka niteny hoe: \u201cTena eto amin\u2019ity toerana ity i Jehovah, fa izaho no tsy nahafantatra.\u201d",
        "17": "Natahotra izy tamin\u2019izay sady niteny hoe: \u201cHafakely mihitsy ity toerana ity fa masina! Tena tranon\u2019Andriamanitra mihitsy ity, ary eto no vavahadin\u2019ny lanitra!\u201d",
        "18": "Ary nifoha maraina i Jakoba, dia nalainy ilay vato nataony ondana ka nataony tsangambato. Dia nandraraka menaka teo ambonin\u2019ilay tsangambato izy.",
        "19": "Koa nataony hoe Betela ny anaran\u2019ilay toerana, nefa Lozy no anaran\u2019ilay tan\u00e0na taloha.",
        "20": "Ary nivoady i Jakoba hoe: \u201cRaha manampy ahy foana Andriamanitra ka arovany aho amin\u2019izao diako izao, sady omeny sakafo hohaniko sy akanjo hanaovako,",
        "21": "ary tafaverina soa aman-tsara any an-tranon\u2019ny raiko, dia ho hitako tokoa hoe Andriamanitro i Jehovah.",
        "22": "Ary ho lasa tranon\u2019Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity. Dia tsy maintsy homeko azy ny ampahafolon\u2019izay rehetra homeny ahy.\u201d"
    },
    "29": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia nanohy ny diany i Jakoba ka nankany amin\u2019ny tanin\u2019ny Tatsinanana.",
        "2": "Dia nahita lavadrano iray tany an-tsaha izy, ary nisy andian\u2019ondry telo natoritory teo akaikin\u2019ilay izy. Nahazatra ny mpiandry ondry mantsy ny naka rano tao anaty lavadrano mba hampisotroina ny andian\u2019ondry. Nisy vato ngezabe koa nanarona ny vavan\u2019ilay lavadrano.",
        "3": "Rehefa tafangona teo daholo ny andian\u2019ondry vao nakodian\u2019ny mpiandry ondry hiala amin\u2019ny vavan\u2019ny lavadrano ilay vato, ka nampisotroiny rano ny ondry. Avy eo dia naveriny teo amin\u2019ny toerany, teo am-bavan\u2019ny lavadrano, ilay vato.",
        "4": "Ary hoy i Jakoba tamin\u2019izy ireo: \u201cFa avy aiza moa ianareo, ry rahalahiko?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cAvy any Harana izahay.\u201d",
        "5": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cFantatrareo ve i Labana, zafikelin\u2019i Nahora?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cIe, fantatray izy.\u201d",
        "6": "Hoy \u00e0ry izy: \u201cSalama tsara ve izy any?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cIe, salama tsara izy. Iny tonga miaraka amin\u2019ny ondry iny izao i Rahely zanany vavy!\u201d",
        "7": "Ary hoy i Jakoba: \u201cMbola antoandrobe izao, ka tsy izao no fotoana fanangonana ny andian\u2019ondry. Ampisotroy rano aloha ny ondry, dia avy eo ento hiraoka ahitra.\u201d",
        "8": "Fa hoy izy ireo: \u201cTsy azonay atao izany! Rehefa tafangona daholo ny andian\u2019ondry ary efa avy nakodia hiala amin\u2019ny vavan\u2019ny lavadrano ny vato, vao afaka mampisotro rano ny ondry izahay.\u201d",
        "9": "Tamin\u2019i Jakoba mbola niresaka tamin\u2019izy ireo, dia iny fa tonga i Rahely nitondra ny ondrin\u2019ny rainy. Mpiandry ondry mantsy ilay tovovavy.",
        "10": "Rehefa hitan\u2019i Jakoba i Rahely zanakavavin\u2019i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondrin\u2019i Labana, dia tonga dia nanatona izy ka nanakodia an\u2019ilay vato hiala amin\u2019ny vavan\u2019ny lavadrano. Dia nampisotroiny rano ny ondrin\u2019i Labana anadahin-dreniny.",
        "11": "Avy eo dia nanoroka an\u2019i Rahely i Jakoba, dia nitomany be.",
        "12": "Ary notenenin\u2019i Jakoba an\u2019i Rahely hoe havan\u2019ny rainy izy sady zanak\u2019i Rebeka. Dia lasa nihazakazaka nitantara an\u2019izany tamin\u2019ny rainy i Rahely.",
        "13": "Vao henon\u2019i Labana ny momba an\u2019i Jakoba zanak\u2019anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy. Dia namihina sy nanoroka azy izy, ka nitondra azy tany an-tranony. Ary notantarain\u2019i Jakoba an\u2019i Labana ny zava-drehetra.",
        "14": "Dia hoy i Labana taminy: \u201cTaolako sy nofoko tokoa ianao.\u201d Nipetraka tao aminy iray volana katroka \u00e0ry i Jakoba.",
        "15": "Dia hoy i Labana tamin\u2019i Jakoba: \u201cIanao kosa ve dia hiasa maina ho ahy fotsiny na dia hoe havako aza? Teneno amiko hoe inona no tokony ho karamanao.\u201d",
        "16": "Ary nanan-janaka roa vavy i Labana. Lea no anaran\u2019ny zokiny, ary Rahely no anaran\u2019ny zandriny.",
        "17": "Tsy mba nahafinaritra anefa ny mason\u2019i Lea, fa i Rahely indray sady tsara bika no tsara tarehy.",
        "18": "Efa raiki-pitia tamin\u2019i Rahely koa i Jakoba, ka hoy izy: \u201cVonona hanompo anao fito taona aho mba hahazoako an\u2019i Rahely faravavinao.\u201d",
        "19": "Dia hoy i Labana: \u201cAleoko homena anao izy, toy izay homena olon-kafa. Mipetraha ihany \u00e0ry ato amiko.\u201d",
        "20": "Dia nanompo azy fito taona i Jakoba mba hahazoany an\u2019i Rahely, nefa hoatran\u2019ny hoe andro vitsivitsy fotsiny ilay izy taminy, satria izy tia azy.",
        "21": "Ary hoy i Jakoba tamin\u2019i Labana: \u201cOmeo ahy amin\u2019izay ny vadiko, fa efa tapitra ny fotoana nifanarahantsika. Avelao amin\u2019izay aho hanao firaisana aminy.\u201d",
        "22": "Dia novorin\u2019i Labana ny olona rehetra teo an-toerana, ka nanao fety be izy.",
        "23": "Rehefa hariva anefa ny andro, dia i Lea zanany vavy indray no nalainy, ka nentiny tany amin\u2019i Jakoba mba hanaovany firaisana.",
        "24": "Nomen\u2019i Labana ho mpanompon\u2019i Lea zanany koa i Zilpa mpanompovaviny.",
        "25": "Rehefa maraina ny andro, dia hitan\u2019i Jakoba fa hay i Lea no tao! Dia hoy izy tamin\u2019i Labana: \u201cFa inona ity nataonao? Mba hahazoako an\u2019i Rahely ange no antony nanompoako anao\u00a0e! Koa maninona aho no nofitahinao?\u201d",
        "26": "Dia hoy i Labana: \u201cTsy fanao at\u1ef3 aminay mantsy ny mamoaka ny zandriny alohan\u2019ny zokiny.",
        "27": "Manaova aloha fety miaraka amin\u2019io zanako vavimatoa io mandritra ny herinandro, dia homena anao koa ny zandriny aorian\u2019izay. Mila manompo ahy fito taona indray anefa ianao ho takalony.\u201d",
        "28": "Dia nanao fety nandritra ny herinandro niaraka tamin\u2019ilay vavimatoa i Jakoba, dia avy eo nomen\u2019i Labana ho vadiny koa i Rahely zanany vavy.",
        "29": "Nomen\u2019i Labana ho mpanompon\u2019i Rahely zanany koa i Bilaha mpanompovaviny.",
        "30": "Dia nanao firaisana tamin\u2019i Rahely koa i Jakoba. Ary i Rahely no tiany kokoa noho i Lea. Dia nanompo an\u2019i Labana fito taona indray i Jakoba.",
        "31": "Rehefa hitan\u2019i Jehovah hoe tsy tian\u2019ny vadiny i Lea, dia nataony izay hahatonga azy ho bevohoka, fa i Rahely kosa momba.",
        "32": "Bevohoka \u00e0ry i Lea ka tera-dahy. Dia nataony hoe Robena ny anarany, satria hoy izy: \u201cEfa nijery ny fahoriako mantsy i Jehovah, ka ho tia ahy amin\u2019izay izao ny vadiko.\u201d",
        "33": "Ary bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia hoy izy: \u201cSatria tsy tian\u2019ny vadiko aho, dia nohenoin\u2019i Jehovah ny fitarainako ka nomeny an\u2019ity iray ity koa aho.\u201d Dia nataony hoe Simeona ny anarany.",
        "34": "Ary mbola bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia hoy izy: \u201cVao mainka hiraiki-po amiko izao ny vadiko, satria efa telo lahy no naterako taminy.\u201d Natao hoe Levy \u00e0ry ny anarany.",
        "35": "Ary mbola bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia hoy izy: \u201cHidera an\u2019i Jehovah aho amin\u2019ity indray mandeha ity.\u201d Koa nataony hoe Joda ny anarany. Dia tsy niteraka intsony izy taorian\u2019izay."
    },
    "30": {
        "1": "Rehefa hitan\u2019i Rahely fa tsy niteraka tamin\u2019i Jakoba izy, dia lasa nialona ny rahavaviny izy, ka niteny tamin\u2019i Jakoba hoe: \u201cOmeo zaza aho, fa raha tsy izany dia ho faty.\u201d",
        "2": "Dia tezitra be tamin\u2019i Rahely i Jakoba, ka hoy izy: \u201cIzaho angaha solon\u2019Andriamanitra? Izy ange no nisakana anao tsy hanan-janaka\u00a0e!\u201d",
        "3": "Ary hoy i Rahely: \u201cIo i Bilaha mpanompovaviko, dia manaova firaisana aminy. Dia amin\u2019izay izy no hanan-janaka eo amin\u2019ny toerako, dia ho lasa hoatran\u2019ny hoe zanako ny zanany.\u201d",
        "4": "Dia nomeny ho vadin\u2019i Jakoba i Bilaha mpanompovaviny, ka nanao firaisana taminy i Jakoba.",
        "5": "Ary bevohoka i Bilaha ka nitera-dahy taminy.",
        "6": "Dia hoy i Rahely: \u201cAndriamanitra no mpitsara ahy, dia nihaino ny fangatahako izy ka nanome ahy zazalahy.\u201d Izany no nahatonga azy hiantso an\u2019ilay zaza hoe Dana.",
        "7": "Ary bevohoka indray i Bilaha mpanompovavin\u2019i Rahely, ka niteraka zazalahy faharoa tamin\u2019i Jakoba.",
        "8": "Dia hoy i Rahely: \u201cNifampitolona mafy tamin\u2019ny rahavaviko aho, dia mbola nandresy koa!\u201d Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.",
        "9": "Rehefa hitan\u2019i Lea fa tsy niteraka intsony izy, dia nalainy i Zilpa mpanompovaviny ka nomeny ho vadin\u2019i Jakoba.",
        "10": "Dia nitera-dahy tamin\u2019i Jakoba i Zilpa mpanompovavin\u2019i Lea.",
        "11": "Ary hoy i Lea: \u201cTena nambinina aho!\u201d Dia nataony hoe Gada ny anarany.",
        "12": "Taorian\u2019izay, dia niteraka zazalahy faharoa tamin\u2019i Jakoba i Zilpa mpanompovavin\u2019i Lea.",
        "13": "Dia hoy i Lea: \u201cSambatra er\u1ef3 aho, fa tena hiantso ahy hoe sambatra izao ny zazavavy.\u201d Koa nataony hoe Asera ny anarany.",
        "14": "Ary nandehandeha i Robena tamin\u2019ny fotoana fijinjana varimbazaha, ka nahita angividia naniry tany an-tsaha. Koa nentiny tany amin\u2019i Lea reniny ilay angividia. Ary hoy i Rahely tamin\u2019i Lea: \u201cMba omeo amin\u2019ny angividia hitan\u2019ny zanakao re aho\u00a0e!\u201d",
        "15": "Dia hoy i Lea: \u201cMbola tsy ampy anao angaha ny naka ny vadiko, no alainao koa ny angividia hitan\u2019ny zanako?\u201d Dia hoy i Rahely: \u201cAo \u00e0ry fa hanao firaisana aminao izy rahalina ho takalon\u2019ny angividia hitan\u2019ny zanakao.\u201d",
        "16": "Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba ny harivan\u2019iny, dia nivoaka hitsena azy i Lea ka niteny hoe: \u201cIzaho no hanaovanao firaisana rahalina, satria ny angividia hitan\u2019ny zanako no karama naloako hahazoana anao.\u201d Dia nanao firaisana taminy i Jakoba iny alina iny.",
        "17": "Ary nohenoin\u2019Andriamanitra ny vavaka nataon\u2019i Lea. Dia bevohoka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin\u2019i Jakoba.",
        "18": "Ary hoy i Lea: \u201cEfa nomen\u2019Andriamanitra ahy ny karamako, satria nomeko ho an\u2019ny vadiko ny mpanompovaviko.\u201d Dia nataony hoe Isakara ny anarany.",
        "19": "Ary bevohoka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin\u2019i Jakoba.",
        "20": "Dia hoy i Lea: \u201cEfa nomen\u2019Andriamanitra fanomezana tsara be aho. Mba handefitra amiko amin\u2019izay izao ny vadiko, satria niteraka zazalahy enina taminy aho.\u201d Dia nataony hoe Zebolona ny anarany.",
        "21": "Ary niteraka zazavavy izy taorian\u2019izay, ka nataony hoe Dina ny anarany.",
        "22": "Farany, dia nahatsiaro an\u2019i Rahely Andriamanitra ka nihaino ny vavaka nataony, dia nataony izay hahatonga azy ho bevohoka.",
        "23": "Bevohoka \u00e0ry i Rahely ka tera-dahy. Dia hoy izy: \u201cEfa nesorin\u2019Andriamanitra ny fahafaham-barakako!\u201d",
        "24": "Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: \u201cEfa nampian\u2019i Jehovah zazalahy iray ny zanako.\u201d",
        "25": "Rehefa avy niteraka an\u2019i Josefa i Rahely, dia niteny tamin\u2019i Labana avy hatrany i Jakoba hoe: \u201cAlefaso ho any amin\u2019ny toerana niaviako sy ny taniko aho.",
        "26": "Omeo ahy ny vady aman-janako dia handeha aho, fa ny hahazoako an\u2019ireo no antony nanompoako anao. Fantatrao tsara ny fanompoana mafy nataoko ho anao.\u201d",
        "27": "Ary hoy i Labana taminy: \u201cRaha ankasitrahanao aho, dia mijan\u00f2na re\u00a0e! Fantatro tamin\u2019ny fambara mantsy fa mitahy ahy i Jehovah noho ianao.\u201d",
        "28": "Hoy koa izy: \u201cLazao ahy izay tokony ho karamanao fa homeko.\u201d",
        "29": "Dia hoy i Jakoba taminy: \u201cFantatrao tsara ny nanompoako anao sy ny nikarakarako tsara ny biby fiompinao.",
        "30": "Kely ny fanananao talohan\u2019ny nahatongavako, nefa nihabetsaka ny biby fiompinao ka lasa be dia be. Notahin\u2019i Jehovah mihitsy ianao hatramin\u2019ny nahatongavako teto. Fa rahoviana kosa aho izany vao mba hanao zavatra ho an\u2019ny ankohonako?\u201d",
        "31": "Ary hoy i Labana: \u201cInona \u00e0ry no homeko anao?\u201d Dia hoy i Jakoba: \u201cTsy mila manome ahy na inona na inona ianao! Fa izao fotsiny no ataovy ho ahy, dia mbola hiandry sy hiambina ny ondry aman\u2019osinao aho:",
        "32": "Hitety ny ondry aman\u2019osinao rehetra aho anio, ka atokany ny ondry sada sy mara rehetra, sy ny vantotr\u2019ondrilahy mivolonts\u00f4k\u00f4l\u00e0 rehetra, ary ny osivavy mara sy sada rehetra. Dia izay hoatran\u2019ireo no ho karamako manomboka izao.",
        "33": "Ary ho hitanao fa manao ny marina aho, rehefa tonga hijery ny karamako ianao indray andro any. Izay osivavy rehetra tsy sada na mara sy izay vantotr\u2019ondrilahy tsy mivolonts\u00f4k\u00f4l\u00e0, dia halatra raha hita at\u1ef3 amiko.\u201d",
        "34": "Dia hoy i Labana: \u201cMety izany. Andao hataontsika izany noteneninao izany.\u201d",
        "35": "Tamin\u2019iny andro iny ihany \u00e0ry, dia natokan\u2019i Labana ny osilahy misoritsoritra sy mara, sy ny osivavy sada sy mara rehetra, sy izay rehetra misy fotsy, ary izay vantotr\u2019ondrilahy mivolonts\u00f4k\u00f4l\u00e0, ka nomeny hokarakarain\u2019ny zanany lahy.",
        "36": "Taorian\u2019izay dia lasa i Labana, ka lalana telo andro no nataony nanelanelana azy sy Jakoba. Dia niandry ny ondry aman\u2019osin\u2019i Labana sisa tavela i Jakoba.",
        "37": "Ary naka tsorakazo mbola maitso tamin\u2019ny hazo stiraksa sy hazo amandie ary hazo platana i Jakoba. Dia nanendahany ny hoditr\u2019ireo tsorakazo mba hiseho ny fotsy ao anatiny, ka lasa maramara ireo tsorakazo.",
        "38": "Napetrany teo alohan\u2019ny ondry aman\u2019osy ireny tsorakazo ireny avy eo, ka nataony tao anaty tavin-drano fisotroan\u2019ny biby, fa eo ny ondry aman\u2019osy no misotro rano. Amin\u2019izay dia hitady lahy eo alohan\u2019ireny ny ondry aman\u2019osy rehefa tonga hisotro rano.",
        "39": "Nitady lahy teo alohan\u2019ireny tsorakazo ireny \u00e0ry ny ondry aman\u2019osy, ka niteraka misoritsoritra sy sada ary mara.",
        "40": "Dia natokan\u2019i Jakoba ny vantotr\u2019ondrilahy. Ary ny ondry aman\u2019osy dia natodiny tany amin\u2019izay misoritsoritra sy izay mivolonts\u00f4k\u00f4l\u00e0 rehetra mbola niaraka tamin\u2019ny ondry aman\u2019osin\u2019i Labana. Avy eo dia natokan\u2019i Jakoba ny ondry aman\u2019osiny ka tsy nampiarahiny tamin\u2019ny an\u2019i Labana intsony.",
        "41": "Ary isaky ny nitady lahy ny ondry aman\u2019osy matanjaka, dia napetrak\u2019i Jakoba tao anaty tavin-drano teo alohan\u2019ny ondry aman\u2019osy ireo tsorakazo, mba ho eo akaikin\u2019ny tsorakazo ireny no hitady lahy.",
        "42": "Raha osaosa kosa ny ondry aman\u2019osy, dia tsy napetrany teo ireo tsorakazo. Izay osaosa foana \u00e0ry no lasan\u2019i Labana, fa ny matanjaka kosa no an\u2019i Jakoba.",
        "43": "Ary lasa mpanankarena be i Jakoba, ka nanana ondry aman\u2019osy maro be sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy rameva ary ampondra."
