{
    "1": {
        "1": "Taloha ela be, dia niteny tamin\u2019ny razambentsika tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany Andriamanitra. Imbetsaka izy no nanao an\u2019izany sady tamin\u2019ny fomba maro.",
        "2": "Amin\u2019izao andro farany izao kosa, dia miteny amintsika amin\u2019ny alalan\u2019ny Zanaka izy. Io Zanany io no notendreny ho mpandova ny zava-drehetra, ary tamin\u2019ny alalan\u2019izy io no nanaovany an\u2019ireo rafitra nisy teto amin\u2019izao tontolo izao.",
        "3": "Izy no taratry ny voninahitr\u2019\u200bAndriamanitra, sady tena endrik\u2019\u200bAndriamanitra, ary ny teniny manan-kery no anohanany ny zava-drehetra. Nanadio antsika ho afaka amin\u2019ny ota izy, dia avy eo nipetraka teo ankavanan\u2019ilay Andriamanitra Lehibe, any amin\u2019ny avo.",
        "4": "Lasa ambony noho ny anjely \u00e0ry izy, satria nandova anarana tsara lavitra noho ny an\u2019ireny.",
        "5": "Iza tamin\u2019ireo anjely, ohatra, no mba efa nitenenan\u2019Andriamanitra hoe: \u201cZanako ianao, ary androany aho no lasa rainao\u201d, sy hoe: \u201cIzaho ho rainy, ary izy ho zanako\u201d?",
        "6": "Rehefa irahiny ho et\u1ef3 an-tany indray anefa ny Lahimatoany, dia hoy izy: \u201cAry miankohofa eo anatrehany, ry\u00a0anjelin\u2019Andriamanitra rehetra.\u201d",
        "7": "Hoy koa izy momba ny anjely: \u201cAtaony mahery ny anjeliny, ary ataony lelafo ny mpanompony.\u201d",
        "8": "Hoy anefa izy momba ny Zanaka: \u201cAndriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay, ary ny tehin\u2019ny Fanjakanao dia tehina mampanjaka ny rariny.",
        "9": "Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dal\u00e0na. Izany no nahatonga an\u2019Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, hanosotra anao menaka mahafalifaly mihoatra noho ireo namanao.\u201d",
        "10": "Izao koa: \u201cTany am-piandohana, dia nametraka ny fototry ny tany ianao, Tompo\u00a0\u00f4, ary asan\u2019ny tananao ny lanitra.",
        "11": "Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra. Ary ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo,",
        "12": "sady havalonao hoatran\u2019ny akanjo ivelany, ka hosoloana toy ny akanjo. Fa ianao kosa tsy miova, ary tsy hifarana mihitsy ny taonanao.\u201d",
        "13": "Iza tamin\u2019ny anjely anefa no mba efa nilazany hoe: \u201cMipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao\u201d?",
        "14": "Tsy fanahy manao fanompoana masina ve izy rehetra, ka irahina hikarakara an\u2019ireo handova famonjena?"
    },
    "2": {
        "1": "Noho izany, dia vao mainka isika mila mitandrina kokoa mba hankat\u00f2 an\u2019izay efa henontsika, dia amin\u2019izay isika tsy hiala amin\u2019ny finoana mihitsy.",
        "2": "Fa raha azo itokisana ny teny nolazain\u2019ny anjely, ary nosazina ara-drariny izay nandika lal\u00e0na sy tsy nankat\u00f2,",
        "3": "dia tsy ho voasazy ve isika raha tsy miraharaha an\u2019izao famonjena lehibe izao? Ny Tompontsika mantsy no voalohany nilaza an\u2019io famonjena io. Ary izay naheno azy io dia nanamafy tamintsika hoe marina izy io.",
        "4": "Efa nanome porofo momba azy io koa Andriamanitra ka nanao famantarana sy fahagagana ary zavatra miavaka isan-karazany, sady nizara fanahy masina araka izay sitrapony.",
        "5": "Fa tsy anjely no nasain\u2019Andriamanitra heken\u2019ilay tontolo ho avy izay resahinay.",
        "6": "Ao amin\u2019ny andininy iray anefa nisy vavolombelona niteny hoe: \u201cDia inona moa izay olombelona no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak\u2019olombelona no karakarainao?",
        "7": "Nataonao ambany kely noho ny anjely izy, ary nosatrohanao haja amam-boninahitra, sady notendrenao hiandraikitra ny asan\u2019ny tananao.",
        "8": "Nasainao nanaiky azy ny zava-drehetra ka nataonao eo ambany tongony.\u201d Rehefa nasain\u2019Andriamanitra nanaiky azy ny zava-drehetra, dia tsy nisy navelany tsy hanaiky azy na iray aza. Mbola tsy hitantsika anefa aloha izao hoe manaiky azy ny zava-drehetra,",
        "9": "fa ny hitantsika kosa dia i Jesosy, izay efa natao ambany kely noho ny anjely. Hitantsika nosatrohana haja amam-boninahitra izy izao satria efa nijalijaly talohan\u2019ny nahafatesany, mba ho faty ho an\u2019ny rehetra izy noho ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra.",
        "10": "Ho voninahitr\u2019Andriamanitra no antony isian\u2019ny zava-drehetra, ary amin\u2019ny alalany no isian\u2019izy rehetra. Nitondra zanaka maro mba homem-boninahitra izy, ka mety raha navelany hijaly mba ho lasa lavorary ilay Mpitarika Lehibe Indrindra, izay mitondra famonjena ho an\u2019ireny.",
        "11": "Fa iray ihany no niavian\u2019izy roa tonta, na ilay manamasina na ireo hamasinina. Noho izany, dia tsy menatra izy miantso azy ireo hoe rahalahy.",
        "12": "Fa hoy izy: \u201cHanambara ny anaranao amin\u2019ny rahalahiko aho. Eo anivon\u2019ny fiangonana aho no hidera anao an-kira.\u201d",
        "13": "Hoy koa izy: \u201cHatoky azy aho\u201d, sy hoe: \u201cIreto izaho sy ireo zaza nomen\u2019i Jehovah ahy!\u201d",
        "14": "Satria nofo aman-dra ny \u201czaza\u201d, dia lasa nofo aman-dra koa izy, mba ho ny fahafatesany no hanafoanany an\u2019ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly,",
        "15": "ary mba hanafahany an\u2019izay rehetra nandevozina nandritra ny androm-piainany, noho izy ireo natahotra ny ho faty.",
        "16": "Fa tsy ny anjely no ampiany, raha ny marina, fa ny taranak\u2019i Abrahama.",
        "17": "Tsy maintsy lasa hoatran\u2019ireo \u201crahalahiny\u201d tamin\u2019ny lafiny rehetra \u00e0ry izy, mba ho lasa mpisoronabe mamindra\u00a0fo sy mendri-pitokisana eo amin\u2019ny fanompoana an\u2019Andriamanitra. Amin\u2019izay izy dia ho afaka hanolotra sorona fampihavanana, dia sorona noho ny fahotan\u2019ny olona.",
        "18": "Efa nijaly izy rehefa notsapaina, ka afaka manampy an\u2019izay miaritra fitsapana."
