{
    "1": {
        "1": "Ny fiandohan\u2019ny vaovao tsara momba an\u2019i Jesosy Kristy, ilay Zanak\u2019Andriamanitra:",
        "2": "Izao no nosoratan\u2019i Isaia mpaminany: \u201c\u2014Halefako mialoha anao ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalanao.\u2014",
        "3": "Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: \u2018Omano ny lalana halehan\u2019i Jehovah! Ataovy mahitsy ny lalany.\u2019\u201d",
        "4": "Tany an-tany efitra \u00e0ry i Jaona Mpanao Batisa, nitory hoe tokony hatao batisa ny olona mba hampisehoana fa efa nibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony.",
        "5": "Dia nivoaka hihaino an\u2019i Jaona ny olona eran\u2019ny faritr\u2019i Jodia sy ny mponina rehetra tany Jerosalema. Nataony batisa tao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo sady niaiky ny fahotany teo imason\u2019ny olona.",
        "6": "Nanao akanjo volon-drameva sy fehikibo hoditra i Jaona, ary valala sy tantelidia no fihinany.",
        "7": "Ary nitory izy hoe: \u201cMisy mahery noho izaho ho avy ao aorianako. Tsy mendrika hiondrika hamaha ny tadin-kapany akory aza aho.",
        "8": "Izaho nanao batisa anareo tamin\u2019ny rano, fa izy kosa hanao batisa anareo amin\u2019ny fanahy masina.\u201d",
        "9": "Niala tany Nazareta any Galilia i Jesosy, tamin\u2019izany andro izany, dia nankany amin\u2019i Jaona ary nataony batisa tao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "10": "Vao niakatra avy tao anaty rano i Jesosy, dia hitany ny lanitra nisokatra sy ny fanahy masina nidina toy ny voromailala nankeo amboniny.",
        "11": "Dia nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: \u201cIanao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.\u201d",
        "12": "Ary tonga\u00a0dia nentanin\u2019ny fanahy masina ho any an-tany efitra izy.",
        "13": "Koa nijanona tany 40\u00a0andro izy, ary naka fanahy azy i Satana. Nisy bibidia tany, nefa nanampy azy ny anjely.",
        "14": "Rehefa voasambotra i Jaona, dia nankany Galilia i Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra.",
        "15": "Ary hoy izy: \u201cEfa tonga ny fotoana voatondro, ary efa akaiky ny Fanjakan\u2019Andriamanitra. Mibebaha ianareo, ka minoa ny vaovao tsara.\u201d",
        "16": "Nandeha teny amoron\u2019ny Ranomasin\u2019i Galilia izy, indray mandeha, dia nahita an\u2019i Simona sy Andrea rahalahiny nanipy ny haratony tao anaty ranomasina. Mpanarato mantsy izy ireo.",
        "17": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cAndao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.\u201d",
        "18": "Tonga\u00a0dia namela ny haratony \u00e0ry izy ireo ka nanaraka azy.",
        "19": "Mbola nandroso lavidavitra ihany izy dia nahita an\u2019i Jakoba zanak\u2019i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Tao an-tsambokeliny izy mirahalahy tamin\u2019izay, nanamboatra ny simba tamin\u2019ny haratony.",
        "20": "Ary nantsoin\u2019i Jesosy avy hatrany izy ireo, ka nandao an\u2019i Zebedio rainy teo an-tsambokely sy ireo mpikarama, dia nanaraka azy.",
        "21": "Ary nankany Kapernaomy izy ireo. Vao tonga ny Sabata, dia niditra tao amin\u2019ny synagoga izy ka nanomboka nampianatra.",
        "22": "Dia gaga ny olona tamin\u2019ny fomba fampianany. Nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dal\u00e0na.",
        "23": "Tamin\u2019izay indrindra no nisy lehilahy nisy fanahy maloto tao amin\u2019ilay synagoga. Niantsoantso mafy izy hoe:",
        "24": "\u201cFa inona koa no anelingelenanao anay at\u1ef3, ry\u00a0Jesosy avy any Nazareta? Tonga at\u1ef3 ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin\u2019Andriamanitra\u00a0e!\u201d",
        "25": "Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: \u201cMang\u00ecna, dia mivoaha aminy!\u201d",
        "26": "Ary nataon\u2019ilay fanahy maloto nifanintontsintona ilay lehilahy. Nikiakiaka mafy be koa ilay fanahy, dia avy eo nivoaka tamin\u2019ilay lehilahy.",
        "27": "Dia gaga be daholo ny olona ka nifampiresaka hoe: \u201cFa ahoana izao? Fampianarana vaovao izao! Na ny fanahy maloto aza baikoiny sady ananany fahefana, dia mankat\u00f2 azy.\u201d",
        "28": "Vetivety teo dia niely hatraiza hatraiza eran\u2019ny faritr\u2019i Galilia ny lazany.",
        "29": "Ary niala tao amin\u2019ilay synagoga izy ireo ka nankany an-tranon\u2019i Simona sy Andrea, niaraka tamin\u2019i Jakoba sy Jaona.",
        "30": "Nandamaka teo am-pandriana ny rafozambavin\u2019i Simona tamin\u2019izay fa nanavy. Tonga\u00a0dia noresahin\u2019izy ireo tamin\u2019i Jesosy ny momba azy.",
        "31": "Nankeo amin\u2019ilay ramatoa \u00e0ry izy ka nandray ny tanany ary nanarina azy. Dia afaka ny fanaviany, ary nikarakara sakafo ho an\u2019ireo izy.",
        "32": "Rehefa hariva ny andro ka efa nilentika ny masoandro, dia nentin\u2019ny olona teo aminy izay rehetra narary sy nisy demonia,",
        "33": "ka nitangorona teo am-baravarana daholo ny tao an-tan\u00e0na.",
        "34": "Dia nanasitrana olona be dia be voan\u2019ny aretina isan-karazany izy, ary namoaka demonia maro. Tsy navelany hiteniteny anefa ny demonia, satria fantatr\u2019ireny fa izy no Kristy.",
        "35": "Vao maraina, raha mbola maizina ny andro, dia nitsangana izy ka lasa nankany amin\u2019ny toerana mitokana, ary nivavaka tany.",
        "36": "Nitady azy hatraiza hatraiza anefa i Simona sy ireo niaraka taminy.",
        "37": "Rehefa nahita azy izy ireo dia niteny hoe: \u201cMitady anao daholo ny olona.\u201d",
        "38": "Hoy anefa izy tamin\u2019ireo: \u201cAndao isika ho any an-toeran-kafa, any amin\u2019ny tan\u00e0na manodidina, mba hitoriako any koa, fa izany no antony nahatongavako.\u201d",
        "39": "Dia lasa izy nitory tany amin\u2019ny synagoga nanerana an\u2019i Galilia manontolo sady namoaka demonia.",
        "40": "Nisy boka koa tonga teo aminy, ka nandohalika sady niangavy hoe: \u201cRaha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.\u201d",
        "41": "Koa nangoraka azy izy ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: \u201cTiako izany ka! Madiova ianao.\u201d",
        "42": "Tonga\u00a0dia niala tamin\u2019ilay lehilahy ilay habokana ka nadio izy.",
        "43": "Nofeperan\u2019i Jesosy mafy izy avy eo, ary nasainy nandeha avy hatrany",
        "44": "sady noteneniny hoe: \u201cTandremo sao resadresahinao amin\u2019olona izao. Fa mandehana miseho any amin\u2019ny mpisorona, ary satria nodiovina ianao, dia atolory ny zavatra nasain\u2019i Mosesy nomena, mba ho hitan\u2019izy ireo fa sitrana ianao.\u201d",
        "45": "Kanjo vao lasa ilay lehilahy, dia niresaka sy nitantara an\u2019ilay izy hatraiza hatraiza. Koa tsy nisy tan\u00e0na azon\u2019i Jesosy nidirana intsony satria tonga\u00a0dia fantatry ny olona izy. Nijanona tany ivelan\u2019ny tan\u00e0na tany amin\u2019ny toerana mitokana \u00e0ry izy. Tonga teo aminy foana anefa ny olona avy teny rehetra teny."
    },
    "2": {
        "1": "Rehefa afaka andro vitsivitsy anefa, dia niditra tao Kapernaomy indray i Jesosy, ary henon\u2019ny olona fa tao an-trano izy.",
        "2": "Be dia be \u00e0ry ny olona tafangona tao, ka tsy nisy toerana intsony na dia teo akaikin\u2019ny varavarana aza. Dia nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin\u2019ireo izy.",
        "3": "Ary nisy lehilahy malemy nentin\u2019ny olona efa-dahy hankeo aminy.",
        "4": "Tsy afaka nitondra azy teo amin\u2019i Jesosy anefa izy ireo satria vahoaka be no tao. Nesorin\u2019izy ireo \u00e0ry ny tafo teo ambonin\u2019i Jesosy, ary nanao lavaka teo izy ireo ka teo no nampidinany ny fandriana nisy an\u2019ilay malemy.",
        "5": "Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo, dia hoy izy tamin\u2019ilay malemy: \u201cVoavela ny helokao, anaka.\u201d",
        "6": "Ary nisy mpanora-dal\u00e0na nipetraka teo, ka nieritreritra tao am-pony hoe:",
        "7": "\u201cFa maninona koa ilehity no miteny hoatr\u2019izany? Manevateva an\u2019Andriamanitra izy. Fa iza moa no afaka mamela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?\u201d",
        "8": "Tonga\u00a0dia fantatr\u2019i Jesosy tany an-tsainy tany anefa ny eritreritr\u2019izy ireo, ka hoy izy taminy: \u201cNahoana ianareo no mieritreritra an\u2019izany ao am-ponareo?",
        "9": "Fa inona no mora kokoa: Ny miteny amin\u2019ilay malemy hoe: \u2018Voavela ny helokao\u2019, sa hoe: \u2018Mitsang\u00e0na dia batao ny fandriananao ary mandehana?\u2019",
        "10": "Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak\u2019olona...\u201d Dia hoy izy tamin\u2019ilay malemy:",
        "11": "\u201cIzao no lazaiko aminao: Mitsang\u00e0na, batao ny fandriananao, ary mandehana mody.\u201d",
        "12": "Dia nitsangana ilay lehilahy ary tonga\u00a0dia nobatainy ny fandrianany, ka lasa izy nivoaka teo imason\u2019ny olona rehetra. Gaga daholo \u00e0ry izy rehetra ka nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra, sady niteny hoe: \u201cMbola tsy nahita hoatr\u2019izao mihitsy isika!\u201d",
        "13": "Nivoaka nankeny amoron-dranomasina indray izy, ary tonga teo aminy ny vahoaka rehetra dia nampianariny.",
        "14": "Tamin\u2019izy teny an-dalana, dia nahita an\u2019i Levy zanak\u2019i Alfeo nipetraka teo amin\u2019ny birao famorian-ketra. Ary hoy izy taminy: \u201cAndao hanara-dia ahy.\u201d Dia nitsangana i Levy ka nanaraka azy.",
        "15": "Taorian\u2019izay dia nisakafo tao an-tranon\u2019i Levy i Jesosy. Ary be\u00a0dia be ny mpamory hetra sy mpanota nisakafo niaraka tamin\u2019i Jesosy sy ny mpianany tao. Maro tamin\u2019izy ireny mantsy no lasa mpanara-dia an\u2019i Jesosy.",
        "16": "Rehefa hitan\u2019ny mpanora-dal\u00e0na anisan\u2019ny Fariseo anefa fa niara-nisakafo tamin\u2019ny mpanota sy ny mpamory hetra i Jesosy, dia hoy izy ireo tamin\u2019ny mpianany: \u201cFa angaha izy miara-misakafo amin\u2019ny mpamory hetra sy ny mpanota?\u201d",
        "17": "Henon\u2019i Jesosy izany ka hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cTsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.\u201d",
        "18": "Ary fanaon\u2019ny mpianatr\u2019i Jaona sy ny Fariseo ny nifady hanina. Dia nankeo amin\u2019i Jesosy izy ireo ka niteny taminy hoe: \u201cFa maninona izahay mpianatr\u2019i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?\u201d",
        "19": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cTsy misy antony tokony hampifady hanina ny naman\u2019ny mpampakatra, raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Tsy afaka mifady hanina ry\u00a0zareo raha mbola miaraka aminy ny mpampakatra.",
        "20": "Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony ny mpampakatra, ka amin\u2019izay ry\u00a0zareo vao hifady hanina.",
        "21": "Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin\u2019ny tapa-damba vaovao. Raha izany mantsy, dia hisintona be ilay tapa-damba ka handrirotra an\u2019ilay akanjo, dia vao mainka hitatra ny rovitra.",
        "22": "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia hamaky an\u2019ilay siny ilay divay ka samy hafoy na ny divay na ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao.\u201d",
        "23": "Indray Sabata izay, tamin\u2019izy nandeha teny an-tanimbary, dia nioty salohim-bary ny mpianany sady nandeha ihany.",
        "24": "Dia hoy ny Fariseo taminy: \u201cJereo! Fa maninona ireo no manao zavatra tsy azo atao amin\u2019ny Sabata?\u201d",
        "25": "Hoy anefa izy tamin\u2019ny Fariseo: \u201cMbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon\u2019i Davida rehefa tsy nanan-kohanina izy, ka noana izy sy ny olona niaraka taminy?",
        "26": "Niditra tao an-tranon\u2019Andriamanitra izy, araka ilay fitantarana momba an\u2019i Abiatara lehiben\u2019ny mpisorona, dia nihinana ny mofo atolotra. Tsy nisy nahazo nihinana an\u2019izany anefa afa-tsy ny mpisorona ihany. Ary nomeny koa izay niaraka taminy.\u201d",
        "27": "Hoy izy tamin\u2019ireo avy eo: \u201cNy Sabata no natao ho an\u2019ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an\u2019ny Sabata.",
        "28": "Tompon\u2019ny Sabata koa aza ny Zanak\u2019olona.\u201d"
    },
    "3": {
        "1": "Niditra tao amin\u2019ny synagoga indray izy, ary nisy lehilahy maty tanana tao.",
        "2": "Nijery azy tsara \u00e0ry ny olona raha hanasitrana an\u2019ilay lehilahy izy na tsia, mba hiampangany azy. Sabata mantsy tamin\u2019izay.",
        "3": "Ary hoy izy tamin\u2019ilay lehilahy maty tanana: \u201cMitsang\u00e0na dia mankanesa etsy afovoany etsy.\u201d",
        "4": "Hoy izy avy eo tamin\u2019ny olona: \u201cInona no azo atao amin\u2019ny Sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono olona?\u201d Tsy niteny tsy nivolana anefa izy ireo.",
        "5": "Ary tezitra izy nijery an\u2019ireo, sady nalahelo be noho ny hamafin\u2019ny fon\u2019ireo, ka hoy izy tamin\u2019ilay lehilahy: \u201cAtsory ny tananao.\u201d Dia natsotrany ny tanany ka sitrana.",
        "6": "Nivoaka ny Fariseo tamin\u2019izay, ka tonga\u00a0dia nikaon-doha niaraka tamin\u2019ny mpanohana an\u2019i Heroda satria te hamono an\u2019i Jesosy.",
        "7": "Niala teo anefa i Jesosy sy ny mpianany ka nankany an-dranomasina. Ary nisy vahoaka be avy any Galilia sy Jodia nanaraka azy.",
        "8": "Nisy koa aza olona avy any Jerosalema sy Idomea sy avy any ampitan\u2019i Reniranon\u2019i Jordana sy ny manodidina an\u2019i Tyro sy Sidona. Vahoaka be mihitsy izy ireo no tonga teo aminy, rehefa naheno ny zavatra be dia be nataony.",
        "9": "Dia noteneniny ny mpianany mba hanomana sambokely ho azony iakarana raha sendra mifanesika eo aminy ny vahoaka.",
        "10": "Nanasitrana olona be\u00a0dia be mantsy izy, ka nitangorona teo aminy daholo izay narary mafy mba hikasika azy.",
        "11": "Ary na ny fanahy maloto aza isaky ny nahita azy, dia niankohoka teo anatrehany sady niantsoantso mafy hoe: \u201cIanao no Zanak\u2019Andriamanitra!\u201d",
        "12": "Imbetsaka anefa izy no nandrara mafy azy ireo tsy hampahafantatra amin\u2019olona ny momba azy.",
        "13": "Ary niakatra teny an-tendrombohitra izy, ka niantso an\u2019izay nofidiny, dia nankeo aminy ireo.",
        "14": "Dia nifidy 12 lahy izy, sady niantso azy ireo hoe apostoly. Izy ireo no hiaraka aminy sy hirahiny hitory,",
        "15": "ary homeny fahefana hamoaka demonia.",
        "16": "Ireto avy izy 12\u00a0lahy nofidiny: I Simona, izay nantsoiny koa hoe Petera,",
        "17": "Jakoba zanak\u2019i Zebedio sy Jaona rahalahiny\u2014nantsoiny koa hoe Boanerjesy, midika hoe \u201cZanaky ny Kotroka\u201d, izy roa lahy ireo\u2014,",
        "18": "Andrea, Filipo, Bartolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak\u2019i Alfeo, Tadeo, Simona Kananeanina,",
        "19": "ary Jodasy Iskariota, ilay namadika an\u2019i Jesosy tat\u1ef3 aoriana. Niditra tao amin\u2019ny trano iray izy avy eo,",
        "20": "dia nitangorona indray ny vahoaka, ka tsy afaka nisakafo akory i Jesosy sy ny mpianany.",
        "21": "Rehefa naheno an\u2019izay nitranga ny havany, dia tonga hisambotra azy. Hoy mantsy izy ireo: \u201cLasa adala izy.\u201d",
        "22": "Nilaza koa ny mpanora-dal\u00e0na nidina avy any Jerosalema hoe: \u201cI Belzeboba no ao amin\u2019io, ary ny lehiben\u2019ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.\u201d",
