{
    "1": {
        "1": "Tamin\u2019ny andron\u2019ny mpitsara, dia nisy mosary teo amin\u2019ilay tany. Dia niala tany Betlehema any Joda ny lehilahy iray, ary nandeha nifindra tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba niaraka tamin\u2019ny vadiny sy ny zanany roa lahy.",
        "2": "Elimeleka no anaran\u2019ilay lehilahy, Naomy no anaran\u2019ny vadiny, ary Malona sy Kiliona no anaran\u2019ny zanany. Efratita avy any Betlehema any Joda izy ireo, ary tonga tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba ka nijanona tany.",
        "3": "Maty i Elimeleka vadin\u2019i Naomy rehefa nandeha ny fotoana, ka i Naomy sy ny zanany roa lahy sisa no tavela.",
        "4": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nanambady vehivavy moabita izy roa lahy. Orpa no anaran\u2019ny iray, ary Rota no anaran\u2019ny iray. Dia nijanona tany folo taona teo ho eo izy ireo.",
        "5": "Ary maty koa i Malona sy Kiliona, dia i Naomy sisa no tavela, fa tsy teo intsony ny vadiny sy ny zanany roa lahy.",
        "6": "Koa niala tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba izy mba handeha hody, dia niaraka taminy ireo vinantovaviny. Henony mantsy fa notahin\u2019i Jehovah indray ny vahoakany ka nomeny sakafo.",
        "7": "Niala tao amin\u2019ilay toerana nisy azy izy, niaraka tamin\u2019ny vinantony roa vavy. Rehefa teny an-dalana hiverina any Joda izy ireo,",
        "8": "dia hoy i Naomy tamin\u2019izy roa vavy: \u201cAleo ianareo samy mody any amin\u2019ny tranon\u2019ny mamanareo avy. Ary enga anie i Jehovah ho tia anareo foana sy tsy hivadika aminareo, hoatran\u2019ny nataonareo tamiko sy tamin\u2019ny vadinareo tamin\u2019izy ireo mbola velona!",
        "9": "I Jehovah koa anie hanome anareo vady hiadanana!\u201d Dia nanoroka azy roa vavy izy, ary nitomany be izy ireo",
        "10": "sady namerimberina niteny hoe: \u201cAvelao izahay mba hiaraka aminao any amin\u2019ny firenenao.\u201d",
        "11": "Hoy anefa i Naomy: \u201cMandehana mody, anaka! Fa maninona ianareo no hiaraka amiko? Izaho angaha mbola afaka miteraka zanakalahy ho lasa vadinareo?",
        "12": "Mandehana mody, anaka! Mandehana fa izaho ange efa antitra ka tsy hahazo vady intsony\u00a0e! Ary na mbola hahazo vady aza aho androany alina ka hitera-dahy,",
        "13": "dia hahandry azy mandra-pahalehibeny ve ianareo? Hahavita tsy hanambady ve ianareo fa hiandry azy? Tsy mety izany, anaka! Tena mampalahelo ahy ianareo fa noho izaho nofaizin\u2019i Jehovah no nahatonga anareo ho hoatr\u2019izao.\u201d",
        "14": "Dia nitomany be indray izy roa vavy. Ary nanoroka ny rafozambaviny i Orpa, dia lasa. I Rota kosa tsy nety nisaraka taminy.",
        "15": "Hoy \u00e0ry i Naomy: \u201cJereo fa lasa nody any amin\u2019ny fireneny sy ny andriamaniny ny rahavavinao. Mandehana miaraka aminy.\u201d",
        "16": "Fa hoy i Rota: \u201cAza terena handao anao sy hisaraka aminao aho, fa izay halehanao no halehako ary izay hatorianao no hatoriako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.",
        "17": "Izay toerana hahafatesanao no hahafatesako, ary any no hilevenako. Hofaizin\u2019i Jehovah anie aho, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika!\u201d",
        "18": "Rehefa hitan\u2019i Naomy fa nisisika hiaraka taminy i Rota, dia tsy niezaka nandresy lahatra azy intsony izy.",
        "19": "Dia nanohy ny diany izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary taitaitra sy nientanentana ny iray tan\u00e0na raha vao nahita azy ireo, ka niteny ireo vehivavy tao an-tan\u00e0na hoe: \u201cI Naomy ve io?\u201d",
        "20": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cAza atao hoe Naomy aho, fa ataovy hoe Mara satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.",
        "21": "Nanana ny zava-drehetra aho tamin\u2019izaho niala teto, nefa nampody ahy tanam-polo i Jehovah. Fa maninona aho no antsoinareo hoe Naomy? I Jehovah aza ange tsy faly tamiko\u00a0e, ary ilay Mahery Indrindra aza efa nahatonga loza tamiko!\u201d",
        "22": "Izany no tantaran\u2019i Naomy tamin\u2019izy nody avy tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba, niaraka tamin\u2019i Rota Moabita vinantovaviny. Tonga tany Betlehema izy mianaka rehefa nanomboka ny fijinjana vary orza."