    },
    "31": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia henon\u2019i Jakoba ny zanakalahin\u2019i Labana nifampiresaka hoe: \u201cEfa lasan\u2019i Jakoba daholo ny fananan\u2019i Dada. Tsy ho nahangona an\u2019ireo harena rehetra ireo izy raha tsy avy tamin\u2019ny fananan\u2019i Dada.\u201d",
        "2": "Ary hitan\u2019i Jakoba tamin\u2019ny endrik\u2019i Labana fa tsy falifaly taminy hoatran\u2019ny teo aloha intsony izy.",
        "3": "Tamin\u2019ny farany, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Jakoba: \u201cMiverena any amin\u2019ny tanin\u2019ny razambenao sy any amin\u2019ny havanao, fa hanampy anao foana aho.\u201d",
        "4": "Dia nampiantso an\u2019i Rahely sy Lea hankeny an-tsaha, hankeny amin\u2019ny ondry aman\u2019osiny, i Jakoba.",
        "5": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cHitako hoe niova be ny rainareo rehefa mahita ahy. Manampy ahy anefa ilay Andriamanitry ny raiko.",
        "6": "Fantatrareo tsara koa fa tamin\u2019ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.",
        "7": "Nitady hametsifetsy ahy izy ka novany impolo be izao ny karamako. Tsy navelan\u2019Andriamanitra hanisy ratsy ahy anefa izy.",
        "8": "Rehefa niteny izy hoe: \u2018Ny sada no ho karamanao\u2019, dia niteraka sada daholo ny ondry aman\u2019osy. Dia rehefa niteny indray izy hoe: \u2018Ny misoritsoritra no ho karamanao\u2019, dia niteraka misoritsoritra daholo ny ondry aman\u2019osy.",
        "9": "Dia nalain\u2019Andriamanitra foana ny biby fiompin\u2019ny rainareo ka nomeny ahy.",
        "10": "Indray andro izay, rehefa nitady lahy ny ondry aman\u2019osy, dia hitako tao amin\u2019ny nofy fa misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina ny osilahy mitaingina ny vavy.",
        "11": "Ary hoy ny anjelin\u2019Andriamanitra tamiko, tao amin\u2019ilay nofy: \u2018Jakoba!\u2019 Dia hoy aho: \u2018Ahoana izay?\u2019",
        "12": "Ary hoy izy: \u2018Mba jereo ange\u00a0e! Misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina daholo ny osilahy mitaingina ny vavy. Hitako daholo mantsy izay ataon\u2019i Labana aminao.",
        "13": "Izaho ilay Andriamanitra niseho taminao tao Betela, teo amin\u2019ilay toerana nasianao an\u2019ilay tsangambato nohosoranao menaka sy ilay toerana nanaovanao voady tamiko. Mial\u00e0 eto amin\u2019ity tany ity, ka miverena any amin\u2019ny tany nahaterahanao.\u2019\u201d",
        "14": "Dia hoy i Rahely sy Lea taminy: \u201cAngaha mbola misy anjara lova tokony ho anay ao an-tranon\u2019i Dada?",
        "15": "Angaha izahay tsy efa ataony hoatran\u2019ny vahiny satria efa namidiny? Efa laniny koa ny vola nomena mba hahazoana anay.",
        "16": "Anay sy ny zanakay anefa ny harena rehetra nalain\u2019Andriamanitra tamin\u2019i Dada. Koa ataovy izay rehetra asain\u2019Andriamanitra ataonao.\u201d",
        "17": "Dia niainga i Jakoba ka nampitaingeniny rameva ny vady aman-janany.",
        "18": "Ary nentiny ny biby fiompiny rehetra sy ny fananana rehetra voangony. Nentiny ny biby fiompy voangony tao Padana-arama, ka lasa nankany amin\u2019i Isaka rainy tany Kanana izy.",
        "19": "Rehefa lasa nanety ny ondriny i Labana, dia nangalarin\u2019i Rahely ny sarivongana terafima nivavahany.",
        "20": "Nofitahin\u2019i Jakoba koa i Labana Aramianina, satria tsy noteniteneniny taminy hoe handeha izy.",
        "21": "Dia lasa nandositra izy ka niampita ny Renirano, niaraka tamin\u2019ny fananany rehetra. Ary nizotra ho any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Gileada izy.",
        "22": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia nisy nilaza tamin\u2019i Labana hoe lasa nandositra i Jakoba.",
        "23": "Dia nentin\u2019i Labana ny rahalahiny ka lasa nanenjika an\u2019i Jakoba izy ireo. Efa nandeha lalana fito andro izy ireo vao nahatratra azy teo amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Gileada.",
        "24": "Ary niteny tamin\u2019i Labana Aramianina tao amin\u2019ny nofy Andriamanitra ny alin\u2019iny, hoe: \u201cTandremo tsara izay hoteneninao amin\u2019i Jakoba, na tsara na ratsy.\u201d",
        "25": "Efa nanangana ny tranolainy teo amin\u2019ilay faritra be tendrombohitr\u2019i Gileada i Jakoba, ary efa nasain\u2019i Labana nitoby teo koa ny rahalahiny. Koa nanatona an\u2019i Jakoba i Labana.",
        "26": "Dia hoy i Labana tamin\u2019i Jakoba: \u201cFa inona ity nataonao? Fa maninona ianao no nametsifetsy ahy, ka nentinao toy ny babo azo tany an\u2019ady ny zanako vavy?",
        "27": "Nahoana ianao no nandositra mangingina fa tsy niteny tamiko, ka nametsifetsy ahy? Raha mba niteny tamiko anefa ianao, dia ho faly aho nandefa anao, ka nihira sy nively ampongatapaka ary nitendry harpa ho anao izahay.",
        "28": "Tsy mba navelanao hanoroka ny zafikeliko sy ny zanako vavy akory aho. Hadalana mihitsy izao ataonao izao!",
        "29": "Vitako ny manisy ratsy anareo, nefa efa notenenin\u2019ilay Andriamanitry ny rainareo aho tamin\u2019ny alina, hoe: \u2018Tandremo tsara izay hoteneninao amin\u2019i Jakoba, na tsara na ratsy.\u2019",
        "30": "Nandeha ianao izao satria te hody mafy any amin\u2019ny ankohonan-drainao. Fa maninona anefa no nangalarinao ireo andriamanitro?\u201d",
        "31": "Ary hoy i Jakoba tamin\u2019i Labana: \u201cKoa izaho natahotra dia tsy niteniteny. Nieritreritra mantsy aho hoe mety halainao an-keriny amiko ny zanakao vavy.",
        "32": "Fa aleo ho faty izay olona hahitanao ny andriamanitrao. Jereo tsara izay ato amiko, eto anatrehan\u2019ny rahalahintsika, dia alaivo izay anao.\u201d Tsy fantatr\u2019i Jakoba anefa fa efa nangalarin\u2019i Rahely izany.",
        "33": "Koa niditra tao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jakoba sy ny an\u2019i Lea ary ny an\u2019ireo mpanompovavy roa i Labana, saingy tsy nahita. Nivoaka avy tao amin\u2019ny tranolain\u2019i Lea izy avy eo, ka nankao amin\u2019ny tranolain\u2019 i Rahely.",
        "34": "Efa nalain\u2019i Rahely talohan\u2019izay anefa ireo sarivongana terafima, dia napetrany tao anatin\u2019ny harom-behivavy teo amin\u2019ny laselin-drameva, ka nipetrahany. Dia nisava eran\u2019ilay tranolay i Labana, fa tsy nahita.",
        "35": "Ary hoy i Rahely tamin-drainy: \u201cAza tezitra ianao, tompoko, fa tsy afaka mitsangana eo anatrehanao aho, satria tonga amiko ny zavatra mpahazo ny vehivavy.\u201d Dia mbola nikaroka hatraiza hatraiza i Labana, nefa tsy hitany ireo sarivongana terafima.",
        "36": "Ary tezitra i Jakoba ka nanome tsiny mafy an\u2019i Labana. Dia hoy izy tamin\u2019i Labana: \u201cFa inona no ratsy nataoko, ary inona no fahotana vitako no dia nanenjika ahy mafy avy tao aoriana tao ianao?",
        "37": "Efa voasavanao daholo izao ny fananako, ka inona tamin\u2019izay tao an-tranonao no hitanao? Avoahy eto imason\u2019ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany, dia avelao ry zareo no hitsara antsika mianaka.",
        "38": "Efa 20\u00a0taona aho izao no nipetraka tao aminao, nefa tsy mba nisy an\u2019izany hoe tsy nahavanona\u00a0anaka izany mihitsy ny ondry aman\u2019osinao. Tsy mba nisy nohaniko mihitsy koa ny ondrilahinao.",
        "39": "Tsy nentiko tany aminao izay biby fiompinao noviravirain\u2019ny bibidia, fa nosoloako. Nasainao nanonitra an\u2019izay nangalarin\u2019olona tamin\u2019ny antoandro na tamin\u2019ny alina koa aho.",
        "40": "Nodanihin\u2019ny andro aho rehefa antoandro, ary matin\u2019ny hatsiaka rehefa alina. Tsy nahita tory mihitsy koa aho.",
        "41": "Efa 20\u00a0taona aho izao no nipetraka tao an-tranonao. Dia nanompo anao 14\u00a0taona aho mba hahazoako ny zanakao roa vavy, ary 6\u00a0taona kosa mba hahazoako anjara tamin\u2019ny ondry aman\u2019osinao. Efa novanao impolo anefa ny karamako.",
        "42": "Raha tsy nanampy ahy ilay Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy ilay Andriamanitra atahoran\u2019i Isaka, dia ho efa nalefanao nody maina fotsiny aho. Efa hitan\u2019Andriamanitra anefa ny fahoriako sy ny asa mafy nataoko, dia izany no nahatonga azy hampitandrina anao halina.\u201d",
        "43": "Ary hoy i Labana taminy: \u201cIreo vehivavy ireo dia zanako vavy, ireo ankizy ireo dia zanako, ny ondry aman\u2019osy dia ondry aman\u2019osiko, ary fananako sy fananan\u2019ny zanako vavy izao rehetra hitanao izao. Koa inona moa no ratsy azoko atao amin\u2019ireo, na amin\u2019ny zanany naterany?",
        "44": "Andao hanao fifanekena izaho sy ianao, ka izany no ho vavolombelona amintsika.\u201d",
        "45": "Dia naka vato i Jakoba ka najorony ho tsangambato ilay izy.",
        "46": "Hoy koa i Jakoba tamin\u2019ny rahalahiny: \u201cMak\u00e0 vato!\u201d Dia naka vato izy ireo ka nataony nifanaingina. Nihinana teo ambonin\u2019ilay vato be dia be mivangongo izy ireo taorian\u2019izay.",
        "47": "Ary nantsoin\u2019i Labana hoe Jegara-sahadota ilay izy, fa i Jakoba kosa niantso azy hoe Galeda.",
        "48": "Dia hoy i Labana: \u201cIreto vato mivangongo ireto no vavolombelona amiko sy aminao androany.\u201d Izany no nahatonga azy hiantso an\u2019ilay izy hoe Galeda",
        "49": "sy hoe ny Tilikambo Fiambenana. Fa hoy izy: \u201cAleo i Jehovah hanara-maso ahy sy ianao rehefa tsy mifankahita isika.",
        "50": "Raha mampijaly ny zanako vavy ianao na manambady hafa ankoatra an\u2019ireo, dia tadidio fa na tsy misy mahita aza izany, dia Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao.\u201d",
        "51": "Hoy koa izy tamin\u2019i Jakoba: \u201cIreto vato mivangongo sy tsangambato naorintsika ireto no mariky ny fifanekena nifanaovantsika.",
        "52": "Ireto vato mivangongo sy tsangambato ireto no vavolombelona fa tsy hihoatra an\u2019ireto vato ireto aho mba hanisy ratsy anao, ary ianao koa tsy hihoatra an\u2019ireto vato mivangongo sy tsangambato ireto mba hanisy ratsy ahy.",
        "53": "Enga anie hitsara antsika ny Andriamanitr\u2019i Abrahama sy ny Andriamanitr\u2019i Nahora, ilay Andriamanitry ny rain\u2019izy ireo!\u201d Dia nanao fianianana tamin\u2019ny anaran\u2019ilay Andriamanitra atahoran\u2019i Isaka rainy i Jakoba.",
        "54": "Taorian\u2019izany, dia nanao sorona teo amin\u2019ilay tendrombohitra i Jakoba, ary nasainy hisakafo ny rahalahiny. Dia nisakafo izy ireo, ary natory teo amin\u2019ilay tendrombohitra.",
        "55": "Ary nifoha maraina i Labana ka nanoroka an\u2019ireo zafikeliny sy zanany vavy, dia nitso-drano azy. Dia lasa nody i Labana avy\u00a0eo."
    },
    "32": {
        "1": "Dia nanohy ny diany i Jakoba, ary nisy anjelin\u2019Andriamanitra nifanena taminy.",
        "2": "Raha vao nahita azy ireo i Jakoba, dia hoy izy: \u201cTobin\u2019Andriamanitra ity!\u201d Koa nataony hoe Mahanaima ny anaran\u2019ilay toerana.",
        "3": "Taorian\u2019izay dia naniraka olona handeha mialoha i Jakoba, ho any amin\u2019i Esao rahalahiny tany amin\u2019ny tany Seira, any amin\u2019ny faritr\u2019i Edoma.",
        "4": "Dia nomeny baiko izy ireo hoe: \u201cIzao no hoteneninareo amin\u2019i Esao tompoko: \u2018Hoy i Jakoba mpanomponao: \u201cNipetraka ela be tany amin\u2019i Labana aho,",
        "5": "dia lasa nanana omby sy ampondra sy ondry sy mpanompolahy ary mpanompovavy. Maniraka olona hampahafantatra an\u2019izany aminao aho tompoko, amin\u2019izay aho mba hankasitrahanao.\u201d\u2019\u201d",
        "6": "Rehefa afaka elaela, dia niverina teo amin\u2019i Jakoba ireo olona nirahiny ireo, ka niteny hoe: \u201cNihaona tamin\u2019i Esao rahalahinao izahay. Efa tamy any izy izao hitsena anao, miaraka amin\u2019ny 400 lahy.\u201d",
        "7": "Dia natahotra be i Jakoba sady nitebiteby, ka nozarainy roa ny olona niaraka taminy. Nozarainy roa koa ny ondry aman\u2019osy sy ny omby ary ny rameva.",
        "8": "Hoy mantsy izy: \u201cRaha tafihin\u2019i Esao ny antokony anankiray, dia mba ho afaka handositra ny antokony anankiray.\u201d",
        "9": "Ary hoy i Jakoba: \u201cRy Andriamanitr\u2019i Abrahama raiko sy Andriamanitr\u2019i Isaka raiko\u00a0\u00f4! Jehovah\u00a0\u00f4! Ianao no niteny tamiko hoe: \u2018Miverena any amin\u2019ny taninao sy any amin\u2019ny havanao, fa hanao soa aminao aho.\u2019",
        "10": "Tena tia ahy sy tsy nivadika tamiko mihitsy ianao, sady nitana ny teninao tamiko foana, nefa izaho mpanomponao tsy mendrika an\u2019izany. Fa tsy nanana afa-tsy tehina aho tamin\u2019izaho niampita an\u2019ity Reniranon\u2019i Jordana ity, nefa izao aho lasa manana antokon\u2019olona roa.",
        "11": "Mba vonjeo tsy ho azon\u2019ny tanan\u2019i Esao rahalahiko re aho\u00a0e, fa matahotra azy aho! Sao mantsy izy ho tonga hanafika ahy sy ireto zaza ireto sy ny reniny.",
        "12": "Ianao koa efa nilaza hoe: \u2018Tena hanao soa aminao tokoa aho, ary hataoko be dia be hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina ny taranakao, ka tsy ho voaisa satria be loatra.\u2019\u201d",
        "13": "Dia natory teo izy tamin\u2019iny alina iny. Ary izao avy no nalainy tamin\u2019ny fananany mba hatao fanomezana ho an\u2019i Esao rahalahiny:",
        "14": "Osivavy 200, osilahy 20, ondrivavy 200, ondrilahy 20,",
        "15": "rameva 30 mampinono miaraka amin\u2019ny zanany, ombivavy 40, ombilahy 10, ampondravavy 20, ary ampondralahy 10.",
        "16": "Dia nomeny ny mpanompony ny andiam-biby tsirairay, ka hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMandehana miampita mialoha ahy, ary\u00a0ataovy mifanelanelana ny andiam-biby.\u201d",
        "17": "Nomeny baiko koa ilay mpanompony voalohany hoe: \u201cRaha mifanena aminao i Esao rahalahiko ka manontany hoe: \u2018Fa mpanompon\u2019iza ianao, dia handeha ho aiza? Ary an\u2019iza ireo biby eo alohanao ireo?\u2019,",
        "18": "dia teneno hoe: \u2018An\u2019i Jakoba mpanomponao. Fanomezana nalefany ho an\u2019i Esao tompoko mantsy ireo, ary efa ao aoriananay ao koa izy.\u2019\u201d",
        "19": "Nomeny baiko koa ny faharoa sy ny fahatelo, ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby, hoe: \u201cIzany no holazainareo amin\u2019i Esao, rehefa mifanena aminy ianareo.",
        "20": "Dia lazao koa hoe: \u2018Ao aoriananay ao i Jakoba mpanomponao.\u2019\u201d Nieritreritra mantsy izy hoe: \u2018Raha andefasako fanomezana mialoha izy, dia hampitony azy izany, dia mety handray tsara ahy izy rehefa mihaona izahay.\u2019",
        "21": "Nandeha niampita mialoha niaraka tamin\u2019ny fanomezana \u00e0ry ny mpanompony, fa izy kosa nijanona teo amin\u2019ny toby tamin\u2019iny alina iny.",
        "22": "Ary nitsangana izy tamin\u2019iny alina iny, ka nalainy ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany 11 lahy, dia nentiny niampita teo amin\u2019izay marivo teo Jaboka.",
        "23": "Nentiny teny ampitan\u2019ilay renirano \u00e0ry izy ireo, ary nentiny daholo koa izay nananany.",
        "24": "Farany, dia i Jakoba irery no teo. Dia avy eo nisy lehilahy nifampitolona taminy, mandra-pahazava ratsin\u2019ny andro.",
        "25": "Rehefa hitan\u2019ilay lehilahy fa tsy resiny i Jakoba, dia nokasihiny ny foto-peny. Koa nipitsoka ny foto-pen\u2019i Jakoba, tamin\u2019izy nifampitolona taminy.",
        "26": "Ary hoy ilay lehilahy: \u201cAvelao aho handeha, fa efa mazava ratsy ny andro.\u201d Dia hoy i Jakoba: \u201cTsy havelako handeha ianao, raha tsy mitso-drano ahy aloha.\u201d",
        "27": "Hoy \u00e0ry ilay lehilahy taminy: \u201cFa iza moa ny anaranao?\u201d Dia hoy izy: \u201cJakoba.\u201d",
        "28": "Hoy indray ilay lehilahy: \u201cTsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely, satria efa nitolona tamin\u2019Andriamanitra sy tamin\u2019olona ianao, ka nandresy tamin\u2019ny farany.\u201d",
        "29": "Dia nanontany i Jakoba hoe: \u201cMba lazao amiko koa ny anaranao.\u201d Hoy anefa ilay lehilahy: \u201cFa maninona no anontanianao ny anarako?\u201d Dia nitso-drano azy teo izy.",
        "30": "Dia nataon\u2019i Jakoba hoe Peniela ny anaran\u2019ilay toerana, satria hoy izy: \u201cEfa nifanatrika tamin\u2019Andriamanitra aho, nefa mbola velona ihany.\u201d",
        "31": "Vao nandalo an\u2019i Penoela izy dia niposaka ny masoandro. Ary nikotringa izy noho ny foto-peny.",
        "32": "Izany no mahatonga ny zanak\u2019Israely tsy hihinana hozatra eo amin\u2019ny foto-pe hatramin\u2019izao, satria nokasihin\u2019ilay lehilahy ny hozatry ny foto-pen\u2019i Jakoba."
    },
    "33": {
        "1": "Ary nitazana i Jakoba ka hitany fa tamy i Esao, niaraka tamin\u2019ny 400 lahy. Dia nozarazarain\u2019i Jakoba tamin\u2019i Lea sy Rahely ary ny mpanompovavy roa ny ankizy.",
        "2": "Nataony teny aloha ny mpanompovavy sy ny zanany, dia avy eo i Lea sy ny zanany, ary tao aorianan\u2019izy ireo i Rahely sy Josefa.",
        "3": "Dia nandeha mialoha azy ireo i Jakoba, ka niankohoka tamin\u2019ny tany impito, mandra-pahatongany teo akaikin\u2019ny rahalahiny.",
        "4": "I Esao koa anefa nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy sady nanoroka azy. Dia nitomany teo izy mirahalahy.",
        "5": "Rehefa hitan\u2019i Esao ny zaza amam-behivavy, dia hoy izy: \u201cIza ireo miaraka aminao ireo?\u201d Ary hoy i Jakoba: \u201cZaza nomen\u2019Andriamanitra ny mpanomponao ireo.\u201d",
        "6": "Dia nanatona ireo mpanompovavy sy ny zanany, ka niankohoka.",
        "7": "Nanatona koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka. Avy eo dia nanatona i Josefa sy Rahely ka niankohoka.",
        "8": "Ary hoy i Esao: \u201cFa maninona ianao no nandefa an\u2019ireny olona sy biby rehetra nifanena tamiko ireny?\u201d Dia hoy i Jakoba: \u201cAmin\u2019izay aho hankasitrahan\u2019ny tompoko.\u201d",
        "9": "Ary hoy i Esao: \u201cEfa be dia be mihitsy ny fananako, ry rahalahiko, fa aleo ho anao ihany ny anao.\u201d",
        "10": "Hoy anefa i Jakoba: \u201cAza atao an\u2019izany moa\u00a0e! Raha ankasitrahanao aho, dia mba raiso ny fanomezana atolotro. Te hahita ny endrikao mantsy aho dia nitondra an\u2019ireny. Dia nahita ny endrikao tokoa aho izao, ka hoatran\u2019ny hoe nahita ny endrik\u2019Andriamanitra satria noraisinao tsara aho.",
        "11": "Mba raiso re ny fanomezana nentina ho anao\u00a0e, fa tsodrano avy amiko ireny! Efa nankasitrahan\u2019Andriamanitra mantsy aho, ka manana an\u2019izay rehetra ilaiko.\u201d Dia mbola nisisika ihany izy, ka noraisin\u2019i Esao izany.",
        "12": "Dia hoy i Esao: \u201cAndao isika hiala eto, ka aleo aho handeha eo alohanao.\u201d",
        "13": "Hoy anefa i Jakoba: \u201cHitan\u2019ny tompoko moa fa mbola kely ny ankizy, ary mampinono ny ondry sy omby entiko. Koa raha entina mandeha mafy loatra ao anatin\u2019ny iray andro ireo biby fiompy ireo, dia ho faty daholo.",
        "14": "Aleo re ianao, tompoko, mandeha mialoha ny mpanomponao\u00a0e! Fa izaho handeha miadana manaraka ny dian\u2019ny biby fiompy sy ny dian\u2019ny ankizy, mandra-pahatongako any amin\u2019ny tompoko any Seira.\u201d",
        "15": "Dia hoy i Esao: \u201cAleo \u00e0ry homeko olona ianao hiaraka aminao\u00a0e!\u201d Fa hoy i Jakoba: \u201cAoka izao ihany re\u00a0e! Rehefa ankasitrahanao fotsiny aho, tompoko, dia ampy ahy izay.\u201d",
        "16": "Koa niverina nankany Seira i Esao tamin\u2019iny andro iny.",
        "17": "Ary lasa nankany Sokota i Jakoba. Dia nanorina trano izy, sady nanao fialofana ho an\u2019ny biby fiompiny. Izany no nahatonga azy hiantso an\u2019ilay toerana hoe Sokota.",
        "18": "Tonga soa aman-tsara tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Sekema tany Kanana i Jakoba, rehefa avy tany Padana-arama. Dia nanangana ny tobiny teo akaikin\u2019ilay tan\u00e0na izy.",
        "19": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nividy tany izy, ka teo izy no nanangana ny tranolainy. Novidiny 100 kesita tamin\u2019ny zanakalahin\u2019i Hamora, rain\u2019i Sekema, ilay izy.",
        "20": "Dia nanorina alitara teo izy, ary nataony hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely ny anaran\u2019ilay alitara."