        "23": "Dia nantsoin\u2019i Jesosy hankeo aminy izy ireo, ka nanao fanoharana tamin\u2019izy ireo izy hoe: \u201cAhoana no ahafahan\u2019i Satana mamoaka an\u2019i Satana?",
        "24": "Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.",
        "25": "Raha misy fianakaviana miady an-trano, dia hisaratsaraka izany fianakaviana izany.",
        "26": "Koa raha miady an-trano i Satana ka lasa voazarazara, dia tsy haharitra izy fa ho vita hatreo ny aminy.",
        "27": "Fa raha misy te hiditra ao an-tranon\u2019ny lehilahy matanjaka iray mba hangalatra ny fananany, dia tsy maintsy fatorany aloha ilay lehilahy, vao afaka mandroba ny ao an-tranony izy.",
        "28": "Lazaiko marina aminareo fa ho voavela izay fahotana rehetra ataon\u2019ny olona sy izay fanevatevana rehetra lazainy.",
        "29": "Fa tsy hahazo famelan-keloka mihitsy kosa izay manevateva ny fanahy masina, fa ho meloka mandrakizay noho izany fahotana izany.\u201d",
        "30": "Nilaza an\u2019izany izy, satria hoy izy ireo: \u201cMisy fanahy maloto izy.\u201d",
        "31": "Tamin\u2019izay dia tonga ny reniny sy ny rahalahiny. Nijoro teo ivelany izy ireo ka naniraka olona hiantso azy.",
        "32": "Nisy vahoaka anefa nipetraka nanodidina azy, ka hoy izy ireo taminy: \u201cAo ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, mitady anao.\u201d",
        "33": "Hoy anefa izy: \u201cFa iza no reniko sy rahalahiko?\u201d",
        "34": "Ary nojereny ireo nipetraka nanodidina azy, ka hoy izy: \u201cIreo no reniko sy rahalahiko!",
        "35": "Fa na iza na iza manao ny sitrapon\u2019Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ary nisy vahoaka be nitangorona teo akaikiny. Niakatra tao an-tsambokely \u00e0ry izy dia nipetraka. Nihataka kely ny morony izy, fa ny vahoaka rehetra kosa teo amoron-dranomasina.",
        "2": "Dia nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy sady nanao fanoharana, ka nilaza taminy hoe:",
        "3": "\u201cHenoy izao: Nivoaka mba hamafy ny mpamafy.",
        "4": "Tamin\u2019izy namafy, dia latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany, ka tonga ny vorona nihinana an\u2019ireny.",
        "5": "Ny voa hafa kosa latsaka teny amin\u2019ny toerana be\u00a0vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Tonga\u00a0dia naniry ireo voa ireo satria tsy lalina ny nofon-tany.",
        "6": "Rehefa niposaka anefa ny masoandro, dia main\u2019ny masoandro ireo voa nitsimoka ireo ka nalazo satria tsy nisy fakany.",
        "7": "Ny voa sasany indray latsaka teny amin\u2019ny tsilo. Ary naniry ny tsilo dia nandrakotra an\u2019ireny, ka tsy namoa ireny.",
        "8": "Ny voa hafa kosa latsaka teny amin\u2019ny tany tsara ary naniry ka nitombo, dia nanomboka namoa avo 30\u00a0heny sy 60\u00a0heny ary 100\u00a0heny.\u201d",
        "9": "Hoy koa izy: \u201cIzay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.\u201d",
        "10": "Rehefa irery izy, dia nanomboka nanontany azy momba an\u2019ireo fanoharana ireo ny mpianatra sasany sy izy 12\u00a0Lahy.",
        "11": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cIanareo no navela hahazo ny dikan\u2019ny zava-miafina masina momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra. Fa amin\u2019ny olon-kafa kosa, dia ataoko fanoharana daholo ny zava-drehetra ampianariko azy,",
        "12": "mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan\u2019ny zavatra henony. Tsy hiverina amin\u2019Andriamanitra mihitsy koa izy ka tsy hahazo famelan-keloka.\u201d",
        "13": "Hoy koa izy tamin\u2019ireo: \u201cIny fanoharana iny aza tsy azonareo ny dikany, dia ahoana no hahazoanareo ny dikan\u2019ny fanoharana hafa rehetra?",
        "14": "\u201cIlay mpamafy dia mamafy ny teny.",
        "15": "Ireo teny amoron-dalana \u00e0ry dia izay namafazana ny teny, nefa raha vao mandre an\u2019izany izy, dia tonga i Satana manala an\u2019ilay teny nafafy tao aminy.",
        "16": "Eo koa ireo nafafy teny amin\u2019ny toerana be\u00a0vato: Raha vao mandre ny teny izy, dia faly er\u1ef3 manaiky an\u2019ilay izy.",
        "17": "Tsy mamaka ao aminy anefa ny teny, fa maniry mandritra ny fotoana fohy ihany. Raha vao tratran\u2019ny zava-tsarotra na fanenjehana \u00e0ry izy noho izy nanaiky ny teny, dia mihemotra.",
        "18": "Mbola misy hafa koa nafafy teny amin\u2019ny tsilo. Tsy iza ireo fa izay mandre ny teny,",
        "19": "saingy lasa mibahana tsikelikely ao am-pony ny fanahiana eto amin\u2019izao tontolo izao sy ny famitahan\u2019ny harena ary ny faniriana zavatra hafa, ka tototr\u2019izany rehetra izany ny teny dia tsy mamoa.",
        "20": "Farany, ireo voa nafafy teny amin\u2019ny tany tsara dia izay mihaino ny teny ka mandray tsara an\u2019ilay izy dia mamoa avo 30\u00a0heny sy 60\u00a0heny ary 100\u00a0heny.\u201d",
        "21": "Ary hoy ihany izy tamin\u2019ireo: \u201cAngaha ny jiro apetraka ao ambany sobika na ao ambany fandriana, fa tsy eo amin\u2019ny fitoeran-jiro?",
        "22": "Fa tsy misy zavatra afenina ka hoe tsy haseho, ary tsy misy zavatra tsara afina ka hoe tsy hiharihary.",
        "23": "Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.\u201d",
        "24": "Hoy koa izy tamin\u2019ireo: \u201cHenoy tsara izay henonareo. Araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo, ary hahazo fanampiny aza ianareo.",
        "25": "Izay manana mantsy dia homena betsaka kokoa. Fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia halaina aminy.\u201d",
        "26": "Ary hoy indray izy: \u201cNy Fanjakan\u2019Andriamanitra dia tahaka ny lehilahy iray manipy voa amin\u2019ny tany.",
        "27": "Matory izy amin\u2019ny alina ary mifoha amin\u2019ny maraina. Ary maniry ireo voa ka mitombo, nefa tsy fantany hoe amin\u2019ny fomba ahoana.",
        "28": "Maniry tsikelikely avy ao anaty tany ny voa, dia mipoitra aloha ny tahony, dia avy eo ny salohiny, ary farany feno voa ny salohiny.",
        "29": "Raha vao masaka anefa ny vokatra, dia jinjainy amin\u2019ny antsy fijinjana satria tonga ny fotoam-pijinjana.\u201d",
        "30": "Ary hoy ihany izy: \u201cAzontsika ampitahaina amin\u2019inona ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, ary fanoharana inona no anazavantsika azy?",
        "31": "Hoatran\u2019ny voan-tsinapy izy io. Io voa io no kely indrindra amin\u2019ny voa rehetra eto an-tany, amin\u2019ny fotoana amafazana azy.",
        "32": "Rehefa voafafy anefa izy, dia maniry ka lasa lehibe noho ny anana hafa rehetra sady misy rantsany vaventy. Afaka manao ny akaniny eo \u00e0ry ny voro-manidina sady mialokaloka eo.\u201d",
        "33": "Nanao fanoharana be dia be hoatr\u2019izany izy rehefa nitory ny teny tamin\u2019ny olona, arakaraka izay takatry ny sain\u2019izy ireo.",
        "34": "Tsy niteny tamin\u2019izy ireo tokoa izy raha tsy tamin\u2019ny fanoharana, nefa nohazavainy tamin\u2019ny mpianany daholo ny zava-drehetra rehefa nitokana izy ireo.",
        "35": "Tamin\u2019iny andro iny ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cAndao ho eny ampita.\u201d",
        "36": "Dia noravan\u2019ireo ny vahoaka, ary tonga\u00a0dia nentiny tamin\u2019ny sambokely i Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.",
        "37": "Ary nisy tafio-drivotra mahery, dia niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja, ka saika feno rano ilay sambokely.",
        "38": "Natory niondana teo amin\u2019ny vodisambo anefa i Jesosy. Dia nofohazin\u2019izy ireo izy sady noteneniny hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, tsy mampaninona anao ve izao isika ho faty izao?\u201d",
        "39": "Dia nitsangana izy ka noteneniny mafy ny rivotra, sady hoy izy tamin\u2019ny ranomasina: \u201cAoka izay! Mang\u00ecna!\u201d Dia nitsahatra ny rivotra ka lasa tony tsara ny andro.",
        "40": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNahoana ianareo no saro-tahotra? Mbola tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?\u201d",
        "41": "Natahotra be anefa izy ireo, ary nifampiresaka hoe: \u201cIza marina \u00e0ry izy ity\u00a0e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankat\u00f2 azy.\u201d"
    },
    "5": {
        "1": "Ary tonga teny ampitan\u2019ny ranomasina, tao amin\u2019ny faritra nisy ny Gerasianina, izy ireo.",
        "2": "Vao niala tao an-tsambokely i Jesosy, dia nifanena tamin\u2019ny lehilahy iray nisy fanahy maloto. Avy teny am-pasana io lehilahy io.",
        "3": "Teny amin\u2019ny fasana teny foana izy, ary mbola tsy nisy nahavita namatotra azy mihitsy, na tamin\u2019ny rojo vy aza.",
        "4": "Matetika izy no nofatorana tamin\u2019ny gadra\u00a0vy sy rojo vy, nefa notapahiny ny rojo vy ary nopotipotehiny ny gadra\u00a0vy. Tsy nisy olona nahatana azy mihitsy.",
        "5": "Ary niantsoantso mafy tsy an-kijanona teny am-pasana sy teny an-tendrombohitra izy, na andro na alina, ary nodidididiany tamin\u2019ny vato ny tenany.",
        "6": "Vao nahita an\u2019i Jesosy teny lavidavitra teny anefa izy, dia nihazakazaka ary niankohoka teo anatrehany.",
        "7": "Ary niantsoantso mafy izy, ka niteny hoe: \u201cFa inona koa no anelingelenanao ahy at\u1ef3, ry\u00a0Jesosy Zanak\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra\u00a0\u00f4? Asaiko mianiana amin\u2019ny anaran\u2019Andriamanitra ianao mba tsy hampijaly ahy.\u201d",
        "8": "Efa niteny taminy mantsy i Jesosy hoe: \u201cMivoaha amin\u2019ity lehilahy ity, ry\u00a0fanahy maloto!\u201d",
        "9": "Nanontany anefa i Jesosy hoe: \u201cIza no anaranao?\u201d Ary hoy ilay fanahy maloto taminy: \u201cAndian-tafika no anarako, satria be dia be izahay.\u201d",
        "10": "Ary niangavingavy an\u2019i Jesosy izy mba tsy handroaka an\u2019ireo fanahy maloto ireo hiala amin\u2019ilay faritra.",
        "11": "Ary nisy andian-kisoa nandrasana teo amin\u2019ilay tendrombohitra.",
        "12": "Koa niangavy an\u2019i Jesosy ireo fanahy maloto ireo hoe: \u201cMba avelao hiditra ao amin\u2019iretsy kisoa iretsy re\u00a0izahay\u00a0e!\u201d",
        "13": "Dia neken\u2019i Jesosy izany. Nivoaka \u00e0ry ireo fanahy maloto ka niditra tao amin\u2019ireo kisoa ireo. Ary nirifatra nankeny amin\u2019ny hantsana ilay andian-kisoa, izay nisy kisoa 2 000 teo ho eo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano.",
        "14": "Ireo mpiandry kisoa kosa nandositra ka nitantara an\u2019izany tao an-tan\u00e0na sy tany ambanivohitra. Dia tonga nijery an\u2019izay nitranga ny olona.",
        "15": "Tonga teo amin\u2019i Jesosy \u00e0ry izy ireo, ka nahita fa nipetraka sy efa niakanjo sady efa salama saina ilay lehilahy nisy demonia, ilay nisy an\u2019ilay andian-tafika. Koa natahotra ny olona.",
        "16": "Izay nahita an\u2019izany koa dia nitantara tamin\u2019izy ireo izay nitranga tamin\u2019ilay lehilahy nisy demonia sy ny nanjo an\u2019ireo kisoa.",
        "17": "Niangavian\u2019izy ireo \u00e0ry i Jesosy mba hiala tao amin\u2019ilay faritra nisy azy ireo.",
        "18": "Rehefa niakatra tao an-tsambokely izy, dia niangavy azy ilay lehilahy nivoahan\u2019ny demonia mba hamela azy hiaraka aminy.",
        "19": "Tsy navelan\u2019i Jesosy anefa ilay lehilahy, fa hoy izy taminy: \u201cModia any amin\u2019ny havanao, dia tantarao amin-dry\u00a0zareo daholo izay nataon\u2019i Jehovah taminao sy ny namindrany fo taminao.\u201d",
        "20": "Dia lasa ilay lehilahy, ka nanomboka niresaka momba an\u2019izay rehetra nataon\u2019i Jesosy taminy, tany amin\u2019ny faritr\u2019i Dekapolisy. Ary gaga daholo ny olona.",
        "21": "Rehefa avy nandeha sambokely indray i Jesosy ka efa ho tody teny ampita, dia nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, teo amoron-dranomasina.",
        "22": "Dia tonga ny lehilahy iray antsoina hoe Jairo, izay anisan\u2019ny mpitantana ny synagoga, ka niankohoka teo an-tongotr\u2019i Jesosy raha vao nahita azy.",
        "23": "Niangavy an\u2019i Jesosy imbetsaka izy hoe: \u201cMarary mafy ny zanako vavikely. Andao re ho any\u00a0e! Dia ametraho tanana izy mba ho sitrana ka ho velona ihany.\u201d",
        "24": "Dia lasa niaraka tamin\u2019ilay lehilahy i Jesosy. Ary nisy vahoaka be nanaraka azy sady nifanesika teo aminy.",
        "25": "Ary nisy vehivavy iray nandeha\u00a0ra efa nandritra ny 12\u00a0taona, tamin\u2019izay.",
        "26": "Be dia be ny dokotera efa nitsabo azy, saingy nampijaly be azy ny fitsaboana nataon\u2019izy ireny, sady nandany ny fananany rehetra. Tsy nihasalama akory anefa izy fa vao mainka aza nihanarary.",
        "27": "Rehefa henony ny momba an\u2019i Jesosy, dia nanatona azy avy tao aoriana tao anaty vahoaka izy, ka nikasika ny akanjony ivelany.",
        "28": "Hoy mantsy izy: \u201cRaha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho izao, dia ho sitrana.\u201d",
        "29": "Ary tonga dia nijanona ny ra nandeha taminy, ka tsapany fa sitrana tamin\u2019ilay aretina nampijaly azy ny vatany.",
        "30": "Tonga\u00a0dia fantatr\u2019i Jesosy fa nisy hery niala taminy ka nitodika izy, tao anaty vahoaka, ary nanontany hoe: \u201cIza no nikasika ny akanjoko teo?\u201d",
        "31": "Hoy anefa ny mpianany taminy: \u201cHitanao fa mifanesika aminao ny vahoaka, ka maninona ianao no manontany hoe: \u2018Iza no nikasika ahy?\u2019\u201d",
        "32": "Nijery ny manodidina azy anefa izy mba hahitana an\u2019ilay nikasika azy.",
        "33": "Dia nanatona ilay vehivavy, sady natahotra sy nangovitra ihany. Fantany koa hoe sitrana izy. Nandohalika teo anatrehan\u2019i Jesosy izy, ka notsoriny taminy ny marina rehetra.",
        "34": "Dia hoy izy tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cNy finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho, ary enga anie ianao tsy ho tratran\u2019iny aretina nampijaly anao iny intsony!\u201d",
        "35": "Tamin\u2019izy mbola niteny iny, dia nisy lehilahy tonga avy tany an-tranon\u2019ilay mpitantana ny synagoga, nilaza hoe: \u201cMaty ny zanakao! Koa tsy aleo ve tsy sahiranina intsony ny Mpampianatra?\u201d",
        "36": "Henon\u2019i Jesosy anefa ilay resaka, ka hoy izy tamin\u2019ilay mpitantana ny synagoga: \u201cAza matahotra fa minoa fotsiny.\u201d",
        "37": "Ary tsy nisy navelany hanaraka azy, afa-tsy i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahin\u2019i Jakoba.",
        "38": "Dia tonga tao an-tranon\u2019ilay mpitantana ny synagoga izy ireo. Ary hitan\u2019i Jesosy fa nisy olona nitabataba sy nitomany ary nidradradradra mafy tao.",
        "39": "Rehefa niditra izy, dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cManinona ianareo no mitomany sy mitabataba hoatr\u2019izao? Tsy maty ilay zaza fa matory.\u201d",
        "40": "Dia nihomehezan\u2019izy ireo izy. Nasainy nivoaka ny trano anefa izy rehetra, dia avy eo nentiny ny ray aman-drenin\u2019ilay zaza sy izay niaraka taminy, ka nankao amin\u2019ilay nisy an\u2019ilay zaza izy.",
        "41": "Ary noraisiny ny tanan\u2019ilay zaza, ka hoy izy taminy: \u201cTalita komy.\u201d Raha adika izany dia hoe: \u201cRy\u00a0zazavavy, izao no teniko aminao: Miarena!\u201d",
        "42": "Tonga\u00a0dia niarina ilay ankizivavy 12\u00a0taona ka nanomboka nandeha. Vao nahita an\u2019izany ny ray aman-dreniny, dia faly tsy nisy hoatr\u2019izany.",
        "43": "Namerimberina nandrara azy ireo anefa i Jesosy mba tsy hampahafantatra an\u2019izany na amin\u2019iza na amin\u2019iza. Ary nasainy nomena sakafo ilay ankizivavy."
