{
    "1": {
        "1": "Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,",
        "2": "ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:",
        "3": "ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.",
        "4": "Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,",
        "5": "satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [ Na: ny finoanao]",
        "6": "mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.",
        "7": "Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.",
        "8": "Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,",
        "9": "nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [ Na: ambasadora]",
        "10": "Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [ Onesimosy = Mahasoa]",
        "11": "ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;",
        "12": "izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;",
        "13": "saiky nohazoniko taty; amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;",
        "14": "nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.",
        "15": "Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,",
        "16": "tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.",
        "17": "Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.",
        "18": "Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;",
        "19": "izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.",
        "20": "Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.",
        "21": "Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.",
        "22": "Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.",
        "23": "Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,",
        "24": "sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.",
        "25": "Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena."
    }
}
