{
    "1": {
        "1": "Taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Josoa, dia nanontany an\u2019i Jehovah ny Israelita hoe: \u201cIza aminay no hiakatra voalohany hiady amin\u2019ny Kananita?\u201d",
        "2": "Dia hoy i Jehovah: \u201cNy fokon\u2019i Joda no hiakatra, ary homeko azy ilay tany.\u201d",
        "3": "Niteny tamin\u2019ny fokon\u2019i Simeona rahalahiny \u00e0ry ny fokon\u2019i Joda hoe: \u201cAndao hiaraka ho any amin\u2019ny anjara taninay mba hiady amin\u2019ny Kananita, dia mba hiaraka aminareo ho any amin\u2019ny anjara taninareo koa izahay.\u201d Niaraka taminy \u00e0ry izy ireo.",
        "4": "Rehefa niakatra ny fokon\u2019i Joda, dia nataon\u2019i Jehovah resiny ny Kananita sy ny Perizita, ka lehilahy 10\u00a0000 no resiny tao Bezeka.",
        "5": "Hitan\u2019izy ireo tao Bezeka koa i Adoni-bezeka ka notafihiny. Dia resin\u2019izy ireo ny Kananita sy ny Perizita.",
        "6": "Nandositra anefa i Adoni-bezeka, dia nenjehin\u2019izy ireo ka tratrany ary notapahin\u2019izy ireo ny ankiben-tanany roa sy ny ankiben-tongony roa.",
        "7": "Dia hoy i Adoni-bezeka: \u201cMisy mpanjaka 70, notapahina ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, mitsindroka sakafo ao ambany latabatro. Ny nataoko ihany ity no avalin\u2019Andriamanitra ahy.\u201d Nentin\u2019izy ireo tany Jerosalema izy taorian\u2019izay, ka maty tany.",
        "8": "Ary niady tamin\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema ny taranak\u2019i Joda, ka nandresy an\u2019ilay tan\u00e0na. Koa nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra ny olona nipetraka tao, ary nodorany ny tan\u00e0na.",
        "9": "Avy eo dia lasa ny fokon\u2019i Joda nandeha niady tamin\u2019ny Kananita nipetraka tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, sy tany Negeba, ary Sefela.",
        "10": "Nandeha \u00e0ry ny fokon\u2019i Joda ka niady tamin\u2019ny Kananita nipetraka tany Hebrona, izay nantsoina hoe Kiriata-arba taloha. Dia nasian\u2019izy ireo i Sesay sy Ahimana ary Talmay.",
        "11": "Rehefa avy tany izy ireo, dia nandeha niady tamin\u2019ny mponin\u2019i Debira. Kiriata-sefera no anaran\u2019i Debira talohan\u2019izay.",
        "12": "Dia hoy i Kaleba: \u201cIzay lehilahy maharesy an\u2019i Kiriata-sefera ka mahazo an\u2019io tan\u00e0na io, dia homeko ho vadiny i Aksa zanako vavy.\u201d",
        "13": "I Otniela, zanak\u2019i Kenaza zandrin\u2019i Kaleba, no nahazo an\u2019ilay tan\u00e0na, ka nomen\u2019i Kaleba azy ho vadiny i Aksa zanany vavy.",
        "14": "Rehefa nankany an-tranon\u2019i Otniela i Aksa, dia nampirisihiny hangataka saha tamin\u2019i Kaleba rainy i Otniela. Dia niala teo ambony ampondrany i Aksa, ka hoy ny rainy: \u201cInona no ilainao?\u201d",
        "15": "Dia hoy i Aksa: \u201cMba omeo fanomezana aho, azafady. Efa nomenao tany kely any atsimo ihany aho, fa mba omeo ahy koa i Golota-maima.\u201d Dia nomen\u2019i Kaleba azy i Golota Ambony sy Golota Ambany.",
        "16": "Niara-niakatra avy tany amin\u2019ny tan\u00e0na be hazo palmie ny taranak\u2019ilay Kenita rafozandahin\u2019i Mosesy sy ny taranak\u2019i Joda. Dia nankany an-tany efitr\u2019i Joda, tany atsimon\u2019i Arada, izy ireo ka niara-nipetraka tamin\u2019ny olona tany.",
        "17": "Niaraka tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda ny fokon\u2019i Simeona rahalahiny, mba hanafika ny Kananita nipetraka tany Zefata. Dia noravany tanteraka ilay tan\u00e0na, ka nantsoiny hoe Horma.",
        "18": "Azon\u2019ny fokon\u2019i Joda koa i Gaza sy ny faritra manodidina azy, Askelona sy ny faritra manodidina azy, ary Ekrona sy ny faritra manodidina azy.",
        "19": "Nampian\u2019i Jehovah ny fokon\u2019i Joda, ka azon\u2019izy ireo ny faritra be tendrombohitra. Tsy vitan\u2019izy ireo anefa ny nandroaka ny olona nipetraka teny amin\u2019ny tany lemaka, satria nanana kalesin\u2019ady misy lelan\u2019antsy izy ireny.",
        "20": "Dia nomena an\u2019i Kaleba i Hebrona, araka ny nampanantenain\u2019i Mosesy, ka noroahiny hiala tao ny zanak\u2019i An\u00e0ka telo lahy.",
        "21": "Tsy noroahin\u2019ny Benjaminita kosa ny Jebosita nipetraka tao Jerosalema, fa mbola miara-mipetraka amin\u2019izy ireo ao ihany hatramin\u2019izao.",
        "22": "Niakatra hiady tamin\u2019i Betela ny taranak\u2019i Josefa nandritra izany fotoana izany, ary nanampy azy ireo i Jehovah.",
        "23": "Dia nitsikilo an\u2019ilay tan\u00e0na ny taranak\u2019i Josefa.\u2014Lozy no anaran\u2019i Betela talohan\u2019izay.\u2014",
        "24": "Nahita lehilahy iray nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ireo olona nitsikilo an\u2019ilay tan\u00e0na, ka niteny hoe: \u201cMba atoroy anay, azafady, ny fidirana mankao an-tan\u00e0na, dia tsy hataonay na inona na inona ianao.\u201d",
        "25": "Dia natoron\u2019ilay lehilahy azy ireo ny fidirana. Koa nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra ny tao an-tan\u00e0na, fa ilay lehilahy sy ny fianakaviany manontolo kosa navelany handeha.",
        "26": "Dia nankany amin\u2019ny tanin\u2019ny Hetita ilay lehilahy, ka nanorina tan\u00e0na tany. Nantsoiny hoe Lozy ilay izy, ary mbola izany no anarany hatramin\u2019izao.",
        "27": "Tsy vitan\u2019ny fokon\u2019i Manase ny naka an\u2019i Beti-sana sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Tan\u00e0ka sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Dora sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Ibleama sy ny tan\u00e0na niankina taminy, ary Megido sy ny tan\u00e0na niankina taminy. Tsy nety niala tao amin\u2019izany tany izany ny Kananita.",
        "28": "Rehefa nihanahery ny Israely, dia nampanaoviny asa an-terivozona ny Kananita fa tsy noroahiny daholo.",
        "29": "Tsy noroahin\u2019ny fokon\u2019i Efraima koa ny Kananita nipetraka tao Gazera, ka mbola niara-nipetraka tamin\u2019izy ireo tao izy ireny.",
        "30": "Tsy noroahin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona ny olona nipetraka tany Kitrona sy Nahalola. Dia niara-nipetraka tamin\u2019izy ireo ihany ny Kananita, ka nampanaoviny asa an-terivozona.",
        "31": "Tsy noroahin\u2019ny fokon\u2019i Asera koa ny mponin\u2019i Ako, sy ny mponin\u2019i Sidona, Alaba, Akziba, Helba, Afika, ary Rehoba.",
        "32": "Mbola niara-nipetraka tamin\u2019ny Kananita tao amin\u2019ilay tany ihany ny fokon\u2019i Asera, satria tsy noroahiny ireny.",
        "33": "Tsy noroahin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly ireo mponin\u2019i Beti-semesy sy Beti-anata. Mbola niara-nipetraka tamin\u2019ny Kananita teo amin\u2019ilay tany ihany izy ireo. Dia nampanaovin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly asa an-terivozona ny mponin\u2019i Beti-semesy sy Beti-anata.",
        "34": "Tsy afaka niala tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitra ny taranak\u2019i Dana, satria tsy navelan\u2019ny Amorita nidina teny amin\u2019ny tany lemaka.",
        "35": "Ary tsy nety niala tany amin\u2019ny Tendrombohitra Heresa sy tany Aialona ary Salbima ny Amorita. Rehefa nihanahery anefa ny taranak\u2019i Josefa, dia notereny hiasa mafy ny Amorita.",
        "36": "Ny tanin\u2019ny Amorita, dia nanomboka teo amin\u2019ny fiakarana Akrabima sy tao Sela no ho miakatra."
    },
    "2": {
        "1": "Ary nisy anjelin\u2019i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima. Dia hoy izy: \u201cAvy tany Ejipta ianareo no nentiko nankat\u1ef3 amin\u2019ity tany ity. Efa nianiana tamin\u2019ny razambenareo mantsy aho hoe hitondra anareo at\u1ef3. Izao koa no nolazaiko taminareo: \u2018Tsy hivadika amin\u2019ny fifanekena nataoko taminareo mihitsy aho.",
        "2": "Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin\u2019ny olona mipetraka eto amin\u2019ity tany ity. Tokony harodanareo koa ny alitarany.\u2019 Tsy nanaraka ny teniko anefa ianareo. Fa maninona ianareo no nanao an\u2019izany?",
        "3": "Izany koa no nahatonga ahy hiteny hoe: \u2018Tsy horoahiko eo anoloanareo izy ireny ka hamandrika anareo. Dia ho voatarika hanompo ny andriamaniny ianareo.\u2019\u201d",
        "4": "Rehefa avy niteny an\u2019izany tamin\u2019ny Israelita rehetra ilay anjelin\u2019i Jehovah, dia nigogogogo nitomany ny vahoaka.",
        "5": "Dia nataon\u2019izy ireo hoe Bokima ny anaran\u2019ilay toerana, ary nanao sorona ho an\u2019i Jehovah teo izy ireo.",
        "6": "Rehefa nalefan\u2019i Josoa ny Israelita, dia samy nandeha naka ny anjara lovany.",
        "7": "Ary nanompo an\u2019i Jehovah foana ny vahoaka tamin\u2019i Josoa mbola velona. Nanao an\u2019izany foana koa izy ireo taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Josoa, tamin\u2019ny mbola velona ireo anti-panahy nahita ny asa lehibe rehetra nataon\u2019i Jehovah ho an\u2019ny Israely.",
        "8": "Dia maty i Josoa zanak\u2019i Nona, mpanompon\u2019i Jehovah, rehefa 110\u00a0taona.",
        "9": "Tany amin\u2019ny faritra nisy ny lovany \u00e0ry izy no nalevina, izany hoe tao Timnata-heresa, any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, any avaratry ny Tendrombohitra Gasa.",
        "10": "Dia nangonina any amin\u2019ny razambeny daholo izany taranaka rehetra izany, ary nisy taranaka hafa indray nandimby azy ireo. Tsy nahalala an\u2019i Jehovah sy ny asa nataony ho an\u2019ny Israely anefa ireo taranaka tat\u1ef3 aoriana ireo.",
        "11": "Ary nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah ny Israelita ka nanompo an\u2019ireo Bala.",
        "12": "Dia niala tamin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta, izy ireo. Lasa nanompo andriamani-kafa izy ireo, izany hoe ny andriamanitry ny firenena manodidina. Dia tezitra i Jehovah satria niankohoka tamin\u2019ireny izy ireo.",
        "13": "Niala tamin\u2019i Jehovah ny Israelita, ary i Bala sy ireo sarin\u2019i Astarta indray no nivavahany.",
        "14": "Dia tezitra be tamin\u2019ny Israely i Jehovah, ka navelany handroba azy ireo ny mpandroba. Navelany ho resin\u2019ny fahavalo manodidina azy koa izy ireo, ka tsy nahavita nanohitra an\u2019ireny intsony.",
        "15": "Nosazin\u2019i Jehovah izy ireo ka nisy loza nanjo azy, na taiza na taiza nalehany. Izany mantsy no efa nolazain\u2019i Jehovah, ary efa nianiana tamin\u2019izy ireo i Jehovah hoe hanao an\u2019izany. Dia nijaly be izy ireo.",
        "16": "Nanendry mpitsara \u00e0ry i Jehovah mba hamonjy azy ireo amin\u2019ny mpandroba.",
        "17": "Na ireny mpitsara ireny aza anefa tsy nohenoiny, fa naleony nanompo andriamani-kafa sy niankohoka tamin\u2019izy ireny. Vetivety izy ireo dia tsy nanao intsony hoatran\u2019ny nataon\u2019ny razambeny, izay nankat\u00f2 ny didin\u2019i Jehovah. Tsy mba nanao hoatr\u2019izany izy ireo.",
        "18": "Rehefa nisy mpitsara notendren\u2019i Jehovah ho azy ireo, dia nampian\u2019i Jehovah ilay mpitsara. Namonjy azy ireo tamin\u2019ny fahavalony Izy, tamin\u2019ilay mpitsara mbola velona. Nalahelo mantsy i Jehovah rehefa naheno azy ireo nitaraina satria nisy nampijaly.",
        "19": "Rehefa maty anefa ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy ireo ary ratsy noho ny nataon\u2019ny razambeny aza no nataony. Nivavaka tamin\u2019ny andriamani-kafa izy ireo ary niankohoka taminy. Tsy niala tamin\u2019ny fanaony izy ireo, sady mafy loha.",
        "20": "Dia tezitra be tamin\u2019ny Israely i Jehovah tamin\u2019ny farany, ka hoy izy: \u201cSatria ity firenena ity tsy nanaja ny fifanekena nataoko tamin\u2019ny razambeny sady tsy nankat\u00f2 ahy,",
        "21": "dia tsy hisy horoahiko hiala eo aminy, na iray aza, ireo firenena tsy resin\u2019i Josoa talohan\u2019ny nahafatesany.",
        "22": "Izany no hataoko amin\u2019ny Israely mba hahitako raha hanaraka ny lalan\u2019i Jehovah foana, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny razambeny, izy na tsia.\u201d",
        "23": "Navelan\u2019i Jehovah teo amin\u2019izy ireo foana \u00e0ry ireo firenena ireo. Tsy tonga dia noroahiny izy ireo sady tsy nataony resin\u2019i Josoa."
    },
    "3": {
        "1": "Navelan\u2019i Jehovah teo amin\u2019ilay tany ny firenena sasany mba hitsapana ny Israely, izany hoe izay rehetra mbola tsy nahita ny ady natao tany Kanana,",
        "2": "\u2014amin\u2019izay mahita an\u2019izany atao hoe ady izany ny taranaky ny Israelita mbola tsy nahita an\u2019izany.\u2014",
        "3": "Ireto avy ireo firenena ireo: Ny mpitondra dimy teo amin\u2019ny Filistinina, ny Kananita rehetra, ny Sidonianina, ary ny Hivita nipetraka tany amin\u2019ny Tendrombohitra Lib\u00e0na, nanomboka tany amin\u2019ny Tendrombohitra Bala-hermona ka hatrany Lebo-hamata.",
        "4": "Natao hitsapana ny Israely ireo firenena ireo, mba hahitana raha hankatoavin\u2019izy ireo na tsia ny didy nomen\u2019i Jehovah ny razambeny tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.",
        "5": "Noho izany, ny Israelita dia niara-nipetraka tamin\u2019ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.",
        "6": "Dia nalain\u2019ny Israelita ho vady ny zanakavavin\u2019izy ireny, ary ny zanany vavy kosa nomeny ho vadin\u2019ny zanakalahin\u2019izy ireny. Ary lasa nivavaka tamin\u2019ny andriamanitr\u2019izy ireny ny Israelita.",
        "7": "Dia nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah ny Israelita sady nanadino an\u2019i Jehovah Andriamaniny, ka nivavaka tamin\u2019ireo Bala sy ireo tsato-kazo masina.",
        "8": "Dia tezitra be tamin\u2019ny Israely i Jehovah, ka navelany hotafihin\u2019i Kosana-risataima mpanjakan\u2019i Mezopotamia izy ireo. Ary nanompo an\u2019i Kosana-risataima nandritra ny valo taona ny Israelita.",
        "9": "Rehefa niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah izy ireo, dia nisy olona nasain\u2019i Jehovah namonjy azy ireo. Tsy iza izany fa i Otniela zanak\u2019i Kenaza zandrin\u2019i Kaleba.",
        "10": "Ary niasa tamin\u2019i Otniela ny fanahin\u2019i Jehovah, ka lasa mpitsara teo amin\u2019ny Israely izy. Rehefa nandeha niady tamin\u2019i Kosana-risataima mpanjakan\u2019i Mezopotamia izy, dia nataon\u2019i Jehovah nandresy.",
        "11": "Dia nilamina nandritra ny 40\u00a0taona ilay tany. Ary maty i Otniela zanak\u2019i Kenaza, tat\u1ef3 aoriana.",
        "12": "Dia nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah indray ny Israelita. Navelan\u2019i Jehovah handresy azy ireo \u00e0ry i Eglona, mpanjakan\u2019i Moaba, satria nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "13": "Ary nentin\u2019i Eglona niaraka taminy ny Amonita sy ny Amalekita mba hiady tamin\u2019ny Israelita. Dia notafihin\u2019izy ireo ny Israely, ka lasany ny tan\u00e0na be\u00a0hazo palmie.",
        "14": "Ary nanompo an\u2019i Eglona, mpanjakan\u2019i Moaba, nandritra ny 18\u00a0taona ny Israelita.",
        "15": "Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah izy ireo, ka nisy olona nasain\u2019i Jehovah namonjy azy ireo. Tsy iza izany fa i Ehoda zanak\u2019i Gera. Benjaminita i Ehoda, ary kavia. Nampitondrain\u2019ny Israelita fanomezana ho an\u2019i Eglona izy indray mandeha.",
        "16": "Efa nanamboatra sabatra roa lela mirefy iray hakiho anefa i Ehoda. Dia nataony tao anaty akanjony ilay izy, ary nafatony teo amin\u2019ny feny ankavanana.",
        "17": "Rehefa tonga tany amin\u2019i Eglona izy, dia nomeny azy ilay fanomezana. Lehilahy matavy be io Eglona\u00a0io.",
        "18": "Rehefa avy nanome an\u2019ilay fanomezana i Ehoda, dia lasa nandeha niaraka tamin\u2019ireo olona nitondra an\u2019ilay izy.",
        "19": "Niverina anefa i Ehoda rehefa tonga teo amin\u2019ny toerana nisy sary sokitra tany Gilgala. Ary hoy izy tamin\u2019i Eglona Mpanjaka: \u201cMisy tsiambaratelo tiako holazaina aminao, ry mpanjaka\u00a0\u00f4!\u201d Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019ny mpanompony: \u201cMandehana daholo aloha mivoaka!\u201d Dia lasa daholo izy ireo.",
        "20": "Nipetraka tao amin\u2019ilay efitrano mangatsiatsiaka tany an-tampon-tranony i Eglona tamin\u2019i Ehoda nankao aminy. Ary hoy i Ehoda: \u201cMisy hafatra ho anao avy amin\u2019Andriamanitra.\u201d Dia nitsangana niala teo amin\u2019ny seza fiandrianany i Eglona.",
        "21": "Dia nalain\u2019i Ehoda tamin\u2019ny tanany ankavia ilay sabatra teo amin\u2019ny feny ankavanana, ary natsatony teo amin\u2019ny kibon\u2019i Eglona.",
        "22": "Dia difotra hatramin\u2019ny tahon\u2019ilay sabatra. Ary nikombona nanarona ny lelan-tsabatra ny tavin\u2019i Eglona, satria tsy notsoahan\u2019i Ehoda teo amin\u2019ny kibon\u2019i Eglona ilay sabatra. Ary nivoaka ny maloton\u2019i Eglona.",
        "23": "Dia nivoaka avy teo amin\u2019ny lavarangana i Ehoda, ary nakatony sy nohidiany lakile ireo varavaran\u2019ilay efitrano tany an-tampon-trano.",
        "24": "Rehefa lasa i Ehoda, dia niverina ireo mpanompon\u2019i Eglona. Ary hitan\u2019izy ireo fa nihidy lakile ny varavaran\u2019ilay efitrano. Dia hoy izy ireo: \u201cMbola mivoaka ao amin\u2019ilay efitrano anatiny mangatsiatsiaka angamba izy.\u201d",
        "25": "Dia niandry teo foana izy ireo, ka sahiran-tsaina tamin\u2019ny farany. Rehefa hitan\u2019izy ireo anefa hoe mbola tsy novohain\u2019i Eglona ihany ny varavaran\u2019ilay efitrano tany an-tampon-trano, dia nalain\u2019izy ireo ny lakile ary novohainy ny varavarana. Dia hitan\u2019izy ireo fa efa maty nitsitra tamin\u2019ny tany ilay tompony!",
        "26": "I Ehoda kosa efa lasa nitsoaka raha mbola nitaraikiraiky teo izy ireo. Ary nandalo an\u2019ilay toerana nisy sary sokitra izy, ka tonga soa aman-tsara tany Seirata.",
        "27": "Raha vao tonga tany Seirata tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima izy, dia nitsoka anjombona. Dia niara-nidina taminy avy tany amin\u2019ilay faritra be tendrombohitra ny Israelita, ary izy no nitarika azy ireo.",
        "28": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cAndao hanaraka ahy, fa efa nataon\u2019i Jehovah resinareo ny Moabita fahavalonareo.\u201d Dia nanaraka azy ny Israelita. Nankeny amin\u2019ireo toerana fiampitana ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo, mba hisakana ny Moabita tsy hiampita teo.",
        "29": "Moabita 10\u00a0000 teo ho eo no matin\u2019izy ireo tamin\u2019izay, ary lehilahy matanjaka sady mahery fo daholo ireo maty ireo. Tsy nisy tafatsoaka na iray aza.",
        "30": "Dia resin\u2019ny Israely i Moaba tamin\u2019izay andro izay, ka nilamina nandritra ny 80\u00a0taona ilay tany.",
        "31": "Taorian\u2019i Ehoda, dia i Samgara zanak\u2019i Anata indray no namonjy ny Israely. Nahavita namono Filistinina 600 lahy tamin\u2019ny fanindronana omby izy."
