{
    "1": {
        "1": "Ary niresaka tamin\u2019i Mosesy tany an-tany efitr\u2019i Sinay i Jehovah, tao amin\u2019ny tranolay fihaonana, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana faharoa, tamin\u2019ny taona faharoa nivoahan\u2019izy ireo avy tany Ejipta. Hoy izy:",
        "2": "\u201cIsao ny vahoaka manontolo, dia ny Israelita, ka isao tsirairay araka ny fianakaviany, sy araka ny fianakaviambeny, ary araka ny lisitry ny anaran\u2019ny lehilahy\u00a0rehetra.",
        "3": "Soraty arakaraka ny antokony ny anaran\u2019izay 20\u00a0taona no ho miakatra ka afaka manompo ao amin\u2019ny tafika eo amin\u2019ny Israely. Ianao sy Arona no hanao an\u2019izany.",
        "4": "\u201cMak\u00e0 lehilahy iray isaky ny foko mba hiaraka aminareo. Tokony ho lohan\u2019ny fianakaviambe daholo izy ireo.",
        "5": "Ireto avy ny anaran\u2019ireo lehilahy hanampy anareo: I Elizora zanak\u2019i Sedeora no avy amin\u2019i Robena;",
        "6": "Selomiela zanak\u2019i Zorisaday no avy amin\u2019i Simeona;",
        "7": "Nasona zanak\u2019i Aminadaba no avy amin\u2019i Joda;",
        "8": "Netanela zanak\u2019i Zoara no avy amin\u2019i Isakara;",
        "9": "Eliaba zanak\u2019i Helona no avy amin\u2019i Zebolona;",
        "10": "Elisama zanak\u2019i Amihoda no avy amin\u2019i Efraima; Gamaliela zanak\u2019i Pedazora no avy amin\u2019i Manase, ary samy taranak\u2019i Josefa ireo;",
        "11": "Abidana zanak\u2019i Gideony no avy amin\u2019i Benjamina;",
        "12": "Ahiezera zanak\u2019i Amisaday no avy amin\u2019i Dana;",
        "13": "Pagiela zanak\u2019i Okrana no avy amin\u2019i Asera;",
        "14": "Eliasafa zanak\u2019i Doela no avy amin\u2019i Gada;",
        "15": "ary Ahira zanak\u2019i Enana no avy amin\u2019i Naftaly.",
        "16": "Ireo no voantso avy amin\u2019ny vahoaka. Samy mpiadidy eo amin\u2019ny fokon\u2019ny rainy izy ireo, sady mpifehy ny arivo eo amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "17": "Nalain\u2019i Mosesy sy Arona \u00e0ry ireo lehilahy voatonona anarana ireo.",
        "18": "Dia novorin\u2019izy ireo daholo ny vahoaka manontolo, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana faharoa, mba hosoratana anarana tsirairay isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambeny. Ny anaran\u2019izay 20\u00a0taona no ho miakatra no nosoratan\u2019izy ireo,",
        "19": "araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy. Nosoratany tany an-tany efitr\u2019i Sinay \u00e0ry ny anaran\u2019izy ireny.",
        "20": "Ny taranak\u2019i Robena lahimatoan\u2019i Israely, dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina tsirairay ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "21": "ka 46\u00a0500 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena.",
        "22": "Ny taranak\u2019i Simeona dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina tsirairay ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "23": "ka 59\u00a0300 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Simeona.",
        "24": "Ny taranak\u2019i Gada dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "25": "ka 45\u00a0650 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Gada.",
        "26": "Ny taranak\u2019i Joda dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "27": "ka 74\u00a0600 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda.",
        "28": "Ny taranak\u2019i Isakara dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "29": "ka 54\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Isakara.",
        "30": "Ny taranak\u2019i Zebolona dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "31": "ka 57\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona.",
        "32": "Ny taranak\u2019i Josefa avy amin\u2019i Efraima, dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "33": "ka 40\u00a0500 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima.",
        "34": "Ny taranak\u2019i Manase dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "35": "ka 32\u00a0200 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Manase.",
        "36": "Ny taranak\u2019i Benjamina dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "37": "ka 35\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.",
        "38": "Ny taranak\u2019i Dana dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "39": "ka 62\u00a0700 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Dana.",
        "40": "Ny taranak\u2019i Asera dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "41": "ka 41\u00a0500 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Asera.",
        "42": "Ny taranak\u2019i Naftaly dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,",
        "43": "ka 53\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly.",
        "44": "Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy 12 lahy teo amin\u2019ny Israely no nanoratra ny anarany. Samy nisolo tena ny fianakaviambeny daholo izy 12 lahy ireo.",
        "45": "Nosoratana isaky ny fianakaviambe daholo ny anaran\u2019izay Israelita rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika teo amin\u2019ny Israely.",
        "46": "Ny isan\u2019ny voasoratra anarana rehetra dia 603\u00a0550.",
        "47": "Ny fianakaviamben\u2019ny fokon\u2019ny Levita kosa tsy mba nosoratana anarana niaraka tamin\u2019izy ireo.",
        "48": "Niteny tamin\u2019i Mosesy \u00e0ry i Jehovah hoe:",
        "49": "\u201cNy fokon\u2019i Levy ihany no tsy tokony hosoratana anarana, ary tsy tokony hakambanao amin\u2019ny isan\u2019ny Israelita hafa ny isan-dry zareo.",
        "50": "Tokony hotendrenao hiandraikitra ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona ny Levita, sady hiandraikitra ny fitaovana rehetra sy ny zava-drehetra miaraka amin\u2019ilay izy. Izy ireo no hitondra ny tranolay sy ny fitaovana rehetra ao, ary izy ireo no hanompo ao. Ary tokony hitoby manodidina ny tranolay izy ireo.",
        "51": "Isaky ny hafindra ny tranolay, dia ny Levita no tokony handrava azy, ary isaky ny haverina hatsangana ny tranolay, dia ny Levita no hanangana azy. Tokony hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manakaiky eo.",
        "52": "\u201cTokony hanangana ny tranolainy ao amin\u2019izay toby nanendrena azy ny Israelita tsirairay, ka ny lehilahy tsirairay hitoby ao amin\u2019ny fizarana misy azy, arakaraka ny antokony.",
        "53": "Ny Levita kosa tokony hitoby manodidina ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, mba tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely aho. Ary andraikitry ny Levita ny mikarakara ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.\u201d",
        "54": "Dia nanao araka ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy ny vahoakan\u2019Israely. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo."
    },
    "2": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "2": "\u201cRehefa mitoby ny Israelita, dia tokony hitoby ao amin\u2019ny fizarana anendrena azy avy izy ireo, ary tokony ho eo akaikin\u2019ny famantarana ny fianakaviambeny ny tsirairay. Tokony hitoby manodidina ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanatrika azy\u00a0io.",
        "3": "\u201cNy hitoby eo atsinanana, izany hoe tandrifin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro, dia ny fizarana misy ny tobin\u2019i Joda, arakaraka ny antokony avy. I Nasona zanak\u2019i Aminadaba no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Joda,",
        "4": "ary 74\u00a0600 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Nasona.",
        "5": "Ny fokon\u2019i Isakara no hitoby eo akaikiny, ka i Netanela zanak\u2019i Zoara no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Isakara,",
        "6": "ary 54\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Netanela.",
        "7": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Zebolona, ka i Eliaba zanak\u2019i Helona no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Zebolona,",
        "8": "ary 57\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Eliaba.",
        "9": "\u201cMisy 186\u00a0400 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tafiky ny tobin\u2019i Joda. Izy ireo no tokony hifindra lasy voalohany.",
        "10": "\u201cHo eo atsimo kosa ny fizarana misy ny tobin\u2019i Robena, arakaraka ny antokony avy. I Elizora zanak\u2019i Sedeora no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Robena,",
        "11": "ary 46\u00a0500 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Elizora.",
        "12": "Ny fokon\u2019i Simeona no hitoby eo akaikiny, ka i Selomiela zanak\u2019i Zorisaday no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Simeona,",
        "13": "ary 59\u00a0300 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Selomiela.",
        "14": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Gada, ka i Eliasafa zanak\u2019i Regoela no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Gada,",
        "15": "ary 45\u00a0650 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Eliasafa.",
        "16": "\u201cMisy 151\u00a0450 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tafiky ny tobin\u2019i Robena. Izy ireo no tokony hifindra lasy faharoa.",
        "17": "\u201cRehefa afindra ny tranolay fihaonana, dia tokony ho eo afovoan\u2019ireo toby hafa ny tobin\u2019ny Levita. \u201cTokony ho arakaraka ny filaharan\u2019izy ireo rehefa mitoby ihany no ho filaharany rehefa miainga, ka samy ho eo amin\u2019ny filaharany avy ny tsirairay, arakaraka ny fizarana misy azy.",
        "18": "\u201cHo eo andrefana ny fizarana misy ny tobin\u2019i Efraima, arakaraka ny antokony avy. I Elisama zanak\u2019i Amihoda no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Efraima,",
        "19": "ary 40\u00a0500 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Elisama.",
        "20": "Ny fokon\u2019i Manase no ho eo akaikiny, ka i Gamaliela zanak\u2019i Pedazora no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Manase,",
        "21": "ary 32\u00a0200 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Gamaliela.",
        "22": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Benjamina, ka i Abidana zanak\u2019i Gideony no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina,",
        "23": "ary 35\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Abidana.",
        "24": "\u201cMisy 108\u00a0100 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tafiky ny tobin\u2019i Efraima. Izy ireo no tokony hifindra lasy fahatelo.",
        "25": "\u201cHo eo avaratra kosa ny fizarana misy ny tobin\u2019i Dana, arakaraka ny antokony avy. I Ahiezera zanak\u2019i Amisaday no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Dana,",
        "26": "ary 62\u00a0700 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Ahiezera.",
        "27": "Ny fokon\u2019i Asera no hitoby eo akaikiny, ka i Pagiela zanak\u2019i Okrana no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Asera,",
        "28": "ary 41\u00a0500 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Pagiela.",
        "29": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Naftaly, ka i Ahira zanak\u2019i Enana no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Naftaly,",
        "30": "ary 53\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Ahira.",
        "31": "\u201cMisy 157\u00a0600 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tobin\u2019i Dana. Izy ireo no tokony hifindra lasy farany, araka ny fizarana misy azy.\u201d",
        "32": "Ireo no Israelita voasoratra anarana, arakaraka ny fianakaviambeny avy. Nisy 603\u00a0550 ireo voasoratra anarana rehetra tao amin\u2019ireo toby ka afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika.",
        "33": "Ny Levita kosa tsy nosoratana anarana niaraka tamin\u2019ireo Israelita ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "34": "Dia nanao araka ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy ny Israelita. Izany no nataon\u2019izy ireo rehefa nitoby, araka ny fizarana nisy azy avy. Izany koa no nataony rehefa nifindra lasy, araka ny fianakaviany avy, sy arakaraka ny fianakaviambeny avy."
    },
    "3": {
        "1": "Ireto avy ny taranak\u2019i Arona sy Mosesy, tamin\u2019ilay andro niresahan\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay.",
        "2": "Ireto avy ny\u00a0anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Arona: I Nadaba no lahimatoa, dia nanarakaraka azy i Abiho sy Eleazara ary Itamara.",
        "3": "Ireo no anaran\u2019ny zanak\u2019i Arona, dia ny mpisorona voahosotra sy notendrena ho mpisorona.",
        "4": "Maty teo anatrehan\u2019i Jehovah anefa i Nadaba sy Abiho. Nanolotra afo teo anatrehan\u2019i Jehovah mantsy izy ireo tany an-tany efitr\u2019i Sinay, nefa afo tsy nahazoana alalana ilay izy. Ary tsy nanan-janaka izy roa lahy. I Eleazara sy Itamara kosa mbola nanao ny asan\u2019ny mpisorona niaraka tamin\u2019i Arona rainy.",
        "5": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "6": "\u201cAsaivo manatona ny fokon\u2019i Levy, dia asaivo mijoro eo anatrehan\u2019i Arona mpisorona mba hanampy azy.",
        "7": "Hanao ny andraikiny aminy sy amin\u2019ny vahoaka manontolo, eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana, izy ireo ka hanao ny fanompoany mifandray amin\u2019ny tranolay masina.",
        "8": "Ary hikarakara ny fitaovana rehetra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanao ny andraikiny amin\u2019ny Israelita, ka hanao fanompoana mifandray amin\u2019ny tranolay masina.",
        "9": "Omeo an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny Levita. Fanomezana izy ireo ary omen\u2019ny Israelita an\u2019i Arona.",
        "10": "Ary tendreo hanao ny asan\u2019ny mpisorona i Arona sy ny zanany lahy. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manakaiky ny toerana masina.\u201d",
        "11": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "12": "\u201cAlaiko avy amin\u2019ny Israelita ny Levita, mba ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019ny Israelita. Dia ho ahy ny Levita,",
        "13": "fa ahy ny lahimatoa rehetra. Tamin\u2019ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia nohamasiniko ho ahy izay lahy teraka voalohany rehetra teo amin\u2019ny Israely, na olona na biby. Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.\u201d",
        "14": "Hoy ihany i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany an-tany efitr\u2019i Sinay:",
        "15": "\u201cSoraty ny anaran\u2019ireo zanakalahin\u2019i Levy, araka ny fianakaviambeny sy araka ny fianakaviany. Soraty ny anaran\u2019izay lahy rehetra iray volana no ho miakatra.\u201d",
        "16": "Dia nosoratan\u2019i Mosesy ny anaran\u2019izy ireo, araka izay nandidian\u2019i Jehovah azy.",
        "17": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Levy: Gersona sy Kehata ary Merary.",
        "18": "Ireto kosa no anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Gersona, araka ny fianakaviany avy: Libny sy Simey.",
        "19": "Ny zanakalahin\u2019i Kehata, araka ny fianakaviany avy, dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.",
        "20": "Ny zanakalahin\u2019i Merary, araka ny fianakaviany avy, dia i Maly sy Mosy. Ireo no fianakavian\u2019ny Levita, araka ny fianakaviambeny.",
        "21": "Avy tamin\u2019i Gersona ny fianakavian\u2019ny Libnita sy ny fianakavian\u2019ny Simeita. Ireo no fianakavian\u2019ny Gersonita.",
        "22": "Ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra no nosoratana anarana, ka 7\u00a0500 ny isan\u2019izy ireo.",
        "23": "Tao ambadiky ny tranolay masina, teo andrefana, ny fianakavian\u2019ny Gersonita no nitoby.",
        "24": "I Eliasafa zanak\u2019i Laela no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Gersonita.",
        "25": "Ary ny andraikitry ny taranak\u2019i Gersona tao amin\u2019ny tranolay fihaonana dia ny nikarakara ny tranolay, ny rakotra, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ny tranolay fihaonana,",
        "26": "ny fefy lamban\u2019ny tokotany, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ny tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day, ary izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny.",
        "27": "Avy tamin\u2019i Kehata ny fianakavian\u2019ny Amramita, ny fianakavian\u2019ny Jizarita, ny fianakavian\u2019ny Hebronita, ary ny fianakavian\u2019ny Ozielita. Ireo no fianakavian\u2019ny Kehatita.",
        "28": "Nisy 8\u00a0600 ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. Andraikitr\u2019izy ireo ny mikarakara ny toerana masina.",
        "29": "Nitoby teo atsimon\u2019ny tranolay ireo fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Kehata.",
        "30": "I Elizafana zanak\u2019i Oziela no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Kehatita.",
        "31": "Andraikitr\u2019izy ireo ny nikarakara ny Vata, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ireo alitara, ny fitaovana ampiasaina rehefa manompo ao amin\u2019ny toerana masina, ny lamba fanakonana, ary izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny.",
        "32": "I Eleazara zanak\u2019i Arona mpisorona no lehiben\u2019ny mpiadidy teo amin\u2019ny Levita. Izy no mpiandraikitra an\u2019izay nanana andraikitra tao amin\u2019ny toerana masina.",
        "33": "Ary avy tamin\u2019i Merary ny fianakavian\u2019ny Malita sy ny fianakavian\u2019ny Mosita. Ireo no fianakavian\u2019i Merary.",
        "34": "Nisy 6\u00a0200 ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra voasoratra anarana.",
        "35": "I Zoriela zanak\u2019i Abihaila no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019i Merary. Nitoby teo avaratry ny tranolay izy ireo.",
        "36": "Ny taranak\u2019i Merary no niandraikitra sy nanara-maso ny rafitry ny tranolay, ny barany, ny andry, ny faladia itsatohany, ny fitaovany rehetra, ary izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny.",
        "37": "Andraikiny koa ny andry manodidina ny tokotany, ny faladia itsatohany, ny fantsika be fanenjanan-day, ary ny tady fanenjanan-day.",
        "38": "I Mosesy, miaraka amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy, no nitoby teo alohan\u2019ny tranolay, teo atsinanana, izany hoe teo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana, tandrifin\u2019 ny fiposahan\u2019ny masoandro. Andraikitr\u2019izy ireo ny nikarakara ny toerana masina, ary nanao an\u2019izany izy ireo ho solon\u2019ny Israelita. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manakaiky ny toerana masina.",
        "39": "Nisy 22\u00a0000 ny Levita rehetra voasoratra anarana, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anaran\u2019izy ireo, araka ny fianakaviany avy, araka ny baikon\u2019i Jehovah.",
        "40": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cSoraty ny anaran\u2019ny lahimatoa rehetra iray volana no ho miakatra, amin\u2019ny Israelita. Isao izy ireo, dia ataovy lisitra ny anarany.",
        "41": "Ary alaivo ho ahy ny Levita, ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra amin\u2019ny Israelita. Alaivo ho ahy koa ny biby fiompin\u2019ny Levita, ho solon\u2019ny voalohan-teraka rehetra amin\u2019ny biby fiompin\u2019ny Israelita. Izaho no Jehovah.\u201d",
        "42": "Dia nosoratan\u2019i Mosesy ny anaran\u2019ny lahimatoa rehetra tamin\u2019ny Israelita, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah azy.",
        "43": "Nisy 22\u00a0273 ny lahimatoa rehetra iray volana no ho miakatra voasoratra anarana.",
        "44": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "45": "\u201cAlaivo ny Levita mba ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra amin\u2019ny Israelita, ary ny biby fiompin\u2019ny Levita ho solon\u2019ny biby fiompin\u2019izy ireo. Dia ho ahy ny Levita. Izaho no Jehovah.",
        "46": "Mihoatra 273 amin\u2019ny Levita anefa ny isan\u2019ny lahimatoan\u2019ny Israelita. Mba hanavotana an\u2019ireo mihoatra ireo,",
        "47": "dia mak\u00e0 dimy sekely ho takalon\u2019ny lahimatoa tsirairay, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina. Ary 20 gera ny iray sekely.",
        "48": "Dia omeo an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ilay vola hatao vidim-panavotana an\u2019ireo olona mihoatra ireo.\u201d",
        "49": "Koa nalain\u2019i Mosesy ny vola hanavotana an\u2019ireo Israelita nihoatra tamin\u2019ny isan\u2019ny Levita.",
        "50": "Avy tamin\u2019ny lahimatoan\u2019ny Israelita no nakany an\u2019ilay vola, dia 1\u00a0365 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina.",
        "51": "Dia nomen\u2019i Mosesy an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny vola vidim-panavotana, araka ny tenin\u2019i Jehovah, dia araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy."
    },
    "4": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "2": "\u201cTokony hisaina isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambe ny taranak\u2019i Kehata anisan\u2019ny taranak\u2019i Levy,",
        "3": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona, anisan\u2019ny antoko voatendry hiasa ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "4": "\u201cIzao no fanompoan\u2019ny taranak\u2019i Kehata ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ary zavatra masina indrindra izany:",
        "5": "Rehefa hiainga ny toby, dia hiditra i Arona sy ny zanany lahy ka hampidina ny ridao fanakonana, ary iny no handrakofany ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.",
        "6": "Horakofany hoditra faoky eo amboniny, ary mbola hamelarany lamba manga eo ambonin\u2019io. Dia hataony amin\u2019ny toerany ireo bao filanjana ny Vata.",
        "7": "\u201cHamelatra lamba manga eo ambonin\u2019ny latabatry ny mofo aseho koa izy ireo, ka hataony eo ambonin\u2019io ny vilia, ny kaopy, ny vilia baolina, ary ny zingan\u2019ny fanatitra zava-pisotro. Tokony ho eo ambonin\u2019ilay latabatra foana ny mofo, izay fanatitra atolotra tsy tapaka.",
        "8": "Hamelatra lamba mena midorehitra eo ambonin\u2019ireo izy. Dia horakofany hoditra faoky ilay latabatra, ary hatsofony ny bao filanjana azy.",
        "9": "Haka lamba manga izy ireo avy eo hanaronany ny fitoeran-jiro sy ny kojakojany: Ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro, ny fitondrana afo, ary ny fitoera-menaka rehetra ampiasaina mba hampirehitra foana ny jiro.",
        "10": "Hofonosiny ao anaty rakotra vita amin\u2019ny hoditra faoky ilay fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hataony eo ambonin\u2019ny bao filanjana.",
        "11": "Ary hamelatra lamba manga eo ambonin\u2019ny alitara volamena izy ireo. Dia horakofany hoditra faoky ilay izy, ary hatsofony ny bao filanjana azy.",
        "12": "Halain\u2019izy ireo ny fitaovana hafa rehetra ampiasainy hanompoana tsy tapaka ao amin\u2019ny toerana masina, ka hataony ao anaty lamba manga. Dia hosaronany hoditra faoky ireo, ka hataony eo ambonin\u2019ny bao filanjana.",
        "13": "\u201cTokony hanala ny lavenona eo amin\u2019ny alitara izy ireo, dia hamelatra lamba volonondry volomparasy eo amboniny.",
        "14": "Hataony eo ambonin\u2019ilay alitara ny fitaovana rehetra ampiasainy rehefa manompo eo, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny lapelina, ary ny vilia baolina, izany hoe ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny alitara. Dia hamelatra hoditra faoky handrakofana ny alitara izy ireo, ary hanatsofoka ny bao filanjana azy.",
        "15": "\u201cRehefa hiainga ny toby, dia tokony ho efa norakofan\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny toerana masina sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy. Dia hiditra ny taranak\u2019i Kehata ka hilanja an\u2019ireo, nefa tsy hikasika an\u2019ilay toerana masina izy ireo sao ho faty. Ireo zavatra ireo no andraikitry ny taranak\u2019i Kehata mifandray amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "16": "\u201cI Eleazara zanak\u2019i Arona mpisorona no miandraikitra sy manara-maso ny menaky ny jiro, ny emboka manitra, ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ary ny menaka masina fanosorana. Izy no miandraikitra ny tranolay masina, dia ilay izy manontolo sy ny ao anatiny rehetra, anisan\u2019izany ny toerana masina sy ny fitaovana miaraka aminy.\u201d",
        "17": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "18": "\u201cTandremo sao ho ripaka ny taranak\u2019i Kehata ka tsy hisy Kehatita intsony ao amin\u2019ny fokon\u2019i Levy.",
        "19": "Ataovy tsara kosa ny andraikitrareo, mba ho velona foana izy ireo fa tsy ho faty rehefa manatona an\u2019ireo zavatra masina indrindra. Hiditra i Arona sy ny zanany lahy, ka hilaza amin\u2019ny tsirairay ny fanompoana hataony sy izay tokony holanjainy.",
        "20": "Tsy tokony hiditra hijery an\u2019ireo zava-masina ny Kehatita na dia indray mipy maso aza, sao ho faty.\u201d",
        "21": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "22": "\u201cTokony hisaina isaky ny fianakaviambe sy isam-pianakaviana ny taranak\u2019i Gersona.",
        "23": "Soraty ny anaran\u2019izay 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "24": "Ireto avy no tokony hokarakarain\u2019ny fianakavian\u2019ny Gersonita sy hoentiny:",
        "25": "Hoentin\u2019izy ireo ny lamban\u2019ny tranolay, ny tranolay fihaonana, ny rakotra, ilay rakotra vita amin\u2019ny hoditra faoky eo amboniny, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana,",
        "26": "ny fefy lamban\u2019ny tokotany, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny zavatra rehetra ampiasaina rehefa manompo ao amin\u2019ny tranolay masina. Izany no anendrena azy ireo.",
        "27": "Tokony hanara-maso ny fanompoana rehetra ataon\u2019ny Gersonita sy ny zavatra entiny i Arona sy ny zanany lahy. Asaivo entiny ireo entana rehetra ireo, fa ireo no andraikiny.",
        "28": "Izany no fanompoana tokony hataon\u2019ireo fianakavian\u2019ny Gersonita ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ka i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no miandraikitra ny fanompoan\u2019izy ireo.",
        "29": "\u201cNy taranak\u2019i Merary kosa tokony hosoratanao anarana isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambeny.",
        "30": "Izay 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona no hosoratanao anarana, dia izay rehetra anisan\u2019ny antoko voatendry hanao ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "31": "Ireto avy ny andraikiny, dia izay tokony hoentiny mifandray amin\u2019ny fanompoany ao amin\u2019ny tranolay fihaonana: Ny rafitry ny tranolay, ny barany, ny andry, ary ny faladia itsatohany.",
        "32": "Hoentiny koa ireo andrin\u2019ny tokotany manodidina, ny faladia itsatohany, ny fantsika be fanenjanan-day, ny tady fanenjanan-day, ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy sy izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny. Holazainareo aminy ny anaran\u2019ny fitaovana tokony hoentiny.",
        "33": "Hoatr\u2019izany no tokony hataon\u2019ireo fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Merary rehefa manompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ka i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no hiandraikitra azy ireo.\u201d",
        "34": "Ary nosoratan\u2019i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy vahoaka araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran\u2019ireo taranaky ny Kehatita,",
        "35": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "36": "Koa nisy 2\u00a0750 ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany avy.",
        "37": "Ireo no voasoratra anarana tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Kehatita, dia izay rehetra nanompo tao amin\u2019ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitaina tamin\u2019i Mosesy.",
        "38": "Nosoratana araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran\u2019ny taranak\u2019i Gersona,",
        "39": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "40": "Koa nisy 2\u00a0630 ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny.",
        "41": "Ireo no voasoratra anarana tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Gersona, dia izay rehetra nanompo tao amin\u2019ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon\u2019i Jehovah.",
        "42": "Nosoratana araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran\u2019ny taranak\u2019i Merary,",
        "43": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "44": "Koa nisy 3\u00a0200 ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany avy.",
        "45": "Ireo no voasoratra anarana tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Merary. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitaina tamin\u2019i Mosesy.",
        "46": "Nosoratan\u2019i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy teo amin\u2019ny Israely ny anaran\u2019ireo Levita rehetra ireo, ka nataony araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny izany.",
        "47": "Ary 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona izy ireo. Voatendry hanompo sy hitondra an\u2019ireo fitaovan\u2019ny tranolay fihaonana izy rehetra.",
        "48": "Nisy 8\u00a0580 ireo voasoratra anarana rehetra.",
        "49": "Nosoratana ny anaran\u2019izy ireo, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitain\u2019i Mosesy, ka samy nanana ny fanompoana nanendrena azy sy ny anjara entany avy ny tsirairay. Nosoratana ny anaran\u2019izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy."
