{
    "1": {
        "1": "Ny boky mirakitra ny tantaran\u2019i Jesosy Kristy, zanak\u2019i Davida, zanak\u2019i Abrahama:",
        "2": "I Abrahama niteraka an\u2019i Isaka; Isaka niteraka an\u2019i Jakoba; Jakoba niteraka an\u2019i Joda sy ny rahalahiny;",
        "3": "Joda niteraka an\u2019i Pereza sy Zera tamin\u2019i Tamara; Pereza niteraka an\u2019i Hezrona; Hezrona niteraka an\u2019i Rama;",
        "4": "Rama niteraka an\u2019i Aminadaba; Aminadaba niteraka an\u2019i Nasona; Nasona niteraka an\u2019i Salmona;",
        "5": "Salmona niteraka an\u2019i Boaza tamin\u2019i Rahaba; Boaza niteraka an\u2019i Obeda tamin\u2019i Rota; Obeda niteraka an\u2019i Jese;",
        "6": "Jese niteraka an\u2019i Davida Mpanjaka; Davida niteraka an\u2019i Solomona tamin\u2019ny vadin\u2019i Oria;",
        "7": "Solomona niteraka an\u2019i Rehoboama; Rehoboama niteraka an\u2019i Abia; Abia niteraka an\u2019i Asa;",
        "8": "Asa niteraka an\u2019i Josafata; Josafata niteraka an\u2019i Jorama; Jorama niteraka an\u2019i Ozia;",
        "9": "Ozia niteraka an\u2019i Jotama; Jotama niteraka an\u2019i Ahaza; Ahaza niteraka an\u2019i Hezekia;",
        "10": "Hezekia niteraka an\u2019i Manase; Manase niteraka an\u2019i Amona; Amona niteraka an\u2019i Josia;",
        "11": "Josia niteraka an\u2019i Jekonia sy ny rahalahiny, tamin\u2019ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;",
        "12": "Jekonia niteraka an\u2019i Sealtiela tany Babylona; Sealtiela niteraka an\u2019i Zerobabela;",
        "13": "Zerobabela niteraka an\u2019i Abihoda; Abihoda niteraka an\u2019i Eliakima; Eliakima niteraka an\u2019i Azora;",
        "14": "Azora niteraka an\u2019i Zadoka; Zadoka niteraka an\u2019i Akima; Akima niteraka an\u2019i Elihoda;",
        "15": "Elihoda niteraka an\u2019i Eleazara; Eleazara niteraka an\u2019i Matana; Matana niteraka an\u2019i Jakoba;",
        "16": "Jakoba niteraka an\u2019i Josefa vadin\u2019i Maria, ary Maria niteraka an\u2019i Jesosy, izay antsoina hoe Kristy.",
        "17": "Ny taranaka rehetra nanomboka tamin\u2019i Abrahama ka hatramin\u2019i Davida \u00e0ry, dia nisy 14; ary nanomboka tamin\u2019i Davida ka hatramin\u2019ny fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, dia 14; ary nanomboka tamin\u2019ny nanaovana sesitany azy ireo tany Babylona ka hatramin\u2019i Kristy, dia 14.",
        "18": "Hoatr\u2019izao no nahaterahan\u2019i Jesosy Kristy: Efa fofombadin\u2019i Josefa i Maria renin\u2019i Jesosy no bevohoka noho ny asan\u2019ny fanahy masina. Mbola tsy niray trano izy roa tamin\u2019izay.",
        "19": "Olo-marina anefa i Josefa vadiny, sady tsy te hanala baraka azy eo imason\u2019ny olona rehetra, ka saika hisaraka taminy mangingina.",
        "20": "Rehefa avy nieritreritra tsara an\u2019izany anefa izy, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho taminy tao amin\u2019ny nofy, niteny hoe: \u201cRy\u00a0Josefa zanak\u2019i Davida, aza matahotra ny hitondra an\u2019i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa ny asan\u2019ny fanahy masina no nahatonga azy hitoe-jaza.",
        "21": "Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany, satria izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin\u2019ny fahotan\u2019izy ireo.\u201d",
        "22": "Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka ilay nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminaniny hoe:",
        "23": "\u201cHisy virjiny ho bevohoka ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.\u201d Raha adika izany dia hoe: \u201cManampy Antsika Andriamanitra.\u201d",
        "24": "Nifoha tamin\u2019ny torimasony i Josefa avy eo, ka nanao an\u2019izay nasain\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah nataony, dia nentiny tany an-tranony ny vadiny.",
        "25": "Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa raha tsy efa niteraka an\u2019ilay zaza i Maria. Dia nataony hoe Jesosy ny anarany."
    },
    "2": {
        "1": "Teraka tao Betlehema any Jodia i Jesosy, tamin\u2019ny andron\u2019i Heroda Mpanjaka. Taoriana kelin\u2019izay, dia nisy mpanandro avy any Atsinanana tonga tao Jerosalema,",
        "2": "ka nanontany hoe: \u201cAiza izany zaza vao teraka ho mpanjakan\u2019ny Jiosy izany? Nahita ny kintany mantsy izahay, tamin\u2019izahay tany Atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany.\u201d",
        "3": "Vao naheno an\u2019izany i Heroda Mpanjaka sy ny olona rehetra tao Jerosalema, dia nitebiteby.",
        "4": "Dia novorin\u2019i Heroda daholo ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na rehetra teo amin\u2019ny vahoaka, ka nanontaniany hoe aiza ny toerana hahaterahan\u2019i Kristy.",
        "5": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cAo Betlehema any Jodia. Izao mantsy no nosoratan\u2019ny mpaminany:",
        "6": "\u2018Ary ianao, ry\u00a0Betlehema ao amin\u2019ny tanin\u2019i Joda, tsy ianao mihitsy no kely indrindra amin\u2019ny tan\u00e0na fehezin\u2019ireo governoran\u2019i Joda, satria avy ao aminao no hivoahan\u2019ilay ho mpitondra sady mpiandry ny Israely vahoakako.\u2019\u201d",
        "7": "Dia nampanantsoin\u2019i Heroda mangingina ireo mpanandro ireo, ka nanontaniany tsara hoe oviana no niseho ilay kintana.",
        "8": "Dia nirahiny nankany Betlehema izy ireo, ka noteneniny hoe: \u201cMandehana karohy tsara ilay zaza, ka rehefa hitanareo izy, dia miverena milaza amiko fa mba handeha hiankohoka eo anatrehany koa aho.\u201d",
        "9": "Dia lasa izy ireo rehefa avy naheno an\u2019izany tenin\u2019ny mpanjaka izany. Ary iny fa nandeha teo alohan\u2019izy ireo ilay kintana efa hitany tany Atsinanana, ka tsy nijanona raha tsy teo ambonin\u2019ilay trano nisy an\u2019ilay zaza.",
        "10": "Faly be mihitsy izy ireo nahita an\u2019ilay kintana.",
        "11": "Rehefa niditra tao amin\u2019ilay trano izy ireo, dia nahita an\u2019ilay zaza sy Maria reniny, ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehan\u2019ilay zaza. Nosokafan\u2019izy ireo koa ny vata fasiany zava-tsarobidy, dia nomeny volamena sy ditin-kazo manitra ary miora ilay zaza.",
        "12": "Nampitandreman\u2019Andriamanitra tao amin\u2019ny nofy anefa izy ireo mba tsy hiverina tany amin\u2019i Heroda, ka lalan-kafa no nandehanany nody tany amin\u2019ny taniny.",
        "13": "Rehefa lasa nody izy ireo, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho tamin\u2019i Josefa tao amin\u2019ny nofy, niteny hoe: \u201cMandehana ento mandositra any Ejipta ilay zaza sy ny reniny, dia aza miala any raha tsy efa miteny aminao aho. Efa hikaroka an\u2019ilay zaza mantsy i Heroda fa te hamono azy.\u201d",
        "14": "Dia nentin\u2019i Josefa tamin\u2019iny alina iny ilay zaza sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta izy ireo.",
        "15": "Nijanona tany izy mandra-pahafatin\u2019i Heroda. Tanteraka \u00e0ry ilay nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019ny mpaminaniny hoe: \u201cNantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.\u201d",
        "16": "Tezitra be i Heroda rehefa hitany fa voafitak\u2019ireo mpanandro izy. Dia naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina, dia izay roa taona no ho midina, araka izay efa nohadihadiny tsara tamin\u2019ireo mpanandro.",
        "17": "Tamin\u2019izay no tanteraka ilay nasaina nolazain\u2019i Jeremia mpaminany hoe:",
        "18": "\u201cNisy feo re tany Rama, dia feon\u2019olona mitomany sy midradradradra mafy. Nitomany an\u2019ireo zanany i Rahely, ka tsy nety nampiononina izy, satria tsy eo intsony izy ireny.\u201d",
        "19": "Rehefa maty i Heroda, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho tamin\u2019i Josefa tao amin\u2019ny nofy, tany Ejipta.",
        "20": "Hoy ilay anjely: \u201cMandehana ento miverina any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ilay zaza sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady hamono azy.\u201d",
        "21": "Dia nentiny niverina tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ilay zaza sy ny reniny.",
        "22": "Henon\u2019i Josefa anefa hoe i Arkelaosy no lasa mpanjakan\u2019i Jodia nandimby an\u2019i Heroda rainy, ka natahotra ny ho any Jodia izy. Nampitandreman\u2019Andriamanitra tao amin\u2019ny nofy koa i Josefa, ka lasa nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Galilia.",
        "23": "Dia tonga tao amin\u2019ny tan\u00e0na nantsoina hoe Nazareta izy ka nipetraka tao, mba ho tanteraka izay nasaina nolazain\u2019ny mpaminany hoe: \u201cHantsoina hoe Nazareanina izy.\u201d"
    },
    "3": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia tonga nitory tany an-tany efitr\u2019i Jodia i Jaona Mpanao Batisa.",
        "2": "Hoy izy: \u201cMibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u201d",
        "3": "Izy, raha ny marina, ilay nolazaina tamin\u2019ny alalan\u2019i Isaia mpaminany hoe: \u201cIzany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: \u2018Omano ny lalana halehan\u2019i Jehovah! Ataovy mahitsy ny lalany.\u2019\u201d",
        "4": "Nanao akanjo volon-drameva sy fehikibo hoditra i Jaona. Valala sy tantelidia no sakafony.",
        "5": "Dia nivoaka hihaino an\u2019i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran\u2019i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "6": "Nataony batisa tao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo sady niaiky ny fahotany teo imason\u2019ny olona.",
        "7": "Nahita Fariseo sy Sadoseo be dia be nankeo amin\u2019ilay toerana nanaovany batisa i Jaona, ka niteny tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cRy\u00a0taranaky ny bibilava misy poizina, iza no nampitandrina anareo mba tsy hiharan\u2019ny fahatezerana ho avy?",
        "8": "Asehoy amin\u2019ny ataonareo \u00e0ry fa mibebaka ianareo.",
        "9": "Sao mantsy ianareo mieritreritra hoe: \u2018I Abrahama no Rainay.\u2019 Fa lazaiko aminareo fa hain\u2019Andriamanitra ny manova an\u2019iretsy vato iretsy ho lasa zanak\u2019i Abrahama.",
        "10": "Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo sahady ny famaky. Hokapaina \u00e0ry izay hazo tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy ao anaty afo.",
        "11": "Izaho manao batisa anareo amin\u2019ny rano satria mibebaka ianareo. Ilay ho avy ao aorianako anefa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin\u2019ny fanahy masina sy amin\u2019ny afo.",
        "12": "Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, ka hodioviny tanteraka ny famoloany. Dia hangoniny ao an-trano fitehirizana ny vary, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin\u2019ny afo tsy mety maty.\u201d",
        "13": "Niala tany Galilia i Jesosy avy eo, ka nankeo amin\u2019i Jaona teo amoron\u2019i Jordana mba hataony batisa.",
        "14": "Nitady hisakana azy anefa i Jaona ka niteny hoe: \u201cIzaho no tokony hataonao batisa, dia ianao indray ve no mankat\u1ef3 amiko?\u201d",
        "15": "Hoy i Jesosy taminy: \u201cAtaovy ihany aloha, fa izany no ahafahantsika manatanteraka ny sitrapon\u2019Andriamanitra rehetra.\u201d Dia tsy nisakana azy intsony i Jaona.",
        "16": "Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao anaty rano. Ary nisokatra ny lanitra, ka hitan\u2019i Jaona nidina toy ny voromailala nankeo ambonin\u2019i Jesosy ny fanahin\u2019Andriamanitra.",
        "17": "Dia nisy feo koa avy any an-danitra niteny hoe: \u201cIo no Zanako malalako, ilay ankasitrahako.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Nentin\u2019ny fanahy masina nankany an-tany efitra i Jesosy avy eo, dia nalain\u2019ny Devoly fanahy.",
        "2": "Noana izy rehefa avy nifady hanina 40\u00a0andro sy 40\u00a0alina.",
        "3": "Dia nanatona azy ilay Mpaka fanahy, ka niteny taminy hoe: \u201cRaha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia teneno ireto vato ireto mba ho lasa mofo.\u201d",
        "4": "Hoy anefa izy: \u201cVoasoratra hoe: \u2018Tsy ny mofo ihany no ilain\u2019ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain\u2019i Jehovah koa.\u2019\u201d",
        "5": "Nitondra azy nankany amin\u2019ny tan\u00e0na masina ny Devoly avy eo, dia nametraka azy teo an-tampon\u2019ny mandan\u2019ny tempoly.",
        "6": "Ary hoy izy taminy: \u201cRaha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia mianjer\u00e0 any ambany any, fa voasoratra hoe: \u2018Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny\u2019, ary \u2018hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin\u2019ny vato ny tongotrao.\u2019\u201d",
        "7": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cVoasoratra koa hoe: \u2018Aza mitsapa toetra an\u2019i Jehovah Andriamanitrao.\u2019\u201d",
        "8": "Nentin\u2019ny Devoly teo amin\u2019ny tendrombohitra avo dia avo indray izy. Dia nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin\u2019izao tontolo izao sy ny voninahitr\u2019ireny fanjakana ireny.",
        "9": "Ary hoy izy taminy: \u201cHomeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.\u201d",
        "10": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cMandehana ianao, ry\u00a0Satana! Fa voasoratra hoe: \u2018I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.\u2019\u201d",
        "11": "Dia nandao azy ny Devoly, ary ireo fa nisy anjely tonga nikarakara azy.",
        "12": "Rehefa henon\u2019i Jesosy hoe nosamborina i Jaona, dia lasa nankany Galilia izy.",
        "13": "Niala tany Nazareta izy taorian\u2019izay, dia nipetraka tao Kapernaomy, tan\u00e0na amoron-dranomasina, ao amin\u2019ireo faritra misy an\u2019i Zebolona sy Naftaly.",
        "14": "Tanteraka \u00e0ry izay nasaina nolazain\u2019i Isaia mpaminany hoe:",
        "15": "\u201cRy\u00a0Galilia fonenan\u2019ny hafa firenena, tanin\u2019i Zebolona sy tanin\u2019i Naftaly, izay eo amin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny ranomasina sady ampitan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana!",
        "16": "Nahita hazavana\u00a0be ny olona nipetraka tao amin\u2019ny haizina, ary niposahan\u2019ny hazavana ireo nipetraka tao amin\u2019ny faritra misy aloky ny fahafatesana.\u201d",
        "17": "Nanomboka tamin\u2019izay i Jesosy no nitory hoe: \u201cMibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u201d",
        "18": "Nandeha teny amoron\u2019ny Ranomasin\u2019i Galilia izy, indray mandeha, dia nahita mpirahalahy: I Simona izay antsoina hoe Petera, sy Andrea rahalahiny. Nanipy harato tao anaty ranomasina izy roa lahy, satria mpanarato.",
        "19": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cAndao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.\u201d",
        "20": "Tonga\u00a0dia namela ny haratony izy ireo ka nanaraka azy.",
        "21": "Mbola nandroso ihany izy dia nahita an\u2019i Jakoba sy Jaona. Mpirahalahy izy ireo, ary zanak\u2019i Zebedio. Tao an-tsambokely niaraka tamin\u2019ny rainy izy roa lahy tamin\u2019izay, nanamboatra ny simba tamin\u2019ny haratony. Dia nantsoin\u2019i Jesosy izy ireo,",
        "22": "ka tonga\u00a0dia nandao an\u2019ilay sambokely sy ny rainy, ary nanaraka azy.",
        "23": "Nandeha nanerana an\u2019i Galilia manontolo izy avy eo, ka nampianatra tany amin\u2019ny synagoga, sy nitory ny vaovao tsaran\u2019ilay Fanjakana, ary nanasitrana ny karazan\u2019aretina rehetra tamin\u2019ny vahoaka.",
        "24": "Ary niely nanerana an\u2019i Syria ny lazany, ka nentin\u2019ny olona teo aminy izay nijalijaly sy nanaintaina mafy noho ny aretina isan-karazany, ary izay nisy demonia sy voan\u2019ny androbe ary nalemy. Dia nositraniny daholo ireny.",
        "25": "Koa nisy vahoaka be nanaraka azy avy any Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary avy any ampitan\u2019i Jordana."
    },
    "5": {
        "1": "Rehefa nahita ny vahoaka i Jesosy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Ary nanatona azy ny mpianany rehefa tafapetraka izy.",
        "2": "Dia nanomboka nampianatra azy ireo izy hoe:",
        "3": "\u201cSambatra izay mahatsapa fa mila an\u2019Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "4": "\u201cSambatra izay malahelo, fa izy no hampiononina.",
        "5": "\u201cSambatra izay malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.",
        "6": "\u201cSambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.",
        "7": "\u201cSambatra izay mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.",
        "8": "\u201cSambatra izay madio fo, fa izy no hahita an\u2019Andriamanitra.",
        "9": "\u201cSambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe zanak\u2019Andriamanitra.",
        "10": "\u201cSambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "11": "\u201cSambatra ianareo raha haratsin\u2019ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga hoe nanao an\u2019izao zava-dratsy rehetra izao noho ny amiko.",
        "12": "Mifalia sy miravoravoa, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Efa nenjehiny hoatr\u2019izany koa mantsy ny mpaminany talohanareo.",
        "13": "\u201cIanareo no siran\u2019ny tany. Raha lasa matsatso anefa ny sira, dia ahoana no hamerenana azy ho masira indray? Tsy azo ampiasaina na amin\u2019inona na amin\u2019inona intsony izy, fa hatsipy eny ivelany mba hohitsakitsahin\u2019ny olona.",
        "14": "\u201cIanareo no fahazavan\u2019izao tontolo izao. Tsy azo afenina ny tan\u00e0na eny an-tampon-tendrombohitra.",
        "15": "Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika fa eo amin\u2019ny fitoeran-jiro, mba hanazava an\u2019izay rehetra ao an-trano.",
        "16": "Avelao hamirapiratra eo anatrehan\u2019ny olona koa ny hazavanareo, mba ho hitany ny asa tsara ataonareo, ka hanome voninahitra an\u2019ilay Rainareo any an-danitra izy.",
        "17": "\u201cAza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lal\u00e0na na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.",
        "18": "Lazaiko marina aminareo fa na ho levona aza ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho levona mihitsy na ny litera kely indrindra na ny tendron-tsoratra iray amin\u2019ny Lal\u00e0na, raha tsy efa tanteraka izay rehetra voasoratra ao.",
        "19": "Koa izay mandika ny iray amin\u2019ireo didy kely indrindra ireo sady mampianatra ny olona hanao hoatr\u2019izany koa, dia tsy mendrika hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra. Fa izay mankat\u00f2 sy mampianatra an\u2019ireo didy ireo kosa no mendrika hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "20": "Lazaiko aminareo fa tsy hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy marina kokoa noho ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo.",
        "21": "\u201cEfa henonareo fa nolazaina tamin\u2019ny olona fahiny hoe: \u2018Aza mamono olona, fa izay mamono olona dia hatao ampamoaka eny amin\u2019ny fitsarana.\u2019",
        "22": "Izaho anefa milaza aminareo fa izay tezitra foana amin\u2019ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eny amin\u2019ny fitsarana. Ary izay manambany sy manompa ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eny amin\u2019ny Fitsarana Tampony. Ary izay milaza hoe: \u2018Ilay adala tsisy fotony ity!\u2019, dia mendrika ho any amin\u2019ny Gehena mirehitra.",
        "23": "\u201cRaha mitondra fanomezana mankeny amin\u2019ny alitara \u00e0ry ianao, ka eny ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,",
        "24": "dia avelao eo anoloan\u2019ny alitara eo ilay fanomezanao, ary mandehana aloha mihavana amin\u2019ny rahalahinao. Miverena avy eo, dia atolory ilay fanomezanao.",
        "25": "\u201cMifandam\u00ecna haingana amin\u2019ilay miady aminao any amin\u2019ny fitsarana, dieny mbola eny an-dalana ho any ianareo. Sao mantsy izy hanolotra anao amin\u2019ny mpitsara, dia ny mpitsara indray hanolotra anao amin\u2019ny mpampihatra didim-pitsarana, ka hogadraina ianao.",
        "26": "Lazaiko marina aminao fa tsy ho tafavoaka any mihitsy ianao, raha tsy efa voaloanao hatramin\u2019ny vola madinika farany tokony haloanao.",
        "27": "\u201cEfa henonareo fa voalaza hoe: \u2018Aza manitsakitsa-bady.\u2019",
        "28": "Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony.",
        "29": "Raha mahatonga anao hanota \u00e0ry ny masonao ankavanana, dia esory ka ario lavitra anao. Fa aleo mamoy maso iray, toy izay ny vatanao manontolo no hatsipy any amin\u2019ny Gehena.",
        "30": "Raha mahatonga anao hanota koa ny tananao havanana, dia tapaho ka ario lavitra anao. Fa aleo mamoy tanana iray, toy izay ny vatanao manontolo no ho lasa any amin\u2019ny Gehena.",
        "31": "\u201cVoalaza koa hoe: \u2018Izay misaraka amin\u2019ny vadiny, dia tokony hanome azy taratasy fisaraham-panambadiana.\u2019",
        "32": "Izaho kosa milaza aminareo hoe izay lehilahy misaraka amin\u2019ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mety hahatonga an\u2019ilay vehivavy hanitsakitsa-bady. Ary izay manambady vehivavy nisarahan\u2019ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.",
        "33": "\u201cEfa henonareo koa fa nolazaina tamin\u2019ny olona fahiny hoe: \u2018Aza mianiana nefa avy eo tsy manatanteraka, fa tsy maintsy efainao ny voady nataonao tamin\u2019i Jehovah.\u2019",
        "34": "Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana mihitsy, na amin\u2019ny lanitra, satria seza fiandrianan\u2019Andriamanitra izany,",
        "35": "na amin\u2019ny tany, satria fitoeran-tongony izany, na amin\u2019i Jerosalema, satria tan\u00e0nan\u2019ny Mpanjaka lehibe izany.",
        "36": "Aza mianiana amin\u2019ny lohanao koa, satria tsy mahavita manova singam-bolo iray ho fotsy na mainty ianao.",
        "37": "Fa aleo ny teninareo rehefa \u2018Eny\u2019 dia eny, rehefa \u2018Tsia\u2019 dia tsia, fa avy amin\u2019ilay ratsy ny ankoatra an\u2019izany.",
        "38": "\u201cEfa henonareo fa voalaza hoe: \u2018Maso ho solon\u2019ny maso ary nify ho solon\u2019ny nify.\u2019",
        "39": "Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra an\u2019izay manisy ratsy anao, fa na iza na iza manisy tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.",
        "40": "Raha misy te hitory anao any amin\u2019ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, dia avelao ho lasany koa ny akanjonao ivelany.",
        "41": "Ary raha misy manam-pahefana manery anao hitondra entana amin\u2019ny lalana iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.",
        "42": "Omeo izay mangataka aminao, ary aza andosirana izay te hindram-bola aminao.",
        "43": "\u201cEfa henonareo fa voalaza hoe: \u2018Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.\u2019",
        "44": "Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an\u2019izay manenjika anareo,",
        "45": "amin\u2019izay ianareo lasa zanak\u2019ilay Rainareo any an-danitra. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin\u2019ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka orana amin\u2019ny marina sy ny tsy marina.",
        "46": "Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, dia inona no valisoa azonareo? Tsy hoatr\u2019izany koa ve no ataon\u2019ny mpamory hetra?",
        "47": "Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, dia inona no mampiavaka an\u2019izany ataonareo izany? Tsy hoatr\u2019izany koa ve no ataon\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao?",
        "48": "Koa tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary."
