{
    "1": {
        "1": "Rehefa maty i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa zanak\u2019i Nona sady mpanompon\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cEfa maty i Mosesy mpanompoko. Miom\u00e0na \u00e0ry hiampita an\u2019i Jordana ianao sy ity vahoaka manontolo ity, ary midira ao amin\u2019ilay tany homeko ny vahoakan\u2019Israely.",
        "3": "Homeko anareo izay toerana rehetra hohitsahin\u2019ny tongotrareo, araka ny efa nampanantenaiko an\u2019i Mosesy.",
        "4": "Ary hanomboka any an-tany efitra ny faritry ny taninareo dia hitohy hatrany Lib\u00e0na sy hatrany Eofrata, ilay renirano lehibe, izany hoe ny tany rehetra izay an\u2019ny Hetita, ka hatrany amin\u2019ny Ranomasina Lehibe eo andrefana.",
        "5": "Tsy hisy olona hahatohitra anao raha mbola velona koa ianao. Hoatran\u2019ny nanampiako an\u2019i Mosesy no hanampiako anao. Tsy handao anao aho ary tsy hahafoy anao mihitsy.",
        "6": "Man\u00e0na herim-po ary mahereza, satria ianao no hitarika an\u2019ity vahoaka ity ho any amin\u2019ilay tany ho lovany, dia ilay nianianako tamin\u2019ny razambeny fa homeko azy.",
        "7": "\u201cMan\u00e0na herim-po ary mahereza! Araho tsara izay rehetra voalazan\u2019ny Lal\u00e0na nandidian\u2019i Mosesy mpanompoko anao. Ary aza miala amin\u2019izany na mivily miankavanana na miankavia, dia hanao zavatra amim-pahendrena ianao na aiza na aiza alehanao.",
        "8": "Tsy tokony ho afaka am-bavanao ny teny ato amin\u2019ity boky misy ny Lal\u00e0na ity, ary vakio sy saintsaino andro aman\u2019alina izany. Amin\u2019izay ianao dia hanaraka tsara an\u2019izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.",
        "9": "Mandidy anao indray \u00e0ry aho hoe: \u2018Man\u00e0na herim-po ary mahereza!\u2019 Aza matahotra na mihorohoro, fa hanampy anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.\u201d",
        "10": "Ary nomen\u2019i Josoa didy ireo mpifehy ny vahoaka hoe:",
        "11": "\u201cMandehana eran\u2019ny toby ka omeo an\u2019izao baiko izao ny vahoaka: \u2018Manom\u00e0na vatsy, fa hiampita an\u2019i Jordana ianareo rehefa afaka telo andro mba haka an\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo.\u2019\u201d",
        "12": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019ny Robenita sy ny Gadita ary\u00a0ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase:",
        "13": "\u201cTadidio ny didy nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah anareo hoe: \u2018Ataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo milamina ny fiainanareo, sady efa nomeny an\u2019ity tany ity ianareo.",
        "14": "Hipetraka et\u1ef3 amin\u2019ny tany nomen\u2019i Mosesy anareo et\u1ef3 ampitan\u2019i Jordana ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny biby fiompinareo. Fa ianareo miaramila matanjaka rehetra kosa, tokony hiampita ka hilahatra hiady eo alohan\u2019ny rahalahinareo. Tsy maintsy ampianareo ny rahalahinareo,",
        "15": "mandra-pahatongan\u2019izy ireo any amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo azy. Hataon\u2019i Jehovah milamina ny fiainan\u2019izy ireo amin\u2019izay, hoatran\u2019ny nataony taminareo. Avy eo, dia miverena eto amin\u2019ny tany nomena anareo ary mipetraha eto, dia eto amin\u2019ilay tany nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah anareo, et\u1ef3 atsinanan\u2019i Jordana.\u2019\u201d",
        "16": "Hoy ny navalin\u2019izy ireo an\u2019i Josoa: \u201cHataonay daholo izay asainao ataonay, ary handeha any amin\u2019izay anirahanao anay izahay.",
        "17": "Toy ny nihainoanay an\u2019izay rehetra nolazain\u2019i Mosesy no hihainoanay anao koa. Enga anie i Jehovah Andriamanitrao hanampy anao, toy ny nataony tamin\u2019i Mosesy!",
        "18": "Hovonoina ho faty izay olona mikomy tsy manaraka ny baikonao sy tsy mankat\u00f2 an\u2019izay rehetra asainao ataony. Man\u00e0na herim-po ary mahereza!\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Ary naniraka an-tsokosoko mpitsikilo roa lahy i Josoa zanak\u2019i Nona, rehefa tao Sitima. Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMandehana jereo ilay tany, indrindra fa i Jeriko.\u201d Nandeha \u00e0ry izy ireo, dia nankao an-tranon\u2019ny mpivaro-tena atao hoe Rahaba, ka nijanona tao.",
        "2": "Dia nisy nilaza tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Jeriko hoe: \u201cMisy lehilahy israelita tonga eto izao alina izao, mba hitsikilo ny tany.\u201d",
        "3": "Koa naniraka olona nankany amin\u2019i Rahaba ny mpanjakan\u2019i Jeriko mba hiteny hoe: \u201cAvoahy ireo lehilahy tonga ato aminao, fa hitsikilo ny tany manontolo no nahatongavan-dry zareo.\u201d",
        "4": "Nafenin\u2019ilay vehivavy anefa izy roa lahy. Ary hoy izy: \u201cIe! Tonga teto amiko ireny lehilahy ireny, fa tsy fantatro hoe avy aiza ry zareo.",
        "5": "Rehefa maizina ny andro ka efa hohidiana ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na, dia lasa ry zareo. Fa tsy fantatro izay nalehany. Raha enjehinareo haingana anefa ry zareo, dia ho tratranareo.\u201d",
        "6": "Efa nentin\u2019ilay vehivavy tany an-tampon-trano anefa izy roa lahy, ka nafeniny tao ambany tahon-drongony nalahadahatra.",
        "7": "Lasa nanenjika azy roa lahy \u00e0ry ireo iraky ny mpanjaka, ka nandeha tamin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, teny amin\u2019ny toerana fiampitana. Ary nohidiana ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na raha vao tafavoaka ireo mpanenjika.",
        "8": "Raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao amin-dry zareo tao an-tampon-trano ilay vehivavy.",
        "9": "Hoy izy tamin\u2019izy roa lahy: \u201cFantatro fa homen\u2019i Jehovah anareo ity tany ity, ary matahotra anareo izahay. Kivy ny mponina rehetra eto amin\u2019ity tany ity satria ho avy ianareo.",
        "10": "Henonay mantsy fa nataon\u2019i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo. Henonay koa ny nataonareo tamin\u2019ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona sy Oga, izay naringanareo teny ampitan\u2019i Jordana.",
        "11": "Rehefa naheno an\u2019izany izahay, dia natahotra be. Tsy misy manana herim-po hanoherana anareo intsony izahay, satria hitanay hoe i Jehovah Andriamanitrareo dia Andriamanitra any amin\u2019ny lanitra ambony sy et\u1ef3 amin\u2019ny tany ambany.",
        "12": "Koa mba manaova re fianianana amiko amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah\u00a0e, hoe ho tsara fanahy amin\u2019ny ankohonan-draiko ianareo satria tsara fanahy taminareo aho. Ary omeo antoka aho hoe hitana ny teninareo ianareo.",
        "13": "Dia tsimbino ny ain\u2019ny raiko sy ny reniko, ny ain\u2019ny anadahiko sy ny rahavaviko, ary izay rehetra an-dry zareo, ary vonjeo izahay mba tsy ho faty.\u201d",
        "14": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cNy ainay mihitsy no hataonay antoka! Raha tsy lazainao amin\u2019olona ny anton-dianay, dia ho tsara fanahy aminao izahay sady hitana ny teninay taminao, rehefa homen\u2019i Jehovah anay ity tany ity.\u201d",
        "15": "Avy eo dia nampidinin\u2019ilay vehivavy tamin\u2019ny tady avy teo am-baravarankely izy ireo. Teo amin\u2019ny sisiny iray tamin\u2019ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na mantsy ny tranony, teo ambonin\u2019ilay manda.",
        "16": "Ary hoy izy tamin\u2019izy roa lahy: \u201cMandehana any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, ary miafena any telo andro mba tsy ho hitan\u2019ireo manenjika anareo. Rehefa tafaverina izy ireo, dia afaka mandeha any amin\u2019izay halehanareo ianareo.\u201d",
        "17": "Dia hoy izy ireo tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cHohajainay ilay fianianana nampanaovinao anay,",
        "18": "raha afatotrao eo am-baravarankely ity tady mena midorehitra hampidinanao anay ity, rehefa miditra eto amin\u2019ity tany ity izahay. Dia vorio ao an-tranonao ny rainao, ny reninao, ny anadahinao, ary ny ankohonan-drainao manontolo.",
        "19": "Izay mivoaka any ivelan\u2019ny varavaran\u2019ny tranonao, dia izy ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany, ary tsy hanan-tsiny izahay. Fa raha misy manjo an\u2019izay mijanona miaraka aminao ao an-trano kosa, dia izahay no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "20": "Raha lazainao amin\u2019olona anefa ny anton-dianay, dia tsy hanan-tsiny izahay raha tsy manaja an\u2019ilay fianianana nampanaovinao anay.\u201d",
        "21": "Dia hoy ilay vehivavy: \u201cEny \u00e0ry\u00a0e! Mety izany.\u201d Dia nalefany izy ireo, ka lasa. Nafatony teo am-baravarankely avy eo ilay tady mena midorehitra.",
        "22": "Lasa \u00e0ry izy roa lahy, dia nandeha tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, ary nijanona tany telo andro, mandra-piverin\u2019ireo nanenjika azy. Dia nitady azy roa lahy teny amin\u2019ny lalana rehetra izy ireo, fa tsy nahita azy.",
        "23": "Ary nidina avy tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitra izy roa lahy ka niampita an\u2019ilay renirano, dia tonga tany amin\u2019i Josoa zanak\u2019i Nona. Dia notantarain\u2019izy roa lahy taminy ny zava-drehetra nanjo azy ireo.",
        "24": "Hoy koa izy ireo tamin\u2019i Josoa: \u201cEfa nomen\u2019i Jehovah antsika ilay tany manontolo. Tena kivy ny mponina rehetra ao amin\u2019ilay tany satria hoe ho avy isika.\u201d"
    },
    "3": {
        "1": "Dia nifoha maraina i Josoa. Ary niala tao Sitima izy sy ny Israelita rehetra ka tonga teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana. Natory teo izy ireo ny alina talohan\u2019ny niampitany.",
        "2": "Rehefa afaka telo andro, dia nandeha eran\u2019ny toby ireo mpifehy ny vahoaka,",
        "3": "ary nomen\u2019izy ireo baiko ny vahoaka hoe: \u201cRaha vao hitanareo lanjain\u2019ny Levita mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, dia mial\u00e0 eo amin\u2019izay misy anareo ka araho ilay izy.",
        "4": "Avelao hisy 2\u00a0000\u00a0hakiho eo ho eo anefa manelanelana anareo sy ilay Vata, fa aza manakaiky an\u2019ilay izy. Amin\u2019izay dia ho fantatrareo ny lalana halehanareo, satria mbola tsy nandeha tamin\u2019izany lalana izany ianareo.\u201d",
        "5": "Dia hoy i Josoa tamin\u2019ny vahoaka: \u201cMiom\u00e0na fa hanao zava-mahagaga ho anareo i Jehovah rahampitso.\u201d",
        "6": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019ny mpisorona: \u201cEnto ny Vata misy ny fifanekena dia mandehana eo alohan\u2019ny vahoaka.\u201d Koa nentin\u2019izy ireo ilay Vata misy ny fifanekena, ka nandeha teo alohan\u2019ny vahoaka izy ireo.",
        "7": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cManomboka androany, dia hasandratro eo imason\u2019ny Israely rehetra ianao, mba hahafantarany fa hanampy anao aho, hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019i Mosesy.",
        "8": "Ary omeo an\u2019izao baiko izao ny mpisorona milanja an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena: \u2018Rehefa tonga eo amoron\u2019i Jordana ianareo, dia miroboha ao anaty rano ary aza mihetsika ao.\u2019\u201d",
        "9": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019ny Israelita: \u201cAvia hihaino ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.\u201d",
        "10": "Dia hoy i Josoa: \u201cIzao no hahafantaranareo fa misy Andriamanitra velona eo aminareo, ary tsy maintsy horoahiny hiala eo anatrehanareo ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita, ary ny Jebosita:",
        "11": "Handeha eo alohanareo ho ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019ny Tompon\u2019ny tany manontolo.",
        "12": "Ary mak\u00e0 lehilahy 12 amin\u2019ny fokon\u2019ny Israely, dia lehilahy iray isaky ny foko.",
        "13": "Raha vao mikasika ny ranon\u2019i Jordana ny faladian\u2019ny mpisorona milanja an\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tany manontolo, dia hijanona tsy hikoriana ny ranon\u2019i Jordana midina avy any ambony, ka tsy hihetsika fa ho toy ny tohodrano.\u201d",
        "14": "Rehefa niala teo amin\u2019izay nitobiany \u00e0ry ny vahoaka, taloha kelin\u2019ny hiampitana an\u2019i Jordana, dia nandeha teo alohan\u2019izy ireo ny mpisorona nilanja an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena.",
        "15": "Tondraka i Jordana tamin\u2019izay. Difotra mantsy ny morony rehefa fotoam-pijinjana. Raha vao tonga teo amin\u2019i Jordana ireo mpisorona nilanja an\u2019ilay Vata, ka natsobony teo amin\u2019ny moron\u2019ilay rano ny tongony,",
        "16": "dia tsy nihetsika ny rano nidina avy tany ambony. Niavosa toy ny tohodrano ter\u1ef3 lavitra be ter\u1ef3 ilay izy, teny Adama, tan\u00e0na akaikin\u2019i Zaretana. Ritra koa ny rano nidina nankany amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Araba, dia ny Ranomasin-tsira. Nijanona tsy nikoriana ny rano, ka niampita nanandrify an\u2019i Jeriko ny vahoaka.",
        "17": "Ary nijoro tsy nihetsika teo amin\u2019ny tany maina, teo afovoan\u2019i Jordana, ny mpisorona nilanja an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah. Ny firenen\u2019Israely manontolo kosa nandeha teo amin\u2019ny tany maina, mandra-piampitan\u2019izy rehetra an\u2019i Jordana."