    },
    "4": {
        "1": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah indray ny Israelita rehefa maty i Ehoda.",
        "2": "Navelan\u2019i Jehovah ho resin\u2019i Jabina mpanjakan\u2019i Kanana \u00e0ry izy ireo. Tao Hazora i Jabina no nanjaka, ary i Sisera no lehiben\u2019ny tafiny. Tao Harosetan\u2019ireo firenena kosa i Sisera no nipetraka.",
        "3": "Dia nitaraina tamin\u2019i Jehovah ny Israelita, satria nanana kalesin\u2019ady 900 nisy lelan\u2019antsy i Jabina, ary nampijaly be azy ireo izy nandritra ny 20\u00a0taona.",
        "4": "Ary i Debora mpaminanivavy, vadin\u2019i Lapidota, no nitsara ny Israely tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "5": "Fanaony ny nipetraka teo ambanin\u2019ny hazo palmie iray, izay teo anelanelan\u2019i Rama sy Betela, tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima. Ary niakatra nankany aminy ny Israelita rehefa te hahafantatra ny didim-pitsaran\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Ary naniraka olona ho any amin\u2019i Baraka zanak\u2019i Abinoama tany Kedesi-naftaly i Debora, mba hiteny aminy hoe: \u201cEfa nandidy anao i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoe: \u2018Mandehana any amin\u2019ny Tendrombohitra Tabara, ary mak\u00e0 lehilahy 10\u00a0000 eo amin\u2019ny taranak\u2019i Naftaly sy Zebolona mba hiaraka aminao.",
        "7": "Ary hoentiko any aminao, any amin\u2019ny reniranon\u2019i Kisona, i Sisera lehiben\u2019ny tafik\u2019i Jabina sy ireo kalesy fitondrany miady ary ny miaramilany. Dia hataoko resinao izy.\u2019\u201d",
        "8": "Dia hoy i Baraka tamin\u2019i Debora: \u201cHandeha aho raha miaraka amiko ianao, fa raha tsy mandeha ianao, dia tsy handeha koa aho.\u201d",
        "9": "Dia hoy i Debora: \u201cAo fa hiaraka aminao aho! Tsy ianao anefa no hahazo voninahitra amin\u2019ity fanafihana hataonao ity. Vehivavy mantsy no hataon\u2019i Jehovah mandresy an\u2019i Sisera.\u201d Dia nitsangana i Debora ka niaraka tamin\u2019i Baraka ho any Kedesy.",
        "10": "Ary nantsoin\u2019i Baraka ho any Kedesy ny taranak\u2019i Zebolona sy Naftaly, ka lehilahy 10\u00a0000 no tonga nanaraka azy. Niaraka taminy koa i Debora.",
        "11": "Ary efa tsy niaraka tamin\u2019ny Kenita taranak\u2019i Hobaba intsony i Hebera Kenita. Rafozandahin\u2019i Mosesy io Hobaba io. Teo akaikin\u2019ilay hazobe tao Zananima any Kedesy i Hebera no nanangana ny tranolainy.",
        "12": "Ary nisy nilaza tamin\u2019i Sisera hoe efa niakatra any an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanak\u2019i Abinoama.",
        "13": "Tonga dia nangonin\u2019i Sisera daholo ny kalesin\u2019adiny 900 nisy lelan\u2019antsy sy ny miaramilany rehetra tao Harosetan\u2019ireo firenena, mba ho any amin\u2019ny reniranon\u2019i Kisona.",
        "14": "Ary hoy i Debora tamin\u2019i Baraka: \u201cMitsang\u00e0na fa hataon\u2019i Jehovah resinao i Sisera androany. Tsy i Jehovah ve no mitarika anao?\u201d Dia nidina avy tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka sy ireo lehilahy 10\u00a0000 niaraka taminy.",
        "15": "Ary nataon\u2019i Jehovah nifanaritaka, teo anoloan\u2019ny sabatr\u2019i Baraka, i Sisera sy ny kalesy rehetra fitondrany miady ary ny miaramilany rehetra. Dia nidina niala tamin\u2019ny kalesiny i Sisera tamin\u2019ny farany, ka lasa nandositra.",
        "16": "Dia nenjehin\u2019i Baraka hatrany Harosetan\u2019ireo firenena ireo kalesy fitondra miady sy ny miaramila. Matin\u2019ny sabatra daholo ny miaramilan\u2019i Sisera, ka tsy nisy niangana na iray aza.",
        "17": "Fa i Sisera kosa nandositra nankany amin\u2019ny tranolain\u2019i Jaela vadin\u2019i Hebera Kenita, satria nihavana tsara i Jabina mpanjakan\u2019i Hazora sy ny fianakavian\u2019i Hebera Kenita.",
        "18": "Dia nitsena an\u2019i Sisera i Jaela, ka niteny hoe: \u201cMandrosoa tompoko! Mandrosoa ato fa aza matahotra.\u201d Dia niditra tao amin\u2019ilay tranolay i Sisera ary norakofan\u2019i Jaela bodofotsy izy.",
        "19": "Ary hoy i Sisera taminy: \u201cMba omeo rano kely aho azafady, fa mangetaheta.\u201d Dia nanokatra siny hoditra fasiana ronono i Jaela, ary nomeny ronono izy hosotroiny. Dia norakofan\u2019i Jaela indray izy avy eo.",
        "20": "Hoy koa i Sisera taminy: \u201cMitsang\u00e0na eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay, dia raha misy olona tonga eo ka manontany anao hoe: \u2018Sao dia ao ilay lehilahy tadiavinay?\u2019, dia valio hoe: \u2018Tsisy an\u2019izany ato.\u2019\u201d",
        "21": "Reraka be i Sisera tamin\u2019izay ka natory be. Naka fantsika be fanenjanan-day sy marotoa anefa i Jaela vadin\u2019i Hebera. Dia nitsaitsaika nankeo amin\u2019i Sisera izy ary natsatony teo amin\u2019ny fihirifany ilay fantsika be, ka nokapohiny hilentika hatrany anaty tany. Dia maty i Sisera.",
        "22": "Ary tonga tany i Baraka nanenjika an\u2019i Sisera. Dia nitsena azy i Jaela ka niteny hoe: \u201cAvia fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao.\u201d Dia niditra tao amin\u2019ilay tranolay izy ireo, ary nahita an\u2019i Sisera maty teo. Mbola teo amin\u2019ny fihirifany ilay fantsika\u00a0be.",
        "23": "Nataon\u2019Andriamanitra resin\u2019ny Israelita \u00e0ry i Jabina mpanjakan\u2019i Kanana, tamin\u2019izay andro izay.",
        "24": "Ary niady tamin\u2019i Jabina mpanjakan\u2019i Kanana ny Israelita. Nihamafy foana izany ady izany, mandra-pamonony an\u2019i Jabina mpanjakan\u2019i Kanana."
    },
    "5": {
        "1": "Dia nihira toy izao i Debora sy Baraka zanak\u2019i Abinoama, tamin\u2019iny andro iny:",
        "2": "\u201cDerao i Jehovah, Satria nirotsaka an-tsitrapo ny Israely, Ary tsy nofatorana ny volon\u2019ireo miaramila.",
        "3": "Mihainoa ry mpanjaka! Mihainoa ry mpitondra! Hihira ho an\u2019i Jehovah aho. Hihira fiderana ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely aho.",
        "4": "Tamin\u2019ianao avy tany Seira, Jehovah\u00a0\u00f4, Tamin\u2019ianao niala avy tany amin\u2019ny faritr\u2019i Edoma, Dia nihovotrovotra ny tany, nandrotsaka orana ny lanitra, Ary nandraraka rano ny rahona.",
        "5": "Nitsonika teo anoloan\u2019i Jehovah ny tendrombohitra, Na i Sinay aza nitsonika teo anoloan\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "6": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Samgara, zanak\u2019i Anata, Tamin\u2019ny andron\u2019i Jaela, dia tsy nisy mpandeha ny lalana, Fa nandeha tamin\u2019ny lalan-kafa ny mpanao dia lavitra.",
        "7": "Tsy nisy mponina intsony tany amin\u2019ireo tan\u00e0na kelin\u2019ny Israely, Tsy nisy olona intsony tany mandra-panendry ahy, dia izaho Debora, Mandra-panendry ahy ho toy ny reny teo amin\u2019ny Israely.",
        "8": "Nifidy andriamani-baovao izy ireo. Dia nisy ady teny am-bavahady, Ary tsy nanana ampinga na lefona Ireo olona 40\u00a0000 teo amin\u2019ny Israely.",
        "9": "Manohana an\u2019ireo mpitari-tafika eo amin\u2019ny Israely aho, Dia ireo nirotsaka an-tsitrapo niaraka tamin\u2019ny vahoaka. Derao i Jehovah!",
        "10": "Ianareo izay mitaingina ampondra volontany, Ianareo izay mipetraka eo ambony lamba matevina lafo vidy, Ary ianareo izay mandeha eny an-dalana, Mba diniho izao:",
        "11": "Heno teny am-pantsakana ny feon\u2019ny mpizara rano. Teny izy ireo no nitantara ny zavatra ara-drariny nataon\u2019i Jehovah, Sy ny zavatra ara-drariny nataon\u2019ny olony tany amin\u2019ireo tan\u00e0na kelin\u2019ny Israely. Dia nidina teny am-bavahady ny vahoakan\u2019i Jehovah.",
        "12": "Mifohaza, mifohaza, ry Debora\u00a0\u00f4! Mifohaza, mifohaza, ka mihir\u00e0! Mitsang\u00e0na ry Baraka! Ento manaraka anao ireo olona azonao babo, ry zanak\u2019i Abinoama!",
        "13": "Dia nidina tany amin\u2019ny olo-manan-kaja ny sisa tsy maty. Nidina nankat\u1ef3 amiko ny vahoakan\u2019i Jehovah mba hiady amin\u2019ny olo-mahery.",
        "14": "Avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima ireo nankeny amin\u2019ny lohasaha. Niaraka taminao sy ny vahoakanao izy ireo, ry Benjamina\u00a0\u00f4! Avy tamin\u2019i Makira ireo mpitari-tafika nidina tany, Ary avy tamin\u2019i Zebolona ireo niantso olona hanao miaramila.",
        "15": "Niaraka tamin\u2019i Debora ny andriana teo amin\u2019ny fokon\u2019i Isakara, Ary toy ny nataon\u2019i Isakara ihany ny nataon\u2019i Baraka. Nirahina handeha an-tongotra hankeny amin\u2019ny tany lemaka izy. Nisy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena nisalasala\u00a0be.",
        "16": "Nahoana ianao no nipetraka toy ny biby anankiray mitondra kitapon-dasely roa, Mba hihaino an\u2019ireo mpiandry ondry nitsoka sodina hibaikoana andian\u2019ondry? Nisy tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena nisalasala\u00a0be.",
        "17": "Nijanona teny ampitan\u2019i Jordana i Gileada. Ary nahoana i Dana no nijanona tao anaty sambo? Nipetra-potsiny teo amoron-dranomasina i Asera, Ary nijanona teo amin\u2019ny seranan-tsambony izy.",
        "18": "Ny taranak\u2019i Zebolona kosa nanao vivery ny ainy, ary vonona ho faty mihitsy aza. Nanao toy izany koa i Naftaly teny amin\u2019ny havoana.",
        "19": "Nisy mpanjaka tonga hiady, Dia niady ireo mpanjakan\u2019i Kanana Tao Tan\u00e0ka, teo amoron\u2019ny ranon\u2019i Megido. Tsy nahazo volafotsy anefa izy ireo.",
        "20": "Avy tany an-danitra ny kintana no niady, Avy teny izy ireny no niady tamin\u2019i Sisera.",
        "21": "Nifaoka an\u2019ireo fahavalo ny reniranon\u2019i Kisona, Dia ilay renirano efa nisy hatry ny ela, izany hoe ny reniranon\u2019i Kisona. Nanitsakitsaka an\u2019ireo olo-mahery aho.",
        "22": "Dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly, Satria nihazakazaka mafy be ny soavalilahy.",
        "23": "\u2018Oz\u00f2ny i Meroza\u2019, hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah, \u2018Oz\u00f2ny ny mponina\u00a0ao, Satria tsy mba tonga nanampy an\u2019i Jehovah, Tsy niaraka tamin\u2019ireo olo-mahery mba hanampy an\u2019i Jehovah.\u2019",
        "24": "Tahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra i Jaela, Vadin\u2019i Hebera Kenita, Tahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra mipetraka any anaty tranolay izy.",
        "25": "Rano no nangatahin\u2019i Sisera, fa ronono no nomeny azy, Habobo no natolony tao anaty vilia baolina lehibe tsara tarehy.",
        "26": "Dia nalainy ny fantsika be fanenjanan-day, Noraisiny tamin\u2019ny tanana havanana ny marotoa, Dia nasiany tamin\u2019iny i Sisera, ka vaky ny lohany. Nokapohiny mafy be ny fihirifany ary nolavahany.",
        "27": "Teo anelanelan\u2019ny tongotr\u2019i Jaela izy no nianjera sy nitsitra. Teo anelanelan\u2019ny tongony izy no nianjera, Ary teo amin\u2019izay nianjerany izy no resy.",
        "28": "Nisy vehivavy nitazana teo am-baravarankely, Nitazana teo amin\u2019ny makarakaran\u2019ny varavarankely ny renin\u2019i Sisera, ka niteny hoe: \u2018Fa maninona \u00e0ry no mbola tsy tonga foana ny kalesy fitondrany miady? Fa maninona \u00e0ry no mbola tsy re mikatrokatroka foana ny kitron\u2019ny soavaliny?\u2019",
        "29": "Izay hendry indrindra tamin\u2019ny vehivavy nanan-kaja teo aminy no namaly azy; Izy koa aza mba nieritreritra hoe:",
        "30": "\u2018Efa nahazo babo izay ry zareo, dia nizara an\u2019izany, Ankizivavy iray na ankizivavy roa no anjaran\u2019ny miaramila tsirairay. Lamba miloko no azon\u2019i Sisera, eny, lamba miloko, Akanjo iray misy peta-kofehy, lamba miloko, akanjo roa misy peta-kofehy No eny am-bozon\u2019ireo nahazo babo.\u2019",
        "31": "Ho faty toy izany koa anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah\u00a0\u00f4! Fa izay tia anao kosa ho tahaka ny masoandro mibaliaka.\u201d Ary nilamina nandritra ny 40\u00a0taona ilay tany."