    },
    "6": {
        "1": "Niala teo izy ka tonga tao amin\u2019ny faritra niaviany, ary nanaraka azy ny mpianany.",
        "2": "Rehefa tonga ny Sabata, dia nanomboka nampianatra tao amin\u2019ny synagoga izy. Ary gaga ny ankamaroan\u2019ireo nihaino azy, ka niteny hoe: \u201cTaiza koa no nianaran\u2019io an\u2019izany? Fa ahoana no nahazoany an\u2019izany fahendrena izany, ary ahoana no ahavitany fahagagana hoatr\u2019izao?",
        "3": "Angaha tsy io ilay mpandrafitra zanak\u2019i Maria, sady rahalahin\u2019i Jakoba sy Josefa sy Jodasy ary Simona? Ary angaha moa tsy eto amintsika ny anabaviny?\u201d Dia tsy nety nino azy izy ireo.",
        "4": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cAo amin\u2019ny faritra niaviany sy eo amin\u2019ny havany ary ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.\u201d",
        "5": "Koa tsy afaka nanao fahagagana tao izy, afa-tsy ny nanasitrana marary vitsivitsy rehefa nametra-tanana tamin\u2019ireny.",
        "6": "Tena gaga izy hoe tsy nino azy izy ireo. Ary nandeha nitety ny tan\u00e0na teny amin\u2019ny manodidina izy, sady nampianatra.",
        "7": "Nasainy nankeo aminy izy 12\u00a0Lahy, dia tamin\u2019izay izy no nanomboka naniraka azy tsiroaroa. Ary nomeny fahefana hamoaka fanahy maloto izy ireo.",
        "8": "Nandidy azy ireo koa izy mba tsy hitondra na inona na inona rehefa mandeha, afa-tsy tehina ihany, ka tsy hitondra mofo, na kitapom-batsy, na vola ao anaty fehikibony,",
        "9": "nefa hanao kapa, ary tsy hanao akanjo roa.",
        "10": "Hoy koa izy tamin\u2019ireo: \u201cNa aiza na aiza trano hidiranareo, dia mijan\u00f2na ao mandra-pialanareo amin\u2019izany toerana izany.",
        "11": "Ary na aiza na aiza toerana tsy handray anareo na tsy hihaino anareo, dia ahintsano ny vovoka amin\u2019ny tongotrareo rehefa miala ao, mba ho vavolombelona aminy.\u201d",
        "12": "Dia lasa izy ireo nitory hoe tokony hibebaka ny olona.",
        "13": "Namoaka demonia be dia be koa izy ireo, ary nanosotra menaka tamin\u2019ny marary maro, ka nanasitrana an\u2019ireny.",
        "14": "Henon\u2019i Heroda Mpanjaka izany, satria lasa nalaza ny anaran\u2019i Jesosy. Ary hoy ny olona: \u201cNatsangana tamin\u2019ny maty i Jaona Mpanao Batisa, dia izany no ahavitany fahagagana.\u201d",
        "15": "Hoy kosa ny hafa: \u201cI Elia izay!\u201d Nisy koa niteny hoe: \u201cMpaminany hoatran\u2019ireny mpaminany fahiny ireny izay!\u201d",
        "16": "Hoy anefa i Heroda rehefa naheno an\u2019izany: \u201cI Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany. Natsangana izany izy!\u201d",
        "17": "Fa i Heroda efa naniraka olona hisambotra an\u2019i Jaona sy hamatotra azy tao am-ponja, satria izany no tian\u2019i Herodiasy vadin\u2019i Filipo rahalahiny. Efa nalainy ho vadiny mantsy io vehivavy io.",
        "18": "Fa efa notenenin\u2019i Jaona i Heroda hoe: \u201cTsy azonao atao ny manambady ny vadin\u2019ny rahalahinao.\u201d",
        "19": "Nitana lolompo tamin\u2019i Jaona \u00e0ry i Herodiasy ka te hamono azy, saingy tsy afaka.",
        "20": "Natahoran\u2019i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina ka narovany. Isaky ny avy nihaino an\u2019i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy.",
        "21": "Tonga anefa ny andro iray tena nety, rehefa nitsingerina ny andro nahaterahan\u2019i Heroda, ka nanao fanasana takariva izy ho an\u2019ny manam-pahefana ambony sy ny mpitari-tafika ary ny olona ambony indrindra tany Galilia.",
        "22": "Ary niditra ny zanakavavin\u2019i Herodiasy ka nandihy. Dia faly be i Heroda sy ireo nisakafo niaraka taminy. Hoy \u00e0ry ny mpanjaka tamin\u2019ilay tovovavy: \u201cAngataho amiko izay rehetra tianao, fa homeko anao.\u201d",
        "23": "Nianiana taminy mihitsy izy hoe: \u201cNa inona na inona angatahinao, dia homeko anao, na dia hatramin\u2019ny antsasaky ny fanjakako aza.\u201d",
        "24": "Koa lasa nanontany an-dreniny ilay tovovavy hoe: \u201cInona no tokony hangatahiko?\u201d Dia hoy ny reniny: \u201cNy lohan\u2019i Jaona Mpanao Batisa.\u201d",
        "25": "Tonga\u00a0dia niditra haingana tao amin\u2019ny mpanjaka ilay tovovavy ka nangataka hoe: \u201cTiako raha omenao ahy izao\u00a0dia izao eo ambony vilia ny lohan\u2019i Jaona Mpanao Batisa.\u201d",
        "26": "Na dia nampalahelo be ny mpanjaka aza izany, dia nekeny ny fangatahan\u2019ilay tovovavy, satria izy efa nianiana teo anatrehan\u2019ny olona nasainy.",
        "27": "Tonga\u00a0dia nirahin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry ny iray tamin\u2019ny mpiambina azy, ka nomeny baiko hitondra ny lohan\u2019i Jaona. Dia lasa io nanapaka ny lohan\u2019i Jaona tao am-ponja,",
        "28": "ka nitondra an\u2019ilay izy teo ambony vilia. Nomeny an\u2019ilay tovovavy ilay izy, ary ilay tovovavy kosa nanome an\u2019ilay izy an-dreniny.",
        "29": "Rehefa henon\u2019ny mpianatr\u2019i Jaona izany, dia tonga izy ireo naka ny fatiny ka nandevina azy tany am-pasana.",
        "30": "Ary nankeo amin\u2019i Jesosy ny apostoly, ka nitantara taminy an\u2019izay rehetra nataon\u2019izy ireo sy nampianariny.",
        "31": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cAndao ho any amin\u2019ny toerana mitokana, dia mial\u00e0 sasatra kely.\u201d Be dia be mantsy ny olona nivezivezy, ka tsy nanam-potoana hisakafoanana akory izy ireo.",
        "32": "Lasa nandeha an-tsambokely ho any amin\u2019ny toerana mitokana \u00e0ry izy ireo.",
        "33": "Nisy nahita anefa ny niaingan\u2019izy ireo, ka lasa fantatry ny olona maro izany. Dia niala avy any amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra ny olona ka nihazakazaka nankany daholo, ary tonga talohan\u2019izy ireo.",
        "34": "Rehefa niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Dia nangoraka an\u2019ireo izy, satria hoatran\u2019ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo. Ary nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy.",
        "35": "Rehefa hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: \u201cMitokana ity toerana ity, sady efa hariva sahady ny andro.",
        "36": "Ravao ny olona mba hankeny ambanivohitra sy eny amin\u2019ny tan\u00e0na manodidina, dia hividy zavatra hohanina.\u201d",
        "37": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cOmeo zavatra hohanina ry\u00a0zareo.\u201d Ary hoy ireo taminy: \u201cTokony handeha hividy mofo azon\u2019ny 200\u00a0denaria ve izany izahay, mba homena hohanin\u2019ireo olona ireo?\u201d",
        "38": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cJereo hoe misy mofo firy any aminareo any.\u201d Rehefa avy nijery izy ireo, dia niteny hoe: \u201cMofo dimy, dia misy trondro roa koa.\u201d",
        "39": "Ary nasainy naka toerana teo amin\u2019ny bozaka ny olona rehetra ka nasainy nitsitokotoko.",
        "40": "Naka toerana \u00e0ry ny olona, dia nitsitokotoko 100 sy 50\u00a0avy.",
        "41": "Ary nalain\u2019i Jesosy ireo mofo dimy sy trondro roa ireo, ka nitraka nijery ny lanitra izy dia nivavaka. Notapahiny ireo mofo avy eo ka nomeny ny mpianatra, mba haroson\u2019ireo amin\u2019ny olona. Ary nozarainy ho an\u2019ny rehetra koa ireo trondro anankiroa.",
        "42": "Dia nihinana ny rehetra ka voky.",
        "43": "Ary nangonin\u2019ny mpianatra ny sombintsombin\u2019ny mofo, ka nahafeno harona 12, ankoatra ny trondro.",
        "44": "Lehilahy 5\u00a0000 no nihinana an\u2019ireo mofo.",
        "45": "Nasainy nankao an-tsambokely avy hatrany ny mpianany avy eo, ka nasainy nialoha azy nankeny ampita, ho any Betsaida, fa izy mbola nandrava ny vahoaka.",
        "46": "Rehefa avy nanao veloma ny vahoaka izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.",
        "47": "Efa hariva be ny andro, ary teny afovoan\u2019ny ranomasina ilay sambokely, fa izy kosa irery teny an-tanety.",
        "48": "Avy eo dia hitany fa sahirana mafy nivoy ny mpianany, satria notoherin\u2019ny rivotra ilay sambo. Dia nandeha teo ambony ranomasina izy nanatona an\u2019ireo, tokony ho tamin\u2019ny fotoam-piambenana fahefatra tamin\u2019ny alina. Ary hoatran\u2019ny hoe hisongona an\u2019ireo izy.",
        "49": "Vao nahita azy nandeha teo ambony ranomasina izy ireo, dia nieritreritra hoe: \u201cMisy zavatra hafahafa iny!\u201d Dia niantsoantso mafy izy ireo,",
        "50": "satria nahita azy daholo izy rehetra ka natahotra. Tonga\u00a0dia niteny tamin\u2019izy ireo anefa izy hoe: \u201cMahereza fa izaho ihany ity! Aza matahotra.\u201d",
        "51": "Niakatra tao an-tsambokely izy avy eo, ary nitsahatra ny rivotra. Dia gaga be izy ireo,",
        "52": "satria tsy takany ny dikan\u2019ilay fahagagana natao tamin\u2019ireo mofo, fa mbola donto ny fony ka tsy nahazo ny dikan\u2019izany.",
        "53": "Rehefa tonga teny ampita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ka nandatsaka vatofantsika tsy lavitra teo.",
        "54": "Vao niala tao an-tsambokely anefa izy ireo, dia fantatry ny olona i Jesosy.",
        "55": "Dia nihazakazaka nanerana an\u2019ilay faritra ny olona. Dia nentina tamin\u2019ny fandriana nankany amin\u2019izay nahenoana hoe nisy an\u2019i Jesosy ny olona marary.",
        "56": "Na taiza na taiza no nidiran\u2019i Jesosy, na tan\u00e0na kely na lehibe, na tany ambanivohitra, dia napetraky ny olona teny an-tsena ny marary. Ary niangavy izy ireo mba havela hikasika ny mikiramborambo amin\u2019ny morontongotry ny akanjony ivelany fotsiny. Dia sitrana daholo izay\u00a0nikasika an\u2019ilay izy."
