{
    "1": {
        "1": "Avy amin\u2019i Paoly, mpanompon\u2019Andriamanitra sady apostolin\u2019i Jesosy Kristy. Mpanompo sy apostoly manana finoana hoatran\u2019ny finoan\u2019ny olom-boafidin\u2019Andriamanitra aho, sady mahalala tsara ny fahamarinana, izay mifanaraka amin\u2019ny fahafoizan-tena ho an\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Izany rehetra izany dia miorina amin\u2019ny fanantenana fiainana mandrakizay, izay efa hatry ny ela be no nampanantenain\u2019Andriamanitra tsy mahay mandainga.",
        "3": "Tamin\u2019ny fotoana voatondrony anefa, dia nampahafantariny ny teniny, tamin\u2019ny alalan\u2019ilay fitoriana nasaina nataoko, araka ny didy nomen\u2019Andriamanitra Mpamonjy antsika.",
        "4": "Ho an\u2019i Titosy, tena zanako ao amin\u2019ny finoana iraisantsika, Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Mpamonjy antsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminao sady hanome anao fiadanana!",
        "5": "Nasaiko nijanona tany Kreta ianao mba hanitsy an\u2019ireo zavatra tsy nety sy hanendry anti-panahy isan-tan\u00e0na, mifanaraka amin\u2019ireto toromarika nomeko anao ireto:",
        "6": "Ny anti-panahy dia tokony ho lehilahy tsy misy hokianina, manambady tokana, manana zanaka mpino izay tsy ampangaina ho manaram-po amin\u2019ny ratsy na mafy loha.",
        "7": "Mpanompon\u2019Andriamanitra mantsy ny mpiandraikitra, ka tsy maintsy ho tsy misy hokianina, tsy mpiziriziry amin\u2019ny heviny, tsy mora tezitra, tsy mamo lava, tsy mahery setra, tsy tia tombony azo amin\u2019ny tsy marina,",
        "8": "fa tia mandray vahiny kosa, tia ny tsara, misaina tsara, manao ny marina, tsy mivadika, mahafehy tena,",
        "9": "ary manaraka tsara an\u2019ilay teny azo antoka rehefa mampianatra. Amin\u2019izay izy dia hahay hampahery ny hafa amin\u2019 ny fampianarana mahasoa sady hahavita hananatra an\u2019izay manohitra an\u2019izany.",
        "10": "Maro mantsy no mikomy, manao resaka tsy misy fotony, ary mamitaka, indrindra fa ireo mifikitra amin\u2019ny famorana.",
        "11": "Mila sakanana tsy hiteny ireny olona ireny, satria ireny no tena manimba ny finoan\u2019ny ankohonana manontolo, noho izy ireo mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina, mba hahazoana tombony azo amin\u2019ny tsy marina.",
        "12": "Nisy mpaminany iray\u00a0firenena amin\u2019izy ireo nilaza hoe: \u201cMpandainga foana ny Kretanina, bibidia masiaka sady kamo be tenda.\u201d",
        "13": "Marina ireo teny ireo. Anaro mafy foana \u00e0ry izy ireo mba hanana finoana matanjaka,",
        "14": "ka tsy hihaino angano jiosy sy didy avy amin\u2019ny olona miala amin\u2019ny fahamarinana.",
        "15": "Madio ny zava-drehetra amin\u2019ny olona madio. Tsy misy na inona na inona madio kosa amin\u2019ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana, fa samy voaloto na ny sainy na ny feon\u2019ny fieritreretany.",
        "16": "Milaza ho mahafantatra an\u2019Andriamanitra izy ireny rehefa eny imason\u2019olona, kanefa hita amin\u2019ny ataony hoe mand\u00e0 azy, satria maharikoriko sy tsy mankat\u00f2 ary tsy mendrika hanao asa tsara na inona na inona izy ireny."