    },
    "6": {
        "1": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah indray anefa ny Israelita, ka navelan\u2019i Jehovah ho resin\u2019ny Midianina izy ireo nandritra ny fito taona.",
        "2": "Dia nanjakazaka tamin\u2019ny Israely ny Midianina. Noho ny nataon\u2019ny Midianina, dia nanamboatra toerana hiafenany ny Israelita. Nataon\u2019izy ireo teny an-tendrombohitra izany sy tao amin\u2019ireo lava-bato ary tany amin\u2019ireo toerana sarotra aleha.",
        "3": "Ary rehefa namafy voa ny Israely, dia nanafika azy ny Midianina sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana.",
        "4": "Nanangana toby izy ireo dia notafihiny ny Israely. Dia nosimban\u2019izy ireo ny vokatry ny tany, hatrany Gaza. Nataony tsy nanana na inona na inona hatao sakafo intsony ny Israely. Ary nalainy daholo na ny ondry na ny omby na ny ampondra.",
        "5": "Nitondra biby fiompy sy tranolay izy ireo ary nanao rodobe hoatran\u2019ny valala. Tsy voaisa koa izy ireo sy ny ramevany. Ary ny hanimba an\u2019ilay tany no nahatongavany.",
        "6": "Lasa nahantra be \u00e0ry ny Israely noho ny nataon\u2019ny Midianina. Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah ny Israelita.",
        "7": "Rehefa niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah ny Israelita noho ny nataon\u2019ny Midianina,",
        "8": "dia naniraka mpaminany ho any amin\u2019ny Israelita i Jehovah mba hiteny amin\u2019izy ireo hoe: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Izaho no nitondra anareo avy tany Ejipta, ka nanafaka anareo tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anareo.",
        "9": "Dia namonjy anareo tamin\u2019ny Ejipsianina sy tamin\u2019izay rehetra nampijaly anareo aho. Noroahiko ny fahavalonareo, ary nomeko anareo ny taniny.",
        "10": "Dia niteny taminareo koa aho hoe: \u201cIzaho no Jehovah Andriamanitrareo. Aza mivavaka amin\u2019ireo andriamanitra ivavahan\u2019ny Amorita, izay tompon\u2019ny tany ipetrahanareo.\u201d Tsy nankat\u00f2 ahy anefa ianareo.\u2019\u201d",
        "11": "Ary tonga ilay anjelin\u2019i Jehovah taorian\u2019izay, ka nipetraka teo ambanin\u2019ilay hazoben\u2019i Joasy Abi-ezerita, tany Ofra. Nively varimbazaha tao amin\u2019ny lavaka famiazam-boaloboka i Gideona zanakalahin\u2019i Joasy tamin\u2019izay, mba tsy ho hitan\u2019ny Midianina.",
        "12": "Dia niseho taminy ilay anjelin\u2019i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cMomba anao i Jehovah, ry miaramila matanjaka!\u201d",
        "13": "Hoy anefa i Gideona taminy: \u201cAzafady tompoko, fa raha momba anay i Jehovah, maninona no manjo anay izao zavatra rehetra izao? Aiza daholo izao ny zava-mahagaga nataony, ilay notantarain\u2019ny razambenay taminay hoe: \u2018I Jehovah no nitondra antsika nivoaka avy tany Ejipta\u2019? Efa nafoin\u2019i Jehovah izahay, ka navelany hanompo ny Midianina.\u201d",
        "14": "Dia nijery azy i Jehovah ka niteny hoe: \u201cMandehana, ary ampiasao ny hery anananao mba hamonjena ny Israely eo an-tanan\u2019ny Midianina. Izaho no maniraka anao.\u201d",
        "15": "Ary hoy ny navalin\u2019i Gideona: \u201cAzafady Jehovah\u00a0\u00f4, ahoana moa no hamonjeko ny Israely? Ny fianakaviako ange no tsinontsinona indrindra ao amin\u2019ny fokon\u2019i Manase\u00a0e! Dia izaho no tsy misy dikany indrindra ao amin\u2019ny fianakavian\u2019ny dadako.\u201d",
        "16": "Hoy anefa i Jehovah: \u201cHanampy anao aho, ka ho resinao hoatran\u2019ny fandresena olona anankiray ny Midianina.\u201d",
        "17": "Dia hoy i Gideona: \u201cRaha mahazo sitraka aminao \u00e0ry aho, dia manaova famantarana mba hahalalako fa ianao tokoa no miresaka amiko.",
        "18": "Aza miala eto, azafady, mandra-piveriko, fa handeha haka fanomezana aho mba hoentiko eto aminao.\u201d Dia hoy izy: \u201cHijanona eto aho mandra-piverinao.\u201d",
        "19": "Ary lasa i Gideona, ka nahandro zanak\u2019osy sy nanamboatra mofo tsy misy lalivay tamin\u2019ny lafarinina iray efaha. Dia nataony tao anaty harona ny hena, ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena. Dia nentiny tany amin\u2019ilay anjely izany ka narosony azy, teo ambanin\u2019ilay hazobe.",
        "20": "Ary hoy ilay anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cAlaivo ilay hena sy ilay mofo tsy misy lalivay, ka apetraho er\u1ef3 ambonin\u2019ir\u1ef3 vatobe ir\u1ef3, ary araraho eo ilay ron-kena.\u201d Dia nataon\u2019i Gideona izany.",
        "21": "Ary nokasihin\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny tendron\u2019ny tehina teny an-tanany ilay hena sy ny mofo tsy misy lalivay. Dia nisy afo nivoaka avy tamin\u2019ilay vato ka nandevona an\u2019ilay hena sy ilay mofo tsy misy lalivay. Nanjavona ilay anjelin\u2019i Jehovah avy eo ka tsy hitan\u2019i Gideona intsony.",
        "22": "Izay vao fantany hoe anjelin\u2019i Jehovah ilay teo. Dia hoy i Gideona: \u201cMaty aho, ry Jehovah Tompo Fara Tampony, fa nahita anjelin\u2019i Jehovah!\u201d",
        "23": "Fa hoy i Jehovah taminy: \u201cAza taitaitra ianao! Aza matahotra fa tsy ho faty ianao.\u201d",
        "24": "Nanamboatra alitara ho an\u2019i Jehovah teo \u00e0ry i Gideona. Natao hoe Jehovah-saloma ny anaran\u2019ilay alitara. Izany no iantsoana an\u2019ilay izy hatramin\u2019izao, ary mbola any Ofra, tan\u00e0nan\u2019ny Abi-ezerita, ilay izy.",
        "25": "Hoy i Jehovah tamin\u2019i Gideona rehefa alina ny andro: \u201cAlaivo ny vantotr\u2019ombilahin\u2019ny dadanao, dia ilay vantotr\u2019omby faharoa efa fito taona. Arodano koa ny alitaran\u2019i Bala, izay an\u2019ny dadanao, ary tapaho ny tsato-kazo masina eo akaikiny.",
        "26": "Ary manamboara alitara ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao eo an-tampon\u2019ity toerana voaro mafy ity, ka ataovy milahatra tsara ny vato eo aminy. Ary alaivo ilay vantotr\u2019ombilahy faharoa, dia ataovy fanatitra dorana eo ambony kitay, ka ilay tsato-kazo masina notapahinao no hataonao kitay.\u201d",
        "27": "Koa naka folo lahy tamin\u2019ny mpanompony i Gideona, ka nataony izay notenenin\u2019i Jehovah taminy. Tamin\u2019ny alina anefa izy no nanao an\u2019izany fa tsy tamin\u2019ny antoandro, satria izy natahotra be an\u2019ireo fianakavian\u2019ny dadany sy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na.",
        "28": "Rehefa nifoha maraina ny olona tao an-tan\u00e0na ny ampitson\u2019iny, dia hitan\u2019izy ireo fa nirodana ny alitaran\u2019i Bala, tapaka ilay tsato-kazo masina teo akaikiny, ary efa natao fanatitra teo ambonin\u2019ilay alitara vao namboarina ilay vantotr\u2019ombilahy faharoa.",
        "29": "Dia nifanontany ny olona hoe: \u201cFa iza no nanao an\u2019ireo?\u201d Rehefa avy nanadihady izy ireo, dia niteny hoe: \u201cI Gideona zanak\u2019i Joasy!\u201d",
        "30": "Dia hoy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na tamin\u2019i Joasy: \u201cAvoahy at\u1ef3 ny zanakao mba hovonoina ho faty, fa izy no nandrodana ny alitaran\u2019i Bala sy nanapaka an\u2019ilay tsato-kazo masina teo akaikin\u2019ilay izy.\u201d",
        "31": "Dia hoy i Joasy tamin\u2019izay rehetra nila ady taminy: \u201cAngaha ianareo tsy maintsy miaro an\u2019i Bala? Tsy maintsy mamonjy azy angaha ianareo? Izay rehetra miaro an\u2019i Bala dia tokony hovonoina ho faty izao maraina izao ihany. Raha andriamanitra i Bala, dia avelao izy ihany no hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.\u201d",
        "32": "Ary nataon\u2019i Joasy hoe Jerobala ny anaran\u2019i Gideona nanomboka tamin\u2019izay, fa hoy izy: \u201cAvelao i Bala hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.\u201d",
        "33": "Ary nivondrona ny Midianina sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana ka niampita nankeny amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jezirela. Ary nitoby teo izy ireo.",
        "34": "Ary niasa tamin\u2019i Gideona ny fanahin\u2019i Jehovah, ka nitsoka anjombona izy. Dia nankany aminy ny Abi-ezerita mba hanohana azy.",
        "35": "Ary naniraka olona nankany amin\u2019izay rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Manase izy, dia nankany aminy koa ireo mba hanohana azy. Naniraka olona nankany amin\u2019ny fokon\u2019i Asera sy Zebolona ary Naftaly koa i Gideona, ka tonga nitsena azy izy ireo.",
        "36": "Dia hoy i Gideona tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cIanao efa nampanantena hoe hamonjy ny Israely, ary izaho no hampiasainao hanao an\u2019izany.",
        "37": "Hametraka volonondry eo am-pamoloana \u00e0ry aho. Raha ilay\u00a0volonondry ihany no misy ranonando, fa ny tany manodidina an\u2019ilay izy kosa maina, dia ho fantatro fa hamonjy ny Israely ianao ary izaho no hampiasainao. Izany mantsy no efa nampanantenainao.\u201d",
        "38": "Dia izany tokoa no nitranga. Nofiazany ilay volonondry rehefa nifoha maraina izy ny ampitson\u2019iny, ka nahafeno vilia baolina lehibe ny ranonando avy tamin\u2019ilay izy.",
        "39": "Fa hoy indray i Gideona tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cAoka re ianao mba tsy ho tezitra be amiko\u00a0e, fa mbola misy zavatra iray tiako hangatahina aminao. Mba avelao aho hampiasa an\u2019ilay volonondry indray! Mba tiako ho hita mantsy raha tena hanampy ahy ianao na tsia. Aleo indray ilay volonondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa hisy ranonando.\u201d",
        "40": "Dia izany no nataon\u2019Andriamanitra tamin\u2019iny alina iny. Ilay volonondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa nisy ranonando."
    },
    "7": {
        "1": "Ary nifoha maraina i Jerobala, izany hoe i Gideona, sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka nitoby teo amin\u2019ny Loharanon\u2019i Haroda. Ny tobin\u2019ny Midianina kosa teo avaratry ry Gideona, teo amin\u2019ny havoanan\u2019i More, izay teny amin\u2019ny lohasaha.",
        "2": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Gideona: \u201cBe loatra ny olona miaraka aminao, ka tsy hataoko resin\u2019izy ireo ny Midianina. Sao mantsy hirehareha ny Israely, dia hiteny amiko hoe: \u2018Izaho ihany no namonjy ny tenako.\u2019",
        "3": "Ilazao ny olona, azafady, hoe: \u2018Afaka mody izay matahotra sy mangovitra.\u2019\u201d Ary nisy fitsapana nataon\u2019i Gideona tamin\u2019izy ireo. Dia olona 22\u00a0000 no niverina nody, ka 10\u00a0000 sisa no tavela.",
        "4": "Hoy ihany anefa i Jehovah tamin\u2019i Gideona: \u201cMbola be loatra ireo olona ireo. Asaivo midina eny amoron-drano ry zareo, fa hisy fitsapana hataoko amin\u2019izy ireo eny mba hanampiako anao hifidy amin\u2019izy ireo. Dia izay teneniko aminao hoe: \u2018Ento miaraka aminao io\u2019, no hiaraka aminao. Fa izay lazaiko hoe: \u2018Aza entina miaraka aminao io\u2019, dia tsy hiaraka aminao.\u201d",
        "5": "Dia nasain\u2019i Gideona nidina teny amoron-drano ny olona. Hoy i Jehovah taminy: \u201cAtok\u00e0ny izay rehetra milelaka rano hoatran\u2019ny filelaky ny alika. Ary atok\u00e0ny izay rehetra mandohalika rehefa misotro rano.\u201d",
        "6": "Dia 300 lahy no nandraoka rano tamin\u2019ny tanany ka nilelaka an\u2019izany. Ny sisa rehetra kosa nandohalika rehefa nisotro.",
        "7": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Gideona: \u201cIreo 300 lahy nilelaka rano ireo no hamonjeko anareo, ary hataoko resinareo ny Midianina. Asaivo mody kosa ny olona sisa rehetra.\u201d",
        "8": "Dia nalain\u2019ireo 300 lahy ny vatsy sy ny anjombona teny amin\u2019ny olona. Nalefan\u2019i Gideona nody avy eo ny lehilahy israelita rehetra, ka 300 lahy sisa no nijanona niaraka taminy. Teny amin\u2019ny lohasaha, teny ambanin\u2019ny tobin-dry Gideona, no nisy ny tobin\u2019ny Midianina.",
        "9": "Hoy i Jehovah tamin\u2019i Gideona, tamin\u2019iny alina iny: \u201cMitsang\u00e0na ary tafiho ny tobiny, fa hataoko resinao izy ireo.",
        "10": "Fa raha matahotra hanafika azy ireo ianao, dia mid\u00ecna any amin\u2019ilay toby miaraka amin\u2019i Pora mpanomponao.",
        "11": "Ary henoy ny resak\u2019izy ireo, dia amin\u2019izay ianao ho sahy hanafika ny ao an-toby.\u201d Dia nidina izy sy Pora mpanompony ka nankany an-tsisin\u2019ilay toby.",
        "12": "Be dia be hoatran\u2019ny andiam-balala ny Midianina sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana, ka rakotra azy ireo ilay tany lemaka. Tsy voaisa ny ramevany, fa maro be hoatran\u2019ny fasika eny amoron-dranomasina.",
        "13": "Ary tonga tany i Gideona, ka naheno lehilahy nitantara nofy tamin\u2019ny namany. Hoy ilay lehilahy: \u201cNanonofy aho hoe nisy mofo boribory vita tamin\u2019ny vary orza, nikodiadia nanketo amin\u2019ny tobin\u2019ny Midianina. Tonga hatreny amin\u2019ny tranolay anankiray ilay izy, dia nandona mafy azy, ka nianjera ilay tranolay. Nataony ambony ambany mihitsy ilay tranolay, ka nirodana tanteraka.\u201d",
        "14": "Dia hoy ilay namany: \u201cTena ny sabatr\u2019i Gideona ilay lehilahy israelita zanak\u2019i Joasy izany! Hataon\u2019Andriamanitra resiny ny Midianina sy ny toby rehetra.\u201d",
        "15": "Raha vao henon\u2019i Gideona ilay nofy sy ny dikan\u2019ilay izy, dia niankohoka izy ka nivavaka. Ary niverina tany amin\u2019ny tobin\u2019ny Israely izy niteny hoe: \u201cMitsang\u00e0na, fa hataon\u2019i Jehovah resinareo ny tobin\u2019ny Midianina.\u201d",
        "16": "Dia nozarainy ho andiany telo izy 300\u00a0lahy, ka samy nomeny anjombona sy siny lehibe tsy nisy na inona na inona. Nomeny fanilo koa izy ireo hatao ao anaty siny.",
        "17": "Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cJereo aho, dia ataovy izay hataoko. Ary rehefa tonga eo an-tsisin\u2019ny toby aho, dia izay hataoko mihitsy no tokony hataonareo.",
        "18": "Rehefa mitsoka anjombona aho sy izay rehetra miaraka amiko, dia tokony hitsoka ny anjombonareo manodidina ny toby koa ianareo, sady hiteny mafy hoe: \u2018Ho an\u2019i Jehovah sy Gideona!\u2019\u201d",
        "19": "Ary tonga teo an-tsisin\u2019ny toby i Gideona sy ny 100 lahy niaraka taminy, rehefa nanomboka ny fotoam-piambenana faharoa amin\u2019ny alina. Vao avy nosoloan\u2019ny Midianina ny miaramila mpiambina tamin\u2019izay. Dia nitsoka anjombona ry Gideona, ary nopotipotehiny ny sinin-drano lehibe teny an-tanany.",
        "20": "Dia samy nitsoka ny anjombony sy namotipotika an\u2019ireo siny lehibe ny andiany telo. Ary notazonin\u2019izy ireo tamin\u2019ny tanany havia ny fanilo, fa ny tanany havanana kosa nitazona anjombona. Notsofin\u2019izy ireo ny anjombona ary niantsoantso mafy izy ireo hoe: \u201cNy sabatr\u2019i Jehovah sy Gideona!\u201d",
        "21": "Samy nijanona teo amin\u2019izay nisy azy, nanodidina ny toby, izy ireo. Dia nihazakazaka nandositra izay rehetra tao an-toby sady nihorakoraka.",
        "22": "Ary mbola nitsoka anjombona foana izy 300\u00a0lahy. Dia nataon\u2019i Jehovah nifamely tamin\u2019ny sabatra ny eran\u2019ny toby. Nandositra izy ireo ka tonga hatrany Beti-sita sy Zereraha, ary hatrany amin\u2019ny sisin\u2019i Abela-mehola, any akaikin\u2019i Tabata.",
        "23": "Dia nantsoina ny lehilahy israelita avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly sy Asera ary izay rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Manase. Dia nenjehin\u2019izy ireo ny Midianina.",
        "24": "Ary naniraka olona eran\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima i Gideona mba hilaza hoe: \u201cMid\u00ecna mba hanafika ny Midianina, ka sakano ny lalana fiampitana ny ranon\u2019i Beti-bara sy ny Reniranon\u2019i Jordana.\u201d Koa niaraka ny lehilahy efraimita rehetra, dia nosakanany ny lalana fiampitana ny ranon\u2019i Beti-bara sy ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "25": "Voasambotr\u2019izy ireo koa ny andrianan\u2019ny Midianina roa lahy, dia i Oreba sy Zeba. Ary i Oreba novonoiny teo amin\u2019ny vatobe iray, ka lasa hoe vatoben\u2019i Oreba ny anaran\u2019ilay izy. Fa i Zeba kosa novonoiny tao amin\u2019ny famiazam-boaloboka iray, ka nantsoina hoe famiazam-boalobok\u2019i Zeba ilay izy. Dia mbola nenjehin\u2019izy ireo ihany ny Midianina. Ary nentiny tany amin\u2019i Gideona, tany amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, ny lohan\u2019i Oreba sy ny lohan\u2019i Zeba."
    },
    "8": {
        "1": "Dia hoy ny lehilahy efraimita tamin\u2019i Gideona: \u201cFa ahoana koa izao nataonao taminay izao? Maninona izahay no tsy nantsoinao rehefa nandeha niady tamin\u2019ny Midianina ianao?\u201d Dia nila ady taminy izy ireo.",
        "2": "Hoy anefa i Gideona: \u201cFa inona moa no mba vitako raha oharina amin\u2019ny vitanareo? Tsy ny sisam-boaloboky ny Efraimita ve no tsara kokoa noho ny voaloboka rehetra notazan\u2019ny Abi-ezerita?",
        "3": "Ianareo ange no nampian\u2019Andriamanitra handresy an\u2019i Oreba sy Zeba andrianan\u2019ny Midianina\u00a0e! Fa inona moa no mba vitako raha oharina amin\u2019ny vitanareo?\u201d Rehefa avy niteny an\u2019izany i Gideona, dia mba tonitony izy ireo.",
        "4": "Ary tonga teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana i Gideona, dia niampita teo. Efa reraka izy sy ireo 300 lahy niaraka taminy, nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.",
        "5": "Niteny tamin\u2019ireo lehilahy tao Sokota \u00e0ry izy hoe: \u201cMba omeo mofo ny olona miaraka amiko fa reraka! Izaho mantsy manenjika an\u2019i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan\u2019ny Midianina!\u201d",
        "6": "Fa hoy ireo andrianan\u2019i Sokota: \u201cFa maninona izahay no tokony hanome mofo ho an\u2019ny miaramilanao? Efa azonao angaha i Zebaha sy Zalmona?\u201d",
        "7": "Dia hoy i Gideona: \u201cNoho izany vavanareo izany, dia hoveleziko amin\u2019ny voarointsilo sy amin\u2019ny tsilon\u2019ny tany efitra ianareo, rehefa hataon\u2019i Jehovah resiko i Zebaha sy Zalmona.\u201d",
        "8": "Dia niakatra nankany Penoela izy ary nangataka hoatr\u2019izany tamin\u2019ny lehilahy tao koa. Nitovy tamin\u2019ny valin-tenin\u2019ireo lehilahy tao Sokota ihany anefa ny valin-tenin\u2019izy ireo.",
        "9": "Dia hoy izy tamin\u2019ny lehilahy tao Penoela: \u201cHarodako ity tilikambo ity rehefa tafaverina soa aman-tsara aho.\u201d",
        "10": "Tany Karkora i Zebaha sy Zalmona ary ny miaramilany 15\u00a0000 teo ho eo. Ireo no sisa tavela tamin\u2019ny tafiky ny Tatsinanana manontolo, fa efa maty ny lehilahy 120\u00a0000 mpitan-tsabatra.",
        "11": "Mbola nanohy ny diany niakatra ihany i Gideona. Ny lalana falehan\u2019ny olona nipetraka an-tranolay, any atsinanan\u2019i Noba sy Jogbeha, no nandehanany. Dia nanafika ny toby izy, raha iny tsy nanampo na inona na inona iny izy ireo.",
        "12": "Ary nandositra i Zebaha sy Zalmona, mpanjaka midianita, ka nenjehin\u2019i Gideona. Dia azony i Zebaha sy Zalmona ka nisahotaka ny iray toby.",
        "13": "Dia niverina avy tany an\u2019ady i Gideona, zanak\u2019i Joasy, ary nandeha tamin\u2019ny lalan-kely niakatra tany Heresa.",
        "14": "Nisambotra tovolahy iray avy tao Sokota i Gideona teny an-dalana ka nohadihadiny izy io. Dia nosoratan\u2019ilay tovolahy ny anaran\u2019ny andrianan\u2019i Sokota sy ny anti-panahy tao, ary nomeny an\u2019i Gideona. Nisy 77 lahy izy ireo.",
        "15": "Nankany amin\u2019ny lehilahy tao Sokota i Gideona avy eo, dia nilaza hoe: \u201cIreto amin\u2019izay i Zebaha sy Zalmona! Ianareo mantsy nanesoeso ahy hoe: \u2018Fa maninona izahay no tokony hanome mofo ho an\u2019ireo miaramilanao efa reraka? Efa azonao angaha i Zebaha sy Zalmona?\u2019\u201d",
        "16": "Dia nalain\u2019i Gideona ny anti-panahy tao an-tan\u00e0na. Ary naka voarointsilo sy tsilon\u2019ny tany efitra izy, dia nokapohiny tamin\u2019ireny ireo lehilahy tao Sokota ireo ka nataony nahalala ny anarany.",
        "17": "Narodany koa ilay tilikambo tao Penoela, ary novonoiny ny lehilahy tao an-tan\u00e0na.",
        "18": "Ary nanontany an\u2019i Zebaha sy Zalmona izy hoe: \u201cHoatran\u2019ny ahoana izany lehilahy novonoinareo tany Tabara izany?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cHoatr\u2019anao izao! Hoatran\u2019ny zanaka mpanjaka ny bikabikan-dry zareo.\u201d",
        "19": "Dia hoy i Gideona: \u201cRahalahiko izany! Zanak\u2019i Neny! Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy ho voatery hamono anareo ho faty aho, raha mba nitsimbina ny ain-dry zareo ianareo.\u201d",
        "20": "Dia hoy i Gideona tamin\u2019i Jatera zanany lahimatoa: \u201cMitsang\u00e0na, ka vonoy ho faty ireo!\u201d Tsy nanatsoaka ny sabany anefa i Jatera. Mbola tovolahy mantsy izy dia natahotra.",
        "21": "Fa hoy i Zebaha sy Zalmona tamin\u2019i Gideona: \u201cManinona raha ianao mihitsy no mamono anay\u00a0e! Raha tena lehilahy ianao, dia asehoy ny herinao.\u201d Dia novonoin\u2019i Gideona i Zebaha sy Zalmona. Ary nalainy ireo ravaka miendrika volan-tsinana teny am-bozon\u2019ny ramevan\u2019izy ireo.",
        "22": "Dia hoy ny lehilahy israelita tamin\u2019i Gideona: \u201cAndao ianao sy ny zanakao ary ny zafikelinao hatao mpitondra anay. Namonjy anay tamin\u2019ny Midianina mantsy ianao.\u201d",
        "23": "Fa hoy i Gideona: \u201cTsy ho mpitondra anareo aho, ary tsy ho mpitondra anareo koa ny zanako. I Jehovah ihany no ho mpitondra anareo.\u201d",
        "24": "Hoy koa i Gideona: \u201cMba misy zavatra iray tiako hangatahina aminareo tsirairay anefa: Omeo ahy ny kavin\u2019orona azonareo tamin\u2019ny babonareo.\u201d Nanana kavin\u2019orona volamena mantsy ireo babo azon\u2019izy ireo satria Ismaelita.",
        "25": "Dia hoy izy ireo: \u201cAo fa homenay anao ireny.\u201d Namelatra lamba izy ireo avy eo, dia samy nanipy ny kavin\u2019orona azony teo amin\u2019ilay izy.",
        "26": "Nilanja 1\u00a0700 sekely ny kavin\u2019orona volamena nangatahin\u2019i Gideona. Nahazo an\u2019ireto koa izy: Firavaka miendrika volan-tsinana, kavina, akanjo volonondry volomparasy nanaovan\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Midianina, ary rojo teny am-bozon\u2019ny rameva.",
        "27": "Nanamboaran\u2019i Gideona efoda ireo volamena ireo, ary narantirantiny tao an-tan\u00e0nany tany Ofra ilay efoda. Dia nivavaka tamin\u2019ilay efoda ny Israely rehetra, ary lasa fandrika ho an\u2019i Gideona sy ny ankohonany ilay izy.",
        "28": "Dia resin\u2019ny Israelita ny Midianina, ka tsy nila ady tamin\u2019ny Israelita intsony izy ireo. Ary nilamina nandritra ny 40\u00a0taona ilay tany, tamin\u2019ny andron\u2019i Gideona.",
        "29": "Dia nody tany an-tranony i Jerobala zanak\u2019i Joasy, ka nijanona tany.",
        "30": "Ary nanan-janakalahy 70 i Gideona, satria be dia be ny vadiny.",
        "31": "Nitera-dahy taminy koa ilay vadikeliny tany Sekema, ka nantsoiny hoe Abimeleka io zanany io.",
        "32": "Dia maty i Gideona zanak\u2019i Joasy rehefa tratrantitra, ka nalevina tao amin\u2019ny fasan\u2019i Joasy rainy tao Ofra, tan\u00e0nan\u2019ny Abi-ezerita.",
        "33": "Vao maty anefa i Gideona dia lasa nivavaka tamin\u2019ireo Bala indray ny Israelita, ka i Bala-berita no nofidiny ho andriamaniny.",
        "34": "Tsy tsaroan\u2019ny Israelita intsony i Jehovah Andriamaniny, izay namonjy azy ireo tamin\u2019ny fahavalony rehetra nanodidina.",
        "35": "Nivadika tamin\u2019ny ankohonan\u2019i Jerobala na Gideona koa izy ireo, na dia be dia be aza ny soa nataon\u2019i Jerobala ho an\u2019ny Israely."