    },
    "3": {
        "1": "Noho izany, ry rahalahy masina izay anisan\u2019ny voantso ho any an-danitra, eritrereto ilay apostoly sady mpisoronabe ekentsika, dia i Jesosy.",
        "2": "Tsy nivadika tamin\u2019Ilay nanendry azy izy, hoatran\u2019i Mosesy rehefa nanompo tao amin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitra manontolo.",
        "3": "Mendrika hahazo voninahitra lehibe noho ny an\u2019i Mosesy mantsy izy, satria ny mpanao trano dia mendrika hohajaina kokoa noho ny trano nataony.",
        "4": "Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.",
        "5": "Ary mpanompo mendri-pitokisana tao amin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitra manontolo i Mosesy. Nifanitsy tamin\u2019ny zavatra mbola holazaina at\u1ef3 aoriana koa ny fanompoany.",
        "6": "Fa i Kristy kosa zanaka mendri-pitokisana miandraikitra ny tranon\u2019Andriamanitra. Isika izany tranony izany, raha miezaka foana isika mba ho sahy hiteny sady hifikitra amin\u2019ilay fanantenana ireharehantsika hatramin\u2019ny farany.",
        "7": "Noho izany, dia hoy ny fanahy masina: \u201cRaha mihaino ny feony ianareo anio,",
        "8": "dia aza manamafy ny fonareo hoatran\u2019ny tamin\u2019ilay fotoana nampahatezitra be ahy, tamin\u2019ilay andro nitsapana ahy tany an-tany efitra.",
        "9": "Nitsapa toetra ahy mantsy ny razambenareo tamin\u2019izay, na dia efa hitany aza ny asa nataoko nandritra ny 40\u00a0taona.",
        "10": "Noho izany, dia lasa rikoriko tamin\u2019izany taranaka izany aho ka nilaza hoe: \u2018Mafy loha foana ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany, ary tsy fantany ny lalako.\u2019",
        "11": "Tezitra \u00e0ry aho sady nianiana hoe: \u2018Tsy hiditra amin\u2019ny fitsaharako ireo.\u2019\u201d",
        "12": "Tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo lasa manana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin\u2019ilay Andriamanitra velona.",
        "13": "Miezaha foana kosa hifampahery isan\u2019andro, raha mbola eo koa ilay antsoina hoe \u201cAnio\u201d, sao hisy ho lasa mafy fo ianareo satria mahavita mamitaka anareo ny ota.",
        "14": "Tsy hahazo an\u2019izay efa azon\u2019i Kristy mantsy isika, raha tsy tazonintsika mafy hatramin\u2019ny farany ilay toky nananantsika tamin\u2019ny voalohany.",
        "15": "Voalaza mantsy hoe: \u201cRaha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin\u2019ilay fotoana nampahatezitra be ahy.\u201d",
        "16": "Fa iza moa no naheno ny feon\u2019Andriamanitra nefa mbola nampahatezitra be azy ihany? Tsy izay rehetra nentin\u2019i Mosesy nivoaka avy tany Ejipta ve?",
        "17": "Iza koa no naharikoriko an\u2019 Andriamanitra nandritra ny 40\u00a0taona? Tsy izay nanota ve ka niampatrampatra tany an-tany efitra ny fatiny?",
        "18": "Ary tamin\u2019iza izy no nianiana hoe tsy hiditra amin\u2019ny fitsaharany ireo? Tsy tamin\u2019ireo tsy nankat\u00f2 ve?",
        "19": "Hitantsika \u00e0ry fa tsy afaka niditra izy ireo satria tsy nino."
    },
    "4": {
        "1": "Mampanantena Andriamanitra hoe mbola hiditra amin\u2019ny fitsaharany isika. Noho izany, dia andao isika hiambina sao hisy aminareo ho lasa tsy mendrika an\u2019izany fampanantenana izany.",
        "2": "Isika koa mantsy mba efa nitoriana ny vaovao tsara hoatr\u2019azy ireo. Tsy nahasoa azy ireo akory anefa ny zavatra henony, satria tsy mba nanana finoana matanjaka hoatran\u2019ireo olona nihaino izy ireo.",
        "3": "Isika izay mino mantsy no tena miditra amin\u2019ilay fitsaharana. Fa raha ny amin\u2019izy ireo indray, dia efa nilaza izy hoe: \u201cTezitra \u00e0ry aho sady nianiana hoe: \u2018Tsy hiditra amin\u2019ny fitsaharako ireo\u2019\u201d, na dia efa hatramin\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao aza ny asany no vita.",
        "4": "Hoy mantsy izy momba ny andro fahafito, ao amin\u2019ny andininy iray: \u201cAry nitsahatra tamin\u2019ny asany rehetra Andriamanitra tamin\u2019ny andro fahafito.\u201d",
        "5": "Hoy koa izy ao amin\u2019ny andininy iray: \u201cTsy hiditra amin\u2019ny fitsaharako ireo.\u201d",
        "6": "Mbola azo atao ny miditra amin\u2019izany fitsaharana izany, ary izay nitoriana ny vaovao tsara tamin\u2019ny voalohany koa tsy niditra satria tsy nankat\u00f2.",
        "7": "Noho izany \u00e0ry, dia mbola nifidy andro iray izy ka nilaza tao amin\u2019ny salamon\u2019i Davida, ela be tat\u1ef3 aoriana, hoe: \u201cAnio.\u201d Efa voalaza tetsy aloha koa mantsy hoe: \u201cRaha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo.\u201d",
        "8": "Fa raha tena nentin\u2019i Josoa tany amin\u2019ny toeram-pitsaharana izy ireo, dia tsy ho niresaka andro anankiray hafa Andriamanitra taorian\u2019izany.",
        "9": "Mbola misy sabata fitsaharana ho an\u2019ny vahoakan\u2019Andriamanitra \u00e0ry.",
        "10": "Fa izay olona niditra tamin\u2019ny fitsaharan\u2019Andriamanitra, dia nitsahatra tamin\u2019ny asany koa, hoatran\u2019ny nataon\u2019Andriamanitra.",
        "11": "Andao \u00e0ry isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin\u2019izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika ho lasa tsy mankat\u00f2 hoatr\u2019azy ireo koa.",
        "12": "Fa velona sy mahery ny tenin\u2019Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka an\u2019izay miseho et\u1ef3 ivelany sy ny any am-po, sady mahavita manasaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.",
        "13": "Ary tsy misy zavaboary miafina eo imasony, fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy mibaribary eo imason\u2019ilay hanao ampamoaka antsika.",
        "14": "Ary manana mpisoronabe ambony isika. I Jesosy Zanak\u2019Andriamanitra izany mpisoronabe izany, ary efa lasa nankany an-danitra izy. Andao \u00e0ry horesahintsika amin\u2019olona foana ny zavatra inoantsika momba azy.",
        "15": "Fa ny antsika tsy hoe mpisoronabe tsy mba mahay mangoraka antsika amin\u2019ny fahalementsika, fa mpisoronabe efa notsapaina tamin\u2019ny zavatra rehetra hoatr\u2019antsika koa, nefa tsy nanota.",
        "16": "Andao \u00e0ry isika hanatona ny seza fiandrianan\u2019ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny rehefa manao an\u2019izany. Amin\u2019izay isika hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy miavaka, mba hanampiana antsika amin\u2019ny fotoana mety."
    },
    "5": {
        "1": "Alaina avy amin\u2019ny olona ny mpisoronabe, ary tendrena hanompo an\u2019Andriamanitra mba hahasoa ny olona. Amin\u2019 izay izy ho afaka hanolotra fanomezana sy sorona noho ny ota.",
        "2": "Mahay mangoraka an\u2019izay tsy mahalala na inona na inona sy manao fahadisoana izy. Izy koa mantsy mba miady amin\u2019ny fahalemeny.",
        "3": "Tsy maintsy manao fanatitra noho ny fahotana nataony koa \u00e0ry izy, hoatran\u2019ny ataony rehefa manao fanatitra noho ny fahotan\u2019ny vahoaka.",
        "4": "Tsy mahazo an\u2019izany voninahitra izany ny olona, raha noho ny sitrapony fotsiny. Rehefa antsoin\u2019Andriamanitra ihany izy vao mahazo an\u2019izany, hoatran\u2019ny niantsoany an\u2019i Arona.",
        "5": "Dia hoatr\u2019izany koa i Kristy. Tsy izy no nanome voninahitra ny tenany mba ho lasa mpisoronabe, fa Ilay niteny momba azy hoe: \u201cZanako ianao. Androany aho no lasa rainao.\u201d",
        "6": "Milaza koa mantsy izy any amin\u2019ny andininy hafa hoe: \u201cMpisorona mandrakizay ianao, hoatran\u2019i Melkizedeka.\u201d",
        "7": "Nitalaho sy niangavingavy tamin\u2019Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty i Kristy, sady nitaraindraina mafy sy nitomany be, tamin\u2019izy teto an-tany. Dia nohenoina izy satria natahotra an\u2019Andriamanitra.",
        "8": "Ary na dia zanaka aza izy, dia nianatra nankat\u00f2 avy tamin\u2019ny zavatra niaretany.",
        "9": "Rehefa avy natao lavorary izy, dia izy no nahatonga an\u2019izay rehetra mankat\u00f2 azy ho voavonjy mandrakizay.",
        "10": "Notendren\u2019Andriamanitra ho mpisoronabe hoatran\u2019i Melkizedeka mantsy izy.",
        "11": "Betsaka ny zavatra azonay lazaina momba azy, ary sarotra hazavaina izany, satria lasa tsy mazoto mihaino ianareo.",
        "12": "Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo amin\u2019izao, dia mbola mila olona hampianatra anareo hatramin\u2019ny voalohany ny zavatra fototra nianaranareo avy amin\u2019ny teny masin\u2019Andriamanitra, ka lasa mila ronono indray ianareo fa tsy ventin-kanina.",
        "13": "Fa izay rehetra mivelona foana amin\u2019ny ronono, dia tsy mahay tsara ny tenin\u2019ny fahamarinana satria mbola zaza.",
        "14": "Fa ny ventin-kanina kosa dia ho an\u2019ny olona matotra, izany hoe ho an\u2019ny olona mampiasa tsara ny sainy ka manazatra azy io mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy."