    },
    "4": {
        "1": "Raha vao tafita an\u2019i Jordana ilay firenena manontolo, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa:",
        "2": "\u201cMak\u00e0 lehilahy 12 amin\u2019ny vahoaka, dia lehilahy iray isaky ny foko,",
        "3": "ary omeo baiko izy ireo hoe: \u2018Mak\u00e0 vato 12 eo afovoan\u2019i Jordana, eo amin\u2019ny toerana nijoroan\u2019ny mpisorona. Ento ireo vato ireo ka apetraho eo amin\u2019izay toerana hatorianareo androany alina.\u2019\u201d",
        "4": "Koa niantso an\u2019ireo 12 lahy izay nofidiny avy tamin\u2019ny Israelita i Josoa, dia lehilahy iray isaky ny foko.",
        "5": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019izy ireo: \u201cMandehana mankeo afovoan\u2019i Jordana, eo alohan\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo. Dia samia mibata vato iray avy ho eo an-tsorokareo, araka ny isan\u2019ny fokon\u2019ny Israely,",
        "6": "mba ho famantarana eo aminareo. Ary raha manontany anareo ny zanakareo any aoriana any hoe: \u2018Fa maninona ireo vato ireo no napetrakareo eo?\u2019,",
        "7": "dia lazao aminy hoe: \u2018Ho fahatsiarovana maharitra ho an\u2019ny vahoakan\u2019Israely ireo vato ireo. Nijanona tsy nikoriana teo anoloan\u2019ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah mantsy ny ranon\u2019i Jordana, rehefa nentina niampita teo ilay Vata.\u2019\u201d",
        "8": "Dia nataon\u2019ny Israelita izay nandidian\u2019i Josoa. Naka vato 12 mitovy amin\u2019ny isan\u2019ny fokon\u2019ny Israely izy ireo teo afovoan\u2019i Jordana, araka ny toromarika nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Josoa. Ary nentin\u2019izy ireo niampita nankeo amin\u2019ny toerana hatoriany izany, ka napetrany teo.",
        "9": "Nisy vato 12 koa natsangan\u2019i Josoa teo afovoan\u2019i Jordana, teo amin\u2019izay nijoroan\u2019ny mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena. Mbola ao ireo vato ireo hatramin\u2019izao.",
        "10": "Nijoro teo afovoan\u2019i Jordana ny mpisorona nilanja an\u2019ilay Vata, mandra-pahavitan\u2019ny zava-drehetra nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Josoa tamin\u2019ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian\u2019i Mosesy an\u2019i Josoa. Dia niampita haingana ny vahoaka, nandritra an\u2019izany fotoana izany.",
        "11": "Raha vao tafita daholo ny vahoaka, dia niampita teo imason\u2019izy ireo ny mpisorona nilanja an\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah.",
        "12": "Niampita teo alohan\u2019ny Israelita hafa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, sady nilahatra tsara hoatran\u2019ny miaramila. Izany mantsy ny toromarika nomen\u2019i Mosesy azy ireo.",
        "13": "Miaramila 40\u00a0000 teo ho eo, nitondra fitaovam-piadiana sady vonona hiady, no niampita teo anatrehan\u2019i Jehovah nankeny amin\u2019ny lemaka karakaina any Jeriko.",
        "14": "Tamin\u2019izay andro izay no nanandratan\u2019i Jehovah an\u2019i Josoa teo imason\u2019ny Israely rehetra. Ary tena nohajain\u2019izy ireo izy nandritra ny androm-piainany, hoatran\u2019ny nanajan\u2019izy ireo an\u2019i Mosesy.",
        "15": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa:",
        "16": "\u201cAsaivo miakatra avy ao Jordana ny mpisorona milanja ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.\u201d",
        "17": "Nanome baiko an\u2019ireo mpisorona \u00e0ry i Josoa hoe: \u201cMiakara avy ao Jordana.\u201d",
        "18": "Dia niakatra avy teo afovoan\u2019i Jordana ny mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah. Rehefa nanitsaka tany maina ny faladian\u2019izy ireo, dia nikoriana indray ny ranon\u2019i Jordana, ka lasa tondraka toy ny teo aloha ary difotra ny morony.",
        "19": "Niakatra avy tao Jordana ny vahoaka tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana voalohany. Dia nitoby tao Gilgala, tany amin\u2019ny sisiny atsinanan\u2019i Jeriko, izy ireo.",
        "20": "Ary natsangan\u2019i Josoa tao Gilgala ireo vato 12 nalain\u2019izy ireo avy tao Jordana.",
        "21": "Dia hoy izy tamin\u2019ny Israelita: \u201cRehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana any hoe: \u2018Fa inona no dikan\u2019ireo vato ireo?\u2019,",
        "22": "dia hazavao aminy hoe: \u2018Nandeha teo amin\u2019ny tany maina ny Israely rehefa niampita an\u2019i Jordana,",
        "23": "satria nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ritra teo anoloan\u2019izy ireo ny ranon\u2019i Jordana, mandra-pahatongan\u2019izy ireo teny ampita. Hoatr\u2019izany koa no nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019ny Ranomasina Mena mandra-pahatongantsika teny ampita.",
        "24": "Nanao an\u2019izany izy mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa mahery ny tanan\u2019i Jehovah. Amin\u2019izay koa ianareo hatahotra foana an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d"
    },
    "5": {
        "1": "Dia nataon\u2019i Jehovah ritra teo anoloan\u2019ny Israelita ny ranon\u2019i Jordana mandra-piampitan\u2019izy ireo. Raha vao naheno an\u2019izany ny mpanjaka rehetra teo amin\u2019ny Amorita izay teny ampita andrefan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, sy ny mpanjaka rehetran\u2019ny Kananita tany amoron-tsiraka, dia natahotra be sady tsy nanana herim-po hiadiana intsony noho ny amin\u2019ny Israelita.",
        "2": "Ary nilaza tamin\u2019i Josoa i Jehovah tamin\u2019izay hoe: \u201cManamboara antsy amin\u2019ny vatoafo, dia ataovy fanindroany ny famorana ny lehilahy israelita.\u201d",
        "3": "Nanamboatra antsy tamin\u2019ny vatoafo \u00e0ry i Josoa, dia noforany tao Gibeata-haralota ny lehilahy israelita.",
        "4": "Izao no antony nanaovan\u2019i Josoa an\u2019ilay famorana: Maty tany an-tany efitra, tamin\u2019izy ireo teny an-dalana, ny lehilahy mpiady rehetra avy tany Ejipta, taorian\u2019ny nialan\u2019izy ireo tany.",
        "5": "Efa voafora ny olona rehetra niala avy tany Ejipta. Tsy voafora kosa ny olona rehetra teraka teny an-dalana, tany an-tany efitra, taorian\u2019ny nialan\u2019izy ireo tany Ejipta.",
        "6": "Nandeha tany an-tany efitra nandritra ny 40\u00a0taona mantsy ny Israelita, mandra-paharipaka an\u2019ilay firenena manontolo, izany hoe ny lehilahy mpiady niala avy tany Ejipta izay tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah. Efa nianiana tamin\u2019izy ireo i Jehovah fa tsy hamela azy hahita an\u2019ilay tany nanaovan\u2019i Jehovah fianianana tamin\u2019ny razambeny hoe homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.",
        "7": "Ny zanak\u2019izy ireo lahy \u00e0ry no nataony solony, ka ireny no noforan\u2019i Josoa. Mbola tsy voafora izy ireny, satria tsy noforana tamin\u2019izy ireo teny an-dalana.",
        "8": "Rehefa voafora ilay firenena manontolo, dia mbola nijanona tany amin\u2019izay nisy azy tao an-toby mandra-pahasitrany.",
        "9": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cAndroany no nesoriko taminareo ny fanalam-baraka nataon\u2019i Ejipta.\u201d Nantsoina hoe Gilgala \u00e0ry ny anaran\u2019izany toerana izany hatramin\u2019izao.",
        "10": "Mbola nitoby tao Gilgala ny Israelita, ka nankalaza ny Paska teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Jeriko, tamin\u2019ny takarivan\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana.",
        "11": "Ny ampitson\u2019ny Paska, dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, izany hoe mofo tsy misy lalivay sy voam-bary natono.",
        "12": "Dia tsy nisy intsony ny mana nanomboka tamin\u2019ilay andro nihinanan\u2019izy ireo ny vokatry ny tany. Tsy nisy mana ho an\u2019ny Israelita intsony, fa nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin\u2019iny taona iny.",
        "13": "Rehefa teo akaikin\u2019i Jeriko i Josoa, dia nahita lehilahy nitana sabatra, nijoro teo anatrehany. Nanatona azy i Josoa ka niteny hoe: \u201cNamanay ianao sa naman\u2019ny fahavalonay?\u201d",
        "14": "Dia hoy ilay lehilahy: \u201cTonga eto aho satria izaho no lehiben\u2019ny tafik\u2019i Jehovah.\u201d Dia niondrika i Josoa ka niankohoka tamin\u2019ny tany, sady niteny hoe: \u201cMisy zavatra tokony holazain\u2019ny tompoko amin\u2019ny mpanompony ve?\u201d",
        "15": "Ary hoy ilay lehiben\u2019ny tafik\u2019i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cEsory ny kapa eny an-tongotrao, fa masina io toerana misy anao io.\u201d Dia nataon\u2019i Josoa avy hatrany izany."
    },
    "6": {
        "1": "Dia nohidiana mafy ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Jeriko noho ny amin\u2019ny Israelita, ka tsy nisy nivoaka na niditra.",
        "2": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cAtaoko resinao i Jeriko sy ny mpanjakany ary ny miaramilany matanjaka.",
        "3": "Koa mandehana mihodidina indray mandeha an\u2019ilay tan\u00e0na ianareo lehilahy mpiady rehetra. Izany no hataonareo mandritra ny enina andro.",
        "4": "Ary asio mpisorona fito mitondra anjombona fito vita amin\u2019ny tandrok\u2019ondry, mandeha eo alohan\u2019ny Vata. Amin\u2019ny andro fahafito kosa, dia hihodidina ny tan\u00e0na impito ianareo, ary hotsofin\u2019ny mpisorona ny anjombona.",
        "5": "Rehefa maneno ny anjombona tandrok\u2019ondry, izany hoe raha vao henonareo ny feon\u2019ny anjombona, dia hihorakoraka mafy hanao hiakan\u2019ady ny olona rehetra. Dia hirodana ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na, ka hiakatra ny olona ary samy handeha any amin\u2019izay hitsiny avy.\u201d",
        "6": "Novorin\u2019i Josoa zanak\u2019i Nona \u00e0ry ny mpisorona, dia nilazany hoe: \u201cEnto ny Vata misy ny fifanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjombona fito vita amin\u2019ny tandrok\u2019ondry, mandeha eo alohan\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah.\u201d",
        "7": "Dia hoy izy tamin\u2019ny olona: \u201cMandehana manodidina ny tan\u00e0na. Ary ny miaramila izay mitondra fitaovam-piadiana no handeha eo alohan\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah.\u201d",
        "8": "Dia narahin\u2019izy ireo ny tenin\u2019i Josoa, ka nandeha teo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpisorona fito nitondra anjombona fito vita amin\u2019ny tandrok\u2019ondry. Notsofin\u2019ny mpisorona ny anjombona, ary nentina taorian\u2019izy ireo ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah.",
        "9": "Dia nandeha teo alohan\u2019ireo mpisorona nitsoka anjombona ny miaramila nitondra fitaovam-piadiana, fa ny vodilaharana mpiaro kosa nanaraka an\u2019ilay Vata. Ary notsofina foana ny anjombona.",
        "10": "Dia nomen\u2019i Josoa baiko ny olona hoe: \u201cAza mihorakoraka, ary aza atao heno mihitsy ny feonareo. Aza miteny na indraim-bava aza, mandra-pahatongan\u2019ny andro hilazako aminareo hoe: \u2018Mihorakoraha!\u2019 Amin\u2019izay ianareo vao hihorakoraka.\u201d",
        "11": "Ary nalefany nihodidina indray mandeha an\u2019ilay tan\u00e0na ny Vata masin\u2019i Jehovah. Niverina tany an-toby izy ireo avy eo, ka natory tao ny alina.",
        "12": "Nifoha maraina i Josoa ny ampitson\u2019iny, ary nentin\u2019ny mpisorona ny Vata masin\u2019i Jehovah.",
        "13": "Dia nisy mpisorona fito nitondra anjombona fito vita amin\u2019ny tandrok\u2019ondry, nandeha teo alohan\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah. Ary notsofin\u2019izy ireo foana ny anjombona. Nandeha teo alohan\u2019izy ireo ny miaramila nitondra fitaovam-piadiana, fa ny vodilaharana mpiaro kosa nanaraka an\u2019ilay Vata masin\u2019i Jehovah. Ary notsofina foana ny anjombona.",
        "14": "Nihodidina indray mandeha an\u2019ilay tan\u00e0na koa izy ireo tamin\u2019ny andro faharoa, dia nody tany an-toby. Hoatr\u2019izany foana no nataon\u2019izy ireo nandritra ny enina andro.",
        "15": "Vao nazava ratsy ny andro tamin\u2019ny andro fahafito, dia nifoha izy ireo. Nihodidina an\u2019ilay tan\u00e0na toy ny nataony teo aloha izy ireo, ary nanao an\u2019izany impito. Tamin\u2019io andro io ihany izy ireo no nihodidina an\u2019ilay tan\u00e0na impito.",
        "16": "Dia notsofin\u2019ny mpisorona ny anjombona rehefa nihodina fanimpitony izy ireo. Ary hoy i Josoa tamin\u2019ny olona: \u201cMihorakoraha, fa efa nomen\u2019i Jehovah anareo ny tan\u00e0na!",
        "17": "Tsy maintsy haringana tanteraka ilay tan\u00e0na sy ny zava-drehetra ao aminy. An\u2019i Jehovah daholo izany. I Rahaba mpivaro-tena sy ny olona rehetra miaraka aminy ao an-trano ihany no aza vonoina ho faty, satria nanafina an\u2019ireo olona nirahintsika izy.",
        "18": "Aza manakaiky an\u2019izay zavatra voatokana haringana, sao hotsiriritinareo ireny ka halainareo. Ho voatokana haringana mantsy ny tobin\u2019ny Israely ka hahita loza, raha manao an\u2019izany ianareo.",
        "19": "Fa masina sady an\u2019i Jehovah daholo ny volafotsy sy ny volamena ary ny zavatra vita amin\u2019ny varahina sy vy. Tokony hatao any amin\u2019ny fitehirizana an\u2019ireo zava-tsarobidy ho an\u2019i Jehovah ireny.\u201d",
        "20": "Ary nihorakoraka ny olona rehefa notsofina ny anjombona. Raha vao henon\u2019izy ireo ny feon\u2019ny anjombona ka nanao hiakan\u2019ady izy ireo, dia nirodana ny manda. Niakatra nankao an-tan\u00e0na izy ireo avy eo, ka samy nandeha tany amin\u2019izay hitsiny avy, ary azon\u2019izy ireo ilay tan\u00e0na.",
        "21": "Ary naringan\u2019izy ireo tanteraka tamin\u2019ny sabatra izay rehetra tao an-tan\u00e0na, na lehilahy na vehivavy, na antitra na tanora, na omby na ondry na ampondra.",
        "22": "Hoy i Josoa tamin\u2019izy roa lahy izay nitsikilo an\u2019ilay tany: \u201cMankanesa ao an-tranon\u2019ilay vehivavy mpivaro-tena, ka ento mivoaka izy sy izay rehetra azy, araka ny fianianana nataonareo taminy.\u201d",
        "23": "Dia nankany ireo tovolahy izay nitsikilo an\u2019ilay tany, ka namoaka an\u2019i Rahaba sy ny rainy sy ny reniny sy ny anadahiny ary izay rehetra azy. Navoakan\u2019izy ireo ny fianakaviany rehetra, dia nentiny soa aman-tsara teo amin\u2019ny toerana iray teo ivelan\u2019ny tobin\u2019ny Israely.",
        "24": "Ary nodorana ilay tan\u00e0na sy ny zava-drehetra tao. Fa natao tany amin\u2019ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon\u2019i Jehovah kosa ny volafotsy sy ny volamena ary ny zavatra vita tamin\u2019ny varahina sy vy.",
        "25": "I Rahaba mpivaro-tena sy ny ankohonan-drainy ary izay rehetra azy ihany no notsimbinin\u2019i Josoa. Ary mbola mipetraka eto Israely i Rahaba hatramin\u2019izao, satria nafeniny ireo olona nirahin\u2019i Josoa hitsikilo an\u2019i Jeriko.",
        "26": "Ary nilaza an\u2019izao ozona izao i Josoa tamin\u2019izay fotoana izay: \u201cHo voaozona eo anatrehan\u2019i Jehovah izay olona manorina indray an\u2019ity tan\u00e0nan\u2019i Jeriko ity. Ho faty ny lahimatoany rehefa manao ny fototra izy, ary ho faty koa ny faralahiny rehefa manangana ny vavahadiny izy.\u201d",
        "27": "Ary nanampy an\u2019i Josoa i Jehovah, ka niely eran-tany ny lazany."
    },
    "7": {
        "1": "Nivadika tamin\u2019Andriamanitra anefa ny Israelita, ka tsy nankat\u00f2 ny didy momba ny zavatra voatokana haringana. Naka tamin\u2019izany mantsy i Akana zanak\u2019i Karmy, zanak\u2019i Zabdy, zanak\u2019i Zera, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda. Dia tezitra be tamin\u2019ny Israelita i Jehovah.",
        "2": "Ary nisy olona nirahin\u2019i Josoa avy tao Jeriko hankany Ay, izay teo akaikin\u2019i Beti-avena, tany atsinanan\u2019i Betela. Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMiakara ary tsikilovy ilay tany.\u201d Niakatra \u00e0ry izy ireo ka nitsikilo an\u2019i Ay.",
        "3": "Rehefa tafaverina izy ireo, dia niteny tamin\u2019i Josoa hoe: \u201cTsy mila miakatra any daholo ny olona. Lehilahy 2\u00a0000 na 3\u00a0000 eo ho eo ihany dia efa maharesy an\u2019i Ay. Aza alefa any ny olona rehetra fa ho reraka fotsiny, satria vitsy kely ny mponina any.\u201d",
        "4": "Lehilahy 3\u00a0000 teo ho eo \u00e0ry no niakatra nankany Ay, kanjo voatery nandositra an\u2019ireo olona tao izy ireo.",
        "5": "Nahafaty 36 lahy tamin\u2019izy ireo ny olona tao Ay, ka nanenjika azy tany ivelan\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na hatrany Sebarima, sady mbola namely azy ireo ihany teny am-pidinana. Tsy nanana herim-po intsony \u00e0ry ny vahoaka.",
        "6": "Dia nandrovitra ny akanjony i Josoa. Ary niankohoka tamin\u2019ny tany teo anoloan\u2019ny Vata masin\u2019i Jehovah izy sy ny anti-panahin\u2019ny Israely mandra-paharivan\u2019ny andro. Samy nanipy vovoka teo amin\u2019ny lohany avy izy ireo.",
        "7": "Hoy i Josoa: \u201cJehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Fa maninona ity vahoaka ity no nentinao tamin\u2019ireny lalana rehetra ireny, dia nentinao niampita an\u2019i Jordana? Mba handresen\u2019ny Amorita anay ve ka handringanany anay? Tahaka izay izahay nijanona teny ampitan\u2019i Jordana ihany!",
        "8": "Mifona aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Tsy hitako intsony izay hotenenina, fa ny Israely aza efa nandositra teo anoloan\u2019ny fahavalony.",
        "9": "Raha henon\u2019ny Kananita sy ny mponina rehetra eto amin\u2019ity tany ity izany, dia hanodidina anay izy ireo ka hofoanany tsy ho eto an-tany ny anaranay. Dia hataonao ahoana ny anaranao be voninahitra?\u201d",
        "10": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cMitsang\u00e0na! Fa maninona ianao no miankohoka hoatr\u2019izao?",
        "11": "Nanota ny Israely. Nivadika tamin\u2019ny fifanekena nasaiko nohajainy izy ireo. Nakany mantsy ny zavatra voatokana haringana, ka nangalariny sy nafeniny ary nataony tao amin\u2019ny entany.",
        "12": "Tsy hahatohitra ny fahavalony \u00e0ry ny Israelita. Handositra an\u2019ireo fahavalony izy ireo, satria lasa voatokana haringana koa. Ary tsy hanampy anareo intsony aho, raha tsy fongoranareo tsy ho eo aminareo ilay zavatra voatokana haringana.",
        "13": "Mandehana, asaivo miomana ny vahoaka! Dia teneno izy ireo hoe: \u2018Miom\u00e0na ianareo rahampitso, fa izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u201cMisy zavatra voatokana haringana eo aminao, ry Israely\u00a0\u00f4! Tsy ho vitanareo ny hanohitra ny fahavalonareo, raha tsy esorinareo tsy ho eo aminareo ilay zavatra voatokana haringana.",
        "14": "Hivory ianareo rahampitso maraina ka hiseho isam-poko. Ary izay foko voafidin\u2019i Jehovah, dia hanatona isam-pianakaviana. Izay fianakaviana voafidin\u2019i Jehovah indray, dia hanatona isaky ny ankohonana. Hanatona tsirairay avy eo izay lehilahy ao amin\u2019ilay ankohonana voafidin\u2019i Jehovah.",
        "15": "Ary izay hahatratrarana an\u2019ilay zavatra voatokana haringana dia hodorana miaraka amin\u2019izay rehetra azy. Nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah mantsy izy, ary nanao zavatra nanala baraka teo amin\u2019ny Israely.\u201d\u2019\u201d",
        "16": "Nifoha maraina \u00e0ry i Josoa ny ampitson\u2019iny, dia nasainy nanatona isam-poko ny Israely, ka ny fokon\u2019i Joda no voafidy.",
        "17": "Nasainy nanatona ireo fianakavian\u2019i Joda, ka ny fianakavian\u2019ny Zerita no voafidy. Ary nasainy nanatona tsirairay ny lehilahy tao amin\u2019ny fianakavian\u2019ny Zerita, ka i Zabdy no voafidy.",
        "18": "Farany, dia nasainy nanatona ny lehilahy tsirairay tao amin\u2019ny ankohonan\u2019i Zabdy, ka i Akana zanak\u2019i Karmy, zanak\u2019i Zabdy, zanak\u2019i Zera, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda, no voafidy.",
        "19": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019i Akana: \u201cMiangavy anao aho, anaka, mba hanome voninahitra an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely ka hibaboka aminy. Teneno amiko re izay nataonao fa aza afenina\u00a0e!\u201d",
        "20": "Dia hoy i Akana tamin\u2019i Josoa: \u201cIe, izaho mihitsy no nanota tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Izao no nataoko:",
        "21": "Nahita akanjo lafo vidy sy tsara tarehy avy any Sinara aho teo amin\u2019ny zavatra azo babo. Dia nahita volafotsy 200 sekely sy vaingam-bolamena iray nilanja 50 sekely koa aho. Notsiriritiko ireo dia nalaiko. Milevina ao anaty tany eo afovoan\u2019ny tranolaiko izy ireo izao, dia ao ambany indrindra ilay vola.\u201d",
        "22": "Naniraka olona avy hatrany i Josoa, dia nihazakazaka nankany amin\u2019ilay tranolay izy ireo. Hitan\u2019izy ireo nilevina tao tokoa ilay akanjo, ary tao ambaniny ny vola.",
        "23": "Koa nalain\u2019izy ireo tao amin\u2019ilay tranolay ireo zavatra ireo, dia nentiny tany amin\u2019i Josoa sy ny Israelita rehetra, ary nataony teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "24": "Dia nalain\u2019i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana zanak\u2019i Zera, niaraka tamin\u2019ilay volafotsy sy ilay akanjo ary ilay vaingam-bolamena. Nalain\u2019izy ireo koa ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondry aman\u2019osiny, ny tranolainy, ary izay rehetra azy, ka nentin\u2019izy ireo teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Akora.",
        "25": "Ary hoy i Josoa: \u201cNahoana ianao no nahatonga loza taminay? Hahatonga loza aminao koa i Jehovah androany.\u201d Dia nitora-bato azy sy ny ankohonany ny Israely rehetra, ary nandoro azy ireo avy eo. Koa nitora-bato azy rehetra izy ireo.",
        "26": "Ary nasian\u2019izy ireo vato be dia be mivangongo teo amboniny, ka mbola eo izany hatramin\u2019izao. Dia tsy tezitra be intsony i Jehovah. Izany no antony nanaovana ny anaran\u2019io toerana io hoe Lohasahan\u2019i Akora, hatramin\u2019izao."