    },
    "5": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cOmeo baiko ny Israelita hoe avoahy eny ivelan\u2019ny toby daholo izay olona boka, na misy tsiranoka mivoaka amin\u2019ny taovam-pananahany, na maloto satria nikasika faty.",
        "3": "Avoahy izy ireny, na lahy na vavy. Avoahy eny ivelan\u2019ny toby ireny mba tsy handotoany ny toby, satria mipetraka eo amin\u2019ny vahoaka ao amin\u2019ny toby aho.\u201d",
        "4": "Dia nataon\u2019ny Israelita izany, ka navoakany teny ivelan\u2019ny toby ireny. Araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy no nataon\u2019izy ireo.",
        "5": "Hoy ihany i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "6": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy lehilahy na vehivavy manota, na inona na inona fahotany, ary mivadika amin\u2019i Jehovah izy, dia ho meloka.",
        "7": "Tsy maintsy miaiky ny fahotany izy, ary hanome onitra ka honerany manontolo izay nalainy tamin\u2019ilay olona nanaovany fahadisoana, sady mbola hampiany ampahadiminy. Dia homeny an\u2019ilay olona izany.",
        "8": "Raha tsy manana havana akaiky handray an\u2019ilay onitra anefa ilay olona nanaovany fahadisoana, dia homena an\u2019i Jehovah izany, ka ho lasan\u2019ny mpisorona, afa-tsy ilay ondrilahy hatao fandrakofam-pahotana. Io mantsy no handrakofan\u2019ilay mpisorona ny fahotan\u2019ilay meloka.",
        "9": "\u201c\u2018Ho an\u2019ny mpisorona daholo izay fanomezana masina entin\u2019ny Israelita any aminy.",
        "10": "Ho azy foana ny zava-masina atolotry ny olona tsirairay. Izay omen\u2019ny tsirairay ho an\u2019ny mpisorona, dia ho lasan\u2019ilay mpisorona.\u2019\u201d",
        "11": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "12": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy vehivavy manambady nefa manota ka mivadika amin\u2019ny vadiny,",
        "13": "ary misy lehilahy hafa manao firaisana aminy, nefa tsy fantatr\u2019ilay vadiny izany sady tsy misy mahafantatra mihitsy, izany hoe mandoto ny tenany ilay vehivavy, nefa tsy misy vavolombelona miampanga azy ary tsy tratra izy, dia izao no tokony hatao:",
        "14": "Raha lasa saro-piaro ilay lehilahy vadiny ka ahiahiny hoe nivadika taminy ilay vehivavy, ary efa nandoto ny tenany tokoa, na raha lasa saro-piaro ilay lehilahy ka ahiahiny hoe nivadika taminy ilay vehivavy, nefa tsy nandoto ny tenany akory,",
        "15": "dia hoentin\u2019ilay lehilahy any amin\u2019ny mpisorona ilay vehivavy, ary hoentiny miaraka aminy koa ny fanatitra aterin\u2019ilay vehivavy, izany hoe lafarinina ampahafolon\u2019ny efaha vita amin\u2019ny vary orza. Tsy horarahany menaka eo ambonin\u2019ilay izy sady tsy hasiany ditin-kazo manitra, satria fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro izany, dia fanatitra ahafantarana raha nisy fahadisoana tokoa na tsia.",
        "16": "\u201c\u2018Dia hasain\u2019ny mpisorona manatona ilay vehivavy, ka hasainy mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "17": "Haka rano madio amin\u2019ny zinga tanimanga ilay mpisorona, ary haka vovoka eo amin\u2019ny tany misy an\u2019ilay tranolay masina, dia hataony ao anatin\u2019ilay rano ilay izy.",
        "18": "Ary hasain\u2019ny mpisorona mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay vehivavy, ka hovahany ny volony. Dia hataony eo am-pelatanan\u2019ilay vehivavy ny fanatitra varimbazaha mampahatsiahy an\u2019ilay fahadisoana, dia ilay fanatitra atolotra noho ny fahasarotam-piaro. Ary ho eny an-tanan\u2019ny mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.",
        "19": "\u201c\u2018Dia hasain\u2019ilay mpisorona mianiana ilay vehivavy, sady hoteneniny hoe: \u201cRaha tsy nisy lehilahy nanao firaisana taminao, amin\u2019izao ianao mbola eo ambany fahefan\u2019ny vadinao izao, ary tsy hoe nanota ianao ka nandoto ny tenanao, dia enga anie tsy hampaninona anao ity rano mangidy mitondra ozona ity!",
        "20": "Fa raha nanota ianao ka nandoto tena nefa mbola eo ambany fahefan\u2019ny vadinao, ary efa nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy hafa ankoatra ny vadinao...\u201d",
        "21": "Dia hasain\u2019ny mpisorona mianiana sy miozona ilay vehivavy, sady hotenenin\u2019ilay mpisorona hoe: \u201cEnga anie ny anaranao ka hataon\u2019i Jehovah fampiasan\u2019ny firenenao rehefa manozona na mianiana, ary enga anie hataon\u2019i Jehovah tsy miteraka ianao, dia hataony mibontsina ny kibonao!",
        "22": "Hiditra ao amin\u2019ny tsinainao ity rano mitondra ozona ity, ka hampibontsina ny kibonao dia tsy ho afaka hiteraka ianao.\u201d Dia tokony hiteny ilay vehivavy hoe: \u201cAmena! Amena!\u201d",
        "23": "\u201c\u2018Dia hosoratan\u2019ny mpisorona ao anaty boky ireo ozona ireo ka hofafany ao anatin\u2019ilay rano mangidy.",
        "24": "Avy eo dia hampisotroiny an\u2019ilay vehivavy ilay rano mangidy mitondra ozona, dia hiditra ao anatiny ka hijalijaly izy.",
        "25": "Ary halain\u2019ny mpisorona eny an-tanan\u2019ilay vehivavy ilay fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro, ka hahetsiketsiny eo anatrehan\u2019i Jehovah, dia hoentiny eo akaikin\u2019ny alitara.",
        "26": "Haka eran\u2019ny tanan\u2019ila amin\u2019ilay fanatitra varimbazaha ny mpisorona mba hatao santionany amin\u2019ilay fanatitra. Ary hodorany eo ambony alitara ilay izy mba hidona-tsetroka. Dia hampisotroiny an\u2019ilay vehivavy ilay rano.",
        "27": "Rehefa ampisotroiny an\u2019ilay vehivavy ilay rano, ary raha nandoto ny tenany izy ka nivadika tamin\u2019ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ilay rano mitondra ozona, ka hijalijaly izy. Dia hibontsina ny kibony ka tsy ho afaka hiteraka izy, ary ny anarany no hampiasain\u2019ny fireneny rehefa manozona.",
        "28": "Raha tsy nandoto ny tenany anefa ilay vehivavy fa madio, dia tsy hiharan\u2019izany sazy izany izy. Dia ho afaka hiteraka izy ka hanan-janaka.",
        "29": "\u201c\u2018Izany no lal\u00e0na momba ny fahasarotam-piaro, rehefa misy vehivavy manota ka mandoto ny tenany nefa mbola eo ambany fahefan\u2019ny vadiny,",
        "30": "na koa rehefa misy lehilahy lasa saro-piaro, ka miahiahy hoe nivadika taminy ny vadiny. Tokony hasainy mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay vehivavy, ka hampiharin\u2019ny mpisorona aminy izany lal\u00e0na rehetra izany.",
        "31": "Tsy hanan-tsiny ilay lehilahy, fa ny vadiny kosa hizaka ny vokatry ny ratsy nataony.\u2019\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy lehilahy na vehivavy manao voady manokana ho Nazirita ho an\u2019i Jehovah,",
        "3": "dia tokony hifady divay sy toaka izy. Tsy hisotro vinaingitra vita amin\u2019ny divay na vita amin\u2019ny zava-pisotro misy alkaola izy. Tsy tokony hisotro ranon-javatra vita amin\u2019ny voaloboka izy, na hihinana voaloboka lena na maina.",
        "4": "Tsy hihinana na inona na inona avy amin\u2019ny voaloboka izy, na voaloboka manta izany, na ny hoditry ny voaloboka aza, amin\u2019ny andro rehetra maha Nazirita azy.",
        "5": "\u201c\u2018Tsy tokony hotapahina ny volony amin\u2019ny andro rehetra anefany ny voadiny ho Nazirita. Tokony ho masina foana izy ka havelany ho lava ny volon-dohany, mandra-pahatapitr\u2019ireo andro anokanany tena ho an\u2019i Jehovah.",
        "6": "Tsy tokony hanakaikikaiky faty izy mandritra ny andro rehetra anokanany tena ho an\u2019i Jehovah.",
        "7": "Tsy mahazo mandoto ny tenany izy, na dia rehefa maty aza ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny, satria ny volony lava no amantarana hoe Nazirita eo anatrehan\u2019Andriamaniny izy.",
        "8": "\u201c\u2018Masina eo anatrehan\u2019i Jehovah izy amin\u2019ny andro rehetra maha Nazirita azy.",
        "9": "Fa raha misy olona maty tampoka kosa eo akaikiny ka voaloto ilay volo famantarana hoe nanokan-tena ho an\u2019Andriamanitra izy, dia hosolainy ny lohany amin\u2019ny andro hanekena azy hoe madio. Tokony hosolaina izy amin\u2019ny andro fahafito.",
        "10": "Amin\u2019ny andro fahavalo kosa izy hitondra domohina roa na zana-boromailala roa any amin\u2019ny mpisorona, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "11": "Dia hokarakarain\u2019ny mpisorona mba ho fanatitra noho ny ota ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana. Izany no handrakofana ny fahotan\u2019ilay olona nanota noho izy nikasika faty. Dia hanamasina ny lohany ilay olona amin\u2019io andro io.",
        "12": "Dia ho Nazirita eo anatrehan\u2019i Jehovah indray izy mandritra an\u2019ireo andro maha Nazirita azy. Hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona koa izy ho fanatitra noho ny heloka. Tsy hisaina anefa ireo andro teo aloha, satria nolotoiny ny maha Nazirita azy.",
        "13": "\u201c\u2018Ary izao no lal\u00e0na momba ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro maha Nazirita azy, dia hoentina eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana izy.",
        "14": "Dia hatolony ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah ireto: Ondrilahy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra dorana, ondrivavy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra noho ny ota, ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorona iombonana,",
        "15": "harona misy mofo boribory vita amin\u2019ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro.",
        "16": "Hoentin\u2019ilay mpisorona eo anatrehan\u2019i Jehovah daholo ireo. Dia hanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana aterin\u2019ilay olona izy.",
        "17": "Hatolony ho an\u2019i Jehovah mba ho sorona iombonana ilay ondrilahy, miaraka amin\u2019ilay harona misy mofo tsy nasiana lalivay. Hatolony miaraka amin\u2019ilay izy koa ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro.",
        "18": "\u201c\u2018Ary hoharatan\u2019ilay Nazirita eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny volon-dohany. Dia halainy ilay volony lava nandritra ny naha Nazirita azy ka hataony ao anaty afo, eo ambanin\u2019ilay sorona iombonana.",
        "19": "Ary halain\u2019ny mpisorona ny sorok\u2019ilay ondrilahy, dia ny sorony iray efa nandrahoina, sy ny mofo boribory iray tsy misy lalivay avy ao anatin\u2019ilay harona, ary ny mofo fisaka iray tsy misy lalivay. Dia hataony eo am-pelatanan\u2019ilay Nazirita ireo, rehefa avy nasain\u2019ilay Nazirita noharatana ilay famantarana ny maha Nazirita azy.",
        "20": "Dia hahetsiketsiky ny mpisorona ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo. Zava-masina ho an\u2019ny mpisorona ireo, ankoatra ny tratran\u2019ilay ondrilahy atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao fanomezana. Aorian\u2019izay dia mahazo misotro divay ilay Nazirita.",
        "21": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na momba ny Nazirita manao voady: Raha mivoady izy ka afaka manao fanatitra ho an\u2019i Jehovah ankoatra an\u2019izay efa takina aminy, dia tsy maintsy manefa ny voadiny izy mba hanarahany an\u2019ilay lal\u00e0na momba ny Nazirita.\u2019\u201d",
        "22": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "23": "\u201cTeneno i Arona sy ny zanany hoe: \u2018Izao no tsodrano hataonareo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely:",
        "24": "\u201cEnga anie i Jehovah hitahy anao sy hiaro anao!",
        "25": "Ho miramirana aminao anie i Jehovah ka hankasitraka anao!",
        "26": "Ho tsara fanahy aminao anie i Jehovah ka hanome fiadanana anao!\u201d\u2019",
        "27": "Ary hampiasa ny anarako eo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely izy ireo, mba hitahiako azy.\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Rehefa voatsangan\u2019i Mosesy ny tranolay masina, dia nohosorany sy nohamasininy tamin\u2019iny andro iny ihany ilay tranolay sy ny kojakojany rehetra, ary ny alitara sy ny fitaovany rehetra. Rehefa avy nohosorany sy nohamasininy ireny,",
        "2": "dia nanao fanatitra ny mpiadidy teo amin\u2019ny Israely, izany hoe ireo lohan\u2019ny fianakaviambe. Ireo mpiadidy teo amin\u2019ny foko ireo no nanara-maso ny fanisam-bahoaka,",
        "3": "ary nitondra ny fanatiny teo anatrehan\u2019i Jehovah, dia sarety enina mitafo sy omby 12, ka sarety iray no nomen\u2019ny mpiadidy roa, ary ombilahy iray no nomen\u2019ny mpiadidy tsirairay. Dia nentin\u2019izy ireo teo anoloan\u2019ny tranolay masina ireny.",
        "4": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "5": "\u201cRaiso ireo fanatitra nomeny ireo, satria ireo no hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana. Tokony homenao ny Levita ireo, araka izay ilain\u2019ny tsirairay amin\u2019ny andraikiny.\u201d",
        "6": "Noraisin\u2019i Mosesy \u00e0ry ireo sarety sy omby ireo dia nomeny ny Levita.",
        "7": "Nomeny sarety roa sy omby efatra ny taranak\u2019i Gersona, fa izany no nilainy mba hamitany ny andraikiny.",
        "8": "Ny taranak\u2019i Merary indray nomeny sarety efatra sy omby valo, fa izany no nilainy mba hamitany ny andraikiny. Ary i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no niandraikitra azy ireo.",
        "9": "Tsy nomeny na inona na inona kosa ny taranak\u2019i Kehata, satria nifandray tamin\u2019ny toerana masina ny fanompoana nataon\u2019izy ireo, ary nolanjainy teny an-tsorony ny zava-masina.",
        "10": "Dia nanao fanatitra indray ny mpiadidy rehefa notokanana ny alitara, tamin\u2019ny andro nanosorana an\u2019ilay izy. Rehefa nanolotra ny fanatiny teo anoloan\u2019ny alitara izy ireo,",
        "11": "dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMpiadidy iray isan\u2019andro no hanolotra fanatitra hitokanana ny alitara.\u201d",
        "12": "I Nasona zanak\u2019i Aminadaba avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda no nanolotra ny fanatiny tamin\u2019ny andro voalohany.",
        "13": "Ny fanatitra nataony dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70\u00a0sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "14": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "15": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "16": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "17": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Nasona zanak\u2019i Aminadaba.",
        "18": "Tamin\u2019ny andro faharoa, dia i Netanela zanak\u2019i Zoara, mpiadidy teo amin\u2019ny fokon\u2019i Isakara, no nanao fanatitra.",
        "19": "Ny nentiny hatao fanatitra dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "20": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "21": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "22": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "23": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Netanela zanak\u2019i Zoara.",
        "24": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia i Eliaba zanak\u2019i Helona, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Zebolona,",
        "25": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70\u00a0sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "26": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "27": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "28": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "29": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Eliaba zanak\u2019i Helona.",
        "30": "Tamin\u2019ny andro fahefatra, dia i Elizora zanak\u2019i Sedeora, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Robena,",
        "31": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "32": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "33": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "34": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "35": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Elizora zanak\u2019i Sedeora.",
        "36": "Tamin\u2019ny andro fahadimy, dia i Selomiela zanak\u2019i Zorisaday, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Simeona,",
        "37": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "38": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "39": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "40": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "41": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Selomiela zanak\u2019i Zorisaday.",
        "42": "Tamin\u2019ny andro fahenina, dia i Eliasafa zanak\u2019i Doela, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Gada,",
        "43": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "44": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "45": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "46": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "47": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Eliasafa zanak\u2019i Doela.",
        "48": "Tamin\u2019ny andro fahafito, dia i Elisama zanak\u2019i Amihoda, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Efraima,",
        "49": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "50": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "51": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "52": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "53": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Elisama zanak\u2019i Amihoda.",
        "54": "Tamin\u2019ny andro fahavalo, dia i Gamaliela zanak\u2019i Pedazora, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Manase,",
        "55": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "56": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "57": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "58": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "59": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Gamaliela zanak\u2019i Pedazora.",
        "60": "Tamin\u2019ny andro fahasivy, dia i Abidana zanak\u2019i Gideony, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina,",
        "61": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "62": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "63": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "64": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "65": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Abidana zanak\u2019i Gideony.",
        "66": "Tamin\u2019ny andro fahafolo, dia i Ahiezera zanak\u2019i Amisaday, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Dana,",
        "67": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "68": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "69": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "70": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "71": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Ahiezera zanak\u2019i Amisaday.",
        "72": "Tamin\u2019ny andro faha-11, dia i Pagiela zanak\u2019i Okrana, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Asera,",
        "73": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130\u00a0sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "74": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "75": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "76": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "77": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Pagiela zanak\u2019i Okrana.",
        "78": "Tamin\u2019ny andro faha-12, dia i Ahira zanak\u2019i Enana, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Naftaly,",
        "79": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;",
        "80": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;",
        "81": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;",
        "82": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;",
        "83": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Ahira zanak\u2019i Enana.",
        "84": "Ireto no fanatitra avy tamin\u2019ny mpiadidy teo amin\u2019ny Israely rehefa notokanana sy nohosorana ny alitara: Vilia volafotsy 12, sy vilia baolina volafotsy 12, ary kaopy volamena 12.",
        "85": "Milanja 130 sekely avy ny vilia volafotsy tsirairay, ary 70\u00a0sekely avy ny vilia baolina tsirairay, ka 2\u00a0400 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ny lanjan\u2019ny volafotsy rehetra nanaovana an\u2019ireo vilia.",
        "86": "Ary milanja 10 sekely avy, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ireo kaopy volamena 12 feno emboka manitra, ka milanja 120 sekely ny volamena rehetra nanaovana an\u2019ireo kaopy.",
        "87": "Ny biby rehetra natao fanatitra dorana dia ombilahy 12, ondrilahy 12, ondrilahy kely 12 izay herintaona avy, nampiarahina tamin\u2019ny fanatitra varimbazaha, ary zanak\u2019osy 12 natao fanatitra noho ny ota.",
        "88": "Ny biby rehetra natao sorona iombonana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ary ondrilahy kely 60 izay herintaona avy. Ireo no fanatitra natao tamin\u2019ny fitokanana ny alitara, rehefa avy nohosorana izy\u00a0io.",
        "89": "Isaky ny niditra tao amin\u2019ny tranolay fihaonana mba hiresaka tamin\u2019Andriamanitra i Mosesy, dia naheno an\u2019ilay feo niresaka taminy avy teo ambonin\u2019ny saron\u2019ilay Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, avy teo anelanelan\u2019ny kerobima roa. Ary niresaka taminy Andriamanitra."
    },
    "8": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Rehefa mandrehitra an\u2019ireo jiro fito ianao, dia ataovy manazava ny faritra eo anoloan\u2019ny fitoeran-jiro ilay izy.\u2019\u201d",
        "3": "Izao \u00e0ry no nataon\u2019i Arona: Nampirehetiny ny jiro mba hanazava an\u2019ilay faritra eo anoloan\u2019ny fitoeran-jiro, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "4": "Ary hoatr\u2019izao no nanamboarana an\u2019ilay fitoeran-jiro: Volamena notefena tamin\u2019ny marotoa izy io. Notefena tamin\u2019ny marotoa ilay izy, hatramin\u2019ny sampany ka hatramin\u2019ny felany. Araka ny fahitana nasehon\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy no nanamboarana an\u2019ilay izy.",
        "5": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "6": "\u201cSaraho amin\u2019ny Israelita ny Levita ka diovy.",
        "7": "Hoatr\u2019izao no hataonao mba hanadiovana azy: Fafazo rano manadio amin\u2019ny ota izy ireo. Dia hokakasany ny tenany manontolo, ka hosasany ny akanjony ary hodioviny ny tenany.",
        "8": "Haka vantotr\u2019ombilahy izy ireo avy eo, dia hampiarahiny amin\u2019ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto nafangaro menaka. Haka vantotr\u2019ombilahy hafa iray koa ianao, ho fanatitra noho ny ota.",
        "9": "Dia ento eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana ny Levita, ary vorio ny vahoakan\u2019Israely manontolo.",
        "10": "Rehefa entinao eo anatrehan\u2019i Jehovah ny Levita, dia hametra-tanana amin\u2019izy ireo ny Israelita.",
        "11": "Dia hatolotr\u2019i Arona eo anatrehan\u2019i Jehovah ny Levita, ho fanatitra ahetsiketsika avy amin\u2019ny Israelita. Ary hanao ny fanompoana an\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "12": "\u201cAvy eo dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ireo ombilahy ireo ny Levita. Dia atolory ho fanatitra noho ny ota ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, mba handrakofana ny fahotan\u2019ny Levita.",
        "13": "Asaivo mijoro eo anatrehan\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahetsiketsika ho an\u2019i Jehovah.",
        "14": "Ary saraho amin\u2019ny Israelita ny Levita, dia ho ahy izy ireo.",
        "15": "Hiditra hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana ny Levita, aorian\u2019izay. Hoatr\u2019izany no hataonao rehefa manadio azy ireo sy manolotra azy ho fanatitra ahetsiketsika.",
        "16": "Fanomezana mantsy izy ireo, dia fanomezana nomen\u2019ny Israelita ahy. Halaiko ho ahy izy ireo, ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019ny Israelita.",
        "17": "Fa ahy izay lahy teraka voalohany rehetra eo amin\u2019ny Israelita, na olona na biby. Nohamasiniko ho ahy izy ireo tamin\u2019ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta.",
        "18": "Halaiko ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019ny Israelita ny Levita.",
        "19": "Dia homeko an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny Levita, izay nofidiko avy amin\u2019ny Israelita, mba hanao ny fanompoana tokony hataon\u2019ny Israelita ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, sady handrakotra ny fahotan\u2019ny Israelita. Amin\u2019izay dia tsy hisy loza hanjo ny vahoakan\u2019Israely satria hoe nanakaiky ny toerana masina izy ireo.\u201d",
        "20": "Izany no nataon\u2019i Mosesy sy Arona ary ny vahoakan\u2019Israely manontolo tamin\u2019ny Levita. Araka ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy momba ny Levita no nataon\u2019ny Israelita tamin\u2019izy ireo.",
        "21": "Nanadio ny tenany \u00e0ry ny Levita, dia nanasa ny akanjony. Avy eo dia natolotr\u2019i Arona ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo. Dia nandrakotra ny fahotan\u2019izy ireo i Arona mba hanadiovana azy.",
        "22": "Taorian\u2019izay dia niditra tao amin\u2019ny tranolay fihaonana ny Levita mba hanao ny fanompoany teo anatrehan\u2019i Arona sy ny zanany lahy. Araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy momba ny Levita no natao tamin\u2019izy ireo.",
        "23": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "24": "\u201cIzao no toromarika ho an\u2019ny Levita: Izay lehilahy 25\u00a0taona no ho miakatra no hiditra ho anisan\u2019ireo manao fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "25": "Hitsahatra tsy ho anisan\u2019ireo manao fanompoana ireo anefa izy rehefa feno 50\u00a0taona, ka tsy hanompo intsony.",
        "26": "Fa mahazo manampy an\u2019ireo rahalahiny manao ny andraikiny ao amin\u2019ny tranolay fihaonana izy, saingy tsy hoe fanompoana tokony hataony izany. Izany no hataonao momba ny Levita sy ny andraikiny.\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany an-tany efitr\u2019i Sinay tamin\u2019ny volana voalohany tamin\u2019ny taona faharoa, taorian\u2019ny nivoahan\u2019izy ireo avy tany Ejipta:",
        "2": "\u201cTokony hataon\u2019ny Israelita vonona ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, amin\u2019ny fotoana voatondro.",
        "3": "Tokony hataonareo vonona ilay izy amin\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ity volana ity, amin\u2019ny takariva, amin\u2019ny fotoana voatondro. Araka ny lal\u00e0na rehetra sy araka ny fanao rehetra momba azy io no tokony hikarakaranareo azy.\u201d",
        "4": "Koa nasain\u2019i Mosesy nikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ny Israelita.",
        "5": "Dia nokarakarain\u2019izy ireo tamin\u2019ny andro faha-14 tamin\u2019ny volana voalohany, tamin\u2019ny takariva, ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tany an-tany efitr\u2019i Sinay. Araka ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy no nanaovan\u2019ny Israelita an\u2019izany.",
        "6": "Naloto anefa ny olona sasany satria nikasika faty, ka tsy afaka nikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, tamin\u2019iny andro iny. Koa niseho teo anatrehan\u2019i Mosesy sy Arona izy ireo tamin\u2019izay,",
        "7": "dia niteny hoe: \u201cMarina fa maloto izahay satria nikasika faty. Maninona anefa izahay no sakanana tsy hanolotra fanatitra ho an\u2019i Jehovah amin\u2019ny fotoana voatondro, miaraka amin\u2019ny Israelita hafa?\u201d",
        "8": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019ireo: \u201cAndraso eto aloha, fa aleo hofantariko izay didin\u2019i Jehovah momba anareo.\u201d",
        "9": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "10": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy aminareo na amin\u2019ny taranakareo any aoriana any lasa maloto satria nikasika faty, na tsy maintsy nandeha lavitra, dia hikarakara an\u2019ilay biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an\u2019i Jehovah ihany izy.",
        "11": "Ny andro faha-14 amin\u2019ny volana faharoa, amin\u2019ny takariva, no tokony hikarakarany an\u2019ilay izy. Tokony hohaniny miaraka amin\u2019ny mofo tsy misy lalivay sy ny anana mangidy izy io.",
        "12": "Tsy havelany hisy ambiny tratra maraina ilay izy, sady tsy hisy hotapahiny ny taolany. Araka ny lal\u00e0na rehetra momba ny Paska no hikarakarany azy.",
        "13": "Fa raha madio kosa ilay olona na tsy nandeha lavitra nefa tsy nikarakara an\u2019ilay biby hatao sorona hankalazana ny Paska, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny izany olona izany. Tsy nanolotra an\u2019ilay fanatitra ho an\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fotoana voatondro mantsy izy. Hizaka ny vokatry ny fahotany izy.",
        "14": "\u201c\u2018Ary raha misy olona hafa firenena mipetraka eo aminareo, dia tokony hikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an\u2019i Jehovah koa izy. Araka ny lal\u00e0n\u2019ny Paska sy araka izay efa fanao amin\u2019izy io no hikarakarany azy. Tokony hitovy ihany ny lal\u00e0na ho an\u2019ny vahiny sy ny teratany.\u2019\u201d",
        "15": "Tamin\u2019ilay andro nananganana ny tranolay, dia nanarona an\u2019ilay tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona ny rahona. Fa zavatra hoatran\u2019ny afo kosa no teo ambonin\u2019ny tranolay tamin\u2019ny takariva ka mandra-paharainan\u2019ny andro.",
        "16": "Dia izany foana no nitranga: Ilay rahona no nanarona an\u2019ilay tranolay rehefa antoandro, fa zavatra hoatran\u2019ny afo kosa rehefa alina.",
        "17": "Isaky ny niakatra avy teo ambonin\u2019ny tranolay ilay rahona, dia niainga avy hatrany ny Israelita. Teo amin\u2019izay nijanonan\u2019ny rahona kosa ny Israelita no nitoby.",
        "18": "Niainga ny Israelita rehefa nanome baiko i Jehovah, ary nitoby izy ireo rehefa izay no baikon\u2019i Jehovah. Nitoby teo foana izy ireo, raha mbola nijanona teo ambonin\u2019ny tranolay ilay rahona.",
        "19": "Rehefa nijanona andro maro teo ambonin\u2019ny tranolay ilay rahona, dia nankat\u00f2 an\u2019i Jehovah ny Israelita ka tsy niainga.",
        "20": "Nijanona andro vitsivitsy teo ambonin\u2019ny tranolay ilay rahona indraindray. Nitoby teo foana izy ireo rehefa nanome baiko i Jehovah, ary niainga izy ireo rehefa izay no baikon\u2019i Jehovah.",
        "21": "Nijanona nanomboka tamin\u2019ny takariva ka hatramin\u2019ny maraina fotsiny ilay rahona indraindray. Rehefa niakatra ilay rahona ny maraina, dia niainga izy ireo. Koa niainga izy ireo, na andro na alina no niakaran\u2019ilay rahona.",
        "22": "Na roa andro na iray volana na mihoatra an\u2019izany no nijanonan\u2019ilay rahona teo ambonin\u2019ny tranolay, dia nitoby teo foana ny Israelita fa tsy niainga. Rehefa niakatra anefa ilay rahona, dia niainga izy ireo.",
        "23": "Nijanona izy ireo ka nitoby rehefa nanome baiko i Jehovah, fa niainga kosa rehefa izay no baikon\u2019i Jehovah. Nankat\u00f2 ny didin\u2019i Jehovah izy ireo, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitaina tamin\u2019i Mosesy."