    },
    "6": {
        "1": "Efa nilaozantsika ny fampianarana fototra momba an\u2019i Kristy. Noho izany, dia andao isika hiezaka handroso haingana mba ho matotra, fa tsy hiverina amin\u2019ny fampianarana fototra indray, toy ny fibebahana amin\u2019ny asa maty, ny finoana an\u2019Andriamanitra,",
        "2": "ny fampianarana momba ny batisa samihafa sy ny fametrahan-tanana, ny fitsanganana amin\u2019ny maty, ary ny fitsarana mandrakizay.",
        "3": "Ary hanao an\u2019izany isika, raha avelan\u2019Andriamanitra.",
        "4": "Fa izay olona efa nahazo hazavana indray mandeha, sady efa nahazo ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra sy ny fanahy masina,",
        "5": "ary efa nandray ny teny tsara avy amin\u2019Andriamanitra sy nahazo ny fitahiana hoentin\u2019ilay tontolo ho avy,",
        "6": "kanefa nihemotra, dia tsy azo ampiana intsony mba hibebaka. Fantsihan\u2019izy ireny eo amin\u2019ny tsato-kazo indray mantsy ny Zanak\u2019Andriamanitra, sady alany baraka eo imason\u2019ny olona.",
        "7": "Rehefa avy matetika ny orana, dia mahazo fitahiana avy amin\u2019Andriamanitra ny tany, satria rehefa lena ny tany dia mamokatra zavamaniry ilain\u2019ny mpamboly.",
        "8": "Raha mamokatra tsilo sy ahidratsy kosa ny tany, dia tsy misy ilana azy intsony. Tsy ho ela ilay izy dia hozonina, ka hodorana amin\u2019ny farany.",
        "9": "Marina fa miteny hoatr\u2019izany izahay, ry\u00a0malala, nefa raha ny aminareo indray, dia matoky izahay fa manana tombony noho izy ireny ianareo, ka manao zavatra hahazoanareo famonjena.",
        "10": "Tsy mba manao ny tsy rariny mantsy Andriamanitra, ka hanadino an\u2019izay nataonareo sy ny fitiavana nasehonareo ho an\u2019ny anarany, tamin\u2019ianareo nikarakara ny olona masina sady mbola mikarakara azy ireo hatramin\u2019izao.",
        "11": "Ary irinay ianareo tsirairay mba hazoto hoatr\u2019izany foana. Amin\u2019izay ianareo dia hatoky hatramin\u2019ny farany hoe ho tanteraka ilay zavatra antenainareo.",
        "12": "Amin\u2019izay koa ianareo tsy ho kamo, fa hanahaka an\u2019ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo mino sy manam-paharetana.",
        "13": "Fa nianiana tamin\u2019ny tenany Andriamanitra tamin\u2019izy nilaza ny fampanantenany tamin\u2019i Abrahama. Tsy misy lehibe noho ny tenany azony nianianana mantsy,",
        "14": "ka hoy izy: \u201cTena hotahiko ianao ka tena hataoko lasa be dia be.\u201d",
        "15": "Nahazo an\u2019izany fampanantenana izany \u00e0ry i Abrahama, rehefa avy nampiseho faharetana.",
        "16": "Fa mianiana amin\u2019izay lehibe noho izy ny olona. Dia mifarana daholo ny adihevitra rehefa avy mianiana izy ireo, satria ilay fianianana no antoka ara-dal\u00e0na manamarina ny tenin\u2019izy ireo.",
        "17": "Nanao hoatr\u2019izany koa Andriamanitra rehefa nanapa-kevitra fa hampiseho mazava kokoa amin\u2019ireo mpandova an\u2019ilay fampanantenana fa tsy miova ny fikasany. Nanome antoka ny amin\u2019izany \u00e0ry izy ka nianiana.",
        "18": "Tsy miova mihitsy ireo zavatra roa ireo sady tsy hain\u2019Andriamanitra andaingana, ka vao mainka izany mampirisika antsika hifikitra amin\u2019ilay fanantenana natao teo anoloantsika, dia isika izay mialoka aminy.",
        "19": "Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika. Sady azo antoka izy io no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao.",
        "20": "Ary mba hahasoa antsika dia niditra tao koa i Jesosy, mpialoha lalana antsika, izay lasa mpisoronabe mandrakizay hoatran\u2019i Melkizedeka."
    },
    "7": {
        "1": "Mpanjakan\u2019i Salema sy mpisoron\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra io Melkizedeka io, ary nitsena an\u2019i Abrahama tamin\u2019izy niverina avy nandresy mpanjaka maro, ka nitso-drano azy.",
        "2": "Ary nomen\u2019i Abrahama ny ampahafolon\u2019ny zava-drehetra azony izy. Voalohany, midika hoe \u201cMpanjakan\u2019ny Fahamarinana\u201d ny anarany, dia izy koa mpanjakan\u2019i Salema, izany hoe \u201cMpanjakan\u2019ny Fiadanana.\u201d",
        "3": "Tsy nanana ray sy reny izy, sady tsy nanana tetirazana. Tsy nisy fiandohana ny androm-piainany sady tsy nisy fiafarana. Natao hoatran\u2019ny Zanak\u2019Andriamanitra kosa izy, ka ho mpisorona mandrakizay.",
        "4": "Tena nanan-kaja io lehilahy io matoa i Abrahama, loham-pianakaviana, nanome azy ny ampahafolon\u2019ny zavatra tsara indrindra azony babo.",
        "5": "Marina fa raha ny Lal\u00e0na no jerena, dia izay anisan\u2019ny taranak\u2019i Levy voatendry ho mpisorona no asaina manangona ny ampahafolon-karena avy amin\u2019ny olona, izany hoe avy amin\u2019ireo rahalahiny, na dia taranak\u2019i Abrahama koa aza izy ireny.",
        "6": "Fa io lehilahy io kosa, izay tsy mba taranak\u2019i Levy, dia nahazo ampahafolon-karena avy tamin\u2019i Abrahama, ka nitso-drano an\u2019ilay nanaovana fampanantenana.",
        "7": "Tsy azo lavina fa ilay mitso-drano no lehibe kokoa noho ilay mahazo tsodrano.",
        "8": "Amin\u2019ilay iray, dia olombelona mety maty no mahazo ampahafolon-karena. Fa amin\u2019ilay iray kosa, dia ilay voaporofo hoe velona no mahazo an\u2019ilay izy.",
        "9": "Azo lazaina \u00e0ry hoe na i Levy aza nandoa ny ampahafolon-karena tamin\u2019ny alalan\u2019i Abrahama, nefa i Levy no mandray ny ampahafolon-karena.",
        "10": "Mbola tsy teraka mantsy io taranak\u2019i Abrahama io, tamin\u2019i Melkizedeka nitsena an\u2019ilay razambeny.",
        "11": "Raha nahatonga ny olona ho lavorary \u00e0ry ny fisoronan\u2019ny Levita\u2014satria anisan\u2019ilay Lal\u00e0na nomena ny vahoaka izy io\u2014dia inona indray no ilana hanendrena mpisorona hafa lazaina hoe hoatran\u2019i Melkizedeka, fa tsy hoatran\u2019i Arona?",
