{
    "1": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mika avy any Moreseta, tao amin\u2019ny fahitana momba an\u2019i Samaria sy Jerosalema, tamin\u2019ny andron\u2019i Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan\u2019ny Joda:",
        "2": "\u201cMihainoa, ry vahoaka rehetra! Mihainoa tsara, ry tany sy izay rehetra eo aminao! Henoy tsara ny hiampangan\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony anao, Dia i Jehovah izay ao amin\u2019ny tempoliny masina.",
        "3": "Fa mivoaka avy ao amin\u2019ny toerana misy azy i Jehovah, Ka hidina hanitsaka ny toerana avo eny ambonin\u2019ny tany.",
        "4": "Dia hitsonika eo ambanin\u2019ny tongony ny tendrombohitra, Ary hitresaka ny lohasaha, Hoatran\u2019ny savoka atsoniky ny afo, Sy hoatran\u2019ny rano araraka eny amin\u2019ny hantsana.",
        "5": "Hitranga izany rehetra izany satria mikomy i Jakoba, Ary manota ny taranak\u2019Israely. Iza no nahatonga an\u2019i Jakoba hikomy? Tsy i Samaria ve? Ary iza no nanao an\u2019ireny toerana avo any Joda ireny? Tsy i Jerosalema\u00a0ve?",
        "6": "Hataoko lasa korontam-bato mivangongo eny an-tsaha i Samaria, Ary ho lasa tany fambolena voaloboka. Dia hatsipiko eny an-dohasaha ny vatony, Ary hataoko miharihary ny fototra iorenany.",
        "7": "Hopotipotehina ny sary sokitra rehetra ivavahany, Hodorana ny fanomezana rehetra azony, dia ny karamany, Ary hopotehiko ny sampiny rehetra. Fa karama azony tamin\u2019izy nivaro-tena ireny, Ary mbola ho lasa karaman\u2019ny mpivaro-tena hafa indray.\u201d",
        "8": "Izany no mahatonga ahy hidradradradra sy hitaraindraina\u00a0be, Ary handeha tsy manao kapa sy mitanjaka. Hitaraindraina hoatran\u2019ny alikadia aho, Ary hitoreoreo hoatran\u2019ny aotirisy.",
        "9": "Fa tsy mety sitrana ny feriny, Sady mitatra hatrany Joda, Ary hatrany amin\u2019ny vavahadin\u2019ny fireneko mihitsy aza, dia i Jerosalema.",
        "10": "\u201cAza teniteneninareo any Gata izany, Ary aza mitomany mihitsy! Mandehana mihosim-bovoka ao Beti-afra.",
        "11": "Mandehana, ry\u00a0mponin\u2019i Safira, mandehana amin\u2019izao ianao mitanjaka sy afa-baraka izao. Tsy nety nandeha kosa ny mponin\u2019i Zanana. Hidradradradra ny olona ao Beti-haezela, ka tsy hanampy anao intsony.",
        "12": "Nanantena zava-tsoa ny mponin\u2019i Marota, Nefa zava-dratsy avy tamin\u2019i Jehovah no tonga teo am-bavahadin\u2019i Jerosalema.",
        "13": "Afatory amin\u2019ny soavaly ny kalesy, ry\u00a0mponin\u2019i Lakisy. Ianao no nahatonga ny zanakavavin\u2019i Ziona hanota, Satria tao aminao ny Israely no nikomy.",
        "14": "Izany no mahatonga anao hanolotra fanomezana ho an\u2019i Moreseta-gata ho fanaovam-beloma azy. Nandiso fanantenana an\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Israely ny trano tao Akziba.",
        "15": "Mbola hoentiko ho ao aminao ilay mpandresy, ry\u00a0mponin\u2019i Maresa. Ary ho tonga hatrany Adolama ny voninahitry ny Israely.",