    },
    "2": {
        "1": "Fa ianao kosa, miresaha foana zavatra mifanaraka amin\u2019ny fampianarana mahasoa.",
        "2": "Ampirisiho ny lehilahy zokiolona hahay handanjalanja eo amin\u2019izay zavatra fanaony, ho mato-tsaina, hisaina tsara, hanana finoana matanjaka, ho be\u00a0fitiavana, ary hiaritra.",
        "3": "Ampirisiho koa ny vehivavy zokiolona hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy handevozin\u2019ny divay be, fa ho mpampianatra zavatra tsara,",
        "4": "mba hahafahany hanoro hevitra ny vehivavy tanora ho tia vady aman-janaka,",
        "5": "hisaina tsara, hadio fitondran-tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Ampirisiho foana koa ny lehilahy tanora hisaina tsara,",
        "7": "ary asehoy hoe modely amin\u2019ny asa tsara ianao amin\u2019ny lafiny rehetra. Zavatra madio ampianarina ka miezaha ho mato-tsaina rehefa manao an\u2019izany,",
        "8": "ary mampias\u00e0 teny mahasoa izay tsy azo kianina. Amin\u2019izay dia ho afa-baraka ny mpanohitra, ka tsy hahita zavatra hanaratsiana antsika.",
        "9": "Ampirisiho ny mpanompo hanaiky ny tompony amin\u2019ny zava-drehetra ka hiezaka hanao izay mahafaly azy, tsy hamalivaly,",
        "10": "tsy hangalatra, fa ho mendri-pitokisana tanteraka kosa. Amin\u2019izay izy dia toy ny hoe mandravaka ny fampianaran\u2019Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin\u2019ny lafiny rehetra.",
        "11": "Efa nasehon\u2019Andriamanitra mantsy ny hatsaram-panahiny miavaka, ka afaka ny ho voavonjy ny karazan\u2019olona rehetra.",
        "12": "Mampiofana antsika izany hatsaram-panahy izany mba handa an\u2019izay mifanohitra amin\u2019ny sitrapon\u2019Andriamanitra sy ny fanirian\u2019izao tontolo izao. Mampiofana antsika koa izany mba hampiseho eo amin\u2019ny fiainantsika hoe misaina tsara sy manao izay mahitsy isika ary mahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra, eto amin\u2019izao tontolo izao.",
        "13": "Miandry an\u2019ilay zavatra mahafaly antenaintsika koa isika, sady miandry ny fisehoana be\u00a0voninahitr\u2019ilay Andriamanitra tena miavaka sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika.",
        "14": "Nanolotra ny tenany ho antsika izy mba hanafahana antsika amin\u2019ny karazana fandikan-dal\u00e0na rehetra sy mba hanadiovana firenena iray ho fananany manokana, dia firenena mazoto manao asa tsara.",
        "15": "Miresaha foana momba an\u2019ireo zavatra ireo, ka aza mitsahatra mandrisika sy mananatra, satria ianao efa nomena fahefana feno hanao an\u2019izany. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao."
    },
    "3": {
        "1": "Ampahatsiahivo foana izy ireo mba hanaiky sy hankat\u00f2 ny fanjakana sy ny manam-pahefana, ho vonona hanao ny asa tsara rehetra,",
        "2": "tsy hanaratsy olona, tsy ho mpila ady, fa hahay handanjalanja kosa sy halemy fanahy tanteraka amin\u2019ny olona rehetra.",
        "3": "Fa isika koa aza taloha mba tsy nisaina, tsy nankat\u00f2, voafitaka, nandevozin\u2019ny faniriana sy ny fahafinaretana maro samihafa, nanao ratsy foana sy nialona, naharikoriko, ary nifankahala.",
        "4": "Rehefa naseho anefa ny hatsaram-panahin\u2019Andriamanitra Mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny olombelona,",
        "5": "dia namonjy antsika izy, tsy noho ny zavatra tsara nataontsika, fa noho ny famindram-pony. Namonjy antsika izy rehefa nanadio antsika ka nahatonga antsika ho velona, sy rehefa nampiasa ny fanahy masina izay nahatonga antsika ho olom-baovao.",
        "6": "Nandatsahany be dia be tamin\u2019io fanahy io isika, tamin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika,",
        "7": "mba hahatonga antsika ho mpandova ka hanantena ny hiaina mandrakizay, rehefa avy nambara hoe olo-marina isika noho ny hatsaram-panahiny miavaka.",
        "8": "Azo atokisana ireo teny ireo. Ary tiako hohamafisinao foana izany zavatra izany, amin\u2019izay ireo mino an\u2019Andriamanitra dia hampifantoka ny sainy amin\u2019ny fanaovana asa tsara foana. Tsara sady mahasoa ny olona mantsy izany zavatra izany.",
        "9": "Aza midikiditra amin\u2019ny adihevitra adaladala anefa, na ny resaka tetirazana, na ny fifamaliana, na ny ady momba ny Lal\u00e0na, fa sady tsy mahasoa izany no tsy misy dikany.",
        "10": "Halaviro ny olona manangana antokom-pinoana, rehefa avy nanarinao indray mandeha ary mbola nanarinao fanindroany,",
        "11": "satria fantatrao fa niala tamin\u2019ny lalan\u2019ny fahamarinana ny olona hoatr\u2019izany ary manota sady manameloka ny tenany.",
        "12": "Rehefa irahiko ho any aminao i Artema na i Tykiko, dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana any amiko any Nikopolia, fa nanapa-kevitra ny hijanona any mandritra ny ririnina aho.",
        "13": "Ataovy ampy vatsy tsara i Zena, izay mahay Lal\u00e0na, sy Apolosy, mba tsy ho ory na inona na inona izy ireo amin\u2019ny dia hataony.",
        "14": "Aoka koa anefa ny rahalahintsika hianatra hanao asa tsara foana mba ho afaka hanampy rehefa misy zavatra ilaina maika, sao tsy hahavokatra izy ireo.",
        "15": "Mampamangy, hono, ianao, hoy ny olona rehetra eto amiko. Mampamangy any amin\u2019ireo miraiki-po aminay, dia ireo rahalahy ao amin\u2019ny finoana. Enga anie ianareo rehetra hanehoana hatsaram-panahy miavaka!"
    },
    "meta": {
        "name": "Titosy",
        "order": 55,
        "chapter_number": 3
    }
}