    },
    "6": {
        "1": "\u201cTandremo sao hoe ny mba ho hitan\u2019ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina eo imasony. Raha izany mantsy, dia tsy hahazo valisoa avy amin\u2019ilay Rainareo any an-danitra ianareo.",
        "2": "Koa rehefa manome zavatra mba hiantrana ny mahantra ianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon\u2019ny mpihatsaravelatsihy ao amin\u2019ny synagoga sy eny an-dalana mba hideran\u2019ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.",
        "3": "Fa ianao kosa rehefa manome zavatra mba hiantrana ny mahantra, dia aza atao fantatry ny tananao ankavia izay ataon\u2019ny tananao ankavanana,",
        "4": "mba tsy hisy hahafantatra hoe niantra ny mahantra ianao. Dia hamaly soa anao ilay Rainao izay mijery anao na dia tsy hitanao aza.",
        "5": "\u201cAry rehefa mivavaka ianareo, dia aza manao hoatran\u2019ny mpihatsaravelatsihy. Tia mivavaka mitsangana ao amin\u2019ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mantsy izy ireny, satria te ho hitan\u2019ny olona. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.",
        "6": "Fa ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin\u2019ny efitranonao. Dia hidio ny varavarana, ary avy eo dia mivavaha amin\u2019ilay Rainao tsy hita maso. Dia hamaly soa anao ilay Rainao mahita ny zava-drehetra.",
        "7": "Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao. Mihevitra mantsy izy ireo fa rehefa lava be ny vavaka ataony dia hohenoina izy.",
        "8": "Aza manahaka azy \u00e0ry, fa fantatry ny Rainareo izay ilainareo, na dia mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.",
        "9": "\u201cHoatr\u2019izao \u00e0ry lazaina rehefa mivavaka: \u201c\u2018Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!",
        "10": "Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao et\u1ef3 an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!",
        "11": "Omeo anay anio izay sakafo sahaza anay anio,",
        "12": "ary mamel\u00e0 ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.",
        "13": "Ary aza avela ho resin\u2019ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin\u2019ilay ratsy.\u2019",
        "14": "\u201cRaha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra.",
        "15": "Fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.",
        "16": "\u201cRehefa mifady hanina ianareo, dia aza manao hoatran\u2019ny mpihatsaravelatsihy. Fa mody manao maloka endrika be izy, mba ho hitan\u2019ny olona hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.",
        "17": "Fa ianao kosa rehefa mifady hanina, dia hosory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao,",
        "18": "amin\u2019izay dia ilay Rainao tsy hita maso irery ihany, fa tsy ny olona, no hahita hoe mifady hanina ianao. Dia hamaly soa anao ilay Rainao mahita ny zava-drehetra.",
        "19": "\u201cAza manangona harena ho anareo intsony et\u1ef3 an-tany, izay misy bibikely sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.",
        "20": "Manang\u00f2na kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.",
        "21": "Fa any amin\u2019izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.",
        "22": "\u201cNy maso no jiron\u2019ny vatana. Raha mifantoka tsara \u00e0ry ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo.",
        "23": "Fa raha mitsiriritra kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo. Ary raha lasa haizina ny hazavana ao anatinao, dia tena ho haizim-pito izany!",
        "24": "\u201cTsy misy mahavita manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hataony tsinontsinona. Tsy mahavita manompo an\u2019Andriamanitra sy ny Harena ianareo.",
        "25": "\u201cIzany no antony ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony ny amin\u2019ny ainareo, hoe inona no hohaninareo na hosotroinareo, na manahy momba ny vatanareo, hoe inona no hotafinareo. Tsy sarobidy noho ny sakafo ve ny aina, ary tsy sarobidy noho ny fitafiana ny vatana?",
        "26": "Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona sakafo ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa manome sakafo azy ilay Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?",
        "27": "Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na dia kely aza, rehefa manahy?",
        "28": "Nahoana koa ianareo no manahy ny amin\u2019ny fitafiana? Diniho tsara ange ny voninkazo eny an-tsaha\u00a0e! Tsy miasa mafy na manao kofehy ireny,",
        "29": "nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona tao amin\u2019ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy hoatran\u2019ny iray amin\u2019ireny.",
        "30": "Koa raha ny zavamaniry any an-tsaha aza ataon\u2019Andriamanitra mitafy tsara tarehy hoatr\u2019izany, nefa androany ihany ireny no eo, fa rahampitso dia hatsipy any anaty afo, tsy mainka ve ianareo, ry\u00a0kely finoana?",
        "31": "Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: \u2018Inona no hohaninay?\u2019, na \u2018Inona no hosotroinay?\u2019, na \u2018Inona no hotafinay?\u2019",
        "32": "Izany rehetra izany mantsy no tena tadiavin\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao. Fa fantatr\u2019ilay Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.",
        "33": "\u201cKatsaho foana \u00e0ry aloha ilay Fanjakana sy ny fahamarinan\u2019Andriamanitra, dia homena anareo koa izany rehetra izany.",
        "34": "Koa aza manahy mihitsy ny amin\u2019ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin\u2019ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin\u2019ny andro tsirairay."
    },
    "7": {
        "1": "\u201cAza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.",
        "2": "Fa araka izay fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.",
        "3": "Koa maninona ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin\u2019ny mason\u2019ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao aza tsy hitanao?",
        "4": "Ary ahoana no itenenanao amin\u2019ny rahalahinao hoe: \u2018Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin\u2019ny masonao\u2019, nefa eo amin\u2019ny masonao aza misy vatan-kazo?",
        "5": "Ry\u00a0mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao, dia ho hitanao tsara hoe ahoana no hanesorana ny sombin-kazo eo amin\u2019ny mason\u2019ny rahalahinao.",
        "6": "\u201cAza omena ny alika ny zava-masina ary aza atsipy ho an\u2019ny kisoa ny perla any aminareo, sao hohitsakitsahiny dia ianareo indray no hifoterany ka hoviravirainy.",
        "7": "\u201cMangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dond\u00f2ny foana, dia hovohana ianareo.",
        "8": "Fa izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandond\u00f2na no hovohana.",
        "9": "Iza aminareo tokoa moa raha angatahan\u2019ny zanany mofo no hanome azy vato?",
        "10": "Na raha angatahany trondro no hanome azy bibilava?",
        "11": "Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala manome zavatra tsara ho an\u2019ny zanakareo, mainka fa ilay Rainareo any an-danitra! Tena hanome zavatra tsara ho an\u2019izay mangataka aminy izy.",
        "12": "\u201cIzay rehetra tianareo hataon\u2019ny olona aminareo \u00e0ry, dia mba ataovy aminy koa. Izany, raha ny marina, no lazain\u2019ny Lal\u00e0na sy ny Mpaminany.",
        "13": "\u201cMidira amin\u2019ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin\u2019ny fandringanana, ka be dia be no miditra any.",
        "14": "Tery kosa ny vavahady ary tery koa ny lalana mankany amin\u2019ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.",
        "15": "\u201cMitandrema amin\u2019ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak\u2019ondry izy ireny nefa ny ao anatiny ao amboadia manaikitra.",
        "16": "Ny voany no hahafantaranareo tsara an\u2019ireny. Fa angaha misy olona mioty voaloboka na aviavy eny amin\u2019ny tsilo? Tsy misy olona manao an\u2019izany mihitsy.",
        "17": "Hoatr\u2019izany koa fa ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, fa ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.",
        "18": "Tsy mety mamoa voa ratsy ny hazo tsara, ary tsy mety mamoa voa tsara ny hazo ratsy.",
        "19": "Hokapaina izay hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy any anaty afo.",
        "20": "Ny zavatra ataon\u2019ireny mpaminany sandoka ireny \u00e0ry no hahafantaranareo azy.",
        "21": "\u201cTsy izay rehetra milaza amiko hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, Tompo\u00a0\u00f4\u2019, no hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon\u2019ny Raiko izay any an-danitra ihany.",
        "22": "Maro no hilaza amiko amin\u2019izany andro izany hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, Tompo\u00a0\u00f4, angaha moa izahay tsy efa naminany tamin\u2019ny anaranao, sady efa namoaka demonia tamin\u2019ny anaranao, ary efa nanao fahagagana be dia be tamin\u2019ny anaranao?\u2019",
        "23": "Holazaiko tsara aminy anefa amin\u2019izay fotoana izay hoe: \u2018Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mial\u00e0 eto amiko ianareo mpandika lal\u00e0na!\u2019",
        "24": "\u201cKoa izay rehetra maheno an\u2019izany teniko izany ka mankat\u00f2, dia mitovy amin\u2019ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.",
        "25": "Avy\u00a0be ny orana ka nisy riaka\u00a0be, sady nifofofofo namely an\u2019ilay trano ny rivotra. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy.",
        "26": "Fa izay rehetra maheno an\u2019izany teniko izany kosa ka tsy mankat\u00f2, dia mitovy amin\u2019ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika.",
        "27": "Avy\u00a0be ny orana ka nisy riaka\u00a0be, sady nifofofofo namely an\u2019ilay trano ny rivotra. Dia nirodana ilay trano ka rava tanteraka.\u201d",
        "28": "Rehefa avy niteny an\u2019izany rehetra izany i Jesosy, dia gaga ny vahoaka tamin\u2019ny fomba fampianany.",
        "29": "Nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dal\u00e0na."
    },
    "8": {
        "1": "Rehefa nidina avy teo amin\u2019ilay tendrombohitra izy, dia nisy vahoaka be nanaraka azy.",
        "2": "Ary iny nisy lehilahy boka nanatona azy ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.\u201d",
        "3": "Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: \u201cTiako izany ka! Madiova ianao.\u201d Tonga\u00a0dia sitrana ny habokany ka nadio izy.",
        "4": "Hoy i Jesosy avy eo: \u201cTandremo sao miteniteny amin\u2019olona. Fa mandehana miseho any amin\u2019ny mpisorona, dia atolory ny fanomezana nasain\u2019i Mosesy nomena, mba ho hitan\u2019izy ireo fa sitrana ianao.\u201d",
        "5": "Rehefa niditra tao Kapernaomy i Jesosy, dia nisy manamboninahitra nanatona azy ka niangavy",
        "6": "hoe: \u201cAzafady, tompoko! Mandamaka ao an-trano ao ny mpanompoko fa malemy. Mijaly be mihitsy izy.\u201d",
        "7": "Dia hoy izy taminy: \u201cHositraniko izy rehefa tonga any aho.\u201d",
        "8": "Hoy anefa ilay manamboninahitra: \u201cTsy mendrika ny handray anao ao an-tranoko aho, tompoko, fa mitenena fotsiny dia ho sitrana ny mpanompoko.",
        "9": "Izaho koa mantsy eo ambany fahefan\u2019olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Dia raha miteny amin\u2019ny miaramila anankiray aho hoe: \u2018Mandehana!\u2019, dia lasa izy, ary amin\u2019ny anankiray kosa hoe: \u2018Avia!\u2019, dia tonga izy, ary amin\u2019ny mpanompoko hoe: \u2018Ataovy ity!\u2019, dia ataony izany.\u201d",
        "10": "Ary gaga i Jesosy rehefa naheno an\u2019izany, ka niteny tamin\u2019ireo olona nanaraka azy hoe: \u201cLazaiko marina aminareo fa mbola tsy nahita olona nanana finoana lehibe hoatr\u2019izany aho teo amin\u2019ny Israely.",
        "11": "Lazaiko aminareo fa be dia be ny olona avy any atsinanana sy ny avy any andrefana no ho tonga haka toerana eo amin\u2019ny latabatra miaraka amin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "12": "Fa ny zanak\u2019ilay Fanjakana kosa hatsipy any amin\u2019ny haizina any ivelany. Any izy ireo no hitomany sy hihidy vazana.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ilay manamboninahitra: \u201cMandehana \u00e0ry! Enga anie ho tanteraka izay nangatahinao, satria manam-pinoana ianao!\u201d Dia sitrana tamin\u2019izay ora izay ilay mpanompo.",
        "14": "Rehefa niditra tao an-tranon\u2019i Petera i Jesosy, dia hitany nandamaka teo am-pandriana ny rafozambavin\u2019i Petera fa nanavy.",
        "15": "Nokasihin\u2019i Jesosy \u00e0ry ny tanan\u2019ilay ramatoa, dia afaka ny fanaviany. Dia niarina izy ka nikarakara sakafo ho an\u2019i Jesosy.",
        "16": "Rehefa hariva ny andro, dia be dia be ny olona nisy demonia nentina teo amin\u2019i Jesosy. Niteny fotsiny izy dia nivoaka ny fanahy ratsy. Nositraniny daholo koa izay rehetra narary.",
        "17": "Tanteraka \u00e0ry izay nasaina nolazain\u2019i Isaia mpaminany hoe: \u201cNaka ny aretinay izy ary nitondra ny fanaintainanay.\u201d",
        "18": "Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nisy vahoaka nanodidina azy, dia nasainy nankeny ampita ny mpianany.",
        "19": "Ary nisy mpanora-dal\u00e0na nanatona ka niteny taminy hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.\u201d",
        "20": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cManan-davaka hisitrihana ny amboadia, ary manana akany ny voro-manidina, fa ny Zanak\u2019olona kosa tsy mba manana an\u2019izay hametrahany ny lohany.\u201d",
        "21": "Nisy mpianatra hafa koa niteny taminy hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, avelao aho aloha handeha handevina ny dadako.\u201d",
        "22": "Hoy i Jesosy taminy: \u201cManaraha ahy foana, fa avelao ny maty handevina ny maty.\u201d",
        "23": "Dia niakatra tao an-tsambokely i Jesosy, ary nanaraka azy ny mpianany.",
        "24": "Ary lasa nisy rivo-mahery teo amin\u2019ilay ranomasina, ka saron\u2019ny onja tsikelikely ilay sambokely. Natory anefa i Jesosy tamin\u2019izay.",
        "25": "Nankeo aminy \u00e0ry izy ireo ka namoha azy, sady niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, vonjeo fa ho faty isika!\u201d",
        "26": "Hoy anefa izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNahoana ianareo no saro-tahotra, ry\u00a0kely finoana?\u201d Dia nitsangana izy, ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka lasa tony\u00a0be ny andro.",
        "27": "Koa gaga izy ireo ka niteny hoe: \u201cIza marina \u00e0ry izy ity\u00a0e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankat\u00f2 azy.\u201d",
        "28": "Rehefa tonga teny ampita tao amin\u2019ny faritra nisy ny Gadareanina izy, dia nifanena tamin\u2019ny lehilahy roa nisy demonia. Nivoaka avy teny am-pasana izy roa lahy ireo, ary faran\u2019izay nahery\u00a0setra ka tsy nisy sahy nandalo tamin\u2019izany lalana izany.",
        "29": "Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: \u201cFa inona koa no anelingelenanao anay at\u1ef3, ry\u00a0Zanak\u2019Andriamanitra? Tonga at\u1ef3 ve ianao mba hampijaly anay alohan\u2019ny fotoana?\u201d",
        "30": "Ary nisy kisoa be dia be nandrasana, teny lavidavitra teny.",
        "31": "Niangavy azy \u00e0ry ireo demonia hoe: \u201cRaha avoakanao izahay, dia mba alefaso ho ao amin\u2019ir\u1ef3 andian-kisoa ir\u1ef3.\u201d",
        "32": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMandehana!\u201d Nivoaka \u00e0ry izy ireo ka lasa niditra tao amin\u2019ireo kisoa ireo. Dia ireny fa nirifatra nankeny amin\u2019ny hantsana ilay andiany manontolo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano.",
        "33": "Nandositra nankany an-tan\u00e0na kosa ireo mpiandry kisoa ka notantarainy daholo izay nitranga, anisan\u2019izany ny momba an\u2019ireo lehilahy nisy demonia.",
        "34": "Dia nivoaka hitsena an\u2019i Jesosy daholo ny iray tan\u00e0na. Rehefa hitan\u2019izy ireo i Jesosy, dia niangaviany hiala tao amin\u2019ilay faritra."
    },
    "9": {
        "1": "Koa niakatra tao an-tsambokely izy ka nankeny ampita, dia nankao amin\u2019ilay tan\u00e0na nipetrahany.",
        "2": "Ary iny fa nentin\u2019ny olona teo aminy ny lehilahy iray malemy teo am-pandriana. Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo, dia hoy izy tamin\u2019ilay malemy: \u201cMahereza, anaka! Voavela ny helokao.\u201d",
        "3": "Dia niteny anakampo ny mpanora-dal\u00e0na sasany hoe: \u201cManevateva an\u2019Andriamanitra ilehity.\u201d",
        "4": "Fantatr\u2019i Jesosy ny eritreritr\u2019izy ireo, ka hoy izy: \u201cNahoana ianareo no ratsy saina hoatr\u2019izany?",
        "5": "Fa inona, ohatra, no mora kokoa: Ny miteny hoe: \u2018Voavela ny helokao\u2019, sa hoe: \u2018Mitsang\u00e0na dia mandehana\u2019?",
        "6": "Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak\u2019olona...\u201d Dia hoy izy tamin\u2019ilay malemy: \u201cMitsang\u00e0na, batao ny fandriananao, dia mandehana mody.\u201d",
        "7": "Dia nitsangana ilay lehilahy ka lasa nody.",
        "8": "Gaga\u00a0be ny vahoaka rehefa nahita an\u2019izany ka nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra, izay nanome an\u2019izany fahefana izany ho an\u2019ny olona.",
        "9": "Rehefa niala teo i Jesosy, dia nahita lehilahy antsoina hoe Matio, nipetraka teo amin\u2019ny birao famorian-ketra. Ary hoy izy taminy: \u201cAndao hanara-dia ahy.\u201d Dia nitsangana i Matio ka nanaraka azy.",
        "10": "Taorian\u2019izay, rehefa nisakafo tao an-trano izy, dia nisy mpamory hetra sy mpanota be\u00a0dia be tonga nisakafo niaraka tamin\u2019i Jesosy sy ny mpianany.",
        "11": "Hoy anefa ny Fariseo tamin\u2019ny mpianany, rehefa nahita an\u2019izany: \u201cFa maninona ny mpampianatra anareo no miara-misakafo amin\u2019ny mpamory hetra sy ny mpanota?\u201d",
        "12": "Henon\u2019i Jesosy izany ka hoy izy: \u201cTsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.",
        "13": "Mandehana \u00e0ry fantaro ny dikan\u2019ny hoe: \u2018Aleoko olona mamindra fo, toy izay olona manao sorona.\u2019 Fa tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.\u201d",
        "14": "Nankeo aminy ny mpianatr\u2019i Jaona avy eo, dia nanontany hoe: \u201cFa maninona izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?\u201d",
        "15": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy misy antony tokony hampalahelo ny naman\u2019ny mpampakatra, raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony ny mpampakatra, ka amin\u2019izay ry\u00a0zareo vao hifady hanina.",
        "16": "Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin\u2019ny tapa-damba vaovao. Hisintona be mantsy ilay tapa-damba, dia handrirotra an\u2019ilay akanjo ka vao mainka hitatra ny rovitra.",
        "17": "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia ho vaky ilay siny hoditra ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao, ka samy tsy simba na ny siny na ny divay.\u201d",
        "18": "Tamin\u2019izy niteny an\u2019izany, dia nisy mpitantana ny synagoga nanatona ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: \u201cEfa maty angamba izay ny zanako vavy. Andao re ho any aminay\u00a0e, dia ametraho tanana izy mba ho velona!\u201d",
        "19": "Dia nitsangana i Jesosy, ary nanaraka an\u2019ilay lehilahy izy sy ny mpianany.",
        "20": "Ary nisy vehivavy nijaly\u00a0be, fa nandeha\u00a0ra nandritra ny 12\u00a0taona. Nanatona an\u2019i Jesosy avy tao aoriana izy, ka nikasika ny mikiramborambo amin\u2019ny morontongotry ny akanjony ivelany.",
        "21": "Fa hoy izy anakampo: \u201cRaha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.\u201d",
        "22": "Ary nitodika i Jesosy ka nahita azy, dia niteny hoe: \u201cMahereza, anaka! Ny finoanao no nahasitrana anao.\u201d Dia sitrana tamin\u2019izay ora izay ilay vehivavy.",
        "23": "Rehefa tonga tao an-tranon\u2019ilay mpitantana ny synagoga i Jesosy, dia nahita olona nitsoka sodina sy vahoaka nitabataba,",
        "24": "ka hoy izy: \u201cMandehana ianareo mivoaka! Tsy maty io ankizivavy io fa matory.\u201d Dia nihomehezan\u2019ireo izy.",
        "25": "Raha vao tafavoaka ny vahoaka, dia niditra izy ka noraisiny ny tanan\u2019ilay ankizivavy, dia niarina ilay ankizy.",
        "26": "Ary niely eran\u2019ilay faritra ny resaka momba an\u2019izany.",
        "27": "Rehefa niala teo i Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka azy sady niantsoantso mafy hoe: \u201cMba iantrao izahay, ry\u00a0Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4!\u201d",
        "28": "Nankeo aminy ireo jamba ireo rehefa tafiditra tao an-trano izy, ka nanontanian\u2019i Jesosy hoe: \u201cMino ve ianareo fa mahavita an\u2019izany aho?\u201d Hoy izy ireo: \u201cEny, Tompoko.\u201d",
        "29": "Dia nokasihiny ny mason\u2019izy ireo, sady hoy izy: \u201cHo tanteraka aminareo anie izany, satria manam-pinoana ianareo!\u201d",
        "30": "Dia lasa nahita ny mason\u2019izy ireo. Noraran\u2019i Jesosy mafy anefa izy ireo hoe: \u201cTandremo sao misy mahafantatra an\u2019izao!\u201d",
