{
    "1": {
        "1": "Ary niantso an\u2019i Mosesy i Jehovah, ka niteny taminy avy tao amin\u2019ny tranolay fihaonana hoe:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah, dia omby na ondry na osy aterina.",
        "3": "\u201c\u2018Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia tokony ho lahy tsy misy kilema ilay izy. Hatolony an-tsitrapo eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ilay omby.",
        "4": "Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatitra dorana izy, ary hekena handrakofana ny fahotany izany.",
        "5": "\u201c\u2018Hovonoina eo anatrehan\u2019i Jehovah avy eo ilay vantotr\u2019ombilahy. Ary hatolotr\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona ho an\u2019Andriamanitra ny ra, ka hafafiny eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ilay alitara, izay eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "6": "Hendahana ny hoditr\u2019ilay fanatitra dorana. Ary hotetitetehina ilay fanatitra avy eo.",
        "7": "Hanisy vainafo eo ambony alitara ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona, ary handahatra kitay eo ambonin\u2019ilay afo.",
        "8": "Halahatr\u2019izy ireo eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo eo ambony alitara, ilay fanatitra efa voatetitetika sy ny lohany ary ny jaborany.",
        "9": "Ary ny tsinainy sy ny tongony hosasana amin\u2019ny rano. Dia hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara ireo rehetra ireo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "10": "\u201c\u2018Raha ondry na osy no ataony fanatitra dorana, dia tokony ho ondrilahy kely na osilahy tsy misy kilema no hatolony.",
        "11": "Hovonoina eo avaratry ny alitara, eo anatrehan\u2019i Jehovah, izany. Ary hafafin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.",
        "12": "Hotetitetehiny ilay fanatitra, dia halahatry ny mpisorona eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo eo ambony alitara, miaraka amin\u2019ny lohany sy ny jaborany.",
        "13": "Hosasany amin\u2019ny rano ny tsinainy sy ny tongony. Ary hatolotry ny mpisorona ho an\u2019Andriamanitra ireo rehetra ireo, dia hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "14": "\u201c\u2018Fa raha vorona kosa no ataony fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, dia domohina na zana-boromailala no hataony fanatitra.",
        "15": "Hatolotry ny mpisorona eo amin\u2019ny alitara izany, ka hotsongoiny ny tendan\u2019ilay vorona mba ho tataka. Ary hodorany eo ambony alitara ilay vorona mba hidona-tsetroka, fa ny rany kosa havela hitsika eo amin\u2019ny sisin\u2019ny alitara.",
        "16": "Hesoriny ny takorobabony sy ny volony ka hatsipiny eo akaikin\u2019ny alitara, eo atsinanana, eo amin\u2019ny fasiana lavenona.",
        "17": "Ary hosamahiny eo amin\u2019ny elany ilay vorona, nefa tsy hozarainy roa. Dia hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah."
    },
    "2": {
        "1": "\u201c\u2018Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha ho an\u2019i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.",
        "2": "Dia hoentiny any amin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona izany. Ary hakan\u2019ny mpisorona eran\u2019ny tanan\u2019ila ilay lafarinina tsara toto misy menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho santionany amin\u2019ilay fanatitra. Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "3": "Dia ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny ambin\u2019ilay fanatitra varimbazaha, ho zavatra masina indrindra avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "4": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lafaoro no aterinao, dia tokony hatao amin\u2019ny lafarinina tsara toto izany. Mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka no hatolotrao, na mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka.",
        "5": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra no aterinao, dia tokony hatao amin\u2019ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka.",
        "6": "Hotapatapahina izany ary horarahanao menaka. Fanatitra varimbazaha izany.",
        "7": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha nendasina tao anaty lapoaly no aterinao, dia tokony hatao amin\u2019ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.",
        "8": "Hoentinao any amin\u2019i Jehovah ny fanatitra varimbazaha natao tamin\u2019ireo. Dia hatolotra ny mpisorona izany, ka hoentiny eo akaikin\u2019ny alitara.",
        "9": "Hakan\u2019ny mpisorona ilay fanatitra varimbazaha, ho santionany amin\u2019ilay fanatitra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "10": "Dia ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny ambin\u2019ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "11": "\u201c\u2018Tsy tokony hasiana lalivay izay fanatitra varimbazaha hatolotrareo ho an\u2019i Jehovah, satria na ny lalivay na ny tantely dia tsy tokony hodoranareo hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "12": "\u201c\u2018Azonareo atolotra ho fanatitra voaloham-bokatra ho an\u2019i Jehovah ireo, nefa tsy tokony hoentina eo amin\u2019ny alitara mba hahazoana hanitra mahafinaritra.",
        "13": "\u201c\u2018Tokony hasiana sira daholo ny fanatitra varimbazaha haterinao. Aza avela tsy hisy siran\u2019ny fifaneken\u2019Andriamanitrao ilay fanatitra varimbazaha. Tokony hanolotra sira miaraka amin\u2019ny fanatitrao rehetra ianao.",
        "14": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha avy amin\u2019ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an\u2019i Jehovah, dia tokony ho voa vaovao natono izany, ary nototoina nefa tsy natao vovony. Ho fanatitra varimbazaha avy amin\u2019ny voaloham-bokatrao izany.",
        "15": "Horarahanao menaka ilay izy, ary hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha izany.",
        "16": "Hodoran\u2019ny mpisorona mba hidona-tsetroka izany ho santionany amin\u2019ilay fanatitra, izany hoe hodorany ny ampahany amin\u2019ny voa voatoto sy ny menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany."
    },
    "3": {
        "1": "\u201c\u2018Raha misy manolotra sorona iombonana, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia tokony ho biby tsy misy kilema no hatolony eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "2": "Hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatiny izy, ary hovonoina eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.",
        "3": "Ary hatolotr\u2019ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah ny ampahany amin\u2019ilay sorona iombonana: Ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,",
        "4": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.",
        "5": "Hodoran\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona eo ambony alitara izany rehetra izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin\u2019ny fanatitra dorana izay efa eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo. Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "6": "\u201c\u2018Raha ondry na osy no aterin\u2019ilay olona ho sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah, dia lahy na vavy tsy misy kilema no hatolony.",
        "7": "Raha ondrilahy kely no ateriny, dia hatolony eo anatrehan\u2019i Jehovah izany.",
        "8": "Hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatiny izy, ary hovonoina eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.",
        "9": "Ary hatolotr\u2019ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah ny tavin\u2019 ilay sorona iombonana. Hesoriny daholo ny rambo matavy eo akaikin\u2019ny taolan-damosin\u2019ilay ondry, ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,",
        "10": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.",
        "11": "Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany sakafo izany.",
        "12": "\u201c\u2018Raha osy no fanatitra aterin\u2019ilay olona, dia hatolony eo anatrehan\u2019i Jehovah izany.",
        "13": "Hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay osy izy, ary hovonoina eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.",
        "14": "Ary izao no ampahany hatolotr\u2019ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah: Ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,",
        "15": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.",
        "16": "Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka. Fanatitra atao anaty afo izany sakafo izany, ary natao mba hahazoana hanitra mahafinaritra. An\u2019i Jehovah ny taviny rehetra.",
        "17": "\u201c\u2018Tokony hanaraka an\u2019izao fitsipika izao foana ianareo sy ny taranakareo, any amin\u2019ny toerana rehetra ipetrahanareo: Aza mihinana tavin-kena na ra mihitsy.\u2019\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy olona manota tsy nahy, ka manao ny iray amin\u2019ireo zavatra nandraran\u2019i Jehovah, dia izao atao:",
        "3": "\u201c\u2018Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka lasa meloka ny vahoaka, dia hanolotra vantotr\u2019ombilahy tsy misy kilema ho an\u2019i Jehovah izy ho fanatitra noho ny ota, noho ilay fahotana nataony.",
        "4": "Hoentiny eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, eo anatrehan\u2019i Jehovah, ilay omby. Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby izy, ary hamono azy eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "5": "Hakan\u2019ilay mpisorona voahosotra avy\u00a0eo ny ran\u2019ilay omby, ka hoentiny ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "6": "Dia hatsobok\u2019ilay mpisorona ao anaty ra ny rantsantanany iray, ary hafafiny impito eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay ra. Eo anoloan\u2019ny ridao ao amin\u2019ny toerana masina no hamafazany an\u2019izany.",
        "7": "Ny ra sasany dia hahosotr\u2019ilay mpisorona eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fandoroana emboka manitra, izay eo anatrehan\u2019i Jehovah ao amin\u2019ny tranolay fihaonana. Ary ny ambin\u2019ny ran\u2019ilay omby dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "8": "\u201c\u2018Hesorin\u2019ilay mpisorona avy\u00a0eo ny taviny rehetra amin\u2019ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,",
        "9": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.",
        "10": "Mitovy amin\u2019izay esorina amin\u2019ny omby atao sorona iombonana ihany no hesorina. Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara fanaovana fanatitra dorana ireo, mba hidona-tsetroka.",
        "11": "\u201c\u2018Fa ny hoditr\u2019ilay omby kosa, sy ny henany rehetra, sy ny lohany, sy ny tongony, sy ny tsinainy, ary ny tainy\u2014",
        "12": "ny ambiny rehetra amin\u2019ilay omby\u2014dia hasainy entina any ivelan\u2019ny toby, eo amin\u2019ny toerana madio fanariana ny lavenona. Ary hodorany eo ambonin\u2019ny kitay izany. Eo amin\u2019izay anariana ny lavenona no handoroana azy.",
        "13": "\u201c\u2018Raha ny vahoakan\u2019Israely manontolo no meloka ho nanota tsy nahy, nefa tsy fantatry ny fiangonana hoe nanao zavatra nandraran\u2019i Jehovah izy ireo,",
        "14": "ary fantatra avy eo ilay fahotana, dia hanolotra vantotr\u2019ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana izany.",
        "15": "Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby, eo anatrehan\u2019i Jehovah, ny anti-panahy eo amin\u2019ny vahoaka. Ary hovonoina eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay omby.",
        "16": "\u201c\u2018Dia hakan\u2019ilay mpisorona voahosotra ny ran\u2019ilay omby, ka hoentiny ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "17": "Dia hatsobony ao anaty ra ny rantsantanany iray, ary hafafiny impito eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo anoloan\u2019ny ridao, ilay ra.",
        "18": "Ny ra sasany dia hahosotr\u2019ilay mpisorona eo amin\u2019ireo tandrok\u2019ilay alitara eo anatrehan\u2019i Jehovah, izany hoe ilay alitara ao amin\u2019ny tranolay fihaonana. Ary ny ra ambiny rehetra dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana, izay eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "19": "Hesoriny daholo ny tavin\u2019ilay omby, ka hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka.",
        "20": "Mitovy amin\u2019izay nataony tamin\u2019ny omby natao fanatitra noho ny ota ihany no hataony amin\u2019ilay omby. Izany no fomba hanaovany azy. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ny vahoaka ilay mpisorona, ka ho voavela ny helok\u2019izy ireo.",
        "21": "Hasainy entina eny ivelan\u2019ny toby ilay omby, ka hodorany toy ny nandoroany an\u2019ilay omby voalohany. Fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny fiangonana izany.",
        "22": "\u201c\u2018Raha mpiadidy no manota tsy nahy satria nanao ny iray amin\u2019ireo zavatra andraran\u2019i Jehovah Andriamaniny, ka meloka,",
        "23": "na koa lasa fantany fa nanota izy satria nisy didy nodikainy, dia hitondra osilahy kely tsy misy kilema izy ho fanatitra.",
        "24": "Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay zanak\u2019osy izy, ka hamono azy eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana, eo anatrehan\u2019i Jehovah. Fanatitra noho ny ota izany.",
        "25": "Hakan\u2019ny mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ran\u2019ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Dia hararany eo am-pototr\u2019io alitara io ny ambin\u2019ilay ra.",
        "26": "Ary hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny taviny rehetra amin\u2019ilay fanatitra, toy ny nataony tamin\u2019ny tavin\u2019ny sorona iombonana. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay mpiadidy ilay mpisorona, ka ho voavela ny helony.",
        "27": "\u201c\u2018Raha ny iray amin\u2019ny sarambabem-bahoaka no manota tsy nahy ary meloka satria nanao ny iray amin\u2019ireo zavatra andraran\u2019i Jehovah,",
        "28": "na koa lasa fantany hoe nanota izy, dia hitondra osivavy kely tsy misy kilema ho fanatitra izy, noho ilay ota nataony.",
        "29": "Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hamono azy eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.",
        "30": "Hakan\u2019ny mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ra, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin\u2019ilay ra.",
        "31": "Dia hesoriny daholo ny tavin\u2019ilay fanatitra, hoatran\u2019ny nanesorana ny tavin\u2019ny sorona iombonana. Hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.",
        "32": "\u201c\u2018Raha zanak\u2019ondry kosa no atolony ho fanatitra noho ny ota, dia tokony ho vavy tsy misy kilema izany.",
        "33": "Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatitra izy, ka hamono azy ho fanatitra noho ny ota, eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.",
        "34": "Hakan\u2019ny mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ran\u2019ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin\u2019ilay ra.",
        "35": "Dia hesoriny daholo ny tavin\u2019ilay fanatitra, sahala amin\u2019ny fanalana ny tavin\u2019ny vantotr\u2019ondrilahy atao sorona iombonana. Ary hodoran\u2019ny mpisorona ireo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, ka ho voavela ny helony."
    },
    "5": {
        "1": "\u201c\u2018Raha misy aminareo nahita olona nanao ratsy, na mahafantatra ny nataon\u2019ilay olona, na vavolombelon\u2019izany, ary naheno antso avo mba hijoro ho vavolombelona nefa tsy milaza an\u2019izay fantany, dia manota izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.",
        "2": "\u201c\u2018Na, raha misy olona mikasika zavatra maloto, toy ny fatina biby\u00a0maloto, na bibidia izany, na biby fiompy, na bibikely mifanaretsaka, dia maloto izy ka meloka na dia tsy fantany aza izany.",
        "3": "Na, raha misy mahakasika zavatra na olona maloto\u2014na inona na inona zavatra maloto mety hahatonga azy haloto\u2014nefa tsy fantany hoe nanao an\u2019izany izy, ary avy eo lasa fantany, dia meloka ihany izy.",
        "4": "\u201c\u2018Na, raha misy olona maimaika mianiana\u2014hanao zavatra tsara na ratsy, na inona izany na inona\u2014ary tsy tonga saina akory izy hoe maimaika nianiana, nefa lasa tsapany izany at\u1ef3 aoriana, dia meloka ihany izy.",
        "5": "\u201c\u2018Raha meloka ho nanao ny iray amin\u2019ireo zavatra ireo izy, dia tsy maintsy miaiky hoe inona ny fahotana nataony.",
        "6": "Hitondra fanatitra noho ny heloka ho an\u2019i Jehovah koa izy noho ny ota nataony, ka ondrivavy kely na osivavy kely no hoentiny ho fanatitra noho ny ota. Dia handrakotra ny fahotany ny mpisorona.",
        "7": "\u201c\u2018Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry na osy, dia domohina roa na zana-boromailala roa no hoentiny ho an\u2019i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ilay fahotany: Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.",
        "8": "Ary hoentiny any amin\u2019ny mpisorona ireo, ka ilay fanatitra noho ny ota aloha no hatolotr\u2019ilay mpisorona. Dia hotsongoiny ny eo anoloana amin\u2019ny tendan\u2019ilay vorona mba ho tataka, fa tsy hotapahiny.",
        "9": "Ary haka amin\u2019ny ran\u2019ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hafafiny eo amin\u2019ny sisin\u2019ny alitara, fa ny ambin\u2019ilay ra kosa havelany hitsika eo am-pototry ny alitara. Fanatitra noho ny ota izany.",
        "10": "Hatolony ho fanatitra dorana kosa ilay vorona anankiray, ka hataony araka ny efa fanao. Ary handrakotra ny fahotany ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.",
        "11": "\u201c\u2018Raha mbola tsy takatry ny volany ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho ny fahotana nataony. Tsy hampiany menaka ilay izy na hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny, satria fanatitra noho ny ota izany.",
        "12": "Ary hoentiny any amin\u2019ny mpisorona izany, ka hakan\u2019ny mpisorona eran\u2019ny tanan\u2019ila ho santionany amin\u2019ilay fanatitra, ary hodorany mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Fanatitra noho ny ota izany.",
        "13": "Handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, noho izy nanao ny iray amin\u2019ireo fahotana ireo, ka ho voavela ny helony. Ary ho an\u2019ny mpisorona ny ambin\u2019ilay fanatitra, toy ny amin\u2019ny fanatitra varimbazaha.\u2019\u201d",
        "14": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "15": "\u201cRaha misy olona mivadika ka manota tsy nahy amin\u2019ny zava-masin\u2019i Jehovah, dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema ho an\u2019i Jehovah izy, ho fanatitra noho ny heloka. Tokony ho sekely volafotsy, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, no hanombanana ny vidin\u2019ilay ondry.",
        "16": "Hanonitra an\u2019izay fahotana nataony tamin\u2019ny toerana masina ilay olona, ary mbola hanampy ampahadimin\u2019izay tokony homeny. Dia homeny an\u2019ilay mpisorona izany. Amin\u2019izay ilay mpisorona dia ho afaka handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona amin\u2019ny alalan\u2019ilay ondrilahy atao fanatitra noho ny heloka. Dia ho voavela ny helony.",
        "17": "\u201cRaha misy olona manota, ka manao ny iray amin\u2019ireo zavatra andraran\u2019i Jehovah, na dia tsy fantany aza izany, dia meloka ihany izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.",
        "18": "Hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin\u2019ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka. Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy ny vidin\u2019ilay ondry. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona noho ny fahadisoana tsy nahy nataony nefa tsy fantany. Dia ho voavela ny helony.",
        "19": "Fanatitra noho ny heloka izany. Tena meloka ho nanota tamin\u2019i Jehovah izy.\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cRaha misy olona manota ka mivadika amin\u2019i Jehovah, izany hoe mamitaka ny namany momba ny zavatra nampiandraiketina azy na napetraka tany aminy, na mangalatra na manambaka ny namany,",
        "3": "na mahita zavatra very ka mandainga momba izany, ary raha mianiana lainga izy rehefa avy nanao ny iray amin\u2019ireo fahotana ireo, dia izao no tokony hataony:",
        "4": "Raha nanota izy ka meloka, dia haveriny ilay zavatra nangalariny, na nalainy an-keriny, na nalainy tamin\u2019ny fanambakana, na nampiandraiketina azy, na ilay zavatra very ka hitany,",
        "5": "na izay zavatra nianianany lainga. Honerany manontolo izany, sady mbola hampiany ampahadimin\u2019ny vidiny. Homeny an\u2019ilay tompony izany amin\u2019ny andro ahitana fa meloka izy.",
        "6": "Ary hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin\u2019ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka ho an\u2019i Jehovah. Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy izany, ho fanatitra noho ny heloka.",
        "7": "Handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona eo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpisorona, dia ho voavela ny helony, na inona na inona mety ho nataony ka nahatonga azy ho meloka.\u201d",
        "8": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "9": "\u201cIzao didy izao no holazainao amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy: \u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra dorana: Hajanona eo amin\u2019ny fitoeran\u2019afo eo ambony alitara ilay fanatitra, mandritra ny alina mandra-paharainan\u2019ny andro. Ary tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara.",
        "10": "Ary ny mpisorona hanao akanjo fisoronana vita amin\u2019ny lamba rongony, sy kilaoty lava vita amin\u2019ny lamba rongony hanaronana ny fitanjahany. Dia hesoriny ny lavenona avy amin\u2019ny fanatitra dorana, izay nolevonin\u2019ny afo teo ambony alitara, ka hataony eo akaikin\u2019ny alitara.",
        "11": "Ary hesoriny ny akanjony ka hosoloany hafa. Dia hoentiny eny amin\u2019ny toerana madio, any ivelan\u2019ny toby, ny lavenona.",
        "12": "Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany. Hanampy kitay eo isa-maraina ny mpisorona, sady handahatra ny fanatitra dorana eo amboniny. Ary hodorany eo ambonin\u2019ilay afo ny tavin\u2019ny sorona iombonana mba hidona-tsetroka.",
        "13": "Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany.",
        "14": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra varimbazaha: Ianareo zanakalahin\u2019i Arona no hanolotra an\u2019ilay fanatitra eo anatrehan\u2019i Jehovah eo anoloan\u2019ny alitara.",
        "15": "Ny iray amin\u2019izy ireo dia haka lafarinina tsara toto eran\u2019ny tanan\u2019ila avy amin\u2019ny fanatitra varimbazaha, ary haka amin\u2019ilay menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra eo ambonin\u2019ilay fanatitra. Ary hodorany hidona-tsetroka eo ambony alitara ireo, ka hamoaka hanitra mahafinaritra mba ho santionany amin\u2019ilay fanatitra ho an\u2019i Jehovah.",
        "16": "Ary hohanin\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny ambin\u2019ilay fanatitra. Hanamboarany mofo tsy misy lalivay izany, ary hohaniny ao amin\u2019izay toerana masina. Eo an-tokotanin\u2019ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.",
        "17": "Hatao ao anaty lafaoro izany sady tsy tokony hasiana lalivay. Omeko azy ireo izany ho anjarany avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo aterina ho ahy. Zavatra masina indrindra izany, toy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka.",
        "18": "Ny lehilahy rehetra taranak\u2019i Arona no hihinana an\u2019izany. Ho anjarany mandrakizay, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby izany, avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Ho masina ny zava-drehetra mifampikasika amin\u2019ireny.\u2019\u201d",
        "19": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "20": "\u201cIzao no fanatitra hatolotr\u2019i Arona sy ny zanany lahy ho an\u2019i Jehovah amin\u2019ny andro anosorana an\u2019i Arona ho mpisorona: Lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha, ho fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ka ny antsasany amin\u2019ny maraina ary ny antsasany amin\u2019ny hariva.",
        "21": "Handrahoina ao anaty lasitra ilay izy rehefa avy nasiana menaka, ary afangaroy tsara amin\u2019ny menaka aloha vao hoentinao. Dia tapatapaho ilay mofo, izany hoe ilay fanatitra varimbazaha efa masaka, ka atolory mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "22": "Izay mpisorona zanakalahin\u2019i Arona ka voahosotra handimby azy no hanao an\u2019izany. Ary izao foana no fitsipika tokony harahinareo: Hodorana manontolo ilay fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019i Jehovah.",
        "23": "Tokony hodorana manontolo ny fanatitra varimbazaha rehetra ho an\u2019ny mpisorona, fa tsy tokony hohanina.\u201d",
        "24": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "25": "\u201cLazao amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy hoe: \u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra noho ny ota: Eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana no hovonoina eo anatrehan\u2019i Jehovah ny fanatitra noho ny ota. Zavatra masina indrindra izany.",
        "26": "Ilay mpisorona manolotra an\u2019ilay fanatitra noho ny ota no hihinana an\u2019ilay izy ao amin\u2019izay toerana masina, eo an-tokotanin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "27": "\u201c\u2018Ho masina ny zava-drehetra mifampikasika amin\u2019ny hena atao fanatitra. Ary raha misy akanjo ipitihan\u2019ny ran\u2019ilay fanatitra, dia hosasanao ao amin\u2019izay toerana masina ilay akanjo.",
        "28": "Hopotipotehina ny vilany tany nandrahoana an\u2019ilay hena. Raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hokikisana ilay izy ary hosasana amin\u2019ny rano.",
        "29": "\u201c\u2018Ny lehilahy mpisorona rehetra no hihinana an\u2019ilay fanatitra. Zavatra masina indrindra izany.",
        "30": "Tsy tokony hohanina anefa ny fanatitra noho ny ota, raha nakana ra hoentina ao amin\u2019ny tranolay fihaonana mba handrakofam-pahotana ao amin\u2019ny toerana masina. Hodorana kosa ilay fanatitra."