    },
    "2": {
        "1": "Ary nisy lehilahy havam-badin\u2019i Naomy nanan-karena be. Boaza no anarany, ary fianakavian\u2019i Elimeleka izy.",
        "2": "Hoy i Rota Moabita tamin\u2019i Naomy: \u201cAleo aho mba ho any an-tsaha hitsimpona ny salohim-bary avelan\u2019izay olona miantra ahy.\u201d Dia hoy i Naomy: \u201cMandehana, anaka!\u201d",
        "3": "Dia lasa tany an-tsaha izy, ka nitsimpona an\u2019izay navelan\u2019ny mpijinja. Ary sendra tonga teo amin\u2019ny tanin\u2019i Boaza havan\u2019i Elimeleka izy.",
        "4": "Tonga avy any Betlehema i Boaza tamin\u2019izay, ka hoy izy tamin\u2019ireo mpijinja: \u201cHanampy anareo anie i Jehovah!\u201d Dia namaly izy ireo hoe: \u201cHitahy anao anie i Jehovah!\u201d",
        "5": "Ary hoy i Boaza tamin\u2019ilay lehilahy niandraikitra ny mpijinja: \u201cHavan\u2019iza io tovovavy io?\u201d",
        "6": "Dia hoy ilay lehilahy: \u201cMoabita niaraka tamin\u2019i Naomy avy tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba io.",
        "7": "Nangataka tamiko izy hoe: \u2018Izaho ve mba afaka mitsimpona sy manangona salohim-bary eny anelanelan\u2019ny amboara navelan\u2019ny mpijinja?\u2019 Dia tsy nipetraka mihitsy izy hatramin\u2019ny nahatongavany tamin\u2019ny maraina. Fa izao izy vao mba mipetraka maka aina kely eo amin\u2019io tranokely fialokalofana io.\u201d",
        "8": "Hoy i Boaza tamin\u2019i Rota: \u201cIzao, anaka: Aza mitsimpona any amin\u2019ny sahan\u2019olon-kafa na mankany an-toeran-kafa, fa miaraha foana amin\u2019ny ankizivavy mpanompoko.",
        "9": "Jereo foana hoe aiza ry zareo no mijinja dia miaraha aminy. Efa nandidy an\u2019ireo ankizilahy aho mba tsy hanadala anao. Efa nantsaka rano koa ry zareo dia nataony ao amin\u2019iretsy siny iretsy. Mankanesa eny rehefa mangetaheta.\u201d",
        "10": "Dia niankohoka tamin\u2019ny tany i Rota, sady niteny taminy hoe: \u201cFa maninona ianao no tsara fanahy amiko sy miantra ahy, nefa izaho hafa firenena?\u201d",
        "11": "Dia hoy i Boaza: \u201cEfa henoko daholo izay nataonao tamin\u2019ny rafozambavinao taorian\u2019ny nahafatesan\u2019ny vadinao. Henoko koa hoe nandao ny rainao sy ny reninao sy ny tany misy ny havanao ianao, dia nankat\u1ef3 amin\u2019ny firenena mbola tsy fantatrao akory.",
        "12": "Enga anie hamaly soa anao i Jehovah noho izay nataonao! Ary hahazo valisoa lehibe avy amin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely anie ianao, satria tonga hialoka eo ambany elany!\u201d",
        "13": "Dia hoy i Rota: \u201cEnga anie ho tsara fanahy foana amiko ianao, tompoko! Ianao mantsy efa nankahery sy nanome toky ahy, na dia tsy anisan\u2019ny mpanomponao aza aho.\u201d",
        "14": "Tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny sakafo, dia hoy i Boaza taminy: \u201cAvia hihinana mofo, ary atsobohy ao anaty vinaingitra ny mofonao.\u201d Dia nipetraka teo akaikin\u2019ny mpijinja i Rota. Nomen\u2019i Boaza voam-bary natono izy avy eo, dia nihinana ka voky. Tsy laniny daholo anefa ilay izy.",
        "15": "Dia nitsangana indray i Rota mba hitsimpona salohim-bary. Ary nandidy an\u2019ireo ankizilahy mpanompony i Boaza hoe: \u201cAvelao izy hitsimpona ny salohim-bary eny anelanelan\u2019ny amboara, ary aza mila vaniny aminy.",