    },
    "34": {
        "1": "Ary zatra niarakaraka tamin\u2019ny tovovavy tompon-tany i Dina zanakavavin\u2019i Jakoba sy Lea.",
        "2": "Rehefa nahita azy i Sekema, zanakalahin\u2019i Hamora Hivita, mpiadidy tao amin\u2019ilay tany, dia naka azy ka nanolana azy.",
        "3": "Dia lasa raiki-pitia tamin\u2019i Dina zanakavavin\u2019i Jakoba i Sekema. Tena tia an\u2019ilay tovovavy izy, ka nanao teny nambabo ny fony.",
        "4": "Farany, dia hoy i Sekema tamin\u2019i Hamora rainy: \u201cAlaivo ho vadiko ilay ankizivavy iny.\u201d",
        "5": "Ary henon\u2019i Jakoba fa efa nandoto an\u2019i Dina zanany vavy i Sekema. Ny zanany lahy anefa mbola niandry ny biby fiompiny tany an-tsaha tamin\u2019izay. Nangina \u00e0ry aloha i Jakoba mandra-piverin\u2019izy ireo.",
        "6": "Avy eo dia nivoaka hiresaka tamin\u2019i Jakoba i Hamora, rain\u2019i Sekema.",
        "7": "Henon\u2019ny zanakalahin\u2019i Jakoba anefa izay nitranga, ka tonga dia nody avy tany an-tsaha izy ireo. Tena sosotra izy ireo sady tezitra be, satria nanala baraka ny Israely i Sekema, rehefa nanao firaisana tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Jakoba, nefa zavatra tsy tokony hatao mihitsy izany.",
        "8": "Ary niresaka tamin\u2019izy ireo i Hamora hoe: \u201cRaiki-pitia amin\u2019ny zanakareo vavy i Sekema zanako. Koa mba omeo azy re izy ho vadiny\u00a0e!",
        "9": "Andao isika hanao fifanarahana, ka omeo ho vadin\u2019ny zanakay lahy ny zanakareo vavy, ary alaivo ho vadin\u2019ny zanakareo lahy ny zanakay vavy.",
        "10": "Mahazo miara-monina aminay ianareo, ka ho afaka hipetraka eny amin\u2019izay tianareo hipetrahana eto amin\u2019ity tany ity. Mipetraha eto dia manaova varotra eto, ary ataovy izay hahatamana anareo.\u201d",
        "11": "Ary hoy i Sekema tamin\u2019ny rain\u2019ilay tovovavy sy ny anadahiny: \u201cMba tanteraho re ny faniriako\u00a0e, fa homeko anareo izay angatahinareo amiko.",
        "12": "Afaka mitaky vodiondry lafo be amiko ianareo, sady afaka mangataka fanomezana faran\u2019izay lafo vidy, fa vonona aho hanome an\u2019izay teneninareo. Fa mba omeo ho vadiko fotsiny ilay ankizivavy iny.\u201d",
        "13": "Ary namitaka an\u2019i Sekema sy Hamora rainy ny zanakalahin\u2019i Jakoba, satria i Sekema nandoto an\u2019i Dina anabavin\u2019izy ireo.",
        "14": "Dia namaly izy ireo hoe: \u201cTsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an\u2019ny lehilahy tsy mifora, fa manala baraka anay izany.",
        "15": "Izao atao vao hanaiky izahay: Tsy maintsy manao hoatr\u2019anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.",
        "16": "Dia homenay anareo ny zanakay vavy, ary halainay ho anay ny zanakareo vavy. Hiara-monina aminareo koa izahay, dia ho lasa firenena iray isika.",
        "17": "Fa raha tsy manaraka ny teninay ianareo ka tsy manaiky hoforana, dia halainay ny anabavinay dia handeha izahay.\u201d",
        "18": "Ary tian\u2019i Hamora sy Sekema zanany ny hevitr\u2019izy ireo.",
        "19": "Dia tsy nangataka andro ilay tovolahy fa nanao an\u2019izay nangatahin\u2019izy ireo, satria nahafinaritra azy ny zanakavavin\u2019i Jakoba. Izy koa no nohajaina indrindra tao amin\u2019ny ankohonan-drainy manontolo.",
        "20": "Dia nankeo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na i Hamora sy Sekema zanany, ka niteny tamin\u2019ny lehilahy tao an-tan\u00e0na hoe:",
        "21": "\u201cTe hihavana amintsika ireo olona ireo. Koa aleo izy hipetraka eto amin\u2019ity tany ity sy hanao varotra eto, satria malalaka be ny tany ka mbola antonona azy. Azontsika alaina ho vady ny zanany vavy, ary azontsika omena azy koa ny zanatsika vavy.",
        "22": "Fa raha izao no ataontsika vao hanaiky hiara-monina amintsika izy ireo mba ho lasa firenena iray isika sy ry zareo: Tsy maintsy forana hoatran-dry zareo koa ny lehilahy rehetra eto amintsika.",
        "23": "Dia tsy ho lasantsika ve amin\u2019izay ny fananany sy ny harenany ary ny biby fiompiny rehetra? Aleo hekentsika izay lazainy, mba hiara-monina amintsika ry zareo.\u201d",
        "24": "Ary nanaiky ny tenin\u2019i Hamora sy Sekema zanany ny olona rehetra nivoaka ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0nany, ka noforana ny lahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na.",
        "25": "Tamin\u2019ny andro fahatelo anefa, raha iny mbola nanaintaina iny ireo lehilahy ireo, dia samy naka ny sabany ny zanak\u2019i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy Levy, anadahin\u2019i Dina. Dia niditra tao an-tan\u00e0na izy roa lahy, nefa tsy nisy niahiahy azy mihitsy, dia novonoiny daholo ny lehilahy rehetra tao.",
        "26": "Dia novonoiny tamin\u2019ny sabatra i Hamora sy Sekema zanany, dia avy eo nalainy tao an-tranon\u2019i Sekema i Dina ka lasa izy ireo.",
        "27": "Tonga koa ny zanakalahin\u2019i Jakoba hafa ka nandroba ny tan\u00e0nan\u2019ireo lehilahy novonoina ireo, satria nandoto ny anabaviny ireo.",
        "28": "Dia nalain\u2019ny zanak\u2019i Jakoba ny ondrin\u2019izy ireo, ny ombiny, ny ampondrany, sy izay tao an-tan\u00e0na, ary izay teny an-tsaha.",
        "29": "Nalainy daholo koa ny fananan\u2019izy ireo, sady nentiny ho babo daholo ny zanany kely sy ny vadiny, ary norobainy ny zava-drehetra tany anaty trano.",
        "30": "Dia hoy i Jakoba tamin\u2019i Simeona sy Levy: \u201cEfa nampidi-kizo ahy mihitsy ianareo, fa noho ny nataonareo, dia lasa maimbo amin\u2019ny mponina eto amin\u2019ity tany ity aho, dia amin\u2019ny Kananita sy ny Perizita. Isika anefa vitsy kely, dia hitambatra hanafika antsika ry zareo, ka ho ripaka izaho sy ny ankohonako.\u201d",
        "31": "Hoy anefa izy ireo: \u201cNy anabavinay kosa ve dia avelanay hataon\u2019ny olona hoatran\u2019ny mpivaro-tena?\u201d"
    },
    "35": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Jakoba: \u201cMandehana miakatra any Betela, dia any mipetraka. Ary manaova alitara any, ho an\u2019ilay Andriamanitra niseho taminao, tamin\u2019ianao nandositra an\u2019i Esao rahalahinao.\u201d",
        "2": "Ary hoy i Jakoba tamin\u2019ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: \u201cArio ny andriamani-kafa any aminareo, ary diovy ny tenanareo, dia soloy ny akanjonareo.",
        "3": "Dia andao isika hiakatra any Betela. Any aho no hanao alitara ho an\u2019ilay tena Andriamanitra. Nihaino ahy tamin\u2019ny andro fahoriako izy sady nanampy ahy foana na taiza na taiza nalehako.\u201d",
        "4": "Koa nomen\u2019izy ireo an\u2019i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra tany amin\u2019izy ireo sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin\u2019i Jakoba teo am-pototr\u2019ilay hazobe tany akaikin\u2019i Sekema.",
        "5": "Rehefa nandeha izy ireo, dia nataon\u2019Andriamanitra nihorohoro ny tan\u00e0na nanodidina, ka tsy nenjehiny ny zanak\u2019i Jakoba.",
        "6": "Farany, dia tonga tao Lozy, izany hoe Betela, tany Kanana i Jakoba sy ny olona rehetra niaraka taminy.",
        "7": "Dia nanorina alitara teo izy. Ary nataony hoe Ela-betela ny anaran\u2019ilay toerana, satria teo Andriamanitra no niseho taminy, tamin\u2019izy nandositra ny rahalahiny.",
        "8": "Tat\u1ef3 aoriana dia maty i Debora, ilay vehivavy nampinono an\u2019i Rebeka taloha. Nalevina teo akaikin\u2019i Betela izy, teo ambany hazo oaka. Koa nataon\u2019i Jakoba hoe Alona-bakota ny anaran\u2019ilay hazo.",
        "9": "Ary niseho tamin\u2019i Jakoba indray Andriamanitra ka nitso-drano azy, tamin\u2019izy avy tany Padana-arama.",
        "10": "Dia hoy Andriamanitra taminy: \u201cJakoba no anaranao. Tsy hatao hoe Jakoba intsony anefa ny anaranao, fa hatao hoe Israely.\u201d Dia nantsoiny hoe Israely izy.",
        "11": "Hoy koa Andriamanitra taminy: \u201cIzaho no Andriamanitra Mahery Indrindra. Miteraha maro, dia mihabetsaha. Hisy firenena hipoitra avy aminao, dia firenena maromaro mihitsy, ary hisy mpanjaka maro avy amin\u2019ny taranakao.",
        "12": "Homeko anao ilay tany nomeko an\u2019i Abrahama sy Isaka, ary homeko ny taranakao handimby anao koa izany.\u201d",
        "13": "Avy eo dia niala teo aminy Andriamanitra, teo amin\u2019ilay toerana niresahany taminy.",
        "14": "Dia nanorina tsangambato teo amin\u2019ilay toerana niresahan\u2019 Andriamanitra taminy i Jakoba, ka nandraraka fanatitra zava-pisotro sy menaka teo ambonin\u2019ilay izy.",
        "15": "Ary mbola nataon\u2019i Jakoba hoe Betela ihany ny anaran\u2019ilay toerana niresahan\u2019Andriamanitra taminy.",
        "16": "Ary niainga izy ireo ka niala tao Betela. Raha mbola lavidavitra an\u2019i Efrata izy ireo, dia nihetsi-jaza i Rahely sady saro-piterahana.",
        "17": "Tamin\u2019ilay izy nanaintaina mafy teo am-piterahana iny, dia hoy ny mpampivelona: \u201cAza matahotra fa mbola hahazo lahikely indray ianao.\u201d",
        "18": "Rehefa hiala aina iny i Rahely,\u2014fa efa ho faty\u2014dia nataony hoe Ben-ony ny anaran\u2019ilay zaza. Fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamina.",
        "19": "Dia maty i Rahely ka nalevina teny amoron\u2019ny lalana mankany Efrata, izany hoe Betlehema.",
        "20": "Ary nanorina tsangambato teo ambonin\u2019ny fasany i Jakoba. Io no tsangambaton\u2019ny fasan\u2019i Rahely hatramin\u2019izao.",
        "21": "Dia niainga i Israely taorian\u2019izay, ka raha vao niala kely teo amin\u2019ny tilikambo Edera izy dia nanorina ny tranolainy.",
        "22": "Indray mandeha, dia nanao firaisana tamin\u2019i Bilaha vadikelin-drainy i Robena, tamin\u2019i Israely mbola nipetraka tao amin\u2019ilay tany. Ary lasa fantatr\u2019i Israely izany. Nisy 12 ny zanakalahin\u2019i Jakoba.",
        "23": "Ny naterak\u2019i Lea dia i Robena, lahimatoan\u2019i Jakoba, dia avy eo i Simeona, Levy, Joda, Isakara, ary Zebolona.",
        "24": "Ny naterak\u2019i Rahely dia i Josefa sy Benjamina.",
        "25": "Ny naterak\u2019i Bilaha, mpanompovavin\u2019i Rahely, dia i Dana sy Naftaly.",
        "26": "Ary ny naterak\u2019i Zilpa, mpanompovavin\u2019i Lea, dia i Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin\u2019i Jakoba naterany tany Padana-arama.",
        "27": "Farany, dia tonga tany amin\u2019i Isaka rainy tany Mamre i Jakoba, tao Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Tao i Abrahama sy Isaka no nivahiny.",
        "28": "Ary velona 180\u00a0taona i Isaka.",
        "29": "Dia niala aina i Isaka ka maty. Ary nangonina any amin\u2019ny razambeny izy, rehefa ela velona sy afa-po tamin\u2019ny fiainana. Dia nandevina azy i Esao sy Jakoba zanany."
    },
    "36": {
        "1": "Izao no tantaran\u2019i Esao, izany hoe i Edoma:",
        "2": "Naka vady tao Kanana i Esao. Ireto avy izy ireo: Ada zanakavavin\u2019i Elona Hetita, sy Oholibama zanakavavin\u2019i Ana sady zafikelin\u2019i Zibona Hivita,",
        "3": "ary Basemata zanakavavin\u2019i Ismaela sady anabavin\u2019i Nebaiota.",
        "4": "Ary i Ada niteraka an\u2019i Elifaza tamin\u2019i Esao, i Basemata kosa niteraka an\u2019i Regoela,",
        "5": "ary i Oholibama niteraka an\u2019i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanakalahin\u2019i Esao naterany tany Kanana.",
        "6": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nentin\u2019i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny hafa rehetra, ary ny fananana rehetra voangony tany Kanana, ka lasa izy nankany an-tany hafa, niala lavitra an\u2019i Jakoba rahalahiny.",
        "7": "Lasa betsaka loatra mantsy ny fananan\u2019izy mirahalahy, ka tsy afaka niara-nonina izy ireo. Tsy antonona azy ireo intsony ilay tany nipetrahany, satria be dia be ny biby fiompiny.",
        "8": "Dia nipetraka tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Seira i Esao. I Esao no Edoma.",
        "9": "Izao no tantaran\u2019i Esao rain\u2019ny Edomita, tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Seira:",
        "10": "Ireto no anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Esao: Elifaza zanak\u2019i Ada vadin\u2019i Esao, sy Regoela zanak\u2019i Basemata vadin\u2019i Esao.",
        "11": "Ny zanakalahin\u2019i Elifaza dia i Temana, Omara, Zefo, Gatama, ary Kenaza.",
        "12": "Ary lasa vadikelin\u2019i Elifaza zanakalahin\u2019i Esao i Timna. Dia niteraka an\u2019i Amaleka tamin\u2019i Elifaza izy. Ireo no taranak\u2019i Ada vadin\u2019i Esao.",
        "13": "Ireto no zanakalahin\u2019i Regoela: Nahata, Zera, Sama, ary Miza. Ireo no taranak\u2019i Basemata vadin\u2019i Esao.",
        "14": "Ireto no zanakalahin\u2019i Oholibama naterany tamin\u2019i Esao: Jeosy sy Jalama ary Kora, izay naterany tamin\u2019i Esao. Vadin\u2019i Esao i Oholibama ary zanakavavin\u2019i Ana, sady zafikelin\u2019i Zibona.",
        "15": "Ireto no lehibem-pokon\u2019ny taranak\u2019i Esao, izany hoe ny zanakalahin\u2019i Elifaza lahimatoan\u2019i Esao: Temana Lehibem-poko, Omara Lehibem-poko, Zefo Lehibem-poko, Kenaza Lehibem-poko,",
        "16": "Kora Lehibem-poko, Gatama Lehibem-poko, ary Amaleka Lehibem-poko. Ireo no lehibem-poko avy tamin\u2019i Elifaza tany Edoma. Ireo no taranak\u2019i Ada.",
        "17": "Ireto no zanakalahin\u2019i Regoela zanak\u2019i Esao: Nahata Lehibem-poko, Zera Lehibem-poko, Sama Lehibem-poko, ary Miza Lehibem-poko. Ireo no lehibem-poko avy tamin\u2019i Regoela tany Edoma. Ireo no taranak\u2019i Basemata vadin\u2019i Esao.",
        "18": "Ireto no zanakalahin\u2019i Oholibama vadin\u2019i Esao: Jeosy Lehibem-poko, Jalama Lehibem-poko, ary Kora Lehibem-poko. Ireo no lehibem-poko avy tamin\u2019i Oholibama, zanakavavin\u2019i Ana sady vadin\u2019i Esao.",
        "19": "Ireo no zanakalahin\u2019i Esao, ary ireo no lehibem-pokony. I Esao no Edoma.",
        "20": "Ireto no taranak\u2019i Seira Horita, izay mponina teo amin\u2019ilay tany: Lotana, Sobala, Zibona, Ana,",
        "21": "Disona, Ezera ary Disana. Ireo no lehibem-pokon\u2019ny Horita taranak\u2019i Seira, tany Edoma.",
        "22": "Ny zanakalahin\u2019i Lotana dia i Hory sy Hemama. Ary i Timna no anabavin\u2019i Lotana.",
        "23": "Ireto no zanakalahin\u2019i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefo, ary Onama.",
        "24": "Ireto no zanakalahin\u2019i Zibona: Aia sy Ana. Io Ana io no nahita ny ranomafana tany an-tany efitra, tamin\u2019izy niandry ny ampondran\u2019i Zibona rainy.",
        "25": "Ireto no zanak\u2019i Ana: Disona sy Oholibama zanakavavin\u2019i Ana.",
        "26": "Ireto no zanakalahin\u2019i Disona: Hemdana, Esbana, Jitrana, ary Kerana.",
        "27": "Ireto no zanakalahin\u2019i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.",
        "28": "Ireto no zanakalahin\u2019i Disana: Oza sy Arana.",
        "29": "Ireto no lehibem-pokon\u2019ny Horita: Lotana Lehibem-poko, Sobala Lehibem-poko, Zibona Lehibem-poko, Ana Lehibem-poko,",
        "30": "Disona Lehibem-poko, Ezera Lehibem-poko, ary Disana Lehibem-poko. Ireo no lehibem-pokon\u2019ny Horita tany Seira.",
        "31": "Ary ireto no mpanjaka nitondra tany Edoma, tamin\u2019ny mbola tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019ny Israelita:",
        "32": "I Bela zanakalahin\u2019i Beora no nanjaka tany Edoma, ary Dinaba no anaran\u2019ny tan\u00e0nany.",
        "33": "Rehefa maty i Bela, dia i Jobaba zanakalahin\u2019i Zera avy any Bozra no nanjaka nandimby azy.",
        "34": "Rehefa maty i Jobaba, dia i Hosama avy any amin\u2019ny tanin\u2019ny Temanita no nanjaka nandimby azy.",
        "35": "Rehefa maty i Hosama, dia i Hadada zanakalahin\u2019i Bedada no nanjaka nandimby azy. Nandresy ny Midianita teo amin\u2019ny faritr\u2019 i Moaba i Hadada, ary Avita no anaran\u2019ny tan\u00e0nany.",
        "36": "Rehefa maty i Hadada, dia i Samla avy any Masreka no nanjaka nandimby azy.",
        "37": "Rehefa maty i Samla, dia i Saoly avy any Rehobota eo amoron\u2019ny Renirano no nanjaka nandimby azy.",
        "38": "Rehefa maty i Saoly, dia i Bala-hanana zanakalahin\u2019i Akbora no nanjaka nandimby azy.",
        "39": "Rehefa maty i Bala-hanana zanak\u2019i Akbora, dia i Hadara no nanjaka nandimby azy, ary Pao no anaran\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Hadara. Ary ny anaran\u2019ny vadiny dia Mehetebela zanakavavin\u2019i Matreda, izay zanakavavin\u2019i Mezahaba.",
        "40": "Ireto \u00e0ry no anaran\u2019ny lehibem-poko avy tamin\u2019i Esao, araka ny fianakaviany sy ny toerana nisy azy ary ny anarany: Timna Lehibem-poko, Alva Lehibem-poko, Jeteta Lehibem-poko,",
        "41": "Oholibama Lehibem-poko, Elaha Lehibem-poko, Pinona Lehibem-poko,",
        "42": "Kenaza Lehibem-poko, Temana Lehibem-poko, Mibzara Lehibem-poko,",
        "43": "Magdiela Lehibem-poko, ary Irama Lehibem-poko. Ireo no lehibem-pokon\u2019i Edoma sy ny tan\u00e0nany tao amin\u2019ny taniny. Ireo no taranak\u2019i Esao, rain\u2019ny Edomita."