    },
    "7": {
        "1": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra noho ny heloka: Zavatra masina indrindra izany.",
        "2": "Hovonoina eo amin\u2019ny toerana famonoana an\u2019ireo fanatitra dorana ny fanatitra noho ny heloka, ary hafafy eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.",
        "3": "Hatolotr\u2019ilay olona ny taviny rehetra amin\u2019ilay fanatitra, dia ny rambony matavy, sy ny taviny manarona ny tsinainy,",
        "4": "ary ny voa roa sy ny taviny eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.",
        "5": "Dia hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara ireo mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Fanatitra noho ny heloka izany.",
        "6": "Ny lehilahy mpisorona rehetra no hihinana an\u2019izany, ka ao amin\u2019izay toerana masina no hihinanany azy. Zavatra masina indrindra izany.",
        "7": "Mitovy ihany ny lal\u00e0na momba ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka: Ho an\u2019ilay mpisorona manao an\u2019ilay fanatitra mba handrakofana fahotana ny henan\u2019ilay izy.",
        "8": "\u201c\u2018Rehefa manolotra fanatitra dorana aterin\u2019olona ny mpisorona, dia ho lasany ny hoditr\u2019izany fanatitra izany.",
        "9": "\u201c\u2018Ny fanatitra varimbazaha rehetra izay nandrahoina tao anaty lafaoro, na nendasina tao anaty lapoaly, na nandrahoina tao anaty lasitra, dia an\u2019ilay mpisorona manolotra azy. Ho lasany izany.",
        "10": "Fa ny fanatitra varimbazaha rehetra nafangaro menaka na ny maina kosa, dia ho an\u2019ny zanakalahin\u2019i Arona rehetra. Hitovy ny anjaran\u2019ny tsirairay.",
        "11": "\u201c\u2018Izao kosa no lal\u00e0na momba ny sorona iombonana azon\u2019ny olona atolotra ho an\u2019i Jehovah:",
        "12": "Raha ho fisaorana no anolorana azy, dia ireto avy no hampiarahina amin\u2019ilay sorona: Mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, sy mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary mofo boribory natao tamin\u2019ny lafarinina tsara toto efa vonto menaka sady nafangaro menaka.",
        "13": "Hatolotra miaraka amin\u2019ny mofo boribory misy lalivay ilay fanatitra, ary hatolotra miaraka amin\u2019ny sorona iombonana atao sorona fisaorana.",
        "14": "Hakana iray\u00a0avy ireo karazana mofo ireo, ka hatolotra ho anjara masina ho an\u2019i Jehovah. Dia ho an\u2019ilay mpisorona mamafy ny ran\u2019ny sorona iombonana izany.",
        "15": "Hohanina amin\u2019ny andro anolorana azy ny henan\u2019ny sorona iombonana atao sorona fisaorana, fa tsy tokony hisy hotehirizina mandra-paharainan\u2019ny andro.",
        "16": "\u201c\u2018Raha fanatitra fanefana voady na fanatitra an-tsitrapo ny sorona atolotra, dia amin\u2019ny andro anolorana an\u2019ilay sorona no ihinanana azy. Azo hanina ny ampitso koa ny ambiny.",
        "17": "Izay henan\u2019ilay sorona tavela amin\u2019ny andro fahatelo kosa dia hodorana.",
        "18": "Raha misy amin\u2019ny henan\u2019ilay sorona iombonana anefa hohanina amin\u2019ny andro fahatelo, dia tsy hahazo sitraka ilay nanolotra an\u2019izany. Hatao toy ny hoe tsy nataony ilay fanatitra. Maharikoriko izany, ary hizaka ny vokatry ny fahadisoany izay mihinana amin\u2019izany.",
        "19": "Tsy tokony hohanina izay hena mikasika zavatra maloto, fa hodorana. Izay hena madio kosa azon\u2019izay olona madio hanina.",
        "20": "\u201c\u2018Izay olona maloto nefa mihinana ny henan\u2019ny sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.",
        "21": "Raha misy olona mikasika zavatra maloto, na fahalotoan\u2019olona izany na biby maloto na zava-maharikoriko sady maloto, nefa mihinana amin\u2019ny henan\u2019ny sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.\u2019\u201d",
        "22": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "23": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Aza mihinana tavin-ken\u2019omby, na tavin-kenan\u2019ny vantotr\u2019ondrilahy, na tavin-kenan\u2019osy.",
        "24": "Azo ampiasaina amin-javatra hafa ny tavin\u2019ny biby maty ho\u00a0azy na novonoin\u2019ny biby hafa, fa tsy azo hanina mihitsy.",
        "25": "Fa izay mihinana amin\u2019ny tavin\u2019ny biby atolony ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.",
        "26": "\u201c\u2018Aza mihinana ra, na ram-borona izany na ram-biby hafa, any amin\u2019ny toerana rehetra ipetrahanareo.",
        "27": "Izay mihinana ra, na ran\u2019inona izany na ran\u2019inona, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.\u2019\u201d",
        "28": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "29": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Izay manolotra sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah dia haka ampahany amin\u2019izany mba hateriny ho an\u2019i Jehovah.",
        "30": "Ary hoentiny eny an-tanany ny tavin-kena sy ny tratran\u2019ilay biby mba ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Dia hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo.",
        "31": "Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara ny tavin-kena mba hidona-tsetroka, fa ny tratrany kosa ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy.",
        "32": "\u201c\u2018Homenareo ho anjara masina ho an\u2019ny mpisorona ny fe ankavanan\u2019ny sorona iombonana hatolotrareo.",
        "33": "Ho anjaran\u2019ilay zanakalahin\u2019i Arona manolotra ny ran\u2019ny sorona iombonana sy ny tavin-kena ilay fe ankavanana.",
        "34": "Fa alaiko avy amin\u2019ny sorona iombonana aterin\u2019ny Israelita ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe izay atao anjara masina, ka homeko an\u2019i Arona mpisorona sy ny zanany lahy. Fitsipika tokony harahin\u2019ny Israelita foana izany.",
        "35": "\u201c\u2018Izany no ampahany avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izay natokana ho an\u2019ny mpisorona, dia i Arona sy ny zanany lahy, tamin\u2019ilay andro nanaovana azy ireo ho mpisorona teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "36": "Nanome didy i Jehovah hoe tokony homen\u2019ny Israelita azy ireo izany anjara izany, amin\u2019ny andro anosorany azy\u00a0ireo ho mpisorona. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahin\u2019izy ireo sy ny taranany.\u2019\u201d",
        "37": "Izany no lal\u00e0na momba ny fanatitra dorana, ny fanatitra varimbazaha, ny fanatitra noho ny ota, ny fanatitra noho ny heloka, ny sorona atao rehefa hanendry mpisorona, ary ny sorona iombonana,",
        "38": "araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, tamin\u2019ny andro nandidiany ny Israelita mba hanolotra fanatitra ho an\u2019i Jehovah tany an-tany efitr\u2019i Sinay."
    },
    "8": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cEnto i Arona sy ny zanany lahy, ny akanjo, ny menaka masina fanosorana, ny omby atao fanatitra noho ny ota, ny ondrilahy roa, ary ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay.",
        "3": "Ary vorio eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny vahoaka manontolo.\u201d",
        "4": "Dia nataon\u2019i Mosesy izay nandidian\u2019i Jehovah azy, ka nivory teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny vahoaka.",
        "5": "Ary hoy i Mosesy tamin\u2019izy ireo: \u201cIzao no asain\u2019i Jehovah ataontsika.\u201d",
        "6": "Koa nasain\u2019i Mosesy nanatona i Arona sy ny zanany lahy, dia nosasany tamin\u2019ny rano.",
        "7": "Ary nampanaoviny an\u2019i Arona ny akanjo lava, sy ny fehikibo lamba, sy ny akanjo ivelany tsy misy tanany, ary ny efoda. Dia nofatorany ny fehikibo vita tenona, izany hoe ny fehikibon\u2019ilay efoda, mba hipetraka tsara ilay efoda.",
        "8": "Nampanaoviny azy avy eo ny saron-tratra, ary nataony tao amin\u2019ilay saron-tratra ny Orima sy ny Tomima.",
        "9": "Dia napetrany teo amin\u2019ny lohan\u2019i Arona ny satroka lamba, ary nataony teo anoloana tamin\u2019ilay satroka ny takela-bolamena mamirapiratra, izany hoe ilay famantarana masina hoe voatokana izy, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "10": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny menaka masina fanosorana, ary nohosorany ny tranolay masina sy ny zava-drehetra tao, ka nohamasininy.",
        "11": "Dia naka tamin\u2019ilay menaka izy, ka nafafiny impito teo ambony alitara. Ary nohosorany ny alitara sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony, mba hanamasinana an\u2019ireo.",
        "12": "Farany, dia nandrarahany tamin\u2019ilay menaka masina fanosorana ny lohan\u2019i Arona, ka nohosorany izy mba hanamasinana azy.",
        "13": "Dia nasain\u2019i Mosesy nanatona ireo zanakalahin\u2019i Arona ka nampanaoviny akanjo lava sy fehikibo lamba. Ary nataony teo amin\u2019ny lohan\u2019izy ireo ny fehiloha, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "14": "Dia nentin\u2019i Mosesy ny omby atao fanatitra noho ny ota. Ary nametraka ny tanany teo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby i Arona sy ny zanany lahy.",
        "15": "Dia novonoin\u2019i Mosesy ilay omby, ary nakany tamin\u2019ny rantsantanany iray ny ra, ka nahosony teo amin\u2019ireo tandroky ny alitara teo amin\u2019ny zorony efatra. Ary nodioviny ho afaka tamin\u2019ny ota ny alitara. Fa ny ambin\u2019ilay ra kosa nararany teo am-pototry ny alitara mba hanamasinany azy. Amin\u2019izay dia azo anaovana sorona ho fandrakofam-pahotana eo amboniny.",
        "16": "Avy eo dia nalain\u2019i Mosesy daholo ny taviny teo amin\u2019ny tsinain\u2019ilay omby sy ny jabora teo amin\u2019ny atiny ary ny voa roa sy ny tavin\u2019ireo, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.",
        "17": "Dia nasainy nodorana tany ivelan\u2019ny toby ny ambin\u2019ilay omby, anisan\u2019izany ny hodiny sy ny henany ary ny tainy, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "18": "Ary nampanatoniny ny ondrilahy atao fanatitra dorana. Dia nametraka ny tanany teo amin\u2019ny lohan\u2019ilay ondrilahy i Arona sy ny zanany lahy.",
        "19": "Novonoin\u2019i Mosesy avy\u00a0eo ilay ondry, ary nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra tamin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.",
        "20": "Notetitetehiny ilay ondrilahy, ka nodorany mba hidona-tsetroka ny lohany sy ny vatany efa voatetitetika ary ny jaborany.",
        "21": "Ary nosasany tamin\u2019ny rano ny tsinain\u2019ilay ondry sy ny ranjony. Dia nodoran\u2019i Mosesy teo ambony alitara ilay ondrilahy manontolo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany mba hamoaka hanitra mahafinaritra. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "22": "Dia nampanatoniny ilay ondrilahy faharoa, izay atao sorona mba hanendrena mpisorona. Ary nametraka ny tanany teo amin\u2019ny lohan\u2019ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.",
        "23": "Novonoin\u2019i Mosesy ilay ondry ary nakany ny rany, dia nataony teo amin\u2019ny ravintsofin\u2019i Arona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.",
        "24": "Avy eo dia nasain\u2019i Mosesy nanatona ireo zanakalahin\u2019i Arona, ary nasiany ra ny ravintsofin\u2019izy ireo ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. Ny ambin\u2019ilay ra kosa nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra tamin\u2019ilay alitara.",
        "25": "Dia nalainy ny tavin\u2019ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy, ny taviny rehetra teo amin\u2019ny tsinainy, ny jabora teo amin\u2019ny atiny, ny voa roa sy ny tavin\u2019ireo, ary ny feny ankavanana.",
        "26": "Ary naka mofo tao amin\u2019ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay teo anatrehan\u2019i Jehovah izy, dia mofo boribory iray tsy misy lalivay, sy mofo boribory iray misy menaka, ary mofo fisaka iray. Dia napetrany teo ambonin\u2019ny tavin\u2019ilay ondry sy ilay feny ankavanana ireo.",
        "27": "Avy eo dia napetrany teo amin\u2019ny felatanan\u2019i Arona sy ny zanany lahy ireo rehetra ireo, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "28": "Dia nalain\u2019i Mosesy teny an-tanan\u2019izy ireo izany ka nodorany teo ambony alitara, teo ambonin\u2019ny fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka. Sorona atao mba hanendrena mpisorona izany, ho hanitra mahafinaritra. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "29": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny tratran\u2019ilay ondry, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah. Anjaran\u2019i Mosesy avy tamin\u2019ilay ondrilahy natao sorona mba hanendrena mpisorona izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "30": "Ary nakan\u2019i Mosesy ny menaka masina fanosorana sy ny ra teo ambony alitara, ka nafafiny tamin\u2019i Arona sy ny akanjony, sy tamin\u2019ny zanany lahy sy ny akanjon\u2019izy ireo. Toy izany no nanamasinany an\u2019i Arona sy ny akanjony, ary ny zanany lahy sy ny akanjon\u2019izy ireo.",
        "31": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanany lahy: \u201cAndrahoy eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny hena, ary eo ianareo no hihinana azy, miaraka amin\u2019ny mofo avy ao anatin\u2019ilay harona fampiasa rehefa manendry mpisorona. Izao mantsy ny didy nomena ahy: \u2018I Arona sy ny zanany lahy no hihinana an\u2019izany.\u2019",
        "32": "Hodoranareo ny ambin\u2019ny hena sy ny mofo.",
        "33": "Ary aza miala eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana mandritra ny fito andro, mandra-pahatapitry ny andro anendrena anareo ho mpisorona. Haharitra fito andro mantsy ny fanendrena anareo ho mpisorona.",
        "34": "Nampanao an\u2019iny nataontsika androany iny i Jehovah, mba handrakofana ny fahotanareo.",
        "35": "Hijanona fito andro eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ianareo, na andro na alina. Ary ataovy izay takin\u2019i Jehovah aminareo mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy nomena ahy.\u201d",
        "36": "Dia nataon\u2019i Arona sy ny zanany lahy izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy."
    },
    "9": {
        "1": "Niantso an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ary ny anti-panahin\u2019ny Israely i Mosesy, tamin\u2019ny andro fahavalo.",
        "2": "Hoy izy tamin\u2019i Arona: \u201cMak\u00e0 zanak\u2019omby ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atolory eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "3": "Fa ilazao kosa ny Israelita hoe: \u2018Mak\u00e0 osilahy ho fanatitra noho ny ota, ary zanak\u2019omby sy ondrilahy kely, izay herintaona avy sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana,",
        "4": "ary omby sy ondrilahy ho sorona iombonana, mba hatao sorona eo anatrehan\u2019i Jehovah. Ary mak\u00e0 koa fanatitra varimbazaha nafangaro menaka. Anio mantsy i Jehovah no hiseho aminareo.\u2019\u201d",
        "5": "Nentin\u2019izy ireo teo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana \u00e0ry ny zavatra nandidian\u2019i Mosesy. Dia nanatona ny vahoaka manontolo, ka nijoro teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "6": "Ary hoy i Mosesy: \u201cIzany no nasain\u2019i Jehovah nataonareo, mba hisehoan\u2019ny voninahitr\u2019i Jehovah aminareo.\u201d",
        "7": "Dia hoy izy tamin\u2019i Arona: \u201cManat\u00f2na eo amin\u2019ny alitara, ary atolory ny fanatitrao, dia ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana, ka manaova fandrakofam-pahotana ho anao sy ho an\u2019ny ankohonanao. Atolory koa ny fanatitry ny vahoaka ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah.\u201d",
        "8": "Nanatona teo amin\u2019ny alitara avy hatrany i Arona, ka namono ny zanak\u2019omby atao fanatitra noho ny ota, izay natolotra ho an\u2019ny tenany.",
        "9": "Natolotr\u2019ireo zanany lahy azy avy\u00a0eo ny ra, dia natsobok\u2019i Arona tao ny rantsantanany iray, ka nahosony teo amin\u2019ireo tandroky ny alitara ny ra. Ary nararany teo am-pototry ny alitara ny ambin\u2019ilay ra.",
        "10": "Nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny tavin-kena sy ny voa ary ny jabora teo amin\u2019ny atiny, izay samy avy tamin\u2019ilay fanatitra noho ny ota, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "11": "Ary nodorany tany ivelan\u2019ny toby ny henany sy ny hodiny.",
        "12": "Dia novonoin\u2019i Arona ny fanatitra dorana. Ary nomen\u2019ireo zanany lahy azy ny ra, ka nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara.",
        "13": "Nomen\u2019izy ireo azy koa ny fanatitra dorana efa voatetitetika sy ny lohany, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.",
        "14": "Ary nosasany ny tsinain\u2019ilay fanatitra sy ny tongony ka nodorany teo ambonin\u2019ilay fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka teo ambony alitara.",
        "15": "Dia natolony ny fanatitry ny vahoaka. Nalainy ny osy atao fanatitra noho ny ota, izay atolotra ho an\u2019ny vahoaka, dia novonoiny ka nataony fanatitra noho ny ota, hoatran\u2019ilay voalohany.",
        "16": "Natolony koa ny fanatitra dorana, ka nataony araka ny efa fanao.",
        "17": "Avy eo, dia natolony ny fanatitra varimbazaha. Nakany eran\u2019ny tanan\u2019ila ilay izy, dia nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka, ho fanampin\u2019ilay fanatitra dorana amin\u2019ny maraina.",
        "18": "Taorian\u2019izay, dia novonoiny ny omby sy ilay ondrilahy atao sorona iombonana, izay atolotra ho an\u2019ny vahoaka. Ary nomen\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona azy ny ra, ka nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara.",
        "19": "Fa ny tavin\u2019ilay omby kosa, sy ny rambo matavin\u2019ilay ondrilahy, sy ny taviny manarona ny tsinainy, sy ny voa, ary ny jabora eo amin\u2019ny atiny,",
        "20": "dia nataon\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona teo ambonin\u2019ny tratran-kena. Dia nodoran\u2019i Arona mba hidona-tsetroka teo ambony alitara ireo taviny rehetra ireo.",
        "21": "Fa ny tratran-kena sy ny feny ankavanana kosa nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah, araka ny didy nomen\u2019i Mosesy.",
        "22": "Dia nanandratra ny tanany tandrifin\u2019ny vahoaka i Arona ka nitso-drano azy. Dia nidina izy, rehefa avy nanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny sorona iombonana.",
        "23": "Ary niditra tao amin\u2019ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona. Avy eo dia nivoaka izy roa lahy, ka nitso-drano ny vahoaka. Dia niseho tamin\u2019ny vahoaka manontolo ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "24": "Ary nisy afo avy amin\u2019i Jehovah, ka nandoro tanteraka an\u2019ilay fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara. Rehefa nahita an\u2019izany ny vahoaka manontolo, dia nanomboka nihorakoraka ary niankohoka tamin\u2019ny tany."