    },
    "9": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nankany amin\u2019ireo anadahin-dreniny tany Sekema i Abimeleka zanak\u2019i Jerobala. Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo sy tamin\u2019izay rehetra anisan\u2019ny fianakavian\u2019ny dadabeny:",
        "2": "\u201cMba anontanio, azafady, ny mpitarika rehetra eto Sekema hoe: \u2018Iza no tianareo kokoa ho mpitondra anareo: Izy 70\u00a0lahy zanak\u2019i Jerobala sa lehilahy iray? Tadidio fa iray ra aminareo aho.\u2019\u201d",
        "3": "Dia nolazain\u2019ireo anadahin-dreniny tamin\u2019ny mpitarika rehetra tany Sekema izany teniny izany. Resy lahatra \u00e0ry izy ireo fa hanaraka an\u2019i Abimeleka, satria nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cRahalahintsika ihany ange izy\u00a0e!\u201d",
        "4": "Dia nomen\u2019izy ireo volafotsy 70\u00a0sekely avy tao an-tranon\u2019i Bala-berita i Abimeleka. Dia nanakarama olona tsy misy atao sy sahisahy ratsy i Abimeleka mba hiaraka aminy.",
        "5": "Nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy avy eo, dia novonoiny teo ambony vato iray ireo rahalahiny 70, zanak\u2019i Jerobala. I Jotama faralahin\u2019i Jerobala ihany sisa no velona, satria niafina izy.",
        "6": "Dia nivondrona ny mpitarika rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Beti-milo, ka nataon\u2019izy ireo mpanjaka i Abimeleka. Teo akaikin\u2019ny hazobe iray, teo akaikin\u2019ilay tsangambato tao Sekema, izy ireo no nanao an\u2019izany.",
        "7": "Rehefa nisy nitantara an\u2019izany tamin\u2019i Jotama, dia tonga izy dia nankeny an-tampon\u2019ny Tendrombohitra Gerizima. Dia nitsangana teo izy, ka niantsoantso mafy hoe: \u201cHenoy aho, ry mpitarika ao Sekema, dia hihaino anareo Andriamanitra.",
        "8": "\u201cNifidy an\u2019izay ho mpanjakany, hono, ny hazo, indray mandeha. Dia hoy izy ireo tamin\u2019ny hazo oliva: \u2018Andao ianao hataonay mpanjaka.\u2019",
        "9": "Fa hoy ny oliva tamin\u2019izy ireo: \u2018Izaho ve dia tsy hamokatra menaka intsony fa handeha hihevaheva eny ambony hazo hafa, nefa ny menaka avy amiko no anomezam-boninahitra an\u2019Andriamanitra sy ny olona?\u2019",
        "10": "Dia hoy indray ireo hazo tamin\u2019ny aviavy: \u2018Avia ianao hataonay mpanjaka.\u2019",
        "11": "Fa hoy ny aviavy: \u2018Izaho ve dia tsy hamoa voankazo mamy sy tsara intsony, fa handeha hihevaheva eny ambony hazo hafa?\u2019",
        "12": "Avy eo, dia hoy ireo hazo tamin\u2019ny voaloboka: \u2018Avia ianao hataonay mpanjaka.\u2019",
        "13": "Dia namaly ny voaloboka hoe: \u2018Izaho ve dia tsy hamokatra divay vaovao intsony fa handeha hihevaheva eny ambony hazo, nefa ny divay avy amiko no mampifaly an\u2019Andriamanitra sy ny olona?\u2019",
        "14": "Farany, dia hoy ny hazo rehetra tamin\u2019ny tsilo: \u2018Avia ianao hataonay mpanjaka.\u2019",
        "15": "Ary hoy ilay tsilo tamin\u2019ireo hazo: \u2018Raha izaho tokoa no hofidinareo ho mpanjaka, dia avia mialoka eto ambany alokaloko. Fa raha tsy izany, dia enga anie hisy afo hivoaka avy amiko ka handevona ny sederan\u2019i Lib\u00e0na.\u2019",
        "16": "\u201cKoa mety ve ny ataonareo raha i Abimeleka no fidinareo ho mpanjaka? Tena amim-pahatsorana ve no anaovanareo an\u2019izany? Tsara fanahy amin\u2019i Jerobala sy ny ankohonany ve ianareo, ka izay mendrika hatao aminy no ataonareo aminy?",
        "17": "Niady ho anareo ny raiko, ary nanao vivery ny ainy izy mba hamonjena anareo tamin\u2019ny Midianina.",
        "18": "Izao anefa ianareo manohitra ny ankohonan-draiko, dia novonoinareo teo ambony vato iray ny zanany lahy 70. Dia i Abimeleka zanaky ny mpanompovaviny koa avy eo no nataonareo mpanjakan\u2019ny olona ao Sekema, satria fotsiny hoe rahalahinareo izy.",
        "19": "Raha mety tokoa izao ataonareo amin\u2019i Jerobala sy ny ankohonany izao, ary amim-pahatsorana no anaovanareo an\u2019izany, dia mifalia amin\u2019i Abimeleka, ary enga anie izy ho faly aminareo.",
        "20": "Fa raha tsy izany, dia enga anie hisy afo hivoaka avy amin\u2019i Abimeleka, ka handevona ny mpitarika ao Sekema sy Beti-milo! Enga anie koa hisy afo hivoaka avy amin\u2019ny mpitarika ao Sekema sy Beti-milo, ka handevona an\u2019i Abimeleka!\u201d",
        "21": "Lasa nitsoaka i Jotama avy eo, ka nankany Bera. Dia nipetraka tany izy satria natahotra an\u2019i Abimeleka rahalahiny.",
        "22": "Ary nitondra nandritra ny telo taona teo amin\u2019ny Israely i Abimeleka.",
        "23": "Navelan\u2019Andriamanitra hifankahala avy eo i Abimeleka sy ny mpitarika tao Sekema, ka nivadika tamin\u2019i Abimeleka izy ireo.",
        "24": "Navelany hitranga izany mba ho valin\u2019ny herisetra natao tamin\u2019izy 70 lahy zanak\u2019i Jerobala. Amin\u2019izay dia ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny nahafatesan\u2019izy ireo i Abimeleka sy ireo mpitarika tao Sekema. I Abimeleka mantsy no namono an\u2019ireo rahalahiny ireo, ary nanampy azy tamin\u2019izany ny mpitarika tao Sekema.",
        "25": "Nandefa lehilahy tany an-tampon-tendrombohitra \u00e0ry ny mpitarika tao Sekema, mba hiafina ka hanafika an\u2019i Abimeleka. Ary norobain\u2019izy ireo daholo izay rehetra nandalo tamin\u2019ny lalana teny akaiky teny. Nisy nitatitra tany amin\u2019i Abimeleka izany, tat\u1ef3 aoriana.",
        "26": "Dia nankany Sekema i Gala, zanak\u2019i Ebeda, sy ny rahalahiny. Ary natoky an\u2019i Gala ireo mpitarika tao Sekema.",
        "27": "Dia nankany an-tsaha ny olona tao Sekema, ka nioty voaloboka teny amin\u2019ny tanimboalobony sy nanitsakitsaka an\u2019izany, ary nanao fety. Avy eo, dia nankany an-tranon\u2019ny andriamaniny izy ireo, ka nihinana sy nisotro ary nanozona an\u2019i Abimeleka.",
        "28": "Ary hoy i Gala zanak\u2019i Ebeda: \u201cFa iza moa i Abimeleka zanak\u2019i Jerobala? Ary iza moa i Zebola, izay notendreny hanana fahefana eto Sekema? Fa iza moa ry zareo no hotompointsika? Tsy aleo ve manompo ny olon\u2019i Hamora, rain\u2019i Sekema? Fa maninona isika no hanompo an\u2019i Abimeleka?",
        "29": "Raha mba izaho mantsy no mifehy an\u2019ity vahoaka ity, dia ho efa naongako i Abimeleka!\u201d Dia hoy izy momba an\u2019i Abimeleka: \u201cAmpitomboy ny isan\u2019ny miaramilanao, dia mivoaha hiady amiko!\u201d",
        "30": "Tezitra be i Zebola andrianan\u2019ny tan\u00e0na rehefa naheno ny tenin\u2019i Gala zanak\u2019i Ebeda.",
        "31": "Naniraka olona an-tsokosoko nankany amin\u2019i Abimeleka \u00e0ry i Zebola, mba hiteny hoe: \u201cTonga eto Sekema i Gala zanak\u2019i Ebeda sy ny rahalahiny, ary ampirisihiny hanohitra anao ny iray tan\u00e0na.",
        "32": "Izao alina izao ihany ianao sy ny olonao dia mandehana miafina any an-tsaha.",
        "33": "Vao miposaka ny masoandro rahampitso maraina, dia tafiho ilay tan\u00e0na. Ary ataovy izay azonao atao mba handresena azy, rehefa mivoaka hiady aminao izy sy ny olony.\u201d",
        "34": "Niainga \u00e0ry i Abimeleka sy ny olony rehetra raha mbola alina ny andro. Nizara ho andiany efatra izy ireo, ary niafina mba hanafika an\u2019i Sekema.",
        "35": "Rehefa nivoaka ny tan\u00e0na i Gala zanak\u2019i Ebeda, ka nijoro teo amin\u2019ny vavahady fidirana, dia nipoitra avy tao amin\u2019izay niafenany i Abimeleka sy ny olony.",
        "36": "Rehefa tazan\u2019i Gala izy ireo, dia hoy izy tamin\u2019i Zebola: \u201cIreny misy olona midina avy eny an-tampon-tendrombohitra.\u201d Fa hoy i Zebola taminy: \u201cNy aloky ny tendrombohitra no hitanao dia heverinao fa olona.\u201d",
        "37": "Hoy i Gala, rehefa afaka kelikely: \u201cIreny fa misy olona midina avy er\u1ef3 afovoan-tany. Dia er\u1ef3 amin\u2019ny lalana eo akaikin\u2019ny hazoben\u2019i Meonenima koa misy andiany iray manatona.\u201d",
        "38": "Dia hoy i Zebola taminy: \u201cAhoana amin\u2019izay ilay vavanao hoe: \u2018Fa iza moa i Abimeleka no hotompointsika?\u2019 Tsy ireny tamy ireny ve ny olona nambanimbaninao? Mandehana amin\u2019izay miady aminy!\u201d",
        "39": "Dia nandeha teo alohan\u2019ireo mpitarika tao Sekema i Gala, ka niady tamin\u2019i Abimeleka.",
        "40": "Nanenjika an\u2019i Gala i Abimeleka, dia nandositra izy. Ary be dia be no maty, ka nisy faty hatreny amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na.",
        "41": "Ary mbola tany Aroma ihany i Abimeleka no nipetraka, fa i Gala sy ny rahalahiny kosa noroahin\u2019i Zebola hiala tao Sekema.",
        "42": "Ary nivoaka ho any an-tsaha ny olona tao an-tan\u00e0na ny ampitson\u2019iny, nefa nisy nilaza an\u2019izany tamin\u2019i Abimeleka.",
        "43": "Dia nentin\u2019i Abimeleka ny vahoakany, ka nozarainy ho andiany telo, ary niafina tany an-tsaha izy ireo. Rehefa hitany nivoaka avy tao an-tan\u00e0na ny olona, dia notafihiny ary novonoiny.",
        "44": "Dia nandroso i Abimeleka sy ireo olona niaraka taminy, ka tonga hatreny am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na. Fa ny andiany roa kosa nanafika an\u2019izay rehetra teny an-tsaha, dia namono an\u2019ireny.",
        "45": "Ary niady tamin\u2019ny olona tao an-tan\u00e0na i Abimeleka nandritra an\u2019iny andro iny, ka resiny izy ireo. Dia novonoiny ny olona tao, ary noravany ilay tan\u00e0na sady nofafazany sira.",
        "46": "Henon\u2019ny mpitarika rehetra tao amin\u2019ilay tilikambo tao Sekema izany, ka avy hatrany izy ireo dia nankao amin\u2019ilay efitra fandosirana tao an-tranon\u2019i Ela-berita.",
        "47": "Vao henon\u2019i Abimeleka hoe nankao daholo ny mpitarika rehetra tao amin\u2019ilay tilikambo tao Sekema,",
        "48": "dia niakatra tany amin\u2019ny Tendrombohitra Zalmona izy sy izay rehetra niaraka taminy. Ary naka famaky i Abimeleka ka nikapa hazo, ary nataony teny an-tsorony izany. Dia hoy izy tamin\u2019ny olony: \u201cManaova hoatran\u2019ny ataoko, ary haingankaingana!\u201d",
        "49": "Dia samy nikapa hazo ny olona rehetra, ka nanaraka an\u2019i Abimeleka. Ary nankinin\u2019izy ireo tamin\u2019ilay efitra fandosirana izany, dia nodorany ilay efitra. Maty daholo koa \u00e0ry ny olona rehetra tao amin\u2019ilay tilikambo tao Sekema, izany hoe lehilahy sy vehivavy 1000 teo ho\u00a0eo.",
        "50": "Dia nankany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby nanodidina azy. Dia niady tamin\u2019i Tebeza izy ka naharesy azy.",
        "51": "Nandositra tao amin\u2019ny tilikambo mafy teo afovoan-tan\u00e0na anefa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny mpitarika rehetra tao an-tan\u00e0na. Dia nihidy tao amin\u2019ilay tilikambo ry zareo, ary niakatra tany an-tampony.",
        "52": "Ary nandeha nanafika an\u2019ilay tilikambo i Abimeleka. Dia nankeo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay tilikambo izy mba handoro azy io.",
        "53": "Fa nisy vehivavy anankiray nandatsaka vato fikosoham-bary teo amin\u2019ny lohan\u2019i Abimeleka, ka vaky ny karandohany.",
        "54": "Dia nantsoiny haingana ilay mpanompo nitondra ny fitaovam-piadiany, ka hoy izy: \u201cTsoahy ny sabatrao dia vonoy ho faty aho, sao holazain\u2019ny olona hoe: \u2018Vehivavy no namono azy.\u2019\u201d Koa notrobaran\u2019ilay mpanompony tamin\u2019ny sabatra izy ka maty.",
        "55": "Rehefa hitan\u2019ny lehilahy israelita fa maty i Abimeleka, dia lasa nody izy rehetra.",
        "56": "Izany no namalian\u2019Andriamanitra ny ratsy nataon\u2019i Abimeleka tamin-drainy, satria izy namono an\u2019ireo rahalahiny 70.",
        "57": "Ary novalian\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny olona tao Sekema koa ny ratsy rehetra nataon\u2019izy ireo. Tanteraka tamin\u2019izy ireo \u00e0ry ilay ozona nolazain\u2019i Jotama, zanak\u2019i Jerobala."