        "12": "Satria ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny Lal\u00e0na.",
        "13": "Fa avy amin\u2019ny foko hafa ilay lehilahy resahina amin\u2019izany, ary tsy nisy nanompo teo amin\u2019ny alitara ny olona avy tamin\u2019io foko io.",
        "14": "Mazava fa avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda ny Tompontsika, nefa tsy nilaza mihitsy i Mosesy hoe nisy mpisorona avy tamin\u2019io foko io.",
        "15": "Ary vao mainka mazava amintsika izany rehefa misy mpisorona iray hafa voatendry, dia mpisorona hoatran\u2019i Melkizedeka.",
        "16": "Tsy noho ny foko niaviany araka izay takin\u2019ny Lal\u00e0na anefa no mahatonga azy ho mpisorona, fa noho ilay hery manome azy fiainana tsy mety levona.",
        "17": "Izao mantsy no voalaza, ho vavolombelona manamarina azy: \u201cMpisorona mandrakizay ianao, hoatran\u2019i Melkizedeka.\u201d",
        "18": "Nofoanana \u00e0ry ilay didy teo aloha satria voafetra ihany ny zavatra vitany, ary tsy mandaitra ilay izy.",
        "19": "Tsy nahatonga na inona na inona ho lavorary mantsy ny Lal\u00e0na. Ilay fanantenana tsara kokoa omen\u2019Andriamanitra kosa no nahavita an\u2019izany sy nahatonga antsika ho afaka hanatona azy.",
        "20": "Ary tsy ho notendrena izany mpisorona izany raha tsy nisy fianianana natao,",
        "21": "\u2014tena nisy anefa olona lasa mpisorona na dia tsy nisy fianianana natao aza, fa ity iray ity kosa lasa mpisorona noho ny fianianan\u2019Ilay nilaza taminy hoe: \u201cNianiana i Jehovah ary tsy hiova hevitra. Hoy Izy: \u2018Mpisorona mandrakizay ianao\u2019\u201d\u2014",
        "22": "dia izany no nahatonga an\u2019i Jesosy ho antoka ny amin\u2019ny fifanekena tsara kokoa.",
        "23": "Be dia be koa ny mpisorona tsy maintsy nifandimby, satria izay maty dia tsy afaka ny ho mpisorona intsony.",
        "24": "Izy kosa mpisorona velona mandrakizay, ka tsy misy mpandimby.",
        "25": "Afaka mamonjy tanteraka an\u2019izay manatona an\u2019Andriamanitra amin\u2019ny alalany koa \u00e0ry izy, satria velona foana mba hiangavy ho an\u2019ireo.",
        "26": "Fa mety amintsika ny mpisoronabe hoatr\u2019izany, dia mpisoronabe tsy mivadika, tsy manan-tsiny, tsy misy loto, tafasaraka amin\u2019ny mpanota, ary natao ambony noho ny lanitra.",
        "27": "Tsy mila manao sorona isan\u2019andro hoatran\u2019ny nataon\u2019ireny mpisoronabe ireny izy, ka hoe mila manao sorona noho ny otan\u2019ny tenany aloha, dia avy eo noho ny otan\u2019ny vahoaka. Nanao an\u2019izany indray mandeha fotsiny mantsy izy rehefa nanolotra ny tenany.",
        "28": "Lehilahy manana fahalemena no tendren\u2019ny Lal\u00e0na ho mpisoronabe, fa Zanaka natao lavorary mandrakizay kosa no tendren\u2019ilay fianianana natao taorian\u2019ny Lal\u00e0na."
    },
    "8": {
        "1": "Izao no hevi-dehibe amin\u2019izany zavatra resahinay izany: Mpisoronabe hoatr\u2019izany no ananantsika, ary mipetraka eo ankavanan\u2019ilay Andriamanitra Lehibe any an-danitra izy.",
        "2": "Mpanompo ao amin\u2019ny toerana masina sy ny tena tranolay koa izy, ary i Jehovah, fa tsy olona, no nanorina an\u2019io tranolay io.",
        "3": "Fa tendrena hanao fanomezana sy sorona ny mpisoronabe rehetra. Tsy maintsy manao sorona koa \u00e0ry izy.",
        "4": "Tsy ho mpisorona izy raha et\u1ef3 an-tany, satria et\u1ef3 efa misy olona manolotra fanomezana araka ny Lal\u00e0na.",
        "5": "Manao fanompoana masina ireny olona ireny, ary taratra sy aloky ny zavatra any an-danitra ny fanompoana ataony. Hita tamin\u2019ilay didy nomen\u2019Andriamanitra an\u2019i Mosesy izany, tamin\u2019izy efa hanorina ny tranolay. Izao mantsy no didy nomeny: \u201cMitandrema tsara mba hifanaraka amin\u2019ilay modely naseho anao tat\u1ef3 an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.\u201d",
        "6": "Izao anefa i Jesosy nomena fanompoana tsara lavitra, satria izy koa no mpanelanelana amin\u2019ny fifanekena tsara kokoa, izay efa natao ara-dal\u00e0na noho ny fampanantenana tsara kokoa.",
        "7": "Raha tsy nisy tsininy ilay fifanekena voalohany, dia tsy ho nisy nilana fifanekena faharoa.",
        "8": "Fa tena manome tsiny ny vahoaka Andriamanitra, rehefa miteny hoe: \u201c\u2018Henoy izao!\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Ho avy ny andro hanaovako fifanekena vaovao amin\u2019ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda.",
        "9": "Tsy ho hoatran\u2019ilay fifanekena nataoko tamin\u2019ny razambeny, tamin\u2019ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta, anefa izany. Tsy nanaja an\u2019iny fifanekena nataoko taminy iny mantsy izy ireo, ka tsy noraharahiako intsony\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
        "10": "\u201c\u2018Fa izao no fifanekena hataoko amin\u2019ny taranak\u2019Israely, aorian\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah: \u2018Hataoko ao an-tsainy ny lal\u00e0ko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.",
        "11": "\u201c\u2018Samy tsy hampianatra ny mpiray firenena aminy sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: \u201cFantaro i Jehovah!\u201d Hahafantatra ahy mantsy izy rehetra, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra.",
        "12": "Fa hamindrako fo izy ireo na dia nanao ratsy aza, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.\u2019\u201d",
        "13": "Matoa izy niteny hoe \u201cfifanekena vaovao\u201d, dia nataony lany andro ilay taloha. Ary efa ho levona ilay efa lany andro sy mihantitra."