    },
    "10": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cManamboara trompetra volafotsy roa. Tefeo amin\u2019ny marotoa ilay izy, dia ampiasao rehefa tokony hantsoina ny vahoaka, na rehefa tokony hifindra lasy.",
        "3": "Rehefa miara-tsofina izy roa, dia ny vahoaka manontolo no hantsoina hankeny aminao eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "4": "Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny mpiadidy, izany hoe ny mpifehy ny arivo eo amin\u2019ny Israely, ihany no hantsoina hankeny aminao.",
        "5": "\u201cRehefa tsofinareo hamoaka feo miovaova ny trompetra, dia tokony hiainga izay mitoby eny atsinanana.",
        "6": "Rehefa tsofinareo fanindroany hamoaka feo miovaova ny trompetra, dia izay mitoby eny atsimo indray no tokony hiainga. Tokony ho hoatr\u2019izany foana no hitsofana ny trompetra, isaky ny misy fizarana hiainga.",
        "7": "\u201cRehefa hamory ny fiangonana rehetra ianareo, dia tokony hitsoka trompetra, nefa aza ovaovana ny feony.",
        "8": "Ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona no hitsoka azy. Ho fitsipika harahinareo foana hatrany amin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby izany fomba ampiasana trompetra izany.",
        "9": "\u201cRehefa any amin\u2019ny taninareo ianareo ka misy fahavalo tonga manafika anareo, dia tsofy ny trompetra mba hilazana hoe handeha hiady ianareo. Dia hotsaroan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ka hovonjeny dia tsy ho resin\u2019ny fahavalonareo.",
        "10": "\u201cRehefa tonga koa ny fotoana mahafaly anareo, izany hoe rehefa fety sy amin\u2019ny fiandohan\u2019ny volana, dia hitsoka trompetra ianareo rehefa manolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana. Hotsaroan\u2019Andriamanitra ianareo amin\u2019izay, rehefa tsofina ny trompetra. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u201d",
        "11": "Tamin\u2019ny andro faha-20 tamin\u2019ny volana faharoa, tamin\u2019ny taona faharoa, dia niakatra ny rahona ka niala teo amin\u2019ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.",
        "12": "Dia niainga ny Israelita ka niala tany an-tany efitr\u2019i Sinay. Nanaraka tsara an\u2019ilay filaharana efa napetraka izy ireo rehefa niainga. Ary nijanona tany an-tany efitr\u2019i Parana ilay rahona.",
        "13": "Tamin\u2019izay izy ireo no niainga voalohany, satria izay no baiko nampitain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy.",
        "14": "Ny fizarana nisy ny tobin\u2019ny taranak\u2019i Joda \u00e0ry no niainga voalohany, arakaraka ny antokony avy. I Nasona zanak\u2019i Aminadaba no mpifehy ny antokon\u2019ny taranak\u2019i Joda.",
        "15": "I Netanela zanak\u2019i Zoara indray no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Isakara.",
        "16": "Ary i Eliaba zanak\u2019i Helona no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Zebolona.",
        "17": "Rehefa noravana ny tranolay, dia niainga ny taranak\u2019i Gersona sy ny taranak\u2019i Merary, izay nitondra ny tranolay.",
        "18": "Taorian\u2019izay, dia niainga ny fizarana nisy ny tobin\u2019i Robena, arakaraka ny antokony avy. I Elizora zanak\u2019i Sedeora no mpifehy ny antokon\u2019ny taranak\u2019i Robena.",
        "19": "I Selomiela zanak\u2019i Zorisaday kosa no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Simeona.",
        "20": "Ary i Eliasafa zanak\u2019i Doela no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Gada.",
        "21": "Avy eo dia niainga ny Kehatita, izay nilanja an\u2019ireo fitaovan\u2019ny toerana masina. Tokony ho efa voatsangana ny tranolay masina, rehefa tonga izy ireo.",
        "22": "Taorian\u2019izay, dia niainga ny fizarana nisy ny tobin\u2019ny taranak\u2019i Efraima, arakaraka ny antokony avy. I Elisama zanak\u2019i Amihoda no mpifehy ny antokon\u2019ny taranak\u2019i Efraima.",
        "23": "I Gamaliela zanak\u2019i Pedazora kosa no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Manase.",
        "24": "Ary i Abidana zanak\u2019i Gideony no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Benjamina.",
        "25": "Taorian\u2019izay, dia niainga ny fizarana nisy ny tobin\u2019ny taranak\u2019i Dana, arakaraka ny antokony avy. Izy ireo no vodilaharana mpiaro ny toby rehetra. I Ahiezera zanak\u2019i Amisaday no mpifehy ny antokon\u2019ny taranak\u2019i Dana.",
        "26": "I Pagiela zanak\u2019i Okrana kosa no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Asera.",
        "27": "Ary i Ahira zanak\u2019i Enana no mpifehy ny antoko misy ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Naftaly.",
        "28": "Izany no filaharan\u2019ny Israelita sy ny antokony, rehefa niainga izy ireo.",
        "29": "Ary hoy i Mosesy tamin\u2019i Hobaba zanak\u2019i Regoela Midianita, rafozandahin\u2019i Mosesy: \u201cHandeha izahay ka ho any amin\u2019ilay toerana nolazain\u2019i Jehovah hoe: \u2018Homeko anareo io.\u2019 Andao hiaraka aminay fa hokarakarainay tsara ianao, satria i Jehovah efa nampanantena zavatra tsara ho an\u2019ny Israely.\u201d",
        "30": "Hoy anefa i Hobaba: \u201cTsy handeha aho fa hody any amin\u2019ny taniko sy ny havako.\u201d",
        "31": "Dia hoy i Mosesy: \u201cAza ilaozana re izahay\u00a0e! Ianao mantsy no mahalala hoe aiza izahay no tokony hitoby at\u1ef3 an-tany efitra, dia ianao no afaka mitari-dalana anay.",
        "32": "Raha miaraka aminay ianao, dia tena homenay amin\u2019izay soa rehetra hataon\u2019i Jehovah aminay.\u201d",
        "33": "Dia niala teo amin\u2019ilay tendrombohitr\u2019i Jehovah izy ireo, ka nandeha lalana telo andro. Nentina teo alohan\u2019izy ireo foana ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, tao anatin\u2019ireo telo andro ireo, mba hitady toerana azon\u2019izy ireo akana aina.",
        "34": "Ary teo ambonin\u2019izy ireo ilay rahon\u2019i Jehovah rehefa antoandro, rehefa niainga avy teo amin\u2019izay nitobiany izy ireo.",
        "35": "Isaky ny niainga ilay Vata, dia hoy i Mosesy: \u201cMitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4, ka ataovy miparitaka ny fahavalonao. Ataovy mandositra eo anatrehanao ireo mankahala anao.\u201d",
        "36": "Rehefa nijanona kosa ilay izy, dia hoy izy: \u201cMiverena, Jehovah\u00a0\u00f4! Miverena eo amin\u2019ny Israely tsy hita isa.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Ary nitaraina mafy teo anatrehan\u2019i Jehovah ny vahoaka, ka tezitra be i Jehovah rehefa naheno an\u2019izany. Dia nisy afo avy tamin\u2019i Jehovah nandoro azy ireo, ka levona ny sasany teny an-tsisin\u2019ny toby.",
        "2": "Rehefa nitaraina tamin\u2019i Mosesy ny vahoaka, dia nitalaho tamin\u2019i Jehovah i Mosesy, ka maty ilay afo.",
        "3": "Dia natao hoe Tabera ny anaran\u2019ilay toerana, satria nisy afo avy tamin\u2019i Jehovah nandoro ny olona.",
        "4": "Tia tena loatra ireo olona avy amin\u2019ny firenena samihafa niaraka tamin\u2019izy ireo, ka naniry mafy hihinana sakafo hafa. Dia nitomany indray ny Israelita hoe: \u201cIza no hanome hena hohaninay?",
        "5": "Tsaroanay er\u1ef3 ny trondro nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny k\u00f4k\u00f4mbra, ny pasteky, ny poar\u00f4, ny tongolobe, ary ny tongolo lay!",
        "6": "Izao anefa mihareraka izahay! Tsy mba mahita na inona na inona afa-tsy mana izahay.\u201d",
        "7": "Toy ny voan-kotimila ny mana, ary toy ny ditin\u2019ny hazo matambelo.",
        "8": "Niparitaka nitsimpona azy io ny olona, ka nototoiny tao anaty vato fikosoham-bary na laona ilay izy. Dia nandrahoin\u2019izy ireo tao anaty vilany ilay izy, na nataony mofo boribory, ka toy ny tsirona mofomamy misy menaka ny tsirony.",
        "9": "Rehefa nilatsaka teo amin\u2019ny toby ny ando tamin\u2019ny alina, dia nilatsaka teny koa ny mana.",
        "10": "Ary henon\u2019i Mosesy nitomany daholo ny fianakaviana. Samy teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolainy daholo ny olona. Dia tezitra be mihitsy i Jehovah, ary tena tsy faly mihitsy koa i Mosesy.",
        "11": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cFa maninona no ampijalinao izaho mpanomponao? Fa inona no nataoko no tsy faly amiko ianao, dia izaho no asainao mitondra an\u2019ireo vahoaka rehetra ireo, nefa enta-mavesatra amiko ry zareo?",
        "12": "Izaho angaha no nitondra an\u2019ireo vahoaka rehetra ireo tao an-kibo? Izaho angaha no niteraka an-dry zareo no teneninao hoe: \u2018Trotroy izy, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny mpitaiza mitrotro zaza mbola minono\u2019, dia lasa izaho no hitondra azy ho any amin\u2019ilay tany nianiananao hoe homena ny razambeny?",
        "13": "Aiza no hahitako hena homena an\u2019ireo vahoaka rehetra ireo? Fa mitomany eto amiko foana ry zareo hoe: \u2018Omeo hena izahay hohaninay!\u2019",
        "14": "Tsy vitako raha izaho irery no hitondra an\u2019ireo vahoaka rehetra ireo, fa mavesatra loatra amiko.",
        "15": "Tonga dia vonoy izao dia izao mihitsy re aho raha hoatr\u2019izao no ataonao amiko\u00a0e! Raha mba ankasitrahanao ihany aho, dia aza avela hahita fahoriana hafa intsony.\u201d",
        "16": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cManang\u00f2na 70 lahy amin\u2019ny anti-panahin\u2019ny Israely, dia izay fantatrao hoe anti-panahy sady mpifehy eo amin\u2019ny vahoaka. Ento mankeo amin\u2019ny tranolay fihaonana ry zareo, dia asaivo mijoro miaraka aminao eo.",
        "17": "Fa hidina aho ka hiresaka aminao eo. Ary hangalako ny fanahy ao aminao ka hataoko ao amin-dry zareo. Dia hanampy anao hitondra ny vahoaka ry zareo, amin\u2019izay tsy ianao irery no hitondra an\u2019izany enta-mavesatra izany.",
        "18": "Ary ilazao ny vahoaka hoe: \u2018Hamasino ny tenanareo, fa hihinan-kena ianareo rahampitso. Efa henon\u2019i Jehovah mantsy ilay ianareo nitomany hoe: \u201cIza no hanome hena hohaninay? Naleonay ihany tany Ejipta!\u201d Dia homen\u2019i Jehovah hena tokoa ianareo, ka hihinan-kena.",
        "19": "Tsy iray andro ianareo no hihinan-kena, na 2 andro, na 5 andro, na 10 andro, na 20 andro,",
        "20": "fa iray volana be izao, mandra-pivoakan\u2019izany eo am-bavoronareo, ka ho rikoriko ianareo. Fa nanda an\u2019i Jehovah, izay eo aminareo, ianareo ary nitomany teo anatrehany hoe: \u201cManinona loatra re izahay no nivoaka avy tany Ejipta\u00a0e?\u201d\u2019\u201d",
        "21": "Ary hoy i Mosesy: \u201cMisy lehilahy 600\u00a0000 mandeha an-tongotra miaraka amiko eto. Ianao anefa niteny hoe: \u2018Homeko hena izy ireo, dia tena hihinan-kena foana mandritra ny iray volana be izao\u2019!",
        "22": "Koa na hovonoina daholo aza ny ondry aman\u2019osy sy omby rehetra, dia ho ampy an-dry zareo ve izany? Ary na ny trondro rehetra any an-dranomasina koa aza no halaina, dia ho ampy an-dry zareo ve izany?\u201d",
        "23": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAngaha fohy loatra ny tanan\u2019i Jehovah ka tsy mahavita an\u2019izany? Ho hitanao tokoa raha ho tanteraka ny teniko na tsia.\u201d",
        "24": "Dia nivoaka i Mosesy ka noteneniny tamin\u2019ny vahoaka ny tenin\u2019i Jehovah. Ary nanangona 70\u00a0lahy avy tamin\u2019ny anti-panahy teo amin\u2019ny vahoaka izy, ka nasainy nijoro nanodidina ny tranolay izy ireo.",
        "25": "Dia nidina tao anaty rahona i Jehovah, ka niresaka tamin\u2019i Mosesy. Ary nakany ny fanahy tao amin\u2019i Mosesy ka samy nomeny tamin\u2019ilay fanahy ireo anti-panahy 70 ireo. Vao niasa tamin\u2019izy ireo ny fanahy, dia nanao hoatran\u2019ny mpaminany izy ireo. Tamin\u2019io ihany anefa izy ireo no nanao an\u2019izany.",
        "26": "Mbola nisy roa lahy tamin\u2019izy ireo nijanona tao an-toby. Eldada sy Medada no anaran\u2019izy ireo. Dia niasa tamin\u2019izy roa lahy ny fanahy, satria anisan\u2019ny voasoratra anarana koa izy ireo, saingy tsy nankany amin\u2019ny tranolay fihaonana. Nanao hoatran\u2019ny mpaminany \u00e0ry izy ireo tao an-toby.",
        "27": "Ary nisy tovolahy iray nihazakazaka niteny tamin\u2019i Mosesy hoe: \u201cManao hoatran\u2019ny mpaminany koa i Eldada sy Medada ao an-toby!\u201d",
        "28": "Dia hoy i Josoa zanak\u2019i Nona, mpanompon\u2019i Mosesy efa hatramin\u2019izy mbola tanora: \u201cRy Mosesy tompoko\u00a0\u00f4, sakano ry zareo!\u201d",
        "29": "Hoy anefa i Mosesy taminy: \u201cSaro-piaro amin\u2019ny fahefako ve ianao? Tsy mety izany! Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan\u2019i Jehovah rehetra, dia homen\u2019i Jehovah ny fanahiny koa!\u201d",
        "30": "Niverina tao an-toby i Mosesy avy eo, niaraka tamin\u2019ny anti-panahin\u2019ny Israely.",
        "31": "Dia nisy rivotra nitsoka tampoka avy tamin\u2019i Jehovah ka nitondra papelika avy tany an-dranomasina, ary nampilatsaka an\u2019izany nanodidina ny toby. Niparitaka teny amin\u2019ny manodidina rehetra teny ny papelika. Feno papelika daholo \u00e0ry teo amin\u2019ny ilany sy ilany amin\u2019ny toby, hatrany amin\u2019ny lalana iray\u00a0andro teo ho eo, ary tokotokony ho roa hakiho avy eo amin\u2019ny tany ny haavony.",
        "32": "Dia nanangona papelika foana ny olona nandritra an\u2019iny andro iny sy ny alina tontolo ary ny ampitson\u2019iny tontolo, fa tsy natory. Tsy nisy nanangona latsaka ny folo homera izy ireo. Dia napetrapetrany nanodidina ny toby izy ireny, mba hotehiriziny.",
        "33": "Raha mbola iny teo am-bavany iny anefa ny hena, ka mbola tsy voatsako akory, dia tezitra be tamin\u2019ny vahoaka i Jehovah. Ary namely azy ireo i Jehovah, ka be dia be no maty.",
        "34": "Koa natao hoe Kibrota-hatava ny anaran\u2019ilay toerana, satria teo no nandevenana ny olona tia tena loatra ka naniry mafy hihinana sakafo hafa.",
        "35": "Avy teo Kibrota-hatava ny vahoaka no niainga ho any Hazerota. Dia nijanona tao Hazerota izy ireo."
    },
    "12": {
        "1": "Ary nanome tsiny an\u2019i Mosesy i Miriama sy Arona, noho ilay vehivavy kosita nalainy ho vady. Nanambady vehivavy kosita mantsy i Mosesy.",
        "2": "Dia hoy izy mianadahy: \u201cAngaha amin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy ihany i Jehovah no miteny, fa tsy amin\u2019ny alalanay koa?\u201d Dia henon\u2019i Jehovah izany.",
        "3": "Ary i Mosesy no be\u00a0fandeferana indrindra, tamin\u2019ny olona rehetra teto an-tany.",
        "4": "Tampoka teo dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona ary Miriama: \u201cMankanesa any amin\u2019ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy.\u201d Dia lasa izy telo.",
        "5": "Nidina tao anatin\u2019ny andry rahona \u00e0ry i Jehovah. Nijoro teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana izy, ka niantso an\u2019i Arona sy Miriama. Dia nandroso izy mianadahy.",
        "6": "Dia hoy izy: \u201cHenoy ny teniko, azafady. Raha misy mpaminanin\u2019i Jehovah eo aminareo, dia ao amin\u2019ny fahitana aho no mampahafantatra ny tenako aminy, ary ao amin\u2019ny nofy aho no miresaka aminy.",
        "7": "Tsy hoatr\u2019izany anefa no ataoko amin\u2019i Mosesy mpanompoko. Fa izy no anankinako an\u2019izay rehetra ao an-tranoko.",
        "8": "Miresaka mivantana aminy mihitsy aho, sady miresaka mazava tsara, fa tsy mampiasa teny saro-pantarina. Ny endrik\u2019i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an\u2019i Mosesy mpanompoko?\u201d",
        "9": "Tezitra be tamin\u2019izy ireo \u00e0ry i Jehovah, dia lasa.",
        "10": "Niala teo ambonin\u2019ny tranolay ny rahona, dia io fa boka i Miriama ka lasa fotsy be. Dia nitodika tany amin\u2019i Miriama i Arona, ka hitany hoe boka izy.",
        "11": "Tonga dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Arona hoe: \u201cMiangavy anao re aho, tompoko\u00a0\u00f4! Aza atao am-po re iny fahotanay iny\u00a0e! Fa tena nanao hadalana mihitsy izahay tamin\u2019iny.",
        "12": "Mba aza avela hijanona hoatr\u2019izao re izy\u00a0e, hoatran\u2019ny zaza maty tao an-kibon-dreniny dia efa simba ny antsasaky ny nofony rehefa teraka izy.\u201d",
        "13": "Koa nitaraina mafy tamin\u2019i Jehovah i Mosesy hoe: \u201cMba miangavy re, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Mba sitrano re izy\u00a0e!\u201d",
        "14": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTsy ho afa-baraka fito andro ve izy raha roran\u2019ny dadany ny tarehiny? Fa aleo izy hatokan-toerana fito andro any ivelan\u2019ny toby, dia aorian\u2019izay izy vao mahazo miverina.\u201d",
        "15": "Dia natokan-toerana fito andro tany ivelan\u2019ny toby i Miriama. Ary tsy nifindra lasy ny vahoaka raha tsy efa niverina tao an-toby izy.",
        "16": "Avy eo dia niala tao Hazerota ny vahoaka, ka nitoby tany an-tany efitr\u2019i Parana."
    },
    "13": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cManiraha olona hitsikilo ny tany Kanana izay homeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-poko no hirahinareo, izay samy mpiadidy eo amin\u2019izy ireo.\u201d",
        "3": "Koa nirahin\u2019i Mosesy avy tany an-tany efitr\u2019i Parana izy ireo, araka ny baikon\u2019i Jehovah. Samy lohany teo amin\u2019ny Israelita izy rehetra.",
        "4": "Ireto avy ny anaran\u2019izy ireo: I Samoa zanak\u2019i Zakora no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Robena;",
        "5": "Safata zanak\u2019i Hory no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Simeona;",
        "6": "Kaleba zanak\u2019i Jefone no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda;",
        "7": "Jigala zanak\u2019i Josefa no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Isakara;",
        "8": "Hosea zanak\u2019i Nona no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Efraima;",
        "9": "Palty zanak\u2019i Rafo no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina;",
        "10": "Gadiela zanak\u2019i Sody no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona;",
        "11": "Gady zanak\u2019i Sosy no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Josefa, izany hoe avy amin\u2019ny fokon\u2019i Manase;",
        "12": "Amiela zanak\u2019i Gemaly no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Dana;",
        "13": "Setora zanak\u2019i Mikaela no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Asera;",
        "14": "Naby zanak\u2019i Vofsy no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly;",
        "15": "ary Geoela zanak\u2019i Maky no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Gada.",
        "16": "Ireo no anaran\u2019ny lehilahy nirahin\u2019i Mosesy hitsikilo an\u2019ilay tany. Ary nantsoin\u2019i Mosesy hoe Josoa i Hosea zanak\u2019i Nona.",
        "17": "Rehefa nalefan\u2019i Mosesy hitsikilo an\u2019i Kanana izy ireo, dia noteneniny hoe: \u201cMiakara mankany Negeba, dia avy eo miakara mankany amin\u2019ny faritra be tendrombohitra.",
        "18": "Jereo hoe manao ahoana ilay tany. Dia jereo koa ny olona mipetraka ao raha matanjaka na tsia, ary raha vitsy na be dia be.",
        "19": "Jereo ilay tany raha tsara na ratsy, ary jereo ny tan\u00e0nany raha anaty toby na anaty manda.",
        "20": "Jereo koa ilay tany raha lonaka na tsy mamokatra, ary raha misy hazo na tsia. Man\u00e0na herim-po, dia mak\u00e0 amin\u2019ny vokatry ny tany any.\u201d Fotoana fahamasahan\u2019ny voaloboka tamin\u2019izay, dia ny voaloboka vokatra voalohany.",
        "21": "Koa niakatra nitsikilo an\u2019ilay tany izy ireo, hatrany amin\u2019ny tany efitr\u2019i Zina ka hatrany Rehoba, tany akaikin\u2019i Lebo-hamata.",
        "22": "Rehefa niakatra nankany Negeba izy ireo, dia tonga tao Hebrona. Tao ry Ahimana sy Sesay ary Talmay, izany hoe ny Anakita, no nipetraka. Fito taona talohan\u2019ny nanorenana an\u2019i Zoana any Ejipta i Hebrona no efa voaorina.",
        "23": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Eskola ireo mpitsikilo, dia nanapaka sampam-boaloboka nisy tangozany iray ngezabe. Roa lahy vao nahazaka an\u2019ilay voaloboka tamin\u2019ny bao filanjana. Nitondra ampongabendanitra sy aviavy koa izy ireo.",
        "24": "Koa nantsoin\u2019izy ireo hoe Lohasahan\u2019i Eskola io toerana io, noho ilay voaloboka notapahin\u2019ny Israelita teo.",
        "25": "Dia niverina izy ireo, 40\u00a0andro tat\u1ef3 aoriana, rehefa avy nitsikilo an\u2019ilay tany.",
        "26": "Niverina tany amin\u2019i Mosesy sy Arona ary ny vahoakan\u2019Israely manontolo izy ireo, tany an-tany efitr\u2019i Parana any Kadesy. Nanao tatitra tamin\u2019ny vahoaka manontolo izy ireo, sady nampiseho azy ny vokatr\u2019ilay tany.",
        "27": "Ary izao no tatitra nataony tamin\u2019i Mosesy: \u201cNankao amin\u2019ilay tany nanirahanao anay izahay, ary tena tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Ireto no vokatra avy tany.",
        "28": "Matanjaka anefa ny mponina ao, sady tena lehibe ireo tan\u00e0na voaro mafy. Hitanay tao koa ny Anakita.",
        "29": "Mipetraka any Negeba ny Amalekita, ary any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita. Ny Kananita kosa mipetraka any amoron\u2019ny ranomasina sy eny amoron\u2019i Jordana.\u201d",
        "30": "Ary niezaka nampitony ny vahoaka i Kaleba. Nijoro teo anatrehan\u2019i Mosesy ny vahoaka tamin\u2019izay. Dia hoy i Kaleba: \u201cAndao isika tonga dia hiakatra any, fa tsy maintsy ho azontsika io tany io. Tena ho resintsika ny mponina ao.\u201d",
        "31": "Hoy anefa ireo lehilahy niaraka taminy: \u201cTsy ho vitantsika ny hiakatra hiady amin\u2019io firenena io, fa mahery noho isika ry zareo.\u201d",
        "32": "Ary ratsy foana ny tatitra nataon\u2019izy ireo tamin\u2019ny Israelita rehefa niresaka momba an\u2019ilay tany izy ireo. Hoy mantsy izy ireo: \u201cMampidi-doza ilay tany notetezinay sy notsikilovinay, ka ho faty daholo izay mipetraka ao. Lava ranjanana daholo ny olona hitanay tao.",
        "33": "Hitanay tao koa ny Nefilima, dia ny taranak\u2019i An\u00e0ka avy amin\u2019ny Nefilima. Hoatran\u2019ny valala izahay raha ampitahaina aminy, ary hoatr\u2019izany koa ny fahitany anay.\u201d"
    },
    "14": {
        "1": "Dia nitaraina mafy ny vahoaka manontolo. Nigogogogo nitomany ny olona, nandritra an\u2019iny alina iny.",
        "2": "Ary nimenomenona tamin\u2019i Mosesy sy Arona ny Israelita rehetra. Dia nanohitra azy roa lahy ny vahoaka manontolo, hoe: \u201cNaleonay maty tany Ejipta na tat\u1ef3 an-tany efitra!",
        "3": "Fa maninona isika no entin\u2019i Jehovah ho any amin\u2019izany tany izany, dia ho fatin\u2019ny sabatra any? Ho lasa babo any ny vadintsika sy ny zanatsika. Tsy aleontsika ve miverina any Ejipta\u00a0e?\u201d",
        "4": "Nifampiresaka mihitsy aza izy ireo hoe: \u201cAndao isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!\u201d",
        "5": "Ary niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo i Mosesy sy Arona.",
        "6": "Nandrovitra ny akanjony kosa i Josoa zanak\u2019i Nona, sy Kaleba zanak\u2019i Jefone, izay anisan\u2019ireo nitsikilo an\u2019ilay tany.",
        "7": "Dia hoy izy roa lahy tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo: \u201cTena tsara be ilay tany notetezinay sy notsikilovinay.",
        "8": "Raha ankasitrahan\u2019i Jehovah isika, dia tena hoentiny hiditra ao amin\u2019io tany io, ka homeny antsika io tany tondra-dronono sy tantely io.",
        "9": "Aza mikomy amin\u2019i Jehovah anefa ianareo, ary aza atahorana ny olona ao amin\u2019io tany io, fa tsy ampy hohanintsika ireo. Efa tsy misy miaro an-dry zareo intsony, dia i Jehovah koa manampy antsika, fa aza matahotra an-dry zareo.\u201d",
        "10": "Nifampiresaka anefa ny vahoaka manontolo hoe hitora-bato azy roa lahy, saingy niseho tampoka teo ambonin\u2019ny tranolay fihaonana, teo imason\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo, ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "11": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMandra-pahoviana ity vahoaka ity no tsy hanaja ahy sy tsy hino ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra nataoko teo aminy?",
        "12": "Avelao hasiako amin\u2019ny areti-mandringana ry zareo dia haripako, dia aleo ianao hataoko firenena lehibe sy matanjaka noho ireo.\u201d",
        "13": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cDia ho henon\u2019ny Ejipsianina izany, nefa ianao efa nampiasa ny herinao dia namoaka an\u2019ity vahoaka ity avy teo amin-dry zareo.",
        "14": "Dia horesahin-dry zareo amin\u2019ny mponin\u2019io tany io izany. Efa henon-dry zareo koa fa eto amin\u2019ity vahoaka ity ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, sady miseho aminy sy miresaka aminy mivantana. Ianao no Jehovah, ary asianao rahona eo ambonin\u2019ny vahoakanao. Mandeha eo alohany ao anatin\u2019ny andry rahona koa ianao rehefa antoandro, ary ao anatin\u2019ny andry afo rehefa alina.",
        "15": "Koa raha indray\u00a0aripakao ity vahoaka ity, dia izao no holazain\u2019ireo firenena efa naheno ny lazanao ireo:",
        "16": "\u2018Tsy vitan\u2019i Jehovah ny nitondra an\u2019io vahoaka io nankany amin\u2019ilay tany efa nianianany hoe homena azy, dia novonoiny tany an-tany efitra ry zareo.\u2019",
        "17": "Jehovah\u00a0\u00f4, mba asehoy re fa lehibe ny herinao\u00a0e! Ianao mantsy efa nampanantena hoe:",
        "18": "\u2018Tsy mora tezitra i Jehovah sady tena be fitiavana sy tsy mivadika, ary mamela fahadisoana sy heloka, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an\u2019izay meloka, fa hosaziny noho ny fahadisoan\u2019ny rainy ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.\u2019",
        "19": "Asehoy re fa tena be fitiavana sy tsy mivadika ianao\u00a0e, ka avelao ny helok\u2019ity vahoaka ity, toy ny namelanao ny helony nanomboka tany Ejipta ka hatramin\u2019izao.\u201d",
        "20": "Dia hoy i Jehovah: \u201cAvelako \u00e0ry ny helony, araka ny teninao.",
        "21": "Raha mbola velona koa anefa aho, dia ho feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ny tany manontolo.",
        "22": "Saingy izao: Efa nahita ny voninahitro sy ny famantarana nataoko tany Ejipta sy tat\u1ef3 an-tany efitra ireo lehilahy ireo. Mbola mitsapa toetra ahy ihany anefa ry zareo efa impolo izay, sady tsy nihaino ny teniko, ka na ny iray amin\u2019ireo aza",
        "23": "tsy hahita an\u2019ilay tany nianianako tamin\u2019ny razambeny. Tsy hisy hahita an\u2019ilay izy mihitsy izay rehetra tsy manaja ahy.",
        "24": "Fa i Kaleba mpanompoko kosa hampidiriko ao amin\u2019ilay tany nalehany, dia ny taranany no haka an\u2019ilay izy ho fananany. Hafa mihitsy mantsy ny toe-tsainy, sady nanaraka ahy tamin\u2019ny fony manontolo izy.",
        "25": "Koa miverena mankany an-tany efitra rahampitso, dia mandehana any amin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny Ranomasina Mena. Mipetraka eny amin\u2019ny lohasaha mantsy ny Amalekita sy ny Kananita.\u201d",
        "26": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "27": "\u201cMandra-pahoviana ity vahoaka ratsy fanahy ity no himenomenona foana amiko hoatr\u2019izao? Efa henoko hoe inona no imenomenonan\u2019ny Israelita amiko.",
        "28": "Koa teneno ry zareo hoe: \u2018\u201cRaha mbola velona koa aho\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia hataoko aminareo izay henoko nolazainareo!",
        "29": "At\u1ef3 amin\u2019ity tany efitra ity ny fatinareo no hiampatrampatra\u2019, dia ianareo rehetra voasoratra anarana, izay 20\u00a0taona no ho miakatra, ka nimenomenona tamiko.",
        "30": "Tsy hisy aminareo na iray aza hiditra ao amin\u2019ilay tany nianianako hoe hipetrahanareo, afa-tsy i Kaleba zanak\u2019i Jefone, sy Josoa zanak\u2019i Nona.",
        "31": "\u201c\u2018\u201cHampidiriko ao koa ny zanakareo izay nolazainareo hoe ho lasa babo, dia ry zareo no hipetraka ao amin\u2019ilay tany tsy tianareo.",
        "32": "Ny fatinareo kosa hiampatrampatra at\u1ef3 amin\u2019ity tany efitra ity.",
        "33": "Dia ho lasa mpiandry ondry at\u1ef3 an-tany efitra mandritra ny 40\u00a0taona ny zanakareo, ka ry zareo no hizaka ny vokatry ny nivadihanareo tamiko, mandra-pahafatinareo rehetra at\u1ef3 an-tany efitra.",
        "34": "Satria 40 andro ianareo no nitsikilo an\u2019ilay tany, dia 40\u00a0taona ianareo no hizaka ny vokatry ny fahadisoanareo. Ny andro iray mantsy hosoloana taona iray. Dia ho fantatrareo hoe inona ny vokany rehefa manohitra ahy ianareo.",
        "35": "\u201c\u2018\u201cIzaho Jehovah no efa niteny. Izao no hataoko amin\u2019io vahoaka ratsy fanahy mitambatra hanohitra ahy io: At\u1ef3 amin\u2019ity tany efitra ity izy ireo no ho ripaka tanteraka, ary at\u1ef3 izy ireo no ho faty.",
        "36": "Ary ireo lehilahy nirahin\u2019i Mosesy hitsikilo an\u2019ilay tany ireo, nefa nanao tatitra ratsy momba an\u2019ilay tany rehefa tafaverina, ka nahatonga ny vahoaka manontolo himenomenona tamin\u2019i Mosesy,",
        "37": "eny, ireo lehilahy nanao tatitra ratsy ireo no hosazina ka ho faty eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "38": "Amin\u2019ireo lehilahy nitsikilo an\u2019ilay tany kosa, dia i Josoa zanak\u2019i Nona sy Kaleba zanak\u2019i Jefone no mbola ho velona.\u201d\u2019\u201d",
        "39": "Dia nalahelo be ny Israelita rehetra rehefa nilazan\u2019i Mosesy an\u2019izany teny izany.",
        "40": "Nifoha maraina koa izy ireo ny ampitson\u2019iny, ka nitady hiakatra teny an-tampon-tendrombohitra, sady niteny hoe: \u201cEfa nanota izahay. Koa ireto izahay vonona hiakatra any amin\u2019ilay toerana nolazain\u2019i Jehovah.\u201d",
        "41": "Hoy anefa i Mosesy: \u201cFa maninona ianareo no mandika ny didin\u2019i Jehovah? Tsy hahomby izany ataonareo izany!",
        "42": "Aza miakatra any fa tsy hanampy anareo i Jehovah. Ho resin\u2019ny fahavalonareo any ianareo.",
        "43": "Fa ho avy hiady aminareo ny Amalekita sy ny Kananita, ka ho fatin\u2019ny sabatra ianareo. Tsy nankat\u00f2 an\u2019i Jehovah intsony mantsy ianareo, ka tsy hanampy anareo i Jehovah.\u201d",
        "44": "Mbola sahisahy ratsy ihany anefa izy ireo ka niakatra teny an-tampon-tendrombohitra. Tsy niala teo an-toby kosa i Mosesy sy ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah.",
        "45": "Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita nipetraka teo amin\u2019ilay tendrombohitra, ka namely sy nanaparitaka azy ireo hatrany Horma."