    },
    "10": {
        "1": "Taorian\u2019ny nahafatesan\u2019i Abimeleka, dia nitsangana hamonjy ny Israely i Tola, lehilahy avy amin\u2019ny fokon\u2019i Isakara. Zanak\u2019i Poha zanak\u2019i Dodo izy ary nipetraka tany Samira, any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima.",
        "2": "Nitsara ny Israely nandritra ny 23\u00a0taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.",
        "3": "Ary nandimby azy i Jaira Gileadita, izay nitsara ny Israely nandritra ny 22\u00a0taona.",
        "4": "Nanan-janakalahy 30 izy. Nitaingina ampondra 30 izy ireo ary nanana tan\u00e0na 30. Mbola antsoina hoe Havota-jaira ireo tan\u00e0na ireo hatramin\u2019izao, ary any Gileada no misy azy.",
        "5": "Dia maty i Jaira ka nalevina tao Kamona.",
        "6": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah indray ny Israelita, ka nanompo an\u2019ireo Bala, sy ireo sarin\u2019i Astarta, sy ireo andriamanitr\u2019i Arama, sy ireo andriamanitr\u2019i Sidona, sy ireo andriamanitr\u2019i Moaba, sy ireo andriamanitry ny Amonita, ary ireo andriamanitry ny Filistinina. Niala tamin\u2019i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy intsony.",
        "7": "Dia tezitra be tamin\u2019ny Israely i Jehovah, ka navelany hanjakazaka teo amin\u2019ny Israely ny Filistinina sy ny Amonita.",
        "8": "Dia nampijalin\u2019izy ireo sy nampahoriny mafy ny Israelita tamin\u2019izany taona izany. Nampahorin\u2019izy ireo nandritra ny 18\u00a0taona ny Israelita rehetra nipetraka tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Amorita, tany Gileada, teny ampitan\u2019i Jordana.",
        "9": "Niampita an\u2019i Jordana koa ny Amonita mba hiady tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy Benjamina ary Efraima, ka nijaly be ny Israely.",
        "10": "Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah ny Israelita hoe: \u201cEfa nanota taminao izahay ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, satria niala taminao izahay ka nanompo an\u2019ireo Bala.\u201d",
        "11": "Hoy anefa i Jehovah tamin\u2019ny Israelita: \u201cFa izaho angaha tsy namonjy anareo tamin\u2019ny Ejipsianina sy ny Amorita sy ny Amonita sy ny Filistinina",
        "12": "sy ny Sidonianina sy ny Amalekita ary ny Midianina, rehefa nampijaly be anareo ireny? Rehefa nitaraina mafy tamiko ianareo, dia novonjeko ka nafahako tamin\u2019izy ireny.",
        "13": "Fa ianareo kosa niala tamiko ka nanompo andriamani-kafa. Noho izany, dia tsy hamonjy anareo intsony aho.",
        "14": "Mandehana miantso vonjy any amin\u2019ireo andriamanitra nofidinareo. Ireny asaina mamonjy anareo amin\u2019izao manjo anareo izao!\u201d",
        "15": "Hoy anefa ny Israelita tamin\u2019i Jehovah: \u201cEfa nanota izahay, ka ataovy aminay izay hitanao fa mety. Fa mba vonjeo re izahay amin\u2019ity indray mandeha ity fotsiny\u00a0e!\u201d",
        "16": "Ary narian\u2019izy ireo ny andriamani-kafa nivavahany, ka nanompo an\u2019i Jehovah izy ireo. Dia tsy zakan\u2019Andriamanitra intsony ny nahita ny fahorian\u2019ny Israely.",
        "17": "Tat\u1ef3 aoriana, dia novorin\u2019ny Amonita ny miaramilany ka nanangana toby tao Gileada izy ireo. Dia novorin\u2019ny Israelita koa ny miaramilany, ary nanangana toby tao Mizpa izy ireo.",
        "18": "Dia nifampiresaka ny olona sy ny andrianan\u2019i Gileada hoe: \u201cIza no hitarika antsika rehefa hiady amin\u2019ny Amonita isika? Izany lehilahy izany no hataontsika mpitarika ny mponina rehetra eto Gileada.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Miaramila natanjaka i Jefta Gileadita. Zanaky ny vehivavy mpivaro-tena izy, ary i Gileada no rainy.",
        "2": "Ny vadin\u2019i Gileada koa anefa niteraka zanakalahy maro taminy. Rehefa lehibe ireo zanany ireo, dia nandroaka an\u2019i Jefta. Hoy izy ireo taminy: \u201cTsy hahazo lova avy amin\u2019ny ankohonan\u2019ny dadanay ianao satria vehivavy hafa ny mamanao.\u201d",
        "3": "Dia nandositra an\u2019ireo rahalahiny i Jefta, ka nipetraka tany Toba. Ary nankany aminy ny olona sasany tsy misy atao, ka lasa nanaraka azy.",
        "4": "Taoriana kelin\u2019izay, dia niady tamin\u2019ny Israely ny Amonita.",
        "5": "Ary rehefa niady tamin\u2019ny Israely ny Amonita, dia nankany amin\u2019i Jefta tany Toba avy hatrany ny anti-panahin\u2019i Gileada mba haka azy.",
        "6": "Dia hoy izy ireo tamin\u2019i Jefta: \u201cAndao ianao hataonay mpitari-tafika, amin\u2019izay isika ho afaka hiady amin\u2019ny Amonita.\u201d",
        "7": "Fa hoy i Jefta tamin\u2019ny anti-panahin\u2019i Gileada: \u201cIanareo aza tena nankahala ahy sady nandroaka ahy hiala tany an-tranon\u2019ny dadako. Dia maninona indray ianareo izao no mankat\u1ef3 amiko rehefa manana olana?\u201d",
        "8": "Dia hoy ny anti-panahin\u2019i Gileada: \u201cMarina izany, fa efa mba tonga at\u1ef3 aminao izao izahay. Raha miaraka aminay hiady amin\u2019ny Amonita ianao, dia ianao no hataonay lehiben\u2019ny mponina rehetra any Gileada.\u201d",
        "9": "Ary hoy i Jefta tamin\u2019ny anti-panahin\u2019i Gileada: \u201cRaha hoentinareo mody \u00e0ry aho mba hiady amin\u2019ny Amonita, ka hataon\u2019i Jehovah resiko ireny, dia izaho no ho lasa lehibenareo!\u201d",
        "10": "Dia hoy ny anti-panahin\u2019i Gileada: \u201cI Jehovah no vavolombelona eo amintsika, dia izy no hitsara anay raha tsy manatanteraka an\u2019izany teninao izany izahay.\u201d",
        "11": "Dia nandeha niaraka tamin\u2019ny anti-panahin\u2019i Gileada i Jefta, ary notendren\u2019ny vahoaka ho lehibeny sy ho mpitari-tafika izy. Ary naverin\u2019i Jefta teo anatrehan\u2019i Jehovah, tao Mizpa, ny teny rehetra nifanarahany tamin\u2019ireo anti-panahy ireo.",
        "12": "Koa naniraka olona nankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Amonita i Jefta, mba hilaza hoe: \u201cFa naninona anao aho no tafihinao ny taniko?\u201d",
        "13": "Dia hoy ny mpanjakan\u2019ny Amonita tamin\u2019ireo olona nirahin\u2019i Jefta: \u201cSatria tamin\u2019ny Israely niakatra avy tany Ejipta, dia nalain\u2019izy ireo ny taniko, avy eo Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana. Avereno fotsiny ilay izy dia tsy miady isika.\u201d",
        "14": "Dia nasain\u2019i Jefta niverina tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Amonita indray ireo olona nirahiny,",
        "15": "mba hiteny hoe: \u201cIzao no nolazain\u2019i Jefta: \u2018Tsy naka ny tanin\u2019ny Moabita sy ny tanin\u2019ny Amonita ny Israely.",
        "16": "Rehefa niakatra avy tany Ejipta mantsy ny Israely, dia nandeha namakivaky ny tany efitra hatrany amin\u2019ny Ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy.",
        "17": "Dia naniraka olona nankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Edoma ny Israely, mba hiteny hoe: \u201cMba avelao izahay handalo ao amin\u2019ny taninao!\u201d Tsy navelan\u2019ny mpanjakan\u2019i Edoma anefa ry zareo. Naniraka olona hiresaka tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Moaba koa izy ireo. Tsy nanaiky koa anefa izy. Nijanona tany Kadesy \u00e0ry ny Israely.",
        "18": "Rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra izy ireo, dia tsy nandalo tany Edoma sy Moaba fa nanodidina. Nandeha tany atsinanan\u2019i Moaba ry zareo ary nitoby tao amin\u2019ny faritr\u2019i Arnona, fa tsy niditra tao amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba. Tany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Moaba mantsy no nisy an\u2019i Arnona.",
        "19": "\u201c\u2018Avy eo, dia naniraka olona nankany amin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona, ny Israely mba hiteny hoe: \u201cMba avelao izahay handalo ao amin\u2019ny taninao rehefa hankany amin\u2019ny toerana halehanay!\u201d",
        "20": "Tsy natoky anefa i Sihona hoe handalo fotsiny eo amin\u2019ny taniny ny Israely. Dia novoriny ny vahoakany rehetra, ka nitoby tany Jahaza izy ireo ary niady tamin\u2019ny Israely.",
        "21": "Ary nataon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely resin\u2019ny Israelita i Sihona sy ny vahoakany rehetra. Dia nandresy azy ireo ny Israelita ka nalainy daholo ny tanin\u2019ny Amorita, izay nipetraka tao amin\u2019izany tany izany.",
        "22": "Dia lasan\u2019izy ireo daholo ny tanin\u2019ny Amorita, avy eo Arnona ka hatrany Jaboka, ary avy eo amin\u2019ny tany efitra ka hatrany Jordana.",
        "23": "\u201c\u2018I Jehovah Andriamanitry ny Israely aza efa nandroaka ny Amorita, dia nanome an\u2019ilay tany ho an\u2019ny Israely vahoakany, ka ianao indray ve no handroaka azy ireo?",
        "24": "Tsy anao daholo ve izay nomen\u2019i Kemosy andriamanitrao ho anao? Dia ho anay koa izany ny tanin\u2019ny olona noroahin\u2019i Jehovah Andriamanitray hiala teo anatrehanay.",
        "25": "Ianao angaha tsara noho i Balaka zanak\u2019i Zipora mpanjakan\u2019i Moaba? Efa nifamaly tamin\u2019ny Israely ve izy, na niady taminy?",
        "26": "Efa 300\u00a0taona no nipetrahan\u2019ny Israely tany Hesbona sy ny tan\u00e0na niankina taminy, sy tany Aroera sy ny tan\u00e0na niankina taminy, ary tany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra teny amoron\u2019i Arnona. Dia naninona no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?",
        "27": "Izaho aloha tsy nanota taminao\u00a0e, fa ianao no diso satria manafika ahy. I Jehovah Mpitsara anie hitsara ny vahoakan\u2019Israely sy ny vahoakan\u2019i Amona androany!\u2019\u201d",
        "28": "Tsy noraharahian\u2019ny mpanjakan\u2019ny Amonita anefa ny hafatra nampitain\u2019i Jefta tany aminy.",
        "29": "Dia niasa tamin\u2019i Jefta ny fanahin\u2019i Jehovah, ka nandalo tany amin\u2019ny faritr\u2019i Gileada sy Manase izy mba ho any Mizpe any Gileada. Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nanohy ny diany ho any amin\u2019ny Amonita.",
        "30": "Ary nivoady tamin\u2019i Jehovah i Jefta hoe: \u201cRaha ampianao handresy ny Amonita aho,",
        "31": "dia ho anao, Jehovah, izay olona mivoaka amin\u2019ny varavaran\u2019ny tranoko mba hitsena ahy, rehefa tafaverina soa aman-tsara avy any amin\u2019ny Amonita aho. Ary hatolotro ho fanatitra dorana izy.\u201d",
        "32": "Dia nandeha niady tamin\u2019ny Amonita i Jefta, ary nataon\u2019i Jehovah nandresy.",
        "33": "Ary notafihin\u2019i Jefta izy ireo ka be dia be no maty, hatrany Aroera ka hatrany Minita, izany hoe tan\u00e0na 20, ary hatrany Abela-keramima. Dia resin\u2019ny Israelita ny Amonita.",
        "34": "Farany, dia tonga tany an-tranony tao Mizpa i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, sady nively ampongatapaka no nandihy. Io ihany ny zanany, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.",
        "35": "Rehefa nahita azy i Jefta, dia nandrovitra ny akanjony sady nilaza hoe: \u201cIndrisy, ry zanako vavy! Malahelo be ny foko satria ianao indray ity no noroahiko. Fa efa nivoady tamin\u2019i Jehovah aho, ka tsy afaka mivadika amin\u2019ny teniko.\u201d",
        "36": "Fa hoy ilay zanany vavy taminy: \u201cRaha efa nivoady tamin\u2019i Jehovah ianao, ry Dada, dia tanteraho izay nampanantenainao. Ianao mantsy efa nampian\u2019i Jehovah hamaly faty an\u2019ireo Amonita fahavalonao.\u201d",
        "37": "Hoy koa izy tamin-drainy: \u201cIzao no mba angatahiko: Avelao amin\u2019izao aho aloha mandritra ny roa volana, ary avelao aho hankeny an-tendrombohitra. Dia avelao aho hitomany miaraka amin\u2019ny ankizivavy namako, noho izaho virjiny.\u201d",
        "38": "Dia hoy ny rainy: \u201cMandehana \u00e0ry!\u201d Dia nalefany nandritra ny roa volana izy. Ary nankeny an-tendrombohitra niaraka tamin\u2019ny namany izy mba hitomany, noho izy virjiny.",
        "39": "Niverina tany amin-drainy izy rehefa tapitra ny roa volana. Dia notanterahin-drainy ilay voady nataony momba an\u2019ilay zanany vavy. Ary tsy nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy mihitsy ilay zanany. Lasa fanao teo amin\u2019ny Israely ny hoe:",
        "40": "Nankany amin\u2019ny zanakavavin\u2019i Jefta Gileadita ny tovovavy teo amin\u2019ny Israely isan-taona, mba hidera azy. Efatra andro isan-taona izy ireo no nanao an\u2019izany."
    },
    "12": {
        "1": "Ary novorina ny lehilahy efraimita ka niampita nankany Zafona. Dia niteny tamin\u2019i Jefta izy ireo hoe: \u201cFa maninona izahay no tsy mba nantsoinao hiaraka taminao, tamin\u2019ianao niampita hiady tamin\u2019ny Amonita? Hodoranay miaraka amin\u2019ny tranonao ianao.\u201d",
        "2": "Hoy anefa i Jefta tamin\u2019izy ireo: \u201cNiady be tamin\u2019ny Amonita izaho sy ny vahoakako. Ary efa niantso vonjy taminareo mihitsy aho, fa ianareo tsy mba nanampy anay.",
        "3": "Dia rehefa hitako hoe tsy hanampy ahy ianareo, dia tapa-kevitra aho fa hanao vivery ny aiko, ka handeha hiady amin\u2019ny Amonita. Dia nataon\u2019i Jehovah resiko ry zareo. Koa maninona ianareo androany no tonga mba hiady amiko?\u201d",
        "4": "Ary nangonin\u2019i Jefta ny lehilahy gileadita rehetra, ka niady tamin\u2019ny Efraimita izy ireo. Dia resin\u2019ny lehilahy gileadita ny Efraimita, izay nilaza hoe: \u201cEfraimita ihany ange ianareo ry Gileadita\u00a0e, fa nandositra dia lasa any amin\u2019ny faritr\u2019i Efraima sy Manase!\u201d",
        "5": "Dia nalain\u2019ny Gileadita ireo toerana fiampitana ny Reniranon\u2019i Jordana, dieny mbola tsy tonga teny ny Efraimita, ary nasiany olona niandry teny. Ary rehefa nisy lehilahy efraimita nandositra ka nangataka ny hiampita, dia nanontany azy ireo tsirairay ny lehilahy gileadita hoe: \u201cEfraimita ve ianao?\u201d Raha namaly izy hoe: \u201cTsia!\u201d,",
        "6": "dia nilaza taminy izy ireo hoe: \u201cMitenena \u00e0ry, azafady, hoe: Shiboleta.\u201d Tsy hainy tsara anefa ny nanonona an\u2019ilay teny, dia hoy izy: \u201cSiboleta.\u201d Dia nosamborin\u2019izy ireo izy, ary novonoiny teo amin\u2019ny toerana fiampitana an\u2019i Jordana. Efraimita 42\u00a0000 no maty tamin\u2019izay.",
        "7": "Ary nitsara ny Israely nandritra ny enin-taona i Jefta. Maty i Jefta Gileadita taorian\u2019izay, ka nalevina tao an-tan\u00e0nany tany Gileada.",
        "8": "I Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorian\u2019i Jefta.",
        "9": "Nanan-janakalahy 30 sy zanakavavy 30 izy. Nalefany nanambady lehilahy tsy anisan\u2019ny fianakaviambeny ny zanany vavy. Ary naka zazavavy 30 izy mba ho vadin\u2019ireo zanany lahy. Fito taona izy no nitsara ny Israely.",
        "10": "Dia maty i Ibzana, ka nalevina tany Betlehema.",
        "11": "Ary taorian\u2019i Ibzana, dia i Elona Zebolonita no nitsara ny Israely. Ary nitsara ny Israely nandritra ny folo taona izy.",
        "12": "Dia maty i Elona Zebolonita, ka nalevina tany Aialona, tao amin\u2019ny tanin\u2019i Zebolona.",
        "13": "Ary taorian\u2019i Elona, dia i Abdona zanak\u2019i Elela Piratonita no nitsara ny Israely.",
        "14": "Nanan-janakalahy 40 sy zafikely 30 lahy izy. Ary nitaingina ampondra 70 izy ireo. Nitsara ny Israely nandritra ny valo taona i Abdona.",
        "15": "Dia maty i Abdona zanak\u2019i Elela Piratonita, ka nalevina tany Piratona, tany amin\u2019ny tanin\u2019i Efraima, tany amin\u2019ny tendrombohitry ny Amalekita."
    },
    "13": {
        "1": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah indray ny Israelita, ka navelan\u2019i Jehovah hifehy azy ireo nandritra ny 40\u00a0taona ny Filistinina.",
        "2": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia nisy lehilahy atao hoe Manoa tany Zora. Anisan\u2019ny fianakavian\u2019ny Danita izy, ary momba ny vadiny ka tsy nanan-janaka izy.",
        "3": "Indray andro, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho tamin\u2019ilay vehivavy, ka niteny taminy hoe: \u201cMomba ianao ka tsy manan-janaka. Hitoe-jaza anefa ianao ka hitera-dahy.",
        "4": "Koa mitandrema ianao sao misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola, ary aza mihinana zavatra tsy madio.",
        "5": "Fa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy. Ary tsy hotapahina mihitsy ny volon-dohany, satria ho Nazirita ho an\u2019Andriamanitra ilay zaza raha vao teraka. Ary izy no hamonjy ny Israely amin\u2019ny Filistinina.\u201d",
        "6": "Dia lasa ilay vehivavy nitantara tamin\u2019ny vadiny hoe: \u201cNisy lehilahin\u2019Andriamanitra nanatona ahy. Hoatran\u2019ny anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra no fahitako azy, sady tena mahatalanjona. Tsy nanontaniako hoe avy aiza izy, dia izy koa tsy nilaza ny anarany.",
        "7": "Fa niteny tamiko izy hoe: \u2018Hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy. Dia aza misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola, ary aza mihinana zavatra tsy madio. Ho Nazirita ho an\u2019Andriamanitra mantsy ilay zaza raha vao teraka ka mandra-pahafatiny.\u2019\u201d",
        "8": "Ary nitalaho tamin\u2019i Jehovah i Manoa hoe: \u201cMba misy zavatra tiako hangatahina aminao Jehovah\u00a0\u00f4! Mba asaivo mankat\u1ef3 aminay indray, azafady, ilay lehilahin\u2019Andriamanitra vao nirahinao iny, mba hampianatra anay an\u2019izay tokony hataonay amin\u2019ilay zaza ho teraka.\u201d",
        "9": "Dia nohenoin\u2019ilay tena Andriamanitra ny fangatahan\u2019i Manoa, ka nankany amin\u2019ny vadiny indray ny anjelin\u2019ilay tena Andriamanitra, raha mbola nipetrapetraka tany an-tsaha ilay vehivavy. Tsy niaraka taminy anefa i Manoa vadiny tamin\u2019izay.",
        "10": "Dia nihazakazaka haingana nankany amin\u2019ny vadiny ilay vehivavy, ka niteny hoe: \u201cNiseho tamiko ilay lehilahy nanatona ahy indray andro iny.\u201d",
        "11": "Ary nitsangana i Manoa, dia niaraka tamin\u2019ny vadiny nankany amin\u2019ilay lehilahy. Hoy i Manoa taminy: \u201cIanao ve ilay lehilahy niresaka tamin\u2019ny vadiko?\u201d Dia hoy ilay anjely: \u201cIe, izaho.\u201d",
        "12": "Dia hoy i Manoa: \u201cHo tanteraka anie ny teninao! Hanao ahoana ny fiainan\u2019ilay zaza, ary inona no hataony?\u201d",
        "13": "Ary hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Manoa: \u201cTokony hotandreman\u2019ny vadinao izay rehetra efa noteneniko azy.",
        "14": "Tsy tokony hihinana zavatra vita amin\u2019ny voaloboka izy, ary tsy tokony hisotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola, na hihinana zavatra tsy madio. Tokony hotandremany izay rehetra efa noteneniko azy.\u201d",
        "15": "Ary hoy i Manoa tamin\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah: \u201cMba mijan\u00f2na kely aloha fa hikarakara zanak\u2019osy ho anao izahay.\u201d",
        "16": "Fa hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Manoa: \u201cNa hijanona aza aho, dia tsy hihinana amin\u2019ny sakafo arosonao. Fa raha te hanolotra fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah ianao, dia afaka manolotra.\u201d Tsy fantatr\u2019i Manoa hoe anjelin\u2019i Jehovah izy.",
        "17": "Dia hoy i Manoa tamin\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah: \u201cIza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra anao rehefa tanteraka ny teninao?\u201d",
        "18": "Fa hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah taminy: \u201cFa maninona ianao no manontany ny anarako? Anarana tena miavaka izany.\u201d",
        "19": "Dia nalain\u2019i Manoa ilay zanak\u2019osy sy ny fanatitra varimbazaha, ka nataony teo ambonin\u2019ilay vatolampy ary natolony ho an\u2019i Jehovah. Ary nanao zava-mahagaga Izy, raha mbola nijery teo ry Manoa mivady.",
        "20": "Rehefa niakatra ho eny amin\u2019ny lanitra ny lelafo teo amin\u2019ny alitara, dia nankao anatin\u2019ilay lelafo ilay anjelin\u2019i Jehovah. Tonga dia niankohoka tamin\u2019ny tany ry Manoa mivady rehefa nahita an\u2019izany.",
        "21": "Ary tsy niseho tamin-dry Manoa mivady intsony ilay anjelin\u2019i Jehovah. Dia fantatr\u2019i Manoa fa anjelin\u2019i Jehovah ilay izy.",
        "22": "Dia hoy i Manoa tamin\u2019ny vadiny: \u201cTena ho faty isika, satria nahita an\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "23": "Fa hoy ny vadiny: \u201cRaha tian\u2019i Jehovah ho faty isika, dia tsy ho nekeny ny fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha nomentsika. Tsy ho nampiseho tamintsika an\u2019ireny rehetra ireny koa izy, sady tsy ho nilaza tamintsika an\u2019ireny mihitsy.\u201d",
        "24": "Nitera-dahy ilay vehivavy tat\u1ef3 aoriana, ka nataony hoe Samsona ny anarany. Nihalehibe ilay zaza, ary nitahy azy foana i Jehovah.",
        "25": "Rehefa nandeha ny fotoana, dia niasa taminy ny fanahin\u2019i Jehovah, tamin\u2019izy tany Mahane-dana, teo anelanelan\u2019i Zora sy Estaola."