        "16": "Sintony hiala amin\u2019ny amboara koa ny salohim-bary sasany dia avelao eny hotsimponiny, fa aza bedesina izy.\u201d",
        "17": "Nitsimpona an\u2019izay navelan\u2019ny mpijinja teny an-tsaha \u00e0ry i Rota, mandra-paharivan\u2019ny andro. Nahazo vary orza iray\u00a0efaha teo ho eo izy, rehefa avy nively an\u2019izay notsimponiny.",
        "18": "Nentiny tany an-tan\u00e0na izany ary hitan\u2019ny rafozambaviny. Navoakan\u2019i Rota koa ny ambiny tsy laniny tamin\u2019ilay izy nisakafo, dia nomeny azy.",
        "19": "Ary hoy ny rafozambaviny: \u201cTaiza ianao no nitsimpona androany? Taiza ianao no niasa? Hotahina anie izay niantra anao!\u201d Dia notenenin\u2019i Rota taminy hoe tany amin\u2019iza izy no niasa. Hoy izy: \u201cTany amin\u2019ilay lehilahy atao hoe Boaza aho no niasa androany.\u201d",
        "20": "Dia hoy i Naomy tamin\u2019ny vinantovaviny: \u201cHitahy azy anie i Jehovah, ilay maneho fitiavana amin\u2019ny velona sy ny maty!\u201d Hoy koa i Naomy: \u201cHavantsika iny lehilahy iny, ary anisan\u2019ny mpanavotra antsika.\u201d",
        "21": "Dia hoy i Rota Moabita: \u201cNiteny tamiko koa izy hoe: \u2018Mijan\u00f2na foana eny akaikin\u2019ny mpanompoko, mandra-pahavitan\u2019ny fijinjana ny vokatra rehetra et\u1ef3 amin\u2019ny sahako.\u2019\u201d",
        "22": "Ary hoy i Naomy tamin\u2019i Rota vinantovaviny: \u201cAleo mihitsy ianao, anaka, miaraka amin\u2019ny ankizivavy mpanompony. Raha any amin\u2019ny sahan\u2019olon-kafa mantsy ianao dia mety hisy hanadala.\u201d",
        "23": "Dia nitsimpona teny akaikin\u2019ny ankizivavy mpanompon\u2019i Boaza i Rota, mandra-pahatapitry ny fijinjana vary orza sy varimbazaha. Ary niara-nipetraka tamin\u2019ny rafozambaviny foana izy."
    },
    "3": {
        "1": "Ary hoy i Naomy rafozambaviny taminy: \u201cSao dia tokony hitady vady ho anao aho, anaka, amin\u2019izay mba mety tsara ny fiainanao?",
        "2": "Havantsika ange i Boaza\u00a0e! Izy ilay namela anao hiara-miasa amin\u2019ny ankizivavy mpanompony. Hikororoka vary orza eny am-pamoloana izy androany alina.",
        "3": "Mandehana mandro ary hosory menaka manitra ny vatanao. Dia anaovy izay akanjonao tsara indrindra ary mid\u00ecna eny am-pamoloana. Aza atao hitany ianao raha tsy efa avy mihinana sy misotro izy.",
        "4": "Rehefa hatory izy, dia jereo hoe aiza izy no hatory, ary mankanesa eny. Ingao ny lamba mandrakotra ny tongony, dia matoria eo. Izy no hiteny aminao izay tokony hataonao.\u201d",
        "5": "Dia hoy i Rota: \u201cAo fa hataoko daholo izany zavatra lazainao izany.\u201d",
        "6": "Nidina teny am-pamoloana \u00e0ry izy, ka nataony daholo izay nasain\u2019ny rafozambaviny nataony.",
        "7": "Nihinana sy nisotro i Boaza tamin\u2019izay ka falifaly. Dia nandeha natory teny akaikin\u2019ny antontam-bary izy. Ary nitsaitsaika i Rota, ka ningainy ny lamba nandrakotra ny tongotr\u2019i Boaza, dia natory teo izy.",
        "8": "Nangovitra anefa i Boaza rehefa nisasaka ny alina. Niarina \u00e0ry izy ka nipetraka, ary nahita vehivavy natory teo an-tongony.",
        "9": "Dia hoy izy: \u201cFa iza ianao?\u201d Hoy i Rota: \u201cI Rota mpanomponao ihany ity! Mba rakofy amin\u2019ny akanjonao ny mpanomponao, satria mpanavotra ianao.\u201d",