    },
    "8": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cAza matahotra na mihorohoro. Ento miaraka aminao ny lehilahy mpiady rehetra ka miakara hiady amin\u2019i Ay. Fa hataoko resinao ny mpanjakan\u2019i Ay, sy ny vahoakany, sy ny tan\u00e0nany, ary ny taniny.",
        "2": "Ataovy amin\u2019i Ay sy ny mpanjakany izay nataonao tamin\u2019i Jeriko sy ny mpanjakany. Azonareo alaina ho anareo anefa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ary asio lehilahy miafina any ambadiky ny tan\u00e0na, mba hanafika azy.\u201d",
        "3": "Dia niakatra hanafika an\u2019i Ay i Josoa sy ny lehilahy mpiady rehetra. Ary nifidy miaramila matanjaka 30\u00a0000 i Josoa, ka nandefa azy ireo rehefa alina ny andro.",
        "4": "Dia izao no baiko nomeny azy ireo: \u201cMiafena any ambadiky ny tan\u00e0na ianareo mba hanafika azy. Aza miala lavitra loatra an\u2019ilay tan\u00e0na anefa, ary samia vonombonona daholo.",
        "5": "Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hankeny akaikin\u2019ny tan\u00e0na. Ary handositra izahay rehefa mivoaka hiady aminay hoatran\u2019ny teo aloha ry zareo.",
        "6": "Rehefa mivoaka hanenjika anay ry zareo, dia hotarihinay hanalavitra ny tan\u00e0na. Amin\u2019izay ry zareo hieritreritra hoe: \u2018Mandositra antsika hoatran\u2019ny teo aloha ihany ry zareo.\u2019 Dia handositra an-dry zareo izahay.",
        "7": "Hivoaka avy ao amin\u2019izay iafenanareo ianareo avy eo, ka haka an\u2019ilay tan\u00e0na. Dia hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo resinareo izy io.",
        "8": "Raha vao azonareo ilay tan\u00e0na, dia dory. Araho ny tenin\u2019i Jehovah. Izany no baiko omeko anareo.\u201d",
        "9": "Dia nalefan\u2019i Josoa izy ireo, ka nankany amin\u2019ilay toerana hiafenana. Ary nitoby teo anelanelan\u2019i Betela sy Ay, teo andrefan\u2019i Ay, izy ireo. I Josoa kosa niaraka tamin\u2019ny vahoaka, tamin\u2019iny alina iny.",
        "10": "Nifoha maraina i Josoa ny ampitson\u2019iny, ary nangoniny ny miaramilany. Dia nitarika azy ireo nankany Ay izy sy ny anti-panahin\u2019ny Israely.",
        "11": "Dia nandeha niakatra ny lehilahy mpiady rehetra niaraka taminy, ka nanandrify an\u2019ilay tan\u00e0na. Nitoby teo avaratr\u2019i Ay izy ireo, ary lohasaha no nanelanelana azy ireo sy Ay.",
        "12": "Efa nisy lehilahy 5\u00a0000 teo ho eo tamin\u2019izay nasain\u2019i Josoa niafina teo anelanelan\u2019i Betela sy Ay, teo andrefan\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "13": "Dia nitoby teo avaratry ny tan\u00e0na ny ampahany lehibe indrindra tamin\u2019ilay tafika, ary teo andrefan\u2019ny tan\u00e0na kosa ireo miaramila niafina. Ary nankeo afovoan\u2019ilay lohasaha i Josoa tamin\u2019iny alina iny.",
        "14": "Raha vao hitan\u2019ny mpanjakan\u2019i Ay izany, dia nivoaka haingana vao maraina izy sy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na, mba hiady tamin\u2019ny Israely teny amin\u2019ny toerana iray ahatazanana ny lemaka karakaina. Tsy fantany anefa fa efa nisy niafina mba hanafika azy tany ambadiky ny tan\u00e0na.",
        "15": "Rehefa nanafika ny olona tao Ay, dia nandositra tany amin\u2019ny lalana mankany an-tany efitra i Josoa sy ny Israely rehetra.",
        "16": "Dia nantsoina daholo ny olona tao an-tan\u00e0na mba hanenjika an-dry zareo. Nanenjika an-dry Josoa izy ireo ka voatarika lavitra ny tan\u00e0na.",
        "17": "Tsy nisy lehilahy tavela tao Ay sy Betela, fa nivoaka nanenjika ny Israely daholo. Navelany tsy nisy mpiaro ilay tan\u00e0na, fa lasa nanenjika ny Israely izy ireo.",
        "18": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cTondroy amin\u2019iny lefom-pohy eny an-tananao iny i Ay, fa hataoko resinao izy.\u201d Dia notondroin\u2019i Josoa tamin\u2019ilay lefom-pohy teny an-tanany ilay tan\u00e0na.",
        "19": "Raha vao nanatsotra ny tanany i Josoa, dia nivoaka haingana avy tao amin\u2019ny toerana niafenany ireo miaramila, ka nihazakazaka nankao amin\u2019ilay tan\u00e0na ary naka azy io. Tonga dia nodoran\u2019izy ireo ilay tan\u00e0na.",
        "20": "Rehefa nitodika ireo lehilahy nivoaka avy tao Ay, dia hitany fa niakatra teny amin\u2019ny lanitra ny setroky ny tan\u00e0na. Tsy nanana hery nandosirana na taiza na taiza \u00e0ry izy ireo. Dia niverina hamely an\u2019ireo nanenjika azy ny Israely izay nandositra nankany an-tany efitra.",
        "21": "Rehefa tazan\u2019i Josoa sy ny Israely rehetra fa efa azon\u2019ireo miaramila niafina ilay tan\u00e0na, ary efa niakatra ny setroky ny tan\u00e0na, dia niverina izy ireo ka nanafika an\u2019ireo lehilahy avy tao Ay.",
        "22": "Nivoaka hiady tamin\u2019ireo lehilahy avy tao Ay koa ny Israelita naka an\u2019ilay tan\u00e0na. Latsaka afovoany \u00e0ry ireo lehilahy ireo, satria nisy Israelita teo amin\u2019ny andaniny sy ny ankilany. Dia naripaky ny Israelita izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza, ary tsy nisy afa-nandositra.",
        "23": "Ny mpanjakan\u2019i Ay kosa nataony sambo-belona, dia nentiny tany amin\u2019i Josoa.",
        "24": "Novonoin\u2019ny Israely daholo ny mponina avy tao Ay, izay nanenjika azy ireo tany an-tany efitra, ka nataony tsy nisy niangana fa nasiany tamin\u2019ny sabatra. Niverina tao Ay ny Israely rehetra avy eo, ka namely azy io tamin\u2019ny sabatra.",
        "25": "Lehilahy sy vehivavy 12\u00a0000 no maty tamin\u2019iny andro iny, izany hoe ny olona rehetra tao Ay.",
        "26": "Ary tsy nampidinin\u2019i Josoa mihitsy ilay tanany nitazona an\u2019ilay lefom-pohy, mandra-pandringany tanteraka ny mponina rehetra tao Ay.",
        "27": "Nalain\u2019ny Israely ho azy ireo kosa ny biby fiompy sy ny fananan\u2019ny olona tao amin\u2019ilay tan\u00e0na, araka ny baiko nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Josoa.",
        "28": "Dia nodoran\u2019i Josoa i Ay ka korontam-bato mivangongo sisa tavela, ary mbola hoatr\u2019izany izy hatramin\u2019izao.",
        "29": "Ny mpanjakan\u2019i Ay kosa nahantony tamin\u2019ny tsato-kazo, mandra-paharivan\u2019ny andro. Rehefa hilentika ny masoandro, dia nasain\u2019i Josoa nampidinina avy teo amin\u2019ilay tsato-kazo ny fatiny. Dia natsipy teo amin\u2019ny vavahady fidirana amin\u2019ilay tan\u00e0na ny fatiny, ary nasiana vato be dia be mivangongo teo amboniny. Mbola ao izany hatramin\u2019izao.",
        "30": "Tamin\u2019izay i Josoa no nanorina alitara ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, teo amin\u2019ny Tendrombohitra Ebala.",
        "31": "Izao mantsy no didy nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah an\u2019ireo Israelita, sady voasoratra ao amin\u2019ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy: \u201cManaova alitara vita amin\u2019ny vato tsy voapaika, izay tsy nampiasana fitaovana vy.\u201d Dia nanolotra fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah sy sorona iombonana teo ambonin\u2019ilay alitara izy ireo.",
        "32": "Dia nadikan\u2019i Josoa tamin\u2019ny vato teo koa ny Lal\u00e0na nosoratan\u2019i Mosesy teo anatrehan\u2019ny Israelita.",
        "33": "Ary ny Israely rehetra, sy ny anti-panahy, sy ny mpifehy, ary ny mpitsara teo aminy, dia nitsangana teo amin\u2019ny andaniny sy ankilany amin\u2019ny Vata, teo anoloan\u2019ny Levita mpisorona izay nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah. Teo koa na ny vahiny na ny teratany. Nitsangana teo anoloan\u2019ny Tendrombohitra Gerizima ny antsasak\u2019izy ireo, ary teo anoloan\u2019ny Tendrombohitra Ebala ny antsasany, araka izay efa nandidian\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah, mba hilaza an\u2019izay fitahiana ho azon\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
        "34": "Avy eo i Josoa dia namaky mafy an\u2019izay rehetra voalazan\u2019ny Lal\u00e0na, dia ny fitahiana sy ny ozona, araka izay rehetra voasoratra tao amin\u2019ny boky misy ny Lal\u00e0na.",
        "35": "Tsy nisy tsy novakiny mafy na iray aza ny teny nandidian\u2019i Mosesy, fa novakiny daholo teo anatrehan\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo, anisan\u2019izany ny vehivavy sy ny ankizy ary ny hafa firenena niara-nipetraka tamin\u2019izy ireo."
    },
    "9": {
        "1": "Ary nahare an\u2019izay nitranga ny mpanjaka rehetra tet\u1ef3 ampita andrefan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, izany hoe ireo teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra sy tany Sefela sy teny amoron\u2019ny Ranomasina Lehibe ary tandrifin\u2019i Lib\u00e0na, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.",
        "2": "Dia nifanaraka izy ireo fa hiady amin\u2019i Josoa sy ny Israely.",
        "3": "Henon\u2019ny mponin\u2019i Gibeona koa ny nataon\u2019i Josoa tamin\u2019i Jeriko sy Ay.",
        "4": "Nampiasa hafetsena \u00e0ry izy ireo. Nataony teo ambony ampondra ny gony efa tonta misy vatsy, sy ny siny hoditra fasiana divay izay efa tonta sy nisy tataka ka mizaijaitra.",
        "5": "Nanao kapa efa simbasimba sy nitampintampina koa izy ireo, sady nanao akanjo tonta. Ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra nataony vatsy.",
        "6": "Dia nankany amin\u2019i Josoa tao amin\u2019ny toby tany Gilgala izy ireo, ka niteny taminy sy tamin\u2019ny lehilahy israelita hoe: \u201cAvy any an-tany lavitra izahay. Koa mba manaova fifanekena aminay.\u201d",
        "7": "Hoy anefa ny lehilahy israelita tamin\u2019ny Hivita: \u201cIanareo aza mety hoe et\u1ef3 akaikinay et\u1ef3 ihany no mipetraka, koa nahoana izahay no hanao fifanekena aminareo?\u201d",
        "8": "Dia hoy izy ireo tamin\u2019i Josoa: \u201cMpanomponao izahay.\u201d Ary hoy i Josoa: \u201cFa iza ianareo, ary avy aiza?\u201d",
        "9": "Dia hoy izy ireo: \u201cAvy any an-tany lavitra be izahay mpanomponao, ary tonga at\u1ef3 noho ny amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Efa henonay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta,",
        "10": "ary izay rehetra nataony tamin\u2019ny mpanjaka amorita roa teny ampitan\u2019i Jordana, dia i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona sy Oga mpanjakan\u2019i Basana, ilay tao Astarota.",
        "11": "Niteny taminay \u00e0ry ny anti-panahinay sy ny mponina rehetra any amin\u2019ny taninay hoe: \u2018Mitondr\u00e0 vatsy hohaninareo eny an-dalana, ary mankanesa any amin-dry zareo. Dia lazao aminy hoe: \u201cHo mpanomponareo izahay. Koa mba manaova fifanekena aminay.\u201d\u2019",
        "12": "Mbola nafana ireto mofo nentinay hatao vatsy ireto, tamin\u2019ny andro nialanay tany an-trano mba ho at\u1ef3 aminareo. Jereo anefa fa efa maina sy potipotika ilay izy izao.",
        "13": "Ary vaovao ireto siny hoditra fasiana divay ireto tamin\u2019izy nofenoinay, nefa tataka ilay izy izao. Lasa tonta koa ny akanjonay sy ny kapanay, satria lavitra\u00a0be ny lalana.\u201d",
        "14": "Dia nakan\u2019ny lehilahy israelita ny vatsin\u2019izy ireo. Tsy mba nanontany an\u2019i Jehovah anefa ny Israelita.",
        "15": "Nanaiky hihavana tamin\u2019ny Gibeonita \u00e0ry i Josoa, ka nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo hoe tsy hamono an-dry zareo. Izany no fianianana nataon\u2019ny mpiadidy vahoaka tamin\u2019izy ireo.",
        "16": "Telo andro taorian\u2019ny nanaovan\u2019ny Israelita fifanekena tamin\u2019izy ireo anefa, dia henony fa teny amin\u2019ny manodidina azy teny akaiky teny ihany izy ireo no nipetraka.",
        "17": "Dia niainga ny Israelita ka tonga tany an-tan\u00e0nan\u2019izy ireo tamin\u2019ny andro fahatelo. I Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima izany tan\u00e0na izany.",
        "18": "Tsy nanafika azy ireo anefa ny Israelita, satria ny mpiadidy vahoaka efa nanao fianianana tamin\u2019izy ireo tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Koa nimenomenona tamin\u2019ny mpiadidy ny vahoaka manontolo.",
        "19": "Dia hoy ny mpiadidy rehetra tamin\u2019ny vahoaka manontolo: \u201cTsy mahazo mamely an-dry zareo isika, satria izahay efa nianiana tamin\u2019izy ireo tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "20": "Fa izao no hataontsika: Tsy hovonointsika ry zareo, mba tsy ho tezitra amintsika Andriamanitra noho ilay fianianana nataonay tamin\u2019izy ireo.\u201d",
        "21": "Hoy koa ny mpiadidy vahoaka: \u201cTsy hovonointsika ry zareo, fa hataontsika mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an\u2019ny fiangonana manontolo.\u201d Izany no nampanantenain\u2019ny mpiadidy an\u2019ireo Gibeonita.",
        "22": "Ary nantsoin\u2019i Josoa izy ireo dia nilazany hoe: \u201cNahoana ianareo no namitaka anay ka niteny hoe: \u2018Avy any an-tany lavitra be izahay\u2019, nefa et\u1ef3 akaikinay et\u1ef3 ihany ianareo no mipetraka?",
        "23": "Voaozona ianareo manomboka izao. Ho mpanompo foana ianareo, ka ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an\u2019ny tranon\u2019Andriamanitro.\u201d",
        "24": "Dia hoy ny navalin\u2019izy ireo an\u2019i Josoa: \u201cNisy nitantara taminay hoe i Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an\u2019i Mosesy mpanompony mba hanome anareo an\u2019ity tany manontolo ity, ka handringana ny mponina rehetra eto tsy ho eo anatrehanareo. Dia natahotra izahay sao dia hovonoinareo. Izany no nahatonga anay hanao an\u2019izany.",
        "25": "Ireto \u00e0ry izahay eto am-pelatananao. Dia izay hitanao fa tsara sy mety no ataovy aminay.\u201d",
        "26": "Izany \u00e0ry no nataon\u2019i Josoa tamin\u2019izy ireo. Novonjeny tsy hovonoin\u2019ny Israelita izy ireo.",
        "27": "Tamin\u2019izay andro izay izy ireo no nataon\u2019i Josoa ho mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an\u2019ny fiangonana sy ho an\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah, eo amin\u2019izay toerana hofidin\u2019Andriamanitra. Dia mbola hoatr\u2019izany no ataon\u2019izy ireo hatramin\u2019izao."