    },
    "14": {
        "1": "Ary nidina nankany Timna i Samsona, ka nahita vehivavy filistinina anankiray tany.",
        "2": "Dia niakatra nankany amin\u2019ny rainy sy ny reniny izy, dia niteny hoe: \u201cNisy vehivavy filistinina nahasarika ahy tany Timna. Mba alaivo ho vadiko izy.\u201d",
        "3": "Niteny taminy anefa ny rainy sy ny reniny hoe: \u201cFa angaha ianao tsy mahita vehivavy eo amin\u2019ny havanao na eto amin\u2019ny firenentsika? Tsy maintsy any amin\u2019ny Filistinina tsy mifora ve ianao no haka vady?\u201d Fa hoy i Samsona tamin\u2019ny rainy: \u201cAlaivo ho ahy izy, fa izy no hitako hoe mety amiko.\u201d",
        "4": "Tsy fantatry ny rainy sy ny reniny hoe i Jehovah no nahatonga azy hanapa-kevitra hoatr\u2019izany. Nitady hirika hamelezana ny Filistinina mantsy Izy, satria ny Filistinina no nifehy ny Israely tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "5": "Dia nidina nankany Timna i Samsona sy ny rainy ary ny reniny. Rehefa tonga tany amin\u2019 ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona nierona nanatona azy.",
        "6": "Dia nanome hery azy ny fanahin\u2019i Jehovah, ka nozarainy roa hoatran\u2019ny nizara zanak\u2019osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin\u2019ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony.",
        "7": "Dia nanohy ny diany nidina izy, ka niresaka tamin\u2019ilay vehivavy. Ary hitan\u2019i Samsona hoe mbola nety tsara taminy izy.",
        "8": "Niverina tany i Samsona, tat\u1ef3 aoriana, mba haka an\u2019ilay vehivavy ho any an-tranony. Ary nivily mba hijery ny fatin\u2019ilay liona izy, ka nahita renitantely be dia be tao amin\u2019ilay izy, ary efa nisy tantely koa tao.",
        "9": "Dia nakan\u2019i Samsona ilay tantely ka nataony teo amin\u2019ny felatanany, ary sady nandeha izy no nihinana. Rehefa tratrany ny rainy sy ny reniny, dia nomeny tamin\u2019ilay tantely ka nihinana izy ireo. Tsy notenenin\u2019i Samsona tamin\u2019izy ireo anefa hoe tao amin\u2019ny fatin\u2019ilay liona no nakany an\u2019ilay tantely.",
        "10": "Dia nidina nankany amin\u2019ilay vehivavy ny dadan\u2019i Samsona. Ary nanao fanasambe tany i Samsona, fa izany no fanaon\u2019ny tovolahy.",
        "11": "Rehefa nahita an\u2019i Samsona ny olona, dia naka lehilahy 30 mba ho namana hanotrona azy.",
        "12": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cMba hanao ankamantatra aminareo aho. Raha hainareo ao anatin\u2019ny fito andro anaovana ny fanasambe ny valiny sady teneninareo ahy, dia homeko akanjo 30 vita amin\u2019ny lamba rongony sy akanjo 30 hafa ianareo.",
        "13": "Fa raha tsy hainareo kosa ny valiny, dia tsy maintsy manome ahy akanjo 30 vita amin\u2019ny lamba rongony sy akanjo 30 hafa ianareo.\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cLazao \u00e0ry ny ankamantatrao hohenoinay.\u201d",
        "14": "Dia hoy izy: \u201cAvy tao amin\u2019ny mpihinana no nivoahan\u2019ny zavatra azo hanina, Ary avy tao amin\u2019ny matanjaka no nivoahan\u2019ny mamy.\u201d Tsy hitan\u2019izy ireo anefa ny valin\u2019ilay ankamantatra, nandritra ny telo andro.",
        "15": "Ary tamin\u2019ny andro fahefatra, dia hoy izy ireo tamin\u2019ny vadin\u2019i Samsona: \u201cFetseo ny vadinao mba hilazany amintsika ny valin\u2019ilay ankamantatra. Raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Ny haka ny fanananay ve izany no antony nanasanareo anay?\u201d",
        "16": "Dia nitomany teo amin\u2019i Samsona ny vadiny, sady niteny hoe: \u201cHalanao mihitsy aho fa tsy tianao akory. Efa nanao ankamantatra tamin\u2019ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny valiny.\u201d Fa hoy i Samsona taminy: \u201cNa ny dada sy mamako aza tsy nilazako an\u2019ilay izy, dia ianao indray ve no hilazako an\u2019ilay izy?\u201d",
        "17": "Nitomany teo aminy foana anefa ilay vehivavy taorian\u2019izay, mandra-pahatongan\u2019ilay andro fahafito tamin\u2019ilay fanasambe. Farany, dia nolazain\u2019i Samsona taminy ihany ny valin\u2019ilay izy tamin\u2019ny andro fahafito, satria tsy namelany mihitsy izy raha tsy nilaza. Dia notenenin\u2019ilay vehivavy tamin\u2019ny fireneny ny valin\u2019ilay ankamantatra.",
        "18": "Raha mbola tsy nilentika \u00e0ry ny masoandro tamin\u2019ny andro fahafito, dia hoy ny lehilahy tao an-tan\u00e0na taminy: \u201cInona no mamy noho ny tantely, Ary inona no matanjaka noho ny liona?\u201d Fa hoy i Samsona tamin\u2019izy ireo: \u201cRaha tsy ny ombivavikeliko no nampiasainareo hiasa ny tany, Dia tsy ho nahita ny valin\u2019ny ankamantatro ianareo.\u201d",
        "19": "Dia nanome hery an\u2019i Samsona ny fanahin\u2019i Jehovah, ka nidina nankany Askelona izy, ary namono lehilahy 30 tao. Dia nalainy ny akanjon\u2019ireny, ka nomeny an\u2019ireo nilaza ny valin\u2019ilay ankamantatra. Ary tezitra be i Samsona, tamin\u2019izy nandeha niakatra ho any an-tranon-drainy.",
        "20": "Dia nomena ho an\u2019ny iray tamin\u2019ireo namany nanotrona azy ny vadin\u2019i Samsona."
    },
    "15": {
        "1": "Nandeha nitsidika ny vadiny i Samsona taoriana kelin\u2019izay, tamin\u2019ny fotoam-pijinjana varimbazaha, ary nitondra zanak\u2019osy. Dia hoy izy: \u201cTe ho ao amin\u2019ny vadiko ao amin\u2019ny efitra fatoriana aho.\u201d Tsy navelan\u2019ny rain\u2019ilay vehivavy hankany anefa izy.",
        "2": "Fa hoy ny rain\u2019ilay vehivavy: \u201cNieritreritra aho hoe: \u2018Tsy tianao intsony mihitsy izy\u2019, dia nomeko an\u2019ilay namanao nanotrona anao. Ny zandriny vavy ange tsara tarehy noho izy\u00a0e! Mba izy hatao solony.\u201d",
        "3": "Fa hoy i Samsona tamin\u2019izy ireo: \u201cTsy afaka ny hanome tsiny ahy kosa ny Filistinina amin\u2019ity indray mandeha ity, raha mamely an-dry zareo aho.\u201d",
        "4": "Nandeha nisambotra amboadia 300 \u00e0ry i Samsona, ary naka fanilo be dia be. Dia nataony nifamatotra tsiroaroa ny rambon\u2019ireo amboadia ireo, ka nasiany fanilo iray teo anelanelan\u2019ny rambo roa.",
        "5": "Ary nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany hankeny an-tanimbolin\u2019ny Filistinina ireo amboadia. Dia nodoran\u2019i Samsona daholo ireo vokatra efa vita amboara, sy ny voly teny an-tsaha, sy ny tanimboaloboka, ary ny sahan\u2019oliva.",
        "6": "Ary hoy ny Filistinina: \u201cFa iza no nanao an\u2019izao?\u201d Ary nisy niteny hoe: \u201cI Samsona, vinantolahin\u2019ilay Timnita. Nalain\u2019ny rafozandahiny mantsy ny vadin\u2019i Samsona, dia nomeny an\u2019ilay namany nanotrona azy.\u201d Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an\u2019ilay vehivavy sy ny dadany.",
        "7": "Ary hoy i Samsona tamin\u2019izy ireo: \u201cRaha izany no ataonareo, dia tsy hijanona mihitsy aho raha tsy vitako ny mamaly an\u2019izay nataonareo.\u201d",
        "8": "Dia novonoiny tsirairay izy ireo, ary be dia be no maty. Nidina izy avy eo ka nipetraka tao anaty lava-bato, tany amin\u2019ny harambato atao hoe Etama.",
        "9": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda sy nihaodihaody tany Lehy.",
        "10": "Ary hoy ny lehilahy avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda: \u201cFa maninona ianareo no miakatra hamely anay?\u201d Dia hoy izy ireo: \u201cHisambotra an\u2019i Samsona no niakaranay. Tianay hatao aminy koa izay nataony taminay.\u201d",
        "11": "Koa nidina tany amin\u2019ilay lava-bato, tany amin\u2019ny harambato Etama, ny lehilahy 3\u00a0000 avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda. Hoy izy ireo tamin\u2019i Samsona: \u201cTsy fantatrao angaha fa ny Filistinina no mifehy antsika? Dia maninona izahay no ataonao an\u2019izao?\u201d Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cIzay nataony tamiko ihany no nataoko taminy.\u201d",
        "12": "Hoy anefa izy ireo: \u201cTonga hisambotra anao sy hanolotra anao ho an\u2019ny Filistinina izahay.\u201d Dia hoy i Samsona: \u201cMila mianiana amiko \u00e0ry ianareo hoe tsy hikasi-tanana ahy.\u201d",
        "13": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cTsy hikasi-tanana anao izahay, fa hamatotra anao fotsiny dia hanolotra anao ho an-dry zareo. Tsy hamono anao ho faty izahay.\u201d Dia namatotra azy tamin\u2019ny tady roa vaovao izy ireo, ka nentin\u2019izy ireo niala tao amin\u2019ilay harambato izy.",
        "14": "Rehefa tonga tany Lehy izy, dia nihorakoraka ny Filistinina nahita azy. Dia nanome hery an\u2019i Samsona ny fanahin\u2019i Jehovah, ka lasa toy ny kofehy rongony main\u2019ny afo ny tady teny amin\u2019ny sandriny. Ary niala ny tady namatorana ny tanany.",
        "15": "Nahita valanoranon\u2019ampondralahy izy, ary mbola mando ilay taolana tamin\u2019izay. Dia nalainy ilay izy, ka namono 1\u00a0000\u00a0lahy tamin\u2019iny izy.",
        "16": "Ary hoy i Samsona: \u201cValanoranon\u2019ampondra iray no nanaovako antontany iray, antontany roa! Valanoranon\u2019ampondra iray no namonoako 1\u00a0000 lahy.\u201d",
        "17": "Rehefa avy niteny an\u2019izany izy, dia natsipiny ilay valanorano. Ary nataony hoe Ramata-lehy ny anaran\u2019ilay toerana.",
        "18": "Dia nangetaheta be izy, ka nitaraina tamin\u2019i Jehovah hoe: \u201cIanao no nanampy ny mpanomponao ka nahatonga an\u2019izao famonjena lehibe izao. Dia avelanao ho fatin\u2019ny hetaheta ve aho izao, ka ho voasambotry ny tsy mifora?\u201d",
        "19": "Nataon\u2019Andriamanitra nitresaka \u00e0ry ny lavaka iray tao Lehy, ka nisy rano nivoaka avy tao. Dia nisotro izy, ary nody ny ainy ka velombelona izy. Izany no nahatonga azy hiantso an\u2019ilay toerana hoe En-hakore. Mbola any Lehy izy io hatramin\u2019izao.",
        "20": "Ary nitsara ny Israely nandritra ny 20\u00a0taona izy, tamin\u2019ny andro nifehezan\u2019ny Filistinina azy ireo."
    },
    "16": {
        "1": "Nankany Gaza i Samsona indray mandeha. Nahita vehivavy mpivaro-tena izy tany, ka nankao an-tranony.",
        "2": "Ary nisy nilaza tamin\u2019ny Gazita hoe: \u201cTonga eto i Samsona.\u201d Dia nohodidinin\u2019izy ireo ilay toerana, ary niafina teo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na izy ireo nandritra ny alina mba hamely azy. Tsy nikotaba anefa izy ireo nandritra ny alina, fa hoy izy ireo: \u201cRaha vao mangiran-dratsy ny andro, dia hovonointsika izy.\u201d",
        "3": "Natory tao i Samsona mandra-pisasaky ny alina. Ary nifoha izy rehefa nisasaka ny alina, dia noraisiny ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na sy ny andry roa tamin\u2019ny sisiny, ka nongotany niaraka tamin\u2019ny bara hidin\u2019ilay vavahady. Nataony teny an-tsorony izany, ary nentiny niakatra ho any an-tampon\u2019ilay tendrombohitra tandrifin\u2019i Hebrona.",
        "4": "Raiki-pitia tamin\u2019ny vehivavy iray tany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Soreka izy, taorian\u2019izay. Delila no anaran\u2019ilay vehivavy.",
        "5": "Koa nankao aminy ireo andrianan\u2019ny Filistinina, dia niteny taminy hoe: \u201cFetseo izy ka fantaro hoe inona no mahatonga azy hatanjaka be. Ezaho fantarina koa hoe ahoana no handresenay sy hamatoranay azy mba ho voafehinay izy. Dia samy hanome anao volafotsy 1\u00a0100 sekely avy izahay.\u201d",
        "6": "Taorian\u2019izay, dia hoy i Delila tamin\u2019i Samsona: \u201cEo moa mba lazao amiko hoe inona no mahatonga anao hatanjaka be hoatr\u2019izao\u00a0e, dia inona no azo amatorana anao mba hahafahana mifehy anao.\u201d",
        "7": "Dia hoy i Samsona: \u201cRaha fatorana amin\u2019ny tady fito mbola tsy nohamainina aho, dia halemy hoatran\u2019ny olon-drehetra ihany.\u201d",
        "8": "Dia niakatra nankany amin\u2019ilay vehivavy ireo andrianan\u2019ny Filistinina, ka nitondra tady fito mbola tsy nohamainina. Ary nofatoran\u2019ilay vehivavy tamin\u2019ireny i Samsona.",
        "9": "Efa nisy olona niafina mba hamely an\u2019i Samsona tao amin\u2019ny efitra anatiny tamin\u2019izay. Dia niantsoantso i Delila hoe: \u201cTonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!\u201d Dia notapahin\u2019i Samsona ireo tady, ka tonga dia tapaka hoatran\u2019ny kofehy rongony tratry ny afo. Ary tsy nisy nahafantatra hoe ahoana no nahatonga azy hatanjaka.",
        "10": "Ary hoy i Delila tamin\u2019i Samsona: \u201cSady namitaka ahy ianao no nandainga tamiko. Mba lazao ahy amin\u2019izay moa izay azo amatorana anao\u00a0e!\u201d",
        "11": "Dia hoy i Samsona: \u201cRaha fatorana amin\u2019ny tady vaovao mbola tsy nampiasaina aho, dia halemy hoatran\u2019ny olon-drehetra ihany.\u201d",
        "12": "Naka tady vaovao \u00e0ry i Delila, ka namatotra an\u2019i Samsona. Dia niantsoantso izy hoe: \u201cTonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!\u201d\u2014Efa nisy olona niafina tao amin\u2019ilay efitra anatiny tamin\u2019izay.\u2014Dia notapahin\u2019i Samsona hiala teo amin\u2019ny sandriny ireo tady, hoatran\u2019ny manapaka kofehy.",
        "13": "Taorian\u2019izay, dia hoy i Delila tamin\u2019i Samsona: \u201cMbola namitaka ahy foana ianao hatramin\u2019izao, sady nandainga tamiko. Lazao ahy moa izay azo amatorana anao\u00a0e!\u201d Dia hoy i Samsona: \u201cMila tenominao miaraka amin\u2019ny kofehy atao tenany ny randrana fito eo amin\u2019ny lohako.\u201d",
        "14": "Ary nataon\u2019ilay vehivavy nifatratra tsara tamin\u2019ny alalan\u2019ny hazo fisaka ireo randran\u2019i Samsona, dia niantsoantso izy hoe: \u201cTonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!\u201d Dia nifoha i Samsona, ka nosintoniny hiala ilay hazon-tenona sy ilay kofehy natao tenany.",
        "15": "Dia hoy i Delila taminy: \u201cAhoana no ilazanao hoe: \u2018Tena tiako ianao\u2019, nefa ianao tsy matoky ahy akory? Intelo izay ianao no namitaka ahy, dia tsy nilaza tamiko hoe inona no mahatonga anao hatanjaka be.\u201d",
        "16": "Tsy namelan\u2019i Delila i Samsona fa nosokiriny foana isan\u2019andro, dia leo be i Samsona ka te ho faty mihitsy.",
        "17": "Namboraka ny tao am-pony tamin\u2019i Delila \u00e0ry izy tamin\u2019ny farany. Hoy izy: \u201cMbola tsy notapahina mihitsy ny volon-dohako, satria vao teraka aho dia efa Nazirita ho an\u2019Andriamanitra. Fa raha tapahina ny voloko, dia tsy hatanjaka be intsony aho fa halemy, ary ho lasa hoatran\u2019ny olon-drehetra ihany.\u201d",
        "18": "Rehefa hitan\u2019i Delila fa namboraka ny tao am-pony taminy i Samsona, dia tonga dia nampiantso an\u2019ireo andrianan\u2019ny Filistinina izy. Dia hoy izy: \u201cTongava amin\u2019izay amin\u2019ity indray mandeha ity, fa efa namboraka ny tao am-pony tamiko izy.\u201d Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan\u2019ny Filistinina, sady nitondra an\u2019ilay vola.",
        "19": "Ary nampatorin\u2019ilay vehivavy teo ambony lohaliny i Samsona. Dia niantso lehilahy iray izy, ka nasainy notapahiny ny randrana fito teo amin\u2019ny lohan\u2019i Samsona. Lasa nahavita nifehy azy izy taorian\u2019izay, satria nihena ny tanjak\u2019i Samsona.",
        "20": "Dia niantsoantso ilay vehivavy hoe: \u201cTonga hamely anao ny Filistinina, ry Samsona!\u201d Dia nifoha i Samsona, ka niteny hoe: \u201cHo tafavoaka hoatran\u2019ny teo aloha ihany aho. Hikofokofoka aho, dia ho afaka.\u201d Tsy fantany anefa fa efa niala taminy i Jehovah.",
        "21": "Koa nosamborin\u2019ny Filistinina izy, dia nopotsirin\u2019izy ireo ny masony roa. Ary nentin\u2019izy ireo nidina nankany Gaza izy, ka nofatorany tamin\u2019ny gadra varahina roa. Dia lasa mpanodina vato lehibe fikosoham-bary tao am-ponja izy.",
        "22": "Nanomboka naniry indray anefa ilay volon-dohany notapahina.",
        "23": "Ary nivory ireo andrianan\u2019ny Filistinina mba hanao sorona lehibe ho an\u2019i Dagona andriamaniny sy hanao fety. Fa hoy izy ireo: \u201cEfa nataon\u2019ilay andriamanitsika resintsika i Samsona fahavalontsika!\u201d",
        "24": "Rehefa nahita azy ny olona, dia nidera ny andriamaniny. Hoy izy ireo: \u201cEfa nataon\u2019ilay andriamanitsika resintsika ilay fahavalontsika, izay nanimba ny tanintsika sy namono olona be dia be teto amintsika.\u201d",
        "25": "Ary falifaly izy ireo, ka niteny hoe: \u201cAlaivo i Samsona mba hampiala voly antsika.\u201d Dia nalainy avy tao am-ponja i Samsona mba hampiala voly azy ireo. Ary nasainy nitsangana teo anelanelan\u2019ny andry izy.",
        "26": "Dia hoy i Samsona tamin\u2019ilay zazalahy nitantana azy: \u201cMba avelao aho hikasika an\u2019ireo andry manohana an\u2019ity trano ity, mba hiankinako aminy.\u201d",
        "27": "Feno lehilahy sy vehivavy ilay trano tamin\u2019izay. Tao daholo ireo andrianan\u2019ny Filistinina ary nisy lehilahy sy vehivavy 3\u00a0000 teo ho eo tany an-tampon-trano. Nijery an\u2019i Samsona nampiala voly azy izy ireo.",
        "28": "Dia niantso an\u2019i Jehovah i Samsona hoe: \u201cRy Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra\u00a0e! Mba amin\u2019ity indray mandeha ity fotsiny, ry Andriamanitra\u00a0\u00f4! Avelao aho hamaly faty ny Filistinina noho ny anankiray amin\u2019ny masoko roa.\u201d",
        "29": "Dia nitehenan\u2019i Samsona ireo andry roa teo afovoany izay nanohana an\u2019ilay trano. Ny tanany havanana nitehina tamin\u2019ny andry iray ary ny tanany havia nitehina tamin\u2019ilay iray.",
        "30": "Dia niteny mafy be i Samsona hoe: \u201cAvelao aho ho faty miaraka amin\u2019ny Filistinina!\u201d Dia natosiny araka izay fara heriny ireo andry, ka nianjeran\u2019ilay trano ireo andriana sy ny olona rehetra tao anatiny. Betsaka kokoa \u00e0ry ny olona matiny tamin\u2019ny andro nahafatesany, raha oharina amin\u2019ny olona matiny nandritra ny androm-piainany.",
        "31": "Taorian\u2019izay, dia nidina mba haka azy ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy manontolo. Nentin\u2019izy ireo niakatra izy, ary naleviny teo anelanelan\u2019i Zora sy Estaola, tao amin\u2019ny fasan\u2019i Manoa rainy. Ary efa nitsara ny Israely nandritra ny 20\u00a0taona izy."