    },
    "10": {
        "1": "Taorian\u2019izay, dia samy naka ny fitondrany afo i Nadaba sy Abiho zanakalahin\u2019i Arona, ka nanisy afo tao anatiny sy emboka manitra teo ambonin\u2019ilay afo. Dia nanolotra afo teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo, nefa afo tsy nahazoana alalana ilay izy sady tsy nasaina nataony.",
        "2": "Koa nisy afo avy amin\u2019i Jehovah nandoro azy roa lahy, dia maty teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "3": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hohamasinina aho eo amin\u2019ireo olona akaiky ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan\u2019ny olona rehetra.\u2019\u201d Ary tsy niteny mihitsy i Arona.",
        "4": "Nantsoin\u2019i Mosesy \u00e0ry i Misaela sy Elizafana, zanak\u2019i Oziela dadafaran\u2019i Arona, dia noteneniny hoe: \u201cAvia, batao hiala eo anoloan\u2019ny toerana masina ny rahalahinareo, ary ento any ivelan\u2019ny toby.\u201d",
        "5": "Koa nanatona izy ireo ka nibata azy roa lahy nankany ivelan\u2019ny toby, araka izay nolazain\u2019i Mosesy. Mbola teny amin\u2019izy roa lahy ny akanjo lavany.",
        "6": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanakalahin\u2019i Arona, izany hoe i Eleazara sy Itamara: \u201cAza avela hisavoritaka ny volonareo ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoaka manontolo Andriamanitra. Ny rahalahinareo, dia ny taranak\u2019Israely manontolo, no hitomany an\u2019ireo novonoin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny afo.",
        "7": "Aza miala eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ianareo sao maty. Efa nasiana menaka masina fanosorana avy amin\u2019i Jehovah mantsy ianareo.\u201d Koa nataon\u2019izy ireo izay nolazain\u2019i Mosesy.",
        "8": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Arona:",
        "9": "\u201cAza misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo.",
        "10": "Amin\u2019izay dia ho hainareo ny hanavaka ny zavatra masina sy ny tsy masina ary ny maloto sy ny madio,",
        "11": "ary ho hainareo ny hampianatra an\u2019ireo Israelita ny fitsipika rehetra nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019izy ireo tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.\u201d",
        "12": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanakalahin\u2019i Arona sisa tavela, izany hoe i Eleazara sy Itamara: \u201cAlaivo ny ambin\u2019ilay fanatitra varimbazaha, avy amin\u2019ny fanatitra natao tao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, dia anamboary mofo tsy misy lalivay. Ary hano eo akaikin\u2019ny alitara izany, satria zavatra masina indrindra.",
        "13": "Hohaninareo ao amin\u2019izay toerana masina izany, satria anjaranao sy ny zanakao lahy avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, fa izany no didy nomena ahy.",
        "14": "Hohaninareo ao amin\u2019ny toerana madio koa ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe atao anjara masina. Ianao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy no hihinana an\u2019izany. Izany mantsy no anjara nomena anao sy ny zanakao avy amin\u2019ny sorona iombonana aterin\u2019ny Israelita.",
        "15": "Ary hoentin\u2019izy ireo ny fe izay anjara masina, sy ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika, ary ny taviny amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo, mba hahetsiketsika ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah. Ary ho anjaranao sy ny zanakao foana izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah.\u201d",
        "16": "Ary nipenimpenina nitady an\u2019ilay osy natao fanatitra noho ny ota i Mosesy, ka hitany fa efa nodorana ilay izy. Koa tezitra tamin\u2019i Eleazara sy Itamara zanakalahin\u2019i Arona sisa tavela izy, ka niteny hoe:",
        "17": "\u201cFa maninona no tsy nohaninareo tao amin\u2019ny toerana masina ilay fanatitra noho ny ota? Zavatra masina indrindra ange iny\u00a0e, ary nomena anareo mba hitondranareo ny fahadisoan\u2019ny vahoaka sy handrakofana ny fahotany eo anatrehan\u2019i Jehovah!",
        "18": "Sady tsy nentina tao amin\u2019ny toerana masina ny rany. Tena tokony ho nohaninareo tao amin\u2019ny toerana masina mihitsy iny fanatitra iny, araka ny didy nomena ahy.\u201d",
        "19": "Dia namaly an\u2019i Mosesy i Arona hoe: \u201cNitondra ny fanatiny teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo androany, dia nanolotra fanatitra noho ny ota sy fanatitra dorana. Izao anefa no manjo ahy. Koa raha nihinana ny fanatitra noho ny ota aho androany, dia ho nahafaly an\u2019i Jehovah ve izany?\u201d",
        "20": "Ary nahafa-po an\u2019i Mosesy izany teniny izany."
    },
    "11": {
        "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Ireto ny zavamananaina eny ambonin\u2019ny tany azonareo hanina:",
        "3": "Ny biby rehetra mandinika sady mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony no azonareo hanina.",
        "4": "\u201c\u2018Tsy azonareo hanina anefa ireto biby mandinika na mivaky kitro ireto: Ny rameva satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.",
        "5": "Toy izany koa ny bitrom-bato, satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.",
        "6": "Toy izany koa ny bitrodia, satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.",
        "7": "Toy izany koa ny kisoa, satria mivaky kitro izy sady misaraka tsara ny kitrony, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo izy.",
        "8": "Aza mihinana amin\u2019ny henan\u2019ireny na mikasika ny fatiny. Maloto aminareo ireny.",
        "9": "\u201c\u2018Ireto avy no azonareo hanina, amin\u2019izay rehetra any anaty rano: Izay any anaty rano ka misy vombony sy kirany, na any an-dranomasina izany na any amin\u2019ny renirano, dia azonareo hanina.",
        "10": "Fa amin\u2019ny biby rehetra mifanaretsaka any anaty rano sy amin\u2019ny zavamananaina rehetra any kosa, dia zava-maharikoriko aminareo ny biby tsy misy vombony na kirany, na any an-dranomasina izany na any amin\u2019ny renirano.",
        "11": "Tokony ho zava-maharikoriko aminareo ireny. Tsy mahazo mihinana amin\u2019ny nofony ianareo, ary haharikoriko anareo ny fatiny.",
        "12": "Zava-maharikoriko aminareo izay rehetra any anaty rano ka tsy misy vombony na kirany.",
        "13": "\u201c\u2018Ireto avy ny biby manidina tokony haharikoriko anareo, ka tsy tokony hohaninareo satria zava-maharikoriko: Ny voromahery, ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,",
        "14": "ny papango mena, ny karazana papango mainty rehetra,",
        "15": "ny karazana goaika rehetra,",
        "16": "ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra,",
        "17": "ny vorondolo kely, ny sakaizamboay, ny vorondolo lava sofina,",
        "18": "ny gisa mpanidina, ny gisandrano, ny vaotoro,",
        "19": "ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy.",
        "20": "Zava-maharikoriko aminareo koa ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra\u00a0efatra.",
        "21": "\u201c\u2018Ireto ihany no azonareo hanina amin\u2019ny bibikely manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra\u00a0efatra: Ireo manana fe itsambikinana eo amin\u2019ny tany.",
        "22": "Amin\u2019ireny dia ireto no azonareo hanina: Ny karazana valala rehetra mpifindra monina, ny valala mpitsambikina, ny valala hafa fihinana, ary ny angelinkary.",
        "23": "Zava-maharikoriko aminareo ny bibikely hafa rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary manan-tongotra efatra.",
        "24": "Hahatonga anareo haloto ireny. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay mikasika ny fatin\u2019ireny.",
        "25": "Tokony hanasa ny akanjony izay mitondra ny fatin\u2019ireny. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "26": "\u201c\u2018Maloto aminareo izay biby tsy mandinika sady mivaky kitro nefa tsy misaraka tsara ny kitrony. Haloto izay mikasika azy.",
        "27": "Izay biby rehetra mandeha amin\u2019ny faladiany, ka anisan\u2019ny zavamananaina mandeha tongotra\u00a0efatra, dia maloto aminareo. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay mikasika ny fatin\u2019ireny.",
        "28": "Tokony hanasa ny akanjony izay mitondra ny fatin\u2019ireny, ary haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy. Maloto aminareo ireny.",
        "29": "\u201c\u2018Ireto avy ny biby mifanaretsaka ambonin\u2019ny tany izay maloto aminareo: Ny voalavo mpihady tany, ny totozy, ny karazana androngo rehetra,",
        "30": "ny katsatsaka, ny androngobe, ny androngon-drano, ny androngom-pasika, ary ny tanalahy.",
        "31": "Maloto aminareo ireo biby mifanaretsaka ireo. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay mikasika ny fatin\u2019ireny.",
        "32": "\u201c\u2018Haloto izay zavatra ilatsahan\u2019ny fatin\u2019ireny, na fitaovana vita amin\u2019ny hazo izany, na akanjo, na hoditra, na lamba gony. Tokony hatsoboka ao anaty rano izay zavatra nilatsahan\u2019ireny, ka haloto mandra-paharivan\u2019ny andro. Hadio ilay izy avy eo.",
        "33": "Raha siny tanimanga no ilatsahan\u2019ny fatin\u2019ireny, dia hopotehinareo ilay izy ary haloto izay ao anatiny.",
        "34": "Haloto izay sakafo ilatsahan\u2019ny rano avy ao amin\u2019ilay siny, ary haloto izay zava-pisotro ao anatin\u2019ilay siny.",
        "35": "Haloto izay zavatra ilatsahan\u2019ny fatin\u2019ireny, na lafaoro izany na fatana kely, ka tokony hopotehina. Maloto izany, ka haloto aminareo foana.",
        "36": "Ny loharano sy ny lavaka fanangonan-drano ilatsahan\u2019ny fatin\u2019ireny ihany no hadio foana, fa haloto kosa izay olona mikasika an\u2019ilay fatim-biby.",
        "37": "Raha latsaka eo amin\u2019ny masomboly ny fatin\u2019ireny biby ireny, dia mbola madio ihany ilay voa.",
        "38": "Fa raha nolemana kosa ny masomboly ary nisy ampahany tamin\u2019ny fatin\u2019ireny biby ireny nilatsaka teo amin\u2019ilay izy, dia maloto aminareo ilay voa.",
        "39": "\u201c\u2018Raha misy maty ny biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay mikasika ny fatiny.",
        "40": "Tokony hanasa ny akanjony izay mihinana amin\u2019ny fatin\u2019ilay biby, ary haloto mandra-paharivan\u2019ny andro. Tokony hanasa ny akanjony koa izay mitondra ny fatin\u2019ilay biby, ary haloto mandra-paharivan\u2019ny andro.",
        "41": "Zava-maharikoriko ny biby rehetra mifanaretsaka ambonin\u2019ny tany, ka tsy azo hanina.",
        "42": "Tsy azonareo hanina izay biby mikisaka amin\u2019ny kibony, sy izay mandeha tongotra\u00a0efatra, na izay biby mifanaretsaka ambonin\u2019ny tany manana tongotra be dia be, satria zava-maharikoriko ireny.",
        "43": "Aza avela hahatonga anareo haharikoriko eo anatrehako ireny biby mifanaretsaka ireny. Ary aza mandoto tena amin\u2019ireny, ka ho lasa maloto.",
        "44": "Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Hamasino ny tenanareo ary aoka ho masina ianareo, satria masina aho. Koa aza mandoto tena amin\u2019ny biby mifanaretsaka, izay mandehandeha eny ambonin\u2019ny tany.",
        "45": "Fa izaho no Jehovah, izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho. Tsy maintsy masina \u00e0ry ianareo, satria masina aho.",
        "46": "\u201c\u2018Izany no lal\u00e0na momba ny biby an-tanety, ny biby manidina, ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika any anaty rano, ary ny biby rehetra mifanaretsaka eny ambonin\u2019ny tany,",
        "47": "mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny zavamananaina azo hanina sy tsy azo hanina.\u2019\u201d"
    },
    "12": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy vehivavy bevohoka ka tera-dahy, dia haloto fito andro izy, hoatran\u2019ilay hoe maloto mandritra ny andro maromaro izy rehefa tonga fotoana.",
        "3": "Hoforana ilay zaza amin\u2019ny andro fahavalo.",
        "4": "Mbola hanadio ny tenany mandritra ny 33\u00a0andro fanampiny ilay vehivavy aorian\u2019izay, noho izy nandeha ra. Tsy hikasika zava-masina izy, na hiditra ao amin\u2019ny toerana masina mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.",
        "5": "\u201c\u2018Fa raha teraka vavikely kosa izy, dia haloto 14\u00a0andro, toy ny rehefa tonga fotoana. Ary mbola hanadio ny tenany mandritra ny 66\u00a0andro fanampiny izy aorian\u2019izay, noho izy nandeha ra.",
        "6": "Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho izy niteraka zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy ho fanatitra dorana, ary zana-boromailala iray na domohina iray ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny any amin\u2019ny mpisorona, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ireo.",
        "7": "Hanolotra an\u2019izany eo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan\u2019ilay vehivavy. Dia hadio ilay vehivavy nandeha ra. Izany no lal\u00e0na momba ny vehivavy teraka lahy na vavy.",
        "8": "Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy: Ny iray ho fanatitra dorana, ary ny iray ho fanatitra noho ny ota. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay vehivavy ny mpisorona, ka hadio izy.\u2019\u201d"
    },
    "13": {
        "1": "Niteny tamin\u2019i Mosesy sy Arona koa i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRaha misy mivonto na misy tako-pery na misy tasy ny hoditry ny olona iray, ka mety ho lasa habokana eo amin\u2019ny hodiny izany, dia tsy maintsy entina any amin\u2019i Arona mpisorona izy, na any amin\u2019ny iray amin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona.",
        "3": "Hozahan\u2019ny mpisorona ilay aretin-koditra. Raha lasa fotsy ny volo eo amin\u2019ilay izy, sady hoatran\u2019ny hoe mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy, dia habokana izany. Hozahan\u2019ny mpisorona izany, ka hambarany hoe maloto ilay olona.",
        "4": "Fa raha fotsy kosa ny tasy eo amin\u2019ny hoditr\u2019ilay olona, ary hoatran\u2019ny hoe tsy mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy sady tsy lasa fotsy ny volo eo aminy, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.",
        "5": "Hozahan\u2019ny mpisorona izy amin\u2019ny andro fahafito. Hojereny ny hoditr\u2019ilay olona, ka raha hitany fa tsy mihombo ilay aretina sady tsy mitatra, dia hatokany toerana fito andro indray izy.",
        "6": "\u201cHizaha azy indray ny mpisorona amin\u2019ny andro fahafito. Hojereny ny hoditr\u2019ilay olona, ka raha mihavasoka ilay faritra voa ary tsy mitatra ilay izy, dia hambarany hoe madio ilay olona. Aretin-koditra manako-pery fotsiny ilay izy. Hanasa ny akanjony ilay olona avy\u00a0eo, ka hadio.",
        "7": "Fa raha tena mitatra eo amin\u2019ny hoditra kosa ilay manako-pery, taorian\u2019ny nisehoan\u2019ilay olona teo anatrehan\u2019ny mpisorona mba hanekena azy ho madio, dia hiseho eo anatrehan\u2019ilay mpisorona indray izy.",
        "8": "Hozahan\u2019ny mpisorona ilay aretin-koditra manako-pery, ka raha hitany hoe mitatra, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany.",
        "9": "\u201cRaha misy habokana ny olona iray, dia tsy maintsy entina any amin\u2019ny mpisorona izy,",
        "10": "ka hozahan\u2019ny mpisorona. Raha misy fotsifotsy mivonto eo amin\u2019ny hodiny sady lasa fotsy ny volo eo amin\u2019ilay izy, ary misy fery eo amin\u2019ilay mivonto,",
        "11": "dia habokana efa ela teo amin\u2019ny hodiny izany. Hambaran\u2019ny mpisorona hoe maloto \u00e0ry ilay olona. Tsy hatokany toerana izy, satria efa maloto.",
        "12": "Raha mipoipoitra eny amin\u2019ny hoditra manontolo ilay habokana, ka hitan\u2019ny mpisorona hoe rakotry ny habokana ilay olona, na aiza na aiza jereny, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany,",
        "13": "ary zahan\u2019ny mpisorona ilay marary ka hitany fa rakotry ny habokana ny hodiny, dia hambarany hoe madio izy. Efa lasa fotsy daholo ilay izy, ka madio ilay marary.",
        "14": "Fa haloto kosa izy raha lasa misy fery eo amin\u2019ilay faritra voa.",
        "15": "Rehefa hitan\u2019ny mpisorona ilay fery, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Maloto ilay fery. Habokana izany.",
        "16": "Fa raha lasa fotsy indray ilay fery, dia hankany amin\u2019ny mpisorona ilay olona.",
        "17": "Hozahan\u2019ny mpisorona izy, ka raha lasa fotsy ilay faritra voa, dia hambarany hoe madio ilay marary. Madio izy.",
        "18": "\u201cRaha misy vay eo amin\u2019ny hoditry ny olona iray ary efa sitrana ilay izy,",
        "19": "nefa lasa misy fotsifotsy mivonto na tasy fotsy somary mena eo amin\u2019ilay nisy vay, dia tsy maintsy miseho any amin\u2019ny mpisorona izy.",
        "20": "Hozahan\u2019ny mpisorona ilay aretina, ka raha hoatran\u2019ny hoe mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy sady lasa fotsy ny volo eo aminy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana nipoitra teo amin\u2019ilay vay izany.",
        "21": "Fa raha zahan\u2019ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy misy fotsy ny volo eo amin\u2019ilay izy, ary tsy mandoaka ilay izy sady hoatran\u2019ny hoe vasoka no fahitany an\u2019ilay izy, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.",
        "22": "Ary raha mitatra tokoa ilay tasy eo amin\u2019ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Areti-mifindra izany.",
        "23": "Fa raha mijanona eo amin\u2019ny faritra iray ihany ilay tasy fa tsy mitatra, dia vay masaka izany. Koa hambaran\u2019ilay mpisorona hoe madio ilay olona.",
        "24": "\u201cNa raha misy olona main\u2019ny afo ka misy fery eo amin\u2019ilay hoditra may, ary lasa tasy fotsy somary mena na lasa tasy fotsy ilay izy,",
        "25": "dia hozahan\u2019ny mpisorona izany. Raha lasa fotsy ny volo eo amin\u2019ilay tasy sady hoatran\u2019ny hoe mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy, dia habokana nipoitra teo amin\u2019ilay fery izany. Hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany.",
        "26": "Fa raha zahan\u2019ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy misy fotsy ny volo eo amin\u2019ilay tasy ary tsy mandoaka ilay izy sady vasoka, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.",
        "27": "Hozahan\u2019ny mpisorona izy amin\u2019ny andro fahafito. Hojereny ny hoditr\u2019ilay olona, ka raha hitany hoe mitatra tokoa ilay izy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany.",
        "28": "Fa raha mijanona eo amin\u2019ny faritra iray ihany ilay tasy eo amin\u2019ny hoditra fa tsy mitatra sady vasoka, dia fery mivonto fotsiny izany. Hambaran\u2019ny mpisorona hoe madio ilay olona, satria ratra mivoaramena izany.",