    },
    "9": {
        "1": "Ary tao amin\u2019ilay fifanekena taloha, dia nisy lal\u00e0na momba ny fanompoana masina, sady nisy toerana masina tet\u1ef3 an-tany.",
        "2": "Fa naorina ny efitra voalohany tao amin\u2019ny tranolay, ka tao amin\u2019io efitra io no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra ary ny mofo atolotra. Ary nantsoina hoe Toerana Masina io efitra io.",
        "3": "Tao ambadik\u2019ilay ridao faharoa kosa no nisy an\u2019ilay efitra nantsoina hoe Masina Indrindra.",
        "4": "Tao no nisy ny fitaovana volamena fandoroana emboka manitra sy ny Vata misy ny fifanekena. Nopetahana takela-bolamena ilay Vata manontolo, ary tao amin\u2019izy io ny siny volamena nisy ny mana, sy ilay tehin\u2019i Arona nitsimoka, ary ny takela-baton\u2019ny fifanekena.",
        "5": "Ary teo amboniny no nisy ny kerobima be\u00a0voninahitra, izay nanaloka an\u2019ilay sarony fampihavanana. Tsy izao anefa no fotoana tokony hiresahana an\u2019izany rehetra izany amin\u2019ny an-tsipiriany.",
        "6": "Rehefa voaorina hoatr\u2019izany ireo zavatra ireo, dia miditra ao amin\u2019ny efitra voalohany ao amin\u2019ilay tranolay ny mpisorona mba hanao fanompoana masina, ary miditra ao isan\u2019andro izy.",
        "7": "Ny mpisoronabe irery anefa no miditra ao amin\u2019ilay efitra faharoa, indray mandeha isan-taona. Ary tsy miditra ao izy raha tsy mitondra ra, izay atolony noho ny fahotany sy noho ny fahotana nataon\u2019ny vahoaka vokatry ny tsy fahalalan\u2019izy ireo.",
        "8": "Asehon\u2019ny fanahy masina mazava amin\u2019izany \u00e0ry, fa mbola tsy naharihary ny lalana mankao amin\u2019ny toerana masina raha mbola teo ilay tranolay voalohany.",
        "9": "Fanoharana ilazana an\u2019izao fotoana izao io tranolay io. Araka io fanoharana io, dia misy fanomezana sy sorona atolotra. Tsy mahatonga an\u2019izay manao fanompoana masina hanana feon\u2019ny fieritreretana madio tanteraka anefa ireny.",
        "10": "Zavatra momba ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fombafomba fisasana samihafa fotsiny ireny. Zavatra notakin\u2019ny lal\u00e0na momba ny vatana ireny, ary natao nanan-kery mandra-pahatongan\u2019ny fotoana voatondro hanitsiana ny zava-drehetra.",
        "11": "Efa lasa mpisoronabe anefa i Kristy, ary mandray fitahiana avy amin\u2019izany isika. Rehefa lasa mpisoronabe izy, dia niditra tao amin\u2019ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon\u2019ny tanan\u2019olona, izany hoe tsy anisan\u2019ny zavatra eto an-tany.",
        "12": "Indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin\u2019ny toerana masina, nefa tsy ran\u2019osilahy sy ran\u2019ny vantotr\u2019ombilahy no nentiny, fa ny ran\u2019ny tenany, ary tamin\u2019ny alalany no nahazoantsika fanafahana mandrakizay.",
        "13": "Fa raha ny ran\u2019osilahy sy ny ran\u2019ombilahy ary ny lavenon\u2019ny vantotr\u2019ombivavy nafafy teo amin\u2019izay naloto aza manamasina sy manadio ny vatana,",
        "14": "mainka fa ny ran\u2019i Kristy! Natolony ho sorona tsy misy tsiny ho an\u2019Andriamanitra mantsy ny tenany noho ny fiasan\u2019ny fanahy masina mandrakizay. Ny rany koa no manadio ny feon\u2019ny fieritreretantsika, ka tsy manao asa tsy misy dikany intsony isika. Amin\u2019izay isika dia ho afaka hanao fanompoana masina ho an\u2019ilay Andriamanitra velona.",
        "15": "Izany no mahatonga azy ho mpanelanelana amin\u2019ny fifanekena vaovao. Amin\u2019izay dia hahazo an\u2019ilay fampanantenana momba ny lova mandrakizay ny olona voantso. Maty mantsy i Kristy ka ny vidim-panavotana no nanafahany azy ireo noho izy ireo nandika lal\u00e0na teo ambanin\u2019ilay fifanekena taloha.",
        "16": "Rehefa misy fifanekena atao mantsy, dia tokony ho faty ilay olona nanao fifanekena.",
        "17": "Fa ny fahafatesana no mampanan-kery ny fifanekena, satria tsy manan-kery mihitsy ilay izy raha mbola velona ilay olona nanao fifanekena.",
        "18": "Noho izany, na ilay fifanekena taloha aza tsy natao nanan-kery raha tsy nisy ra nalatsaka.",
        "19": "Fa rehefa nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny olona rehetra ny didy tsirairay tao amin\u2019ny Lal\u00e0na, dia nalainy ny ran\u2019ny vantotr\u2019ombilahy sy ny ran\u2019osilahy ary ny rano, ka nafafiny teo amin\u2019ny boky sy ny vahoaka rehetra, ary volonondry mena midorehitra sy hysopa no namafazany an\u2019izany.",
        "20": "Hoy izy tamin\u2019izay: \u201cIty no ran\u2019ny fifanekena nataon\u2019Andriamanitra taminareo, dia ilay fifanekena nasainy nohajainareo.\u201d",
        "21": "Nofafazany ra koa ny tranolay sy ny fitaovana rehetra fanaovana fanompoana masina.",
        "22": "Saika ny zava-drehetra no diovina amin\u2019ny ra, araka ny Lal\u00e0na. Ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.",
        "23": "Tsy maintsy nodiovina hoatr\u2019izany koa \u00e0ry ny taratry ny zavatra any an-danitra. Mila sorona tsara lavitra noho izany anefa ny zavatra any an-danitra.",
        "24": "I Kristy mantsy tsy niditra tao amin\u2019ny toerana masina nataon\u2019ny tanan\u2019olona, izany hoe toerana masina sahala amin\u2019ilay tena izy, fa niditra tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan\u2019Andriamanitra ho antsika amin\u2019izao.",
        "25": "Tsy hoe nanao an\u2019izany izy mba hanao sorona ny tenany imbetsaka, tsy hoatran\u2019ny mpisoronabe izay miditra isan-taona ao amin\u2019ny toerana masina, sady mitondra ra nefa tsy ny ran\u2019ny tenany.",
        "26": "Raha izany mantsy, dia ho voatery nijaly matetika izy nanomboka tamin\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao. Efa niseho indray mandeha fotsiny anefa izy mandritra ny fotoana ifaranan\u2019izao tontolo izao, mba hanala tanteraka ny ota amin\u2019ny alalan\u2019ilay sorona nataony.",
        "27": "Maty indray mandeha fotsiny ny olona, ary hotsaraina aorian\u2019izay,",
        "28": "dia hoatr\u2019izany koa fa natolotra indray mandeha fotsiny i Kristy mba hitondra ny fahotan\u2019ny olona maro. Ary rehefa miseho fanindroany izy, dia tsy hoe hanala fahotana, fa hiseho amin\u2019izay miandry azy mafy mba hamonjy azy ireo."
    },
    "10": {
        "1": "Aloky ny zavatra tsara ho avy fotsiny ny Lal\u00e0na, fa tsy ilay tena izy. Tsy mahatonga an\u2019izay manatona an\u2019Andriamanitra ho lavorary mihitsy \u00e0ry ny Lal\u00e0na, na dia eo aza ny sorona mitovy atolotra foana isan-taona.",
        "2": "Raha nahavita an\u2019izany ireny sorona ireny, dia tsy ho nilaina intsony ny nanao sorona. Tsy ho nahatsiaro ny tenany ho mpanota intsony mantsy izay manao fanompoana masina, satria efa nodiovina indray mandeha.",
        "3": "Ireny sorona ireny kosa aza no mampahatsiahy ny olona isan-taona isan-taona hoe mpanota izy ireo,",
        "4": "satria tsy mahavita manala ny ota ny ran\u2019ombilahy sy ny ran\u2019osilahy.",
        "5": "Rehefa tonga teto amin\u2019izao tontolo izao \u00e0ry i Kristy, dia niteny hoe: \u201c\u2018Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao.",
        "6": "Tsy nankasitrahanao koa ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota.\u2019",
        "7": "Dia hoy aho: \u2018Int\u1ef3 aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra\u00a0\u00f4!\u2014Voasoratra ao amin\u2019ny horonam-boky ny momba ahy.\u2014\u2019\u201d",
        "8": "Ary niteny izy aloha hoe: \u201cSady tsy tianao no tsy nankasitrahanao ny sorona sy ny fanatitra, sy ny fanatitra dorana manontolo, ary ny fanatitra noho ny ota.\u201d\u2014Natolotra araka ny Lal\u00e0na ireny sorona ireny.\u2014",