        "16": "Hetezo ny volonao ary ataovy sola ny lohanao, satria tratran\u2019ny loza ny zanaka malalanao. Ataovy sola hoatran\u2019ny lohan\u2019ny voromahery ny lohanao, Satria natao sesitany lavitra anao ny zanakao.\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "\u201cHahita loza ireo mitetika ny hanao ratsy, Ary mieritreritra an\u2019izany eo am-pandrianany! Rehefa maraina ny andro dia tanterahiny ny eritreriny, Satria vitany ny manao an\u2019izany.",
        "2": "Mitsiriritra saha sy tranon\u2019olona izy ireo, Dia maka an\u2019ireny an-keriny. Manambaka lehilahy izy mba hahazoana ny tranony, Sy mba hahazoana ny lovany.",
        "3": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Mieritreritra ny handefa loza aminareo aho, ka tsy ho afaka handositra an\u2019izany ianareo. Dia tsy hirehareha intsony ianareo rehefa mandeha, satria fotoana hisian\u2019ny loza izany.",
        "4": "Hilaza ohabolana momba anareo ny olona, amin\u2019izany andro izany, Ary hitaraindraina be momba anareo. Hoy izy ireo: \u201cVoaroba tanteraka isika! Nalainy tamintsika ny anjaran\u2019ny firenentsika dia omeny olon-kafa, Ary ny sahantsika omeny an\u2019izay mivadika.\u201d",
        "5": "Tsy hahita olona handrefy tany amin\u2019ny tady, Ka hizara an\u2019ilay tany ianareo, ao amin\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah.",
        "6": "Mitory izy ireo hoe: \u201cAza mitory intsony! Tsy tokony hotorina intsony izany. Tsy ho afa-baraka isika.\u201d",
        "7": "Milaza ve ianareo, ry taranak\u2019i Jakoba, hoe: \u201cFa angaha i Jehovah lasa tsy mahandry? Sa izany mihitsy no fanaony?\u201d Angaha ny teniko tsy hitondra soa ho an\u2019ny olona manao izay mahitsy?",
        "8": "Vao haingana anefa ny vahoakako no nitsangana ho fahavalo. Endahanareo ny haingo tsara tarehy sy ny akanjo, Dia ny haingo sy ny akanjon\u2019ny mpandalo tsy manana ahiahy hoatran\u2019ny olona avy any an\u2019ady.",
        "9": "Roahinareo hiala ao amin\u2019ny tranony mampiadana koa ny vehivavy anisan\u2019ny vahoakako. Ary esorinareo mandrakizay amin\u2019ny zanany ny voninahitra nomeko azy.",
        "10": "Mandehana fa tsy fonenanareo intsony eto. Noho ny fahalotoana, dia tonga ny fandringanana, ary ho mafy be ilay fandringanana.",
        "11": "Raha misy olona manaonao foana sy mamitaka ka mandainga hoe: \u201cMomba ny divay sy ny toaka no hotoriko aminao\u201d, Dia zavatra mahafinaritra ny olona fotsiny no hotoriny.",
        "12": "Hovoriko ianareo rehetra, ry\u00a0taranak\u2019i Jakoba\u00a0\u00f4! Ary tsy maintsy hangoniko ny sisa amin\u2019ny Israely. Hataoko miray hina izy ireo, ka ho lasa andiany iray, Hoatran\u2019ny andian\u2019ondry eny amin\u2019ny kijana. Ho lasa maresaka sy feno olona ilay toerana.\u2019",