        "29": "\u201cRaha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin\u2019ny lohany na eo amin\u2019ny saokany,",
        "30": "dia hozahan\u2019ny mpisorona ilay aretina. Raha hoatran\u2019ny hoe mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy ary mavo ny volo eo aminy sady manify, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Aretin\u2019ny hodi-doha na aretina mahazo ny volombava izany. Habokana eo amin\u2019ny loha na saoka izany.",
        "31": "Raha hitan\u2019ny mpisorona anefa fa hoatran\u2019ny hoe tsy mandoaka ilay aretina, ary tsy misy mainty ny volo eo amin\u2019ilay izy, dia hatokany toerana fito andro ilay marary.",
        "32": "Hozahan\u2019ny mpisorona ilay aretina, amin\u2019ny andro fahafito. Raha tsy mitatra ilay faritra misy aretina, ary tsy misy volo mavo maniry eo aminy sady hoatran\u2019ny hoe tsy mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy,",
        "33": "dia hiharatra ilay marary. Tsy hoharatany kosa ilay faritra misy aretina. Hanokan-toerana azy fito andro ny mpisorona avy\u00a0eo.",
        "34": "\u201cHozahan\u2019ny mpisorona indray ilay faritra misy aretina, amin\u2019ny andro fahafito. Raha tsy mitatra eo amin\u2019ny hoditra ilay aretina eo amin\u2019ny hodi-doha sy volombava, sady hoatran\u2019ny hoe tsy mandoaka no fahitany an\u2019ilay izy, dia hambarany hoe madio ilay olona. Hanasa ny akanjony ilay olona avy\u00a0eo, ka hadio.",
        "35": "Fa raha mitatra tokoa ilay aretina eo amin\u2019ny hoditra, taorian\u2019ny nidiovan\u2019ilay olona,",
        "36": "dia hozahan\u2019ny mpisorona izy. Raha mitatra eo amin\u2019ny hoditra ilay aretina, dia tsy ilainy intsony ny mitady volo mavo. Efa maloto ilay olona.",
        "37": "Raha hitany kosa fa tsy nitatra ilay aretina sady misy volo mainty maniry eo amin\u2019ilay izy, dia sitrana ilay aretina. Madio ilay olona, ary hambaran\u2019ny mpisorona hoe madio izy.",
        "38": "\u201cRaha misy lehilahy na vehivavy ahitana tasy fotsy maromaro ny hodiny,",
        "39": "dia hozahan\u2019ny mpisorona ireo tasy. Raha fotsy vasobasoka ny tasy eo amin\u2019ny hodiny, dia aretin-koditra nipoitra teo amin\u2019ny hoditra izany ary tsy misy atahorana. Madio ilay olona.",
        "40": "\u201cRaha misy lehilahy mihintsam-bolo ka lasa sola, dia madio izy.",
        "41": "Raha mihintsana ny volony eo anoloana ka lasa sola, dia madio izy.",
        "42": "Fa raha misy fery fotsy somary mena kosa eo amin\u2019ilay faritra sola amin\u2019ny hodi-dohany na eo amin\u2019ny handriny, dia habokana mipoitra eo amin\u2019ny hodi-dohany na eo amin\u2019ny handriny izany.",
        "43": "Hozahan\u2019ny mpisorona ilay olona, ka raha fotsy somary mena ilay mivonto eo amin\u2019ilay fery, eo amin\u2019ilay faritra sola eo an-tampon-dohany na eo amin\u2019ny handriny, ary toy ny habokana no fahitana azy eo amin\u2019ny hodiny,",
        "44": "dia boka ilay olona. Maloto izy, ary hambaran\u2019ny mpisorona hoe maloto izy satria misy an\u2019ilay aretina eo amin\u2019ny lohany.",
        "45": "Tokony horovitina ny akanjon\u2019ilay olona boka, ary havela hisavoritaka ny volony. Hosaronany ny volombava eo ambonin\u2019ny molony, ka hiantsoantso izy hoe: \u2018Maloto\u00a0e! Maloto\u00a0e!\u2019",
        "46": "Haloto izy mandritra ny fotoana aharariany. Maloto izy ka tokony hitoka-monina. Any ivelan\u2019ny toby izy no hipetraka.",
        "47": "\u201cRaha misy habokana eo amin\u2019ny akanjo, na akanjo volonondry izany na akanjo rongony,",
        "48": "na eo amin\u2019ny kofehy natao tenany na natao fahany tamin\u2019ilay lamba rongony na lamba volonondry, na eo amin\u2019ny hoditra na zavatra vita amin\u2019ny hoditra,",
        "49": "ka misy mifaritra maitso somary mavo na somary mena eo amin\u2019ilay akanjo, na ilay hoditra, na ilay tenany, na ilay fahany, na izay zavatra vita amin\u2019ny hoditra, dia habokana izany ka tokony haseho amin\u2019ny mpisorona.",
        "50": "Hozahan\u2019ny mpisorona ilay aretina, ka hatokany toerana fito andro ireo zavatra misy an\u2019ilay aretina.",
        "51": "Rehefa mizaha an\u2019ilay aretina izy amin\u2019ny andro fahafito, ka hitany fa mitatra ilay aretina eo amin\u2019ilay akanjo, na eo amin\u2019ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin\u2019ilay hoditra\u2014na inona na inona ampiasana an\u2019ilay hoditra\u2014dia habokana mampidi-doza izany, ka maloto.",
        "52": "Hodorany ilay akanjo, na ilay kofehy natao tenany na natao fahany tamin\u2019ny lamba volonondry na lamba rongony, na izay zavatra vita amin\u2019ny hoditra ka misy an\u2019ilay aretina, satria habokana mampidi-doza izany. Hodorana amin\u2019ny afo ilay izy.",
        "53": "\u201cFa raha zahan\u2019ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy mitatra ilay aretina eo amin\u2019ilay akanjo, na eo amin\u2019ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin\u2019izay zavatra vita amin\u2019ny hoditra,",
        "54": "dia hasainy hosasana ny zavatra misy an\u2019ilay aretina, ary hatokany toerana fito andro indray ilay izy.",
        "55": "Hozahan\u2019ny mpisorona avy eo ilay zavatra misy an\u2019ilay aretina rehefa avy nosasana tsara. Raha tsy niova ny fahitany an\u2019ilay aretina na dia tsy nitatra aza ilay izy, dia maloto ilay zavatra. Tokony hodoranao amin\u2019ny afo izany, fa efa lanin\u2019ny aretina ny lafy ratsiny na ny lafy tsarany.",
        "56": "\u201cFa raha zahan\u2019ny mpisorona kosa ilay faritra voa, ka hitany fa vasoka rehefa avy nosasana tsara, dia ilay faritra voa amin\u2019ilay akanjo na amin\u2019ilay hoditra na amin\u2019ilay kofehy natao tenany na natao fahany ihany no hesoriny.",
        "57": "Raha toa anefa ilay aretina ka mbola miseho any amin\u2019ny faritra hafa amin\u2019ilay akanjo, na amin\u2019ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na amin\u2019izay zavatra vita amin\u2019ny hoditra, dia midika izany fa mirongatra ilay izy. Tokony hodoranao amin\u2019ny afo izay zavatra misy an\u2019ilay aretina.",
        "58": "Fa raha afaka kosa ilay aretina rehefa avy nosasana ilay akanjo, na ilay kofehy natao tenany na natao fahany, na izay zavatra vita amin\u2019ny hoditra, dia tokony hosasana fanindroany ilay izy ka hadio.",
        "59": "\u201cIzany no lal\u00e0na momba ny habokana eo amin\u2019ny akanjo volonondry na akanjo rongony, na eo amin\u2019ny kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin\u2019izay zavatra vita amin\u2019ny hoditra, mba hanambarana azy hoe madio na maloto.\u201d"
    },
    "14": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIzao no lal\u00e0na momba ny boka, amin\u2019ny andro anekena azy ho madio, rehefa hoentina any amin\u2019ny mpisorona izy:",
        "3": "Hankany ivelan\u2019ny toby ny mpisorona, ka hizaha azy. Raha sitrana amin\u2019ny habokany ilay boka,",
        "4": "dia hasain\u2019ny mpisorona hitondra an\u2019ireto mba hidiovany: Vorona roa madio sady velona, rantsankazo sedera, kofehy mena midorehitra, ary hysopa.",
        "5": "Ny vorona iray dia hasain\u2019ny mpisorona hovonoina ao anaty vilany tany misy rano avy amin\u2019ny rano mandeha.",
        "6": "Fa ilay vorona velona kosa halain\u2019ny mpisorona dia hatsobony, miaraka amin\u2019ilay rantsankazo sedera sy kofehy mena midorehitra ary hysopa, ao anatin\u2019ny ran\u2019ilay vorona novonoina teo ambony rano avy amin\u2019ny rano mandeha.",
        "7": "Ary hofafazany amin\u2019ilay ra impito ilay olona manadio ny tenany ho afaka amin\u2019ny habokany. Dia hambarany hoe madio izy. Avy eo, dia halefany hanidina any an-tsaha ilay vorona velona.",
        "8": "\u201cHanasa ny akanjony ilay olona midio, ary hoharatany daholo ny volo amin\u2019ny tenany. Dia handro amin\u2019ny rano izy, ka hadio. Afaka miditra ao an-toby izy avy eo, nefa mbola hijanona fito andro eo ivelan\u2019ny tranolainy.",
        "9": "Hoharatany daholo ny volo eo amin\u2019ny lohany sy ny saokany ary ny volomaso eo ambony masony, amin\u2019ny andro fahafito. Rehefa avy noharatany daholo ny volo amin\u2019ny tenany, dia hanasa ny akanjony izy sady handro amin\u2019ny rano, ka hadio.",
        "10": "\u201cAmin\u2019ny andro fahavalo dia haka ondrilahy kely roa tsy misy kilema izy, ondrivavy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona, lafarinina tsara toto telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha nafangaro menaka ho fanatitra varimbazaha, ary menaka iray loga.",
        "11": "Ary hitondra an\u2019ilay olona midio sy ireo fanatitra ireo eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ilay mpisorona manambara an\u2019ilay olona ho madio.",
        "12": "Halain\u2019ny mpisorona ny ondrilahy kely iray, ka hatolony ho fanatitra noho ny heloka, miaraka amin\u2019ilay menaka iray loga. Ary hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah izany.",
        "13": "Dia hovonoiny ao amin\u2019izay toerana masina, eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana, ilay ondrilahy kely. An\u2019ny mpisorona mantsy ny fanatitra noho ny heloka, toy ny fanatitra noho ny ota ihany. Zavatra masina indrindra izany.",
        "14": "\u201cHakan\u2019ny mpisorona avy eo ny ran\u2019ilay fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin\u2019ny ravintsofina ankavanan\u2019ilay olona midio, sy eo amin\u2019ny ankiben-tanany ankavanana, ary ny ankiben-tongony ankavanana.",
        "15": "Dia hakan\u2019ny mpisorona koa ilay menaka iray loga, ka hararany eo amin\u2019ny felatanany ankavia.",
        "16": "Ary hatsobony ao anatin\u2019ilay menaka eo amin\u2019ny felatanany ankavia ny iray amin\u2019ny rantsantanany ankavanana, ka hafafiny impito eo anatrehan\u2019i Jehovah amin\u2019iny rantsantanany iny ny menaka sasany.",
        "17": "Dia hakan\u2019ilay mpisorona ny ambin\u2019ilay menaka eo amin\u2019ny felatanany, ka hataony eo amin\u2019ny ravintsofina ankavanan\u2019ilay olona midio, sy eo amin\u2019ny ankiben-tanany ankavanana, ary ny ankiben-tongony ankavanana, eo amin\u2019ilay nasiana ny ran\u2019ny fanatitra noho ny heloka.",
        "18": "Ary hataon\u2019ny mpisorona eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay olona midio ny ambin\u2019ilay menaka eo amin\u2019ny felatanany. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona eo anatrehan\u2019i Jehovah izy.",
        "19": "\u201cHanolotra ny fanatitra noho ny ota ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona izay midio ho afaka amin\u2019ny fahalotoany. Dia hovonoiny ny fanatitra dorana avy eo.",
        "20": "Ary hatolony eo ambony alitara ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha. Dia handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona izy, ka hadio ilay olona.",
        "21": "\u201cFa raha mahantra kosa ilay olona ka tsy mahatakatra an\u2019izany, dia haka ondrilahy kely iray ho fanatitra noho ny heloka izy hatao fanatitra ahetsiketsika, mba handrakofana ny fahotany. Dia haka lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha nafangaro menaka izy, ho fanatitra varimbazaha. Haka menaka iray loga,",
        "22": "sy domohina roa na zana-boromailala roa koa izy, araka izay takatry ny volany. Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.",
        "23": "Hoentiny any amin\u2019ny mpisorona eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, eo anatrehan\u2019i Jehovah, ireo amin\u2019ny andro fahavalo, mba hanekena azy ho madio.",
        "24": "\u201cHalain\u2019ny mpisorona ilay ondrilahy kely atao fanatitra noho ny heloka sy ny menaka iray loga, ka hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "25": "Hovonoiny avy eo ilay ondrilahy kely atao fanatitra noho ny heloka. Dia hakany ny ran\u2019ilay fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin\u2019ny ravintsofina ankavanan\u2019ilay olona midio sy eo amin\u2019ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.",
        "26": "Hakan\u2019ny mpisorona koa ny menaka ka hararany eo amin\u2019ny felatanany ankavia.",
        "27": "Dia hafafiny impito eo anatrehan\u2019i Jehovah, amin\u2019ny iray amin\u2019ny rantsantanany ankavanana, ny menaka sasany eo amin\u2019ny felatanany ankavia.",
        "28": "Hakany koa ilay menaka eo amin\u2019ny felatanany, ka hataony eo amin\u2019ny ravintsofina ankavanan\u2019ilay olona midio, sy eo amin\u2019ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana, eo amin\u2019ilay nasiana ny ran\u2019ny fanatitra noho ny heloka.",
        "29": "Ary hataony eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay olona midio ny menaka sisa eo amin\u2019ny felatanany, mba handrakofany ny fahotan\u2019 ilay olona eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "30": "\u201cHatolony ny iray amin\u2019ny domohina na ny iray amin\u2019ny zana-boromailala, araka izay takatry ny volany,",
        "31": "mba ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana ampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha. Ireo mantsy no takatry ny volany. Dia handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona midio eo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpisorona.",
        "32": "\u201cIzany no lal\u00e0na momba ny boka sitrana, nefa tsy mahavidy an\u2019izay zavatra ilaina mba hanekena azy ho madio.\u201d",
        "33": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy sy Arona i Jehovah hoe:",
        "34": "\u201cRehefa tafiditra ao amin\u2019ny tany Kanana izay homeko ho fanananareo ianareo, ka misy trano asiako habokana ao amin\u2019ilay taninareo,",
        "35": "dia hankany amin\u2019ny mpisorona ny tompon\u2019izany trano izany, ka hanao aminy hoe: \u2018Hoatran\u2019ny misy aretina ny tranoko.\u2019",
        "36": "Ary hasain\u2019ny mpisorona hesorina ny zava-drehetra ao amin\u2019ilay trano, alohan\u2019ny hahatongavany hizaha an\u2019ilay aretina, sao hambarany ho maloto daholo ireny. Ho avy hizaha an\u2019ilay trano izy avy eo.",
        "37": "Ary hozahany ilay faritra misy an\u2019ilay aretina, ka raha misy lempona maitso somary mavo na lempona somary mena eo amin\u2019ny rindrina, sady hoatran\u2019ny hoe mandoaka rindrina no fahitana an\u2019ireo lempona,",
        "38": "dia hivoaka hankeo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay trano izy. Ary hakatony tanteraka mandritra ny fito andro ilay trano.",
        "39": "\u201cDia hiverina izy amin\u2019ny andro fahafito, ka hizaha an\u2019ilay aretina. Raha vao mainka mitatra ilay aretina eo amin\u2019ny rindrin\u2019ilay trano,",
        "40": "dia hasainy hesorina ny vato misy an\u2019ilay aretina ary hariana any ivelan\u2019ny tan\u00e0na, any amin\u2019ny toerana maloto.",
        "41": "Hasainy hokikisana tsara avy eo ny aty trano rehetra, ary tokony hariana any ivelan\u2019ny tan\u00e0na, any amin\u2019ny toerana maloto, ny lalotra sy ny rihitra nesorina.",
        "42": "Vato hafa no halaina ka hatsofoka ho solon\u2019ireo nesorina. Ary tokony ho rihitra hafa no hampiasaina, dia holalorina ilay trano.",
        "43": "\u201cRaha miverina anefa ilay aretina ka mirongatra ao amin\u2019ilay trano, rehefa avy nesorina ny vato ary nokikisana ny lalotra ka nolalorina indray ilay trano,",
        "44": "dia hiditra ao ny mpisorona mba hizaha an\u2019ilay trano. Raha mitatra ilay aretina ao amin\u2019ilay trano, dia habokana mampidi-doza izany. Maloto ilay trano.",
        "45": "Dia hasainy horavana ilay trano. Ary hasainy hoentina any ivelan\u2019ny tan\u00e0na, any amin\u2019ny toerana maloto, ny vato sy ny hazo ary ny lalotra sy ny rihitra rehetra aminy.",
        "46": "Izay miditra ao amin\u2019ilay trano mandritra ny fotoana ikatonany tanteraka, dia haloto mandra-paharivan\u2019ny andro.",
        "47": "Ary hanasa ny akanjony izay olona matory ao amin\u2019ilay trano, ary hanasa ny akanjony koa izay misakafo\u00a0ao.",
        "48": "\u201cFa raha tonga kosa ny mpisorona ary hitany fa tsy mitatra ilay aretina ao amin\u2019ilay trano avy\u00a0nolalorina, dia hambarany hoe madio ilay trano, satria efa afaka ilay aretina.",
        "49": "Dia haka vorona roa sy rantsankazo sedera sy kofehy mena midorehitra ary hysopa izy, mba hanadiovana an\u2019ilay trano ho afaka amin\u2019ny fahalotoana.",
        "50": "Tokony hovonoiny ao anaty vilany tany misy rano avy amin\u2019ny rano mandeha, ny vorona iray.",
        "51": "Dia halainy ny rantsankazo sedera, ny hysopa, ny kofehy mena midorehitra, ary ilay vorona velona, ka hatsobony ao anatin\u2019ny ran\u2019ilay vorona novonoina sy ao amin\u2019ilay rano avy amin\u2019ny rano mandeha. Ary hafafiny impito manandrify an\u2019ilay trano izany.",
        "52": "Ary hodioviny ho afaka amin\u2019ny fahalotoana ilay trano, ka ireto no hanadiovany azy: Ny ran\u2019ilay vorona, ilay rano avy amin\u2019ny rano mandeha, ilay vorona velona, ilay rantsankazo sedera, ilay hysopa, ary ilay kofehy mena midorehitra.",
        "53": "Dia halefan\u2019ny mpisorona any an-tsaha, any ivelan\u2019ny tan\u00e0na, ilay vorona velona. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay trano izy, ka hadio izany.",
        "54": "\u201cIzany no lal\u00e0na momba ny habokana, ny aretin\u2019ny hodi-doha na aretina mahazo ny volombava,",
        "55": "ny habokana eo amin\u2019ny akanjo na amin\u2019ny trano,",
        "56": "ny mivonto eo amin\u2019ny hoditra, ny aretin-koditra manako-pery, ary ny tasy.",
        "57": "Nomena izany lal\u00e0na izany mba hampahafantarana hoe rahoviana ny zavatra iray no maloto ary rahoviana izany no madio. Izany no lal\u00e0na momba ny habokana.\u201d"
    },
    "15": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy tsiranoka mivoaka amin\u2019ny filahian\u2019ny lehilahy, dia mahatonga azy haloto izany.",
        "3": "Maloto izy noho ilay tsiranoka, na mandeha foana ilay tsiranoka mivoaka amin\u2019ny filahiany na manentsina azy\u00a0io.",
        "4": "\u201c\u2018Haloto izay fandriana atorian\u2019ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary haloto koa izay zavatra ipetrahany.",
        "5": "Tsy maintsy manasa ny akanjony izay mikasika ny fandrianan\u2019ilay olona, ary tokony handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "6": "Tokony hanasa ny akanjony sy handro amin\u2019ny rano izay mipetraka eo amin\u2019ny zavatra nipetrahan\u2019ilay olona misy tsiranoka mivoaka. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "7": "Hanasa ny akanjony izay mikasika an\u2019ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "8": "Raha mandrora amin\u2019ny olona madio ilay olona misy tsiranoka mivoaka, dia hanasa ny akanjony ilay olona madio ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "9": "Haloto izay lasely itaingenan\u2019ny olona misy tsiranoka mivoaka.",