    },
    "15": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Rehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany omeko hipetrahanareo ianareo,",
        "3": "ka manolotra fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, na omby izany na ondry na osy, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah,\u2014na fanatitra dorana ilay izy, na sorona hanefana voady manokana, na fanatitra an-tsitrapo, na fanatitra mandritra an\u2019ireo fety fanaonareo,\u2014",
        "4": "dia hanome fanatitra varimbazaha ho an\u2019i Jehovah koa ilay manolotra fanatitra. Lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha, sady nafangaro menaka ampahefatry ny hina, ilay fanatitra varimbazaha.",
        "5": "Tokony hanolotra divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro koa ianao, miaraka amin\u2019ny ondrilahy kely atao fanatitra dorana na atao sorona.",
        "6": "Raha ondrilahy efa lehibe kosa no hoentinao, dia ampiaraho amin\u2019ny fanatitra varimbazaha ilay izy, izany hoe lafarinina tsara toto roa ampahafolon\u2019ny efaha sady nafangaro menaka ampahatelon\u2019ny hina.",
        "7": "Ary manolora divay ampahatelon\u2019ny hina ho fanatitra zava-pisotro, mba ho fofona mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "8": "\u201c\u2018Raha ombilahy kosa no atolotrao mba hatao fanatitra dorana na ho sorona hanefana voady manokana na ho sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah,",
        "9": "dia tokony hanolotra fanatitra varimbazaha miaraka amin\u2019ilay ombilahy koa ianao, izany hoe lafarinina tsara toto telo ampahafolon\u2019ny efaha sady nafangaro menaka antsasaky ny hina.",
        "10": "Manolora koa divay antsasaky ny hina mba hatao fanatitra zava-pisotro, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho fofona mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "11": "Izany no tokony hatao isaky ny manolotra ombilahy na ondrilahy efa lehibe na ondrilahy kely na osy.",
        "12": "Na firy na firy no hatolotrareo, dia izany no tokony hataonareo isaky ny biby tsirairay.",
        "13": "Izany no tokony hataon\u2019ny teratany israelita rehetra, rehefa manolotra fanatitra atao anaty afo mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "14": "\u201c\u2018Ary raha misy hafa firenena mipetraka eo aminareo na olona efa teo aminareo efa hatramin\u2019ny taranaka maro nifandimby, ka manolotra fanatitra atao anaty afo mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah, dia tokony hanao hoatran\u2019ny ataonareo koa izy.",
        "15": "Ho fitsipika iray ihany no ho anareo anisan\u2019ny fiangonana sy ho an\u2019ny hafa firenena mipetraka eo aminareo. Ho fitsipika tokony harahinareo sy ny taranakareo foana izany. Eo anatrehan\u2019i Jehovah, dia mitovy aminareo ihany ny hafa firenena mipetraka eo aminareo.",
        "16": "Lal\u00e0na iray sy didim-pitsarana iray ihany no ho anareo sy ho an\u2019ny hafa firenena mipetraka eo aminareo.\u2019\u201d",
        "17": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "18": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Rehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany itondrako anareo ianareo,",
        "19": "ka mihinana amin\u2019ny vokatry ny tany, dia tokony hanao fanomezana ho an\u2019i Jehovah.",
        "20": "Mofo boribory avy amin\u2019ny santatry ny varimbazahanareo tsy nototoina malemy no ataovy fanomezana. Hoatran\u2019ny ataonareo rehefa manome vokatra avy eny am-pamoloana ihany no hataonareo rehefa manome an\u2019ilay izy.",
        "21": "Ny ampahany amin\u2019ny santatry ny varimbazahanareo tsy nototoina malemy no hataonareo fanomezana ho an\u2019i Jehovah, ary hanao an\u2019izany ianareo hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby.",
        "22": "\u201c\u2018Ary raha manao fahadisoana ianareo, ka tsy manaraka an\u2019ireo didy rehetra nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy ireo,",
        "23": "izany hoe izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah anareo tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy, ka tokony harahinareo nanomboka tamin\u2019ny andro nanomezan\u2019i Jehovah an\u2019izany didy izany sady tokony harahin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby,",
        "24": "ary raha tsy fanahy iniana ilay fahadisoana sady tsy fantatry ny vahoaka, dia hanolotra vantotr\u2019ombilahy iray ho fanatitra dorana ny vahoaka manontolo mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah. Dia hampiarahiny amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro izany, araka ny efa fanao. Hanolotra zanak\u2019osy iray koa izy ireo, hatao fanatitra noho ny ota.",
        "25": "Dia handrakotra ny fahotan\u2019ny Israelita rehetra ny mpisorona, ka havela ny helok\u2019izy ireo. Tsy fanahy inian\u2019izy ireo mantsy ilay fahadisoana, sady izy ireo koa efa nitondra fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah sy fanatitra noho ny ota eo anatrehan\u2019i Jehovah noho ilay fahadisoany.",
        "26": "Havela ny heloky ny Israelita rehetra sy ny hafa firenena mipetraka eo aminy, satria tsy fanahy inian\u2019ilay vahoaka manontolo ilay fahadisoana.",
        "27": "\u201c\u2018Ary raha misy olona manota tsy nahy, dia hanolotra osivavy tsy mihoatra ny herintaona izy, hatao fanatitra noho ny ota.",
        "28": "Dia handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, fa nanao fahadisoana izy tamin\u2019izy nanota tsy nahy teo anatrehan\u2019i Jehovah. Handrakotra ny fahotany ilay mpisorona, dia havela ny helony.",
        "29": "Lal\u00e0na iray ihany no ho an\u2019ny teratany israelita sy ny vahiny mipetraka eo amin\u2019izy ireo, rehefa misy manota tsy nahy.",
        "30": "\u201c\u2018Fa izay olona manao fanahy iniana manota kosa, na teratany izy na vahiny, dia manevateva an\u2019i Jehovah, ka haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.",
        "31": "Tsy maintsy haringana izy satria nataony tsinontsinona ny tenin\u2019i Jehovah sady tsy narahiny ny didiny. Hizaka ny vokatry ny fahadisoana nataony izy.\u2019\u201d",
        "32": "Tamin\u2019ny mbola tany an-tany efitra ny Israelita, dia nahita lehilahy naka kitay tamin\u2019ny andro sabata.",
        "33": "Dia nitondra azy nankany amin\u2019i Mosesy sy Arona ary ny vahoaka manontolo ireo nahita azy naka kitay ireo.",
        "34": "Nambenana tsara \u00e0ry izy, satria mbola tsy tena fantatra hoe inona no tokony hatao aminy.",
        "35": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTsy maintsy vonoina ho faty ilay lehilahy, ka hitora-bato azy eny ivelan\u2019ny toby ny vahoaka manontolo.\u201d",
        "36": "Dia nentin\u2019ny vahoaka manontolo teny ivelan\u2019ny toby izy ka notorahany vato, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy. Dia maty izy.",
        "37": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "38": "\u201cTeneno ny Israelita hoe tokony hanisy mikiramborambo eo amin\u2019ny morontongotr\u2019akanjony izy ireo, hatramin\u2019ny taranany fara aman-dimby. Tokony hasiany kofehy manga koa eo ambonin\u2019ilay mikiramborambo.",
        "39": "\u2018Asio an\u2019ilay mikiramborambo ny akanjonareo, amin\u2019izay rehefa mahita an\u2019ilay izy ianareo, dia hahatsiaro ny didin\u2019i Jehovah rehetra ka hankat\u00f2 an\u2019izany. Aza manao izay tian\u2019ny fonareo sy ny masonareo fotsiny, fa hahatonga anareo hivaro-tena amin\u2019ny andriamani-kafa izany.",
        "40": "Amin\u2019izay dia hotadidinareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka ho masina eo anatrehan\u2019ilay Andriamanitrareo ianareo.",
        "41": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, ilay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta mba hampisehoako fa izaho no Andriamanitrareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019\u201d"
    },
    "16": {
        "1": "Ary i Kora, zanak\u2019i Jizara, zanak\u2019i Kehata, zanak\u2019i Levy, dia niray tetika tamin\u2019i Datana sy Abirama, zanak\u2019i Eliaba, ary Ona zanak\u2019i Peleta, izay samy taranak\u2019i Robena.",
        "2": "Nanohitra an\u2019i Mosesy izy ireo, niaraka tamin\u2019ny lehilahy israelita 250. Mpiadidy vahoaka daholo ireo lehilahy ireo, ary solontenan\u2019ny fiangonana sady olona ambony.",
        "3": "Dia nitambatra hanohitra an\u2019i Mosesy sy Arona izy ireo, ka niteny hoe: \u201cTena leo anareo izahay! Masina daholo ange ny vahoaka manontolo\u00a0e, dia i Jehovah no eo aminy. Koa maninona ianareo no mieritreritra hoe ambony noho ny fiangonan\u2019i Jehovah?\u201d",
        "4": "Vao naheno an\u2019izany i Mosesy dia niankohoka.",
        "5": "Ary hoy izy tamin\u2019i Kora sy ny mpanohana azy rehetra: \u201cRahampitso maraina i Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy, dia iza no masina, ary iza no tokony hanatona azy, ka izay hofidiny no hanatona azy.",
        "6": "Izao \u00e0ry atao: Mak\u00e0 fitondrana afo, ry Kora sy ianareo mpanohana azy rehetra.",
        "7": "Asio afo ao anatiny, dia asio emboka manitra eo amboniny. Rahampitso izany no hataonareo eo anatrehan\u2019i Jehovah. Dia izay olona hofidin\u2019i Jehovah no masina. Efa tafahoatra loatra ny ataonareo, ry taranak\u2019i Levy!\u201d",
        "8": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Kora: \u201cMba henoy kely izao, ry taranak\u2019i Levy:",
        "9": "Angaha tsy misy dikany aminareo ilay ianareo navahan\u2019ilay Andriamanitry ny Israely tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely? Dia navelany hanatona azy ianareo mba hanompo ao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah, sy hijoro eo anatrehan\u2019ny vahoaka mba hanompo azy ireo!",
        "10": "Dia nasainy nanatona azy koa ianareo sy ny rahalahinareo rehetra taranak\u2019i Levy. Angaha tsy misy dikany izany aminareo? Dia mbola te ho mpisorona koa ve ianareo?",
        "11": "Izany no mahatonga anao sy ny mpanohana anao rehetra hiara-manohitra an\u2019i Jehovah hoatr\u2019izao. Fa i Arona moa no iza no imenomenonanareo?\u201d",
        "12": "Nampanantsoin\u2019i Mosesy i Datana sy Abirama zanak\u2019i Eliaba taorian\u2019izay, nefa hoy izy roa lahy: \u201cIzahay tsy ho any!",
        "13": "Ianao aza efa nitondra anay niala tany amin\u2019ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay at\u1ef3 an-tany efitra at\u1ef3! Angaha tsy ampy anao izany no mbola mitady hanjakazaka aminay koa ianao?",
        "14": "Tsy nampiditra anay tany amin\u2019ny tany tondra-dronono sy tantely ianao, sady tsy nanome anay saha sy tanimboaloboka mba ho lovanay. Fa tadiavinao hopotsirina mihitsy ve ny mason\u2019ireo olona ireo e? Izahay tsy ho any!\u201d",
        "15": "Dia tezitra be i Mosesy, ka hoy izy tamin\u2019i Jehovah: \u201cAza jerena akory ny fanatitra varimbazaha atolotr\u2019ireo. Na ampondra iray aza tsy nalaiko taminy, ary tsy nisy nasiako ratsy ry zareo.\u201d",
        "16": "Ary hoy i Mosesy tamin\u2019i Kora: \u201cMandehana miseho eo anatrehan\u2019i Jehovah ianao sy ny mpanohana anao rehetra rahampitso, dia ianao sy ry zareo ary Arona.",
        "17": "Samia maka ny fitondrany afo, dia asio emboka manitra eo ambonin\u2019ilay izy. Ary samia mitondra ny fitondrany afo eo anatrehan\u2019i Jehovah. Hitondra fitondrana afo 250 ireo mpanohana anao ireo, dia hitondra koa ianao sy Arona.\u201d",
        "18": "Dia samy naka ny fitondrany afo izy ireo, ka nanisy afo sy emboka manitra teo amboniny, dia nijoro teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, niaraka tamin\u2019i Mosesy sy Arona.",
        "19": "Ary efa novorin\u2019i Kora teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny mpanohana azy, mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin\u2019ny vahoaka manontolo ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "20": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "21": "\u201cMial\u00e0 eo amin\u2019ireo olona ireo, fa haringako ao anatin\u2019ny indray mipy maso ireo!\u201d",
        "22": "Dia niankohoka tamin\u2019ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: \u201cAndriamanitra\u00a0\u00f4! Ianao no Andriamanitra manome aina ny olona rehetra. Olona iray ve no nanota dia tezitra amin\u2019ny vahoaka manontolo ianao?\u201d",
        "23": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "24": "\u201cTeneno ny vahoaka hoe: \u2018Mial\u00e0 eny akaikin\u2019ny tranolain\u2019i Kora sy Datana ary Abirama!\u2019\u201d",
        "25": "Dia nankeny amin\u2019i Datana sy Abirama i Mosesy, ary niaraka taminy ny anti-panahin\u2019ny Israely.",
        "26": "Ary hoy izy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cMiangavy anareo aho mba hiala eny akaikin\u2019ny tranolain\u2019ireo olona ratsy fanahy ireo. Aza mikasika an\u2019izay ananany rehetra, sao ianareo ho ringana noho ny fahotany.\u201d",
        "27": "Tonga dia niala teny amin\u2019ny manodidina ny tranolain\u2019i Kora sy Datana ary Abirama ny olona. Dia ireny i Datana sy Abirama fa nivoaka ka nijoro teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolainy, niaraka tamin\u2019ny vadiny sy ny zanany ary ny zanany kely.",
        "28": "Hoy i Mosesy avy eo: \u201cIzao no hahafantaranareo fa i Jehovah no naniraka ahy hanao an\u2019ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy hoe sitrapoko fotsiny:",
        "29": "Raha hoatran\u2019ny fomba ahafatesan\u2019ny olon-drehetra ihany ny fomba hahafatesan\u2019ireo olona ireo, ary raha sazy mitovy amin\u2019ny an\u2019ny olon-drehetra ihany ny sazy homena azy, dia tsy i Jehovah no naniraka ahy.",
        "30": "Fa raha zavatra miavaka be kosa no ataon\u2019i Jehovah amin\u2019ireo, ka misokatra ny tany sady mitelina an\u2019ireo miaraka amin\u2019izay ananany rehetra, ary midina velona any amin\u2019ny Fasana ireo, dia ho fantatrareo tokoa fa nanao tsinontsinona an\u2019i Jehovah ireo lehilahy ireo.\u201d",
        "31": "Vao avy niteny an\u2019izany rehetra izany izy, dia nitresaka ny tany nitsanganan\u2019izy ireo.",
        "32": "Dia nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany ary ny olona rehetra niaraka tamin\u2019i Kora. Natelin\u2019ny tany daholo koa ny fananan\u2019ireo olona ireo.",
        "33": "Dia nidina velona tany amin\u2019ny Fasana izy ireo, niaraka tamin\u2019izay nananany rehetra. Voasaron\u2019ny tany tao izy ireo ka ringana tsy ho anisan\u2019ny fiangonana intsony.",
        "34": "Ary nitsoaka daholo ny Israelita nanodidina teo, rehefa naheno azy ireo nikiakiaka. Hoy mantsy izy ireo: \u201cSao koa izahay hatelin\u2019ny tany eo!\u201d",
        "35": "Avy eo dia nisy afo nalefan\u2019i Jehovah ka nandevona an\u2019ireo 250 lahy nanatitra emboka manitra.",
        "36": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "37": "\u201cTeneno i Eleazara zanakalahin\u2019i Arona mpisorona mba haka an\u2019ireo fitondrana afo ireo avy ao anaty afo, satria masina ireo. Teneno koa izy hoe ataovy miparitaka lavidavitra ny vainafo.",
        "38": "Alaivo ny fitondrana afon\u2019ireny lehilahy maty noho ny fahotany ireny dia anamboary takelaka manify. Dia hapetaka eo amin\u2019ny alitara ireo, satria nentiny teo anatrehan\u2019i Jehovah ka masina. Hatao hampitandremana ny Israelita ireo takelaka manify ireo.\u2019\u201d",
        "39": "Nalain\u2019i Eleazara mpisorona \u00e0ry ny fitondrana afo varahina nentin\u2019ireny olona kilan\u2019ny afo ireny. Dia nokapokapohiny izany ka nataony takelaka manify, dia napetany teo amin\u2019ny alitara,",
        "40": "araka izay notenenin\u2019i Jehovah taminy tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy. Natao hampahatsiahivana ny Israelita izany hoe tsy misy mahazo mandoro emboka manitra eo anatrehan\u2019i Jehovah ny olona tsy nahazo alalana sady tsy anisan\u2019ny taranak\u2019i Arona. Natao hampahatsiahivana ny Israelita koa izany hoe tsy misy olona tokony hanao hoatran\u2019ny nataon\u2019i Kora sy ny mpanohana azy.",
        "41": "Ny ampitson\u2019iny ihany, dia nimenomenona tamin\u2019i Mosesy sy Arona ny vahoakan\u2019Israely manontolo hoe: \u201cIanareo roa lahy ihany no nahafaty ny vahoakan\u2019i Jehovah!\u201d",
        "42": "Tamin\u2019ilay nivondrona hanohitra an\u2019i Mosesy sy Arona ny vahoaka, dia nitodika tany amin\u2019ny tranolay fihaonana izy ireo, dia io fa nanarona ny tranolay ny rahona, ary niseho ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "43": "Ary nankeo alohan\u2019ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona.",
        "44": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "45": "\u201cMial\u00e0 eo amin\u2019io vahoaka io, fa haringako ao anatin\u2019ny indray mipy maso ireo.\u201d Dia niankohoka tamin\u2019ny tany izy roa lahy.",
        "46": "Avy eo dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona: \u201cAlaivo ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin\u2019ny alitara ilay izy, ary asio emboka manitra eo amboniny. Dia mandehana haingana eny amin\u2019ny vahoaka mba handrakotra ny fahotan\u2019izy ireo, fa tezitra be i Jehovah. Efa nanomboka mantsy ny loza!\u201d",
        "47": "Tonga dia nalain\u2019i Arona \u00e0ry ilay izy, araka ny tenin\u2019i Mosesy, ka nihazakazaka nankeny amin\u2019 ny fiangonana izy. Dia io tokoa fa efa nanomboka namely ny vahoaka ny loza. Koa nasiany emboka manitra teo ambonin\u2019ilay fitondrana afo, ka nandrakotra ny fahotan\u2019ny vahoaka izy.",
        "48": "Nijoro teo anelanelan\u2019ny maty sy ny velona foana izy, dia nitsahatra ihany ny loza tamin\u2019ny farany.",
        "49": "Ary nahatratra 14\u00a0700 ny olona matin\u2019ilay loza, ankoatra an\u2019izay maty noho ny nataon\u2019i Kora.",
        "50": "Efa nitsahatra ilay loza vao niverina tany amin\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana i Arona."