        "13": "Ilay managorobaka ny manda no handeha eo alohan\u2019izy ireo. Hanagorobaka izy ireo dia hiditra eo amin\u2019ny vavahady, ary hivoaka eo koa. Dia hiditra eo alohan\u2019izy ireo ny mpanjakany, Ary i Jehovah no hitarika azy ireo.\u201d"
    },
    "3": {
        "1": "Hoy aho: \u201cMba mihainoa ianareo lohany eo amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba, Sy ianareo mpitondra eo amin\u2019ny taranak\u2019Israely. Tsy ianareo ve no tokony hahalala ny atao hoe rariny?",
        "2": "Mankahala ny tsara anefa ianareo sady tia ny ratsy. Manendaka ny hoditry ny vahoakako ianareo, ary manendaka ny nofo amin\u2019ny taolany.",
        "3": "Mihinana ny nofon\u2019ny vahoakako koa ianareo, Sady manendaka ny hodiny. Vakivakinareo ny taolany dia potipotehinareo, Hoatran\u2019ny zavatra andrahoina ao anaty vilany sy hoatran\u2019ny hena ao anaty vilany.",
        "4": "Ary hiantso vonjy amin\u2019i Jehovah izy ireo amin\u2019izay fotoana izay, Nefa tsy hamaly izy. Dia hanafina ny tarehiny amin\u2019izy ireo izy amin\u2019izay fotoana izay, Satria manao ratsy izy ireo.",
        "5": "Manoro vohony ny vahoakako ireo mpaminany. Milaza izy ireo hoe \u2018Fiadanana!\u2019, rehefa misy hotsakoin\u2019ny nifiny, Fa ilany ady kosa izay olona tsy manome sakafo ho ao am-bavany. Izao no tenin\u2019i Jehovah amin\u2019ireny mpaminany ireny:",
        "6": "\u2018Ho ao anaty haizina hoatran\u2019ny amin\u2019ny alina ianareo ka tsy hahita fahitana, Ary ho ao anatin\u2019ny haizina be ianareo ka tsy hanao sikidy. Dia hilentika tsy hanazava an\u2019ireo mpaminany ireo ny masoandro, Ary ho lasa maizina aminy ny andro.",
        "7": "Hatao afa-baraka ny mpahita fahitana, Ary ho diso fanantenana ny mpisikidy. Tsy maintsy hitampim-bava izy rehetra, Satria tsy hamaly azy intsony Andriamanitra.\u2019\u201d",
        "8": "Fa izaho kosa feno hery avy amin\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah, Ka lasa manao ny rariny sady be herim-po, Mba hilaza amin\u2019i Jakoba hoe mikomy izy, ary amin\u2019i Israely hoe manota izy.",
        "9": "Mba henoy izao, ry\u00a0lohany eo amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba, Sy ianareo mpitondra eo amin\u2019ny taranak\u2019Israely, Ianareo mankahala ny rariny sy manolana an\u2019izay rehetra mahitsy,",
        "10": "Ianareo mandatsa-dra mba hanorenana an\u2019i Ziona, ary manao ny tsy marina mba hanorenana an\u2019i Jerosalema.",
        "11": "Ny mpitarika eo aminy mitsara mba hahazoana kolikoly, Ny mpisorony mampianatra mba hahazoana karama, Ary ny mpaminaniny misikidy mba hahazoana vola. Mbola miantehitra amin\u2019i Jehovah ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe: \u201cAngaha moa tsy eto amintsika i Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.\u201d",
        "12": "Noho ny ataonareo \u00e0ry, Dia hasaina hoatran\u2019ny saha i Ziona, Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema, Ary ny tendrombohitra misy an\u2019ilay Trano dia ho toy ny toerana avo any an\u2019ala."