        "31": "Notantarain\u2019izy ireo eran\u2019ilay faritra anefa ny momba azy, rehefa tafavoaka an\u2019ilay trano izy ireo.",
        "32": "Rehefa lasa izy ireo, dia iny fa nentin\u2019ny olona ny lehilahy iray moana nisy demonia.",
        "33": "Dia niteny ilay moana rehefa navoaka ilay demonia. Gaga ny vahoaka ka niteny hoe: \u201cMbola tsy nisy hoatr\u2019izao mihitsy teto amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "34": "Hoy anefa ny Fariseo: \u201cNy lehiben\u2019ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.\u201d",
        "35": "Ary lasa i Jesosy nitety ny tan\u00e0na rehetra, na kely na lehibe, ka nampianatra tany amin\u2019ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran\u2019ilay Fanjakana. Nositraniny koa ny karazan\u2019aretina rehetra.",
        "36": "Rehefa nahita ny vahoaka izy, dia nangoraka an\u2019ireo, satria hitany fa nampijalina izy ireo sady tsy nisy niraharaha hoatran\u2019ny ondry tsy misy mpiandry.",
        "37": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cTena be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.",
        "38": "Iangavio \u00e0ry ny Tompon\u2019ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Koa nasainy nankeo aminy ny mpianany 12\u00a0lahy. Dia nomeny fahefana izy ireo mba hamoaka fanahy maloto sy hanasitrana ny karazan\u2019aretina rehetra.",
        "2": "Ireto avy ny anaran\u2019ny apostoly 12: Voalohany, i Simona, antsoina koa hoe Petera, sy Andrea rahalahiny; Jakoba zanak\u2019i Zebedio sy Jaona rahalahiny;",
        "3": "Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba zanak\u2019i Alfeo, sy Tadeo;",
        "4": "Simona Kananeanina; ary Jodasy Iskariota, ilay namadika an\u2019i Jesosy tat\u1ef3 aoriana.",
        "5": "Nirahin\u2019i Jesosy izy 12\u00a0lahy, ka nomeny toromarika hoe: \u201cAza mankany amin\u2019ny firenen-kafa, ary aza miditra ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny Samaritanina mihitsy.",
        "6": "Any amin\u2019ny ondry very eo amin\u2019ny taranak\u2019Israely ihany mandeha.",
        "7": "Rehefa mandeha ianareo, dia izao torina: \u2018Efa manakaiky ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u2019",
        "8": "Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.",
        "9": "Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao anaty fehikibo fasianareo vola,",
        "10": "ary aza mitondra kitapom-batsy any amin\u2019izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Mendrika hahazo sakafo mantsy ny mpiasa.",
        "11": "\u201cAny amin\u2019izay tan\u00e0na lehibe na tan\u00e0na kely hidiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao. Dia mijan\u00f2na ao mandra-pialanareo ao.",
        "12": "Rehefa miditra ao amin\u2019ny trano anankiray ianareo, dia arahabao izay ao.",
        "13": "Raha mendrika ny olona ao, dia hahazo an\u2019ilay fiadanana irinareo ho azony ry\u00a0zareo! Fa raha tsy mendrika kosa ry\u00a0zareo, dia hiverina aminareo ihany ilay fiadanana nirinareo ho azony.",
        "14": "Na aiza na aiza misy olona tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin\u2019ny tongotrareo rehefa miala ao amin\u2019ilay trano na ilay tan\u00e0na ianareo.",
        "15": "Lazaiko marina aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an\u2019i Sodoma sy Gomora amin\u2019ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo an\u2019izany tan\u00e0na izany.",
        "16": "\u201cManiraka anareo aho izao, hoatran\u2019ny maniraka ondry ho eo afovoan\u2019ny amboadia. Asehoy \u00e0ry hoe malina hoatran\u2019ny bibilava ianareo, nefa tsy manan-tsiny hoatran\u2019ny voromailala.",
        "17": "Mitandrema fa hanolotra anareo any amin\u2019ny fitsarana ny olona, ary hokaravasiny any amin\u2019ny synagoga ianareo.",
        "18": "Hoentina eo anatrehan\u2019ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehan\u2019izy ireo sy ireo firenena.",
        "19": "Rehefa entiny any anefa ianareo, dia aza manahy momba an\u2019izay holazainareo na ny fomba hilazanareo azy, fa amin\u2019izay ora izay no hatoro anareo izay tokony holazainareo.",
        "20": "Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin\u2019ny Rainareo no miteny amin\u2019ny alalanareo.",
        "21": "Ary hanolotra ny rahalahiny hovonoina ho faty ny olona. Ny ray koa hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.",
        "22": "Ary ho halan\u2019ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Izay miaritra hatramin\u2019ny farany anefa no hovonjena.",
        "23": "Rehefa enjehiny ao amin\u2019ny tan\u00e0na iray ianareo, dia mandosira any amin\u2019ny tan\u00e0na hafa. Fa lazaiko marina aminareo fa tsy ho voatetinareo daholo ny tan\u00e0nan\u2019ny Israely, mandra-pahatongan\u2019ny Zanak\u2019olona.",
        "24": "\u201cTsy ambony noho ny mpampianatra azy ny mpianatra, ary tsy ambony noho ny tompony ny mpanompo.",
        "25": "Efa ampy raha lasa hoatran\u2019ny mpampianatra azy ilay mpianatra, ary raha lasa hoatran\u2019ny tompony ilay mpanompo. Raha ny tompon-trano aza antsoin\u2019ny olona hoe Belzeboba, mainka moa fa ny ankohonan\u2019ilay tompon-trano?",
        "26": "Aza matahotra an\u2019ireny \u00e0ry, fa tsy misy zavatra afenina ka hoe tsy haseho, ary tsy misy zava-miafina ka hoe tsy ho fantatra.",
        "27": "Izay lazaiko aminareo ao amin\u2019ny maizina dia teneno ao amin\u2019ny mazava, ary izay bitsibitsihina aminareo dia torio eny an-tampon-trano.",
        "28": "Ary aza matahotra an\u2019izay mahavita mamono anareo ho faty, nefa tsy mahasakana anareo tsy hahazo ny fiainana. Matahora kosa an\u2019ilay mahavita mandringana anareo ao amin\u2019ny Gehena.",
        "29": "Vola madinika kely anankiray no ivarotana fody roa, sa tsy izany? Na ny iray amin\u2019ireny aza anefa no latsaka amin\u2019ny tany, dia fantatry ny Rainareo izany.",
        "30": "Fa na ny volon-dohanareo aza dia voaisa daholo.",
        "31": "Aza matahotra \u00e0ry fa mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.",
        "32": "\u201cIzay manaiky eo imason\u2019ny olona hoe mpianatro, dia hekeko eo anatrehan\u2019ny Raiko any an-danitra.",
        "33": "Fa izay tsy manaiky eo imason\u2019ny olona hoe mpianatro, dia tsy hekeko eo anatrehan\u2019ny Raiko any an-danitra.",
        "34": "Aza mieritreritra hoe tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra.",
        "35": "Fa tonga aho hampisaraka ny zanakalahy sy ny rainy, ny zanakavavy sy ny reniny, ary ny vinantovavy sy ny rafozambaviny.",
        "36": "Ary ny ankohonan\u2019ny olona ihany no ho fahavalony.",
        "37": "Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy, ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy.",
        "38": "Ary izay tsy manaiky hitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy.",
        "39": "Izay mamonjy ny ainy no hamoy an\u2019izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa no hamonjy an\u2019izany.",
        "40": "\u201cIzay mandray anareo dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an\u2019Ilay naniraka ahy koa.",
        "41": "Izay mandray mpaminany satria hoe mpaminany ilay olona, dia hahazo ny valisoan\u2019ny mpaminany. Izay mandray olo-marina satria hoe olo-marina ilay olona, dia hahazo ny valisoan\u2019ny olo-marina.",
        "42": "Ary izay manome rano mangatsiaka na dia eran\u2019ny kaopy fotsiny aza, mba hosotroin\u2019ny iray amin\u2019ireto madinika ireto satria hoe mpianatro ilay olona, dia lazaiko marina aminareo fa tena hahazo valisoa izy.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Rehefa avy nanome toromarika ny mpianany 12\u00a0lahy i Jesosy, dia nankany amin\u2019ny tan\u00e0na manodidina mba hampianatra sy hitory.",
        "2": "Ary naheno momba ny asa nataon\u2019i Kristy i Jaona tamin\u2019izy nigadra, ka nirahiny ny mpianany",
        "3": "hanontany azy hoe: \u201cIanao ve Ilay ho avy, sa olon-kafa no tokony handrasanay?\u201d",
        "4": "Dia hoy i Jesosy: \u201cMandehana tantarao amin\u2019i Jaona izao henonareo sy hitanareo izao:",
        "5": "Lasa mahita ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.",
        "6": "Sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.\u201d",
        "7": "Rehefa lasa ny mpianatr\u2019i Jaona, dia niresaka momba an\u2019i Jaona tamin\u2019ny vahoaka i Jesosy. Hoy izy: \u201cNivoaka hijery inona tany an-tany efitra ianareo? Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?",
        "8": "Sa nivoaka hijery inona ianareo? Olona manao akanjo vita amin\u2019ny ravin-damba malefaka ve? Any an-tranon\u2019ny mpanjaka no misy manao akanjo hoatr\u2019izany.",
        "9": "Inona marina \u00e0ry no antony nivoahanareo\u00a0e? Hijery mpaminany ve? Tsoriko aminareo fa lehibe lavitra noho ny mpaminany izy.",
        "10": "Fa izao no voasoratra momba azy: \u2018Halefako mialoha anao ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.\u2019",
        "11": "Lazaiko marina aminareo fa amin\u2019izay nateraky ny vehivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Mbola lehibe noho izy anefa izay kely indrindra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "12": "Nanomboka tamin\u2019ny andron\u2019i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin\u2019izao, dia misisika mafy hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra ny olona, ary izay misisika mafy no tafiditra.",
        "13": "Fa samy naminany daholo na ny Mpaminany na ny Lal\u00e0na, mandra-pahatongan\u2019i Jaona.",
        "14": "Na manaiky ianareo na tsia, dia izy ilay \u2018Elia voalaza hoe ho avy.\u2019",
        "15": "Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.",
        "16": "\u201cHohariko amin\u2019inona ity taranaka ity? Hoatran\u2019ny ankizy mipetraka eny an-tsena, sady miresaka amin\u2019ireo mpiara-milalao aminy hoe:",
        "17": "\u2018Efa nitsoka sodina izahay, nefa ianareo tsy mba nandihy. Efa nanao hira fisaonana izahay, nefa ianareo tsy mba nikapo-tratra noho ny alahelo.\u2019",
        "18": "Hoatr\u2019izany koa fa tonga i Jaona, nifady hanina sady tsy nisotro divay, nefa lazain\u2019ny olona hoe: \u2018Misy demonia izy.\u2019",
        "19": "Tonga kosa ny Zanak\u2019olona, mihinana sy misotro, nefa hoy ihany ny olona: \u2018Jereo! Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay io, sady naman\u2019ny mpamory hetra sy ny mpanota.\u2019 Izay ataon\u2019ny olona anefa no ahitana raha hendry izy na tsia.\u201d",
        "20": "Ary nomeny tsiny ireo tan\u00e0na nanaovany ny ankamaroan\u2019ny fahagagana nataony, satria tsy mba nibebaka ny olona tao amin\u2019ireny.",
        "21": "Hoy izy: \u201cHahita loza ianao, ry\u00a0Korazina! Hahita loza ianao, ry\u00a0Betsaida! Raha tany Tyro sy Sidona mantsy no nanaovana an\u2019ireny fahagagana natao tao aminareo ireny, dia ho efa ela ry\u00a0zareo no nibebaka ka nanao akanjo gony sy nihosina lavenona.",
        "22": "Lazaiko aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an\u2019i Tyro sy Sidona amin\u2019ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo anareo.",
        "23": "Ary ianao, ry\u00a0Kapernaomy, ianao ve dia hasandratra hatreny amin\u2019ny lanitra? Hidina any amin\u2019ny Fasana aza ianao! Raha tany Sodoma mantsy no nanaovana an\u2019ireny fahagagana natao tao aminao ireny, dia ho mbola teo ilay tan\u00e0na hatramin\u2019izao.",
        "24": "Lazaiko aminao fa ho mora kokoa ny hanjo an\u2019i Sodoma amin\u2019ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo anao.\u201d",
        "25": "Tamin\u2019izay fotoana izay, dia hoy i Jesosy: \u201cRy\u00a0Ray, Tompon\u2019ny lanitra sy ny tany\u00a0\u00f4, midera anao eto imason\u2019ny olona rehetra aho, satria efa nafeninao tamin\u2019 ny hendry sy ny mahira-tsaina ireny zavatra ireny, fa nampahafantarinao tamin\u2019ny ankizikely kosa.",
        "26": "Izany mihitsy mantsy no sitraponao, Ray\u00a0\u00f4!",
        "27": "Efa nomen\u2019ny Raiko ahy daholo ny zava-drehetra. Tsy misy tena mahafantatra tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy tena mahafantatra tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian\u2019ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray.",
        "28": "Mankanesa at\u1ef3 amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mitondra enta-mavesatra, fa hamelombelona anareo aho.",
        "29": "Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.",
        "30": "Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.\u201d"
    },
    "12": {
        "1": "Indray mandeha, dia nandeha teny an-tanimbary i Jesosy sy ny mpianany. Sabata ny andro tamin\u2019izay. Ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana.",
        "2": "Hoy ny Fariseo rehefa nahita an\u2019izany: \u201cJereo fa manao zavatra tsy azo atao amin\u2019ny Sabata ny mpianatrao!\u201d",
        "3": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMbola tsy novakinareo angaha ilay nataon\u2019i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?",
        "4": "Niditra tao an-tranon\u2019Andriamanitra izy, dia nihinana ny mofo atolotra ry\u00a0zareo. Tsy nisy nahazo nihinana an\u2019izany anefa na izy na ny olona niaraka taminy, afa-tsy ny mpisorona ihany.",
        "5": "Mbola tsy novakinareo tao amin\u2019ny Lal\u00e0na koa angaha fa miasa amin\u2019ny andro sabata ny mpisorona ao amin\u2019ny tempoly, nefa tsy meloka hoe mandika lal\u00e0na?",
        "6": "Lazaiko aminareo anefa fa misy lehibe noho ny tempoly eto.",
        "7": "Raha mba azonareo mantsy ny hevitr\u2019ilay hoe: \u2018Aleoko olona mamindra\u00a0fo, toy izay olona manao sorona\u2019, dia tsy ho nomelohinareo izay tsy meloka.",
        "8": "Fa ny Zanak\u2019olona no Tompon\u2019ny Sabata.\u201d",
        "9": "Niala teo izy avy eo, dia niditra tao amin\u2019ny synagoga.",
        "10": "Io fa nisy lehilahy maty tanana tao. Ary nisy olona te hiampanga an\u2019i Jesosy, ka nanontany azy hoe: \u201cAzo atao ve ny manasitrana amin\u2019ny Sabata?\u201d",
        "11": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cRaha manana ondry anankiray ianareo ka latsaka any anaty lavaka amin\u2019ny andro sabata ilay izy, dia iza aminareo no tsy handeha hampiakatra azy avy ao?",
        "12": "Sarobidy lavitra noho ny ondry anefa ny olona! Azo atao \u00e0ry ny manao soa amin\u2019ny Sabata.\u201d",
        "13": "Dia hoy izy tamin\u2019ilay lehilahy: \u201cAtsory ny tananao.\u201d Dia natsotrany ny tanany ka sitrana, ary lasa hoatran\u2019ilay ilany.",
        "14": "Ny Fariseo kosa nivoaka dia nanao tetika hamonoana azy.",
        "15": "Rehefa fantatr\u2019i Jesosy izany, dia niala teo izy. Be dia be koa no nanaraka azy, ka nositraniny daholo.",
        "16": "Nandrara mafy azy ireo tsy hampahafantatra amin\u2019olona ny momba azy anefa izy,",
        "17": "mba ho tanteraka ilay nasaina nolazain\u2019i Isaia mpaminany hoe:",
        "18": "\u201cIo ny mpanompoko, ilay nofidiko, ilay malalako sady ankasitrahako! Homeko ny fanahiko izy, dia hohazavainy tsara amin\u2019ireo firenena ny atao hoe rariny.",
        "19": "Tsy hifamaly amin\u2019ny olona izy, na hiantsoantso mafy, ary tsy hisy haheno ny feony eny an-dalambe.",
        "20": "Tsy hataony torotoro ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy, mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hampiharany tanteraka ny rariny.",
        "21": "Izy tokoa no hantenain\u2019ireo firenena.\u201d",
        "22": "Avy eo dia nisy lehilahy nisy demonia nentin\u2019ny olona teo aminy. Sady jamba no moana ilay lehilahy ka nositraniny, dia lasa afaka niteny sy nahita.",
        "23": "Gaga be daholo ny vahoaka ka niteny hoe: \u201cSao dia mba io \u00e0ry ilay Zanak\u2019i Davida?\u201d",
        "24": "Hoy ny Fariseo rehefa naheno an\u2019izany: \u201cI Belzeboba lehiben\u2019ny demonia ihany no ahavitany mamoaka demonia.\u201d",
        "25": "Fantatr\u2019i Jesosy ny eritreritr\u2019izy ireo, ka hoy izy taminy: \u201cHirodana izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tan\u00e0na na fianakaviana miady an-trano.",
        "26": "Hoatr\u2019izany koa fa raha i Satana no mamoaka an\u2019i Satana, dia miady an-trano izy. Koa raha izany, ahoana no haharetan\u2019ny fanjakany?",
        "27": "Sady raha amin\u2019ny alalan\u2019i Belzeboba no amoahako demonia, dia amin\u2019ny alalan\u2019iza \u00e0ry no amoahan\u2019ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo.",
        "28": "Raha amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra anefa no amoahako demonia, dia efa tonga ny Fanjakan\u2019Andriamanitra nefa tsy fantatrareo akory.",
        "29": "Ary ahoana no hahatafidiran\u2019ny olona ao an-tranon\u2019ny lehilahy matanjaka iray ka hakany ny fananany, raha tsy fatorany aloha ilay lehilahy? Dia izay izy vao afaka mandroba ny ao an-tranony.",
        "30": "Izay tsy manohana ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko dia manaparitaka.",
        "31": "\u201cNoho izany, dia izao no lazaiko aminareo: Izay rehetra mety ho fahotana sy fanevatevana zava-masina dia mbola hahazoana famelan-keloka, fa ny fanevatevana ny fanahy masina kosa tsy hahazoana famelan-keloka.",
        "32": "Ho voavela, ohatra, ny helok\u2019izay maniratsira ny Zanak\u2019olona. Fa tsy ho voavela kosa ny helok\u2019izay maniratsira ny fanahy masina, na eto amin\u2019izao tontolo izao na any amin\u2019ilay tontolo ho avy.",
        "33": "\u201cRaha tsara ny hazo nambolenareo dia ho tsara koa ny voany, fa raha ratsy ilay hazo dia ho ratsy koa ny voany. Fa ny voany no ahafantarana an\u2019ilay hazo.",
        "34": "Ry taranaky ny bibilava misy poizina, ahoana moa no ahaizanareo milaza zavatra tsara nefa ianareo aza ratsy fanahy? Fa izay mameno ny fon\u2019ny olona no lazain\u2019ny vavany.",
        "35": "Ny olona tsara dia mamoaka an\u2019izay zavatra tsara tehiriziny ao am-pony. Ny ratsy fanahy kosa mamoaka an\u2019izay zavatra ratsy tehiriziny ao am-pony.",
        "36": "Lazaiko aminareo fa hatao ampamoaka ny olona amin\u2019ny Andro Fitsarana noho izay teny tsisy fotony rehetra lazainy.",
        "37": "Arakaraka ny teninao mantsy no hilazana hoe olo-marina ianao na hoe meloka.\u201d",
        "38": "Ary hoy ny mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo sasany taminy: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, te hahita famantarana avy aminao izahay.\u201d",
        "39": "Dia namaly izy hoe: \u201cMitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin\u2019i Jona mpaminany.",
        "40": "Fa hoatran\u2019i Jona nijanona telo\u00a0andro sy telo\u00a0alina tao an-kibon\u2019ilay trondro ngezabe, dia hoatr\u2019izany koa fa ho ao an-kibon\u2019ny tany telo\u00a0andro sy telo\u00a0alina ny Zanak\u2019olona.",
        "41": "Hiaraka hitsangana amin\u2019ity taranaka ity ny mponin\u2019i Ninive amin\u2019ny Andro Fitsarana ka hanameloka azy. Nibebaka mantsy izy ireo rehefa nitory taminy i Jona. Misy lehibe noho i Jona anefa eto.",
        "42": "Hiaraka hatsangana amin\u2019ity taranaka ity ny mpanjakavavin\u2019ny atsimo amin\u2019ny Andro Fitsarana ka hanameloka azy. Avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany mantsy izy no tonga mba hihaino ny fahendren\u2019i Solomona. Misy lehibe noho i Solomona anefa eto.",
        "43": "\u201cRehefa mivoaka avy ao amin\u2019ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina mba hitady toerana hialana sasatra fa tsy mahita.",
        "44": "Hoy izy avy eo: \u2018Andeha hiverina any amin\u2019ilay trano nialako aho.\u2019 Rehefa tonga izy, dia hitany fa tsy misy mipetraka ilay trano, fa efa voafafa madio sady voaravaka.",
        "45": "Dia lasa izy maka fanahy fito hafa ratsy noho izy. Dia miditra izy ireo ka mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin\u2019ny voalohany ny hiafaran\u2019ilay olona. Hoatr\u2019izany koa no hiafaran\u2019ity taranaka ratsy fanahy ity.\u201d",
        "46": "Raha mbola niteny tamin\u2019ny vahoaka izy, dia tonga ny reniny sy ny rahalahiny. Nijoro tao ivelany izy ireo fa te hiresaka taminy.",
        "47": "Nisy nilaza taminy \u00e0ry hoe: \u201cMijoro ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, fa te hiresaka aminao.\u201d",
        "48": "Dia hoy izy tamin\u2019ilay olona: \u201cFa iza no reniko, ary iza no rahalahiko?\u201d",
        "49": "Dia notondroiny ny mpianany, sady hoy izy: \u201cIreo no reniko sy rahalahiko!",
        "50": "Fa na iza na iza manao ny sitrapon\u2019ilay Raiko any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.\u201d"
    },
    "13": {
        "1": "Niala tao an-trano i Jesosy tamin\u2019io andro io, dia nipetraka teo amoron-dranomasina.",
        "2": "Ary nisy vahoaka be nitangorona teo aminy. Niakatra tao an-tsambokely \u00e0ry izy dia nipetraka, fa ny vahoaka rehetra kosa nitsangana teo amin\u2019ny torapasika.",
        "3": "Ary nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy ka nanao fanoharana hoe: \u201cNisy mpamafy nivoaka mba hamafy.",
        "4": "Tamin\u2019izy namafy, dia latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany, ka tonga ny vorona nihinana an\u2019ireny.",
        "5": "Ny voa hafa kosa latsaka teny amin\u2019ny toerana be\u00a0vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Tonga\u00a0dia naniry ireo voa ireo satria tsy lalina ny nofon-tany.",