    },
    "17": {
        "1": "Nisy lehilahy atao hoe Mika, avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima.",
        "2": "Ary hoy izy tamin-dreniny: \u201cTadidinao ilay volafotsy 1\u00a0100\u00a0sekely nisy naka tany aminao iny? Henoko ianao nanozona an\u2019ilay olona naka azy. At\u1ef3 amiko ilay izy. Izaho no naka azy.\u201d Dia hoy ny reniny: \u201cHotahin\u2019i Jehovah anie ny zanako!\u201d",
        "3": "Naveriny tany amin\u2019ny reniny \u00e0ry ilay volafotsy 1\u00a0100 sekely. Hoy anefa ny reniny: \u201cTsy maintsy hohamasiniko ho an\u2019i Jehovah ilay volafotsy, anaka, amin\u2019izay ianao afaka manamboatra sary sokitra sy sarivongana metaly amin\u2019ilay izy. Iny fa averiko aminao indray ilay izy izao.\u201d",
        "4": "Rehefa naveriny tany amin\u2019ny reniny ilay volafotsy, dia naka volafotsy 200 sekely ny reniny ary nomeny ny mpanefy volafotsy izany. Nanamboaran\u2019ilay mpanefy sary sokitra sy sarivongana metaly ilay izy, dia napetraka tao an-tranon\u2019i Mika.",
        "5": "Nanana tranon\u2019andriamanitra io Mika io, ary nanamboatra efoda sy sarivongana terafima. Dia notendreny ny iray tamin\u2019ny zanany lahy mba ho mpisorona ho azy.",
        "6": "Tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019izany andro izany, ary samy nanao izay noheveriny fa nety ny olona.",
        "7": "Nisy tovolahy anankiray, anisan\u2019ny fianakavian\u2019i Joda, avy any Betlehema any Joda. Levita izy, ary nipetraka kelikely tany.",
        "8": "Niala tany amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Betlehema any Joda io tovolahy io mba hitady toerana hipetrahana. Dia nandeha izy, ka tonga tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, tany an-tranon\u2019i Mika.",
        "9": "Ary hoy i Mika taminy: \u201cAvy aiza ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cLevita avy any Betlehema any Joda aho, ary handeha hitady toerana hipetrahana.\u201d",
        "10": "Dia hoy i Mika taminy: \u201cMiaraha mipetraka amiko, dia ho mpanolo-tsaina sy ho mpisorona ho ahy ianao. Ary homeko volafotsy folo sekely ianao isan-taona, dia homeko akanjo sy sakafo koa.\u201d Dia niditra tao an-tranony ilay Levita.",
        "11": "Nanaiky hiara-mipetraka tamin\u2019i Mika \u00e0ry ilay tovolahy, ka nataony hoatran\u2019ny anankiray amin\u2019ny zanany.",
        "12": "Dia notendren\u2019i Mika ho mpisorona ho azy ilay Levita, ka nipetraka tao an-tranony.",
        "13": "Dia hoy i Mika: \u201cFantatro izao fa hanisy soa ahy i Jehovah, satria efa lasa mpisorona ho ahy ity Levita ity.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019izany andro izany. Ary nitady toerana hipetrahana ny fokon\u2019ny Danita tamin\u2019izany, satria mbola tsy azony daholo ny lovany teo amin\u2019ny fokon\u2019ny Israely.",
        "2": "Naniraka lehilahy dimy anisan\u2019ny fianakaviany ny Danita. Lehilahy mahery fo avy any Zora sy Estaola izy ireo, ary nirahina hitsikilo sy hamantatra an\u2019ilay tany. Hoy ny Danita tamin\u2019izy ireo: \u201cMandehana, jereo hoe manao ahoana ilay tany.\u201d Dia tonga tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, tany an-tranon\u2019i Mika, izy dimy lahy, ary natory indray alina tao.",
        "3": "Tamin\u2019izy ireo teo akaikin\u2019ny tranon\u2019i Mika, dia fantany ny feon\u2019ilay tovolahy Levita. Dia nivily nankao aminy izy ireo, ka niteny hoe: \u201cIza no nitondra anao tat\u1ef3? Inona no ataonao eto amin\u2019ity toerana ity? Ary inona no mahatamana anao at\u1ef3?\u201d",
        "4": "Dia nitantara izy hoe: \u201cIzany sy izany no nataon\u2019i Mika tamiko, dia karamainy ho mpisorona ho azy aho.\u201d",
        "5": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cMba anontanio hoe Andriamanitra, azafady, raha hahomby izao dianay izao na tsia!\u201d",
        "6": "Dia hoy ilay mpisorona tamin\u2019izy ireo: \u201cMandehana ary mirary soa ho anareo aho. Miaro anareo i Jehovah amin\u2019izao dianareo izao.\u201d",
        "7": "Nandeha \u00e0ry izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Dia hitan\u2019izy ireo fa nahavita tena hoatran\u2019ny Sidonianina ny mponina tao. Nilamina izy ireo sady tsy nanana ahiahy, ary tsy nisy fahavalo tonga nampijaly azy tao amin\u2019ilay tany. Lavitra an\u2019ireo Sidonianina izy ireo, sady tsy nifandray tamin\u2019iza na iza.",
        "8": "Rehefa tafaverina tany amin\u2019ireo rahalahiny tany Zora sy Estaola izy dimy lahy, dia hoy ny rahalahiny taminy: \u201cNanao ahoana ny tany?\u201d",
        "9": "Dia hoy izy ireo: \u201cHitanay hoe tena tsara ilay tany, ka andao hiakatra hamely an-dry zareo. Aza misalasala, fa andao halaina haingana ilay tany.",
        "10": "Hahita olona tsy manana ahiahy ianareo rehefa tonga any. Midadasika be koa ilay tany. Hataon\u2019Andriamanitra resinareo ilay izy, ary misy ao daholo ny zava-drehetra et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany.\u201d",
        "11": "Dia nisy 600 lahy, anisan\u2019ny fianakavian\u2019ny Danita, niainga avy tao Zora sy Estaola. Nitondra fitaovam-piadiana izy ireo ary vonona hiady.",
        "12": "Niakatra izy ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda. Izany no antony niantsoana an\u2019io toerana io hoe Mahane-dana hatramin\u2019izao. Eo andrefan\u2019i Kiriata-jearima no misy azy io.",
        "13": "Dia niala tao izy ireo, ka nankany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, ary tonga tany an-tranon\u2019i Mika.",
        "14": "Dia niteny tamin\u2019ny rahalahiny izy dimy lahy, izay avy nitsikilo ny tany Laisy, hoe: \u201cFantatrareo ve fa misy efoda sy sarivongana terafima sy sary sokitra ary sarivongana metaly ao amin\u2019ireo trano ireo? Eritrereto izay tokony hataonareo.\u201d",
        "15": "Dia nijanona izy ireo, ary nankao an-tranon\u2019ilay tovolahy Levita, tao an-tranon\u2019i Mika. Ary nanontany ny fahasalamany izy ireo.",
        "16": "Ireo 600 lahy, anisan\u2019ny fokon\u2019i Dana, izay nitondra fitaovam-piadiana kosa nijoro teo amin\u2019ny vavahady fidirana.",
        "17": "Ary niditra izy dimy lahy, izay avy nitsikilo an\u2019ilay tany, dia nalain\u2019izy ireo ilay sary sokitra sy ny efoda sy ny sarivongana terafima ary ny sarivongana metaly. Ilay mpisorona kosa nijoro teo amin\u2019ny vavahady fidirana, niaraka tamin\u2019ireo 600 lahy nitondra fitaovam-piadiana.",
        "18": "Niditra tao an-tranon\u2019i Mika izy dimy lahy ka naka ny sary sokitra sy ny efoda sy ny sarivongana terafima ary ny sarivongana metaly. Dia hoy ilay mpisorona tamin\u2019izy ireo: \u201cFa inona ity ataonareo?\u201d",
        "19": "Hoy anefa izy ireo taminy: \u201cMang\u00ecna! Tampeno amin\u2019ny tananao ny vavanao, ary andao hiaraka aminay, dia ho mpanolo-tsaina sy ho mpisorona ho anay ianao. Fa inona no tianao: Ho mpisorona ho an\u2019ny ankohonan\u2019olona iray, sa ho mpisorona ho an\u2019ny foko sy fianakaviambe iray eo amin\u2019ny Israely?\u201d",
        "20": "Faly \u00e0ry ilay mpisorona, ka nalainy ilay efoda sy ilay sarivongana terafima ary ilay sary sokitra. Dia lasa izy nanaraka azy ireo.",
        "21": "Dia nanohy ny diany izy ireo, ary nataony teo aloha ny zaza sy ny biby fiompy ary ny entana sarobidy.",
        "22": "Rehefa lavidavitra an\u2019ilay tranon\u2019i Mika izy ireo, dia nifamory ireo lehilahy nipetraka teny akaikin\u2019ny tranon\u2019i Mika. Ary nenjehin\u2019izy ireo ny Danita ka tratrany.",
        "23": "Nantsointsoin\u2019izy ireo ny Danita dia nitodika, ka niteny tamin\u2019i Mika hoe: \u201cFa misy inona? Maninona ianao no nanangona an\u2019ireo olona ireo?\u201d",
        "24": "Dia hoy i Mika: \u201cNalainareo ny andriamanitra namboariko, ary nentinareo ny mpisorona. Dia inona izany sisa ny ahy? Koa maninona aho no mbola anontanianareo indray hoe: \u2018Fa misy inona?\u2019\u201d",
        "25": "Dia hoy ny Danita taminy: \u201cAza tabatabaina izahay, sao dia hisy olona ho tezitra ka hamely anareo. Dia hamoy ny ainao sy ny ain\u2019ny ankohonanao ianao.\u201d",
        "26": "Dia nanohy ny diany ny Danita. Ary hitan\u2019i Mika fa nahery noho izy ry zareo, dia niverin-dalana izy ka nody tany an-tranony.",
        "27": "Rehefa avy naka an\u2019ireo zavatra namboarin\u2019i Mika sy naka an\u2019ilay mpisorony ny Danita, dia nankany Laisy. Notafihin\u2019izy ireo ilay vahoaka nilamina sy tsy nanana ahiahy, ary nasiany tamin\u2019ny sabatra. Dia nodoran\u2019izy ireo ilay tan\u00e0na.",
        "28": "Tsy nisy olona tonga namonjy an\u2019ilay tan\u00e0na, satria lavitra an\u2019i Sidona izy io sady teo amin\u2019ny tany lemak\u2019i Beti-rehoba. Tsy nifandray tamin\u2019iza na iza koa ny mponina tao. Dia naorin\u2019izy ireo indray ilay tan\u00e0na ka nipetraka tao izy ireo.",
        "29": "Nantsoin\u2019izy ireo hoe Dana ilay tan\u00e0na, araka ny anaran\u2019i Dana rain\u2019izy ireo, izay naterak\u2019i Israely. Laisy anefa no anaran\u2019izy io taloha.",
        "30": "Taorian\u2019izay, dia natsangan\u2019ny Danita teo amin\u2019ny toerana iray ilay sary sokitra mba hivavahana. Ary lasa mpisorona ho an\u2019ny fokon\u2019ny Danita i Jonatana zanak\u2019i Gersoma, zanak\u2019i Mosesy, sy ny taranany, mandra-pahatongan\u2019ny andro nanaovana sesitany ny mponin\u2019ilay tany.",
        "31": "Ary natsangan\u2019izy ireo teo amin\u2019ny toerana iray ilay sary sokitra namboarin\u2019i Mika. Teo foana ilay izy tamin\u2019ny fotoana rehetra naha tao Silo ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra."
    },
    "19": {
        "1": "Tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019izany andro izany. Ary nisy Levita anankiray nipetraka tany amin\u2019ny toerana mitokana tany amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima. Naka vehivavy iray avy any Betlehema any Joda izy, mba ho vadikeliny.",
        "2": "Nanitsakitsaka azy anefa ilay vadikeliny, ary nandao azy ka nody tany an-tranon-drainy tany Betlehema any Joda. Nijanona tany efa-bolana ilay vehivavy.",
        "3": "Dia nankany aminy ny vadiny mba handresy lahatra azy hody. Ary nitondra mpanompolahy iray sy ampondra roa izy. Dia nampandrosoin\u2019ilay vehivavy tao an-tranon-drainy izy. Faly ny rain\u2019ilay vehivavy rehefa nahita azy.",
        "4": "Ary nandresy lahatra azy hijanona telo andro tao aminy ilay rafozany, izany hoe ny rain\u2019ilay vehivavy. Dia nihinana sy nisotro izy ireo, ary natory tao ilay lehilahy.",
        "5": "Rehefa nifoha maraina hiainga izy ireo ny andro fahefatra, dia hoy ny rain\u2019ilay vehivavy tamin\u2019ny vinantolahiny: \u201cMihin\u00e0na zavatra kely, amin\u2019izay mba mahazo hery, dia avy eo ianareo mandeha.\u201d",
        "6": "Dia nipetraka izy mianaka, ary niara-nihinana sy nisotro. Avy eo, dia hoy ny rain\u2019ilay vehivavy tamin\u2019ilay lehilahy: \u201cMba mijan\u00f2na re androany alina\u00a0e, ary ataovy izay mahafinaritra anao!\u201d",
        "7": "Rehefa hiainga ilay lehilahy, dia niangavy azy foana ilay rafozany, ka nijanona tao indray izy ny alin\u2019iny.",
        "8": "Rehefa nifoha maraina hiainga ilay lehilahy ny andro fahadimy, dia hoy ny rain\u2019ilay vehivavy: \u201cMba mihin\u00e0na zavatra kely, amin\u2019izay mba mahazo hery.\u201d Ary nijanonjanona teo izy ireo mandra-paharivarivan\u2019ny andro. Dia niara-nisakafo teo izy mianaka.",
        "9": "Dia nitsangana mba handeha ilay lehilahy sy ilay vadikeliny ary ilay mpanompony. Fa hoy ny rafozany, izany hoe ny rain\u2019ilay vehivavy, taminy: \u201cJereo fa efa ho hariva ny andro. Mba matoria at\u1ef3 androany alina! Efa hilentika ange ny masoandro\u00a0e! Matoria at\u1ef3 ary ataovy izay mahafinaritra anao. Afaka mifoha maraina ianao rahampitso, dia mandeha mody any an-tranonao.\u201d",
        "10": "Tsy te hijanona indray alina intsony anefa ilay lehilahy. Nitsangana \u00e0ry izy ka lasa nandeha ary tonga hatrany Jebosa, izany hoe Jerosalema. Ary nentiny ireo ampondra roa efa nisy lasely sy ilay vadikeliny ary ilay mpanompony.",
        "11": "Efa ho maizina ny andro, rehefa tonga teo akaikin\u2019i Jebosa izy ireo. Dia hoy ilay mpanompo tamin\u2019ny tompony: \u201cSao dia tokony hijanona ao amin\u2019itsy tan\u00e0nan\u2019ny Jebosita itsy isika, dia hatory ao androany alina?\u201d",
        "12": "Fa hoy ny tompony taminy: \u201cTsy tokony hijanona ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny firenen-kafa tsy Israelita isika. Andao hanohy hatrany Gibea.\u201d",
        "13": "Dia hoy izy tamin\u2019ilay mpanompony: \u201cAndao hatao izay hahatongavana eny amin\u2019ny iray amin\u2019iretsy tan\u00e0na iretsy. Na isika hatory ao Gibea androany alina, na ao Rama.\u201d",
        "14": "Dia nanohy ny diany izy ireo, ary nanomboka nilentika ny masoandro vao tonga teo akaikin\u2019i Gibea tan\u00e0nan\u2019i Benjamina izy ireo.",
        "15": "Nijanona hatory tao Gibea izy ireo. Dia niditra tao izy ireo ka nipetraka teo amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na. Tsy nisy nandray azy hatory tany an-tranony anefa.",
        "16": "Rehefa ela ny ela, tamin\u2019iny hariva iny, dia nisy lehilahy efa antitra tonga avy niasa tany an-tsaha. Avy any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima izy, fa nipetraka kelikely tao Gibea izy. Benjaminita kosa ny mponina tao Gibea.",
        "17": "Dia nijery izy ka hitany teo amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na ilay lehilahy avy nanao dia lavitra. Dia hoy ilay zokiolona: \u201cAvy taiza ianao, ary handeha ho aiza?\u201d",
        "18": "Dia hoy ilay lehilahy: \u201cAvy tany Betlehema any Joda izahay, ary ho any amin\u2019ny toerana mitokana any amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Efraima, fa avy any aho. Nandeha kely tany Betlehema any Joda aho ary ho any an-tranon\u2019i Jehovah. Tsy misy mampiantrano anefa aho.",
        "19": "Manana mololo sy sakafo ampy ho an\u2019ny ampondranay izahay, sady manana mofo sy divay ho ahy sy ho an\u2019ilay vadikeliko ary ho an\u2019ilay mpanomponay. Efa ao daholo izay rehetra ilainay.\u201d",
        "20": "Hoy anefa ilay zokiolona: \u201cDia tonga soa izany ianao! Avelao aho hikarakara izay ilainao, fa aza matory eto amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na.\u201d",
        "21": "Koa nentiny tany an-tranony ilay lehilahy, ary nomeny sakafo ireo ampondra. Dia nanasa tongotra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.",
        "22": "Raha mbola nifalifaly teo izy ireo, dia tonga nanodidina an\u2019ilay trano ny jiolahim-boto sasany tao an-tan\u00e0na. Dia nodondonin\u2019izy ireo mafy be ny varavarana, sady hoy foana izy ireo tamin\u2019ilay zokiolona tompon-trano: \u201cAvoahy at\u1ef3 ilay lehilahy nankao an-tranonao iny mba hanaovanay firaisana.\u201d",
        "23": "Dia nivoaka ilay tompon-trano, ka niteny hoe: \u201cAza manao an\u2019izany, ry rahalahiko! Aza manao an\u2019izany zava-dratsy izany. Mba mivahiny ato amiko ange io lehilahy io\u00a0e! Aza manao an\u2019izany zavatra mamoafady izany.",
        "24": "Ao ny zanako vavy virjiny sy ny vadikelin\u2019ilay lehilahy! Aleo ry zareo no havoakako, dia azonareo alaina baraka ry zareo, raha izay no efa masaka ao an-tsainareo. Fa aza manao zavatra mamoafady amin\u2019io lehilahy io.\u201d",
        "25": "Tsy nety nihaino an\u2019ilay zokiolona anefa ireo lehilahy ireo. Dia nalain\u2019ilay lehilahy ilay vadikeliny ka navoakany tany amin\u2019izy ireo. Ary naolan\u2019izy ireo sy nanamparany ny filan-dratsiny ilay vehivavy nandritra ny alina mandra-paharainan\u2019ny andro. Dia nalefan\u2019izy ireo izy rehefa nangiran-dratsy ny andro.",
        "26": "Vao maraina be, dia tonga ilay vehivavy ka nianjera teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019ilay lehilahy nampiantrano ny tompony. Dia nidaboka teo izy mandra-pahazavan\u2019ny andro.",
        "27": "Nifoha ilay lehilahy rehefa maraina ny andro, dia nosokafany ny varavaran\u2019ilay trano, ary nivoaka izy mba hanohy ny diany. Hitany nihohoka teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay trano ilay vadikeliny, ary teo an-tokonam-baravarana ny tanany roa.",
        "28": "Ary hoy ilay lehilahy taminy: \u201cMitsang\u00e0na, andao handeha.\u201d Tsy namaly anefa ilay vehivavy. Nataony teo ambony ampondrany \u00e0ry ilay vehivavy, dia niainga izy ka lasa nody.",
        "29": "Rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsin-kena, ary noraisiny ny fatin\u2019ilay vadikeliny, ka norasarasainy ho 12. Ary nandefasany ampahany iray avy ny faritra tsirairay tany Israely.",