    },
    "37": {
        "1": "Mbola nipetraka tany Kanana, tao amin\u2019ilay tany nivahinian\u2019ny rainy, i Jakoba.",
        "2": "Izao no tantaran\u2019i Jakoba: Tamin\u2019i Josefa zanany 17\u00a0taona, tamin\u2019izy mbola tovolahy, dia niaraka niandry ondry tamin\u2019ny zanakalahin\u2019i Bilaha sy ny zanakalahin\u2019i Zilpa vadin-drainy izy. Ary notantarainy tamin-drainy ny ratsy nataon\u2019ireo rahalahiny ireo.",
        "3": "Tian\u2019i Israely noho ny zanany lahy hafa rehetra i Josefa, satria naterany tamin\u2019izy efa antitra. Ary nampanamboatra akanjo manokana ho an\u2019i Josefa izy.",
        "4": "Rehefa hitan\u2019ny rahalahiny hoe i Josefa no tian\u2019ny rainy kokoa noho izy rehetra, dia nankahala azy izy ireo. Lasa nikitakita foana izy ireo rehefa niresaka tamin\u2019i Josefa.",
        "5": "Indray mandeha, dia nanonofy i Josefa, ka notantarainy tamin\u2019ny rahalahiny ilay nofiny. Dia vao mainka izy ireo nankahala azy.",
        "6": "Hoy mantsy izy: \u201cMba henoy ange ity nofiko ity\u00a0e!",
        "7": "Samy namatotra amboara teny an-tsaha, hono, isika, dia iny fa niarina ny amboarako ka nijoro mahitsy. Ny amboaranareo indray nanodidina an\u2019ilay amboarako, dia niankohoka teo amin\u2019ilay izy.\u201d",
        "8": "Dia hoy ny rahalahiny taminy: \u201cTe hilaza ve ialahy hoe hanjaka aminay sy hifehy anay?\u201d Vao mainka \u00e0ry izy ireo nankahala azy, noho ilay nofiny sy ny teniny.",
        "9": "Nanonofy indray izy taorian\u2019izay ka notantarainy tamin\u2019ny rahalahiny ilay izy. Hoy izy: \u201cNanonofy indray aho hoe niankohoka teo anatrehako, hono, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana 11.\u201d",
        "10": "Avy eo dia notantarainy tamin\u2019ny rainy ilay izy, ary teo koa ny rahalahiny. Dia nobedesin\u2019ny rainy izy hoe: \u201cFa inona no dikan\u2019izany nofinao izany? Ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin\u2019ny tany eo anatrehanao?\u201d",
        "11": "Dia nialona azy ny rahalahiny, fa ny rainy kosa nitadidy an\u2019izany teniny izany foana.",
        "12": "Ary lasa ny rahalahiny niandry ny andian\u2019ondrin\u2019ny rainy, tany akaikin\u2019i Sekema.",
        "13": "Avy eo dia hoy i Israely tamin\u2019i Josefa: \u201cMiandry ondry any akaikin\u2019i Sekema izao ny rahalahinao\u00a0e? Avia ianao hirahiko ho any amin-dry zareo.\u201d Dia hoy i Josefa: \u201cEny \u00e0ry!\u201d",
        "14": "Dia hoy izy taminy: \u201cMba mandehana jereo raha tsy misy maninona ny rahalahinao sy ny andian\u2019ondry. Tantarao amiko izay hitanao rehefa miverina ianao.\u201d Dia nirahiny nankany Sekema i Josefa, ka avy teo amin\u2019ny lohasaha any Hebrona izy no niainga.",
        "15": "Ary nisy lehilahy nahita azy nandeha tany an-tsaha, ka nanontany azy hoe: \u201cFa inona no tadiavinao?\u201d",
        "16": "Dia hoy izy: \u201cMitady ny rahalahiko aho. Sao dia mba fantatrao hoe aiza ry zareo no miandry ondry?\u201d",
        "17": "Ary hoy ilay lehilahy: \u201cNiala teto ry zareo fa henoko niresaka hoe: \u2018Andao isika ho any Dotana.\u2019\u201d Narahin\u2019i Josefa \u00e0ry ny rahalahiny, ka hitany tany Dotana.",
        "18": "Vao teny lavidavitra izy dia tazan\u2019ny rahalahiny. Mbola tsy tonga teny akaikiny akory izy, dia nanao tetika izy ireo hoe hamono azy ho faty.",
        "19": "Koa nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cIny tamy iny ilay mpanonofy!",
        "20": "Andao hovonointsika ho faty izy dia hatsipintsika ao anatin\u2019ny iray amin\u2019iretsy lavaka fanangonan-drano iretsy, dia mody hataontsika hoe lanin\u2019ny bibidia masiaka. Ho hitantsika eo hoe hanao ahoana ny nofiny.\u201d",
        "21": "Rehefa naheno an\u2019izany i Robena, dia nitady hevitra hamonjena azy ka niteny hoe: \u201cAleo izy tsy hovonointsika\u00a0e!\u201d",
        "22": "Hoy koa i Robena: \u201cAza mandatsa-dra. Atsipazo ao anatin\u2019io lavaka fanangonan-drano at\u1ef3 an-tany efitra io fotsiny izy, fa aza mamely azy.\u201d Tiany hovonjena mantsy i Josefa, dia haverina any amin\u2019ny rainy.",
        "23": "Vao tonga teo amin\u2019ny rahalahiny \u00e0ry i Josefa, dia nendahan\u2019izy ireo ilay akanjo tsara tarehy nanaovany.",
        "24": "Dia nobatainy izy ka natsipiny tao anatin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano. Maina ilay lavaka tamin\u2019izay, fa tsy nisy rano.",
        "25": "Dia nipetraka hisakafo izy ireo. Avy eo izy ireo nahatazana Ismaelita maromaro niaraka avy tany Gileada, handeha hidina ho any Ejipta. Nitondra ditin-kazo ladanoma sy balsama ary hodi-kazo misy ditiny ny ramevan\u2019izy ireo.",
        "26": "Dia hoy i Joda tamin\u2019ny rahalahiny: \u201cInona moa ny soa ho azontsika, raha vonointsika ny rahalahintsika dia tsy miteniteny isika?",
        "27": "Andao hamidintsika amin\u2019ireny Ismaelita ireny izy, fa tsy hovonointsika. Sady izy ange rahalahintsika sy nofontsika ihany\u00a0e!\u201d Dia nohenoin\u2019izy ireo ny teniny.",
        "28": "Rehefa nandalo ny Ismaelita, izany hoe ny Midianita mpivarotra, dia nampiakarin\u2019ny rahalahiny avy tao amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano i Josefa. Dia namidin\u2019izy ireo volafotsy 20 sekely tamin\u2019ny Ismaelita izy, ka nentin\u2019izy ireny nankany Ejipta.",
        "29": "Taorian\u2019izay, dia niverina nankeo amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano i Robena. Dia hitany hoe tsy tao intsony i Josefa, ka nandrovitra ny akanjony izy.",
        "30": "Niverina teo amin\u2019ny rahalahiny izy, ka niantsoantso hoe: \u201cTsy ao intsony ilay zaza! Ahoana re no hataoko\u00a0e?\u201d",
        "31": "Ary nalain\u2019ny rahalahiny ilay akanjon\u2019i Josefa, dia namono osilahy izy ireo, ka natsobony tao anaty ra ilay akanjo.",
        "32": "Avy eo dia nisy olona nirahiny hanatitra an\u2019ilay akanjo tany amin\u2019ny rainy, sady hiteny hoe: \u201cNahita an\u2019ity izahay ka mba jereo hoe akanjon\u2019ny zanakao ity sa tsia!\u201d",
        "33": "Dia nojeren\u2019ny rainy tsara ilay izy, ka niantsoantso izy hoe: \u201cIlay akanjon\u2019ny zanako mihitsy ity! Tena lanin\u2019ny bibidia masiaka i Josefa! Tena noviravirain\u2019ny bibidia izy!\u201d",
        "34": "Dia nandrovitra ny akanjony i Jakoba, ka nisikina lamba gony sady nisaona an\u2019ilay zanany andro maro.",
        "35": "Niezaka nampionona azy foana ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina mihitsy izy. Fa hoy izy: \u201cHisaona ny zanako foana aho mandra-pahafatiko!\u201d Dia nitomany an-janany foana izy.",
        "36": "Ary namidin\u2019ny Midianita tamin\u2019i Potifara i Josefa rehefa tany Ejipta. Tandapan\u2019i Farao sady lehiben\u2019ny mpiambina io Potifara\u00a0io."
    },
    "38": {
        "1": "Ary nandao an\u2019ireo rahalahiny i Joda tamin\u2019izany fotoana izany, ka nanangana ny tranolainy teo akaikin\u2019ny toerana nipetrahan\u2019ilay lehilahy adolamita atao hoe Hira.",
        "2": "Tany no nahitan\u2019i Joda ny zanakavavin\u2019i Soa, lehilahy kananita. Dia nanambady an\u2019ilay vehivavy i Joda ka nanao firaisana taminy.",
        "3": "Dia bevohoka ilay vehivavy ka tera-dahy. Ary nataony hoe Era ny anarany.",
        "4": "Dia bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia nataony hoe Onana ny anarany.",
        "5": "Ary mbola tera-dahy ihany izy, ka nataony hoe Sela ny anarany. Tany Akziba izy tamin\u2019ny fotoana niterahan\u2019ilay vehivavy an\u2019i Sela.",
        "6": "Tat\u1ef3 aoriana, dia naka vady ho an\u2019i Era lahimatoany i Joda. Tamara no anarany.",
        "7": "Nanao zavatra tsy nahafaly an\u2019i Jehovah anefa i Era lahimatoan\u2019i Joda, ka novonoin\u2019i Jehovah ho faty.",
        "8": "Hoy \u00e0ry i Joda tamin\u2019i Onana: \u201cAlaivo ho vady ny vadin\u2019ilay rahalahinao efa maty dia manaova firaisana aminy, mba hanomezana taranaka ho an\u2019ilay rahalahinao.\u201d",
        "9": "Fantatr\u2019i Onana anefa fa tsy hatao ho anisan\u2019ny zanany ilay zaza, ka nariany tamin\u2019ny tany ny tsirinainy rehefa nanao firaisana tamin\u2019ilay vadin\u2019ny rahalahiny izy, amin\u2019izay tsy hahazo taranaka ilay rahalahiny.",
        "10": "Ratsy teo imason\u2019i Jehovah anefa ny zavatra nataony, ka novonoiny ho faty koa izy.",
        "11": "Ary hoy i Joda tamin\u2019i Tamara vinantovaviny: \u201cMijan\u00f2na any an-tranon\u2019ny rainao, dia aza manambady aloha fa andraso ho lehibe i Sela zanako lahy.\u201d Niteny an\u2019izany izy satria natahotra sao ho faty hoatran\u2019ny rahalahiny koa i Sela. Dia lasa nipetraka tany an-tranon\u2019ny rainy i Tamara.",
        "12": "Rehefa nandeha ny fotoana, dia maty ny vadin\u2019i Joda, izany hoe ilay zanakavavin\u2019i Soa. Nisaona azy elaela i Joda, dia avy eo nankany amin\u2019ny mpanety ny ondriny tany Timna, niaraka tamin\u2019i Hira Adolamita namany.",
        "13": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Tamara hoe: \u201cMiakatra ho any Timna ny rafozandahinao, hanety ny ondriny.\u201d",
        "14": "Dia nesorin\u2019i Tamara ny akanjo namantarana hoe maty vady izy. Avy eo dia nosaronany ny lohany sady nitafy saly izy. Dia nipetraka teo amin\u2019ny fidirana ho ao Enaima izy, teo amin\u2019ny lalana mankany Timna. Hitany mantsy fa efa lehibe i Sela, nefa mbola tsy nomena ho vadiny ihany.",
        "15": "Vao nahita azy i Joda, dia nihevitra azy hoe mpivaro-tena, satria nosaronany ny tarehiny.",
        "16": "Koa nivily nankeo aminy teo amoron-dalana i Joda, ka niteny hoe: \u201cMba avelao aho hanao firaisana aminao.\u201d Tsy fantany mantsy hoe ny vinantovaviny io. Hoy anefa ilay vehivavy: \u201cInona \u00e0ry no homenao ahy raha manaiky hanao firaisana aminao aho?\u201d",
        "17": "Dia hoy izy: \u201cHandefasako zanak\u2019osy avy amin\u2019ny ondry aman\u2019osiko ianao.\u201d Fa hoy ilay vehivavy: \u201cHomenao antoka ve aho mandra-panatitrao an\u2019izany?\u201d",
        "18": "Dia hoy izy: \u201cInona no antoka tokony homeko anao?\u201d Ary hoy ilay vehivavy: \u201cIny peratra fanombohan-kasenao iny sy ny tadiny, ary iny tehina eny an-tananao iny.\u201d Dia nomen\u2019i Joda azy izany ka nanao firaisana taminy izy, dia bevohoka ilay vehivavy.",
        "19": "Taorian\u2019izay, dia lasa ilay vehivavy. Ary nesoriny ilay saly nanaovany, ka nanaovany indray ny akanjon\u2019ny mpitondratena.",
        "20": "Dia nampanaterin\u2019i Joda an\u2019ilay Adolamita namany ilay zanak\u2019osy, mba hahazoana an\u2019ilay antoka tany amin\u2019ilay vehivavy. Tsy hitan\u2019ilay namany mihitsy anefa ilay vehivavy.",
        "21": "Dia nanontaniany ny olona teo an-toerana hoe: \u201cAiza ilay mpivaro-tenan\u2019ny tempoly teto Enaima iny, ilay teo amoron-dalana iny?\u201d Hoy anefa ny olona: \u201cTsy nisy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly mihitsy teto.\u201d",
        "22": "Farany, dia niverina tany amin\u2019i Joda izy ka niteny hoe: \u201cTsy hitako mihitsy ilay vehivavy, sady nilaza koa ny olona tany hoe: \u2018Tsy nisy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly mihitsy teto.\u2019\u201d",
        "23": "Hoy \u00e0ry i Joda: \u201cAvelao ireny ho lasany any, sao isika indray no ho afa-baraka eo. Sady izaho koa efa mba nampanatitra an\u2019ity zanak\u2019osy ity, saingy tsy hitanao mihitsy izy.\u201d",
        "24": "Telo volana teo ho eo taorian\u2019izay anefa, dia nisy nilaza tamin\u2019i Joda hoe: \u201cNivaro-tena i Tamara vinantovavinao, dia izao izy izao bevohoka.\u201d Dia hoy i Joda: \u201cAvoahy izy hodorana.\u201d",
        "25": "Rehefa navoaka izy, dia naniraka olona hiteny tamin\u2019ny rafozandahiny hoe: \u201cIlay lehilahy tompon\u2019ireto zavatra ireto no nahabevohoka ahy.\u201d Hoy koa izy: \u201cMba jereo tsara hoe an\u2019iza ireto peratra fanombohan-kase sy tady ary tehina ireto.\u201d",
        "26": "Dia nojeren\u2019i Joda tsara ireo, ka hoy izy: \u201cMarina ny azy fa izaho no diso. Tsy nomeko ho vadin\u2019i Sela zanako lahy mantsy izy.\u201d Taorian\u2019izay, dia tsy nanao firaisana taminy intsony i Joda.",
        "27": "Rehefa tonga ny fotoana hiterahan\u2019i Tamara, dia ireo fa kambana no tao an-kibony.",
        "28": "Tamin\u2019ilay izy teo am-piterahana iny, dia namoaka ny tanany ilay zaza iray. Tonga dia naka kofehy mena midorehitra ny mpampivelona, ka nafatony tamin\u2019ny tanan\u2019ilay zaza, sady hoy izy: \u201cIty no nivoaka voalohany.\u201d",
        "29": "Vao nahemotr\u2019ilay zaza anefa ny tanany, dia ny rahalahiny indray no nivoaka. Hoy \u00e0ry ilay mpampivelona: \u201cJereo fa nataonao tataka mihitsy ny reninao!\u201d Koa nataony hoe Pereza ny anaran\u2019ilay zaza.",
        "30": "Avy eo dia nivoaka ilay rahalahiny, ilay nisy kofehy mena midorehitra tamin\u2019ny tanany. Ary natao hoe Zera ny anarany."
    },
    "39": {
        "1": "Ary nentin\u2019ny Ismaelita nidina tany Ejipta i Josefa. Dia novidin\u2019ilay Ejipsianina atao hoe Potifara tamin\u2019izy ireo izy. Tandapan\u2019i Farao sady lehiben\u2019ny mpiambina i Potifara.",
        "2": "Notahin\u2019i Jehovah foana anefa i Josefa ka nahomby daholo izay nataony. Nahazo andraikitra tao an-tranon\u2019ilay Ejipsianina tompony koa izy.",
        "3": "Dia hitan\u2019ilay tompony fa notahin\u2019i Jehovah i Josefa, sady nataon\u2019i Jehovah nahomby daholo izay nataony.",
        "4": "Ary nankasitrahan\u2019ny tompony i Josefa ka lasa mpanompo natokisany. Koa notendreny hiandraikitra ny tao an-tranony sy ny fananany rehetra izy.",
        "5": "Taorian\u2019ny nanendren\u2019ilay Ejipsianina an\u2019i Josefa hiandraikitra ny tao an-tranony sy ny fananany rehetra, dia notahin\u2019i Jehovah foana ny tao an-tranony noho i Josefa. Notahin\u2019i Jehovah tokoa izay rehetra nananany tao an-trano sy tany an-tsaha.",
        "6": "Dia nampiandraiketiny an\u2019i Josefa daholo izay rehetra nananany. Tsy nieritreritra na inona na inona intsony mihitsy i Potifara, afa-tsy izay sakafo hohaniny ihany. Ary lasa tsara bika sy tsara tarehy i Josefa.",
        "7": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nanomboka nijerijery an\u2019i Josefa ny vadin\u2019ny tompony, ka niteny hoe: \u201cAvia hanao firaisana amiko.\u201d",
        "8": "Tsy nety anefa izy fa niteny tamin\u2019ny vadin\u2019ny tompony hoe: \u201cTsy mieritreritra intsony an\u2019izay ato an-trano ny tompoko, fa efa nampiandraiketiny ahy daholo izay rehetra ananany.",
        "9": "Tsy misy manana fahefana noho izaho ato amin\u2019ity trano ity, ary tsy nisy na inona na inona nandrarany ahy afa-tsy ianao, satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana ny hanao an\u2019izany ratsy lehibe izany ka hanota amin\u2019Andriamanitra?\u201d",
        "10": "Isan\u2019andro isan\u2019andro mihitsy ilay vehivavy no niteny tamin\u2019i Josefa, nefa tsy nanaiky hanao firaisana taminy mihitsy izy, na hiaraka irery taminy.",
        "11": "Indray andro anefa, rehefa niditra tao an-trano hanao ny raharahany i Josefa, dia tsy nisy mpanompo mihitsy tao.",
        "12": "Dia nisambotra azy tamin\u2019ny akanjony ilay vehivavy sady niteny hoe: \u201cAvia hanao firaisana amiko!\u201d Navelany teny an-tanan\u2019ilay vehivavy anefa ny akanjony, dia lasa izy nandositra tany ivelany.",
        "13": "Raha vao hitan\u2019ilay vehivavy fa navelan\u2019i Josefa teny an-tanany ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy,",
        "14": "dia niantsoantso mafy izy ka niteny tamin\u2019ny mpanompony hoe: \u201cNentin\u2019ny vadiko tat\u1ef3 amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hihomehy haneso antsika. Dia nanketo amiko izy hanao firaisana amiko, nefa niantsoantso faran\u2019izay mafy aho.",
        "15": "Rehefa henony hoe nikiakiaka mafy aho, dia tonga dia navelany teto amiko ny akanjony, ka nandositra tany ivelany izy.\u201d",
        "16": "Dia napetrany teo akaikiny ilay akanjo, mandra-pahatongan\u2019ny tompon\u2019i Josefa tao an-trano.",
        "17": "Avy eo dia naveriny tamin\u2019i Potifara ilay zavatra efa noteneniny teo, ka hoy izy: \u201cNanketo amiko ilay mpanompo hebreo nentinao tato amintsika iny mba hihomehy haneso ahy.",
        "18": "Vao nikiakiaka mafy be anefa aho, dia navelany teto amiko ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy.\u201d",
        "19": "Dia tezitra be ny tompon\u2019i Josefa, raha vao naheno ny tenin\u2019ny vadiny taminy hoe: \u201cIzao sy izao no nataon\u2019ilay mpanomponao tamiko.\u201d",
        "20": "Nalain\u2019ny tompony \u00e0ry i Josefa ka nampidiriny tany am-ponja, tany amin\u2019ilay toerana nasiana an\u2019izay nogadrain\u2019ny mpanjaka. Dia tao am-ponja tao foana izy.",
        "21": "Nitahy an\u2019i Josefa foana anefa i Jehovah, sady tia azy foana sy tsy mba nivadika taminy mihitsy. Dia notahiny i Josefa ka lasa nankasitrahan\u2019ny lehiben\u2019ny fonja.",
        "22": "Ary nasain\u2019ny lehiben\u2019ny fonja niandraikitra ny gadra rehetra tao am-ponja i Josefa. Zavatra nampanaovin\u2019i Josefa daholo izay nataon\u2019ireo gadra ireo tao.",
        "23": "Tsy nisy nampanahy an\u2019ilay lehiben\u2019ny fonja mihitsy ny zavatra niandraiketan\u2019i Josefa. Notahin\u2019i Jehovah mantsy i Josefa, sady nataon\u2019i Jehovah nahomby daholo izay nataony."