    },
    "4": {
        "1": "Any am-parany any, Ilay tendrombohitra misy ny tranon\u2019i Jehovah Dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon\u2019ireo tendrombohitra, Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hiaraka ho any daholo ny olona.",
        "2": "Be dia be ny firenena ho any, ka hiteny hoe: \u201cAvia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr\u2019i Jehovah, Sy ho any an-tranon\u2019ny Andriamanitr\u2019i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, Dia handeha amin\u2019ny lalana atorony isika.\u201d Fa avy ao Ziona no hivoahan\u2019ny lal\u00e0na, Ary avy ao Jerosalema ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "3": "Hamoaka didim-pitsarana eo amin\u2019ny firenena maro izy, Ka hanitsy an\u2019izay tsy mety eo amin\u2019ireo firenena matanjaka any lavitra. Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hifamely amin\u2019ny sabatra intsony ireo firenena, Sady tsy hianatra ady intsony.",
        "4": "Dia samy hipetrapetraka eny ambanin\u2019ny voalobony sy ny aviaviny izy ireo, Ary tsy hisy hampatahotra azy, Satria i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no efa niteny.",
        "5": "Samy handeha amin\u2019ny anaran\u2019ny andriamaniny avy ny firenena rehetra, Fa isika kosa handeha amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitsika, mandrakizay mandrakizay.",
        "6": "\u201cAmin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia hovoriko ilay vahoaka nandringa, Ary hangoniko ilay naparitaka, Sy izay nampahoriko.",
        "7": "Hataoko misy sisa tavela amin\u2019ilay vahoaka nandringa, Ary hataoko lasa firenena matanjaka ilay nalefa tany amin\u2019ny toerana lavitra. Dia hanjaka eo amin\u2019izy ireo eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona i Jehovah, Manomboka izao ka ho mandrakizay.",
        "8": "Fa izao kosa no hitranga aminao, ry\u00a0tilikambo fialokalofan\u2019ny andian\u2019ondry, Ry dongon-tanin\u2019ny zanakavavin\u2019i Ziona: Hiverina aminao ilay fanjakana voalohany, Dia ilay fanjakan\u2019i Jerosalema zanakavavy.",
        "9": "Fa maninona ianao no miantsoantso mafy? Angaha ianao tsy manana mpanjaka? Sa efa maty ny mpanolo-tsaina anao No dia manaintaina hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka ianao?",
        "10": "Hiolankolana sy hikonainaina Hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka ianao, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Ziona. Fa hivoaka avy ao an-tan\u00e0na ianao ary hipetraka any an-tsaha, Dia ho tonga hatrany Babylona. Any no hamonjena anao, Ary any i Jehovah no hanavotra anao eo an-tanan\u2019ny fahavalonao.",
        "11": "Dia firenena maro no hangonina hamely anao, Ka hiteny izy ireo hoe: \u2018Aleo izy holotoina, Dia ho hitan\u2019ny masontsika ny hitrangan\u2019izany amin\u2019i Ziona.\u2019",
        "12": "Tsy fantatr\u2019izy ireo anefa ny hevitr\u2019i Jehovah, Ary tsy azony ny fikasany. Fa hangonin\u2019Andriamanitra ho eo am-pamoloana izy ireo, hoatran\u2019ny varimbazaha vao avy nojinjaina.",
        "13": "Mandehana manosihosy varimbazaha eny am-pamoloana, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Ziona. Fa hovako ho vy ny tandrokao, Ary hovako ho varahina ny kitronao, Dia hanorotoro firenena be dia be ianao. Hatokanao ho an\u2019i Jehovah ny tombony azon\u2019izy ireo tamin\u2019ny fanaovana ny tsy marina, Ary hatokanao ho an\u2019ilay tena Tompon\u2019ny tany manontolo ny fananan\u2019izy ireo.\u201d"
    },
    "5": {