        "10": "Ary izay mikasika zavatra teo ambanin\u2019ilay olona, dia haloto mandra-paharivan\u2019ny andro. Hanasa ny akanjony izay mitondra an\u2019ireo zavatra ireo, ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "11": "Raha tsy nanasa tanana tamin\u2019ny rano ny olona misy tsiranoka mivoaka nefa mikasika olona, dia hanasa ny akanjony ilay nokasihiny ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "12": "Hopotehina izay fitaovana tanimanga kasihin\u2019ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary hosasana amin\u2019ny rano izay fitaovana hazo.",
        "13": "\u201c\u2018Rehefa tsy misy tsiranoka mivoaka intsony amin\u2019ilay olona ka tsy mandoto azy intsony ilay izy, dia hiandry fito andro izy vao hidio. Dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin\u2019ny rano mandeha, ka hadio.",
        "14": "Haka domohina roa na zana-boromailala roa izy amin\u2019ny andro fahavalo, ka hankeo anatrehan\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana. Ary homeny ny mpisorona izany.",
        "15": "Dia hanolotra an\u2019izany ny mpisorona, ka ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota ary ny iray ho fanatitra dorana. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona eo anatrehan\u2019i Jehovah, noho izy nivoaka tsiranoka.",
        "16": "\u201c\u2018Ary raha misy tsirinaina mivoaka amin\u2019ny lehilahy, dia tokony hanasa ny vatany manontolo amin\u2019ny rano izy. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "17": "Hosasany amin\u2019ny rano izay akanjo sy zavatra vita amin\u2019ny hoditra nilatsahan\u2019ny tsirinaina. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izany.",
        "18": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vehivavy ka mamoaka tsirinaina, dia tokony handro amin\u2019ny rano izy ireo ary haloto mandra-paharivan\u2019ny andro.",
        "19": "\u201c\u2018Raha misy ra mandeha avy amin\u2019ny vehivavy satria tonga fotoana izy, dia haloto fito andro izy. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay olona mikasika azy.",
        "20": "Haloto koa izay zavatra atoriany, mandritra ny fahalotoany rehefa tonga fotoana izy. Ary haloto izay zava-drehetra ipetrahany.",
        "21": "Tokony hanasa ny akanjony izay olona mikasika ny fandrianan\u2019ilay vehivavy, ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro ilay olona.",
        "22": "Hanasa ny akanjony izay olona mikasika zavatra nipetrahan\u2019ilay vehivavy, ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro ilay olona.",
        "23": "Raha nipetraka teo ambony fandriana na zavatra hafa ilay vehivavy ka misy olona mikasika an\u2019izany, dia haloto mandra-paharivan\u2019ny andro ilay olona.",
        "24": "Ary raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ilay vehivavy, ka mahakasika an\u2019ilay lehilahy ny ra avy amin\u2019ny fadimbolany, dia haloto fito andro ilay lehilahy ary haloto izay fandriana atoriany.",
        "25": "\u201c\u2018Raha mandeha ra mandritra ny andro maro ny vehivavy nefa tsy fotoana tokony hahatongavan\u2019ny fadimbolany, na raha maharitra ela noho ny mahazatra ny fadimbolany, dia haloto izy mandritra ny andro rehetra andehanan\u2019ny rany, hoatran\u2019ilay hoe maloto izy mandritra ny andro maromaro rehefa tonga fotoana.",
        "26": "Izay fandriana atoriany mandritra an\u2019ireo andro isian\u2019ny ra mandeha aminy, dia haloto hoatran\u2019ny fandriana atoriany mandritra ny fotoana mampahaloto azy rehefa tonga fotoana izy. Haloto koa izay zavatra ipetrahany, hoatran\u2019ny fahalotoany rehefa tonga fotoana izy.",
        "27": "Haloto izay mikasika an\u2019izany zavatra izany, ka hanasa ny akanjony ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy.",
        "28": "\u201c\u2018Rehefa tsy misy ra mandeha intsony anefa amin\u2019ilay vehivavy, dia hiandry fito andro izy ary hadio izy aorian\u2019izay.",
        "29": "Haka domohina roa na zana-boromailala roa izy amin\u2019ny andro fahavalo, ka hitondra an\u2019izany any amin\u2019ny mpisorona, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "30": "Hataon\u2019ny mpisorona fanatitra noho ny ota ny vorona iray, ary ny iray hataony fanatitra dorana. Ary ny mpisorona hanao fandrakofam-pahotana ho an\u2019ilay vehivavy eo anatrehan\u2019i Jehovah, noho ny ra nandeha taminy ka nahatonga azy haloto.",
        "31": "\u201c\u2018Ataovy \u00e0ry izay tsy hahatonga ny Israelita haloto, sao ho faty izy amin\u2019ilay izy maloto iny, noho ny nandotoany ny tranolaiko izay eo aminy.",
        "32": "\u201c\u2018Izany no lal\u00e0na momba ny lehilahy misy tsiranoka mivoaka, ny lehilahy maloto satria misy tsirinaina mivoaka,",
        "33": "ny vehivavy tonga fotoana ka maloto, ny lehilahy na vehivavy misy tsiranoka mivoaka, ary ny lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vehivavy maloto.\u2019\u201d"
    },
    "16": {
        "1": "Niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah taorian\u2019ny nahafatesan\u2019ny zanak\u2019i Arona roa lahy, izay maty satria nanatona an\u2019i Jehovah.",
        "2": "Hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cIlazao i Arona rahalahinao mba tsy hidikiditra fahatany ao amin\u2019ny toerana masina, izany hoe ao ambadiky ny ridao, eo anoloan\u2019ny saron\u2019ny Vata, sao ho faty izy. Hiseho ao anaty rahona eo ambonin\u2019ilay sarony mantsy aho.",
        "3": "\u201cIreto avy no hoentin\u2019i Arona rehefa miditra ao amin\u2019ny toerana masina izy: Vantotr\u2019ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.",
        "4": "Tokony hanaovany ny akanjo lava masina vita amin\u2019ny lamba rongony. Ary tokony hanarona ny vatany ny kilaoty lava vita amin\u2019ny lamba rongony. Tokony hanaovany koa ny fehikibo lamba rongony, ary hataony mihodidina ny lohany ny satroka lamba rongony. Akanjo masina ireo, ka handro amin\u2019ny rano izy vao hanao an\u2019ireo.",
        "5": "\u201cIzao no halainy avy amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely: Osilahy kely roa ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana.",
        "6": "\u201cDia hatolotr\u2019i Arona ilay omby hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny tenany. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ny tenany sy ny an\u2019ny ankohonany izy.",
        "7": "\u201cDia halainy ny osilahy roa ka hataony eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "8": "Hataon\u2019i Arona antsapaka ireo osilahy roa, ka ny iray ho an\u2019i Jehovah ary ny iray ho an\u2019i Azazela.",
        "9": "Hoentin\u2019i Arona izay osilahy azo tamin\u2019ny antsapaka hoe ho an\u2019i Jehovah, ary hatolony ho fanatitra noho ny ota.",
        "10": "Ilay osilahy azo tamin\u2019ny antsapaka hoe ho an\u2019i Azazela kosa hoentina velona eo anatrehan\u2019i Jehovah, mba hanaovana fandrakofam-pahotana, ka ho azo alefa any an-tany efitra ho an\u2019i Azazela.",
        "11": "\u201cHampanatonin\u2019i Arona ilay omby atao fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny tenany. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ny tenany sy ny an\u2019ny ankohonany izy. Hovonoiny avy eo ilay omby atao fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny tenany.",
        "12": "\u201cDia halain\u2019i Arona ny fitondrana afo, izay efa feno vainafo avy eo amin\u2019ilay alitara eo anatrehan\u2019i Jehovah. Haka emboka manitra voatoto tsara eran\u2019ny tanan-droa koa izy, ary hoentiny ao ambadiky ny ridao ireo.",
        "13": "Ary hataony eo amin\u2019ny vainafo eo anatrehan\u2019i Jehovah ny emboka manitra. Dia ho rakotry ny setroky ny emboka manitra ny saron\u2019ilay Vata, izany hoe ny sarony eo ambonin\u2019ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, mba tsy ho faty izy.",
        "14": "\u201cHakan\u2019i Arona ny ran\u2019ilay omby ka hafafiny amin\u2019ny rantsantanany iray eo anoloan\u2019ny saron\u2019ny Vata, eo amin\u2019ny lafiny atsinanana. Ary ny ra sasany hafafiny impito eo anoloan\u2019ilay sarony, amin\u2019ny rantsantanany iray.",
        "15": "\u201cHovonoin\u2019i Arona avy eo ilay osilahy hatao fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny vahoaka. Ary hoentiny ao ambadiky ny ridao ny ran\u2019ilay osilahy, ka hataony toy ny nataony tamin\u2019ny ran\u2019ilay omby. Hafafiny tandrifin\u2019ilay sarony sy eo anoloan\u2019ilay sarony izany.",
        "16": "\u201cHandrakotra ny fahotan\u2019ny toerana masina izy, noho ny fahalotoana vokatry ny nataon\u2019ny Israelita, sy noho ny fandikan-dal\u00e0na sy ny fahotan\u2019izy ireo. Izany koa no tokony hataony ho an\u2019ny tranolay fihaonana, izay eo amin\u2019ireo Israelita nanao zavatra nandoto ny tenany.",
        "17": "\u201cTsy tokony hisy olon-kafa ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, manomboka amin\u2019ny fotoana idirany ao mba hanao fandrakofam-pahotana ao amin\u2019ny toerana masina ka mandra-pivoakany avy ao. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ny tenany, sy ny an\u2019ny ankohonany, ary ny an\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo izy.",
        "18": "\u201cDia hivoaka avy ao izy ka hankeo amin\u2019ilay alitara eo anatrehan\u2019i Jehovah, ary handrakotra ny fahotan\u2019izy io. Hakany ny ran\u2019ilay omby sy ny ran\u2019ilay osilahy, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara eo amin\u2019ny zorony efatra.",
        "19": "Ary hafafiny impito eo ambony alitara, amin\u2019ny rantsantanany iray, ny ra sasany. Dia hodioviny sy hohamasininy ilay alitara mba ho afaka amin\u2019ny fahalotoana vokatry ny nataon\u2019ny Israelita.",
        "20": "\u201cHanolotra an\u2019ilay osilahy velona koa izy rehefa avy mandrakotra ny fahotan\u2019ny toerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara.",
        "21": "Hametraka ny tanany roa eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay osilahy velona i Arona, sady hiaiky ny fahadisoana rehetra sy ny fandikan-dal\u00e0na rehetra ary ny fahotana rehetra nataon\u2019ny Israelita. Dia hataony eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay osilahy izany rehetra izany. Ary halefany any an-tany efitra ilay osilahy, ka lehilahy iray efa voatendry no hitarika azy io.",
        "22": "Ary hoentin\u2019ilay osilahy ho any amin\u2019ny tany karakaina ny fahadisoana rehetra nataon\u2019ny Israelita. Dia halefa any an-tany efitra ilay osilahy.",
        "23": "\u201cHiditra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana i Arona avy\u00a0eo. Hesoriny ireo akanjo vita amin\u2019ny lamba rongony nanaovany tamin\u2019izy niditra tao amin\u2019ny toerana masina, ary hapetrany ao.",
        "24": "Handro amin\u2019ny rano ao amin\u2019izay toerana masina izy, ary hanao ny akanjony. Dia hivoaka avy ao izy ka hanolotra fanatitra dorana ho an\u2019ny tenany sy ho an\u2019ny vahoaka, mba handrakofana ny fahotan\u2019ny tenany sy ny an\u2019ny vahoaka.",
        "25": "Hodorany mba hidona-tsetroka eo ambony alitara ny tavin\u2019ny fanatitra noho ny ota.",
        "26": "\u201cHanasa ny akanjony ilay lehilahy nandefa an\u2019ilay osilahy ho an\u2019i Azazela, ary handro amin\u2019ny rano. Afaka miditra ao amin\u2019ny toby izy aorian\u2019izay.",
        "27": "\u201cAry hoentina any ivelan\u2019ny toby ilay omby sy ilay osilahy izay samy natao fanatitra noho ny ota, rehefa avy nentina tao amin\u2019ny toerana masina ny ran\u2019izy ireo mba handrakofam-pahotana. Ary hodorana amin\u2019ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny tainy.",
        "28": "Hanasa ny akanjony ilay mandoro an\u2019izany, ary handro amin\u2019ny rano. Afaka miditra ao amin\u2019ny toby izy aorian\u2019izay.",
        "29": "\u201cIzao fitsipika izao foana no tokony harahinareo: Hampijaly tena ianareo amin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahafito, ary tsy hanao asa na inona na inona, na ny teratany na ny vahiny monina eo aminareo.",
        "30": "Amin\u2019io andro io no handrakofana ny fahotanareo mba hanambarana anareo ho madio. Dia hadio ho afaka amin\u2019ny fahotanareo rehetra ianareo, eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "31": "Sabata fitsaharana tanteraka izany ho anareo, ary hampijaly tena ianareo. Fitsipika tokony harahina foana izany.",
        "32": "\u201cNy mpisorona, izay voahosotra sy voatendry ho mpisorona hisolo an-drainy, no hanao fandrakofam-pahotana. Ary hanaovany ireo akanjo vita amin\u2019ny lamba rongony, dia ireo akanjo masina.",
        "33": "Handrakotra ny fahotan\u2019ny toerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara izy. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ny mpisorona sy ny an\u2019izay rehetra anisan\u2019ny fiangonana izy.",
        "34": "Fitsipika tokony harahinareo foana izany, mba handrakofana indray mandeha isan-taona ny fahotana rehetra nataon\u2019ny Israelita.\u201d Dia nataon\u2019i Arona izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy."
    },
    "17": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cMitenena amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra hoe: \u2018Izao no didy nomen\u2019i Jehovah:",
        "3": "\u201c\u2018\u201cRaha misy amin\u2019ny taranak\u2019Israely mamono omby, na ondrilahy kely, na osy, ao amin\u2019ny toby na any ivelan\u2019ny toby,",
        "4": "fa tsy mitondra an\u2019izany eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah, eo anoloan\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah, dia meloka ho nandatsa-dra izy. Nandatsa-dra ilay olona, ka haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.",
        "5": "Amin\u2019izay mantsy dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hitondran\u2019ny Israelita ny biby atao sorona, fa hoentiny any amin\u2019i Jehovah, any amin\u2019ny mpisorona, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana. Hataony sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "6": "Dia hafafin\u2019ny mpisorona eo ambony alitaran\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny ran\u2019ilay izy. Ary hodorany ny tavin-kena mba hidona-tsetroka, ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "7": "Amin\u2019izay izy ireo dia tsy hanao sorona intsony ho an\u2019ireo demonia miendrika osy, izay notompoiny. Fitsipika tokony harahinareo foana izany, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby.\u201d\u2019",
        "8": "\u201cIzao no holazainao amin\u2019izy ireo: \u2018Raha misy amin\u2019ny taranak\u2019Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, manolotra fanatitra dorana na sorona,",
        "9": "nefa tsy mitondra an\u2019izany eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izany olona izany.",
        "10": "\u201c\u2018Raha misy amin\u2019ny taranak\u2019Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, mihinana ra, na ran\u2019inona izany na ran\u2019inona, dia hanohitra an\u2019ilay olona nihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin\u2019ny fireneny izy.",
        "11": "Fa ao amin\u2019ny ra ny ain\u2019ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin\u2019ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo. Ny ra mantsy no mandrakotra fahotana satria ao aminy ny aina.",
        "12": "Izany no antony nilazako tamin\u2019ny Israelita hoe: \u201cTsy tokony hisy hihinan-dra ianareo, ary tsy tokony hisy hihinan-dra koa ny hafa firenena monina eo aminareo.\u201d",
        "13": "\u201c\u2018Raha misy amin\u2019ny Israelita na ny hafa firenena monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin\u2019ny tany ny rany, ka hototofany vovoka.",
        "14": "Ny ain\u2019ny karaza-nofo rehetra mantsy dia ny rany, satria ao amin\u2019ny ra ny aina. Koa nilaza tamin\u2019ny Israelita aho hoe: \u201cAza mihinana ny ran\u2019ny nofo, na nofon\u2019inona izany na nofon\u2019inona, satria ny rany no ain\u2019ny karaza-nofo rehetra, ka haringana izay mihinan-dra.\u201d",
        "15": "Raha misy olona mihinana biby maty ho azy na noviravirain\u2019ny bibidia, na teratany izy na vahiny, dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izy, ary hadio avy eo.",
        "16": "Fa raha tsy manasa ny akanjony izy sady tsy mandro, dia hizaka ny vokatry ny fahadisoany.\u2019\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Ary mbola niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "3": "Aza manao toy ny ataon\u2019ny olona any Ejipta, izay nipetrahanareo. Ary aza manao toy ny ataon\u2019ny olona any amin\u2019ny tany Kanana, izay hitondrako anareo. Aza manaraka ny fanaony.",
        "4": "Ny didim-pitsarako no tokony hampiharinareo, ary ny fitsipiko no tokony hankatoavinareo sy harahinareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "5": "Ankatoavy ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako. Izay olona mankat\u00f2 an\u2019ireny no ho velona amin\u2019ny alalan\u2019ireny. Izaho no Jehovah.",
        "6": "\u201c\u2018Tsy tokony hisy aminareo hanatona ny havany akaiky mba hanao firaisana aminy. Izaho no Jehovah.",
        "7": "Aza manao firaisana amin\u2019ny rainao, ary aza manao firaisana amin\u2019ny reninao. Reninao izy, ka aza manao firaisana aminy.",
        "8": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny vadin\u2019ny rainao. Manala baraka ny rainao izany.",
        "9": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny anabavinao, na zanaky ny rainao izy na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano izy na tsia.",
        "10": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny zanakao lahy na ny zanakavavin\u2019ny zanakao vavy, fa manala baraka anao izany.",
        "11": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny vadin-drainao, izay taranaky ny rainao, satria anabavinao izy.",
        "12": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny anabavin-drainao, fa iray ra amin-drainao izy.",
        "13": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny rahavavin-dreninao, fa iray ra amin-dreninao izy.",
        "14": "\u201c\u2018Aza manala baraka ny rahalahin-drainao ka manao firaisana amin\u2019ny vadiny, fa nenitoanao izy.",
        "15": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny vinantovavinao. Vadin\u2019ny zanakao lahy izy, ka aza manao firaisana aminy.",
        "16": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny vadin\u2019ny rahalahinao, fa manala baraka ny rahalahinao izany.",