    },
    "7": {
        "1": "Ary nitangorona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dal\u00e0na sasany avy any Jerosalema.",
        "2": "Hitan\u2019izy ireo fa nisy mpianatr\u2019i Jesosy nisakafo tamin\u2019ny tanana maloto, izany hoe tsy nisasa.",
        "3": "\u2014Tsy misakafo mantsy ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra raha tsy avy nanasa tanana hatreo amin\u2019ny kiho, satria mifikitra amin\u2019ny fomban-drazana izy ireo.",
        "4": "Rehefa avy any an-tsena koa izy ireo, dia tsy misakafo raha tsy avy nisasa. Be dia be koa ny fomban-drazana hafa nampitaina taminy sy narahiny, ohatra hoe ny fandrobohana kaopy sy zinga ary fitaovana varahina ao anaty rano.\u2014",
        "5": "Nanontany an\u2019i Jesosy \u00e0ry ireo Fariseo sy mpanora-dal\u00e0na ireo hoe: \u201cFa maninona ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomban-drazana, fa misakafo amin\u2019ny tanana maloto?\u201d",
        "6": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cRy\u00a0mpihatsaravelatsihy, rariny raha naminany momba anareo i Isaia, araka ny voasoratra hoe: \u2018An-tendro-molotra fotsiny no anajan\u2019ity vahoaka ity ahy, fa ny fony kosa lavitra ahy.",
        "7": "Reraka fotsiny izy ireo manompo ahy, satria didin\u2019olombelona no ampianariny.\u2019",
        "8": "Tsy raharahianareo ny didin\u2019Andriamanitra, fa ny fomban-drazana no arahinareo.\u201d",
        "9": "Hoy koa izy tamin\u2019ireo: \u201cHainareo er\u1ef3 ny miala amin\u2019ny didin\u2019Andriamanitra mba hanarahanareo ny fomban-drazanareo.",
        "10": "Nilaza, ohatra, i Mosesy\u00a0hoe: \u2018Hajao ny rainao sy ny reninao\u2019, sy hoe: \u2018Tokony hovonoina ho faty izay mamingavinga ny rainy na ny reniny.\u2019",
        "11": "Ianareo anefa milaza hoe: \u2018Raha misy miteny amin\u2019ny rainy na ny reniny hoe: \u201cIzay ananako rehetra ka mety ho azoko anampiana anao, dia efa korbana,\u2014izany hoe fanomezana voatokana ho an\u2019Andriamanitra\u2014\u201d\u2019",
        "12": "dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an\u2019ny rainy na ny reniny intsony izy.",
        "13": "Ataonareo tsy misy vidiny \u00e0ry ny tenin\u2019Andriamanitra noho ny fomban-drazana nampitampitainareo. Betsaka koa ny zavatra hoatr\u2019izany ataonareo.\u201d",
        "14": "Nantsoiny hankeo aminy indray ny vahoaka, ka hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMihainoa ahy ianareo rehetra, ka fantaro ny dikan\u2019ny teniko:",
        "15": "Tsy misy mandoto ny olona ny zavatra avy et\u1ef3 ivelany miditra ao anatiny. Fa izay mivoaka avy amin\u2019ny olona kosa no mandoto azy.\u201d",
        "16": "* \u2014\u2014",
        "17": "Ary rehefa niala teo amin\u2019ny vahoaka izy ka niditra tao amin\u2019ny trano iray, dia nanontany azy momba an\u2019ilay fanoharana ny mpianany.",
        "18": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cTsy mahatakatra tsara hoatran\u2019ireny olona ireny koa ve ianareo? Angaha tsy fantatrareo fa tsy misy mahatonga ny olona haloto ny zavatra avy et\u1ef3 ivelany miditra ao anatiny,",
        "19": "satria tsy miditra ao am-pony ilay izy fa mankao an-kibony, dia mivoaka any amin\u2019ny toerana fanariana azy?\u201d Izany no fomba nilazany fa madio daholo ny sakafo rehetra.",
        "20": "Hoy koa izy: \u201cIzay mivoaka avy amin\u2019ny olona no mandoto azy.",
        "21": "Fa avy ao anatin\u2019ny olona, izany hoe avy ao am-pony, no mivoaka ny eritreri-dratsy, dia fijangajangana, halatra, famonoana olona,",
        "22": "fanitsakitsaham-bady, faniriana tsy mety afa-po, fanaovan-dratsy, fitaka, fitondran-tena tsy misy henatra, fitsiriritana, fanevatevana, fanambonian-tena, ary fanaovana hadalana.",
        "23": "Avy ao anatin\u2019ny olona daholo ireo zava-dratsy rehetra ireo, ka mandoto azy.\u201d",
        "24": "Ary niala teo izy dia nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Tyro sy Sidona. Niditra tao amin\u2019ny trano iray izy rehefa tonga tany, nefa tsy tiany hisy hahafantatra an\u2019izany. Nisy nahamarika ihany anefa izy.",
        "25": "Vao tonga izy dia naheno ny momba azy ny vehivavy iray nanan-janaka vavikely nisy fanahy maloto, ka tonga niankohoka teo an-tongony.",
        "26": "Grika ilay vehivavy, ary olom-pirenena syrianina-fenisianina. Ary niangavingavy azy ilay vehivavy mba hamoaka an\u2019ilay demonia tamin\u2019ny zanany vavy.",
        "27": "Hoy anefa i Jesosy taminy: \u201cAvelao aloha ho voky ny zaza, fa tsy mety raha alaina ny mofony ka atsipy ho an\u2019ny alikakely.\u201d",
        "28": "Hoy anefa ilay vehivavy: \u201cMarina izany, tompoko! Fa na ny alikakely ao ambany latabatra koa aza ange mba mihinana ny poti-mofon-jaza\u00a0e!\u201d",
        "29": "Dia hoy izy tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cNoho ianao niteny an\u2019izany, dia mandehana fa efa niala tamin\u2019ny zanakao vavy ilay demonia.\u201d",
        "30": "Koa lasa nody ilay vehivavy, ka hitany teo am-pandriana ilay zaza ary efa niala ilay demonia.",
        "31": "Ary niala tao amin\u2019ny faritr\u2019i Tyro i Jesosy, ka nandalo an\u2019i Sidona sy namakivaky ny faritr\u2019i Dekapolisy dia tonga tany amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Galilia.",
        "32": "Ary nentin\u2019ny olona teo aminy ny lehilahy iray marenina sady niraiki-dela, ka niangavian\u2019izy ireo izy mba hametra-tanana taminy.",
        "33": "Dia nentin\u2019i Jesosy nitokana lavidavitra ny vahoaka ilay lehilahy. Ary nampidiriny tao an-tsofin\u2019ilay lehilahy ny rantsantanany, ka nandrora izy, dia avy eo nokasihiny ny lelan\u2019ilay lehilahy.",
        "34": "Ary nijery ny lanitra izy sady nisento lalina, ka niteny tamin\u2019ilay lehilahy hoe: \u201cEfata\u201d, izany hoe: \u201cMisokafa.\u201d",
        "35": "Tonga\u00a0dia lasa nandre ilay lehilahy, ary tsy niraiki-dela intsony izy ka nanomboka nahay niteny tsara.",
        "36": "Ary noraran\u2019i Jesosy ny olona mba tsy hiresadresaka an\u2019izany. Arakaraka ny nandrarany azy ireo anefa no vao mainka niresahan\u2019izy ireo an\u2019ilay izy.",
        "37": "Fa tena gaga be mihitsy izy ireo ka niteny hoe: \u201cTsara daholo izay rehetra ataony. Vitany mihitsy aza ny mahatonga ny marenina handre sy ny moana hiteny.\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Tamin\u2019izany andro izany, dia nisy vahoaka be indray teo, ary tsy nanana zavatra hohanina izy ireo. Nasain\u2019i Jesosy nankeo aminy \u00e0ry ny mpianany, dia noteneniny hoe:",
        "2": "\u201cMampalahelo ahy ireto vahoaka ireto, fa efa telo andro izao ry\u00a0zareo no nijanona teto amiko, sady tsy manan-kohanina.",
        "3": "Raha noana ry\u00a0zareo no alefako mody, dia ho reraka eny an-dalana. Ny sasany koa avy lavitra.\u201d",
        "4": "Hoy anefa ny mpianany: \u201cAiza at\u1ef3 amin\u2019ity toerana mitokana ity no hahitana mofo hahavoky an\u2019ireo olona ireo?\u201d",
        "5": "Ary hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cFiry ny mofo any aminareo?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cFito.\u201d",
        "6": "Ary nasainy naka toerana teo amin\u2019ny tany ny vahoaka. Noraisiny ny mofo fito avy eo ka nisaotra an\u2019Andriamanitra izy. Dia notapahiny ny mofo ka nozarainy tamin\u2019ny mpianany mba harosony, ary izy ireo indray nandroso an\u2019ilay izy tamin\u2019ny vahoaka.",
        "7": "Nanana trondro madinika vitsivitsy koa izy ireo. Rehefa avy nisaotra an\u2019Andriamanitra izy, dia nasainy naroso koa izany.",
        "8": "Dia nihinana ny olona ka voky, ary nangonin\u2019ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika lehibe fito.",
        "9": "Lehilahy 4\u00a0000 teo ho eo no nihinana tamin\u2019izay. Noravany ny olona avy eo.",
        "10": "Ary tonga\u00a0dia nankao anaty sambokely izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin\u2019ny faritr\u2019i Dalmanota.",
        "11": "Dia tonga ny Fariseo ka nanomboka niady hevitra taminy, sady nangataka famantarana avy any an-danitra mba hitsapana azy.",
        "12": "Koa nisento lalina i Jesosy ka niteny hoe: \u201cManinona ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy famantarana homena an\u2019ity taranaka ity.\u201d",
        "13": "Ary nilaozany ireo ka nankao anaty sambokely indray izy, dia nankeny ampita.",
        "14": "Nanadino nitondra mofo anefa ny mpianatra, ka tsy nanana afa-tsy mofo iray izy ireo tao amin\u2019ilay sambokely.",
        "15": "Ary nampitandrina azy ireo mazava tsara i Jesosy hoe: \u201cMb\u00e0 mailo ary mitandrema amin\u2019ny lalivain\u2019ny Fariseo sy ny lalivain\u2019i Heroda.\u201d",
        "16": "Nanomboka niady hevitra \u00e0ry izy ireo satria tsy nitondra mofo.",
        "17": "Tsikaritr\u2019i Jesosy izany, ka hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cManinona no mampiady hevitra anareo ilay ianareo tsy nitondra mofo? Mbola tsy takatrareo sy tsy azonareo ihany ve? Mbola donto ve ny fonareo ka tsy azonareo ny dikan\u2019izany?",
        "18": "\u2018Mana-maso ve ianareo nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre?\u2019 Tadidinareo ve",
        "19": "tamin\u2019izaho nanapaka mofo dimy ho an\u2019ny lehilahy 5\u00a0000? Nahafeno harona firy ny sombintsombiny voangonareo?\u201d Dia hoy ireo taminy: \u201cRoa ambin\u2019ny folo.\u201d",
        "20": "\u201cAry tamin\u2019izaho nanapaka mofo fito ho an\u2019ny lehilahy 4\u00a0000? Nahafeno sobika lehibe firy ny sombintsombiny voangonareo?\u201d Dia hoy ireo taminy: \u201cFito.\u201d",
        "21": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMbola tsy azonareo ihany ve ny dikan\u2019izany?\u201d",
        "22": "Ary tonga tao Betsaida izy ireo. Dia nentin\u2019ny olona nankeo aminy ny lehilahy jamba anankiray, ka niangavian\u2019izy ireo izy mba hikasika an\u2019ilay jamba.",
        "23": "Dia notantanany ilay lehilahy ka nentiny nankany ivelan\u2019ny tan\u00e0na. Rehefa avy nororany ny masony, dia nametrahany tanana izy sady nanontaniany hoe: \u201cMahita zavatra ve ianao?\u201d",
        "24": "Ary nitraka ilay lehilahy sady niteny hoe: \u201cMahita olona aho, nefa hoatran\u2019ny hazo mandehandeha no fahitako azy.\u201d",
        "25": "Napetrany teo amin\u2019ny mason\u2019ilay lehilahy indray ny tanany, dia nahita tsara izy. Ary sitrana izy, ka lasa hitany mazava tsara ny zava-drehetra.",
        "26": "Koa nalefan\u2019i Jesosy nody izy sady noteneniny hoe: \u201cAza mankao amin\u2019io tan\u00e0na io aloha.\u201d",
        "27": "Ary niala teo i Jesosy sy ny mpianany ka nankany amin\u2019ireo tan\u00e0na any Kaisaria-Filipo. Teny an-dalana, dia nanontaniany ny mpianany hoe: \u201cIza, hono, aho raha ny filazan\u2019ny olona?\u201d",
        "28": "Dia hoy ireo taminy: \u201cJaona Mpanao Batisa. Misy koa anefa milaza hoe Elia, dia misy miteny hoe ny iray amin\u2019ny mpaminany.\u201d",
        "29": "Ary nanontany izy hoe: \u201cFa ianareo kosa milaza hoe iza aho?\u201d Dia namaly i Petera hoe: \u201cIanao no Kristy.\u201d",
        "30": "Norarany mafy izy ireo tamin\u2019izay tsy hiresadresaka ny momba azy na amin\u2019iza na amin\u2019iza.",
        "31": "Nanomboka nampianatra azy ireo koa izy hoe tsy maintsy hampijalijalina ny Zanak\u2019olona, ka holavin\u2019ny anti-panahy sy ny lehiben\u2019ny mpisorona ary ny mpanora-dal\u00e0na, dia hovonoina ho faty, ary hitsangana rehefa afaka telo andro.",
        "32": "Tsy niolakolaka mihitsy izy niteny an\u2019izany. Nentin\u2019i Petera nihataka kely anefa izy dia noteneniny mafy.",
        "33": "Ary nitodika izy, dia nijery an\u2019ireo mpianany ka niteny mafy an\u2019i Petera hoe: \u201cMankanesa ato aorianako, ry\u00a0Satana, satria tsy fomba fisainan\u2019Andriamanitra ny anao, fa fomba fisainan\u2019olombelona.\u201d",
        "34": "Ary nantsoiny nankeo aminy ny vahoaka sy ny mpianany, ka hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cRaha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mand\u00e0 ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany ary manaraka ahy foana.",
        "35": "Fa izay te hamonjy ny ainy no hamoy an\u2019izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa no hamonjy an\u2019izany.",
        "36": "Inona tokoa moa no soa ho azon\u2019ny olona raha azony izao tontolo izao nefa afoiny ny ainy?",
        "37": "Ary inona tokoa moa no homen\u2019ny olona ho takalon\u2019ny ainy?",
        "38": "Fa na iza na iza menatra noho ny amiko sy ny teniko, eto amin\u2019ity taranaka mpanitsakitsa-bady sy mpanota ity, dia ho menatra noho ny aminy koa ny Zanak\u2019olona, rehefa ho avy amin\u2019ny voninahitry ny Rainy miaraka amin\u2019ny anjely masina.\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Hoy koa izy tamin\u2019izy ireo: \u201cLazaiko marina aminareo fa misy amin\u2019izay mijoro eto tsy ho faty mihitsy, raha tsy efa hitany hoe efa mitondra ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "2": "Enina andro taorian\u2019izay, dia nentin\u2019i Jesosy niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona, ka nentiny nitokana teny amin\u2019ny tendrombohitra avo iray. Ary niova tarehy teo anatrehan\u2019ireo izy.",
        "3": "Dia lasa namirapiratra ny akanjony ivelany, sady tena fotsy be, ary tsy misy mpanadio lamba mahafotsy lamba hoatr\u2019izany eto an-tany.",
        "4": "Niseho tamin\u2019izy ireo koa i Elia sy Mosesy, niresaka tamin\u2019i Jesosy.",
        "5": "Dia hoy i Petera tamin\u2019i Jesosy: \u201cRaby\u00a0\u00f4, faly be izahay fa eto. Koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an\u2019i Mosesy, ary ny iray ho an\u2019i Elia.\u201d",
        "6": "Tsy fantany mantsy izay hatao, fa natahotra be izy ireo.",
        "7": "Ary nisy rahona nanaloka an\u2019ireo mpianatra, dia nisy feo niteny avy tao amin\u2019ilay rahona hoe: \u201cIo no Zanako malalako. Henoy izy.\u201d",
        "8": "Tampoka teo dia nijery ny manodidina izy ireo, ka i Jesosy ihany sisa no hitany teo.",
        "9": "Tamin\u2019izy ireo nidina an\u2019ilay tendrombohitra, dia norarany mafy izy ireo tsy hitantara an\u2019izay hitany na amin\u2019iza na amin\u2019iza, raha tsy efa mitsangana amin\u2019ny maty ny Zanak\u2019olona.",
        "10": "Nandray am-po an\u2019izany izy ireo. Nifampiresaka anefa izy ireo hoe inona no tiany holazaina amin\u2019ny hoe hitsangana amin\u2019ny maty izy.",
        "11": "Ary nanontanian\u2019izy ireo i Jesosy hoe: \u201cFa maninona ny mpanora-dal\u00e0na no miteny hoe tsy maintsy ho avy aloha i Elia?\u201d",
        "12": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cHo avy tokoa aloha i Elia, ary haveriny amin\u2019ny laoniny ny zava-drehetra. Maninona anefa no voasoratra hoe tsy maintsy hijalijaly ny Zanak\u2019olona ka hatao tsinontsinona?",