        "1": "\u201cMandidididy ny vatanao ianao amin\u2019izao, Ry zanakavavy misy manafika. Atao fahirano isika, Ary kapohin\u2019izy ireo amin\u2019ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran\u2019ny Israely.",
        "2": "Ary ianao, ry Betlehema Efrata, Kely loatra ianao ka tsy tokony ho anisan\u2019ireo arivon\u2019i Joda akory, Nefa avy ao aminao no hivoahan\u2019ilay hotendreko ho mpitondra eo amin\u2019ny Israely. Efa hatramin\u2019ny taloha ela be no niandohany, efa hatramin\u2019ny andro fahiny.",
        "3": "Hahafoy azy ireo \u00e0ry Andriamanitra, Mandra-piterak\u2019ilay vehivavy efa hiteraka. Ary hiverina any amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely ny sisa amin\u2019ireo rahalahiny.",
        "4": "Hitsangana ilay mpitondra ka hiandry ny ondriny amin\u2019ny herin\u2019i Jehovah, Sy amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamaniny, izay anarana be voninahitra. Dia hiadana sy hilamina izy ireo, Satria ho tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ny fahefany.",
        "5": "Hampisy fiadanana koa izy. Rehefa tonga manafika ny tanintsika ny Asyrianina, ka mandrava ny tilikambo voaro mafy, Dia hanendry mpiandry fito isika mba hiady aminy, eny, andriana valo nofidina avy tamin\u2019ny olona.",
        "6": "Hasian\u2019izy ireo amin\u2019ny sabatra ny tanin\u2019i Asyria Sy ireo fidirana mankao amin\u2019ny tanin\u2019i Nimroda. Hanavotra antsika amin\u2019ny Asyrianina ilay mpitondra, Rehefa manafika ny tanintsika ireny ka manitsaka ny faritanintsika.",
        "7": "Ny sisa amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba dia ho toy ny ando avy amin\u2019i Jehovah, Eo amin\u2019ny firenena maro, Ary ho toy ny oram-be mirotsaka eny amin\u2019ny zavamaniry. Tsy manantena olona izy ireny, Na miandry ny zanak\u2019olombelona.",
        "8": "Ho eo amin\u2019ireo firenena ny sisa amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba, Ary ho eo amin\u2019ny firenena maro, Hoatran\u2019ny liona eo amin\u2019ny bibidia any an\u2019ala, Sy hoatran\u2019ny liona eo amin\u2019ny andian\u2019ondry. Mandalo mantsy ny liona, dia misambotra sy mamiravira, Ka tsy misy mahavonjy an\u2019izay azony.",
        "9": "Hanainga ny tananao eo ambonin\u2019ny fahavalonao ianao satria ho resinao ireny, Ka ho ringana ny fahavalonao rehetra.\u201d",
        "10": "\u201cAmin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia haripako ny soavalinao ary hopotehiko ny kalesinao.",
        "11": "Dia horavako ireo tan\u00e0na ao amin\u2019ny taninao, Ary harodako daholo ny toerana voaro mafy eo aminao.",
        "12": "Hataoko mifarana hatreo ny filalaovana ody efa fanaonao, Ary tsy hisy mpampiasa herin\u2019ny maizina intsony eo aminao.",
        "13": "Hopotehiko ny sary sokitra ivavahanao sy ny tsangambatonao masina, Ka tsy hiankohoka eo alohan\u2019ny asan\u2019ny tananao intsony ianao.",
        "14": "Hongotako ny tsato-kazonao masina, Ary horavako tanteraka ireo tan\u00e0nanao.",
        "15": "Ho tezitra sy hisafoaka\u00a0aho Rehefa mamaly an\u2019ireo firenena tsy mankat\u00f2 ahy.\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Mba henoy re ny tenin\u2019i Jehovah\u00a0e! Mitsang\u00e0na, ka ento eo anatrehan\u2019ny tendrombohitra ny adinao any amin\u2019ny fitsarana, Ary ataovy ren\u2019ny havoana ny feonao.",
        "2": "Henoy ny adin\u2019i Jehovah any\u00a0amin\u2019ny fitsarana, ry\u00a0tendrombohitra, Sy ianareo fototra mafy iorenan\u2019ny tany! Fa miady amin\u2019ny vahoakany any amin\u2019ny fitsarana i\u00a0Jehovah, Ary toriny ny Israely.",