    },
    "40": {
        "1": "Taorian\u2019izany, dia nanao diso tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta tompony ny lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotrony sy ny lehiben\u2019ny mpanao mofo.",
        "2": "Dia tezitra tamin\u2019ireo tandapany roa ireo i Farao, izany hoe tamin\u2019ilay lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben\u2019ny mpanao mofo.",
        "3": "Koa nampidiriny tao amin\u2019ilay fonja tao an-tranon\u2019ny lehiben\u2019ny mpiambina izy ireo, tao amin\u2019ilay nigadran\u2019i Josefa.",
        "4": "Ary notendren\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina hiaraka tamin\u2019izy roa lahy i Josefa, dia hikarakara an\u2019izay ilain\u2019izy ireo. Ary tao am-ponja elaela izy ireo.",
        "5": "Indray alina, dia samy nanonofy ilay mpandroso zava-pisotro sy ilay mpanao mofon\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta, izay nigadra tao am-ponja. Samy nisy dikany ny nofiny.",
        "6": "Rehefa nankeo amin\u2019izy ireo i Josefa ny ampitso maraina, dia hitany fa kivikivy izy ireo.",
        "7": "Koa nanontanian\u2019i Josefa ireo tandapan\u2019i Farao ireo, izay niara-nigadra taminy tao an-tranon\u2019ny tompony, hoe: \u201cFa maninona ianareo no maloka endrika androany?\u201d",
        "8": "Dia hoy izy ireo: \u201cSamy nanonofy izahay, nefa tsy misy mahay manazava aminay ny dikan\u2019ilay izy.\u201d Ary hoy i Josefa: \u201cAndriamanitra ihany no mahay manazava ny dikan\u2019ny nofy. Mba tantarao amiko hoe ilay izy!\u201d",
        "9": "Dia nitantara ny nofiny tamin\u2019i Josefa ilay lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotro, hoe: \u201cNanonofy aho hoe nisy voaloboka naniry, hono, teo alohako teo.",
        "10": "Ary nisy sampany telo tamin\u2019ilay voaloboka. Nitsimoka ilay izy dia namelana, ary nisy voaloboka masaka.",
        "11": "Teny an-tanako, hono, ny kaopin\u2019i Farao, dia nalaiko ireo voaloboka ireo ka nofiazako hankao anatin\u2019ilay kaopy. Dia natolotro an\u2019i Farao ilay kaopy.\u201d",
        "12": "Ary hoy i Josefa taminy: \u201cIzao no dikan\u2019izany: Ny sampany telo dia telo andro.",
        "13": "Rehefa afaka telo andro, dia havoakan\u2019i Farao ianao, ka haveriny amin\u2019ny toeranao. Ary hanolotra ny kaopin\u2019i Farao ianao, hoatran\u2019ny efa nataonao taloha tamin\u2019ianao nandroso zava-pisotro ho azy.",
        "14": "Mba tsarovy anefa aho rehefa mandeha tsara ny fiainanao. Dia mba iantrao aho, ka resaho any amin\u2019i Farao any ny momba ahy mba ho tafavoaka ato aho.",
        "15": "Nalaina an-keriny avy any amin\u2019ny tanin\u2019ny Hebreo mantsy aho. Sady izaho koa tat\u1ef3 tsy nanao na inona na inona tokony ho nampidirana ahy tato amin\u2019ity fonja ity.\u201d",
        "16": "Rehefa hitan\u2019ilay lehiben\u2019ny mpanao mofo hoe tsara ilay dikan\u2019ny nofy nohazavain\u2019i Josefa, dia hoy izy taminy: \u201cIzaho indray nanonofy hoe niloloha harona telo, dia feno mofo fotsy tao anatiny.",
        "17": "Ary nisy mofo isan-karazany ho an\u2019i Farao tao anatin\u2019ilay harona farany ambony. Nohanin\u2019ny vorona anefa ny mofo tao anatin\u2019ilay harona nololohaviko.\u201d",
        "18": "Dia hoy i Josefa: \u201cIzao no dikan\u2019izany: Ny harona telo dia telo andro.",
        "19": "Rehefa afaka telo andro, dia hotapahin\u2019i Farao ny lohanao, ary hahantony eo amin\u2019ny tsato-kazo ianao, ka hohanin\u2019ny vorona ny nofonao.\u201d",
        "20": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia nitsingerina ny andro nahaterahan\u2019i Farao. Dia nanao fety ho an\u2019ny mpanompony rehetra izy, ka navoakany ny lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotro sy ny lehiben\u2019ny mpanao mofo mba ho hitan\u2019ny mpanompony.",
        "21": "Naveriny tamin\u2019ny toerany ilay lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotro, ka nanolotra zava-pisotro ho an\u2019i Farao indray.",
        "22": "Fa nahantony kosa ilay lehiben\u2019ny mpanao mofo, araka ny dikan\u2019ny nofy nohazavain\u2019i Josefa tamin\u2019izy ireo.",
        "23": "Tsy nahatsiaro an\u2019i Josefa anefa ilay lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotro, fa nanadino azy."
    },
    "41": {
        "1": "Rehefa afaka roa taona katroka, dia nanonofy i Farao hoe nijoro teo amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily izy.",
        "2": "Dia ireny, hono, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy, niakatra avy tao amin\u2019ilay renirano ka niraoka ahitra teo amorony.",
        "3": "Ireny koa nisy ombivavy fito ratsy tarehy sady mahia, niakatra avy tao Neily taorianan\u2019izy ireo, ka nijoro teo akaikiny teo amoron\u2019ilay renirano.",
        "4": "Avy eo dia nohanin\u2019ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia ireo ny ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia taitra tamin\u2019ny torimasony i Farao.",
        "5": "Ary niverina natory indray izy ka nanonofy fanindroany. Dia ireo, hono, nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara, nipoitra tamin\u2019ny tahony iray.",
        "6": "Nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, mahia sady mainan\u2019ny rivotra avy any atsinanana.",
        "7": "Dia natelin\u2019ireo salohim-bary mahia ireo ny salohy fito vaventy sady tsara. Dia taitra tamin\u2019ny torimasony i Farao, ka fantany fa hay nofy ilay izy.",
        "8": "Nitebiteby anefa i Farao ny ampitso maraina, ka nampanantsoiny daholo ny mpisorona mpanao sikidy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta. Dia notantarainy tamin\u2019izy ireny ny nofiny, nefa tsy nisy nahavita nanazava ny dikan\u2019ilay nofy ireny na iray aza.",
        "9": "Dia niteny tamin\u2019i Farao ny lehiben\u2019ny mpandroso zava-pisotro hoe: \u201cMiaiky aho hoe nanao diso.",
        "10": "Indray andro dia tezitra tamin\u2019ny mpanompony i Farao, izany hoe tamiko sy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpanao mofo. Dia nampidiriny tao amin\u2019ilay fonja ao an-tranon\u2019ny lehiben\u2019ny mpiambina an\u2019i Farao izahay.",
        "11": "Samy nanonofy izahay roa lahy indray alina, ary samy nisy dikany ny nofinay.",
        "12": "Ary niaraka taminay tao ny tovolahy hebreo iray, mpanompon\u2019ny lehiben\u2019ny mpiambina. Rehefa notantarainay taminy ny nofinay, dia nohazavainy taminay avy ny dikany.",
        "13": "Dia nitranga tokoa ny zavatra nolazainy taminay, ka naverina tamin\u2019ny toerako aho, fa nahantona kosa ilay iray.\u201d",
        "14": "Dia nampanantsoin\u2019i Farao i Josefa, ka navoaka haingana avy tao amin\u2019ilay fonja. Niharatra sy nisolo akanjo izy, dia nankao amin\u2019i Farao.",
        "15": "Ary hoy i Farao tamin\u2019i Josefa: \u201cNanonofy aho, saingy tsy misy mahay manazava ny dikany. Henoko anefa hoe rehefa misy nofy lazaina aminao, dia hainao ny manazava ny dikany.\u201d",
        "16": "Dia hoy i Josefa tamin\u2019i Farao: \u201cFa inona moa izay izaho? Andriamanitra ihany no hilaza amin\u2019i Farao an\u2019izay mahasoa azy.\u201d",
        "17": "Hoy ihany i Farao taminy: \u201cNanonofy aho hoe nijoro teo amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily, hono, aho.",
        "18": "Ary ireny fa nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy, niakatra avy tao Neily, dia niraoka ahitra teo amorony.",
        "19": "Ireny koa nisy ombivavy fito hafa, malemilemy sady ratsy tarehy ary mahia, niakatra taorianan\u2019izy ireo. Mbola tsy nahita ombivavy ratsy tarehy hoatr\u2019azy ireo mihitsy aho eran\u2019i Ejipta.",
        "20": "Dia nohanin\u2019ireo ombivavy kaozatra sady ratsy tarehy ireo ny ombivavy fito matavy.",
        "21": "Rehefa lanin\u2019izy ireo anefa ny ombivavy matavy, dia tsy nisy nahafantatra akory hoe efa laniny ilay izy. Mbola nahia sy ratsy tarehy hoatran\u2019ny teo aloha ihany mantsy izy ireo. Dia taitra tamin\u2019ny torimasoko aho.",
        "22": "\u201cAvy eo dia hitako tao amin\u2019ny nofiko indray, fa nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara, nipoitra tamin\u2019ny tahony iray.",
        "23": "Ary nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, malazo sady mahia ary mainan\u2019ny rivotra avy any atsinanana.",
        "24": "Dia natelin\u2019ireo salohim-bary mahia ireo ny salohy fito tsara. Dia notantaraiko tamin\u2019ny mpisorona mpanao sikidy izany, nefa tsy nisy nahavita nilaza ny dikan\u2019ilay nofy tamiko.\u201d",
        "25": "Ary hoy i Josefa tamin\u2019i Farao: \u201cIray ihany ny dikan\u2019ireo nofin\u2019i Farao ireo. Izay hataon\u2019ilay tena Andriamanitra no nolazainy tamin\u2019i Farao.",
        "26": "Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona. Ny salohim-barimbazaha fito tsara koa dia fito taona. Iray ihany ny dikan\u2019ireo nofy ireo.",
        "27": "Ny ombivavy fito kaozatra sady ratsy tarehy izay niakatra taorianan\u2019izy ireo dia fito taona. Ary ny salohim-barimbazaha fito izay akofa fotsiny sady mainan\u2019ny rivotra avy any atsinanana, dia fito taona hisian\u2019ny mosary.",
        "28": "Izay mihitsy ilay noresahiko tamin\u2019i Farao teo hoe: Izay hataon\u2019ilay tena Andriamanitra no nasehony an\u2019i Farao.",
        "29": "\u201cHisy fito taona mahavokatra be eran\u2019i Ejipta.",
        "30": "Aorian\u2019izay indray dia hisy fito taona hisian\u2019ny mosary, ka ho hadino hoe nahavokatra be eran\u2019i Ejipta, fa ho simban\u2019ny mosary ny tany.",
        "31": "Ary tsy hotsaroana intsony ilay hoe nahavokatra be teto noho ilay mosary aorian\u2019izay, satria ho faran\u2019izay mafy ilay mosary.",
        "32": "Naverina indroa tamin\u2019i Farao ilay nofy, satria tian\u2019Andriamanitra hohamafisina tsara, sady tsy ho ela dia hotanterahiny.",
        "33": "\u201cTsara raha mitady lehilahy malina sy hendry i Farao, ka manendry azy hanam-pahefana amin\u2019i Ejipta.",
        "34": "Tsara koa raha manendry mpiandraikitra maromaro eto Ejipta i Farao. Tokony hangonin\u2019i Farao koa ny ampahadimin\u2019ny vokatra eto Ejipta, mandritra an\u2019ireo fito taona mahavokatra be.",
        "35": "Asaivo manangona ny sakafo rehetra mandritra an\u2019ireo taona mahavokatra ho\u00a0avy ry zareo, dia asaivo tehiriziny ny vokatra voangony, mba hatao sakafo isan-tan\u00e0na. Dia i Farao no hitantana an\u2019izany.",
        "36": "Tokony hatao tahiry ho an\u2019i Ejipta mandritra an\u2019ilay fito taona hisian\u2019ny mosary ireo sakafo ireo, mba tsy ho ripaky ny mosary ny tany.\u201d",
        "37": "Dia hitan\u2019i Farao sy ny mpanompony rehetra hoe tsara izany hevitra izany.",
        "38": "Ary hoy i Farao tamin\u2019ny mpanompony: \u201cAiza indray isika no hahita lehilahy manana ny fanahin\u2019Andriamanitra tahaka an\u2019io?\u201d",
        "39": "Dia hoy i Farao tamin\u2019i Josefa: \u201cSatria nampahafantarin\u2019Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy malina sy hendry tahaka anao.",
        "40": "Ianao no hiandraikitra ny ankohonako, ary hankat\u00f2 an\u2019izay teneninao ny vahoakako rehetra. Zavatra iray fotsiny no mahatonga ahy ho ambony noho ianao, dia ny hoe izaho no mpanjaka.\u201d",
        "41": "Hoy koa i Farao: \u201cManendry anao hanam-pahefana amin\u2019i Ejipta manontolo aho.\u201d",
        "42": "Dia nesorin\u2019i Farao ny peratra fanombohan-kase teny amin\u2019ny tanany ka nataony tamin\u2019ny tanan\u2019i Josefa. Ary nampitafiany lamba rongony tena tsara koa izy sady nasiany rojo volamena ny vozony.",
        "43": "Nasainy nitaingina teo amin\u2019ny kalesy faharoan\u2019i Farao koa izy, dia nisy olona niantsoantso teo alohany hoe: \u201cAvreka!\u201d Toy izany no nanendren\u2019i Farao azy hanam-pahefana amin\u2019i Ejipta manontolo.",
        "44": "Hoy koa i Farao tamin\u2019i Josefa: \u201cIzaho no Farao, nefa tsy misy mahazo manao na inona na inona eran\u2019i Ejipta, raha tsy omenao alalana.\u201d",
        "45": "Taorian\u2019izay, dia nataon\u2019i Farao hoe Zafenata-panea ny anaran\u2019i Josefa, ary nomeny ho vadiny i Asenata, zanakavavin\u2019i Potifera mpisorona tao Ona. Dia nanomboka nitantana an\u2019i Ejipta i Josefa.",
        "46": "Ary 30\u00a0taona i Josefa tamin\u2019izy nanomboka niasa ho an\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta. Dia niala teo anatrehan\u2019i Farao i Josefa ka nitety an\u2019i Ejipta manontolo.",
        "47": "Be dia be ny vokatra tao amin\u2019ilay tany, nandritra an\u2019ireo fito taona nahavokatra be.",
        "48": "Ary nangoniny ny sakafo rehetra vokatra tamin\u2019ireo fito taona nahavokatra be tany Ejipta, ka notehiriziny tao amin\u2019ireo tan\u00e0na. Notehiriziny isaky ny tan\u00e0na ny vokatra avy teny amin\u2019ny saha manodidina.",
        "49": "Tsy nitsahatra nanangona vokatra i Josefa ka lasa be dia be hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina izany. Tsy nafatra intsony \u00e0ry izany satria be loatra.",
        "50": "Talohan\u2019ny nahatongavan\u2019ny taona nisian\u2019ny mosary, dia niteraka roa lahy tamin\u2019i Josefa i Asenata, zanakavavin\u2019i Potifera mpisorona tao Ona.",
        "51": "Nataon\u2019i Josefa hoe Manase ny anaran\u2019ilay lahimatoa. Hoy mantsy izy: \u201cEfa nataon\u2019Andriamanitra izay hanadinoako ny fahoriako rehetra sy ny ankohonan-draiko manontolo.\u201d",
        "52": "Ary nataony hoe Efraima ny anaran\u2019ilay faharoa. Hoy mantsy izy: \u201cEfa nomen\u2019Andriamanitra taranaka aho, eto amin\u2019ity tany nahitako ny mangidy ity.\u201d",
        "53": "Ary tapitra ireo fito taona nahavokatra be tany Ejipta.",
        "54": "Dia nanomboka ireo fito taona nisian\u2019ny mosary, araka ny efa nolazain\u2019i Josefa. Nisy mosary tany amin\u2019ny tany rehetra, fa mbola nisy sakafo kosa eran\u2019i Ejipta.",
        "55": "Tamin\u2019ny farany, dia tratran\u2019ny mosary koa i Ejipta manontolo, ka nitaraina tamin\u2019i Farao ny olona mba hahazo sakafo. Dia hoy i Farao tamin\u2019ny Ejipsianina rehetra: \u201cMankanesa any amin\u2019i Josefa, dia ataovy izay ampanaoviny anareo.\u201d",
        "56": "Ary mbola nisy mosary ihany tany amin\u2019ny tany rehetra. Dia nosokafan\u2019i Josefa ny trano fitehirizam-bokatra rehetra teo amin\u2019izy ireo, ka namidiny tamin\u2019ny Ejipsianina ny vokatra notehirizina. Efa mafy mantsy ny mosary tao Ejipta.",
        "57": "Tonga tany Ejipta koa ny olona avy any amin\u2019ny tany rehetra mba hividy sakafo tamin\u2019i Josefa, satria mafy ny mosary tany amin\u2019ny tany rehetra."