        "13": "Lazaiko aminareo anefa fa efa tonga i Elia, ary nataon\u2019ny olona taminy izay rehetra tiany hanaovana azy, araka ny voasoratra momba azy.\u201d",
        "14": "Ary nankeny amin\u2019ny mpianatra hafa izy ireo, dia nahita fa nisy vahoaka be nanodidina ny mpianatra sady nisy mpanora-dal\u00e0na niady hevitra taminy.",
        "15": "Vao nahita an\u2019i Jesosy anefa ny vahoaka rehetra dia gaga, ary nihazakazaka nankeo aminy mba hiarahaba azy.",
        "16": "Koa nanontaniany izy ireo hoe: \u201cInona no iadianareo hevitra?\u201d",
        "17": "Ary hoy ny iray tamin\u2019ny vahoaka: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, nentiko at\u1ef3 aminao ny zanako lahy fa misy fanahy mampahamoana.",
        "18": "Na aiza na aiza no ahazoan\u2019ilay fanahy azy, dia atontany amin\u2019ny tany izy, ka mamoaka farora-bava sy mihidy vazana dia lasa reraka be. Nangatahiko hamoaka an\u2019ilay fanahy ny mpianatrao, saingy tsy vitany.\u201d",
        "19": "Ary hoy izy: \u201cRy\u00a0taranaka tsy manam-pinoana, mandra-pahoviana aho no tsy maintsy mbola hijanona eto aminareo? Mandra-pahoviana aho no tsy maintsy handefitra aminareo? Ento at\u1ef3 amiko izy.\u201d",
        "20": "Koa nentin\u2019izy ireo teo aminy ilay zazalahy. Vao nahita an\u2019i Jesosy anefa ilay fanahy, dia nataony nifanintontsintona ilay zaza. Dia nianjera tamin\u2019ny tany ilay zaza, ka nikodiadia sady namoaka farora-bava.",
        "21": "Ary hoy i Jesosy tamin\u2019ny rainy: \u201cHafiriana izay izy no tratran\u2019izao?\u201d Dia hoy izy: \u201cHatramin\u2019izy mbola kely.",
        "22": "Matetika izy no atsipin\u2019ilay fanahy ao anaty afo sy ao anaty rano mba hamonoany azy. Raha mba misy azonao atao re, dia mba iantrao izahay ka ampio\u00a0e!\u201d",
        "23": "Hoy i Jesosy taminy: \u201c\u2018Raha misy azonao atao\u2019 hoe\u00a0e? Tsy misy tsy vitan\u2019ny manam-pinoana ange\u00a0e!\u201d",
        "24": "Tonga\u00a0dia niantsoantso ny rain\u2019ilay zaza hoe: \u201cManam-pinoana aho! Ampio aho mba hanam-pinoana kokoa!\u201d",
        "25": "Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nirohotra nanatona ny vahoaka, dia noteneniny mafy ilay fanahy maloto hoe: \u201cRy\u00a0fanahy mampahamoana sy mampaharenina, mandidy anao aho hoe: Mivoaha ao aminy dia aza miverina ao intsony!\u201d",
        "26": "Dia nivoaka ilay fanahy rehefa avy niantsoantso sy nampifanintontsintona be an\u2019ilay zaza. Lasa hoatran\u2019ny maty ilay zaza, ka hoy ny ankamaroan\u2019ny olona: \u201cMaty izy!\u201d",
        "27": "Noraisin\u2019i Jesosy tamin\u2019ny tanany anefa izy ka natsangany, dia nitsangana.",
        "28": "Ary rehefa niditra tao amin\u2019ny trano iray i Jesosy, dia nanontany azy mitokana ny mpianany hoe: \u201cFa maninona no tsy vitanay ny namoaka an\u2019iny?\u201d",
        "29": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cVavaka ihany vao mahatafavoaka an\u2019iny karazany iny.\u201d",
        "30": "Ary niala teo izy ireo ka namakivaky an\u2019i Galilia, nefa tsy tiany hisy hahafantatra,",
        "31": "satria te hampianatra ny mpianany izy. Dia niteny taminy izy hoe: \u201cEfa hisy hamadika ny Zanak\u2019olona dia hatolotra eo am-pelatanan\u2019ny olona, ka hovonoiny ho faty. Na maty aza anefa izy, dia hitsangana rehefa afaka telo andro.\u201d",
        "32": "Tsy azon\u2019ireo anefa izany teniny izany, ary natahotra ny hanontany azy izy ireo.",
        "33": "Ary tonga tao Kapernaomy izy ireo. Rehefa tao an-trano izy dia nanontany an\u2019ireo mpianany hoe: \u201cInona no niadianareo hevitra teny an-dalana?\u201d",
        "34": "Tsy niteny anefa izy ireo, satria niady hevitra hoe iza amin\u2019izy ireo no lehibe kokoa.",
        "35": "Koa nipetraka izy dia nantsoiny izy 12\u00a0Lahy, ka noteneniny hoe: \u201cRaha misy te ho voalohany, dia tsy maintsy ho farany amin\u2019ny rehetra izy sady hanompo ny rehetra.\u201d",
        "36": "Naka zaza anankiray izy avy eo. Nasainy nitsangana teo afovoany ilay zaza, dia nofihininy, sady hoy izy tamin\u2019ireo:",
        "37": "\u201cIzay mandray zaza hoatran\u2019ity amin\u2019ny anarako, dia mandray ahy. Ary izay mandray ahy, dia tsy mandray ahy fotsiny, fa mandray an\u2019Ilay naniraka ahy koa.\u201d",
        "38": "Hoy i Jaona taminy: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, nisy olona hitanay namoaka demonia tamin\u2019ny anaranao. Dia nanandrana nisakana azy izahay satria tsy namantsika izy.\u201d",
        "39": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cAza mitady hisakana azy, fa tsy hisy hanao fahagagana amin\u2019ny anarako ka vetivety eo dia hahavita hanaratsy ahy.",
        "40": "Fa izay tsy manohitra antsika dia manohana antsika.",
        "41": "Na iza na iza manome rano eran\u2019ny kaopy hosotroinareo satria an\u2019i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy maintsy hahazo valisoa izy.",
        "42": "Na iza na iza kosa mametraka vato mahatafintohina eo anoloan\u2019ny iray amin\u2019ireny madinika manam-pinoana ireny, dia tsara raha asiana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy.",
        "43": "\u201cRaha mahatonga anao hanota ny tananao, dia tapaho. Fa\u00a0aleo ianao tapa-tanana nefa mahazo fiainana, toy izay manana tanana roa nefa ho any amin\u2019ny Gehena, any amin\u2019ny afo tsy mety maty.",
        "44": "* \u2014\u2014",
        "45": "Ary raha\u00a0mahatonga anao hanota ny tongotrao, dia tapaho. Fa aleo ianao tapa-tongotra nefa mahazo fiainana, toy izay manana tongotra roa nefa hatsipy any amin\u2019ny Gehena.",
        "46": "* \u2014\u2014",
        "47": "Ary raha mahatonga anao hanota ny masonao, dia ario lavitra anao. Fa aleo ianao toka-maso nefa miditra any amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, toy izay manana maso roa nefa hatsipy any amin\u2019ny Gehena.",
        "48": "Any mantsy tsy maty ny olitra amin\u2019ny faty, ary tsy mety maty ny afo.",
        "49": "\u201cFa tsy maintsy hararaka amin\u2019ny rehetra ny afo, hoatran\u2019ny fandraraka sira.",
        "50": "Tsara ny sira, nefa raha ny sira indray no lasa matsatso, dia inona no hamerenanareo ny tsirony? Koa man\u00e0na sira ao anatinareo, ka mihav\u00e0na tsara foana ianareo.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Ary niala teo izy ka nankany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Jodia, rehefa avy niampita ny Reniranon\u2019i Jordana. Ary nisy vahoaka nitangorona indray teo aminy. Dia nampianariny izy ireo, araka ny efa fanaony.",
        "2": "Ary nisy Fariseo nanatona azy satria te hitsapa azy. Dia nanontany izy ireo raha azon\u2019ny lehilahy atao ny misaraka amin\u2019ny vadiny.",
        "3": "Ary hoy izy: \u201cInona no didy nomen\u2019i Mosesy anareo?\u201d",
        "4": "Dia hoy ireo: \u201cNavelan\u2019i Mosesy hanoratra taratasy fisaraham-panambadiana ny lehilahy rehefa misaraka amin\u2019ny vadiny.\u201d",
        "5": "Hoy anefa i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cNoho ianareo mafy loha no nahatonga azy hanoratra an\u2019izany didy izany ho anareo.",
        "6": "Fa tany am-piandohan\u2019ny famoronana, dia \u2018nanao azy ho lahy sy vavy Izy.",
        "7": "Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy,",
        "8": "ary ho nofo iray ihany izy roa.\u2019 Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.",
        "9": "Aoka \u00e0ry izay nampiraisin\u2019Andriamanitra zioga, tsy hosarahin\u2019olona.\u201d",
        "10": "Rehefa tao an-trano indray izy ireo, dia nanontanian\u2019ny mpianany momba an\u2019izany izy.",
        "11": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cIzay lehilahy misaraka amin\u2019ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady.",
        "12": "Ary raha manambady olon-kafa ny vehivavy nisaraka tamin\u2019ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.\u201d",
        "13": "Ary nisy zaza nentin\u2019ny olona teo amin\u2019i Jesosy mba hokasihiny, nefa nobedesin\u2019ny mpianatra ireny.",
        "14": "Dia tezitra i Jesosy rehefa nahita an\u2019izany, ka niteny tamin\u2019ireo hoe: \u201cAvelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana, fa an\u2019izay hoatr\u2019azy ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "15": "Lazaiko marina aminareo fa tsy maintsy mandray ny Fanjakan\u2019Andriamanitra hoatran\u2019ny zaza ianareo, fa raha tsy izany dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.\u201d",
        "16": "Ary nitrotro an\u2019ireo zaza ireo izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.",
        "17": "Rehefa niala teo izy, dia nisy lehilahy nihazakazaka nanatona azy ka nandohalika teo anatrehany sady nanontany hoe: \u201cMpampianatra Tsara\u00a0\u00f4, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?\u201d",
        "18": "Dia hoy i Jesosy: \u201cManinona aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.",
        "19": "Fantatrao ny didy hoe: \u2018Aza mamono olona, aza manitsakitsa-bady, aza mangalatra, aza mijoro ho vavolombelona mandainga, aza manambaka, ary hajao ny rainao sy ny reninao.\u2019\u201d",
        "20": "Hoy ilay lehilahy taminy: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, efa narahiko daholo izany hatramin\u2019izaho mbola kely.\u201d",
        "21": "Nijery azy i Jesosy dia tia azy, ka hoy izy taminy: \u201cIzao zavatra iray izao sisa no mbola tsy nataonao: Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ho an\u2019ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.\u201d",
        "22": "Nanjombona ilay lehilahy rehefa naheno an\u2019izany valin-teny izany, ka lasa sady nalahelo. Be dia be mantsy ny fananany.",
        "23": "Ary nijery ny manodidina azy i Jesosy, ka hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cTena ho sarotra amin\u2019ny mpanam-bola ny hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra!\u201d",
        "24": "Gaga anefa ny mpianatra tamin\u2019izany teniny izany, ka hoy i Jesosy: \u201cTena sarotra, anaka, ny miditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra!",
        "25": "Mora kokoa ny hidiran\u2019ny rameva ao amin\u2019ny vodifanjaitra, noho ny hidiran\u2019ny mpanankarena ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "26": "Vao mainka gaga izy ireo ka niteny taminy hoe: \u201cDia mety hisy ho voavonjy ve raha izany?\u201d",
        "27": "Nibanjina azy ireo i Jesosy ka niteny hoe: \u201cTsy hain\u2019olombelona izany, fa hain\u2019Andriamanitra. Hain\u2019Andriamanitra mantsy ny zava-drehetra.\u201d",
        "28": "Ary hoy i Petera taminy: \u201cEfa nahafoy ny zava-drehetra izahay dia nanaraka anao.\u201d",
        "29": "Dia hoy i Jesosy: \u201cLazaiko marina aminareo fa tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na saha, noho ny amiko sy ny vaovao tsara,",
        "30": "ka tsy hahazo avo 100\u00a0heny amin\u2019izao andro izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, saha, sy fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin\u2019ilay tontolo ho avy.",
        "31": "Maro amin\u2019ireo voalohany anefa no ho farany, ary ny farany ho voalohany.\u201d",
        "32": "Ary niakatra ho any Jerosalema izy ireo. Dia nandeha teo alohan\u2019ny mpianatra i Jesosy, ka gaga izy ireo. Ny olona nanaraka azy anefa natahotra. Ary nentiny nihataka kely indray izy 12\u00a0Lahy, ka niresahany an\u2019izao zavatra efa hitranga aminy izao:",
        "33": "\u201cMiakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ny Zanak\u2019olona. Dia homelohin\u2019izy ireo ho faty izy, ary hatolony amin\u2019ny hafa firenena,",
        "34": "ka hihomehezan\u2019ireny sy hororany sy hokaravasiny ary hovonoiny ho faty. Hitsangana anefa izy rehefa afaka telo andro.\u201d",
        "35": "Ary nanatona azy i Jakoba sy Jaona zanak\u2019i Zebedio, ka niteny taminy hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, mba tianay hataonao aminay izay angatahinay aminao.\u201d",
        "36": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cInona no tianareo hataoko aminareo?\u201d",
        "37": "Dia hoy ireo: \u201cMba avelao izahay hipetraka eo akaikinao rehefa mahazo voninahitra ianao, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao.\u201d",
        "38": "Hoy anefa i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cTsy azonareo an-tsaina mihitsy izany angatahinareo izany. Vitanareo ve ny hisotro amin\u2019ilay kaopy isotroako, na ny hatao batisa amin\u2019ilay batisa anaovana batisa ahy?\u201d",
        "39": "Dia hoy ireo: \u201cVitanay izany ka!\u201d Ary hoy i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cHisotro amin\u2019ilay kaopy isotroako ianareo, ary hatao batisa amin\u2019ilay batisa anaovana batisa ahy.",
        "40": "Tsy anjarako anefa ny manendry an\u2019izay hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako, fa izay voafidy ihany no hahazo an\u2019izany toerana izany.\u201d",
        "41": "Ary tezitra tamin\u2019i Jakoba sy Jaona izy folo lahy rehefa naheno an\u2019izany.",
        "42": "Nantsoin\u2019i Jesosy hankeo aminy anefa izy ireo, dia noteneniny hoe: \u201cFantatrareo fa manjakazaka amin\u2019ny firenena entiny ireo ekena ho mpitondra, ary manampatra fahefana ireo lehibe.",
        "43": "Tsy tokony ho toy izany kosa eo aminareo. Fa izay te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,",
        "44": "ary izay te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo ny rehetra.",
        "45": "Fa na ny Zanak\u2019olona aza tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon\u2019ny olona maro.\u201d",
        "46": "Tonga tao Jeriko izy ireo avy eo. Ary rehefa nivoaka an\u2019i Jeriko izy sy ny mpianany ary ny olon-kafa be dia be, dia io fa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo, jamba mpangataka, zanak\u2019i Timeo.",
        "47": "Rehefa henony fa i Jesosy avy any Nazareta ilay nandalo teo, dia nanomboka niantsoantso mafy izy hoe: \u201cRy Jesosy Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4, mba iantrao aho!\u201d",
        "48": "Ary nibedy azy ny olona maro sady niteny azy mba hangina, nefa vao mainka izy niantsoantso mafy hoe: \u201cRy\u00a0Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4, mba iantrao aho!\u201d",
        "49": "Nijanona \u00e0ry i Jesosy, dia niteny hoe: \u201cAntsoy ho eto amiko izy.\u201d Dia nantsoin\u2019ny olona ilay jamba, ka noteneniny hoe: \u201cMahereza! Mitsang\u00e0na, fa miantso anao izy.\u201d",
        "50": "Koa nesoriny ny akanjony ivelany, dia nitsangana haingana izy ka nankeo amin\u2019i Jesosy.",
        "51": "Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cInona no tianao hataoko aminao?\u201d Dia hoy ilay jamba: \u201cRab\u00f4ny \u00f4, mba ataovy mahita indray aho.\u201d",
        "52": "Ary hoy i Jesosy: \u201cMandehana, ny finoanao no nahasitrana anao.\u201d Tonga\u00a0dia nahita ilay lehilahy, ka nanomboka nanaraka azy teny an-dalana."