    },
    "10": {
        "1": "Dia henon\u2019i Adoni-zedeka mpanjakan\u2019i Jerosalema fa efa azon\u2019i Josoa i Ay sady naringany tanteraka, ary hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin\u2019i Ay sy ny mpanjakany. Raha vao henony koa hoe nihavana tamin\u2019ny Israely ny mponin\u2019i Gibeona ka niara-nonina tamin\u2019izy ireo,",
        "2": "dia natahotra be izy. Tan\u00e0na lehibe mantsy i Gibeona, mitovy amin\u2019ny tan\u00e0na misy mpanjaka. Mbola lehibe noho i Ay izy io, ary miaramila daholo ny lehilahy tao.",
        "3": "Naniraka olona \u00e0ry i Adoni-zedeka mpanjakan\u2019i Jerosalema mba hilaza an\u2019izao tamin\u2019i Hohama mpanjakan\u2019i Hebrona, sy Pirama mpanjakan\u2019i Jarmota, sy Jafia mpanjakan\u2019i Lakisy, ary Debira mpanjakan\u2019i Eglona:",
        "4": "\u201cMba ampio aho hanafika an\u2019i Gibeona, fa efa nihavana tamin\u2019i Josoa sy ny Israelita ny mponina ao.\u201d",
        "5": "Dia nivondrona ireo mpanjaka amorita dimy, dia ny mpanjakan\u2019i Jerosalema, ny mpanjakan\u2019i Hebrona, ny mpanjakan\u2019i Jarmota, ny mpanjakan\u2019i Lakisy, ary ny mpanjakan\u2019i Eglona. Ary nandeha izy ireo sy ny tafiny, ka nitoby nanodidina an\u2019i Gibeona mba hiady taminy.",
        "6": "Dia naniraka olona ho any amin\u2019i Josoa tao amin\u2019ny toby tany Gilgala ny Gibeonita, mba hilaza hoe: \u201cAza ariana izahay mpanomponao. Tongava haingana, ka vonjeo izahay ary ampio! Mivondrona hiady aminay daholo mantsy ny mpanjakan\u2019ny Amorita avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra.\u201d",
        "7": "Niakatra avy any Gilgala \u00e0ry i Josoa sy ny lehilahy mpiady ary ny miaramila matanjaka rehetra.",
        "8": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cAza matahotra an\u2019ireo, fa hataoko resinao ireo. Tsy hisy hahatohitra anao ireo na iray aza.\u201d",
        "9": "Nanafika tampoka azy ireo i Josoa rehefa avy nandeha nandritra ny alina avy any Gilgala.",
        "10": "Dia nataon\u2019 i Jehovah nifanaritaka teo anoloan\u2019ny Israely izy ireo, ka be dia be no matin\u2019ny Israely tao Gibeona. Nenjehin\u2019ny Israely tany amin\u2019ny lalana miakatra ho any Beti-horona izy ireo, ary notafihiny hatrany Azeka sy Makeda.",
        "11": "Raha mbola nandositra an\u2019ireo Israelita izy ireo, dia nandatsahan\u2019i Jehovah havandra vaventy avy tany an-danitra, teny amin\u2019ny fidinana teny Beti-horona ka hatrany Azeka. Dia maty izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin\u2019ny havandra raha oharina amin\u2019ny matin\u2019ny Israelita tamin\u2019ny sabatra.",
        "12": "Tamin\u2019io andro io, tamin\u2019i Jehovah namela ny Amorita ho resin\u2019ny Israelita, no niteny tamin\u2019i Jehovah teo anatrehan\u2019ny Israely i Josoa hoe: \u201cRy masoandro, aza mihetsika eo ambonin\u2019i Gibeona! Ry volana, aza mihetsika eo ambonin\u2019ny Lohasahan\u2019i Aialona!\u201d",
        "13": "Dia tsy nihetsika ny masoandro ary nijanona ny volana, mandra-pandresin\u2019ilay firenena ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019i Jasara ve izany? Tsy nihetsika teo afovoan\u2019ny lanitra ny masoandro sady tsy maika hilentika, efa ho iray andro maninjitra.",
        "14": "Mbola tsy nisy andro hoatran\u2019iny na tany alohany na tat\u1ef3 aoriany, ka hoe nihainoan\u2019i Jehovah feon\u2019olona. Niady ho an\u2019ny Israely mantsy i Jehovah.",
        "15": "Niverina tao amin\u2019ny toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israely rehetra taorian\u2019izay.",
        "16": "Ireo mpanjaka dimy kosa efa nandositra, ka niafina tao anaty lava-bato tao Makeda.",
        "17": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Josoa hoe: \u201cHitan\u2019olona nandeha niafina ao anaty lava-bato ao Makeda ireo mpanjaka dimy.\u201d",
        "18": "Dia hoy i Josoa: \u201cManakodiava vato ngezabe ary ataovy eo am-bavan\u2019ilay lava-bato, dia asio olona miambina eo.",
        "19": "Aza mijanona kosa ny sisa aminareo, fa enjeho ny fahavalonareo ary asio ny vodilaharany. Aza avela hiditra any an-tan\u00e0nany izy ireo, fa efa nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo resinareo.\u201d",
        "20": "Be dia be no matin\u2019i Josoa sy ny Israelita ka efa saika lany ripaka izy ireo, fa vitsivitsy sisa no afaka nandositra nankao amin\u2019ireo tan\u00e0na voaro mafy. Taorian\u2019izay,",
        "21": "dia niverina soa aman-tsara tany amin\u2019i Josoa tao amin\u2019ny toby, tany Makeda, ny olona rehetra. Ary tsy nisy olona sahy nanao vava tamin\u2019ny Israelita, na iray aza.",
        "22": "Hoy i Josoa avy eo: \u201cEsory ny vato eo amin\u2019ny vavan\u2019ilay lava-bato, ary avoahy ho et\u1ef3 amiko ireo mpanjaka dimy.\u201d",
        "23": "Navoakan\u2019izy ireo avy tao an-dava-bato \u00e0ry ireo mpanjaka dimy, dia ny mpanjakan\u2019i Jerosalema, ny mpanjakan\u2019i Hebrona, ny mpanjakan\u2019i Jarmota, ny mpanjakan\u2019i Lakisy, ary ny mpanjakan\u2019i Eglona. Ary nentiny tany amin\u2019i Josoa izy ireo.",
        "24": "Dia nantsoin\u2019i Josoa ny lehilahy rehetra teo amin\u2019ny Israely rehefa nentina teo aminy ireo mpanjaka ireo. Ary hoy izy tamin\u2019ireo mpitari-tafika niaraka taminy, izay nifehy an\u2019ireo lehilahy mpiady: \u201cAvia et\u1ef3 aloha et\u1ef3. Apetraho eo amin\u2019ny hatok\u2019ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.\u201d Dia nankeny aloha izy ireo, ka samy nametraka ny tongony teo amin\u2019ny hatok\u2019ireo mpanjaka.",
        "25": "Dia hoy i Josoa tamin\u2019izy ireo: \u201cAza matahotra na mihorohoro. Man\u00e0na herim-po ary mahereza, fa hoatr\u2019izao no hataon\u2019i Jehovah amin\u2019ny fahavalo rehetra iadianareo.\u201d",
        "26": "Ary namely an\u2019ireo mpanjaka ireo i Josoa taorian\u2019izay ka namono azy ireo ho faty, dia nahantony teo amin\u2019ny tsato-kazo dimy izy ireo. Nihantona teo izy ireo mandra-paharivan\u2019ny andro.",
        "27": "Rehefa hilentika ny masoandro, dia nasain\u2019i Josoa nesorina teo amin\u2019ny tsato-kazo izy ireo ka natsipy tao amin\u2019ilay lava-bato niafenany. Ary nasiana vato ngezabe teo am-bavan\u2019ilay lava-bato, ka mbola eo izany hatramin\u2019izao.",
        "28": "Azon\u2019i Josoa i Makeda tamin\u2019iny andro iny, ka nasiany tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tao. Dia naringany tanteraka izy ireo sy ny mpanjakany, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Jeriko ihany no nataony tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Makeda.",
        "29": "Dia niala tao Makeda i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Libna ary niady taminy.",
        "30": "Nataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny Israely koa i Libna sy ny mpanjakany. Nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tao, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Jeriko ihany no nataony tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Libna.",
        "31": "Dia niala tao Libna i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Lakisy. Ary nitoby tao izy ireo ka niady taminy.",
        "32": "Nataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny Israely i Lakisy, ka azon\u2019izy ireo io tan\u00e0na io tamin\u2019ny andro faharoa. Ary nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tao, hoatran\u2019ny nataon\u2019izy ireo tamin\u2019i Libna.",
        "33": "Dia niakatra hanampy an\u2019i Lakisy i Horama mpanjakan\u2019i Gazera. Nasian\u2019i Josoa anefa izy sy ny olony, ka tsy nisy niangana na iray aza.",
        "34": "Dia niala tao Lakisy i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nankany Eglona. Ary nitoby tao izy ireo ka niady taminy.",
        "35": "Azon\u2019izy ireo i Eglona tamin\u2019iny andro iny, ka nasiany tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tao. Dia naringany tanteraka izy ireo tamin\u2019iny andro iny, hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019i Lakisy.",
        "36": "Ary niala tao Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra, ka niakatra nankany Hebrona dia niady taminy.",
        "37": "Azon\u2019izy ireo i Hebrona, ary nasiany tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tao sy ny mpanjakany ary ny olona rehetra tao amin\u2019ny tan\u00e0na manodidina azy, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka izy io sy ny olona rehetra tao, hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019i Eglona.",
        "38": "Farany, dia nivily nankany Debira i Josoa sy ny Israely rehetra, ka niady taminy.",
        "39": "Azon\u2019izy ireo i Debira sy ny mpanjakany ary ny tan\u00e0nany rehetra. Nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tany ka naringany tanteraka, ary tsy nasiany niangana na iray aza. Hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019i Hebrona sy tamin\u2019i Libna sy ny mpanjakany, no nataony tamin\u2019i Debira sy ny mpanjakany.",
        "40": "Resin\u2019i Josoa ny tany rehetra teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra sy tany Negeba sy Sefela sy teny amin\u2019ireo tehezan-kavoana ary ny mpanjakan\u2019izy rehetra, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka ny zavamananaina rehetra, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "41": "Resin\u2019i Josoa ny faritra rehetra nanomboka tany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, sy ny tany Gosena manontolo ka hatrany Gibeona.",
        "42": "Tamin\u2019ny fotoana iray ihany no nandresen\u2019i Josoa an\u2019ireny mpanjaka rehetra ireny sy nahazoany ny taniny, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no niady ho an\u2019ny Israely.",
        "43": "Nody tao amin\u2019ny toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israely rehetra, taorian\u2019izay."
    },
    "11": {
        "1": "Raha vao nandre an\u2019izany i Jabina mpanjakan\u2019i Hazora, dia naniraka olona nankany amin\u2019i Jobaba mpanjakan\u2019i Madona, sy ny mpanjakan\u2019i Simrona, sy ny mpanjakan\u2019i Aksafa,",
        "2": "sy ireo mpanjaka tany avaratra teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, sy ireo teny amin\u2019ny tany lemaka atsimon\u2019i Kinereta, sy ireo tany Sefela, ary teny amin\u2019ny tehezan-kavoanan\u2019i Dora tany andrefana,",
        "3": "sy ny Kananita tany atsinanana sy tany andrefana, sy ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, ary ny Hivita teo am-pototr\u2019i Hermona any Mizpa.",
        "4": "Dia nivoaka izy ireo sy ny tafiny rehetra, dia olona maro be hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina, niaraka tamin\u2019ny soavaly sy kalesy be dia be fitondra miady.",
        "5": "Dia nifanaraka ireo mpanjaka rehetra ireo fa hihaona. Tonga teo amoron\u2019ny ranon\u2019i Meroma \u00e0ry izy ireo, ka nitoby teo mba hiady tamin\u2019ny Israely.",
        "6": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa: \u201cAza matahotra an\u2019ireo, fa havelako ho resin\u2019ny Israely izy rehetra ka hovonoiny ho faty rahampitso tokotokony ho hoatr\u2019izao. Hotapahinao ny hoza-tongotry ny soavaliny, ary hodoranao ny kalesiny.\u201d",
        "7": "Nanafika tampoka azy ireo teo amoron\u2019ny ranon\u2019i Meroma \u00e0ry i Josoa sy ny lehilahy mpiady rehetra.",
        "8": "Dia natolotr\u2019i Jehovah teo an-tanan\u2019ny Israely izy ireo, ka resiny. Ary nenjehiny hatrany Sidona Lehibe izy ireo, ary hatrany Misrefota-maima sy hatrany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Mizpe tany atsinanana. Naripaky ny Israely izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza.",
        "9": "Dia nataon\u2019i Josoa tamin\u2019izy ireo izay nolazain\u2019i Jehovah, ka notapahiny ny hoza-tongotry ny soavalin\u2019izy ireo, ary nodorany ny kalesiny.",
        "10": "Niverina i Josoa avy eo\u00a0ka azony i Hazora, ary novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny mpanjakany. I Hazora mantsy teo aloha no natanjaka indrindra tamin\u2019ireo fanjakana rehetra ireo.",
        "11": "Dia nasiany tamin\u2019ny sabatra ny olona rehetra tao, ka naringany tanteraka. Tsy nisy zavamananaina niangana tao, na iray aza. Dia nodorany i Hazora avy eo.",
        "12": "Ary azon\u2019i Josoa daholo ny tan\u00e0nan\u2019ireo mpanjaka ireo, ary resiny ny mpanjakany rehetra ka nasiany tamin\u2019ny sabatra. Naringany tanteraka izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah.",
        "13": "Tsy nisy nodoran\u2019ny Israely anefa ny tan\u00e0na teny an-tampon-kavoana, afa-tsy i Hazora. Io ihany no tan\u00e0na nodoran\u2019i Josoa.",
        "14": "Nalain\u2019ny Israelita ny fananan\u2019ny olona tao amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo sy ny biby fiompiny. Ny olona rehetra kosa nasiany tamin\u2019ny sabatra, mandra-pandringany azy ireo. Tsy nasiany olona niangana tao, na iray aza.",
        "15": "Izay didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy mpanompony no nasain\u2019i Mosesy narahin\u2019i Josoa. Dia nataon\u2019i Josoa izany. Tsy nisy tsy nataony izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "16": "Azon\u2019i Josoa daholo ilay tany manontolo, dia ny faritra be tendrombohitra, Negeba manontolo, Gosena manontolo, Sefela, Araba, ary ny faritra be tendrombohitry ny Israely sy izay teo am-pototry ny havoanany,",
        "17": "hatrany amin\u2019ny Tendrombohitra Halaka izay miakatra mankany Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Lib\u00e0na, eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona. Ary nosamboriny ny mpanjakany rehetra. Resiny izy ireo, ka novonoiny ho faty.",
        "18": "Elaela ihany i Josoa no niady tamin\u2019ireo mpanjaka rehetra ireo.",
        "19": "Tsy nisy tan\u00e0na nihavana tamin\u2019ny Israelita, afa-tsy i Gibeona izay nonenan\u2019ny Hivita. Ny hafa rehetra kosa azony tamin\u2019ny ady.",
        "20": "Navelan\u2019i Jehovah ho mafy loha izy ireo ka niady tamin\u2019ny Israely. Amin\u2019izay dia hatokany haringana izy ireo ka tsy hamindrana fo. Tokony haripaka tanteraka izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "21": "Tamin\u2019izay fotoana izay i Josoa no nandringana an\u2019ireo Anakita teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, sy tany Hebrona, sy Debira, sy Anaba, ary teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra rehetra tany Joda sy tany Israely. Naringan\u2019i Josoa tanteraka izy ireny sy ny tan\u00e0nany.",
        "22": "Tsy nisy Anakita tavela tao amin\u2019ny tanin\u2019ny Israelita. Tao Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy.",
        "23": "Nalain\u2019i Josoa \u00e0ry ilay tany manontolo, araka ny nampanantenain\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy. Ary nomen\u2019i Josoa ho lovan\u2019ny Israely izany, araka ny anjaran\u2019izy ireo avy, mba hifampizaran\u2019ireo foko. Dia nilamina ilay tany, ary tsy nisy ady intsony."
    },
    "12": {
        "1": "Nandresy an\u2019ireo mpanjaka tao amin\u2019ilay tany ny Israelita, ka nalain\u2019izy ireo ny tanin\u2019izy ireny, izay teny atsinanan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, manomboka eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona ka hatrany amin\u2019ny Tendrombohitra Hermona, sy ny ilany atsinanana amin\u2019i Araba manontolo. Ireto avy izany mpanjaka izany:",
        "2": "I Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita, izay nipetraka tao Hesbona. Nanjaka tao Aroera eo amin\u2019ny sisin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona izy. Avy eo afovoan\u2019io lohasaha io ny faritra nanjakany, ka hatrany amin\u2019ny antsasak\u2019i Gileada eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jaboka, izay sisin-tanin\u2019ny Amonita.",
        "3": "Nanjaka teo amin\u2019ny ilany atsinanana amin\u2019i Araba koa izy, nanomboka teo amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Kinereta ka hatrany amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Araba, izany hoe ny Ranomasin-tsira, miantsinanana mankany Beti-jesimota, ary mianatsimo eo am-pototry ny tehezan-kavoanan\u2019i Pisga.",
        "4": "Azon\u2019izy ireo koa ny tanin\u2019i Oga mpanjakan\u2019i Basana. Anisan\u2019ireo Refaima sisa tavela izy, ary nipetraka tao Astarota sy tao Edrehy.",
        "5": "Nanjaka tany amin\u2019ny Tendrombohitra Hermona izy, sy tany Saleka, sy Basana manontolo, hatreo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Gesorita sy ny Makatita, ary tany amin\u2019ny antsasak\u2019i Gileada, hatreo amin\u2019ny faritra nanjakan\u2019i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona.",
        "6": "Resin\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah sy ny Israelita izy ireo. Dia nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah ho lovan\u2019ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase ny tanin\u2019izy ireo.",
        "7": "Be dia be ny mpanjaka tao amin\u2019ilay tany resin\u2019i Josoa sy ny Israelita tet\u1ef3 ampita andrefan\u2019i Jordana, manomboka eo Bala-gada eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Lib\u00e0na, ka hatrany amin\u2019ny Tendrombohitra Halaka izay miakatra mankany Seira. Dia nomen\u2019i Josoa ho fananan\u2019ny fokon\u2019ny Israely araka ny anjarany avy ny tanin\u2019izy ireo",
        "8": "teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, tany Sefela, tany Araba, teny amin\u2019ireo tehezan-kavoana, tany an-tany efitra, ary tany Negeba, izany hoe ny tanin\u2019ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita. Ireto avy ireo mpanjaka ireo:",
        "9": "Ny mpanjakan\u2019i Jeriko, iray; ny mpanjakan\u2019i Ay teo akaikin\u2019i Betela, iray;",
        "10": "ny mpanjakan\u2019i Jerosalema, iray; ny mpanjakan\u2019i Hebrona, iray;",
        "11": "ny mpanjakan\u2019i Jarmota, iray; ny mpanjakan\u2019i Lakisy, iray;",
        "12": "ny mpanjakan\u2019i Eglona, iray; ny mpanjakan\u2019i Gazera, iray;",
        "13": "ny mpanjakan\u2019i Debira, iray; ny mpanjakan\u2019i Gadera, iray;",
        "14": "ny mpanjakan\u2019i Horma, iray; ny mpanjakan\u2019i Arada, iray;",
        "15": "ny mpanjakan\u2019i Libna, iray; ny mpanjakan\u2019i Adolama, iray;",
        "16": "ny mpanjakan\u2019i Makeda, iray; ny mpanjakan\u2019i Betela, iray;",
        "17": "ny mpanjakan\u2019i Tapoa, iray; ny mpanjakan\u2019i Hefera, iray;",
        "18": "ny mpanjakan\u2019i Afeka, iray; ny mpanjakan\u2019i Lasarona, iray;",
        "19": "ny mpanjakan\u2019i Madona, iray; ny mpanjakan\u2019i Hazora, iray;",
        "20": "ny mpanjakan\u2019i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan\u2019i Aksafa, iray;",
        "21": "ny mpanjakan\u2019i Tan\u00e0ka, iray; ny mpanjakan\u2019i Megido, iray;",
        "22": "ny mpanjakan\u2019i Kedesy, iray; ny mpanjakan\u2019i Jokneama tany Karmela, iray;",
        "23": "ny mpanjakan\u2019i Dora tany amin\u2019ny tehezan-kavoanan\u2019i Dora, iray; ny mpanjakan\u2019i Goima tany Gilgala, iray;",
        "24": "ary ny mpanjakan\u2019i Tirza, iray. Mpanjaka 31 ny fitambarany."