        "17": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny vehivavy sy ny zanany vavy. Ary aza maka ny zanakavavin\u2019ny zanany lahy na ny zanakavavin\u2019ny zanany vavy, mba hanaovanao firaisana. Havan\u2019ilay vehivavy akaiky ireo. Fanao mamoafady izany.",
        "18": "\u201c\u2018Aza maka ny rahavavin\u2019ny vadinao ho rafivaviny ka manao firaisana aminy, raha mbola velona ny vadinao.",
        "19": "\u201c\u2018Aza manatona vehivavy mba hanao firaisana aminy, raha mbola maloto izy noho izy tonga fotoana.",
        "20": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny vadin\u2019olona, ka handoto ny tenanao.",
        "21": "\u201c\u2018Aza misy atolotra ho an\u2019i Moleka ny taranakao. Aza zimbazimbaina hoatr\u2019izany ny anaran\u2019Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.",
        "22": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny lehilahy toy ny fanaovana firaisana amin\u2019ny vehivavy, fa zava-maharikoriko izany.",
        "23": "\u201c\u2018Tsy tokony hisy lehilahy hanao firaisana amin\u2019ny biby, ka handoto ny tenany amin\u2019izany. Ary tsy tokony hisy vehivavy hanolo-tena hanao firaisana amin\u2019ny biby. Tsy fanao voajanahary izany.",
        "24": "\u201c\u2018Aza mandoto tena amin\u2019izany zavatra izany mihitsy. Ireny zavatra rehetra ireny mantsy no nataon\u2019ireo firenena ka lasa naloto izy ireo, dia ireo firenena izay horoahiko tsy ho eo anatrehanareo.",
        "25": "Koa maloto ilay tany, ka hosaziko noho ny fahadisoany, ary haloan\u2019ilay tany ny mponina ao aminy.",
        "26": "Fa ankatoavy kosa ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako. Tsy misy mahazo manao an\u2019izany zava-maharikoriko rehetra izany, na ny teratany na ny vahiny monina eo aminareo.",
        "27": "Izany zava-maharikoriko rehetra izany mantsy no nataon\u2019ireo nipetraka teo amin\u2019ilay tany talohanareo, ka lasa maloto izao ilay tany.",
        "28": "Fa raha tsy mandoto an\u2019ilay tany ianareo, dia tsy voatery handoa anareo ilay tany, tahaka ny nandoavany an\u2019ireo firenena talohanareo.",
        "29": "Izay rehetra manao ny iray amin\u2019ireo zava-maharikoriko ireo, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.",
        "30": "Ary ataovy izay takiko aminareo, ka aza manao an\u2019ireo fanao maharikoriko nataon\u2019ny olona talohanareo, mba tsy handotoanareo tena amin\u2019izany. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny vahoaka manontolo, dia ny Israelita hoe: \u2018Tokony ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.",
        "3": "\u201c\u2018Samia manaja ny reninareo sy ny rainareo. Ary tokony hotandremanareo ny sabatako. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "4": "Aza manaraka an\u2019ireo andriamanitra tsy misy dikany, na manao andriamanitra vita amin\u2019ny metaly narendrika. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "5": "\u201c\u2018Raha manolotra sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah ianareo, dia ataovy araka ny tokony ho izy izany mba hahazoanareo sitraka aminy.",
        "6": "Tokony hohanina amin\u2019ny andro anaovanareo an\u2019ilay sorona sy ny ampitson\u2019iny ilay izy. Tokony hodorana kosa izay sisa tavela amin\u2019ny andro fahatelo.",
        "7": "Fa raha hohanina ilay sisa tavela amin\u2019ny andro fahatelo, dia ho zava-maharikoriko izany ka tsy hankasitrahana.",
        "8": "Hizaka ny vokatry ny fahadisoany ilay nihinana satria nozimbazimbainy ny zava-masin\u2019i Jehovah, ka haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izy.",
        "9": "\u201c\u2018Aza jinjaina tanteraka ny sisin\u2019ny sahanareo rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, ary aza alaina ny vokatra navelan\u2019ny mpijinja.",
        "10": "Aza otazana koa ny voaloboka tavela eny amin\u2019ny tanimboalobokareo, ary aza tsimponina ny voaloboka miparitaka eny amin\u2019ny tanimboalobokareo. Tokony havela ho an\u2019ny mahantra sy ny hafa firenena monina eo aminareo ireny. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "11": "\u201c\u2018Aza mangalatra, aza mamitaka, ary aza mifanambaka.",
        "12": "Aza mianiana lainga amin\u2019ny anarako, ka manazimbazimba ny anaran\u2019Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.",
        "13": "Aza manambaka olona, na maka an-keriny ny fananany. Tsy tokony hotazoninao any aminao mandritra ny alina mandra-paharainan\u2019ny andro ny karaman\u2019ny mpikarama.",
        "14": "\u201c\u2018Aza manozona ny marenina na manisy sakana eo anoloan\u2019ny jamba, fa matahora an\u2019Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.",
        "15": "\u201c\u2018Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza miandany amin\u2019ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena. Tokony hanao ny rariny ianao rehefa mitsara ny namanao.",
        "16": "\u201c\u2018Aza mandehandeha manendrikendrika olona eo amin\u2019ny firenenao. Aza mandatsaka ny ran\u2019ny namanao. Izaho no Jehovah.",
        "17": "\u201c\u2018Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao. Tena tokony hananatra ny namanao ianao, satria manota koa ianao raha tsy manao an\u2019izany.",
        "18": "\u201c\u2018Aza mamaly faty na mitana lolompo amin\u2019ny zanaky ny firenenao. Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Jehovah.",
        "19": "\u201c\u2018Ankatoavy izao fitsipiko izao: Aza mampivady biby fiompy roa karazana. Aza mamafy voa roa karazana eo amin\u2019ny sahanao. Ary aza manao akanjo vita amin\u2019ny kofehy roa karazana niara-notenomina.",
        "20": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vehivavy ary mpanompo efa nomena ho fofombadin\u2019olona ilay vehivavy, nefa mbola tsy navotana na nafahana, dia tokony hosazina izy ireo. Tsy tokony hovonoina ho faty anefa izy ireo, satria mbola tsy olona afaka ilay vehivavy.",
        "21": "Tokony hitondra fanatitra noho ny heloka ilay lehilahy, ka ondrilahy iray no hoentiny ho an\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "22": "Hatolotry ny mpisorona eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay ondrilahy atao fanatitra noho ny heloka mba handrakofana ny fahotan\u2019ilay lehilahy. Dia ho voavela ny fahotana nataony.",
        "23": "\u201c\u2018Rehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany ianareo, ka mamboly hazo fihinam-boa, dia ataovy toy ny hoe maloto ny voany ary aza manakaiky an\u2019ilay izy. Mandritra ny telo taona ilay hazo no tsy tokony hakekezinareo. Tsy azo hanina ny voany.",
        "24": "Fa amin\u2019ny taona fahefatra kosa, dia ho masina ny voany rehetra. Dia hatolotrareo ho an\u2019i Jehovah izany, ka hifaly ianareo.",
        "25": "Afaka mihinana ny voany ianareo amin\u2019ny taona fahadimy, ho fanampin\u2019ny vokatra hotazanareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "26": "\u201c\u2018Aza mihinan-javatra mbola misy ra. \u201c\u2018Aza mitady fambara na mampiasa herin\u2019ny maizina.",
        "27": "\u201c\u2018Aza haratana ny volo eo amin\u2019ny fihirifanareo, ary aza analana ny sisin\u2019ny volombavanareo.",
        "28": "\u201c\u2018Aza didididiana ny vatanareo rehefa misy olona maty, ary aza asiana tombokavatsa ny tenanareo. Izaho no Jehovah.",
        "29": "\u201c\u2018Aza manala baraka ny zanakao vavy ka mandefa azy hivaro-tena, sao hivaro-tena koa ny mponina ao amin\u2019ilay tany ka hanjaka ny fitondran-tena baranahiny.",
        "30": "\u201c\u2018Tandremo ny sabatako, ary hajao ny toerako masina. Izaho no Jehovah.",
        "31": "\u201c\u2018Aza mankany amin\u2019ny mpamoha angatra na maka hevitra amin\u2019ny mpilaza ny hoavy, sao ho voaloton\u2019ireny ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "32": "\u201c\u2018Mitsang\u00e0na rehefa eo anatrehan\u2019ny fotsy volo, hajao ny zokiolona, ary matahora an\u2019Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.",
        "33": "\u201c\u2018Raha misy hafa firenena monina ao amin\u2019ny taninareo, dia aza ampijalina izy.",
        "34": "Tokony hataonareo toy ny teratany eo aminareo ihany ny vahiny monina eo aminareo. Ary tiavo tahaka ny tenanao izy, fa efa mba vahiny tany Ejipta ihany koa ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "35": "\u201c\u2018Aza manao ny tsy marina rehefa mandrefy, na mandanja, na mamatra.",
        "36": "Tokony ho mizana marina sy vatomizana marina no ampiasainareo. Tokony hampiasa famarana marina koa ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta.",
        "37": "Koa ankatoavy sy araho ny fitsipiko rehetra sy ny didim-pitsarako rehetra. Izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cIzao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Tsy maintsy vonoina ho faty na iza na iza manolotra ny taranany ho an\u2019i Moleka, na Israelita izy na hafa firenena monina any Israely. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.",
        "3": "Izaho mihitsy no hanohitra azy ka handringana azy tsy ho eo amin\u2019ny fireneny. Nisy natolony ho an\u2019i Moleka mantsy ny taranany, ary nolotoiny ny toerako masina, dia nozimbazimbainy ny anarako masina.",
        "4": "Raha minia manakimpy ny masony amin\u2019izay ataon\u2019ilay olona ny vahoaka, ka tsy mamono azy ho faty, nefa izy manolotra ny taranany ho an\u2019i Moleka,",
        "5": "dia izaho mihitsy no hanohitra an\u2019ilay olona sy ny fianakaviany. Haringako tsy ho eo amin\u2019ny fireneny izy sy izay rehetra niaraka taminy nanompo an\u2019i Moleka.",
        "6": "\u201c\u2018Raha misy olona mivadika amiko satria lasa maka hevitra any amin\u2019ny mpamoha angatra na any amin\u2019ny mpilaza ny hoavy, dia tena hanameloka an\u2019izany olona izany aho ary haringako tsy ho eo amin\u2019ny fireneny izy.",
        "7": "\u201c\u2018Hamasino ny tenanareo ary aoka ho masina ianareo, satria izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "8": "Ary ankatoavy ny fitsipiko ka tanteraho. Izaho no Jehovah izay manamasina anareo.",
        "9": "\u201c\u2018Raha misy manozona ny rainy na ny reniny, dia tsy maintsy vonoina ho faty izy. Nozoniny ny rainy na ny reniny, ka izy ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "10": "\u201c\u2018Izao no atao amin\u2019ny lehilahy manitsakitsa-bady ka maka vadin\u2019olona: Tsy maintsy vonoina ho faty ilay lehilahy manitsakitsa-bady izay naka ny vadin\u2019ny namany. Hovonoina ho faty na ilay lehilahy na ilay vehivavy satria samy nanitsakitsa-bady.",
        "11": "Ny lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vadin-drainy dia manala baraka an-drainy. Tsy maintsy vonoina ho faty izy ireo, ary izy ireo ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "12": "Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vinantovaviny, dia tsy maintsy vonoina ho faty izy ireo. Tsy fanao voajanahary izany nataon\u2019izy ireo izany. Izy ireo ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "13": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny lehilahy toy ny fanaovana firaisana amin\u2019ny vehivavy, dia samy nanao zava-maharikoriko izy roa lahy, ka tsy maintsy vonoina ho faty. Izy ireo ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "14": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manambady vehivavy iray nefa koa manao firaisana amin\u2019ny renin\u2019ilay vehivavy, dia fanao mamoafady izany. Samy hodorana na ilay lehilahy na izy mianaka, mba tsy hitohy eo aminareo izany fitondran-tena mamoafady izany.",
        "15": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny biby, dia tsy maintsy vonoina ho faty izy, ary hovonoina koa ilay biby.",
        "16": "Raha misy vehivavy manatona biby mba hanao firaisana aminy, dia hovonoinao ho faty ilay vehivavy sy ilay biby. Tsy maintsy vonoina ho faty izy ireo. Izy ireo ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "17": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny anabaviny, na amin\u2019ny zanakavavin-drainy na ny zanakavavin-dreniny, ka hitany ny fitanjahan\u2019ilay vehivavy ary ilay vehivavy koa mahita ny fitanjahany, dia manala baraka izany. Tsy maintsy haringana eo imason\u2019ny zanaky ny fireneny izy mianadahy. Manala baraka an\u2019ilay anabaviny izy, ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.",
        "18": "\u201c\u2018Raha misy lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vehivavy tonga fotoana, dia samy mampihanjahanja ny fivoahan\u2019ny ran\u2019ilay vehivavy izy roa. Koa tsy maintsy haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izy ireo.",
        "19": "\u201c\u2018Aza manao firaisana amin\u2019ny rahavavin-dreninao na ny anabavin-drainao, satria manala baraka olona iray ra aminao izany. Hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo.",
        "20": "Ny lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vadin\u2019ny rahalahin-drainy, dia manala baraka ny rahalahin-drainy. Hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy mianaka, ary ho faty tsy miteraka.",
        "21": "Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia zava-maharikoriko izany. Manala baraka ny rahalahiny izy, ka ho faty tsy miteraka izy roa.",
        "22": "\u201c\u2018Ankatoavy ny fitsipiko rehetra sy ny didim-pitsarako rehetra ka tanteraho, mba tsy handoa anareo ilay tany hitondrako anareo mba hipetrahanareo.",
        "23": "Aza manaraka ny fanaon\u2019ireo firenena izay roahiko tsy ho eo anatrehanareo. Nanao an\u2019izany rehetra izany mantsy izy ireo, ka halako.",
        "24": "Izany no antony nilazako taminareo hoe: \u201cHalainareo ho anareo ny tanin\u2019izy ireo, ary homeko anareo ho fanananareo izany. Tany tondra-dronono sy tantely ilay izy. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nanavaka anareo tamin\u2019ireo firenena.\u201d",
        "25": "Avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio. Ary mitandrema sao haharikoriko ahy ianareo noho ny amin\u2019ny biby sy vorona ary biby mandady amin\u2019ny tany, izay efa navahako hoe maloto aminareo.",
        "26": "Tsy maintsy masina eo anatrehako ianareo, satria izaho Jehovah dia masina. Ary avahako amin\u2019ireo firenena ianareo mba ho ahy.",
        "27": "\u201c\u2018Tsy maintsy vonoina ho faty izay lehilahy na vehivavy mpamoha angatra na mpilaza ny hoavy. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka, ary izy ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.\u2019\u201d"
    },
    "21": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cIlazao ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona hoe: \u2018Tsy tokony hisy amin\u2019izy ireo handoto ny tenany rehefa misy maty eo amin\u2019ny fireneny.",
        "2": "Azony atao anefa izany raha havany akaiky iray\u00a0ra aminy no maty, izany hoe ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, na ny rahalahiny.",
        "3": "Azony atao koa ny mandoto ny tenany rehefa maty ny anabaviny, raha virjiny ilay anabaviny sady akaiky azy ary mbola tsy manambady.",
        "4": "Tsy mahazo mandoto ny tenany kosa izy na manao izay hahatonga ny tenany haloto, raha vehivavy manambady olona iray\u00a0firenena aminy no maty.",
        "5": "Tsy tokony hosolainy ny lohany, na hoharatany ny sisin\u2019ny volombavany, na hodidididiany ny vatany.",
        "6": "Tokony ho masina eo anatrehan\u2019ny Andriamaniny kosa izy, ary tsy hanazimbazimba ny anaran\u2019ny Andriamaniny, satria izy no manolotra ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, izany hoe ny sakafo ho an\u2019ny Andriamaniny. Tsy maintsy masina izy.",
        "7": "Tsy tokony hanambady mpivaro-tena izy, na vehivavy tsy virjiny intsony na nisara-bady, satria masina eo anatrehan\u2019ny Andriamaniny ny mpisorona.",
        "8": "Hamasino izy, satria izy no manolotra ny sakafo ho an\u2019ny Andriamanitrao. Ary tokony ho masina aminao izy, satria masina izaho Jehovah izay manamasina anareo.",
        "9": "\u201c\u2018Ary raha mandoto ny tenany ny zanakavavin\u2019ny mpisorona satria mivaro-tena, dia manala baraka ny rainy izy, ka hodorana.",
        "10": "\u201c\u2018Ny mpisoronabe eo amin\u2019ny rahalahiny dia tsy hamela ny volony hisavoritaka na handrovitra ny akanjony. Efa nandrarahana menaka masina fanosorana mantsy ny lohany, ary efa voatendry hanao ny akanjon\u2019ny mpisorona izy.",
        "11": "Tsy tokony hanakaiky olona maty izy, ary tsy mahazo mandoto ny tenany na dia ny rainy sy ny reniny aza no maty.",
        "12": "Tsy hivoaka ny toerana masina izy, na hanazimbazimba ny toerana masin\u2019ny Andriamaniny, satria eo aminy ilay famantarana hoe voatokana izy, dia ilay menaka fanosorana avy amin\u2019ny Andriamaniny. Izaho no Jehovah.",
        "13": "\u201c\u2018Vehivavy virjiny no tsy maintsy halainy ho vady.",
        "14": "Tsy mahazo manambady vehivavy maty vady izy, na vehivavy nisara-bady na tsy virjiny intsony na mpivaro-tena. Fa virjiny avy amin\u2019ny fireneny ihany no tokony halainy.",
        "15": "Tsy tokony hanao izay hahatonga ny taranany haloto eo amin\u2019ny fireneny izy, satria izaho no Jehovah izay manamasina azy.\u2019\u201d",
        "16": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "17": "\u201cIlazao i Arona hoe: \u2018Tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an\u2019ny Andriamaniny izay lehilahy manan-takaitra anisan\u2019ny taranakao, hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby.",
        "18": "Tsy misy mahazo manatona hanao an\u2019izany ny lehilahy manan-takaitra, izany hoe jamba, malemy tongotra, misy simba ny tarehiny, lava loatra ny tanany ilany na ny tongony ilany,",
        "19": "misy tapaka ny taolan-tongony na ny taolan-tanany,",
        "20": "vokoka, fohy kely, misy aretina ny masony, misy aretin-koditra mivoaramena na misy mamariparitra boribory ny hodiny, na simba ny vihiny.",
        "21": "Tsy mahazo manatona mba hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izay lehilahy manan-takaitra anisan\u2019ny taranak\u2019i Arona mpisorona. Manan-takaitra izy, ka tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an\u2019ny Andriamaniny.",
        "22": "Fa azony atao ihany ny mihinana ny sakafo natolotra ho an\u2019ny Andriamaniny, izay avy amin\u2019ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina.",
        "23": "Tsy azony atao anefa ny mankeo akaikin\u2019ny ridao na manatona ny alitara, satria manan-takaitra izy. Tsy hanazimbazimba ny toerako masina izy, fa izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.\u2019\u201d",
        "24": "Koa noresahin\u2019i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra izany."