        "6": "Rehefa niposaka anefa ny masoandro, dia main\u2019ny masoandro ireo voa nitsimoka ireo ka nalazo satria tsy nisy fakany.",
        "7": "Ny voa sasany indray latsaka teny amin\u2019ny tsilo. Ary naniry ny tsilo ka nandrakotra an\u2019ireny.",
        "8": "Ny voa hafa kosa latsaka teny amin\u2019ny tany tsara dia nanomboka namoa, ka nisy namoa avo 100\u00a0heny, nisy 60\u00a0heny, ary nisy 30\u00a0heny.",
        "9": "Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.\u201d",
        "10": "Koa nanatona azy ny mpianany ka niteny taminy hoe: \u201cFa maninona ianao no manao fanoharana rehefa mampianatra an-dry\u00a0zareo?\u201d",
        "11": "Dia hoy izy: \u201cIanareo no navela hahazo ny dikan\u2019ny zava-miafina masina momba ny Fanjakan\u2019ny lanitra, fa ry\u00a0zareo kosa tsy navela.",
        "12": "Fa izay manana dia homena betsaka kokoa ka hanana be dia be. Fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia halaina aminy.",
        "13": "Izany no antony anaovako fanoharana rehefa mampianatra an-dry\u00a0zareo, satria mijery izy fa tsy mahita, maheno fa tsy mihaino akory, sady tsy mahazo ny dikan\u2019ny zavatra henony.",
        "14": "Dia tanteraka aminy ilay faminanian\u2019i Isaia hoe: \u2018Haheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan\u2019ny zavatra henonareo mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.",
        "15": "Fa efa lasa donto ny fon\u2019ity vahoaka ity, ary efa naheno ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, amin\u2019izay ny masony tsy hahita mihitsy, ary ny sofiny tsy haheno mihitsy. Amin\u2019izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan\u2019izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.\u2019",
        "16": "\u201cSambatra anefa ianareo, satria mahita ny masonareo, ary maheno ny sofinareo.",
        "17": "Lazaiko marina aminareo fa be dia be ny mpaminany sy ny olo-marina te hahita an\u2019izay hitanareo fa tsy nahita, ary te haheno an\u2019izay henonareo fa tsy naheno.",
        "18": "\u201cHenoy \u00e0ry ilay fanoharana momba an\u2019ilay mpamafy:",
        "19": "Rehefa misy olona mandre ny teny momba an\u2019ilay Fanjakana nefa tsy mahazo ny dikan\u2019ilay izy, dia tonga ilay ratsy ka manala an\u2019izay nafafy tao am-pony. Izany ilay voa nafafy teny amoron-dalana.",
        "20": "Ilay nafafy teny amin\u2019ny toerana be\u00a0vato indray, dia izay mandre ny teny ka tonga\u00a0dia faly er\u1ef3 manaiky an\u2019ilay izy.",
        "21": "Tsy mamaka ao am-pony anefa ny teny, fa maniry vetivety fotsiny. Koa rehefa tratran\u2019ny zava-tsarotra na fanenjehana izy noho izy nanaiky ny teny, dia mihemotra avy hatrany.",
        "22": "Ary ilay nafafy teny amin\u2019ny tsilo dia izay mandre ny teny, saingy tototry ny fanahiana eto amin\u2019izao tontolo izao sy ny famitahan\u2019ny harena ny teny ka tsy mamoa.",
        "23": "Ary ilay nafafy teny amin\u2019ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mahazo ny dikan\u2019ilay izy, ary tena mamoa sy mamokatra, ka misy mamoa avo 100\u00a0heny, misy 60\u00a0heny, ary misy 30\u00a0heny.\u201d",
        "24": "Nanao fanoharana hafa koa izy hoe: \u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra dia azo oharina amin\u2019ny lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny.",
        "25": "Raha mbola natory ny olona, dia tonga namafy tsimparifary teo amin\u2019ny vary ny fahavalony, dia lasa.",
        "26": "Rehefa naniry ny vary ka niteraka, dia nipoitra koa ny tsimparifary.",
        "27": "Tonga \u00e0ry ny mpanompon\u2019ilay lehilahy ka niteny taminy hoe: \u2018Angaha moa tsy voa tsara no nafafinao teny an-tanimbarinao, tompoko? Dia maninona no lasa misy tsimparifary koa?\u2019",
        "28": "Ary hoy izy: \u2018Fahavalo no nanao an\u2019izany.\u2019 Dia hoy izy ireo: \u2018Tianao \u00e0ry ve raha hongotanay ireny?\u2019",
        "29": "Hoy anefa izy: \u2018Aoka aloha sao hongotanareo miaraka amin\u2019ny\u00a0tsimparifary koa ny vary.",
        "30": "Avelao ihany hiara-maniry eo daholo ireo, mandra-pahatongan\u2019ny fotoam-pijinjana. Dia amin\u2019izay aho no hiteny amin\u2019ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary dia ataovy amboara, dia afatory mba hodorana. Avy eo angony ny vary ka ataovy ao amin\u2019ny trano fitehirizako vokatra.\u2019\u201d",
        "31": "Nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe: \u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra dia hoatran\u2019ny voan-tsinapy nalain\u2019olona ka namboleny tany an-tsahany.",
        "32": "Io voa io no kely indrindra amin\u2019ny voa rehetra. Rehefa maniry anefa izy, dia izy no anana lehibe indrindra ka lasa hazo. Dia tonga ny voro-manidina ka manao akany eny amin\u2019ny sampany.\u201d",
        "33": "Nanao fanoharana hafa tamin\u2019izy ireo indray izy hoe: \u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra dia hoatran\u2019ny lalivay nalain\u2019ny vehivavy iray ka nafangarony lafarinina intelon\u2019ny famarana lehibe, mandra-pitombon\u2019ilay koba manontolo.\u201d",
        "34": "Nanao fanoharana foana i Jesosy rehefa niresaka an\u2019izany rehetra izany tamin\u2019ny vahoaka. Tsy niteny tamin\u2019izy ireo tokoa izy raha tsy tamin\u2019ny fanoharana,",
        "35": "mba ho tanteraka izay nasaina nolazain\u2019ny mpaminany hoe: \u201cHanao fanoharana aho, ary hanambara zavatra nafenina hatrany am-piandohana.\u201d",
        "36": "Rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niditra tao an-trano. Ary nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: \u201cMba hazavao aminay ny dikan\u2019ilay fanoharana momba ny tsimparifary teny an-tanimbary.\u201d",
        "37": "Dia hoy izy: \u201cNy mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak\u2019olona,",
        "38": "ary ny tanimbary dia izao tontolo izao. Ny voa tsara dia ny zanak\u2019ilay Fanjakana, fa ny tsimparifary kosa dia ny zanak\u2019ilay ratsy,",
        "39": "ary ny fahavalo namafy an\u2019izany dia ny Devoly. Ny fotoam-pijinjana dia ny vanim-potoana alohan\u2019ny faran\u2019izao tontolo izao, ary ny mpijinja dia ny anjely.",
        "40": "Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy, dia ho toy izany koa no hatao rehefa akaiky ny faran\u2019izao tontolo izao.",
        "41": "Haniraka ny anjeliny ny Zanak\u2019olona, dia hangonin\u2019izy ireo izay rehetra mahatonga ny olona hanota sy izay zatra mandika lal\u00e0na. Havoakany avy ao amin\u2019ny Fanjakany ireny,",
        "42": "dia hatsipiny any anaty lafaoro mirehitra. Any ireny no hitomany sy hihidy vazana.",
        "43": "Amin\u2019izany fotoana izany kosa dia hamirapiratra hoatran\u2019ny masoandro ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny Rainy ny olo-marina. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.",
        "44": "\u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra dia hoatran\u2019ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan\u2019olona ka nafeniny indray. Faly be izy ka lasa nivarotra an\u2019izay nananany rehetra, dia nividy an\u2019ilay saha.",
        "45": "\u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra koa dia hoatran\u2019ny mpivaro-mandeha mitady perla faran\u2019izay tsara.",
        "46": "Rehefa nahita perla iray sarobidy izy, dia tonga\u00a0dia nandeha nivarotra an\u2019izay nananany rehetra ka nividy an\u2019ilay perla.",
        "47": "\u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra koa dia hoatran\u2019ny harato tarihina izay nalatsaka tany anaty ranomasina ka nahangona trondro isan-karazany.",
        "48": "Rehefa feno ilay harato, dia notaritin\u2019ny mpanarato nankeo amin\u2019ny torapasika. Dia nipetraka ry\u00a0zareo ka izay trondro tsara dia nangoniny tao anaty fitoerany, fa izay ratsy kosa nariany.",
        "49": "Hoatr\u2019izany koa no hitranga rehefa akaiky ny faran\u2019izao tontolo izao. Hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy amin\u2019ny olo-marina.",
        "50": "Dia hatsipiny any anaty lafaoro mirehitra ireny. Any ireny no hitomany sy hihidy vazana.",
        "51": "\u201cAzonareo ve ny dikan\u2019izany rehetra izany?\u201d Dia hoy ireo: \u201cIe.\u201d",
        "52": "Dia hoy izy taminy: \u201cIzao \u00e0ry: Ny mpampianatra rehetra izay ampianarina momba ny Fanjakan\u2019ny lanitra, dia hoatran\u2019ny tompon-trano mamoaka zavatra vaovao sy tranainy avy ao amin\u2019ny trano fitehirizany.\u201d",
        "53": "Dia niala teo i Jesosy rehefa avy nanao an\u2019ireo fanoharana ireo.",
        "54": "Nampianatra ny olona tao amin\u2019ny synagoga izy, rehefa tonga tao amin\u2019ny faritra niaviany. Gaga izy ireo ka niteny hoe: \u201cTaiza no nahazoan\u2019io an\u2019izany fahendrena izany, ary ahoana koa no ahaizany manao fahagagana hoatr\u2019izao?",
        "55": "Angaha tsy io ilay zanaky ny mpandrafitra? Angaha tsy Maria no anaran\u2019ny reniny, dia i Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy no rahalahiny?",
        "56": "Ary tsy eto amintsika daholo ve ny anabaviny? Fa ahoana \u00e0ry no ahaizany an\u2019izany rehetra izany?\u201d",
        "57": "Dia tsy nety nino azy izy ireo. Hoy anefa i Jesosy: \u201cAo amin\u2019ny faritra niaviany sy ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.\u201d",
        "58": "Ary tsy nanao fahagagana be dia be teo izy satria tsy nino azy izy ireo."
    },
    "14": {
        "1": "Naheno momba an\u2019i Jesosy i Heroda lehibem-paritra, tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "2": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpanompony: \u201cI Jaona Mpanao Batisa izay! Natsangana tamin\u2019ny maty izy, dia izany no ahavitany an\u2019izany fahagagana izany.\u201d",
        "3": "I Jaona mantsy efa nosamborin\u2019i Heroda sy nofatorany ary nogadrainy, noho ilay olana momba an\u2019i Herodiasy. Vadin\u2019i Filipo rahalahin\u2019i Heroda i Herodiasy,",
        "4": "ka efa notenenin\u2019i Jaona i Heroda hoe: \u201cTsy azonao atao ny manambady azy.\u201d",
        "5": "Te hamono an\u2019i Jaona i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra izy ireo hoe mpaminany i Jaona.",
        "6": "Rehefa nankalazaina ny fitsingerenan\u2019ny andro nahaterahan\u2019i Heroda, dia nandihy tamin\u2019ilay fety ny zanakavavin\u2019i Herodiasy. Dia faly be i Heroda,",
        "7": "ka nianiana fa homeny an\u2019ilay tovovavy daholo izay angatahiny.",
        "8": "Nampirisihin\u2019ny reniny anefa ilay tovovavy ka niteny hoe: \u201cEnto at\u1ef3 amiko eo ambony vilia ny lohan\u2019i Jaona Mpanao Batisa.\u201d",
        "9": "Dia nalahelo ny mpanjaka, nefa nasainy natao ihany izany, satria izy efa nianiana, sady efa henon\u2019ireo niara-nisakafo taminy koa ny teniny.",
        "10": "Koa naniraka olona hanapaka ny lohan\u2019i Jaona tao am-ponja izy.",
        "11": "Nentina teo ambony vilia \u00e0ry ny lohany ka nomena an\u2019ilay tovovavy, dia nentiny tany amin\u2019ny reniny.",
        "12": "Taorian\u2019izay, dia tonga ny mpianatr\u2019i Jaona ka naka ny fatiny sy nandevina azy. Dia nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Jesosy izy ireo avy eo.",
        "13": "Dia niala teo i Jesosy rehefa naheno an\u2019izany, ka nandeha sambokely nankany amin\u2019ny toerana mitokana izy fa mba te ho irery. Fantatry ny vahoaka anefa izany, dia niainga avy tany an-tan\u00e0na izy ireo ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.",
        "14": "Dia nahita vahoaka be i Jesosy rehefa niala avy tao an-tsambokely. Nangoraka an\u2019ireo izy, ka nanasitrana an\u2019izay narary.",
        "15": "Rehefa hariva anefa ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: \u201cMitokana ity toerana ity, sady efa hariva ny andro. Ravao ny vahoaka mba hividy sakafo any an-tan\u00e0na.\u201d",
        "16": "Hoy anefa i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cTsy voatery handeha ry\u00a0zareo, fa omeo zavatra hohanina.\u201d",
        "17": "Dia hoy izy ireo: \u201cMofo dimy sy trondro roa fotsiny ange no at\u1ef3 aminay\u00a0e!\u201d",
        "18": "Ary hoy izy: \u201cEnto at\u1ef3 \u00e0ry izany.\u201d",
        "19": "Dia nasainy naka toerana teo amin\u2019ny bozaka ny vahoaka. Nalainy avy eo ireo mofo dimy sy trondro roa ireo, ka nitraka nijery ny lanitra izy dia nivavaka. Dia notapahiny ireo mofo, dia nomeny an\u2019ireo mpianatra, ary ny mpianatra indray nizara an\u2019ilay izy tamin\u2019ny vahoaka.",
        "20": "Dia nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangonin\u2019ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno harona 12.",
        "21": "Nisy lehilahy 5\u00a0000 teo ho eo ny olona nihinana, ankoatra ny zaza amam-behivavy.",
        "22": "Nasainy nankao an-tsambokely avy hatrany ny mpianany avy eo, ka nasainy nialoha azy nankeny ampita, fa izy mbola nandrava ny vahoaka.",
        "23": "Rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Dia izy irery no tany rehefa maizina ny andro.",
        "24": "Efa lasa lavitra be ilay sambokely tamin\u2019izay, ary niezaka mafy hanohitra ny onja ny mpianatra satria notoherin\u2019ny rivotra ilay sambo.",
        "25": "Tamin\u2019ny fotoam-piambenana fahefatra tamin\u2019ny alina anefa, dia nandeha teo ambony ranomasina izy mba ho eny amin\u2019ny mpianatra.",
        "26": "Dia natahotra ny mpianatra rehefa nahita azy nandeha teo ambony ranomasina, ka niantsoantso mafy hoe: \u201cMisy zavatra hafahafa iny!\u201d",
        "27": "Tonga\u00a0dia niteny taminy anefa i Jesosy hoe: \u201cMahereza fa izaho ihany ity! Aza matahotra.\u201d",
        "28": "Dia hoy i Petera taminy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha ianao tokoa io, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.\u201d",
        "29": "Hoy izy: \u201cAvia \u00e0ry!\u201d Dia nidina avy tao an-tsambokely i Petera, ka nandeha teo ambony rano ary nanatona an\u2019i Jesosy.",
        "30": "Lasa natahotra anefa izy rehefa nijery an\u2019ilay tafio-drivotra. Dia nanomboka nilentika izy, ka niantsoantso hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, vonjeo aho!\u201d",
        "31": "Tonga\u00a0dia nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nitazona an\u2019i Petera, sady hoy izy: \u201cRy\u00a0kely finoana, fa maninona ianao no lasa nisalasala?\u201d",
        "32": "Ary nitsahatra ilay tafio-drivotra rehefa tafakatra tao an-tsambokely izy ireo.",
        "33": "Dia niankohoka teo anatrehany izay tao an-tsambokely, sady niteny hoe: \u201cZanak\u2019Andriamanitra tokoa ianao.\u201d",
        "34": "Ary tonga teny ampita izy ireo, ka niakatra an-tanety tao Genesareta.",
        "35": "Raha vao nahafantatra azy ny mponina tao amin\u2019ilay toerana, dia nampilaza tany amin\u2019ny faritra rehetra manodidina. Koa nentin\u2019ny olona teo aminy daholo izay narary.",
        "36": "Ary niangavy azy ny olona mba havela hikasika fotsiny ny mikiramborambo amin\u2019ny morontongotry ny akanjony ivelany. Dia sitrana tanteraka izay rehetra nanao an\u2019izany."
    },
    "15": {
        "1": "Ary nisy Fariseo sy mpanora-dal\u00e0na avy any Jerosalema nankeo amin\u2019i Jesosy, ka niteny hoe:",
        "2": "\u201cFa maninona ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomban-drazana? Tsy mba manasa tanana, ohatra, ry zareo rehefa hisakafo.\u201d",
        "3": "Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: \u201cAry maninona ianareo no mandika ny didin\u2019Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo?",
        "4": "Nilaza, ohatra, Andriamanitra hoe: \u2018Hajao ny rainao sy ny reninao\u2019, sy hoe: \u2018Tokony hovonoina ho faty izay mamingavinga ny rainy na ny reniny.\u2019",
        "5": "Ianareo anefa milaza hoe: \u2018Izay miteny amin\u2019ny rainy na ny reniny hoe: \u201cIzay ananako rehetra ka mety ho azoko anampiana anao, dia efa fanomezana voatokana ho an\u2019Andriamanitra\u201d,",
        "6": "dia tsy voatery hanaja ny ray aman-dreniny.\u2019 Ataonareo tsy misy vidiny \u00e0ry ny tenin\u2019Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.",
        "7": "Ry\u00a0mpihatsaravelatsihy, rariny raha naminany momba anareo i Isaia hoe:",
        "8": "\u2018An-tendro-molotra fotsiny no anajan\u2019ity vahoaka ity ahy, fa ny fony kosa lavitra ahy.",
        "9": "Reraka fotsiny izy ireo manompo ahy, satria didin\u2019olombelona no ampianariny.\u2019\u201d",
        "10": "Ary nantsoiny hankeo aminy ny vahoaka ka hoy izy: \u201cHenoy izao dia fantaro ny dikan\u2019izao lazaiko izao:",
        "11": "Tsy izay miditra ao am-bavan\u2019ny olona no mandoto azy, fa izay mivoaka avy amin\u2019ny vavany.\u201d",
        "12": "Ary nanatona azy ny mpianatra ka niteny hoe: \u201cFantatrao ve fa tezitra ny Fariseo rehefa naheno an\u2019ilay teninao teo?\u201d",
        "13": "Dia hoy i Jesosy: \u201cHongotana ny zavamaniry rehetra tsy nambolen\u2019ilay Raiko any an-danitra.",
        "14": "Avelao izy fa mpitarika jamba. Ary raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady ry\u00a0zareo.\u201d",
        "15": "Dia hoy i Petera: \u201cHazavao aminay ilay fanoharana teo.\u201d",
        "16": "Dia hoy izy: \u201cMbola tsy mahatakatra tsara foana ve ny sainareo?",
        "17": "Angaha tsy fantatrareo fa izay rehetra miditra ao am-bava dia mankao an-kibo, ary lasa any amin\u2019ny toerana fanariana azy?",
        "18": "Izay mivoaka avy amin\u2019ny vava anefa dia avy ao am-po, ka izany no mandoto ny olona.",
        "19": "Avy ao am-po mantsy no ivoahan\u2019ny eritreri-dratsy, ohatra hoe famonoana olona, fanitsakitsaham-bady, fijangajangana, halatra, fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary fanevatevana zava-masina.",
        "20": "Izany no mandoto ny olona, fa tsy ilay hoe mihinana amin\u2019ny tanana tsy misasa.\u201d",
        "21": "Dia niala teo i Jesosy ka nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Tyro sy Sidona.",
        "22": "Ary iny fa nanatona azy ny vehivavy fenisianina iray avy ao amin\u2019ilay faritra, sady niantsoantso mafy hoe: \u201cMba iantrao aho, ry\u00a0Tompo Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4! Mijaly be ny zanako vavy fa misy demonia.\u201d",
        "23": "Tsy namaly an\u2019ilay vehivavy mihitsy anefa izy. Nanatona azy \u00e0ry ny mpianany ka niteny taminy hoe: \u201cAsaivo mandeha any izy fa miantsoantso foana ao aorianantsika ao.\u201d",
        "24": "Dia hoy i Jesosy: \u201cHo any amin\u2019ny ondry very amin\u2019ny taranak\u2019Israely ihany no nanirahana ahy.\u201d",
        "25": "Nanatona azy anefa ilay vehivavy, dia niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, ampio aho!\u201d",
        "26": "Ary hoy izy: \u201cTsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an\u2019ny alikakely.\u201d",
        "27": "Hoy anefa ilay vehivavy: \u201cMarina izany, Tompo\u00a0\u00f4! Fa ny alikakely koa ange mba mihinana ny poti-mofo latsaka avy amin\u2019ny latabatry ny tompony\u00a0e!\u201d",
        "28": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cRavehivavy, lehibe ny finoanao. Ho tanteraka aminao anie izay irinao!\u201d Dia sitrana tamin\u2019izay ora izay ilay zanany vavy.",
        "29": "Niala teo i Jesosy avy eo, ka tonga tany akaikin\u2019ny Ranomasin\u2019i Galilia. Niakatra teny an-tendrombohitra izy, dia nipetrapetraka teo.",
        "30": "Ary nisy vahoaka be nanatona azy sady nitondra olona nalemy tongotra, kilemaina, jamba, moana, ary marary be dia be hafa. Dia napetrak\u2019izy ireo teo an-tongony ireny, ka nositraniny.",
        "31": "Gaga \u00e0ry ny vahoaka rehefa nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana, ny nalemy tongotra nandeha, ary ny jamba nahita. Dia nanome voninahitra an\u2019ilay Andriamanitry ny Israely ny vahoaka.",
        "32": "Ary nantsoin\u2019i Jesosy nankeo aminy ny mpianany, ka hoy izy: \u201cMampalahelo ahy ireto vahoaka ireto, fa efa telo andro izao ry zareo no nijanona teto amiko, sady tsy manan-kohanina. Tsy tiako anefa raha hoe noana izy no asaina mandeha, sao ho reraka eny an-dalana.\u201d",
        "33": "Hoy anefa ny mpianatra taminy: \u201cAiza at\u1ef3 amin\u2019ity toerana mitokana ity isika no hahita mofo hahavoky an\u2019ireo vahoaka be ireo?\u201d",
        "34": "Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cFiry ny mofo any aminareo?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cFito, dia misy trondro madinika vitsivitsy koa.\u201d",
        "35": "Nasainy naka toerana teo amin\u2019ny tany \u00e0ry ny vahoaka,",
        "36": "dia noraisiny ny mofo fito sy ny trondro. Rehefa avy nisaotra an\u2019Andriamanitra izy, dia notapahiny ny mofo ka nozarainy tamin\u2019ny mpianatra, ary ny mpianatra indray nizara an\u2019ilay izy tamin\u2019ny vahoaka.",
        "37": "Dia nihinana daholo ny olona ka voky, ary nangonin\u2019ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika lehibe fito.",
        "38": "Lehilahy 4\u00a0000 no nihinana tamin\u2019izay, ankoatra ny zaza amam-behivavy.",
        "39": "Dia noravany ny vahoaka. Taorian\u2019izay dia niakatra tao an-tsambokely izy ka tonga tany amin\u2019ny faritr\u2019i Magadana."