    },
    "13": {
        "1": "Efa antitra sady nandroso taona i Josoa. Hoy \u00e0ry i Jehovah taminy: \u201cEfa antitra sady mandroso taona ianao izao, nefa ampahany lehibe amin\u2019ilay tany no mbola tokony halaina.",
        "2": "Ireto ny tany mbola tsy azo: Ny faritra rehetran\u2019ny Filistinina sy ny an\u2019ny Gesorita,",
        "3": "\u2014hatrany amin\u2019ny sampan\u2019i Neily any amin\u2019ny sisiny atsinanan\u2019i Ejipta ka hatrany amin\u2019ny sisin\u2019i Ekrona any avaratra, izay noheverina fa an\u2019ny Kananita taloha\u2014anisan\u2019izany ny faritra nisy ny mpitondra dimy teo amin\u2019ny Filistinina izay nifehy ny tan\u00e0nan\u2019i Gaza sy Asdoda sy Askelona sy Gata ary Ekrona, sy ny faritra nisy ny Avita",
        "4": "any atsimo; ny tany rehetra izay an\u2019ny Kananita; Meara izay an\u2019ny Sidonianina, hatrany Afeka ka hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Amorita;",
        "5": "ny tanin\u2019ny Gebalita sy ny ilany atsinanan\u2019i Lib\u00e0na manontolo, avy eo Bala-gada eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona ka hatrany Lebo-hamata;",
        "6": "ny mponina rehetra eny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, hatrany Lib\u00e0na ka hatrany Misrefota-maima; ary ny Sidonianina rehetra. Horoahiko tsy ho eo anatrehan\u2019ny Israelita izy ireo. Izao fotsiny no tokony hataonao: Omeo ho lovan\u2019ny Israely izany, araka ny didy nomeko anao.",
        "7": "Zarao ho lovan\u2019ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase ity tany ity.\u201d",
        "8": "Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase kosa efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, araka izay efa nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah azy ireo. Ireto avy izany:",
        "9": "Manomboka eo Aroera eo amin\u2019ny sisin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, sy ilay tan\u00e0na eo afovoan\u2019io lohasaha io, sy ny lembalemban\u2019i Medeba manontolo, hatrany Dibona;",
        "10": "ny tan\u00e0na rehetran\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita izay nanjaka tao Hesbona, hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Amonita;",
        "11": "Gileada sy ny tanin\u2019ny Gesorita sy ny Makatita, sy ny Tendrombohitra Hermona manontolo, sy Basana manontolo hatrany Saleka;",
        "12": "ary ny faritra rehetra nofehezin\u2019i Oga tany Basana. Nanjaka tao Astarota sy Edrehy i Oga. Anisan\u2019ireo Refaima sisa tavela izy. Resin\u2019i Mosesy ny mponina tao amin\u2019ireo tany ireo, ka noroahiny.",
        "13": "Tsy noroahin\u2019ny Israelita anefa ny Gesorita sy ny Makatita, fa mbola miara-monina amin\u2019ny Israely hatramin\u2019izao ny mponina ao Gesora sy Makata.",
        "14": "Ny fokon\u2019ny Levita ihany no tsy nomeny lova. Ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely mantsy no lovan\u2019izy ireo, araka ny nampanantenainy azy ireo.",
        "15": "Dia nomen\u2019i Mosesy lova ny fokon\u2019ny Robenita, araka ny fianakaviany avy,",
        "16": "ka ny faritry ny tanin\u2019izy ireo dia nanomboka tany Aroera eo amin\u2019ny sisin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, sy ilay tan\u00e0na eo afovoan\u2019io lohasaha io, sy ny lembalemba manontolo akaikin\u2019i Medeba;",
        "17": "Hesbona sy ny tan\u00e0nany rehetra eny amin\u2019ilay lembalemba, Dibona, Bamota-bala, Beti-bala-meona,",
        "18": "Jahaza, Kedemota, Mefata,",
        "19": "Kiriataima, Sibma, Zareta-sahara eo amin\u2019ny tendrombohitra eo akaikin\u2019ny lohasaha,",
        "20": "Beti-peora, ny tehezan-kavoanan\u2019i Pisga, Beti-jesimota,",
        "21": "ny tan\u00e0na rehetra eny amin\u2019ilay lembalemba, ary ny faritra rehetra nofehezin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona. Resin\u2019i Mosesy i Sihona sy ny mpiadidy teo amin\u2019ny Midianita dia i Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, izay samy mpanjaka teo ambany fahefan\u2019i Sihona sady nipetraka tao amin\u2019ilay tany.",
        "22": "Anisan\u2019ireo novonoin\u2019ny Israelita tamin\u2019ny sabatra i Balama mpisikidy, zanak\u2019i Beora.",
        "23": "Ny Reniranon\u2019i Jordana no sisin-tanin\u2019ny Robenita. Izany faritra izany miaraka amin\u2019ireo tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na keliny no lova nozaraina tamin\u2019ny Robenita araka ny fianakaviany avy.",
        "24": "Nomen\u2019i Mosesy lova isam-pianakaviana koa ny fokon\u2019i Gada, dia ny Gadita,",
        "25": "ka anisan\u2019ny faritry ny tanin\u2019izy ireo i Jazera sy ny tan\u00e0na rehetra ao Gileada sy ny antsasaky ny tanin\u2019ny Amonita hatrany Aroera, izay tandrifin\u2019i Raba;",
        "26": "avy eo Hesbona ka hatrany Ramata-mizpe sy Betonima, avy eo Mahanaima ka hatrany amin\u2019ny sisin\u2019i Debira;",
        "27": "ary ny eny amin\u2019ny lohasaha, dia i Beti-harama, Beti-nimra, Sokota, Zafona, izany hoe ny sisa tamin\u2019ny faritra nofehezin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona. Ary i Jordana no sisin-taniny manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsimo amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Kinereta, dia ny sisiny eo ampita atsinanan\u2019i Jordana.",
        "28": "Ireo rehetra ireo miaraka amin\u2019ny tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na keliny no lova nozaraina tamin\u2019ny Gadita, araka ny fianakaviany avy.",
        "29": "Nomen\u2019i Mosesy lova koa ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, dia ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase araka ny fianakaviany avy.",
        "30": "Ny faritry ny tanin\u2019izy ireo dia nanomboka teo Mahanaima sy Basana manontolo, ny faritra rehetra nofehezin\u2019i Oga mpanjakan\u2019i Basana, ary ny tan\u00e0na tranolay rehetra izay an\u2019i Jaira any Basana, dia tan\u00e0na 60.",
        "31": "Ary ny antsasak\u2019i Gileada sy Astarota ary Edrehy, izay tan\u00e0na nofehezin\u2019i Oga mpanjaka tany Basana, dia azon\u2019ny taranak\u2019i Makira zanak\u2019i Manase, izany hoe ny antsasaky ny taranak\u2019i Makira araka ny fianakaviany avy.",
        "32": "Ireo no lova nomen\u2019i Mosesy azy ireo, tamin\u2019izy ireo teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba teny ampitan\u2019i Jordana, atsinanan\u2019i Jeriko.",
        "33": "Ny fokon\u2019ny Levita kosa tsy nomen\u2019i Mosesy lova. I Jehovah Andriamanitry ny Israely no lovan\u2019izy ireo, araka ny nampanantenainy azy ireo."
    },
    "14": {
        "1": "Dia naka ny lovany tao amin\u2019ny tany Kanana ny Israelita. I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak\u2019i Nona ary ireo lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ireo fokon\u2019ny Israely no nanome azy ireo an\u2019izany.",
        "2": "Tamin\u2019ny antsapaka no nizarana ny lovan\u2019izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy momba an\u2019ireo foko sivy sy ny antsasaky ny foko iray.",
        "3": "Efa nomen\u2019i Mosesy an\u2019ireo foko roa hafa sy ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase ny lovan\u2019izy ireo, teny ampitan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana. Tsy nomeny lova teo amin\u2019izy ireo kosa ny Levita.",
        "4": "Nisaina ho foko roa ny taranak\u2019i Josefa, dia i Manase sy Efraima. Tsy nomena anjara tao amin\u2019ilay tany kosa ny Levita, afa-tsy tan\u00e0na honenana sy kijana ho an\u2019ny biby fiompiny sy ny fananany.",
        "5": "Dia nozarain\u2019ny Israelita ilay tany, araka izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "6": "Dia nanatona an\u2019i Josoa tao Gilgala ny fokon\u2019i Joda, ary hoy i Kaleba zanak\u2019i Jefone Kenizita taminy: \u201cFantatrao tsara izay nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, lehilahin\u2019Andriamanitra, momba ahy sy ianao tany Kadesi-barnea.",
        "7": "Tamin\u2019izaho 40\u00a0taona no nirahin\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah, avy tao Kadesi-barnea, mba hitsikilo an\u2019ity tany ity. Dia nanao tatitra marina tsara aho rehefa niverina.",
        "8": "Nanaraka an\u2019i Jehovah Andriamanitro tamin\u2019ny foko manontolo aho, na dia nampatahotra ny vahoaka aza ny tenin\u2019ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko.",
        "9": "Nianiana i Mosesy tamin\u2019izay andro izay hoe: \u2018Ho lasa lovanao sy ny taranakao foana ny tany nohitsahin\u2019ny tongotrao, satria ianao nanaraka an\u2019i Jehovah Andriamanitro tamin\u2019ny fonao manontolo.\u2019",
        "10": "Araka ny nampanantenainy, dia nitsimbina ny aiko i Jehovah nandritra izay 45\u00a0taona izay, nanomboka tamin\u2019ny nilazan\u2019i Jehovah an\u2019izany fampanantenana izany tamin\u2019i Mosesy, rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra ny Israely. Mbola velona aho izao, ary efa 85\u00a0taona.",
        "11": "Mbola matanjaka aho, hoatran\u2019ny tamin\u2019ilay andro nanirahan\u2019i Mosesy ahy ihany. Sahala amin\u2019ny heriko tamin\u2019izany ihany ny heriko amin\u2019izao, na rehefa miady aho na rehefa manao zavatra hafa.",
        "12": "Omeo ahy \u00e0ry ir\u1ef3 faritra be tendrombohitra ir\u1ef3, izay nampanantenain\u2019i Jehovah tamin\u2019iny andro iny. Marina fa efa henonao tamin\u2019iny andro iny fa nisy Anakita tao, sady nisy tan\u00e0na lehibe voaro mafy. Tena hanampy ahy anefa i Jehovah ka horoahiko izy ireo, araka ny nampanantenain\u2019i Jehovah.\u201d",
        "13": "Nitso-drano an\u2019i Kaleba zanak\u2019i Jefone \u00e0ry i Josoa, ka nomeny ho lovany i Hebrona.",
        "14": "Izany no nahatonga an\u2019i Hebrona ho lovan\u2019i Kaleba zanak\u2019i Jefone Kenizita hatramin\u2019izao. Nanaraka an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin\u2019ny fony manontolo mantsy izy.",
        "15": "Kiriata-arba no anaran\u2019i Hebrona talohan\u2019izay.\u2014Lehilahy niavaka indrindra teo amin\u2019ny Anakita izany Arba izany.\u2014Dia nilamina ilay tany, ary tsy nisy ady intsony."
    },
    "15": {
        "1": "Tonga hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Edoma sy ny tany efitr\u2019i Zina ary ny farany atsimon\u2019i Negeba ny tany azon\u2019ny fokon\u2019i Joda, mba ho an\u2019ny fianakavian\u2019izy ireo.",
        "2": "Ny sisin-taniny atsimo dia nanomboka teo amin\u2019ny sisin\u2019ny Ranomasin-tsira, eo amin\u2019ilay helodrano mitodika mianatsimo,",
        "3": "ary nianatsimo nankany amin\u2019ny fiakarana Akrabima ka nandalo an\u2019i Zina, dia niakatra avy teo atsimo nankany Kadesi-barnea ka nitohy hatrany Hezrona, dia niakatra nankany Adara ka nivily nankany Karka,",
        "4": "dia nitohy hatrany Azmona ka tonga hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta, ary hatrany amin\u2019ny Ranomasina ny farany. Izany no sisin-taniny atsimo.",
        "5": "Ny sisin-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana. Ary ny sisin-tany tamin\u2019ny zorony avaratra dia nanomboka teo amin\u2019ny helodranomasina, eo amin\u2019ny faran\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "6": "Niakatra nankany Beti-hogla ilay sisin-tany ka nitohy tany avaratr\u2019i Beti-araba, ary niakatra hatrany amin\u2019ilay vaton\u2019i Bohana zanak\u2019i Robena,",
        "7": "dia niakatra nankany Debira izay eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Akora, ka nivily nianavaratra nankany Gilgala tandrifin\u2019ny fiakarana Adomima izay eo atsimon\u2019ilay lohasaha, ary nitohy tany amin\u2019ny ranon\u2019i En-semesy, dia tonga hatrany En-rogela.",
        "8": "Nitohy ihany ilay sisin-tany ka niakatra nankany amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, nankeo amin\u2019ny ilany atsimo amin\u2019ny tehezan-kavoanan\u2019ny Jebosita, izany hoe i Jerosalema, ary niakatra nankeo amin\u2019ny tampon-tendrombohitra tandrifin\u2019ny ilany andrefana amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Hinoma. Eo amin\u2019ny sisiny avaratra amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima io tendrombohitra io.",
        "9": "Avy eo an-tampon\u2019ilay tendrombohitra ilay sisin-tany no mankany amin\u2019ny loharanon\u2019i Neftoa, ary tonga hatrany amin\u2019ireo tan\u00e0na teny amin\u2019ny Tendrombohitra Efrona, ka nitohy hatrany Balaha, izany hoe Kiriata-jearima.",
        "10": "Avy teo Balaha indray ilay sisin-tany no nivily niankandrefana nankany amin\u2019ny Tendrombohitra Seira, ka nitohy teo amin\u2019ny tehezany avaratra amin\u2019ny Tendrombohitra Jearima, izany hoe Kesalona, ary nidina nankany Beti-semesy ka nandalo an\u2019i Timna,",
        "11": "dia tonga hatrany amin\u2019ny tehezany avaratra amin\u2019i Ekrona, ary avy teo Sikerona no nitohy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Balaha ary nankany Jabniela, dia tany amin\u2019ny ranomasina ny farany.",
        "12": "Ary ny sisin-tany andrefana dia ny Ranomasina Lehibe sy ny morontsirany. Izany no sisin-tanin\u2019ny lova nozaraina tamin\u2019ny taranak\u2019i Joda, araka ny fianakaviany avy.",
        "13": "Ary nomena anjara teo amin\u2019ny taranak\u2019i Joda i Kaleba zanak\u2019i Jefone, araka ny baiko nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Josoa. Nomena azy i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Rain\u2019i An\u00e0ka io Arba io.",
        "14": "Dia noroahin\u2019i Kaleba niala tao ny zanak\u2019i An\u00e0ka telo lahy, dia i Sesay sy Ahimana ary Talmay, izay taranak\u2019i An\u00e0ka.",
        "15": "Ary niakatra avy tao i Kaleba dia nandeha niady tamin\u2019ny mponin\u2019i Debira. Kiriata-sefera no anaran\u2019i Debira talohan\u2019izay.",
        "16": "Dia hoy i Kaleba: \u201cIzay lehilahy maharesy an\u2019i Kiriata-sefera ka mahazo an\u2019io tan\u00e0na io, dia homeko ho vadiny i Aksa zanako vavy.\u201d",
        "17": "I Otniela, zanak\u2019i Kenaza rahalahin\u2019i Kaleba, no nahazo an\u2019ilay tan\u00e0na, ka nomen\u2019i Kaleba azy ho vadiny i Aksa zanany vavy.",
        "18": "Rehefa nankany an-tranon\u2019i Otniela i Aksa, dia nampirisihiny hangataka saha tamin\u2019i Kaleba rainy i Otniela. Dia niala teo ambony ampondrany i Aksa, ka hoy ny rainy: \u201cInona no ilainao?\u201d",
        "19": "Dia hoy i Aksa: \u201cMba omeo fanomezana aho, azafady. Efa nomenao tany kely any atsimo ihany aho, fa mba omeo ahy koa i Golota-maima.\u201d Nomen\u2019i Kaleba azy \u00e0ry i Golota Ambony sy Golota Ambany.",
        "20": "Izany no lova nozaraina tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda, araka ny fianakaviany avy.",
        "21": "Ireto avy ny tan\u00e0na teny amin\u2019ny sisiny indrindra amin\u2019ny tanin\u2019ny fokon\u2019i Joda, tandrifin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Edoma any atsimo: Kabzela, Edera, Jagora,",
        "22": "Kina, Dimona, Adada,",
        "23": "Kedesy, Hazora, Itnana,",
        "24": "Zifa, Talema, Bealota,",
        "25": "Hazora-hadata, Keriota-hezrona, izany hoe Hazora,",
        "26": "Amama, Sema, Molada,",
        "27": "Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta,",
        "28": "Hazara-soala, Beri-sheba, Biziotia,",
        "29": "Balaha, Ima, Azema,",
        "30": "Eltolada, Kesila, Horma,",
        "31": "Ziklaga, Madmana, Sansana,",
        "32": "Lebaota, Silima, Aina, ary Rimona. Tan\u00e0na 29 ny fitambarany, miampy an\u2019ireo tan\u00e0na keliny.",
        "33": "Ireto avy ny tan\u00e0na tany Sefela: Estaola, Zora, Asna,",
        "34": "Zanoa, En-ganima, Tapoa, Enama,",
        "35": "Jarmota, Adolama, Soko, Azeka,",
        "36": "Saraima, Aditaima, Gadera, ary Gederotaima, izany hoe tan\u00e0na 14 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "37": "Anisan\u2019ny tan\u00e0na tany koa i Zenana, Hadasa, Migdala-gada,",
        "38": "Dilana, Mizpe, Joktela,",
        "39": "Lakisy, Bozkata, Eglona,",
        "40": "Kabona, Lamasa, Kitlisa,",
        "41": "Gederota, Beti-dagona, Nama, ary Makeda, izany hoe tan\u00e0na 16 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "42": "Anisany koa i Libna, Etera, Asana,",
        "43": "Jifta, Asna, Neziba,",
        "44": "Keila, Akziba, ary Maresa, izany hoe tan\u00e0na sivy sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "45": "Anisany koa i Ekrona sy ireo tan\u00e0na niankina taminy ary ny tan\u00e0na keliny,",
        "46": "ary ireo tan\u00e0na manomboka eo Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaikin\u2019i Asdoda sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "47": "Mbola anisany koa i Asdoda sy ireo tan\u00e0na niankina taminy ary ny tan\u00e0na keliny, ary koa Gaza sy ireo tan\u00e0na niankina taminy ary ny tan\u00e0na keliny, hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta sy ny Ranomasina Lehibe ary ny faritra amoron-tsiraka.",
        "48": "Ary ireto avy no teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitra: Samira, Jatira, Soko,",
        "49": "Dana, Kiriata-sana, izany hoe Debira,",
        "50": "Anaba, Estemo, Anima,",
        "51": "Gosena, Holona, ary Gilo, izany hoe tan\u00e0na 11 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "52": "Anisan\u2019ny tan\u00e0na teny koa i Araba, Doma, Esana,",
        "53": "Janoma, Beti-tapoa, Afeka,",
        "54": "Homta, Kiriata-arba, izany hoe Hebrona, ary Ziora, izany hoe tan\u00e0na sivy sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "55": "Anisany koa i Maona, Karmela, Zifa, Jota,",
        "56": "Jezirela, Jokdeama, Zanoa,",
        "57": "Kaina, Gibea, ary Timna, izany hoe tan\u00e0na folo sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "58": "Anisany koa i Halola, Beti-zora, Gedora,",
        "59": "Marata, Beti-anota, ary Eltekona, izany hoe tan\u00e0na enina sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "60": "Mbola anisany koa i Kiriata-bala, izany hoe Kiriata-jearima, sy Raba, izany hoe tan\u00e0na roa sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "61": "Ary ireto avy no tany an-tany efitra: Beti-araba, Midina, Sekaka,",
        "62": "Nibsana, sy ilay Tan\u00e0nan-tsira ary En-jedy, izany hoe tan\u00e0na enina sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "63": "Tsy vitan\u2019ny fokon\u2019i Joda kosa ny nandroaka an\u2019ireo Jebosita nipetraka tao Jerosalema, ka mbola miara-mipetraka amin\u2019ny vahoakan\u2019ny Joda ao Jerosalema izy ireo hatramin\u2019izao."