    },
    "22": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cTeneno i Arona sy ny zanany lahy mba hitandrina tsara rehefa mikarakara ny zava-masina hamasinin\u2019ny Israelita ho ahy, ka tsy hanazimbazimba ny anarako masina. Izaho no Jehovah.",
        "3": "Izao lazaina aminy: \u2018Izay taranakareo fara aman-dimby ka mbola maloto, nefa manakaiky ny zava-masina hamasinin\u2019ny Israelita ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho eo anatrehako. Izaho no Jehovah.",
        "4": "Tsy mahazo mihinana amin\u2019ny zava-masina izay lehilahy taranak\u2019i Arona, mandra-pahadiony, raha ohatra izy ka boka, na misy tsiranoka mivoaka amin\u2019ny filahiany, na mikasika olona voaloton\u2019ny faty, na mivoaka tsirinaina,",
        "5": "na mikasika biby maloto mifanaretsaka, na mikasika olona maloto, na inona na inona nandoto azy, ka mety hahatonga an\u2019ilay lehilahy haloto.",
        "6": "Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay olona mikasika ny iray amin\u2019ireo, ka tsy mahazo mihinana amin\u2019ny zava-masina raha tsy efa nandro tamin\u2019ny rano.",
        "7": "Hadio izy rehefa milentika ny masoandro. Mahazo mihinana amin\u2019ny zava-masina izy aorian\u2019izay, satria sakafony izany.",
        "8": "Tsy tokony hihinana biby maty ho azy na noviravirain\u2019ny bibidia koa izy, sao ho voaloton\u2019izany. Izaho no Jehovah.",
        "9": "\u201c\u2018Tsy maintsy manao an\u2019izay takiko aminy izy ireo, sao hanota ka ho faty satria nanazimbazimba zava-masina. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.",
        "10": "\u201c\u2018Tsy mahazo mihinana zava-masina ny olona tsy nahazo alalana. Tsy mahazo mihinana zava-masina ny olona hafa firenena mivahiny ao amin\u2019ny mpisorona na ny olona karamaina.",
        "11": "Fa raha misy mpisorona mividy olona amin\u2019ny volany, dia mahazo mihinana amin\u2019ny zava-masina ilay olona. Mahazo mihinana amin\u2019ny sakafon\u2019ny mpisorona koa izay mpanompo teraka tao an-tranony.",
        "12": "Raha manambady tsy mpisorona ny zanakavavin\u2019ny mpisorona, dia tsy mahazo mihinana amin\u2019ny zava-masina natao fanomezana izy.",
        "13": "Mahazo mihinana amin\u2019ny sakafon\u2019ny rainy anefa izy raha lasa maty vady na nisara-bady nefa mbola tsy niteraka, ka mody any an-tranon\u2019ny rainy toy ny tamin\u2019izy mbola tanora. Tsy mahazo mihinana amin\u2019izany kosa ny olona tsy nahazo alalana.",
        "14": "\u201c\u2018Raha misy olona nihinana tsy nahy tamin\u2019ny zava-masina, dia tsy maintsy honerany izany sady hampiany ampahadiminy. Ary homeny ny mpisorona izany fanatitra masina izany.",
        "15": "Koa tsy tokony hozimbazimbain\u2019ny mpisorona ny zava-masina omen\u2019ny Israelita ho an\u2019i Jehovah,",
        "16": "sady tsy tokony hataony izay hahatonga ny Israelita ho voasazy noho izy ireo meloka satria nihinana tamin\u2019ny zava-masina natolony. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.\u2019\u201d",
        "17": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "18": "\u201cIlazao i Arona sy ny zanany lahy ary ny Israelita rehetra hoe: \u2018Rehefa manolotra fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, mba hanefana voady na ho fanatitra an-tsitrapo, ny lehilahy israelita na ny hafa firenena monina eo aminy,",
        "19": "dia tokony ho lahy tsy misy kilema no hatolony, na omby izany na vantotr\u2019ondry na osy, mba hahazoany sitraka.",
        "20": "Tsy hanolotra an\u2019izay manan-takaitra ianareo, fa tsy hahazoanareo sitraka izany.",
        "21": "\u201c\u2018Raha misy manolotra sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah mba hanefana voady na ho fanatitra an-tsitrapo, dia tokony ho biby tsy misy kilema no hatolony, na omby izany na ondry na osy, mba hahazoany sitraka. Tsy tokony hanan-takaitra mihitsy izany.",
        "22": "Tsy tokony ho jamba izay biby atao fanatitra, ary tsy tokony ho tapa-taolana, na maratra, na misy votsy, na misy aretin-koditra manako-pery na mamariparitra boribory. Tsy azo atolotra ho an\u2019i Jehovah na atao eo ambony alitara ho an\u2019i Jehovah ny biby hoatr\u2019izany.",
        "23": "Azonao atao fanatitra an-tsitrapo ny omby na ondry manana tongotra\u00a0ila lava loatra na fohy loatra. Tsy hankasitrahana kosa izany raha ho fanefana voady.",
        "24": "Aza atolotra ho an\u2019i Jehovah ny biby raha simba ny vihiny, na torotoro, na voaongotra, na tapaka. Aza manolotra biby toy izany ao amin\u2019ny taninareo.",
        "25": "Tsy azonareo atolotra ho sakafo ho an\u2019ny Andriamanitrareo ny biby toy ireo, izay avy amin\u2019ny olona hafa firenena, satria misy kilema sy manan-takaitra. Tsy hahazoanareo sitraka izany.\u2019\u201d",
        "26": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "27": "\u201cRehefa misy omby na ondrilahy na osy vao teraka, dia mbola hiaraka amin-dreniny aloha izy mandritra ny fito andro. Azo ekena ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah kosa izy, rehefa feno valo andro no ho miakatra.",
        "28": "Aza miara-vonoina amin\u2019ny zanany ao anatin\u2019ny indray andro ny omby na ny ondry.",
        "29": "\u201cRaha manao sorona biby ianareo ho sorona fisaorana ho an\u2019i Jehovah, dia ataovy mba hahazoana sitraka aminy izany.",
        "30": "Tokony hohanina ny androtr\u2019iny izany, fa tsy hamelana mandra-paharainan\u2019ny andro. Izaho no Jehovah.",
        "31": "\u201cAnkatoavy ny didiko ka tanteraho. Izaho no Jehovah.",
        "32": "Aza zimbazimbaina ny anarako masina, fa hohamasinina eo anivon\u2019ny Israelita aho. Izaho no Jehovah izay manamasina anareo,",
        "33": "ilay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho. Izaho no Jehovah.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Fivoriambe masina ireo fety asain\u2019i Jehovah anaovanareo antso avo hoe hankalazaina. Ireto avy izany:",
        "3": "\u201c\u2018Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito, sady fivoriambe masina. Aza manao asa na inona na inona, fa tokony ho sabata ho an\u2019i Jehovah izany andro izany, na aiza na aiza ipetrahanareo.",
        "4": "\u201c\u2018Ireto avy ny fety nandidian\u2019i Jehovah, izany hoe ireo fivoriambe masina izay tokony hanaovanareo antso avo, amin\u2019ny fotoana voatondro hankalazana azy:",
        "5": "Paska ho an\u2019i Jehovah ny andro faha-14 amin\u2019ny volana voalohany, amin\u2019ny takariva.",
        "6": "\u201c\u2018Ny andro faha-15 amin\u2019io volana io dia Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Fety ho an\u2019i Jehovah izany, ary mandritra ny fito andro ianareo no hihinana mofo tsy misy lalivay.",
        "7": "Hanao fivoriambe masina ianareo amin\u2019ny andro voalohany. Tsy tokony hanao asa mafy ianareo, na inona izany na inona.",
        "8": "Hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah anefa ianareo mandritra ny fito andro. Ary hisy fivoriambe masina amin\u2019ny andro fahafito. Tsy tokony hanao asa mafy ianareo, na inona izany na inona.\u2019\u201d",
        "9": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "10": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Rehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany homeko anareo ianareo ka mijinja ny vokatra ao, dia mitondr\u00e0 amboara iray avy amin\u2019ny voaloham-bokatrareo ho any amin\u2019ny mpisorona.",
        "11": "Ary hahetsiketsiny eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay amboara, mba hahazoanareo sitraka aminy. Ny ampitson\u2019ny Sabata ny mpisorona no tokony hanetsiketsika an\u2019izany.",
        "12": "Amin\u2019ny andro hanetsiketsehana an\u2019ilay amboara no hanoloranareo ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah.",
        "13": "Ny fanatitra varimbazaha hampiarahina amin\u2019izany, dia lafarinina tsara toto roa\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha, nafangaro menaka, ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, mba ho hanitra mahafinaritra azy. Ampiaraho aminy koa ny divay ampahefatry ny hina mba ho fanatitra zava-pisotro.",
        "14": "Aza mihinana mofo, na voa natono, na voa vaovao, mandra-pahatongan\u2019ilay andro hitondranareo ny fanatitra ho an\u2019Andriamanitrareo. Fitsipika tokony harahinareo sy ny taranakareo foana izany, na aiza na aiza ipetrahanareo.",
        "15": "\u201c\u2018Manis\u00e0 sabata fito manomboka ny ampitson\u2019ny Sabata, manomboka amin\u2019ilay andro itondranareo ny amboara atao fanatitra ahetsiketsika. Tokony ho fito herinandro katroka ireo.",
        "16": "Hanisa 50\u00a0andro ianareo, mandra-pahatongan\u2019ny ampitson\u2019ny Sabata fahafito. Dia manolora fanatitra varimbazaha vaovao ho an\u2019i Jehovah.",
        "17": "Mitondr\u00e0 mofo roa avy any amin\u2019ny toerana ipetrahanareo, ho fanatitra ahetsiketsika. Tokony ho lafarinina tsara toto roa\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hanaovana azy ireo, ary tokony hasiana lalivay sady hatao ao anaty lafaoro, ho voaloham-bokatra ho an\u2019i Jehovah.",
        "18": "Ary izao no atolory miaraka amin\u2019ny mofo: Ondrilahy kely fito tsy misy kilema sady herintaona avy, sy vantotr\u2019ombilahy iray, ary ondrilahy roa. Ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah ireo, miaraka amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro tokony hiaraka aminy. Ho fanatitra atao anaty afo ireo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "19": "Ary manolora zanak\u2019osy iray ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy kely roa izay herintaona avy ho sorona iombonana.",
        "20": "Dia hahetsiketsiky ny mpisorona, ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah, ireo ondrilahy kely roa sy ny mofo natao tamin\u2019ny voaloham-bokatra. Ho zava-masina eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo, ary ho an\u2019ilay mpisorona.",
        "21": "Dia manaova antso avo amin\u2019io andro io hoe hisy fivoriambe masina ho anareo. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona. Fitsipika tokony harahinareo sy ny taranakareo foana izany, any amin\u2019ny toerana rehetra ipetrahanareo.",
        "22": "\u201c\u2018Rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia aza jinjaina tanteraka ny sisin\u2019ny sahanareo, ary aza alaina ny vokatra navelan\u2019ny mpijinja. Avelao ho an\u2019ny mahantra sy ny hafa firenena monina eo aminareo izany. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d",
        "23": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "24": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Amin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahafito dia hitsahatra tanteraka ianareo. Hotsofina ny trompetra amin\u2019io andro io mba hahatsiarovanareo fa fivoriambe masina izy io.",
        "25": "Aza manao asa mafy, na inona izany na inona, ary manolora fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.\u2019\u201d",
        "26": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "27": "\u201cAndro Fandrakofam-pahotana kosa ny andro fahafolon\u2019io volana fahafito io. Hanao fivoriambe masina ianareo, ary hampijaly tena sy hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "28": "Aza manao asa na inona na inona amin\u2019io andro manokana io satria andro fandrakofam-pahotana izy io, handrakofana ny fahotanareo eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.",
        "29": "Haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izay tsy mampijaly tena amin\u2019io andro io.",
        "30": "Ary haringako tsy ho eo amin\u2019ny fireneny izay rehetra manao asa amin\u2019io andro io, na inona izany na inona.",
        "31": "Aza manao asa, na inona izany na inona. Fitsipika tokony harahinareo sy ny taranakareo foana izany, na aiza na aiza ipetrahanareo.",
        "32": "Sabata fitsaharana tanteraka izany ho anareo, ary hampijaly tena ianareo amin\u2019ny andro fahasivin\u2019ny volana, amin\u2019ny takariva. Hitandrina ny sabatanareo ianareo amin\u2019io andro io, manomboka amin\u2019ny takariva ka hatramin\u2019ny ampitso takariva.\u201d",
        "33": "Mbola niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:",
        "34": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Ny andro faha-15 amin\u2019io volana fahafito io dia Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo. Fety ho an\u2019i Jehovah izany, ary maharitra fito andro.",
        "35": "Hisy fivoriambe masina amin\u2019ny andro voalohany, ka tsy tokony hanao asa mafy ianareo, na inona izany na inona.",
        "36": "Fito andro no hanoloranareo fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Hanao fivoriambe masina ianareo amin\u2019ny andro fahavalo, ary hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Fivoriambe makotrokotroka izany, ka aza manao asa mafy, na inona izany na inona.",
        "37": "\u201c\u2018Ireo no fety asain\u2019i Jehovah anaovanareo antso avo. Fivoriambe masina hanolorana fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah ireo, dia ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin\u2019ny sorona ary ny fanatitra zava-pisotro, araka ny fandaharam-potoana isan\u2019andro.",
        "38": "Ho fanampin\u2019ny fanatitra atolotra rehefa sabatan\u2019i Jehovah ireo rehetra ireo, ary ho fanampin\u2019ny fanomezana sy ny fanatitra fanefana voady ary ny fanatitra an-tsitrapo, izay tokony homenareo an\u2019i Jehovah.",
        "39": "Hankalaza ny fety ho an\u2019i Jehovah mandritra ny fito andro kosa ianareo, manomboka amin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana fahafito, rehefa voangonareo ny vokatry ny tany. Fitsaharana tanteraka ny andro voalohany, ary fitsaharana tanteraka koa ny andro fahavalo.",
        "40": "Amin\u2019ny andro voalohany, dia haka voan\u2019ny hazo mijoalajoala tsara tarehy ianareo, ary haka ravina palmie sy sampana hazo be\u00a0ravina ary sampana hazo aravaha any amin\u2019ny lohasaha. Dia hifaly mandritra ny fito andro eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.",
        "41": "Ankalazao ho fety ho an\u2019i Jehovah izany isan-taona, mandritra ny fito andro. Tokony hankalaza an\u2019izany ianareo amin\u2019ny volana fahafito, ary ho fitsipika tokony harahinareo sy ny taranakareo rehetra foana izany.",
        "42": "Tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo mandritra ny fito andro ianareo. Hipetraka ao anaty trano rantsankazo ny teratany israelita rehetra,",
        "43": "mba hahafantaran\u2019ny taranakareo ho avy fa tao anaty trano rantsankazo ny Israelita no nasaiko nipetraka, tamin\u2019izaho nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d",
        "44": "Nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israelita \u00e0ry ny momba an\u2019ireo fety nasain\u2019i Jehovah nankalazaina."
    },
    "24": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cAsaivo mitondra menak\u2019oliva tsy misy fangarony avy amin\u2019ny oliva voatoto ny Israelita, mba hatao amin\u2019ny jiro. Amin\u2019izay dia hirehitra foana ny jiro.",
        "3": "Eo anoloan\u2019ilay ridao eo akaikin\u2019ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, no hikarakaran\u2019i Arona ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay izy, manomboka amin\u2019ny hariva mandra-paharainan\u2019ny andro. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo rehetra.",
        "4": "Hataony vonona eo ambony fitoeran-jiro vita amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony ireo jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "5": "\u201cHaka lafarinina tsara toto ianao ka hanao mofo boribory 12, dia hanao an\u2019izany ao anaty lafaoro. Lafarinina roa ampahafolon\u2019ny efaha no hanaovana ny mofo tsirairay.",
        "6": "Zarao ho roa toko ireo mofo ireo ka ataovy mofo enina mifanaingina ny toko tsirairay, dia ataovy eo ambonin\u2019ilay latabatra vita amin\u2019ny volamena tsy misy fangarony, eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "7": "Asio ditin-kazo manitra tsy misy fangarony eo ambonin\u2019ny toko tsirairay. Dia ataovy fanatitra ho solon\u2019ny mofo ilay ditin-kazo, ho santionany amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "8": "Isaky ny Sabata no halahatra tsy tapaka eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo mofo. Fifanekena maharitra ela be ataony amin\u2019ny Israelita izany.",
        "9": "Ho lasan\u2019i Arona sy ny zanany lahy izany, ka hohanin\u2019izy ireo ao amin\u2019izay toerana masina, satria zavatra masina indrindra ho an\u2019ny mpisorona, avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Fitsipika tokony harahina foana izany.\u201d",
        "10": "Nisy lehilahy iray, zanaka vehivavy israelita sy lehilahy ejipsianina, teo amin\u2019ny Israelita. Niady tao amin\u2019ny toby io lehilahy io sy ny lehilahy israelita iray.",
        "11": "Niteny ratsy sy nanozona an\u2019ilay Anarana io zanaka vehivavy israelita io. Koa nentina tany amin\u2019i Mosesy izy. Selomita no anaran-dreniny, ary zanakavavin\u2019i Dibry avy amin\u2019ny fokon\u2019i Dana izy io.",
        "12": "Nambenana ilay lehilahy, mandra-pahafantatra mazava tsara hoe inona ny fanapahan-kevitr\u2019i Jehovah.",
        "13": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "14": "\u201cEnto mivoaka ny toby ilay nanozona. Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay olona izay rehetra nandre ny zavatra nolazainy. Hitora-bato azy ny vahoaka manontolo avy eo.",
        "15": "Ary izao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Izay olona manozona ny Andriamaniny dia hizaka ny vokatry ny fahotany.",
        "16": "Koa tsy maintsy vonoina ho faty izay miteny ratsy ny anaran\u2019i Jehovah. Tsy maintsy mitora-bato azy ny vahoaka manontolo. Hovonoina ho faty izay miteny ratsy an\u2019ilay Anarana, na hafa firenena izy na teratany.",
        "17": "\u201c\u2018Raha misy manala ain\u2019olona, dia tsy maintsy vonoina ho faty koa izy.",
        "18": "Izay mamono biby fiompy ka mahafaty azy dia hanonitra an\u2019izany, ka hanome biby ho solon\u2019ny biby.",
        "19": "Raha misy olona mandratra olon-kafa, dia izay nataony tamin\u2019ilay namany ihany no hatao aminy:",
        "20": "Tapaka ho solon\u2019ny tapaka, maso ho solon\u2019ny maso, nify ho solon\u2019ny nify. Izay ratra nataony tamin\u2019ilay olona no hatao aminy koa.",
        "21": "Hanonitra ny biby novonoiny izay namono biby ka nahafaty azy. Fa hovonoina ho faty kosa izay namely olona ka nahafaty azy.",
        "22": "\u201c\u2018Didim-pitsarana iray ihany no hampiharina aminareo, na vahiny na teratany. Izaho mantsy no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d",
        "23": "Dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israelita izany, ka nentina tany ivelan\u2019ny toby ilay nanozona, ary notoraham-bato. Nataon\u2019ny Israelita \u00e0ry izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy."
    },
    "25": {
        "1": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay hoe:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Rehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany homeko anareo ianareo, dia hitandrina sabata ho an\u2019i Jehovah ilay tany.",
        "3": "Enin-taona ianao no hamafy voa eo amin\u2019ny sahanao, ary enin-taona ianao no handrantsana ny voalobokao, sy hanangona ny vokatry ny tany.",
        "4": "Fa hisy sabata fialan-tsasatra tanteraka ho an\u2019ilay tany kosa amin\u2019ny taona fahafito, ho sabata ho an\u2019i Jehovah. Aza amafazana voa ny sahanao, ary aza rantsanana ny voalobokao.",
        "5": "Aza jinjaina izay naniry ho azy avy tamin\u2019ny voa tavela taorian\u2019ny fijinjana farany, ary aza otazana ny voan\u2019ny voaloboka tsy norantsanana. Fa tokony hisy taona iray hamelana ny tany hiala sasatra tanteraka.",
        "6": "Azonareo hanina anefa izay maniry ao amin\u2019ilay tany mandritra ny fotoana hitandremany an\u2019ilay sabata. Mahazo mihinana an\u2019izany ianao, ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao, ny olona karamainao, ny mpiavy monina eo aminao,",
        "7": "ary ny biby fiompinao sy ny bibidia ao amin\u2019ny taninao. Azo hanina daholo izay vokarin\u2019ilay tany.",
        "8": "\u201c\u2018Hanisa sabatan-taona fito ianao, izany hoe fito taona impito. Haharitra 49\u00a0taona \u00e0ry ireo sabatan-taona fito ireo.",
        "9": "Dia tsofy mafy ny anjombona amin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahafito. Amin\u2019ny Andro Fandrakofam-pahotana no hotsofinareo ny anjombona, mba ho re eran\u2019ny taninareo ny feony.",
        "10": "Ary hamasino ny taona faha-50, ka ataovy antso avo amin\u2019ny mponina rehetra ao amin\u2019ilay tany fa tonga ny fahafahana. Ho Jobily ho anareo izany, ka samy hahazo ny lovanareo indray ianareo ary samy hiverina any amin\u2019ny fianakavianareo avy.",
        "11": "Ho Jobily ho anareo ny taona faha-50. Aza mamafy voa na mijinja an\u2019izay naniry ho azy avy tamin\u2019ny voa tavela taorian\u2019ny fijinjana farany. Ary aza otazana ny voan\u2019ny voaloboka tsy norantsanana.",
        "12": "Fa Jobily izany, ka ho masina aminareo. Izay vokatra maniry ho azy ao amin\u2019ilay tany ihany no azonareo hanina.",
        "13": "\u201c\u2018Samy hahazo ny lovanareo indray ianareo, amin\u2019io taon-jobily io.",
        "14": "Aza mifanambaka raha mivarotra na mividy zavatra amin\u2019ny namanareo.",
        "15": "Arakaraka ny isan\u2019ny taona aorian\u2019ny Jobily no hividiananao tany amin\u2019ny namanao, ary arakaraka ny isan\u2019ny taona iakaran\u2019ny vokatra eo amin\u2019ilay tany no hivarotany aminao.",
        "16": "Raha mbola betsaka ny taona sisa tavela, dia azony ampiakarina ny vidin\u2019ilay izy. Fa rehefa vitsy kosa ny taona sisa tavela, dia tokony hahenany ny vidiny, satria ny isan\u2019ny fiakaran\u2019ny vokatra no amidiny aminao.",
        "17": "Tsy misy aminareo tokony hanambaka ny namany, ary matahora an\u2019Andriamanitrareo, satria izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "18": "Hiadana sy hilamina ianareo ao amin\u2019ilay tany, rehefa mankat\u00f2 ny fitsipiko sy mampihatra ny didim-pitsarako.",
        "19": "Hahavokatra ilay tany, dia hihinana ianareo ka ho voky, ary hiadana sy hilamina.",
        "20": "\u201c\u2018Mety hilaza anefa ianareo hoe: \u201cInona no hohaninay amin\u2019ny taona fahafito raha tsy mahazo mamafy voa na manangom-bokatra izahay?\u201d",
        "21": "Aza manahy fa handrotsaka fitahiana aminareo aho amin\u2019ny taona fahenina, ka hanome vokatra ampy anareo telo taona ilay tany.",
        "22": "Dia hamafy voa ianareo ny taona fahavalo, ka ny vokatra teo aloha no hohaninareo mandra-pahatongan\u2019ny taona fahasivy. Hihinana an\u2019izany ianareo, mandra-piakatry ny vokatra.",
        "23": "\u201c\u2018Tsy tokony hatao varo-maty ny tany, satria ahy ny tany fa mpivahiny sy mpiavy kosa ianareo amiko.",
        "24": "Tokony ho azon\u2019ny tompony vidina indray ny tany efa namidiny, na aiza na aiza misy anareo ao amin\u2019ilay tany ho lasanareo.",
        "25": "\u201c\u2018Raha lasa mahantra ny rahalahinao ka voatery nivarotra ny ampahany amin\u2019ny taniny, dia ny havany akaiky izay afaka manavotra azy no hividy an\u2019izay namidiny.",
        "26": "Raha tsy manana mpanavotra kosa izy nefa lasa manankarena ka mahazo vola hanavotana an\u2019ilay tany,",
        "27": "dia hanisa an\u2019ireo taona nanomboka tamin\u2019ny nivarotany azy izy, mba hahafantarany hoe ohatrinona no tokony ho vidin\u2019ilay tany. Dia hampifanalany amin\u2019ny vidiny namarotany azy izany, ary haloany amin\u2019ilay olona namarotany azy ny elanelany. Dia afaka mahazo ny lovany indray izy.",
        "28": "\u201c\u2018Fa raha tsy mahita vola hividianana indray an\u2019ilay tany izy, dia mbola ho an\u2019ilay nividy azy ihany ilay tany mandra-pahatongan\u2019ny taon-jobily. Ary haverina aminy izany rehefa tonga ny Jobily, ka ho azony indray ny lovany.",
        "29": "\u201c\u2018Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tan\u00e0na misy manda, dia hanan-jo hanavotra an\u2019izany foana izy mandra-pahatapitry ny herintaona, manomboka amin\u2019ny fotoana naharaikitra an\u2019ilay varotra. Haharitra herintaona katroka ny zony hanavotra an\u2019izany.",
        "30": "Fa raha tapitra ny herintaona, nefa tsy nisy nanavotra ilay trano ao anaty tan\u00e0na misy manda, dia ho fananan\u2019ilay olona nividy sy ny taranany fara aman-dimby ilay trano. Ho lasany izany, fa tsy haverina amin\u2019ny tompony intsony rehefa tonga ny Jobily.",
        "31": "Ny trano ao anaty tan\u00e0na kely tsy misy manda kosa, dia hoheverina ho anisan\u2019ny sahan\u2019ilay faritra. Hanan-jo hanavotra an\u2019ilay izy foana ny tompony, ary haverina aminy izany rehefa tonga ny Jobily.",
        "32": "\u201c\u2018Ny tranon\u2019ny Levita ao amin\u2019ny tan\u00e0nany kosa, dia ho azon\u2019ny Levita avotana raha namidy, ary hanan-jo hanao an\u2019izany foana izy ireo.",
        "33": "Raha tsy nisy nanavotra anefa ilay lovan\u2019ny Levita, dia haverina aminy ihany ilay trano namidy tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019izy ireo, rehefa tonga ny Jobily. Ny trano ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny Levita mantsy no lovan\u2019izy ireo eo amin\u2019ny Israelita.",
        "34": "Tsy azo amidy kosa ny kijana manodidina ny tan\u00e0nan\u2019izy ireo, satria fananan\u2019izy ireo mandrakizay izany.",
        "35": "\u201c\u2018Raha lasa mahantra ny rahalahinao miara-monina aminao ka tsy mahavelon-tena, dia ampio izy, hoatran\u2019ny hanampianao ny mpivahiny sy ny mpiavy, mba hahita fivelomana eo aminao foana.",
        "36": "Aza maka zanabola na maka tombony aminy. Matahora an\u2019Andriamanitrao, dia hahita fivelomana eo aminao foana ny rahalahinao.",
        "37": "Aza maka zanabola rehefa mampisambotra, ary aza mampisambotra sakafo mba hahazoana tombony.",
        "38": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba hanome anareo ny tany Kanana sy hampiseho aminareo fa Andriamanitrareo aho.",
        "39": "\u201c\u2018Aza terena hiasa hoatran\u2019ny andevo ny rahalahinao izay miara-monina aminao, raha lasa mahantra ka voatery mivarotra ny tenany aminao.",
        "40": "Ataovy toy ny mpikarama na toy ny mpiavy izy. Hiasa ao aminao izy mandra-pahatongan\u2019ny taon-jobily.",
        "41": "Dia hiala ao aminao izy sy ny zanany, ka hiverina any amin\u2019ny fianakaviany. Hiverina any amin\u2019ny lovan\u2019ny razambeny izy.",
        "42": "Mpanompoko nentiko nivoaka avy tany Ejipta mantsy izy ireo. Tsy tokony hivarotra ny tenany hoatran\u2019ny fivarotana andevo izy ireo.",
        "43": "Aza mampijaly ny rahalahinao, fa matahora an\u2019Andriamanitrao.",
        "44": "Tokony ho any amin\u2019ireo firenena manodidina no hakanareo mpanompolahy sy mpanompovavy ho anareo. Amin\u2019ireny no azonareo ividianana mpanompolahy na mpanompovavy.",
        "45": "Azonareo atao koa ny mividy mpanompo avy amin\u2019ny zanaky ny mpiavy monina eo aminareo, sy avy amin\u2019ny fianakaviana izay naterany tao amin\u2019ny taninareo. Dia ho lasa fanananareo izy ireny.",
        "46": "Azonareo omena ho lovan\u2019ny taranakareo izy ireny mba ho fananany mandrakizay. Azonareo atao mpiasa izy ireny, fa ny Israelita rahalahinareo kosa aza ampijalina.",
        "47": "\u201c\u2018Fa raha lasa manankarena ny mpivahiny na ny mpiavy monina eo aminao, nefa ny rahalahinao izay miara-monina aminy lasa mahantra ka voatery mivarotra ny tenany amin\u2019ilay mpivahiny na ilay mpiavy, na amin\u2019ny mpianakavin\u2019ilay mpivahiny,",
        "48": "dia ho azo avotana foana izy rehefa avy nivarotra ny tenany, ary zony izany. Mahazo mividy azy indray ny iray amin\u2019ireo rahalahiny,",
        "49": "na ny dadatoany, na ny zanaky ny dadatoany, na izay havany akaiky anisan\u2019ny fianakaviany. \u201c\u2018Na raha lasa manankarena izy, dia azony atao ny manavotra ny tenany.",
        "50": "Tokony hisainy miaraka amin\u2019ilay olona nividy azy ny taona nanomboka tamin\u2019ny taona nivarotany ny tenany ka hatramin\u2019ny taon-jobily, dia ho arakaraka ny isan\u2019izany taona izany ny vidiny namarotany ny tenany. Hotombanana arakaraka ny vola azon\u2019ny mpikarama ny isan\u2019ny andro iasany mandritra an\u2019izany fotoana izany.",
        "51": "Raha mbola misy taona maro vao tonga ny Jobily, dia ho arakaraka ny isan\u2019izany taona tavela izany ny vola haloany ho vidin\u2019ny fanavotana azy.",
        "52": "Fa raha taona vitsivitsy sisa dia tonga ny taon-jobily, dia hanisa an\u2019izany izy, ka ho arakaraka ny isan\u2019izany taona tavela izany ny vola haloany ho vidin\u2019ny fanavotana azy.",
        "53": "Hanompo an\u2019ilay olona toy ny mpikarama izy mandritra ny taona iasany. Ary ataovy azo antoka hoe tsy mampijaly azy ilay olona.",
        "54": "Fa raha tsy afaka manavotra ny tenany araka ireo fepetra ireo izy, dia hafahana ihany izy sy ny zanany amin\u2019ny taon-jobily.",
        "55": "\u201c\u2018Mpanompoko mantsy ny Israelita. Mpanompoko nentiko nivoaka avy tany Ejipta izy ireo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo."