        "30": "Ary hoy izay rehetra nahita izany: \u201cMbola tsy nisy hoatr\u2019izao mihitsy sady mbola tsy fahita izao, hatramin\u2019izay niakaran\u2019ny Israelita avy tany Ejipta ka hatramin\u2019izao. Eritrereto tsara izany, ary miaraha midinika dia lazao anay izay tokony hatao.\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Dia nivoaka daholo ny Israelita rehetra avy any Dana ka hatrany Beri-sheba, ary ny avy any Gileada. Ary niara-nivory teo anatrehan\u2019i Jehovah tany Mizpa ny vahoaka manontolo.",
        "2": "Dia nitsangana teo anivon\u2019ny fiangonan\u2019ny vahoakan\u2019Andriamanitra ireo lehiben\u2019ny vahoaka, izany hoe ireo lehiben\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely. Miaramila 400\u00a0000 no anisan\u2019ilay fiangonana, ary mpandeha an-tongotra sady mpitan-tsabatra izy ireo.",
        "3": "Henon\u2019ny Benjaminita hoe niakatra tany Mizpa ny lehilahy israelita. Ary hoy ny lehilahy israelita: \u201cTeneno anay hoe ahoana no nahatonga an\u2019izao zavatra mahatsiravina izao.\u201d",
        "4": "Dia hoy ilay Levita vadin\u2019ilay vehivavy nisy namono: \u201cTonga tao Gibea tan\u00e0nan\u2019ny fokon\u2019i Benjamina izaho sy ny vadikeliko, mba hatory tao.",
        "5": "Ary nitsangana hanisy ratsy ahy ireo mponina tao Gibea, ka nanodidina an\u2019ilay trano nisy ahy tamin\u2019ny alina. Izaho no saika hovonoin\u2019izy ireo, kanjo ny vadikeliko no naolany dia maty.",
        "6": "Dia nalaiko ny fatin\u2019ilay vadikeliko ka norasarasaiko, ary nalefako tany amin\u2019ny faritra rehetra eo amin\u2019ny lovan\u2019ny Israely. Nanao zavatra mahamenatra sy mamoafady teto amin\u2019ny Israely mantsy izy ireo.",
        "7": "Dia teneno \u00e0ry, ry vahoakan\u2019Israely, hoe inona ny soso-kevitrareo.\u201d",
        "8": "Dia niara-nitsangana ny vahoaka manontolo, ka nilaza hoe: \u201cTsy hisy hiverina any amin\u2019ny tranolaintsika isika, na hody any an-tranontsika.",
        "9": "Fa izao no hataontsika amin\u2019i Gibea: Hiakatra hiady aminy isika, fa hanao antsapaka aloha isika hahitana hoe iza no handeha.",
        "10": "Ary hakantsika lehilahy 10 isaky ny 100 ny foko rehetra eo amin\u2019ny Israely, 100 isaky ny 1\u00a0000, ary 1\u00a0000 isaky ny 10\u00a0000, mba hanangona vatsy ho an\u2019ny miaramila. Amin\u2019izay ireo miaramila dia ho afaka hanafika an\u2019i Gibea tan\u00e0nan\u2019ny fokon\u2019i Benjamina, noho ny zavatra mamoafady nataon-dry zareo teto amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "11": "Nifanaraka \u00e0ry ny lehilahy israelita rehetra fa hiara-manafika an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "12": "Dia naniraka olona ho any amin\u2019izay rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Benjamina ny fokon\u2019ny Israely, mba hilaza hoe: \u201cInona izany zavatra mahatsiravina nitranga teto aminareo izany?",
        "13": "Atolory anay ireo jiolahim-boto ao Gibea ireo, mba hamonoanay azy ho faty sy hanesorana ny ratsy tsy ho eto amin\u2019ny Israely.\u201d Tsy nety nihaino ny tenin\u2019ny Israelita rahalahiny anefa ny Benjaminita.",
        "14": "Dia niala avy any an-tan\u00e0nany avy ny Benjaminita, ka nankany Gibea mba hiady tamin\u2019ny lehilahy israelita.",
        "15": "Nahangona lehilahy 26\u00a0000 avy any an-tan\u00e0nany ny Benjaminita tamin\u2019 izay andro izay, ary samy mpitan-tsabatra izy ireo. Ankoatra an\u2019ireo, dia nisy miaramila 700 tena nahay niady koa tao Gibea.",
        "16": "Nisy lehilahy tena nahay niady tamin\u2019ireo miaramila rehetra ireo. Niisa 700 izy ireo sady samy kavia. Samy nahay nampiasa pilotra daholo izy ireo, ary tsy nisy nivaona ny vato nalefany na dia hoatran\u2019ny singam-bolo iray aza, fa nahavoa an\u2019izay nokendreny foana.",
        "17": "Nahangona miaramila 400\u00a0000 ny lehilahy israelita. Mpitan-tsabatra izy ireo sady samy efa zatra ady. Tsy anisan\u2019izany ny Benjaminita.",
        "18": "Dia niainga ny Israelita ka niakatra tany Betela, mba hanontany an\u2019Andriamanitra. Ary hoy izy ireo: \u201cIza aminay no ho loha laharana rehefa hiakatra hiady amin\u2019ny Benjaminita izahay?\u201d Hoy i Jehovah: \u201cNy fokon\u2019i Joda no ho loha laharana.\u201d",
        "19": "Dia niainga ny Israelita rehefa maraina ny andro, ka nitoby mba hiady tamin\u2019i Gibea.",
        "20": "Dia nivoaka hiady tamin\u2019ny Benjaminita ny lehilahy israelita, ka nilahatra hiady tamin\u2019izy ireo tao Gibea.",
        "21": "Nivoaka avy tao Gibea \u00e0ry ny Benjaminita, ka nahafaty lehilahy israelita 22\u00a0000 tamin\u2019io andro io.",
        "22": "Nisikina herim-po anefa ny miaramila israelita, ka nilahatra hiady tamin\u2019izy ireo indray teo amin\u2019ilay toerana niadiany tamin\u2019ny andro voalohany.",
        "23": "Ary niakatra nankany Betela ny Israelita ka nitomany teo anatrehan\u2019i Jehovah mandra-paharivan\u2019ny andro. Nanontany an\u2019i Jehovah izy ireo hoe: \u201cMbola tokony handeha hiady amin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina rahalahinay indray ve izahay?\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cMiakara hiady aminy.\u201d",
        "24": "Dia nanatona an\u2019ireo Benjaminita ny Israelita tamin\u2019ny andro faharoa mba hiady taminy.",
        "25": "Nivoaka avy tao Gibea koa ny Benjaminita tamin\u2019ny andro faharoa mba hifanandrina taminy, ka nahafaty Israelita 18\u00a0000 indray. Mpitan-tsabatra daholo ireo maty ireo.",
        "26": "Dia niakatra tany Betela ny lehilahy israelita rehetra. Nipetraka nitomany teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo, ary nifady hanina mandra-paharivan\u2019ny andro. Nanolotra fanatitra dorana sy fanatitra iombonana teo anatrehan\u2019i Jehovah koa izy ireo.",
        "27": "Nanontany an\u2019i Jehovah ny lehilahy israelita avy eo. Tany Betela mantsy tamin\u2019izany no nisy an\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "28": "Nanompo teo anoloan\u2019izy io i Finehasa zanak\u2019i Eleazara, zanak\u2019i Arona, tamin\u2019izany andro izany. Dia hoy izy ireo: \u201cMbola tokony handeha hiady amin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina rahalahinay indray ve izahay, sa aoka izay?\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cMiakara, fa hataoko resinareo izy rahampitso.\u201d",
        "29": "Koa nametraka olona nanodidina an\u2019i Gibea ny Israely, mba hiafina hanafika an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "30": "Ary niakatra hiady tamin\u2019ireo Benjaminita ny Israelita tamin\u2019ny andro fahatelo, ka nilahatra hiady tamin\u2019i Gibea, hoatran\u2019ny teo aloha.",
        "31": "Rehefa nivoaka hifanandrina tamin\u2019ny miaramila ny Benjaminita, dia notarihina hanalavitra ny tan\u00e0na. Ary nanomboka nasian\u2019izy ireo sy novonoiny, hoatran\u2019ny teo aloha, ny lehilahy sasany teny amin\u2019ireo lalambe. Ny lalambe iray miakatra ho any Betela, ary ny iray kosa mankany Gibea. Israelita 30 teo ho eo \u00e0ry no maty teny.",
        "32": "Dia hoy ny Benjaminita: \u201cResintsika hoatran\u2019ny teo aloha ry zareo.\u201d Fa hoy kosa ny Israelita: \u201cMody handositra isika, dia hotarihintsika hanalavitra ny tan\u00e0na ry zareo, ho eny amin\u2019ny lalambe.\u201d",
        "33": "Dia niala\u00a0teo amin\u2019izay nisy azy ny lehilahy israelita rehetra, ka nilahatra hiady tany Bala-tamara. Fa ireo Israelita efa niafina kosa nirohotra niala avy tao amin\u2019izay niafenany, teny amin\u2019ny manodidina an\u2019i Gibea.",
        "34": "Dia tonga tandrifin\u2019i Gibea ny lehilahy 10\u00a0000 tena nahay niady, izay nofidina avy tamin\u2019ny Israely rehetra. Ary nafotaka ny ady. Tsy fantatry ny Benjaminita anefa fa efa nananontanona ny loza.",
        "35": "Nataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny Israelita ny Benjaminita, ka 25\u00a0100 ny Benjaminita matin\u2019ny Israelita tamin\u2019izay andro izay. Mpitan-tsabatra daholo ireo maty ireo.",
        "36": "Noheverin\u2019ny Benjaminita fa ho resy ny lehilahy israelita matoa nandositra. Nandositra anefa ny Israely satria natoky an\u2019ireo nasainy niafina mba hanafika an\u2019i Gibea.",
        "37": "Ireo niafina kosa nirohotra haingana nankao Gibea. Dia niparitaka izy ireo, ka nasiany tamin\u2019ny sabatra izay rehetra tao an-tan\u00e0na.",
        "38": "Ary efa nifanaraka ny lehilahy israelita sy ireo niafina mba hanafika an\u2019ilay tan\u00e0na, fa hasiany setroka hiakatra avy ao an-tan\u00e0na mba ho famantarana.",
        "39": "Rehefa nandositra ny Israelita, dia nanomboka nanafika azy ireo ny taranak\u2019i Benjamina, ka lehilahy israelita 30 teo ho eo no matin\u2019izy ireo. Dia hoy ny Benjaminita: \u201cTena resintsika hoatran\u2019ny tamin\u2019ilay ady teo aloha indray ry zareo.\u201d",
        "40": "Nanomboka niakatra avy tao an-tan\u00e0na anefa ilay famantarana, izany hoe ilay setroka be. Dia nitodika ny taranak\u2019i Benjamina, ka tazany nidedadeda nanakatra ny lanitra ny afo nandoro an\u2019ilay tan\u00e0na manontolo.",
        "41": "Ary niverina tampoka ny lehilahy israelita, ka very hevitra ny taranak\u2019i Benjamina satria hitany fa nidiran-doza izy ireo.",
        "42": "Dia nandositra an\u2019ireo lehilahy israelita izy ireo, ka nankany an-tany efitra. Mbola nanenjika azy ireo ihany anefa ny Israelita. Nanampy azy ireo hamono an\u2019ireo Benjaminita koa ny lehilahy avy amin\u2019ny tan\u00e0na manodidina.",
        "43": "Dia nanodidina an\u2019ireo Benjaminita izy ireo, sady nanenjika azy ireo tsy an-kijanona. Resin\u2019izy ireo tanteraka ny Benjaminita, teo amin\u2019ny ilany atsinanana, tandrifin\u2019i Gibea.",
        "44": "Farany, dia 18\u00a0000 tamin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina no maty. Miaramila matanjaka daholo ireo maty ireo.",
        "45": "Dia nandositra nankany an-tany efitra, tany amin\u2019ny harambaton\u2019i Rimona, ny taranak\u2019i Benjamina. Nisy 5\u00a0000 tamin\u2019izy ireo no novonoin\u2019ny Israelita teny an-dalambe. Ary nenjehin\u2019izy ireo hatrany Gidoma ny Benjaminita, ka mbola nahafaty 2\u00a0000 lahy izy ireo.",
        "46": "Nahatratra 25\u00a0000 ny Benjaminita rehetra maty tamin\u2019izay andro izay. Miaramila mpitan-tsabatra sy matanjaka daholo ireo maty ireo.",
        "47": "Nisy 600 lahy kosa nandositra tany an-tany efitra, tany amin\u2019ny harambaton\u2019i Rimona, ary nijanona efa-bolana tany.",
        "48": "Dia niverina niady tamin\u2019ny Benjaminita ny lehilahy israelita. Ary nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra ny olona sy ny biby fiompy ary izay rehetra tavela tao an-tan\u00e0na. Nodoran\u2019izy ireo daholo koa izay tan\u00e0na rehetra nandalovany."
    },
    "21": {
        "1": "Ary nianiana tany Mizpa ny lehilahy israelita hoe: \u201cTsy hisy amintsika ireto hanome ny zanany vavy ho vadin\u2019ny lehilahy avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.\u201d",
        "2": "Nankany Betela \u00e0ry ny olona, ka nipetraka teo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra mandra-paharivan\u2019ny andro, sady nigogogogo nitomany be mihitsy.",
        "3": "Ary hoy izy ireo: \u201cJehovah Andriamanitry ny Israely \u00f4, fa maninona no misy zavatra hoatr\u2019izao eto Israely? Dia ho foana ve izany ny foko iray eto amin\u2019ny Israely androany?\u201d",
        "4": "Ary nifoha maraina ny olona ny ampitson\u2019iny ka nanorina alitara teo, mba hanolorana fanatitra dorana sy fanatitra iombonana.",
        "5": "Dia hoy ny vahoakan\u2019Israely: \u201cIza tamin\u2019ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely no tsy tonga nivory teo anatrehan\u2019i Jehovah?\u201d Efa nianiana mantsy izy ireo hoe tsy maintsy hovonoina ho faty izay tsy niakatra teo anatrehan\u2019i Jehovah tany Mizpa.",
        "6": "Nalahelo \u00e0ry ny vahoakan\u2019Israely noho izay nanjo ny fokon\u2019i Benjamina rahalahiny. Hoy izy ireo: \u201cNisy foko iray fongotra teto amin\u2019ny Israely androany.",
        "7": "Dia inona izany no tokony hataontsika mba hanomezana vady ho an\u2019ireo sisa tavela? Isika mantsy efa nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah hoe tsy hanome ny zanatsika vavy ho vadin\u2019izy ireo.\u201d",
        "8": "Dia hoy izy ireo: \u201cIza tamin\u2019ny fokon\u2019ny Israely no tsy niakatra teo anatrehan\u2019i Jehovah tany Mizpa?\u201d Ary hitan\u2019izy ireo fa tsy nisy tonga tao amin\u2019ilay toby nisy ny fiangonana, ny olona avy any Jabesi-gileada.",
        "9": "Rehefa nisaina hoe firy ny olona, dia hitan\u2019izy ireo fa tsy nisy tao ny mponin\u2019i Jabesi-gileada na dia iray aza.",
        "10": "Koa naniraka lehilahy 12\u00a0000 faran\u2019izay matanjaka ny vahoaka, mba handeha ho any. Nanome baiko azy ireo ny vahoaka hoe: \u201cMandehana ka asio amin\u2019ny sabatra ny mponin\u2019i Jabesi-gileada, hatramin\u2019ny zaza amam-behivavy.",
        "11": "Ary izao atao: Aringano ny lehilahy rehetra, ary aringano koa ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy.\u201d",
        "12": "Nahita zazavavy 400 mbola virjiny anefa izy ireo teo amin\u2019ny mponin\u2019i Jabesi-gileada. Mbola tsy nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy mihitsy ireo zazavavy ireo. Dia nentiny tao an-toby tany Silo, tany amin\u2019ny tany Kanana, izy ireo.",
        "13": "Dia naniraka olona ho any amin\u2019ny Benjaminita tao amin\u2019ny harambaton\u2019i Rimona ny vahoaka manontolo, ary namitram-pihavanana taminy.",
        "14": "Niverina tany amin\u2019ny taniny \u00e0ry ny fokon\u2019i Benjamina, tamin\u2019izany fotoana izany. Dia nomen\u2019izy ireo ho vadin\u2019ny Benjaminita ireo zazavavy avy tao Jabesi-gileada, izay tsy novonoiny niaraka tamin\u2019ireo vehivavy hafa tao. Tsy ampy anefa ny zazavavy hitan\u2019izy ireo tao.",
        "15": "Dia nalahelo ny olona noho ny zavatra nanjo ny fokon\u2019i Benjamina, satria nosarahin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny foko hafa teo amin\u2019ny Israely io foko io.",
        "16": "Dia hoy ny anti-panahy teo amin\u2019ny vahoaka: \u201cInona no tokony hataontsika mba hanomezana vady ho an\u2019ireo lehilahy sisa tavela ireo? Efa naripatsika mantsy ny vehivavy rehetra teo amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.\u201d",
        "17": "Hoy koa izy ireo: \u201cTokony hahazo lova ireo Benjaminita tsy maty ireo, mba tsy hisy foko ho fongana eo amin\u2019ny Israely.",
        "18": "Isika anefa tsy mahazo manome ny zanatsika vavy ho vadin\u2019izy ireo, satria efa nianiana ny vahoakan\u2019Israely hoe: \u2018Voaozona izay manome vady ho an\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.\u2019\u201d",
        "19": "Dia hoy izy ireo: \u201cMisy fety ho an\u2019i Jehovah atao isan-taona any Silo, any avaratr\u2019i Betela, izany hoe eo atsinanan\u2019ilay lalambe miakatra avy any Betela mankany Sekema, eo atsimon\u2019i Lebona.\u201d",
        "20": "Nomen\u2019izy ireo baiko \u00e0ry ny taranak\u2019i Benjamina hoe: \u201cMandehana miafina ao amin\u2019ny tanimboaloboka.",
        "21": "Rehefa hitanareo mivoaka handihy manao boribory ny tovovavy ao Silo, dia mivoaha avy ao amin\u2019ny tanimboaloboka, ka samia misambotra iray amin\u2019ireo tovovavy ao Silo mba ho vadinareo. Ary mandehana miverina any amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina.",
        "22": "Raha tonga mitaraina at\u1ef3 aminay ny rainy na ny anadahiny, dia izao no holazainay aminy: \u2018Tsara fanahy aminay ange ianareo raha manampy an-dry zareo\u00a0e! Tsy afaka nanome vady ho azy ireo tsirairay mantsy izahay, satria tsy ampy ny vehivavy azonay tany an\u2019ady. Sady ho meloka koa ianareo raha nanome vady ho an-dry zareo.\u2019\u201d",
        "23": "Dia izany mihitsy no nataon\u2019ny taranak\u2019i Benjamina. Samy naka vady avy tamin\u2019ireo vehivavy nandihy izy ireo, ary avy eo lasa niverina tany amin\u2019ny lovany. Dia naoriny indray ny tan\u00e0nany, ka nipetraka tao amin\u2019ireny tan\u00e0na ireny izy ireo.",
        "24": "Dia niparitaka niala teo ny Israelita, tamin\u2019izany fotoana izany, ka samy nankany amin\u2019ny fokony sy ny fianakaviany avy. Niala teo izy ireo, ary samy nankany amin\u2019ny lovany.",
        "25": "Tsy nisy mpanjaka teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019izany andro izany, ary samy nanao izay noheveriny fa nety ny olona."
    },
    "meta": {
        "name": "Mpitsara",
        "order": 6,
        "chapter_number": 21
    }
}