    },
    "16": {
        "1": "Ary nanatona azy ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nangataka azy hampiseho famantarana avy any an-danitra, mba hitsapana azy.",
        "2": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cRehefa hariva ny andro, dia hoy ianareo: \u2018Ho tsara ny andro rahampitso, satria mena ny lanitra.\u2019",
        "3": "Rehefa maraina indray, dia hoy ianareo: \u2018Hangatsiaka androany dia ho avy ny orana, fa mena ny lanitra nefa manjombona.\u2019 Hainareo fantarina avy amin\u2019ny endriky ny lanitra ny toetrandro, saingy tsy hainareo fantarina ny dikan\u2019ny zava-mitranga amin\u2019izao.",
        "4": "Mitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin\u2019i Jona.\u201d Ary nilaozany ireo ka lasa izy nandeha.",
        "5": "Nankeny ampitan\u2019ny rano ny mpianatra avy eo, ary nanadino nitondra mofo.",
        "6": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cMb\u00e0 mailo ary mitandrema amin\u2019ny lalivain\u2019ny Fariseo sy ny Sadoseo.\u201d",
        "7": "Koa niady hevitra izy ireo hoe: \u201cAngamba ilay isika tsy nitondra mofo no itenenany an\u2019izany.\u201d",
        "8": "Fantatr\u2019i Jesosy izany, ka hoy izy: \u201cRy\u00a0kely finoana, nahoana no mampiady hevitra anareo ilay hoe tsy nitondra mofo?",
        "9": "Angaha mbola tsy azonareo ihany, sa tsy tadidinareo ilay mofo dimy ho an\u2019ny olona 5\u00a0000, nefa firy harona no voangonareo?",
        "10": "Sa tsy tadidinareo ilay mofo fito ho an\u2019ny olona 4\u00a0000, nefa firy sobika lehibe no voangonareo?",
        "11": "Fa maninona no tsy takatrareo fa tsy mofo no noresahiko taminareo? Fa mitandrema amin\u2019ny lalivain\u2019ny Fariseo sy ny Sadoseo.\u201d",
        "12": "Dia takatr\u2019izy ireo fa ny tiany holazaina dia hoe tokony hitandrina amin\u2019ny fampianaran\u2019ny Fariseo sy ny Sadoseo izy ireo, fa tsy amin\u2019ny lalivain\u2019ny mofo.",
        "13": "Rehefa tonga tao amin\u2019ny faritr\u2019i Kaisaria-Filipo i Jesosy, dia nanontany an\u2019ireo mpianany hoe: \u201cIza, hono, ny Zanak\u2019olona raha ny filazan\u2019ny olona?\u201d",
        "14": "Dia hoy ireo: \u201cMisy milaza hoe Jaona Mpanao Batisa, misy indray miteny hoe Elia, ary misy koa miteny hoe Jeremia na ny iray amin\u2019ny mpaminany.\u201d",
        "15": "Ary hoy izy taminy: \u201cFa ianareo kosa milaza hoe iza aho?\u201d",
        "16": "Dia namaly i Simona Petera hoe: \u201cIanao no Kristy, Zanak\u2019ilay Andriamanitra velona.\u201d",
        "17": "Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cSambatra ianao, ry\u00a0Simona zanak\u2019i Jona, satria tsy olombelona no nampahafantatra an\u2019izany anao, fa ilay Raiko any an-danitra.",
        "18": "Izao koa no lazaiko aminao: Ianao no Petera, ary eto ambonin\u2019ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako, ka tsy haharesy azy ny vavahadin\u2019ny Fasana.",
        "19": "Homeko anao ny lakilen\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra, ka izay hofatoranao eto an-tany dia efa voafatotra any an-danitra, ary izay hovahanao eto an-tany dia efa voavaha any an-danitra.\u201d",
        "20": "Norarany mafy ny mpianatra avy eo mba tsy hiteny na amin\u2019iza na amin\u2019iza hoe izy no Kristy.",
        "21": "Nanomboka teo dia nanazava tamin\u2019ny mpianany i Jesosy hoe tsy maintsy mankany Jerosalema izy, dia hampijalijalin\u2019ny anti-panahy sy ny lehiben\u2019ny mpisorona ary ny mpanora-dal\u00e0na, ka hovonoina ho faty ary hatsangana amin\u2019ny andro fahatelo.",
        "22": "Dia nentin\u2019i Petera nihataka kely izy ka noteneniny mafy hoe: \u201cMba jereo ihany izay hahasoa anao, Tompo\u00a0\u00f4! Tsy hanjo anao mihitsy izany.\u201d",
        "23": "Nihodina anefa izy ka niteny tamin\u2019i Petera hoe: \u201cMankanesa ato aorianako, ry\u00a0Satana! Vato mahatafintohina eto anoloako ianao, satria tsy fomba fisainan\u2019Andriamanitra ny anao, fa fomba fisainan\u2019olombelona.\u201d",
        "24": "Hoy i Jesosy tamin\u2019ny mpianany avy eo: \u201cRaha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mand\u00e0 ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany ary manaraka ahy foana.",
        "25": "Fa izay te hamonjy ny ainy no hamoy an\u2019izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa no hamonjy an\u2019izany.",
        "26": "Ary inona tokoa moa no soa ho azon\u2019ny olona raha azony izao tontolo izao nefa afoiny ny ainy? Sa inona no homen\u2019ny olona ho takalon\u2019ny ainy?",
        "27": "Fa ho avy amin\u2019ny voninahitry ny Rainy ny Zanak\u2019olona, miaraka amin\u2019ny anjeliny, ka hamaly ny tsirairay araka izay nataony.",
        "28": "Lazaiko marina aminareo fa misy amin\u2019izay mijoro eto tsy ho faty mihitsy, raha tsy efa hitany ny Zanak\u2019olona tonga ao amin\u2019ny Fanjakany.\u201d"
    },
    "17": {
        "1": "Enina andro taorian\u2019izay, dia nentin\u2019i Jesosy niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny, ka nentiny nitokana teny amin\u2019ny tendrombohitra avo iray.",
        "2": "Ary niova tarehy teo anatrehan\u2019ireo izy. Dia namirapiratra hoatran\u2019ny masoandro ny tarehiny, ary lasa nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.",
        "3": "Ary ireo fa niseho tamin\u2019izy ireo koa i Mosesy sy Elia, niresaka tamin\u2019i Jesosy.",
        "4": "Dia hoy i Petera tamin\u2019i Jesosy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, faly be izahay fa eto. Raha tianao, dia hanangana tranolay telo eto aho, ka ny iray ho anao, ny iray ho an\u2019i Mosesy, ary ny iray ho an\u2019i Elia.\u201d",
        "5": "Raha mbola niteny izy, dia iny fa nisy rahona namirapiratra nanaloka azy ireo. Ary nisy feo niteny avy tao amin\u2019ilay rahona hoe: \u201cIo no Zanako malalako, ilay ankasitrahako. Henoy izy.\u201d",
        "6": "Dia natahotra be ny mpianatra rehefa naheno an\u2019izany, ka niankohoka tamin\u2019ny tany.",
        "7": "Ary nanatona i Jesosy ka nikasika azy ireo, sady niteny hoe: \u201cMitsang\u00e0na fa aza matahotra.\u201d",
        "8": "Dia nitraka izy ireo, ary tsy nahita afa-tsy i Jesosy irery.",
        "9": "Tamin\u2019izy ireo nidina an\u2019ilay tendrombohitra, dia hoy i Jesosy: \u201cAza tenenina amin\u2019iza na iza iny fahitana iny, raha tsy efa atsangana amin\u2019ny maty ny Zanak\u2019olona.\u201d",
        "10": "Nanontany azy anefa ny mpianany hoe: \u201cFa maninona ny mpanora-dal\u00e0na no miteny hoe tsy maintsy ho avy aloha i Elia?\u201d",
        "11": "Dia namaly izy hoe: \u201cTena ho avy i Elia, ary haveriny amin\u2019ny laoniny ny zava-drehetra.",
        "12": "Lazaiko aminareo anefa fa efa tonga i Elia, saingy tsy fantatry ny olona izy dia nataony taminy izay rehetra tiany hanaovana azy. Hijalijaly hoatr\u2019izany koa ny Zanak\u2019olona, eo am-pelatanan\u2019izy ireo.\u201d",
        "13": "Dia takatry ny mpianatra fa i Jaona Mpanao Batisa no tiany horesahina.",
        "14": "Rehefa nankeo amin\u2019ny vahoaka izy ireo, dia nisy lehilahy nanatona azy ka nandohalika teo anatrehany sady niteny hoe:",
        "15": "\u201cTompo\u00a0\u00f4, mba iantrao ny zanako lahy fa voan\u2019ny androbe, dia marary izy izao. Matetika izy no mianjera ao anaty afo, ary matetika ao anaty rano.",
        "16": "Nentiko tat\u1ef3 amin\u2019ny mpianatrao izy, saingy tsy vitan\u2019izy ireo ny nanasitrana azy.\u201d",
        "17": "Ary hoy i Jesosy: \u201cRy\u00a0taranaka tsy manam-pinoana sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana aho no tsy maintsy mbola hijanona eto aminareo? Mandra-pahoviana aho no tsy maintsy handefitra aminareo? Ento at\u1ef3 amiko izy.\u201d",
        "18": "Notenenin\u2019i Jesosy mafy avy eo ilay demonia ka nivoaka tamin\u2019ilay ankizilahy. Dia sitrana tamin\u2019izay ora izay ilay ankizilahy.",
        "19": "Ary nanatona an\u2019i Jesosy mitokana ny mpianany ka nanontany hoe: \u201cFa maninona no tsy vitanay ny namoaka an\u2019iny?\u201d",
        "20": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cSatria ianareo kely\u00a0finoana! Lazaiko marina aminareo fa raha manana finoana ianareo, na faran\u2019izay kely hoatran\u2019ny voan-tsinapy aza, ka hiteny amin\u2019ir\u1ef3 tendrombohitra ir\u1ef3 hoe: \u2018Mifindr\u00e0 er\u1ef3\u2019, dia hifindra ilay izy. Ary tsy hisy tsy ho vitanareo.\u201d",
        "21": "* \u2014\u2014",
        "22": "Rehefa tafavory tao Galilia izy ireo, dia hoy i Jesosy: \u201cEfa hisy hamadika ny Zanak\u2019olona dia hatolotra eo am-pelatanan\u2019ny olona.",
        "23": "Hovonoiny ho faty izy, ary hatsangana amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d Dia nalahelo be izy ireo.",
        "24": "Rehefa tonga tao Kapernaomy izy ireo, dia nanatona an\u2019i Petera ny lehilahy namory ny hetra roa drakma, ka nanontany hoe: \u201cAngaha tsy mandoa hetra ny mpampianatra anareo?\u201d",
        "25": "Dia hoy izy: \u201cMandoa izy ka!\u201d Rehefa niditra tao an-trano anefa i Petera, dia notsenain\u2019i Jesosy tamin\u2019ny fanontaniana hoe: \u201cAhoana ny hevitrao, ry\u00a0Simona? Avy amin\u2019iza no ahazoan\u2019ny mpanjaka eto an-tany haba na hetra isan-dahy? Avy amin\u2019ny zanany sa avy amin\u2019ny olon-kafa?\u201d",
        "26": "Ary hoy izy: \u201cAvy amin\u2019ny olon-kafa.\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy mila mandoa hetra \u00e0ry ny zanaka!",
        "27": "Mba tsy hahatonga antsika hanafintohina an-dry\u00a0zareo anefa, dia mandehana any an-dranomasina ary manipaza lelam-pintana, ka raiso izay trondro azonao voalohany. Rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita sekely volafotsy iray ianao. Alaivo ilay izy dia omeo azy, ho hetrantsika sy ianao.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Nanatona an\u2019i Jesosy ny mpianatra tamin\u2019izay fotoana izay, ka niteny hoe: \u201cFa iza marina no lehibe indrindra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra\u00a0e?\u201d",
        "2": "Dia niantso zaza anankiray hankeo aminy i Jesosy, ka nasainy nitsangana teo afovoany ilay zaza,",
        "3": "sady hoy izy: \u201cLazaiko marina aminareo fa raha tsy miova tanteraka ianareo ka lasa toy ny zaza, dia tsy hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra mihitsy.",
        "4": "Izay manetry tena hoatran\u2019ity zaza ity \u00e0ry no lehibe indrindra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "5": "Ary izay mandray zaza hoatran\u2019ity amin\u2019ny anarako, dia mandray ahy.",
        "6": "Fa na iza na iza mametraka vato mahatafintohina eo anoloan\u2019ny iray amin\u2019ireny madinika mino ahy ireny, dia tsara raha asiana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any an-dranomasina lalina izy.",
        "7": "\u201cHahita loza izao tontolo izao, noho izy mametraka vato mahatafintohina! Marina fa tsy maintsy misy ny vato mahatafintohina, kanefa hahita loza izay mametraka an\u2019izany!",
        "8": "Raha mahatonga anao hanota \u00e0ry ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho ka ario lavitra anao. Fa aleo ianao tapa-tanana na tapa-tongotra nefa mahazo fiainana, toy izay manana tanana roa na tongotra roa nefa hatsipy any amin\u2019ny afo maharitra mandrakizay.",
        "9": "Raha mahatonga anao hanota koa ny masonao, dia esory ka ario lavitra anao. Fa aleo ianao toka-maso nefa miditra any amin\u2019ny fiainana, toy izay manana maso roa nefa hatsipy any amin\u2019ny Gehena mirehitra.",
        "10": "Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin\u2019ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin\u2019izy ireo any an-danitra dia miaraka foana amin\u2019ilay Raiko any an-danitra.",
        "11": "* \u2014\u2014",
        "12": "\u201cAhoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry 100 ka mania ny anankiray, dia tsy havelany eo an-tendrombohitra ve ny 99 ka lasa izy mikaroka an\u2019ilay ondry nania?",
        "13": "Ary raha hitany ilay izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny no mahafaly azy kokoa noho ireo 99 tsy nania.",
        "14": "Hoatr\u2019izany koa fa tsy tian\u2019ilay Raiko any an-danitra hisy ho very, na dia ny iray amin\u2019ireny madinika ireny aza.",
        "15": "\u201cRaha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa nahatafarina ny rahalahinao ianao.",
        "16": "Raha tsy mihaino kosa izy, dia mitondr\u00e0 olona iray na roa miaraka aminao, mba ho azo antoka ny zava-drehetra, noho ny tenin\u2019ny vavolombelona roa na telo.",
        "17": "Raha tsy mihaino an\u2019ireo izy, dia miresaha amin\u2019ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon\u2019izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra.",
        "18": "\u201cLazaiko marina aminareo fa izay zavatra rehetra hofatoranareo eto an-tany dia efa voafatotra any an-danitra, ary izay rehetra hovahanareo eto an-tany dia efa voavaha any an-danitra.",
        "19": "Hamafisiko aminareo indray fa raha misy roa aminareo et\u1ef3 an-tany, mifanaraka hoe hivavaka momba ny raharaha lehibe iray, dia hotanterahin\u2019ilay Raiko any an-danitra ny fangatahany.",
        "20": "Fa na aiza na aiza ivorian\u2019ny olona roa na telo amin\u2019ny anarako, dia eo afovoany aho.\u201d",
        "21": "Nanatona azy i Petera avy eo ka nanontany hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha manota amiko impiry ny rahalahiko no havelako ny helony? Hatramin\u2019ny impito ve?\u201d",
        "22": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cTsy hilaza aminao aho hoe hatramin\u2019ny im-7, fa hatramin\u2019ny im-77.",
        "23": "\u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra \u00e0ry dia azo oharina amin\u2019ny mpanjaka iray te handamina ny kaontiny amin\u2019ny mpanompony.",
        "24": "Rehefa nanomboka nitaky ny volany izy, dia nentina teo ny mpanompo iray nitrosa taminy 10\u00a0000\u00a0talenta.",
        "25": "Tsy nanam-bola hamerenana an\u2019ilay trosa anefa ilay mpanompo, ka nasain\u2019ny tompony namidy izy sy ny vady aman-janany ary ny fananany rehetra, mba handoavana an\u2019ilay trosa.",
        "26": "Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo, ka niteny hoe: \u2018Andraso moa re fa haloako daholo ny volanao\u00a0e!\u2019",
        "27": "Nangoraka azy \u00e0ry ilay tompony ka namela azy handeha, ary nahafoy an\u2019ilay trosa.",
        "28": "Nahita mpanompo iray hafa nananany 100 denaria anefa io mpanompo io rehefa niala teo, ka nisambotra sy nanakenda azy sady niteny hoe: \u2018Aloavy daholo ny volako any aminao.\u2019",
        "29": "Dia niankohoka teo anatrehany io mpanompo io sady niangavy hoe: \u2018Andraso moa re fa haloako ny volanao\u00a0e!\u2019",
        "30": "Tsy nety anefa izy fa lasa nampiditra azy tany am-ponja, mandra-pandoany ny trosany.",
        "31": "Nalahelo be ireo mpanompo hafa rehefa nahita an\u2019izany, ka lasa nitantara tamin\u2019ilay tompony ny zava-nitranga rehetra.",
        "32": "Nampiantso azy \u00e0ry ilay tompony ka nilaza taminy hoe: \u2018Ry\u00a0mpanompo ratsy fanahy, nafoiko daholo ny trosa tany aminao, noho ny fiangavianao.",
        "33": "Tsy mba tokony hamindra fo amin\u2019ny mpanompo namanao koa ve ianao, hoatran\u2019ny nataoko taminao?\u2019",
        "34": "Dia tezitra be ilay tompony ka nanolotra azy tamin\u2019ny mpiambina ny fonja, mandra-pandoany ny trosany rehetra.",
        "35": "Hoatr\u2019izany koa no hataon\u2019ilay Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin\u2019ny fonareo avy ianareo.\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Taorian\u2019ny nilazan\u2019i Jesosy an\u2019izany, dia niala tao Galilia izy ka nankany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Jodia, rehefa avy niampita ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "2": "Nisy vahoaka be nanaraka azy tany, ka nositraniny izay narary.",
        "3": "Ary nisy Fariseo nanatona azy satria te hitsapa azy, ka nanontany hoe: \u201cAzon\u2019ny lehilahy atao ve ny misaraka amin\u2019ny vadiny na inona na inona antony?\u201d",
        "4": "Dia hoy izy: \u201cAngaha mbola tsy novakinareo fa ilay namorona ny olona tany am-piandohana, dia nanao azy ho lahy sy vavy,",
        "5": "ka nilaza hoe: \u2018Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin\u2019ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa\u2019?",
        "6": "Koa tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany. Aoka \u00e0ry izay nampiraisin\u2019Andriamanitra zioga, tsy hosarahin\u2019olona.\u201d",
        "7": "Ary hoy ireo taminy: \u201cManinona \u00e0ry i Mosesy no niteny hoe mila manome taratasy fisaraham-panambadiana ny lehilahy rehefa misaraka amin\u2019ny vadiny?\u201d",
        "8": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cNoho ianareo mafy loha no nahatonga an\u2019i Mosesy hamela anareo hisara-panambadiana. Tsy mba hoatr\u2019izany anefa tany am-piandohana.",
        "9": "Lazaiko aminareo fa izay lehilahy misaraka amin\u2019ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.\u201d",
        "10": "Ary hoy ny mpianatra taminy: \u201cAleo tsy manambady raha izany no iainan\u2019ny lehilahy manambady.\u201d",
        "11": "Hoy anefa izy: \u201cTsy ny rehetra no afaka manao an\u2019izao lazaiko izao, fa izay nahazo an\u2019izany fanomezana izany ihany.",
        "12": "Fa misy tsy manambady satria manan-takaitra hatramin\u2019izy vao teraka, ary misy tsy manambady satria novosirin\u2019olona. Misy kosa minia tsy manambady noho ny Fanjakan\u2019ny lanitra. Tsara raha tsy manambady izay mahavita tsy manambady.\u201d",
        "13": "Ary nisy zaza nentina teo aminy mba hametrahany tanana sy hanaovany vavaka, nefa nobedesin\u2019ny mpianatra ireny.",
        "14": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cAvelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana, fa an\u2019izay hoatr\u2019azy ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u201d",
        "15": "Dia nametra-tanana tamin\u2019izy ireny izy dia lasa.",
        "16": "Ary iny nisy tovolahy nanatona azy, ka niteny hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, inona ny zavatra tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?\u201d",
        "17": "Dia hoy i Jesosy: \u201cManinona ianao no manontany ahy momba an\u2019izay tsara? Iray ihany no tsara. Raha te hahazo fiainana anefa ianao, dia ankatoavy foana ny didy.\u201d",
        "18": "Dia hoy ilay tovolahy: \u201cInona avy izany?\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cNy hoe: Aza mamono olona, aza manitsakitsa-bady, aza mangalatra, aza mijoro ho vavolombelona mandainga,",
        "19": "hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u201d",
        "20": "Dia hoy ilay tovolahy: \u201cEfa narahiko daholo izany, ka inona no mbola mila ataoko?\u201d",
        "21": "Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cRaha te ho lavorary ianao, dia mandehana amidio ny fanananao ary omeo ho an\u2019ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.\u201d",
        "22": "Nalahelo anefa ilay tovolahy rehefa naheno an\u2019izany ka lasa. Be dia be mantsy ny fananany.",
        "23": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ny mpianany: \u201cLazaiko marina aminareo fa ho sarotra amin\u2019ny mpanankarena ny hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.",
        "24": "Ary hamafisiko ihany fa mora kokoa ny hidiran\u2019ny rameva ao amin\u2019ny vodifanjaitra, noho ny hidiran\u2019ny mpanankarena ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "25": "Gaga be ny mpianatra rehefa naheno an\u2019izany, ka hoy izy ireo: \u201cDia mba hisy ho voavonjy ihany ve raha izany?\u201d",
        "26": "Dia nijery tsara azy ireo i Jesosy sady niteny hoe: \u201cTsy hain\u2019olombelona izany, fa hain\u2019Andriamanitra ny zava-drehetra.\u201d",
        "27": "Ary hoy i Petera taminy: \u201cEfa nahafoy ny zava-drehetra izahay dia nanaraka anao. Dia inona izany no ho azonay?\u201d",
        "28": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cLazaiko marina aminareo fa amin\u2019ny fotoanan\u2019ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambonin\u2019ny seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak\u2019olona. Amin\u2019izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana 12 koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko 12 eo amin\u2019ny Israely.",
        "29": "Ary izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo avo 100\u00a0heny raha oharina amin\u2019izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.",
        "30": "\u201cMaro amin\u2019ireo voalohany anefa no ho farany, ary ny farany ho voalohany."
    },
    "20": {
        "1": "\u201cFa ny Fanjakan\u2019ny lanitra dia toy ny lehilahy iray nanana tanimboaloboka. Nandeha maraina be izy mba hanakarama olona hiasa ny tanimboalobony.",
        "2": "Ary nifanaraka tamin\u2019ireo mpiasa izy hoe iray denaria isan\u2019andro no karama, dia nalefany nankany an-tanimboalobony izy ireo.",
        "3": "Nandeha indray ilay lehilahy tamin\u2019ny ora fahatelo teo ho eo, ka nahita olon-kafa nijorojoro fotsiny teny an-tsena.",
        "4": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u2018Mandehana koa ianareo any an-tanimboaloboka, dia homeko anareo izay tokony ho karamanareo.\u2019",
        "5": "Dia lasa ry\u00a0zareo. Nankeny an-tsena indray ilay lehilahy tamin\u2019ny ora fahenina sy fahasivy teo ho eo, ary mbola nanao hoatr\u2019izany koa.",
        "6": "Farany, dia nankeny an-tsena indray izy tamin\u2019ny ora faha-11 teo ho eo ka nahita olon-kafa nijorojoro. Ary hoy izy: \u2018Maninona ianareo no nijorojoro fotsiny teto androany tontolo?\u2019",
        "7": "Dia hoy ireo taminy: \u2018Satria tsy nisy nanakarama anay.\u2019 Ary hoy ilay lehilahy: \u2018Mandehana koa ianareo any an-tanimboaloboka.\u2019",
        "8": "\u201cRehefa hariva ny andro, dia hoy izy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpiasany: \u2018Antsoy ny mpiasa dia aloavy ny karamany, ka atombohy avy any amin\u2019ny farany mankany amin\u2019ny voalohany.\u2019",
        "9": "Rehefa tonga ireo mpiasa izay nanomboka tamin\u2019ny ora faha-11, dia samy nahazo iray denaria avy.",
        "10": "Rehefa tonga \u00e0ry ireo niasa voalohany, dia nieritreritra ny hahazo betsaka kokoa. Iray denaria isan\u2019olona koa anefa no nomena azy.",
        "11": "Dia nitaraina tamin\u2019ilay tompon\u2019ny tanimboaloboka izy ireo rehefa nahazo an\u2019izany,",
        "12": "ka niteny hoe: \u2018Tsy niasa afa-tsy adiny iray fotsiny ireo farany ireo, kanefa nataonao mitovy karama aminay. Izahay anefa niasa mafy tontolo andro sy niaritra ny hafanana migaingaina!\u2019",
        "13": "Dia hoy izy tamin\u2019ny iray tamin\u2019ireo: \u2018Tsy manao ny tsy rariny aminao aho ka! Angaha tsy iray denaria no nifanarahantsika?",
        "14": "Raiso ny anao, dia mandehana. Tiako homena hoatran\u2019ny anao koa ireo farany ireo.",
        "15": "Izaho angaha tsy mahazo manao izay tiako amin\u2019ny fananako? Sa ianao mialona satria hoe tsara fanahy aho?\u2019",
        "16": "Dia hoatr\u2019izany koa fa ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.\u201d",
        "17": "Rehefa niakatra ho any Jerosalema i Jesosy, dia nentiny nihataka kely ny mpianatra 12\u00a0lahy, ka hoy izy tamin\u2019izy ireo teny an-dalana:",
        "18": "\u201cMiakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ny Zanak\u2019olona. Dia homelohin\u2019izy ireo ho faty izy,",
        "19": "ary hatolony amin\u2019ny hafa firenena mba hihomehezany sy hokaravasiny ary hovonoiny eo amin\u2019ny tsato-kazo. Dia hatsangana izy amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d",
        "20": "Ary nanatona azy ny renin\u2019izy roa lahy zanak\u2019i Zebedio, niaraka tamin\u2019izy mirahalahy. Dia niankohoka ilay ramatoa satria te hangataka zavatra taminy.",
        "21": "Ary hoy i Jesosy: \u201cFa inona no tadiavinao?\u201d Dia hoy ilay ramatoa: \u201cRehefa ao amin\u2019ny Fanjakanao ianao, dia aleo re mba hipetraka eo akaikinao ireto zanako ireto\u00a0e! Dia ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao.\u201d",
        "22": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy azonareo an-tsaina mihitsy izany angatahinareo izany. Vitanareo ve ny hisotro amin\u2019ilay kaopy isotroako?\u201d Dia hoy ireo: \u201cVitanay izany ka!\u201d",
        "23": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cHisotro amin\u2019ny kaopiko tokoa ianareo. Tsy anjarako anefa ny manendry an\u2019izay hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, fa izay nofidin\u2019ny Raiko ihany no hahazo an\u2019izany toerana izany.\u201d",
        "24": "Ary tezitra tamin\u2019izy mirahalahy izy folo lahy rehefa naheno an\u2019izany.",
        "25": "Nantsoin\u2019i Jesosy hankeo aminy anefa izy ireo, dia noteneniny hoe: \u201cFantatrareo fa manjakazaka amin\u2019ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra fahefana ireo lehibe.",
        "26": "Tsy tokony ho toy izany kosa eo aminareo. Fa izay te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,",
        "27": "ary izay te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.",
        "28": "Toy izany koa ny Zanak\u2019olona: Tsy tonga mba hotompoina izy fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon\u2019ny olona maro.\u201d",
        "29": "Rehefa nivoaka avy tao Jeriko izy ireo, dia nisy vahoaka be nanaraka azy.",
        "30": "Nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ka rehefa henon\u2019izy ireo fa nandalo i Jesosy, dia niantsoantso izy ireo hoe: \u201cRy\u00a0Tompo Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4, mba iantrao izahay!\u201d",
        "31": "Ary nibedy azy roa lahy ny vahoaka sady niteny azy mba hangina, nefa vao mainka izy ireo niantsoantso mafy hoe: \u201cRy\u00a0Tompo Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4, mba iantrao izahay!\u201d",
        "32": "Nijanona \u00e0ry i Jesosy, dia niantso azy roa lahy ka niteny hoe: \u201cInona no tianareo hataoko aminareo?\u201d",
        "33": "Dia hoy ireo taminy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, mba ataovy mahita ny masonay!\u201d",
        "34": "Nangoraka azy i Jesosy dia nikasika ny masony. Tonga\u00a0dia nahita izy ireo ka nanaraka azy."