    },
    "42": {
        "1": "Rehefa fantatr\u2019i Jakoba hoe nisy sakafo tany Ejipta, dia hoy izy tamin\u2019ny zanany lahy: \u201cFa maninona ianareo no mifampijerijery eo fotsiny?\u201d",
        "2": "Hoy koa izy: \u201cHenoko hoe misy sakafo any Ejipta. Mandehana midina any hividy sakafo ho antsika, mba tsy ho faty isika.\u201d",
        "3": "Koa nidina tany Ejipta ny rahalahin\u2019i Josefa folo lahy mba hividy sakafo.",
        "4": "I Benjamina rahalahin\u2019i Josefa anefa tsy nalefan\u2019i Jakoba niaraka tamin\u2019ireo rahalahiny ireo, satria hoy izy: \u201cSao dia ho tratran\u2019ny loza any izy dia ho faty.\u201d",
        "5": "Ary niaraka tamin\u2019ny olon-kafa hividy sakafo ny zanakalahin\u2019i Israely, satria nisy mosary koa tany Kanana.",
        "6": "I Josefa no nanam-pahefana tamin\u2019i Ejipta manontolo, ary izy no nivarotra sakafo tamin\u2019ny olona rehetra teto an-tany. Tonga \u00e0ry ny rahalahin\u2019i Josefa ka niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehany.",
        "7": "Vao hitan\u2019i Josefa ny rahalahiny dia fantany. Nataony anefa izay tsy hahafantaran\u2019izy ireo azy. Dia nasiaka fiteny tamin\u2019izy ireo izy, ka niteny hoe: \u201cAvy aiza ianareo?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cAvy any Kanana izahay dia tonga mba hividy sakafo.\u201d",
        "8": "Fantatr\u2019i Josefa \u00e0ry ny rahalahiny, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy.",
        "9": "Tonga dia tsaroan\u2019i Josefa ny nofiny momba azy ireo, ka hoy izy taminy: \u201cMpitsikilo ianareo! Tonga eto ianareo mba hijery hoe aiza ho aiza ny faritra mora tafihina eto amin\u2019ny taninay!\u201d",
        "10": "Fa hoy izy ireo: \u201cTsy marina izany, tompoko, fa hividy sakafo no nahatongavanay mpanomponao.",
        "11": "Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra, ary olo-marina. Tsy mpitsikilo mihitsy ny mpanomponao.\u201d",
        "12": "Hoy anefa izy: \u201cHita fa tonga eto ianareo mba hijery an\u2019izay faritra mora tafihina eto amin\u2019ny taninay!\u201d",
        "13": "Dia hoy izy ireo: \u201cMisy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, ary zanaky ny lehilahy iray ihany. Mipetraka any Kanana ny rainay, ary any aminy izao ny faralahy, fa ny iray efa tsy eo intsony.\u201d",
        "14": "Hoy anefa i Josefa taminy: \u201cEfa hoe mpitsikilo ianareo!",
        "15": "Koa izao no hitsapana anareo: Raha mbola velona koa i Farao, dia tsy mahazo miala eto ianareo raha tsy tonga eto ny zandrinareo faralahy.",
        "16": "Iraho haka an\u2019ilay rahalahinareo ny iray aminareo, fa ianareo kosa hafatotra. Raha manao an\u2019izany ianareo, dia izay no hahitako hoe tena marina ny teninareo. Fa raha tsy izany, ary raha mbola velona koa i Farao, dia ho hita hoe mpitsikilo tokoa ianareo.\u201d",
        "17": "Dia nataony tao am-ponja telo\u00a0andro izy ireo.",
        "18": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia hoy i Josefa: \u201cMatahotra an\u2019Andriamanitra aho, ka izao atao dia ho velona ianareo:",
        "19": "Raha olo-marina ianareo, dia aleo ny iray aminareo hafatotra ato amin\u2019ity fonja ity. Fa ny sisa kosa afaka mandeha mitondra sakafo ho an\u2019izay mosarena amin\u2019ny fianakavianareo.",
        "20": "Ary ento at\u1ef3 amiko ilay zandrinareo faralahy, mba ho hita hoe azo itokisana ny teninareo, dia tsy ho faty ianareo.\u201d Dia nataon\u2019izy ireo izany.",
        "21": "Ary nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cTena voasazy isika noho ny nataontsika tamin\u2019ny rahalahintsika. Efa hitantsika mantsy ny fahoriany tamin\u2019izy nitalaho mafy tamintsika mba hangoraka azy, nefa tsy mba niantra azy isika. Izany no mahatonga an\u2019izao fahoriana izao hitranga amintsika.\u201d",
        "22": "Dia hoy i Robena: \u201cTsy efa niteny taminareo moa aho tamin\u2019iny hoe: \u2018Aza manisy ratsy an\u2019io zaza io\u2019? Tsy nety nihaino anefa ianareo. Dia izao isika voasazy fa nandatsaka ny rany.\u201d",
        "23": "Tsy fantatr\u2019izy ireo anefa hoe azon\u2019i Josefa ny resak\u2019izy ireo, satria nampiasa mpandika teny izy rehefa niresaka taminy.",
        "24": "Niala teo amin\u2019izy ireo \u00e0ry izy dia nitomany. Rehefa niverina teo indray izy ka niresaka tamin\u2019izy ireo, dia i Simeona no nalainy ka nofatorany teo imason\u2019izy ireo.",
        "25": "Avy eo dia nasain\u2019i Josefa nofenoina varimbazaha ny gonin\u2019izy ireo. Nasainy naverina tao anaty gonin\u2019ny tsirairay koa ny volany, ary nasainy nomena vatsy hohaniny eny an-dalana izy ireo. Dia natao tamin\u2019izy ireo izany.",
        "26": "Ary nataingin\u2019izy ireo teo amin\u2019ny ampondrany ny sakafo novidiny, dia lasa izy ireo.",
        "27": "Rehefa nanokatra ny goniny ny iray tamin\u2019izy ireo fa handeha hanome sakafo ny ampondrany teo amin\u2019ny toeram-pilasiana, dia hitany teo am-bavan\u2019ny goniny ny volany.",
        "28": "Dia hoy izy tamin\u2019ny rahalahiny: \u201cNisy namerina ny volako! Io anaty goniko io ilay izy!\u201d Dia natahotra be izy ireo sady nangovitra, ka nifampiresaka hoe: \u201cFa inona loatra re izao ataon\u2019Andriamanitra amintsika izao\u00a0e?\u201d",
        "29": "Rehefa tonga tany amin\u2019i Jakoba rainy tany Kanana izy ireo, dia notantarain\u2019izy ireo taminy ny zava-drehetra nahazo azy. Hoy izy ireo:",
        "30": "\u201cNasiaka fiteny taminay ilay manam-pahefana ao amin\u2019ilay tany, dia nolazainy fa mpitsikilo izahay.",
        "31": "Novalianay anefa izy hoe: \u2018Olo-marina izahay, fa tsy mpitsikilo izany!",
        "32": "Misy 12 mirahalahy izahay no zanaky ny rainay. Ny iray efa tsy eo intsony, ary ny faralahy izao any amin\u2019ny rainay any Kanana.\u2019",
        "33": "Hoy anefa ilay manam-pahefana ao amin\u2019ilay tany: \u2018Izao no hahafantarako hoe olo-marina ianareo: Avelao eto amiko ny iray amin\u2019ny rahalahinareo, dia mandehana mitondra sakafo ho an\u2019izay mosarena amin\u2019ny fianakavianareo.",
        "34": "Ento at\u1ef3 amiko ilay zandrinareo faralahy, mba hahafantarako hoe tsy mpitsikilo ianareo fa olo-marina. Dia haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary mahazo mividy sakafo at\u1ef3 indray ianareo.\u2019\u201d",
        "35": "Rehefa nararak\u2019izy ireo ny tao anaty goniny, dia io fa tao anaty gonin\u2019ny tsirairay ny kitapom-bolany. Rehefa nahita an\u2019izany izy mirahalahy avy sy ny rainy, dia natahotra\u00a0be daholo.",
        "36": "Dia niantsoantso i Jakoba rainy hoe: \u201cLasa tsy manan-janaka intsony aho, noho ny nataonareo! I Josefa efa tsy eo intsony, i Simeona koa efa tsy eo intsony, dia izao indray i Benjamina koa mbola halainareo! Dia izaho daholo no mizaka an\u2019izany rehetra izany!\u201d",
        "37": "Hoy anefa i Robena tamin\u2019ny rainy: \u201cRaha tsy entiko miverina at\u1ef3 aminao izy, dia azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy. Ankino amiko izy, fa tsy maintsy hoentiko miverina at\u1ef3 aminao.\u201d",
        "38": "Fa hoy i Jakoba: \u201cTsy mahazo miara-midina aminareo any ny zanako, satria efa maty ny rahalahiny dia izy irery sisa no tavela. Raha tratran\u2019ny loza any amin\u2019izay halehanareo any izy ka maty, dia ahoana? Dia hataonareo mihitsy izay hidinako amin\u2019alahelo any amin\u2019ny Fasana, amin\u2019izao izaho efa fotsy volo izao.\u201d"
    },
    "43": {
        "1": "Ary mafy be ny mosary tao amin\u2019ilay tany.",
        "2": "Rehefa lany \u00e0ry ny sakafo nentin\u2019izy ireo avy tany Ejipta, dia hoy ny rainy: \u201cMandehana ianareo miverina mividy sakafo kely ho antsika.\u201d",
        "3": "Fa hoy i Joda taminy: \u201cEfa niteny taminay tsara mihitsy ilay lehilahy hoe: \u2018Tsy mahazo mankat\u1ef3 amiko intsony ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo!\u2019",
        "4": "Koa raha alefanao miaraka aminay izy, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.",
        "5": "Fa raha tsy alefanao izy, dia tsy hidina izahay, satria efa niteny ilay lehilahy hoe: \u2018Tsy mahazo mankat\u1ef3 amiko intsony ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.\u2019\u201d",
        "6": "Dia hoy i Israely: \u201cFa maninona ianareo no nampidi-kizo ahy hoatr\u2019izao? Fa maninona no noteneninareo tamin\u2019ilay lehilahy hoe mbola manana rahalahy hafa ianareo?\u201d",
        "7": "Dia hoy izy ireo: \u201cNivantana be mihitsy ange ny fanontanian\u2019ilay lehilahy momba anay sy ny havanay\u00a0e! Hoy izy: \u2018Mbola velona any ve ny rainareo? Manana rahalahy hafa koa ve ianareo?\u2019 Dia nolazainay taminy ny marina. Izahay ve moa nanampo fa hiteny izy hoe: \u2018Ento midina at\u1ef3 ilay rahalahinareo\u2019?\u201d",
        "8": "Hoy i Joda avy eo tamin\u2019i Israely rainy: \u201cAlefaso miaraka amiko izy, dia aleo izahay handeha mba tsy ho faty isika, na izahay na ianao na ny zanatsika.",
        "9": "Izaho mihitsy no hiantoka ny fiarovana azy. Aleo izaho no ho tompon\u2019andraikitra raha maninomaninona izy. Koa raha tsy entiko miverina at\u1ef3 aminao izy, dia ho fahotako aminao mandrakizay izany.",
        "10": "Fa hoatr\u2019izay raha tsy niandriandry izahay, dia ho efa tonga tany ka efa tafaverina fanindroany.\u201d",
        "11": "Dia hoy i Israely rainy: \u201cRaha tsy maintsy hoe izay \u00e0ry, dia izao atao: Alaivo ny vokatra tsara indrindra amin\u2019ny tany ka ataovy ao anaty goninareo, dia ento hatao fanomezana ho an\u2019ilay lehilahy: Balsama kely, tantely kely, ditin-kazo ladanoma, hodi-kazo misy ditiny, voanjombazaha, ary amandy.",
        "12": "Mitondr\u00e0 vola indroa henin\u2019ilay teo. Dia ento miverina koa ilay vola naverina teo am-bavan\u2019ny goninareo, fa angamba sendra diso fotsiny ry zareo.",
        "13": "Ento koa ilay rahalahinareo, dia mandehana miverina any amin\u2019ilay lehilahy.",
        "14": "Enga anie mba hataon\u2019ilay Andriamanitra Mahery Indrindra miantra anareo izy, dia mba hafahany ilay rahalahinareo iray ary tsy hotazoniny any i Benjamina. Raha tsy maintsy hafoiko anefa ny zanako, dia vonona hamoy ny zanako aho!\u201d",
        "15": "Dia nentin\u2019izy ireo ilay fanomezana. Nitondra vola indroa henin\u2019ilay teo koa izy ireo sady nitondra an\u2019i Benjamina. Dia lasa nidina nankany Ejipta izy ireo, ary nankeo anatrehan\u2019i Josefa indray.",
        "16": "Rehefa nahita an\u2019i Benjamina niaraka tamin\u2019izy ireo i Josefa, dia tonga dia niteny tamin\u2019ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony hoe: \u201cEnto any an-trano ireo lehilahy ireo. Ary mak\u00e0 biby, dia vonoy, dia karakarao hatao sakafo, fa hiara-misakafo amiko ry zareo rantoandro.\u201d",
        "17": "Tonga dia nataon\u2019ilay lehilahy izay nolazain\u2019i Josefa, ka nentiny ho any an-tranon\u2019i Josefa izy ireo.",
        "18": "Natahotra anefa izy ireo rehefa nentina tany, ka nifampiresaka hoe: \u201cIlay vola naverina tao anaty gonintsika tamin\u2019ny farany iny izao no antony itondrana antsika eto. Hosamborin-dry zareo izao isika, dia hataony andevo, dia halainy koa ny ampondrantsika!\u201d",
        "19": "Koa nanatona an\u2019ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranon\u2019i Josefa izy ireo, ka niresaka taminy teo am-baravarana.",
        "20": "Hoy izy ireo: \u201cMiala tsiny re, tompoko\u00a0\u00f4! Nidina hividy sakafo tat\u1ef3 izahay tamin\u2019ny voalohany.",
        "21": "Rehefa tonga tany amin\u2019ny toeram-pilasiana anefa izahay ka nosokafanay ny goninay, dia io fa teo am-bavan\u2019ny goninay tsirairay ny volanay, sady ilay lanjany iny ihany fa tsy nisy banga. Dia tianay haverina ilay izy.",
        "22": "Dia nitondra vola hafa koa izahay izao hividianana sakafo. Tsy fantatray hoe iza no nametraka ny volanay tao anaty goninay.\u201d",
        "23": "Dia hoy ilay lehilahy: \u201cTsy maninona izany, fa aza matahotra! Ilay Andriamanitrareo sy Andriamanitry ny rainareo no nametraka harena tao anaty goninareo. Fantatro hoe efa nandoa vola ianareo.\u201d Taorian\u2019izay dia navoakany teo amin\u2019izy ireo i Simeona.",
        "24": "Dia nampidirin\u2019ilay lehilahy tao an-tranon\u2019i Josefa izy ireo, ka nomeny rano hanasany tongotra. Nomeny sakafo koa ny ampondrany.",
        "25": "Fantatr\u2019izy ireo fa ho avy i Josefa amin\u2019ny mitataovovonana dia ao izy ireo no hisakafo, ka nomaniny ny fanomezana homena an\u2019i Josefa.",
        "26": "Rehefa tonga tao an-trano i Josefa, dia nentin\u2019izy ireo tao aminy ilay fanomezana, ary niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehany izy ireo.",
        "27": "Nanontany ny fahasalaman\u2019izy ireo izy avy eo, sady niteny hoe: \u201cManao ahoana izay ilay rainareo be\u00a0taona noresahinareo? Mbola velona ve izy?\u201d",
        "28": "Dia hoy izy ireo: \u201cSalama tsara ny rainay mpanomponao, ary mbola velona izy.\u201d Dia niondrika izy ireo ka niankohoka teo anatrehany.",
        "29": "Rehefa nahita an\u2019i Benjamina rahalahiny, ilay iray tam-po taminy i Josefa, dia hoy izy: \u201cIo ve ilay zandrinareo faralahy noresahinareo tamiko?\u201d Hoy koa izy: \u201cHotahin\u2019Andriamanitra anie ianao, anaka!\u201d",
        "30": "Ary niala teo haingana i Josefa, satria feno be ny fony noho izy nahita an\u2019ilay rahalahiny. Koa nitady toerana hitomaniana izy, ka nankao amin\u2019ny efitra iray mba ho irery, dia nitomany tao.",
        "31": "Avy eo dia nosasany ny tarehiny, dia nivoaka avy tao izy. Efa nahafehy ny fihetseham-pony izy tamin\u2019izay, ka niteny hoe: \u201cArosoy ny sakafo.\u201d",
        "32": "Dia naroson\u2019izy ireo ny sakafo, ka nataony mitokana ny an\u2019i Josefa, mitokana ny an\u2019ny rahalahiny, ary nihinana mitokana koa izay Ejipsianina niaraka tamin\u2019i Josefa teo. Tsy nahazo niara-nisakafo tamin\u2019ny Hebreo mantsy ny Ejipsianina, satria naharikoriko ny Ejipsianina izany.",
        "33": "Ary nasaina nipetraka nifanatrika tamin\u2019i Josefa ireo rahalahiny ireo, arakaraka ny taonany, nanomboka tamin\u2019ny lahimatoa, izay nanana ny zon\u2019ny lahimatoa, ka hatramin\u2019ny faralahy. Dia nifampijery izy ireo sady gagagaga.",
        "34": "Nomen\u2019i Josefa sakafo avy teo amin\u2019ny latabany foana izy ireo, ka naroso teo amin\u2019ny latabatr\u2019izy ireo ilay izy. Nataony avo dimy heny noho ny an\u2019ny hafa rehetra anefa ny anjaran\u2019i Benjamina. Dia nihinana sy nisotro niaraka taminy izy ireo, mandra-pahavokiny."