        "10": "Dia hoy i Boaza: \u201cHotahin\u2019i Jehovah anie ianao, anaka! Efa nasehonao hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao, fa vao mainka hita izany izao. Tsy niaraka tamin\u2019ny ankizilahy mantsy ianao, na mahantra izy na manankarena.",
        "11": "Aza matahotra, anaka, fa hataoko aminao daholo izay lazainao. Fantatry ny iray tan\u00e0na mantsy fa vehivavy tena miavaka ianao.",
        "12": "Marina aloha fa mpanavotra aho, nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho afaka manavotra anao.",
        "13": "Mijan\u00f2na eto androany alina. Raha hanavotra anao izy rehefa maraina ny andro, dia tsara izany! Aleo izy no hanavotra anao. Raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao, raha mbola velona koa i Jehovah. Fa matoria eto ihany aloha mandra-paharainan\u2019ny andro.\u201d",
        "14": "Dia natory teo an-tongony i Rota mandra-paharainan\u2019ny andro. Ary nifoha izy raha mbola maizimaizina, amin\u2019ilay mbola tsy ahafantarana olona iny. Dia hoy i Boaza: \u201cAza atao fantatr\u2019olona hoe nisy vehivavy tonga teto am-pamoloana.\u201d",
        "15": "Hoy koa izy: \u201cEnto at\u1ef3 iny akanjonao ivelany iny ary velaro.\u201d Dia novelarin\u2019i Rota ilay izy. Koa namatra vary orza inenin\u2019ny famarana i Boaza, dia nataony tao anatin\u2019ilay akanjo ary nampitondrainy azy. Lasa nankany an-tan\u00e0na i Boaza taorian\u2019izay.",
        "16": "I Rota kosa lasa nody. Rehefa tonga tany an-trano izy, dia hoy ny rafozambaviny: \u201cNanao ahoana ny tany, anaka?\u201d Dia nolazain\u2019i Rota azy daholo izay nataon\u2019i Boaza taminy.",
        "17": "Hoy koa izy: \u201cNomeny an\u2019ireto vary orza inenin\u2019ny famarana ireto aho sady niteny izy hoe: \u2018Aza mitondra tanam-polo any amin\u2019ny rafozambavinao.\u2019\u201d",
        "18": "Dia hoy i Naomy: \u201cMipetraha amin\u2019izay, anaka, mandra-pahafantatrao an\u2019izay hitranga. Tsy hipetrapetraka mihitsy mantsy izy androany raha tsy efa milamina ny zava-drehetra.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Ary niakatra nankany am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na i Boaza, ka nipetraka teo. Dia iny fa nandalo ilay mpanavotra nolazainy, ka hoy izy taminy: \u201cAvia, ry Ingahy, mba hipetrapetraka eto\u00a0a!\u201d Dia nanatona ilay rangahy ary nipetraka.",
        "2": "Niantso anti-panahy folo tao an-tan\u00e0na i Boaza avy eo, ka niteny tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cMipetrapetraha eto!\u201d Dia nipetraka izy ireo.",
        "3": "Ary hoy i Boaza tamin\u2019ilay mpanavotra: \u201cNody avy tany amin\u2019ny faritr\u2019i Moaba i Naomy, dia tsy maintsy hamidiny ny anjara tanin\u2019i Elimeleka rahalahintsika.",
        "4": "Nieritreritra aho hoe tokony hampahafantatra an\u2019izany aminao, sady hiteny hoe: \u2018Vidio eto anatrehan\u2019ny mpiara-monina amintsika sy ny anti-panahy eto amin\u2019ny firenentsika ilay izy. Raha hanavotra an\u2019ilay izy ianao dia avoty, fa raha tsy hanavotra kosa dia mba ilazao aho. Tsy misy olon-kafa tokony hanavotra azy io afa-tsy ianao mantsy, ary izaho no manarakaraka anao.\u2019\u201d Dia hoy ilay rangahy: \u201cHay, vonona aho.\u201d",
        "5": "Ary hoy i Boaza: \u201cAmin\u2019ny fotoana hividiananao an\u2019ilay saha amin\u2019i Naomy, dia tsy maintsy mividy an\u2019ilay izy amin\u2019i Rota Moabita vadin\u2019ny maty koa ianao. Amin\u2019izay mba tsy ho very anarana ny maty sady tsy ho very lova.\u201d",