        "9": "Dia avy eo izy niteny hoe: \u201cInt\u1ef3 aho tonga hanao ny sitraponao.\u201d Esoriny ilay voalohany mba hametrahana an\u2019ilay faharoa.",
        "10": "Noho izany \u2018sitrapony\u2019 izany, dia nohamasinina tamin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy isika, rehefa nanolotra ny vatany indray mandeha fotsiny izy.",
        "11": "Samy nankeo amin\u2019ny toerany koa ny mpisorona isan\u2019andro, mba hanao fanompoana masina sy hanao sorona mitovy imbetsaka. Tsy mahavita manala tanteraka ny ota mihitsy anefa ireny sorona ireny.",
        "12": "Fa izy kosa nanao sorona anankiray noho ny ota, dia sorona indray mandeha fotsiny. Ary nipetraka teo ankavanan\u2019Andriamanitra izy avy eo.",
        "13": "Nanomboka tamin\u2019izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.",
        "14": "Fa nataony lavorary mandrakizay izay olona nohamasinina, ka fanatitra anankiray natao sorona no nanaovany an\u2019izany.",
        "15": "Vavolombelona manamarina an\u2019izany amintsika koa ny fanahy masina, satria niteny izy io aloha hoe:",
        "16": "\u201c\u2018Izao no fifanekena hataoko amin\u2019izy ireo, aorian\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah: \u2018Hataoko ao am-pony ny lal\u00e0ko, sady hosoratako ao an-tsainy.\u2019\u201d",
        "17": "Hoy koa ny fanahy masina avy eo: \u201cAry tsy hotsaroako intsony ny fahotany sy ny fandikan-dal\u00e0na nataony.\u201d",
        "18": "Ary rehefa voavela ireo fahotana ireo, dia tsy ilaina intsony ny fanatitra noho ny ota.",
        "19": "Sahintsika \u00e0ry, ry\u00a0rahalahy, ny hiditra eo amin\u2019ilay lalana mankao amin\u2019ny toerana masina, noho ny ran\u2019i Jesosy.",
        "20": "Nosokafany ho antsika izany lalana izany, tamin\u2019izy nandalo teo amin\u2019ilay ridao, izany hoe ny nofony.",
        "21": "Ary manana mpisoronabe miandraikitra ny ao an-tranon\u2019Andriamanitra koa isika. Noho izany,",
        "22": "dia andao isika hanatona an\u2019Andriamanitra amin\u2019ny fo madio sy amim-patokisana tanteraka, satria ny fontsika efa voadio ho afaka amin\u2019ny feon\u2019ny fieritreretana maloto, ary ny vatantsika efa voasasa tamin\u2019ny rano madio.",
        "23": "Ary andao hambarantsika foana amin\u2019ny olona rehetra ny fanantenantsika, ka tsy hisalasala isika, satria tsy mba mivadika amin\u2019ny teniny ilay nampanantena.",
        "24": "Andao koa isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara,",
        "25": "ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, hoatran\u2019ny sasany efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa. Vao mainka tokony hanao an\u2019izany isika, satria hitanareo fa mihamanakaiky ilay andro.",
        "26": "Fa raha manao fanahy iniana manota isika nefa efa mahalala tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony.",
        "27": "Miandry fanamelohana sisa isika sady matahotra, ary miandry fahatezerana mirehitra toy ny afo, izay handevona ny mpanohitra.",
        "28": "Izay tsy niraharaha ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy dia novonoina ho faty tsy nananana antra, noho ny tenin\u2019ny vavolombelona roa na telo.",
        "29": "Araka ny hevitrareo \u00e0ry, tsy vao mainka ve ho mafy kokoa ny sazy mendrika an\u2019izay manitsaka ny Zanak\u2019Andriamanitra, sy mihevitra fa tsy dia misy dikany ny ran\u2019ilay fifanekena nanamasinana azy, ary manao tsinontsinona ny fanahin\u2019ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka?",
        "30": "Fantatsika Ilay niteny hoe: \u201cAhy ny famaliana, ary izaho no hamaly\u201d, sy hoe: \u201cHitsara ny vahoakany i Jehovah.\u201d",
        "31": "Mampahatahotra izany ho azon\u2019ny tanan\u2019ilay Andriamanitra velona izany.",
        "32": "Tadidio foana anefa ny andro taloha, tamin\u2019ianareo niady mafy sy niaritra fijaliana, rehefa nomena hazavana.",
        "33": "Indraindray dia noharatsina sy nampahorina teny imasom-bahoaka ianareo, ary indraindray niara-ory tamin\u2019ireo natao hoatr\u2019izany.",
        "34": "Fa nangoraka an\u2019izay nigadra ianareo ary mbola faly foana na dia norobaina aza ny fanananareo. Fantatrareo mantsy fa manana lova tsara kokoa sy maharitra ianareo.",
        "35": "Tokony ho sahy hiteny foana \u00e0ry ianareo, fa hahazoana valisoa be izany.",
        "36": "Fa mila miaritra ianareo mba ho tanteraka aminareo ilay fampanantenana, rehefa vitanareo ny sitrapon\u2019Andriamanitra.",
        "37": "Fa \u201cefa tena kely sisa\u201d dia \u201cho tonga ilay ho avy, ary tsy ho ela.\u201d",
        "38": "\u201cNy olo-marina anefa ho velona satria manam-pinoana\u201d, fa \u201craha mihemotra izy, dia tsy hankasitrahako.\u201d",
        "39": "Koa tsy anisan\u2019izay mihemotra mba ho ringana isika, fa anisan\u2019izay manam-pinoana mba ho voatsimbina ny aintsika."
    },
    "11": {
        "1": "Ny finoana dia fatokisana tanteraka hoe hitranga ny zavatra antenaina, sady porofo manamarina ny zavatra tena misy nefa tsy hita maso.",
        "2": "Fa noho ny finoana dia nasehon\u2019Andriamanitra hoe nankasitrahany ny olona\u00a0fahiny.",
        "3": "Finoana no ahalalantsika hoe ny tenin\u2019Andriamanitra no nandaminana an\u2019izao tontolo izao, ka avy amin\u2019ny zavatra tsy hita maso no nampisy ny zavatra hita maso.",
        "4": "Finoana no nahatonga an\u2019i Abela hanao sorona ho an\u2019Andriamanitra, dia sorona nisy vidiny kokoa noho ny an\u2019i Kaina. Noho ny finoany, dia nahazo porofo izy hoe olo-marina satria nankasitraka ny fanomezana nataony Andriamanitra. Ary na efa maty aza izy, dia mbola miteny ihany noho ny finoany.",
        "5": "Finoana no nahatonga an\u2019i Enoka hafindra toerana mba tsy hahita fahafatesana, ary tsy hita na taiza na taiza izy satria nafindran\u2019Andriamanitra. Fa talohan\u2019ny namindrana azy, dia nahazo porofo izy hoe nankasitrahan\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Ary izay tsy manam-pinoana dia tsy afaka mampifaly an\u2019Andriamanitra. Fa izay manatona azy dia tsy maintsy mino hoe misy izy sady mpamaly soa an\u2019izay mitady mafy azy.",
        "7": "Finoana no nahatonga an\u2019i Noa hatahotra an\u2019Andriamanitra sy hanamboatra sambofiara mba hamonjena ny ankohonany. Efa nampitandreman\u2019Andriamanitra momba ny zavatra mbola tsy hitany izy talohan\u2019izay. Finoana koa no nanamelohany an\u2019izao tontolo izao, ka lasa mpandova ny fahamarinana izy satria nanam-pinoana.",
        "8": "Finoana no nahatonga an\u2019i Abrahama hankat\u00f2 rehefa nantsoina izy. Nankat\u00f2 izy ka nankany amin\u2019ny toerana homena azy ho lovany. Ary nandeha izy, na dia tsy fantany aza hoe ho aiza.",
        "9": "Finoana no nahatonga azy hivahiny tany amin\u2019ilay tany nampanantenaina, ka hoatran\u2019ny hoe tany an-tanin\u2019olona izy. Nipetraka an-tranolay izy, niaraka tamin\u2019i Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova aminy an\u2019ilay fampanantenana.",
        "10": "Niandry foana an\u2019ilay tan\u00e0na manana fototra tena izy mantsy izy, ary Andriamanitra no mpamorona sy mpanangana an\u2019ilay izy.",
        "11": "Finoana koa no nahatonga an\u2019i Saraha ho bevohoka, na dia efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka aza izy. Nieritreritra mantsy izy hoe tsy mivadika amin\u2019ny teniny Ilay nampanantena azy.",
        "12": "Noho izany, dia avy tamin\u2019ny lehilahy anankiray, izay toy ny efa maty, no nahaterahan\u2019ny olona be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra sady tsy voaisa hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina.",