    },
    "17": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cTeneno ny Israelita mba hanome tehina iray isaky ny fianakaviambe, avy amin\u2019ny mpiadidy ny fianakaviambe tsirairay, ka tehina 12 izy rehetra. Dia soraty eo amin\u2019ny tehiny avy ny anaran\u2019ny tsirairay.",
        "3": "Tokony hosoratanao eo amin\u2019ny tehin\u2019i Levy ny anaran\u2019i Arona, satria tehina iray ihany isaky ny lohan\u2019ny fianakaviambe.",
        "4": "Apetraho ao amin\u2019ny tranolay fihaonana ireo tehina ireo, ka ataovy eo anoloan\u2019ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, eo amin\u2019ilay isehoako aminao foana.",
        "5": "Ary hitsimoka ny tehin\u2019izay lehilahy hofidiko, ka hatsahatro ny fimenomenonan\u2019ny Israelita, izay mimenomenona amiko sy aminareo koa.\u201d",
        "6": "Dia niteny tamin\u2019ny Israelita i Mosesy, ka samy nanome azy tehina iray avy isaky ny fianakaviambe ny mpiadidy rehetra, dia tehina 12. Teo koa ny tehin\u2019i Arona.",
        "7": "Dia napetrak\u2019i Mosesy teo anatrehan\u2019i Jehovah, tao amin\u2019ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, ireo tehina ireo.",
        "8": "Rehefa nankao amin\u2019ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona i Mosesy ny ampitson\u2019iny, dia io fa efa nitsimoka ny tehin\u2019i Arona, ilay an\u2019ny taranak\u2019i Levy. Nitsimoka ilay izy ka nisy felany sy voan\u2019amandy efa masaka.",
        "9": "Ary navoakan\u2019i Mosesy avy teo anatrehan\u2019i Jehovah daholo ireo tehina ireo, ka nentiny teo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo. Dia nijery an\u2019ireo tehina ny olona, ka samy naka ny tehiny ny lehilahy tsirairay.",
        "10": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAvereno eo anoloan\u2019ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona ny tehin\u2019i Arona, fa hotehirizina eo izy io ho fampitandremana ho an\u2019izay zatra mikomy, mba tsy himenomenona amiko intsony izy ireo, ka tsy ho faty.\u201d",
        "11": "Tonga dia nataon\u2019i Mosesy izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah azy. Izany mihitsy no nataony.",
        "12": "Ary hoy ny Israelita tamin\u2019i Mosesy: \u201cHo faty izao izahay! Tena ho ringana mihitsy izahay! Ho ringana daholo!",
        "13": "Fa ho faty izay manakaikikaiky ny tranolain\u2019i Jehovah! Dia izahay ve izany dia ho faty daholo?\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Arona: \u201cIanao sy ny zanakao lahy ary ny fianakaviambenao no ho tompon\u2019andraikitra raha misy manao fahadisoana ka mandoto ny toerana masina, ary ianao sy ny zanakao lahy no ho tompon\u2019andraikitra raha misy manao fahadisoana mifandray amin\u2019ny asan\u2019ny mpisorona.",
        "2": "Asaivo mankeo aminao ny rahalahinao avy amin\u2019ny fokon\u2019i Levy, dia ny fokon\u2019ny razambenao, mba hiara-miasa aminao sy hanampy anao sy ny zanakao lahy, eo anoloan\u2019ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.",
        "3": "Ary hanao ny andraikiny aminao sy amin\u2019ny tranolay manontolo ry zareo. Tsy mahazo manakaiky ny fitaovan\u2019ny toerana masina sy ny alitara anefa izy ireo, sao ho faty na ry zareo na ianareo.",
        "4": "Ary hiara-miasa aminao izy ireo, ka hanao ny andraikiny mifandray amin\u2019ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra ao amin\u2019ny tranolay. Tsy misy mahazo manakaiky anareo ny olona tsy nahazo alalana.",
        "5": "Ataovy ny andraikitrareo amin\u2019ny toerana masina sy ny alitara, mba tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely intsony aho.",
        "6": "Efa nalaiko avy teo amin\u2019ny Israelita ny Levita rahalahinareo, mba ho fanomezana ho anareo. Ho an\u2019i Jehovah izy ireo ary hanao ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "7": "Manana adidy amin\u2019ny alitara sy izay ao ambadiky ny ridao ianareo mpisorona, ka ianao sy ny zanakao lahy no miandraikitra an\u2019izany. Hataoko fanomezana ho anareo ny asan\u2019ny mpisorona, ary hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manatona eo.\u201d",
        "8": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Arona: \u201cIzaho mihitsy no manendry anao hiandraikitra an\u2019ireo fanomezana omena ahy. Omeko amin\u2019ny zava-masina rehetra omen\u2019ny Israelita ianao sy ny zanakao lahy, ka ho anjaranareo foana izany.",
        "9": "Ireto avy no ho anao amin\u2019ny fanatitra masina indrindra atao anaty afo: Izay fanatitra rehetra hatolony ho ahy, anisan\u2019izany ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanatitra noho ny heloka. Zavatra masina indrindra ho anao sy ho an\u2019ny zanakao lahy izany.",
        "10": "Ao amin\u2019ny toerana tena masina ianao no hihinana an\u2019izany, ka ny lehilahy rehetra aminareo no mahazo mihinana an\u2019ilay izy. Ho zava-masina ho anao izany.",
        "11": "Anao koa ny fanomezana omen\u2019ny Israelita sy ny fanatitra ahetsiketsika rehetra ataony. Efa nomeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izany, mba ho anjaranareo foana. Mahazo mihinana an\u2019izany izay rehetra madio ao amin\u2019ny ankohonanao.",
        "12": "\u201cOmeko anao ny tsara indrindra amin\u2019ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha, izany hoe ny voaloham-bokatra omeny an\u2019i Jehovah.",
        "13": "Ho anao ny voaloham-bokatra rehetra avy amin\u2019ny taniny hoentiny ho an\u2019i Jehovah. Mahazo mihinana an\u2019izany izay rehetra madio ao amin\u2019ny ankohonanao.",
        "14": "\u201cHo anao izay zavatra voatokana rehetra eo amin\u2019ny Israely.",
        "15": "\u201cHo anao daholo koa ny voalohan-teraka amin\u2019ny zavamananaina rehetra hatolony ho an\u2019i Jehovah, na olona izany na biby. Tsy maintsy havotanao anefa ny voalohan-teraky ny olona, ary havotanao koa ny voalohan-teraky ny biby maloto.",
        "16": "Izay iray volana no ho miakatra no havotanao, ka ny vola hanavotana azy dia ny vidiny anombanana azy, izany hoe volafotsy dimy sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina. Ny iray sekely dia 20 gera.",
        "17": "Ny lahy voalohan-teraky ny omby na ondry na osy ihany no tsy havotanao fa masina. Hafafinao eo ambony alitara ny rany, ary hodoranao ny taviny mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "18": "Ho anao ny nofony, toy ny tratrany izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny ankavanana.",
        "19": "Ny fanomezana masina rehetra izay homen\u2019ny Israelita an\u2019i Jehovah, dia efa nomeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy. Ho anjaranareo foana izany. Fifanekena maharitra ataon\u2019i Jehovah aminao sy ny taranakao izany.\u201d",
        "20": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Arona: \u201cTsy hanana lova ao amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo ianao, ary tsy hisy anjara taninao eo aminy. Fa izaho no anjaranao sy lovanao eo amin\u2019ny Israelita.",
        "21": "\u201cEfa nomeko ho lovan\u2019ny taranak\u2019i Levy ny ampahafolon-karena rehetra eo amin\u2019ny Israely, ho takalon\u2019ny fanompoana ataony, dia ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "22": "Tsy mahazo manakaiky ny tranolay fihaonana intsony ny vahoakan\u2019Israely, sao hanota ka ho faty.",
        "23": "Fa ny Levita no hanao ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ary izy ireo no hizaka ny vokatry ny fahadisoan\u2019ny vahoaka. Ary tokony hanaraka an\u2019izao fitsipika izao foana ianareo sy ny taranakareo fara aman-dimby: Tsy hahazo lova eo amin\u2019ny Israelita ny Levita.",
        "24": "Fa efa nomeko ho lovan\u2019ny Levita ny ampahafolon-karena omen\u2019ny vahoakan\u2019Israely ho fanomezana ho an\u2019i Jehovah. Izany no nilazako taminy hoe: \u2018Tsy hahazo lova eo amin\u2019ny Israelita izy ireo.\u2019\u201d",
        "25": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "26": "\u201cTeneno ny Levita hoe: \u2018Hahazo ny ampahafolon-karena avy amin\u2019ny Israelita ianareo, ary efa nomeko anareo ho lovanareo izany. Dia tokony hataonareo fanomezana ho an\u2019i Jehovah ny ampahafolony amin\u2019ilay ampahafolon-karena.",
        "27": "Hoheverina ho fanomezanareo izany, ka hoatran\u2019ny hoe voa avy eny amin\u2019ny famoloananareo ihany, na hoe divay na menaka avy amin\u2019ny famiazanareo ihany.",
        "28": "Amin\u2019izay ianareo dia hanao fanomezana ho an\u2019i Jehovah, avy amin\u2019ny ampahafolon-karena rehetra azonareo avy amin\u2019ny Israelita. Avy amin\u2019ireny no hakanareo fanomezana ho an\u2019i Jehovah, ka homenareo an\u2019i Arona mpisorona.",
        "29": "Hanao fanomezana isan-karazany ho an\u2019i Jehovah ianareo, ary ho zava-masina izany. Avy amin\u2019izay tsara indrindra amin\u2019ny fanomezana rehetra omena anareo no hanaovanareo an\u2019izany.\u2019",
        "30": "\u201cAry teneno ny Levita hoe: \u2018Rehefa manome ny tsara indrindra amin\u2019ireny ianareo, dia hoheverina hoatran\u2019ny hoe vokatra avy eny amin\u2019ny famoloananareo ihany izany, sy hoe divay na menaka avy amin\u2019ny famiazanareo ihany.",
        "31": "Mahazo mihinana an\u2019ireny any amin\u2019ny toerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo, satria ireny no karamanareo ho tambin\u2019ny fanompoanareo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "32": "Tsy fahotana ho anareo izany, rehefa ny tsara indrindra amin\u2019ireny no omenareo. Ary aza manazimbazimba ny zava-masina omen\u2019ny Israelita, sao ho faty ianareo.\u2019\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:",
        "2": "\u201cIzao no didy sy lal\u00e0na nomen\u2019i Jehovah: \u2018Asaivo itondran\u2019ny Israelita ombivavy mena iray ianao, dia ombivavy tsy misy kilema sy tsy manan-takaitra ary mbola tsy nitondra zioga.",
        "3": "Omeo an\u2019i Eleazara mpisorona ilay ombivavy, dia hoentiny any ivelan\u2019ny toby, ka hovonoina eo imasony.",
        "4": "Ary hakan\u2019i Eleazara mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ran\u2019ilay ombivavy, dia hafafiny impito tandrifin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "5": "Dia hodorana eo imasony ilay ombivavy. Hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, ary ny tainy.",
        "6": "Ary haka rantsankazo sedera sy hysopa ary kofehy mena midorehitra ilay mpisorona, dia hatsipiny ao amin\u2019ilay afo andoroana an\u2019ilay ombivavy izany.",
        "7": "Avy eo dia hanasa ny akanjony ilay mpisorona dia handro amin\u2019ny rano, izay vao mahazo miditra ao an-toby. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro anefa izy.",
        "8": "\u201c\u2018Ary hanasa ny akanjony amin\u2019ny rano ilay nandoro an\u2019ilay ombivavy, dia handro amin\u2019ny rano. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro anefa izy.",
        "9": "\u201c\u2018Ary hisy lehilahy anankiray madio hanangona ny lavenon\u2019ilay ombivavy, dia hapetrany eo amin\u2019ny toerana iray madio any ivelan\u2019ny toby ilay lavenona. Tokony hotehirizin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo ilay izy, mba hafangaro amin\u2019ny rano ampiasaina amin\u2019ny fanadiovana. Fanatitra noho ny ota ilay ombivavy.",
        "10": "Ary hanasa ny akanjony ilay nanangona ny lavenon\u2019ilay ombivavy. Haloto mandra-paharivan\u2019ny andro anefa izy. \u201c\u2018Fitsipika harahin\u2019ny Israelita sy ny vahiny mipetraka eo aminy foana izany.",
        "11": "Haloto fito andro izay mikasika fatin\u2019olona.",
        "12": "Hanadio ny vatany amin\u2019ilay rano fanadiovana izy amin\u2019ny andro fahatelo, ka hadio amin\u2019ny andro fahafito. Raha tsy manadio ny vatany anefa izy amin\u2019ny andro fahatelo, dia tsy hadio amin\u2019ny andro fahafito.",
        "13": "Izay mikasika fatin\u2019olona nefa tsy manadio ny vatany, dia mandoto ny tranolain\u2019i Jehovah. Tsy maintsy haringana tsy ho anisan\u2019ny firenen\u2019Israely izy. Mbola maloto izy, satria tsy nofafazana rano fanadiovana. Mbola haloto foana izy.",
        "14": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na harahina raha misy olona maty ao an-tranolay: Haloto fito andro izay miditra ao amin\u2019ilay tranolay sy izay olona efa tao.",
        "15": "Haloto koa izay fitoeran-javatra misokatra tsy misy sarony mifatotra aminy.",
        "16": "Haloto fito andro izay olona eny an-tsaha nikasika olona novonoina tamin\u2019ny sabatra na nikasika faty na taolam-paty na fasana.",
        "17": "Tokony hakana mba hanadiovana an\u2019ilay olona maloto ilay lavenon\u2019ny fanatitra noho ny ota izay efa nodorana. Hatao ao anaty vilia baolina ilay izy, dia horarahana rano nalaina avy amin\u2019ny rano mandeha.",
        "18": "Ary haka hysopa ny lehilahy anankiray madio, dia hatsobony ao amin\u2019ilay rano, ary hofafazany an\u2019ilay rano ny tranolay sy ny vilia baolina ary ny olona rehetra tao. Hofafazany an\u2019ilay izy koa izay nikasika taolam-paty na nikasika olona nisy namono na faty na fasana.",
        "19": "Ary hafafin\u2019ilay olona madio amin\u2019ilay olona maloto ilay rano, amin\u2019ny andro fahatelo sy amin\u2019ny andro fahafito, dia hodioviny ho afaka amin\u2019ny ota izy amin\u2019ny andro fahafito. Tokony hanasa ny akanjony izy avy eo, dia handro amin\u2019ny rano, ka hadio amin\u2019ny hariva.",
        "20": "\u201c\u2018Haringana tsy ho anisan\u2019ny fiangonana anefa izay olona maloto ka tsy manadio ny vatany. Nandoto ny toerana masin\u2019i Jehovah mantsy izy. Tsy nofafazana rano fanadiovana izy ka maloto.",
        "21": "\u201c\u2018Izao foana no fitsipika harahin\u2019izy ireo: Tokony hanasa ny akanjony ilay namafy ny rano fanadiovana. Ary haloto mandra-paharivan\u2019ny andro izay nikasika ny rano fanadiovana.",
        "22": "Haloto izay zavatra kasihin\u2019ilay olona maloto, ary haloto mandra-paharivan\u2019ny andro koa ilay olona mikasika an\u2019iny zavatra iny.\u2019\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Tamin\u2019ny volana voalohany, dia tonga tany an-tany efitr\u2019i Zina ny vahoakan\u2019Israely manontolo. Dia nipetraka tao Kadesy izy ireo. Tao i Miriama no maty sy nalevina.",
        "2": "Tsy nisy rano hosotroin\u2019ny vahoaka tamin\u2019izay, ka nitambatra hanohitra an\u2019i Mosesy sy Arona izy ireo.",
        "3": "Dia nila ady tamin\u2019i Mosesy ny olona hoe: \u201cNaleonay ihany maty niaraka tamin\u2019ny rahalahinay teo anatrehan\u2019i Jehovah!",
        "4": "Maninona ianareo no nitondra ny fiangonan\u2019i Jehovah tat\u1ef3 amin\u2019ity tany efitra ity, mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay at\u1ef3?",
        "5": "Ary maninona ianareo no nitondra anay niakatra avy tany Ejipta, ho at\u1ef3 amin\u2019ity toerana ratsy be ity? Tsy afaka mamboly izahay at\u1ef3, sady tsy maniry at\u1ef3 ny aviavy sy voaloboka ary ampongabendanitra. Tsy misy rano hosotroina koa at\u1ef3.\u201d",
        "6": "Dia niala teo anatrehan\u2019ny fiangonana i Mosesy sy Arona ka nankeo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ary niankohoka tamin\u2019ny tany. Dia niseho tamin\u2019izy ireo ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "7": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "8": "\u201cAlaivo ny tehinao, ary mandehana ianao sy Arona rahalahinao mamory ny vahoaka. Teneno eo imason\u2019ny vahoaka ny vatolampy mba hiboiboika rano. Dia hisy rano hivoaka avy amin\u2019ilay vatolampy, ka omeo rano hosotroina ny vahoaka sy ny biby fiompiny.\u201d",
        "9": "Nalain\u2019i Mosesy teo anatrehan\u2019i Jehovah \u00e0ry ilay tehina, araka ny didy nomeny azy.",
        "10": "Dia novorin\u2019i Mosesy sy Arona teo alohan\u2019ilay vatolampy ny fiangonana, ka hoy izy: \u201cHenoy izao, ry mpikomy! Angaha izahay tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy ato amin\u2019ity vatolampy ity?\u201d",
        "11": "Ary ningain\u2019i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin\u2019ny tehiny ilay vatolampy. Dia nisy rano be niboiboika, ka nisotro teo ny vahoaka sy ny biby fiompiny.",
        "12": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona: \u201cSatria ianareo tsy naneho finoana ahy sady tsy nanamasina ahy teo imason\u2019ny vahoakan\u2019Israely, dia tsy hitondra an\u2019ity fiangonana ity hiditra ao amin\u2019ilay tany homeko azy ianareo.\u201d",
        "13": "Io ilay rano tao Meriba, fa tao ny Israelita no nila ady tamin\u2019i Jehovah. Nasehony tamin\u2019izy ireo \u00e0ry hoe masina Izy.",
        "14": "Dia naniraka olona avy tao Kadesy i Mosesy mba ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Edoma, ka hilaza hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Israely rahalahinao: \u2018Hainao tsara ny fahoriana rehetra natrehinay.",
        "15": "Nankany Ejipta ny razambenay, ka nipetraka tany nandritra ny taona maro izahay. Dia nampijalin\u2019ny Ejipsianina izahay sy ny razambenay.",
        "16": "Nitaraina tamin\u2019i Jehovah izahay, tamin\u2019ny farany. Dia nihaino anay izy, ka naniraka anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Ejipta. Dia eto Kadesy izahay izao, eto amin\u2019ilay tan\u00e0na eto an-tsisin\u2019ny taninao.",
        "17": "Mba avelao handalo ao amin\u2019ny taninao re izahay\u00a0e! Tsy handeha eny amin\u2019ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin\u2019izay lavadrano ao. Fa ny Lalan\u2019ny Mpanjaka no handehananay, ary tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay, raha tsy efa tafavoaka ny taninao.\u2019\u201d",
        "18": "Hoy anefa i Edoma taminy: \u201cTsy mahazo mandalo ato amin\u2019ny taninay ianareo, sao dia hotsenaiko amin\u2019ny sabatra eo!\u201d",
        "19": "Dia hoy ny Israelita taminy: \u201cNy lalambe ange no hiakaranay\u00a0e! Raha misotro amin\u2019ny ranonao izahay sy ny biby fiompinay, dia haloanay ny vidiny. Handalo fotsiny izahay.\u201d",
        "20": "Hoy ihany anefa i Edoma: \u201cEfa hoe tsy mahazo mandalo ianareo!\u201d Dia nivoaka nitsena azy ireo i Edoma, niaraka tamin\u2019ny vahoaka be sy tafika mahery.",
        "21": "Tsy navelan\u2019i Edoma handalo tao amin\u2019ny taniny \u00e0ry ny Israelita, ka nivily lalana.",
        "22": "Ary niala tao Kadesy ny vahoakan\u2019Israely manontolo, ka tonga teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora.",
        "23": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona, teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora, teo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Edoma:",
        "24": "\u201cHangonina any amin\u2019ny razambeny i Arona. Tsy hiditra ao amin\u2019ilay tany homeko ny Israelita izy, satria nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo roa lahy, teo amin\u2019ny rano tao Meriba.",
        "25": "Alaivo i Arona sy Eleazara zanany lahy, dia ento miakatra eny amin\u2019ny Tendrombohitra Hora.",
        "26": "Esory ny akanjon\u2019i Arona, dia ampanaovy an\u2019i Eleazara zanany lahy, fa ho faty eo i Arona.\u201d",
        "27": "Dia nataon\u2019i Mosesy izay nasain\u2019i Jehovah nataony, ka niakatra teny amin\u2019ny Tendrombohitra Hora teo imason\u2019ny vahoaka manontolo izy ireo.",
        "28": "Avy eo dia nesorin\u2019i Mosesy ny akanjon\u2019i Arona, ka nampanaoviny an\u2019i Eleazara zanany lahy. Dia maty teo an-tampon\u2019ilay tendrombohitra i Arona. Ary nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy sy Eleazara.",
        "29": "Rehefa fantatry ny vahoaka manontolo fa maty i Arona, dia nitomany an\u2019i Arona 30\u00a0andro ny taranak\u2019Israely manontolo."
    },
    "21": {
        "1": "Ary henon\u2019ilay Kananita mpanjakan\u2019i Arada nipetraka tany Negeba fa efa eny amin\u2019ny lalana mankany Atarima ny Israely. Dia notafihiny izy ireo ka nentiny ho babo ny sasany.",
        "2": "Koa nivoady tamin\u2019i Jehovah ny Israely hoe: \u201cRaha ataonao resinay io firenena io, dia tsy maintsy horavanay ny tan\u00e0nany.\u201d",
        "3": "Nohenoin\u2019i Jehovah \u00e0ry ny Israely ka nataony resin\u2019izy ireo ny Kananita. Dia naringan\u2019izy ireo ny Kananita sy ny tan\u00e0nany. Koa nataon\u2019izy ireo hoe Horma ny anaran\u2019ilay toerana.",
        "4": "Niala teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora izy ireo avy eo, ka nanohy ny diany nanaraka an\u2019ilay lalana mankany amin\u2019ny Ranomasina Mena mba tsy handalo eo amin\u2019ny tanin\u2019i Edoma. Dia nanomboka leo an\u2019ilay dia ny vahoaka.",
        "5": "Ary nanome tsiny an\u2019Andriamanitra sy Mosesy foana ny vahoaka hoe: \u201cFa maninona ianareo no nitondra anay niakatra avy tany Ejipta mba ho faty at\u1ef3 amin\u2019ity tany efitra ity? Tsy misy sakafo at\u1ef3 na rano, sady efa maharikoriko anay itony mofo tsisy ilana azy itony.\u201d",
        "6": "Dia nandefa bibilava misy poizina teo amin\u2019ny vahoaka i Jehovah. Nokaikerin\u2019ireny ny Israelita, ka be dia be no maty.",
        "7": "Nankany amin\u2019i Mosesy \u00e0ry ny vahoaka ka niteny hoe: \u201cEfa nanota izahay, satria nanome tsiny anao sy Jehovah. Aleo re ianao mba mifona amin\u2019i Jehovah ho anay\u00a0e! Dia mba hesoriny any ireo bibilava ireo.\u201d Ary nifona ho an\u2019ny vahoaka i Mosesy.",
        "8": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cManamboara sarivongana bibilava misy poizina, dia ataovy eo amin\u2019ny tsato-kazo ilay izy. Amin\u2019izay rehefa misy voakaikitra dia hijery an\u2019ilay bibilava izy ka tsy ho faty.\u201d",
        "9": "Tonga dia nanamboatra bibilava varahina i Mosesy, dia nataony teo amin\u2019ny tsato-kazo ilay izy. Koa isaky ny nisy olona voakaikitra ka nijery an\u2019ilay bibilava varahina, dia tsy maty.",
        "10": "Taorian\u2019izay dia niainga ny Israelita ka nitoby tao Obota.",
        "11": "Niala tao Obota indray izy ireo ka nitoby tao Ie-abarima, tany amin\u2019ilay tany efitra tandrifin\u2019i Moaba, any atsinanana.",
        "12": "Ary niala teo izy ireo ka nitoby teo akaikin\u2019ny Lohasahan\u2019i Zareda.",
        "13": "Dia niala teo indray izy ireo ka nitoby tao amin\u2019ny faritr\u2019i Arnona, izay tany an-tany efitra. Nanomboka teo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Amorita io tany efitra io. Fa i Arnona no sisin-tanin\u2019i Moaba, teo anelanelan\u2019i Moaba sy ny tanin\u2019ny Amorita.",
        "14": "Izany no mahatonga an\u2019ilay bokin\u2019ny Adin\u2019i Jehovah hiresaka momba an\u2019i \u201cVaheba any Sofa, sy ny lohasahan\u2019i Arnona,",
        "15": "ary ilay fidinana ao amin\u2019ny lohasaha, izany hoe ilay fidinana tonga hatrany amin\u2019ilay tan\u00e0na kely atao hoe Ara, sady manakaiky ny sisin-tanin\u2019i Moaba.\u201d",
        "16": "Dia lasa nankany Bera izy ireo. Teo amin\u2019io lavadrano io i Jehovah no niteny tamin\u2019i Mosesy hoe: \u201cVorio ny vahoaka fa homeko rano.\u201d",
        "17": "Dia nihira an\u2019izao hira izao ny Israely tamin\u2019izay fotoana izay: \u201cHiboiboika anie ny ranonao, ry lavadrano! Valio izy\u00a0e!",
        "18": "Io ilay lavadrano nolavahan\u2019ny andriana! Ny olona ambony tamin\u2019ny vahoaka no nandavaka azy, Tamin\u2019ny tehim-pahefana sy tamin\u2019ny tehin-dry zareo ihany.\u201d Avy eo dia niala tany an-tany efitra izy ireo ka nankany Matana.",
        "19": "Avy tao Matana indray izy ireo dia nankany Nahaliela, ary avy tao Nahaliela dia nankany Bamota.",
        "20": "Avy tao Bamota kosa izy ireo dia nankany amin\u2019ilay lohasaha teo amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba, teo an-tampon\u2019i Pisga, izay mahatazana an\u2019i Jesimona.",
        "21": "Ary naniraka olona nankany amin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita ny Israely, hiteny hoe:",
        "22": "\u201cAvelao izahay handalo ao amin\u2019ny taninao. Tsy hivily ho eny amin\u2019ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin\u2019izay lavadrano ao. Fa ny Lalan\u2019ny Mpanjaka no handehananay, mandra-pahatafavoakanay ny taninao.\u201d",
        "23": "Tsy navelan\u2019i Sihona handalo tao amin\u2019ny taniny anefa ny Israely. Nangoniny daholo kosa ny vahoakany, dia nivoaka hiady tamin\u2019ny Israely tany an-tany efitra izy. Ary tonga tao Jahaza izy ka niady tamin\u2019ny Israely.",
        "24": "Resin\u2019ny Israely anefa izy ka novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny mponina tao. Dia nalain\u2019ny Israely ny taniny, hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, teo akaikin\u2019ny Amonita. I Jazera mantsy no sisin-tanin\u2019ny Amonita.",
        "25": "Nalain\u2019ny Israely daholo \u00e0ry ireny tan\u00e0na ireny. Dia nipetrahan\u2019izy ireo daholo ny tan\u00e0nan\u2019ny Amorita, izany hoe Hesbona sy ny tan\u00e0na rehetra niankina taminy.",
        "26": "Fa i Hesbona no tan\u00e0nan\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita. Efa niady tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Moaba izy taloha, ka nalainy daholo ny tanin\u2019io mpanjaka io, hatrany Arnona.",
        "27": "Izany no nahatonga an\u2019ilay tononkalo fanesoana hoe: \u201cTongava any Hesbona. Aleo hamboarina ny tan\u00e0nan\u2019i Sihona ka hatao mafy orina.",
        "28": "Fa nisy afo avy tao Hesbona, nisy lelafo avy tao an-tan\u00e0nan\u2019i Sihona, Ka nandevona an\u2019i Aran\u2019i Moaba, dia ny tompon\u2019ny toerana avo any Arnona.",
        "29": "Hahita loza ianao, ry Moaba! Ho ringana ianareo, ry vahoakan\u2019i Kemosy! Tsy ho afa-manoatra izy mahita ny zanany lahy mandositra, sy mahita ny zanany vavy entin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita ho babo.",
        "30": "Andao hotafihintsika ireo. Ho rava hatrany Dibona i Hesbona. Andao hataontsika tsy misy mponina intsony io tan\u00e0na io, hatrany Nofa. Dia hisy afo hitatra hatrany Medeba.\u201d",
        "31": "Nipetraka tao amin\u2019ny tanin\u2019ny Amorita \u00e0ry ny Israely.",
        "32": "Ary nandefa lehilahy hitsikilo tany Jazera i Mosesy. Dia azon\u2019izy ireo ny tan\u00e0na niankina tamin\u2019i Jazera, ka noroahiny ny Amorita tao.",
        "33": "Nivily lalana izy ireo avy eo, ka niakatra nanaraka an\u2019ilay Lalan\u2019i Basana. Dia nivoaka hiady tamin\u2019izy ireo tao Edrehy i Oga mpanjakan\u2019i Basana sy ny tafiny manontolo.",
        "34": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAza matahotra azy fa hataoko resinao izy sy ny tafiny manontolo ary homeko anao ny taniny. Hataonao hoatran\u2019i Sihona izy, dia ilay mpanjakan\u2019ny Amorita nipetraka tao Hesbona.\u201d",
        "35": "Dia nasian\u2019izy ireo izy sy ny zanany lahy ary ny tafiny manontolo, ka nataony tsy nisy niangana na iray aza. Dia nalain\u2019izy ireo ny taniny."
    },
    "22": {
        "1": "Dia niainga ny Israelita ka nitoby teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, teny ampitan\u2019i Jordana sady tandrifin\u2019i Jeriko.",
        "2": "Ary henon\u2019i Balaka zanak\u2019i Zipora ny zava-drehetra nataon\u2019ny Israely tamin\u2019ny Amorita.",
        "3": "Dia natahotra be ny Moabita satria vahoaka be ny Israelita. Koa nitebiteby be ny Moabita noho ny amin\u2019ny Israelita.",
        "4": "Ary hoy ny Moabita tamin\u2019ny anti-panahin\u2019ny Midianina: \u201cHataon\u2019io vahoaka io ripaka daholo izao ny manodidina antsika, hoatran\u2019ny andripahan\u2019ny omby ny ahitra rehetra eny an-tsaha.\u201d I Balaka zanak\u2019i Zipora no mpanjakan\u2019i Moaba tamin\u2019izany fotoana izany.",
        "5": "Ary nisy olona nirahiny ho any amin\u2019i Balama zanak\u2019i Beora, izay nipetraka tany amin\u2019ny tanindrazany tany Petora, teo amoron\u2019ilay Renirano. Nampiantso azy i Balaka sady niteny hoe: \u201cMisy vahoaka iray izay, nivoaka avy tany Ejipta ka mandrakotra ny tany, ary mipetraka tandrifiko mihitsy izao ry zareo.",
        "6": "Koa mba tongava re at\u1ef3\u00a0e! Dia oz\u00f2ny io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy. Amin\u2019izay aho mety handresy azy dia handroaka azy hiala eto amin\u2019ny taniko. Fantatro tsara mantsy hoe izay tsofinao rano dia tena mahazo fitahiana, fa izay ozoninao kosa dia tena voaozona.\u201d",
        "7": "Koa nandeha ny anti-panahin\u2019i Moaba sy ny anti-panahin\u2019ny Midianina, ka nitondra ny vola haloa amin\u2019ny mpanao sikidy. Dia nankany amin\u2019i Balama izy ireo ka nolazainy taminy ny tenin\u2019i Balaka.",
        "8": "Dia hoy i Balama tamin\u2019ireo: \u201cMatoria eto anio alina, dia hoteneniko anareo izay holazain\u2019i Jehovah amiko.\u201d Koa nijanona tao amin\u2019i Balama ireo andrianan\u2019i Moaba ireo.",
        "9": "Avy eo dia nankeo amin\u2019i Balama Andriamanitra, ka niteny hoe: \u201cIza ireo lehilahy ato aminao ireo?\u201d",
        "10": "Dia hoy i Balama tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cOlona nirahin\u2019i Balaka zanak\u2019i Zipora, mpanjakan\u2019i Moaba, hankat\u1ef3 amiko ireo, hilaza hoe:",
        "11": "\u2018Mandrakotra ny tany ilay vahoaka nivoaka avy tany Ejipta. Koa tongava at\u1ef3 ka oz\u00f2ny ireo. Amin\u2019izay mba mety ho vitako ny hiady aminy sy handroaka azy.\u2019\u201d",
        "12": "Hoy anefa Andriamanitra tamin\u2019i Balama: \u201cAza mandeha miaraka amin\u2019ireo, ary aza manozona an\u2019io vahoaka io, fa mitahy azy ireo aho.\u201d",
        "13": "Ary nifoha maraina i Balama ka niteny tamin\u2019ireo andrianan\u2019i Balaka hoe: \u201cModia any amin\u2019ny taninareo, fa tsy avelan\u2019i Jehovah hiaraka aminareo aho.\u201d",
        "14": "Koa lasa niverina tany amin\u2019i Balaka ireo andrianan\u2019i Moaba ireo, ka nilaza hoe: \u201cTsy nety niaraka taminay i Balama.\u201d",
        "15": "Naniraka andriana hafa indray anefa i Balaka, dia andriana maro kokoa sy manan-kaja kokoa noho ny teo aloha.",
        "16": "Dia tonga tany amin\u2019i Balama ireo ka nilaza hoe: \u201cNiteny i Balaka zanak\u2019i Zipora hoe: \u2018Mba aza avela hisy zavatra hanakantsakana anao tsy ho tonga at\u1ef3 amiko re\u00a0e!",
        "17": "Fa homeko voninahitra miavaka be ianao, dia hataoko daholo izay asainao ataoko. Koa mba tongava re at\u1ef3 dia oz\u00f2ny io vahoaka io\u00a0e!\u2019\u201d",
        "18": "Hoy anefa i Balama tamin\u2019ny mpanompon\u2019i Balaka: \u201cNa omen\u2019i Balaka ahy aza ny tranony feno volafotsy sy volamena, dia tsy misy na inona na inona azoko atao, na kely izany na lehibe, afa-tsy izay asain\u2019i Jehovah Andriamanitro ataoko ihany.",
        "19": "Miangavy anareo koa anefa aho mba hijanona eto anio alina. Amin\u2019izay ho fantatro hoe inona no mbola holazain\u2019i Jehovah amiko.\u201d",
        "20": "Ary nankeo amin\u2019i Balama Andriamanitra ny alin\u2019iny, ka niteny hoe: \u201cRaha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mandehana miaraka aminy, fa izay holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.\u201d",
        "21": "Dia nifoha maraina i Balama ka nasiany lasely ny ampondrany, dia nandeha niaraka tamin\u2019ireo andrianan\u2019i Moaba ireo izy.",
        "22": "Tezitra be anefa Andriamanitra fa nandeha i Balama. Ary nisy anjelin\u2019i Jehovah nijanona teo an-dalana mba hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany i Balama tamin\u2019izay, ary niaraka taminy ny mpanompony anankiroa.",
        "23": "Hitan\u2019ilay ampondra ilay anjelin\u2019i Jehovah nijanona teo an-dalana, sady nitana sabatra efa voatsoaka avy tao anaty tranony. Dia nitady hivily tany anaty saha ilay ampondra, nefa nokapohin\u2019i Balama mba hiverina teo amin\u2019ilay lalana.",
        "24": "Avy eo dia nijoro teo amin\u2019ny lalana tery kely, teo anelanelan\u2019ny tanimboaloboka roa, ilay anjelin\u2019i Jehovah. Nisy fefy vato teo amin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019ilay lalana.",
        "25": "Rehefa hitan\u2019ilay ampondra ilay anjelin\u2019i Jehovah, dia nisisika nitampify teo amin\u2019ilay fefy ilay ampondra ka tery tao ny tongotr\u2019i Balama. Dia nokapohin\u2019i Balama indray izy.",
        "26": "Nandroso indray ilay anjelin\u2019i Jehovah dia nijoro teo amin\u2019ny toerana tery, ka tsy nisy nahafahana nivily niankavanana na niankavia mihitsy.",
        "27": "Rehefa hitan\u2019ilay ampondra ilay anjelin\u2019i Jehovah, dia nipetraka ilay ampondra nefa i Balama mbola nitaingina azy. Dia tezitra i Balama, ka vao mainka nokapohiny tamin\u2019ny tehiny ilay ampondra.",
        "28": "Farany, dia nampitenenin\u2019i Jehovah ilay ampondra, ka niteny tamin\u2019i Balama hoe: \u201cFa inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho?\u201d",
        "29": "Dia hoy i Balama: \u201cK\u2019ianao manadala ahy! Raha nisy sabatra tet\u1ef3 an-tanako, dia efa matiko ianao!\u201d",
        "30": "Ary hoy ilay ampondra tamin\u2019i Balama: \u201cAngaha tsy efa izaho foana ny ampondra fitaingenanao hatrizay niainanao ka hatramin\u2019izao? Dia efa nanao hoatr\u2019izao taminao ve aho?\u201d Hoy izy: \u201cMbola tsy nanao!\u201d",
        "31": "Dia nosokafan\u2019i Jehovah ny mason\u2019i Balama, ka hitany ilay anjelin\u2019i Jehovah nijoro teo an-dalana sady nitana sabatra efa voatsoaka avy tao anaty tranony. Dia niondrika avy hatrany izy ka niankohoka.",
        "32": "Ary hoy ilay anjelin\u2019i\u00a0Jehovah taminy: \u201cFa maninona no nokapohinao intelo ny ampondranao? Izaho mihitsy izao no nivoaka hisakana anao, satria mifanipaka tanteraka amin\u2019ny sitrapoko ny zavatra ataonao.",
        "33": "Nahita ahy anefa io ampondra io dia nitady hiala ahy intelo. Fa raha tsy niala ahy izy, dia efa matiko ianao, fa izy kosa navelako ho velona ihany.\u201d",
        "34": "Dia hoy i Balama tamin\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah: \u201cEfa nanota aho, fa tsy fantatro hoe ianao no nijoro teo amin\u2019ny lalana teo mba hisakana ahy. Koa raha tsy mahafaly anao izao ataoko izao, dia hiverina aho.\u201d",
        "35": "Hoy anefa ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Balama: \u201cMandehana miaraka amin\u2019ireo olona ireo, fa izay teny holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.\u201d Koa nanohy ny diany niaraka tamin\u2019ny andrianan\u2019i Balaka i Balama.",
        "36": "Rehefa henon\u2019i Balaka hoe tonga i Balama, dia tonga dia nivoaka hitsena azy tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Moaba izy, teo amoron\u2019i Arnona, teo amin\u2019ny sisin-taniny.",
        "37": "Ary hoy i Balaka taminy: \u201cManinona ianao no tsy tonga tat\u1ef3 amiko tamin\u2019izaho naniraka olona hiantso anao? Nieritreritra angaha ianao hoe tsy ho vitako ny manome voninahitra anao?\u201d",
        "38": "Dia hoy i Balama: \u201cEfa tonga eto aminao aho izao. Tsy mahazo miteny an\u2019izay tiako anefa aho, fa izay asain\u2019Andriamanitra teneniko ihany no azoko tenenina.\u201d",
        "39": "Koa niaraka tamin\u2019i Balaka i Balama, ka tonga tao Kiriata-hozota izy ireo.",
        "40": "Ary nanao sorona omby aman\u2019ondry i Balaka, ka nisy hena nampanateriny tany amin\u2019i Balama sy ireo andriana niaraka taminy.",
        "41": "Ny ampitso maraina, dia nalain\u2019i Balaka i Balama ka nentiny niakatra nankeo Bamota-bala. Teo izy no nahatazana an\u2019ilay vahoaka manontolo."