    },
    "11": {
        "1": "Rehefa nanakaiky an\u2019i Jerosalema sy Betifaga ary Betania, izay teo amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva, izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin\u2019ny mpianany izy.",
        "2": "Hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMandehana ao amin\u2019ir\u1ef3 tan\u00e0na kely ir\u1ef3. Vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zanak\u2019ampondra mifatotra, mbola tsy nitaingenan\u2019olona mihitsy. Vahao ilay izy dia ento at\u1ef3.",
        "3": "Ary raha misy milaza aminareo hoe: \u2018Fa maninona io no vahanareo?\u2019, dia lazao hoe: \u2018Misy ilan\u2019ny Tompo azy, fa tonga\u00a0dia haveriny eto ihany rehefa avy eo.\u2019\u201d",
        "4": "Dia lasa izy ireo ary hitany ilay zanak\u2019ampondra nifatotra teo akaikin\u2019ny varavarana, teo ivelany teo amin\u2019ny lalankely, ka novahany.",
        "5": "Nisy tamin\u2019ireo olona nijoro teo anefa niteny hoe: \u201cFa maninona no vahanareo io zanak\u2019ampondra io?\u201d",
        "6": "Dia ilay notenenin\u2019i Jesosy mihitsy no nolazain\u2019ny mpianatra tamin\u2019ireo, ka navelany handeha izy ireo.",
        "7": "Ary nentin\u2019ireo tany amin\u2019i Jesosy ilay zanak\u2019ampondra, ka napetrak\u2019izy ireo teo ambonin\u2019ilay izy ny akanjon\u2019izy ireo ivelany, dia nitaingina teo i Jesosy.",
        "8": "Be dia be koa ny olona namelatra ny akanjony ivelany teo amin\u2019ny lalana, fa ny an\u2019ny sasany indray rantsankazo nisy raviny avy notapahiny tany an-tsaha.",
        "9": "Ary izay nandeha teo alohany sy tao aorianany dia niantsoantso tsy an-kijanona hoe: \u201cMba vonjeo re izy\u00a0e! Hotahina anie ilay tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah!",
        "10": "Hotahina anie ilay Fanjakana ho avy, izay an\u2019i Davida razambenay! Mba vonjeo re izy, ry\u00a0any amin\u2019ny avo indrindra\u00a0\u00f4!\u201d",
        "11": "Ary niditra tao Jerosalema izy, ka nankao amin\u2019ny tempoly, dia nijerijery ny zava-drehetra. Nivoaka nankany Betania izy sy ny 12\u00a0Lahy avy eo, satria efa hariva ny andro.",
        "12": "Ny ampitson\u2019iny, tamin\u2019izy ireo nivoaka an\u2019i Betania, dia noana izy.",
        "13": "Ary nahita aviavy feno raviny teny lavidavitra izy, ka nankeo mba hijery sao mahita voany. Tsy nahita afa-tsy raviny fotsiny anefa izy rehefa tonga teo, satria tsy fotoanan\u2019ny aviavy tamin\u2019izay.",
        "14": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019 ilay hazo: \u201cEnga anie tsy hisy hihinana voa avy aminao intsony mandrakizay!\u201d Ary nihaino an\u2019izany ny mpianany.",
        "15": "Tonga tao Jerosalema izy ireo avy eo. Dia niditra tao amin\u2019ny tempoly izy, ka nanomboka nandroaka an\u2019izay nivarotra sy nividy tao. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan\u2019ny mpivarotra voromailala.",
        "16": "Tsy nisy navelany hanivaka teo amin\u2019ny tempoly koa izay olona nitondra entana.",
        "17": "Dia nampianatra izy hoe: \u201cAngaha tsy voasoratra hoe: \u2018Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an\u2019ny firenena rehetra\u2019? Fa ianareo kosa manao azy ho lava-bato fiafenan\u2019ny jiolahy.\u201d",
        "18": "Ary naheno an\u2019izany ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na, ka nitady hevitra hamonoana azy. Natahotra azy mantsy izy ireo, satria gaga tamin\u2019ny fampianarany daholo ny vahoaka.",
        "19": "Nivoaka ny tan\u00e0na i Jesosy sy ny mpianany, rehefa harivariva ny andro.",
        "20": "Rehefa teny an-dalana anefa izy ireo ny ampitso vao maraina, dia nahita fa efa nalazo hatramin\u2019ny fakany ilay aviavy.",
        "21": "Tadidin\u2019i Petera ilay izy ka hoy izy tamin\u2019i Jesosy: \u201cRaby\u00a0\u00f4, io fa nalazo ilay aviavy nozoninao.\u201d",
        "22": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cMan\u00e0na finoana an\u2019Andriamanitra.",
        "23": "Lazaiko marina aminareo fa raha misy miteny amin\u2019ity tendrombohitra ity hoe: \u2018Mial\u00e0 eto dia mianjer\u00e0 any an-dranomasina\u2019, sady tsy misalasala izy ao am-pony ao fa manam-pinoana hoe hitranga tokoa izay lazainy, dia ho tanteraka izany.",
        "24": "Izany no antony itenenako aminareo hoe: Izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, dia minoa hoe efa azonareo izany, dia ho azonareo izany.",
        "25": "Ary rehefa mitsangana hivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamel\u00e0 ny helony, mba havelan\u2019ilay Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.\u201d",
        "26": "* \u2014\u2014",
        "27": "Tonga tao Jerosalema indray izy ireo. Rehefa nandehandeha tao amin\u2019ny tempoly izy, dia nanatona azy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ary ny anti-panahy,",
        "28": "ka niteny taminy hoe: \u201cFahefana avy aiza no anaovanao an\u2019izao? Ary iza no nanome anao fahefana hanao an\u2019izao?\u201d",
        "29": "Ary hoy i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cHanontany zavatra iray aminareo aho. Valio aho, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an\u2019izao.",
        "30": "Avy any an-danitra sa avy amin\u2019ny olona no nahazoan\u2019i Jaona fahefana hanao batisa? Mba valio aho.\u201d",
        "31": "Dia nifampiresaka ireo hoe: \u201cRaha miteny izao isika hoe: \u2018Avy any an-danitra\u2019, dia hiteny izy hoe: \u2018Koa naninona ianareo no tsy nino azy?\u2019",
        "32": "Ho sahintsika anefa ve ny hiteny hoe: \u2018Avy amin\u2019ny olona\u2019?\u201d Natahotra ny vahoaka mantsy izy ireo, satria nihevitra daholo izy rehetra hoe tena mpaminany i Jaona.",
        "33": "Hoy \u00e0ry izy ireo tamin\u2019i Jesosy: \u201cTsy fantatray.\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cIzaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an\u2019izao.\u201d"
    },
    "12": {
        "1": "Nanomboka nanao fanoharana tamin\u2019ireo izy avy eo hoe: \u201cNanao tanimboaloboka ny lehilahy iray, ary nofefeny ny manodidina. Dia nihady lavaka famiazam-boaloboka izy ary nanangana tilikambo. Nampanofainy tamin\u2019ny mpamboly ilay izy avy eo, dia lasa nankany an-tany hafa izy.",
        "2": "Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin\u2019ny mpamboly izy mba hanangona ny ampahany amin\u2019ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin\u2019izy ireo.",
        "3": "Nalain\u2019izy ireo anefa ilay mpanompo dia nokapohiny, ka nalefany nody maina.",
        "4": "Naniraka mpanompo hafa ho any amin\u2019ireo mpamboly indray ilay lehilahy, nefa nokapohin\u2019ireo teo amin\u2019ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka.",
        "5": "Ary naniraka mpanompo hafa indray izy, saingy novonoin\u2019ireo ho faty ilay mpanompo. Mbola naniraka olon-kafa be dia be koa izy, nefa ny sasany nokapohin\u2019ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty.",
        "6": "Iray sisa no teo aminy, dia ny zanany tena tiany, ka io no nirahiny farany tany amin\u2019ireo. Fa hoy izy: \u2018Mba hohajain\u2019ireny kosa ny zanako\u00a0e!\u2019",
        "7": "Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: \u2018Iny ny mpandova! Andao izy hovonointsika, dia amin\u2019izay ho lasantsika ny lova!\u2019",
        "8": "Koa nosamborin\u2019ireo izy dia novonoiny ho faty, ka notaritaritiny tany ivelan\u2019ny tanimboaloboka.",
        "9": "Inona \u00e0ry no hataon\u2019ilay tompon\u2019ny tanimboaloboka? Ho avy izy dia hovonoiny ho faty ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.",
        "10": "Angaha mbola tsy novakinareo tao amin\u2019ny Soratra Masina mihitsy ilay hoe: \u2018Ny vato tsy tian\u2019ny mpanao trano no lasa vato fehizoro lehibe indrindra.",
        "11": "Avy amin\u2019i Jehovah izany sady mahavariana antsika\u2019?\u201d",
        "12": "Ary te hisambotra an\u2019i Jesosy ny fahavalony, satria takany hoe izy ireo no tao an-tsain\u2019i Jesosy tamin\u2019ilay fanoharana. Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo, ka lasa nandeha.",
        "13": "Ary nirahin\u2019ireo hankany amin\u2019i Jesosy ny sasany tamin\u2019ny Fariseo sy ny mpanohana an\u2019i Heroda mba hamandrika azy amin\u2019ny teniny.",
        "14": "Rehefa tonga ireo dia niteny taminy hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, fantatray fa milaza ny marina foana ianao. Tsy mba mila sitraka amin\u2019ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan\u2019olona, ary marina ny fampianaranao momba an\u2019Andriamanitra. Azo atao ve sa tsia ny mandoa hetra amin\u2019i Kaisara?",
        "15": "Tokony handoa ve izahay sa tsia?\u201d Fantatr\u2019i Jesosy anefa hoe nihatsaravelatsihy izy ireo, ka hoy izy taminy: \u201cManinona ianareo no mitsapa ahy? Itondray denaria iray aho hojereko.\u201d",
        "16": "Dia nitondran\u2019ireo izy. Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cSarin\u2019iza io, dia anaran\u2019iza io?\u201d Hoy ireo taminy: \u201cAn\u2019i Kaisara.\u201d",
        "17": "Hoy \u00e0ry i Jesosy: \u201cAloavy amin\u2019i Kaisara izay an\u2019i Kaisara, fa amin\u2019Andriamanitra kosa izay an\u2019Andriamanitra.\u201d Dia talanjona tamin\u2019ny teniny ireo.",
        "18": "Ary nanatona azy ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan\u2019ny maty. Nanontanian\u2019ireo izy hoe:",
        "19": "\u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny lehilahy anankiray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an\u2019ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an\u2019ilay rahalahiny efa maty.",
        "20": "Nisy fito mirahalahy \u00e0ry. Nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka.",
        "21": "Dia nampakatra an\u2019ilay vehivavy ny faharoa, nefa maty tsy niteraka ihany koa, ary hoatr\u2019izany koa ny fahatelo.",
        "22": "Samy tsy niteraka izy fito mirahalahy. Maty koa ilay vehivavy tamin\u2019ny farany.",
        "23": "Rehefa atsangana ny maty, ho vadin\u2019iza ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy fito mirahalahy.\u201d",
        "24": "Hoy i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cSamy tsy hainareo na ny Soratra Masina na ny herin\u2019Andriamanitra. Tsy izany ve no mahadiso hevitra anareo?",
        "25": "Fa rehefa atsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa hitovy amin\u2019ny anjely any an-danitra.",
        "26": "Raha ny amin\u2019ny maty izay atsangana, angaha mbola tsy novakinareo ilay ao amin\u2019ny bokin\u2019 i Mosesy, ao amin\u2019ny fitantarana momba an\u2019ilay voarointsilo, fa nilaza taminy Andriamanitra hoe: \u2018Izaho no Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba\u2019?",
        "27": "Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an\u2019ny velona. Diso hevitra tanteraka ianareo.\u201d",
        "28": "Nisy mpanora-dal\u00e0na iray nanatona ka naheno azy ireo niady hevitra. Fantany fa nahavaly tsara azy ireo i Jesosy, ka nanontaniany hoe: \u201cInona no voalohany amin\u2019ny didy rehetra?\u201d",
        "29": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cNy voalohany dia izao: \u2018Henoy izao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.",
        "30": "Ary tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.\u2019",
        "31": "Ny faharoa dia izao: \u2018Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u2019 Tsy misy didy lehibe noho ireo.\u201d",
        "32": "Hoy ilay mpanora-dal\u00e0na taminy: \u201cIzay mihitsy, ry\u00a0Mpampianatra\u00a0\u00f4! Marina ilay teninao hoe: \u2018Iray ihany Izy, ary tsy misy ankoatra azy.\u2019",
        "33": "Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin\u2019ny fo manontolo sy ny saina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.\u201d",
        "34": "Hitan\u2019i Jesosy fa nahay namaly ilay lehilahy, ka hoy izy taminy: \u201cTsy lavitra ny Fanjakan\u2019Andriamanitra ianao.\u201d Tsy nisy sahy nanontany azy intsony taorian\u2019izay.",
        "35": "Raha mbola nampianatra tao amin\u2019ny tempoly anefa i Jesosy, dia niteny hoe: \u201cManinona no lazain\u2019ny mpanora-dal\u00e0na fa zanak\u2019i Davida i Kristy?",
        "36": "I Davida aza nasain\u2019ny fanahy masina niteny hoe: \u2018Hoy i Jehovah tamin\u2019ny Tompoko: \u201cMipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.\u201d\u2019",
        "37": "Koa i Davida aza niantso azy hoe Tompo, dia ahoana no maha zanany azy?\u201d Ary nahafaly ny vahoaka ny nihaino azy.",
        "38": "Hoy koa izy tamin\u2019izy mbola nampianatra iny: \u201cMitandrema amin\u2019ny mpanora-dal\u00e0na, izay tia mandehandeha manao akanjo lava. Tiany koa ny hoarahabaina eny an-tsena",
        "39": "sy ny hahazo toerana eny aloha ao amin\u2019ny synagoga ary ny toerana mihaja indrindra any amin\u2019ny sakafo hariva.",
        "40": "Taperin\u2019izy ireny ny fananan\u2019ny mpitondratena, ary manao vavaka lava be izy ireny mba hisehosehoana fotsiny. Hahazo fanamelohana henjana kokoa izy ireny.\u201d",
        "41": "Ary nipetraka tandrifin\u2019ny vata fandrotsaham-bola izy, ka nodinihiny ny vahoaka nandrotsaka vola tao amin\u2019ireo vata ireo. Ary betsaka ny mpanankarena nandrotsaka vola madinika be dia be.",
        "42": "Tonga kosa ny vehivavy mpitondratena mahantra iray, nandrotsaka vola madinika kely anankiroa zara raha nisy vidiny.",
        "43": "Koa niantso ny mpianany hankeo aminy i Jesosy, dia hoy izy: \u201cLazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandrotsaka betsaka noho ny hafa rehetra nandrotsaka vola tao amin\u2019ny vata fandrotsaham-bola.",