        "13": "Nanam-pinoana mandra-pahafatiny izy rehetra ireny, na dia tsy hitany aza ny fahatanterahan\u2019ny fampanantenana. Tazan\u2019izy ireo lavitra kosa izany ka nandrasany mafy, ary nilaza tamin\u2019ny olona izy ireo hoe vahiny sy mpivahiny teo amin\u2019ilay tany.",
        "14": "Fa izay milaza an\u2019izany dia manaporofo fa miezaka mafy mitady toerana honenany izy.",
        "15": "Raha nieritreritra foana ny toerana nialany anefa izy ireo, dia ho nahita hirika hiverenana.",
        "16": "Fa toerana tsara kokoa no iriny ho azo, dia ilay any an-danitra. Tsy mahamenatra an\u2019Andriamanitra \u00e0ry ny hantsoina hoe Andriamaniny, satria izy efa nanomana tan\u00e0na ho azy ireo.",
        "17": "Finoana no nahatonga an\u2019i Abrahama ho hoatran\u2019ny hoe efa nanao sorona an\u2019i Isaka mihitsy, tamin\u2019izy notsapaina.\u2014Vonona hanao sorona ny zanany lahitokana ilay lehilahy izay faly er\u1ef3 nahazo ny fampanantenana.\u2014Vonona hanao an\u2019izany izy,",
        "18": "na dia efa nilazana aza hoe: \u201cHo avy amin\u2019i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.\u201d",
        "19": "Fantany mantsy fa vitan\u2019Andriamanitra na dia ny manangana an\u2019i Isaka amin\u2019ny maty aza. Ary naverina taminy indray io zanany io na dia toy ny hoe efa maty aza, ka lasa misy heviny an\u2019ohatra izany.",
        "20": "Finoana koa no nahatonga an\u2019i Isaka hitso-drano an\u2019i Jakoba sy Esao momba ny zavatra mbola ho avy.",
        "21": "Finoana no nahatonga an\u2019i Jakoba hitso-drano azy roa lahy zanak\u2019i Josefa, tamin\u2019i Jakoba efa ho faty, ary niankohoka izy sady niankina tamin\u2019ny tendron\u2019ny tehiny.",
        "22": "Finoana no nahatonga an\u2019i Josefa, tamin\u2019izy efa ho faty, hiresaka hoe hafahana ny zanak\u2019Israely, ka nanafatrafatra momba ny taolambalony izy.",
        "23": "Finoana no nahatonga ny ray aman-drenin\u2019i Mosesy hanafina azy telo\u00a0volana, taorian\u2019ny nahaterahany. Hitan\u2019izy ireo mantsy fa zaza mahafatifaty izy, ary tsy natahotra ny didin\u2019ny mpanjaka izy ireo.",
        "24": "Finoana no nahatonga an\u2019i Mosesy tsy hanaiky hatao hoe zanaky ny zanakavavin\u2019i Farao, rehefa nihalehibe izy.",
        "25": "Naleony nampijalina niaraka tamin\u2019ny vahoakan\u2019Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin\u2019ny fahotana.",
        "26": "Nihevitra mantsy izy hoe sarobidy noho ny harenan\u2019i Ejipta ny latsa nozakain\u2019ilay Voahosotra, satria niandry mafy ny hahazo an\u2019ilay valisoa izy.",
        "27": "Finoana, fa tsy tahotra ny hatezeran\u2019ny mpanjaka, no nahatonga azy hiala tao Ejipta, satria tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny nahita an\u2019Ilay tsy hita.",
        "28": "Finoana no nahatonga azy hankalaza ny Paska sy hanosotra ra teo amin\u2019ny tol\u00e0m-baravarana, mba tsy hamely ny lahimatoa teo amin\u2019ny Israelita ny mpandringana.",
        "29": "Finoana no nahavitan\u2019izy ireo niampita ny Ranomasina Mena, hoatran\u2019ny hoe nandeha teo amin\u2019ny tany maina. Natelin\u2019ny rano kosa ny Ejipsianina rehefa nanandrana nandeha teo.",
        "30": "Finoana no nampianjera ny mandan\u2019i Jeriko rehefa avy nohodidinina nandritra ny fito andro.",
        "31": "Finoana no nahatonga an\u2019i Rahaba mpivaro-tena tsy ho faty niaraka tamin\u2019ny olona tsy nankat\u00f2, satria noraisiny tsara ireo mpitsikilo.",
        "32": "Inona koa no holazaiko? Fa tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko daholo ny momba an\u2019i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, ary ny mpaminany hafa.",
        "33": "Nanam-pinoana izy ireo ka nandresy fanjakana, nampanjaka ny fahamarinana, nahazo fampanantenana, nanakombona ny vavan\u2019ny liona,",
        "34": "namono afo niredareda, afaka nandositra lelan-tsabatra, nalemy nefa lasa nahery, lasa nahery tany an\u2019ady, ary nampandositra miaramila nanafika.",
        "35": "Ny vehivavy sasany kosa nandray ny havany natsangana tamin\u2019ny maty. Ny olona hafa indray nampijalijalina satria tsy nanaiky hafahana tamin\u2019ny alalan\u2019ny vidim-panavotana, amin\u2019izay izy ireo hahazo fitsanganana tsara kokoa.",
        "36": "Ny hafa kosa notsapaina ka nesoina sy nokaravasina, ary tsy izany ihany fa nofatorana rojo vy sy nogadraina koa.",
        "37": "Notoraham-bato izy ireo, notsapaina, notsofana hizara roa, novonoina tamin\u2019ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr\u2019ondry sy hoditr\u2019osy, sady tsy nanana na inona na inona sy niaritra fahoriana ary nampijalina.",
        "38": "Ary tsy mendrika azy ireo izao tontolo izao. Nirenireny tany an-tany efitra izy ireo, teny an-tendrombohitra, tany anaty lava-bato, ary tany anaty lavaka any ambanin\u2019ny tany.",
        "39": "Tsy nahita ny fahatanterahan\u2019ilay fampanantenana anefa izy rehetra ireo, na dia nahazo porofo aza hoe nankasitrahana satria nanam-pinoana.",
        "40": "Andriamanitra mantsy efa nieritreritra ny hanome antsika zavatra tsara kokoa, mba tsy hatao lavorary izy ireo raha tsy eo isika."
    },
    "12": {
        "1": "Koa satria misy an\u2019ireo vavolombelona be dia be toy ny rahona ireo manodidina antsika, dia andao koa isika hanala an\u2019izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota mora manakantsakana antsika, ary andao isika hanohy an\u2019ilay hazakazaka asaina ataontsika ka haharitra amin\u2019izany.",
        "2": "Sady mihazakazaka isika no mibanjina tsara an\u2019ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sady Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy. Fa niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo alohany, ka tsy nampaninona azy ny ho afa-baraka, ary nipetraka teo ankavanan\u2019ny seza fiandrianan\u2019Andriamanitra izy.",
        "3": "Diniho tsara \u00e0ry ilay niaritra ny teny feno fankahalana nolazain\u2019ny mpanota izay nanimba ny tenany. Amin\u2019izay ianareo dia tsy ho reraka na ho kivy.",
        "4": "Miady mafy amin\u2019izany ota izany ianareo, nefa mbola tsy tonga hatramin\u2019ny fandatsahana ny ranareo.",
        "5": "Ary efa hadinonareo tanteraka ilay fiangaviana anareo hoatran\u2019ny ataon\u2019ny ray amin\u2019ny zanany, hoe: \u201cAza atao tsinontsinona, anaka, ny famaizan\u2019i Jehovah, ary aza kivy raha anariny ianao.",
        "6": "Fa izay tian\u2019i Jehovah no faiziny. Saziny izay raisiny hoatran\u2019ny zanaka.\u201d",
        "7": "Mila miaritra ianareo, fa anisan\u2019ny famaizana anareo izany. Mitondra anareo hoatran\u2019ny zanaka mantsy Andriamanitra. Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?",
        "8": "Raha tsy faizina hoatr\u2019izany ianareo rehetra, dia tena zazasary fa tsy zanaka.",
        "9": "Ankoatra izany, dia nanafay antsika ny ray olombelona niteraka antsika, ary nohajaintsika. Tsy vao mainka \u00e0ry ve isika tokony hanaiky an\u2019ilay Ray mitarika ny fiainantsika amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina, dia amin\u2019izay isika ho velona?",
        "10": "Nanafay antsika vetivety ihany izy ireny, araka izay hitany fa mety, fa Izy kosa manao an\u2019izany mba hahasoa antsika, dia amin\u2019izay isika ho masina hoatr\u2019azy koa.",
        "11": "Marina fa hoatran\u2019ny hoe tsy mahafaly eo no ho eo ny famaizana, fa mampahory. Avy eo anefa dia misy vokany tsara izany famaizana izany, dia fiadanana sy fahamarinana ho an\u2019izay nampiofanina tamin\u2019ny alalan\u2019izany.",