    },
    "23": {
        "1": "Ary hoy i Balama tamin\u2019i Balaka: \u201cManorena alitara fito eto amin\u2019ity toerana ity, dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.\u201d",
        "2": "Tonga dia nataon\u2019i Balaka izay nolazain\u2019i Balama. Dia nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin\u2019ny alitara tsirairay izy roa lahy.",
        "3": "Ary hoy i Balama tamin\u2019i Balaka: \u201cMijan\u00f2na eto akaikin\u2019ny fanatitra dorana natolotrao eto, fa handeha kely aho. Angamba hiresaka amiko i Jehovah, dia hoteneniko anao izay ampahafantariny ahy.\u201d Dia nankeo amin\u2019ny havoana iray mangadihady izy.",
        "4": "Dia nifandray tamin\u2019i Balama Andriamanitra, ka hoy i Balama taminy: \u201cEfa nalahatro ny alitara fito, dia efa nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin\u2019ny alitara tsirairay aho.\u201d",
        "5": "Ary notenenin\u2019i Jehovah an\u2019i Balama izay tokony holazainy, ka hoy izy taminy: \u201cMiverena any amin\u2019i Balaka, dia lazao aminy izany.\u201d",
        "6": "Dia niverina izy, ary hitany nijoro teo akaikin\u2019ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ny andrianan\u2019i Moaba rehetra.",
        "7": "Ary nanao an\u2019izao oha-pitenenana izao i Balama: \u201cNalain\u2019i Balaka mpanjakan\u2019i Moaba avy any Arama aho, Avy any amin\u2019ny tendrombohitra any atsinanana, ka hoy izy: \u2018Tongava at\u1ef3 hanozona an\u2019i Jakoba. Tongava at\u1ef3 hanameloka an\u2019i Israely.\u2019",
        "8": "Ataoko ahoana anefa ny hanozona an\u2019izay tsy nozonin\u2019Andriamanitra? Ary ataoko ahoana ny hanameloka an\u2019izay tsy nomelohin\u2019i Jehovah?",
        "9": "Avy eto an-tampon\u2019ny harambato aho no mahita azy ireo, Ary avy eto amin\u2019ny havoana no mahatazana azy. Vahoaka mitoka-monina izy, Sady tsy mihevitra ny tenany ho anisan\u2019ireo firenena.",
        "10": "Iza no mahavita manisa ny vahoakan\u2019i Jakoba, izay be dia be hoatran\u2019ny vovoka, Na mahavita manisa na dia ny ampahefatry ny Israely fotsiny aza? Aleo aho ho faty hoatran\u2019ny ahafatesan\u2019ny olo-marina, Ary enga anie hitovy amin\u2019ny hiafarany no hiafarako!\u201d",
        "11": "Dia hoy i Balaka tamin\u2019i Balama: \u201cFa inona ity ataonao amiko? Nentiko at\u1ef3 ianao mba hanozona ny fahavaloko, nefa vao mainka indray ianao mitso-drano azy!\u201d",
        "12": "Dia hoy i Balama: \u201cTsy izay asain\u2019i Jehovah lazaiko ihany angaha no lazaiko?\u201d",
        "13": "Ary hoy i Balaka taminy: \u201cAndao re hifindra any an-toeran-kafa hahitanao an-dry zareo koa\u00a0e! Ny sasany amin-dry zareo ihany no ho hitanao, fa tsy izy rehetra. Dia oz\u00f2ny ry zareo rehefa any ianao.\u201d",
        "14": "Koa nentiny nankeo amin\u2019ny sahan\u2019i Zofima teo an-tampon\u2019i Pisga i Balama. Dia nanorina alitara fito i Balaka, ary nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin\u2019ny alitara tsirairay.",
        "15": "Ary hoy i Balama taminy: \u201cMijan\u00f2na eto akaikin\u2019ny fanatitra dorana natolotrao eto, fa izaho handeha etsy mba hifandray amin\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "16": "Ary nifandray tamin\u2019i Balama i Jehovah ka noteneniny azy izay tokony holazainy. Dia hoy izy taminy: \u201cMiverena eny amin\u2019i Balaka, dia lazao aminy izany.\u201d",
        "17": "Koa nankeo amin\u2019i Balaka izy, ary hitany fa efa niandry teo akaikin\u2019ny fanatitra dorana natolony i Balaka sy ireo andrianan\u2019i Moaba. Ary hoy i Balaka tamin\u2019i Balama: \u201cInona, hono, no nolazain\u2019i Jehovah?\u201d",
        "18": "Dia nanao an\u2019izao oha-pitenenana izao i Balama: \u201cMitsang\u00e0na, ry Balaka, ka mihainoa. Henoy aho, ry zanak\u2019i Zipora\u00a0\u00f4!",
        "19": "Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga, Na zanak\u2019olombelona ka hiovaova hevitra. Tsy hotanterahiny ve izay nolazainy? Tsy hataony ve izay noteneniny?",
        "20": "Nantsoina aho mba hitso-drano. Nitso-drano Izy, ka tsy azoko ovana izany.",
        "21": "Tsy misy olona avelany hampiasa herin\u2019ny maizina hamelezana an\u2019i Jakoba, Ary tsy avelany hisy loza hanjo ny Israely. Manampy azy i Jehovah Andriamaniny, Ary ankalazain\u2019izy ireo mafy Izy fa mpanjakany.",
        "22": "Entin\u2019Andriamanitra mivoaka avy any Ejipta izy ireo, Ary toy ny tandrok\u2019ombidia miaro azy ireo Izy.",
        "23": "Fa tsy mandaitra amin\u2019i Jakoba ny fambara ratsy, Ary tsy mandaitra amin\u2019i Israely ny sikidy. Izao \u00e0ry no azo lazaina momba an\u2019i Jakoba sy Israely amin\u2019izao: \u2018Jereo ny zava-bitan\u2019Andriamanitra!\u2019",
        "24": "Io misy firenena! Hitsangana hoatran\u2019ny liona izy. Hijoro toy ny liona izy, Ka tsy hatory raha tsy efa avy mihinana remby, Sy avy misotro ny ran\u2019izay novonoiny.\u201d",
        "25": "Dia hoy i Balaka tamin\u2019i Balama: \u201cRaha tsy afaka manozona azy mihitsy \u00e0ry ianao, dia aza mitso-drano azy!\u201d",
        "26": "Fa hoy i Balama: \u201cAngaha izaho tsy efa nilaza taminao hoe: \u2018Izay rehetra tenenin\u2019i Jehovah ihany no hataoko\u2019?\u201d",
        "27": "Ary hoy i Balaka: \u201cAndao re hoentiko ho any an-toeran-kafa indray ianao\u00a0e! Angamba any ianao no tian\u2019ilay tena Andriamanitra hanozona an-dry zareo.\u201d",
        "28": "Dia nentin\u2019i Balaka teo an-tampon\u2019i Peora izy, teo amin\u2019 ilay ahatazanana an\u2019i Jesimona.",
        "29": "Ary hoy i Balama tamin\u2019i Balaka: \u201cManorena alitara fito eto amin\u2019ity toerana ity, dia asio ombilahy fito sy ondrilahy fito efa vonona eto, fa ilaiko.\u201d",
        "30": "Dia nataon\u2019i Balaka izay nolazain\u2019i Balama, ka nanolotra ombilahy iray sy ondrilahy iray teo ambonin\u2019ny alitara tsirairay izy."
    },
    "24": {
        "1": "Rehefa hitan\u2019i Balama fa tian\u2019i Jehovah hahazo tsodrano ny Israely, dia tsy nandeha nitady fambara ratsy intsony izy. Dia nitodika tany an-tany efitra izy.",
        "2": "Ary niasa tamin\u2019i Balama ny fanahin\u2019Andriamanitra, tamin\u2019izy nitazana ka nahita an\u2019ireo Israelita nitoby araka ny fokony avy.",
        "3": "Dia nanao an\u2019izao oha-pitenenana izao izy: \u201cNy tenin\u2019i Balama zanak\u2019i Beora, Dia ny tenin\u2019ilay lehilahy nampahiratina ny masony.",
        "4": "Ny tenin\u2019ilay maheno ny tenin\u2019Andriamanitra, Sy nahazo fahitana avy tamin\u2019ilay Mahery Indrindra, Dia ilay niankohoka sady natao nahiratra ny masony:",
        "5": "Tsara tarehy er\u1ef3 ny tranolainao, ry Jakoba\u00a0\u00f4, Sy ny fonenanao, ry Israely\u00a0\u00f4!",
        "6": "Nitatra lavitra ireny, hoatran\u2019ny lohasaha, Hoatran\u2019ny zaridaina eo amoron\u2019ny renirano, Toy ny hazo aloesy nambolen\u2019i Jehovah, Ary toy ny hazo sedera eo amoron-drano.",
        "7": "Misy rano mikoriana foana avy ao anatin\u2019ny sininy roa, Ary afafy eny amoron\u2019ny rano be ny voany. Ho ambony noho i Agaga ny mpanjakany, Ary hasandratra ny fanjakany.",
        "8": "Entin\u2019Andriamanitra mivoaka avy any Ejipta i Israely, Ary toy ny tandrok\u2019ombidia miaro azy ireo Izy. Hataony ripaka ireo firenena mampijaly azy, Dia hokepokepohiny ny taolan\u2019ireny, ary ny zana-tsip\u00eckany no hamotipotehany an\u2019ireny.",
        "9": "Mipetraka ambany izy, ary mitsilailay hoatran\u2019ny liona, Toy ny liona izy, ka iza no sahy hanaitra azy? Mahazo fitahiana izay mitso-drano anao, Fa voaozona kosa izay manozona anao.\u201d",
        "10": "Dia tezitra be tamin\u2019i Balama i Balaka. Sady tezitra izy no nitehaka, dia niteny tamin\u2019i Balama hoe: \u201cNy hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, nefa vao mainka ianao nitso-drano azy intelo be izao.",
        "11": "Mandehana mody izao dia izao! Nieritreritra aho hoe homeko voninahitra miavaka be ianao, nefa nosakanan\u2019i Jehovah tsy hahazo an\u2019izany.\u201d",
        "12": "Dia hoy i Balama tamin\u2019i Balaka: \u201cKoa izaho efa niteny tamin\u2019ireny olona nirahinao ireny hoe:",
        "13": "\u2018Na omen\u2019i Balaka ahy aza ny tranony feno volafotsy sy volamena, dia tsy afaka manao izay tiako aho, na tsara izany na ratsy, afa-tsy izay asain\u2019i Jehovah ataoko ihany. Izay tenenin\u2019i Jehovah amiko ihany no hoteneniko\u2019!",
        "14": "Handeha hody any amin\u2019ny fireneko aho izao. Avia \u00e0ry fa hoteneniko anao izay hataon\u2019io firenena io amin\u2019ny firenenao any aoriana any.\u201d",
        "15": "Dia nanao an\u2019izao oha-pitenenana izao izy: \u201cNy tenin\u2019i Balama zanak\u2019i Beora, Dia ny tenin\u2019ilay lehilahy natao nahiratra ny masony,",
        "16": "Ny tenin\u2019ilay maheno ny tenin\u2019Andriamanitra, Sy manana ny fahalalana ananan\u2019ilay Avo Indrindra, Ary nahazo fahitana avy tamin\u2019ilay Mahery Indrindra, Tamin\u2019izy niankohoka sady natao nahiratra ny masony:",
        "17": "Hahita azy aho, nefa tsy izao dia izao, Hahatazana azy aho, nefa tsy ho ato ho ato. Hisy kintana hivoaka avy amin\u2019i Jakoba, Ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin\u2019i Israely. Tena hovakiny ny handrin\u2019i Moaba, Sy ny karandohan\u2019ny zanaka rehetra tia herisetra.",
        "18": "Ho lasan\u2019olona i Edoma, Ho lasan\u2019ny fahavalony i Seira, Fa ny Israely indray ho be herim-po.",
        "19": "Hisy mpandresy koa avy amin\u2019i Jakoba. Dia handringana an\u2019izay sisa mbola velona ao an-tan\u00e0na izy.\u201d",
        "20": "Rehefa nahita an\u2019i Amaleka izy, dia mbola nanao oha-pitenenana ihany hoe: \u201cI Amaleka no voalohany tamin\u2019ireo firenena, Saingy ho ringana izy amin\u2019ny farany.\u201d",
        "21": "Rehefa nahita ny Kenita izy, dia mbola nanao oha-pitenenana indray hoe: \u201cVoaro tsara ny tranonao, ary naorina teny amin\u2019ny harambato ny fonenanao.",
        "22": "Hisy handoro anefa i Kaina. Rahoviana vao hitondra anao ho babo i Asyria?\u201d",
        "23": "Ary mbola nanao oha-pitenenana ihany izy hoe: \u201cLoza! Iza no ho tafavoaka velona rehefa manao an\u2019izany Andriamanitra?",
        "24": "Hisy sambo ho tonga avy any amin\u2019ny morontsirak\u2019i Kitima, Dia hampijaly an\u2019i Asyria ireny, Sady hampijaly an\u2019i Ebera. Ho ringana tanteraka koa anefa izy.\u201d",
        "25": "Dia lasa niverina tany aminy i Balama. Dia lasa koa i Balaka."
    },
    "25": {
        "1": "Rehefa nipetraka tao Sitima ny Israely, dia nijangajanga tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Moaba ny olona.",
        "2": "Nasain\u2019ireo vehivavy ireo hiaraka aminy hanao sorona ho an\u2019ny andriamaniny ny olona. Nihinana \u00e0ry izy ireo, dia niankohoka tamin\u2019ny andriamanitr\u2019ireny.",
        "3": "Koa nanompo an\u2019i Balan\u2019i Peora ny Israely, ka tezitra be tamin\u2019izy ireo i Jehovah.",
        "4": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cSambory ny mpitarika rehetra eo amin\u2019ny vahoaka, dia ahant\u00f2ny eo anatrehan\u2019i Jehovah ny fatiny, ho hitan\u2019ny olona rehetra. Amin\u2019izay tsy ho tezitra be amin\u2019ny Israely intsony i Jehovah.\u201d",
        "5": "Hoy i Mosesy avy eo tamin\u2019ny mpitsaran\u2019ny Israely: \u201cSamia mamono an\u2019izay lehilahy eo ambany fahefany izay nanompo an\u2019i Balan\u2019i Peora!\u201d",
        "6": "Tamin\u2019izay mihitsy anefa no nisy Israelita anankiray nitondra vehivavy midianita nankeo amin\u2019ny rahalahiny, teo imason\u2019i Mosesy sy ny vahoakan\u2019Israely manontolo. Izy ireo anefa tamin\u2019izay mbola nitomany teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.",
        "7": "Vao nahita an\u2019izany i Finehasa zanak\u2019i Eleazara, zanak\u2019i Arona mpisorona, dia nitsangana avy teo amin\u2019ny vahoaka ary naka lefona.",
        "8": "Nanaraka an\u2019ilay lehilahy israelita nankao an-tranolay izy, dia nataony indray\u00a0nandefona ilay lehilahy israelita sy ilay vehivavy. Dia nilentika hatrany amin\u2019ny taovam-pananahan\u2019ilay vehivavy ilay lefona. Dia nitsahatra ilay loza nahazo ny Israelita.",
        "9": "Nahatratra 24 000 ny olona matin\u2019ilay loza.",
        "10": "Avy eo dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "11": "\u201cI Finehasa zanak\u2019i Eleazara, zanak\u2019i Arona mpisorona, no nahatonga ahy tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely intsony, satria tsy nilefitra mihitsy izy rehefa nisy nivadika tamiko tamin\u2019ilay vahoaka. Tsy naripako tanteraka \u00e0ry ny Israelita, na dia tiako aza hoe izaho irery ihany no tompoina.",
        "12": "Noho izany, dia teneno izy hoe: \u2018Manao fifanekena aminy aho satria ankasitrahako izy.",
        "13": "Manao fifanekena aminy aho fa hanao ny asan\u2019ny mpisorona foana izy sy ny taranany mandimby azy. Tsy nilefitra mihitsy mantsy izy rehefa nisy nivadika tamin\u2019Andriamaniny. Nandrakotra ny fahotan\u2019ny vahoakan\u2019Israely koa izy tamin\u2019izany.\u2019\u201d",
        "14": "Ary Zimry no anaran\u2019ilay lehilahy israelita novonoina niaraka tamin\u2019ilay vehivavy midianita. Zanak\u2019i Salo izy, ary mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Simeonita.",
        "15": "Ary Kosby kosa no anaran\u2019ilay vehivavy midianita novonoina. Zanakavavin\u2019i Zora lehibem-poko teo amin\u2019ny fianakaviambe iray tany Midianina izy.",
        "16": "Tat\u1ef3 aoriana dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "17": "\u201cMandehana tafiho ny Midianita ka aringano,",
        "18": "satria nila ady taminareo ry zareo ka nampiasa fitaka isan-karazany mba hahatonga anareo hanompo an\u2019i Balan\u2019i Peora. Nampiasainy koa i Kosby anabavin\u2019izy ireo sady zanakavavin\u2019ny mpiadidy midianita, dia ilay novonoina tamin\u2019ilay andro nandefasana loza taminareo noho ianareo nanompo an\u2019i Balan\u2019i Peora.\u201d"
    },
    "26": {
        "1": "Taorian\u2019ilay loza, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Eleazara zanak\u2019i Arona mpisorona:",
        "2": "\u201cIsao ny vahoakan\u2019Israely manontolo, dia izay 20\u00a0taona no ho miakatra, isaky ny fianakaviambeny, ka isao izay rehetra afaka manompo ao amin\u2019ny tafika eo amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "3": "Hoy \u00e0ry i Mosesy sy Eleazara mpisorona tamin\u2019izy ireo, tany amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, tany akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana sady tandrifin\u2019i Jeriko:",
        "4": "\u201cIsao izay 20\u00a0taona no ho miakatra, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.\u201d Ireto avy ny zanak\u2019Israely nivoaka avy tany Ejipta:",
        "5": "I Robena no lahimatoan\u2019i Israely, ka ireto avy ny taranany: Avy tamin\u2019i Hanoka ny Hanokita, avy tamin\u2019i Palo ny Paloita,",
        "6": "avy tamin\u2019i Hezrona ny Hezronita, ary avy tamin\u2019i Karmy ny Karmita.",
        "7": "Ireo no fianakavian\u2019ny Robenita, ary 43\u00a0730 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "8": "Ary ny zanakalahin\u2019i Palo dia i Eliaba.",
        "9": "Ny zanakalahin\u2019i Eliaba kosa dia i Nemoela sy Datana ary Abirama. Solontenan\u2019ny fiangonana i Datana sy Abirama, ary izy roa lahy ireo ilay niaraka tamin\u2019ny antokon\u2019i Kora niady tamin\u2019i Mosesy sy Arona, tamin\u2019izy ireo niady tamin\u2019i Jehovah.",
        "10": "Nisokatra ny tany tamin\u2019izay ka nitelina azy ireo. Fa i Kora kosa niara-maty tamin\u2019ny mpanohana azy, rehefa nolevonin\u2019ny afo izy 250 lahy. Koa lasa anatra ho an\u2019ny hafa izy ireo.",
        "11": "Tsy maty kosa anefa ny zanakalahin\u2019i Kora.",
        "12": "Ireto avy ny taranak\u2019i Simeona, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Nemoela ny Nemoelita, avy tamin\u2019i Jamina ny Jaminita, avy tamin\u2019i Jakina ny Jakinita,",
        "13": "avy tamin\u2019i Zera ny Zerita, ary avy tamin\u2019i Saoly ny Saolita.",
        "14": "Ireo no fianakavian\u2019ny Simeonita: 22\u00a0200 ny isany.",
        "15": "Ireto avy ny taranak\u2019i Gada, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Zefona ny Zefonita, avy tamin\u2019i Hagy ny Hagita, avy tamin\u2019i Sony ny Sonita,",
        "16": "avy tamin\u2019i Ozny ny Oznita, avy tamin\u2019i Ery ny Erita,",
        "17": "avy tamin\u2019i Aroda ny Arodita, ary avy tamin\u2019i Arely ny Arelita.",
        "18": "Ireo no fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Gada, ary 40\u00a0500 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "19": "Ary ny zanakalahin\u2019i Joda dia i Era sy Onana. Maty tany Kanana anefa i Era sy Onana.",
        "20": "Ireto avy ny taranak\u2019i Joda, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Sela ny Selita, avy tamin\u2019i Pereza ny Perezita, ary avy tamin\u2019i Zera ny Zerita.",
        "21": "Ireto avy ny taranak\u2019i Pereza: Avy tamin\u2019i Hezrona ny Hezronita, ary avy tamin\u2019i Hamola ny Hamolita.",
        "22": "Ireo no fianakavian\u2019i Joda, ary 76\u00a0500 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "23": "Ireto avy ny taranak\u2019i Isakara, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Tola ny Tolita, avy tamin\u2019i Pova ny Povita,",
        "24": "avy tamin\u2019i Jasoba ny Jasobita, ary avy tamin\u2019i Simrona ny Simronita.",
        "25": "Ireo no fianakavian\u2019i Isakara, ary 64\u00a0300 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "26": "Ireto avy ny taranak\u2019i Zebolona, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Sereda ny Seredita, avy tamin\u2019i Elona ny Elonita, ary avy tamin\u2019i Jahalela ny Jahalelita.",
        "27": "Ireo no fianakavian\u2019ny Zebolonita, ary 60\u00a0500 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "28": "Ary ny zanakalahin\u2019i Josefa, araka ny fianakaviany avy, dia i Manase sy Efraima.",
        "29": "Ireto no taranak\u2019i Manase: Avy tamin\u2019i Makira ny Makirita. I Makira no niteraka an\u2019i Gileada, ary avy tamin\u2019i Gileada ny Gileadita.",
        "30": "Ireto avy ny taranak\u2019i Gileada: Avy tamin\u2019i Jezera ny Jezerita, avy tamin\u2019i Heleka ny Helekita,",
        "31": "avy tamin\u2019i Asriela ny Asrielita, avy tamin\u2019i Sekema ny Sekemita,",
        "32": "avy tamin\u2019i Semida ny Semidita, ary avy tamin\u2019i Hefera ny Heferita.",
        "33": "Tsy nanan-janakalahy anefa i Zelofada zanak\u2019i Hefera, fa zanakavavy ihany. Ny anaran\u2019ny zanakavavin\u2019i Zelofada dia Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.",
        "34": "Ireo no fianakavian\u2019i Manase, ary 52\u00a0700 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "35": "Ireto avy ny taranak\u2019i Efraima, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Sotela ny Sotelita, avy tamin\u2019i Bekera ny Bekerita, ary avy tamin\u2019i Tahana ny Tahanita.",
        "36": "Ireto no taranak\u2019i Sotela: Avy tamin\u2019i Erana ny Eranita.",
        "37": "Ireo no fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Efraima, ary 32\u00a0500 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo. Ireo no taranak\u2019i Josefa, araka ny fianakaviany avy.",
        "38": "Ireto avy ny taranak\u2019i Benjamina, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Bela ny Belita, avy tamin\u2019i Asbela ny Asbelita, avy tamin\u2019i Ahirama ny Ahiramita,",
        "39": "avy tamin\u2019i Sefofama ny Sefofamita, ary avy tamin\u2019i Hofama ny Hofamita.",
        "40": "Ny zanakalahin\u2019i Bela dia i Arda sy Nam\u00e0na. Avy tamin\u2019i Arda ny Ardita, ary avy tamin\u2019i Nam\u00e0na ny Namanita.",
        "41": "Ireo no taranak\u2019i Benjamina, araka ny fianakaviany avy, ary 45\u00a0600 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "42": "Ireto no taranak\u2019i Dana, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Sohama ny Sohamita. Ireo no fianakavian\u2019i Dana, araka ny fianakaviany avy.",
        "43": "Nisy 64\u00a0400 no voasoratra anarana tamin\u2019 ny fianakavian\u2019ny Sohamita rehetra.",
        "44": "Ireto avy ny taranak\u2019i Asera, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Jimna ny Jimnita, avy tamin\u2019i Jisvy ny Jisvita, ary avy tamin\u2019i Beria ny Berita.",
        "45": "Ireto no taranak\u2019i Beria: Avy tamin\u2019i Hebera ny Heberita, ary avy tamin\u2019i Malkiela ny Malkielita.",
        "46": "Ary Sera no anaran\u2019ny zanakavavin\u2019i Asera.",
        "47": "Ireo no fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Asera, ary 53\u00a0400 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "48": "Ireto avy ny taranak\u2019i Naftaly, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Jazila ny Jazilita, avy tamin\u2019i Gony ny Gonita,",
        "49": "avy tamin\u2019i Jezera ny Jezerita, ary avy tamin\u2019i Silema ny Silemita.",
        "50": "Ireo no fianakavian\u2019i Naftaly, araka ny fianakaviany avy, ary 45\u00a0400 no voasoratra anarana tamin\u2019izy ireo.",
        "51": "Nisy 601\u00a0730 \u00e0ry ny Israelita rehetra voasoratra anarana.",
        "52": "Taorian\u2019izany, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "53": "\u201cHozaraina amin\u2019izy ireo arakaraka ny isan\u2019ny olona ny tany mba ho lovany.",
        "54": "Izay foko lehibe kokoa dia tokony homenao lova lehibe kokoa, ary izay foko kely kokoa dia tokony homenao lova kely kokoa. Tokony ho arakaraka ny isan\u2019ny voasoratra anarana ny lova homena ny foko tsirairay.",
        "55": "Hatao antsapaka anefa ny fizarana ny tany, ary tokony ho arakaraka ny anaran\u2019ny fokon\u2019ny fianakaviambeny no hahazoany ny lovany.",
        "56": "Hanao antsapaka ianareo mba hamantarana ny lovan\u2019ny foko tsirairay, na kely ilay foko na lehibe.\u201d",
        "57": "Ireto avy no voasoratra anarana tamin\u2019ny Levita, araka ny fianakaviany avy: Avy tamin\u2019i Gersona ny Gersonita, avy tamin\u2019i Kehata ny Kehatita, ary avy tamin\u2019i Merary ny Merarita.",
        "58": "Ireto avy ny fianakavian\u2019ny Levita: Ny Libnita, ny Hebronita, ny Malita, ny Mosita, ary ny Korahita. Ary niteraka an\u2019i Amrama i Kehata.",
        "59": "Ny anaran\u2019ny vadin\u2019i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin\u2019i Levy izay naterany tany Ejipta. Niteraka an\u2019i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin\u2019i Amrama i Jokebeda.",
        "60": "Ary niteraka an\u2019i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara i Arona.",
        "61": "Maty anefa i Nadaba sy Abiho, satria nanolotra afo teo anatrehan\u2019i Jehovah nefa tsy nahazoana alalana ilay izy.",
        "62": "Nisy 23\u00a0000 no voasoratra anarana rehetra, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. Tsy nosoratana anarana niaraka tamin\u2019ny Israelita mantsy izy ireo, satria tsy tokony homena lova teo amin\u2019ny Israelita.",
        "63": "Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Eleazara mpisorona no nanoratra ny anarany, tamin\u2019izy ireo nanoratra ny anaran\u2019ny Israelita tany amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana sady tandrifin\u2019i Jeriko.",
        "64": "Tsy anisan\u2019ireo voasoratra anarana tany an-tany efitr\u2019i Sinay anefa izy ireo na iray aza, tamin\u2019i Mosesy sy Arona mpisorona nanisa ny Israelita.",
        "65": "Fa hoy i Jehovah momba azy ireny: \u201cTsy maintsy ho faty at\u1ef3 an-tany efitra ireo.\u201d Koa tsy nisy niangana ireny, afa-tsy i Kaleba zanak\u2019i Jefone sy Josoa zanak\u2019i Nona."