        "3": "\u201cFa inona no nataoko taminao, ry\u00a0vahoakako? Ary inona no nataoko ka nandreraka anao? Lazao \u00e0ry izay fahadisoako.",
        "4": "Nitondra anao niakatra avy tany Ejipta aho, Ary nanavotra anao avy tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anao. Naniraka an\u2019i Mosesy sy Arona ary Miriama mba ho any aminao koa aho.",
        "5": "Ry\u00a0vahoakako, mba tsarovy re ny zavatra nangatahin\u2019i Balaka mpanjakan\u2019i Moaba\u00a0e, Sy izay navalin\u2019i Balama zanak\u2019i Beora azy! Tadidio koa izay nitranga tany Sitima ka hatrany Gilgala, Dia ho fantatrao fa ara-drariny ny zavatra ataon\u2019i Jehovah.\u201d",
        "6": "Inona no hoentiko rehefa manatona an\u2019i Jehovah aho, Ary inona no hoentiko rehefa miankohoka eo anatrehan\u2019ilay Andriamanitra any ambony? Fanatitra dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona azy aho, Sa zanak\u2019omby vao herintaona?",
        "7": "Ho tian\u2019i Jehovah ve ny ondrilahy an\u2019arivony, Na ny menaka hoatran\u2019ny renirano mikoriana? Ny zanako lahimatoa ve no homeko noho izaho nikomy, Sa izay naterako no homeko noho izaho nanota?",
        "8": "Ry zanak\u2019olombelona, efa nolazainy taminao izay tsara. Ary inona moa no takin\u2019i Jehovah aminao, Afa-tsy ny hanao ny rariny sy tsy hivadika, Sady hanetry tena rehefa miara-mandeha amin\u2019ny Andriamanitrao?",
        "9": "Tonga hatrany an-tan\u00e0na ny antson\u2019i Jehovah, Ka hatahotra ny anarany ny olona manam-pahendrena. Ekeo ny famaizana sy ilay nanome azy.",
        "10": "Mbola misy ao an-tranon\u2019ny ratsy fanahy ve ny harena azony tamin\u2019ny ratsy, Sy ny efaha famarana nohakelezina, izay maharikoriko?",
        "11": "Madio ve aho raha mampiasa mizana mandainga, Sy manana kitapo misy vatomizana tsy marina?",
        "12": "Fa mahery setra be ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary mamitaka ny lelan\u2019izy ireo.",
        "13": "\u201cDia hokapohiko ianao ka hataoko maratra, Ary ho lasa tsy misy mponina ao aminao satria ianao nanota.",
        "14": "Dia hihinana ianao nefa tsy ho voky, Ka mbola ho noana be ihany. Izay zavatra alainao mba hotehirizina dia tsy ho voatahirinao akory, Ary izay mba voatahirinao dia havelako hopotehin\u2019ny fahavalonao.",
        "15": "Hamafy ianao nefa tsy hijinja. Hanitsakitsaka oliva ianao nefa tsy hampiasa ny menaka azo avy aminy, Ary hanao divay vaovao nefa tsy hisotro akory.",
        "16": "Manaraka ny lal\u00e0n\u2019i Omry sy izay rehetra nataon\u2019ny taranak\u2019i Ahaba mantsy ianareo, Sady manaiky ny toroheviny. Hosaziko ianareo ka hihorohoro ny olona mahita an\u2019izay manjo anareo, Ary hisioka haneso an\u2019ireo mponina ao aminareo ny olona. Dia holatsain\u2019ny firenena hafa ianareo.\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Loza fa hoatran\u2019ny olona tsy mahita voaloboka hohanina aho, Na dia tangozany iray aza, Sady tsy mahita aviavy izay tena tiako, Rehefa avy notazana ny voankazo masaka fahavaratra, Ary efa nalaina daholo koa ny ambiny tamin\u2019ny voaloboka.",
        "2": "Ripaka tanteraka ny olona tsy mivadika ka tsy misy intsony eto an-tany, Ary tsy misy olo-marina intsony. Miafina mba handatsa-dra izy rehetra, Ary samy mihaza ny rahalahiny amin\u2019ny harato.",
        "3": "Kinga be ny tanany raha hanao ratsy. Mitaky zavatra ny andriana, Mangataka valisoa ny mpitsara, Ary milaza izay tiany ho azo ny olona ambony, Dia miray tetika izy ireo.",