    },
    "21": {
        "1": "Rehefa nanakaiky an\u2019i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga, teo amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesosy.",
        "2": "Hoy izy: \u201cMandehana ao amin\u2019ir\u1ef3 tan\u00e0na kely ir\u1ef3. Tonga\u00a0dia hahita ampondra mifatotra miaraka amin\u2019ny zanany ianareo ao. Vahao ireo dia ento at\u1ef3 amiko.",
        "3": "Ary raha misy manontany anareo, dia teneno hoe: \u2018Misy ilan\u2019ny Tompo azy.\u2019 Dia tonga\u00a0dia halefany ireo.\u201d",
        "4": "Nitranga tokoa izany mba ho tanteraka izay nasaina nolazain\u2019ny mpaminany hoe:",
        "5": "\u201cTeneno i Ziona zanakavavy hoe: \u2018Iny tonga at\u1ef3 aminao iny ny mpanjakanao. Malemy fanahy izy, ary mitaingina ampondra, dia zanak\u2019ampondra, izay zanaky ny biby mpitondra entana.\u2019\u201d",
        "6": "Dia lasa ireo mpianatra\u00a0ireo nanao an\u2019izay nasain\u2019i Jesosy nataony.",
        "7": "Nentin\u2019izy roa lahy ilay ampondra sy ny zanany, ka napetrany teo ambonin\u2019ireo\u00a0ny akanjon\u2019izy ireo ivelany, dia nitaingina teo i Jesosy.",
        "8": "Ny ankamaroan\u2019ny vahoaka kosa namelatra ny akanjony ivelany teo amin\u2019ny lalana. Nisy indray nanapaka sampan-kazo dia namelatra an\u2019izany teo amin\u2019ny lalana.",
        "9": "Nisy vahoaka koa nandeha nialoha an\u2019i Jesosy sy nanaraka tao aorianany, sady niantsoantso tsy an-kijanona hoe: \u201cMba vonjeo re ny Zanak\u2019i Davida\u00a0e! Hotahina anie ilay tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah! Mba vonjeo re izy, ry any amin\u2019ny avo indrindra\u00a0\u00f4!\u201d",
        "10": "Rehefa niditra tao Jerosalema izy, dia nisahotaka ny iray tan\u00e0na, sady niteny hoe: \u201cFa iza io\u00a0e?\u201d",
        "11": "Dia namerimberina niteny ny vahoaka hoe: \u201cIo no Jesosy mpaminany, avy any Nazareta any Galilia!\u201d",
        "12": "Ary niditra tao amin\u2019ny tempoly i Jesosy ka noroahiny daholo izay nivarotra sy nividy tao. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan\u2019ny mpivarotra voromailala.",
        "13": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cVoasoratra hoe: \u2018Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana\u2019, nefa ianareo manao azy ho lava-bato fiafenan\u2019ny jiolahy.\u201d",
        "14": "Nisy jamba sy malemy tongotra koa nanatona azy tao amin\u2019ny tempoly, ka nositraniny.",
        "15": "Ary tezitra ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na, rehefa nahita ny zava-mahagaga nataony sy ny ankizilahy niantsoantso mafy tao amin\u2019ny tempoly hoe: \u201cMba vonjeo re ny Zanak\u2019i Davida\u00a0e!\u201d",
        "16": "Dia hoy izy ireo: \u201cHenonao ve izany tenin\u2019ireo izany?\u201d Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cIe. Angaha mbola tsy novakinareo mihitsy ilay hoe: \u2018Avy amin\u2019ny vavan\u2019ny ankizy sy ny zaza no amoahanao fiderana\u2019?\u201d",
        "17": "Ary nandao an\u2019ireo izy ka niala tao an-tan\u00e0na mba ho any Betania, dia natory tany ny alin\u2019iny.",
        "18": "Ary noana izy tamin\u2019izy niverina tao an-tan\u00e0na ny ampitso vao maraina.",
        "19": "Nahita aviavy teo amoron-dalana izy ka nankeo, nefa tsy nahita afa-tsy raviny fotsiny. Ary hoy izy tamin\u2019ilay hazo: \u201cEnga anie tsy hamoa intsony ianao mandrakizay!\u201d Dia tonga\u00a0dia nalazo ilay hazo.",
        "20": "Gaga ny mpianatra rehefa nahita an\u2019izany, ka niteny hoe: \u201cFa maninona no tonga\u00a0dia nalazo ilay aviavy?\u201d",
        "21": "Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: \u201cLazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia ho vitanareo izay nataoko tamin\u2019ilay aviavy. Raha miteny amin\u2019ity tendrombohitra ity koa aza ianareo hoe: \u2018Mial\u00e0 eto dia mianjer\u00e0 any an-dranomasina\u2019, dia hitranga tokoa izany.",
        "22": "Ary ho azonareo daholo izay angatahinareo amin\u2019ny vavaka, raha manam-pinoana ianareo.\u201d",
        "23": "Rehefa nankao amin\u2019ny tempoly izy, dia nanatona azy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahin\u2019ny vahoaka, tamin\u2019izy mbola nampianatra tao. Ary hoy izy ireo: \u201cFahefana avy aiza no anaovanao an\u2019izao? Ary iza no nanome anao an\u2019izany fahefana izany?\u201d",
        "24": "Dia hoy i Jesosy: \u201cIzaho koa mba hanontany zavatra iray aminareo. Raha valianareo ilay izy, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an\u2019izao:",
        "25": "Avy aiza no nahazoan\u2019i Jaona fahefana hanao batisa? Avy any an-danitra sa avy amin\u2019ny olona?\u201d Dia nifampiresaka ireo hoe: \u201cRaha miteny izao isika hoe: \u2018Avy any an-danitra\u2019, dia hiteny izy hoe: \u2018Koa naninona ianareo no tsy nino azy?\u2019",
        "26": "Raha miteny anefa isika hoe: \u2018Avy amin\u2019ny olona\u2019, dia ny vahoaka indray no atahorantsika, satria mihevitra daholo ry\u00a0zareo hoe mpaminany i Jaona.\u201d",
        "27": "Hoy \u00e0ry izy ireo tamin\u2019i Jesosy: \u201cTsy fantatray.\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cIzaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an\u2019izao.",
        "28": "\u201cAhoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Nankeo amin\u2019ilay voalohany izy ka niteny hoe: \u2018Mandehana, anaka, miasa any an-tanimboaloboka androany.\u2019",
        "29": "Dia namaly ilay zanany hoe: \u2018Izaho tsy handeha.\u2019 Nanenina anefa izy avy eo ka nandeha ihany.",
        "30": "Nankeo amin\u2019ilay zanany faharoa indray ilay lehilahy, ka niteny hoatr\u2019izany koa. Dia namaly io hoe: \u2018Eny, tompoko, handeha aho.\u2019 Tsy nandeha anefa izy.",
        "31": "Iza amin\u2019izy mirahalahy \u00e0ry no nanao ny sitrapon\u2019ny rainy?\u201d Dia hoy ireo: \u201cIlay voalohany.\u201d Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cLazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena no hiditra alohanareo any amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "32": "Fa tonga teo aminareo i Jaona ka nampianatra ny lalan\u2019ny fahamarinana, kanefa tsy nino azy ianareo. Ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena kosa nino azy. Ary na dia efa nahita an\u2019izany aza ianareo, dia mbola tsy nanenina ihany, sady tsy nino azy.",
        "33": "\u201cHenoy indray izao fanoharana izao: Nanana tany ny lehilahy iray ka nanao tanimboaloboka, ary nofefeny ny manodidina. Dia nihady lavaka famiazam-boaloboka teo izy ary nanangana tilikambo. Nampanofainy tamin\u2019ny mpamboly ilay izy avy eo, dia lasa nankany an-tany hafa izy.",
        "34": "Rehefa masaka ny voaloboka, dia nirahiny ho any amin\u2019ny mpamboly ny mpanompony mba hanangona ny anjarany.",
        "35": "Nosamborin\u2019ny mpamboly anefa izy ireo, ka ny iray nokapohiny, ny iray novonoiny, ary ny iray notorahany vato ho faty.",
        "36": "Naniraka mpanompo betsaka kokoa noho ny teo aloha indray ilay lehilahy, kanefa mbola nataon\u2019ireo hoatr\u2019izany koa.",
        "37": "Farany, nirahiny tany amin\u2019ireo ny zanany lahy, fa hoy izy: \u2018Mba hohajain\u2019ireny kosa ny zanako\u00a0e!\u2019",
        "38": "Rehefa nahita an\u2019ilay zanany anefa ny mpamboly, dia nifampiresaka hoe: \u2018Iny ny mpandova! Andao izy hovonointsika, dia amin\u2019izay lasantsika ny lovany!\u2019",
        "39": "Koa nosamborin\u2019ireo izy ka notaritaritiny teny ivelan\u2019ny tanimboaloboka, dia novonoiny ho faty.",
        "40": "Rehefa tonga \u00e0ry ilay tompon\u2019ny tanimboaloboka, dia hataony ahoana ireo mpamboly ireo?\u201d",
        "41": "Ary hoy ireo nihaino azy: \u201cHaripany daholo ireo satria ratsy fanahy. Ilay tanimboaloboka kosa hampanofainy amin\u2019ny mpamboly hafa, izay hanome azy ny anjarany rehefa miakatra ny vokatra.\u201d",
        "42": "Ary hoy i Jesosy taminy: \u201cAngaha mbola tsy novakinareo tao amin\u2019ny Soratra Masina mihitsy ilay hoe: \u2018Ny vato tsy tian\u2019ny mpanao trano no lasa vato fehizoro lehibe indrindra. Avy amin\u2019i Jehovah izany sady mahavariana antsika\u2019?",
        "43": "Izao \u00e0ry no lazaiko aminareo: Hesorina aminareo ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, ka homena an\u2019izay firenena mamokatra voa mendrika an\u2019ilay Fanjakana.",
        "44": "Ho potipotika izay mianjera eo amin\u2019io vato io, ary ho torotoro izay ianjerany.\u201d",
        "45": "Rehefa naheno an\u2019ireo fanoharana ireo ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo, dia takany hoe izy ireo no noresahin\u2019i Jesosy.",
        "46": "Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo, na dia te hisambotra azy aza. Nihevitra an\u2019i Jesosy ho mpaminany mantsy ny vahoaka."
    },
    "22": {
        "1": "Mbola nanao fanoharana ihany i Jesosy, rehefa niresaka tamin\u2019izy ireo, hoe:",
        "2": "\u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra dia azo oharina amin\u2019ny mpanjaka iray nanao fanasambe tamin\u2019ny fampakaram-badin\u2019ny zanany lahy.",
        "3": "Ary nirahiny ny mpanompony hiantso an\u2019ireo nasaina ho any amin\u2019ilay fanasambe, nefa tsy nety ireo nasaina.",
        "4": "Naniraka mpanompo hafa indray izy, ka niteny hoe: \u2018Teneno ireo nasaina hoe: \u201cEfa voaomako ny sakafo antoandro, ary efa novonoiko ny ombiko sy ny biby nohataveziko, ka vonona ny zava-drehetra. Tongava \u00e0ry at\u1ef3 amin\u2019ny fanasambe.\u201d\u2019",
        "5": "Tsy niraharaha anefa ireo nasaina ireo, fa ny iray lasa nankany amin\u2019ny sahany, ny iray nandeha nivarotra,",
        "6": "ary ny sisa kosa nisambotra ny mpanompon\u2019ilay mpanjaka, ka nanompa sy nampijaly azy ary namono azy ho faty.",
        "7": "\u201cAry tezitra be ilay mpanjaka, ka nandefa ny tafiny hamono an\u2019ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tan\u00e0nany.",
        "8": "Hoy izy avy eo tamin\u2019ny mpanompony: \u2018Efa vonona ilay fanasambe, nefa tsy mendrika ireo nasaina.",
        "9": "Mandehana \u00e0ry eny amin\u2019ny lalana mankeny ivelan\u2019ny tan\u00e0na, dia asao ho amin\u2019ilay fanasambe daholo izay olona hitanareo.\u2019",
        "10": "Koa lasa nankeny an-dalana ireo mpanompo ireo ka nangoniny daholo izay hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy. Dia feno olona nisakafo ilay efitra fanaovana fampakaram-bady.",
        "11": "\u201cRehefa niditra mba hijery an\u2019ireo nasaina ilay mpanjaka, dia nahita lehilahy iray tsy nanao akanjo fitondra amin\u2019ny fampakaram-bady.",
        "12": "Ary hoy izy taminy: \u2018Ahoana no nahatafiditra anao tato, nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin\u2019ny fampakaram-bady?\u2019 Dia tsy nahateny ilay lehilahy.",
        "13": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019ny mpanompony: \u2018Afatory ny tanany sy ny tongony, dia atsipazo any amin\u2019ny haizina any ivelany any izy. Any izy no hitomany sy hihidy vazana.\u2019",
        "14": "\u201cFa maro no asaina, nefa vitsy no fidina.\u201d",
        "15": "Dia lasa ny Fariseo ka niray tetika hamandrika an\u2019i Jesosy amin\u2019ny teniny.",
        "16": "Nirahin\u2019izy ireo nankany amin\u2019i Jesosy \u00e0ry ny mpianatr\u2019izy ireo, niaraka tamin\u2019ny mpanohana an\u2019i Heroda, hiteny hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady mampianatra ny marina momba an\u2019Andriamanitra. Tsy mba mila sitraka amin\u2019ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan\u2019olona.",
        "17": "Lazao aminay \u00e0ry izay hevitrao: Azo atao ve sa tsia ny mandoa hetra amin\u2019i Kaisara?\u201d",
        "18": "Fantatr\u2019i Jesosy anefa fa ratsy saina izy ireo, ka hoy izy: \u201cRy\u00a0mpihatsaravelatsihy, maninona ianareo no mitsapa ahy?",
        "19": "Asehoy ahy ny vola madinika andoavana hetra.\u201d Dia nitondran\u2019ireo denaria iray izy.",
        "20": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cSarin\u2019iza io, dia anaran\u2019iza io?\u201d",
        "21": "Hoy izy ireo: \u201cAn\u2019i Kaisara.\u201d Dia hoy izy: \u201cAloavy amin\u2019i Kaisara \u00e0ry izay an\u2019i Kaisara, fa amin\u2019Andriamanitra kosa izay an\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "22": "Gaga izy ireo rehefa naheno an\u2019izany, dia lasa nandeha.",
        "23": "Tamin\u2019iny andro iny dia nanatona azy koa ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan\u2019ny maty, ka nanontany azy hoe:",
        "24": "\u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, nilaza i Mosesy hoe: \u2018Raha maty tsy niteraka ny lehilahy iray, dia tsy maintsy manambady an\u2019ilay vady navelany ny rahalahiny ka hanome taranaka ho an\u2019ilay rahalahiny efa maty.\u2019",
        "25": "Nisy fito mirahalahy \u00e0ry teto aminay. Nanambady ilay voalohany, dia maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an\u2019ny rahalahiny.",
        "26": "Hoatr\u2019izany koa no nanjo an\u2019ilay faharoa sy fahatelo, hatramin\u2019ilay fahafito.",
        "27": "Maty koa ilay vehivavy tamin\u2019ny farany.",
        "28": "Koa rehefa atsangana ny maty, ho vadin\u2019iza amin\u2019izy fito mirahalahy ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy rehetra.\u201d",
        "29": "Dia namaly azy i Jesosy hoe: \u201cDiso hevitra ianareo, satria samy tsy hainareo na ny Soratra Masina na ny herin\u2019Andriamanitra.",
        "30": "Fa rehefa atsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa hitovy amin\u2019ny anjely any an-danitra.",
        "31": "Angaha mbola tsy novakinareo izay nolazain\u2019Andriamanitra taminareo momba ny fitsanganan\u2019ny maty, hoe:",
        "32": "\u2018Izaho no Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba\u2019? Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an\u2019ny velona.\u201d",
        "33": "Dia gaga tamin\u2019ny fampianarany ny vahoaka, rehefa naheno an\u2019izany.",
        "34": "Rehefa henon\u2019ny Fariseo hoe nataon\u2019i Jesosy tsy nahateny ny Sadoseo, dia niaraka nankeo aminy izy ireo.",
        "35": "Ary nitsapa azy ny iray taminy, izay nahay Lal\u00e0na, ka nanontany hoe:",
        "36": "\u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, inona no didy lehibe indrindra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na?\u201d",
        "37": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201c\u2018Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.\u2019",
        "38": "Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.",
        "39": "Ny faharoa, izay hoatr\u2019izany ihany, dia izao: \u2018Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u2019",
        "40": "Ireo didy roa ireo no fototry ny Lal\u00e0na manontolo sy ny Mpaminany.\u201d",
        "41": "Raha mbola teo ny Fariseo, dia nanontanian\u2019i Jesosy hoe:",
        "42": "\u201cAhoana ny hevitrareo momba an\u2019i Kristy? Zanak\u2019iza moa izy?\u201d Dia hoy ireo taminy: \u201cZanak\u2019i Davida.\u201d",
        "43": "Ary nanontany azy ireo izy hoe: \u201cKoa maninona i Davida no niantso azy hoe Tompo, rehefa notarihin\u2019ny fanahy masina, ka niteny hoe:",
        "44": "\u2018Hoy i Jehovah tamin\u2019ny Tompoko: \u201cMipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao\u201d\u2019?",
        "45": "Koa raha niantso azy hoe Tompo i Davida, dia ahoana no maha zanany azy?\u201d",
        "46": "Ary tsy nisy nahavaly azy, sady tsy nisy sahy nanontany azy intsony nanomboka tamin\u2019iny andro iny."