    },
    "44": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia nomen\u2019i Josefa baiko ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony hoe: \u201cFenoy varimbazaha araka izay zakany ny gonin\u2019ireo lehilahy ireo, ary ataovy eo am-bavan\u2019ny gonin\u2019ny tsirairay ny volany.",
        "2": "Ataovy eo am-bavan\u2019ny gonin\u2019ilay zandriny indrindra kosa ny kaopiko volafotsy, miaraka amin\u2019ny vola nividianany sakafo.\u201d Dia nanao araka izay nolazain\u2019i Josefa ilay lehilahy.",
        "3": "Rehefa nazava ny andro ny ampitso maraina, dia nasaina nandeha ireo lehilahy ireo, niaraka tamin\u2019ny ampondrany,",
        "4": "ka niala tao an-tan\u00e0na. Mbola tsy lasa lavitra akory anefa izy ireo, dia hoy i Josefa tamin\u2019ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony: \u201cMandehana enjeho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao ry zareo, dia lazao aminy hoe: \u2018Fa maninona ianareo no mamaly ratsy ny soa natao taminareo?",
        "5": "Ilay kaopy lasanareo iny ange no fisotroan\u2019ny tompoko\u00a0e! Dia iny koa no ijereny fambara rehefa mamantatra ny hoavy izy. Tena ratsy izao nataonareo izao.\u2019\u201d",
        "6": "Dia tratrany tokoa izy ireo ka nilazany an\u2019ireo teny ireo.",
        "7": "Hoy anefa izy ireo: \u201cFa maninona ianao, tompoko, no miteny an\u2019izany? Sanatria anay mpanomponao ny hanao hoatr\u2019izany!",
        "8": "Ilay vola hitanay teo am-bavan\u2019ny goninay aza nentinay avy tany Kanana dia naverinay taminao. Dia izahay ve dia hangalatra volafotsy na volamena ao an-tranon\u2019ny tomponao?",
        "9": "Aleo ho faty izay mpanomponao hahitana an\u2019ilay izy, fa izahay kosa ho mpanompon\u2019ny tompoko.\u201d",
        "10": "Dia hoy ilay lehilahy: \u201cAndao \u00e0ry harahina ny teninareo, ka izay hahitana an\u2019ilay izy no ho mpanompoko, fa ny sisa kosa tsy hanan-tsiny.\u201d",
        "11": "Dia samy nampidina haingana ny goniny tamin\u2019ny tany izy ireo, ka nanokatra an\u2019izany.",
        "12": "Nikaroka tsara ilay lehilahy, dia natombony tamin\u2019ny zokiny indrindra izany ka hatramin\u2019ny zandriny indrindra. Farany, dia hita tao anaty gonin\u2019i Benjamina ilay kaopy.",
        "13": "Dia nandrovitra ny akanjony izy ireo, ary samy namerina ny entany teo ambony ampondrany, dia niverina tany an-tan\u00e0na.",
        "14": "Rehefa niditra tao an-tranon\u2019i Josefa i Joda sy ny rahalahiny, dia io fa mbola tao izy. Dia niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehany izy ireo.",
        "15": "Ary hoy i Josefa: \u201cFa inona izao nataonareo izao? Tsy fantatrareo angaha fa mahay mamantatra ny hoavy aho?\u201d",
        "16": "Dia hoy i Joda: \u201cInona moa no holazainay aminao, tompoko? Inona intsony no hoteneninay? Dia ahoana no hanaporofoanay hoe tsy diso izahay? Efa nasehon\u2019Andriamanitra hoe diso izahay mpanomponao. Mpanomponao \u00e0ry izahay, tompoko, dia izahay sy ilay nahitana ny kaopy!\u201d",
        "17": "Hoy anefa i Josefa: \u201cSanatria ahy ny hanao an\u2019izany! Ilay nahitana ny kaopy ihany no ho mpanompoko. Fa ny sisa aminareo kosa, miakara soa aman-tsara any amin\u2019ny rainareo.\u201d",
        "18": "Ary nanatona azy i Joda ka niteny hoe: \u201cMitalaho aminao aho, tompoko\u00a0\u00f4! Mba avelao, tompoko, hiteny kely eto anatrehanao izaho mpanomponao, ary aza tezitra amin\u2019ny mpanomponao. Hoatran\u2019i Farao ihany mantsy ianao.",
        "19": "Nanontanianao, tompoko, izahay mpanomponao hoe: \u2018Mbola velona any ve ny rainareo, ary manana rahalahy hafa koa ve ianareo?\u2019",
        "20": "Dia izao no nolazainay taminao, tompoko: \u2018Mbola any ny rainay, ary efa be taona izy. Manana rahalahy hafa koa izahay. Izy no zandriny indrindra, ary zanaky ny rainay tao anatin\u2019ny fahanterany izy. Efa maty kosa ny rahalahiny, dia izy irery sisa no tavela amin\u2019ny zanaky ny reniny, ary tena tia azy ny rainy.\u2019",
        "21": "Dia hoy ianao taminay mpanomponao: \u2018Ento at\u1ef3 amiko izy mba ho hitako.\u2019",
        "22": "Fa hoy izahay taminao, tompoko: \u2018Tsy afaka mandao ny rainy izy, fa raha mandao azy izy, dia ho faty ny rainy.\u2019",
        "23": "Hoy anefa ianao tamin\u2019ny mpanomponao: \u2018Raha tsy miara-midina aminareo ilay zandrinareo faralahy, dia tsy mahazo mankat\u1ef3 amiko intsony ianareo.\u2019",
        "24": "\u201cNiakatra nankany amin\u2019ny rainay mpanomponao \u00e0ry izahay, dia nolazainay taminy ny teninao, tompoko.",
        "25": "Tat\u1ef3 aoriana, dia hoy ny rainay: \u2018Mandehana ianareo miverina mividy sakafo kely ho antsika.\u2019",
        "26": "Fa hoy izahay: \u2018Tsy afaka mankany izahay. Raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy, vao hidina izahay. Fa tsy mahazo mankany amin\u2019ilay lehilahy intsony izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.\u2019",
        "27": "Dia hoy ny rainay mpanomponao taminay: \u2018Fantatrareo tsara fa roa lahy fotsiny no nateraky ny vadiko tamiko.",
        "28": "Tafasaraka tamiko anefa ny iray, dia hoy aho: \u201cTena noviravirain\u2019ny bibidia tokoa izy!\u201d Ary tsy hitako izy hatramin\u2019izao.",
        "29": "Raha esorinareo amiko koa ity iray ity ka tratran\u2019ny loza any dia maty, dia hidina amin\u2019alahelo any amin\u2019ny Fasana aho noho ny ataonareo, amin\u2019izao izaho efa fotsy volo izao.\u2019",
        "30": "\u201cKoa raha miverina any amin\u2019ny rainay mpanomponao aho ka tsy miaraka aminay io zandrinay io, nefa ny rainay tena miraiki-po be aminy,",
        "31": "dia ho faty ny rainay raha vao hitany fa tsy eo io zandrinay io. Dia hidina amin\u2019alahelo any amin\u2019ny Fasana ny rainay mpanomponao noho ny ataonay mpanomponao, amin\u2019izao izy efa fotsy volo izao.",
        "32": "Fa izaho mpanomponao no niantoka an\u2019io zandrinay io tamin\u2019ny rainay, hoe: \u2018Raha tsy entiko miverina at\u1ef3 aminao izy, dia ho fahotako aminao mandrakizay izany.\u2019",
        "33": "Koa avelao re ny mpanomponao no hijanona ho solon\u2019ny zandrinay mba hanompo ny tompoko\u00a0e! Dia amin\u2019izay izy ho afaka hiverina miaraka amin\u2019ny rahalahiny.",
        "34": "Fa tsy ho vitako ny hiverina any amin\u2019ny rainay raha tsy miaraka amiko izy. Tsy te hahita ny fahorian\u2019ny rainay aho!\u201d"
    },
    "45": {
        "1": "Ary tsy nahafehy ny fihetseham-pony intsony i Josefa, teo anatrehan\u2019ny mpanompony rehetra teo. Dia hoy izy: \u201cAvoahy daholo ny olona rehetra!\u201d Koa tsy nisy olon-kafa intsony teo, rehefa nampahafantatra ny tenany tamin\u2019ny rahalahiny izy.",
        "2": "Ary nigogogogo nitomany izy ka henon\u2019ny Ejipsianina, sady henon\u2019ny tao an-tranon\u2019i Farao.",
        "3": "Farany, dia hoy i Josefa tamin\u2019ny rahalahiny: \u201cIzaho ange no Josefa\u00a0e! Mbola velona any ve i Dada?\u201d Tsy nahateny mihitsy anefa ny rahalahiny, satria taitra be.",
        "4": "Ary hoy i Josefa: \u201cAvia eto akaikiko\u00a0e!\u201d Dia nankeo aminy izy ireo. Hoy izy avy eo: \u201cIzaho ange ilay Josefa rahalahinareo\u00a0e, ilay namidinareo ho at\u1ef3 Ejipta!",
        "5": "Aza matahotra anefa, ary aza mifanome tsiny satria hoe nivarotra ahy ianareo. Fa hamonjy aina no nandefasan\u2019Andriamanitra ahy hialoha anareo at\u1ef3.",
        "6": "Roa taona amin\u2019ity izao no nisian\u2019ny mosary, ary ao anatin\u2019ny dimy taona koa mbola tsy hiasa tany na hijinja ny olona.",
        "7": "Nalefan\u2019Andriamanitra hialoha anareo anefa aho, mba tsy ho lany taranaka eto ambonin\u2019ny tany ianareo, ary mba hovonjeny amin\u2019ny fomba mahagaga ka tsy ho faty.",
        "8": "Tsy ianareo \u00e0ry no nandefa ahy tat\u1ef3 fa Andriamanitra. Tiany hotendrena ho lehiben\u2019ny mpanolo-tsain\u2019i Farao mantsy aho, sady hanam-pahefana amin\u2019ny ao an-tranony rehetra ary ho mpitondra an\u2019i Ejipta manontolo.",
        "9": "\u201cMiverena haingana any amin\u2019i Dada, dia teneno izy hoe: \u2018Izao no nolazain\u2019i Josefa zanakao: \u201cEfa notendren\u2019Andriamanitra hanam-pahefana amin\u2019i Ejipta manontolo aho. Koa mid\u00ecna at\u1ef3 amiko, fa aza mangataka andro.",
        "10": "Mahazo mipetraka ao Gosena ianao, dia mba eo akaikiko eo foana ianao, sy ny zanaka aman-jafinao, sy ny ondrinao, sy ny ombinao, ary izay rehetra anananao.",
        "11": "Izaho no hamatsy sakafo anao ao, dia ianao sy ny ao an-tranonao ary izay rehetra anananao. Sao ianareo tsy hanana na inona na inona intsony ary ho fatin\u2019ny mosary. Mbola haharitra dimy taona mantsy ny mosary.\u201d\u2019",
        "12": "Ny masonareo sy Benjamina rahalahiko mihitsy izao no mahita fa tena izaho ity miteny aminareo ity.",
        "13": "Tantarao amin\u2019i Dada \u00e0ry ny voninahitro rehetra at\u1ef3 Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Ary ento midina at\u1ef3 haingana i Dada.\u201d",
        "14": "Ary namihina an\u2019i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany. I Benjamina koa nitomany sady namihina ny vozony.",
        "15": "Nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany sady namihina azy ireo. Dia izay ny rahalahiny vao niresaka taminy.",
        "16": "Ary henon\u2019ny tao an-tranon\u2019i Farao ny vaovao hoe: \u201cTonga ao, hono, ny rahalahin\u2019i Josefa!\u201d Dia nahafaly an\u2019i Farao sy ny mpanompony izany.",
        "17": "Hoy \u00e0ry i Farao tamin\u2019i Josefa: \u201cTeneno ny rahalahinao hoe: \u2018Izao atao: Mak\u00e0 biby mpitondra entana hitondra ny entanareo, dia mandehana any Kanana.",
        "18": "Alaivo ny rainareo sy ny ankohonanareo ka tongava at\u1ef3 amiko, fa homeko anareo izay zavatra tsara eto Ejipta. Dia hihinana an\u2019izay tsara indrindra eto ianareo.\u2019",
        "19": "Teneno koa ry zareo hoe: \u2018Izao atao: Mak\u00e0 sarety avy eto Ejipta mba hitondrana ny vady aman-janakareo, ary ento amin\u2019ny iray amin\u2019ireny ny rainareo dia tongava at\u1ef3.",
        "20": "Aza manahy momba ny fanananareo, satria anareo izay tsara indrindra eran\u2019i Ejipta.\u2019\u201d",
        "21": "Dia nataon\u2019ny zanak\u2019i Israely izany. Ary nomen\u2019i Josefa sarety izy ireo araka ny baikon\u2019i Farao, sady nomeny vatsy hohaniny eny an-dalana.",
        "22": "Ary samy nomeny akanjo vaovao iray avy izy ireo, fa i Benjamina kosa nomeny volafotsy 300 sekely sy akanjo vaovao dimy.",
        "23": "Ireto kosa no nampitondrainy ho an\u2019ny rainy: Ampondra folo nitondra zavatra tsara avy tany Ejipta, sy ampondravavy folo nitondra varimbazaha sy mofo ary sakafo ho vatsin\u2019ny rainy eny an-dalana.",
        "24": "Dia nalefany nandeha ny rahalahiny, ka lasa. Hoy koa izy tamin\u2019ireo: \u201cAza mifampila vaniny ianareo eny an-dalana eny.\u201d",
        "25": "Dia niakatra avy tany Ejipta izy ireo, ka tonga tany amin\u2019i Jakoba rainy tany Kanana.",
        "26": "Ary hoy izy ireo taminy: \u201cMbola velona any i Josefa, sady izy no mpitondra an\u2019i Ejipta manontolo!\u201d Tsy nampihontsina an\u2019i Jakoba anefa izany, satria tsy nino azy ireo izy.",
        "27": "Dia notantarain\u2019izy ireo tamin\u2019i Jakoba rainy daholo ny tenin\u2019i Josefa, ary hitany koa ny sarety nalefan\u2019i Josefa hitondrana azy. Koa velombelona indray i Jakoba.",
        "28": "Dia hoy i Israely: \u201cAoka izay! Hay mbola velona any i Josefa zanako! Mila mankany aminy sy mahita azy aho alohan\u2019ny hahafatesako!\u201d"
    },
    "46": {
        "1": "Dia nentin\u2019i Israely ny ankohonany sy ny fananany rehetra ka niainga izy. Ary nanao sorona ho an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Isaka rainy izy rehefa tonga tao Beri-sheba.",
        "2": "Dia niteny tamin\u2019i Israely, tao amin\u2019ny fahitana tamin\u2019ny alina, Andriamanitra hoe: \u201cJakoba, Jakoba!\u201d Dia hoy izy: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko!\u201d",
        "3": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cIzaho no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko firenena lehibe ianao rehefa any.",
        "4": "Izaho mihitsy no hidina hiaraka aminao any Ejipta, ary izaho koa no hitondra anao hiverina avy any. Ny tanan\u2019i Josefa no hanakimpy ny masonao rehefa maty ianao.\u201d",
        "5": "Taorian\u2019izay, dia niala tao Beri-sheba i Jakoba. Ary nentin\u2019ny zanak\u2019i Israely tamin\u2019ny sarety nalefan\u2019i Farao hitondrana azy i Jakoba rainy sy ny zanak\u2019izy ireo ary ny vadin\u2019izy ireo.",
        "6": "Nentin\u2019izy ireo koa ny biby fiompiny sy ny fananana voangony tany Kanana. Dia tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny fianakaviany rehetra niaraka taminy.",
        "7": "Ary nentiny niaraka taminy nankany Ejipta ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary ny zafikeliny rehetra, izany hoe ny fianakaviany rehetra.",
        "8": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Israely tonga tany Ejipta, dia ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Jakoba: I Robena no lahimatoan\u2019i Jakoba.",
        "9": "Ny zanakalahin\u2019i Robena dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy.",
        "10": "Ny zanakalahin\u2019i Simeona dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly zanakalahin\u2019ny vehivavy kananita.",
        "11": "Ny zanakalahin\u2019i Levy dia i Gersona sy Kehata ary Merary.",
        "12": "Ny zanakalahin\u2019i Joda dia i Era, Onana, Sela, Pereza, ary Zera. Maty tany Kanana anefa i Era sy Onana. Ny zanakalahin\u2019i Pereza dia i Hezrona sy Hamola.",
        "13": "Ny zanakalahin\u2019i Isakara dia i Tola, Pova, Joba, ary Simrona.",
        "14": "Ny zanakalahin\u2019i Zebolona dia i Sereda sy Elona ary Jahalela.",
        "15": "Ireo no zanakalahin\u2019i Lea naterany tamin\u2019i Jakoba tany Padana-arama, ankoatra an\u2019i Dina zanany vavy. Nisy 33 ny taranany rehetra avy amin\u2019i Lea.",
        "16": "Ny zanakalahin\u2019i Gada dia i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely.",
        "17": "Ny zanakalahin\u2019i Asera dia i Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria. I Sera no anabavin\u2019izy ireo. Ny zanakalahin\u2019i Beria dia i Hebera sy Malkiela.",
        "18": "Ireo no zanakalahin\u2019i Zilpa, ilay mpanompovavy nomen\u2019i Labana an\u2019i Lea zanany vavy. Ireo no naterany tamin\u2019i Jakoba. Nisy 16 izy rehetra.",
        "19": "Ny zanakalahin\u2019i Rahely vadin\u2019i Jakoba dia i Josefa sy Benjamina.",
        "20": "Ny naterak\u2019i Josefa tany Ejipta dia i Manase sy Efraima, izay naterak\u2019i Asenata taminy. Zanakavavin\u2019i Potifera mpisorona tao Ona io Asenata\u00a0io.",
        "21": "Ny zanakalahin\u2019i Benjamina dia i Bela, Bekera, Asbela, Gera, Nam\u00e0na, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima, ary Arda.",
        "22": "Ireo no zanakalahin\u2019i Rahely naterany tamin\u2019i Jakoba. Nisy 14 izy rehetra.",
        "23": "Ny zanakalahin\u2019i Dana dia i Hosima.",
        "24": "Ny zanakalahin\u2019i Naftaly dia i Jazila, Gony, Jezera, ary Silema.",
        "25": "Ireo no zanakalahin\u2019i Bilaha, ilay mpanompovavy nomen\u2019i Labana an\u2019i Rahely zanany vavy. Ireo no naterany tamin\u2019i Jakoba. Fito izy rehetra.",
        "26": "Nisy 66 ny olona rehetra naterak\u2019i Jakoba, izay niaraka taminy nankany Ejipta, ankoatra ny vadin\u2019ireo zanany lahy.",
        "27": "Ary roa lahy ny zanak\u2019i Josefa naterany tany Ejipta. Nisy 70 \u00e0ry ny olona rehetra tao amin\u2019ny ankohonan\u2019i Jakoba tonga tany Ejipta.",
        "28": "Ary nirahin\u2019i Jakoba nandeha mialoha i Joda, dia nasainy nilaza tamin\u2019i Josefa hoe efa eny an-dalana ho any Gosena izy. Tamin\u2019izy ireo tonga tany Gosena \u00e0ry,",
        "29": "dia efa nasain\u2019i Josefa nomanina ny kalesiny, ka niakatra hitsena an\u2019i Israely rainy tany Gosena izy. Rehefa nampahafantatra ny tenany i Josefa, dia tonga dia namihina ny rainy izy, ka nitomany elaela teo.",
        "30": "Dia hoy i Israely tamin\u2019i Josefa: \u201cTsy maninona intsony na ho faty aza aho. Efa nahita anao mantsy aho, sady fantatro hoe mbola velona ihany ianao!\u201d",
        "31": "Ary hoy i Josefa tamin\u2019ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: \u201cAleo aho hiakatra hilaza amin\u2019i Farao hoe: \u2018Efa tonga at\u1ef3 amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan-draiko tany Kanana.",
        "32": "Mpiandry ondry ry zareo sady mpiompy. Ary nentiny at\u1ef3 ny ondriny sy ny ombiny ary ny fananany rehetra.\u2019",
        "33": "Rehefa mampiantso anareo \u00e0ry i Farao ka manontany hoe: \u2018Inona no asanareo?\u2019,",
        "34": "dia lazao hoe: \u2018Efa mpiompy foana izahay mpanomponao hatramin\u2019ny fahazazanay ka hatramin\u2019izao, na izahay na ny razambenay.\u2019 Amin\u2019izay ianareo ho afaka hipetraka eto Gosena, satria maharikoriko amin\u2019ny Ejipsianina ny mpiandry ondry rehetra.\u201d"
    },
    "47": {
        "1": "Dia lasa i Josefa ka nilaza tamin\u2019i Farao hoe: \u201cTonga avy any Kanana ny raiko sy ny rahalahiko, miaraka amin\u2019ny ondriny sy ny ombiny ary ny fananany rehetra. Ao Gosena ry zareo izao.\u201d",
        "2": "Ary nentiny tany amin\u2019i Farao ny rahalahiny dimy, ka nampahafantariny azy.",
        "3": "Ary hoy i Farao tamin\u2019ny rahalahin\u2019i Josefa: \u201cInona no asanareo?\u201d Dia hoy izy ireo tamin\u2019i Farao: \u201cMpiandry ondry izahay mpanomponao, na izahay na ny razambenay.\u201d",
        "4": "Hoy koa izy ireo: \u201cTonga hivahiny eto izahay. Tsy misy ahitra hohanin\u2019ny andian\u2019ondrin\u2019ny mpanomponao mantsy any Kanana, fa mafy be ny mosary any. Dia mba avelao hipetraka ao Gosena re ny mpanomponao\u00a0e!\u201d",
        "5": "Dia hoy i Farao tamin\u2019i Josefa: \u201cEfa tonga at\u1ef3 aminao izao ny rainao sy ny rahalahinao,",
        "6": "dia afaka mifidy an\u2019izay faritra tianao eto Ejipta ianao. Omeo ho an\u2019ny rainao sy ny rahalahinao izay faritra tsara indrindra eto Ejipta. Aleo ry zareo hipetraka ao Gosena. Raha misy lehilahy fantatrao hoe mahay koa amin-dry zareo, dia tendreo hikarakara ny biby fiompiko.\u201d",
        "7": "Dia nentin\u2019i Josefa nankao amin\u2019i Farao i Jakoba rainy ka nampahafantariny azy. Ary nitso-drano an\u2019i Farao i Jakoba.",
        "8": "Dia hoy i Farao tamin\u2019i Jakoba: \u201cFiry taona ianao?\u201d",
        "9": "Dia hoy i Jakoba tamin\u2019i Farao: \u201cEfa 130\u00a0taona aho izao, ary nifindrafindra monina teny foana aho. Nangidy ny fiainako, sady fohy raha oharina amin\u2019ny andron\u2019ny razambeko tamin\u2019izy ireo nifindrafindra monina.\u201d",
        "10": "Nitso-drano an\u2019i Farao i Jakoba avy eo, dia lasa.",
        "11": "Nasain\u2019i Josefa nipetraka tao Ejipta \u00e0ry ny rainy sy ny rahalahiny. Dia nomeny tany tao amin\u2019ny faritra tsara indrindra, tao Ramesesa, izy ireo, araka ny baikon\u2019i Farao.",
        "12": "Nandefasany sakafo tsy tapaka koa ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy manontolo, ka nataony araka ny isan\u2019ny zanak\u2019izy ireo izany.",
        "13": "Ary tsy nisy sakafo nanerana an\u2019ilay tany, satria mafy be mihitsy ilay mosary. Lasa reraka be ny olona tao Ejipta sy Kanana noho ilay mosary.",
        "14": "Dia nangonin\u2019i Josefa daholo ny vola rehetra tao Ejipta sy tany Kanana, izany hoe ny vola nividianan\u2019ny olona varimbazaha, ka nateriny tany an-tranon\u2019i Farao.",
        "15": "Farany, dia lany ny vola tao Ejipta sy tany Kanana, ka nankany amin\u2019i Josefa ny Ejipsianina rehetra. Hoy izy ireo: \u201cOmeo sakafo izahay! Izahay ve izany dia hojerenao fotsiny satria hoe efa lany ny volanay, nefa izahay aza efa ho faty?\u201d",
        "16": "Dia hoy i Josefa: \u201cEnto at\u1ef3 \u00e0ry ny biby fiompinareo, raha efa lany ny volanareo. Dia homeko sakafo ianareo ho takalon\u2019ny biby fiompinareo.\u201d",
        "17": "Koa nentin\u2019izy ireo tany amin\u2019i Josefa ny biby fiompiny. Ary nomen\u2019i Josefa sakafo izy ireo ho takalon\u2019ny soavaliny sy ny ondriny sy ny ombiny ary ny ampondrany. Nomeny sakafo foana izy ireo nandritra an\u2019iny taona iny, ho takalon\u2019ny biby fiompiny rehetra.",
        "18": "Rehefa tapitra iny taona iny, dia nankany amin\u2019i Josefa indray izy ireo ny taona nanaraka. Hoy izy ireo: \u201cTsy hafeninay aminao, tompoko, fa efa nomena ny tompoko daholo ny vola sy ny biby fiompy. Tsy misy azonay omena anao intsony izao, tompoko, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay.",
        "19": "Izahay ve izany dia hojerenao fotsiny nefa izahay aza efa ho faty, ary ny taninay efa ho simba? Vidio izahay sy ny taninay dia atakalozy sakafo, dia hanompo an\u2019i Farao izahay, ary ho lasany ny taninay. Omeo masomboly izahay mba tsy ho faty ary mba tsy ho lasa tsisy mponina ny taninay.\u201d",
        "20": "Dia novidin\u2019i Josefa ho an\u2019i Farao daholo ny tanin\u2019ny Ejipsianina. Samy nivarotra ny sahany mantsy izy ireo fa mafy be ilay mosary. Koa lasan\u2019i Farao i Ejipta manontolo.",
        "21": "Avy eo dia nafindran\u2019i Josefa nankany an-tan\u00e0n-dehibe daholo ny Ejipsianina nipetraka tany ambanivohitra.",
        "22": "Ny tanin\u2019ny mpisorona ihany no tsy novidiny. Nahazo anjara sakafo avy tao an-tranon\u2019i Farao mantsy ny mpisorona, dia ireny sakafo nomen\u2019i Farao ireny no nivelomany. Izany no antony tsy nivarotan\u2019izy ireo ny taniny.",
        "23": "Dia hoy i Josefa tamin\u2019ny olona: \u201cEfa novidiko ho an\u2019i Farao ianareo sy ny taninareo androany. Ireo ny masomboly ho anareo, ka afafazo.",
        "24": "Rehefa miakatra ny vokatra, dia omeo an\u2019i Farao ny ampahadiminy. Ny ambiny kosa hataonareo masomboly eny an-tsaha, sy ho sakafonareo sy izay ao an-tranonareo ary ny zanakareo.\u201d",
        "25": "Dia hoy izy ireo: \u201cEfa namonjy ny ainay ianao. Raha sitraky ny tompoko, dia aleo izahay ho mpanompon\u2019i Farao.\u201d",
        "26": "Dia namoaka didy i Josefa hoe ho lasan\u2019i Farao ny ampahadimin\u2019ny tany. Mbola manan-kery any Ejipta izany didy izany hatramin\u2019izao. Ny tanin\u2019ny mpisorona ihany no tsy mba lasan\u2019i Farao.",
        "27": "Ary nipetraka ela\u00a0be tao Gosena, tany Ejipta, ny Israely. Nanangona fananana tao koa izy ireo, dia niteraka ka lasa be dia be mihitsy.",
        "28": "Ary mbola velona 17\u00a0taona tany Ejipta i Jakoba, ka 147\u00a0taona ny andro niainany.",
        "29": "Rehefa akaiky ho faty i Israely, dia nantsoiny i Josefa zanany ka noteneniny hoe: \u201cRaha mba mety aminao, dia ataovy ato ambany feko ny tananao. Dia asehoy hoe tena tia ahy ianao sady tsy mivadika amiko, ary hitana ny teninao amiko. Miangavy anao aho mba tsy handevina ahy eto Ejipta.",
        "30": "Rehefa maty aho, dia ento hiala eto Ejipta, ary aleveno any amin\u2019ny fasan\u2019ny razambeko.\u201d Dia hoy i Josefa: \u201cAo fa tena hotanterahiko tsara izany teninao izany.\u201d",
        "31": "Hoy izy avy eo: \u201cMiani\u00e0na amiko \u00e0ry.\u201d Dia nianiana taminy i Josefa. Ary niankohoka teo an-doham-pandrianany i Israely."