        "44": "Izy rehetra mantsy nandrotsaka avy tamin\u2019izay sisa tsy laniny, fa io vehivavy io kosa na mahantra aza, dia nandrotsaka an\u2019izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.\u201d"
    },
    "13": {
        "1": "Ary rehefa nivoaka ny tempoly izy, dia hoy ny iray tamin\u2019ny mpianany: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, jereo ange\u00a0e! Tsara be ireo vato sy trano ireo\u00a0e?\u201d",
        "2": "Hoy anefa i Jesosy taminy: \u201cHitanao ve ireo trano\u00a0be ireo? Tsy hisy vato havela hifanaingina mihitsy eo, fa harodana daholo.\u201d",
        "3": "Tamin\u2019izy nipetrapetraka teo amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva sady nahatazana ny tempoly, dia nanontany azy mitokana i Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:",
        "4": "\u201cLazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana rehefa hifarana izany rehetra izany?\u201d",
        "5": "Koa niteny taminy i Jesosy hoe: \u201cMitandrema sao hisy hamitaka anareo.",
        "6": "Fa maro no hisandoka ny anarako, dia hiteny hoe: \u2018Izaho no izy\u2019, ka be dia be no ho voafitany.",
        "7": "Ary aza matahotra rehefa maheno ady ianareo sy rehefa misy milaza aminareo hoe misy ady any an-toeran-kafa. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.",
        "8": "\u201cFa hisy firenena hiady amin\u2019ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin\u2019ny fanjakana. Hisy horohoron-tany any amin\u2019ny toerana samihafa, ary hisy mosary koa. Izany no fiandohan\u2019ny fahoriana.",
        "9": "\u201cIanareo kosa mitandrema, fa hanolotra anareo any amin\u2019ny fitsarana ny olona. Hokapohina any amin\u2019ny synagoga ianareo, ary hoentina any amin\u2019ny governora sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehany.",
        "10": "Ankoatra izany, dia tsy maintsy hotorina any amin\u2019ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.",
        "11": "Rehefa entiny mba hatolotra an\u2019ireo manam-pahefana ianareo, dia aza manahy ny amin\u2019izay holazainareo. Hampahatsiahy anareo izay tokony holazaina amin\u2019izany ora izany ny fanahy masina, satria tsy ianareo no miteny, fa ny fanahy masina.",
        "12": "Ny rahalahy koa hanolotra ny rahalahiny hovonoina ho faty, ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.",
        "13": "Ary ho halan\u2019ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Izay miaritra hatramin\u2019ny farany anefa no hovonjena.",
        "14": "\u201cRehefa hitanareo anefa fa mitsangana eo amin\u2019izay tsy tokony hitsanganany ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana\u2014aoka ny mpamaky handinika tsara\u2014, dia mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia.",
        "15": "Izay any an-tampon-trano koa tsy tokony hidina na hiditra ao an-tranony mba haka zavatra ao,",
        "16": "ary izay any an-tsaha tsy tokony hiverina any amin\u2019izay efa nilaozany mba haka ny akanjony ivelany.",
        "17": "Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mampinono, amin\u2019izany andro izany!",
        "18": "Mivavaha foana mba tsy ho amin\u2019ny ririnina izany no hitranga.",
        "19": "Fa izany andro izany dia ho andro fahoriana izay mbola tsy nisy hoatr\u2019izany hatramin\u2019ny niandohan\u2019ny zavatra noforonin\u2019Andriamanitra ka hatramin\u2019izany fotoana izany, sady tsy hisy intsony.",
        "20": "Raha tsy nohafohezin\u2019i Jehovah mantsy izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy. Noho ny olom-boafidiny anefa, dia nohafoheziny izany andro izany.",
        "21": "\u201cAry aza mino raha misy milaza aminareo hoe: \u2018At\u1ef3 Kristy!\u2019, na hoe: \u2018Ar\u1ef3 izy!\u2019",
        "22": "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka ho avy, ka hanao famantarana sy fahagagana, satria tiany havily lalana ny olom-boafidy, raha azony atao.",
        "23": "Mitandrema \u00e0ry ianareo. Efa nolazaiko taminareo mialoha ny zava-drehetra.",
        "24": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, aorian\u2019ilay fahoriana, dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana,",
        "25": "ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny hery eny amin\u2019ny lanitra.",
        "26": "Dia avy eo ho hitan\u2019ny olona ho avy ao amin\u2019ny rahona ny Zanak\u2019olona, sady ho avy amin-kery lehibe sy voninahitra.",
        "27": "Dia hirahiny ny anjely ka hangonin\u2019izy ireo avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra ny olom-boafidiny, hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ka hatrany amin\u2019ny faravodilanitra.",
        "28": "\u201cMak\u00e0 lesona avy amin\u2019ity fanoharana momba ny aviavy ity: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka manomboka misy raviny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.",
        "29": "Hoatr\u2019izany koa fa rehefa hitanareo hoe miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, efa eo am-baravarana.",
        "30": "Lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon\u2019izany rehetra izany.",
        "31": "Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.",
        "32": "\u201cTsy misy mahalala an\u2019izany andro na ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.",
        "33": "Mitandrema foana sy miambena foana, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.",
        "34": "Hoatran\u2019ny lehilahy iray nandeha any an-tany hafa izany. Talohan\u2019ny nandehanany, dia nomeny fahefana ny mpanompony sady nomeny asa tsirairay, ary ny mpiandry varavarana koa nasainy niambina foana.",
        "35": "Miambena foana \u00e0ry, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny tompon-trano no ho avy, na amin\u2019ny takariva, na amin\u2019ny misasakalina, na amin\u2019ny maneno akoho, na vao maraina be.",
        "36": "Dia amin\u2019izay ianareo tsy ho hitany matory, rehefa tonga tampoka izy.",
        "37": "Izay lazaiko aminareo anefa dia lazaiko amin\u2019ny rehetra hoe: Miambena foana.\u201d"
    },
    "14": {
        "1": "Roa andro sisa tamin\u2019izay dia ho tonga ny Paska sy ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Ary nitady fomba hamitahana sy hisamborana azy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na, mba hamonoana azy ho faty.",
        "2": "Hoy anefa izy ireo: \u201cAleo tsy amin\u2019ny fety, sao hisahotaka ny vahoaka.\u201d",
        "3": "Tamin\u2019izy nisakafo tao an-tranon\u2019i Simona boka, tany Betania, dia tonga ny vehivavy anankiray. Nitondra tavoahangy vatosanga feno menaka manitra lafo vidy be izy io, ary narda tena izy ilay menaka. Novakin\u2019ilay vehivavy ilay tavoahangy, dia nararany teo an-dohan\u2019i Jesosy ilay menaka.",
        "4": "Dia tezitra ny sasany ka nifampiresaka hoe: \u201cFa maninona no lanilanina fotsiny hoatr\u2019izao iny menaka manitra iny?",
        "5": "Azo namidy 300\u00a0denaria mahery izao iny menaka iny, dia nomena ny mahantra ny vola!\u201d Dia sorena be tamin\u2019ilay vehivavy izy ireo.",
        "6": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cAvelao izy. Fa maninona no ataonareo an\u2019izany izy? Tena tsara ny nataony tamiko.",
        "7": "Hisy mahantra foana mantsy eo aminareo, ka isaky ny te hanao soa amin\u2019ireny ianareo, dia afaka manao an\u2019izany, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.",
        "8": "Nanao izay azony natao izy, ka nandraraka menaka manitra tamin\u2019ny vatako mba hanomanana mialoha ny fandevenana ahy.",
        "9": "Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ny vaovao tsara eran\u2019izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon\u2019io vehivavy io, ho fahatsiarovana azy.\u201d",
        "10": "Ary lasa nankany amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona i Jodasy Iskariota, iray tamin\u2019izy 12\u00a0Lahy, satria te hamadika an\u2019i Jesosy ka hanolotra azy tamin\u2019ireo.",
        "11": "Ary faly izy ireo rehefa naheno an\u2019izany, ka nampanantena fa hanome vola azy. Nanomboka nitady fotoana hamadihana an\u2019i Jesosy \u00e0ry i Jodasy.",
        "12": "Ary tonga ny andro voalohany hankalazana ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay, izay andro fanolorana ny biby atao sorona amin\u2019ny Paska. Dia hoy ny mpianany taminy: \u201cAiza no tianao hikarakaranay ny sakafon\u2019ny Paska?\u201d",
        "13": "Koa naniraka roa lahy tamin\u2019ny mpianany izy, nanao hoe: \u201cMankanesa any an-tan\u00e0na ianareo, dia hifanena amin\u2019ny lehilahy iray mitondra siny tany feno rano. Araho izy,",
        "14": "ka ao amin\u2019izay idirany dia ilazao ny tompon-trano hoe: \u2018Niteny ny Mpampianatra hoe: \u201cAiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin\u2019ny mpianatro?\u201d\u2019",
        "15": "Dia hasehony anareo ny efitra malalaka iray any ambony rihana, izay efa misy fanaka sady efa vonona. Karakarao ao ny sakafon\u2019ny Paska ho antsika.\u201d",
        "16": "Lasa \u00e0ry ireo mpianany ireo nankao an-tan\u00e0na, ka hitan\u2019izy ireo daholo izay nolazainy taminy. Ary nokarakarain\u2019ireo ny Paska.",
        "17": "Dia tonga i Jesosy sy ny 12\u00a0Lahy, ny harivan\u2019iny.",
        "18": "Rehefa naka toerana hisakafo teo amin\u2019ny latabatra izy ireo, dia hoy i Jesosy: \u201cLazaiko marina aminareo fa hamadika ahy ny iray aminareo, dia ilay miara-mihinana amiko.\u201d",
        "19": "Ary nalahelo izy ireo, ka samy nanontany azy hoe: \u201cIzaho ve izany?\u201d",
        "20": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cIray aminareo 12\u00a0Lahy ilay izy, ilay miara-manatsoboka ny mofony amiko ao anaty vilia.",
        "21": "Fa handeha ny Zanak\u2019olona, araka ny efa voasoratra momba azy, nefa hahita loza ilay olona hamadika ny Zanak\u2019olona! Tsara kokoa ho an\u2019ilay olona raha tsy teraka akory.\u201d",
        "22": "Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesosy ka nivavaka. Dia notapahiny ilay mofo ka nomeny azy ireo, sady hoy izy: \u201cRaiso, ity no vatako.\u201d",
        "23": "Nandray kaopy koa izy ka nisaotra an\u2019Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, ka nisotro tamin\u2019iny izy rehetra.",
        "24": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cIty no rako, dia \u2018ny ran\u2019ny fifanekena\u2019 izay halatsaka mba hahasoa olona maro.",
        "25": "Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro amin\u2019ny vokatry ny voaloboka intsony aho, mandra-pahatongan\u2019ny andro hisotroako divay vaovao ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "26": "Farany, dia nankany amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, rehefa avy nihira fiderana.",
        "27": "Ary hoy i Jesosy: \u201cHahafoy ahy daholo ianareo, fa voasoratra hoe: \u2018Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry.\u2019",
        "28": "Rehefa atsangana anefa aho, dia handeha hialoha anareo any Galilia.\u201d",
        "29": "Ary hoy i Petera taminy: \u201cNa hahafoy anao daholo aza izy rehetra, dia izaho tsy hahafoy anao izany.\u201d",
        "30": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cLazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.\u201d",
        "31": "Mbola nanizingizina ihany anefa i Petera hoe: \u201cNa tsy maintsy hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao izany mihitsy!\u201d Ary niteny hoatr\u2019izany koa ny hafa rehetra.",
        "32": "Ary tonga tao amin\u2019ny toerana iray antsoina hoe Getsemane izy ireo. Dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cMipetraha eto fa izaho handeha hivavaka.\u201d",
        "33": "Nentiny niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona. Dia nanomboka nalahelo be sy nitebiteby be izy.",
        "34": "Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cTena malahelo be aho izany, hoatran\u2019ny efa ho faty. Mijan\u00f2na eto dia miareta tory.\u201d",
        "35": "Ary nandroso kelikely izy, dia niankohoka tamin\u2019ny tany ka nanomboka nivavaka mba tsy hiatrika an\u2019izany ora izany, raha azony natao.",
        "36": "Dia hoy izy: \u201cAba, Ray\u00a0\u00f4, hainao ny zava-drehetra. Esory amiko ity kaopy ity, nefa aleo tsy izay tiako no hatao, fa izay tianao.\u201d",
        "37": "Niverina teo amin\u2019ny mpianany izy ka nahita azy ireo natory, dia hoy izy tamin\u2019i Petera: \u201cSimona! Matory angaha ianao? Tsy nahavita niari-tory adiny iray akory ve ianao?",
        "38": "Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin\u2019ny fakam-panahy. Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.\u201d",
        "39": "Dia lasa indray izy nivavaka, ka izay efa noteneniny teo aloha ihany no naveriny.",
        "40": "Dia niverina indray izy, ary mbola nahita azy ireo natory fa navesatra ny masony. Tsy hitan\u2019izy ireo \u00e0ry izay havaly azy.",
        "41": "Ary niverina fanintelony izy dia niteny tamin\u2019ireo hoe: \u201cMbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo amin\u2019izao fotoana izao? Aoka izay! Efa tonga ny ora! Jereo fa hisy hamadika ny Zanak\u2019olona, ka hatolotra eo am-pelatanan\u2019ny mpanota.",
        "42": "Mitsang\u00e0na dia andao isika handeha, fa efa akaiky ilay mpamadika ahy.\u201d",
        "43": "Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia iny fa tonga i Jodasy, ilay anisan\u2019ny 12\u00a0Lahy. Ary nisy vahoaka nitondra sabatra sy kibay niaraka taminy, nirahin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ary ny anti-panahy.",
        "44": "Ary efa nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: \u201cIzay horohako no izy ka sambory, ary ento dia ambeno tsara.\u201d",