    },
    "26": {
        "1": "\u201c\u2018Aza manao andriamanitra tsy misy dikany, na sary sokitra na tsangambato masina ho anareo. Aza asiana vato voasokitra ao amin\u2019ny taninareo mba hiankohofanareo aminy. Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.",
        "2": "Tandremo ny sabatako, ary hajao ny toerako masina. Izaho no Jehovah.",
        "3": "\u201c\u2018Raha manaraka ny fitsipiko sy mankat\u00f2 foana ny didiko ianareo ka manatanteraka an\u2019izany,",
        "4": "dia homeko ranonorana amin\u2019ny fotoanany, ka hahavokatra ny tany ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.",
        "5": "Ny fotoam-piasana eny am-pamoloana ho tratran\u2019ny fiotazam-boaloboka, ary ny fiotazam-boaloboka ho tratran\u2019ny famafazam-boa. Hihinana mofo ianareo ka ho voky, ary hiadana sy hilamina ao amin\u2019ny taninareo.",
        "6": "Hataoko manjaka ao amin\u2019ilay tany ny filaminana, ka tsy hisy hampatahotra anareo rehefa matory ianareo. Hesoriko tanteraka ao amin\u2019ilay tany ny bibidia masiaka, ary tsy hisy mpanafika hamely ny taninareo amin\u2019ny sabatra.",
        "7": "Hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ary hovonoinareo amin\u2019ny sabatra ireny.",
        "8": "Ny 5 aminareo hanenjika 100, ary ny 100 hanenjika 10\u00a0000, ary hovonoinareo amin\u2019ny sabatra ny fahavalonareo.",
        "9": "\u201c\u2018Hitahy anareo aho, ka hataoko manan-taranaka sy ho maro be ianareo, ary hohajaiko ny fifanekena nataoko taminareo.",
        "10": "Mbola tsy laninareo akory ny vokatra tamin\u2019ny taon-dasa, dia efa tsy maintsy hesorinareo izany mba hisy toerana ho an\u2019ny vaovao.",
        "11": "Dia hataoko eo aminareo ny tranolaiko, ary tsy hanary anareo aho.",
        "12": "Ho eo aminareo aho ka ho Andriamanitrareo, ary ianareo ho vahoakako.",
        "13": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba tsy ho andevo intsony ianareo. Ary notapahiko ny baran\u2019ny zioganareo, ka nataoko nitraka tsara ianareo rehefa nandeha.",
        "14": "\u201c\u2018Fa raha tsy mihaino ahy kosa ianareo na tsy mankat\u00f2 an\u2019ireo didy rehetra ireo,",
        "15": "ary raha mandika ny fitsipiko sy mankahala ny didim-pitsarako ianareo ka tsy mankat\u00f2 ny didiko rehetra, ary tsy hajainareo ny fifanekena nataoko,",
        "16": "dia izao no hataoko aminareo: Hosaziko ianareo ka ho kivy sy ho voan\u2019ny tioberkilaozy ary hanavy be, dia hanjavozavo ny masonareo ary ho kely ny ainareo. Ho very maina fotsiny ny namafazanareo voa, satria ny fahavalonareo no hihinana ny vokatra avy amin\u2019izany.",
        "17": "Hanohitra anareo aho, ka ho resin\u2019ny fahavalonareo ianareo. Ary hampijaly anareo ireo mankahala anareo. Dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.",
        "18": "\u201c\u2018Raha mbola tsy mihaino ahy ihany ianareo na eo aza izany, dia hampiako avo fito heny ny sazinareo noho ny fahotanareo.",
        "19": "Hataoko izay hahatonga anareo tsy hirehareha sy tsy ho mafy loha intsony. Ary hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo.",
        "20": "Ho lany hery fotsiny ianareo, satria tsy hahavokatra ny taninareo ary tsy hamoa ny hazo ao amin\u2019ilay tany.",
        "21": "\u201c\u2018Fa raha mbola manohitra ahy foana ianareo ka tsy mety mihaino ahy, dia hampiako avo fito heny ny kapoka homeko anareo noho ny fahotanareo.",
        "22": "Handefasako bibidia eo aminareo, ka hataony ripaka ny zanakareo ary hataony fongana ny biby fiompinareo. Ary hihena ny isanareo, ka tsy hisy olona ny lalanareo.",
        "23": "\u201c\u2018Raha mbola tsy manaiky hahitsiko ihany ianareo na eo aza izany fa mbola mikiry manohitra ahy foana,",
        "24": "dia hanohitra anareo koa aho. Izaho mihitsy no hamely anareo impito, noho ny fahotanareo.",
        "25": "Hasiako amin\u2019ny sabatra ianareo ho valin\u2019ny nivadihanareo tamin\u2019ny fifanekena. Raha mandositra ao an-tan\u00e0nanareo ianareo, dia handefasako aretina. Ary hataoko resin\u2019ny fahavalo ianareo.",
        "26": "Rehefa potehiko ny fitehirizana mofonareo, dia vehivavy folo no ho indray afaka hanao ny mofonareo ao anaty lafaoro iray ihany. Ary holanjainy izany rehefa hozarainy aminareo. Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.",
        "27": "\u201c\u2018Raha mbola tsy mihaino ahy ihany ianareo na eo aza izany fa mbola mikiry manohitra ahy,",
        "28": "dia hanohitra anareo mafimafy kokoa aho. Ary izaho mihitsy no hanasazy anareo impito noho ny fahotanareo.",
        "29": "Koa ho voatery hihinana ny nofon\u2019ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.",
        "30": "Hopotehiko ny toerana avo masina eo aminareo, horavako ny fandoroana emboka manitra, ary hataoko mivangongo eo ambonin\u2019ny fatin\u2019ny sampinareo maharikoriko ny fatinareo. Ary ho tofoka aminareo aho ka hiala aminareo.",
        "31": "Dia hasiako amin\u2019ny sabatra ny tan\u00e0nanareo, sady horavako ny toerana masinareo, ary tsy hahafinaritra ahy ny hanitry ny fanatitrareo.",
        "32": "Hataoko tsy misy mponina ny taninareo, ka ho gaga ny fahavalonareo izay honina ao rehefa mahita an\u2019izany.",
        "33": "Haparitako any amin\u2019ireo firenena ianareo, ary hanatsoaka sabatra hanenjehana anareo aho. Dia tsy hisy mponina ny taninareo, ary ho rava ny tan\u00e0nanareo.",
        "34": "\u201c\u2018Hanonitra ny sabatany ny tany amin\u2019izay, mandritra ny andro rehetra tsy hisian\u2019ny mponina ao, raha mbola any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalonareo ianareo. Dia hiala sasatra ilay tany, satria honerany ny sabatany.",
        "35": "Hiala sasatra ilay tany amin\u2019ny andro rehetra tsy hisian\u2019ny mponina ao, satria tsy niala sasatra izy nandritra ny sabatanareo, tamin\u2019ianareo nonina tao.",
        "36": "\u201c\u2018Ary ny amin\u2019ireo sisa tsy maty, dia hataoko kivy be ny fon\u2019izy ireo, any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalony. Koa hampandositra azy na dia feona ravinkazo entin\u2019ny rivotra aza. Ary hitsoaka hoatran\u2019ny mandositra sabatra izy, ka hianjera nefa tsy misy manenjika.",
        "37": "Dia ho voafingana sy hianjera eo ambonin\u2019ny namany izy ireo ka ho toy ny olona mandositra sabatra, na dia tsy misy manenjika aza. Tsy ho voatohitrareo ny fahavalonareo.",
        "38": "Dia ho faty any amin\u2019ireo firenena ianareo, ary ho ripaka any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalonareo.",
        "39": "Izay sisa aminareo dia ho lo any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalonareo noho ny fahadisoanareo. Ho lo tsikelikely tokoa izy ireo noho ny fahadisoan\u2019ny razambeny.",
        "40": "Dia hiaiky ny fahadisoany izy ireo ary hiaiky fa diso ny razambeny sady nivadika. Hiaiky koa izy ireo hoe nivadika satria nanohitra ahy.",
        "41": "Dia nanohitra azy ireo koa aho, ka nitondra azy tany amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalony. \u201c\u2018Angamba mba hanetry tena ihany ny fony tsy voafora amin\u2019izay, ka hanonitra ny fahadisoany izy ireo.",
        "42": "Dia hotsaroako ny fifanekena nataoko tamin\u2019i Jakoba, sy ilay fifanekena nataoko tamin\u2019i Isaka, ary ilay fifanekena nataoko tamin\u2019i Abrahama, ary hotsaroako ilay tany.",
        "43": "Hilaozan\u2019izy ireo ilay tany ka hanonitra ny sabatany sady tsy hisy mponina. Ary hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo satria tsy nampihatra ny didim-pitsarako, sady nankahala ny fitsipiko.",
        "44": "Na eo aza anefa izany rehetra izany, ary na mbola any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalony aza izy ireo, dia tsy handa na hanary azy ireo tanteraka aho ka hoe handripaka azy. Mivadika amin\u2019ny fifanekena nataoko taminy mantsy aho raha manao an\u2019izany. Fa izaho no Jehovah Andriamaniny.",
        "45": "Hitsinjo azy ireo aho, ka hotsaroako ny fifanekena nataoko tamin\u2019ny razambeny, izay nentiko nivoaka avy tany Ejipta teo imason\u2019ireo firenena, mba hampisehoako fa Andriamaniny aho. Izaho no Jehovah.\u2019\u201d",
        "46": "Ireo no fitsipika sy didim-pitsarana ary lal\u00e0na nomen\u2019i Jehovah ny Israelita tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy, teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay."
    },
    "27": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy manao voady manokana hoe hatolony ho an\u2019i Jehovah ny vola tokony ho vidin\u2019ny olona iray,",
        "3": "dia ho volafotsy 50 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, no vidiny anombanana azy raha lehilahy 20\u00a0taona ka hatramin\u2019ny 60\u00a0taona ilay olona,",
        "4": "fa ho 30 sekely kosa raha vehivavy izy.",
        "5": "Raha 5\u00a0taona ka hatramin\u2019ny 20\u00a0taona ilay olona, dia ho 20 sekely no vidiny anombanana azy raha lehilahy izy, fa ho 10 sekely kosa raha vehivavy.",
        "6": "Raha zaza iray volana ka hatramin\u2019ny dimy taona ilay izy, dia ho volafotsy dimy sekely no vidiny anombanana azy raha lahy, fa ho volafotsy telo sekely kosa raha vavy.",
        "7": "\u201c\u2018Raha 60\u00a0taona no ho miakatra kosa ilay olona, dia ho 15\u00a0sekely no vidiny anombanana ny lehilahy, ary ho 10 sekely ny vehivavy.",
        "8": "Fa raha mahantra loatra ilay mivoady ka tsy mahaloa an\u2019izay vidiny anombanana an\u2019ilay olona, dia hijoro eo anatrehan\u2019ny mpisorona ilay olona, ka ny mpisorona no hanombana ny vidiny. Araka izay mety ho takatry ny volan\u2019ilay mivoady no hanombanan\u2019ilay mpisorona azy.",
        "9": "\u201c\u2018Raha mivoady izy fa hanome biby azo atao fanatitra ho an\u2019i Jehovah, dia ho lasa zava-masina daholo izay hatolony ho an\u2019i Jehovah.",
        "10": "Tsy azony soloana ilay izy, ary tsy azony atakalo tsara ny ratsy, na atakalo ratsy ny tsara. Raha atakalony biby hafa anefa ilay biby, dia ho lasa masina ilay biby sy ilay takalony.",
        "11": "Raha biby maloto tsy azo atao fanatitra ho an\u2019i Jehovah kosa ilay izy, dia hajorony eo anatrehan\u2019ny mpisorona.",
        "12": "Ary hanombana ny vidiny ilay mpisorona, na tsara ilay biby na ratsy, ka izay vidiny anombanany azy no ho vidiny.",
        "13": "Raha sendra tian\u2019ilay olona havotana anefa ilay biby, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy sady mbola hampiany ampahadiminy.",
        "14": "\u201c\u2018Raha misy olona manamasina ny tranony ho zava-masina ho an\u2019i Jehovah, dia hanombana ny vidin\u2019ilay trano ny mpisorona, na tsara ilay izy na ratsy. Ary araka izay vidiny anombanan\u2019ny mpisorona azy no ho vidiny.",
        "15": "Fa raha te hanavotra an\u2019ilay tranony ilay nanamasina azy, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy sady mbola hampiany ampahadiminy, ka ho lasany ilay trano.",
        "16": "\u201c\u2018Raha misy olona manamasina ny ampahany amin\u2019ny taniny ho an\u2019i Jehovah, dia hotombanana arakaraka ny habetsahan\u2019ny voa ilaina afafy eo amin\u2019ilay tany ny vidiny: Ho volafotsy 50 sekely ny tany ampy hamafazana vary orza eran\u2019ny homera.",
        "17": "Raha hamasininy manomboka amin\u2019ny taon-jobily ny taniny, dia ho araka izay vidiny anombanana azy ny vidiny.",
        "18": "Fa raha hamasininy aorian\u2019ny Jobily kosa ilay taniny, dia hanao kajy ny mpisorona hamantarana ny vidin\u2019ilay tany. Ho arakaraka ny taona tavela mandra-pahatongan\u2019ny taon-jobily manaraka ny vidiny. Dia hahenany ny vidiny nanombanana an\u2019ilay tany.",
        "19": "Fa raha sendra hoe havotan\u2019ilay nanamasina azy ilay tany, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy sady mbola hampiany ampahadiminy, ka ho azy ihany ilay tany.",
        "20": "Fa raha tsy havotany kosa ilay tany ary efa namidy tamin\u2019olona, dia tsy ho azo avotana intsony.",
        "21": "Rehefa tonga ny Jobily, dia tsy an\u2019ilay olona nividy azy intsony ilay tany fa ho lasa zava-masina ho an\u2019i Jehovah satria voatokana ho azy. Ho lasa fananan\u2019ny mpisorona ilay tany.",
        "22": "\u201c\u2018Raha hamasinin\u2019ny olona iray ho an\u2019i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy anisan\u2019ny lovany,",
        "23": "dia hanao kajy ny mpisorona hahitana hoe ohatrinona no tokony ho vidin\u2019ilay tany mandra-pahatongan\u2019ny taon-jobily. Ary homen\u2019ilay olona amin\u2019iny andro iny ihany ny vidiny nanombanana an\u2019ilay tany. Zava-masina ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "24": "Hiverina amin\u2019ilay nividianany azy, izany hoe amin\u2019ny tompony, ilay tany rehefa tonga ny taon-jobily.",
        "25": "\u201c\u2018Hotombanana araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina ny vidin-javatra rehetra. Ho 20 gera ny iray sekely.",
        "26": "\u201c\u2018Tsy tokony hisy hanamasina anefa ny voalohan-teraka amin\u2019ny biby, satria voalohan-teraka ho an\u2019i Jehovah izany. Efa an\u2019i Jehovah izany, na omby na ondry na osy.",
        "27": "Raha biby maloto ilay izy ka manavotra azy araka ny vidiny anombanana azy ilay olona, dia hanome ny vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy. Fa hamidy araka izay vidiny anombanana azy kosa ilay izy, raha tsy avotana.",
        "28": "\u201c\u2018Tsy azo amidy na avotana ny zavatra voatokana, izany hoe izay zavatra natokan\u2019ny olona avy amin\u2019ny fananany ka natokany tsy misy fepetra ho an\u2019i Jehovah, na olona izany na biby na tany. Zavatra masina indrindra ho an\u2019i Jehovah ny zava-drehetra voatokana.",
        "29": "Tsy azo avotana koa ny olona efa voaheloka izay natokana haringana. Tsy maintsy vonoina ho faty izy.",
        "30": "\u201c\u2018An\u2019i Jehovah ny ampahafolony rehetra avy amin\u2019ny tany, na avy amin\u2019ny vokatry ny tany izany na avy amin\u2019ny voan\u2019ny hazo. Zava-masina ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "31": "Raha sendra misy olona te hanavotra an\u2019ilay ampahafolony, dia hanome an\u2019izay tokony ho vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy.",
        "32": "Ary amin\u2019ny ampahafolon\u2019ny biby fiompy, na omby izany na ondry na osy, izay mandalo eo ambany tehin\u2019ny mpiandry, dia ny biby fahafolo no tokony ho zava-masina ho an\u2019i Jehovah.",
        "33": "Tsy tokony hojereny na tsara na ratsy ilay biby, ary tsy tokony hatakalony. Raha tadiaviny hatakalo ihany anefa ilay izy, dia ho lasa zava-masina ilay biby sy ilay takalony. Tsy azo avotana izany.\u2019\u201d",
        "34": "Ireo no didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy ho an\u2019ny Israelita, teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay."
    },
    "meta": {
        "name": "Levitikosy",
        "order": 2,
        "chapter_number": 27
    }
}