        "6": "Dia hoy ilay mpanavotra: \u201cTsy afaka manavotra aho raha izany, sao izaho indray no ho voa mafy. Omeko anao ny zoko hanavotra ka avoty ho anao ilay izy, fa izaho tsy afaka manao an\u2019izany.\u201d",
        "7": "Izao no fanaon\u2019ny Israelita taloha, mba hanan-kery izay fifanarahana nataon\u2019izy ireo momba ny zo hanavotra sy ny takalo: Tsy maintsy nanala ny kapany ny lehilahy iray, ka nanome an\u2019izany ho an\u2019ny andaniny. Izany no fomba nanamafisana fifanarahana tany Israely.",
        "8": "Nanala ny kapany \u00e0ry ilay mpanavotra sady niteny tamin\u2019i Boaza hoe: \u201cVidio ho anao ilay izy.\u201d",
        "9": "Dia hoy i Boaza tamin\u2019ny anti-panahy sy ny olona rehetra teo: \u201cIanareo no vavolombelona androany, fa hovidiko amin\u2019i Naomy daholo izay an\u2019i Elimeleka sy izay an\u2019i Kiliona sy Malona.",
        "10": "Halaiko ho vady koa i Rota Moabita vadin\u2019i Malona, mba tsy ho very anarana ny maty sady tsy ho very lova. Amin\u2019izay dia tsy hanadino ny anaran\u2019ny maty ny rahalahiny sy izay eo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0nany. Ianareo no vavolombelon\u2019izany androany.\u201d",
        "11": "Dia hoy ny olona rehetra teo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na sy ny anti-panahy: \u201cIzahay no vavolombelona! Hotahin\u2019i Jehovah anie ilay vehivavy ho vadinao ka ho lasa hoatran\u2019i Rahely sy Lea, izay samy niavian\u2019ny taranak\u2019Israely! Enga anie ka handeha tsara ny fiainanao eto Efrata, ary halaza ny anaranao eto Betlehema!",
        "12": "Enga anie ny taranaka homen\u2019i Jehovah anao avy amin\u2019io vehivavy io ka ho tahaka ny taranak\u2019i Pereza, izay naterak\u2019i Tamara tamin\u2019i Joda!\u201d",
        "13": "Nalain\u2019i Boaza ho vadiny \u00e0ry i Rota, ary nanao firaisana taminy izy. Dia notahin\u2019i Jehovah i Rota ka bevohoka ary tera-dahy.",
        "14": "Dia hoy ireo vehivavy tamin\u2019i Naomy: \u201cHoderaina anie i Jehovah fa nomeny mpanavotra ianao! Hambara eo amin\u2019ny Israely anie ny anarany!",
        "15": "Nampihiratra indray ny fiainanao izy, ary hikarakara anao amin\u2019izao ianao efa antitra izao. Ilay vinantonao tena tia anao, izay tsara kokoa aminao noho ny zanaka fito lahy, mantsy no niteraka azy.\u201d",
        "16": "Dia noraisin\u2019i Naomy ilay zaza ka nofihininy teo an-tratrany, ary izy no nikarakara azy.",
        "17": "Ary nanome anarana an\u2019ilay zaza ireo vehivavy mpiara-monina taminy, sady niteny hoe: \u201cZazalahy no teraka ho an\u2019i Naomy.\u201d Dia nataon\u2019izy ireo hoe Obeda ny anarany. Izy no rain\u2019i Jese, rain\u2019i Davida.",
        "18": "Ireto avy ny taranak\u2019i Pereza: I Pereza niteraka an\u2019i Hezrona;",
        "19": "Hezrona niteraka an\u2019i Rama; Rama niteraka an\u2019i Aminadaba;",
        "20": "Aminadaba niteraka an\u2019i Nasona; Nasona niteraka an\u2019i Salmona;",
        "21": "Salmona niteraka an\u2019i Boaza; Boaza niteraka an\u2019i Obeda;",
        "22": "Obeda niteraka an\u2019i Jese; ary Jese niteraka an\u2019i Davida."
    },
    "meta": {
        "name": "Rota",
        "order": 7,
        "chapter_number": 4
    }
}