        "4": "Hoatran\u2019ny tsilo ny tsara indrindra eo aminy, Ary ratsy noho ny fefy tsilo ny olo-marina indrindra eo aminy. Ho tonga ilay andro nolazain\u2019ny mpitilinao sy ilay andro hitsarana anao, Dia hatahotra be izy ireo.",
        "5": "Aza mino izay lazain\u2019ny namanao, Na matoky namana akaiky. Tandremo tsara koa izay holazainao amin\u2019ilay miondana eo an-tratranao.",
        "6": "Fa maniratsira ny rainy ny zanakalahy, Manohitra ny reniny ny zanakavavy, Ary manohitra ny rafozambaviny ny vinantovavy. Ny ankohonan\u2019ny olona ihany no fahavalony.",
        "7": "Fa izaho kosa hanantena an\u2019i Jehovah. Vonona hiandry an\u2019ilay Andriamanitra mpamonjy ahy aho. Dia hihaino ahy ilay Andriamanitro.",
        "8": "Aza mifaly amin\u2019izay manjo ahy, ry\u00a0fahavaloko, Fa na lavo aza aho, dia mbola hiarina ihany, Ary na ao anaty haizina aza aho, dia i Jehovah no hanazava ahy.",
        "9": "Tezitra amiko i Jehovah nefa hiaretako izany, Satria efa nanota taminy aho. Hiaretako izany, mandra-pitsangany hiaro ahy any amin\u2019ny fitsarana ka hanome rariny ahy. Havoakany ho eny amin\u2019ny mazava aho, Dia ho hitako fa rariny ny azy.",
        "10": "Hahita an\u2019izany rehetra izany koa ny fahavaloko. Ary ho afa-baraka tanteraka izy, izay niteny tamiko hoe: \u201cAiza koa izay Jehovah Andriamanitrao eo?\u201d Hijery ny fahavaloko aho. Ho voahitsakitsaka hoatran\u2019ny fotaka eny an-dalana izy.",
        "11": "Andro hanorenana ny manda vatonao izany. Amin\u2019izay andro izay, dia hitarina ny sisin-tany.",
        "12": "Amin\u2019izay andro izay koa, dia ho avy any aminao ny olona Avy any Asyria ka hatrany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Ejipta, Avy any Ejipta ka hatrany amin\u2019ny Renirano, Sy ny avy any amin\u2019ny ranomasina ka hatrany amin\u2019ny ranomasina, ary ny avy any an-tendrombohitra ka hatrany amin\u2019ny tendrombohitra.",
        "13": "Ho lasa tsy misy mponina ao amin\u2019ilay tany, noho izay nataon\u2019ny olona nipetraka tao, Vokatry ny nataon\u2019izy ireo.",
        "14": "Ampiasao ny tehinao ka andraso ny ondry lovanao, dia ny vahoakanao, Ilay nipetraka irery tany an\u2019ala, teo afovoan\u2019ny saham-boankazo. Avelao izy hiraoka ahitra any Basana sy Gileada, hoatran\u2019ny tamin\u2019ny taloha.",
        "15": "\u201cHampisehoako zavatra mahatalanjona izy, Hoatran\u2019ny tamin\u2019ny andro nivoahanao tany Ejipta.",
        "16": "Hahita izany ireo firenena ka ho afa-baraka na dia mahery be aza. Hanampina ny vavany izy ireo, Ary ho lasa marenina ny sofiny.",
        "17": "Hilelaka vovoka hoatran\u2019ny bibilava izy ireo, Ary hangovitra toy ny biby mandady rehefa mivoaka avy ao amin\u2019ny toerany voaro mafy. Hihorohoro izy ireo rehefa manatona an\u2019i Jehovah Andriamanitsika, Ary hatahotra azy.\u201d",
        "18": "Iza no Andriamanitra hoatr\u2019anao, Izay mamela fahadisoana sy mamela ny heloky ny sisa amin\u2019ny lovanao? Tsy ho tezitra mandrakizay ianao, Satria mahafinaritra anao ny maneho fitiavana sy tsy mivadika.",
        "19": "Hamindra fo aminay indray ianao, ary horesenao ny fahadisoanay. Hatsipinao any amin\u2019ny ranomasina lalina ny fahotanay rehetra.",
        "20": "Tsy hivadika amin\u2019i Jakoba ianao, Sady ho tia foana an\u2019i Abrahama, Araka izay efa nianiananao tamin\u2019ny razambenay taloha ela\u00a0be."
    },
    "meta": {
        "name": "Mika",
        "order": 32,
        "chapter_number": 7
    }
}