        "12": "Hatanjaho \u00e0ry izay miraviravy tanana sy malemy lohalika.",
        "13": "Ataovy mahitsy foana koa ny lalana halehan\u2019ny tongotrareo, mba tsy hifandiso ny tonon-taolan\u2019izay malemy tongotra, fa mba ho sitrana.",
        "14": "Ataovy izay hihavananareo amin\u2019ny olona rehetra, ary miezaha ho masina foana. Tsy hahita ny Tompo mantsy izay tsy masina.",
        "15": "Mitandrema tsara ianareo rehetra, sao dia tsy hanehoan\u2019Andriamanitra ny hatsaram-panahiny miavaka. Amin\u2019izay koa tsy hisy faka feno poizina hipoitra eo aminareo ka hampisy olana sady hanapoizina olona be dia be.",
        "16": "Tandremo koa sao hisy mpijangajanga aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an\u2019i Esao, izay nahafoy ny zon\u2019ny lahimatoa ho takalon\u2019ny sakafo indray mihinana.",
        "17": "Fantatrareo fa nolavina izy tat\u1ef3 aoriana, rehefa te hahazo an\u2019ilay tsodrano. Fa na dia niezaka mafy nampiova hevitra ny rainy aza izy sady nitomany, dia tsy nisy vokany izany.",
        "18": "Ianareo mantsy tsy nanatona tendrombohitra azo tsapain-tanana sady nirehitra, na rahona mainty, na haizina mikitroka, na tafio-drivotra mahery,",
        "19": "na feon\u2019ny trompetra notsofina mafy be, na feo niteny tamin\u2019ny vahoaka. Rehefa naheno an\u2019izany feo izany ny vahoaka, dia nitalaho mba tsy hisy zavatra holazaina aminy intsony.",
        "20": "Fa tsy zakan\u2019izy ireo ilay didy hoe: \u201cNa biby aza no mikasika an\u2019ilay tendrombohitra, dia tsy maintsy hotoraham-bato.\u201d",
        "21": "Nampahatahotra loatra koa ilay zava-niseho tamin\u2019izany, ka hoy i Mosesy: \u201cMatahotra sy mangovitra aho!\u201d",
        "22": "Fa ny hatoninareo kosa dia Tendrombohitra Ziona sy tan\u00e0nan\u2019ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra; sy anjely an\u2019alinaliny",
        "23": "miara-mivory; sy ny fiangonan\u2019ny lahimatoa voasoratra any an-danitra; sy Andriamanitra, ilay Mpitsara ny olona rehetra; sy ny olo-marina manaraka ny fitarihan\u2019ny fanahy masina ka efa natao lavorary;",
        "24": "sy Jesosy, ilay mpanelanelana amin\u2019ny fifanekena vaovao; ary ny ra nafafy izay miteny tsara kokoa noho ny ran\u2019i Abela.",
        "25": "Mitandrema ianareo sao tsy mety mihaino an\u2019ilay miteny. Izay tsy nety nihaino an\u2019ilay nilaza ny fampitandreman\u2019Andriamanitra teto an-tany aza tsy afaka nandositra, koa mainka fa isika raha tsy mankat\u00f2 an\u2019ilay miteny avy any an-danitra isika!",
        "26": "Nanozongozona ny tany ny feony tamin\u2019izay, fa amin\u2019izao kosa izy nampanantena hoe: \u201cMbola hohozongozoniko indray ny tany, nefa tsy ny tany ihany fa ny lanitra koa.\u201d",
        "27": "Ilay teny hoe \u201cindray\u201d dia midika fa hesorina izay zavatra hozongozonina, izany hoe ny zavatra natao, amin\u2019izay mba ho eo foana ny zavatra tsy hozongozonina.",
        "28": "Hahazo Fanjakana tsy azo hozongozonina isika, ka andao \u00e0ry isika hiezaka hatrany mba hanehoana hatsaram-panahy miavaka foana. Izany hatsaram-panahy miavaka izany mantsy no ahafahantsika manao fanompoana masina azony ekena, sady matahotra sy manaja azy ihany isika amin\u2019izany.",
        "29": "Fa afo mandevona ilay Andriamanitsika."
    },
    "13": {
        "1": "Mifankatiava foana hoatran\u2019ny mpirahalahy.",
        "2": "Aza hadinoina ny mandray vahiny, fa izany no nahatonga ny sasany hampiantrano anjely nefa tsy fantany akory.",
        "3": "Tsarovy izay migadra, toy ny hoe miara-migadra aminy ianareo. Tsarovy koa izay ampijalina, satria ianareo koa mba olombelona ihany.",
        "4": "Aoka ho mendri-kaja amin\u2019ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aza avela ho voaloto ny fandrianan\u2019ny mpivady, fa homelohin\u2019Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.",
        "5": "Asehoy amin\u2019ny fomba fiainanareo hoe tsy tia vola ianareo, ary miezaha hianina amin\u2019izay efa eo. Fa hoy izy: \u201cTsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.\u201d",
        "6": "Dia ho be herim-po isika amin\u2019izay, ka hilaza hoe: \u201cI Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon\u2019ny olona atao amiko?\u201d",
        "7": "Tsarovy ireo mitarika eo aminareo, dia ireo nilaza ny tenin\u2019Andriamanitra taminareo. Ary rehefa mandinika ny soa entin\u2019ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.",
        "8": "Tsy miova i Jesosy Kristy omaly sy anio ary mandrakizay.",
        "9": "Aza manaiky ho voatariky ny fampianarana maro samihafa sy ny fampianarana hafahafa. Fa aleo ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra no hanatanjaka ny fonareo, fa tsy ny lal\u00e0na momba ny sakafo. Tsy mandray soa akory mantsy izay mihevitra hoe ny sakafo no tena zava-dehibe.",
        "10": "Manana alitara isika, ary tsy manana fahefana hihinana eo izay manao fanompoana masina ao amin\u2019ny tranolay.",
        "11": "Fa rehefa avy nentin\u2019ny mpisoronabe tao amin\u2019ny toerana masina ny ran\u2019ny biby mba hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan\u2019ny toby ny fatiny.",
        "12": "Noho izany, dia nijaly tany ivelan\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na koa i Jesosy, mba hohamasininy amin\u2019ny alalan\u2019ny rany ny vahoaka.",
        "13": "Andao \u00e0ry isika ho any aminy any ivelan\u2019ny toby, ka hitondra ny latsa nentiny.",
        "14": "Fa tsy manana tan\u00e0na maharitra eto isika, fa ilay ho avy no tena tadiavintsika.",
        "15": "Koa manaova foana sorona fiderana ho an\u2019Andriamanitra amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy, izany hoe vokatry ny molotra, ka resaho amin\u2019ny hafa ny momba ny anarany.",
        "16": "Ankoatra izany, dia aza hadinoina ny manao soa sy ny mizara amin\u2019ny hafa, fa tena mahafaly an\u2019Andriamanitra ny sorona toy izany.",
        "17": "Ankatoavy sy ekeo ireo mitarika eo aminareo. Miahy anareo foana mantsy izy ireny, toy ny olona mbola hatao ampamoaka. Amin\u2019izay dia ho faly izy ireny rehefa manao an\u2019izany fa tsy hisento, satria tsy hahasoa anareo izany.",
        "18": "Mivavaha foana ho anay. Matoky mantsy izahay hoe madio ny eritreritray, satria te hanao ny marina amin\u2019ny zava-drehetra izahay.",
        "19": "Fa ny tena ampirisihako anareo dia hoe mivavaha mba ho tafaverina haingana kokoa any aminareo aho.",
        "20": "Nafahan\u2019ilay Andriamanitry ny fiadanana avy tany amin\u2019ny maty ilay mpiandry ondry lehibe, dia i Jesosy Tompontsika, izay nitondra ny ran\u2019ny fifanekena mandrakizay. Enga anie ilay Andriamanitry ny fiadanana",
        "21": "hanome anareo ny zavatra tsara rehetra mba hanaovanareo ny sitrapony! I Jesosy Kristy no ampiasainy mba hahatonga antsika hanao an\u2019izay mahafinaritra azy. Ho an\u2019Andriamanitra anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.",
        "22": "Ary mampirisika anareo aho, ry\u00a0rahalahy, mba haharitra hihaino an\u2019izany teny mampahery izany. Fohy ihany mantsy ity taratasy nosoratako ho anareo ity.",
        "23": "Tiako ho fantatrareo fa efa nafahana i Timoty rahalahintsika. Ary raha vetivety izy dia tonga at\u1ef3, dia hiaraka ho any aminareo izahay.",
        "24": "Mampamangy any amin\u2019izay rehetra mitarika eo aminareo, sy any amin\u2019ny olona masina rehetra. Mampamangy, hono, ianareo, hoy ry\u00a0zareo at\u1ef3 Italia.",
        "25": "Enga anie ianareo rehetra mba hanehoana hatsaram-panahy miavaka!"
    },
    "meta": {
        "name": "Hebreo",
        "order": 57,
        "chapter_number": 13
    }
}