    },
    "48": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia nisy niteny tamin\u2019i Josefa hoe: \u201cEfa mihareraka ny rainao.\u201d Koa nentin\u2019i Josefa tany i Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.",
        "2": "Dia nisy niteny tamin\u2019i Jakoba hoe: \u201cIo tonga hamangy anao io i Josefa zanakao.\u201d Dia nanangona ny heriny rehetra i Israely, ka nipetraka teo am-pandrianany.",
        "3": "Ary hoy i Jakoba tamin\u2019i Josefa: \u201cNiseho tamiko tao Lozy tany Kanana ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, dia nitso-drano ahy.",
        "4": "Ary hoy izy tamiko: \u2018Hataoko manan-taranaka ianao ka ho lasa be dia be ny taranakao, ary hataoko firenena lehibe ianao. Homeko ho an\u2019ny taranakao handimby anao ity tany ity, ka ho lasa fananany mandrakizay.\u2019",
        "5": "Fa izy roa lahy zanakao kosa, izay naterakao teto Ejipta talohan\u2019ny nahatongavako teto aminao, dia ho lasa zanako. Ho lasa zanako tokoa i Efraima sy Manase, hoatran\u2019i Robena sy Simeona.",
        "6": "Ho anao kosa anefa izay zanaka haterakao aorian\u2019izy mirahalahy. Dia hitondra ny anaran\u2019izy mirahalahy ry zareo, sady hahazo lova amin\u2019ny anjaran\u2019izy ireo.",
        "7": "Dia izao indray ny momba ahy: Tamin\u2019izaho niala tany Padana, dia maty teo akaikiko i Rahely, tany Kanana. Teny an-dalana ho any Efrata izahay tamin\u2019izay, ary mbola lavitra i Efrata, izany hoe Betlehema. Koa naleviko tamin\u2019iny lalana mankany Efrata iny izy.\u201d",
        "8": "Avy eo dia hitan\u2019i Israely ny zanak\u2019i Josefa, ka hoy izy: \u201cFa iza ireo?\u201d",
        "9": "Dia hoy i Josefa tamin\u2019ny rainy: \u201cNy zanako nomen\u2019Andriamanitra ahy tat\u1ef3 ireo.\u201d Dia hoy izy: \u201cMba ento et\u1ef3 amiko ry zareo hotsofiko rano.\u201d",
        "10": "Efa nanjavozavo ny mason\u2019i Israely tamin\u2019izay, satria izy efa antitra ka tsy nahita. Koa nentin\u2019i Josefa nanatona azy izy mirahalahy. Dia nanoroka sy namihina azy roa lahy i Israely.",
        "11": "Hoy koa izy tamin\u2019i Josefa: \u201cTsy nieritreritra ny hahita anao intsony aho, nefa izao aho navelan\u2019Andriamanitra hahita ny zanakao koa aza!\u201d",
        "12": "Nesorin\u2019i Josefa teo akaikin\u2019ny lohaliky ny rainy izy mirahalahy avy eo, dia niankohoka tamin\u2019ny tany izy.",
        "13": "Dia noraisin\u2019i Josefa tamin\u2019ny tanany havanana i Efraima ka nataony teo ankavian\u2019i Israely. Fa i Manase indray noraisiny tamin\u2019ny tanany havia ka nataony teo ankavanan\u2019i Israely. Dia nampanatoniny azy izy mirahalahy.",
        "14": "Nataon\u2019i Israely teo amin\u2019ny lohan\u2019i Efraima anefa ny tanany havanana na dia izy aza no zandriny. Fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin\u2019ny lohan\u2019i Manase. Nataony fanahy iniana mihitsy ilay izy na dia i Manase aza no lahimatoa.",
        "15": "Dia nitso-drano an\u2019i Josefa izy hoe: \u201cRy ilay tena Andriamanitra notompoin\u2019i Abrahama sy Isaka raiko, Ry ilay tena Andriamanitra, izay mpiandry ahy hatramin\u2019izay niainako ka mandraka androany,",
        "16": "Ilay nampiasa ny anjeliny hamonjena ahy tamin\u2019ny loza rehetra, mba tahio ireto zaza ireto. Enga anie mba hantsoina eo amin\u2019izy ireo ny anarako sy ny anaran\u2019i Abrahama sy Isaka raiko, Ary enga anie ka ho lasa maro\u00a0be eto ambonin\u2019ny tany izy ireo!\u201d",
        "17": "Ary tsy faly i Josefa rehefa hitany hoe nataon\u2019ny rainy teo amin\u2019ny lohan\u2019i Efraima ny tanany havanana. Notadiaviny hesorina teo amin\u2019ny lohan\u2019i Efraima \u00e0ry ny tanan\u2019ny rainy, dia hatao eo amin\u2019ny lohan\u2019i Manase.",
        "18": "Hoy i Josefa tamin\u2019ny rainy: \u201cTsy mety izao, ry Dada\u00a0a! Fa ity no lahimatoa, dia apetraho eo amin\u2019ny lohany ny tananao havanana.\u201d",
        "19": "Tsy nety mihitsy anefa ny rainy, fa niteny hoe: \u201cFantatro izany, anaka, fantatro izany. Ho lasa firenena koa izy sady hahery. Ny zandriny anefa mbola hahery noho izy, ary ny taranany ho lasa be dia be ka ho lasa firenena maro.\u201d",
        "20": "Mbola nitso-drano azy ireo ihany \u00e0ry izy tamin\u2019io andro io hoe: \u201cEnga anie hanonona ny anaranao ny Israely rehefa mitso-drano, ka hilaza hoe: \u2018Hataon\u2019Andriamanitra ho tahaka an\u2019i Efraima sy ho tahaka an\u2019i Manase anie ianao!\u2019\u201d Koa i Efraima foana no nataony alohan\u2019i Manase.",
        "21": "Hoy i Israely tamin\u2019i Josefa avy eo: \u201cEfa ho faty aho. Hitahy anareo foana anefa Andriamanitra, ka hamerina anareo any amin\u2019ny tanin\u2019ny razambenareo.",
        "22": "Ary homeko tany iray fanampiny ianao, mihoatra noho ny an\u2019ny rahalahinao. Nalaiko tamin\u2019ny sabatro sy ny tsip\u00eckako teo an-tanan\u2019ny Amorita izany tany izany.\u201d"
    },
    "49": {
        "1": "Ary nantsoin\u2019i Jakoba ny zanany lahy, ka hoy izy: \u201cAvia daholo ianareo fa holazaiko anareo izay hitranga aminareo any am-parany any.",
        "2": "Avia daholo dia henoy ny teniko, ry zanak\u2019i Jakoba. Henoy tsara izao lazain\u2019i Israely rainareo izao:",
        "3": "\u201cRobena! Ianao no lahimatoako sy tanjako, ary ianao no naterako voalohany. Be voninahitra ianao sady tena matanjaka.",
        "4": "Tsy nifehy tena anefa ianao, fa hoatran\u2019ny rano vaky tsy azo sakanana, ka tsy ho lasa ambony noho ny rahalahinao. Niakaranao mantsy ny fandrianan\u2019ny rainao. Nolotoinao ny fandrianako tamin\u2019izay. Dia tena niakarany tokoa ny farafarako!",
        "5": "\u201cMpirahalahy i Simeona sy Levy, ary nentiny nisetrasetra ny fitaovam-piadiany.",
        "6": "Enga anie aho tsy hinamana amin\u2019izy ireo! Enga anie ianao tsy hivorivory miaraka amin\u2019ireo, ry voninahitro! Fa tezitra be izy ireo ka namono olona, sady fahafinaretana ho azy ny nanapaka ny hoza-tongotry ny omby.",
        "7": "Ho voaozona anie ny hatezeran\u2019izy ireo, satria nahatonga azy hasiaka sy ho tia mampijaly! Aleo izy ireo haparitako any amin\u2019ny tanin\u2019i Jakoba sy any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely.",
        "8": "\u201cAry ianao, ry Joda, hoderain\u2019ny rahalahinao ianao. Ho eo amin\u2019ny hatoky ny fahavalonao ny tananao, ary hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.",
        "9": "Zana-diona ianao, ry Joda. Hihinana remby ianao, anaka, dia avy eo handeha. Namitsaka izy dia nitsotsotra toy ny liona. Hoatran\u2019ny liona izy, ka iza no ho sahy hanaitra azy?",
        "10": "Tsy hiala amin\u2019i Joda mihitsy ny tehim-panjakana, ary tsy hiala eo anelanelan\u2019ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan\u2019i Silo. Dia hankat\u00f2 an\u2019i Silo ny firenena rehetra.",
        "11": "Hofatorany eo amin\u2019ny voaloboka ny ampondrany, ary hofatorany eo amin\u2019ny voaloboka tena tsara ny zanak\u2019ampondrany. Hosasany amin\u2019ny divay ny fitafiany, ary hosasany amin\u2019ny ranom-boaloboka ny akanjony.",
        "12": "Mena be mihitsy ny masony satria izy misotro divay, ary fotsy ny nifiny satria izy misotro ronono.",
        "13": "\u201cI Zebolona kosa hipetraka eny amoron-tsiraka, eny amoron-drano fiantsonan\u2019ny sambo. Ary ho tandrifin\u2019i Sidona ny sisin-taniny farany lavitra.",
        "14": "\u201cI Isakara indray dia ampondra mafy taolana, ka sady matory izy no mitondra kitapon-dasely roa.",
        "15": "Ho hitany fa tsara ny toerana ipetrahany sady mahafinaritra ilay tany. Hiondrika izy dia hitondra entana eo an-tsorony, sady hanaiky hanao asa an-terivozona.",
        "16": "\u201cHitsara ny fireneny i Dana, izay anisan\u2019ny fokon\u2019ny Israely.",
        "17": "Enga anie i Dana ho lasa bibilava eny amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka eny an-tsisin-dalana! Hokaikeriny ny tongotry ny soavaly mba hianjera any aoriana ny mpitaingina azy.",
        "18": "Hiandry ny famonjena avy aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "19": "\u201cI Gada indray hotafihin\u2019ny mpandroba, fa izy kosa hanafika ny vodilaharan\u2019ireny.",
        "20": "\u201cHanana sakafo be dia be i Asera, ary hanome sakafo mendrika homena ny mpanjaka.",
        "21": "\u201cI Naftaly kosa serfa manifinify. Mahafinaritra er\u1ef3 ny teny lazainy!",
        "22": "\u201cI Josefa indray sampan\u2019ny hazo mamoa, dia hazo mamoa eo akaikin\u2019ny loharano, ary misandrahaka any ivelan\u2019ny manda ny sampany.",
        "23": "Nitana lolompo taminy anefa ny mpandefa zana-tsip\u00ecka, ka nanafika sy nitifitra azy tsy an-kijanona.",
        "24": "Na izany aza, dia mbola tao amin\u2019ny toerany foana ny tsip\u00eckany, ary natanjaka sady mailamailaka foana ny tanany. Avy amin\u2019ny tanan\u2019ilay maherin\u2019i Jakoba izany, avy amin\u2019ilay mpiandry, ilay vatolampin\u2019i Israely.",
        "25": "Avy amin\u2019ilay Andriamanitry ny rainao izy, dia ilay Andriamanitra hanampy anao. Miaraka amin\u2019ilay Mahery Indrindra koa izy, dia ilay hitahy anao ka hanome anao rano avy any amin\u2019ny lanitra ambony sy avy any ambany, ary hanome anao zanaka sy biby fiompy maro be.",
        "26": "Ny tsodranon\u2019ny rainao dia ho tsara lavitra noho ireo zava-tsoa avy amin\u2019ny tendrombohitra maharitra mandrakizay, sady ho tsara lavitra noho ny zavatra mahafinaritra eny amin\u2019ny havoana maharitra ela. Ho eo an-dohan\u2019i Josefa foana izany tsodrano izany, dia eo an-tampon-dohan\u2019ilay nosinganina tamin\u2019ny rahalahiny.",
        "27": "\u201cI Benjamina kosa hamiravira ny fahavalony toy ny amboadia. Hihinana remby izy amin\u2019ny maraina, ary hizara an\u2019izay zavatra azony babo izy amin\u2019ny hariva.\u201d",
        "28": "Avy amin\u2019ireo rehetra ireo ny foko 12 teo amin\u2019ny Israely, ary izany no nolazain\u2019ny rainy tamin\u2019izy ireo rehefa nitso-drano azy izy. Samy nomeny tsodrano mifanentana aminy avy izy ireo.",
        "29": "Taorian\u2019izay, dia namela hafatra tamin\u2019izy ireo izy hoe: \u201cKely sisa aho dia hangonina any amin\u2019ny razambeko. Aleveno miaraka amin\u2019ny razambeko aho, ao amin\u2019ilay lava-bato eo amin\u2019ny sahan\u2019i Efrona Hetita,",
        "30": "dia ilay lava-bato eo amin\u2019ilay saha ao Makpela tandrifin\u2019i Mamre, any Kanana. Io ilay saha novidin\u2019i Abrahama tamin\u2019i Efrona Hetita mba hataony toeram-pandevenana.",
        "31": "Tao no nandevenana an\u2019i Abrahama sy Saraha vadiny. Tao koa no nandevenana an\u2019i Isaka sy Rebeka vadiny, ary tao no nandevenako an\u2019i Lea.",
        "32": "Novidina tamin\u2019ny taranak\u2019i Heta ilay saha sy ilay lava-bato ao.\u201d",
        "33": "Rehefa avy namela an\u2019izany hafatrafatra rehetra izany tamin\u2019ny zanany lahy i Jakoba, dia nakariny teo am-pandriana ny tongony dia nitsotra izy. Ary niala aina izy dia nangonina any amin\u2019ny razambeny."
    },
    "50": {
        "1": "Dia nihohoka teo amin\u2019ny rainy i Josefa, ka nitomany teo aminy sady nanoroka azy.",
        "2": "Avy eo dia notenenin\u2019i Josefa ireo mpitsabo anisan\u2019ny mpanompony mba hanosotra zava-manitra amin\u2019ny rainy. Nohosoran\u2019izy ireo zava-manitra \u00e0ry i Israely,",
        "3": "ka 40 andro katroka no nanaovany an\u2019izany. Izany mantsy no faharetan\u2019ny fotoana fanosorana zava-manitra amin\u2019ny faty. Ary nitomany azy 70\u00a0andro ny Ejipsianina.",
        "4": "Rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, dia hoy i Josefa tamin\u2019ny tandapan\u2019i Farao: \u201cRaha mahazo sitraka aminareo aho, dia izao lazaina amin\u2019i Farao:",
        "5": "\u2018Niteny tamiko ny raiko hoe: \u201cEfa ho faty aho, ka miani\u00e0na amiko fa halevinao ao amin\u2019ny toeram-pandevenana efa nolavahako any Kanana aho.\u201d Mba avelao re aho hiakatra handevina ny raiko\u00a0e! Dia avy eo aho hiverina ihany.\u2019\u201d",
        "6": "Ary hoy i Farao: \u201cMandehana aleveno ny rainao, araka ny fianianana nasainy nataonao.\u201d",
        "7": "Dia lasa niakatra handevina ny rainy i Josefa. Niaraka taminy koa ny mpanompon\u2019i Farao rehetra, izany hoe ny anti-panahy tao an-dapa sy ny anti-panahy rehetra tany Ejipta,",
        "8": "ary ny ankohonan\u2019i Josefa manontolo sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy. Ny zanak\u2019izy ireo madinika sy ny ondriny ary ny ombiny ihany no navelany tao Gosena.",
        "9": "Nisy olona nitaingina kalesy sy soavaly koa niaraka taminy, ka be dia be mihitsy ny olona nandeha.",
        "10": "Dia tonga teo amin\u2019ny famoloana tao Atada ao amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana izy ireo, ka nisaona tamin\u2019alahelo be sady nitomany mafy be teo. Ary naharitra fito andro ny fisaonana ny rain\u2019i Josefa.",
        "11": "Hitan\u2019ny Kananita tompon-tany ny fisaonana natao teo amin\u2019ilay famoloana tao Atada, ka hoy izy ireo: \u201cTena misaona be mihitsy ny Ejipsianina!\u201d Izany no nanaovana ny anaran\u2019ilay famoloana hoe Abela-mizraima, izay ao amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana.",
        "12": "Izay notenenin\u2019i Jakoba mihitsy \u00e0ry no nataon\u2019ny zanany lahy taminy.",
        "13": "Nentin\u2019ny zanany nankany Kanana ny fatiny, dia naleviny tao amin\u2019ilay lava-bato teo amin\u2019ilay saha tao Makpela tandrifin\u2019i Mamre. Io ilay saha novidin\u2019i Abrahama tamin\u2019i Efrona Hetita, mba hataony toeram-pandevenana.",
        "14": "Rehefa avy nandevina ny rainy i Josefa, dia niverina nankany Ejipta izy sy ny rahalahiny ary izay rehetra niaraka taminy nandevina ny rainy.",
        "15": "Rehefa maty ny rain\u2019izy ireo, dia nifampiresaka ireo rahalahin\u2019i Josefa hoe: \u201cMety hoe mbola mitana lolompo amintsika izao i Josefa, dia hovaliany amintsika ny ratsy rehetra nataontsika taminy.\u201d",
        "16": "Dia nampitondra hafatra tany amin\u2019i Josefa izy ireo hoe: \u201cTalohan\u2019ny hahafatesan\u2019ny rainao, dia namela hafatra izy hoe:",
        "17": "\u2018Izao lazaina amin\u2019i Josefa: \u201cMitalaho aminao re aho\u00a0e! Mba avelao ny heloky ny rahalahinao sy ny fahotany, tamin\u2019izy ireo nanisy ratsy anao.\u201d\u2019 Koa mba avelao re ny heloky ny mpanompon\u2019ilay Andriamanitry ny rainao\u00a0e!\u201d Dia nitomany i Josefa rehefa naheno an\u2019izany.",
        "18": "Dia tonga koa ireo rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: \u201cIreto izahay mpanomponao!\u201d",
        "19": "Fa hoy i Josefa taminy: \u201cAza matahotra fa izaho angaha Andriamanitra no hitsara anareo?",
        "20": "Nieritreritra ny hanisy ratsy ahy ianareo, saingy navadik\u2019Andriamanitra ho zavatra tsara ilay izy mba hamonjena ain\u2019olona maro, hoatr\u2019izao ataony izao.",
        "21": "Koa aza matahotra, fa mbola hamatsy sakafo anareo sy ny zanakareo madinika foana aho.\u201d Dia nampionona sy nanome toky azy ireo izy.",
        "22": "Mbola nipetraka tany Ejipta foana i Josefa sy ny ankohonan-drainy. Ary velona 110\u00a0taona i Josefa.",
        "23": "Dia hitany hatramin\u2019ny zafikelin\u2019i Efraima, sy ny zanak\u2019i Makira, zanakalahin\u2019i Manase. Nentin\u2019i Josefa toy ny zanany naterany izy ireny.",
        "24": "Farany, dia hoy i Josefa tamin\u2019ny rahalahiny: \u201cEfa ho faty aho. Tsy maintsy hitsinjo anareo anefa Andriamanitra, ka hitondra anareo hiakatra hiala eto amin\u2019ity tany ity, mba ho any amin\u2019ilay tany efa nianianany tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.\u201d",
        "25": "Hoy koa i Josefa tamin\u2019ny zanak\u2019i Israely: \u201cTsy maintsy hitsinjo anareo Andriamanitra. Koa miani\u00e0na amiko hoe hoentinareo hiakatra hiala at\u1ef3 ny taolambaloko.\u201d",
        "26": "Dia maty i Josefa tamin\u2019izy 110\u00a0taona. Ary nohosorana zava-manitra ny fatiny, ka napetraka tao anaty vatam-paty tany Ejipta."
    },
    "meta": {
        "name": "Genesisy",
        "order": 0,
        "chapter_number": 50
    }
}