    },
    "27": {
        "1": "Ary nanatona an\u2019i Mosesy ny zanakavavin\u2019i Zelofada, zanakalahin\u2019i Hefera, zanak\u2019i Gileada, zanak\u2019i Makira, zanak\u2019i Manase, avy tamin\u2019ny fianakaviamben\u2019i Manase zanak\u2019i Josefa. Ireto avy ny anaran\u2019ireo zanany vavy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.",
        "2": "Dia nijoro teo anatrehan\u2019i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy ary ny vahoaka manontolo izy ireo, teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ka niteny hoe:",
        "3": "\u201cMaty tany an-tany efitra ny rainay, nefa izy tsy anisan\u2019ireo olona nanohitra an\u2019i Jehovah niaraka tamin\u2019ny mpanohana an\u2019i Kora. Maty noho ny fahotany ihany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy.",
        "4": "Dia ny anaran\u2019ny rainay ve dia hofoanana tsy ho eo amin\u2019ny fianakaviany, satria hoe tsy nanan-janakalahy izy? Mba omeo lova koa izahay, hoatran\u2019ny rahalahin-drainay.\u201d",
        "5": "Dia nentin\u2019i Mosesy teo anatrehan\u2019i Jehovah ilay raharaha.",
        "6": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "7": "\u201cMarina ny tenin\u2019ny zanakavavin\u2019i Zelofada. Tena tokony homenao lova eo amin\u2019ny rahalahin-drainy izy ireo. Afindrao aminy \u00e0ry ny lovan\u2019ny rainy.",
        "8": "Ary teneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy lehilahy maty nefa tsy manan-janakalahy, dia afindrao amin\u2019ny zanany vavy ny lovany.",
        "9": "Fa raha tsy manan-janakavavy izy, dia omeo ny rahalahiny izany.",
        "10": "Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia omeo ny rahalahin-drainy ny lovany.",
        "11": "Raha tsy manan-drahalahy kosa ny rainy, dia omeo an\u2019izay havany akaiky indrindra ao amin\u2019ny fokony ny lovany, ka ho lasan\u2019io ilay izy. Ho lal\u00e0na ho an\u2019ny Israelita izany didim-pitsarana izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.\u2019\u201d",
        "12": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMiakara eo amin\u2019io tendrombohitr\u2019i Abarima io, dia tazano ilay tany homeko ny Israelita.",
        "13": "Rehefa hitanao ilay izy, dia hangonina any amin\u2019ny razambenao ianao, hoatran\u2019i Arona rahalahinao.",
        "14": "Tamin\u2019ilay vahoaka nila ady tamiko tany an-tany efitr\u2019i Zina mantsy, dia nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo, ka tsy nanamasina ahy teo anatrehan\u2019ny vahoaka. Teo amin\u2019ny rano tao Meriba, tao Kadesy, tany an-tany efitr\u2019i Zina, izany no nitranga.\u201d",
        "15": "Ary hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah:",
        "16": "\u201cRy Jehovah Andriamanitra mpanome aina ny olona rehetra\u00a0\u00f4! Manendre lehilahy iray hitondra ny vahoaka,",
        "17": "mba ho mpitarika azy amin\u2019ny zava-drehetra, izany hoe hitarika azy amin\u2019izay rehetra ataony, amin\u2019izay tsy ho hoatran\u2019ny ondry tsy misy mpiandry ny vahoakan\u2019i Jehovah.\u201d",
        "18": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAlaivo i Josoa zanak\u2019i Nona, fa manana ny toetra ilaina mba ho mpitarika izy. Dia ametraho tanana izy.",
        "19": "Ary asaivo mijoro eo anatrehan\u2019i Eleazara mpisorona sy ny vahoaka manontolo izy, dia tendreo ho mpitarika eo imason\u2019izy ireo.",
        "20": "Ary zarao aminy ny fahefanao, mba hihaino azy ny vahoakan\u2019Israely manontolo.",
        "21": "Hijoro eo anatrehan\u2019i Eleazara mpisorona izy, ary rehefa manam-panontaniana izy, dia i Eleazara no hanontany eo anatrehan\u2019i Jehovah, amin\u2019ny alalan\u2019ny fitsaran\u2019ny Orima. Dia izay baiko azo eo no harahin\u2019izy rehetra, dia izy sy ny Israelita rehetra, izany hoe ny vahoaka manontolo.\u201d",
        "22": "Koa nanao an\u2019izay nasain\u2019i Jehovah nataony i Mosesy. Nalainy i Josoa ka nasainy nijoro teo anatrehan\u2019i Eleazara mpisorona sy ny vahoaka manontolo.",
        "23": "Dia nametra-tanana tamin\u2019i Josoa izy ka nanendry azy, araka izay nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy."
    },
    "28": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cLazao amin\u2019ny Israelita izao didy izao: \u2018Tandremo sao hadinonareo ny manolotra ny fanatitra, izany hoe ny sakafo tokony homena ahy. Tsy maintsy atolotra amin\u2019ny fotoana voatondro ny fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra ahy.\u2019",
        "3": "\u201cLazao aminy hoe: \u2018Izao no fanatitra atao anaty afo hatolotrareo ho an\u2019i Jehovah: Ondrilahy kely roa tsy misy kilema herintaona avy, ho fanatitra dorana atolotra tsy tapaka.",
        "4": "Hatolotrao amin\u2019ny maraina ny ondrilahy kely iray, fa ny iray kosa amin\u2019ny takariva.",
        "5": "Ny ondrilahy tsirairay dia hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha, afangaro menaka ampahefatry ny hina avy amin\u2019ny oliva voatoto.",
        "6": "Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany, araka ny didy nomena teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, mba ho hanitra mahafinaritra, ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "7": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra zava-pisotro ampahefatry ny hina koa ny ondrilahy tsirairay. Dia araraho ho an\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny toerana masina ilay fanatitra zava-pisotro misy alkaola.",
        "8": "Ary atolory amin\u2019ny takariva ny ondrilahy kely iray, dia ampiaraho amin\u2019ny fanatitra varimbazaha mitovy amin\u2019ilay atao amin\u2019ny maraina, sy ny fanatitra zava-pisotro mitovy amin\u2019ilay teo aloha, mba ho fanatitra atao anaty afo ka ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.",
        "9": "\u201c\u2018Izao kosa no hatolotra amin\u2019ny andro sabata: Ondrilahy kely roa tsy misy kilema herintaona avy, sy lafarinina tsara toto roa\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha ho fanatitra varimbazaha afangaro menaka, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "10": "Izany no fanatitra dorana atolotra isaky ny Sabata, miaraka amin\u2019ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "11": "\u201c\u2018Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, isaky ny voalohan\u2019ny volana: Vantotr\u2019ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito tsy misy kilema herintaona avy.",
        "12": "Ny vantotr\u2019ombilahy tsirairay dia hampiarahina amin\u2019ny lafarinina tsara toto telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha. Ilay ondrilahy kosa hampiarahina amin\u2019ny lafarinina tsara toto roa\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha.",
        "13": "Ary ny ondrilahy kely tsirairay dia hampiarahina amin\u2019ny lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha, nafangaro menaka, izay atao fanatitra varimbazaha. Hatao fanatitra dorana izany mba ho hanitra mahafinaritra, ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "14": "Ny fanatitra zava-pisotro hampiarahina amin\u2019ireo, dia divay antsasaky ny hina isaky ny ombilahy, ary ampahatelon\u2019ny hina no hampiarahina amin\u2019ilay ondrilahy, ary ampahefatry ny hina kosa isaky ny ondrilahy kely. Izany no fanatitra dorana atolotra isam-bolana, mandritra ny taona.",
        "15": "Zanak\u2019osy iray koa no tokony hatolotra ho an\u2019i Jehovah mba ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "16": "\u201c\u2018Ny andro faha-14 amin\u2019ny volana voalohany no hankalazana ny Paskan\u2019i Jehovah.",
        "17": "Hisy fety kosa amin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019io volana io. Mofo tsy misy lalivay no hohanina mandritra ny fito andro.",
        "18": "Hisy fivoriambe masina amin\u2019ny andro voalohany. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona.",
        "19": "Ireto no hatolotrareo ho fanatitra atao anaty afo, ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah: Vantotr\u2019ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Biby tsy misy kilema no tokony hatolotrareo.",
        "20": "Ny fanatitra varimbazaha tokony hatolotrareo miaraka amin\u2019ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny ombilahy tsirairay, ary roa ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ilay ondrilahy.",
        "21": "Lafarinina ampahafolon\u2019ny efaha kosa no hatolotrao isaky ny ondrilahy kely amin\u2019ny ondrilahy kely fito.",
        "22": "Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, mba handrakofana ny fahotanareo.",
        "23": "Ireo no hatolotrareo ankoatra ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atolotra tsy tapaka.",
        "24": "Tokony hitovy foana ny ataonareo rehefa manolotra fanatitra isan\u2019andro mandritra ny fito andro ianareo, dia ny sakafo omena ahy, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah. Tokony hampiarahina amin\u2019ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra zava-pisotro miaraka aminy izany fanatitra izany.",
        "25": "Ary manaova fivoriambe masina amin\u2019ny andro fahafito. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona.",
        "26": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andron\u2019ny voaloham-bokatra, izany hoe amin\u2019ny fetin\u2019ireo herinandro, rehefa manolotra fanatitra varimbazaha vaovao ho an\u2019i Jehovah ianareo, dia tokony hanao fivoriambe masina. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona.",
        "27": "Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah: Vantotr\u2019ombilahy roa, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy.",
        "28": "Ny fanatitra varimbazaha izay hampiarahina amin\u2019ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny ombilahy tsirairay, ary roa\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ilay ondrilahy.",
        "29": "Lafarinina ampahafolon\u2019ny efaha kosa no hatolotrareo isaky ny ondrilahy kely amin\u2019ny ondrilahy kely fito.",
        "30": "Manolora koa zanak\u2019osy iray handrakofana ny fahotanareo.",
        "31": "Ireo no hatolotrareo miaraka amin\u2019ny fanatitra zava-pisotro, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy. Tsy tokony hisy kilema ireo biby ireo."
    },
    "29": {
        "1": "\u201c\u2018Manaova fivoriambe masina, amin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahafito. Ary aza manao asa mafy, na inona izany na inona. Tokony hitsoka trompetra ianareo amin\u2019io andro io.",
        "2": "Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, mba hamoaka hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah: Vantotr\u2019ombilahy iray, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema ireo biby rehetra ireo.",
        "3": "Ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin\u2019ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ilay omby, roa ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ilay ondrilahy,",
        "4": "ary ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny ondrilahy kely tsirairay amin\u2019ny ondrilahy kely fito.",
        "5": "Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, mba handrakofana ny fahotanareo.",
        "6": "Ireo no hatolotrareo, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra isam-bolana sy ny fanatitra varimbazaha hampiarahina aminy, ary ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha ampiarahina aminy. Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo, araka ny efa fanao, mba ho hanitra mahafinaritra, ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.",
        "7": "\u201c\u2018Tokony hanao fivoriambe masina ianareo, amin\u2019ny andro fahafolon\u2019io volana fahafito io, ary hampijaly tena. Aza miasa mihitsy.",
        "8": "Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, mba ho hanitra mahafinaritra: Vantotr\u2019ombilahy iray, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "9": "Ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin\u2019ireo dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ilay omby, roa ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ilay ondrilahy,",
        "10": "ary ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny ondrilahy kely tsirairay amin\u2019ny ondrilahy kely fito.",
        "11": "Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra an\u2019ilay fanatitra noho ny ota hatao fandrakofam-pahotana, sy ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, ary ny fanatitra varimbazaha miaraka aminy. Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo.",
        "12": "\u201c\u2018Manaova fivoriambe masina, amin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana fahafito. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona. Ary mankalaz\u00e0 fety ho an\u2019i Jehovah mandritra ny fito andro.",
        "13": "Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, izany hoe ho fanatitra atao anaty afo mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah: Vantotr\u2019ombilahy 13, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "14": "Ny fanatitra varimbazaha ampiarahina amin\u2019ireo, dia lafarinina tsara toto afangaro menaka, ka lafarinina telo\u00a0ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny omby tsirairay amin\u2019ireo omby 13 ireo, ary roa ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny ondrilahy tsirairay amin\u2019ireo ondrilahy 2 ireo,",
        "15": "ary ampahafolon\u2019ny efaha no hampiarahina amin\u2019ny ondrilahy kely tsirairay amin\u2019ireo ondrilahy kely 14 ireo.",
        "16": "Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "17": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro faharoa, dia manolora vantotr\u2019ombilahy 12, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "18": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "19": "Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra varimbazaha miaraka aminy. Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra zava-pisotro daholo ireo.",
        "20": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro fahatelo, dia manolora vantotr\u2019ombilahy 11, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "21": "Hampiarahina amin\u2019 ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "22": "Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "23": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro fahefatra, dia manolora vantotr\u2019ombilahy 10, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "24": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "25": "Manolora koa osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "26": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro fahadimy, dia manolora vantotr\u2019ombilahy 9, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "27": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "28": "Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "29": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro fahenina, dia manolora vantotr\u2019ombilahy 8, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "30": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "31": "Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "32": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro fahafito, dia manolora vantotr\u2019ombilahy 7, sy ondrilahy 2, ary ondrilahy kely 14 izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "33": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "34": "Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "35": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro fahavalo, dia manaova fivoriambe makotrokotroka. Ary aza manao asa mafy, na inona izany na inona.",
        "36": "Ireto no hatolotrareo ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah: Vantotr\u2019ombilahy iray, sy ondrilahy iray, ary ondrilahy kely fito izay herintaona avy. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "37": "Hampiarahina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ireo omby sy ondrilahy ary ondrilahy kely ireo, araka ny isany avy, sy araka ny efa fanao.",
        "38": "Manolora koa osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ankoatra ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra varimbazaha, ary ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina aminy.",
        "39": "\u201c\u2018Ireo no hatolotrareo ho an\u2019i Jehovah mandritra an\u2019ireo fety fanaonareo, ho fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ary sorona iombonana, ankoatra ny fanatitra fanefana voady sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotrareo.\u2019\u201d",
        "40": "Dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israelita ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah azy."
    },
    "30": {
        "1": "Dia niresaka tamin\u2019ireo lehibem-pokon\u2019ny Israely i Mosesy, hoe: \u201cIzao no didin\u2019i Jehovah:",
        "2": "Raha mivoady amin\u2019i Jehovah ny lehilahy iray, na mianiana ka mivoady hoe hifady zavatra, dia tsy mahazo mivadika amin\u2019ny teniny izy. Tokony hotanterahiny daholo izay rehetra nolazainy tao amin\u2019ilay voady.",
        "3": "\u201cAry raha misy tovovavy mbola mipetraka ao amin\u2019ny rainy ka mivoady amin\u2019i Jehovah, na mivoady hoe hifady zavatra,",
        "4": "ary henon\u2019ny rainy ilay voady nataony, na ilay voadiny hoe hifady zavatra, nefa tsy manakana azy ny rainy, dia hanan-kery ny voadiny rehetra, ary hanan-kery koa izay voadiny hoe hifady zavatra.",
        "5": "Raha mandrara azy anefa ny rainy rehefa henony hoe nanao voady ilay zanany, na nivoady hoe hifady zavatra, dia tsy hanan-kery ilay voady. Hamela ny helok\u2019ilay tovovavy i Jehovah, satria nandrara azy ny rainy.",
        "6": "\u201cRaha manambady kosa ilay vehivavy, ka mivoady na manao fampanantenana maimaika,",
        "7": "ary henon\u2019ny vadiny ilay izy nefa tsy manakana azy ilay vadiny amin\u2019ilay andro ahenoany an\u2019ilay izy, dia hanan-kery ny voady ataon\u2019ilay vehivavy, na ny voadiny hoe hifady zavatra.",
        "8": "Raha mandrara azy anefa ny vadiny amin\u2019ilay andro ahenoany an\u2019ilay izy, dia azon\u2019ilay vadiny foanana ilay voady, na ilay fampanantenana maimaika nataon\u2019ilay vehivavy. Ary hamela ny helok\u2019ilay vehivavy i Jehovah.",
        "9": "\u201cRaha vehivavy maty vady na nisara-bady indray no mivoady, dia ho voafatotry ny teniny rehetra izy.",
        "10": "\u201cFa raha ao an-tranon\u2019ny vadiny kosa ny vehivavy no manao voady, na mivoady hoe hifady zavatra,",
        "11": "ary henon\u2019ny vadiny ilay izy nefa tsy manakana azy ilay vadiny sady tsy miteny hoe tsy ekeny ilay izy, dia hanan-kery daholo ny voady rehetra nataon\u2019ilay vehivavy, na izay voadiny hoe hifady zavatra.",
        "12": "Tsy hanan-kery anefa izay voady nataon\u2019ilay vehivavy, na izay voadiny hoe hifady zavatra, na dia nianiana aza izy, raha nanafoana tanteraka an\u2019ilay izy ny vadiny, tamin\u2019ny andro nahenoany an\u2019izany. Efa nofoanan\u2019ny vadiny mantsy ilay izy. Ary hamela ny helok\u2019ilay vehivavy i Jehovah.",
        "13": "Na inona na inona voady ataon\u2019ilay vehivavy, na fianianana sy voady ataony hoe hifady zavatra na hampihafy tena, dia ny vadiny no hampanan-kery na hanafoana an\u2019ilay izy.",
        "14": "Raha tsy manakana azy mihitsy anefa ny vadiny rehefa mandeha ny fotoana, dia mampanan-kery ny voady rehetra nataon\u2019ilay vehivavy izy, na ny voadiny rehetra hoe hifady zavatra. Mampanan-kery an\u2019izany ilay lehilahy, satria tsy nanakana azy tamin\u2019ilay andro nahenoany an\u2019ilay vehivavy nanao an\u2019ilay voady.",
        "15": "Fa raha manafoana an\u2019izany kosa ilay lehilahy taorian\u2019ilay andro nahenoany an\u2019izany, dia izy no hizaka ny fahadisoan\u2019ilay vehivavy.",
        "16": "\u201cIreo no fitsipika nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy momba ny lehilahy sy ny vadiny, sy momba ny ray sy ny zanany vavy tanora mbola ao an-tranony.\u201d"
    },
    "31": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cValio ny Midianita noho ny ratsy nataony tamin\u2019ny Israelita. Aorian\u2019izay dia hangonina any amin\u2019ny razambenao ianao.\u201d",
        "3": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cAsaivo miomana ny lehilahy sasany eo aminareo, mba handeha hiady amin\u2019ny Midianina fa hamaly faty azy i Jehovah.",
        "4": "Tokony ho 1\u00a0000 lahy isaky ny fokon\u2019ny Israely no\u00a0halefanareo ao amin\u2019ny tafika.\u201d",
        "5": "Nisy 1\u00a0000\u00a0lahy isaky ny foko \u00e0ry notendrena avy tamin\u2019ireo fokon\u2019ny Israely, ka 12\u00a0000 no vonona handeha hiady.",
        "6": "Dia nalefan\u2019i Mosesy tany an\u2019ady niaraka tamin\u2019i Finehasa zanak\u2019i Eleazara ireo 1\u00a0000 lahy isam-poko ireo. I Finehasa no mpisorona niaraka tamin\u2019ilay tafika, sady nitondra ny fitaovana masina sy ny trompetra fanairana.",
        "7": "Niady tamin\u2019ny Midianina izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy, dia naripany ny lehilahy rehetra.",
        "8": "Novonoiny niaraka tamin\u2019ireo ny mpanjaka dimy tany Midianina, dia i Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba. Novonoiny tamin\u2019ny sabatra koa i Balama zanak\u2019i Beora.",
        "9": "Fa nentin\u2019ny Israelita ho babo kosa ny zaza amam-behivavy tany Midianina. Norobain\u2019izy ireo daholo koa ny biby fiompiny sy ny biby hafa ary ny fananany rehetra.",
        "10": "Ary nodorany ny tan\u00e0na rehetra nipetrahan\u2019izy ireo sy ny tobiny rehetra.",
        "11": "Dia nalainy daholo ny olona sy biby rehetra azony babo sy norobainy.",
        "12": "Avy eo dia nentiny tao an-toby ny olona babo sy ny zavatra norobainy, izany hoe tany amin\u2019i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny vahoakan\u2019Israely, tany amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, any akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana sady tandrifin\u2019i Jeriko.",
        "13": "Dia nivoaka hitsena azy teny ivelan\u2019ny toby i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy rehetra teo amin\u2019ny vahoaka.",
        "14": "Tezitra tamin\u2019ireo lehilahy voatendry hifehy ny tafika anefa i Mosesy, dia tamin\u2019ny lehiben\u2019ny arivo sy ny lehiben\u2019ny zato avy tany an\u2019ady.",
        "15": "Hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cAry toa tsy nisy novonoinareo ny vehivavy?",
        "16": "Ireo ihany anefa no nitaona ny Israelita hivadika tamin\u2019i Jehovah mba hanompo an\u2019i Balan\u2019i Peora, rehefa nampirisihin\u2019i Balama, ka namely ny vahoakan\u2019i Jehovah ny loza.",
        "17": "Vonoy daholo ny ankizilahikely rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy.",
        "18": "Tsy voatery hovonoinareo kosa ny tovovavy rehetra mbola tsy nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy.",
        "19": "Ary mitobia fito andro at\u1ef3 ivelan\u2019ny toby. Izay rehetra nahafaty olona aminareo sy nikasika faty, dia tokony hanadio ny vatany, amin\u2019ny andro fahatelo sy amin\u2019ny andro fahafito. Tokony hanadio ny tenany koa ny olona nentinareo ho babo.",
        "20": "Diovy koa ny akanjo rehetra, sy ny zavatra rehetra vita amin\u2019ny hoditra, na vita amin\u2019ny volon\u2019osy, na vita amin\u2019ny hazo.\u201d",
        "21": "Dia hoy i Eleazara mpisorona tamin\u2019ny miaramila nandeha niady: \u201cIzao no lal\u00e0na nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy:",
        "22": "\u2018Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny firapotsy, ary ny firamainty ihany,",
        "23": "izany hoe izay rehetra mahatanty afo, no ataovy ao anaty afo mba hadio. Hodiovina amin\u2019ny rano fanadiovana koa anefa ilay izy. Izay rehetra tsy mahatanty afo kosa dia diovy amin\u2019ny rano.",
        "24": "Ary sasao ny akanjonareo amin\u2019ny andro fahafito, dia hadio ianareo ka mahazo miditra ao an-toby.\u2019\u201d",
        "25": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "26": "\u201cAtaovy lisitra ny zavatra rehetra azo babo, na olona na biby. Ianao sy Eleazara mpisorona ary ny lohan\u2019ireo fianakaviambe eo amin\u2019ny vahoaka no hanao an\u2019izany.",
        "27": "Zarao izay rehetra azo babo, ka ny antsasany ho an\u2019izay ao amin\u2019ny tafika nandeha niady, ary ny antsasany ho an\u2019ny vahoaka sisa rehetra.",
        "28": "Ary tokony hakanao iray isaky ny 500 ny anjaran\u2019ny miaramila nandeha niady, ka hangalana daholo na ny olona na ny omby na ny ampondra na ny ondry aman\u2019osy. Hatao hetra ho an\u2019i Jehovah izany.",
        "29": "Tokony halainao amin\u2019ilay anjaran\u2019izy ireo izany, ka homenao an\u2019i Eleazara mpisorona mba hatao fanomezana ho an\u2019i Jehovah.",
        "30": "Tokony hakanao iray isaky ny 50 kosa ilay anjaran\u2019ny Israelita, ka hakanao daholo na ny olona na ny omby na ny ampondra na ny ondry aman\u2019osy na ny karazana biby fiompy rehetra. Dia omeo ny Levita izany, satria manana andraikitra mifandray amin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah izy ireo.\u201d",
        "31": "Nataon\u2019i Mosesy sy Eleazara mpisorona \u00e0ry izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "32": "Ary ny ambin\u2019ny zavatra azo babo nentin\u2019ny miaramila, dia ondry aman\u2019osy 675\u00a0000,",
        "33": "sy omby 72\u00a0000,",
        "34": "ary ampondra 61\u00a0000.",
        "35": "Ary 32\u00a0000 ny vehivavy mbola tsy nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy.",
        "36": "Ny anjaran\u2019ireo nandeha niady dia ondry aman\u2019osy 337\u00a0500.",
        "37": "Nisy 675 \u00e0ry ny hetra ho an\u2019i Jehovah nalaina tamin\u2019ny ondry aman\u2019osy.",
        "38": "Ary 36\u00a0000 ny omby, ka 72 ny hetra ho an\u2019i Jehovah.",
        "39": "Ny ampondra indray nisy 30\u00a0500, ka 61 ny hetra ho an\u2019i Jehovah.",
        "40": "Ary nisy 16\u00a0000 ny olona, ka 32 ny hetra ho an\u2019i Jehovah.",
        "41": "Dia nomen\u2019i Mosesy an\u2019i Eleazara mpisorona izany hetra izany ho fanomezana ho an\u2019i Jehovah, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
        "42": "Ny antsasany, izay anjaran\u2019ny Israelita, kosa dia navahan\u2019i Mosesy tamin\u2019ny anjaran\u2019ireo lehilahy nandeha niady.",
        "43": "Ireto avy no tao amin\u2019io antsasany io: Ondry aman\u2019osy 337\u00a0500,",
        "44": "omby 36\u00a0000,",
        "45": "ampondra 30\u00a0500,",
        "46": "ary olona 16\u00a0000.",
        "47": "Tamin\u2019io anjaran\u2019ny Israelita io no nakan\u2019i Mosesy iray isaky ny 50, na tamin\u2019ny olona izany na tamin\u2019ny biby, ka nomeny ny Levita, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy. Manana andraikitra ao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah mantsy ny Levita.",
        "48": "Avy eo dia nanatona an\u2019i Mosesy ny lehilahy voatendry hifehy an\u2019ireo antoko ao amin\u2019ny tafika, izany hoe ny lehiben\u2019ny arivo sy ny lehiben\u2019ny zato,",
        "49": "ka niteny hoe: \u201cEfa nisain\u2019ny mpanomponao ny lehilahy mpiady eo ambany fahefanay, ka nolazaina taminay hoe tsy misy tsy ao na iray aza.",
        "50": "Aleo \u00e0ry izahay samy hanolotra ny zavatra hitanay ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah, dia zavatra vita amin\u2019ny volamena, rojon-tongotra, brasele, peratra fanombohan-kase, kavina, ary firavaka hafa, mba handrakofana ny fahotanay eo anatrehan\u2019i Jehovah.\u201d",
        "51": "Dia noraisin\u2019i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena, dia ny firavaka rehetra nomen\u2019izy ireo.",
        "52": "Koa nahatratra 16\u00a0750 sekely ny volamena rehetra natao fanomezana ho an\u2019i Jehovah, avy tamin\u2019ireo lehiben\u2019ny arivo sy lehiben\u2019ny zato.",
        "53": "Samy naka tamin\u2019ny zavatra norobaina mantsy ny miaramila.",
        "54": "Noraisin\u2019i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen\u2019ireo lehiben\u2019ny arivo sy lehiben\u2019ny zato, ka nentiny tao amin\u2019ny tranolay fihaonana, mba ho fampahatsiahivana an\u2019izay nataon\u2019i Jehovah ho an\u2019ny vahoakan\u2019Israely."