    },
    "23": {
        "1": "Ary hoy i Jesosy tamin\u2019ny vahoaka sy ny mpianany:",
        "2": "\u201cMaka ny toeran\u2019i Mosesy ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo.",
        "3": "Koa ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, nefa aza manao an\u2019izay ataony, satria miteny izy nefa tsy ataony akory izay lazainy.",
        "4": "Enta-mavesatra no fatorany ka apetrany eo an-tsoroky ny olona, nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika an\u2019izany amin\u2019ny rantsantanany.",
        "5": "Izay rehetra ataony dia ataony mba hisehosehoana amin\u2019ny olona fotsiny. Halehibeaziny, ohatra, ny azy ilay boaty misy andininy ao amin\u2019ny Soratra Masina, izay ataony eny aminy mba ho ody fiaro. Ary ataony lava kokoa ny mikiramborambo amin\u2019ny morontongotr\u2019akanjony.",
        "6": "Tiany ny toerana mihaja indrindra any amin\u2019ny sakafo hariva, ny toerana eny aloha ao amin\u2019ny synagoga,",
        "7": "ny hoarahabaina eny an-tsena, ary ny hantsoin\u2019ny olona hoe Raby.",
        "8": "Fa ianareo kosa, aza mety hantsoina hoe Raby, satria iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy daholo ianareo.",
        "9": "Aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany koa, fa iray ihany ny Rainareo, dia Ilay any an-danitra.",
        "10": "Ary aza mety hantsoina hoe mpitarika, fa iray ihany ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.",
        "11": "Izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.",
        "12": "Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.",
        "13": "\u201cHahita loza ianareo mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo mpihatsaravelatsihy, satria hidianareo eo anoloan\u2019ny olona ny Fanjakan\u2019ny lanitra! Ianareo tsy miditra, nefa izay te hiditra tsy avelanareo hiditra.",
        "14": "* \u2014\u2014",
        "15": "\u201cHahita loza ianareo mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo mpihatsaravelatsihy, satria mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hitaomana olona iray hiova finoana! Ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny ho any amin\u2019ny Gehena mihoatra noho ianareo.",
        "16": "\u201cHahita loza ianareo mpitarika jamba, izay milaza hoe: \u2018Raha misy mianiana amin\u2019ny tempoly, dia tsy mampaninona izany. Fa raha misy mianiana amin\u2019ny volamenan\u2019ny tempoly kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.\u2019",
        "17": "Ry\u00a0adala sy jamba! Inona no zava-dehibe kokoa: Ilay volamena sa ny tempoly izay mahatonga an\u2019ilay volamena ho masina?",
        "18": "Hoy koa ianareo: \u2018Raha misy mianiana amin\u2019ny alitara, dia tsy mampaninona izany. Fa raha misy mianiana amin\u2019ny fanomezana eo amboniny kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.\u2019",
        "19": "Ry jamba! Inona no zava-dehibe kokoa: Ilay fanomezana sa ilay alitara izay mahatonga an\u2019ilay fanomezana ho masina?",
        "20": "Koa izay mianiana amin\u2019ny alitara dia mianiana amin\u2019ny alitara sy amin\u2019izay rehetra eo amboniny.",
        "21": "Izay mianiana amin\u2019ny tempoly koa dia mianiana amin\u2019ny tempoly sy amin\u2019Ilay mipetraka ao.",
        "22": "Ary izay mianiana amin\u2019ny lanitra dia mianiana amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019Andriamanitra sy amin\u2019Ilay mipetraka eo amboniny.",
        "23": "\u201cHahita loza ianareo mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Manome ny ampahafolon\u2019ny solila sy ny aneta ary ny komina mantsy ianareo, nefa tsy raharahianareo izay mavesa-danja kokoa ao amin\u2019ny Lal\u00e0na, izany hoe ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana. Tsy maintsy omena ny ampahafolon\u2019ireny, nefa tsy maintsy atao koa ireo zavatra hafa ireo.",
        "24": "Ry\u00a0mpitarika jamba! Tantavaninareo ny moka amin\u2019ny zavatra sotroinareo, nefa ny rameva atelinareo!",
        "25": "\u201cHahita loza ianareo mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Hoatran\u2019ny kaopy sy vilia madio ivelany mantsy ianareo, nefa ao anatinareo ianareo tsy mety afa-po sady tsy mahafehy tena.",
        "26": "Ry\u00a0Fariseo jamba, diovy aloha ny ao anatin\u2019ny kaopy sy ny vilia, mba hadio koa ny ivelany.",
        "27": "\u201cHahita loza ianareo mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Ianareo mantsy hoatran\u2019ny fasana voalalotra fotsy, izay tsara tarehy er\u1ef3 et\u1ef3 ivelany, nefa ao anatiny ao feno taolam-paty sy fahalotoana isan-karazany.",
        "28": "Hoatr\u2019izany koa ianareo: Et\u1ef3 ivelany ianareo hoatran\u2019ny hoe olo-marina, nefa ao anatinareo ao feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dal\u00e0na.",
        "29": "\u201cHahita loza ianareo mpanora-dal\u00e0na sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Manamboatra ny fasan\u2019ny mpaminany sy mandravaka ny fasan\u2019ny olo-marina mantsy ianareo,",
        "30": "sady milaza hoe: \u2018Raha velona tamin\u2019ny andron\u2019ny razambenay izahay, dia tsy ho niaraka taminy nandatsaka ny ran\u2019ny mpaminany.\u2019",
        "31": "Koa ianareo ihany no miampanga ny tenanareo ho zanak\u2019ireo namono ny mpaminany.",
        "32": "Vitao tanteraka \u00e0ry ny asa natomboky ny razambenareo.",
        "33": "\u201cRy taranaky ny bibilava misy poizina, hataonareo ahoana ny handositra ny fanamelohana ho any amin\u2019ny Gehena?",
        "34": "Noho izany, dia maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso ho any aminareo aho. Ny sasany hovonoinareo ho faty sy hofantsihanareo amin\u2019ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo ao amin\u2019ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tan\u00e0na.",
        "35": "Dia amin\u2019izay hivaly aminareo daholo ny ran\u2019ny olo-marina nalatsaka teto an-tany, hatramin\u2019ny ran\u2019i Abela ka hatramin\u2019ny ran\u2019i Zakaria, zanak\u2019i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan\u2019ny toerana masina sy ny alitara.",
        "36": "Lazaiko marina aminareo fa hanody an\u2019ity taranaka ity izany rehetra izany.",
        "37": "\u201cRy Jerosalema, ry\u00a0Jerosalema, ilay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an\u2019izay irahina ho any aminao! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, hoatran\u2019ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany, nefa tsy nety ianareo.",
        "38": "Dia avela ho anareo eo ny tranonareo!",
        "39": "Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo manomboka izao, mandra-pilazanareo hoe: \u2018Hotahina anie ilay tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah!\u2019\u201d"
    },
    "24": {
        "1": "Tamin\u2019i Jesosy niala tao amin\u2019ny tempoly, dia nanatona azy ny mpianany mba hampiseho azy an\u2019ireo trano tao amin\u2019ny tempoly.",
        "2": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cHitanareo ve ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanaingina mihitsy eo, fa harodana daholo.\u201d",
        "3": "Tamin\u2019izy nipetrapetraka teo amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva, dia nanatona azy mitokana ny mpianany, ka niteny hoe: \u201cLazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana hoe efa manatrika ianao ary efa akaiky ny faran\u2019izao tontolo izao?\u201d",
        "4": "Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: \u201cMitandrema sao hisy hamitaka anareo.",
        "5": "Fa maro no hisandoka ny anarako, dia hiteny hoe: \u2018Izaho no Kristy\u2019, ka be dia be no ho voafitany.",
        "6": "Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa. Aza matahotra anefa, fa tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.",
        "7": "\u201cFa hisy firenena hiady amin\u2019ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin\u2019ny fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin\u2019ny toerana samihafa.",
        "8": "Izany rehetra izany no fiandohan\u2019ny fahoriana.",
        "9": "\u201cDia henjehin\u2019ny olona ianareo ka hovonoiny ho faty. Ary ho halan\u2019ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.",
        "10": "Betsaka koa no hiala amin\u2019ny finoana sy hamadika ny namany ary hifankahala.",
        "11": "Hisy mpaminany sandoka be dia be koa hipoitra ka hamitaka olona maro.",
        "12": "Ary hihalefy ny fitiavan\u2019ny olona maro satria hihabetsaka ny mpandika lal\u00e0na.",
        "13": "Fa izay miaritra hatramin\u2019ny farany no hovonjena.",
        "14": "Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran\u2019ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin\u2019ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.",
        "15": "\u201cRehefa hitanareo mitsangana ao amin\u2019ny toerana masina \u00e0ry ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana, araka ny nolazain\u2019i Daniela mpaminany\u2014aoka ny mpamaky handinika tsara\u2014,",
        "16": "dia mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia.",
        "17": "Izay any an-tampon-trano koa tsy tokony hidina haka ny fananany ao an-tranony,",
        "18": "ary izay any an-tsaha tsy tokony hiverina haka ny akanjony ivelany.",
        "19": "Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mampinono, amin\u2019izany andro izany!",
        "20": "Mivavaha foana mba tsy ho amin\u2019ny ririnina na amin\u2019ny andro sabata ianareo no handositra.",
        "21": "Fa amin\u2019izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy hoatr\u2019izany hatramin\u2019ny niandohan\u2019izao tontolo izao ka hatramin\u2019izao, sady tsy hisy intsony.",
        "22": "Raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy. Noho ny olom-boafidy anefa, dia hohafohezina izany andro izany.",
        "23": "\u201cAry aza mino raha misy milaza aminareo hoe: \u2018At\u1ef3 Kristy!\u2019, na hoe: \u2018Ar\u1ef3 izy!\u2019",
        "24": "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka ho avy, ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana, satria tiany hofitahina hatramin\u2019ny olom-boafidy, raha azony atao.",
        "25": "Efa mampitandrina anareo aho izao.",
        "26": "Koa aza mivoaka ny trano raha misy milaza aminareo hoe: \u2018Any an-tany efitra izy.\u2019 Aza mino koa raha misy milaza hoe: \u2018Ao amin\u2019ny efitra anatiny izy.\u2019",
        "27": "Fa ho toy ny tselatra avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana ny fanatrehan\u2019ny Zanak\u2019olona.",
        "28": "Any amin\u2019izay misy ny faty no hiangonan\u2019ny voromahery.",
        "29": "\u201cAorian\u2019ilay fahoriana amin\u2019izany andro izany avy hatrany, dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin\u2019ny lanitra.",
        "30": "Avy eo dia hiseho eny amin\u2019ny lanitra ny famantarana ny Zanak\u2019olona. Dia hikapo-tratra noho ny alahelo ny foko rehetra eto an-tany. Ho hitan\u2019izy ireo ho avy eny amin\u2019ny rahon\u2019ny lanitra ny Zanak\u2019olona, sady ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe.",
        "31": "Ary hotsofina mafy ny trompetra, dia hirahiny ny anjeliny ka hangonin\u2019izy ireo avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra ny olom-boafidiny, avy any amin\u2019ny faravodilanitra rehetra.",
        "32": "\u201cMak\u00e0 lesona avy amin\u2019ity fanoharana momba ny aviavy ity: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka manomboka misy raviny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.",
        "33": "Hoatr\u2019izany koa fa rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, efa eo am-baravarana.",
        "34": "Lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon\u2019izany rehetra izany.",
        "35": "Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.",
        "36": "\u201cTsy misy mahalala an\u2019izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.",
        "37": "Fa ho toy ny tamin\u2019ny andron\u2019i Noa ihany ny fanatrehan\u2019ny Zanak\u2019olona.",
        "38": "Tamin\u2019izany andro izany mantsy, tamin\u2019ny mbola tsy tonga ny Safodrano, dia nihinana sy nisotro ny olona, ary nampaka-bady sy navoaka hampakarina, mandra-pahatongan\u2019ny andro nidiran\u2019i Noa tao amin\u2019ny sambofiara.",
        "39": "Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan\u2019ilay Safodrano nifaoka azy rehetra. Ho toy izany koa amin\u2019ny fanatrehan\u2019ny Zanak\u2019olona.",
        "40": "Hisy roa lahy any an-tsaha, ka ny iray hoentina ary ny iray havela.",
        "41": "Hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary, ka ny iray hoentina ary ny iray havela.",
        "42": "Miambena foana \u00e0ry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian\u2019ny Tomponareo.",
        "43": "\u201cTadidio izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin\u2019ny fotoam-piambenana fahafiry ny mpangalatra no ho tonga, dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho navelany hovakina ny tranony.",
        "44": "Miom\u00e0na koa \u00e0ry ianareo satria amin\u2019ny ora tsy eritreretinareo no hiavian\u2019ny Zanak\u2019olona.",
        "45": "\u201cIza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren\u2019ny tompony hikarakara an\u2019ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin\u2019ny fotoana mety?",
        "46": "Sambatra izany mpanompo izany rehefa tonga ny tompony ka mahita azy manao an\u2019izany!",
        "47": "Lazaiko marina aminareo fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.",
        "48": "\u201cFa raha miteny anakampo kosa ilay mpanompo ratsy fanahy hoe: \u2018Mba ela koa izany tompoko izany!\u2019,",
        "49": "ka manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ary miara-mihinana sy misotro amin\u2019ny mamo lava,",
        "50": "dia ho avy amin\u2019ny andro tsy ampoiziny sy amin\u2019ny ora tsy fantany ny tompony,",
        "51": "ka hanasazy azy faran\u2019izay mafy ary handefa azy any amin\u2019ny mpihatsaravelatsihy. Any izy no hitomany sy hihidy vazana."
    },
    "25": {
        "1": "\u201cAry ny Fanjakan\u2019ny lanitra dia azo oharina amin\u2019ny virjiny folo naka ny jirony, ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.",
        "2": "Ny dimy adala, ary ny dimy malina.",
        "3": "Nitondra ny jirony ireo adala, saingy tsy nitondra menaka.",
        "4": "Fa ireo malina kosa nitondra ny jirony sady nitondra menaka tao anaty fitoerany.",
        "5": "Koa satria elaela ny mpampakatra vao tonga, dia rendremana izy rehetra ka resin-tory.",
        "6": "Ary tamin\u2019ny misasakalina, dia nisy niantsoantso hoe: \u2018Iny ny mpampakatra! Mivoaha hitsena azy.\u2019",
        "7": "Dia nitsangana nanomana ny jirony daholo ireo virjiny ireo.",
        "8": "Ary hoy ireo virjiny adala tamin\u2019ireo malina: \u2018Mba omeo amin\u2019ny menakareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.\u2019",
        "9": "Namaly anefa ireo malina hoe: \u2018Angamba ireto tsy ho ampy ho antsika, fa mandehana mividy any amin\u2019ny mpivarotra.\u2019",
        "10": "Tamin-dry\u00a0zareo nandeha nividy menaka iny anefa no tonga ny mpampakatra. Dia niara-niditra taminy tao amin\u2019ny fanasambe amin\u2019ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona, ary nohidiana ny varavarana.",
        "11": "Taorian\u2019izay, dia tonga koa ireo virjiny hafa ka niteny hoe: \u2018Azafady, tompoko\u00a0\u00f4! Mba vohay izahay, tompoko\u00a0\u00f4!\u2019",
        "12": "Dia hoy izy: \u2018Tsoriko aminareo fa tsy fantatro ianareo.\u2019",
        "13": "\u201cKoa miambena foana \u00e0ry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.",
        "14": "\u201cNy Fanjakan\u2019ny lanitra koa dia hoatran\u2019ny lehilahy iray efa handeha ho any an-tany hafa. Nampiantso ny mpanompony \u00e0ry izy dia nankininy tamin\u2019izy ireo ny fananany.",
        "15": "Ny iray nomeny volafotsy dimy talenta, ny iray nomeny roa talenta, ary ny iray nomeny iray talenta, samy araka ny fahaizany avy. Dia lasa nankany an-tany hafa izy.",
        "16": "Tonga\u00a0dia nandeha ilay nomena volafotsy dimy talenta ka nampiasa an\u2019izany, dia nahazo tombony dimy.",
        "17": "Ilay nomena roa talenta koa nahazo tombony roa.",
        "18": "Fa ilay nomena iray talenta fotsiny kosa lasa nandeha nihady lavaka, ka nanafina an\u2019ilay volan\u2019ny tompony.",
        "19": "\u201cEla be tat\u1ef3 aoriana, dia tonga ilay tompon\u2019ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka an-dry\u00a0zareo momba ny kaontim-bolany.",
        "20": "Ary nanatona ilay nomena dimy talenta, ka nitondra dimy fanampiny sady niteny hoe: \u2018Nanankinanao dimy talenta aho, tompoko, dia jereo fa nahazo tombony dimy.\u2019",
        "21": "Dia hoy ilay tompony taminy: \u2018Tsara izany, ry\u00a0mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin\u2019ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra be dia be. Miaraha mifaly amin\u2019ny tomponao.\u2019",
        "22": "Nanatona koa avy eo ilay nomena roa talenta sady niteny hoe: \u2018Nanankinanao roa talenta aho, tompoko, dia jereo fa nahazo tombony roa.\u2019",
        "23": "Dia hoy ilay tompony taminy: \u2018Tsara izany, ry\u00a0mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin\u2019ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra be dia be. Miaraha mifaly amin\u2019ny tomponao.\u2019",
        "24": "\u201cFarany, dia nanatona ilay nomena iray talenta sady niteny hoe: \u2018Fantatro fa olona sarotsarotiny ianao, tompoko. Mijinja eny amin\u2019izay tsy namafazanao ianao sady manangona an\u2019izay tsy nokororohinao.",
        "25": "Dia natahotra aho dia lasa nanafina an\u2019ilay talentanao tany anaty tany. Iny ny anao.\u2019",
        "26": "Dia hoy ilay tompony: \u2018Ry\u00a0mpanompo ratsy fanahy sady kamo! Efa fantatrao fa mijinja eny amin\u2019izay tsy namafazako aho sady manangona an\u2019izay tsy nokororohiko.",
        "27": "Koa maninona raha napetrakao tany amin\u2019ny banky ny volako, amin\u2019izay ilay izy mba azoko niaraka tamin\u2019ny zanabola rehefa tonga aho?",
        "28": "\u201c\u2018Alaivo any aminy \u00e0ry ilay talenta, dia omeo an\u2019ilay manana folo talenta,",
        "29": "satria izay manana dia homena bebe kokoa ka hanana be dia be. Fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia halaina aminy.",
        "30": "Atsipazo any amin\u2019ny haizina any ivelany any io mpanompo tsy misy ilana azy io. Any izy no hitomany sy hihidy vazana.\u2019",
        "31": "\u201cRehefa ho avy amin\u2019ny voninahiny ny Zanak\u2019olona, miaraka amin\u2019ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany be\u00a0voninahitra izy.",
        "32": "Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin\u2019ny osy.",
        "33": "Dia hataony eo ankavanany ny ondry, fa eo ankaviany kosa ny osy.",
        "34": "\u201cAry izao no holazain\u2019ny Mpanjaka amin\u2019izay eo ankavanany: \u2018Avia ianareo izay notahin\u2019ny Raiko, mandov\u00e0 an\u2019ilay Fanjakana nomanina ho anareo hatramin\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao.",
        "35": "Fa noana aho dia nomenareo zavatra hohanina. Nangetaheta aho dia nomenareo zavatra hosotroina. Vahiny aho dia nampiantranoinareo.",
        "36": "Nitanjaka aho dia nampitafianareo. Narary aho dia nokarakarainareo. Ary nigadra aho dia novangianareo.\u2019",
        "37": "Dia hamaly azy ny olo-marina hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, oviana ianao no hitanay noana ka nomenay sakafo, na nangetaheta ka nomenay zavatra hosotroina?",
        "38": "Oviana ianao no hitanay hoe vahiny ka nampiantranoinay, na nitanjaka ka nampitafianay?",
        "39": "Oviana ianao no hitanay narary na nigadra ka novangianay?\u2019",
        "40": "Dia hamaly azy ireo ilay Mpanjaka hoe: \u2018Lazaiko marina aminareo fa izay nataonareo tamin\u2019ny iray amin\u2019ny kely indrindra amin\u2019ireto rahalahiko ireto no nataonareo tamiko.\u2019",
        "41": "\u201cHoy kosa izy amin\u2019izay eo ankaviany: \u2018Mial\u00e0 eto amiko ianareo voaozona, dia mandehana any amin\u2019ny afo maharitra mandrakizay, izay nomanina ho an\u2019ny Devoly sy ny anjeliny.",
        "42": "Fa noana aho nefa tsy nomenareo zavatra hohanina, nangetaheta nefa tsy nomenareo zavatra hosotroina.",
        "43": "Vahiny aho nefa tsy nampiantranoinareo, nitanjaka nefa tsy nampitafianareo, ary narary sy nigadra nefa tsy nokarakarainareo.\u2019",
        "44": "Dia hamaly koa ireo hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, oviana ianao no hitanay noana na nangetaheta na hoe vahiny na nitanjaka na narary na nigadra, ka tsy mba nokarakarainay?\u2019",
        "45": "Ary hamaly an\u2019ireo izy hoe: \u2018Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin\u2019ny iray amin\u2019ireto kely indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.\u2019",
        "46": "Haringana mandrakizay izy ireny, fa ny olo-marina kosa hahazo fiainana mandrakizay.\u201d"
    },
    "26": {
        "1": "Rehefa avy niteny an\u2019izany rehetra izany i Jesosy, dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany:",
        "2": "\u201cFantatrareo fa ho tonga ny Paska rehefa afaka roa andro, dia hatolotra amin\u2019ny fahavalony ny Zanak\u2019olona mba hovonoina eo amin\u2019ny tsato-kazo.\u201d",
        "3": "Ary nivory teo an-tokotanin\u2019ilay mpisoronabe nantsoina hoe Kaiafa ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahin\u2019ny vahoaka.",
        "4": "Niray tetika izy ireo hoe hamitaka an\u2019i Jesosy sy hisambotra azy, ka hamono azy ho faty.",
        "5": "Hoy anefa izy ireo: \u201cAleo tsy amin\u2019ny fety, sao dia hisahotaka ny vahoaka.\u201d",
        "6": "Tamin\u2019i Jesosy tao an-tranon\u2019i Simona boka, tany Betania,",
        "7": "dia nanatona azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoahangy vatosanga feno menaka manitra lafo vidy. Nararak\u2019ilay vehivavy teo an-dohan\u2019i Jesosy ilay izy, tamin\u2019i Jesosy mbola nisakafo iny.",
        "8": "Tezitra ny mpianatra rehefa nahita an\u2019izany, ka niteny hoe: \u201cFa maninona no mandanilany foana hoatr\u2019izao?",
        "9": "Azo namidy lafo be izao iny, dia nomena ny mahantra ny vola.\u201d",
        "10": "Fantatr\u2019i Jesosy ny zavatra noresahin\u2019izy ireo, ka hoy izy taminy: \u201cFa maninona no ataonareo an\u2019izany io vehivavy io? Tena tsara ny nataony tamiko.",
        "11": "Hisy mahantra foana mantsy eo aminareo, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.",
        "12": "Nasiany an\u2019iny menaka manitra iny ny vatako, satria te hanomana ny fandevenana ahy izy.",
        "13": "Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ny vaovao tsara eran\u2019izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon\u2019io vehivavy io, ho fahatsiarovana azy.\u201d",
        "14": "Avy eo dia nankany amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona ny iray tamin\u2019izy 12\u00a0Lahy, ilay antsoina hoe Jodasy Iskariota,",
        "15": "ka niteny hoe: \u201cHomenareo inona aho hamadihako azy, dia hatolotro anareo izy?\u201d Ary nifanaraka taminy izy ireo fa hanome azy volafotsy 30\u00a0sekely.",
        "16": "Dia tsy nitsahatra nitady an\u2019izay fotoana mety tsara hamadihana an\u2019i Jesosy izy nanomboka tamin\u2019izay.",
        "17": "Tamin\u2019ny andro voalohany hankalazana ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia nanatona an\u2019i Jesosy ny mpianatra ka niteny hoe: \u201cAiza no tianao hikarakaranay ny sakafon\u2019ny Paska?\u201d",
        "18": "Dia hoy izy: \u201cMankanesa any amin-dRanona any an-tan\u00e0na, dia teneno izy hoe: \u2018Niteny ny Mpampianatra hoe: \u201cEfa akaiky ny fotoana voatondro hahafatesako, dia hankalaza ny Paska miaraka amin\u2019ny mpianatro ao an-tranonao aho.\u201d\u2019\u201d",
        "19": "Nataon\u2019ny mpianatra \u00e0ry izay nampanaovin\u2019i Jesosy azy, ka nomaniny daholo izay nilaina tamin\u2019ny Paska.",