    },
    "16": {
        "1": "Ary ny tany azon\u2019ny taranak\u2019i Josefa tamin\u2019ny antsapaka dia nanomboka teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana akaikin\u2019i Jeriko, nankany atsinanan\u2019ny ranon\u2019i Jeriko, dia nandalo an\u2019ilay tany efitra niakatra avy teo Jeriko, ka nankany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Betela.",
        "2": "Tonga hatrany Betelan\u2019i Lozy izany ka nitohy hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Arkita ao Atarota,",
        "3": "dia nidina niankandrefana nankany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Jafletita ka nitohy hatrany amin\u2019ny sisin\u2019i Beti-horona Ambany sy Gazera, ary nifarana tany amin\u2019ny ranomasina.",
        "4": "Naka ny taniny \u00e0ry i Manase sy Efraima taranak\u2019i Josefa.",
        "5": "Ary izao ny sisin-tanin\u2019ny lova nozaraina tamin\u2019ny taranak\u2019i Efraima, araka ny fianakaviany avy: Ny sisin-taniny atsinanana dia i Atarota-adara hatrany Beti-horona Ambony,",
        "6": "ary tonga hatrany amin\u2019ny ranomasina. I Mikmeta kosa no tany amin\u2019ny sisiny avaratra. Ary nivily niantsinanana nankany Tanata-silo ilay sisin-tany, ka niantsinanana nankany Janoha,",
        "7": "dia nidina avy teo Janoha ka nankany Atarota sy Nara, ary nitohy tany Jeriko ka tonga hatrany amin\u2019i Jordana.",
        "8": "Avy teo Tapoa kosa ilay sisin-tany no niankandrefana nankany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kana, ka nifarana tany amin\u2019ny ranomasina. Izany no lova nozaraina tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima, araka ny fianakaviany avy.",
        "9": "Nanana tan\u00e0na tao amin\u2019ny lovan\u2019i Manase koa ny taranak\u2019i Efraima, dia ny tan\u00e0na rehetra sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "10": "Tsy noroahin\u2019izy ireo anefa ny Kananita nipetraka tao Gazera. Mbola miara-mipetraka amin\u2019ny fokon\u2019i Efraima ihany \u00e0ry ny Kananita hatramin\u2019izao, saingy ampanaovina asa an-terivozona."
    },
    "17": {
        "1": "Dia nahazo ny anjarany tamin\u2019ny antsapaka ny fokon\u2019i Manase satria izy no\u00a0lahimatoan\u2019i Josefa. I Makira\u00a0lahimatoan\u2019i Manase sady rain\u2019i Gileada, no nahazo an\u2019i Gileada sy Basana. Lehilahy mpiady mantsy izy.",
        "2": "Nahazo ny anjarany tamin\u2019ny antsapaka koa ny sisa tamin\u2019ny taranak\u2019i Manase, araka ny fianakaviany avy. Ireto avy izany: Ny taranak\u2019i Abi-ezera, ny taranak\u2019i Heleka, ny taranak\u2019i Asriela, ny taranak\u2019i Sekema, ny taranak\u2019i Hefera, ary ny taranak\u2019i Semida. Ireo lehilahy ireo no taranak\u2019i Manase zanak\u2019i Josefa, araka ny fianakaviany avy.",
        "3": "Fa i Zelofada zanak\u2019i Hefera, zanak\u2019i Gileada, zanak\u2019i Makira, zanak\u2019i Manase, kosa tsy nanana zanakalahy fa vavy ihany. Ireto avy ny anaran\u2019izy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.",
        "4": "Dia nankeo anatrehan\u2019i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak\u2019i Nona ary ny mpiadidy izy ireo, ka niteny hoe: \u201cI Jehovah efa nandidy an\u2019i Mosesy hanome anay lova hoatran\u2019ny nomeny an\u2019ireo anadahinay.\u201d Nomena lova hoatran\u2019ireo rahalahin-drainy \u00e0ry izy ireo, araka ny baikon\u2019i Jehovah.",
        "5": "Mbola nahazo anjara tany folo i Manase, ankoatra an\u2019i Gileada sy Basana, izay eny ampitan\u2019i Jordana,",
        "6": "satria ny zanakavavy tao amin\u2019ny taranak\u2019i Manase dia nahazo anjara lova hoatran\u2019ny zanakalahy. Ary lasa fananan\u2019ny sisa tamin\u2019ny taranak\u2019i Manase i Gileada.",
        "7": "Ary ny sisin-tanin\u2019i Manase dia nanomboka teo Asera ka hatrany Mikmeta tandrifin\u2019i Sekema, ka nitohy nianatsimo hatrany amin\u2019ny tanin\u2019ny mponin\u2019i En-Tapoa.",
        "8": "Dia lasan\u2019i Manase ny tanin\u2019i Tapoa. Fa an\u2019ny taranak\u2019i Efraima kosa ny tan\u00e0nan\u2019i Tapoa, eo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Manase.",
        "9": "Ary nidina nankany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kana, tany atsimon\u2019ilay lohasaha, ilay sisin-tany. Nisy tan\u00e0nan\u2019i Efraima tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Manase. Ary teo avaratr\u2019ilay lohasaha ny sisin-tanin\u2019i Manase, ka nifarana tany amin\u2019ny ranomasina.",
        "10": "An\u2019i Efraima ny atsimo, fa an\u2019i Manase kosa ny avaratra, ary ny ranomasina no sisin-taniny. Tonga hatrany amin\u2019ny faritry ny tanin\u2019i Asera izy ireo tany avaratra, ary hatrany amin\u2019ny faritry ny tanin\u2019i Isakara tany atsinanana.",
        "11": "Ireto avy ny tan\u00e0na nomena an\u2019i Manase tao amin\u2019ny faritry ny tanin\u2019i Isakara sy Asera: Beti-sana sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Ibleama sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Dora sy ny mponina tao aminy ary ny tan\u00e0na niankina taminy, En-dora sy ny mponina tao aminy ary ny tan\u00e0na niankina taminy, Tan\u00e0ka sy ny mponina tao aminy ary ny tan\u00e0na niankina taminy, ary Megido sy ny mponina tao aminy ary ny tan\u00e0na niankina taminy. An\u2019i Manase ny telo amin\u2019ireo faritra be havoana.",
        "12": "Tsy vitan\u2019ny taranak\u2019i Manase anefa ny naka an\u2019ireo tan\u00e0na ireo ho fananany. Ary tsy nety niala tao amin\u2019izany tany izany ny Kananita.",
        "13": "Rehefa nihanahery kosa ny Israelita, dia nampanaoviny asa an-terivozona ny Kananita, fa tsy noroahiny daholo.",
        "14": "Ary hoy ny taranak\u2019i Josefa tamin\u2019i Josoa: \u201cFa maninona no anjara tany iray ihany no lova nomenao anay tamin\u2019ny antsapaka? Izahay ange be dia be satria notahin\u2019i Jehovah izahay hatramin\u2019izao\u00a0e!\u201d",
        "15": "Dia hoy i Josoa tamin\u2019izy ireo: \u201cRaha be dia be \u00e0ry ianareo, dia mandehana kapao ny ala ao amin\u2019ny tanin\u2019ny Perizita sy ny Refaima mba hahazoanareo tany hipetrahana, satria kely loatra ho anareo ilay faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima.\u201d",
        "16": "Ary hoy ny taranak\u2019i Josefa: \u201cTsy ampy ho anay tokoa ilay faritra be tendrombohitra. Izao anefa: Manana kalesin\u2019ady misy lelan\u2019antsy ny Kananita rehetra mipetraka eny amin\u2019ny lohasaha, na ireo any Beti-sana sy ny tan\u00e0na miankina aminy, na ireo eny amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jezirela.\u201d",
        "17": "Hoy \u00e0ry i Josoa tamin\u2019ny taranak\u2019i Josefa, dia i Efraima sy Manase: \u201cBe dia be ianareo sady mahery. Tsy ho iray monja ny anjaranareo,",
        "18": "fa ho anareo koa ilay faritra be tendrombohitra manontolo. Marina fa rakotra ala ilay izy. Hokapainareo anefa ilay ala, dia io faritra io no ho sisin-taninareo. Fa horoahinareo ny Kananita, na dia matanjaka sy manana kalesin\u2019ady misy lelan\u2019antsy aza.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Ary nivory tao Silo ny vahoaka manontolo, izany hoe ny Israelita. Dia natsangan\u2019izy ireo tao ny tranolay fihaonana, satria efa resin\u2019izy ireo ilay tany.",
        "2": "Mbola nisy foko fito tsy nahazo ny lovany anefa tamin\u2019 ny Israelita.",
        "3": "Hoy \u00e0ry i Josoa tamin\u2019ny Israelita: \u201cMandra-pahoviana ianareo no hangataka andro hoatr\u2019izao? Maninona ianareo no mbola tsy mandeha maka an\u2019ilay tany nomen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo anareo ihany?",
        "4": "Andefaso telo lahy isam-poko aho mba hirahiko. Handeha hitety an\u2019ilay tany ry zareo ka hanao ny sarin\u2019izy io, araka ny lovan\u2019izy ireo. Dia hiverina at\u1ef3 amiko izy ireo avy eo.",
        "5": "Tokony hifampizaran\u2019izy ireo ilay tany, ka hozarainy fito. Hijanona any amin\u2019ny faritry ny taniny any atsimo i Joda, ary ny taranak\u2019i Josefa hijanona any amin\u2019ny faritry ny taniny any avaratra.",
        "6": "Dia izao no ataonareo: Ataovy sary ilay tany dia zarao fito. Ary ento at\u1ef3 amiko izany, ka eto aho no hanao antsapaka ho anareo, eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitsika.",
        "7": "Tsy manana anjara eo aminareo anefa ny Levita, satria ny asa fisoronana naorin\u2019i Jehovah no lovan\u2019izy ireo. I Gada sy Robena ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase koa efa naka ny lovany teny ampita atsinanan\u2019i Jordana, izay nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah azy.\u201d",
        "8": "Dia niomana handeha ireo lehilahy hanao ny sarin\u2019ilay tany, ary izao no baiko nomen\u2019i Josoa azy ireo: \u201cMandehana tetezo ilay tany ka ataovy sary, dia miverena at\u1ef3 amiko. Ary hanao antsapaka ho anareo eo anatrehan\u2019i Jehovah eto Silo aho.\u201d",
        "9": "Dia lasa nitety an\u2019ilay tany ireo lehilahy ireo. Nataon\u2019izy ireo sary ilay tany dia nozarainy fito, ary nosoratany tao anaty boky ny mombamomba an\u2019ireo tan\u00e0na tao. Dia niverina tany amin\u2019i Josoa tao an-toby tany Silo izy ireo.",
        "10": "Nanao antsapaka ho azy ireo tao Silo, teo anatrehan\u2019i Jehovah, i Josoa avy eo. Tao no nizarany an\u2019ilay tany ho an\u2019ny Israelita, araka ny anjarany avy.",
        "11": "Natao ny antsapaka ka nahazo anjara ny fokon\u2019i Benjamina, araka ny fianakaviany avy. Teo anelanelan\u2019ny faritry ny tanin\u2019ny taranak\u2019i Joda sy ny an\u2019ny taranak\u2019i Josefa ny tany azony.",
        "12": "Nanomboka teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana ny ilany avaratra amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo, ka niakatra hatrany amin\u2019ny tehezany avaratra amin\u2019i Jeriko, dia niakatra niankandrefana nanaraka ny tendrombohitra, ary tonga hatrany an-tany efitr\u2019i Beti-avena.",
        "13": "Avy teo ilay sisin-tany dia nitohy hatrany amin\u2019ny tehezany atsimo amin\u2019i Lozy, izany hoe Betela, ka nidina nankany Atarota-adara, teo amin\u2019ilay tendrombohitra eo atsimon\u2019i Beti-horona Ambany.",
        "14": "Avy teo amin\u2019ilay tendrombohitra tandrifin\u2019ny ilany atsimo amin\u2019i Beti-horona no nivily nianatsimo ny ilany andrefan\u2019ilay sisin-tany, ka nifarana tany Kiriata-bala, izany hoe Kiriata-jearima, tan\u00e0nan\u2019i Joda. Izany no ilany andrefana.",
        "15": "Ny ilany atsimo dia nanomboka teo amin\u2019ny sisin\u2019i Kiriata-jearima no niankandrefana, ary tonga hatreo amin\u2019ny loharanon\u2019i Neftoa.",
        "16": "Ary nidina nankany amin\u2019ny sisin\u2019ilay tendrombohitra tandrifin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma izany. Eo amin\u2019ny ilany avaratra amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima io tendrombohitra io. Nidina nankany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Hinoma ilay sisin-tany, dia nankeo amin\u2019ny ilany atsimo amin\u2019ny tehezan-kavoanan\u2019ny Jebosita, ary nidina nankany En-rogela.",
        "17": "Ary nianavaratra izany ka tonga hatrany En-semesy, ary nitohy hatrany Gelilota tandrifin\u2019ny fiakarana Adomima, dia nidina hatrany amin\u2019ilay vaton\u2019i Bohana zanak\u2019i Robena.",
        "18": "Dia nitohy hatrany amin\u2019ny ilany avaratra amin\u2019ilay tehezan-kavoana tandrifin\u2019i Araba izany, ka nidina nankany Araba,",
        "19": "dia nitohy hatrany amin\u2019ny ilany avaratra amin\u2019ny tehezan\u2019i Beti-hogla, ka nifarana tany amin\u2019ny helodrano avaratra amin\u2019ny Ranomasin-tsira, eo amin\u2019ny farany atsimo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana. Izany no sisin-tany atsimo.",
        "20": "Ary i Jordana no sisin-tany amin\u2019ny ilany atsinanana. Izany no sisin-tanin\u2019ny lovan\u2019ny taranak\u2019i Benjamina, araka ny fianakaviany avy.",
        "21": "Ireto avy ny tan\u00e0na nozaraina tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina, araka ny fianakaviany avy: Jeriko, Beti-hogla, Emeka-keziza,",
        "22": "Beti-araba, Zemaraima, Betela,",
        "23": "Avima, Para, Ofra,",
        "24": "Kefara-hamony, Ofny, ary Geba, izany hoe tan\u00e0na 12 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "25": "Anisany koa i Gibeona, Rama, Berota,",
        "26": "Mizpe, Kefira, Moza,",
        "27": "Rekema, Iripela, Tarala,",
        "28": "Zela, Ha-elefa, Jebosa, izany hoe Jerosalema, Gibea, ary Kiriata, izany hoe tan\u00e0na 14 sy ny tan\u00e0na keliny. Izany no lova nozaraina ho an\u2019ny taranak\u2019i Benjamina, araka ny fianakaviany avy."