        "45": "Tonga\u00a0dia nanitsy nankeo amin\u2019i Jesosy izy ka niteny hoe: \u201cRaby\u00a0\u00f4!\u201d, sady nanoroka azy.",
        "46": "Dia nisambotra an\u2019i Jesosy ny vahoaka, ka nitondra azy.",
        "47": "Nisy iray tamin\u2019ireo nijoro teo anefa nanatsoaka ny sabany, dia nasiany tamin\u2019iny ilay mpanompon\u2019ny mpisoronabe, ka niala ny sofiny.",
        "48": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ireo: \u201cTonga hisambotra ahy miaraka amin\u2019ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr\u2019ireny hisambotra jiolahy ireny?",
        "49": "Isan\u2019andro aho niaraka taminareo, tamin\u2019izaho nampianatra tao amin\u2019ny tempoly, nefa tsy nosamborinareo. Mitranga anefa izao mba ho tanteraka ny Soratra Masina.\u201d",
        "50": "Ary nandao azy daholo ny mpianany ka lasa nitsoaka.",
        "51": "Nanaraka azy akaiky anefa ny tovolahy iray tsy nanao afa-tsy akanjo rongony tena tsara. Ary nanandrana nisambotra azy ny olona,",
        "52": "nefa navelany ny akanjony, dia nandositra nitanjaka izy.",
        "53": "Ary nentin\u2019izy ireo nankany amin\u2019ny mpisoronabe i Jesosy. Efa tafavory tany daholo ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dal\u00e0na rehetra.",
        "54": "Nanaraka teny lavidavitra teny anefa i Petera, hatrany an-tokotanin\u2019ny mpisoronabe. Dia niara-nipetrapetraka tamin\u2019ny mpiasa an-trano teo izy sady nitanina afo teo.",
        "55": "Ary nitady zavatra hiampangana an\u2019i Jesosy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy izay rehetra anisan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty, nefa tsy nahita.",
        "56": "Be dia be ny vavolombelona mandainga niampanga azy, nefa nifanohitra ny tenin\u2019izy ireo.",
        "57": "Nisy hafa koa nijoro ho vavolombelona mandainga ka niampanga azy hoe:",
        "58": "\u201cHenonay izy niteny hoe: \u2018Harodako ity tempoly nataon\u2019ny tanan\u2019olona ity, dia hanorina hafa tsy nataon\u2019ny tanan\u2019olona aho rehefa afaka telo andro.\u2019\u201d",
        "59": "Na tamin\u2019izany aza anefa, dia mbola nifanohitra ihany ny tenin\u2019izy ireo.",
        "60": "Dia nitsangana teo afovoany ny mpisoronabe ka nanontany an\u2019i Jesosy hoe: \u201cToa tsy mamaly akory ianao? Ahoana izany fiampangan\u2019ireo olona ireo anao izany?\u201d",
        "61": "Mbola tsy niteny ihany anefa i Jesosy ary tsy namaly mihitsy. Ary nanontany azy indray ny mpisoronabe hoe: \u201cIanao ve no Kristy Zanak\u2019Ilay Avo Indrindra?\u201d",
        "62": "Dia hoy i Jesosy: \u201cIzaho no izy. Ary ho hitanareo ny Zanak\u2019olona hipetraka eo ankavanan\u2019Ilay Mahery sady ho avy miaraka amin\u2019ny rahon\u2019ny lanitra.\u201d",
        "63": "Dia nandrovitra ny akanjony ny mpisoronabe sady niteny hoe: \u201cInona indray no mbola ilantsika vavolombelona?",
        "64": "Henonareo ilay izy nanevateva an\u2019Andriamanitra teo. Ahoana ny hevitrareo?\u201d Dia nanameloka azy izy rehetra ka nilaza fa mendrika ny ho faty izy.",
        "65": "Ary nisy nandrora azy sy nanarona ny tarehiny, dia nanisy totohondry azy sady niteny hoe: \u201cMaminania!\u201d Dia namely tehamaina azy ny mpampihatra didim-pitsarana ka nitondra azy.",
        "66": "Raha mbola tao ambany tany an-tokotany i Petera, dia tonga ny iray tamin\u2019ny mpanompovavin\u2019ny mpisoronabe.",
        "67": "Raha vao nahita an\u2019i Petera nitanina afo izy, dia nijery azy tsara sady niteny hoe: \u201cIanao koa niaraka tamin\u2019io Jesosy avy any Nazareta io.\u201d",
        "68": "Nanda anefa i Petera hoe: \u201cTsy fantatro izy sady tsy azoko izany zavatra resahinao izany.\u201d Dia lasa izy nivoaka nankeo akaikin\u2019ny vavahady.",
        "69": "Nahita azy teo ilay mpanompovavy, dia niteny indray tamin\u2019ireo nijorojoro teo hoe: \u201cNaman-dry\u00a0zareo io.\u201d",
        "70": "Nanda indray anefa izy. Ary rehefa afaka kelikely, dia niteny tamin\u2019i Petera indray ireo nijorojoro teo hoe: \u201cTena naman-dry\u00a0zareo ianao, fa Galilianina.\u201d",
        "71": "Nanomboka niozona sy nianiana anefa izy hoe: \u201cTena tsy fantatro mihitsy ho\u2019aho izany lehilahy resahinareo izany!\u201d",
        "72": "Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno fanindroany. Dia tsaroan\u2019i Petera ilay nolazain\u2019i Jesosy taminy hoe: \u201cMbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.\u201d Dia nalahelo be izy ka nanomboka nitomany."
    },
    "15": {
        "1": "Vao nazava ratsy ny andro, dia niara-nidinika ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dal\u00e0na, izany hoe ny Fitsarana Avo Jiosy manontolo. Ary nofatoran\u2019izy ireo i Jesosy, dia nentiny ka natolony an\u2019i Pilato.",
        "2": "Nanontanian\u2019i Pilato \u00e0ry izy hoe: \u201cIanao ve no Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d Hoy i Jesosy: \u201cVoalazanao.\u201d",
        "3": "Ary betsaka ny zavatra niampangan\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona azy.",
        "4": "Nanontany azy indray i Pilato hoe: \u201cAry toa tsy mamaly ianao? Be dia be ange izany zavatra iampangany anao izany\u00a0e!\u201d",
        "5": "Tsy namaly intsony anefa i Jesosy, ka gaga i Pilato.",
        "6": "Efa fanaon\u2019i Pilato isaky ny fety ny manafaka voafonja iray nangatahin\u2019ny vahoaka.",
        "7": "Tamin\u2019izay fotoana izay, dia nisy lehilahy antsoina hoe Barabasy, niara-nigadra tamin\u2019ireo mpikomy tamin\u2019ny fanjakana, izay nahafaty olona tamin\u2019izy ireo nikomy.",
        "8": "Dia tonga ny vahoaka ka nanomboka nangataka tamin\u2019i Pilato mba hanao araka izay efa fanaony amin\u2019izy ireo.",
        "9": "Hoy i Pilato tamin\u2019izy ireo: \u201cSao dia mba tianareo hafahako ho anareo ilay Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d",
        "10": "Fantatr\u2019i Pilato mantsy fa fialonana no nahatonga ny lehiben\u2019ny mpisorona hanolotra an\u2019i Jesosy.",
        "11": "Nampirisihin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona anefa ny vahoaka mba hoe i Barabasy fa tsy i Jesosy no hangatahin\u2019izy ireo hafahan\u2019i Pilato.",
        "12": "Hoy indray i Pilato: \u201cHataoko ahoana \u00e0ry ilay antsoinareo hoe Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d",
        "13": "Dia niantsoantso mafy indray ireo hoe: \u201cFantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy!\u201d",
        "14": "Hoy ihany anefa i Pilato tamin\u2019ireo: \u201cFa maninona? Fa inona no ratsy nataony?\u201d Vao mainka anefa izy ireo niantsoantso hoe: \u201cFantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy!\u201d",
        "15": "Dia nafahan\u2019i Pilato i Barabasy, satria te hampifaly ny vahoaka izy. Rehefa avy nasainy nokaravasina i Jesosy, dia natolony hovonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo.",
        "16": "Ary nentin\u2019ny miaramila nankao amin\u2019ny tokotany tao amin\u2019ny tranon\u2019ny governora izy, ka novorin\u2019izy ireo daholo ny miaramila.",
        "17": "Dia nampanaovin\u2019ireo lamba volomparasy izy. Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo, dia nataony teo amin\u2019ny lohany.",
        "18": "Ary nanomboka niantsoantso izy ireo hoe: \u201cMiarahaba anao, ry\u00a0Mpanjakan\u2019ny Jiosy!\u201d",
        "19": "Nokapohin\u2019ireo tamin\u2019ny bararata koa ny lohany, dia nororany izy. Ary nandohalika sy niankohoka teo anatrehany ireo.",
        "20": "Tamin\u2019ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba volomparasy, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin\u2019ny tsato-kazo izy avy eo.",
        "21": "Noteren\u2019ireo hitondra ny hazo fijalian\u2019i Jesosy koa ny mpandalo iray avy tany ambanivohitra, dia i Simona avy any Kyrena, rain\u2019i Aleksandra sy Rofosy.",
        "22": "Ary nentin\u2019ireo i Jesosy, ho any amin\u2019ilay toerana antsoina hoe Golgota. Raha adika izany dia hoe \u201cIkarandoha.\u201d",
        "23": "Nanandrana nanome azy divay nasiana miora mahadomelina ireo, fa tsy nety nisotro izy.",
        "24": "Dia nofantsihan\u2019ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo izy, ary nozarain\u2019izy ireo ny akanjony ivelany ka nanaovany antsapaka mba hahitana an\u2019izay ho azon\u2019izy tsirairay.",
        "25": "Ora fahatelo tamin\u2019izay, ary nofantsihan\u2019ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo izy.",
        "26": "Ary natao ter\u1ef3 ambony ilay fiampangana azy hoe: \u201cNy Mpanjakan\u2019ny Jiosy.\u201d",
        "27": "Nisy jiolahy roa koa nataon\u2019izy ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo teo akaikiny, ka ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.",
        "28": "* \u2014\u2014",
        "29": "Ary nanevateva azy ny mpandalo, sady nihivingivin-doha no niteny hoe: \u201cIzay ka! Hay ianao ilay handrodana ny tempoly dia hanorina azy ao anatin\u2019ny telo andro?",
        "30": "Vonjeo ny tenanao\u00a0e, dia mid\u00ecna avy eny amin\u2019ny hazo fijaliana eny.\u201d",
        "31": "Nanesoeso hoatr\u2019izany koa ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na, dia nifampiresaka hoe: \u201cNy hafa novonjeny, nefa ny tenany tsy hainy vonjena!",
        "32": "Aleo hidina avy eny amin\u2019ny hazo fijaliana i Kristy, ilay Mpanjakan\u2019ny Israely, mba ho hitantsika dia amin\u2019izay hino azy isika.\u201d Na ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo teo akaikiny aza mba nandatsa azy koa.",
        "33": "Ary nisy haizina nanarona an\u2019ilay faritra manontolo, nanomboka tamin\u2019ny ora fahenina ka hatramin\u2019ny ora fahasivy.",
        "34": "Tamin\u2019ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesosy hoe: \u201cEly, Ely, lam\u00e0 sabaktany?\u201d Raha adika izany dia hoe: \u201cAndriamanitro\u00a0\u00f4, Andriamanitro\u00a0\u00f4, nahoana ianao no nahafoy ahy?\u201d",
        "35": "Rehefa naheno an\u2019izany ny olona sasany nijoro teo, dia niteny hoe: \u201cJereo fa miantso an\u2019i Elia izy.\u201d",
        "36": "Dia nisy olona iray nihazakazaka ka nanatsoboka spaonjy tao anaty divay marikivy. Dia nataony teo amin\u2019ny bararata iray ilay izy ka nomeny hosotroin\u2019i Jesosy, sady hoy izy: \u201cAvelao izy\u00a0e! Aleo hojerentsika raha ho avy hampidina azy i Elia.\u201d",
        "37": "Niantsoantso mafy anefa i Jesosy dia tapitra ny ainy.",
        "38": "Dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao tao amin\u2019ny toerana masina.",
        "39": "Rehefa nahita an\u2019izany rehetra izany ilay manamboninahitra nijoro teo akaikin\u2019i Jesosy, sady nahita hoe tapitra ny ain\u2019i Jesosy, dia hoy izy: \u201cTena Zanak\u2019Andriamanitra tokoa io lehilahy io.\u201d",
        "40": "Nisy vehivavy koa nitazana teny lavidavitra teny. Anisan\u2019ireny i Maria Magdalena, sy Maria renin\u2019i Jakoba kely sy Josesy, ary Salome,",
        "41": "izay samy efa nanaraka an\u2019i Jesosy sy nikarakara azy tamin\u2019izy tany Galilia, ary ny vehivavy maro hafa efa niara-niakatra taminy tany Jerosalema.",
        "42": "Efa harivariva ny andro tamin\u2019izay sady Andro Fiomanana, izany hoe ilay andro alohan\u2019ny Sabata.",
        "43": "Dia tonga i Josefa avy any Arimatia. Lehilahy nanan-kaja anisan\u2019ny Filan-kevitry ny Jiosy izy, ary niandry ny Fanjakan\u2019Andriamanitra koa. Nisikina herim-po izy ka nankany amin\u2019i Pilato, dia nangataka ny fatin\u2019i Jesosy.",
        "44": "Tian\u2019i Pilato ho fantatra anefa raha efa maty sahady i Jesosy, ka nantsoiny ilay manamboninahitra dia nanontaniany.",
        "45": "Rehefa avy naka toky tamin\u2019ilay manamboninahitra \u00e0ry i Pilato, dia nekeny hoe homena an\u2019i Josefa ilay faty.",
        "46": "Rehefa avy nividy lamba rongony tena tsara i Josefa, dia nampidininy ilay faty ka nofonosiny tamin\u2019ilay lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin\u2019ny fasana iray nolavahana tao amin\u2019ny vatolampy. Nanakodia vato teo am-baravaran\u2019ilay fasana izy avy eo.",
        "47": "Fa i Maria Magdalena sy Maria renin\u2019i Josesy kosa mbola nijery foana an\u2019ilay toerana nametrahana ny fatin\u2019i Jesosy."
    },
    "16": {
        "1": "Rehefa tapitra ny Sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Magdalena, sy Maria renin\u2019i Jakoba, ary Salome, fa te ho any am-pasana izy ireo mba hanosotra an\u2019izany amin\u2019ny fatin\u2019i Jesosy.",
        "2": "Dia nankany am-pasana vao maraina be izy ireo, tamin\u2019ny andro voalohany amin\u2019ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro.",
        "3": "Dia nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cIza re no hasaintsika hanakodia an\u2019ilay vato hiala eo amin\u2019ny varavaram-pasana\u00a0e?\u201d",
        "4": "Rehefa nitraka anefa izy ireo, dia hitany fa efa voakodia ilay vato, na dia ngezabe aza.",
        "5": "Rehefa niditra tao am-pasana izy ireo, dia gaga nahita tovolahy nanao akanjo fotsy lava nipetraka teo ankavanana.",
        "6": "Hoy ilay tovolahy tamin\u2019ireo: \u201cAza gaga ianareo. Fantatro fa mitady an\u2019i Jesosy avy any Nazareta, ilay novonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo, ianareo. Efa natsangana izy ka tsy ato. Jereo fa teto no nametrahana azy.",
        "7": "Mandehana milaza amin\u2019ny mpianany sy amin\u2019i Petera hoe: \u2018Hialoha anareo any Galilia izy, dia any no hahitanareo azy, araka ny efa nolazainy taminareo.\u2019\u201d",
        "8": "Dia nivoaka tao amin\u2019ilay fasana izy ireo ka nandositra, sady nangovitra no nihetsi-po be. Ary tsy niteny na inona na inona tamin\u2019olona izy ireo, fa natahotra."
    },
    "meta": {
        "name": "Marka",
        "order": 40,
        "chapter_number": 16
    }
}