        "20": "Rehefa hariva ny andro, dia naka toerana teo amin\u2019ny latabatra izy sy ny mpianatra 12\u00a0lahy.",
        "21": "Ary hoy izy teo am-pisakafoana: \u201cLazaiko marina aminareo fa hamadika ahy ny iray aminareo.\u201d",
        "22": "Dia nalahelo be izy ireo, ka samy nanontany azy hoe: \u201cIzaho ve izany, Tompo\u00a0\u00f4?\u201d",
        "23": "Dia hoy izy: \u201cIzay miara-manatsoboka ny mofony amiko ao anaty vilia no hamadika ahy.",
        "24": "Marina fa handeha ny Zanak\u2019olona, araka ny efa voasoratra momba azy, nefa hahita loza ilay olona hamadika ny Zanak\u2019olona! Tsara kokoa ho an\u2019ilay olona raha tsy teraka akory.\u201d",
        "25": "Ary hoy i Jodasy, ilay efa hamadika azy: \u201cIzaho ve izany, Raby\u00a0\u00f4?\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cVoalazanao.\u201d",
        "26": "Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesosy. Ary nivavaka izy, dia avy eo notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: \u201cRaiso ity dia hano. Ity no vatako.\u201d",
        "27": "Nandray kaopy koa izy ka nisaotra an\u2019Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: \u201cMisotroa amin\u2019ity daholo ianareo.",
        "28": "Fa ity no rako, dia \u2018ny ran\u2019ny fifanekena\u2019 izay halatsaka mba hahasoa olona maro, ka ho voavela ny fahotan\u2019izy ireo.",
        "29": "Lazaiko aminareo anefa fa tsy hisotro amin\u2019itony vokatry ny voaloboka itony intsony aho, mandra-pahatongan\u2019ny andro hisotroako divay vaovao miaraka aminareo, ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny Raiko.\u201d",
        "30": "Farany, dia nankany amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, rehefa avy nihira fiderana.",
        "31": "Ary hoy i Jesosy: \u201cHahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho ny zavatra hanjo ahy, fa voasoratra hoe: \u2018Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny andian\u2019ondry.\u2019",
        "32": "Rehefa atsangana anefa aho, dia handeha hialoha anareo any Galilia.\u201d",
        "33": "Ary hoy i Petera taminy: \u201cNa hahafoy anao daholo aza izy rehetra noho izay hanjo anao, dia izaho tsy hahafoy anao izany mihitsy!\u201d",
        "34": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cLazaiko marina aminao fa mbola tsy maneno akory ny akoho anio alina, dia handa ahy intelo ianao.\u201d",
        "35": "Hoy anefa i Petera: \u201cNa tsy maintsy hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao izany mihitsy!\u201d Niteny hoatr\u2019izany koa ny mpianatra hafa rehetra.",
        "36": "Tonga tao amin\u2019ilay toerana antsoina hoe Getsemane i Jesosy sy ny mpianatra avy eo. Dia hoy izy tamin\u2019ny mpianatra: \u201cMipetraha eto fa izaho handeha hivavaka er\u1ef3.\u201d",
        "37": "Nentiny niaraka taminy i Petera sy izy roa lahy zanak\u2019i Zebedio. Dia nanomboka nalahelo sy nitebiteby be izy,",
        "38": "ka niteny tamin\u2019ireo hoe: \u201cTena malahelo be aho izany, hoatran\u2019ny efa ho faty. Mijan\u00f2na eto dia miaraha miari-tory amiko.\u201d",
        "39": "Ary nandroso kelikely izy, dia niankohoka sady nivavaka hoe: \u201cRaiko\u00a0\u00f4, raha azo atao, dia mba esory amiko ity kaopy ity. Aleo anefa tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.\u201d",
        "40": "Niverina teo amin\u2019ny mpianatra izy avy eo ka nahita azy ireo natory. Dia hoy izy tamin\u2019i Petera: \u201cIanareo ve dia tsy mba afaka niaraka niari-tory tamiko adiny iray akory?",
        "41": "Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin\u2019ny fakam-panahy. Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.\u201d",
        "42": "Ary lasa fanindroany izy ka nivavaka hoe: \u201cRaiko\u00a0\u00f4, raha tsy azo esorina ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aleo hatao ny sitraponao.\u201d",
        "43": "Dia niverina indray izy, ary mbola nahita azy ireo natory, fa efa navesatra ny masony.",
        "44": "Lasa indray izy nandeha nivavaka fanintelony, ary izay noteneniny teo aloha ihany no naveriny.",
        "45": "Niverina teo amin\u2019ny mpianatra izy avy eo, ka niteny tamin\u2019ireo hoe: \u201cMbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo amin\u2019izao fotoana izao? Efa kely sisa dia ho tonga ny ora hamadihana ny Zanak\u2019olona, ka hatolotra eo am-pelatanan\u2019ny mpanota izy.",
        "46": "Mitsang\u00e0na dia andao isika handeha, fa efa akaiky ilay mpamadika ahy.\u201d",
        "47": "Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia iny fa tonga i Jodasy, ilay anisan\u2019ny 12\u00a0Lahy. Ary nisy vahoaka be nitondra sabatra sy kibay niaraka taminy, nirahin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahin\u2019ny vahoaka.",
        "48": "Ary efa nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: \u201cIzay horohako no izy, ka sambory.\u201d",
        "49": "Tonga\u00a0dia nanitsy teo amin\u2019i Jesosy izy ka niteny hoe: \u201cManahoana, Raby\u00a0\u00f4!\u201d, sady nanoroka azy.",
        "50": "Hoy anefa i Jesosy taminy: \u201cFa haninona at\u1ef3 ianao?\u201d Dia nanatona ny vahoaka ka nisambotra an\u2019i Jesosy, ary nitondra azy.",
        "51": "Nanatsoaka ny sabany anefa ny iray tamin\u2019ireo niaraka tamin\u2019i Jesosy, dia nasiany tamin\u2019iny ilay mpanompon\u2019ny mpisoronabe, ka niala ny sofiny.",
        "52": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cAvereno amin\u2019ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin\u2019ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.",
        "53": "Angaha heverinao fa tsy azoko atao ny miangavy ny Raiko, ka izao dia izao ihany aho dia handefasany anjely be dia be mihoatra noho ny andian-tafika 12?",
        "54": "Raha izany anefa, dia ahoana no hahatanterahan\u2019ilay voalazan\u2019ny Soratra Masina hoe tsy maintsy hitranga izao?\u201d",
        "55": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cTonga hisambotra ahy miaraka amin\u2019ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr\u2019ireny hisambotra jiolahy ireny? Isan\u2019andro aho nipetraka nampianatra tao amin\u2019ny tempoly, nefa tsy nosamborinareo.",
        "56": "Mitranga anefa izao rehetra izao mba ho tanteraka izay nosoratan\u2019ny mpaminany.\u201d Avy eo dia nandao azy daholo ny mpianatra ka lasa nitsoaka.",
        "57": "Ny olona nisambotra an\u2019i Jesosy kosa nitondra azy tany amin\u2019i Kaiafa mpisoronabe. Efa tafavory tany ny mpanora-dal\u00e0na sy ny anti-panahy tamin\u2019izay.",
        "58": "Nanaraka azy teny lavidavitra teny foana anefa i Petera, hatrany an-tokotanin\u2019ny mpisoronabe. Dia niditra izy ka niara-nipetrapetraka tamin\u2019ny mpiasa an-trano teo, fa te hahita an\u2019izay hiafaran\u2019ilay raharaha.",
        "59": "Ary nitady zavatra hiampangana an\u2019i Jesosy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy izay rehetra anisan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty.",
        "60": "Tsy nahita anefa izy ireo, na be dia be aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Avy eo dia nisy olona roa tonga",
        "61": "ka niteny hoe: \u201cIo lehilahy io nilaza hoe: \u2018Vitako ny mandrodana ny tempolin\u2019Andriamanitra sy manangana azy ao anatin\u2019ny telo andro.\u2019\u201d",
        "62": "Dia nitsangana ny mpisoronabe ka niteny taminy hoe: \u201cToa tsy mamaly akory ianao! Ahoana izany fiampangan\u2019ireo olona ireo anao izany?\u201d",
        "63": "Mbola tsy niteny ihany anefa i Jesosy, ka hoy ny mpisoronabe taminy: \u201cAsaiko mianiana amin\u2019ilay Andriamanitra velona ianao mba hilaza aminay raha ianao no Kristy Zanak\u2019Andriamanitra!\u201d",
        "64": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cVoalazanao. Izao anefa no lazaiko aminareo: Manomboka izao dia ho hitanareo ny Zanak\u2019olona hipetraka eo ankavanan\u2019Ilay Mahery sady ho avy eny amin\u2019ny rahon\u2019ny lanitra.\u201d",
        "65": "Dia nandrovitra ny akanjony ivelany ny mpisoronabe sady niteny hoe: \u201cNanevateva an\u2019Andriamanitra izy! Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona? Efa henonareo ilay izy nanevateva an\u2019Andriamanitra teo!",
        "66": "Ahoana ny hevitrareo?\u201d Dia namaly izy ireo hoe: \u201cMendrika ny ho faty izy.\u201d",
        "67": "Nororan\u2019izy ireo ny tarehiny avy eo, dia nasiany totohondry izy. Ny sasany indray namely tehamaina azy",
        "68": "sady niteny hoe: \u201cMaminania aminay, ry\u00a0Kristy! Iza ilay namely anao teo?\u201d",
        "69": "Nipetraka tany ivelany, tany an-tokotany, i Petera tamin\u2019izay. Ary nisy mpanompovavy nanatona azy ka niteny hoe: \u201cIanao koa niaraka tamin\u2019i Jesosy, ilay avy any Galilia!\u201d",
        "70": "Nanda teo anatrehan\u2019ny olona rehetra anefa i Petera hoe: \u201cTsy fantatro izany zavatra resahinao izany.\u201d",
        "71": "Rehefa nivoaka nankeo akaikin\u2019ny vavahady izy, dia nisy ankizivavy hafa indray nahita azy ka niteny tamin\u2019ny olona teo hoe: \u201cNiaraka tamin\u2019i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io!\u201d",
        "72": "Dia nanda indray izy sady nianiana hoe: \u201cMarina raha mba fantatro izany lehilahy izany!\u201d",
        "73": "Rehefa afaka kelikely, dia nanatona an\u2019i Petera ny olona nijorojoro teo ka niteny hoe: \u201cTena naman-dry\u00a0zareo ianao, fa tonga\u00a0dia fantatra amin\u2019ny fiteninao.\u201d",
        "74": "Dia nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: \u201cTena tsy fantatro mihitsy ho\u2019aho izany lehilahy izany!\u201d Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno.",
        "75": "Dia tsaroan\u2019i Petera ilay nolazain\u2019i Jesosy hoe: \u201cMbola tsy maneno akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.\u201d Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany."
    },
    "27": {
        "1": "Rehefa maraina ny andro, dia niara-nandinika daholo ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahin\u2019ny vahoaka hoe ahoana no hamonoana an\u2019i Jesosy ho faty.",
        "2": "Ary nofatoran\u2019izy ireo izy, dia nentiny ka natolony an\u2019i Pilato governora.",
        "3": "Rehefa hitan\u2019i Jodasy, ilay namadika azy, fa voaheloka i Jesosy, dia nanenina izy ka naveriny tany amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy ny volafotsy 30 sekely.",
        "4": "Hoy izy: \u201cNanota aho fa namadika olona tsy manan-tsiny.\u201d Hoy anefa ireo: \u201cAnao izany fa tsisy idiranay!",
        "5": "Dia natsipin\u2019i Jodasy tao amin\u2019ny tempoly ireo vola ireo, dia lasa izy nananton-tena.",
        "6": "Nalain\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona anefa ireo vola ireo, ka niteny izy ireo hoe: \u201cVidin-dra ireto, ka tsy azo arotsaka ao amin\u2019ny toerana masina fitehirizan-karena.\u201d",
        "7": "Dia niara-nidinika izy ireo, ka nividianany ny sahan\u2019ny mpanefy tanimanga ilay vola, mba hatao fasam-bahiny.",
        "8": "Nantsoina hoe Sahan-dra \u00e0ry io saha io hatramin\u2019izao.",
        "9": "Tamin\u2019izay no tanteraka ilay nasaina nolazain\u2019i Jeremia mpaminany hoe: \u201cDia nalain\u2019izy ireo ny volafotsy 30 sekely, izay vidiny nanombanana an\u2019ilay lehilahy. Izy ilay notombanan\u2019ny zanak\u2019Israely.",
        "10": "Nomen\u2019izy ireo hividianana ny sahan\u2019ny mpanefy tanimanga izany, araka ny nandidian\u2019i Jehovah ahy.\u201d",
        "11": "Ary nijoro teo anatrehan\u2019ny governora i Jesosy, ka nanontaniany hoe: \u201cIanao ve no Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cVoalazanao.\u201d",
        "12": "Tsy namaly mihitsy anefa izy rehefa nampangain\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy.",
        "13": "Ary hoy i Pilato: \u201cAngaha tsy henonao izany zavatra be dia be iampangany anao izany?\u201d",
        "14": "Tsy namaly azy anefa izy na indraim-bava aza, dia gaga be ilay governora.",
        "15": "Efa fanaon\u2019ny governora isaky ny fety ny manafaka voafonja iray tian\u2019ny vahoaka.",
        "16": "Nisy voafonja iray nalaza ratsy antsoina hoe Barabasy, tamin\u2019izay fotoana izay.",
        "17": "Rehefa tafangona \u00e0ry ny olona, dia hoy i Pilato: \u201cIza no tianareo hafahako ho anareo: I\u00a0Barabasy sa i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?\u201d",
        "18": "Fantatr\u2019i Pilato mantsy fa fialonana no nahatonga azy ireo hanolotra an\u2019i Jesosy.",
        "19": "Ankoatra izay, tamin\u2019i Pilato mbola nipetraka teo amin\u2019ny toeram-pitsarana iny, dia nisy olona nirahin\u2019ny vadiny hiteny taminy hoe: \u201cAza midikiditra amin\u2019ny raharahan\u2019io olo-marina io ianao, fa nijaly be aho androany fa nanonofy azy halina.\u201d",
        "20": "Nandresy lahatra ny vahoaka anefa ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy mba hiteny hoe: \u201cAvotsory i Barabasy, fa vonoy i Jesosy!\u201d",
        "21": "Dia nanontany azy ireo indray ilay governora hoe: \u201cIza amin\u2019izy roa lahy no tianareo hafahako ho anareo?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cBarabasy.\u201d",
        "22": "Ary hoy i Pilato: \u201cHataoko ahoana \u00e0ry izany i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?\u201d Dia hoy izy rehetra: \u201cFantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy!\u201d",
        "23": "Ary hoy izy: \u201cFa maninona? Fa inona no ratsy nataony?\u201d Vao mainka anefa izy ireo niantsoantso hoe: \u201cFantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy!\u201d",
        "24": "Ary hitan\u2019i Pilato fa tsy nisy vokany ny nataony fa vao mainka nisahotaka ny olona. Dia naka rano izy, ka nanasa tanana teo anatrehan\u2019ny vahoaka sady niteny hoe: \u201cTsy tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesan\u2019io lehilahy io \u00e0ry aho! Anareo izany!\u201d",
        "25": "Dia niteny daholo ny olona hoe: \u201cAleo izahay sy ny zanakay no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany\u00a0e!\u201d",
        "26": "Nafahan\u2019i Pilato \u00e0ry i Barabasy, satria te hampifaly ny vahoaka izy. I Jesosy kosa nasainy nokaravasina, dia natolony hovonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo.",
        "27": "Ary nentin\u2019ny miaramilan\u2019ny governora nankao an-tranon\u2019ny governora i Jesosy, dia novorin\u2019izy ireo nanodidina azy daholo ny miaramila.",
        "28": "Dia nesorin\u2019izy ireo ny akanjon\u2019i Jesosy, ka nampitafiany lamba mena midorehitra izy.",
        "29": "Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo ka nataony teo amin\u2019ny lohan\u2019i Jesosy, dia nasiany bararata teny an-tanany ankavanana. Ary nandohalika teo anatrehany izy ireo, dia nanesoeso azy sady niteny hoe: \u201cMiarahaba anao, ry\u00a0Mpanjakan\u2019ny Jiosy!\u201d",
        "30": "Dia nororan\u2019ireo izy, sady nalainy ilay bararata ka nokapohiny tamin\u2019iny ny lohany.",
        "31": "Tamin\u2019ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin\u2019ny tsato-kazo izy avy eo.",
        "32": "Rehefa nivoaka izy ireo, dia nahita lehilahy iray avy any Kyrena, antsoina hoe Simona. Notereny hitondra ny hazo fijalian\u2019i Jesosy io lehilahy io.",
        "33": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny toerana iray antsoina hoe Golgota, na hoe Ikarandoha, izy ireo,",
        "34": "dia nomeny divay nafangaro zava-mangidy i Jesosy hosotroiny. Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana an\u2019ilay izy.",
        "35": "Rehefa voafantsik\u2019ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo izy, dia nozarain\u2019izy ireo ny akanjony ivelany ka nanaovany antsapaka.",
        "36": "Dia nipetraka niambina azy teo izy ireo.",
        "37": "Napetany ter\u1ef3 ambonin\u2019ny lohany koa ny soratra momba ny fiampangana azy hoe: \u201cIty no Jesosy Mpanjakan\u2019ny Jiosy.\u201d",
        "38": "Nisy jiolahy roa koa natao teo amin\u2019ny tsato-kazo teo akaikiny, ka ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.",
        "39": "Ary nanevateva azy ny mpandalo, sady nihivingivin-doha",
        "40": "no niteny hoe: \u201cHay ianao ilay handrodana ny tempoly dia hanorina azy ao anatin\u2019ny telo andro? Vonjeo ny tenanao\u00a0e! Raha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia mid\u00ecna avy eny amin\u2019ny hazo fijaliana eny!\u201d",
        "41": "Nanesoeso hoatr\u2019izany koa ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ary ny anti-panahy, sady niteny hoe:",
        "42": "\u201cNy hafa novonjeny, nefa ny tenany tsy hainy vonjena! Izy no Mpanjakan\u2019ny Israely. Aleo izy hidina avy eny amin\u2019ny hazo fijaliana, dia hino azy isika.",
        "43": "Natoky an\u2019Andriamanitra izy. Koa raha tia azy Andriamanitra, dia tokony hamonjy azy, satria izy niteny hoe: \u2018Zanak\u2019Andriamanitra aho.\u2019\u201d",
        "44": "Na ireo jiolahy natao teo amin\u2019ny tsato-kazo teo akaikiny aza mba nandatsa azy hoatr\u2019izany koa.",
        "45": "Ary nisy haizina nanarona an\u2019ilay faritra manontolo, nanomboka tamin\u2019ny ora fahenina ka hatramin\u2019ny ora fahasivy.",
        "46": "Ary tamin\u2019ny ora fahasivy teo ho eo, dia niantso mafy i Jesosy hoe: \u201cEly, Ely, lam\u00e0 sabaktany?\u201d, izany hoe \u201cAndriamanitro\u00a0\u00f4, Andriamanitro\u00a0\u00f4, nahoana ianao no nahafoy ahy?\u201d",
        "47": "Rehefa naheno an\u2019izany ny olona sasany nijoro teo, dia niteny hoe: \u201cMiantso an\u2019i Elia ilehity.\u201d",
        "48": "Tonga\u00a0dia nihazakazaka naka spaonjy ny iray tamin\u2019izy ireo, dia natsobony tao anaty divay marikivy ilay izy ka nataony teo amin\u2019ny bararata iray, ary nomeny hosotroin\u2019i Jesosy.",
        "49": "Hoy anefa ny olon-kafa teo: \u201cAvelao izy\u00a0e! Aleo hojerentsika raha ho avy hamonjy azy i Elia.\u201d",
        "50": "Dia niantsoantso mafy indray i Jesosy, dia tapitra ny ainy.",
        "51": "Dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao tao amin\u2019ny toerana masina. Nisy horohoron-tany koa tamin\u2019izay, ka nitresaka ny vatolampy.",
        "52": "Nisokatra koa ny fasana ka betsaka ny faty nitsangana, izany hoe ny fatin\u2019ny olona masina efa nodimandry,",
        "53": "ka be dia be no nahita an\u2019izany.\u2014Ary niditra tao amin\u2019ny tan\u00e0na masina ny olona avy teny amin\u2019ny fasana, taorian\u2019ny nitsanganan\u2019i Jesosy.\u2014",
        "54": "Rehefa nahita an\u2019ilay horohoron-tany sy ny zava-nitranga ilay manamboninahitra sy ireo niaraka taminy niambina an\u2019i Jesosy, dia natahotra be ka niteny hoe: \u201cTena Zanak\u2019Andriamanitra tokoa io.\u201d",
        "55": "Nisy vehivavy be dia be koa nitazana teny lavidavitra teny. Efa nanaraka an\u2019i Jesosy nanomboka tany Galilia izy ireo mba hikarakara azy.",
        "56": "Anisan\u2019ireny i Maria Magdalena, sy Maria renin\u2019i Jakoba sy Josesy, ary ny renin\u2019ny zanak\u2019i Zebedio.",
        "57": "Rehefa harivariva ny andro, dia tonga ny lehilahy iray mpanankarena avy any Arimatia. Josefa no anarany ary mpianatr\u2019i Jesosy koa izy.",
        "58": "Nankany amin\u2019i Pilato izy ka nangataka ny fatin\u2019i Jesosy. Dia namoaka didy i Pilato hoe homena azy ilay faty.",
        "59": "Nalain\u2019i Josefa \u00e0ry ilay faty ka nofonosiny lamba madio vita tamin\u2019ny rongony tena tsara.",
        "60": "Dia napetrany tao amin\u2019ny fasany vaovao nolavahany tao amin\u2019ny vatolampy ilay izy. Ary nanakodia vato\u00a0be teo am-baravaran\u2019ilay fasana izy, dia lasa.",
        "61": "Fa i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray kosa mbola nijanona teo ihany, nipetraka teo anoloan\u2019ilay fasana.",
        "62": "Ny ampitson\u2019iny, taorianan\u2019ny Andro Fiomanana, dia nivory teo anatrehan\u2019i Pilato ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo",
        "63": "ka nilaza hoe: \u201cTadidinay, tompoko, ny tenin\u2019iny mpisandoka iny tamin\u2019izy mbola velona hoe: \u2018Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.\u2019",
        "64": "Koa asaivo ambenana tsara ny fasana hatramin\u2019ny andro fahatelo, sao ho avy hangalatra azy ny mpianany dia hiteny amin\u2019ny olona hoe: \u2018Efa natsangana tamin\u2019ny maty izy!\u2019 Dia vao mainka ho ratsy noho ny tamin\u2019ny voalohany izany lainga izany.\u201d",
        "65": "Dia hoy i Pilato: \u201cMak\u00e0 mpiambina, dia mandehana miaraka amin-dry\u00a0zareo ka ambeno tsara araka izay vitanareo ny fasana.\u201d",
        "66": "Lasa \u00e0ry izy ireo nanisy tombo-kase ny vato sady nametraka mpiambina mba hiarovana ny fasana."
    },
    "28": {
        "1": "Taorian\u2019ny Sabata, tamin\u2019ny andro voalohany amin\u2019ny herinandro, rehefa nihanazava ny andro, dia tonga hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.",
        "2": "Ary nisy horohoron-tany mafy, satria nisy anjelin\u2019i Jehovah nidina avy any an-danitra tonga nanakodia ny vato dia nipetraka teo ambonin\u2019ilay izy.",
        "3": "Nanjelanjelatra hoatran\u2019ny tselatra ilay anjely, ary fotsy mangatsakatsaka ny akanjony.",
        "4": "Natahotra azy ny mpiambina ka nangovitra be, sady tsy nahahetsika toy ny maty.",
        "5": "Ary hoy ilay anjely tamin\u2019izy roa vavy: \u201cAza matahotra. Fantatro fa mitady an\u2019i Jesosy, ilay novonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo, ianareo.",
        "6": "Tsy ato izy fa efa natsangana, araka ny efa nolazainy. Avia, jereo ilay toerana nisy ny fatiny.",
        "7": "Mandehana haingana teneno ny mpianany hoe: \u2018Efa natsangana tamin\u2019ny maty izy. Hialoha anareo any Galilia izy, dia any no hahitanareo azy.\u2019 Hiteny an\u2019izany aminareo no nahatongavako eto.\u201d",
        "8": "Niala haingana teo am-pasana \u00e0ry izy roa vavy, sady natahotra no faly be, ary nihazakazaka mba hilaza an\u2019izany tamin\u2019ny mpianatr\u2019i Jesosy.",
        "9": "Ary iny i Jesosy fa nifanena tamin\u2019izy ireo sady niteny hoe: \u201cManahoana ianareo!\u201d Dia nanatona izy ireo, ka nitazona azy tamin\u2019ny tongony sady niankohoka teo anatrehany.",
        "10": "Hoy i Jesosy taminy: \u201cAza matahotra! Mandehana milaza amin\u2019ny rahalahiko mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.\u201d",
        "11": "Tamin\u2019izy ireo mbola teny an-dalana, dia nankany an-tan\u00e0na ny mpiambina sasany nilaza tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona ny zava-nitranga rehetra.",
        "12": "Dia niara-nivory sy niara-nidinika ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy, ary avy eo nomeny vola be ireo miaramila ireo,",
        "13": "ka noteneniny hoe: \u201cLazao hoe: \u2018Tonga tamin\u2019ny alina ny mpianany nangalatra azy tamin\u2019izahay mbola natory.\u2019",
        "14": "Ary raha tonga any am-poto-tsofin\u2019ny governora izany, dia hohazavainay aminy ilay izy, ka tsy misy tokony hatahoranareo.\u201d",
        "15": "Noraisin\u2019ny miaramila \u00e0ry ireo vola ireo, dia nanao araka izay nolazaina taminy izy ireo. Ary niely teo amin\u2019ny Jiosy izany resaka izany hatramin\u2019izao.",
        "16": "Ny mpianatra 11\u00a0lahy kosa nankany Galilia, dia nankeny amin\u2019ilay tendrombohitra notenenin\u2019i Jesosy hoe hihaonan\u2019izy ireo.",
        "17": "Dia niankohoka izy ireo rehefa nahita azy, fa ny sasany kosa nisalasala raha izy tokoa io.",
        "18": "Ary nanatona i Jesosy ka niteny taminy hoe: \u201cEfa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et\u1ef3 an-tany.",
        "19": "Mandehana \u00e0ry, ampianaro ny olona any amin\u2019ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa amin\u2019ny anaran\u2019ny Ray sy amin\u2019ny anaran\u2019ny Zanaka ary amin\u2019ny anaran\u2019ny fanahy masina izy ireo,",
        "20": "sady ampianaro hankat\u00f2 an\u2019izay rehetra nandidiako anareo. Ary hiaraka aminareo foana aho isan\u2019andro, mandra-pahatongan\u2019ny faran\u2019izao tontolo izao.\u201d"
    },
    "meta": {
        "name": "Matio",
        "order": 39,
        "chapter_number": 28
    }
}