    },
    "19": {
        "1": "Ary natao ny antsapaka faharoa ka nahazo anjara i Simeona, izany hoe ny fokon\u2019i Simeona, araka ny fianakaviany avy. Tao amin\u2019ny lovan\u2019i Joda ny lovan\u2019izy ireo.",
        "2": "Ireto no lovany: Beri-sheba sy Sheba, Molada,",
        "3": "Hazara-soala, Bala, Azema,",
        "4": "Eltolada, Betola, Horma,",
        "5": "Ziklaga, Beti-markabota, Hazara-sosa,",
        "6": "Beti-lebaota, ary Sarohena, izany hoe tan\u00e0na 13 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "7": "Anisany koa i Aina, Rimona, Etera, ary Asana, izany hoe tan\u00e0na efatra sy ny tan\u00e0na keliny,",
        "8": "sy ny tan\u00e0na kely rehetra nanodidina an\u2019ireo tan\u00e0na ireo hatrany Baleta-bera, izany hoe Rama any atsimo. Izany no lovan\u2019ny fokon\u2019i Simeona, araka ny fianakaviany avy.",
        "9": "Avy tamin\u2019ny anjaran\u2019i Joda no nakana ny lovan\u2019ny taranak\u2019i Simeona, satria lehibe loatra ho an\u2019i Joda ny anjarany. Nahazo anjara tao amin\u2019ny lovan\u2019ny taranak\u2019i Joda \u00e0ry ny taranak\u2019i Simeona.",
        "10": "Ary natao ny antsapaka fahatelo ka nahazo anjara ny taranak\u2019i Zebolona, araka ny fianakaviany avy. Tonga hatrany Sarida ny sisin-tanin\u2019ny lovan\u2019izy ireo.",
        "11": "Ary niakatra niankandrefana nankany Marala izany ka tonga hatrany Dabeseta, ary nankany amin\u2019ilay lohasaha tandrifin\u2019i Jokneama.",
        "12": "Avy teo Sarida indray izany no niantsinanana tandrifin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro, dia nankany amin\u2019ny sisin\u2019i Kislota-tabara, ary tonga hatrany Daberata, ka niakatra nankany Jafia,",
        "13": "dia nitohy niantsinanana tandrifin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina, ary nankany Rimona, ka tonga hatrany Nea.",
        "14": "Teo avaratra ilay sisin-tany no nivily nankany Hanatona, ary nifarana tao amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jifta-ela,",
        "15": "Katata, Nahalala, Simrona, Idala, ary Betlehema, izany hoe tan\u00e0na 12 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "16": "Izany no lovan\u2019ny taranak\u2019i Zebolona, araka ny fianakaviany avy. Ireo ny tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na kelin\u2019izy ireo.",
        "17": "Natao ny antsapaka fahefatra ka nahazo anjara i Isakara, izany hoe ny taranak\u2019i Isakara, araka ny fianakaviany avy.",
        "18": "Ary ny sisin-taniny dia tonga hatrany Jezirela, Kesolota, Sonema,",
        "19": "Hafraima, Siona, Anaharata,",
        "20": "Rabita, Kisiona, Abeza,",
        "21": "Rameta, En-ganima, En-hada, ary Beti-pazeza.",
        "22": "Ary nitohy hatrany Tabara sy Sahazoma ary Beti-semesy izany, ka nifarana teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, izany hoe tan\u00e0na 16 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "23": "Izany no lova nozaraina ho an\u2019ny fokon\u2019i Isakara, araka ny fianakaviany avy, dia ny tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "24": "Ary natao ny antsapaka fahadimy ka nahazo anjara ny fokon\u2019i Asera, araka ny fianakaviany avy.",
        "25": "Ireto avy ny sisin-taniny: Helkata, Haly, Batena, Aksafa,",
        "26": "Alameleka, Amada, ary Misala. Ary niankandrefana nankany Karmela sy Sihora-libnata izany,",
        "27": "dia niverina niantsinanana nankany Beti-dagona, ka tonga hatrany Zebolona sy ny ilany avaratra amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jifta-ela, ary Beti-emeka sy Neiela, dia tonga hatrany ankavian\u2019i Kabola,",
        "28": "ary nitohy hatrany Ebrona, Rehoba, Hamona, Kana, ary hatrany Sidona Lehibe.",
        "29": "Ary niverina nankany Rama ilay sisin-tany ka nitohy hatrany Tyro, izay tan\u00e0na voaro mafy. Dia niverina indray nankany Hosa izany, ary nifarana tany amin\u2019ny ranomasina teo amin\u2019ny faritr\u2019i Akziba,",
        "30": "Oma, Afeka, ary Rehoba, izany hoe tan\u00e0na 22 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "31": "Izany no lova nozaraina ho an\u2019ny fokon\u2019i Asera, araka ny fianakaviany avy. Ireo ny tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na kelin\u2019izy ireo.",
        "32": "Natao ny antsapaka fahenina ka nahazo ny anjarany ny taranak\u2019i Naftaly, izany hoe ny taranak\u2019i Naftaly, araka ny fianakaviany avy.",
        "33": "Ny sisin-taniny dia nanomboka teo Halefa teo amin\u2019ilay hazobe tao Zananima, ary nitohy hatrany Adami-nekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ary nifarana teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "34": "Ary niverina niankandrefana nankany Aznota-tabara ilay sisin-tany, dia tonga hatrany Hokoka ka hatrany Zebolona eo atsimo, sy Asera eo andrefana, ary Joda eo atsinanan\u2019i Jordana.",
        "35": "Ary ireto avy ny tan\u00e0na voaro mafy tao: Zidima, Zera, Hamata, Rakata, Kinereta,",
        "36": "Adama, Rama, Hazora,",
        "37": "Kedesy, Edrehy, En-hazora,",
        "38": "Irona, Migdala-ela, Horema, Beti-anata, ary Beti-semesy, izany hoe tan\u00e0na 19 sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "39": "Izany no lova nozaraina ho an\u2019ny fokon\u2019i Naftaly, araka ny fianakaviany avy, dia ny tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na keliny.",
        "40": "Ary natao ny antsapaka fahafito ka nahazo anjara ny fokon\u2019i Dana, araka ny fianakaviany avy.",
        "41": "Ny sisin-tanin\u2019ny lovan\u2019izy ireo dia i Zora, Estaola, Ira-semesy,",
        "42": "Salabima, Aialona, Jitla,",
        "43": "Elona, Timna, Ekrona,",
        "44": "Elteke, Gibetona, Baleta,",
        "45": "Jehoda, Bene-beraka, Gata-rimona,",
        "46": "Me-jarkona, ary Rakona. Ary nandalo teo akaikin\u2019i Jopa ilay sisin-tany.",
        "47": "Kely loatra ho an\u2019i Dana anefa ny faritry ny taniny. Niakatra hiady tamin\u2019i Lesema \u00e0ry izy ireo. Dia azony izy io ary nasiany tamin\u2019ny sabatra ny mponina tao. Ary naka an\u2019ilay tan\u00e0na ho fananany izy ireo ka nipetraka tao. Dia novan\u2019izy ireo hoe Dana, hoatran\u2019ny anaran\u2019i Dana razambeny, ny anaran\u2019i Lesema.",
        "48": "Izany no lova nozaraina ho an\u2019ny fokon\u2019i Dana, araka ny fianakaviany avy. Ireo ny tan\u00e0na sy ny tan\u00e0na kelin\u2019izy ireo.",
        "49": "Vitan\u2019ny Israelita \u00e0ry ny nizarazara an\u2019ilay tany araka ny sisin-taniny avy, mba ho lovan\u2019izy ireo. Dia nomen\u2019izy ireo lova tao amin\u2019ny taniny i Josoa zanak\u2019i Nona.",
        "50": "Araka ny baikon\u2019i Jehovah, dia nomen\u2019izy ireo azy ilay tan\u00e0na nangatahiny, izany hoe i Timnata-sera izay any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima. Dia nanorina an\u2019ilay tan\u00e0na izy ka nipetraka tao.",
        "51": "Ireo no lova nozaraina tamin\u2019ny alalan\u2019ny antsapaka tao Silo, teo anatrehan\u2019i Jehovah, teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana. I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak\u2019i Nona ary ireo lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny fokon\u2019ny Israely no nizara izany. Dia vitan\u2019izy ireo ny fizarana an\u2019ilay tany."
    },
    "20": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Josoa:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Mifidiana tan\u00e0na fialokalofana ho anareo, araka ny efa nolazaiko taminareo tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy,",
        "3": "mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy na nahafaty olona noho ny zavatra tsy nampoizina. Ho fialokalofana ho anareo ireny tan\u00e0na ireny, mba tsy ho tratran\u2019ny mpamaly ra ianareo.",
        "4": "Dia handositra any amin\u2019ny iray amin\u2019ireny tan\u00e0na ireny ilay nahafaty olona. Hitsangana eo amin\u2019ny vavahady fidirana amin\u2019ilay tan\u00e0na izy, ary hohazavainy amin\u2019ny anti-panahy ao izay nataony. Ary horaisin\u2019izy ireo ao an-tan\u00e0na izy ka homeny toerana ao, dia hiara-mipetraka amin\u2019izy ireo.",
        "5": "Raha enjehin\u2019ny mpamaly ra izy, dia tsy hatolotr\u2019izy ireo eo an-tanany. Tsy nampoiziny mantsy hoe hahafaty an\u2019ilay olona izy, sady tsy nankahala azy koa izy talohan\u2019izay.",
        "6": "Hipetraka ao amin\u2019izany tan\u00e0na izany izy, mandra-pitsara azy eo anatrehan\u2019ny vahoaka. Ary hijanona ao izy mandra-pahafatin\u2019ilay mpisoronabe am-perinasa amin\u2019izany fotoana izany. Aorian\u2019izay izy vao mahazo miverina any amin\u2019ilay tan\u00e0na nialany tamin\u2019izy nandositra, sy mahazo mody any an-tan\u00e0nany sy ao an-tranony.\u2019\u201d",
        "7": "Nohamasinin\u2019izy ireo \u00e0ry i Kedesy any Galilia any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Naftaly, sy Sekema any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, ary Kiriata-arba, izany hoe Hebrona, any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Joda.",
        "8": "Ary ireto avy no nofidin\u2019izy ireo tany amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, atsinanan\u2019i Jeriko: I Bezera any an-tany efitra, eny amin\u2019ny lembalemba, no avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena; Ramota any Gileada no avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Gada; ary Golana any Basana no avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Manase.",
        "9": "Ireo tan\u00e0na ireo no nofidina ho an\u2019ny Israelita rehetra sy ho an\u2019ny vahiny nonina teo amin\u2019izy ireo, mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy. Amin\u2019izay izy dia tsy ho faty novonoin\u2019ny mpamaly ra, alohan\u2019ny hitsarana azy eo anatrehan\u2019ny vahoaka."
    },
    "21": {
        "1": "Nanatona an\u2019i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak\u2019i Nona ary ny lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny fokon\u2019ny Israely ireo lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Levita,",
        "2": "ka niteny tamin\u2019izy ireo tao Silo, tany Kanana, hoe: \u201cEfa nanome didy tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy i Jehovah hoe homena tan\u00e0na hipetrahana sy kijana ho an\u2019ny biby fiompinay izahay.\u201d",
        "3": "Nomen\u2019ny Israelita tan\u00e0na sy kijana avy tamin\u2019ny lovany \u00e0ry ny Levita, araka ny baikon\u2019i Jehovah.",
        "4": "Natao ny antsapaka ka nahazo ny anjarany ny fianakavian\u2019ny Kehatita. Ary azon\u2019ny Levita, taranak\u2019i Arona mpisorona, tamin\u2019ny antsapaka ny tan\u00e0na 13 avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy ny fokon\u2019i Simeona ary ny fokon\u2019i Benjamina.",
        "5": "Ary ny sisa tamin\u2019ny Kehatita dia nomena tan\u00e0na folo avy tamin\u2019ireo fianakaviana anisan\u2019ny fokon\u2019i Efraima sy ny fokon\u2019i Dana ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase.",
        "6": "Ary ny Gersonita kosa nahazo tan\u00e0na 13 avy tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny fokon\u2019i Isakara, sy ny fokon\u2019i Asera, sy ny fokon\u2019i Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase any Basana.",
        "7": "Ny azon\u2019ny Merarita kosa, araka ny fianakaviany avy, dia tan\u00e0na 12 avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena sy ny fokon\u2019i Gada ary ny fokon\u2019i Zebolona.",
        "8": "Dia nomen\u2019ny Israelita ho an\u2019ny Levita tamin\u2019ny antsapaka ireo tan\u00e0na ireo sy ny kijanany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.",
        "9": "Voatonona anarana ato ireo tan\u00e0na nomena avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy ny fokon\u2019i Simeona.",
        "10": "Ireo no nomena ho an\u2019ny taranak\u2019i Arona, izany hoe ny fianakavian\u2019ny Kehatita anisan\u2019ny Levita, noho izy ireo nahazo anjara voalohany rehefa natao ny antsapaka.",
        "11": "Nomena azy ireo i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona, any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Joda, sy ny kijana manodidina azy.\u2014Rain\u2019i An\u00e0ka io Arba io.\u2014",
        "12": "Nomena an\u2019i Kaleba zanak\u2019 i Jefone kosa ny faritra sy ny tan\u00e0na kely manodidina an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "13": "Ary nomena ho an\u2019ny taranak\u2019i Arona mpisorona ilay tan\u00e0na fialokalofan\u2019izay nahafaty olona, dia ny tan\u00e0nan\u2019i Hebrona sy ny kijanany. Nomena azy koa i Libna sy ny kijanany,",
        "14": "Jatira sy ny kijanany, Estemoa sy ny kijanany,",
        "15": "Holona sy ny kijanany, Debira sy ny kijanany,",
        "16": "Aina sy ny kijanany, Jota sy ny kijanany, ary Beti-semesy sy ny kijanany. Tan\u00e0na sivy no avy tamin\u2019ireo foko roa ireo.",
        "17": "Ary ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina dia i Gibeona sy ny kijanany, Geba sy ny kijanany,",
        "18": "Anatota sy ny kijanany, ary Almona sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "19": "Ny tan\u00e0na rehetra nomena ny mpisorona taranak\u2019i Arona, dia tan\u00e0na 13 sy ny kijanany.",
        "20": "Ary nomena tan\u00e0na avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima, tamin\u2019ny antsapaka, ny sisa tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Kehatita anisan\u2019ny Levita.",
        "21": "Nomena azy ireo ilay tan\u00e0na fialokalofan\u2019izay nahafaty olona, dia i Sekema sy ny kijanany eny amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima. Nomena azy koa i Gazera sy ny kijanany,",
        "22": "Kibzaima sy ny kijanany, ary Beti-horona sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "23": "Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Dana dia i Elteke sy ny kijanany, Gibetona sy ny kijanany,",
        "24": "Aialona sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "25": "Ary ny avy tamin\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase dia i Tan\u00e0ka sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na roa.",
        "26": "Folo ny tan\u00e0na rehetra sy ny kijanany azon\u2019ny sisa tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Kehatita.",
        "27": "Ary nahazo tan\u00e0na avy tamin\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase ny Gersonita anisan\u2019ny fianakavian\u2019ny Levita, dia ilay tan\u00e0na fialokalofan\u2019izay nahafaty olona, izany hoe ny tan\u00e0nan\u2019i Golana any Basana sy ny kijanany. Azony koa i Bestera sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na roa.",
        "28": "Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Isakara dia i Kisiona sy ny kijanany, Daberata sy ny kijanany,",
        "29": "Jarmota sy ny kijanany, ary En-ganima sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "30": "Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Asera dia i Misala sy ny kijanany, Abdona sy ny kijanany,",
        "31": "Helkata sy ny kijanany, ary Rehoba sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "32": "Ary ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly dia ilay tan\u00e0na fialokalofan\u2019izay nahafaty olona, izany hoe ny tan\u00e0nan\u2019i Kedesy any Galilia sy ny kijanany. Azony koa i Hamota-dora sy ny kijanany, ary Kartana sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na telo.",
        "33": "Ny tan\u00e0na rehetra azon\u2019ny Gersonita, araka ny fianakaviany avy, dia tan\u00e0na 13 sy ny kijanany.",
        "34": "Ary nahazo tan\u00e0na avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona ny fianakavian\u2019ny Merarita, izany hoe ny sisa tamin\u2019ny Levita, dia ny tan\u00e0nan\u2019i Jokneama sy ny kijanany, Karta sy ny kijanany,",
        "35": "Dimna sy ny kijanany, ary Nahalala sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "36": "Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena dia i Bezera sy ny kijanany, Jahaza sy ny kijanany,",
        "37": "Kedemota sy ny kijanany, ary Mefata sy ny kijanany, izany hoe tan\u00e0na efatra.",
        "38": "Ary ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Gada dia ilay tan\u00e0na fialokalofan\u2019izay nahafaty olona, izany hoe ny tan\u00e0nan\u2019i Ramota any Gileada sy ny kijanany. Azony koa i Mahanaima sy ny kijanany,",
        "39": "Hesbona sy ny kijanany, ary Jazera sy ny kijanany. Tan\u00e0na efatra ny fitambarany.",
        "40": "Ny tan\u00e0na rehetra azon\u2019ireo fianakaviana anisan\u2019ny Merarita, izay sisa tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Levita, dia tan\u00e0na 12.",
        "41": "Ny tan\u00e0na rehetra an\u2019ny Levita teo amin\u2019ny lovan\u2019ny Israelita, dia tan\u00e0na 48 sy ny kijanany.",
        "42": "Nanana kijana manodidina azy ny tsirairay tamin\u2019ireo tan\u00e0na ireo. Hoatr\u2019izany daholo ireo tan\u00e0na ireo.",
        "43": "Nomen\u2019i Jehovah ny Israely \u00e0ry ilay tany manontolo, izay nanaovany fianianana tamin\u2019ny razambeny hoe homeny azy ireo. Dia nalain\u2019izy ireo izany ka nipetrahany.",
        "44": "Ary nataon\u2019i Jehovah nilamina tanteraka ny tanin\u2019izy ireo, araka ny fianianana nataony tamin\u2019ny razamben\u2019izy ireo, ka tsy nisy nahatohitra azy ny fahavalony rehetra na iray aza. Nataon\u2019i Jehovah resin\u2019izy ireo daholo ny fahavalony.",
        "45": "Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny taranak\u2019Israely, fa tanteraka daholo."