    },
    "32": {
        "1": "Ary nanana biby fiompy faran\u2019izay betsaka ny taranak\u2019i Robena sy ny taranak\u2019i Gada. Dia hitan\u2019izy ireo fa tsara ho an\u2019ny biby fiompy ny tany tao Jazera sy ny tao Gileada.",
        "2": "Koa nanatona an\u2019i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny mpiadidy vahoaka ny taranak\u2019i Gada sy ny taranak\u2019i Robena, ka niteny hoe:",
        "3": "\u201cTany tsara i Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona, Elale, Sebama, Nebo, ary Beona,",
        "4": "izay nataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny vahoakan\u2019Israely. Tena tsara ho an\u2019ny biby fiompy ilay tany. Izahay mpanomponao koa manana biby fiompy be dia be.\u201d",
        "5": "Hoy koa izy ireo: \u201cAleo omena anay mpanomponao ity tany ity, raha mba mety aminao, fa aza asaina miampita an\u2019i Jordana izahay.\u201d",
        "6": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019ny taranak\u2019i Gada sy ny taranak\u2019i Robena: \u201cNy rahalahinareo ve handeha hiady nefa ianareo hijanona fotsiny at\u1ef3?",
        "7": "Maninona ianareo no manakivy ny vahoakan\u2019Israely tsy hiampita hankany amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah azy?",
        "8": "Izany no nataon\u2019ny razambenareo tamin-dry zareo nirahiko avy tany Kadesi-barnea mba hijery an\u2019ilay tany.",
        "9": "Rehefa niakatra nankany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Eskola izy ka nahita an\u2019ilay tany, dia nataony izay hahakivy ny vahoakan\u2019Israely mba tsy hiditra any amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah azy.",
        "10": "Tezitra be i Jehovah tamin\u2019izay andro izay, ka nianiana hoe:",
        "11": "\u2018Tsy hahita an\u2019ilay tany nianianako tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ny lehilahy 20\u00a0taona no ho miakatra, izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy mba nanaraka ahy tamin\u2019ny fony manontolo izy ireo.",
        "12": "I Kaleba zanak\u2019i Jefone Kenizita sy Josoa zanak\u2019i Nona ihany no hahita an\u2019ilay tany, satria nanaraka an\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fony manontolo izy roa lahy.\u2019",
        "13": "Koa tezitra be tamin\u2019ny Israely i Jehovah ka nataony nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny 40\u00a0taona ry zareo, mandra-paharipaka tanteraka an\u2019ilay taranaka nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah.",
        "14": "Manao hoatran\u2019ny razambenareo ihany ianareo izao, ry taranaka ratsy fanahy, ka vao mainka tezitra be amin\u2019ny Israely i Jehovah.",
        "15": "Raha mivadika aminy ianareo, dia tsy maintsy hafoiny at\u1ef3 an-tany efitra indray ity vahoaka manontolo ity. Dia ny ataonareo ihany no hampidi-kizo an-dry zareo.\u201d",
        "16": "Nanatona an\u2019i Mosesy izy ireo taorian\u2019izay, ka niteny hoe: \u201cAleo izahay mba hanorina vala eto ho an\u2019ny biby fiompinay, sy tan\u00e0na ho an\u2019ny zanakay.",
        "17": "Hiomana hiady foana anefa izahay, sady handeha eo alohan\u2019ny Israelita, mandra-pitondranay azy any amin\u2019ny taniny. Ny zanakay kosa hipetraka ao amin\u2019ny tan\u00e0na misy manda, dia ho voaro amin\u2019ny mponina eto amin\u2019ity tany ity.",
        "18": "Tsy hody any an-tranonay izahay raha tsy efa mahazo anjara tany ho lovany ny Israelita tsirairay.",
        "19": "Fa tsy hahazo lova miaraka amin\u2019izy ireo er\u1ef3 ampitan\u2019i Jordana sy any ambadika rehetra any izahay, satria efa nahazo lova et\u1ef3 atsinanan\u2019i Jordana.\u201d",
        "20": "Ary hoy i Mosesy tamin\u2019izy ireo: \u201cIzao \u00e0ry: Raha mandray ny fiadianareo ianareo mba hoentinareo miady eo anatrehan\u2019i Jehovah,",
        "21": "ary raha samy mandray ny fiadianareo ianareo ka miampita an\u2019i Jordana eo anatrehan\u2019i Jehovah, rehefa mandroaka ny fahavalony hiala eo anatrehany izy,",
        "22": "mandra-paharesy an\u2019ilay tany eo anatrehan\u2019i Jehovah, dia mahazo miverina ianareo. Tsy ho meloka eo imason\u2019i Jehovah sy ny Israely ianareo amin\u2019izay, dia ho lasanareo eo anatrehan\u2019i Jehovah ity tany ity.",
        "23": "Fa raha tsy manao an\u2019izany kosa ianareo, dia manota amin\u2019i Jehovah. Raha manota anefa ianareo, dia fantaro fa hizaka ny vokatr\u2019izany ianareo.",
        "24": "Mahazo manorina tan\u00e0na ho an\u2019ny zanakareo \u00e0ry ianareo, sady mahazo manao vala ho an\u2019ny ondry aman\u2019osinareo koa. Tsy maintsy mitana ny teninareo anefa ianareo.\u201d",
        "25": "Dia hoy ny taranak\u2019i Gada sy ny taranak\u2019i Robena tamin\u2019i Mosesy: \u201cIzay andidian\u2019ny tompoko mihitsy no hataon\u2019ny mpanomponao.",
        "26": "Hijanona at\u1ef3 amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Gileada ny zanakay sy ny vadinay ary ny biby fiompinay rehetra.",
        "27": "Fa araka izay lazain\u2019ny tompoko, dia izahay mpanomponao rehetra no handeha hiampita, izany hoe izay lehilahy mitondra fitaovam-piadiana ka efa vonona hiady eo anatrehan\u2019i Jehovah.\u201d",
        "28": "Dia nomen\u2019i Mosesy baiko i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak\u2019i Nona ary ny lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny fokon\u2019ny Israely,",
        "29": "ka hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cRaha miampita an\u2019i Jordana miaraka aminareo eo anatrehan\u2019i Jehovah ny taranak\u2019i Gada sy ny taranak\u2019i Robena, izany hoe izay lehilahy mitondra fitaovam-piadiana sy efa vonona hiady, ka resinareo ilay tany, dia omeo an-dry zareo i Gileada.",
        "30": "Fa raha tsy mitondra fitaovam-piadiana kosa ry zareo ary tsy miampita miaraka aminareo, dia hipetraka ao Kanana miaraka aminareo ihany.\u201d",
        "31": "Dia hoy ny taranak\u2019i Gada sy ny taranak\u2019i Robena: \u201cIzay nolazain\u2019i Jehovah taminay mpanomponao no hataonay.",
        "32": "Hitondra fitaovam-piadiana izahay, dia handeha hiampita ho any Kanana eo anatrehan\u2019i Jehovah. Ny et\u1ef3 aminay et\u1ef3 ampitan\u2019i Jordana anefa no ho lovanay.\u201d",
        "33": "Ireto \u00e0ry no nomen\u2019i Mosesy ho an\u2019ny taranak\u2019i Gada sy ny taranak\u2019i Robena ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase zanak\u2019i Josefa: Ny fanjakan\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita sy ny fanjakan\u2019i Oga mpanjakan\u2019i Basana, izany hoe ny tany ao amin\u2019ireo tan\u00e0na ao anatin\u2019ireo faritra ireo, ary ny tan\u00e0na any amin\u2019ny faritra manodidina.",
        "34": "Dia naorin\u2019ny taranak\u2019i Gada i Dibona, Atarota, Aroera,",
        "35": "Atrota-sofana, Jazera, Jogbeha,",
        "36": "Beti-nimra, ary Beti-harana. Tan\u00e0na misy manda daholo ireo. Nanorina vala vita amin\u2019ny vato ho an\u2019ny ondry aman\u2019osy koa izy ireo.",
        "37": "Ny taranak\u2019i Robena kosa nanorina an\u2019i Hesbona, Elale, Kiriataima,",
        "38": "Nebo sy Bala-meona izay samy novana anarana, ary Sibma. Naorin\u2019izy ireo indray ireo tan\u00e0na ireo ka nomeny anarana vaovao.",
        "39": "Ary nandeha nanafika an\u2019i Gileada ny taranak\u2019i Makira zanak\u2019i Manase, dia azony ilay tany ka noroahiny ny Amorita nipetraka tao.",
        "40": "Koa nomen\u2019i Mosesy an\u2019i Makira zanak\u2019i Manase i Gileada, ary lasa nipetraka tao izy.",
        "41": "I Jaira zanak\u2019i Manase indray nandeha nanafika ka azony ny tan\u00e0na tranolay tao Gileada. Dia nantsoiny hoe Havota-jaira ireny.",
        "42": "Ary nandeha nanafika an\u2019i Kenata sy ny tan\u00e0na niankina taminy i Noba. Dia nantsoiny hoe Noba araka ny anarany ihany ilay izy."
    },
    "33": {
        "1": "Ireto avy ny lalana nalehan\u2019ny vahoakan\u2019Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta araka ny antokony avy izy ireo, ary i Mosesy sy Arona no nitarika azy tamin\u2019izay.",
        "2": "Nosoratan\u2019i Mosesy foana izay toerana niaingana isaky ny lalana nandalovan\u2019izy ireo, araka ny baikon\u2019i Jehovah. Ireto avy izany lalana izany, niainga avy teo amin\u2019ny toerana anankiray mankany amin\u2019ny anankiray:",
        "3": "Niainga avy tao Ramesesa ny Israelita tamin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana voalohany. Ny ampitson\u2019ny Paska ihany izy ireo dia nivoaka teo imason\u2019ny Ejipsianina rehetra sady feno toky.",
        "4": "Nandevina ny lahimatoany rehetra novonoin\u2019i Jehovah ny Ejipsianina tamin\u2019izay, satria efa nofaizin\u2019i Jehovah ny andriamanitry ny Ejipsianina.",
        "5": "Niainga avy tao Ramesesa \u00e0ry ny Israelita, dia nitoby tao Sokota;",
        "6": "niainga avy tao Sokota, dia nitoby tao Etama teo an-tsisin\u2019ny tany efitra;",
        "7": "niainga avy tao Etama, dia niverina tany Pihahirota, teny akaikin\u2019i Bala-zefona, dia nitoby nanandrify an\u2019i Migdola.",
        "8": "Niainga avy tao Pihahirota izy ireo taorian\u2019izay, dia namakivaky teo afovoan\u2019ny ranomasina mba hankany an-tany efitra. Nandeha lalana telo andro tany an-tany efitr\u2019i Etama izy ireo, dia nitoby tao Mara.",
        "9": "Avy eo dia niainga avy tao Mara izy ireo, dia tonga tao Elima. Nisy loharano 12 sy hazo palmie 70 tao Elima, ka nitoby tao izy ireo.",
        "10": "Niainga avy tao Elima indray izy ireo, dia nitoby teo akaikin\u2019ny Ranomasina Mena;",
        "11": "niainga avy teo amin\u2019ny Ranomasina Mena, dia nitoby tany an-tany efitr\u2019i Sina;",
        "12": "niainga avy tany an-tany efitr\u2019i Sina, dia nitoby tao Dopka;",
        "13": "niainga avy tao Dopka, dia nitoby tao Alosy;",
        "14": "niainga avy tao Alosy, dia nitoby tao Refidima. Tsy nisy rano hosotroin\u2019ny olona tao tamin\u2019izay.",
        "15": "Niainga avy tao Refidima indray izy ireo, dia nitoby tany an-tany efitr\u2019i Sinay.",
        "16": "Niainga avy tany an-tany efitr\u2019i Sinay izy ireo, dia nitoby tao Kibrota-hatava;",
        "17": "niainga avy tao Kibrota-hatava, dia nitoby tao Hazerota;",
        "18": "niainga avy tao Hazerota, dia nitoby tao Ritma;",
        "19": "niainga avy tao Ritma, dia nitoby tao Rimona-pereza;",
        "20": "niainga avy tao Rimona-pereza, dia nitoby tao Libna;",
        "21": "niainga avy tao Libna, dia nitoby tao Risa;",
        "22": "niainga avy tao Risa, dia nitoby tao Kehelata;",
        "23": "ary niainga avy tao Kehelata, dia nitoby teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sapera.",
        "24": "Niainga avy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sapera indray izy ireo, dia nitoby tao Harada;",
        "25": "niainga avy tao Harada, dia nitoby tao Makelota;",
        "26": "niainga avy tao Makelota, dia nitoby tao Tahata;",
        "27": "niainga avy tao Tahata, dia nitoby tao Tera;",
        "28": "niainga avy tao Tera, dia nitoby tao Mitka;",
        "29": "niainga avy tao Mitka, dia nitoby tao Hasmona;",
        "30": "niainga avy tao Hasmona, dia nitoby tao Moserota;",
        "31": "niainga avy tao Moserota, dia nitoby tao Bene-jakana;",
        "32": "niainga avy tao Bene-jakana, dia nitoby tao Hora-hagidgada;",
        "33": "niainga avy tao Hora-hagidgada, dia nitoby tao Jotbata;",
        "34": "niainga avy tao Jotbata, dia nitoby tao Abrona;",
        "35": "niainga avy tao Abrona, dia nitoby tao Eziona-gebera;",
        "36": "ary niainga avy tao Eziona-gebera, dia nitoby tao an-tany efitr\u2019i Zina, izany hoe Kadesy.",
        "37": "Taorian\u2019izay, dia niainga avy tao Kadesy izy ireo, dia nitoby teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora, teo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Edoma.",
        "38": "Dia niakatra teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny baikon\u2019i Jehovah. Tao izy no maty, tamin\u2019ny taona faha-40 taorian\u2019ny nialan\u2019ny Israelita tany Ejipta, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahadimy.",
        "39": "Ary 123\u00a0taona i Arona tamin\u2019izy maty tao amin\u2019ny Tendrombohitra Hora.",
        "40": "Dia henon\u2019ilay Kananita mpanjakan\u2019i Arada, izay nipetraka tany Negeba, tany Kanana, fa tonga ny Israelita.",
        "41": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niainga avy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora ny Israelita, dia nitoby tao Zalmona;",
        "42": "niainga avy tao Zalmona, dia nitoby tao Ponona;",
        "43": "niainga avy tao Ponona, dia nitoby tao Obota;",
        "44": "niainga avy tao Obota, dia nitoby tao Ie-abarima, teo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Moaba;",
        "45": "niainga avy tao Ima, dia nitoby tao Dibona-gada;",
        "46": "niainga avy tao Dibona-gada, dia nitoby tao Almona-diblataima;",
        "47": "niainga avy tao Almona-diblataima, dia nitoby teo amin\u2019ireo tendrombohitr\u2019i Abarima, tandrifin\u2019i Nebo;",
        "48": "ary niainga avy teo amin\u2019ireo tendrombohitr\u2019i Abarima, dia nitoby teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, tandrifin\u2019i Jeriko.",
        "49": "Mbola nitoby teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo, nanomboka tany Beti-jesimota ka hatrany Abela-sitima, teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba.",
        "50": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, teo amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, tandrifin\u2019i Jeriko:",
        "51": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Hiampita an\u2019i Jordana izao ianareo, dia hiditra ao Kanana.",
        "52": "Roahy eo anatrehanareo daholo ny mponina ao amin\u2019ilay tany, dia poteho daholo ny sarivongana vato namboarin\u2019izy ireo. Poteho daholo koa ny sarivongana metaly sy ny toerana avo masina ao.",
        "53": "Ary alaivo ho anareo ilay tany, dia mipetraha ao. Tena homeko ho fanananareo mantsy io tany io.",
        "54": "Dia zarao isaky ny foko sy fianakaviana ilay tany, ka ataovy antsapaka. Tokony hataonareo ngeza kokoa ny an\u2019izay foko lehibe kokoa, fa hatao kely kokoa ny an\u2019izay foko kely kokoa. Izay tany azon\u2019ny foko tsirairay amin\u2019ny antsapaka no ho lasa lovany. Ary araka ny fokon\u2019ny razambenareo no hahazoanareo tany ho anjara lovanareo.",
        "55": "\u201c\u2018Fa raha tsy roahinareo hiala eo anatrehanareo ny mponina ao amin\u2019ilay tany, dia ho toy ny zavatra malailay amin\u2019ny masonareo ny olona avelanareo hijanona ao, sady ho toy ny tsilo eo amin\u2019ny andilanareo. Hampijaly anareo ry zareo, eo amin\u2019ilay tany hipetrahanareo.",
        "56": "Ary izay noeritreretiko hatao amin-dry zareo no hataoko aminareo.\u2019\u201d"
    },
    "34": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "2": "\u201cOmeo an\u2019izao toromarika izao ny Israelita: \u2018Hiditra ao Kanana ianareo, ka ireto avy ny sisin\u2019ny tany Kanana, ilay tany homena ho lovanareo.",
        "3": "\u201c\u2018Ny sisiny atsimo amin\u2019ny taninareo dia hanomboka any amin\u2019ny tany efitr\u2019i Zina eo akaikin\u2019i Edoma. Ary hanomboka any amin\u2019ny faran\u2019ny Ranomasin-tsira ilay izy, any atsinanana.",
        "4": "Hivily eo atsimon\u2019ilay fiakarana Akrabima ny sisin-taninareo, dia hitohy hatrany Zina, ary any atsimon\u2019i Kadesi-barnea ny farany. Hitatra hatrany Hazara-adara ilay izy ka hitohy hatrany Azmona.",
        "5": "Dia eo Azmona ilay izy no hivily mankany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta, ary any amin\u2019ny Ranomasina ny farany.",
        "6": "\u201c\u2018Ny Ranomasina Lehibe sy ny morontsiraka indray no ho sisiny andrefana amin\u2019ny taninareo. Io no ho sisiny andrefana amin\u2019ny taninareo.",
        "7": "\u201c\u2018Izao kosa no ho sisiny avaratra amin\u2019ny taninareo: Manomboka eo amin\u2019ny Ranomasina Lehibe ilay izy, ka hatrany amin\u2019ny Tendrombohitra Hora,",
        "8": "ary avy eo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora ka hatrany Lebo-hamata, ary any Zedada ny farany.",
        "9": "Dia hitohy hatrany Zifrona ilay izy ka any Hazara-enana ny farany. Io no ho sisiny avaratra amin\u2019ny taninareo.",
        "10": "\u201c\u2018Farito ny sisin-taninareo any atsinanana, manomboka eo Hazara-enana ka hatrany Sefama.",
        "11": "Hanomboka eo Sefama ilay izy ka hitohy hatrany Ribla, hatrany atsinanan\u2019i Aina, ary hidina ihany ka hanapaka ny tehezan-kavoana eny atsinanan\u2019ny Ranomasin\u2019i Kinereta,",
        "12": "dia hitohy hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, ka any amin\u2019ny Ranomasin-tsira ny farany. Izany no ho taninareo miaraka amin\u2019ny sisin-tany manodidina azy.\u2019\u201d",
        "13": "Nomen\u2019i Mosesy toromarika \u00e0ry ny Israelita hoe: \u201cIo ilay tany hozarainareo ho fanananareo, ka hatao antsapaka ny fizarana azy, araka ilay didy nomen\u2019i Jehovah hoe homena ny foko sivy sy sasany io tany io.",
        "14": "Efa naka ny lovany mantsy ny fokon\u2019ny taranaky ny Robenita isaky ny fianakaviambeny, sy ny fokon\u2019ny taranaky ny Gadita isaky ny fianakaviambeny, ary ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase.",
        "15": "Ireo foko roa sy sasany ireo dia efa naka ny lovany et\u1ef3 atsinanan\u2019ny faritr\u2019i Jordana, tandrifin\u2019i Jeriko, manandrify ny fiposahan\u2019ny masoandro.\u201d",
        "16": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "17": "\u201cIreto no anaran\u2019ny lehilahy hizara an\u2019ilay tany ho fanananareo: Eleazara mpisorona sy Josoa zanak\u2019i Nona.",
        "18": "Ary haka mpiadidy iray isam-poko ianareo mba hizara an\u2019ilay tany ho lovanareo.",
        "19": "Dia ireto no anaran\u2019ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak\u2019i Jefone no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda;",
        "20": "Semoela zanak\u2019i Amihoda no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Simeona;",
        "21": "Elidada zanak\u2019i Kislona no avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina;",
        "22": "Boky mpiadidy zanak\u2019i Jogly no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Dana;",
        "23": "ny avy amin\u2019ny taranak\u2019i Josefa: Haniela mpiadidy zanak\u2019i Efoda no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Manase,",
        "24": "ary Kemoela mpiadidy zanak\u2019i Siftana no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Efraima;",
        "25": "Elizafana mpiadidy zanak\u2019i Parnaka no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Zebolona;",
        "26": "Paltiela mpiadidy zanak\u2019i Azana no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Isakara;",
        "27": "Ahihoda mpiadidy zanak\u2019i Selomy no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Asera;",
        "28": "ary Pedahela mpiadidy zanak\u2019i Amihoda no avy amin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Naftaly.\u201d",
        "29": "Ireo no nasain\u2019i Jehovah nizara an\u2019ilay tany ho an\u2019ny Israelita tao Kanana."
    },
    "35": {
        "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, teo amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, tandrifin\u2019i Jeriko:",
        "2": "\u201cTeneno ny Israelita hoe omeo tan\u00e0na avy amin\u2019ny lovany ny Levita mba hipetrahany. Homen\u2019izy ireo ho an\u2019ny Levita koa ny kijana manodidina an\u2019ireo tan\u00e0na ireo.",
        "3": "Hipetraka ao amin\u2019ireny tan\u00e0na ireny ny Levita, fa ny kijana kosa ho an\u2019ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny bibiny hafa rehetra.",
        "4": "Ataovy 1\u00a0000\u00a0hakiho miala avy eo amin\u2019ny manda manodidina ny tan\u00e0na ny kijana homenareo ny Levita.",
        "5": "Any ivelan\u2019ny tan\u00e0na, dia handrefy 2\u00a0000\u00a0hakiho amin\u2019ny lafiny atsinanana ianareo, 2\u00a0000\u00a0hakiho amin\u2019ny lafiny atsimo, 2\u00a0000\u00a0hakiho amin\u2019ny lafiny andrefana, ary 2\u00a0000\u00a0hakiho amin\u2019ny lafiny avaratra, ka ny tan\u00e0na no eo afovoany. Ireo no ho kijanan\u2019ny tan\u00e0nan\u2019izy ireo.",
        "6": "\u201cNy tan\u00e0na homenareo ny Levita dia tan\u00e0na fialokalofana 6 handosiran\u2019izay nahafaty olona, miampy tan\u00e0na 42 ankoatra an\u2019ireo.",
        "7": "Tan\u00e0na 48 miaraka amin\u2019ny kijanany \u00e0ry no homenareo ny Levita.",
        "8": "Avy amin\u2019ny tanin\u2019ny Israelita ireo tan\u00e0na homenareo ny Levita ireo. Izay foko lehibe kokoa no hakanareo betsaka, ary izay foko kely kokoa hakanareo kely. Samy hanome amin\u2019ny tan\u00e0nany ho an\u2019ny Levita ny foko tsirairay, arakaraka ny lova azony.\u201d",
        "9": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:",
        "10": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Hiampita an\u2019i Jordana izao ianareo, dia ho any Kanana.",
        "11": "Fidio izay tan\u00e0na mety aminareo, mba hatao tan\u00e0na fialokalofana handosiran\u2019izay nahafaty olona tsy nahy.",
        "12": "Ho fialokalofana ho anareo ireny tan\u00e0na ireny, mba tsy ho tratran\u2019ny mpamaly ra ianareo. Amin\u2019izay dia tsy ho faty izay nahafaty olona, alohan\u2019ny hitsarana azy eo anatrehan\u2019ny vahoaka.",
        "13": "Izany no hampiasana ny tan\u00e0na fialokalofana enina homenareo.",
        "14": "Tan\u00e0na telo no homenareo et\u1ef3 ampitan\u2019i Jordana, ary telo kosa any Kanana, mba hatao tan\u00e0na fialokalofana.",
        "15": "Ho fialokalofana ho an\u2019ny Israelita sy ny vahiny ary ny mpiavy ireo tan\u00e0na enina ireo, mba handosiran\u2019izay nahafaty olona tsy nahy.",
        "16": "\u201c\u2018Raha fitaovana vy no namelezany an\u2019ilay olona ka maty ilay olona, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona.",
        "17": "Raha vato mety hahafaty no namelezany azy ka maty ilay olona, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona.",
        "18": "Ary raha fitaovana vita amin\u2019ny hazo mety hahafaty no namelezany azy ka maty ilay olona, dia mpamono olona izy. Tsy maintsy vonoina ho faty ilay mpamono olona.",
        "19": "\u201c\u2018Ny mpamaly ra no hamono ho faty an\u2019ilay mpamono olona. Izy no hamono azy ho faty rehefa mahita azy.",
        "20": "Ary raha maty ilay olona fa natosiny satria halany, na notorahany satria tiany hovonoina,",
        "21": "na raha nasiany ilay olona satria halany ka maty, dia tsy maintsy vonoina ho faty ilay namely. Mpamono olona izy. Hamono azy ho faty ny mpamaly ra rehefa mahita azy.",
        "22": "\u201c\u2018Raha tsy nampoiziny kosa fa voatosiny ilay olona na voatorany zavatra, nefa tsy halany na tsy tiany hovonoina,",
        "23": "na raha tsy hitany ilay olona ka voazerany vato, nefa izy tsy fahavalon\u2019ilay olona na te hanisy ratsy azy, ka maty ilay olona,",
        "24": "dia hotsarain\u2019ny fiangonana araka ireo didy ireo ilay namely sy ny mpamaly ra.",
        "25": "Avy eo dia hovonjen\u2019ny fiangonana mba tsy ho tratran\u2019ny mpamaly ra ilay nahafaty olona, ka haverina any amin\u2019ilay tan\u00e0na fialokalofana efa nalehany tamin\u2019izy nandositra. Hipetraka any izy mandra-pahafatin\u2019ny mpisoronabe izay nohosorana menaka masina.",
        "26": "\u201c\u2018Raha mivoaka an\u2019ilay faritry ny tan\u00e0na fialokalofana nalehany anefa ilay nahafaty olona,",
        "27": "ary hitan\u2019ny mpamaly ra any ivelan\u2019ny faritr\u2019ilay tan\u00e0na izy ka vonoiny, dia tsy ho meloka ho nandatsa-dra ilay mpamaly ra.",
        "28": "Tsy maintsy mipetraka ao amin\u2019ny tan\u00e0na fialokalofana mantsy ilay nahafaty olona, mandra-pahafatin\u2019ny mpisoronabe. Fa rehefa maty ilay mpisoronabe, dia mahazo miverina any amin\u2019ny taniny izy.",
        "29": "Izany no lal\u00e0na harahinareo hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby, rehefa mitsara an\u2019ireo raharaha ireo ianareo, any amin\u2019izay tany ipetrahanareo.",
        "30": "\u201c\u2018Izay mahafaty olona dia tokony hovonoina ho faty, satria mpamono olona. Tokony hisy vavolombelona manamarina an\u2019izany anefa. Tsy misy azo vonoina ho faty kosa raha iray monja ny vavolombelona.",
        "31": "Aza mandray vidim-panavotana hamonjena ny ain\u2019ny mpamono olona izay mendrika ny ho faty. Tsy maintsy vonoina ho faty mantsy izy.",
        "32": "Ary aza mandray vidim-panavotana homen\u2019izay nandositra tany amin\u2019ny tan\u00e0na fialokalofana mba hamelana azy hody any amin\u2019ny taniny alohan\u2019ny hahafatesan\u2019ny mpisoronabe.",
        "33": "\u201c\u2018Aza mandoto ny tany misy anareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra. Tsy misy fandrakofam-pahotana ho an\u2019ilay tany raha misy ra nalatsaka teo amin\u2019ilay izy, afa-tsy ny ran\u2019izay nandatsaka an\u2019izany ihany.",
        "34": "Aza mandoto an\u2019ilay tany ipetrahanareo, izay sady onenako koa. Fa izaho Jehovah dia monina eo afovoan\u2019ny vahoakan\u2019Israely.\u2019\u201d"
    },
    "36": {
        "1": "Dia nanatona an\u2019i Mosesy sy ireo mpiadidy teo amin\u2019ny Israelita ny lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Gileada, zanak\u2019i Makira, zanak\u2019i Manase, avy tamin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Josefa.",
        "2": "Dia hoy izy ireo: \u201cNomen\u2019i Jehovah didy ny tompoko mba hizara ny tany ho lovan\u2019ny Israelita amin\u2019ny alalan\u2019ny antsapaka. Nodidian\u2019i Jehovah koa ny tompoko mba hanome ny lovan\u2019i Zelofada rahalahinay ho an\u2019ny zanany vavy.",
        "3": "Raha manambady lehilahy avy amin\u2019ny foko hafa amin\u2019ny Israelita anefa izy ireo, dia hesorina amin\u2019ny lovan\u2019ny razambenay ny lovan-dry zareo, ka hitambatra amin\u2019ny lovan\u2019ny fokon\u2019izay olona ho vadiny. Dia hesorina amin\u2019ny lova nomena anay tamin\u2019ny antsapaka izany.",
        "4": "Ary rehefa tonga ny Jobily ho an\u2019ny vahoakan\u2019Israely, dia hatambatra amin\u2019ny lovan\u2019ny fokon\u2019izay olona ho vadiny ny lovan-dry zareo, ka hesorina amin\u2019ny lovan\u2019ny fokon\u2019ny razambenay.\u201d",
        "5": "Dia notenenin\u2019i Mosesy ny Israelita, araka ny baikon\u2019i Jehovah, hoe: \u201cMarina izany tenin\u2019ny fokon\u2019ny taranak\u2019i Josefa izany.",
        "6": "Izao \u00e0ry no didin\u2019i Jehovah ho an\u2019ny zanakavavin\u2019i Zelofada: \u2018Afaka manambady an\u2019izay tiany izy ireo, nefa tokony ho ao amin\u2019ny fianakavian\u2019ny fokon\u2019ny rainy ihany.",
        "7": "Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin\u2019ny Israelita, fa samy tokony hitazona ny lovan\u2019ny fokon\u2019ny razambeny izy ireo.",
        "8": "Izay anisan\u2019ny taranaky ny fokon\u2019ny rainy ihany no tokony ho vadin\u2019ny zanakavavy rehetra manana lova eo amin\u2019ny fokon\u2019ny Israely. Amin\u2019izay dia samy hitazona ny lovan\u2019ny razambeny ny Israelita.",
        "9": "Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin\u2019ny Israelita, fa samy tokony hitazona ny lovany avy ny fokon\u2019ny Israely.\u2019\u201d",
        "10": "Dia nanao an\u2019izay nandidian\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy ny zanakavavin\u2019i Zelofada.",
        "11": "Nanambady an\u2019ireo zanaky ny rahalahin-drainy \u00e0ry i Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin\u2019i Zelofada.",
        "12": "Lasa vadin\u2019ny lehilahy tao amin\u2019ny fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Manase, zanak\u2019i Josefa, izy ireo. Amin\u2019izay dia hijanona ao amin\u2019ny fokon\u2019ny fianakavian\u2019ny rainy ihany ny lovan\u2019izy ireo.",
        "13": "Ireo no didy sy didim-pitsarana nomen\u2019i Jehovah ny Israelita tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy, teo amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, tandrifin\u2019i Jeriko."
    },
    "meta": {
        "name": "Nomery",
        "order": 3,
        "chapter_number": 36
    }
}