    },
    "22": {
        "1": "Dia nantsoin\u2019i Josoa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase,",
        "2": "ka nilazany hoe: \u201cNanao an\u2019izay rehetra nandidian\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah anareo ianareo, sady nankat\u00f2 an\u2019izay rehetra nandidiako anareo.",
        "3": "Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra an\u2019izay fotoana rehetra izay ka hatramin\u2019izao, sady narahinareo ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.",
        "4": "Efa nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo milamina tsara izao ny fiainan\u2019ny rahalahinareo, araka ny nampanantenainy azy ireo. Azonareo atao amin\u2019izay izao ny miverina any amin\u2019ny tranolainareo, any amin\u2019ilay tany nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah anareo, eny ampitan\u2019i Jordana.",
        "5": "Tandremo tsara fotsiny ny didy sy ny Lal\u00e0na nomen\u2019i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah anareo, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrareo, mandehana amin\u2019ny lalany rehetra, tandremo ny didiny, mifikira aminy, ary manompoa azy amin\u2019ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo.\u201d",
        "6": "Dia nitso-drano azy ireo i Josoa, ka nandefa azy ireo nody. Ary lasa nankany amin\u2019ny tranolainy izy ireo.",
        "7": "Efa nomen\u2019i Mosesy lova tany Basana ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, fa ny antsasany kosa nomen\u2019i Josoa tany niaraka tamin\u2019ny rahalahiny tet\u1ef3 ampita andrefan\u2019i Jordana. Nitso-drano azy ireo i Josoa rehefa nandefa azy ho any amin\u2019ny tranolainy.",
        "8": "Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cModia any amin\u2019ny tranolainareo, miaraka amin\u2019ny harem-be sy biby fiompy maro be, ary koa volafotsy, volamena, varahina, vy, ary fitafiana be dia be. Alaivo ny anjaranareo amin\u2019ny zavatra azo babo avy tamin\u2019ny fahavalonareo, ka zarao ho anareo sy ny rahalahinareo.\u201d",
        "9": "Dia lasa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, ka nandao ny Israelita tao Silo, tany Kanana. Nody tany Gileada, tany amin\u2019ilay tany nomena azy izy ireo, dia ilay tany efa nipetrahany araka ny baikon\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.",
        "10": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana tao Kanana ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, dia nanorina alitara ngezabe teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "11": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nisy niteny tamin\u2019ny Israelita hoe: \u201cNy Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, nanorina alitara eo amin\u2019ny sisin\u2019ny tany Kanana, eo amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, et\u1ef3 amin\u2019ny ilany misy ny Israelita.\u201d",
        "12": "Rehefa nahare an\u2019izany ny Israelita, dia nivory tao Silo izy rehetra mba hiady tamin\u2019izy ireo.",
        "13": "Ary nirahin\u2019ny Israelita i Finehasa zanak\u2019i Eleazara mpisorona, mba hankany amin\u2019ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, tany Gileada.",
        "14": "Nisy mpiadidy folo niaraka taminy, dia mpiadidy iray isaky ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely. Samy lohan\u2019ny fianakaviambe teo amin\u2019ny Israely, izay voatsinjara ho arivo isan-tokony, izy ireo.",
        "15": "Rehefa tonga tany amin\u2019ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase tany Gileada, izy ireo, dia niteny hoe:",
        "16": "\u201cIzao no nolazain\u2019ny vahoakan\u2019i Jehovah manontolo: \u2018Fa ahoana izao ianareo mivadika amin\u2019ny Andriamanitry ny Israely izao? Niala tamin\u2019i Jehovah ianareo androany, satria nanorina alitara sy nikomy tamin\u2019i Jehovah.",
        "17": "Mbola tsy ampy antsika angaha ny fahadisoana tany Peora? Isika aza mbola tsy voadio tamin\u2019iny akory hatramin\u2019izao, na dia efa nisy loza nihatra tamin\u2019ny vahoakan\u2019i Jehovah aza.",
        "18": "Ianareo indray anefa izao no miala amin\u2019i Jehovah! Raha mikomy amin\u2019i Jehovah ianareo androany, dia ho tezitra amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo izy rahampitso.",
        "19": "Raha maloto ny taninareo, dia miampit\u00e0 at\u1ef3 amin\u2019ny tanin\u2019i Jehovah izay misy ny tranolain\u2019i Jehovah, ary miaraha mipetraka aminay. Fa aza mikomy amin\u2019i Jehovah, ary aza manorina alitara ankoatra an\u2019ilay alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitsika, sao dia hahatonga anay hikomy aminy koa izany.",
        "20": "Tsy ny vahoakan\u2019Israely manontolo ve no niharan\u2019ny fahatezeran\u2019Andriamanitra, nefa i Akana zanak\u2019i Zera no nivadika taminy ka tsy nankat\u00f2 ny didy momba ny zavatra voatokana haringana? Ary tsy izy irery no maty noho ny fahadisoany.\u2019\u201d",
        "21": "Dia hoy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase, tamin\u2019ireo mpifehy ny arivo teo amin\u2019ny Israely:",
        "22": "\u201cI Jehovah, ilay Andriamanitry ny andriamanitra, eny, i Jehovah, ilay Andriamanitry ny andriamanitra, no mahalala hoe nahoana izahay no nanao an\u2019izany ary hahalala an\u2019izany koa ny Israely. Raha mikomy sy mivadika aminao izahay, Jehovah\u00a0\u00f4, dia aza mamonjy anay androany.",
        "23": "I Jehovah mihitsy no hanasazy anay, raha ny hiala amin\u2019i Jehovah sy ny hanolotra fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha ary sorona iombonana no antony nanorenanay an\u2019ilay alitara.",
        "24": "Zavatra hafa kosa no nampanahy anay ka nahatonga anay hanao an\u2019izany. Sao dia hiteny amin\u2019ny zanakay mantsy ny zanakareo any aoriana any hoe: \u2018Misy idiranareo angaha moa ny fanompoana an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely?",
        "25": "Efa nataon\u2019i Jehovah ho sisin-tany manasaraka anay aminareo Robenita sy Gadita ny Reniranon\u2019i Jordana. Tsy manana anjara amin\u2019ny fanompoana an\u2019i Jehovah ianareo.\u2019 Dia hisakana ny zanakay tsy hanompo an\u2019i Jehovah ny zanakareo.",
        "26": "\u201cIzany no nahatonga anay hiteny hoe: \u2018Andao isika hanorina alitara. Tsy hanolorana fanatitra dorana anefa izany na hanaovana sorona,",
        "27": "fa mba ho vavolombelona aminareo sy aminay ary ny taranaka mandimby antsika hoe hanao ny fanompoana an\u2019i Jehovah eo anatrehany izahay, ka hanao fanatitra dorana sy sorona ary sorona iombonana. Amin\u2019izay dia tsy hilaza amin\u2019ny zanakay ny zanakareo any aoriana any hoe: \u201cTsy manana anjara amin\u2019ny fanompoana an\u2019i Jehovah ianareo.\u201d\u2019",
        "28": "Dia hoy izahay: \u2018Raha milaza an\u2019izany amintsika sy amin\u2019ny taranatsika ry zareo any aoriana any, dia hiteny isika hoe: \u201cJereo ny alitara nataon\u2019ny razambenay fa mitovy amin\u2019ilay alitaran\u2019i Jehovah. Tsy hanolorana fanatitra dorana anefa izany na hanaovana sorona, fa ho vavolombelona aminareo sy aminay.\u201d\u2019",
        "29": "Tsy izahay mihitsy sanatria no hikomy amin\u2019i Jehovah sy hiala amin\u2019i Jehovah, ka hanorina alitara hafa hanolorana fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha ary sorona, ankoatra an\u2019ilay alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitsika izay eo anoloan\u2019ny tranolainy!\u201d",
        "30": "Ary faly i Finehasa mpisorona sy ireo niaraka taminy, izany hoe ny mpiadidy vahoaka sy ny mpifehy ny arivo teo amin\u2019ny Israely, rehefa naheno ny tenin\u2019ny taranak\u2019i Robena sy Gada ary Manase.",
        "31": "Dia hoy i Finehasa zanak\u2019i Eleazara mpisorona, tamin\u2019ny taranak\u2019i Robena sy Gada ary Manase: \u201cFantatray androany fa eto amintsika i Jehovah, satria tsy nivadika tamin\u2019i Jehovah ianareo. Efa namonjy ny Israelita teo an-tanan\u2019i Jehovah ianareo.\u201d",
        "32": "Niverina tany amin\u2019ny Israelita tany Kanana i Finehasa zanak\u2019i Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy, dia nanao tatitra tamin\u2019izy ireo, rehefa avy nihaona tamin\u2019ny Robenita sy ny Gadita tany Gileada.",
        "33": "Koa nahafaly ny Israelita ilay tatitra. Dia nidera an\u2019Andriamanitra izy ireo, ary tsy niresadresaka intsony hoe handeha hiady amin\u2019ny Robenita sy ny Gadita mba hanimba ny tany nipetrahany.",
        "34": "Nomen\u2019ny Robenita sy ny Gadita anarana \u00e0ry ilay alitara. Hoy mantsy izy ireo: \u201cIo no vavolombelona amintsika fa i Jehovah no tena Andriamanitra.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Efa nataon\u2019i Jehovah milamina ny tanin\u2019ny Israely, satria novonjeny tamin\u2019ny fahavalony rehetra nanodidina izy ireo. Andro maro taorian\u2019izay, rehefa antitra sady nandroso taona i Josoa,",
        "2": "dia nantsoiny ny Israely rehetra, izany hoe ny anti-panahy sy ireo lohany teo amin\u2019izy ireo ary ny mpitsara sy ny mpiadidy teo aminy. Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cEfa antitra sady mandroso taona aho.",
        "3": "Ary efa hitanareo ny zava-drehetra nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019ireo firenena rehetra ireo, mba hanampiana anareo. I Jehovah Andriamanitrareo mantsy no niady ho anareo.",
        "4": "Efa nozaraiko ho lovan\u2019ny fokonareo tamin\u2019ny alalan\u2019ny antsapaka koa ny tanin\u2019ireo firenena sisa tavela sy ny tanin\u2019ireo firenena rehetra naringako, hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana ka hatrany amin\u2019ny Ranomasina Lehibe any andrefana.",
        "5": "Ary i Jehovah Andriamanitrareo no nanala azy ireo tsy ho eo anatrehanareo. Nandroaka azy ireo izy ka afaka naka ny taniny ianareo, araka ny efa nampanantenain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo.",
        "6": "\u201cKoa man\u00e0na herim-po hankatoavana sy hanarahana an\u2019izay rehetra voasoratra ao amin\u2019ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy, ka aza miala amin\u2019izany mihitsy, na mivily miankavanana na miankavia.",
        "7": "Ary aza mifanerasera mihitsy amin\u2019ireo firenena mbola tavela eo aminareo ireo. Aza tononina na dia ny anaran\u2019ny andriamaniny aza, ary aza mianiana amin\u2019ny anaran\u2019izy ireny. Aza manompo an\u2019ireny mihitsy na miankohoka aminy.",
        "8": "Mifikira kosa amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran\u2019izay efa nataonareo hatramin\u2019izao.",
        "9": "Handroaka firenena lehibe sy mahery tsy ho eo anatrehanareo i Jehovah. Fa tsy nisy olona nahatohitra anareo hatramin\u2019izao.",
        "10": "Lehilahy iray monja aminareo no hanenjika arivo, satria i Jehovah Andriamanitrareo no miady ho anareo, araka ny efa nampanantenainy anareo.",
        "11": "Mitandrema tsara foana \u00e0ry, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrareo.",
        "12": "\u201cFa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin\u2019ireo firenena sisa tavela eo aminareo, ary mifanambady amin\u2019izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo,",
        "13": "dia fantaro tsara fa tsy handroaka an\u2019ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo. Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin\u2019ity tany tsara nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.",
        "14": "\u201cEfa ho faty aho izao. Ary fantatrareo tsara amin\u2019ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Efa tanteraka taminareo daholo izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.",
        "15": "Hoatran\u2019ny nahatanterahan\u2019ny zava-tsoa rehetra nampanantenain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo koa anefa, no hampiharan\u2019i Jehovah aminareo ny loza rehetra nolazainy hoe hanjo anareo, sy handringanany anareo tsy ho eto amin\u2019ity tany tsara nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.",
        "16": "Raha mivadika amin\u2019ny fifanekena nasain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo nohajainareo ianareo, ary mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka amin\u2019izy ireny, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah, ka tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin\u2019ilay tany tsara nomeny anareo.\u201d"
    },
    "24": {
        "1": "Dia novorin\u2019i Josoa tao Sekema ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely, ary nantsoiny ny anti-panahy sy ireo lohany ary ny mpitsara sy mpiadidy teo amin\u2019ny Israely. Dia nitsangana teo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo.",
        "2": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019ny olona rehetra: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Tany ampitan\u2019ny Renirano ny razambenareo no nipetraka taloha ela be, anisan\u2019izany i Tera rain\u2019i Abrahama sy Nahora. Ary nanompo andriamani-kafa izy ireo.",
        "3": "\u201c\u2018Rehefa nandeha ny fotoana, dia nalaiko avy tany ampitan\u2019ny Renirano i Abrahama razambenareo, ka nentiko nitety ny tany Kanana manontolo, ary nataoko be dia be ny taranany. Nomeko azy i Isaka,",
        "4": "ary nomeko an\u2019i Isaka i Jakoba sy Esao. Tat\u1ef3 aoriana dia nomeko an\u2019i Esao ny Tendrombohitra Seira. Ary nidina tany Ejipta i Jakoba sy ny zanany.",
        "5": "Naniraka an\u2019i Mosesy sy Arona aho tat\u1ef3 aoriana, ary namely an\u2019i Ejipta tamin\u2019ny loza, dia nitondra anareo nivoaka avy tany.",
        "6": "Rehefa nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razambenareo, dia tonga teo amin\u2019ny ranomasina. Ary nanenjika azy ireo hatreny amin\u2019ny Ranomasina Mena ny Ejipsianina, niaraka tamin\u2019ny kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly.",
        "7": "Dia nitaraina mafy tamin\u2019i Jehovah ny razambenareo, ka nasiany haizina nanelanelana anareo sy ny Ejipsianina. Ary nosaronany tamin\u2019ny ranomasina izy ireo ka nataony difotra. Ny masonareo mihitsy no nahita an\u2019izay nataoko tany Ejipta. Ary nijanona tany an-tany efitra nandritra ny taona maro ianareo.",
        "8": "\u201c\u2018Dia nentiko tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Amorita nipetraka teny ampitan\u2019i Jordana ianareo, ary niady taminareo izy ireo. Nataoko resinareo anefa izy ireo, mba ho afaka haka ny taniny ianareo. Ary naringako tsy ho eo anatrehanareo izy ireo.",
        "9": "Dia nitsangana hiady tamin\u2019ny Israely i Balaka zanak\u2019i Zipora sady mpanjakan\u2019i Moaba. Nampanantsoiny \u00e0ry i Balama zanak\u2019i Beora, mba hanozona anareo.",
        "10": "Tsy nihaino an\u2019i Balama anefa aho. Nitso-drano anareo imbetsaka \u00e0ry izy, ary namonjy anareo teo an-tanany aho.",
        "11": "\u201c\u2018Niampita an\u2019i Jordana ianareo avy eo, ka tonga tao Jeriko. Ary niady taminareo ny mpitarika tao Jeriko, sy ny Amorita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hetita, ny Girgasita, ny Hivita, ary ny Jebosita. Nataoko resinareo anefa izy ireny.",
        "12": "Koa mbola tsy tonga tany akory ianareo dia efa nataoko izay hahakivy azy ireny, ka nandositra tsy ho eo anatrehanareo izy ireny, hoatran\u2019ireo mpanjaka amorita roa. Tsy ny sabatrareo na ny tsip\u00eckanareo no nahavita an\u2019izany.",
        "13": "Dia nomeko tany tsy nisasaranareo sy tan\u00e0na tsy naorinareo ianareo, ka nanorim-ponenana tao amin\u2019ireny. Ary nihinana vokatra avy tamin\u2019ny tanimboaloboka sy sahan\u2019oliva tsy nambolenareo ianareo.\u2019",
        "14": "\u201cKoa matahora an\u2019i Jehovah, ary manompoa azy ka aza mivadika aminy mihitsy. Ario ny andriamanitra notompoin\u2019ny razambenareo tany ampitan\u2019ny Renirano sy tany Ejipta, ka manompoa an\u2019i Jehovah.",
        "15": "Fa raha ohatra hoe tsy tianareo ny hanompo an\u2019i Jehovah, dia fidio androany izay hotompoinareo, na ny andriamanitra notompoin\u2019ny razambenareo tany ampitan\u2019ny Renirano, na ny andriamanitry ny Amorita nipetraka teto amin\u2019ny tany ipetrahanareo. Fa izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an\u2019i Jehovah.\u201d",
        "16": "Dia hoy ny vahoaka: \u201cSanatria anay ny hiala amin\u2019i Jehovah ka hanompo andriamani-kafa.",
        "17": "I Jehovah Andriamanitsika mantsy no nitondra antsika sy ny razambentsika niakatra avy tany Ejipta, avy tao amin\u2019ny toerana nanandevozana antsika. Izy no nanao an\u2019ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika, ary niaro antsika foana teny amin\u2019ny lalana rehetra nalehantsika sy teo anivon\u2019ny firenena rehetra nandalovantsika.",
        "18": "Noroahin\u2019i Jehovah ny firenena rehetra nipetraka talohantsika teto amin\u2019ity tany ity, anisan\u2019izany ny Amorita. Hanompo an\u2019i Jehovah koa \u00e0ry izahay, satria izy no Andriamanitray.\u201d",
        "19": "Dia hoy i Josoa tamin\u2019ny vahoaka: \u201cTsy ho vitanareo ny hanompo an\u2019i Jehovah, fa Andriamanitra masina izy sady mitaky ny hanompoana azy irery ihany. Tsy hamela ny helokareo sy ny fahotanareo izy.",
        "20": "Raha miala amin\u2019i Jehovah ianareo ka manompo ny andriamanitry ny firenen-kafa, dia hamely anareo izy ka handringana anareo, na dia efa nanisy soa anareo aza.\u201d",
        "21": "Hoy anefa ny vahoaka tamin\u2019i Josoa: \u201cI Jehovah no hotompoinay!\u201d",
        "22": "Hoy \u00e0ry i Josoa tamin\u2019ny vahoaka: \u201cIanareo ihany no ho vavolombelona hiampanga anareo, satria sitraponareo ny nifidy hanompo an\u2019i Jehovah.\u201d Dia namaly izy ireo hoe: \u201cIe, vavolombelona izahay.\u201d",
        "23": "\u201cArio \u00e0ry ny andriamanitry ny firenen-kafa izay eo aminareo, ary manompoa an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely amin\u2019ny fonareo manontolo.\u201d",
        "24": "Dia hoy ny vahoaka tamin\u2019i Josoa: \u201cI Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary izy no hankatoavinay!\u201d",
        "25": "Nanao fifanekena tamin\u2019ny vahoaka \u00e0ry i Josoa tamin\u2019izay andro izay, ka nametraka lal\u00e0na sy fitsipika ho azy ireo tao Sekema.",
        "26": "Dia nosoratan\u2019i Josoa tao amin\u2019ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019Andriamanitra ireo teny ireo. Ary naka vato lehibe izy, ka nanangana izany teo ambanin\u2019ilay hazobe teo akaikin\u2019ny toerana masin\u2019i Jehovah.",
        "27": "Ary hoy i Josoa tamin\u2019ny olona rehetra: \u201cHo vavolombelona hiampanga antsika ity vato ity, fa efa henon\u2019izy io izay rehetra nolazain\u2019i Jehovah tamintsika. Io no ho vavolombelona hiampanga anareo, amin\u2019izay ianareo tsy mand\u00e0 an\u2019Andriamanitrareo.\u201d",
        "28": "Dia nalefan\u2019i Josoa nody tany amin\u2019ny lovany avy ny olona.",
        "29": "Taorian\u2019izany zava-nitranga izany, dia maty i Josoa zanak\u2019i Nona, mpanompon\u2019i Jehovah, rehefa 110\u00a0taona.",
        "30": "Koa nalevina tany amin\u2019ny faritra nisy ny lovany izy, izany hoe tao Timnata-heresa, any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, any avaratry ny Tendrombohitra Gasa.",
        "31": "Nanompo an\u2019i Jehovah foana ny Israely tamin\u2019ny andron\u2019i Josoa, sy tamin\u2019ny andron\u2019ireo anti-panahy mbola velona taoriany, dia ireo anti-panahy nahita ny asa rehetra nataon\u2019i Jehovah ho an\u2019ny Israely.",
        "32": "Ary ny taolambalon\u2019i Josefa izay efa nentin\u2019ny Israelita niakatra avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sekema, tao amin\u2019ilay tany novidin\u2019i Jakoba 100 kesita tamin\u2019ny taranak\u2019i Hamora rain\u2019i Sekema. Dia lasa lovan\u2019ny taranak\u2019i Josefa ilay tany.",
        "33": "Maty koa i Eleazara zanak\u2019i Arona. Nalevina tany amin\u2019ny Havoanan\u2019i Finehasa zanany \u00e0ry izy, dia ilay havoana nomena azy teny amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima."
    },
    "meta": {
        "name": "Josoa",
        "order": 5,
        "chapter_number": 24
    }
}
